Afrika Atsimo
Afrika Atsimo
RAHA tonga eto Afrika Atsimo ianao ka mandeha eny an-tanàn-dehibe, dia hahita olona samy hafa volon-koditra. Ao ny mainty be, ao ny fotsy be, ary ao ny zarazara hoditra. Ankoatra ny feon’ny fiarakodia, dia handre fiteny isan-karazany ianao. Hahita trano fiasana avo be ianao, ka ireny no manome alokaloka amin’ny hainandro migaingaina. Handalo mpivarotra voankazo sy haingon-trano ary fitafiana ianao. Afaka mihety volo eo an-tsisin-dalana koa ianao, raha tianao.
Sarotra ny hilaza hoe iza no tena teratanin’i Afrika Atsimo, rehefa jerena ny fahasamihafana eo amin’ireo mponina 44 tapitrisa mahery. Mainty hoditra ny telo ampahefatry ny mponina, anisan’izany ny Zoloa, Xhosa, Sotho, Pedi, Tswana, ary ireo foko madinika maromaro. Miteny anglisy sy afrikaans kosa ny ankamaroan’ireo fotsy hoditra. Anisan’izany ny taranak’ireo mpiavy holandey tamin’ny taonjato faha-17, sy ireo mpifindra monina protestanta frantsay. Nisy Anglisy tonga koa tany am-piandohan’ny taonjato faha-19.
Ahitana Karàna maro be koa eto Afrika Atsimo. Taranaky ny mpiasa tao amin’ny toeram-pambolena fary tao Natal (KwaZulu-Natal ankehitriny) izy ireo. Avy amin’ny firazanana sy kolontsaina samihafa ny mponin’i Afrika Atsimo, ka mety ny hiantsoana azy hoe Firenena Maro Loko (Rainbow Nation).
Taloha, dia nisy olana teo amin’ny fifandraisan’ny olona samy hafa volon-koditra. Nomelohin’ny firenena maro ny apartheid na fanavakavaham-bolon-koditra nampiharina teto. Rava ny apartheid, taona vitsivitsy lasa izay, ary natsangana ny fitondrana demokratika, ka maro no nankasitraka izany.
Azon’ny olona samy hafa volon-koditra rehetra atao izao ny mankany amin’ny toerana faleham-bahoaka, toy ny sinema na hotely. Afaka mipetraka any amin’izay toerana tiany koa izy ireo, raha ampy ny volany.
Faly ny olona tamin’izany, kanefa nisy fanontaniana nipoitra. Inona avy no fanitsiana hotanterahin’ilay fitondrana vaovao, mba hanarenana ny tsy rariny nandritra ny apartheid? Hafiriana vao ho vita izany? Efa folo taona mahery izao no foana ny apartheid, nefa mbola misy olana lehibe ihany. Anisan’izany, ohatra, ny fitomboan’ny heloka bevava. Ny 41 isan-jaton’ny mponina koa no tsy an’asa, ary tombanana ho dimy tapitrisa ireo mitondra ny tsimokaretina VIH. Maro no mahatakatra fa tsy misy fanjakan’olombelona afaka mamaha ireo olana ireo. Fanjakana hafa àry no antenain’izy ireo.
TANY TSARA TAREHY
Tsara tarehy i Afrika Atsimo na dia be zava-manahirana aza, ka manintona ny mpizaha tany. Anisan’ny mahafinaritra azy ireo ny torapasika mafana, sy tendrombohitra avo mahavariana, ary toerana maro azo itsangantsanganana. Misy fivarotana sy hotely fisakafoana anisan’ny tsara indrindra eran-tany any amin’ireo tanàn-dehibe. Antonony koa ny hafanana, ka vao mainka tian’ny olona.
Anisan’ny tena mahaliana koa ireo zavamananaina isan-karazany any an’ala. Misy karazany 200 eo ho eo ny biby
mampinono, misy karazany 800 ny vorona, ary misy karazany 20 000 ny voninkazo. Be dia be no mitsidika valan-javaboary, toy ny Valam-pirenen’i Kruger, izay malaza tokoa. Any no ahitanao an’ireo biby dimy lehibe indrindra eto Afrika, dia ny elefanta, ny tokantandroka (rhinocéros), ny liona, ny leopara, ary ny ombidia.Anisan’ny tsy hay hadinoina ny fitsidihana ny iray amin’ireo ala voajanaharin’i Afrika Atsimo. Tony ny manodidina anao rehetra, ka azonao atao tsara ny mandinika ireo ampanga sy volombato ary voninkazo hafakely. Ao koa ireo vorona sy bibikely mareva-doko. Hahita hazomavo goavana sady tsara tarehy ianao, ka ho gaga satria avy tamin’ny voa faran’izay bitika izy io. Mahatratra 50 metatra ny sasany amin’ireny hazo ireny, ary mety haharitra arivo taona.
Misy karazana voa iray anefa nafafy teto Afrika Atsimo, ary efa zato taona izay no naniriany. Tsy inona izany fa ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana, izay nafafy tao am-pon’ny olona. Ampitahain’ny mpanao salamo amin’ny hazo lehibe ireo olona manaiky ny vaovao tsara. Hoy izy: “Ny marina hamololona tahaka ny rofia; hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy.” (Sal. 92:12) Ho velona ela kokoa noho izay hazo antitra indrindra ny olo-marina toy izany, satria mampanantena azy ireo fiainana mandrakizay i Jehovah.—Jaona 3:16.
NITOMBO NY VOAN’ILAY FANJAKANA
Nisy ady sy korontana ara-politika teto Afrika Atsimo, nandritra ny taonjato faha-19. Nanjary fantatra fa nisy diamondra sy volamena teto, ka tena nampiova zavatra izany. Manazava toy izao i Allister Sparks, ao amin’ilay boky hoe Ny Toe-tsain’ny Mponin’i Afrika Atsimo (anglisy): ‘Lasa firenena nandroso be tampoka i Afrika Atsimo, ka nirohotra nankany an-tanàn-dehibe ny ankamaroan’ny mponina tany ambanivohitra, ary niova ny fiainany.’
Tamin’ny 1902 no tonga teto voalohany ny voan’ilay Fanjakana, tao amin’ny entan’ny mpitondra fivavahana iray avy any Holandy. Nisy bokin’ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny) tao anatin’ny baoritra iray nentiny.
Hitan’i Frans Ebersohn sy Stoffel Fourie, avy any Klerksdorp ireny boky ireny, ary novakiny. Niaiky àry izy ireo fa nahita ny fahamarinana, ka nanomboka nitory. Lasa mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena ny 80 mahery tamin’ny taranak’i Fourie, hatramin’ny zafin-kitrokeliny, ary toy izany koa ny maro tamin’ny taranak’i Ebersohn. Manompo eto amin’ny Betelan’i Afrika Atsimo ankehitriny ny iray amin’ny taranak’i Fourie.Tonga teto i William Johnston avy any Glasgow, any Ekosy, tamin’ny 1910. Nirahina hanokatra biraon’ny sampana teto
izy. Matotra sady mendri-pitokisana ny Rahalahy Johnston, na dia vao 30 taona mahery kely aza tamin’izay. Efitra kely tao amin’ny trano iray tao Durban no nataony biraon’ny sampana. Io sampana io no niandraikitra ny asa fitoriana nanerana ny faritr’i Afrika atỳ atsimon’ny ekoatera.Tany amin’ny faritra voatokana ho an’ny fotsy hoditra no nisy nandray ny vaovao tsara voalohany. Tsy nisy afa-tsy tamin’ny teny holandey sy anglisy ny bokin’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izany, fa tatỳ aoriana vao nadika tamin’ny fiteny hafa teo an-toerana ny sasany tamin’izy ireny. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia samy nandray ny vaovao tsara avokoa ireo antokon’olona efatra eto, izany hoe ny fotsy hoditra, ny mainty hoditra, ny metisy, ary ny Karàna.
Nanomboka tamin’ny 1911 no fantatra fa nisy mainty hoditra nanaiky ny fahamarinana. Niverina tany an-tanànany, tany Ndwedwe,
any akaikin’i Durban, i Johannes Tshange. Efa nianatra ny fahamarinana izy, ka nitory izany tamin’ny olona. Nampiasa ny boky Fianarana ny Soratra Masina izy, ary nitarika fianarana Baiboly tsy tapaka, niaraka tamin’ny olona vitsivitsy. Ireo mpianatra ireo àry no lasa fiangonan’ny mainty hoditra voalohany teto Afrika Atsimo.Fantatry ny mpitondra fivavahana teo an-toerana ny fisian’io antokon’olona io. Nanatona an’ireo mpianatra ireo ny mpivavaka tao amin’ny Fiangonana Metodista mpanara-dia an’i Wesley, mba hahafantarana raha nanaraka ny fampianaran’ny fiangonany izy ireo na tsia. Namaly ireo mpianatra fa izay tao amin’ny Baiboly no nampianarin’izy ireo. Betsaka ny adihevitra nifanaovany, ary voaroaka tsy ho anisan’ilay fivavahana ireo mpianatra ireo tamin’ny farany. Niezaka nifandray tamin’io antokon’olona io ny Rahalahy Johnston, ary nitarika fivoriana tsy tapaka sy nanampy azy ireo. Vitsy ny Mpianatra ny Baiboly, nefa betsaka ny asa fitoriana vita. Voalazan’ny tatitra fa taratasy mivalona 61 808 no nozaraina tamin’ny 1912. Tamin’ny faramparan’ny taona 1913 koa, dia navoakan’ny gazety 11 teto Afrika Atsimo tamin’ny fiteny efatra ny lahatenin’ny Rahalahy Russell, izay mpitarika ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izany.
FANDROSOAN’NY ASA NANDRITRA NY ADY
Niavaka ny taona 1914 ho an’ny vahoakan’Andriamanitra eran-tany, anisan’izany ireo Vavolombelona vitsivitsy teto Afrika Atsimo. Maro no nanantena ny hiakatra ho any
an-danitra tamin’izay. Hoy ny Rahalahy Johnston tao amin’ny tatitra nalefany tany amin’ny foibe any Brooklyn, New York: “Rehefa nandefa ny tatitra tamin’ny herintaona aho, dia nilaza hoe manantena isika fa any amin’ny foibe any an-danitra no halefa ny tatitra manaraka. Tsy tanteraka anefa izany fanantenana izany.” Hoy koa anefa izy: “Tamin’iny taona iny no betsaka indrindra ny asa fijinjana natao teto Afrika.” Takatry ny ankamaroan’ny mpitory fa mbola be ny asa tokony hatao, ka faly izy ireo nandray anjara tamin’izany. Hita taratra àry ny fitomboana tamin’ny tatitra ho an’ny taona 1915. Boky Fianarana ny Soratra Masina 3 141 mantsy no voapetraka, izany hoe efa ho avo roa heny noho ny tamin’ny 1914.Anisan’ireo nahita ny fahamarinana tamin’izany i Japie Theron, mpisolovava tena nahay. Nisy lahatsoratra navoakan’ny gazety iray tao Durban, niresaka momba ireo boky navoakan’ny Mpianatra ny Baiboly, taona maromaro talohan’io. Novakin’i Japie tao fa ny zava-nitranga nanomboka tamin’ny 1914 dia efa voalazan’ireo boky Fianarana ny Soratra Masina, izay manazava faminanian’ny Baiboly. Hoy izy taorian’izay: “Tena naniry hahazo an’ireo boky ireo aho. Noteteziko daholo ny fivarotam-boky rehetra, fa tsy nahita aho. Nahazo ihany anefa aho rehefa nanoratra tany amin’ny sampana tao Durban. Izany no nahitako ny fahamarinana! Tena faly aho nahafantatra an’ireo ‘zava-miafina’ raketin’ny Baiboly!” Natao batisa i Japie tatỳ aoriana, ary nazoto nitory ny fahamarinana mandra-pahafatiny tamin’ny 1921. Narary mantsy izy, ka maty aloha be.
Tamin’ny Aprily 1914 no natao tao Johannesburg ny fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany teto Afrika Atsimo. Nisy 34 ny mpanatrika, ary ny 16 tamin’ireo no natao batisa.
Tamin’ny 1916 no tonga teto ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, ary maro no nankasitraka izany nanerana an’i Afrika Atsimo. Hoy ny gazety iray tany Le Cap momba izany: “Tena nahomby iny sarimihetsika ara-baiboly iny. Hita avy amin’izany fa nisy vokany ny asa mafy nataon’ny Mpianatra ny Baiboly rehefa nandefa azy io tatỳ. Hita koa fa nahatsinjo
lavitra izy ireo.” Tsy hita avy hatrany ny vokatr’ilay “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” teo amin’ireo olona nitoriana. Nanintona olona maro be anefa ilay izy, ary tena nety mba hitoriana tamin’ny faritra lehibe tao anatin’ny fotoana fohy. Nanao dia 8 000 kilaometatra nanerana an’i Afrika Atsimo ny Rahalahy Johnston, mba handefasana an’ilay sarimihetsika.Tamin’io taona io no nodimandry ny Rahalahy Russell, ka somary niadana ny fandroson’ny asa fitoriana teto Afrika Atsimo, ary toy izany koa naneran-tany. Tsy nanaiky ny fanovana natao taorian’izay ny sasany, ka nahatonga fisaratsarahana teo anivon’ny fiangonana. Nisintaka mihitsy, ohatra, ny ankamaroan’ireo mpivory tao Durban, ka nanao fivoriana ho azy manokana, ary nandray ny anarana hoe “Mpiara-mianatra ny Baiboly.” Mpivory 12 sisa no nijanona tao amin’ilay fiangonana voalohany, ka anabavy ny ankamaroany. Tena sarotra àry ny toe-javatra nisy an’i Henry Myrdal, tovolahikely vao vita batisa. Niandany tamin’ireo mpanohitra ny rainy, fa ny reniny kosa niaraka tamin’ilay fiangonana ihany. Nandinika tsara an’ilay raharaha i Henry, sady nivavaka momba izany, ka nanapa-kevitra ny hijanona koa. Matetika no tsy maharitra ireny antokon’olona misintaka ireny, ary izany no nitranga tamin’ilay tao Durban.
Nafindra tany Le Cap ilay biraon’ny sampana tao Durban, tamin’ny 1917. Nitombo hatrany ny isan’ny mpitory. Nanodidina ny 200 na 300 ny Mpianatra ny Baiboly fotsy hoditra tamin’izany, ary efa nihamaro koa ny fiangonan’ny mainty hoditra.
Izao no tatitra nataon’ny sampan’i Afrika Atsimo tamin’ny 1917: “Mahagaga fa mahatakatra ny fahamarinana ireo rahalahy tompon-tany, na dia tsy misy amin’ny fiteniny aza ireo boky aman-gazety. Ny hany azonay ambara dia hoe: ‘Avy amin’ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika.’ ” Nisy
rahalahy avy any Nyassaland (Malawi ankehitriny) tonga mba hiasa teto Afrika Atsimo. Anisan’ireny i James Napier sy McCoffie Nguluh. Nanampy mainty hoditra maro ho lasa mpianatr’i Jesosy izy ireo.TSY NATAHOTRA NIARO NY FAHAMARINANA
Tsy natahotra niaro ny fahamarinana ireo mpitory vitsivitsy teto. Namaky ilay bokikely hoe Inona no Lazain’ny Soratra Masina Momba ny Afobe? ny ankizilahikely roa tany Nylstroom, any Transvaal Avaratra (Faritanin’i Limpopo ankehitriny). Gaga be izy ireo rehefa nahalala ny marina momba ny maty. Hoy i Paul Smit, * iray tamin’izy ireo: “Tsy nisalasala mihitsy izahay roa lahy kely nanazava tamin’ny olona fa diso ny fampianaran’ny eglizy. Niteraka savorovoro tao Nylstroom izany, toy ny hoe nandalovan’ny sikilaonina ilay tanàna. Vetivety dia niresaka momba ilay fivavahana vaovao ny rehetra. Mazava ho azy fa nanao ny fanaony indray ny mpitondra fivavahana, ka nanaratsy sy nanenjika ny vahoakan’Andriamanitra, izay nolazainy fa ‘fivavahan-diso.’ Izany no naverimberin’izy ireo tao amin’ny toriteniny isan-kerinandro, nandritra ny volana na taona maromaro mihitsy.” Na izany aza, dia nisy mpitory be zotom-po 13 tao Nylstroom, tamin’ny 1924.
Nianatra teolojia teny amin’ny oniversiten’i Stellenbosch i Piet de Jager tamin’ny 1917. Namaky ny bokin’ny Mpianatra ny Baiboly ny mpiara-mianatra taminy iray, ka niresaka momba izany. Nampanahy an’ireo manam-pahefana tao amin’ny eglizy izany. Nasainy niresaka tamin’io mpianatra io àry i Piet, mba hitaona azy hianatra Baiboly isan-kerinandro niaraka tamin’ny Fikambanan’ny Mpianatra Kristianina. Tsy nampoizin’ireo manam-pahefana ny vokatr’izany, satria i Piet indray no lasa nanaiky fahamarinana. Niady hevitra tamin’ireo mpampianatra izy, momba ny fanahy sy ny afobe ary ny foto-kevitra hafa. Tsy naharesy lahatra azy anefa izy ireo, ka niala teny amin’ny oniversite izy.
Nasaina hiady hevitra tamin’ilay teolojianina holandey atao hoe Dwight Snyman, i Piet tatỳ aoriana. Mpianatra 1 500 no nanatrika teo. Hoy ny Rahalahy Attie Smit momba ny fizotran’ilay adihevitra: “Hain’i Piet ny namaly izay hevitra rehetra naroson’ilay teolojianina nahay be. Noporofoiny avy tao amin’ny Baiboly fa tsy araka ny Soratra Masina ny fampianaran’ny eglizy. Izao anefa no hevitry ny mpianatra iray: ‘Soa ihany aho fa efa nino hoe diso ny hevitr’i Piet de Jager. Raha tsy izany dia ho sahiko ny hilaza hoe ny azy no marina, satria noporofoiny avy tao amin’ny Baiboly ny hevitra rehetra narosony.’ ”
NOTORINA TAMIN’NY FOKO HAFA NY VAOVAO TSARA
Nitsidika ny tanàna kelin’i Franschhoek, any akaikin’i Stellenbosch, ny Rahalahy Johnston, ka nitory tamin’ireo metisy nipetraka tao. Niala tamin’ny Fiangonana Nohavaozina ny mpampianatra iray atao hoe Adam van Diemen, taona vitsy talohan’izay, ary namorona antokom-pivavahana kely. Nitsidika azy ny Rahalahy Johnston, ka nandray boky ho azy sy ho an’ny namany Atoa van Diemen.
Nanaiky ny fahamarinana i van Diemen sy ny namany sasany, ary nazoto nitory. Izany no anisan’ny nahatonga ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana hiely teo amin’ny faritanin’ny metisy. Nianatra ny fahamarinana i G. Daniels, 17 taona tamin’izay. Nanokana ny fiainany tamin’ny fanompoana an’i Jehovah izy mandra-pahafatiny.
Nazoto nitory ny fahamarinana tany amin’io faritany io koa i David Taylor, rahalahy metisy. Nanomboka nianatra ny Baiboly izy, tamin’izy 17 taona. Lasa mpiandraikitra ny faritra izy tamin’ny 1950, ary voatendry hitsidika an’ireo
antoko-mpitory sy fiangonana 24 nisy metisy teto Afrika Atsimo. Tsy maintsy nandeha lamasinina sy bisy izy noho izany.NISY NY FANDROSOANA NA TEO AZA NY ZAVA-TSAROTRA
Voatendry hiandraikitra ny asa fitoriana tany Aostralia ny Rahalahy Johnston tamin’ny 1918. I Henry Ancketill àry no lasa mpiandraikitra ny sampana teto Afrika Atsimo. Anisan’ny Antenimieram-pirenena tao Natal izy taloha, ary efa nisotro ronono. Niantsoroka tsara ny andraikiny tao amin’ny sampana nandritra ny enin-taona izy, na dia efa antitra aza.
Naharitra an-taonany maro ny ady, ary teo koa ny fiovana teo anivon’ny fandaminana. Nandroso foana anefa ny asa fitoriana satria maro no nandray tsara ny fahamarinana. Tamin’ny 1921, dia nahita taratasy nisitrika tao ambany lalamby i Christiaan Venter, lehiben’ny mpiasan’ny fikojakojana lalamby. Taratasy mivalona navoakan’ny Mpianatra ny Baiboly ilay izy. Raha vao avy namaky an’ilay taratasy izy, dia nihazakazaka nankany amin’i Abraham Celliers vinantony, ka nilaza hoe: “Abraham a, nahita ny fahamarinana aho androany!” Nahazo boky ara-baiboly hafa izy mianaka, ary nazoto nianatra izany. Lasa Vavolombelona vita fanoloran-tena izy ireo, ary nanampy olona maro hianatra ny fahamarinana. Zato mahery amin’ny taranak’izy ireo no lasa Vavolombelon’i Jehovah marisika.
FANITARANA NY ASA
Nisy milina fanontam-pirinty nalefa sambo nankany Le Cap tamin’ny 1924. Tonga avy any Grande-Bretagne koa i Thomas Walder sy George Phillips, * mba hanampy. Lasa mpiandraikitra ny sampana i Walder, ary i Phillips no nandimby azy, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Nanao io asa io nandritra ny 40 taona teo ho eo ny Rahalahy Phillips. Nandray anjara lehibe tamin’ny fampandrosoana sy ny fandaminana ny asan’ilay Fanjakana teto Afrika Atsimo izy.
Vao mainka nandroso ny fitoriana rehefa noraisina ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1931. Navoaka tamin’izay koa ilay bokikely hoe Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao. Nanazava ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’izany izy io. Nozaraina eran’i Afrika Atsimo ilay bokikely, ary nokendrena mba hahazo avokoa ny mpitondra fivavahana sy mpanao politika ary mpandraharaha.
BIRAON’NY SAMPANA VAOVAO
Nanofa trano lehibe kokoa tany Le Cap ny sampana, ary nafindra tany ny birao tamin’ny 1933. Tao foana izy io hatramin’ny 1952, ary 21 ny mpianakavin’ny Betela tamin’izany. Tany amin’ny tranona rahalahy no nipetraka ireo Betelita ireo, ary tonga isan’andro mba hiasa tany amin’ny birao sy fanontam-pirinty. Nivory tao amin’ny efitra fisoloana akanjo akaikin’ny fanontam-pirinty izy ireo isa-maraina, mba handinika ny teny vakina isan’andro. Niara-nanao ny “Rainay Izay any An-danitra” izy ireo, taorian’izay.
Lavi-podiana ny Betelita sasany, ka tsy afaka nisakafo antoandro tany aminy. Nomena vola kely (15 cents) àry izy ireo mba hividianana sakafo. Azony natao ny nividy ovy nopotsehina iray vilia sy saosisy kely tao amin’ilay fivarotana teo amin’ny gara, na koa nividy mofo kely sy voankazo.
Nirahina mba hanampy tamin’ny fanontam-pirinty tany
Le Cap i Andrew Jack, mpanao pirinty nahay, tamin’ny 1935. Teratany ekosey i Andrew. Manifinify izay izy, sady mitsikitsiky lava. Nanompo manontolo andro tany Litoania sy Letonia ary Estonia izy teo aloha. Nahazo fitaovana fanampiny i Andrew rehefa tonga teto Afrika Atsimo, ka tsy ela dia nandeha haingana be ilay milina fanontam-pirinty, nefa izy irery no nampandeha izany. Tamin’ny 1937 no napetraka ny milina fanontam-pirinty voalohany mandeha ho azy, ary marika Frontex izy io. Nampiasaina nandritra ny 40 taona mahery ilay izy, ary namokatra taratasy fanasana sy taratasy hofenoina an-tapitrisany, ary gazety tamin’ny teny afrikaans.Nanompo teto amin’ny Betela mandra-pahafatiny ny Rahalahy Andrew. Nazoto nitory foana izy na dia efa antitra aza, ka namela ohatra tsara ho an’ny Betelita. Anisan’ny voahosotra izy, ary nahavita ny fanompoany teto an-tany tamin’ny 1984. Efa nanompo nandritra ny 58 taona izy, ary 89 taona tamin’izay.
FANDROSOANA LEHIBE NANDRITRA NY ADY
Nisy fiantraikany be tany Eoropa ny Ady Lehibe II, fa tsy mba toy izany kosa teto Afrika Atsimo, na dia maro tamin’ireo tompon-tany aza no niady tany Italia sy Afrika. Natao izay hampahalaza an’ilay ady mba hanohanan’ny olona azy io, ka hahatonga ny tovolahy hirotsaka ho miaramila. Nahazo vahana ny fitiavan-tanindrazana tamin’izany, kanefa nahatratra 881 ny tampon’isan’ny mpitory tamin’ny faran’ny taom-panompoana 1940. Fitomboana 58,7 izany satria 555 ny tampon’isa, herintaona talohan’izay!
Navoaka voalohany tamin’ny teny afrikaans ny gazety Fampiononana (Mifohaza! ankehitriny) tamin’ny Janoary 1939. Io koa no gazety voalohany nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah pirinty teto Afrika Atsimo. Natao tanana ny endri-tsoratra nanaovana ilay pirinty, ka niadana be ilay fanontana. Nanapa-kevitra ny sampana, tsy ela taorian’izay, fa havoaka tamin’ny teny afrikaans koa Ny Tilikambo Fiambenana. Tsy tsapan’ireo rahalahy avy hatrany tamin’izay, fa tena nety ilay fanapahan-kevitra rehefa jerena ny zava-nitranga tany Eoropa taorian’izay. Napetraka àry ny milina Linotype sy ny fitaovana mpamalona takelaka. Tamin’ny 1 Jona 1940 no nivoaka Ny Tilikambo Fiambenana voalohany.
Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny holandey no nampiasain’ireo rahalahy talohan’izay, satria mitovitovy ny teny afrikaans sy ny teny holandey. Nikatona tampoka ny sampan’i Holandy tamin’ny Mey 1940, noho ny fanafihan’i Hitler. Nahazo ny laharana rehetra tamin’ilay gazety anefa ireo rahalahy, satria efa natao pirinty tamin’ny teny afrikaans teto Afrika Atsimo Ny Tilikambo Fiambenana. Nahatratra 17 000 ny isan’ny gazety voapetraka isam-bolana.
FANDROSOANA NA TEO AZA NY FANDRARANA
Nalain’ny fanjakana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Fampiononana tokony ho an’ireo nanao famandrihana, tamin’ny 1940, noho ny fampirisihan’ny mpitondra fivavahana. Anisan’ny nahatonga izany koa ny fanahian’ny manam-pahefana, satria tsy manao raharaha miaramila ny Vavolombelona. Nambara tamin’ny fomba ofisialy fa voarara ny gazetintsika. Nalaina an-keriny izy ireny raha vao tonga tany amin’ny seranan-tsambo.
Nahazo sakafo ara-panahy tamin’ny fotoana nety anefa ireo rahalahy. Nisy fomba nahatongavan’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny anglisy tao amin’ny sampana foana, ka iny no natao pirinty. Hoy i George Phillips: ‘Nandritra ny fandrarana no tena nahitanay fa tia sy nikarakara ary niaro ny vahoakany i Jehovah. Nanananay daholo ny laharana rehetra tamin’ny Tilikambo Fiambenana. Matetika no gazety iray monja no ton ga tatỳ aminay. Indraindray dia mpanao famandrihana tany Rodezia [Zambia sy Zimbabwe ankehitriny] na tany Afrika Atsinanana portogey [Mozambika ankehitriny] no nitondra ilay gazety nilaina. Nety ho avy tany amin’ny toeram-piompiana lavitra koa izany, na avy tamin’ny olona nandeha sambo sendra niantsona vetivety tany Le Cap.’
Nalain’ny fanjakana koa ny taratasy rehetra nalefan’ny sampana, tamin’ny Aogositra 1941, ary tsy nisy fanazavana momba izany. Namoaka baiko ny minisitry ny atitany tamin’ny faramparan’io taona io, mba hakana ny boky rehetra an’ny Vavolombelona teto Afrika Atsimo. Tonga tao amin’ny sampana ny Mpanadihady Heloka Bevava na CID, tamin’ny folo maraina. Nitondra kamiao izy ireo mba hakana ny boky rehetra. Nandinika ny taratasy nentin’izy ireo anefa ny Rahalahy Phillips, ka hitany fa tsy tena ara-dalàna ilay izy. Tsy voalaza tao mantsy ny anaran’ireo boky, nefa izany no tokony ho izy araka ny Gazetim-panjakana.
Nasain’ny Rahalahy Phillips niandry aloha ireo polisin’ny CID. Izy kosa niantso mpisolovava haingana ka nangataka alalana tany amin’ny Fitsarana Tampony mba hisakanana ny
minisitry ny atitany tsy haka ireo boky. Nekena ny fangatahany, ary azo ilay taratasy fanomezan-dalana tamin’ny 12 antoandro. Nody maina àry ireo polisy. Nofoanan’ilay minisitra ny baikony, dimy andro tatỳ aoriana, ary nandoa onitra izy.Nitohy an-taonany maromaro ny ady teny amin’ny fitsarana momba ny fandrarana ny bokintsika. Nafenin’ireo rahalahy tany an-tranony izy ireny, ary vitsy no azo nampiasaina tamin’ny fitoriana. Naneho fahendrena àry ireo rahalahy ka nampindramina fotsiny ny boky raha nisy naniry hianatra Baiboly. Maro anefa no nanaiky ny fahamarinana tamin’izany.
Niova ny minisitry ny atitany tamin’ny faramparan’ny taona 1943. Nangataka indray ny sampana mba hesorina ny fandrarana, ary nekena izany. Nesorina ilay fandrarana tamin’ny fiandohan’ny 1944, ary naverina tamin’ny sampana ireo boky be dia be nalain’ny fanjakana.
Nahavita nanakana ny fitoriana ilay Fanjakana ve ireo mpanohitra ny fivavahana marina? Nasehon’ny tatitra ho an’ny taom-panompoana 1945 fa notahin’i Jehovah ny asan’ireo
olony mahatoky, ka nandroso be tsy nisy toy izany. Nisy 2 991 ny salanisan’ny mpitory, 370 264 ny boky voapetraka, ary 4 777 ny fampianarana Baiboly. Fitomboana be izany, satria 881 ny tampon’isan’ny mpitory tamin’ny 1940.FAMPIOFANANA NAHASOA AN’IREO RAHALAHY
Natomboka tamin’ny 1943 ny Fianarana ny Fanompoana Kristianina (Sekolin’ny Fanompoana ankehitriny). Nampiofana ny rahalahy mba hahay handaha-teny ampahibemaso io sekoly io. Maro koa no nanjary nahita vokatra teny amin’ny fanompoana noho izy io. Efa betsaka ny mpandahateny nahay tamin’ny 1945, ka natomboka ny ezaka manokana hanasana olona hanatrika ny Fivoriana ho An’ny Besinimaro. Nampiasa taratasy fanasana sy takelaka ireo rahalahy mba hampahafantarana ny lahateny.
* tamin’izany. Hoy izy momba izay nitranga: “Nalefa tany Vereeniging aho, niaraka tamin’i Frans Muller, mpisava lalana namako. Nanomana ny roa tamin’ireo lahateny efatra tokony hatao aho, talohan’ny nanombohanay an’ilay ezaka manokana tamin’ny Jolay 1945. Nankeny amoron-drano aho isaky ny antoandro, ka nanao lahateny tamin’ny rano sy ny hazo nandritra ny adiny iray. Nanao famerenana toy izany nandritra ny iray volana aho, vao natoky tena handaha-teny teo anatrehan’ny olona.” Mpanatrika 37 no nihaino ilay lahateny voalohany tany Vereeniging. Nihamaro ny olona liana nanomboka teo, ary nisy fiangonana niorina tatỳ aoriana.
Mpisava lalana tanora i Piet WentzelNasaina hiasa teto amin’ny Betela i Piet sy Lina vadiny, rehefa avy nanao ny asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny taona maro. Anisan’ny Komitin’ny Sampana izy ankehitriny, ary mbola mafana fo amin’ny fanompoana foana, sady mazoto mianatra ny Baiboly. Nodimandry tamin’ny 12 Febroary 2004 i Lina, rehefa avy nanompo manontolo andro nandritra ny 59 taona.
FANAMPIANA FENO FITIAVANA
Nanome toromarika ny foibe tany Brooklyn mba hanendrena lehilahy ho mpanompon’ny rahalahy. Ny asan’ny mpiandraikitra ny faritra ankehitriny no nataon’izy ireo. Rahalahy mpitovo salama tsara no notendrena ho amin’izany. Tsy maintsy natanjaka tsara koa izy ireny mba haharaka fandaharam-potoana feno be.
Tamin’ny voalohany, dia roa na telo andro no nitsidihana ireo fiangonana nisy mpitory maro, ary iray andro monja ny an’ny antoko-mpitory kely. Tsy maintsy nanao dia lavitra betsaka àry ireo rahalahy voatendry. Nampiasa fitateram-bahoaka izy ireo tamin’ny ankapobeny, ka matetika no nanenjika bisy na lamasinina tamin’ny alina be, ohatra. Nijery tsara ny antontan-taratasin’ny fiangonana izy ireo rehefa nitsidika. Ny tena tanjony anefa dia ny hiaraka tamin’ireo rahalahy teny
am-pitoriana, sy ny hampiofana azy ireo tamin’ny fanompoana.Anisan’ireo mpanompon’ny rahalahy voatendry tamin’ny 1943 i Gert Nel. Tamin’ny 1934 izy no nahita ny fahamarinana, tamin’izy mpampianatra tany amin’ny Faritra Avaratr’i Transvaal. Be dia be ny mpitory nampiany, ary maro no mbola mahatsiaro ny fanompoany sy ny fahatokiany. Lava izy nefa somary mahia, ary hoatran’ny masiaka ny endriny. Niaro ny fahamarinana tamin-kerim-po anefa izy. Tena mora nahatadidy zavatra ny Rahalahy Nel, ary tena be fitiavana. Nahavita nitory nanomboka tamin’ny fito maraina izy, ka tsy nijanona raha tsy tamin’ny fito na tamin’ny valo alina, nefa tsy niala sasatra mihitsy. Lamasinina foana no nandehanany na andro na alina, rehefa nanao ny asa fitetezam-paritany. Nijanona andro vitsivitsy niaraka tamin’ny fiangonana izy arakaraka ny isan’ny mpitory tao, ary nankany amin’ny fiangonana hafa indray. Izany foana no nataony isan-kerinandro
isan-kerinandro. Nantsoina ho eto amin’ny Betela izy tamin’ny 1946 mba handika teny tamin’ny fiteny afrikaans. Nanompo teto izy, mandra-pahafatiny tamin’ny 1991. Izy no rahalahy voahosotra farany nanompo teto amin’ny Betelan’i Afrika Atsimo. Teo anelanelan’ny 1982 sy 1985 no nahavita ny fanompoany teto an-tany ireo voahosotra nahatoky hafa, izany hoe i George Phillips sy Andrew Jack ary Gerald Garrard.VAVOLOMBELONA NAHAFOY TENA
Ankasitrahan’ny mpanompon’i Jehovah ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny, izay mahafoy tena mba hanatanjahana ny fiangonana. Ohatra amin’izany i Luke Dladla. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra izy tamin’ny 1965, ary mpisava lalana maharitra izy izao. Hoy izy tamin’ny 2006: ‘Efa 81 taona aho ary 68 taona ny vadiko, nefa mbola vitanay ny miakatra sy midina tendrombohitra ary miampita rano mba hitoriana ny vaovao tsara any amin’ny faritaninay. Efa 50 taona mahery izao no naha mpitory anay.’
Mpiandraikitra ny faritra voatendry tamin’ny 1954 i Andrew Masondo. Hoy izy: “Voatendry hankany Botswana aho tamin’ny 1965, ary toy ny asa misionera mihitsy ilay fanendrena. Nisy mosary tao amin’ilay tany, satria efa telo taona no tsy avy ny orana. Tany no nahitanay sy Georgina vadiko an’izany hoe mandry fotsy sy mandeha manompo tsy misakafo maraina izany. Isaky ny antoandro ihany izahay no nisakafo.”
“Voatendry ho mpiandraikitra ny vondrom-paritra aho rehefa niverina teto Afrika Atsimo, ary i Ernest Pandachuk no nampiofana ahy.
Hoy izy rehefa hisaraka izahay: ‘Ny salohim-bary mbola tsy mamoa no manandratra ny lohany, fa ny salohim-bary efa masaka kosa miondrika satria betsaka ny voany. Aza miseho ho ambony noho ireo rahalahy mihitsy àry, fa aoka ianao hanetry tena.’ ”FIVORIAMBEN’NY FARITRA VOALOHANY
Natao tao Durban tamin’ny Aprily 1947 ny fivoriamben’ny faritra voalohany teto Afrika Atsimo. I Milton Bartlett, nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-5 tamin’ny Sekolin’i Gileada, no misionera voalohany tonga teto. Hoy izy momba ireo rahalahy nanatrika an’ilay fivoriambe: “Tena nahafinaritra ny fihetsik’ireo Vavolombelona mainty hoditra. Nadio sy nilamina tsara ny fitafiany. Tso-po izy ireo, ary tsy nikorontana mihitsy. Vonona erỳ izy ireo hianatra bebe kokoa momba ny fahamarinana sy hitory ny vaovao tsara.”
Nahazo fanampiana bebe kokoa ny mainty hoditra, satria nihamaro ireo liana. Navoaka tamin’ny teny zoloa àry Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1949. Milina mpanao kopia nahodin-tanana no nanaovana pirinty azy io, tao amin’ny sampana tany Le Cap. Tsy tsara tarehy sy miloko toy ny gazetintsika ankehitriny izy io, kanefa nirakitra sakafo ara-panahy sarobidy. Natomboka ny kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra tamin’ny fiteny enina, tamin’ny 1950. Nanampy rahalahy sy anabavy an-jatony hahay hamaky ny Tenin’Andriamanitra izany.
Nilaina ny toeram-pivoriana mendrika, satria nandroso ny asa fitoriana. Tao Strand, akaikin’i Le Cap, no nisy ny Efitrano Fanjakana voalohany teto Afrika Atsimo. Mpisava lalana voatendry hiasa tao tamin’ny 1948 no niandraikitra ny fanorenana azy io. Anabavy teo an-toerana no nanome ny vola hanaovana ilay izy. Hoy i George Phillips: “Raha azoko natao dia nasiako kodiarana ilay efitrano vaovao, ary nasehoko an’ireo rahalahy eran’i Afrika Atsimo, mba handrisika azy ireo hanorina Efitrano Fanjakana maro.” Taona maromaro tatỳ aoriana vao nisy fandaharana natao mba hanorenana Efitrano Fanjakana tany amin’ny faritra samihafa.
NANAIKY NY FAHAMARINANA NY KARÀNA
Nisy Karàna avy tany Inde tonga mba hiasa tao amin’ny toeram-pambolena fary tao Natal, teo anelanelan’ny 1860 sy 1911. Maro tamin’izy ireo no nanorim-ponenana teto rehefa vita ny asany. Iray tapitrisa mahery izao ny isan’izy ireo. Nihamaro ireo Karàna liana tamin’ny fahamarinana taoriana kelin’ny 1950.
Teraka tamin’ny 1915 i Velloo Naicker. Sivy mianadahy ry zareo, ary izy no lahy fahefatra. Niasa tamin’ny toeram-pambolena fary ny ray aman-dreniny, izay Hindoa nafana fo. Nahaliana azy ny fianarana Baiboly tany an-tsekoly, ary nisy nanome Baiboly izy rehefa lehibe. Novakiny isan’andro ilay izy, ka vitany tao anatin’ny efa-taona. Izao no nosoratany: “Nanintona ahy ny voalazan’ny Matio 5:6. Rehefa namaky azy io aho dia fantatro fa mampifaly an’Andriamanitra ny olona iray raha mangetaheta ny fahamarinana.”
Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Velloo tamin’ny farany, ary nanomboka nianatra Baiboly. Izy no anisan’ireo Karàna voalohany teto Afrika Atsimo natao batisa, tamin’ny 1954. Tena tsy tia Vavolombelona ireo Karàna niara-nonina taminy tany Actonville, any Gauteng. Nandrahona ny hamono an’i Velloo mihitsy aza ny mpitarika hindoa iray. Mpiandraikitra tao amin’ny toerana fanadiovana akanjo no asan’i Velloo, nefa noroahina izy satria nifikitra tamin’ny fahamarinana.
Nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana izy, mandra-pahafatiny tamin’ny 1981. Nisy vokany teo amin’ny fianakaviany sy ny fianakavian’ny vadiny ny ohatra tsara navelany. Misy 190 izao ny havany manompo an’i Jehovah, ka anisan’izany ny taranany fahefatra na zafindohaliny.Vao 14 taona i Gopal Coopsammy, rehefa niresaka taminy voalohany momba ny fahamarinana i Velloo dadatoany. Hoy izy: “Niresaka momba ny Baiboly taminay ankizy i Velloo, na dia tsy nanana Baiboly aza aho tamin’izany. Boky tsy nahazatra anay Hindoa ny Baiboly. Hoatran’ny hitako hoe nitombina anefa izay novakiko tao. Hitako indray mandeha fa handeha hanatrika Fianarana Boky i Velloo. Nangataka ny hiaraka taminy aho, ary nanaiky izy. Namonjy fivoriana tsy tapaka aho nanomboka teo. Naniry hahalala bebe kokoa momba ny Baiboly aho, ka nankany amin’ny tranombokim-pokonolona. Nahita boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tany. Nanohitra be ny fianakaviako, nefa notadidiko foana ilay voalazan’ny Salamo 27:10 hoe: ‘Ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.’ Natao batisa aho tamin’ny 1955, tamin’izaho 15 taona.”
Mpiandraikitra mpitantan-draharaha eo anivon’ny fiangonana izao i Gopal, ary miara-manompo amin’i Susila vadiny. Nisy 150 eo ho eo ny olona nampian’izy ireo hanolo-tena ho an’i Jehovah. Rehefa nanontaniana izy hoe ahoana no nahavitan’izy ireo izany, dia hoy izy: “Betsaka ny havanay nipetraka teny akaikinay, ka afaka nitory tamin’izy ireo aho. Maro tamin’izy ireny no nandray tsara. Niasa tena koa aho, ka nanam-potoana betsaka hitoriana. Nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny efa-taona aho. Niezaka mafy aho mba hahita vokatra tamin’ny fitoriana, ary niverina nitsidika foana isaky ny nisy olona liana.”
NISY VOKANY NY FITIAVANA SY NY FAHARETANA
Nahazo diplaoma tamin’ny sekolin’i Gileada i Doreen Kilgour tamin’ny 1956, ary i Isabella Elleray tamin’ny 1957. Nanao ny asa misionera nandritra ny 24 taona izy mirahavavy, tany amin’ny tanànan’ny Karàna tao Chatsworth, akaikin’i Durban.
Hoy i Doreen momba ny fitoriana tao amin’ilay faritany: “Tsy maintsy naneho faharetana izahay. Nisy olona mbola tsy nandre an’izany hoe Adama sy Eva izany mihitsy. Tia nandray vahiny ny mponina tao. Tsy mety amin’ny Hindoa mantsy ny mamela ny olona hijoro fotsiny eo am-baravarana. Matetika izy ireo no nilaza hoe: ‘Misotroa dite aloha vao mandeha’, izany hoe tokony hisotro dite aloha ianao vao mifindra ao amin’ny trano manaraka. Leon-dite ianao rehefa mandeha kelikely. Tena fahagagana ho anay ny nahita Karàna niala tamin’ny fivavahana efa nahazatra azy hatry ny ela, ary lasa mpanompon’i Jehovah.”
Nitantara toy izao i Isabella: “Nitory tamin’ny lehilahy iray aho, ary nandray gazety izy. Vao tonga avy nivavaka i Darishnie vadiny, ary nihaino teo koa sady nitrotro zaza. Nahafinaritra ny resaka nifanaovanay, ary nilaza aho fa hitsidika azy ireo indray. Tsy tratra an-trano mihitsy anefa i Darishnie.
Nolazainy tatỳ aoriana fa nampirisihin’ny pasiterany izy mba handeha isaky ny ho avy aho. Amin’izay, hono, aho hino hoe tsy liana izy. Nandeha namangy ny fianakaviako tany Angletera aho taorian’izay, nefa mbola nieritreritra momba an’i Darishnie ihany. Nitsidika azy aho rehefa tafaverina teto Afrika Atsimo. Nanontany izy hoe taiza foana aho. Hoy izy: ‘Noheverinao izao hoe tsy liana aho e? Faly be aho mahita anao indray.’ Nanomboka nianatra izahay, fa tsy nanatrika izany intsony ny vadiny. Nazoto nianatra tsara izy, ary natao batisa tatỳ aoriana.”“Miambozona kofehy mavomavo misy firavaka volamena, atao hoe tali, ny vehivavy manambady, araka ny fivavahana hindoa. Rehefa maty vady ilay vehivavy vao mahazo manala azy io. Rehefa naniry hitory anefa i Darishnie, dia takany fa tsy tokony hanao an’ilay tali izy. Nanontany ahy izy hoe inona no tokony hataony. Nilaza taminy aho mba hiera amin’ny vadiny aloha, dia ho hita eo izay havaliny. Niera tamin’ny vadiny àry izy, saingy tsy nanaiky ilay lehilahy. Nilaza taminy aho mba haneho faharetana, ary hiandry hoe rehefa falifaly ilay lehilahy vao hiera aminy indray. Navelan’ilay vadiny hanala an’ilay tali izy tatỳ aoriana. Nampirisihinay ireo olona nampianarinay mba hahay handanjalanja sy hanaja ny fampianaran’ny Hindoa, nefa hifikitra amin’ny fahamarinana ara-baiboly koa. Tsy nanafintohina ny havany sy ny namany àry izy ireo, ka mora kokoa ho an’ireny olona ireny ny nanaiky rehefa tapa-kevitra ny hiova finoana ireo mpianatra Baiboly.”
Nanontaniana ireo misionera mirahavavy hoe inona no nanampy azy ireo hiaritra nandritra ny taona maro. Hoy i Doreen: “Lasa tianay ny olona tany. Nifantoka tanteraka tamin’ny asa nanendrena anay izahay, ary tena tianay ilay izy.” Hoy koa i Isabella: “Nanana namana akaiky be dia be izahay. Tsy te hijanona tamin’ny asa misionera izahay, saingy niharatsy ny fahasalamanay. Nasaina hiasa
eto amin’ny Betela izahay, ary tena nankasitrahanay izany.” Nodimandry tamin’ny 22 Desambra 2003 i Isabella.Nanao ny asa misionera tany Chatsworth koa i Eric sy Myrtle Cooke, sy Maureen Steynberg, ary Ron Stephens, izay efa nodimandry. Tsy afaka nanohy ny asa misionera intsony izy ireo rehefa nihantitra, sady tsy afaka nikarakara ilay tranon’ny misionera, ka nantsoina ho eto amin’ny Betela.
TETIKASA LEHIBE
Nitsidika ny sampan’i Afrika Atsimo i Nathan Knorr sy Milton Henschel, avy any amin’ny foibe any Brooklyn, tamin’ny 1948. Tapaka tamin’izay fa hisy tany hovidina tao Elandsfontein, akaikin’i Johannesburg, mba hasiana ny Trano Betela sy ny fanontam-pirinty. Vita ilay tetikasa tamin’ny 1952. Tamin’izay vao niara-nipetraka ny fianakavian’ny Betela. Nahazo fitaovana fanontam-pirinty fanampiny koa ny sampana, ary anisan’izany ny milina ampiasana lohavỳ. Navoaka tamin’ny fiteny valo Ny Tilikambo Fiambenana, ary tamin’ny fiteny telo ny Mifohaza!
Nitarina ny Trano Betela sy ny fanontam-pirinty tamin’ny 1959. Lehibe noho ilay trano voalohany ilay trano fanampiny. Nahazo milina marika Timson koa ny sampana, ary io no milina fanontam-pirinty mihodinkodina voalohany nampiasain’ny fikambanana.
Nasain’ny Rahalahy Knorr nanampy tamin’ny fanontam-pirinty ny rahalahy tanora efatra avy any Kanada. Tsy iza izany fa i Bill McLellan, Dennis Leech, Ken Nordin, ary John Kikot. Tamin’ny Novambra 1959 izy ireo no tonga teto. Mbola manompo eto amin’ny Betelan’i Afrika Atsimo izao i Bill McLellan sy Marilyn vadiny. Any amin’ny Betelan’i Brooklyn, New York, kosa i John Kikot sy Laura vadiny. I Ken Nordin sy Dennis Leech indray, nijanona teto Afrika Atsimo, ary nanambady sy nanan-janaka. Samy miezaka tsara izy ireo mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Manompo
eto amin’ny Betelan’i Afrika Atsimo ireo zanak’i Ken mianadahy.Tena niasa tsara ilay Betela nitarina sy ireo fitaovana vaovao, mba hisahanana ny fitomboana teto Afrika Atsimo. Nihoatra ny 10 000 ny mpitory teto tamin’ny 1952, ary lasa 16 776 izany tamin’ny 1959.
FIRAISAN-TSAINA NANDRITRA NY APARTHEID
Ho azontsika tsara ny olana natrehin’ireo rahalahy nandritra ny apartheid, raha fantatsika ny lalàna nampiharina tamin’izany. Araka ny lalàna, dia nahazo niara-niasa tamin’ny toerana iray tany an-tanàn-dehibe ny mainty hoditra, sy ny fotsy hoditra (avy any Eoropa), ary ny metisy, sy ny Karàna. Mety ho tany amin’ny orinasa izany, na birao, na hotely. Tsy maintsy niverina tany amin’ny tanàna natokana ho azy anefa izy ireo tamin’ny alina. Nosarahina àry ny fonenan’ireo foko samihafa. Tsy maintsy nasiana efitra fisakafoana sy fidiovana natokana ho an’ny fotsy hoditra ireo trano lehibe rehetra, ary natokana koa ny an’ny foko hafa.
Rehefa naorina ny Betela voalohany tao Elandsfontein, dia tsy navelan’ny manam-pahefana hipetraka tao amin’ny trano nisy ny rahalahy fotsy hoditra ny rahalahy mainty hoditra sy metisy ary Karàna. Fotsy hoditra ny ankamaroan’ny Betelita tamin’izany, satria sarotra ho an’ny foko hafa ny nahazo alalana hiasa tany an-tanàn-dehibe. Nisy 12 anefa ireo rahalahy sy anabavy mainty hoditra sy metisy tao amin’ny Betela, ary mpandika teny ho amin’ny fiteny teto an-toerana ny ankamaroany. Neken’ny fanjakana ny hanorenana efitra dimy tao ambadik’ilay trano lehibe mba hipetrahan’ireo Betelita ireo. Tsy nekena indray anefa izany, rehefa hentitra kokoa ny fampiharana ny apartheid. Tsy maintsy nanao dia 20 kilaometatra avy any amin’ny tanàna afrikanina akaiky azy indrindra àry ireo rahalahy, ary natory tany amin’ny trano iombonana. Ireo anabavy mainty hoditra roa kosa nipetraka tany amin’ny Vavolombelona tany an-tanàn-dehibe.
Voalazan’ny lalàna koa fa tsy nahazo nisakafo tao amin’ny efitra fisakafoana niaraka tamin’ireo rahalahiny fotsy hoditra
ireo Betelita ireo. Nisy tompon’andraikitra avy any amin’ny biraon’ny tanàna mihitsy nanara-maso sao tsy narahina izany lalàna izany. Tsy tian’ireo rahalahy fotsy hoditra anefa ny tsy hiara-misakafo amin’ireo rahalahiny hafa foko. Nosoloana fitaratra tsy tantera-pahazavana àry ny fitaratra tamin’ny varavarankely mba tsy ho tazana avy eny ivelany izy ireo, ka ho afaka hiara-misakafo amim-pilaminana ny mpianakavy rehetra.* kosa no mpiandraikitra ny sampana nanomboka tamin’ny 1968, ary lasa mpandrindra ny Komitin’ny Sampana izy tatỳ aoriana.
Narary i Stella, vadin’i George Phillips, ka voatery niala tao amin’ny Betela izy ireo tamin’ny 1966. Rahalahy za-draharaha antsoina hoe Harry Arnott no niandraikitra ny sampana nandritra ny roa taona taorian’izay. I Frans MullerFITOMBOANA VOKATRY NY “BAOMBA MANGA”
Navoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 1968 ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Nisy vokany lehibe teo amin’ny fitoriana io boky io, ary tian’ireo rahalahy ny niantso azy io hoe “baomba manga.” Boky 90 000 teo ho eo isan-taona no nalefan’ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana tany amin’ny fiangonana. Lasa 447 000 kosa izany tamin’ny taom-panompoana 1970.
Nitsidika an’i Afrika Atsimo fanindroany ny Rahalahy Knorr tamin’ny 1971. Nila fanitarana indray ny Betela tamin’izay, satria efa 68 ny isan’ireo Betelita. Nalamina àry ny tetikasa momba ilay fanitarana. Nanolo-tena hanao ilay asa ny rahalahy sasany, ary nisy kosa nanome vola. Vita tamin’ny 30 Janoary 1972 ilay fanorenana. Nisy fanitarana hafa koa vita tamin’ny 1978. Nampahery ireny asa fanitarana ireny, satria nanaporofo fa nanohana ny vahoakany i Jehovah. Nihamafy
mantsy ny fanoheran’ny manam-pahefana tamin’izany fotoana izany.TSY NETY NANAO MIARAMILA
Tsy niray dina tamin’i Grande-Bretagne intsony i Afrika Atsimo tamin’ny 1961, ary lasa repoblika tamin’ny volana Mey tamin’io taona io. Nisy korontana ara-politika tamin’izany, ary nitombo be ny herisetra. Nampirisika ny olona ho tia tanindrazana ny fanjakana, mba hifehezana ny toe-draharaha. Lasa fitsapana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izany tatỳ aoriana.
Tsy voatery nanao raharaha miaramila ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taona maro. Niova anefa izany taloha kelin’ny 1970, rehefa tafiditra lalina tamin’ny ady tany Namibia sy Angola i Afrika Atsimo. Nisy lalàna navoaka hoe tsy maintsy nanao raharaha miaramila ny tovolahy fotsy hoditra rehetra, izay salama tsara. Nogadraina tany amin’ny fonjan’ny miaramila nandritra ny telo volana ireo rahalahy tsy nanaiky izany.
Noterena hanao fanamiana sy fiarovan-dohan’ny miaramila ireo rahalahy nigadra, anisan’izany i Mike Marx. Hoy izy: “Tsy nanaiky izahay satria tsy te ho anisan’ny miaramila. Nilaza àry ilay kapiteny fa hahena ny sakafonay, sady hatoka-monina izahay ka tsy homena tombontsoa intsony.” Tsy navela nanoratra na nandray taratasy, ohatra, ireo rahalahy. Tsy azo notsidihina koa izy ireo, ary tsy navela hanana boky afa-tsy Baiboly. Rano sy tapa-mofo isan’andro aloha no nomena azy ireo nandritra ny roa andro, fa sakafo toy ny an’ny voafonja rehetra ihany nandritra ny fito andro. Toy izany foana avy eo, izany hoe rano sy tapa-mofo roa andro, ary sakafo mahazatra fito andro. Izay voafonja tsy laitra fehezina no nomena izany sakafo izany, raha ny tena
izy. Na ny sakafon’ny voafonja hafa aza anefa tsizarizary sady kely.Natao daholo izao tetika rehetra izao mba hampivadika an’ireo rahalahy. Nohidiana tao amin’ny efitra tery kely ny tsirairay. Nisy fotoana aza tsy navela nandro mihitsy izy ireo. Nomena siô roa kosa izy ireo, ka ny iray natao pô, ary ny iray natao hisasana. Navela nandro ihany izy ireo tatỳ aoriana.
Hoy i Keith Wiggill: “Nasaina nandro tamin’ny rano mangatsiaka izahay indray mandeha, tamin’ny andro ririnina be. Nalain’ny mpiambina anefa avy eo ny kidoronay sy ny bodofotsinay. Tsy navelan’izy ireo nanao ny akanjonay koa izahay, ka sôrta sy akanjo ambony kely ihany no nanaovanay. Servieta mando no natorianay, teo amin’ny gorodona simenitra namanala be. Tena gaga ilay serizà sefo nony maraina, rehefa nahita fa mbola salama sy falifaly ihany izahay. Niaiky izy fa ny Andriamanitray no niaro anay tamin’iny alina namirifiry iny.”
Notsaraina indray ireo rahalahy, taloha kelin’ny hahavitany ilay sazy telo volana. Tsy nety nanao fanamiana mantsy izy ireo, ary tsy nanaiky hanao fanazaran-tena toa an’ireo miaramila voafonja. Nohalavaina indray àry ny sazin’izy ireo. Nolazain’ny manam-pahefana mazava tsara fa hohalavaina foana ny sazin’ireo rahalahy, raha mbola latsaka ny 65 taona izy ireo. Amin’izay mantsy izy ireo vao tsy ho lany miaramila intsony.
Niova ny lalàna tamin’ny 1972, rehefa nanao fihetsiketsehana ara-politika ny vahoaka. Sazy iray ihany no nomena an’ireo rahalahy, ary nitovy tamin’ny faharetan’ny raharaha miaramila izany. Herintaona ka hatramin’ny herintaona sy tapany ilay sazy tamin’ny voalohany. Lasa telo ka hatramin’ny enin-taona anefa izany tatỳ aoriana. Nilefitra ireo manam-pahefana rehefa nandeha ny fotoana, ka navela hiara-mivory indray mandeha isan-kerinandro ireo rahalahy voafonja.
Tsy nanadino ny baikon’i Kristy hanao mpianatra ireo rahalahy na dia tany am-ponja aza. (Matio 28:19, 20) Nitory tamin’ny voafonja sy ny mpiandraikitra ary izay olona nihaona taminy izy ireo. Nisy fotoana aza navela hanao fitoriana an-taratasy izy ireo isaky ny asabotsy tolakandro.
Indray mandeha, dia nasain’ny tompon’andraikitra niara-nisakafo tamin’ny miaramila voafonja 170 ireo Vavolombelona 350. Io fonja io no hany faritany nahitana mpitory 2 isaky ny olona 1. Tsy ela dia nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra fa tokony hisakafo mitokana ihany ireo rahalahy.
NANOHANA NY ADY NY KRISTIANISMA ANARANA
Inona no nataon’ny Kristianisma Anarana rehefa noterena hanao raharaha miaramila ny lehilahy rehetra? Namoaka fanapahan-kevitra ny Konsilin’ny Fiangonan’i Afrika Atsimo antsoina hoe SACC, tamin’ny Jolay 1974. Tsy nanaiky hanao raharaha miaramila izy ireo, kanefa tsy noho ny antony ara-pivavahana fa ara-politika. Araka ilay fanapahan-kevitra noraisin’ny SACC, dia tsy ara-drariny ilay ady satria “fitondrana nanao ny tsy rariny sy nanavakava-bolon-koditra” no notohanan’ny tafika. Izany no antony tsy nandraisan’izy ireo anjara tamin’ilay ady. Tsy nanaiky an’io fanapahan-kevitra io anefa ireo fivavahana afrikaans sy ny antokom-pinoana hafa.
Nanohana ny fitondrana ny Fiangonana Nohavaozina Holandey, ka nanaiky hanao raharaha miaramila. Nilaza izy ireo fa tsy nifanaraka tamin’ny Romanina toko faha-13 ilay fanapahan-kevitry ny SACC. Nanohitra ny hevitry ny SACC koa ireo mpitondra fivavahana tao amin’ny Tafik’i Afrika Atsimo, kanefa anisan’ny SACC ny fiangonan’izy ireo. Nanda an’ilay fanapahan-kevitra ihany koa ny mpitondra fivavahan’ireo fiangonana miteny anglisy. Hoy izy ireo: ‘Ampirisihinay ny mpiangona rehetra ato aminay, indrindra ny tovolahy, mba hirotsaka an-tsitrapo hiaro ny tanindrazana.’
Na ireo fiangonana anisan’ny SACC aza anefa tsy tena nanda tsy hanao raharaha miaramila. Hoy ny boky Ny Ady sy ny Feon’ny Fieritreretan’ny Mponin’i Afrika Atsimo (anglisy):
‘Ny ankamaroan’ny fivavahana dia tsy tena nanazava tamin’ny mpiangona hoe tsy mandray anjara amin’ny ady ny fiangonan’izy ireo. Tsy nampirisihin’izy ireo mihitsy koa ny mpivavaka tao aminy mba tsy hanao raharaha miaramila.’ Asehon’io boky io fa tsy sahy nijoro tamin’ny heviny ireo fivavahana anisan’ny SACC, satria notoherin’ny fitondrana ilay fanapahan-kevitra, sady hentitra be ny lalàna. Hoy ilay boky: “Tsy nisy zavatra nataon’ny fivavahana mihitsy mba hanaporofoana fa tsy nanohana ny ady izy ireo.”Hoy kosa ilay boky avy eo: “Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroan’ireo voafonja tsy nanaiky hanao raharaha miaramila.” Hoy koa izy io: “Nantitranterin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa manana zo handa ny karazana ady rehetra ny tsirairay, raha tsy eken’ny eritreriny izany.”
Niorina tanteraka tamin’ny Baiboly ny hevitry ny Vavolombelona. Tsy mandray anjara amin’ny politika mihitsy izy ireo, na dia ekeny aza fa “napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy ny manam-pahefana.” (Rom. 13:1) I Jehovah no ankatoavin’izy ireo voalohany. Efa nambaran’i Jehovah tao amin’ny Teniny anefa fa tsy tokony handray anjara amin’ny adin’izao tontolo izao ny tena mpivavaka aminy.—Isaia 2:2-4; Asa. 5:29.
Nitohy an-taonany maro ny fanagadrana ny Vavolombelon’i Jehovah. Voaporofo tamin’izany fa tsy niova hevitra mihitsy izy ireo, na dia nampijalina aza. Ankoatra izay, dia feno loatra ny fonjan’ny miaramila ka nisy tsy faly noho izany. Nilaza ny manam-pahefana sasany fa tokony halefa any amin’ny fonja ho an’ny sivily ireo rahalahy.
Tsy nanaiky an’izany anefa ny manamboninahitry ny tafika sasany. Nanaja an’ireo rahalahy tanora izy ireo noho ny fitondran-tena tsarany. Hoheverin’ny olona ho toy ny mpanao heloka bevava mantsy ireo rahalahy, raha nalefa tany amin’ny fonja ho an’ny sivily. Ho voatery hiara-miaina amin’ny jiolahy mampidi-doza koa izy ireo, ary mety hisy hametaveta mihitsy aza. Nasaina nanao asa madinika tany
amin’ireo tranom-panjakana tsy nifandray tamin’ny tafika àry izy ireo. Niova ny politikan’ny fitondrana taorian’ny 1990, ka tsy noterena hanao raharaha miaramila intsony ny olona.Inona no fiantraikan’ireny fanagadrana lava be ireny teo amin’ireo rahalahy tanora? Maro no nanararaotra izany fotoana izany mba hianarana ny Tenin’Andriamanitra, ka lasa matotra ara-panahy. Nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro izy ireo taorian’izany. Hoy i Cliff Williams: “Nanova tanteraka ny fiainako ny fijanonako tany am-ponja. Tena tsapako ny fitahian’i Jehovah sy ny fiarovany, ka tapa-kevitra ny hanompo bebe kokoa aho. Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana maharitra aho raha vao nafahana tamin’ny 1973. Niditra teto amin’ny Betela aho herintaona taorian’izay, ary mbola manompo eto hatramin’izao.”
Vao 17 taona i Stephen Venter rehefa nalefa tany amin’ny fonjan’ny miaramila. Hoy izy: “Mpitory tsy vita batisa aho tamin’izany, ary mbola tsy nahalala firy momba ny fahamarinana. Nandinika ny teny vakina isan’andro anefa izahay tany, rehefa nanadio trano isa-maraina. Nivory tsy tapaka koa izahay, ary nampianatra Baiboly ahy ny rahalahy iray za-draharaha kokoa. Izany no nanatanjaka ny finoako, ka nahavitako niaritra. Nisy zavatra ratsy ihany tany, nefa mahagaga fa tsy tsaroako akory izy ireny! Tsapako fa ireo telo taona laniko tany am-ponja no fotoana tsara indrindra teo amin’ny fiainako. Lasa olon-dehibe matotra aho noho ny zavatra niainako tany. Nanjary nahalala tsara an’i Jehovah aho, ka tapa-kevitra ny hirotsaka tamin’ny fanompoana manontolo andro.”
Nisy vokany tsara ny fanagadrana tsy ara-drariny nihatra tamin’ireny rahalahintsika ireny. Hoy i Gideon Benade, izay nitsidika an’ireo rahalahy tany am-ponja: “Fitoriana lehibe no vita tamin’ireny fotoana ireny.” Tena niaritra ireo rahalahy, ary navoakan’ny fampitam-baovao ny zava-tsarotra sy
ny sazy nampiharina tamin’izy ireo. Hita àry fa tsy nandray anjara tamin’ny ady mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahagaga an’ireo miaramila sy ny olona maro izany, ary mbola tsaroana hatramin’izao.TSY NIVADIKA IREO RAHALAHY MAINTY HODITRA
Tsy nihatra tamin’ireo rahalahy mainty hoditra ny fitsapana nahazo an’ireo rahalahy fotsy hoditra, rehefa nanomboka ny apartheid. Tsy nantsoina hanao raharaha miaramila, ohatra, ny mainty hoditra. Rehefa nanohitra ny apartheid anefa ireo antoko politikan’ny mainty hoditra, dia niharam-pitsapana mafy ireo rahalahy mainty hoditra. Nisy tamin’izy ireo novonoina, ary nisy nokapohina. Ny sasany indray tsy maintsy nandositra satria nodoran’ny olona ny tranony sy ny fananany. Ny anton’izany rehetra izany anefa dia noho izy ireo tsy nety nanao politika. Tapa-kevitra ny hankatò ny tenin’i Jesosy izy ireo, ka nanda tsy ho “anisan’izao tontolo izao.”—Jaona 15:19.
Noteren’ny antoko sasany hividy karatra politika ny mponina rehetra teo amin’ny faritra nisy azy ireo. Nitety trano izy ireo, ka nangataka vola mba hividianana fitaovam-piadiana na mba handevenana ny namany, izay maty noho ny ady tamin’ny miaramila fotsy hoditra. Tsy nanome izany vola izany ireo rahalahy mainty hoditra, ka nampangaina ho mpitsikilon’ny fitondrana. Niharan’ny fampijaliana ny rahalahy sy anabavy sasany rehefa nandeha nitory, sady nendrikendrehina hoe nanao fampielezan-kevitra ho fanohanana ny fotsy hoditra.
Ohatra iray amin’izany i Elijah Dlodlo. Mpanao spaoro nalaza izy, ary nahazo vola be tamin’izany. Nialany anefa izany ka nanolo-tena ho an’i Jehovah izy. Tapa-bolana talohan’ny fifidianana voalohany natao ho an’ny besinimaro, dia nafanafana ny toe-draharaha teo amin’ireo antokon’ny mainty hoditra nifandrafy. Nandeha nitory tany amin’ny faritany lavidavitra tsy voasa matetika ny fiangonana nisy an’i Elijah. Vao roa volana no nahavita batisa azy, ary nasaina
niara-nitory tamin’ny tovolahy roa mbola tsy vita batisa izy. Nisy andian-jatovo mpanao politika nandalo, raha mbola niresaka tamin’ny vehivavy iray teo am-baravarana izy telo lahy. Nitondra karavasy hoditra lehibe ny sefon’ireo zatovo. Nanontany izy hoe: “Fa inona no ataonareo eto?”Namaly ilay tompon-trano hoe: “Miresaka momba ny Baiboly izahay, tompoko.”
Tezitra be ilay sefo, ka tsy nihaino an’ilay vehivavy akory fa nilaza tamin’i Elijah sy ny namany hoe: “Nareo telo lahy, andao hiaraka aminay! Tsy fotoana firesahana Baiboly izao, fa fotoana itakiana ny zontsika.”
Namaly tamin-kerim-po i Elijah hoe: “Miasa ho an’i Jehovah izahay, tompoko, ka tsy afaka manao izany.”
Natosik’ilay sefo i Elijah, ary nokaravasiny. Isaky ny nikapoka azy izy, dia namerimberina hoe: “Andao hiaraka aminay!” Ny kapoka voalohany ihany no naharary tamin’i Elijah, fa tsy henony intsony ny sisa. Nampahery azy ilay tenin’ny apostoly Paoly hoe “henjehina” ny Kristianina marina rehetra.—2 Tim. 3:12.
Reraka ilay sefo tamin’ny farany, ka nijanona. Nilaza ny iray tamin’ireo niaraka taminy fa tsy tokony ho nokapohina i Elijah, satria tsy mponina tao an-tanàna. Tsy nitovy hevitra izy rehetra, ka izy samy izy indray no niady. Ilay sefo indray no nokapohin’ny namany tamin’ilay karavasy. Afaka nandositra i Elijah sy ny namany nandritra izany fotoana izany. Nanatanjaka ny finoan’i Elijah iny fitsapana iny. Nanao fandrosoana foana izy, ary tsy natahotra nitory ny vaovao tsara. Manambady aman-janaka izy izao, ary anti-panahy eo anivon’ny fiangonana.
Tena be herim-po koa ireo anabavy mainty hoditra, rehefa nisy nitady hampitsahatra ny asa fitoriana. Diniho ny ohatr’
i Florah Malinda. Maty nodoran’ny mpirotaka i Maki zanany vavy, rehefa niaro ny anadahiny izay tsy nety niditra tamin’ny antoko politika. Tsy hay lazaina ny alahelon’i Florah tamin’izany, kanefa tsy nitana lolompo izy fa nitory ny vaovao tsara foana tamin’ny mpiray tanàna taminy. Indray andro, dia nanery azy ny solontenan’ilay antoko namono ny zanany, mba hanohana azy ireo. Hahita loza, hono, izy raha tsy manaiky. Niaro azy ny mpiara-monina tamin’izay, ka nilaza fa tsy manao politika izy, fa manampy ny olona hianatra Baiboly kosa. Tsy nitovy hevitra ireo solontenan’ilay antoko, ka navelan’izy ireo handeha ihany i Florah. Nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra foana i Florah, nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny ka hatramin’izao.Nifanena tamin’ny tanora mpanao fihetsiketsehana ny rahalahy mpisava lalana maharitra iray, rehefa nandeha bisy hamonjy ny faritaniny. Natosik’ilay tanora izy, sady nanontaniany hoe: ‘Nahoana ialahy no mitondra boky navoakan’ny fotsy hoditra, ary mivarotra izany amin’ny mainty hoditra?’ Hoy ilay rahalahy momba izay nitranga: “Nasainy natsipiko avy eo amin’ny fitaratr’ilay bisy ireo boky nentiko. Tsy nanaiky aho, ka nofelahiny ny tahamaina, ary nodorany tamin’ny sigara ny takolako. Tsy namaly azy anefa aho. Nalainy ilay kitapo nasiako boky, ka natsipiny tany ivelany. Nesoriny koa ny kravaty teny amiko, sady nilaza izy fa ny fotsy hoditra no mpanao an’ireny. Nanompa sy naneso ahy izy avy eo, ary nilaza fa tokony hodorana velona ny olona toa ahy. Namonjy ahy anefa i Jehovah ka afaka niala tamin’ilay bisy aho, ary tsy nampijaliny intsony. Tsy nahakivy ahy izany fa mbola nitory foana aho.”
Naharay taratasy maro ny sampan’i Afrika Atsimo, momba ny tsy fivadihan’ireo rahalahy mainty hoditra. Nanoratra toy
izao, ohatra, ny anti-panahin’ny fiangonana iray tany KwaZulu-Natal: “Malahelo izahay mampahafantatra anareo fa nodimandry ny Rahalahy Moses Nyamussua. Mpanao sodira sy mpanamboatra fiara simba no asany. Nasain’ny antoko politika iray nanamboatra ny basin’izy ireo izy indray mandeha. Tsy nety nanao anefa izy. Nanao fihaonam-be ilay antoko tamin’ny 16 Febroary 1992, ary niady tamin’ny antoko fahavalony. Rehefa avy niady izy ireo ny harivan’iny, dia nahita an’ilay rahalahy handeha hiantsena. Novonoin’izy ireo tamin’ny sabatra izy. Nahoana? Hoy izy ireo: ‘Tsy nety nanamboatra ny basinay ianao, ka maty tamin’ny ady izao ny namanay.’ Tena mafy tamin’ireo rahalahy ny nahafatesan’i Moses, kanefa tsy kivy izy ireo fa mbola manohy ny fanompoana.”NIHARAM-PITSAPANA KOA NY ANKIZY MPIANATRA
Nahita olana ireo zanaka Vavolombelona tany amin’ireo sekoly tany an-tanàn-dehibe. Tsy nety nandray anjara tamin’ny vavaka sy hiram-pivavahana fanao isa-maraina mantsy izy ireo. Mora kokoa ho an’ny mpianatra fotsy hoditra ny niatrika izany, satria nasaina nanoratra taratasy fanazavana fotsiny ny ray aman-dreniny. Tany amin’ny sekolin’ny mainty hoditra kosa anefa, dia toy ny hoe mpikomy ireo mpianatra tsy nanaiky hanao fombafomba ara-pivavahana. Mbola tsy nahazatra ny mpampianatra mantsy ny nahita ankizy nanao izany. Nanazava ny zavatra ninoany ireo ray aman-dreny, kanefa nilaza ny mpampianatra fa tokony hanao toy ny ankizy rehetra ny zanaka Vavolombelona.
Tsy maintsy nanatrika ny fivoriana isa-maraina ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah, hoy ny tompon’andraikitry ny sekoly, satria tamin’izany no nanaovana ny filazana samihafa. Nijoro teo fotsiny àry ireo ankizy Vavolombelona, fa tsy nandray anjara tamin’ny hira sy ny vavaka. Nijery an’ireo
ankizy nilahatra mihitsy ny mpampianatra sasany, sao nisy tsy nihira na tsy nikimpy nandritra ny vavaka. Tena nampahery ny nahafantatra fa tsy nivadika mihitsy ireo ankizy Vavolombelona, na dia mbola tena kely aza ny sasany taminy.Nihamaro ny zanaka Vavolombelona noroahina tany an-tsekoly, ka nanapa-kevitra hitondra ilay raharaha teny amin’ny fitsarana ireo rahalahy. Namoaka didim-pitsarana lehibe ny Fitsarana Tampony tao Johannesburg, tamin’ny 10 Aogositra 1976, momba ny mpianatra 15 tao amin’ny sekoly iray. Toy izao ilay fanapahan-kevitra: ‘Niaiky ireo tompon’andraikitry ny sekoly fa zon’ny ankizy ny tsy mandray anjara amin’ny vavaka sy ny hira. Niaiky koa izy ireo fa tsy ara-dalàna ny nampiatoana ny fianaran’ny ankizy sy ny nandroahana azy ireo.’ Fandresena lehibe tokoa izany! Voavaha avokoa ny olana toy izany tany amin’ny sekoly rehetra, rehefa nandeha ny fotoana.
FANOHERANA HAFA TANY AN-TSEKOLY
Karazana fitsapana hafa no natrehin’ireo ankizy Vavolombelona fotsy hoditra, ary maro tamin’izy ireo no noroahina tany an-tsekoly. Nanao tetika ny governemanta mba hamolavolana ny tanora fotsy hoditra ho lasa mpanohana ny fitondrana. Namorona fandaharana iray nantsoina hoe Famolavolana ny Tanora àry ry zareo tamin’ny 1973. Nampanaovina matso ny ankizy tamin’izany, ary nampianarina niady sy nanao zavatra hafa, mba hampirisihana azy ho tia tanindrazana.
Niresaka tamin’ny mpahay lalàna ny ray aman-dreny Vavolombelona sasany, ary nanatona ny minisitry ny fampianarana mihitsy, saingy tsy nisy vokany. Nilaza ilay minisitra fa fanabeazana fotsiny ny Famolavolana ny Tanora. Nanameloka ny fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah momba an’ilay raharaha ny fitondrana. Nalala-tsaina anefa ny talen-tsekoly sasany, ka navela tsy handray anjara tamin’izay fandaharana tsy araka ny Soratra Masina ny zanaka Vavolombelona. Noroahina kosa ny ankizy tsy nety nanao izany tany amin’ny sekoly hafa.
Isaia 54:13) Maro tamin’ireny tanora be herim-po ireny no lasa mpanompo manontolo andro. Faly izy ireo satria nahavita niaritra fitsapana sy nitoky tanteraka tamin’i Jehovah. (2 Pet. 2:9) Niova ny politikan’ny fitondrana tatỳ aoriana, ka tsy noroahina intsony ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah, na dia tsy nandray anjara tamin’ny fanindrahindram-pirenena aza.
Nisy ray aman-dreny vitsivitsy afaka nandefa ny zanany tany amin’ny sekoly tsy miankina. Tamin’ny alalan’ny fifanoratana an-taratasy kosa no nandefasana lesona ho an’ny ankizy Vavolombelona sasany. Ny hafa indray nampianarina tao an-trano ihany, ka mpampianatra Vavolombelona no nampiofana azy ireo. Na izany aza, dia maro tamin’ireo ankizy noroahina no tsy nahavita fianarana teny amin’ny lise akory. Nahazo fiofanana tsara anefa izy ireo satria nampianarina ny Soratra Masina tao an-trano sy tany am-pivoriana. (FIVORIAMBE NANDRITRA NY APARTHEID
Tsy maintsy toerana samy hafa no nanaovan’ny Vavolombelona samy hafa foko ny fivoriambeny, araka ny notakin’ny lalàna. Tamin’ny 1952 vao afaka nanatrika fivoriambe tamin’ny toerana iray ireo foko samy hafa. Tao amin’ny Kianjan’i Wembley, tao Johannesburg, no nanaovana izany. Tonga teto ny Rahalahy Knorr sy ny Rahalahy Henschel tamin’izay, ary nanao lahateny tamin’io fivoriambe io. Tsy maintsy natokana ihany anefa ny foko samy hafa tao amin’ilay kianja, araka ny lalàna momba ny apartheid. Teo andrefana no
nipetraka ny fotsy hoditra, teo atsinanana ny mainty hoditra, ary teo avaratra kosa ny metisy sy ny Karàna. Tsy maintsy nosarahina koa ny toerana fizarana sakafo. Hoy anefa ny Rahalahy Knorr momba an’iny fivoriambe iny: “Tafaray teo amin’ny kianja iray isika rehetra, ary niara-nidera an’i Jehovah tamin’ny fihaingoana masina, ka izany no nahafinaritra indrindra.”Fivoriambe telo no indray natao tao Johannesburg tamin’ny Janoary 1974. Ny iray ho an’ny mainty hoditra, ny iray ho an’ny metisy sy ny Karàna, ary ny iray ho an’ny fotsy hoditra. Nisy fandaharana manokana anefa tamin’ny andro faran’ilay fivoriambe. Nasaina nankao amin’ny Kianjan’i Rand tao Johannesburg ireo foko rehetra, mba hiara-manatrika ny fandaharana tolakandro. Nirohotra nankao amin’ilay kianja ireo mpanatrika niisa 33 408. Nisy fifaliana lehibe tokoa tamin’izay! Afaka nifanerasera tsara sy niara-nipetraka mantsy ireo Vavolombelona samy hafa foko. Tena niavaka koa ilay izy satria nisy solontena maro avy tany Eoropa nanatrika. Nahoana no azo natao izany? Tsy fantatr’ireo mpikarakara ilay fivoriambe tamin’ny voalohany fa hay toerana fanaovana varotra fampisehoana iraisam-pirenena ilay kianja! Afaka niaraka daholo àry ny olona samy hafa foko, nefa tsy nila nangataka fahazoan-dalana.
VITA FOANA NY FIVORIAMBE
Nikasa hanao fivoriambe tao Johannesburg ny Vavolombelon’i Jehovah, taona vitsivitsy talohan’izay. Nisy minisitra avy any Pretoria nitsidika ireo biraom-panjakana tao Johannesburg, izay niandraikitra ny mainty hoditra bantou. Hitan’io minisitra io tao amin’ny tatitra momba ny fivorian’izy ireo, fa hanaovan’ny Vavolombelona mainty hoditra fivoriambe ny Zaridainan’i Mofolo.
Nanao tatitra momba izany ilay minisitra rehefa tonga tany Pretoria, ka tsy nahazo nampiasa ilay zaridaina indray ireo rahalahy mainty hoditra. “Tsy fivavahana eken’ny lalàna” mantsy, hono, ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanofa ny Kianjan’i Milner, tao afovoan-tanànan’i Johannesburg ny
rahalahy fotsy hoditra, mba hanaovana fivoriambe. Ny rahalahy metisy kosa namandrika ny Kianja Union, any andrefan’i Johannesburg.Nanatona an’ilay minisitra ny rahalahy roa avy eto amin’ny sampana. Fantatra fa hay pasitera taloha tao amin’ny Fiangonana Nohavaozina Holandey izy io. Nolazain’ireo rahalahy taminy fa nanaovana fivoriambe foana ny Zaridainan’i Mofolo nandritra ny taona maro. Nanontany koa izy ireo hoe nahoana no tsy avela hanao ny fivoriambeny ny rahalahy mainty hoditra, kanefa avela hanao ny azy ireo rahalahy fotsy hoditra sy metisy. Nanda hatramin’ny farany anefa ilay minisitra.
Tany andrefan’i Johannesburg no nisy ny Zaridainan’i Mofolo. Nitady toerana tany atsinanana àry ireo rahalahy roa ireo mba hanaovana ilay fivoriambe, satria nisy tanànan’ny mainty hoditra tany. Nihaona tamin’ny tompon’andraikitra tao izy ireo, saingy tsy nilaza ny resaka nifanaovany tamin’ilay minisitra tany Pretoria. Vonona hanampy avy hatrany ilay tompon’andraikitra rehefa nangatahana toerana hanaovana fivoriambe. Navelany hampiasaina àry ny Kianjan’i Wattville. Nisy fipetrahana tao amin’io kianja io, fa tsy toy ny Zaridainan’i Mofolo.
Nampandrenesina haingana ireo rahalahy hoe any indray no hatao ny fivoriambe. Nisy 15 000 teo ho eo ny mpanatrika, ary nizotra tsara ny fandaharana satria tsy nanelingelina izany mihitsy ny manam-pahefana tany Pretoria. Afaka nanao fivoriambe tamim-pilaminana tao amin’ny Kianjan’i Wattville foana ireo rahalahy, nandritra ny taona maro taorian’izay.
VOASORATRA ARA-PANJAKANA NY FIKAMBANANA
Natsangana ny fikambanana ara-dalàna antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah eto Afrika Atsimo, tamin’ny 24 Janoary 1981, araka ny toromariky ny filan-kevi-pitantanana. Nisy mpikambana 50 tao amin’izy io. Nahasoa tamin’ny lafiny maro io fikambanana ara-dalàna io.
Efa an-taonany ny sampana no nangataka mba hisy rahalahy hatao solontenam-panjakana, ka hanoratra ny fanambadian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nolavina foana anefa izany. Hoy i Frans Muller: “Tsy nanaiky mihitsy ny manam-pahefana satria, hono, tsy ara-dalàna sy tsy azo antoka ny fivavahantsika, ka tsy azo atao solontena hanoratra fanambadiana.”
Tsy azo natao koa ny nanorina Efitrano Fanjakana tany amin’ny tanànan’ny mainty hoditra, raha mbola tsy voasoratra ara-panjakana ny fikambanana. Rehefa mba nangataka alalana hanorina ireo rahalahy, dia hoy foana ny manam-pahefana: “Tsy voasoratra ara-panjakana ny fivavahanareo.”
Rehefa natsangana anefa ilay fikambanana ara-dalàna, dia nisy rahalahy nomena fahefana hanoratra fanambadiana. Azo natao koa ny nanorina Efitrano Fanjakana tany amin’ny tanànan’ny mainty hoditra. Anti-panahy 100 mahery izao no manana fahefana hanoratra fanambadiana eto Afrika Atsimo. Afaka nanao izany tao amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo, ka tsy nila nankany amin’ny firaisana ny Vavolombelona rehefa hisora-panambadiana.
FANDROSOANA LEHIBE TEO AMIN’NY FANONTAM-PIRINTY
Nivoatra be ny fomba fanontam-pirinty, ka nanjary lany andro ny milina ampiasana lohavỳ. Lafo be sy sarotra tadiavina koa ny piesin’izy ireny. Nanapa-kevitra àry ny sampana fa hampiasa milina offset sy ordinatera fandaharana soratra sy sary. Novidina ny milina sy ny fitaovana hafa nilaina tamin’izany. Milina TKS no nampiasaina tamin’ny 1979. Fanomezana tena tsara avy amin’ny sampan’i Japon io fitaovana fanontam-pirinty io.
Mamoaka boky amin’ny fiteny maro be ny Vavolombelon’i Jehovah, ka hitan’izy ireo fa tsara kokoa ny mamorona programa fandaharana soratra sy sary azy ireo manokana. Tamin’ny 1979 àry, dia nanomboka nampiasa ilay programa antsoina hoe MEPS (na Fandaharana Elektronika Mandrindra ny Fisehon’ny Soratra sy Sary Amin’ny Fiteny Maro) ireo
rahalahy tany Brooklyn, New York. Tamin’ny 1984 kosa ny teto Afrika Atsimo no nanomboka nampiasa azy io. Lasa miara-mivoaka amin’ny fiteny maro ireo boky sy gazetintsika, noho ny fampiasana ordinatera amin’ny fandikan-teny sy ny MEPS.FIOMANANA HO AMIN’NY FITOMBOANA
Hita fa kely loatra ilay Betela tao Elandsfontein, taoriana kelin’ny 1980, ka tsy naharaka ny fitomboana. Nisy tany novidina àry teto Krugersdorp, izay lalana antsasak’adiny amin’ny fiarakodia avy eo Johannesburg. Mirefy 87 hektara ilay toerana. Faritra be havoana no misy azy, ary misy rano mahafinaritra manamorona azy. Rahalahy maro no niala tamin’ny asany na naka fotoana tsy hiasana mba hanampy tamin’ny fanorenana ilay Betela vaovao. Nisy mpiasa an-tsitrapo vitsivitsy koa tonga avy any Nouvelle-Zélande sy Etazonia ary avy any an-tany hafa. Vita tao anatin’ny enin-taona ilay fanorenana.
Sarotra foana ny nahazo alalana ho an’ireo mpandika teny sy Betelita mainty hoditra hafa, mba hipetrahany eto amin’ilay trano vaovao. Mainty hoditra 20 monja no nahazo alalana, nefa tsy maintsy nanaovana trano nitokana izy ireo. Nihanalefaka anefa ny lalàna momba ny apartheid tatỳ aoriana, ka tsy nosarahin-toerana intsony ny Betelita, na inona na inona volon-kodiny.
Faly ny fianakavian’ny Betela satria nalalaka ireo efitra, sady tena tsara ny fomba nanorenana azy. Biriky mena no narafitra tamin’ilay trano misy rihana telo, izay voahodidina zaridaina tsara tarehy. Nisy 28 000 ny Vavolombelona teto Afrika Atsimo rehefa nanomboka ilay fanorenana teto Krugersdorp. Nahatratra 40 000 izany rehefa notokanana ny Betela tamin’ny 21 Martsa 1987. Nisy anefa nieritreritra hoe sao dia lehibe loatra àry ilay trano. Tsy nampiasaina mantsy ny rihana iray nisy ireo birao, ary tsy nisy nipetraka ny ampahany tamin’ny trano fonenana. Nitsinjo ny fitomboana anefa ireo rahalahy, ary natoky fa tena hilaina izany any aoriana.
TENA NILAINA NY EFITRANO FANJAKANA
Nilaina maika ny nanorina Efitrano Fanjakana maro, satria nihamaro ny fiangonana. Tsizarizary ny toerana nivorian’ireo rahalahy tany amin’ny tanànan’ny mainty hoditra. Garazy na trano kely no nampiasain’izy ireo. Ny sasany kosa nivory tao amina lakilasy, ka nipetraka tamin’ny dabilio natao ho an’ny ankizikely. Nisy fivavahana hafa anefa nampiasa ny lakilasy teo akaiky, ary nihira mafy be sady nidoboka amponga nankarenin-tsofina.
Nanandrana fomba fanorenana vaovao ireo Komitim-paritra Momba ny Fanorenana, taloha kelin’ny 1990, mba hanafainganana ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Nisy rahalahy 11 manam-pahaizana momba ny fanorenana vita haingana, tonga avy any Kanada tamin’ny 1992. Nanampy tamin’ny fanorenana ilay efitrano nisy rihana tao Hillbrow, ao Johannesburg, izy ireo. Nampiofanin’izy ireo koa ny rahalahy teto an-toerana mba hanatsara ny fomba fanorenany.
Tany Diepkloof, any Soweto, no nisy Efitrano Fanjakana vita haingana voalohany, tamin’ny 1992. Efa hatramin’ny 1962 ireo rahalahy no nitady tany hanorenana. Natao tamin’ny 11 Jolay 1992 ilay fitokanana. Nanatrika izany i Zechariah Sedibe, izay nanampy tamin’ny fahazoana ilay tany. Faly erỳ izy nilaza hoe: “Nihevitra izahay fa tsy mba hahazo efitrano mihitsy. Mbola tanora izahay tamin’izany. Efa misotro ronono aho izao, nefa nahazo efitrano ihany izahay. Io no efitrano voalohany vita tao anatin’ny andro vitsivitsy teto Soweto.”
Misy Efitrano Fanjakana 600 izao any amin’ny tany iandraiketan’ny sampan’i Afrika Atsimo. Foiben’ny fivavahana marina amin’i Jehovah izy ireny. Mbola mila Efitrano Fanjakana anefa ny fiangonana 300, izay manana mpitory 30 eo ho eo avy.
Nanaraka ny toromariky ny biraon’ny sampana ireo Komitim-paritra 25, ka nanampy an’ireo fiangonana nila Efitrano Fanjakana. Afaka nisambo-bola hamitana ny efitranony ireo fiangonana, ary tsy nitakiana zanabola izany. I Peter Butt
no mpiandraikitra ny Komitim-paritra any Gauteng. Efa 18 taona no niasany tamin’ny fanorenana efitrano. Nilaza izy fa rahalahy mamelom-bady aman-janaka ny ankamaroan’ireo anisan’ny Komitim-paritra. Faly anefa izy ireo manome an-tsitrapo ny fotoanany mba hanampiana an’ireo rahalahiny.Anisan’ny Komitim-paritra koa i Jakob Rautenbach. Nanazava izy fa matetika no miasa eo amin’ilay fanorenana mihitsy ireo anisan’ilay komity, mandra-pahavitan’ilay asa. Mandray anjara amin’ny fanaovana ny planina koa izy ireo, alohan’ny hanombohan’ny fanorenana. Nilaza i Jakob fa tia miara-miasa sy falifaly foana ireo mpanao fanorenana. Manao dia lavitra izy ireo indraindray mba handehanana any amin’ny toeram-panorenana, ary mianto-tena.
Nilaza koa i Jakob fa Vavolombelona maro no nahafoy vola sy fotoana ho an’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Izao no ohatra notantarainy: “Manana kamiao maromaro ny anabavy roa mpiray tam-po. Nanolo-tena hiantoka ny fitaterana ireo fitaovam-panorenana izy ireo. Kaontenera mirefy 13 metatra no nitondrana izany tany amin’ireo toeram-panorenana nanerana an’i Afrika Atsimo, sy tany amin’ireo firenena manodidina. Efa hatramin’ny 1993 izy mirahavavy no nanao izany. Fanomezana be dia be tokoa izany raha tontalina. Maro amin’ireo orinasa miara-miasa aminay koa no vonona hanao fanomezana na hanome fihenam-bidy, rehefa fantany ny asa ataonay.”
Matetika ireo rahalahy no mahavita manangana efitrano ao anatin’ny telo andro, rehefa voaomana sy voalamina tsara ny asa. Manjary manaja antsika ny olona rehefa mahita izany. Avy nisotro tao amin’ny bara, akaikin’ny toeram-panorenana iray, ny lehilahy roa. Mamo be izy ireo, ary nanatona an’ireo rahalahy, izay efa namaramparana ny asany tamin’ny andro voalohany nanaovana ilay fanorenana. Nanazava ireo lehilahy fa tokony handalo tany malalaka izy ireo alohan’ny hahatongavany any aminy, nefa indro trano no hitany. Nihevitra àry izy ireo fa very, ka nanontany ny lalana tokony haleha.
VAVOLOMBELONA MAHAFOY TENA
Tsy nitondra fandriampahalemana na nanatsara ny fiainana ny fiovana ara-politika taoriana kelin’ny 1990. Vao mainka aza nitombo be ny herisetra, ka niharatsy ny toe-javatra. Ny adilahy politika sy ny olana ara-toe-karena, hoy ny olona maro, no anisan’ny nahatonga izany.
Nitohy ihany anefa ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Nisy mpiasan’ny fanorenana tsy mainty hoditra nankany amin’ny tanànan’ny mainty hoditra, ary niaro azy ireo ny rahalahy teo an-toerana. Nirotahan’ny olona ny sasany tamin’izy ireny. Ohatra iray amin’izany ny nitranga tany Soweto tamin’ny 1993. Nitondra ireo fitaovana fanorenana ny rahalahy fotsy hoditra telo. Notorahan’ny olona vato anefa izy ireo teny an-dalana, ka vaky daholo ny fitaratry ny fiara nentiny. Naratra koa izy ireo. Tsy nijanona mihitsy anefa izy ireo mandra-pahatongany tany amin’ilay toeram-panorenana. Nitondra azy ireo tany amin’ny hopitaly haingana ireo rahalahy mainty hoditra. Nandeha lalan-kafa izy ireo tamin’izany.
Nanomboka ara-potoana ihany ilay fanorenana. Mailo kokoa ireo rahalahy, ary Vavolombelona samy hafa foko an-jatony no niasa teo amin’ilay toerana ny faran’ny herinandro nanaraka. Nitory teny amin’ny lalana nanodidina ilay toeram-panorenana ny mpisava lalana teo an-toerana. Nampitandrina an’ireo rahalahy izy ireo raha vao nisy nampiahiahy. Salama indray ireo rahalahy naratra rehefa afaka andro vitsivitsy, ka niverina niasa.
Ankasitrahan’ny fiangonana ny asa mafy sy ny fahafoizan-tenan’ireny mpanao fanorenana ireny. Ohatra amin’izany i Fanie sy Elaine Smit, izay niasa tamin’ny fanorenana nandritra ny 15 taona mahery. Nanao dia lavitra izy ireo matetika, sady nianto-tena. Fiangonana 46 no nampian’izy ireo hanorina Efitrano Fanjakana.
Nanoratra ho an’ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana ny fiangonana iray any KwaZulu-Natal. Hoy izy ireo: “Nahafoy tena ianareo ka niari-tory sy nandao fianakaviana Nehemia 13:31.”
ary tsy niala voly akory. Maro be ny zavatra nafoinareo mba hahatongavana teto sy hanorenana efitrano ho anay. Fantatray koa fa nanome vola be dia be ianareo mba hamitana ilay asa. I Jehovah anie hahatsiaro sy ‘hanisy soa’ anareo!—Misy vokany tsara eo amin’ny manodidina ny fisian’ny Efitrano Fanjakana vaovao. Izao matetika no lazain’ny fiangonana momba izany: “Nitombo be ny isan’ny mpanatrika rehefa vita ny efitrano. Tsy maintsy zaraina roa àry ny mpivory amin’ny andro hanaovana ny lahateny ho an’ny besinimaro sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Vetivety dia tsy maintsy mizara ny fiangonana.”
Matetika ireo fiangonana kely any ambanivohitra no tsy manana vola hanorenana efitrano. Nahita fomba hanangonam-bola anefa izy ireo. Nivarotra kisoa ny rahalahy tany amin’ny fiangonana iray. Nivarotra omby sy soavaly izy ireo rehefa nila vola fanampiny. Nivarotra ondry 15 sy omby ary soavaly hafa indray izy ireo tatỳ aoriana. Nisy anabavy iray niantoka ny loko rehetra, nisy iray nividy ny môkety, ary ny iray hafa nividy ny ridao. Nivarotra omby sy ondry dimy izy ireo tamin’ny farany, mba hividianana seza.
Nanoratra toy izao ny fiangonana iray any Gauteng, rehefa vita ny efitranon’izy ireo: “Nandalo teo amin’ilay efitrano foana izahay rehefa avy nanompo, mba hijery ny hakantony. Izany no nataonay nandritra ny tapa-bolana taorian’ny nahavitan’ilay izy. Tsy nody mihitsy izahay raha tsy efa nahita an’ilay Efitrano Fanjakana.”
VOAMARIKY NY OLONA IREO EFITRANONTSIKA
Matetika no voamariky ny mpiara-monina ny ezaka ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hananana toeram-pivavahana mendrika. Naharay taratasy momba izany ny Fiangonana Umlazi, any KwaZulu-Natal. Izao no voalazan’izy io: “Mankasitraka anareo izahay Fikambanana Miaro ny Fahadiovan’i Durban, satria miezaka foana ianareo manadio ny toerana misy anareo. Tsara ny ataonareo fa tohizo. Lasa mahafinaritra
ny tanànantsika satria mazoto mikarakara ianareo. Miady amin’ny fandotoana ny fikambananay, ary miaro ny fahadiovan’ny tanàna. Mino mantsy izahay fa mahasalama ny toerana madio. Izany no mahatonga anay hankasitraka an’ireo mpiara-monina mitandro ny fahadiovana. Misaotra anareo izahay satria tena modely ianareo. Tohizo hatrany ny ezaka ataonareo mba hampahadio ny tanànan’i Umlazi.”Hoy ny fiangonana iray: “Nisy namaky ny Efitrano Fanjakananay vaovao, ka nosamborin’ny mpiara-monina ilay mpangalatra satria nandroba ‘ny fiangonany’, hono. Ilay efitrano mantsy no hany toeram-pivavahana teo amin’ilay faritra. Novonovonoin’izy ireo àry ilay mpangalatra, vao nentiny tany amin’ny polisy.”
FANORENANA EFITRANO FANJAKANA HO AN’I AFRIKA
Nanao fandaharana ny fandaminan’i Jehovah tamin’ny 1999, mba hanorenana Efitrano Fanjakana any amin’ny tany mahantra. Nasiana Biraom-paritra Momba ny Efitrano Fanjakana teto amin’ny sampan’i Afrika Atsimo, mba handamina ny fanorenana atỳ Afrika. Nisy solontenan’izy io nirahina tany amin’ny sampana tsirairay mba hanangana Biraon’ny Fanorenana Efitrano Fanjakana. Io birao farany io no miandraikitra ny fividianana tany sy ny fandaminana an’ireo Ekipa Mpanorina Efitrano Fanjakana. Nisy mpanompo iraisam-pirenena koa nanampy sy nampiofana an’ireo rahalahy teo an-toerana.
Nanangana Biraon’ny Fanorenana Efitrano Fanjakana 25 ny Biraom-paritr’i Afrika Atsimo, mba hiandraikitra ny fanorenana efitrano any amin’ny tany 37. Efitrano 7 207 no efa vita tany amin’ireo tany ireo, nanomboka tamin’ny Novambra 1999. Fantatra tamin’ny 2006 fa mbola mila efitrano 3 305 ireo tany ireo.
REHEFA NIOVA NY FITONDRANA
Mbola tsy faly tamin’ny fanavakavaham-bolon-koditra nataon’ny fitondrana teo aloha ny olona. Niteraka hotakotaka sy herisetra izany, ka niharan-doza mihitsy ny
Vavolombelon’i Jehovah sasany. Nipoaka ny ady tany amin’ny tanànan’ny mainty hoditra, ary maro no maty. Nitandrina tsara anefa ny ankamaroan’ireo rahalahy, ary nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana foana. Indray alina, dia may ny tranon’ny rahalahy iray, satria nisy nanipy tavoahangy feno lasantsy, raha mbola natory izy mianakavy. Tafavoaka ihany anefa izy ireo. Nanoratra tany amin’ny sampana ilay rahalahy tatỳ aoriana. Hoy izy: “Matanjaka kokoa izao ny finoanay mianakavy. Marina fa fongana ny fanananay, nefa lasa akaiky kokoa an’i Jehovah izahay. Nanampy anay ireo rahalahy, ka nanjary nifandray am-po kokoa izahay. Tsy andrinay ny hifaranan’ity tontolo ity. Misaotra an’i Jehovah izahay satria efa miaina ao amin’ny paradisa ara-panahy.”Nanao fianianana i Nelson Mandela, filoham-pirenena mainty hoditra voalohany, tamin’ny 10 Mey 1994. Izy no filoha voalohany voafidin’ny besinimaro, ary tamin’izay ny mainty hoditra vao nahazo nifidy. Faly be ny olona tamin’izany, ary nanjary tena tia tanindrazana. Lasa fandrika ho an’ny rahalahy sasany izany.
Tsy nivadika ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah, nefa nampalahelo fa nisy ihany ireo nitsabaka tamin’ny politika. Nahatsapa ny fahadisoany ny maro tamin’izy ireo, ka nibebaka tamin’ny fony, ary nanaiky fanitsiana araka ny Soratra Masina.
MARO NO MANDRAY AM-PO NY FAHAMARINANA
Mahavariana ny hamaron’ireo Efitrano Fanjakana voaorina, izay porofon’ny fitahian’i Jehovah. Ny tena mahavariana anefa dia ny hamaron’ny olona mandray am-po ny fahamarinana. (2 Kor. 3:3) Olona maro avy amin’ny fiaviana isan-karazany ankehitriny no manaiky ny fivavahana marina. Ireto misy ohatra vitsivitsy:
Nogadraina i Ralson Mulaudzi tamin’ny 1986. Namono olona izy ka voaheloka ho faty. Hitany tao amin’ny bokikely iray ny adiresin’ny sampana, ary nanoratra izy mba hampianarina Baiboly. Afaka nitsidika azy i Les Lee, mpisava
lalana manokana, ka nampianatra Baiboly azy. Tsy ela dia noresahin’i Ralson tamin’ny voafonja hafa sy ny mpiambina ny zavatra nianarany. Natao batisa tao am-ponja izy tamin’ny Aprily 1990. Nitsidika azy foana ny Vavolombelona teo an-toerana. Nahazo nivoaka ny efitra nisy azy izy nandritra ny adiny iray isan’andro. Nohararaotiny izany mba hitoriana tamin’ny voafonja. Olona telo no efa nampian’i Ralson hatramin’ny batisa, ary mitarika fampianarana Baiboly roa izy izao. Novana ny saziny ka tsy fanamelohana ho faty intsony fa figadrana mandra-pahafaty. Mety havoaka ny fonja anefa izy raha tsara fitondran-tena.Hafa mihitsy kosa ny fiainan’ny olona sasany voasarika hanatona an’i Jehovah. Efa nanatrika Fianarana Boky ny vehivavy iray atao hoe Queenie Rossouw. Niangavy ilay mpitarika izy mba hitsidika ny zanany lahy 18 taona, izay niofana ho mpitory teny. Nifampiresaka tsara tamin’ilay rahalahy io tovolahy io, ary nanomboka nivory niaraka tamin’ny reniny. Nasain’ilay vehivavy nitsidika an’i Jannie vadiny koa ilay rahalahy. Pasitera sady lohandohany tao amin’ny Fiangonana Nohavaozina Holandey io rangahy io, ary nisy fanontaniana nanitikitika ny sainy. Notsidihin’ilay rahalahy izy io, ary nanaiky hianatra Baiboly.
Nanasa an’i Queenie hanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra ilay rahalahy. Nahagaga anefa fa tonga koa i Jannie, ary nanatrika nandritra ny efatra andro. Tena nanohina ny fony ilay fandaharana sy ny fifankatiavan’ny Vavolombelona. Nanjary nianatra Baiboly koa ilay zanany 18 taona sy ny lahimatoany izay diakônina.
Niala tamin’ny fivavahany izy rehetra, ary nivory avy hatrany. Nanatrika ny fivoriana alohan’ny fanompoana koa ry zareo. Nilaza tamin’i Jannie ilay rahalahy fa mbola tsy afaka mitory miaraka amin’ny fiangonana izy, satria mbola tsy nahafeno fepetra. Nirotsaka ny ranomasony, sady nilaza izy fa efa ela be no nitadiavany ny fahamarinana, ka ataony ahoana ny tsy hitory momba izany.
Manan-janaka lahy 22 taona koa izy mivady. Efa telo taona no nianaran’izy io teolojia. Nanoratra tany amin’io zanany io i Jannie, ka nilaza taminy mba hody satria tsy handoa ny saram-pianarany intsony izy. Telo andro taorian’ny nahatongavan’ilay zanany, dia niara-niasa tamin’ny fiangonana nandritra ny andro i Jannie sy ny zanany lahy telo, tamin’ny fanorenana ny Betela teto Krugersdorp. Nahagaga an’ilay zanany nianatra teolojia izay hitany teto amin’ny Betela, ka nanaiky hianatra Baiboly niaraka tamin’ireo rahalahiny izy. Rehefa nianatra kelikely izy dia niaiky fa betsaka kokoa ny zavatra nianarany momba ny Baiboly nandritra ny iray volana, noho izay nianarany teny amin’ny oniversite nandritra ny roa taona sy tapany.
Vita batisa izy mianakavy tatỳ aoriana. Anti-panahy izao ilay raim-pianakaviana, ary anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana ny zanany lahy sasany. Mpisava lalana maharitra ny zanany vavy iray.
‘HALALAHO NY LAINAO’
Efa natao lehibe ilay Betela teto Krugersdorp mba hitsinjovana ny fitomboana. Vao 12 taona monja taorian’ny nitokanana azy io anefa, dia nila nitarina indray ilay izy. (Isaia 54:2) Nitombo 62 isan-jato mantsy ny isan’ny mpitory niandraiketan’ny sampana, tao anatin’ireo taona ireo. Nisy trano fanatobiana entana sy trano fonenana telo àry naorina. Nitarina koa ny toerana nisy ireo birao sy ny fanasan-damba, ary nampiana iray ny efitra fisakafoana. Tamin’ny 23 Oktobra 1999 no notokanana ireo trano vaovao ireo, ka i Daniel Sydlik, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana.
Vao haingana dia nahazo tany mirefy 8 000 metatra toradroa ny sampana, mba hanampiana ny toerana fanontam-pirinty. Teo no nasiana ilay milina vaovao antsoina hoe MAN Roland Lithoman. Nahazo milina mpanapaka sy mpanisa ary mpanambatra gazety koa ny sampana. Ankoatra izany, dia nanome fitaovana fanakambanam-boky ny sampan’i Alemaina. Afaka namokatra Baiboly sy boky misy fonony malefaka àry i Afrika Atsimo, ho an’ny faritra atsimon’i Sahara manontolo.
TOERANA MENDRIKA HANAOVANA FIVORIAMBE
Betsaka ny asa natao mba hanorenana Efitrano Fivoriambe. Tany Eikenhof, atsimon’i Johannesburg, no naorina ny
Efitrano Fivoriambe voalohany, izay notokanana tamin’ny 1982. Nisy iray koa naorina tany Bellville, any Le Cap, ary i Milton Henschel no nanao ny lahateny fitokanana tamin’ny 1996. Misy Efitrano Fivoriambe koa any Midrand, eo anelanelan’i Pretoria sy Johannesburg. Vita tamin’ny 2001 izy io.Nanakantsakana ny fanorenana azy io ny olona sasany, tamin’ny voalohany. Niova anefa izy ireny rehefa nahafantatra an’ireo rahalahy sy nahita ny asany. Nisy lehilahy iray, ohatra, nanjary nanatitra voankazo sy legioma ho an’ireo rahalahy, isaky ny tapa-bolana, nandritra ny herintaona mahery. Nanolotra fanomezana koa ny orinasa sasany. Nanome zezika maimaim-poana mba hatao amin’ny zaridaina, ohatra, ny orinasa iray. Nisy iray kosa nanolotra seky nitentina 10 000 rand (telo tapitrisa ariary mahery). Mazava ho azy fa nanao fanomezana be dia be koa ireo rahalahy, mba hamitana ilay fanorenana.
Tsara tarehy ilay efitrano sady tsara be ny fomba nanaovana azy. I Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana. Nilaza izy fa ny tena mahatsara an’ilay efitrano, dia noho izy io ampiasaina mba hiderana an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika be voninahitra.—1 Mpanj. 8:27.
TSY NAHASAKANA NY FIVORIAMBE NY LALÀNA
Nandritra ny taona maro, dia sarotra ny nahita toerana azo anaovana fivoriambe tany amin’ireo tanànan’ny mainty hoditra. Tsy azon’ny fotsy hoditra nidirana, ohatra, ny toerana nisy an’ireo rahalahy tao amin’ny Faritanin’i Limpopo, satria faritra voatokana. Tsy nahazo alalana hiditra tao àry i Corrie Seegers, mpiandraikitra ny vondrom-paritra, ka tsy nahita toerana hanaovana fivoriambe.
Nisy rangahy iray nanana tany teo akaikin’ilay faritra voatokana. Niresaka taminy ny Rahalahy Seegers, saingy tsy navelan’ilay rangahy hanaovana fivoriambe ny taniny. Navelany hijanona teo amin’ilay taniny kosa ny tranofiara nentin’ny Rahalahy Seegers. Fefy tariby no nanasaraka an’ilay
faritra voatokana sy ilay tranofiara. Natao teo àry ny fivoriambe, ka ireo rahalahy mainty hoditra, nipetraka teo amin’ny tany malalaka tao amin’ilay faritra voatokana, ary ny Rahalahy Seegers kosa nanao ny lahateniny teny ambonin’ilay tranofiara. Marina fa nisy fefy nanasaraka an’ireo rahalahy sy ilay “lampihazo”, kanefa vita soa aman-tsara ny fivoriambe. Afaka nanao lahateny ny Rahalahy Seegers, nefa tsy nandika lalàna.FIOVANA NISY VOKANY TSARA
Nanome toromarika ho an’ny fiangonana rehetra teto Afrika Atsimo ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny 2000. Tsy itakiana sarany intsony ireo boky sy gazety, fa omena ny olona rehetra tena liana. Nampirisihina fotsiny izy ireo mba hanome vola kely, hanohanana ny asa fitoriana eran-tany.
Tsy ny olona teny am-pitoriana ihany no nandray soa tamin’izany, fa ireo rahalahy koa. Vavolombelona maro mantsy no tsy nanam-bola hividianana ny gazety ampiasaina amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, na ny boky ampiasaina amin’ny Fianarana Boky. Ny 10 tamin’ireo mpitory 100 ihany, ohatra, no nanana Tilikambo tany amin’ny fiangonana sasany. Mahazo gazety kosa izao ny tsirairay.
Nitombo be ny asan’ny Sampan-draharahan’ny Fanondranana Entana, tato ho ato. Nahatratra 432 taonina ny entana nalefan’ny sampana tany amin’ny tany afrikanina hafa tamin’ny Mey 2002, ka boky ara-baiboly ny ankamaroan’ireo.
I Afrika Atsimo izao no mandefa boky sy gazety ho an’ny sampan’i Malawi, Mozambika, Zambia, ary Zimbabwe, amin’ireo fiteny maro be ampiasaina any. Efa omanina eto Afrika Atsimo ny fanafaran’ny fiangonana tsirairay, ary ampidirina anaty kamiao. Azo aterina avy hatrany any amin’ny toerana fanatobiana entana àry izy ireny, rehefa tonga any amin’ireo sampana.
Nitombo be ny fanafarana, rehefa tsy nitakiana sarany intsony ny bokintsika. Gazety iray tapitrisa isam-bolana no novokarin’ny sampan’i Afrika Atsimo taloha, nefa lasa
4 400 000 izany izao. Nilanja 200 taonina ny fanafaran’ny fiangonana tamin’ny 1999, kanefa 3 800 taonina isan-taona izany ankehitriny.Mandefa fitaovam-panorenana any amin’ny tany afrikanina hafa koa i Afrika Atsimo, sady mandefa fanampiana vonjy rano vaky ho an’ireo rahalahy. Imbetsaka, ohatra, no nomena fanampiana ireo rahalahy avy any Malawi izay niharan’ny fanenjehana mafy, ka nandao ny tranony ary nipetraka tamin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana. Nandefasana fanampiana koa ny Vavolombelona tany Angola, izay tratran’ny hain-tany mafy tamin’ny 1990. Nisy ady an-trano koa tany, ka rahalahy maro no lasa nahantra be. Nandefasana kamiao nitondra sakafo sy akanjo àry izy ireo. Nomena fanampiana ireo Vavolombelona tany Mozambika tamin’ny 2000, taorian’ny tondra-drano lehibe iray. Katsaka maherin’ny 800 taonina no nalefa ho an’ireo rahalahy tany Zimbabwe, izay tratran’ny hain-tany nandritra ny taona 2002 sy ny fiandohan’ny 2003.
NANDROSO NY FANDIKAN-TENY
Tena lehibe ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny eto Afrika Atsimo. Nampitomboina ny mpiasa ao amin’izy io, taona vitsivitsy lasa izay, satria nilaina nadika ny Baiboly. Misy mpandika teny 102 izao eto, ary boky sy gazety amin’ny fiteny 13 no vokarin’izy ireo.
Efa voadika amin’ny fiteny fito fampiasan’ny olona eto Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Hoy ny rahalahy iray momba ny Baiboly amin’ny teny tswana: “Tena mazava ilay izy, ary mahafinaritra ny mamaky sy mihaino azy. Misaotra an’i Jehovah sy ny fandaminana tarihin’ny fanahiny aho, satria mahazo sakafo ara-panahy tena tsara isika.”
Nampiasaina ny teknolojia maoderina mba hanampiana ny mpandika teny. Namorona programan’ordinatera ho an’ny mpandika teny ny
rahalahy teto Afrika Atsimo, ary nisy sampan-draharaha momba izany koa natsangana tany Brooklyn. Nohatsaraina ireny programa ireny, ary natambatra ka nomena anarana hoe Watchtower Translation System. Anisan’ny nanampy be dia be tamin’ny famoronana azy io, ireo rahalahy manam-pahaizana eto Afrika Atsimo.Tsy ny ordinatera akory no mandika teny. Orinasa maro mantsy no nanandrana izany, saingy tsy tena nahomby. Namorona programa kosa ireo rahalahy, mba hanampiana ny mpandika teny. Efa ampidirina ao anaty ordinatera, ohatra, ny Baiboly. Afaka mamorona ny diksionerany manokana koa ireo mpandika teny. Tena ilaina izany amin’ny fiteny sasany, izay tsy misy diksionera mahafa-po.
MANDRE NY VAOVAO TSARA NY MARENINA
Miezaka miresaka amin’ny olona rehetra ny mpitory ilay Fanjakana. Tsy mora ny mitory amin’ny marenina, nefa tsy very maina izany ezaka izany. Taorian’ny 1960 tany ho any, ohatra, dia nampianatra Baiboly vehivavy iray marenina i June Carikas. Marenina koa ny vadin’io vehivavy io. Nandroso tsara izy mivady, ary natao batisa.
Nanomboka teo dia nihamaro ny marenina nanaiky ny fahamarinana. Lasa nisy antokona marenina nivory tany amin’ny fiangonana maro nanerana an’i Afrika Atsimo. Nadika tamin’ny tenin’ny tanana koa ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Mampihetsi-po erỳ ny mahita an’ireo marenina mihira amin’ny tenin’ny tanana, sy manofahofa tanana rehefa mitehaka miaraka amin’ny mpanatrika.
Tao amin’ny Fiangonana Brixton, ao Johannesburg, no nisy antokona marenina voalohany, ka i George vadin’i June no anti-panahy niandraikitra azy io. Nampiofanina hanao tenin’ny tanana ireo naniry hianatra izany, ka anisan’ireny ny Betelita sasany. Fiangonana iray sy antoko-mpitory dimy izao no mampiasa tenin’ny tanana, eto amin’ny faritra iandraiketan’ny sampan’i Afrika Atsimo.
TANY HAFA MISY FITOMBOANA
Miandraikitra ny asa fitoriana any amin’ny tany dimy koa ny sampan’i Afrika Atsimo. Ireto misy tatitra fohy momba ny fandroson’ny asa any amin’ireo tany ireo.
Namibia
Any andrefan’i Botswana ary eo amoron’ny Oseana Atlantika, no misy an’io firenena io. Navelan’ny Fikambanam-pirenena hanjanaka azy io i Afrika Atsimo, taorian’ny Ady Lehibe I. Nahazo fahaleovan-tena ihany i Namibia tamin’ny 1990, saingy maro be ny olona maty vokatry ny rotaka talohan’izay. Tany karakaina i Namibia amin’ny ankapobeny, ary mitsitokotoko ny mponina. Misy toerana tena kanto ihany anefa, izay feno biby sy zavamaniry hafakely. Manintona mpizaha tany maro ny Efitr’i Namib, izay ahitana biby isan-karazany. Gaga izy ireo mahita fa afaka mivelona eo amin’io tany karakaina io ireny biby ireny. Tany tsara tarehy i Namibia. Mizarazara ho foko maro ny mponina, ary sivy ny fiteny ampiasaina any.
Tamin’ny 1928 no tonga voalohany tany ny hafatra momba ilay Fanjakana, tamin’ny alalan’ny paositra. Nandefa boky tany amin’ireo mponina tsy tongan’ny mpitory mantsy ny sampan’i Afrika Atsimo, tamin’io taona io. Lehilahy iray
atao hoe Bernhard Baade no lasa Vavolombelon’i Jehovah voalohany tany Namibia. Hafakely ny fomba nahitany ny fahamarinana. Nividy atody izy, ary bokintsika no norovitin’ilay mpivarotra ka namonosany azy ireo. Novakiny ilay izy, nefa tsy fantany hoe iza no namoaka ilay boky. Hitany ihany anefa ny adiresin’ny sampan’i Alemaina, teo amin’ny pejy farany. Nanoratra tany izy, ka nangataka boky hafa. Lasa Vavolombelona izy tatỳ aoriana. Nilaza ny mpiandraikitra ny faritra fa namerina tatitra foana i Bernhard, mandra-pahafatiny.Nirahina tany Windhoek, renivohitr’i Namibia, ny Anabavy Lenie Theron, tamin’ny 1929. Mpisava lalana izy, ka nitory tamin’ireo tanàn-dehibe, ary lamasinina sy fiaran’ny paositra no nandehanany. Nahapetraka boky sy bokikely 6 388 tamin’ny teny afrikaans sy alemà ary anglisy izy, tao anatin’ny efa-bolana. Maro ny mpisava lalana nitory tsindraindray tany Namibia, saingy tsy nisy nijanona mba hanampy ny olona liana. Tonga anefa ireo misionera tamin’ny 1950. Anisan’izy ireny i Gus Eriksson sy Fred Hayhurst ary George Koett. Samy nanompo tamim-pahatokiana mandra-pahafatiny izy ireo.
Nisy misionera valo tany Namibia tamin’ny 1953, ka anisan’izy ireo i Dick Waldron sy Coralie vadiny. * Niatrika fanoherana mafy avy tamin’ny mpitondra fivavahana sy ny manam-pahefana izy ireo. Naniry hitory tamin’ireo mainty hoditra izy mivady, saingy tsy maintsy nangataka alalana mba hidirana tany amin’ny faritanin’izy ireny. Nangataka alalana imbetsaka i Dick, nefa tsy nahazo.
Niteraka vavikely izy ireo tamin’ny 1955, ka voatery nitsahatra tamin’ny asa misionera. Nanao ny asan’ny mpisava lalana i Dick, nandritra ny fotoana kelikely. Nahazo alalana hiditra tany amin’ilay tanànan’ny mainty hoditra atao hoe Katutura ihany i Dick, tamin’ny 1960. Hoy izy: “Tena maro be ny olona liana.” Vetivety dia betsaka ny mpivory. Mbola manompo amim-pahatokiana any Namibia izao i Dick sy Coralie, 50 taona mahery atỳ aoriana. Tena nampandroso ny asa fitoriana tao amin’io faritra io izy mivady.
Tsy mora ny nitory tamin’ireo foko samihafa tany Namibia. Tsy nisy boky ara-baiboly mantsy tamin’ireo fiteny teo an-toerana, toy ny teny herero sy kwangali ary ndonga. Taratasy
mivalona sy bokikely vitsivitsy àry aloha no nadika. Mpianatra Baiboly nahita fianarana no nandika izany, teo ambany fanaraha-mason’ireo Vavolombelona teo an-toerana. Nianatra niteny kwanyama i Esther Bornman, mpisava lalana manokana tamin’izany. Lasa nahay fiteny iray hafa koa izy ankoatra an’io fiteny io. Izy sy ny Anabavy Aina Nekwaya, izay mahay miteny ndonga, no nandika Ny Tilikambo Fiambenana. Ny lahatsoratra fianarana no nadika tamin’ny teny kwanyama, fa ny ambiny kosa tamin’ny teny ndonga. Samy fampiasa any Ovamboland ireo teny ireo, ary azon’ny ankamaroan’ny olona any.Nasiana birao misy fitaovana ho an’ny mpandika teny, tany Windhoek tamin’ny 1990. Nihamaro ny mpandika teny, ka lasa nisy boky sy gazety navoaka koa tamin’ny teny herero, kwangali, khoekhoegowab, ary mbukushu, ankoatra an’ireo fiteny
roa voalaza etsy ambony. I André Bornman sy Stephen Jansen no miandraikitra io biraon’ny fandikan-teny io.Firenena mpamokatra diamondra i Namibia. Niresaka momba izany Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1999, ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Misy Vatosoa Velona any Namibia!” Voalaza ao fa toy ny “vatosoa velona” ireo olona tso-po. Lazaina ao koa fa efa betsaka ny fitoriana natao tany Namibia, nefa mbola misy ihany ny faritra zara raha nitoriana. Izao no fanasana ao amin’io lahatsoratra io: “Afaka manompo any amin’izay ilana mpitory ilay Fanjakana be zotom-po maro ve ianao? Raha izany no izy, dia miampità atỳ Namibia ka ampio izahay hitady sy hanadio vatosoa ara-panahy maro kokoa.”
Tena mampahery fa maro no namaly io antso io. Taratasy 130 no voaray avy tamin’ireo rahalahy nangataka fanazavana. Avy any amin’ny tany samihafa toa an’i Alemaina, Amerika Atsimo, Aostralia, ary Japon, izy ireny. Nisy Vavolombelona 83 àry tonga
tany Namibia, ary nijanona tany mihitsy ny 18 tamin’ireo. Mpisava lalana maharitra ny 16 tamin’izy ireo, ary voatendry ho mpisava lalana manokana ny sasany taminy tatỳ aoriana. Nifindra tamin’ny hafa ny toe-tsaina tsara nananan’ireo Kristianina nahafoy tena ireo. Mbola maharay taratasy fangatahana fanazavana momba an’ilay fanasana ihany ny sampana, hatramin’izao. Efa nanomboka tamin’ny 1989 i William sy Ellen Heindel no nanao ny asa misionera tany amin’ny faritra avaratr’i Namibia. Tsy maintsy nianatra teny ndonga izy ireo, satria izany no fitenin’ny Ovambo, mponina any. Niaritra sy niasa mafy izy ireo, tany amin’io faritany tsy nahazatra azy io, nefa nahita vokatra nampahery. Hoy i William: “Betsaka ny ankizilahy kely nandroso tamin’ny fahamarinana. Zanaky ny olona nampianarinay Baiboly ny sasany. Lasa rahalahy matotra izy ireo izao, ary misy aza anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana. Mirehareha kely erỳ izahay rehefa mahita azy ireo manao lahateny amin’ny fivoriambe.”Rahalahy maro nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana no nalefa tany Namibia, tato ho ato. Tena nanampy an’ireo olona liana izy ireny, ary nandray anjara be tamin’ny asan’ny fiangonana. Nisy mpitory 1 264 tany Namibia, tamin’ny 2006. Nitombo 3 isan-jato izany raha oharina amin’ny tatitra tamin’ny 2005.
Lesotho
Firenena kely misy mponina 2 400 000 i Lesotho, ary i Afrika Atsimo no manodidina azy. Any amin’ny Tendrombohitra Drakensberg no misy azy. Mahafinaritra an’ireo mpianika tendrombohitra erỳ ny mitazantazana avy eny ambony eny.
Milamina ilay firenena amin’ny ankapobeny, nefa misy korontana ara-politika ihany indraindray. Niady, ohatra, ny miaramila sy ny polisy tao Maseru renivohitra, tamin’ilay fifidianana tamin’ny 1998. Misionera tany i Veijo Kuismin sy Sirpa vadiny, tamin’izany. Hoy i Veijo: “Soa ihany fa vitsy ny rahalahy naratra nandritra ilay ady. Nisy fanampiana koa nomena an’ireo tsy nanana sakafo sy solika fandrehitra.
Nampifankatia kokoa an’ireo rahalahy izany, ary nihamaro ny mpanatrika fivoriana nanerana ilay firenena.”Fambolena sy fiompiana no fototry ny toe-karenan’i Lesotho. Ambany ny fari-piainan’ny olona, ka lehilahy maro no mankatỳ Afrika Atsimo mba hiasa amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Mahantra ilay firenena, nefa manana harena ara-panahy sarobidy, izay tsy inona fa ny fahamarinana ara-baiboly. Olona maro no nandray izany, any amin’io firenena be tendrombohitra io. Nisy 3 101 ny mpitory tamin’ny 2006, ary nitombo 2 isan-jato izany raha oharina amin’ny tatitra tamin’ny 2005. Misy misionera enina izao manompo any Maseru: ry Hüttinger mivady, Nygren mivady, ary Paris mivady.
Mpiandraikitra ny faritra tany Lesotho i Abel Modiba, tamin’ny 1974 ka hatramin’ny 1978. Manompo eto amin’ny Betelan’i Afrika Atsimo izao izy sy Rebecca vadiny. Rahalahy tsy mba taitaitra izay izy, ary miteny miadana. Izao no notantarainy momba an’i Lesotho: “Tsy tongan’ny fiara ny any ambanivohitra, amin’ny ankapobeny. Nandeha an-tongotra adiny fito aho indraindray, mba hankanesana tany amin’ireo antoko-mpitory. Matetika no nitondra soavaly roa ireo rahalahy, ka ny iray nitaingenako, ary ny iray nampitondraina ny entako. Nitondra fitaovana fandefasana sary maizina sy bateria 12 volts koa izahay indraindray. Rehefa tondraka ny renirano, dia tsy maintsy niandry andro vitsivitsy izahay mandra-pihenan’ilay izy. Nanasa ny mponina rehetra hihaino ny lahateny ho an’ny besinimaro ny filoham-pokontany, tany amin’ny tanàna sasany.”
“Tsy maintsy nandeha an-tongotra ora maro ny sasany, mba hanatrehana fivoriana. Fanaon’ireo olona avy lavitra àry ny nijanona tao amin’ireo rahalahy nipetraka teny akaikin’ny Efitrano Fanjakana, nandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra. Tena nahafinaritra ireny fotoana ireny, satria nifampitantara zavatra nampahery izy ireo rehefa hariva, ary nanao hiran’ilay Fanjakana. Niara-nanompo indray izy ireo ny ampitso.”
Efa hatramin’ny 1993 no misionera tany Maseru i Per-Ola sy Birgitta Nygren. Nitantara i Birgitta fa tena nanampy ny olona liana ireo gazety. Hoy izy: “Nampianariko Baiboly ny vehivavy iray atao hoe Mapalesa, tamin’ny 1997. Nisy fotoana efa nivoriany. Nanjary tsy tratra an-trano matetika anefa izy rehefa hianatra, ary niafina mihitsy aza indraindray. Tsy nampianatra azy intsony àry aho, fa nanaterako gazety tsy tapaka fotsiny izy. Tonga nivory indray izy, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Nohazavainy fa namaky lahatsoratra momba ny fifehezana ny fahatezerana izy, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Nilaza izy fa valim-bavaka avy amin’i Jehovah ilay izy, satria niady foana izy sy ny havany. Nianatra Baiboly indray izy, ary nivory tsy tapaka. Lasa mpitory koa izy, sady tena nazoto.”
Trano tsizarizary no nivorian’ireo rahalahy tany Lesotho, nandritra ny taona maro. Tato anatin’ireo taona faramparany anefa, dia nanampy an’ireo fiangonana ny sampan’i Afrika Atsimo, ka nanome vola hanorenana Efitrano Fanjakana.
Eny amin’ny toerana avo mahatratra 3 000 metatra eo ho eo no misy ny Efitrano Fanjakana ao Mokhotlong. Io no avo indrindra manerana an’i Afrika. Nisy mpiasa an-tsitrapo avy any amin’ny tany lavitra be toa an’i Aostralia sy Kalifornia, tonga tany mba hanorina azy io. Ireo rahalahy avy any KwaZulu-Natal kosa no nanome vola sy nandefa fiara hitaterana ny fitaovam-panorenana. Nianina tamin’ny fiainana tsotra ireo mpiasa an-tsitrapo. Samy nitondra lamba firakotra sy vilany izy ireo. Folo andro dia vita ilay efitrano. Nankeny amin’ilay toeram-panorenana isan’andro ny rahalahy zokiolona iray, teraka tamin’ny 1910, mba hijery ny fandroson’ny asa. Efa hatramin’ny naha vita batisa azy taorian’ny 1920 izy, no nanantena mba hahazo efitrano. Tena faly àry izy nahita ny fandroson’ilay “Efitrano Fanjakanany.”
Tratran’ny mosary i Lesotho tamin’ny 2002. Nisy katsaka sy zavatra hafa àry nalefa kamiao nankany, ary nozaraina tamin’ireo Vavolombelona. Nanoratra taratasy fisaorana ny rahalahy iray. Hoy izy: “Gaga aho rehefa tonga tany an-tranoko
ireo rahalahy mba hizara katsaka. Nieritreritra aho hoe ahoana àry no nahalalany fa nila an’izany aho. Nisaotra an’i Jehovah aho noho ilay fanampiana, na dia tsy nanampo ny hahazo izany mihitsy aza. Nanatanjaka ny finoako an’i Jehovah sy ny fatokisako ny fandaminany izany. Vao mainka aho tapa-kevitra ny hanompo azy amin’ny foko manontolo.”Botswana
Misy mponina 1 700 000 mahery ao amin’io firenena io, ary ao no misy ny ampahany lehibe amin’ny Efitr’i Kalahari. Mafana sady maina ny toetrandro, amin’ny ankapobeny. Manintona ny mpitsidika ireo valan-javaboary maro any. Tena tsara tarehy ny Vinanihefak’i Okavango. Be mpitia izy io satria milamina sady ahitana biby maro. Mokoro na lakana vita amin’ny vatan-kazo no fandehanan’ny olona eo amin’io rano io. Matanjaka ny toe-karenan’i Botswana, noho ny fitrandrahana diamondra. Tamin’ny 1967 no nahitana diamondra voalohany tao amin’ny Efitr’i Kalahari. Nanomboka tamin’izay dia i Botswana no anisan’ny mpanondrana diamondra betsaka indrindra eran-tany.
Tamin’ny 1929 angamba no tonga voalohany tany Botswana ny hafatra momba ilay Fanjakana, rehefa nitory tany nandritra ny volana vitsivitsy ny rahalahy iray. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra tany i Joshua Thongoana, tamin’ny 1956. * Tsaroany fa voarara ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany.
Nisy misionera nafana fo nahita vokatra tsara tany Botswana. Anisan’izy ireo i Blake sy Gwen Frisbee, ary i Tim sy Virginia Crouch. Niezaka mafy izy ireo nianatra teny tswana. I Veijo sy Sirpa Kuismin kosa nazoto nanampy ny mponina tany avaratra.
I Hugh sy Carol Cormican indray nitory tany atsimo, ary tena be zotom-po koa izy ireo. Hoy i Hugh: “Nisy rahalahy 12 taona izay tao amin’ny fiangonanay. Eddie no anarany. Mbola tena kely izy dia efa naniry hianatra hamaky teny, mba
hahafahany handray anjara amin’ny sekoly sy hitory. Raha vao lasa mpitory tsy vita batisa izy dia nanompo teny amin’ny saha foana, ary nampianariny Baiboly ny mpiara-mianatra taminy iray. Matetika i Eddie no nanao mpisava lalana mpanampy, rehefa vita batisa.”Misy fiangonana maro ao Gaborone renivohitra sy ny manodidina, akaikin’ny sisin-tany atsinanana. Be mponina any amin’iny faritra mandroso iny. Ny sisa amin’ny mponina kosa mipetraka any amin’ireo tanàna kely any andrefana.
Misy koa any amin’ny Efitr’i Kalahari, izay mbola ahitana Bushmen na mponina anaty ala vitsivitsy. Mivelona amin’izay sakafo hitany fotsiny izy ireo, ary tsipìka sy zana-tsipìka no entiny mihaza. Nanao ezaka manokana ny mpitory, mba handehanana tany amin’ireo faritany mitokana. Nanao dia an’arivony kilaometatra izy ireo, mba hitoriana amin’ireo mpiandry omby mifindrafindra monina any ambanivohitra be. Mamboly sy maka kitay ary manao trano kely amin’izay fitaovana misy, no fanaon’ireny olona ireny. Sahirana àry izy ireo, ka tsy dia manam-potoana hanaovan-javatra hafa. Vonona hihaino ny hafatra mampahery avy ao amin’ny Baiboly anefa izy ireo. Mivory eo an-kalamanjana izy ireo, ary mipetraka eo amin’ny fasika malemilemy.Anisan’ireo mpisava lalana manokana enina nandalo vetivety tany, i Stephen Robbins. Hoy izy: “Mifindrafindra monina foana ny olona. Toy ny hoe miampita arabe amin’izy ireo izany hoe mifindra faritany izany. Rehefa nandeha baka nita ny Renirano Okavango izahay, dia nihaona tamin’i Marks, olona nampianarinay Baiboly. Faly erỳ izahay nandre fa naka andro tsy iasana mihitsy izy mba hankanesana any amin’ny havana aman-tsakaizany, sy hitoriana amin’izy ireo. Mitory foana i Marks rehefa tsy miasa.
Mampahery fa be dia be no mandray ny vaovao tsara any Botswana. Nisy mpitory 1 497 tany tamin’ny 2006, ary nitombo 6 isan-jato izany raha oharina amin’ny tatitra tamin’ny 2005.
Soazilandy
Misy mponina 1 100 000 eo ho eo ao amin’io fanjakana entin’olon-tokana io. Mpamboly sy mpiompy ny ankamaroan’ny olona, nefa maro koa ny lehilahy mankatỳ Afrika Atsimo mba hitady asa. Tany tsara tarehy i Soazilandy, ary misy valan-javaboary maro. Sariaka ny mponina, ary mbola mifikitra amin’ny fomban-drazany.
Ny Mpanjaka Sobhuza II no mpitondra teo aloha. Nanaja ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary nandray boky sy gazety. Fanaony isan-taona ny nanasa mpitondra fivavahana sy
Vavolombelon’i Jehovah iray, mba hiresaka momba ny Baiboly. Tamin’ny 1956, dia nanazava ilay Vavolombelona fa diso ny fampianarana hoe tsy mety maty ny fanahy, ary tsy tokony homena anaram-boninahitra ny mpitondra fivavahana. Nanontanian’ilay mpanjaka ireo mpitondra fivavahana hoe marina ve izany sa tsia. Tsy nahavita nanaporofo izy ireo hoe diso ny tenin’ilay rahalahy.Voasedra ireo rahalahy satria tsy nety nanaraka fomba fisaonana mifandray amin’ny fivavahana amin’ny razana. Tany amin’ny faritra sasany dia noroahin’ireo filohan’ny foko ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy nanaiky hanao ilay fombafomba. Nikarakara azy ireo foana anefa ireo rahalahy tany amin’ny faritra hafa. Niaro ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Tampony tany Soazilandy, ka nilaza fa tokony havela hiverina any amin’ny tranony sy ny taniny izy ireo.
Misionera tao Mbabane renivohitra i James sy Dawne Hockett. Nahazo diplaoman’i Gileada tamin’ny 1971 i James, ary tamin’ny 1970 i Dawne. Tsy maintsy nizatra tamin’ny fomba amam-panao isan-karazany ny misionera. Izao, ohatra, no notantarain’i James: “Mbola tsy nisy nitory mihitsy teo amin’ilay faritra nandehananay, ary nasain’ilay filoha nanao lahateny aho. Nantsoiny daholo ny olona. Trano vao amboarina no teo amin’ilay toerana, ary nisy bolongana simenitra teny rehetra teny. Mando ny tany, ka naka bolongana simenitra iray aho mba hipetrahana, ary nipetraka teo akaikiko i Dawne. Nasain’ny anabavy iray nifindra teo akaikiny anefa i Dawne, teo amin’ny toerana iva kokoa. Nilaza i Dawne fa efa mety tsara ny toerany, kanefa nasainy nifindra ihany izy. Nohazavaina taminay avy eo fa tsy mahazo mipetraka ambony noho ny lehilahy ny vehivavy, nefa nisy lehilahy nipetraka tamin’ny tany tamin’io. Izany no fomba any ambanivohitra.”
Nankany amin’ny sekoly iray i James sy Dawne, satria nisy mpampianatra liana tao. Naniraka ankizilahy iray atao hoe Patrick anefa ilay madama, mba hilaza fa mbola tsy afaka niresaka izy. Nanapa-kevitra ny hitory tamin’i Patrick àry izy ireo, ka nanontany hoe: ‘Fantatrao ve ny antony andehananay atỳ?’ Rehefa vita ilay resaka, dia nomen’izy ireo boky Manontany ny Tanora izy, ary natomboka ny fampianarana Baiboly. Kamboty i Patrick, ary efitra kely nifanila tamin’ny tranon’ny dadatoany no nipetrahany. Tsy nisy nikarakara izy, fa izy ihany no nahandro ny sakafony. Niasa koa izy mba
handoavana ny saram-pianarany. Nandroso ara-panahy izy, ka natao batisa, ary anti-panahy ankehitriny.Taorian’ny 1930 tany ho any no nisy nitory voalohany tany Soazilandy. Mihamaro hatrany ireo olona mandray ny fahamarinana hatramin’izao. Mpitory 2 292 no nampiely ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra tany, tamin’ny 2006, ary 2 911 ny fampianarana Baiboly.
Sainte-Hélène
Any amin’ny Oseana Atlantika, any atsimoandrefan’i Afrika no misy an’io nosy kely io. Mirefy 17 kilaometatra ny lavany, ary 10 kilaometatra ny sakany. Antonony tsara ny toetrandro, amin’ny ankapobeny. Misy 4 000 eo ho eo ny mponina, izay taranaka Eoropeanina sy Aziatika ary Afrikanina mifangaro. Anglisy no fiteny fampiasan’ny olona, nefa hafakely ny fomba fanononan’izy ireo azy io. Tsy misy seranam-piaramanidina any, fa sambo mpitondra entam-barotra no mampitohy an’i Sainte-Hélène sy Afrika Atsimo na Angletera. Tamin’ny 1995 tany ho any vao nahazo fandaharan’ny tele tamin’ny alalan’ny zanabolana, ny olona tany.
Nisy mpisava lalana roa nandalo kely tany Sainte-Hélène taoriana kelin’ny 1930, ary izy ireo no nitory ny vaovao tsara voalohany tany. Nomen’izy ireo boky i Tom Scipio, izay polisy sady diakônina tao amin’ny fiangonana batista. Noresahiny tamin’ny olona izay nianarany, ary notoriny teny amin’ny polipitra mihitsy aza fa tsy telo izay iray Andriamanitra, ary tsy misy ny afobe sy ny fanahy tsy mety maty. Noroahina tao amin’ilay fiangonana izy sy ny olona sasany tia ny fahamarinana. Nanomboka nitory i Tom sy ny namany, ary nampiasa grafofaonina. Nandeha an-tongotra na nitaingina ampondra izy ireo nitety ilay nosy. Nampianarin’i Tom tsara koa ny fianakaviany, anisan’izany ny zanany enina. Lasa niandany tamin’ny fahamarinana izy rehetra.
Nirahina tany Sainte-Hélène i Jacobus van Staden avy eto Afrika Atsimo, tamin’ny 1951, mba hanampy sy hampahery an’ireo Vavolombelona tsy nivadika tany. Nampiofana azy ireo izy mba hahomby kokoa tamin’ny fanompoana. Nandamina * zanak’i Tom. Hoy izy: “Olona liana roa ihany no nanana fiara. Mikitoantoana sy miaka-midina anefa ny lalana, ary vitsy ny lalana tsara tamin’izany. ... Nandeha an-tongotra vao maraina be àry ny sasany. Nentiko tamin’ilay fiara keliko aloha ny telo tamin’izy ireo, ary navelako rehefa tonga lavidavitra. Nandeha an-tongotra indray izy ireo, fa izaho kosa niverina naka olona telo hafa. Navelako koa ireny rehefa tonga lavidavitra, ary niverina indray aho. Tonga tany am-pivoriana ihany ny rehetra tamin’ny farany.” Nanambady i George tatỳ aoriana ary niteraka efa-dahy, nefa mbola nanao mpisava lalana nandritra ny 14 taona. Anti-panahy izao ny telo amin’ireo zanany.
fivoriana tsy tapaka ihany koa izy. Sarotra ny nanampy ny olona liana handeha hivory. Mitantara ny santionany amin’izany i George Scipio,Teo anelanelan’ny 1990 sy 2000, dia nitsidika tsindraindray an’i Sainte-Hélène i Jannie Muller, mpiandraikitra ny faritra, niaraka tamin’i Anelise vadiny. Hoy izy: “Fantatry ny mpitory daholo ny mponina. Rehefa miaraka amin’izy ireo eny amin’ny saha àry ianao, dia efa lazainy aminao ny momba an’ilay olona ao amin’ny trano handehanana sy izay ho fandraisany. Tonga tany izahay indray mandeha, ary nizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana mitondra ny lohateny hoe ‘Hifankatia ve ny Olona Rehetra Indray Andro Any?’ Vitanay tao anatin’ny iray andro ilay nosy, nanomboka tamin’ny valo ora sy sasany ka hatramin’ny telo ora tolakandro.”
Tena niavaka ny fotoana nahatongavan’izy mivady sy niaingany, ka tsy hohadinoin’i Jannie mihitsy. Hoy izy: “Rehefa tonga ny sambo, dia nitsena anay ny ankamaroan’ireo rahalahy. Latsa-dranomaso kosa izy ireo rehefa nanainga izahay. Nijoro teo amin’ny seranana izy ireo, sady nanofahofa tanana nanao veloma anay.”
Mpitory 125 no nampiely ny fahamarinana nanerana an’ilay nosy tamin’ny 2006, ary 239 no nanatrika ny Fahatsiarovana. I Sainte-Hélène no manana ny salanisan’ny mpitory tsara indrindra eran-tany, satria mpitory 1 isaky ny mponina 30.
MBOLA BE NY ASA MIANDRY
Na eo aza ny fanavakavaham-bolon-koditra eto Afrika Atsimo, dia mifankatia ireo Vavolombelon’i Jehovah samy hafa foko, noho ny “fatorana mampiray” azy ireo. (Kol. 3:14) Voamariky ny olona izany. Nisy solontena maro avy any an-tany hafa tonga teto, tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 1993. Vavolombelona 2 000 teo ho eo no nankeny amin’ny seranam-piaramanidin’i Durban, mba hitsena an’ireo solontena avy any Etazonia sy Japon. Nanao hiran’ilay Fanjakana izy ireo rehefa tonga ny solontena. Nifampiarahaba sy nifamihina ireo rahalahy. Anisan’ny nahita izany ny filoha ara-politika iray. Hoy izy tamin’ny rahalahy sasany: “Raha mba miray saina toa anareo mantsy izahay, dia efa ela no voavaha ny olana eo aminay.”
Nampahery ny mpanatrika rehetra ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Omeo Voninahitra Andriamanitra”, tamin’ny 2003. Tany amin’ireo toerana lehibe teto Afrika Atsimo no natao ny fivoriambe iraisam-pirenena. Nasiana fivoriamben’ny vondrom-paritra kely kosa tany amin’ny faritra maro. Nanao lahateny tamin’ireo fivoriambe iraisam-pirenena i Samuel Herd sy David Splane, izay samy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Solontena avy amin’ny tany 18 no tonga teto. Nanao ny akanjo mampiavaka ny taniny ny sasany, ka vao mainka hita hoe iraisam-pirenena tokoa ilay fivoriambe. Nahatratra 166 873 ny mpanatrika rehetra, ary 2 472 no natao batisa.
Nanatrika ilay fivoriambe iraisam-pirenena tany Le Cap i Janine. Tena faly izy rehefa nivoaka ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Hoy izy: “Tsy hitako izay teny hilazana
ny fankasitrahako an’io fanomezana io. Natao hanohinana ny fon’ny zanatsika mihitsy ilay boky. Fantatr’i Jehovah tokoa izay ilain’ny vahoakany, ary hitan’i Jesosy, Filohan’ny fiangonana, ny ady mafy ataontsika eto amin’ity tontolo ratsy ity. Misaotra be dia be an’i Jehovah sy ny mpanompony eto an-tany aho.”Mampahery ny fiaretana sy ny fahatokian’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Afrika Atsimo, nandritra an’iny taonjato lasa iny. Tamin’ny 2006, dia nisy 78 877 ny mpitory, ary 84 903 ny fampianarana Baiboly. Nahatratra 189 108 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana. Hita fa mbola tanteraka eto ilay tenin’i Jesosy hoe: “Indro, izaho milaza aminareo hoe: Atopazy ny masonareo ka jereo ny saha, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra.” (Jaona 4:35) Mbola betsaka àry ny asa tokony hatao. Be dia be ny porofo fa mitari-dalana antsika i Jehovah. Miara-manandra-peo amin’ny rahalahintsika maneran-tany àry isika, manao hoe: “Mihobia ho an’i Jehovah, ry tany rehetra. Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana”!—Sal. 100:1, 2.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 29 Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 1986, pejy 10-13, ny tantaram-piainan’i Paul Smit.
^ feh. 40 Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Desambra 1956, pejy 712-719, ny tantaram-piainan’i George Phillips.
^ feh. 61 Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1986, pejy 9-13 ny tantaram-piainan’i Piet Wentzel.
^ feh. 97 Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1993, pejy 19-23, ny tantaram-piainan’i Frans Muller.
^ feh. 231 Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2002, pejy 24-28, ny tantaram-piainan’i Waldron mivady.
^ feh. 250 Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 1993, pejy 25-29, ny tantaram-piainan’i Joshua Thongoana.
^ feh. 266 Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 1999, pejy 25-29, ny tantaram-piainan’i George Scipio.
[Teny notsongaina, pejy 174]
Misy mpitory 1 isaky ny mponina 30 any Sainte-Hélène. Io no salanisa tsara indrindra eran-tany
[Efajoro, pejy 68, 69]
Inona moa ny Apartheid?
Midika ara-bakiteny hoe “fisarahana” ny hoe “apartheid.” Ny antoko politikan’ny fotsy hoditra no nampiasa azy io voalohany, nandritra ny fifidianana tamin’ny 1948. Tafakatra teo amin’ny fitondrana izy ireo, ka namoaka lalàna fa tsy maintsy sarahina tanteraka ny foko samihafa teto Afrika Atsimo. Nanohana izany ny Fiangonana Nohavaozina Holandey. Natao hampanjakana ny fotsy hoditra io lalàna io, ka nanjary nisy fitsipika maro nifehy ny fiainan’ny olona. Anisan’izany ny fitsipika momba ny trano fonenana, asa, fianarana, toerana faleham-bahoaka, ary ny politika.
Nosokajina arakaraka ny volon-kodiny ny mponina: ny fotsy hoditra, ny Bantou (na mainty hoditra), ny metisy, ary ny Karàna. Nilaza ny mpanohana ny apartheid fa tokony hisy faritra voatokana ho an’ny foko tsirairay. Tany izy ireo no nipetraka ary nampandroso ny kolontsainy sy ny fomba amam-panaony. Toa tsara ilay hevitra, kanefa tsy nahomby rehefa nampiharina. Norahonana tamin’ny basy sy etona mandatsa-dranomaso ary alika masiaka, ny mainty hoditra maro. Noterena hiala tamin’ny tranony izy ireo, ary nafindra toerana niaraka tamin’ny entan-keliny. Nasiana faritra nanasaraka ny fotsy hoditra sy ny foko hafa, tany amin’ny ankamaroan’ireo toerana toy ny banky sy biraom-panjakana. Voatokana ho an’ny fotsy hoditra ny hotely sy ny sinema.
Mbola nampiasa mainty hoditra tamin’ny karama varimasaka ihany ireo fotsy hoditra, tany am-piasana sy tao an-trano. Nampisara-toerana ny fianakavian’ny mainty hoditra izany. Nahazo nankany an-tanàn-dehibe, ohatra, ny lehilahy, mba hiasa tamin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany na tamin’ny orinasa, ary napetraka tamina trano iombonana. Ny vadin’izy ireo kosa tsy maintsy nijanona tany an-tanàna. Nanimba ny fiainam-pianakaviana izany, ary nampahazo vahana ny fitondran-tena maloto. Matetika ireo mainty hoditra mpiasa an-tranon’ny fotsy hoditra no nipetraka tany amin’izay nisy ny mpampiasa azy. Tsy mba afaka nankany anefa ny fianakaviany. Tsy nihaona ela be àry ny mpianakavy. Tsy maintsy nitondra taratasy fanamarinana ny fonenany sy ny toeram-piasany foana ny mainty hoditra.
Nisy vokany ratsy ny apartheid, na teo amin’ny fianarana izany, na fanambadiana, na asa, na fananan-tany. Nalaza ho tsy mba nanavakava-bolon-koditra ny Vavolombelon’i Jehovah. Nankatò lalàna foana anefa izy ireo, raha mbola tsy nisakana azy tsy hanolotra fanompoana masina ho an’Andriamanitra izany. (Rom. 13:1, 2) Niezaka nifandray tamin’ireo mpiray finoana tsy nitovy volon-koditra taminy izy ireo, raha mbola azony natao.
Nisy fanovana maromaro nataon’ny fitondrana nanomboka tamin’ny 1975 tany ho any, ka nihanalefaka ny apartheid. Nambaran’ny Filoha Frederik De Klerk, tamin’ny 2 Febroary 1990, ny fepetra hanafoanana azy io. Neken’ny fanjakana, ohatra, ny antoko politikan’ny mainty hoditra, ary nafahana avy any am-ponja i Nelson Mandela. Tamin’ny 1994 dia foana tamin’ny fomba ofisialy ny apartheid, taorian’ny fifidianana nataon’ny besinimaro, ka mainty hoditra no maro an’isa tao amin’ny governemanta.
[Efajoro/Sarintany, pejy 72, 73]
INDRAY MITOPY MASO AN’I AFRIKA ATSIMO
Ilay tany
Teritery ny morontsirak’i Afrika Atsimo, ary tendrombohitra no manamorona izany. Misy lembalemba midadasika saiky manerana ilay tany manontolo. Ny lembalemba any atsinanana, akaikin’ny Oseana Indianina, no avo indrindra. Any no misy ny Tendrombohitra Drakensberg, izay mahatratra 3 400 metatra mahery. Avo efatra heny noho ny velaran-tanin’i Grande-Bretagne ny an’i Afrika Atsimo.
Mponina
Misy 44 tapitrisa ny mponina, ary samihafa ny fiavian’izy ireo. Nisy fanisam-bahoaka natao, ka navoaka tamin’ny 2003 ny valin’izany. Nozaraina efatra ny mponina: Afrikanina mainty hoditra ny 79 isan-jato, fotsy hoditra ny 9,6 isan-jato, metisy ny 8,9 isan-jato, ary Karàna na Aziatika ny 2,5 isan-jato.
Fiteny
Miteny anglisy ny maro amin’ny mponina, nefa 11 ny fiteny ofisialy ampiasaina. Ireto avy izany, nalahatra arakaraka ny habetsahan’ny olona mampiasa izany: zoloa, xhosa, afrikaans, sepedi, anglisy, tswana, sesotho, tsonga, siswati, venda, ary ndebele.
Fivelomana
Manana harena an-kibon’ny tany maro be i Afrika Atsimo, ary izy no mpamokatra volamena sy platinina betsaka indrindra eran-tany. An-tapitrisany no miasa amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, na amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana, na amin’ny orinasa mpamokatra sakafo, fiara, milina isan-karazany, lamba, ary entana hafa.
Toetany
Manorana ny ririnina ary maina ny vanin-taona mafana any amin’ny tendrony atsimo, toy ny any Le Cap. Tsy mahamay loatra kosa ny vanin-taona mafana any afovoan-tany, satria misy oram-baratra, ary tsy mangatsiaka loatra ny ririnina, satria manga ny lanitra.
[Sarintany]
(Jereo ny boky)
NAMIBIA
EFITR’I NAMIB
Katutura
WINDHOEK
BOTSWANA
EFITR’I KALAHARI
GABORONE
SOAZILANDY
MBABANE
LESOTHO
MASERU
Teyateyaneng
AFRIKA ATSIMO
Valan-javaboarin’i Kruger
Nylstroom
Bushbuckridge
PRETORIA
Johannesburg
Klerksdorp
Dundee
Ndwedwe
Pietermaritzburg
Durban
T. DRAKENSBERG
Strand
Le Cap
PRETORIA
Midrand
Krugersdorp
Kagiso
Johannesburg
Elandsfontein
Soweto
Eikenhof
Heidelberg
[Sary]
Le Cap
Tanjona Fanantenana
[Efajoro/Sary, pejy 80, 81]
Ny Fitoriana Voalohany Nataoko
ABEDNEGO RADEBE
TERAKA 1911
BATISA 1939
TANTARANY Anisan’ilay fiangonan’ny mainty hoditra voalohany tany Pietermaritzburg, ary maty nahatoky tamin’ny 1995.
TERAKA tany akaikin’i Pietermaritzburg, any KwaZulu-Natal, aho, ary nobeazina tany. Mpitory teny metodista ny raiko. Nahazo bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’ny 1935 tany ho any. Nekeko fa marina izay novakiko, saingy tsy afaka nifandray tamin’ny Vavolombelona aho.
Nisy olona niara-nipetraka taminay nanome ahy ilay bokikely hoe Lanitra sy Afofandiovana. Mbola tsy nahita fanazavana hoatran’izany aho! Io no nahalalako ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay eto an-tany. Nanoratra tany amin’ny sampana tany Le Cap aho, ary nanafatra boky.
Tsy sahy nanatona an’ireo Vavolombelona hitako tany an-tanàn-dehibe aho. Nampianarina anay Zoloa manko hoe: “Aza tonga dia manatona ny fotsy hoditra, fa andraso izy no hanatona anao.”
Avy niasa aho indray hariva, ary hitako nijanona teo akaikinay ny fiara nisy fanamafisam-peo an’ny Vavolombelona. Rehefa tonga teo am-bavahady aho, dia nanatona ahy ny lehilahy iray ranjanana efa zokinjokiny,
nanao kompile. Nilaza izy fa Daniel Jansen no anarany. Tapa-kevitra àry aho fa hamantatra momba ny Vavolombelona, ka niangaviako izy mba handefa iray tamin’ireo lahatenin’ny Rahalahy Rutherford. Nitangorona ny olona. Rehefa vita ilay lahateny, dia nomen’i Jansen mikrô aho, ary hoy izy: “Adikao amin’ireto olona ireto amin’ny teny zoloa ilay lahateny teo, mba handray soa koa izy ireo.”Namaly aho hoe: “Tsy tadidiko daholo ange izay voalaza teo e!”
“Izay tadidinao lazaina”, hoy i Jansen.
Nibadabada nilaza teny vitsivitsy tamin’ilay mikrô aho, sady nangovitra ny tanako. Izany no fitoriana voalohany nataoko momba an’i Jehovah. Nasain’i Jansen hiara-mitory taminy aho taorian’izay. Nojereny aloha raha nazava tsara tamiko sy ninoako ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Afa-po izy, ka niaraka tamin’ilay fiangonan’ny fotsy hoditra aho nandritra ny efa-taona. Izaho irery no mainty hoditra tao. Vitsy izahay, ary tranona rahalahy no nivorianay.
Samy nanana karatra fitoriana ny mpitory tamin’izany, ka io no nirakitra ny hafatra ara-baiboly nentinay. Nitondra grafofaonina koa izahay, niaraka tamin’ny lahateny noraisim-peo naharitra efatra minitra, ary kitapo nisy boky.
Fahanan’ny mpitory mialoha ilay grafofaonina, mba ho azo alefa avy hatrany ka tsy handany fotoana. Rehefa mamoha varavarana ilay olona, dia niarahaba azy ny mpitory ary nanolotra ilay karatra fitoriana, izay miresaka momba ilay lahateny noraisim-peo. Sokafan’ilay mpitory ny kitapony rehefa misasaka ilay lahateny. Ataony vonona izay boky tokony hatolotra, ary atolony ilay izy raha vao vita ilay lahateny.
[Efajoro/Sary, pejy 88, 89]
Rahalahy Nahatoky
GEORGE PHILLIPS
TERAKA 1898
BATISA 1912
TANTARANY Mpisava lalana maharitra nanomboka tamin’ny 1914. Mpiandraikitra ny sampana nandritra ny 40 taona latsaka kely. Maty nahatoky tamin’ny 1982.
TERAKA tany Glasgow, any Ekosy, i George Phillips, ary nobeazina tany. Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana izy tamin’ny 1914, tamin’izy 16 taona. Nogadraina izy tamin’ny 1917, satria tsy nety nanao miaramila. Ny Rahalahy Rutherford mihitsy no nanasa azy hanompo teto Afrika Atsimo, tamin’ny 1924. Hoy izy: “Mety ho herintaona ilay izy, ry George, nefa mety haharitra kokoa.”
Izao no notantarain’i George momba izay hitany rehefa tonga teto izy: “Tsy nitovy tamin’ny fiainana tany Grande-Bretagne mihitsy ny fiainana teto, ary kely dia kely ny fandroson’ny asa fitoriana. Tsy nisy afa-tsy 6 ny mpanompo manontolo andro tamin’izany, ary zara raha nisy 40 ny mpitory, sady kely ny fanompoana vitany. Midadasika ny faritany, satria hatrany Kenya ka hatrany Le Cap. Nieritreritra aho hoe: ‘Ahoana no hahavitana an’io faritany io ao anatin’ny herintaona?’ Hoy anefa aho: ‘Nahoana moa aho no manahy momba izany e? Aleo manomboka fotsiny, ary mampiasa izay fitaovana eo am-pelatanana, dia ankinina amin’i Jehovah ny sisa.’ ”
“Firenena misy foko maro sy fiteny isan-karazany i Afrika Atsimo. Tena nahafinaritra ny nifankahalala tamin’ireny olona ireny. Tsy mora ny nandamina ny fitoriana teo amin’io faritra midadasika io, sy nanomana ny fitomboana ho avy.”
“Niharihary nandritra ny taona maro fa tia ahy i Jehovah ka nanome izay nilaiko, sady niaro sy nitarika ahy ary nandrotsaka ny fitahiany. Nianarako fa ‘ahazoana tombony be ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, raha ampiarahina amin’ny fahaiza-mianina.’ Hitako koa fa raha te hitoetra ‘ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra’ isika, dia tsy maintsy mifikitra amin’ny fandaminany sy miezaka mafy manao ny asany, araka izay takiny.”—1 Tim. 6:6; Sal. 91:1.
[Efajoro/Sary, pejy 92-94]
Nampiako ho Tia An’i Jehovah ny Fianakaviako
JOSEPHAT BUSANE
TERAKA 1908
BATISA 1942
TANTARANY Tena tiany ny fianakaviany. Nahita ny fahamarinana tamin’izy niasa tany Johannesburg, lavitra ny tanànany tany Zululand.
TERAKA tany Zululand, any KwaZulu-Natal, aho tamin’ny 1908. Nianina tamin’ny fiainana ambanivohitra ny fianakaviako, fa izaho kosa nandeha niasa tamin’ny tranombarotra tany Dundee, tamin’izaho 19 taona. Henoko tatỳ aoriana fa tovolahy maro no nahazo vola be, rehefa niasa tany amin’ny foibe mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, tany Johannesburg. Nifindra tany àry aho, ka nikarama nametaka afisy, an-taonany maro. Nanintona ahy ireo toerana mahaliana sy fialam-boly isan-karazany. Tsy ela anefa dia hitako fa nanimba tsikelikely ny fitondran-tena nampianarina anay ny fiainana tany an-tanàn-dehibe. Nanadino ny fianakaviany tany ambanivohitra ny tovolahy maro. Izaho kosa tsy mba nanadino, fa nandefa vola tsy tapaka ho azy ireo. Nanambady an’i Claudina, tovovavy avy any Zululand, aho tamin’ny 1939. Mbola tany Johannesburg, 400 kilaometatra niala ny tanànanay, ihany aho no niasa, na dia efa nanambady aza. Maro ny tovolahy nanao toy izany. Mafy tamiko ny nisaraka ela tamin’ny fianakaviako, nefa noraisiko ho adidy ny nanampy azy ireo hampisondrotra ny fari-piainany.
Tapa-kevitra izahay sy Elias namako fa hitady ny fivavahana marina, fony tany Johannesburg. Notetezinay ireo fiangonana nanodidina, fa tsy nisy nahafa-po anay. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Elias taorian’izay. Nivory tsy tapaka niaraka tamin’ilay fiangonan’ny mainty hoditra voalohany
tany Johannesburg izahay roa lahy. Nanolo-tena ho an’i Jehovah aho ary natao batisa tany Soweto tamin’ny 1942. Niezaka nitory tamin’i Claudina aho isaky ny niverina tany Zululand, kanefa variana loatra tamin’ny raharaham-piangonany izy.Nanomboka namaky ny bokintsika anefa izy, ary nampitaha izany tamin’izay voalazan’ny Baiboliny. Namaka tsikelikely tao am-pony àry ny fahamarinana. Natao batisa izy tamin’ny 1945. Lasa mpitory be zotom-po izy, ka niresaka ny fahamarinana tamin’ny mpiara-monina taminay, sy nandentika izany tao am-pon’ireo zanakay. Faly aho satria nisy olona nampiako hahita ny fahamarinana tany Johannesburg. Nisy fiangonan’ny mainty hoditra efatra tsy lavitra an’i Johannesburg, tamin’ny 1945, ary izaho no niandraikitra ny Fiangonana Bazary Kely. Nisy toromarika ara-baiboly navoaka tatỳ aoriana. Nasaina nody ireo raim-pianakaviana niasa lavitra ny ankohonany, mba hahafahany hiantsoroka kokoa ny andraikiny.—Efes. 5:28-31; 6:4.
Niala tamin’ny asako tany Johannesburg àry aho tamin’ny 1949, mba hikarakara ny fianakaviako, araka izay takin’i Jehovah. Niara-niasa tamin’ny dokoteram-biby aho rehefa niverina, ka mpamono bibikely no nataoko. Sahirana aho namelona ny vadiko sy ny zanako enina, satria kely ny karamako. Namboly legioma sy katsaka àry izahay, ary nivarotra izany aho mba hanampiana ny volanay. Nahantra izahay, nefa nanan-karena ara-panahy satria nanaraka ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:19, 20.
Sarotra anefa ny manangona harena toy izany, toy ny nahasarotra ny fitrandrahana volamena tany Johannesburg. Namaky andinin-teny tamin’ny zanako aho isan-kariva, ary nanontany azy ireo tsirairay hoe inona no nianarany avy tamin’izany. Nifandimby niaraka tamiko izy ireo rehefa nitory isaky ny faran’ny herinandro aho. Niresaka hevitra ara-baiboly aho, mandra-pahatonganay tany amin’ny trano manaraka. Niezaka aho tamin’izany, mba handentika tao am-pony ny fitondran-tena tsara takin’Andriamanitra.—Deot. 6:6, 7.
Ny fianakavianay ihany no afaka nampiantrano ny mpiandraikitra mpitety faritany, nandritra ny taona maro. Tena nisy vokany tsara teo amin’ny zanakay anefa ny fitsidihan’ireny rahalahy ireny sy ny vadiny, ka nahatonga azy ireo ho tia fanompoana manontolo andro. Dimy lahy sy vavy iray ny zanakay. Efa lehibe avokoa izy ireo izao, ary samy matanjaka ara-panahy. Tena misaotra an’i Jehovah aho noho ny fitarihan’ny fandaminany. Nahatonga ahy hikarakara tsara ny fianakaviako teo amin’ny lafiny ara-panahy izany! Lehibe lavitra noho ny vola aman-karena ny fitahiana azonay.—Ohab. 10:22.
Nahatoky foana ny Rahalahy Josephat Busane, mandra-pahafatiny tamin’ny 1998. Mankasitraka ny lovany ara-panahy ireo zanany mbola velona. Mpiandraikitra mpitety faritany i Theophilus, iray amin’izy ireo. Hita ao amin’ny “Mifohaza!” ( frantsay) 8 Oktobra 1993, pejy 19-22, ny tantaram-piainan’ny Rahalahy Busane.
[Efajoro/Sary, pejy 96, 97]
“Lasa Akaiky Kokoa An’i Jehovah Aho Noho ny Fanompoana”
THOMAS SKOSANA
TERAKA 1894
BATISA 1941
TANTARANY Mpisava lalana nianatra fiteny dimy mba hanampiana olona.
NISY mpampianatra nanome ahy bokikely vitsivitsy navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1938. Mpitory teny aho tamin’izany, tao amin’ny fiangonana metodista tany Delmas, 60 kilaometatra any atsinanan’i Johannesburg. Efa ela aho no te handalina ny Baiboly. Nampianarina anay fa tsy mety maty ny fanahy, ary ampijalijalina any amin’ny afobe ny ratsy fanahy. Nohazavain’ireo bokikely azoko anefa fa tsy marina izany, araka ny Baiboly. (Sal. 37:38; Ezek. 18:4) Hitako koa fa tsy hankany an-danitra ny ankamaroan’ny mpanompon’Andriamanitra, fa hiaina mandrakizay eto an-tany.—Sal. 37:29; Matio 6:9, 10.
Tena faly aho nahalala an’ireo fahamarinana ireo, ka naniry hitory an’izany tao am-piangonana. Tsy nanaiky anefa ireo mpitory teny hafa, ary nikasa ny handroaka ahy. Nametra-pialana àry aho, ka niaraka tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy tao Delmas. Natao batisa aho tamin’ny 1941, ary nanomboka ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny 1943.
Nifindra tany Rustenburg aho, satria tsy ampy ny mpitory tany. Vahiny aho ka tsy maintsy nangataka alalana tamin’ny tompon’andraikitra mba honina tany sy hahazo trano hipetrahana. Nilaza izy fa tsy maintsy nandoa 12 livres (dimy alina ariary eo ho eo) aho, vao nahazo nipetraka tany. Tsy ampy
ny volako, fa nisy rahalahy fotsy hoditra tsara fanahy nandoa ilay izy, ary nanampy ahy ara-bola mba hanohizako ny asan’ny mpisava lalana. Nandroso tsara ny lehilahy iray nampianariko, ary lasa mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana izy rehefa niala tany aho.Niankandrefana nankany Lichtenburg aho taorian’izay. Tsy maintsy nangataka alalana tamin’ny tompon’andraikitra fotsy hoditra aho, mba hipetrahako tany amin’ny faritra natokana ho an’ny mainty hoditra tao an-tanàn-dehibe. Tsy nanaiky anefa izy. Niantso rahalahy mpisava lalana fotsy hoditra tao Mafikeng tsy lavitra teo aho mba hanampy ahy. Niaraka nankany amin’ilay tompon’andraikitra izahay, saingy hoy izy: “Tsy mila anareo aho. Ianareo mampianatra hoe tsy misy ny afobe, nefa ahoana moa no hanaovan’ny olona ny tsara raha tsy matahotra ny afobe izy?”
Nifindra teto Mafikeng aho noho izany, ary mbola mpisava lalana eto. Zoloa no fitenin-drazako, nefa nianatra teny anglisy aho taoriana kelin’ny nahitako ny fahamarinana, mba hahafahako hamaky ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra. Nanampy ahy handroso ara-panahy izany.
Nianatra niteny sesotho, xhosa, tswana, ary afrikaans kely koa aho, mba hahitana vokatra teny am-pitoriana. Faly aho fa afaka nanampy olona maro hanolo-tena ho an’i Jehovah, ary anti-panahy izao ny efatra amin’izy ireo. Nahasalama ahy koa ny fanompoana manontolo andro.
Misaotra an’i Jehovah aho namela ahy ho tratrantitra teo amin’ny fanompoana azy. Tsy noho ny heriko manokana no nahazoako fahalalana sy nahitako vokatra, fa i Jehovah no nanampy ahy tamin’ny alalan’ny fanahiny masina. Ambonin’izany rehetra izany, dia lasa akaiky kokoa an’i Jehovah aho noho ny fanompoana manontolo andro, ary nianatra niantehitra taminy.
Nataon’ny Rahalahy Skosana tamin’ny 1982 io fitantarana io. Voahosotra izy, ary maty nahatoky tamin’ny 1992.
[Efajoro/Sary, pejy 100, 101]
Mpiandraikitra ny Vondrom-paritra Voalohany Teto Afrika Atsimo
MILTON BARTLETT
TERAKA 1923
BATISA 1939
TANTARANY Misionera voalohany nalefa teto Afrika Atsimo. Niezaka nampandroso ny fitoriana sy fampianarana, indrindra teo anivon’ireo mainty hoditra.
TONGA tany Le Cap i Milton Bartlett, misioneran’i Gileada voalohany nanompo teto, tamin’ny Desambra 1946. Nasaina nanomboka ny asan’ny faritra sy vondrom-paritra izy. Izy irery no mpiandraikitra ny vondrom-paritra teto tamin’izany. Niezaka nampandroso ny fitoriana sy fampianarana koa ireo mpiandraikitra mpitety faritany tatỳ aoriana, indrindra teo anivon’ireo mainty hoditra.
Tena tian’ireo rahalahy teto i Milton. Nanam-paharetana izy, ary nihaino tsara an’ireo rahalahy nanan-java-nanahirana. Afaka nandefa tatitra an-tsipiriany sy marina tsara tany amin’ny sampana àry izy, momba ny olana tena mpahazo an’ireo rahalahy. Nanjary nifanaraka kokoa tamin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fitondran-tena sy ny fanompoan’izy ireo.
Nahalala tsara ny Soratra Masina sy nahay nampianatra i Milton, ka tena nanampy an’ireo rahalahy. Be herim-po sady tsy mora kivy koa izy. Tena nilainy izany toetra izany, satria fotsy hoditra izy nefa nangataka alalana mba hiditra tany amin’ny tanànan’ny mainty hoditra. Matetika ireo manam-pahefana mpanavakavaka no tsy nanome alalana azy.
Voatery nanatona olona ambony tao amin’ny filan-kevitry ny tanàna àry izy. Tsy maintsy niandry ny fivorian’ilay filan-kevitra anefa izy vao nahazo alalana. Afaka nankany amin’ny ankamaroan’ireo tanànan’ny mainty hoditra ihany anefa izy.Nisy polisy miafina indraindray nirahina hihaino ny lahatenin’i Milton. Nampangain’ny mpitondra fivavahana ho Kominista mpanakorontana mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Indray mandeha, dia nisy polisy mainty hoditra nirahina tany amin’ny fivoriambe. “Nahatsara zavatra izany”, hoy i Milton, 20 taona tatỳ aoriana, “satria nanaiky ny fahamarinana ilay polisy, noho izay henony tany, ary mafana fo izy hatramin’izao.”
Nisy 3 867 ny isan’ny mpitory, tamin’i Milton tonga teto. Mbola 23 taona izy tamin’izany, sady mpitovo. Nahatratra 24 005 kosa ny isan’ny mpitory, rehefa avy nanompo teto nandritra ny 26 taona izy. Voatery niverina tany Etazonia i Milton sy Sheila vadiny ary Jason zanany lahy telo taona tamin’ny 1973, mba hikarakara ny ray aman-drenin’i Milton efa antitra. Tonga teto indray i Milton sy Sheila, tamin’ny fitokanana ireo trano fanampin’ny Betelan’i Afrika Atsimo tamin’ny 1999. Tamin’izay no nakana ilay sary eto ambany. Tena faly izy ireo satria nihaona indray tamin’ireo Kristianina tsy hitany nandritra ny 26 taona. Maro no nahatsiaro ny asa mafy nataon’izy mivady sy ny fitiavana nasehony!
[Sary]
Milton sy Sheila Bartlett, 1999
[Efajoro/Sary, pejy 107]
Tendrombohitra Hafakely
Miavaka tokoa ny Table Mountain na Tendrombohitra Latabatra any Le Cap, ka manome endrika an’io tanàna io. Misy milaza fa Le Cap no tanàna kanto indrindra atỳ Afrika.
Feno rahona matevina ilay tendrombohitra amin’ny vanin-taona mafana. Antsoin’ny olona hoe “lamban-databatra” ilay rahona, satria mandrakotra an’ilay tendrombohitra. Misy rivotra mahery mantsy miakatra amin’ny tehezan’io tendrombohitra io. Lasa rahona matevina ny hamandoana entin’ilay rivotra rehefa tonga eny an-tampon’ny Tendrombohitra Latabatra.
[Efajoro/Sary, pejy 114-117]
Nogadraina Nefa Tsy Nivadika Mihitsy
FANADINADINANA NY RAHALAHY ROWEN BROOKES
TERAKA 1952
BATISA 1969
TANTARANY Nigadra tamin’ny Desambra 1970 ka hatramin’ny Martsa 1973, satria tsy nety nanao miaramila. Mpisava lalana maharitra tamin’ny 1973, ary nantsoina ho eto amin’ny Betela tamin’ny 1974. Anisan’ny Komitin’ny Sampana ankehitriny.
Nanao ahoana ny fiainana tany am-ponja?
Trano lava be roa misy efitra 34 avy no nametrahana ny voafonja. Mifanatrika ireo trano ireo, ary misy tatatra fivarinan’ny rano maloto eo afovoany. Samy natokana efitra izahay, ka 2 metatra ny lavan’izy io, ary 1,8 metatra ny sakany. Indroa isan’andro ihany izahay no navela hivoaka an’ilay efitra, dia ny maraina rehefa hisasa sy hiharatra ary hanasa pô, ary ny hariva rehefa handro. Tsy nahazo nandefa na nandray taratasy izahay. Tsy navela hanana stylo na pensilihazo koa izahay, ary ny Baiboly ihany no azonay novakina. Tsy azo notsidihina izahay tamin’izany.
Talohan’ny nidirany tany am-ponja ireo rahalahy no efa nanana Baiboly nakambana tamin’ny boky hafa, toy ny Fanampiana mba Hahatakarana ny Baiboly. Tsy nahalala na inona na inona ireo mpiambina, satria mitovy habe amin’ny Baiboly holandey sy ny Baiboly afrikaans tranainy ilay izy.
Nahazo boky ara-baiboly ihany ve ianareo?
Ie, nampiditra boky an-tsokosoko izahay rehefa afaka nanao izany. Napetraka tao amin’ny efitra tsisy olona ny entanay rehetra, anisan’izany ny fitaovana fidiovana. Navelan’ny mpiambina nankany
amin’ny fitoeran’entanay izahay, indray mandeha isam-bolana, mba hanampy izay fitaovana fidiovana lany. Nisy boky tao anatin’ireny entanay ireny.Ny iray taminay nampiresaka ny mpiambina, ary nisy iray kosa nanafina boky tao anaty sôrta na akanjo ambony. Nosaratsarahinay ilay boky rehefa niverina tao amin’ny efitra izahay, ka mora kokoa ny nanafina azy. Nifandimby namaky azy ireny izahay rehetra. Betsaka ny toerana fanafenanay boky. Efa simba mantsy ny efitra sasany, ka be lavadavaka.
Nosavana imbetsaka ny efitra nisy anay, ary natao tamin’ny misasakalina izany indraindray. Nahita ampahana boky foana ireo mpiambina, saingy tsy ilay boky manontolo no lasany. Matetika no nampitandrina anay ny mpiambina tsara fanahy iray rehefa hisy fisavana. Nofonosinay plastika àry ilay boky, ka nasisikay tao anaty fantson-drano. Nisy oram-baratra be anefa indray andro, ka nampalahelo fa natsingevan’ny rano nanaraka ny tatatra ny fonosana iray nafeninay. Nataon’ny miaramila voafonja sasany baolina ilay izy. Nisy mpiambina tonga tampoka anefa, ka nandidy azy ireo hiditra. Maivamaivana erỳ izahay fa tsy nisy nijery intsony ilay fonosana, ary azonay nalaina ilay izy rehefa nahazo nivoaka izahay taoriana kelin’izay.
Niharam-pitsapana ve ny finoanareo tamin’izany?
Tamin’ny fotoana rehetra mihitsy. Nanao tetika foana ireo mpiandraikitra ny fonja mba hampivadika anay. Tsara fanahy be taminay, ohatra, izy ireo indraindray ka nanome sakafo fanampiny, nitondra anay nanao fanatanjahan-tena, ary namela anay hitanina andro mihitsy aza. Afaka andro vitsivitsy anefa, dia nasain’izy ireo nanao fanamian’ny miaramila izahay. Nampijalijaliny indray izahay rehefa tsy nanaiky.
Tsy nety koa izahay rehefa nasaina nanao ny fiarovan-dohan’ny miaramila. Tezitra mafy àry ilay kapiteny, ka tsy navelany nandro intsony izahay. Nomena siô iray avy izahay, ary tao amin’ny efitray ihany no nisasa.
Tsy nanana kiraro izahay, ka naratra ny tongotry ny rahalahy sasany. Nanamboatra kiraro àry izahay. Nangoninay
ny tapaka bodofotsy fanadiovana trano. Nahita varahina lavalava kely izahay, ka io no nataonay fanjaitra. Nofisahinay sy nolavahanay ny lohany iray, ary nataonay naranitra ny lohany iray. Ny bodofotsinay no nakanay kofehy, ka nanjairanay an’ireo tapaka bodofotsy mba ho lasa kiraro.Lasa olona telo indray no niray efitra fa tsy iray intsony. Nahatsara zavatra izany, na dia tery kely aza ilay efitra. Nataonay mantsy izay hiarahan’ireo rahalahy nalemy finoana tamin’ny rahalahy natanjaka ara-panahy. Nanao fanazaran-tena momba ny fitoriana sy ny fitarihana fampianarana Baiboly izahay. Kivy ilay kapiteny nahita fa lasa natanja-tsaina izahay.
Hitan’ilay kapiteny fa tsy nandaitra ny tetika nataony, ka nampiarahiny tamin’ny voafonja roa tsy Vavolombelona ny tsirairay taminay. Norarana mafy izy ireo tsy hiresaka taminay. Nametraka fanontaniana ihany anefa izy ireo, ary afaka nitory taminy izahay. Vokatr’izany, dia nisy voafonja iray na roa tsy nety nanao asa sasany fanaon’ny miaramila. Naverina ho iray isan’efitra indray izahay tsy ela taorian’izay.
Afaka nanao fivoriana ve ianareo?
Nivory tsy tapaka izahay. Nisy varavarankely teo ambonin’ny fidirana tao amin’ny efitra tsirairay. Nasiana makarakara sy bara vy fito nitsangana teo amin’izy io. Nafatotray teo amin’ny bara vy tamin’ny sisiny roa ny bodofotsinay, toy ireny fandriana mihantona ireny, ka afaka nipetraka teo izahay. Nifankahita tamin’ny rahalahy teo ampitany àry ny tsirairay. Niteny mafy koa izahay, ka naheno avokoa ny tao amin’ilay trano. Nandinika ny teny vakina izahay isan’andro, ary nianatra Ny Tilikambo Fiambenana raha nanananay ilay gazety. Nifandimby izahay nanao ny vavaka, rehefa vita izany. Nanao fivoriamben’ny faritra mihitsy aza izahay, ka izahay ihany no namorona ny fandaharana.
Izahay ihany no nanomana ny Fahatsiarovana, satria tsy fantatray raha hisy anti-panahy havela hiaraka aminay hankalaza izany. Voaloboka nalona tao anaty rano no nanaovanay divay, ary nofisahinay sy nohamaininay ny anjara mofonay. Navela
hahazo divay kely sy mofo tsy nisy lalivay avy tamin’ireo rahalahy tany ivelany izahay, indray mandeha.Niova ve ny toe-javatra tatỳ aoriana?
Nisy fihatsarana ihany rehefa nandeha ny fotoana. Niova mantsy ny lalàna, ary nafahana ny 22 taminay. Sazy iray monja nanomboka teo no nomena izay tsy nety nanao miaramila noho ny fivavahany. Nentina toy ny voafonja hafa rehetra kosa ireo rahalahy 88 sisa. Azo notsidihina isam-bolana izy ireo, ary afaka nanoratra sy nandray taratasy.
Sarotra taminareo ve ny nizatra tamin’ny fiainana ivelan’ny fonja, rehefa nafahana ianareo?
Ie, elaela izahay vao zatra. Somary natahotahotra, ohatra, izahay rehefa be dia be ny olona. Tsara fanahy taminay anefa ny ray aman-dreninay sy ireo rahalahy, ka nanampy anay handray andraikitra tsikelikely teo anivon’ny fiangonana.
Nahasoa anay koa ireny fotoan-tsarotra ireny. Nanatanjaka ny finoanay sy nampianatra anay hiaritra fitsapana izany. Tsapanay fa sarobidy ny Baiboly, ary tena ilaina ny mamaky sy misaintsaina azy io isan’andro. Nianatra nitoky tanteraka tamin’i Jehovah koa izahay. Naleonay nijaly tany am-ponja, toy izay hivadika aminy. Vao mainka izahay izao vonona hiaritra, ary hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah, ka hanompo manontolo andro raha azo atao.
[Efajoro/Sary, pejy 126-128]
Nitoky Tamin’i Jehovah Izahay Tamin’ny Fotoana Nampidi-doza
ZEBLON NXUMALO
TERAKA 1960
BATISA 1985
TANTARANY Rasta izy talohan’ny nahitany ny fahamarinana. Nanompo manontolo andro raha vao vita batisa. Manao ny asan’ny faritra izy izao, miaraka amin’i Nomusa vadiny.
SAMY niasa tamin’ny fanorenana ny Betela tao Krugersdorp izahay sy ilay mpisava lalana namako. Nila mpitory maro kokoa tany KwaNdengezi, tanàna nisy seranan-tsambo tany akaikin’i Durban, ka notendrena ho any izahay rehefa vita ny fanorenana. Andro vitsivitsy taorian’ny nahatongavanay, dia nandefa tanora dimy ny antoko politika iray, mba hanadihady momba anay. Nangataka anay izy ireo mba hanampy azy hisakana ilay antoko fahavalony tsy haka ny tanàna. Efa betsaka ny olona naratra sy maty noho ny adin’ireo antoko politika zoloa ireo. Nanontanianay izy ireo hoe inona no heveriny fa vahaolana amin’izany herisetra izany. Nilaza izy ireo fa ny tena nahatonga izany, dia satria fotsy hoditra no teo amin’ny fitondrana. Nolazainay fa nisy tany afrikanina hafa rotidrotiky ny ady, ary nahantra fadiranovana ny mponina, na dia mainty hoditra aza ny mpitondra. Azo inoana, hoy izahay, fa izany koa no hitranga amin’i Afrika Atsimo, satria “ny omaly tsy miova” ny tantaran’ny olombelona. Niaiky àry izy ireo fa hisy foana ny heloka bevava sy herisetra ary aretina, na dia ny mainty hoditra aza no hitondra. Namaky andinin-teny izahay taorian’izay, ka nasehonay fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka mamaha ny olana mahazo ny olombelona.
Matio 10:32, 33) Tampoka teo dia nandondòna tao aminay ry zareo. Tsy niarahaba akory izy ireo fa tonga dia nangataka vola hividianana intelezi, na ody fiaro avy amin’ny mpimasy. Niangavy azy ireo izahay mba hiandry kely. Nanontany izahay hoe: “Heverinareo ve fa mety ny ataon’ny mpimasy, rehefa mampirisika ny olona hifamono amin’ny alalan’ny ody ratsy?” Hoy koa izahay: “Ahoana izao raha ny havanareo no misy mamosavy?” Samy niaiky izy ireo fa ratsy izany. Nosokafanay ny Baiboly ary nasainay novakin’ilay sefon’izy ireo ny hevitr’Andriamanitra momba ny filalaovana ody, ao amin’ny Deoteronomia 18:10-12. Nanontanianay ny hevitr’izy ireo avy eo. Gina tsy nahateny izy ireo. Nohararaotinay izany fanginana izany, ka nanontany izahay hoe: ‘Ny tenin’iza no heverinareo fa tokony hekenay? Ny anareo sa ny an’i Jehovah?’ Tsy namaly izy ireo fa lasa fotsiny.
Indray alina, andro vitsivitsy taorian’izay, dia nandre andiana tanora nanao hiram-panafahana izahay, ary nahita lehilahy nitondra basy. Nandoro trano sy namono olona maro izy ireo. Natahotra mafy izahay, ka nivavaka tamin’i Jehovah mba hanampy anay tsy ho kivy na hivadika raha sendra misy mandrahona. Notadidinay koa ireo maritiora tsy nety nanda an’i Jesosy, na teo aza ny fanerena. (Imbetsaka izahay no tojo toe-javatra toy izany nefa tafavoaka foana, ary tsapanay fa nanampy anay i Jehovah. Nisy andiana tanora hafa indray, ohatra, tonga tao aminay, indray hariva. Nangataka vola hividianana fitaovam-piadiana izy ireo, mba hiarovana ny mponina, hono. Nitaraina izy ireo hoe nanakorontana azy ilay antoko politika fahavalony, ka nila fitaovam-piadiana arifomba kokoa izy ireo mba hanoherana izany. Nandrahona izy ireo hoe hahita loza izahay raha tsy nanome vola. Nampahatsiahivinay azy ireo fa nanaiky hanaja ny zon’olombelona sy ny feon’ny fieritreretan’ny hafa ny fikambanan’izy ireo. Nanontany izahay hoe mety ve raha aleon’ny olona iray maty, toy izay handika ny lalàm-panorenana? Nilaza izy ireo fa mety mihitsy izany. Nanazava àry izahay fa i Jehovah no filohan’ny fikambananay, ny Baiboly no “lalàm-panorenanay”, ary mandrara ny famonoana olona ny Baiboly. Hoy ilay sefon’izy ireo tamin’ny farany: “Azoko ny hevitr’ireto olona ireto. Mazava fa vonona hanome vola izy ireo raha hanampiana ny mpiara-monina hankany amin’ny hopitaly izany, ohatra, na hanatsarana ny tanàna, toy ny hoe hanamboarana trano fitaizana ny be antitra. Tsy hanome vola mihitsy kosa izy ireo raha hampiasaina mba hamonoana olona ilay izy.” Nitsangana izy rehetra taorian’izay. Nandray tanana azy ireo izahay, ary nisaotra azy ireo naharitra nihaino anay.
[Efajoro/Sary, pejy 131-134]
Anabavy Mpitovo Naharitra Ela Tamin’ny Fandikan-teny
Rahalahy sy anabavy maro eto amin’ny Betelan’i Afrika Atsimo no nijanona ho mpitovo, ka nanararaotra izany mba hanompoana bebe kokoa. (Matio 19:11, 12) Mahatratra 100 taona raha atambatra ny fotoana lanin’ireto anabavy telo ireto, tamin’ny fandikana ny boky sy gazety avy amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina.”—Matio 24:45.
Maria Molepo
Teraka tany Molepo, Faritanin’i Limpopo aho. I Aletta zokiko vavy no nampianatra ahy ny fahamarinana, tamin’izaho mbola mpianatra. Nampirisika ahy hanao fianarana ambony ny zokiko vavy iray tsy Vavolombelona, rehefa vita ny fianarako teny amin’ny lise. Vonona izy handoa ny saram-pianarako nandritra ny telo taona, mba hahatonga ahy ho mpampianatra matihanina. Nolaviko anefa izany, satria naniry hanompo an’i Jehovah aho, ary te ho mpisava lalana toa an’i Aletta sy Elizabeth zokiko. Natao batisa aho tamin’ny 1953, ary nanatratra ny oran’ny mpisava lalana tsindraindray. Enin-taona tatỳ aoriana anefa aho vao nanao fangatahana, ka voatendry ho mpisava lalana maharitra tamin’ny 1959.
Nantsoin’ny sampana hiasa tapa-potoana aho tamin’ny 1964, mba handika boky sy gazety tamin’ny teny sepedi. Sady nandika teny àry aho no nanao mpisava lalana. Voatendry ho Betelita aho tamin’ny 1966. Tsy araka ny nanampoizako azy ny fanompoana teto amin’ny Betela. Nalahelo aho fa tsy afaka nanompo teny amin’ny saha isan’andro intsony. Namboariko anefa ny saiko, ka nihevitra ny tenako ho toy ny mpisava lalana ihany aho rehefa faran’ny herinandro. Nitory
aho ny asabotsy tolakandro ka hatramin’ny alahady hariva, na dia tsy nahatratra ny oran’ny mpisava lalana aza. Tena tiako ny nijanona elaela teny amin’ny fanompoana, ka matetika aho no tsy nahatratra sakafo ny asabotsy na ny alahady hariva. Tatỳ aoriana, dia tsy niasa asabotsy maraina intsony ny rahavavy efa lehibe, ka faly aho satria afaka nitory bebe kokoa.Trano teo akaikin’ny Betela no nipetrahanay sy ny rahavavy mpandika teny iray, nandritra ny valo taona. Navelan’ny manam-pahefana hipetraka teny akaikin’ireo Betelita fotsy hoditra mantsy izahay tamin’ny voalohany. Tsy neken’izy ireo intsony anefa izany tamin’ny 1974 noho ny apartheid, ka voatery nipetraka tany amin’ny faritra natokana ho an’ny mainty hoditra izahay mpandika teny mainty hoditra. Nipetraka tao amin’ny fianakaviana Vavolombelona tany Tembisa àry aho, ka tsy maintsy nanao dia lavitra isan’andro. Nihanalefaka ny lalàna momba ny apartheid rehefa naorina ny Betela teto Krugersdorp, ka nahazo nipetraka tao amin’ny Betela amin’izay aho.
Tena misaotra an’i Jehovah aho namela ahy hiasa amin’ny fandikan-teny hatramin’izao. Nitahy ahy tokoa izy, noho izaho nijanona ho mpitovo. Nifidy ny hijanona ho mpitovo koa i Annah zandriko vavy, ka efa 35 taona izy izao no nanompo manontolo andro.
Tseleng Mochekele
Teraka tany Teyateyaneng, any Lesotho aho. Mpivavaka be i Neny, ary notereny hiangona niaraka taminy izahay ankizy. Tsy tiako mihitsy ny nandeha niangona. Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny nenitoako tatỳ aoriana, ary noresahiny tamin’i Neny ny zavatra ninoany. Faly aho fa tsy nandeha niangona intsony i Neny. Tsy niraharaha ny fahamarinana anefa aho, satria tiako ny fialam-boly sy ny fiainana teo amin’ity tontolo ity.
Nankany Johannesburg aho tamin’ny 1960 mba hanohy ny fianarako. Talohan’ny nandehanako, dia niangavy ahy i Neny hoe: “Tseleng a, mitadiava Vavolombelona indrỳ rehefa tonga any, ary miezaha koa ho lasa Vavolombelona.” Be dia be ny fialam-boly tao Johannesburg, ka izany no nanintona ahy raha vao tonga aho. Kivy anefa aho rehefa nandinika ny fiainan’ny olona, satria be dia be ny naloto fitondran-tena. Tsaroako ny tenin’i Neny, ka nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Soweto aho. Tadidiko fa izao no vavaka nataoko tamin’izaho nivory voalohany: “Jehovah ô, ampio aho fa te ho anisan’ny Vavolombelonao.” Lasa mpitory aho taoriana kelin’izay, ary natao batisa tamin’ny Jolay 1960. Niverina tany amin’i Neny tany Lesotho aho rehefa vita ny fianarako. Efa vita batisa koa izy tamin’izay.
Nantsoin’ny sampan’i Afrika Atsimo aho tamin’ny 1968, mba handika teny tamin’ny fiteny sesotho. Niara-nipetraka tamin’i Neny aho sady niasa tontolo andro tany amin’ny sampana, nandritra ny taona maro. Rehefa nihasarotra ny fiainana, dia nanontany ny fianakaviako aho sao dia tokony hiala amin’ny fanompoana manontolo andro, ka hitady asa mba hanampiana an-dry zareo. Tsy nanaiky an’izany anefa i Neny sy Liopelo zandriko faravavy, izay efa vita batisa koa. Tena noraisin’izy ireo ho tombontsoa ny fanampiana ahy, mba hahafahako handika teny foana.
Lasa Betelita aho tamin’ny 1990. Mipetraka ato amin’ny tranon’ny sampana eto Krugersdorp aho izao. Mbola miasa amin’ny fandikan-teny aho, ary tena tiako izany tombontsoa izany. Tsy nanenenako ny nijanona ho mpitovo. Tena misaotra an’i Jehovah kosa aho satria notahiny, ka nomeny fiainana sambatra sy misy heviny.
Nurse Nkuna
Teraka tany Bushbuckridge, any amin’ny faritra avaratratsinanan’i Afrika Atsimo, aho. Vavolombelon’i Jehovah i Neny, ary nitaiza ahy tao amin’ny fahamarinana izy. Niasa tontolo andro izy mba hanampiana ny
karaman’i Dada. Nampianarin’i Neny namaky teny aho, na dia mbola tsy nianatra aza. Afaka nitory àry aho tamin’ny andavanandro. Rahavavy mpisava lalana maharitra efa be taona no niaraka tamiko. Tsy nahita tsara izy, ka izaho no namaky teny ho azy teny am-pitoriana. Mbola niara-nanompo taminy ihany aho ny tolakandro, na dia efa nanomboka nianatra aza. Nanjary tia fanompoana koa aho, satria niaraka tamin’ny mpanompo manontolo andro foana. Nahafaly ahy ny nahita olona nanaiky ny fahamarinana. Noresahiko tamin’i Jehovah, tamin’izaho folo taona teo ho eo, fa naniry hanompo manontolo andro mandritra ny androm-piainako aho. Natao batisa aho tamin’ny 1983. Niasa aho nandritra ny taona vitsivitsy mba hanampiana ny fianakaviako. Tsy te ho tia vola loatra anefa aho, satria hisakana ahy tsy ho lasa mpanompo manontolo andro izany. I Neny àry no nasaiko nitantana ny volako. Niala tamin’ny asako aho tamin’ny 1987, rehefa nivaly ny fangatahako hiasa teto amin’ny Betela. Nasaina nandika teny tamin’ny teny zoloa aho.Nijanona ho mpitovo aho, ary tena mahafaly ahy ny fanompoako eto amin’ny Betela. Manampy ahy hanatsara ny fitoriako ny fanazavana amin’ny teny vakina isa-maraina. Manampy ahy hanatsara ny toetrako koa ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny olona tsy mitovy fiaviana amiko. Marina fa tsy niteraka aho, kanefa manana zanaka sy zafikely ara-panahy be dia be, izay mety tsy ho nananako raha toa aho nifidy ny hanambady sy hiteraka.
Tena miasa mafy amin’ny fandikan-teny eto amin’ny Betela ireo anabavy mpitovo ireo. Mahatratra 36 koa raha atambatra ny olona nampian’izy ireo ho lasa mpanompon’i Jehovah vita batisa.
[Efajoro/Sary, pejy 146, 147]
Tendrombohitra Tena Kanto
Mitandavana hatrany amin’ny 1 050 kilaometatra, manerana an’i Afrika Atsimo, ny Tendrombohitra Drakensberg. Ilay ampahany manelanelana an’i Lesotho sy KwaZulu-Natal anefa no tena kanto indrindra. Soisa kelin’i Afrika Atsimo no iantsoana azy io matetika.
Manintona ny mpianika tendrombohitra sahisahy ireo tampony sarotra iakarana, toy ilay tendro makadiry atao hoe Mpiambina. Toy izany koa ilay tendro malama sy mampidi-doza antsoina hoe Saron-dohan’ny Moanina, sy ilay tendro mideza sady mampianjera atao hoe Nifin-devoly. Mety hahitan-doza ny mianika azy ireny. Misy vozontany maromaro azo iakarana anefa, ary tsy mampidi-doza ka tsy ilana fitaovana manokana. Misy zavatra tsy maintsy entina ihany anefa rehefa hianika tendrombohitra. Anisan’izany ny akanjo mafana, tranolay, ary tahirin-tsakafo. Mety hangatsiaka be mantsy ilay toerana satria mandrivotra be amin’ny alina.
An’arivony isan-taona ny mpianika tendrombohitra sy mpilasy ary mpitsangantsangana, izay miala ny hazakaza-dava sy ny fandotoana any an-tanàn-dehibe. Mankany an-tendrombohitra izy ireo mba hankafy rivotra madio sy loharano mamy mamelombelona, ary handinika ny hakanton’ny toerana avo.
[Sary]
Sary eo amin’ny vato, nataon’ny Bushmen na mponina anaty ala
[Efajoro/Sary, pejy 158, 159]
Tsy Milalao Ody sy Tsy Mampirafy Intsony
ISAAC TSHEHLA
TERAKA 1916
BATISA 1985
TANTARANY Diso fanantenana tamin’ny Kristianisma Anarana. Mpilalao ody nanan-karena be talohan’ny nahitany ny fahamarinana.
TANY amin’ny faritra avaratratsinanan’i Afrika Atsimo, tany amin’ny Tendrombohitra Sekhukhune, no nahabe an’i Isaac sy ireo namany telo lahy atao hoe Matlabane sy Lukas ary Phillip. Niala tao amin’ny Eglizy Apostolika izy efa-dahy ireo, rehefa nahita ny fihatsarambelatsihin’ny mpivavaka tao. Nanomboka nitady ny fivavahana marina izy ireo. Tafasaraka anefa izy ireo rehefa nandeha ny fotoana.
Lasa Vavolombelon’i Jehovah ireo naman’i Isaac telo, sy ny vadin’izy ireo avy. Nanao ahoana kosa i Isaac? Lasa mpimasy nalaza toy ny rainy izy. Ny hahazo vola no tena tanjony, ary lasa mpanankarena tokoa izy. Nanana omby zato izy, ary nanam-bola be tany amin’ny banky. Nanana vady roa koa i Isaac, satria izany no tokony hataon’ny mpanankarena, araka ny fomba tany. Nanapa-kevitra ny hitady azy anefa i Matlabane, mba hilaza aminy ny fomba nahitan’izy telo lahy ny fivavahana marina.
Faly i Isaac nifankahita indray tamin’i Matlabane. Liana erỳ izy hamantatra hoe ahoana no nahatonga an’ireo namany taloha ho Vavolombelon’i Jehovah. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny bokikely Mifalia i Isaac. Eo amin’ny sary faha-17, dia misy sarina mpimasy manokotoko taolana eo amin’ny tany, mba hamaliana ny fanontanian’ny olona mankany aminy. Gaga i Isaac rehefa nahalala fa tsy tian’Andriamanitra ny filalaovana ody, araka ny Deoteronomia 18:10, 11. Nampieritreritra azy koa ny sary faha-25, izay misy lehilahy manana vady maro. Voasoratra eo ny 1 Korintianina 7:1-4, izay milaza fa tsy tokony hanana vady afa-tsy iray ny tena Kristianina.
Vonona hampihatra ny Soratra Masina i Isaac. Efa 68 taona izy, nefa nisarahany ilay vadiny faharoa, ary nisoratra tamin’i Florina vadiny voalohany izy. Tsy nilalao ody intsony koa izy, ary nariany ireo taolana fampiasan’ny mpimasy. Nisy olona roa avy lavitra be tonga tao aminy, indray mandeha, raha mbola teo am-pianarana Baiboly izy. Tonga mba handoa vola 550 rand (na 280 000 Ariary) izy ireo, noho ny ody nomen’i Isaac azy taloha. Tsy nety nandray ilay vola anefa izy. Nitory tamin’ireo olona ireo kosa izy, ka nanazava fa tsy milalao ody intsony fa mianatra Baiboly, ary maniry ho lasa Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela dia tratran’i Isaac izany tanjony izany. Natao batisa izy sy Florina tamin’ny 1985. Efa 90 taona izao i Isaac, ary anti-panahin’ny fiangonana.
[Tabilao, pejy 124, 125]
IREO TAONA NANAN-TANTARA—Afrika Atsimo
1900
1902 Nisy boky ara-baiboly tonga teto Afrika Atsimo.
1910 Nanokatra biraon’ny sampana tao Durban i William Johnston.
1916 Tonga teto ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.”
1917 Nafindra tany Le Cap ny biraon’ny sampana.
1920
1924 Nisy milina fanontam-pirinty nalefa sambo tany Le Cap.
1939 Natao tamin’ny teny afrikaans ny gazety Fampiononana voalohany.
1940
1948 Efitrano Fanjakana naorina, akaikin’i Le Cap.
1949 Natao tamin’ny teny zoloa ny Tilikambo.
1952 Vita ny Betela tao Elandsfontein.
1979 Nampiasaina ny milina offset TKS.
1980
1987 Naorina teto Krugersdorp ny Betela vaovao, ary nitarina tamin’ny 1999.
1992 Efitrano Fanjakana voalohany naorina haingana, tao Soweto.
2000
2004 Nitarina ny fanontam-pirinty. Niasa ny milina MAN Roland Lithoman.
2006 Nahatratra 78 877 ny tampon’isan’ny mpitory.
[Tabilao]
(Jereo ny boky)
Mpitory
Mpisava lalana
80 000
40 000
1900 1920 1940 1980 2000
[Tabilao/Sary, pejy 148, 149]
Fiteny Maro Be
“Ny Tilikambo Fiambenana” amin’ny fiteny 33 no atonta eto Afrika Atsimo
Fomba Fiakanjo Isan-karazany
Marevaka sady isan-karazany ny fomba fiakanjo sy firavaka ary didin’akanjon’ny Afrikanina, arakaraka ny foko
Zoloa
FIARAHABANA “Sanibona”
OLONA MITENY AZY IO 10 677 000 *
MPITORY 29 000 *
Sesotho
FIARAHABANA “Lumelang”
OLONA MITENY AZY IO 3 555 000
MPITORY 10 530
Sepedi
FIARAHABANA “Thobela”
OLONA MITENY AZY IO 4 209 000
MPITORY 4 410
Tsonga
FIARAHABANA “Xewani”
OLONA MITENY AZY IO 1 992 000
MPITORY 2 540
Xhosa
FIARAHABANA “Molweni”
OLONA MITENY AZY IO 7 907 000
MPITORY 10 590
Afrikaans
FIARAHABANA “Hallo”
OLONA MITENY AZY IO 5 983 000
MPITORY 7 510
Tswana
FIARAHABANA “Dumelang”
OLONA MITENY AZY IO 3 677 000
MPITORY 4 070
Venda
FIARAHABANA “Ri a vusa”
OLONA MITENY AZY IO 1 021 800
MPITORY 480
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 518 Noboriborina ny isa rehetra.
^ feh. 519 Noboriborina ny isa rehetra.
[Sary, pejy 66]
[Sary, pejy 71]
Hazomavo
[Sary, pejy 74]
Stoffel Fourie
[Sary, pejy 74]
“Fianarana ny Soratra Masina”
[Sary, pejy 74]
Fiangonana Durban, niaraka tamin’i William Johnston, 1915
[Sary, pejy 74, 75]
Johannes Tshange sy ny fianakaviany
[Sary, pejy 75]
Efitra kely tato amin’ity trano ity no natao biraon’ny sampana voalohany
[Sary, pejy 77]
Japie Theron
[Sary, pejy 79]
Henry Myrdal
[Sary, pejy 79]]
Piet de Jager
[Sary, pejy 82]
Henry Ancketill, 1915
[Sary, pejy 82]
Grace sy David Taylor
[Sary, pejy 82]
Bokikely nisy ny fanapahan-kevitra handraisana ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, 1931
[Sary, pejy 84]
Fianakavian’ny Betela tany Le Cap tamin’ny 1931, nisy an’i George sy Stella Phillips
[Sary, pejy 87]
Fandraisam-peo amin’ny teny xhosa
[Sary, pejy 87]
Andrew Jack sy ilay milina Frontex, 1937
[Sary, pejy 87]
Ny gazety “Fampiononana” sy “Ny Tilikambo Fiambenana” voalohany tamin’ny teny afrikaans
[Sary, pejy 90]
Mpanatrika fivoriambe, Johannesburg, 1944
[Sary, pejy 90]
Takelaka fampahafantarana lahateny, 1945
[[Sary, pejy 90]
Frans Muller sy Piet Wentzel nitondra grafofaonina, 1945
[Sary, pejy 95]
Gert Nel, mpanompon’ny rahalahy, 1943
[Sary, pejy 95]
Nitory tany ambanivohitra, 1948
[Sary, pejy 99]
Andrew Masondo sy Ivy, vadiny faharoa
[Sary, pejy 99]
Luke sy Joyce Dladla
[Sary, pejy 99]
“Ny Tilikambo Fiambenana” voalohany tamin’ny teny zoloa
[Sary, pejy 102]
Namela ohatra tsara i Velloo Naicker, ka 190 tamin’ny havany no nanaiky ny fahamarinana
[Sary, pejy 102]
Gopal Coopsammy tamin’izy 21 taona, sy ankehitriny miaraka amin’i Susila vadiny. Olona 150 no nampian’izy ireo hanolo-tena
[Sary, pejy 104, 105]
Isabella Elleray
Doreen Kilgour
[Sary, pejy 108, 109]
trano voalohany, 1952
Betela tao Elandsfontein, 1972
[Sary, pejy 110]
Fivoriambe Niavaka
(Ambony) Navoaka ny boky “Ankizy”, 1942; (afovoany) ireo hatao batisa, 1959; (ambany) antoko mpihira xhosa nitsena an’ireo solontena, 1998
3 428 no natao batisa tamin’ny herintaona!
[Sary, pejy 120]
Niaritra i Elijah Dlodlo rehefa nokaravasina
[Sary, pejy 121]
Florah Malinda, mpisava lalana maharitra. Novonoina tamin-kabibiana ny zanany vavy
[Sary, pejy 122]
Novonoin’ny mpirotaka i Moses Nyamussua
[Sary, pejy 140, 141]
Efitrano Fanjakana Vita Haingana
Nahazo fanampiana ny Fiangonana Kagiso mba hananany efitrano Vaovao
Taloha
Nandritra ny fanorenana
Rehefa vita
Tena tia ny efitranony vaovao ny Fiangonana Rathanda any Heidelberg
Efitrano 7 207 no efa vita atỳ amin’ny tany afrikanina 37, ary 3 305 no mbola haorina!
[Sary, pejy 147]
Ry Rossouw mianakavy ankehitriny
[Sary, pejy 150]
Efitrano Fivoriambe any Midrand
[Sary, pejy 155]
Fanampiana ho an’i Zimbabwe, 2002
[Sary, pejy 155]
Manampy ny mpandika teny ny programan’ordinatera
[Sary, pejy 156, 157]
Sampan’i Afrika Atsimo, 2006
Trano fonenana, birao, fanontam-pirinty vaovao, ary Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana
[Sary, pejy 156, 157]
Komitin’ny Sampana
Piet Wentzel
Loyiso Piliso
Rowen Brookes
Raymond Mthalane
Frans Muller
Pieter de Heer
Jannie Dieperink
[Sary, pejy 161, 162]
Namibia
William sy Ellen Heindel
oralie sy Dick Waldron, 1951
Biraon’ny fandikan-teny any Namibia
[Sary, pejy 167]
Lesotho
(Ambony) Abel Modiba, tamin’izy mpiandraikitra ny faritra; (havanana) mponina an-dava-bato, mihaino misionera iray; (havia) Per-Ola sy Birgitta Nygren
[Sary, pejy 168]
Botswana
Thongoana mianakavy, mitory amin’ny mpivarotra amoron-dalana
Fitoriana amin’ireo trano bongo
[Sary, pejy 170]
Soazilandy
James sy Dawne Hockett
Fitoriana amin’ny mpivarotra asa tanana, any Mbabane
[Sary, pejy 170]
Sainte-Hélène
Iray andro dia voazara ny “Vaovao Momba Ilay Fanjakana”; (ambany) Jamestown, misy seranan-tsambo
[Sary, pejy 175]
Fivoriambe iraisam-pirenena, 1993