Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

La Réunion

La Réunion

La Réunion

AZO inoana fa Arabo mpivarotra no sendra nahita ny nosy La Réunion voalohany. Paradisa iray atỳ amin’ny tany mafana izy io. Toy ny vatosoa maitso io nosy io, ao amin’ny Oseana Indianina manga antitra. Tsy mena-mitaha amin’ny an’ireo tany hafa ny hakantony sy ny hamaroan’ny zavatra ananany. Ahitana moron-dranomasina feno fasika avy amin’ny volkano eto. Ao koa ny riandrano tsy tambo isaina, ala tropikaly, voninkazodia maro be, lohasaha lalina, tendrombohitra marani-doha nisy volkano, vava volkano ngezabe feno zavamaniry, ary volkano iray mbola velona.

Tsara tarehy i La Réunion, nefa maro amin’ny mponina eto no mankafy zavatra tsara kokoa noho izay manintona ny maso. Tsy inona izany fa ny fahamarinana sarobidy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. I Robert Nisbet, misionera voatendry hanompo tatsy Maorisy, no mpitory ilay Fanjakana voalohany tonga teto. Nijanona teto andro vitsivitsy monja izy tamin’ny Septambra 1955, nefa nahita olona maro be liana tamin’ny Baiboly. Nametraka boky aman-gazety betsaka i Robert, ary nahazo famandrihana maromaro tamin’ny gazety Mifohaza! Nifandray tamin’ireny olona liana ireny tamin’ny alalan’ny taratasy izy.

Nitsidika teto La Réunion tsindraindray i Robert sy Harry Arnott, mpiandraikitra mpitety sampana, teo anelanelan’ny 1955 sy 1960. Nasain’ny sampan’i Frantsa hitsidika teto koa i Adam Lisiak, tamin’ny 1959. Mpisava lalana frantsay taranaka Poloney izy io, ary mpitrandraka arintany efa nisotro ronono, nanompo tany Madagasikara. Nijanona teto i Adam, nandritra ny Desambra 1959 manontolo. Nanoratra toy izao izy: “Katolika mafana fo ny 90 isan-jaton’ny mponina, nefa maro no te hahafantatra bebe kokoa momba ny Tenin’Andriamanitra sy ny tontolo vaovao. Manandrana manakana ny fielezan’ny fahamarinana ny pretra. Nisy nilaza tamin’ny olona iray nanao famandrihana ny Mifohaza!, fa te hindrana ny bokintsika hoe ‘Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina’ ny pretra teo an-toerana. ‘Raha izy mihitsy no mankatỳ, dia ampindramiko’, hoy ilay nanao famandrihana. Tsy tonga mihitsy anefa ilay pretra.”

FANAMPIANA AVY ANY FRANTSA

Nanasa mpitory za-draharaha hifindra teto La Réunion ny sampan’i Frantsa, izay nikarakara ny asa teto tamin’izany. Namaly ny antso ry Pégoud mianakavy, izany hoe i André sy Jeannine ary Christian, zanak’izy ireo enin-taona. Niaraka tamin-dry zareo koa i Noémie Duray havany. Tonga tamin’ny sambo tamin’ny Janoary 1961 izy ireo. Mpisava lalana manokana nandritra ny roa taona i Noémie, nantsoina hoe Mimi, talohan’ny nodiany tany Frantsa.

Tonga dia nahita olona liana maro izy ireo, ka nanao fivoriana mihitsy tao amin’ny efitranony tao amin’ny hotely iray tao Saint-Denis renivohitra. Raha vao nahita trano ilay fianakaviana, dia tao indray no nivorian-dry zareo. Nanofa trano kely nahazaka olona 30 teo ho eo, ilay antokon’olona tao Saint-Denis, herintaona teo ho eo tatỳ aoriana. Trano hazo nitafo fanitso ary nisy varavarankely roa sy varavarana iray ilay izy. Nesorin’ireo rahalahy ny hazo nampisaraka an’ireo efitra anatiny, rehefa nahazo alalana izy ireo. Nanamboatra lampihazo kely sy dabilio hazo tsy nisy fiankinana koa izy ireo.

Nanevokevoka ny hafanana avy tamin’ilay tafo fanitso ny alahady maraina, rehefa nidanika ny masoandro. Vetivety foana àry dia nitete ny hatsembohan’ny mpanatrika rehetra, indrindra fa ny an’ireo nitsangana teny ambony lampihazo, satria iva kely ilay tafo. Matetika koa no feno hipoka ilay efitrano, ka maro no nijoro teny ivelany ary nihaino teny am-baravarana sy varavarankely. Vao mainka àry tsy ampy ny rivotra.

‘FALY SAHIRANA IZAHAY!’

Tsy arifomba ilay toeram-pivoriana, nefa noraisina tsara daholo izay tonga. Nisy 50 teo ho eo no nivory tsy tapaka tamin’ny faran’ny taona voalohany. Fito ny mpitory nefa 47 ny fampianarana Baiboly! Nianatra indroa isan-kerinandro aza ny sasany tamin’ireo. Hoy ireo rahalahy: “Tena faly izahay, nefa koa faly sahirana!”

Anisan’ny nianatra Baiboly i Myriam Andrien. Tany Madagasikara izy no nanomboka nianatra, tamin’ny 1961. Tsaroany fa nanaovana fivoriambe koa ilay trano voalaza tetsy aloha. Nasian’ireo rahalahy toerana notafoana ravina palmie fotsiny teo an-tokotany mba hahazoana alokaloka. Nahatratra 110 ny mpanatrika an’ireny fivoriambe voalohany ireny.

Anisan’ireo natao batisa tatsy Maorisy tamin’ny Oktobra 1961 i David Souris sy Marianne Lan-Ngoo ary Lucien Véchot, izay samy nanampy betsaka tamin’ny asa fitoriana. Nanjary 32 ny mpitory ny taona nanaraka, ary nitarika fampianarana Baiboly 30 be izao ny mpisava lalana tsirairay! Nahatratra 100 ny mpanatrika fivoriana alahady, ary avy tamin’ny foko samihafa izy ireo.

Maro amin’ny Karàna eto La Réunion no mampifangaro fivavahana roa, dia ny Fivavahana Katolika sy Hindoisma. Sarotra be tamin’ny sasany ny niala tamin’ny fahazaran-dratsiny. Nahita vokatra tsara anefa matetika ireo rahalahy, noho izy ireo manam-paharetana sy tsara fanahy ary mifikitra amin’ny marina. Nisy, ohatra, vehivavy nampianarin’ny mpisava lalana nandritra ny roa taona, nefa mbola nanaraka fivavahan-diso sy nanao sikidy ary nanao tokantranomaso. Nafindran’ilay mpisava lalana tamin’ny anabavy hafa ilay fampianarana, sao mba izy no ho afaka hanampy an’ilay vehivavy. Hoy ilay anabavy: “Nanjary takatr’ilay vehivavy kokoa ny fahamarinana, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Faly be aho satria tsy nanao sikidy intsony izy. Mbola tsy nisora-panambadiana ihany anefa izy, satria tsy nanaiky ilay lehilahy. Tsy nety nisaraka taminy anefa ilay vehivavy, ka voatery najanona ilay fampianarana.”

“Nifanena teny an-dalana izahay indray andro, ary nangataka ny hianatra indray izy. ‘Eny àry’, hoy aho, ‘raha vonona hampihatra izay nianaranao ianao.’ Nasaiko nivavaka tamin’i Jehovah momba ilay raharaha izy, ary nivavaka tokoa. Tatỳ aoriana, dia sahy niresaka tamin’ilay lehilahy izy. Faly be izy satria nanaiky hisoratra izy io. Nanomboka niara-nivory izy mivady.”

In-11 no nisy tampon’isa teo amin’ny mpitory, nandritra ny taom-panompoana 1963, ka 93 ny tampon’isa farany. Fiangonana roa sy antoko-mpitory iray no teto La Réunion tamin’izany. Tamin’ny Desambra 1962 no nisy fivoriambe voalohany tany Saint-Gilles-les Bains, ary 20 no natao batisa tamin’izay. Nisy 38 kosa no natao batisa tamin’ny Jona 1963. Nisy mpitory 1 isaky ny mponina 41 667 teto La Réunion, tamin’ny 1961. Telo taona tatỳ aoriana, dia lasa 1 isaky ny 2 286 izany. “Nampitombo [ny voan’ilay Fanjakana]” tokoa i Jehovah teto amin’ity nosy mahavokatra ity.—1 Kor. 3:6.

FITORIANA TANY AMIN’NY FARITRA LAVITRA KOKOA

Nandroso ny fiangonana tao Saint-Denis ka nisy mpitory 110 mahery tamin’ny 1965, efa-taona monja taorian’ny nahatongavan’ilay fianakaviana voalohany. Vitan’izy ireo isaky ny roatokombolana ny faritaniny. Nisy faritra lavitra mbola tsy nitoriana mihitsy anefa. Inona àry no nataon’ireo rahalahy? Nanofa bisy izy ireo, ary nitory tany amin’ny tanàna amoron-tsiraka, toa an’i Saint-Leu, Saint-Philippe, ary Saint-Pierre.

Niainga vao maraina ireo rahalahy, satria ela be vao ho tonga any amin’ny faritany sasany. Matetika izy ireo no nanaraka lalana tery sy nideza ary niolakolaka be. Adiny roa taloha no nanaovan’ny fiara ny lalana avy ao Saint-Denis mankany Le Port, nefa 15 minitra izany ankehitriny. Hoy ny rahalahy iray: “Nila finoana ny nandeha tamin’izany lalana izany.” Efa tsara izao ny lalana nefa mbola mety hampidi-doza ihany. Misy tendrombohitra mitsatoka be mantsy eny amoron’ny lalana sasany. Mikodiadia avy eny indraindray ny vatobe milanja an-taoniny maro, rehefa avy be ny orana. Betsaka ny olona efa matin’ireny.

Hoy i Christian Pégoud: “Tamin’izaho valo taona teo ho eo, dia nitory tany amin’ny faritany nitokana izahay, ary nahapetraka Mifohaza! 400 ka hatramin’ny 600. Voarara Ny Tilikambo Fiambenana tamin’izany. Tian’ny lehilahy sasany tsy Vavolombelona ny niaraka tamin’ny vadiny, na dia tsy nitory aza izy ireo. Nitsangantsangana izahay rehefa avy nitory, ary tena nankafizinay ankizy izany. Tena nisy vokany tsara teo amiko ireny zavatra niavaka ireny.”

NANDROSO HATRANY NY ASA

I Milton Henschel no solontenan’ny foibe nitsidika voalohany teto La Réunion, tamin’ny Mey 1963. Nanao lahateny manokana izy ary 155 ny mpanatrika. Nisy mpisava lalana manokana efatra notendrena taorian’izay, mba hikarakara ireo fiangonana, sy hiasa tany amin’ny faritra mbola tsy nitoriana. Nirahina tany Le Port i David Souris, Lucien Véchot tany Saint-André, ary Marianne Lan-Ngoo sy Noémie Duray (Tisserand ankehitriny) tany Saint-Pierre.

I Maorisy indray no niandraikitra ny asa teto La Réunion nanomboka tamin’ny 1 Mey 1964, fa tsy i Frantsa intsony. Nasiana toerana fanatobiana entana koa teto. Nasaina niasa tany amin’ny faritany tsy nisy tompony ny mpitory. Nampirisihina koa ny rahalahy mba hiezaka hahazo tombontsoam-panompoana. Amin’izay dia ho voakarakara tsara ireo vaovao izay manaiky ny fahamarinana. Nisy 57 àry no natao batisa nandritra ny taom-panompoana 1964, ka tamin’ny fivoriambe iray ny 21 tamin’ireo!

Nangataka mba ho lasa fiangonana ny antoko-mpitory tany Saint-André, herintaona talohan’izay. Toy izao ilay fangatahana: “Ho 12 ny mpitory vita batisa amin’ny faran’ny volana Jona 1963, ary mety hisy 5 na 6 ny mpitory vaovao ato anatin’ny roa volana. Misy 30 ny olona mianatra Baiboly.” Nekena io fangatahana io, ary rahalahy roa no niandraikitra ilay fiangonana. I Jean Nasseau no mpikarakara ny fiangonana, na mpiandraikitra mpitantan-draharaha, ary i Lucien Véchot no mpanampy azy. Roa taona latsaka no naha tao amin’ny fahamarinana azy mirahalahy tamin’izany.

Rahalahy 38 taona i Jean, ary vaventy nefa tsara fanahy sy malala-tanana. Mpampianatra tao amin’ny sekoly teknika izy ary mpanao fanorenana mahay. Vita batisa tamin’ny 1962 izy, ary nampiasa ny fahaizany mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Izy, raha ny marina, no nandoa ny vola nanaovana ny efitrano faharoa teto La Réunion. Teo amin’ny taniny tany Saint-André no nanorenana azy io. Efitrano hazo ilay izy nefa mafy sy vita tsara, ary nahazaka olona 50 mahery. Ny antoko-mpitory tany Saint-André no nikarakara ilay faritany tamin’ny voalohany, ary efa misy fiangonana valo izao any. Nahatoky mandra-pahafatiny tamin’ny 1997 i Jean.

Nisy antoko-mpitory fahatelo niforona tany Le Port, taoriana kelin’ny 1960. Anisan’izy ireo ny olona liana avy tao Saint-Paul, any amin’ny valo kilaometatra teo ho eo any atsimo. Trano hazo tsotra ary voahodidina karazana raiketa tsy misy tsilo no hita any Le Port, tanàna misy seranan-tsambo. Nanofa trano tany i David Souris, ary tao koa no nanaovany fivoriana. Nangataka mba ho lasa fiangonana ny mpitory tany, tamin’ny Desambra 1963. Nisy 16 ry zareo, ka 8 tamin’ireo no vita batisa, ary 22,5 isam-bolana ny ora vitan’izy ireo, tamin’ny antsalany. I David sy ny mpanampy azy fotsiny dia efa nitarika fampianarana Baiboly 38! Nisy 53 ny mpanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro nataon’ny mpiandraikitra ny faritra, tamin’ny fitsidihany tamin’io volana io.

Notendrena ho any Le Port koa i Christian sy Josette Bonnecaze, mpisava lalana manokana. Natao batisa tany Guyane i Christian, ary tonga teto La Réunion taoriana kelin’ny 1960. Mpitovo izy tamin’izany ary izy irery no Vavolombelona tao amin’ny fianakaviany. Tsara fanahy ny Rahalahy Souris ka nifindra mba hahafahan-dry Christian sy Josette hipetraka tao amin’ilay trano nivoriana. Nandroso be anefa ilay fiangonana tatỳ aoriana, ka voatery nifindra trano koa izy mivady!

Nanomboka nampirisika ny olona hankahala ny Vavolombelona anefa ny mpitondra fivavahana. Katolika ny ankamaroan’izy ireo. Matetika no notorahan’ny tanora ny mpitory, tamin’ny antoandro, ary ny tafon-tranon’izy ireo kosa no notorahany tamin’ny alina.

Fantatr’i Raphaëlla Hoarau, izay nianatra Baiboly vao haingana, ny sasany tamin’ireny tanora ireny. Indray andro, dia narahiny hatrany an-trano ireo tanora vao avy nitoraka, ka hoy izy: “Hahita raharaha amiko ianareo, raha mbola mitoraka an’iny anadahiko iny.”

Hoy ireo tanora: “Aza fady Madama a! Tsy fantatray hoe anadahinao iny.”

Lasa Vavolombelona i Raphaëlla sy ny zanany telo vavy, ary nanambady an’i Lucien Véchot i Yolaine, iray tamin’ireo.

Na teo aza ny fanoherana, dia nandroso be ilay fiangonana tany Le Port noho ny zotom-pon’ireo rahalahy sy ny fitahian’Andriamanitra. Tsy ela àry dia feno hipoka ilay efitrano. Matetika no maro kokoa ireo mpanatrika teny ivelany, noho ireo tao anatiny. Nasiana seza hatraiza hatraiza, na hatreny amin’ny lampihazo aza. Nisy ankizy nipetraka koa teny an-tsisin’ny lampihazo ary nitodika tany amin’ny mpanatrika. Nanorina Efitrano Fanjakana tsara tarehy tatỳ aoriana, ireo rahalahy, ary misy fiangonana enina izao any Le Port.

LOHA LAHARANA NY MPISAVA LALANA

Anisan’ireo mpisava lalana voalohany teto La Réunion i Annick Lapierre. Hoy i Myriam Thomas: “I Annick no nampianatra anay sy Neny. Nampirisika ahy hiezaka mafy tamin’ny fanompoana izy, ary nilaza taminy aho fa te ho mpisava lalana. Natao batisa aho, enim-bolana tatỳ aoriana. I La Réunion manontolo no faritaninay tamin’izany, ary matetika izahay no nandeha an-tongotra, satria sady tsy nisy bisy no mbola vitsy kely ny fiara. Nanana fiara anefa ny Anadahy Nasseau, ka nateriny teny amin’ny faritany izahay isaky ny afaka izy. Tena narisika izahay rehetra, sady faly rehefa nitory.”

Hoy i Henri-Lucien Grondin, raim-pianakaviana: “Nampirisihinay foana ny zanakay hanao mpisava lalana. Nanantitrantitra mantsy ireo mpiandraikitra ny faritra, fa zava-dehibe ny manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah. Efapolo taona izao i Henri-Fred lahimatoanay, ary ny fanompoana manontolo andro no nataony anton’asa.”

Hoy i Henri-Fred: “Nisy tanora be zotom-po maro teo anivon’ny fiangonanay. Efa vita batisa ny sasany, ary ny hafa kosa mbola tsy vita, tahaka ahy. Samy nahavita 60 ora tamin’ny fanompoana anefa izahay, nandritra ny vakansy. Tsy nanadino ny tanjonay teo amin’ny fanompoana mihitsy izahay. Mpiandraikitra ny faritra aho izao, ary miaraka amiko i Evelyne vadiko.”

FANOHERAN’NY DEMONIA

Betsaka ny olona mifandray amin’ny demonia, eto La Réunion. Hoy i Jeannine Corino (vadin’i Pégoud taloha): “Nihaona tamin’ny rangahy iray aho tany La Montagne. Nilaza izy fa saribakoly fotsiny, hono, no hotsindroniny paingotra, dia hisy loza hanjo ahy. Tsy azoko izay tiany holazaina, ka nanontaniako an’ilay olona nampianariko Baiboly. ‘Mpimasy izany rangahy izany’, hoy ilay mpianatra, ‘ary hiantso demonia izy mba hanisy ratsy anao.’ Nolazaiko taminy anefa fa miaro an’ireo matoky tanteraka azy i Jehovah. Mazava ho azy fa tsy nisy loza nanjo ahy.”

Tsaroan’ny rahalahy iray fa namoha angatra ny fianakaviany, tamin’izy mbola kely. Nahita Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’ny 1969, ary nianatra Baiboly. Nanandrana nanakivy azy ny demonia, ka nataony marenina izy rehefa nivory. Tonga foana anefa izy, ary noraisiny tamin’ny kasety ireo lahateny mba hohenoiny tany an-trano. Tsy ela dia tsy nanelingelina azy intsony ny demonia, ary nanomboka nitory izy.—Jak. 4:7.

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona i Roséda Caro, vehivavy pentekotista, tamin’ny 1996. Voan’ny diabeta izy nefa nanaraka ny torohevitry ny mpiara-mivavaka taminy, ka tsy nohaniny intsony ny fanafodiny. Lasa jamba àry izy. Mpikambana tamin’ny antoko kominista i Cledo vadiny, ary natahoran’ny olona satria nahery setra. Nilalao ody koa izy io ary nandray anjara tamin’ireo fombafomban’ny Hindoa, nefa lasa Pentekotista koa tatỳ aoriana.

Nanohitra i Cledo rehefa nianatra Baiboly i Roséda, ary nandrahona mihitsy an’ireo anti-panahy. Tsy kivy anefa i Roséda. Niditra hopitaly i Cledo, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ary tsy nahatsiaro tena. Nitondran’ny Vavolombelona roa lasopy izy rehefa nahatsiaro tena, ary noheveriny hoe ho an’ny vadiny ilay izy.

Hoy anefa ireo anabavy ireo: “Ho anao mihitsy ity lasopy ity Ramose Cledo a!”

Nitantara i Cledo hoe: “Tena nanohina ny foko izany. Tsy mba nisy Pentekotista nitsidika ahy mihitsy mantsy, fa ny Vavolombelon’i Jehovah izay notoheriko mafy indray no nanatitra sakafo ho ahy. Niaiky aho hoe misy tokoa i Jehovah, ilay Andriamanitry ny vadiko. Nivavaka mangina aho avy eo, ka nangataka mba hanaraka ny finoan’i Roséda.”

Talohan’ny nanaovan’i Cledo an’io vavaka feno fanetren-tena io, dia efa somary niova izy. Navelany hianatra tany an-tranon’olona, ohatra, ny vadiny. Hoy anefa izy indray andro tamin’i Roséda sy ilay anabavy nampianatra azy: “Tsy tsara ny ianaranareo any, fa aleo atỳ an-trano.” Nanaiky avy hatrany izy mirahavavy. Tsy fantatr’izy ireo fa hay nihaino tao amin’ny efitra ilany i Cledo, ary tiany ny zavatra reny. Tsy nahay namaky teny i Cledo, nefa nianatra indroa isan-kerinandro izy rehefa sitrana, ary natao batisa tamin’ny 1998. Efa antitra izao i Cledo sy Roséda, ka tsy salama matetika. Mbola manompo amim-pahatokiana foana anefa izy mivady.

FITORIANA HATRANY AFOVOAN-TANY

Vitsy noho ny olona atỳ amoron-tsiraka ny mponina any afovoan-tany. Ny sasany mipetraka any amin’ny lohasaha voahodidina tendrombohitra avo be mahatratra 1 200 metatra na mihoatra. Ny hafa indray any amin’ny vava volkano efa maty, izay midadasika sy maitso mavana. Mahalana ny sasany amin’ireny olona ireny vao mahita ranomasina, raha hahita aza. Tsy maintsy mandeha an-tongotra na helikoptera ny olona, ohatra, vao tonga any amin’ny vava volkanon’i Cirque de Mafate.

Tany amin’io Cirque de Mafate io no nahabe an’i Louis Nelaupe, taranaky ny andevo afrikanina. Anisan’ireo nilanja ny mompera izy, tamin’izy tovolahy. Nifindra tao Saint-Denis i Louis tatỳ aoriana, ary tao izy no nahita ny fahamarinana. Mazava ho azy fa naniry hilaza tamin’ny havany an’ireo zava-baovao ninoany izy. Indray andro àry, tamin’ny 1968, dia nandeha an-tongotra nankany afovoan-tany i Louis sy Anne vadiny ary ny anabavy roa, 15 sy 67 taona. Nitondra sakaosy sy valizy ary kitapo feno boky sy gazety izy ireo.

Nanaraka moron-drano aloha ry zareo, ary niakatra tamin’ny lalan-kely miolikolika tany an-tendrombohitra. Nandalo haram-bato mitsatoka be izy ireo, nefa tevana no teo amin’ny ilany. Nitorian’izy ireo ny trano rehetra teny an-dalana. Hoy i Louis: “Nanome izay nilainay i Jehovah tamin’io alina io. Mpivarotra iray ihany no tao amin’ilay faritra, ary nanome anay efitra roa nisy fandriana sy lakozia izy io. Niainga indray izahay ny ampitso maraina. Nianika tendrombohitra nirefy 1 400 metatra izahay, ary tonga tao amin’ilay vava volkano toy ny kianja be voajanahary.”

“Tonga tao amin’ny namanay izahay tamin’ny farany, ary noraisiny tsara. Ny ampitson’iny, dia navelanay tao aminy ny entana sasany, ary nanohy ny dianay izahay. Goavy madinika no sakafonay. Nitory tamin’ireo olona tso-po mbola tsy nandre mihitsy ny vaovao tsara izahay. Tonga tao amin’ny havanay izahay tamin’ny enina ora hariva. Faly erỳ izy nahita anay, ka akoho matsiro be no nataony sakafo. Nampahatsiaro anay an’i Abrahama sy Saraha, izay nanome sakafo anjelin’Andriamanitra izany. (Gen. 18:1-8) Nitory taminy izahay, sady nanao ny raharahany ihany izy. Tamin’ny 11 ora alina izahay vao nisakafo.”

“Nandeha an-tongotra nanodidina ilay vava volkano izahay ny ampitso alakamisy. Goavy ihany no nohaninay, ary nitory tamin’izay trano hitanay izahay. Nisy lehilahy tsara fanahy nandroso kafe ho anay, ka afaka niala sasatra kely izahay. Ny tongotray ihany anefa no nijanona fa tsy ny vavanay! Tena tian’io lehilahy io ilay resaka ara-baiboly, ka narahiny tany amin’ny trano rehetra izahay, hatrany amin’ny iray kilaometatra avy teo aminy. Sady nitsoka farara izy no nanaraka anay.”

“Tafaverina tany amin’ilay toerana nametrahanay entana izahay tamin’ny farany, ary natory tao. Tonga tany an-trano izahay efatra mianadahy ny zoma hariva be. Nahavita dia an-tongotra 150 kilaometatra teo ho eo izahay, anisan’izany ilay anabavy 67 taona. Trano 60 no nitorianay, ary boky sy gazety 100 mahery no voapetrakay. Tena vizana izahay, nefa nihanatanjaka ny finoanay. Ho ahy manokana, dia nahafahako niverina tany amin’ny tany niaviako, iny dia nankany amin’ny Cirque de Mafate iny.”

MPITORY ROA LASA FIANGONANA DIMY!

Tsy nisy fiangonana tany La Rivière, any atsimo, rehefa nifindra tany i Christian Pégoud sy ny reniny, tamin’ny 1974. Hoy i Christian, izay 20 taona tamin’izany: “Tao amin’ny garazinay izahay no nivory, ary tsy ela dia 30 ny mpanatrika. Nampianariko Baiboly ny vehivavy iray sy ny zanany vavy atao hoe Céline, izay fofombadin’i Ulysse Grondin. Kominista nafana fo i Ulysse ka tsy tiany hianatra Baiboly ny fofombadiny. Nataon’i Céline izay hahatonga an’i Ulysse hihaino anay, ka nitsidika azy sy ny ray aman-dreniny i Neny. Faly be izahay satria nihaino an’i Neny ry zareo ary tiany ny zavatra reny. Nanomboka nianatra izy mianakavy, ary natao batisa i Ulysse sy Céline sady nivady izy roa, tamin’ny 1975. Voatendry ho anti-panahy i Ulysse tatỳ aoriana.”

Hoy ihany i Christian: “Ankoatra an’i La Rivière, dia faritaninay koa i Cilaos, Les Avirons, Les Makes, ary L’Étang-Salé. Nahita olona liana maro izahay tao Les Makes. Any ambonin’io tanàna io no misy an’i Le Cap, izay eo amin’ny sisin’ny volkano iray efa maty. Tazana avy eny, amin’ny maraina tsy semban-drahona, ny kijana misy voly maitso mavana, erỳ amin’ny 300 metatra ambany erỳ.”

Nisy fianakaviana atao hoe Poudroux, nipetraka tao amin’ny tany nohofana akaikin’i Le Cap. Hoy i Jean-Claude, lahimatoan-dry zareo: “Nanampy an’i Dada namboly legioma mba hamidy teny an-tsena izahay folo mianadahy (dimy lahy sy dimy vavy). Namboly zeraniôma koa izy, ary nanamboatra ranoka fanaovana ranomanitra avy amin’izany. Nandeha an-tongotra dimy kilaometatra izahay rehefa hianatra, sady nitondra legioma koa matetika. Nividiananay enta-madinika ny vidin’izany. Niloloha entana folo kilao teo ho eo àry izahay indraindray, rehefa nody.”

“Nazoto niasa i Dada, ka nohajainay noho izany. Nisotro toaka be anefa izy toy ny fanaon’ny olona atỳ, ary nahery setra rehefa mamo. Matetika izy no nanao zavatra tena nahatsiravina tao an-trano, ka natahotra izahay ankizy hoe inona no hiafaranay mianakavy.”

Hoy ihany i Jean-Claude: “Nisy mpisava lalana nitory tamiko tamin’ny 1974. Mpampianatra tao amin’ny sekoly iray tany La Rivière aho tamin’izany. Nahita ny fihatsarambelatsihy sy ny tsy rariny tany am-piangonana aho, ka saika lasa tsy nino an’Andriamanitra. Gaga be anefa aho rehefa nampiasa Baiboly ilay rahalahy mba hamaliana ny fanontaniako rehetra. Nanomboka nianatra izahay sy Nicole vadiko. Nitsidika ny fianakaviako koa izahay, ka nilaza tamin’izy ireo ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly. Matetika no niresaka hatramin’ny alina be izahay sy ireo mpiray tam-po tamiko. Nihaino koa indraindray ny ray aman-dreniko.”

“Tsy ela dia tonga tsy tapaka tany aminay i Jean-Marie sy Jean-Michel, rahalahiko, ary Roseline anabaviko, mba hiara-mianatra taminay. Nandroso daholo izahay ka lasa mpitory, ary niara-natao batisa tamin’ny 1976. Nampalahelo fa nendrikendrehin’i Dada hoe nanodinkodina ny sain’ny mpiray tam-po tamiko aho, ka tsy niteny tamiko intsony izy. Nila ady tamiko mihitsy aza izy, ka nataoko izay tsy hifanenana taminy, rehefa teny imason’olona!”

“Nanomboka nianatra kosa i Neny na dia tsy nahay namaky teny aza, ary faly koa aho satria efa niova kely i Dada tatỳ aoriana. Nianatra Baiboly mihitsy aza izy tamin’ny 2002. Misy 26 izao ny havanay vita batisa. Anisan’izany izahay folo mianadahy sy ny vadinay avy, ary i Neny izay efa antitra nefa mbola be zotom-po. Efa mpiandraikitra ny faritra i Jean-Michel sy Jean-Yves, saingy voatery nijanona noho ny tsy fahasalamana. Samy anti-panahy izy mirahalahy, ary mpisava lalana miaraka amin’i Roséda vadiny i Jean-Yves. Anti-panahy koa izahay sy ny zanako lahimatoa.”

Tsy nisy fiangonana tany La Rivière sy ny manodidina, fony tonga tany i Christian Pégoud sy ny reniny, tamin’ny 1974. Misy fiangonana dimy anefa any ankehitriny. Any an-tampon’ny Cirque de Cilaos ny iray amin’ireo, izay malaza noho ireo loharano sy ranomafana. Ahoana no niandohan’ny Fiangonana Cilaos? Nisy mpitorin’i La Rivière nankany Cilaos isaky ny alakamisy, tamin’ny 1975 ka hatramin’ny 1976. Lalana 37 kilaometatra no niakaran’izy ireo. Tery sy miolikolika izy io, ary malaza ho be vato mianjera. Nitory hatramin’ny dimy ora hariva izy ireo. Tsy very maina izany ezaka izany, satria misy mpitory 30 eo ho eo izao any, ary manana Efitrano Fanjakana ry zareo.

NANDROSO KOA NY FARITRA ATSIMO

Masiaka be ny ranomasina any amin’ny faritra atsimon’i La Réunion. Mahery sy vaventy be ny onja midona amin’ny vato eny amoron-tsiraka, izay ahitana ny Piton de la Fournaise, ilay volkano velona eto La Réunion. I Saint-Pierre no tanàna lehibe indrindra any atsimo. Voatendry tany i Denise Mellot sy Lilliane Pieprzyk, mpisava lalana manokana, taloha kelin’ny 1970. Nihamaro ny olona liana tatỳ aoriana, ka nanatevin-daharana azy mirahavavy i Michel Rivière, mpisava lalana manokana, sy Renée vadiny.

I Cléo Lapierre, mpanao trano, no anisan’ny nianatra Baiboly voalohany tany atsimo. Tamin’ny 1968 izy no nanaiky ny fahamarinana. Hoy izy: “Trano kely teo ambany hazo lehibe iray no nanaovana ny fivoriana voalohany natrehiko. Telo metatra avy ny sakany sy ny lavan’izy io. Narodana io ‘Efitrano Fanjakana’ io, ary nosoloana trano lehibe kokoa. Nandray anjara tamin’izany fanorenana izany aho.”

Voantso hanao raharaha miaramila i Cléo tamin’io taona io, satria anisan’ny rezervista. Hoy izy: “Mbola kely ny fahalalana avy ao amin’ny Baiboly nananako. Nanoratra tany amin’ny manam-pahefana anefa aho, ka nanazava fa tsy hanao miaramila mihitsy. Tsy namaly ry zareo. Nandeha tany amin’ny tobin’ny tafika tao Saint-Denis àry aho, mba hanontany momba ilay raharaha. Nasaina nody aho, ary nampiomanina fa higadra. Nivavaka matetika àry aho sady nianatra mafy. Voantso tany amin’ny toby indray aho tsy ela taorian’izay. Nasaiko niandry ahy nandritra ny adiny iray ilay rahalahy nanatitra ahy tamin’ny fiara. Nanafatra azy aho hoe: ‘Raha tsy tafaverina aho, dia voatana aho izay. Amidio ny fiarako ary omeo ny vadiko ny vola.’ ”

“Nisy manamboninahitra hitako niady hevitra momba izay tokony hatao amiko, rehefa niditra aho. Nanatona ahy ny serizà iray rehefa afaka 45 minitra teo ho eo.”

“ ‘Lasa ialahy mody any!’, hoy izy.”

“Vao tsy lasa 45 metatra akory anefa aho dia nasainy niverina. Hoy izy tamin’ny feo nalefaka kokoa: ‘Tena miaiky anareo aho. Efa nandre momba ny Vavolombelon’i Jehovah aho tany Frantsa, fa ianao no voalohany nihaona tamiko.’ ”

“Izaho irery no rahalahy tany Saint-Pierre tamin’izany, ka izaho no nitarika ny fivoriana rehetra. Nisy nanampy ihany anefa aho tsindraindray, ary tamin’ny 1979, dia tonga i Antoine sy Gilberte Branca, mpivady misionera.”

FANORENANA EFITRANO FANJAKANA

Tranon’olona mazàna no nivorian’ireo fiangonana sy antoko-mpitory, tamin’ny voalohany. Nisy koa trano novana mba ho azo ivoriana. Trano mafy mahatanty sikilaonina anefa no nilaina. Lafo be ny trano vita amin’ny simenitra, sady ela kokoa ny fanamboarana azy. Tsy fohy anefa ny tanan’i Jehovah, ka nahazo Efitrano Fanjakana vita tamin’ny simenitra i La Réunion, tatỳ aoriana.—Isaia 59:1.

Nisy rahalahy tanora iray, ohatra, nianatra momba ny fanorenana, tany Saint-Louis. Vao nahazo planin’ny Efitrano Fanjakana vaovao ny fiangonany tamin’izay. Nitory tamin’ny mpampianatra azy ilay rahalahy. Noresahiny taminy ny momba ilay efitrano, ary nohazavainy fa mpiasa an-tsitrapo no hanorina azy io. Inona no nataon’ilay mpampianatra? Nentiny tany amin’ilay toeram-panorenana ny mpianany, mba hiofana! Nanampy nihady fototra izy ireo, ary nanome vy nampiasaina tamin’izany ilay mpampianatra, tatỳ aoriana.

Andro tsy fiasana no nofidin’ireo rahalahy mba hanaovana gorodona simenitra 190 metatra toradroa. Tonga aloha be ireo mpiasa an-tsitrapo zato mahery, ary vonona hiasa. Tapaka anefa ny rano tao an-tanàna! Fantatry ny rahalahy iray ny lehiben’ny sampan-draharahan’ny mpamono afo. Noresahiny tamin’io lehilahy tsara fanahy io àry ilay zava-nanahirana. Avy hatrany dia nandefa fiara nitondra rano ampy tsara mba hamitana ny asa, ilay lehilahy.

Gaga ny lehilahy iray liana vao haingana nahita ny asan’ireo rahalahy, rehefa vita ilay Efitrano Fanjakana. Nanome seky izy, ary nampiana kely ilay vola ka nividianana fanamafisam-peo vaovao. Nitsidika an’i Maorisy i Carey Barber, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny Desambra 1988. Tamin’izay izy no nanao ny lahateny fitokanana teto La Réunion. Vita tamin’ny 1996 ny Efitrano Fanjakana voalohany naorina haingana, tany Saint-Gilles-les Bains. Misy Efitrano Fanjakana 17 izao eto La Réunion, ary fiangonana 34 no mampiasa azy ireo.

AIZA NO HANAOVANA FIVORIAMBE?

Vetivety dia nandroso ny fitoriana teto La Réunion, ka sarotra ny nahita toerana malalaka hanaovana fivoriambe. Tamin’ny 1964 ireo rahalahy no nikasa hanao ny fivoriamben’ny faritra voalohany. Am-bolana maro izy ireo no nitady, fa tsy nahita afa-tsy toerana ambony rihana tao amin’ny hotely fisakafoana iray tao Saint-Denis. Trano hazo efa antitra ilay izy, nefa lafo be ny hofany. Nolazain’ny tompony fa olona 200 mahery no ho zakany, ary izay mihitsy no mpanatrika nantenaina ho tonga.

Tsy nanan-tsafidy ireo rahalahy, ka namandrika an’ilay hotely ihany, ary nisy lehilahy tsara fanahy nanome fanamafisam-peo. Nidridroka be ny gorodona rehefa nihamaro ny olona tonga, nefa tsy naninona ilay izy. Nahatratra 230 ny mpanatrika ny alahady, ary 21 no natao batisa.

Nanana tany tao Saint-Denis i Louis Nelaupe, ilay rahalahy avy any amin’ny Cirque de Mafate. Tsy ela taorian’ilay fivoriambe, dia navelany hanorenana Efitrano Fivoriambe vonjimaika teo amin’ilay taniny. Trano tsotra ilay izy, nisy rafitra hazo, tafo fanitso ary rindrina vita tamin’ny ravina palmie voarary.

Fivoriamben’ny vondrom-paritra telo andro no natao voalohany teo amin’io toerana io. Hoy i Myriam Andrien, anisan’ny mpanatrika: “Nitory izahay ny maraina voalohany, ary niverina mba hisakafo ny antoandro. Tena sakafo kreôla ilay izy, satria vary sy tsaramaso ary akoho natao be sakay. Rougail marmaille, na voankazo natao lasary kosa no nomena an’ireo tsy tia sakay.”

Nitarina ilay Efitrano Fivoriambe rehefa nitombo ny isan’ny mpanatrika, ary natao Efitrano Fanjakana koa ilay izy. Lasa ny mpanofa an’ilay tany tatỳ aoriana, ka nomen’i Louis ho an’ny fiangonana ilay tany manontolo. Misy Efitrano Fanjakana tsara tarehy vita amin’ny biriky izao eo amin’ilay toerana, ary fiangonana roa ao Saint-Denis no mampiasa azy io.

Nahazo Efitrano Fivoriambe koa i La Possession tamin’ny 1997. Dimy taona talohan’io no efa azo ny tany nanorenana azy io. Tsy nasiana rindrina ilay izy, ary nanamboarana dobo fanaovana batisa teo amin’ny sisin’ny lampihazo. Antonona olona 1 600 ilay efitrano, ary ampiasaina in-12 isan-taona, fara fahakeliny. Eo akaikin’izy io ny tranon’ny misionera, natao ho an’olona sivy. Ao koa no misy ny toerana fanatobiana boky sy ny birao mikarakara ny asa eto La Réunion.

Taloha dia nanofa ny Kianja Olympika tao Saint-Paul ireo rahalahy, mba hanaovana fivoriamben’ny vondrom-paritra. Matetika anefa no efa antomotra kely vao tsy maintsy nitady toeran-kafa izy ireo. Ny mpanao lanonana ara-panatanjahan-tena sy ara-kolontsaina foana mantsy no loha laharana. Ny lapan’ny fampirantiana teo akaikin’ilay kianja no nasain’ny biraon’ny tanàna nampiasain’ireo rahalahy, tatỳ aoriana. Sady tsy nisy tafo no tsy nisy fipetrahana anefa ilay izy, ka tsy maintsy nitondra seza sy elo ny mpanatrika. Vokatr’izany, dia elo maro be samihafa loko no hita avy eny amin’ny lampihazo, fa tsy tazana ireo olona mihaino tsara.

Hoy ny tatitra avy eto La Réunion: “Indray mandeha, dia samy namandrika an’ilay toerana izahay sy ny tarika mpihira iray, ary samy neken’ny biraon’ny tanàna. Avy any Martinika ilay tarika, ary mpanao zouk, izay gadon-kira afrikanina sy reggae ary calypso mifangaro. Io tarika io no nahazo an’ilay toerana, fa toeram-pialam-boly atao hoe Ny Lava-baton’ireo Frantsay Voalohany kosa no nomena anay. Toerana nivantanan’ireo mpiavy frantsay voalohany izy io. Tsara tarehy ilay izy satria mahatazana hantsam-bato sady misy hazo maro azo nialofana. Tsy nisy fipetrahana sy lampihazo anefa tany, ary vitsy kely ny kabine.”

“Faly izahay nahazo an’io toerana io. Nisy oram-be mantsy ny asabotsy harivan’ny fivoriambe, ary nilatsaka ny varatra ka tapaka tanteraka ny herinaratra tao amin’ilay kianja. Voatery nofaranana ilay rindran-kira zouk. Tsy tratran’izany kosa izahay tany amin’ny dimy kilaometatra. Nilaza mihitsy aza ny olona sasany hoe ‘didim-pitsaran’Andriamanitra’ izany.”

MITOHY NY FANDROSOANA

Niorina ara-dalàna tamin’ny 22 Jona 1967 ilay fikambanana hoe Association Les Témoins de Jéhovah. I Henri Zamit no mpiandraikitra ny faritra voalohany teto La Réunion, voatendry tamin’ny Febroary 1969. Teraka tany Alzeria izy fa lehibe tany Frantsa. Anisan’ilay faritra niandraiketany ireo fiangonana enina eto La Réunion sy ireo efatra atsy Maorisy ary antoko-mpitory maromaro. Misy faritra roa izao eto La Réunion fotsiny.

Nesorina ny fandrarana Ny Tilikambo Fiambenana naharitra 22 taona tany Frantsa, tamin’ny 1975. Nampiasa avy hatrany an’io gazety io ireo rahalahy teto La Réunion, rehefa nitory. Ny Bulletin intérieur no nampiasain’izy ireo talohan’izay. Natao pirinty tany Frantsa izy io, ary nitovy ihany ny zavatra noraketiny sy ny an’ny Tilikambo Fiambenana, saingy tsy natolotra teny am-pitoriana ilay izy. Ny sampan’i Frantsa no nanao pirinty Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny teny frantsay ho an’i La Réunion sy ireo nosy manodidina, nanomboka tamin’ny Janoary 1980. Nampifanarahana tamin’izay nilaina teto ilay izy. Nadika tamin’ny teny kreôla koa ny boky sasany mba hanampiana ireo olona mampiasa io teny io. Anisan’izany ny Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay sy ny Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Nisy koa taratasy mivalona sy bokikely nadika toy izany. Nampandroso ny vaovao tsara tatỳ amin’ny faritra mitokana tatỳ ireny boky ara-baiboly tena tsara ireny.

Bitika tokoa i La Réunion eto amin’ny Oseana Indianina midadasika. Manakoako anefa ny fiderana an’Andriamanitra eto amin’ity nosy ity! Mampahatsiaro izao tenin’i Isaia mpaminany izao izany: ‘Aoka izy hitory ny fiderana [an’i Jehovah] any amin’ny nosy’! (Isaia 42:10, 12) Tsy mitsahatra mihitsy ny fanonjan’ny ranomasina eto amin’ny morontsirak’i La Réunion. Enga anie ka tsy hitsahatra toy izany koa ny fiderana ataon’ireo Vavolombelon’i Jehovah eto amin’ity nosy be volkano ity!

[Efajoro/​Sarintany, pejy 228, 229]

INDRAY MITOPY MASO AN’I LA RÉUNION

Ilay tany

Anisan’ireo Nosy Mascareignes i Maorisy sy La Réunion ary Rodrigues, ka i La Réunion no lehibe indrindra amin’ireo. Sahabo ho 65 kilaometatra ny lavany ary 50 kilaometatra ny sakany. Misy lohasaha lalina telo tsy lavitra ny afovoan’i La Réunion. Vava volkano telo fahiny no niletsy ka nahatonga an’ireo lohasaha ireo. Misy mponina sy feno zavamaniry any.

Mponina

Miisa 785 200 ny mponina. Avy amin’ny firazanana samy hafa ny ankamaroan’izy ireo, toy ny Afrikanina, Frantsay, Karàna ary Sinoa. Ao koa ireo taranak’olona avy any Azia Atsimoatsinanana. Katolika ny 90 isan-jaton’ireo mponina ireo.

Fiteny

Ny teny frantsay no fiteny ofisialy, nefa ny kreôla no fampiasa andavanandro.

Fivelomana

Ny famokarana fary sy ny fanodinana azy io ho toaka na zavatra hafa, ary koa ny fizahan-tany, no kitro ifaharan’ny toe-karena.

Sakafo

Ny vary, hena, trondro, tsaramaso ary voanemba no foto-tsakafon’ny olona. Ankoatra ny fary dia misy eto koa ny voaniho, letisia, papay, mananasy, laisoa, salady sy voatabiha ary lavanila.

Toetany

Mafana sady mando ny toetany eto La Réunion. Miovaova araka ny faritra anefa ny mari-pana sy ny rotsakorana. Matetika no misy sikilaonina.

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

Madagasikara

Rodrigues

Maorisy

La Réunion

LA RÉUNION

SAINT-DENIS

La Montagne

La Possession

Le Port

Saint-Paul

Saint-Gilles-les Bains

CIRQUE DE MAFATE

CIRQUE DE SALAZIE

Cilaos

CIRQUE DE CILAOS

Saint-Leu

Le Cap

Les Makes

Les Avirons

L’Étang-Salé

La Rivière

Saint-Louis

Saint-Pierre

Saint-Philippe

Piton de la Fournaise

Saint-Benoît

Saint-André

[Sary]

Sary nalaina avy eny ambony

Ranoka volkano

Saint-Denis

[Efajoro, pejy 232, 233]

Tantara Fohy Momba An’i La Réunion

Dina Morgabin (Nosy Tandrefana) no niantsoan’ireo tantsambo arabo an’ity nosy ity, tamin’ny voalohany. Tonga ny Portogey taoriana kelin’ny taona 1500, ka novany hoe Santa Apollonia ilay anarana. Mbola tsy nisy mponina teto tamin’izany. Te haka an’i Santa Apollonia ho an’i Frantsa ilay Frantsay atao hoe Jacques Pronis, ka nalefany sesitany teto ny mpikomy 12 avy any Madagasikara, tamin’ny 1642. Novana hoe Île Bourbon indray ny anaran’ilay nosy, tamin’ny 1649, mba hitovy tamin’ny anaran’ny mpanjakan’i Frantsa. Rava anefa ny Fanjakan’ny Bourbon tamin’ny 1793, nandritra ny Tolom-bahoaka Frantsay. Novana hoe La Réunion indray ilay anarana, ho fahatsiarovana ny fampihavanana ny Polisim-pirenena tao Paris sy ireo mpitolona avy any Marseille. Novana imbetsaka ilay anarana, nefa natao hoe La Réunion ihany tamin’ny 1848. Lasa faritany frantsay izy io tamin’ny 1946.

Nisy andevo avy any Afrika Atsinanana nalefa sambo mba hamboly kafe sy fary teto, taoriana kelin’ny 1660, fony mbola zanatany i La Réunion. Tany Inde sy Azia Atsimoatsinanana indray i Frantsa no nitady mpiasa hokaramaina, rehefa foana ny fanandevozana tamin’ny 1848. Taranak’ireny olona samy hafa foko ireny ny ankamaroan’ny mponina eto. Nihena ny voly kafe tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-19, ka ny fary no lasa vokatra tena aondran’i La Réunion.

[Efajoro/​Sary, pejy 236, 237]

Mpanao “Bokona Hozatra” Lasa Mpisava Lalana Manokana

LUCIEN VÉCHOT

TERAKA 1937

BATISA 1961

TANTARANY Mpanao “bokona hozatra” nalaza izy taloha. Lasa mpisava lalana manokana tamin’ny 1963 ka hatramin’ny 1968, ary anti-panahy nanomboka tamin’ny 1975.

TSY afaka ato an-tsaiko ilay andro iray tamin’ny 1961. Nampiantso ahy ny vadin’ilay namako atao hoe Jean. Natahotra mantsy izy sao hila ady tamin’i Jean ny Vavolombelon’i Jehovah, ka hamono azy. Nalainy àry aho mba “hamonjy” an’i Jean tamin’ireo olona nolazainy fa mpaminany sandoka ireo!

Hoy aho anakampo: ‘Hasiako ireto raha mikasi-tanana azy eo.’ Tena nahafinaritra anefa ry zareo sady nahay nandanjalanja, ary tsy nila ady mihitsy. Momba ny lakroa ny adihevitra natao, ary niditra tamin’ilay resaka koa aho. Nampiasa Baiboly ireo Vavolombelona, ka noporofoiny fa maty teo amin’ny tsato-kazo tsotra i Jesosy.

Nanontany aho avy eo hoe: ‘Inona no tian’i Daniela mpaminany holazaina rehefa niresaka izy fa “nitsangana” hiaro ny vahoakan’Andriamanitra i Mikaela arkanjely.’ (Dan. 12:1) Nampiasa ny Soratra Masina indray ireo Vavolombelona. Nohazavainy fa i Jesosy Kristy no Mikaela, ary ‘nitsangana’ izy, izany hoe lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914. (Matio 24:3-7; Apok. 12:7-10) Tena nahavariana ahy ireo valim-panontaniana ireo sy ny fahalalana ara-baiboly nananan’ny Vavolombelona. Nanomboka teo dia nanararaotra niresaka momba ny Baiboly foana aho, isaky ny nahita azy ireo. Nanaraka azy ireo isan-trano mihitsy aza aho, ary nandray anjara tamin’ny resaka nataony. Nanomboka niaraka tamin’ilay antoko-mpitory nivory tany Saint-André aho, tsy ela taorian’izay.

Mbola tsy nahay namaky teny tsara aho rehefa nivory voalohany. Izaho anefa no namaky ny fehintsoratra sasany tao amin’ny Bulletin intérieur, izay nampiasainay ho solon’ny Tilikambo Fiambenana. Nasaina nitarika fianarana boky koa aho raha vao vita batisa, satria tsy nisy rahalahy hafa. Nanontany tena aho hoe: ‘Dia ahoana no hataoko amin’izany?’ Tsy natoky tena aho ka nitebiteby. Fantatr’i Jeannine Pégoud izany, ka nilaza tamin-katsaram-panahy izy fa azony atao ny mamaky ireo fehintsoratra, ary izaho kosa no mametraka ny fanontaniana. Izany no nataonay ka nandeha tsara ilay fianarana.

Nitsidika teto La Réunion i Milton Henschel tamin’ny 1963. Nampirisika an’ireo nahafeno fepetra izy tamin’izay, mba hanao ny asan’ny mpisava lalana manokana. Nanao fangatahana aho, satria naniry hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Voatendry ho any Saint-André àry aho. Nitarika fampianarana Baiboly sivy aho, rehefa nandeha ny fotoana.

Tao an-tranon’i Jean Nasseau no nivory ilay fiangonana vaovao. Izaho no niandraikitra azy io nandritra ny enim-bolana, rehefa voan’ny lozam-piarakodia i Jean ka tapaka ny maojany. Izaho àry no nanao lahateny, nitarika ny Sekolin’ny Fanompoana sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, ary nanao ny tatitra nalefa tany amin’ny sampana. Nahazoako traikefa sarobidy izany rehetra izany.

Tsy maintsy nanampy ny olona hiala tamin’ny finoanoam-poana izahay rehefa nitory. Betsaka mantsy no ninonino foana, noho izy ireo nampifangaro ny Fivavahana Katolika sy ny Hindoisma. Nanaiky ny vaovao tsara anefa ny olona. Nisy 20, fara fahakeliny, no lasa Vavolombelona tao amin’ny fianakaviana iray. Fiangonana dimy izao no any Saint-André.

[Efajoro/​Sary, pejy 238]

Nisedra ny Finoako ny Fanesoana

MYRIAM THOMAS

TERAKA 1937

BATISA 1965

TANTARANY Mpisava lalana nanomboka tamin’ny 1966.

SAIKA ny olona rehetra no nampandroso anay sy Louis Nelaupe, zanak’olo-mpiray tam-po tamiko, tamin’izahay nanomboka nitory tamin’ny 1962. Nandroso kafe na ranom-boankazo na toaka ho anay mihitsy aza ry zareo! Tsy ela anefa dia nampirisihin’ny mpitondra fivavahana ny olona, ka tsy nandray tsara intsony. Naneso anay ny sasany, ary nisy aza sahy nanevateva ny anaran’Andriamanitra indraindray. Nitora-bato anay mihitsy ny mponina tao amin’ny tanàna iray.

Vokatr’izany, dia tsy nampiasa ny anaran’Andriamanitra intsony ny sasany taminay, rehefa nitory. Nahamarika izany ny mpiandraikitra ny faritra ka nanontany ny antony. Menamenatra izahay rehefa namaly azy. Nanoro hevitra anay tamin-katsaram-panahy anefa izy, sady nampirisika anay mba ho be herim-po kokoa. Tena nankasitrahanay izany, ary noraisinay ho toy ny fanitsiana avy amin’Andriamanitra. (Heb. 12:6) Efa ela aho no tsy mpisava lalana intsony raha tsy nanam-paharetana sy namindra fo tamiko i Jehovah. Afaka nanao an’io fanompoana sarobidy io kosa aho, efa hatramin’ny 40 taona mahery izao, noho ny fanahiny masina.

[Efajoro/​Sary, pejy 246, 247]

Nanampy Ahy Hiaritra Fitsapana i Jehovah

SULLY ESPARON

TERAKA 1947

BATISA 1964

TANTARANY Anisan’ireo vita batisa voalohany teto La Réunion. Nigadra nandritra ny telo taona satria tsy nety nanao raharaha miaramila.

NOROAHIN’NY ray aman-dreniko aho rehefa nanaiky ny fahamarinana, tamin’izaho 15 taona. Mbola tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah foana anefa aho. Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana maharitra aho tamin’ny 1964, ary lasa mpisava lalana manokana tamin’ny 1965. Anisan’ny voatendry hiandraikitra fiangonana roa koa aho, dia ny tany Saint-André izay nisy mpitory 12 sy ny tany Saint-Benoît izay nisy mpitory 6. Nivezivezy tsy tapaka teo amin’ireo fiangonana ireo izahay sy Jean-Claude Furcy. Nandeha bisikileta izahay tamin’izany.

Voantso hanao raharaha miaramila aho tamin’ny 1967. Nohazavaiko fa tsy afaka nampiasa fitaovam-piadiana aho satria Kristianina. Tsy azon’ireo manam-pahefana anefa ny hevitro ka tsy nekeny, satria izaho no voalohany tsy nety nanao raharaha miaramila teto La Réunion. Nokapohin’ny miaramila iray teo anatrehan’ny zazavao 400 aho, ary nentiny tany amin’ny biraony. Nikotringatringa aho nanaraka azy. Navoakany teo ambony latabatra ny fanamiana, ary nasainy nanaovako raha tsy tiako ny ho voakapoka indray. Vaventy sady lava noho izaho izy satria nirefy 1,80 metatra latsaka kely. Nisikina herim-po anefa aho, ary niteny hoe: “Raha mbola mikapoka ahy ianao, dia hotoriko, satria afaka mifidy ny fivavahany ny olona araka ny lalàna frantsay.” Tezitra izy ary nanatona ahy, nefa nifehy tena indray. Nentiny tany amin’ny lehibeny aho avy eo. Nilaza izy io fa hampanaovina asa an-terivozona telo taona any Frantsa aho.

Voaheloka higadra telo taona tokoa aho saingy teto La Réunion ihany, ary tsy asa an-terivozona ilay izy. Nasain’ilay mpitsara nankany amin’ny biraony aho, rehefa vita ilay fitsarana. Nitsikitsiky izy sady nandray ny tanako. Nohazavainy fa nalahelo ahy izy, saingy tsy maintsy nampihatra ny lalàna. Tsara fanahy tamiko koa ny lefitry ny lehiben’ny fonja, ka tany amin’ny fitsarana aho no nasainy niasa. Niaraka tamiko tany amin’ny toerana voatokana ho an’ny mpitsidika mihitsy aza izy, mba hiresaka tamin’ny ray aman-dreniko sy ny mpiara-manompo iray.

Voafonja 20 na 30 teo ho eo izahay no niray efitra, tamin’ny voalohany. Nafindra tao amin’ny efitra ho an’ny olona roa anefa aho avy eo. Tsy hentitra loatra ny fanaraha-maso tany. Nangataka jiro elektrika aho ary nahagaga fa nahazo. Voarara ny fampiasana fitaovana elektrika, raha ny marina, satria mety hampiasain’ny voafonja mba hamonoany tena izany. Afaka nianatra Baiboly aho noho ilay jiro, sady namita fianarana kaonty tamin’ny alalan’ny fifanoratana. Nafahana aho tamin’ny 1970, ary nisy mpitsara tsara fanahy nahita asa ho ahy.

[Efajoro, pejy 249]

Loza Nateraky ny Sikilaonina

Namely an’i La Réunion sy Maorisy ny Sikilaonina Jenny, tamin’ny Febroary 1962. Nisamboaravoara be ny Oseana Indianina, ka safotry ny rano ny morontsiraka, indrindra fa ny teto La Réunion. Tao Saint-Denis dia simba ny trano, ringitra ny hazo ary feno rantsankazo tapaka ny arabe. Nitongilana be ireo andrin-jiro, ary nisy tariby nilatsaka tamin’ny tany. Nahagaga fa tsy simba ilay Efitrano Fanjakana kely. Olona 37 no maty, 250 no naratra, ary an’arivony no tsy nanan-kialofana, vokatr’ilay sikilaonina. Nanatrika fivoriambe tatsy Maorisy ireo rahalahy tamin’ny fandalovan’io sikilaonina io. Tsy voa mafy toa an’i La Réunion anefa i Maorisy. Voatery niandry andro vitsivitsy ihany ireo rahalahy vao afaka nody, kanefa faly izy ireo satria tsy maty fo aman’aina.

Nandalo ny Sikilaonina Dina tamin’ny 2002, ary tototry ny tany nihotsaka ny lalana nankany Cilaos, ka tsy azo naleha nandritra ny roatokombolana. Tsy niandry ela ny sampana teto La Réunion, fa nandefa fiara tsy mifidy lalana, mba hitondra vatsy ho an’ireo rahalahy 30 tany. Tafaraka tamin’ny fiara 15 hafa izy io, ka fiaran’ny polisy no nitari-dalana. Nisy ampahan-dalana nopaohin’ny riaka anefa. Voatery niroboka tao anaty rano àry ireo fiara, vao niakatra tamin’ny arabe indray. Faly erỳ ireo rahalahy tany Cilaos nony tonga ilay fiara!

[Tabilao, pejy 252, 253]

IREO TAONA NANAN-TANTARA—La Réunion

1955 Tonga teto i Robert Nisbet tamin’ny Septambra.

1960

1961 Tonga ny fianakaviana Vavolombelona iray avy any Frantsa, ary nahita olona liana maro.

1963 Nanao lahateny i M. Henschel avy any amin’ny foibe, ka 155 no nanatrika.

1964 I Maorisy indray no niandraikitra ny asa, fa tsy i Frantsa intsony; 230 no nanatrika ny fivoriamben’ny faritra voalohany teto.

1967 Voasoratra ara-panjakana ny Association Les Témoins de Jéhovah.

1970

1975 Tsy voarara intsony ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana tany Frantsa.

1980

1985 Nihoatra ny 1 000 ny isan’ny mpitory.

1990

1992 Nihoatra ny 2 000 ny isan’ny mpitory. Nisy tany novidina teto La Possession, mba hanorenana biraon’ny sampana sy Efitrano Fivoriambe ary tranon’ny misionera.

1996 Vita ny Efitrano Fanjakana voalohany naorina haingana.

1998 Nanaovana fivoriambe voalohany ny Efitrano Fivoriambe vaovao teto La Possession.

2000

2006 Misy mpitory marisika 2 590 eo ho eo eto La Réunion.

[Tabilao]

(Jereo ny boky)

Mpitory

Mpisava Lalana

3 000

2 000

1 000

1960 1970 1980 1990 2000

[Sary, pejy 223]

[Sary, pejy 224]

Nitory teto nandritra ny iray volana i Adam Lisiak, 1959

[Sary, pejy 224]

Noémie Duray, Jeannine Pégoud sy Christian zanany, fony hankatỳ La Réunion, 1961

[Sary, pejy 227]

Efitrano Fanjakanan’i Le Port, 1965

[Sary, pejy 230]

Bisy tsy nisy varavarana, nohofana mba handehanana hitory, 1965

[Sary, pejy 230]

Josette Bonnecaze

[Sary, pejy 235]

Jeannine Corino

[Sary, pejy 235]

Fitoriana tany Saint-Paul, 1965

[Sary, pejy 243]

Cléo Lapierre

[Sary, pejy 244, 245]

Nitory tany amin’ny tanàna nitokana i Louis sy Anne Nelaupe, ary goavy no nohaniny teny an-dalana

Cirque de Mafate

[Sary, pejy 248]

Efitrano Fanjakana vaovao tany Saint-Louis, 1988

[Sary, pejy 251]

Fivoriambe

Fivoriamben’ny faritra voalohany, tao ambony rihan’ny hotely fisakafoana iray, 1964

Ny Lava-baton’ireo Frantsay Voalohany, toerana fanaovana fivoriamben’ny vondrom-paritra

Toeram-pivoriana vonjimaika tao Saint-Denis, 1965