Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Afrika Atsimo

Tafasaraka nandritra ny taona maro ny mponina tao amin’io tany io. Tsy noho ny fiteny samy hafa ihany no nahatonga izany, fa noho ny lalàna mihitsy. Nisy lalàna hentitra nifehy ny olona arakaraka ny volon-kodiny, ka nametra ny toerana azony naleha, nonenana, niasana, ary nianarana. Ho hitanao ato ny fandrosoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niray saina foana izy ireo, na teo aza ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny ady an-trano.

Letonia

Inona no nataon’ny Vavolombelona mba tsy ho voasambotra nandritra ny fitondrana jadon’ny Kominista? Nahoana ny lehilahy iray no nilaza hoe: “Misaotra an’Andriamanitra aho fa nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona”? Ary inona no nitranga rehefa nanaiky ny fahamarinana ilay tompon-daka amin’ny fibatana fonjam-by? Ho hitanao ato fa tsy voageja teo amin’ny lafiny ara-panahy ny vahoakan’Andriamanitra, na dia nampahorina nandritra ny taona maro aza.

La Réunion

Nanomboka ny fitoriana tao amin’io nosy io, rehefa tonga tany ny fianakaviana Vavolombelona iray, tamin’ny 1961. Ho fantatrao ny fomba nikarakaran’izy ireo ny olona nandray ny vaovao tsara. Ho hitanao hoe nahoana no lasa nihaino ny mpanohitra iray, noho ny lasopy iray vilia. Ho hitanao koa hoe nahoana no nisy mpitory mahery fo efatra tonga hatrany amin’ny faritra nisy volkano efa maty.