Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Letonia

Letonia

Letonia

EO AMIN’NY Lalana Brīvības (na Lalan’ny Fahafahana), eto afovoan-tanànan’i Riga, renivohitr’i Letonia, dia misy tsangambato iray mirefy 42 metatra. Io no Tsangambaton’ny Fahafahana, izay notokanana tamin’ny 1935, ary manambara fa manana fahafahana ara-politika i Letonia. Nahazo karazana fahafahana tsara kokoa anefa ny mponin’i Letonia, taorian’ny 1920. Avy amin’ny fahalalana ny fahamarinana ara-baiboly io fahafahana io. Izao no voalaza momba azy io: ‘Ranomasom-pifaliana no andraisan’ny sarambabem-bahoaka, na lahy na vavy, an’ilay hafatra.’ Nisy fahavalo nanandrana nisakana ny fielezan’io hafatra sarobidy io, nandritra ny taona maro, ary nahomby ihany izy ireo. Ho hita ato amin’ity fitantarana ity anefa, fa tsy misy fahefana etỳ an-tany mahatohitra an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra sy ny Zanany. Ambony noho ny fanjakana rehetra mantsy ny fanjakan’izy ireo.—Apok. 11:15.

Fanjakana maro no efa nitondra an’i Letonia, nanomboka tamin’ny fitondran’ny Alemà, izay nanorina an’i Riga tamin’ny 1201, ka hatramin’ny andron’ny Firaisana Sovietika. Anisan’ireny i Alemaina, Polonina, Rosia ary Soeda. Nahazo ny fahaleovan-tenany voalohany i Letonia, tamin’ny 1918. Nanjary repoblika sovietika kosa izy io tamin’ny 1940, kanefa nahazo ny fahaleovan-tenany indray tamin’ny 1991, ka lasa Repoblikan’i Letonia.

Tsy tena manafaka anefa ny fahaleovan-tena ara-politika. I Jehovah ihany no mahay manafaka tanteraka ny olombelona. Ary anisan’ny lafiny kanto amin’ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, io fampanantenany fahafahana io. (Lioka 4:18; Heb. 2:15) Ahoana no nahatongavan’ny vaovao tsara tatỳ Letonia? Nanomboka tamin’ny vavaka iray nataon’ny tantsambo antsoina hoe Ans Insberg izany.

Izao no nosoratan’i Ans: “Teny an-dranomasina aho indray alina feno kintana, ary naborako tamin’ny Tompo ny tao am-poko. Nangataka aho mba hihaona tamin’ireo mpivavaka taminy araka ny fanahy sy ny fahamarinana. (Jaona 4:24) Hitako mantsy fa tena nihatsaravelatsihy ireo mpiangona teto Letonia, ary tsy te hiaraka tamin’izy ireny aho. Nahita ny ‘Fampisehoana An-tsary ny Famoronana’ aho, tamin’ny 1914, tany Cleveland, any Etazonia. Ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny) no namokatra azy io. Nahazo valim-bavaka àry aho ka nahita ny fahamarinana! Natao batisa aho tamin’ny 9 Janoary 1916, ary nitory foana. Rehefa tsy nanam-bola ihany aho vao niverina niasa an-tsambo.”

Nampiely ny vaovao tsara nanerana an’i Letonia i Ans, taoriana kelin’ny Ady Lehibe I. Nanao fitoriana an-gazety momba ny Fanjakan’Andriamanitra mantsy izy, ka ny volany ihany no nampiasainy tamin’izany. Tamin’io fomba io no nahitan’i Krastin̗š ny fahamarinana. Mpampianatra efa nisotro ronono io lehilahy io. Izy angamba no Mpianatra ny Baiboly voalohany teto Letonia, nanolo-tena ho an’i Jehovah. Nanjary mpiasan’ny foiben’ny Mpianatra ny Baiboly any Brooklyn, New York, i Ans, tamin’ny 1922. Nandeha tsy tapaka teny amin’ny seranana izy, mba hitory tamin’ireo tantsambo. Nantsoiny hoe “ilay lampihazoko hafakely” ilay seranana. Nahavita ny fanompoany teto an-tany i Ans, tamin’ny 30 Novambra 1962.

Tamin’ny 1925 no nosokafana tany Copenhague, any Danemark, ny birao niandraikitra ny asa tatỳ amin’ireo Fanjakana Baltika, dia i Estonia sy Letonia ary Litoania. Izy io koa no niandraikitra an’i Danemark, Failandy, Norvezy, ary Soeda. I Rees Taylor avy any Grande-Bretagne no voatendry hiandraikitra an’i Letonia, tamin’ny Jolay 1926. Nasiany birao teto Riga, ary nandamina fivoriambe kely izy. Nisy 20 ny mpanatrika, ary 14 tamin’ireo no nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana voalohany nitoriana teto Letonia. Navelan’ny polisy hanao fivoriana ho an’ny besinimaro ireo rahalahy tamin’izany, ka 975 ny olona nandre ny lahateny ara-baiboly teto Riga sy tany Liepaja, ary Jelgava. Natao tamin’ny teny alemà ireo lahateny, satria io no teny vahiny hain’ny Letonianina maro. Betsaka no nangataka ny hitohizan’ny fivoriana toy ireny.

“FAHAFAHANA HO AN’NY VAHOAKA”

Tamin’ny Septambra 1927, dia nisy solontena 650 teo ho eo avy any Estonia sy Letonia ary Skandinavia, nivory tany Copenhague, mba hihaino ny lahatenin’i Joseph Rutherford avy any amin’ny foibe. “Fahafahana ho An’ny Vahoaka” no lohatenin’ilay izy. Nisy bokikely nitondra an’io lohateny io koa nadika tamin’ny teny letonianina, ny taona nanaraka. Loha laharana tamin’ny fanolorana azy io teny amin’ny saha ny mpisava lalana.

Anisan’ireny mpisava lalana voalohany ireny ny rahalahy alemà folo, fara fahakeliny. Tonga teto Letonia izy ireo mba hanampy tamin’ny asa fitoriana. Anisan’izy ireny i Johannes Berger, 22 taona, izay nanoratra toy izao: “Lahateny ho an’ny besinimaro no voalohany nataon’ireo mpisava lalana, raha vao tonga tao amin’ny tanàna nanendrena azy. Saika ny tanàna rehetra teto Letonia àry no nahazo lahateny. Tao Sloka, ohatra, dia nanofa toerana fijerena sinema izahay, ary nanao lahateny tao aho isaky ny alatsinainy, nandritra ny ririnina. Tonga avy any lavitra ny olona, nitaingin-tsoavaly.” Nahatsiaro an’ireny fotoana ireny i Johannes, ka nanao hoe: “Tsy nahita fianarana firy aho, nefa tena nahazo tombontsoa be.”

Mpitory ilay Fanjakana 40 teo ho eo no nandray anjara tamin’ny asa fitoriana tamin’ny 1928, ary 15 tamin’ireo no vita batisa. Nisy sivy hafa koa natao batisa tamin’ny 1929, ary boky sy bokikely 90 000 mahery no voapetraka. Efa nafindra tao amin’ny Lalana Šarlotes, eto Riga, ny birao, tamin’io taona io.

Talohan’izay, tamin’ny 1927, dia natao batisa ny tovolahy iray antsoina hoe Ferdinand Fruck sy Emilie reniny. Nitory tao amin’ny toerana fanaova-mofo iray, tany Liepaja tanànany i Ferdinand, efa-taona tatỳ aoriana. Lasa haingana ilay mpanao mofo nankao amin’ny efitra ilany fiasan’ny rahalahiny izay mpanety. Hoy izy: “Avia haingana ialahy, ry Heinrich, fa misy olona milaza zavatra sarotra inoana atsy amiko atsy!” Tamin’i Heinrich Zech kosa anefa, dia tsy sarotra inoana ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly, ka natao batisa izy tsy ela taorian’izay. Izy no lasa mpisava lalana niara-nanompo tamin’i Ferdinand. Nandeha bisikileta izy mirahalahy, ka nitory ilay Fanjakana tany amin’ny tanàna maro.

NANOMBOKA NY FANOHERANA

Mbola vitsy ireo rahalahy nefa be zotom-po, ka nahatezitra ny mpitondra fivavahana izany. Nandrahona mihitsy aza ny mpitondra fivavahana nalaza iray teto Riga, fa horoahiny tsy ho anisan’ny fiangonany intsony izay nanatrika ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly. Nizara bokikely ny mpitondra fivavahana tany Liepaja, mba hanendrikendrehana an’ireo rahalahy. Voalaza tao hoe tsy nino an’i Jesosy Kristy izy ireo, ka tsy tokony handray ny bokiny ny olona. Nampiasa ireo gazetim-piangonana be mpamaky koa ireny mpitondra fivavahana ireny, mba hanaratsiana ny Mpianatra ny Baiboly.

Nilefitra tamin’ny faneren’izy ireny ny fitondrana, ka nandroaka an’ireo mpisava lalana alemà teto Letonia, tamin’ny 1929. Voarara ny ankamaroan’ireo boky fianarana Baiboly, tamin’ny 1931. Nampitsahatra ny asa fitoriana ve izany fanoherana izany? Izao no nosoratan’ny birao teto Letonia: “Vao mainka mandrisika anay hahatoky foana, ny fanoheran’ny Devoly. Tena faly izahay mandray anjara amin’ny fitoriana ..., ary tapa-kevitra ny hanohy hatrany.”

Nisy antso nalefa ho an’ny mpisava lalana, mba hankatỳ amin’ny tany baltika. Rahalahy maromaro avy any Grande-Bretagne no namaly ilay antso, tamin’ny 1931. Nandray anjara tamin’ny fitaterana boky sy gazety avy any Estonia sy Litoania hankatỳ Letonia, ny sasany taminy. Voatendry hanompo tany Litoania i Edwin Ridgewell, izay 18 taona tamin’izany. Hoy ny Rahalahy Ridgewell, efa 90 taona mahery izao: “Nahazo fanendrena manokana izahay sy Andrew Jack ary John Sempey. Nasaina nitatitra boky sy gazety nankany Letonia izahay telo lahy. Lamasinina nanao lavalina no nandehananay nankany Riga. Nofonosinay ireo boky sy gazety, ary nafeninay tao ambany seza. Fasiana kidoro mantsy tao ambany seza rehefa antoandro. Talohan’ny nialana, dia nampiarahinay tamin’ny akanjo ireo boky ireo, ary nampidirinay tao anaty valizy afaka niitatra. Nitaintaina foana izahay, ka nasiana fety kely isaky ny vita soa aman-tsara ilay dia. Nentin’i Percy Dunham nisakafo tany amin’ny hotely tany Riga àry izahay. Izy no niandraikitra ny asa tany Letonia tamin’izany.”

Matetika no nitsena an’ireo rahalahy tany amin’ny sisin-tanin’i Litoania i Ferdinand Fruck. Nomena azy ny boky aman-gazety ary nafeniny tao anaty mololo, tany ambony rihana. Tsikaritry ny manam-pahefana anefa izany, ka nanao bemidina tany aminy foana ny polisy, mba hanao fisavana. Indray mandeha, dia tsy te hankany ambony rihana ilay polisy, ka i Ferdinand indray no nirahiny! Mody nitondra Tilikambo tonta vitsivitsy i Ferdinand avy any, ary natolony an’ilay polisy. Afa-po izy ka lasa.

NANDROSO NY ASA NA TEO AZA NY FANOHERANA

Voatendry hiandraikitra ny asa teto Letonia tamin’ny 1931, i Percy Dunham, ilay Ekosey voalaza tetsy aloha. Efa talohan’ny 1914 izy no Mpianatra ny Baiboly, ka sarobidy ny traikefa nananany. Nanoratra toy izao ny birao teto Letonia, tamin’ny faramparan’ny 1931: ‘Olona mahantra nefa manan-karena amin’Andriamanitra no manatontosa ny asa, ao anatin’ny zava-tsarotra. Mihamaro ireo liana amin’ny hafatra entintsika. Isan-kerinandro dia misy olona tonga atỳ amin’ny birao satria te hangataka boky, na te hahafantatra hoe rahoviana indray no hisy boky vaovao.’ Izao koa no voalazan’ilay tatitra, momba ny zava-nitranga iray tena lehibe mahakasika ny fandaminana: “Tamin’ny fivoriana iray natao vao haingana teto Riga, dia nisy fanapahan-kevitra nolaninay rehetra. Faly izahay nandray ilay anarana vaovao [hoe Vavolombelon’i Jehovah], izay nomen’ny Tompo ho an’ny vahoakany.”

Nafindra tao amin’ny Lalana Cēsu eto Riga, ny birao, tamin’ny 1932. Nifindra teto Letonia tamin’io taona io koa ilay mpisava lalana ekosey atao hoe Margaret (Madge) Brown, avy any Irlandy. Vita batisa tamin’ny 1923 izy, ary nanambady an’i Percy Dunham. Nihamafy ny fanoherana tamin’izany. Hoy i Madge: “Nanendrikendrika anay ho Kominista ny gazety iray teto Letonia, tamin’ny 9 Febroary 1933. Ny ampitso dia nisy nandondòna tao aminay. Polisy nitana basy no niditra tampoka sady niteny mafy hoe: ‘Ambony ny tanana!’ Nikaroka an’ireo boky voarara izy ireo, nandritra ny adiny fito. Norosoako dite ry zareo ny antoandro, dia nisotro.”

“Nafenina tany amin’ny efitra ambanin’ny tafo ny ankamaroan’ireo boky sy gazety. Nahita lakile vitsivitsy ny polisy rehefa nisava ny paosin’ny vadiko, talohan’izay. Hoy izy: ‘Lakilen’ny inona ireto?’ ‘Lakilen’ny any ambony rihana’, hoy i Percy. Tsy niakatra tany akory anefa ilay polisy. Naveriny tamin’i Percy fotsiny ireo lakile, dia lasa izy! Nandinika boky sasany ihany ry zareo, nefa nilaza fa tsy nisy antony tokony hakana azy ireny.”

“Nalainy ihany anefa ireny boky ireny, niaraka tamin’ny taratasy, vola, milina fanaovana dika mitovy, ary milina fanoratana. Nanaovan’ny polisy bemidina toy izany koa tany amin’ny fianakaviana Vavolombelona enina. Tsy nanao tatitra ratsy anefa izy ireo, satria tsy nahita porofo.”

Latsaka ny 50 ny mpitory teto Letonia tamin’izany. Nangataka ny hanoratana ara-dalàna ny fivavahany anefa ireo rahalahy, mba hampiorina tsara azy io. Tena faly àry izy ireo rehefa voasoratra ara-panjakana ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, tamin’ny 14 Martsa 1933. Nohararaotin’ireo rahalahy izany mba hanaovana pirinty bokikely sasany teto Letonia, na dia tsy nahazo alalana hanafatra boky avy any ivelany aza izy ireo. I Aleksandrs Grīns, mpanoratra malaza sady tonian’ny gazety Rīts, no nandika ireo bokikely tamin’ny teny letonianina.

TSY NAHARITRA NY FAHAFAHANA

Nisy fanonganam-panjakana tamin’ny Mey 1934, ka tsy maintsy nampiharina ny fepetra amin’ny tany misy hotakotaka. Nanararaotra izany ireo fahavalon’ny fahamarinana, ka niampanga ny vahoakan’Andriamanitra ho Kominista. Nakaton’ny minisitry ny atitany àry ny biraon’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, tamin’ny 30 Jona. Nalain’ny fanjakana ny boky sy bokikely 40 000 mahery, ary vola kely. Mpitondra fivavahana no notendreny hanara-maso ny fampiharana izany. Tatỳ aoriana dia nolavina foana ny fangatahan’ireo rahalahy hanoratra ara-panjakana ny fivavahan’izy ireo.

Nipoaka ny Ady Lehibe II tamin’ny 1939, ary niditra teto Letonia ny tafika rosianina, tamin’ny Jona 1940. Lasa anisan’ireo repoblika 15 tao amin’ny Firaisana Sovietika i Letonia, tamin’ny Aogositra 1940, ka nantsoina hoe Repoblika Sosialista Sovietikan’i Letonia. Voatery nandao an’i Letonia sy ireo rahalahy letonianina ry Dunham mivady, tamin’ny 27 Oktobra. Voatendry tany amin’ny sampan’i Aostralia indray izy ireo. Nahavita ny fanompoany teto an-tany i Percy tamin’ny 1951, ary i Madge kosa tamin’ny 1998.

Nakatona ny birao, nalefa sesitany ireo rahalahy nitarika ny asa, nipoaka ny ady, ary nampijaly an-taonany maro ny fitondrana kominista. Nisy vokany tena ratsy teo amin’ireo rahalahy izany rehetra izany. Taoriana kelin’ny 1990 vao niato ny habibiana nateraky ny fankahalana fivavahana.

FAMPAHEREZANA AVY AMIN’I JEHOVAH

Tsy nifandray tamin’ny foibe mihitsy ireo Vavolombelona vitsivitsy teto Letonia, nandritra ny Ady Lehibe II. Namelona ny fanantenan’izy ireo foana anefa “ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” (Rom. 15:4) Taloha kelin’ny 1950, rehefa vita ny ady, dia afaka nandefa taratasy tany amin’ireo rahalahy vitsivitsy tany Jelgava, Kuldīga, Riga, ary Ventspils ihany, ny sampan’i Alemaina.

Nisy rahalahy nantsoina hoe Ernests Grundmanis tany Kuldīga, 160 kilaometatra andrefan’i Riga. Naharay taratasy maromaro nirakitra sakafo ara-panahy tonga tamin’ny fotoana tena nilana azy io rahalahy io, izay efa 20 taona tao anatin’ny fahamarinana. Hoy ny iray tamin’ireo taratasy: “Matokia foana an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Raintsika be fitiavana. Hanohana sy hanatanjaka anao izy amin’ny fotoana ilanao izany.” Nanonona ny 2 Tantara 16:9 ilay taratasy avy eo, nanao hoe: “Ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.” Tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy tokoa ireny taratasy nampahery ireny!

Nanao izay rehetra azony natao ireo Kristianina, mba hitoriana tsy ara-potoana. Ohatra amin’izany i Marta Baldone, mpanotra tao amin’ny tobim-pahasalamana iray tao Ventspils. Nitory tamin’ireo olona tonga tao izy, anisan’izany i Alexandra Preklonskaya (Rezevskis ankehitriny), izay nilaza hoe: “Nampianarin’i Marta ahy fa Jehovah no anaran’Andriamanitra, ary lasa tiako be io anarana io.”

Nanjary nahalala ny fahamarinana koa i Peter, rain’i Alexandra, teraka tamin’ny 1880. Hoy i Alexandra: “Niditra tao amin’ny antoko kominista i Dada, talohan’ny tolom-bahoaka tamin’ny 1917. Tany Saint-Pétersbourg izy no nipetraka. [Petrograd no anaran’io tanàna io tamin’ny 1914 ka hatramin’ny 1924, ary Leningrad kosa tamin’ny 1924 ka hatramin’ny 1991.] Nandiso fanantenana azy anefa ny vokatr’ilay tolom-bahoaka, ka naveriny ilay karatry ny antoko tany aminy. Noterena hiala tao amin’ilay tanàna àry izy. Tonga teto Letonia izy, ka nampifankahalalaiko tamin’i Marta. Tso-po sady nalemy fanahy i Dada, ka nanaiky avy hatrany ny fahamarinana. Nogadraina noho ny finoany izy, ka nalefa tany Rosia tamin’ny 1951. Maty tany Siberia izy, tamin’ny 1953.”

SESITANY TANY SIBERIA

Anisan’ireo tany nofehezin’ny Sovietika i Letonia. Nanomboka nanova ny politika sy ny kolontsaina teto àry ny fitondrana vaovao, mba hitovizan’izany tamin’ny an’ny Sovietika. Nalain’ny Kominista koa ny toeram-pambolena sy fiompian’ny olona rehetra, ary nomena hotantanan’ny Fanjakana. Tetsy an-danin’izany, dia maro no nalefa sesitany, ary tamin’ny 1949 no betsaka indrindra izany. Nahatratra 100 000 teo ho eo ny Letonianina nalefa tany amin’ny faritra avaratr’i Rosia, toa an’i Siberia. Ny Vavolombelon’i Jehovah no tena nataon’ny Kominista lasibatra, roa taona tatỳ aoriana. An’arivony no nalefa sesitany, ka anisan’izany ny mpitory 20, fara fahakeliny, tamin’ireo 30 teo ho eo teto Letonia.

Anisan’ny nosamborin’ny KGB (Komitin’ny Fiarovam-panjakana Sovietika) i Valija Lange avy any Ventspils, tamin’ny Septambra 1950. Mbola tsy vita batisa izy tamin’izany. Nofotorana izy indray alina be teto Riga, ka nanontaniana hoe: “Nahoana ianao no manao zavatra toherin’ny Fanjakana, kanefa olom-pehezin’ny Firaisana Sovietika?” Tony sady feno fanajana i Valija namaly hoe: “Ny hany ataoko dia ny manompo an’i Jehovah Andriamanitra, sy mandalina ny fampianarany ary mampita izany amin’ny hafa.”

Voasoratra tao amin’ilay taratasy tamin’ny 31 Oktobra 1950 ny anaran’i Valija, sy ny an’ny Vavolombelona 19 hafa. Voaheloka hiasa an-terivozona folo taona tany Siberia izy ireo, sady nalain’ny Fanjakana ny fananany. Navela hody ny sasany, nefa nosazina indray. Naverina tany Siberia nandritra ny efa-taona indray, ohatra, i Paulīne Serova, rehefa hitan’ny manam-pahefana fa nahazo boky ara-baiboly tamin’ny alalan’ny paositra.

Mbola nitory sy nanao mpianatra foana ireo rahalahy, tany amin’ny toby fiasana an-terivozona. Anisan’ny nianatra Baiboly tany i Jānis Garšk̗is. Natao batisa izy tamin’ny 1956, ary mipetraka any Ventspils izao. Hoy izy: “Misaotra an’Andriamanitra aho fa nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona. Raha tsy izany mantsy, dia tsy ho nahalala ny fahamarinana aho.” Tena mendri-piderana ny toe-tsaina toy izany!

Nendrikendrehina ho mpanakorontana i Tekla Onckule, teratany letonianina, ka nalefa sesitany tany Omsk, any Siberia. Nisy Vavolombelona koa nalefa sesitany tany, ka ireo no nitory taminy. Hoy i Tekla: “Tsy hohadinoiko mihitsy ny batisako. Natao tamin’ny alina be ilay izy, tao amin’ny renirano faran’izay nangatsiaka. Nangovitra be aho nefa tena faly.” Nanambady an’i Aleksei Tkach i Tekla, tamin’ny 1954. Vita batisa tamin’ny 1948 tany Moldavia i Aleksei, ary nalefa sesitany tany Siberia tatỳ aoriana. Niverina teto Letonia izy mivady sy ny Vavolombelona vitsivitsy, tamin’ny 1969. Nampalahelo fa maty tany amin’ny toby fiasana an-terivozona ny ankamaroan’ireo Letonianina nalefa sesitany.

TSY VOASAMBOTRY NY KGB

Nisy Vavolombelona vitsivitsy afaka nandositra, ka tsy voasambotra. Hoy i Alexandra Rezevskis: “Tsy lasa sesitany aho satria tsy nijanona tamin’ny toerana iray. Niovaova foana ny toeram-pambolena sy fiompiana niasako, ka tsy tratran’ny KGB aho. Nitory tamin’ny olona rehetra hitako anefa aho. Nihaino izy ireo, ary nanaiky ny fahamarinana ny sasany.” Niezaka ny KGB nitady an’ireo Vavolombelona vitsivitsy tafajanona teto Letonia. Nampangaina ho mpanohitra ny Sovietika izy ireny. Nisy bokikely naelin’ny fitondrana mihitsy aza. Voalaza tao fa mpitsikilon’ny Amerikanina, hono, ny Vavolombelona. Nanara-maso akaiky an’ireo rahalahy ny mpitsikilo kominista, ka tsy maintsy nitandrina izy ireo rehefa nitory. Nivory an-tsokosoko koa izy ireo, ary novaovany ny toeram-pivoriana.

Taorian’ny fanambadian’i Kārlis Rezevskis sy Alexandra, dia nifindra tany amin’ny trano kelin’ny ray aman-drenin’i Kārlis izy mivady. Tany anaty ala akaikin’ny tanànan’i Tukums, 68 kilaometatra avy eto Riga, no nisy an’ilay trano. Nitokana izy io ka nety tsara mba hivoriana nandritra ny ririnina. Hoy i Dita Grasberga (teraka Andrišaka): “Mbola kely aho fony izahay mianakavy nivory tany amin-dry Rezevskis. Tiako be ny nandeha bisy nankany Tukums, ary avy eo nanao dia an-tongotra namakivaky ilay ala nisy lanezy. Rehefa niditra an’ilay trano izahay, dia matetika no nandre fofona lasopy matsiro niketrika teo ambony fatana. Manitra nampitelin-drora erỳ ilay izy!”

Nafenin’i Kārlis tany anaty ala ireo boky. Indray mandeha, dia nisy kitapo roa feno boky naleviny tao amin’ny toerana iray, ary nasiany marika tsara. Avy be anefa ny orana ny alina, ka voafafa tanteraka ilay marika. Niezaka nitady ireo kitapo i Kārlis fa tsy nahita. Mbola milevina any ireo boky ireo hatramin’izao.

Tany anaty ala na teny amorom-parihy na teny amoron-dranomasina ireo rahalahy no nivory, tamin’ny vanin-taona nafana. Toy ny tany amin’ireo firenena sovietika hafa, dia nanararaotra an’ireo fampakaram-bady sy fandevenana ny rahalahy, mba hanaovana lahateny ara-baiboly. Nitsidika tsy tapaka an’i Letonia ny rahalahy sasany avy any Estonia, teo anelanelan’ny 1960 sy 1980. Anisan’ireny i Viljard Kaarna, sy Silver Silliksaar, ary Lembit Toom. Nanao lahateny izy ireo, nitondra boky sy gazety, ary naka ny tatitr’ireo mpitory vita batisa 25 teo ho eo. Tena faly ireo rahalahy rehefa nahazo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny rosianina. Nadikan’i Pauls sy Valija Bergmanis tamin’ny teny letonianina izany, ary nosoratan’izy ireo tao anaty kahie.

“TILIKAMBO IRAY NO NITAMBARANAY”

Teo anelanelan’ny 1970 sy 1990, dia nahazo Ny Tilikambo Fiambenana natao tamin’ny horonan-tsary bitika, ireo rahalahy tany Estonia. Tamin’ny teny rosianina izy ireny, ary nalefa an-tsokosoko tatỳ Letonia. Tia naka sary ny olona tamin’izany. Nanana fitaovana fanasana sary àry ireo rahalahy, ka nataony pirinty sy nozarainy ireo gazety. Nisy boky hafa koa indraindray tonga teto, tamin’izany fomba izany ihany. Avy tany Litoania sy Ukraine ny ankamaroany.

Hoy i Vida Sakalauskiene, izay folo taona tany ho any tamin’izany: “Tilikambo iray no nitambaranay. Indraindray dia horonan-tsary bitika no nosasana, ka nahazoan’ny antoko-mpitory tsirairay gazety. Nifandimby namaky azy io ny fianakaviana rehetra, ary nandray an-tsoratra. Tsy azo notazonina nihoatra ny iray andro ilay gazety. Ny mpitarika no nampiasa an’ilay izy tany am-pivoriana, ary izahay kosa namaly ireo fanontaniana an-kandrina na tamin’izay hevitra noraisinay an-tsoratra.” Nanampy an’i Vida hijoro tsara tamin’ny fahamarinana tany am-pianarana, io fandaharana ara-panahy io. Nanampy an’i Romualdas anadahiny tsy hivadika koa izany, tamin’izy nigadra noho ny finoany.

MANAIKY NY FAHAMARINANA NY KARAZAN’OLONA REHETRA

Kominista nafana fo nandritra ny 27 taona i Vera Petrova. Hoy izy: “Anisan’ny asako ny nankany am-piangonana, mba hijery hoe firy ny Kominista nanatrika tao. Nanao tatitra momba izany tany amin’ny biraon’ny antoko teo an-toerana aho avy eo. Nanaiky ny fahamarinana anefa tamin’izay ny rahavaviko iray, ary nitory tamiko. Liana aho, ary nangataka Baiboly tamin’ny pretra ortodoksa rosianina.”

“Hoy izy: ‘Ataonao inona Baiboly?’ ”

“ ‘Tiako ho fantatra raha mitovy amin’izay voalaza ao ny zavatra ampianarinao’, hoy aho. Tsy nanome Baiboly ahy izy, fa tany an-kafa aho no nahazo ary nanomboka namaky. Tsy ela dia hitako fa tsy mifototra amin’ny Baiboly ny fampianaran’ilay fivavahana. Nandroso ara-panahy foana aho, ary niala tamin’ny antoko kominista. Natao batisa aho tamin’ny 1985.”

Lasa vadin’ny ben’ny tanànan’i Daugavpils i Teofīlija Kalvīte, izay mpitsabo mpanampy, talohan’ny Ady Lehibe II. Nampalahelo fa nolazaina hoe tsy hita popòka io ben’ny tanàna io, rehefa nanomboka kelikely ny ady. Niatrika zava-tsarotra maro koa i Teofīlija, ary nahita olona maro nijaly sy maty. Lasa prezidàn’ny Vokovoko Mena teto Letonia izy taorian’ny ady. Mari-pankasitrahana 20, fara fahakeliny, no azony avy tamin’ny fitondrana, nandritra ireo 61 taona niasany. Nihaona tamin’i Paulīne Serova, izay Vavolombelon’i Jehovah, i Teofīlija, tamin’izy 65 taona teo ho eo. Nohazavain’i Paulīne taminy avy tao amin’ny Baiboly, ny antony amelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy. Nanaiky ny fahamarinana i Teofīlija, ka afaka nanampy olona tamin’ny fomba tsara kokoa. Nanampy ny hafa ho salama ara-panahy mantsy izy. Maty nahatoky izy tamin’ny 1982.

“DIKSIONERA IO E!”

Nogadraina nandritra ny telo taona i Yurii Kaptola tamin’ny 1981, satria tsy nety nanao miaramila. Vao 18 taona izy tamin’izany. Hoy izy: “Tany Siberia aho no nanefa ny roa taona tamin’ny saziko. Tranolay no nipetrahanay ary niasa tany anaty ala izahay, na dia nahatratra 30 degre ambanin’ny zero aza ny mari-pana! * Nanatanjaka ny finoako foana anefa i Jehovah. Indray mandeha, ohatra, dia nandefasan’i Neny ny Soratra Grika Kristianina niaraka tamin’ny sakafoko aho. Hitan’ny mpiambina ilay boky rehefa nisava an’ilay fonosana izy.”

“ ‘Inona ity?’, hoy izy.”

“Mbola tsy namaly akory aho dia nisy mpanara-maso teo akaiky teo nilaza hoe: ‘Diksionera io e!’, ary navelany hoentiko ilay izy.”

“Nafahana aho tamin’ny 1984. Tsy nankany Ukraine tanindrazako anefa aho, fa nankatỳ Riga, ary niaraka tamin’ny Vavolombelona vitsivitsy teto, nandritra ny roa taona teo ho eo. Voantso hanao miaramila indray anefa aho, satria mbola anisan’ny Firaisana Sovietika i Letonia. Voasazy hiasa an-terivozona nandritra ny efa-taona teto Letonia indray àry aho, tamin’ny 26 Aogositra 1986. Rehefa avy nigadra teto Riga aho, dia nalefa tany amin’ny toby iray tany akaikin’i Valmiera. Nodinihin’ny fitsarana ny momba ahy, tany am-piandohan’ny 1990. Hoy àry ilay mpitsara: ‘Tsy rariny, ry Yurii, ilay nampidirana anao am-ponja, efa-taona lasa izay. Tsy tokony ho nomelohin-dry zareo ianao.’ Tsy nampoiziko fa nafahana tampoka aho!”

Niaraka tamin’ilay hany fiangonana teto Letonia i Yurii, tamin’ny 1991, ary iray tamin’ireo anti-panahy roa tao. Hoy izy: “Efa masaka hojinjaina tokoa ny vokatra.”

Rehefa tonga teto Letonia i Yurii dia niresaka tamin’ny vehivavy nanadio ny teo ivelan’ny fasana iray. Hoy i Yurii: “Rehefa nanontaniako ilay vehivavy hoe nahoana no fohy toy izao ny fiainana, dia nanatona ahy izy ary niresaka izahay. Fotoana fohy taorian’izay anefa, dia tapaka ny rantsankazo ngezabe iray, ary nianjera teo amin’ilay toerana nodioviny indrindra. Maty izy raha nijanona teo. Nomeny ahy ny adiresiny, ary nisy anabavy nasaiko nitsidika azy. Natao batisa io vehivavy io sy ny zanany lahy ary ny vinantovaviny, tamin’ny 1987.”

VONONA NY HIHAFY MBA HANAMPIANA OLONA

Nifindra teto Letonia koa ny tanora maro avy any amin’ny faritra samy hafa tany amin’ny Firaisana Sovietika, mba hanampy tamin’ny fitoriana. Tsy mora ny fiainana, nefa vonona ny hihafy izy ireo. Nikarama nanjaitra tamin’ny orinasa iray, ohatra, i Anna Batnya, ary nanofa trano tsy dia lafo. Hoy izy: “Tsy mora ny zavatra niainanay tamin’izany. Nitory tsy ara-potoana teny ambony lamasinina izahay, na teny amin’ny gara, tany amin’ny zaridainam-panjakana, teny amin’ny fasana, ary teny akaikin’ny fiangonana.”

“Feno be foana ny lamasinina. Nandeha tsiroaroa izahay, ary nitory isaky ny vagao. Ny iray nitory, fa ny iray kosa nijery sao nisy nampiahiahy. Matetika no nandray anjara tamin’ny resaka ny olona nanodidina. Tototry ny fanontaniana àry izahay indraindray. Afaka nifindra vagao izahay rehefa nijanona ny lamasinina. Tena faly izahay satria hitanay fa notahin’i Jehovah ny fanompoanay.”

Vao avy niangona i Angelina Tsvetkova, tamin’izy nisy nitory voalohany. Hoy izy: “Nanatona ahy ny Vavolombelon’i Jehovah iray atao hoe Aldona Dron̗uka, tamin’ny 1984. Nanontany izy raha efa namaky Baiboly aho. ‘Efa namaky ihany aho’, hoy aho, ‘nefa tsy azoko akory ilay izy, sady betsaka ny fanontaniana manitikitika ahy.’ Nifanome adiresy izahay, ka niresaka momba ny Baiboly foana nanomboka teo. Nasain’i Aldona hanatrika mariazy tany Litoania aho, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Nandeha aho, ary olona 300 teo ho eo no nanatrika tany. Gaga ihany aho, satria nihaino lahateny ara-baiboly nifanesy no natao tany amin’ilay fety.”

“Tany vao fantatro fa hay nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, ary sady mariazy no fivoriambe ilay natrehiko! Tsy nampaninona ahy anefa izany, satria nanohina ny foko ny fitiavana sy firaisan-tsaina nasehon’ireo olona nanetry tena ireo. Natao batisa aho tamin’ny 1985, ary lasa mpisava lalana tamin’ny 1994. Vita batisa koa izao ny dimy amin’ireo zanako enina, ary efa mpitory ilay faralahy.”

NANAO FIVORIAMBE AN-KALALAHANA

Tamin’ny 1985 tany ho any, dia nihanalefaka ny fandrarana tany amin’ny tany kominista maro, ka afaka nivory an-kalalahana kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy solontena 50 teo ho eo avy eto Letonia, nanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Fitiavam-pivavahana” tany Polonina, tamin’ny 1989. Hoy i Marija Andrišaka, mpisava lalana manokana: “Nisy vokany lehibe teo amiko ny fiarahana tamin’ireny anadahy sy rahavavy be dia be ireny, satria nahatonga ahy handroso ara-panahy.”

Nisy solontena 50 mahery avy eto Letonia nanatrika ny fivoriambe “Ny Fiteny Madio” tany Polonina, tamin’ny 1990. Anisan’izany i Anna Mančinska, izay niezaka mafy mihitsy mba hanatrehana azy io. Hoy izy: “Efa teny an-dalana ho any amin’ny gara aho vao hitako fa hadinoko ny taratasy sasany ilaina rehefa hiampita sisin-tany. Nandray taxi àry aho, ka naka ireo taratasy tany an-trano, ary niverina haingana tany amin’ny gara. Efa lasa anefa ilay lamasinina, ka nasaiko nanenjika tany amin’ny gara nanaraka ilay taxi. Mbola tsy tratra ihany ilay lamasinina, ka tonga hatrany Litoania ilay taxi, ary tany amin’ny 250 kilaometatra niala an’i Riga vao tratra ilay izy. Tsy nanenenako ny nanao izany, na dia nandaniako vola be aza!” Betelita eto Letonia izao i Anna.

Afaka nanao fivoriambe an-kalalahana ihany ireo rahalahy tamin’ny 1991, tany amin’ireo firenena anisan’ny Firaisana Sovietika taloha. Bisy maro be no nitondra an’ireo solontena avy eto Letonia nankany Tallinn, any Estonia, mba hanatrika ny fivoriambe “Ireo Tia ny Fahafahana Araka An’Andriamanitra.” Nety tsara tokoa io foto-kevitra io!

Nandresy lahatra an’i Ādolfs vadiny i Ruta Barakauska mba hiaraka aminy tany Tallinn. Tsy Vavolombelona io lehilahy io, ary avy any Vain̗ode ry zareo. Hoy i Ādolfs: “Ny hividy piesy ho an’ny fiarako no tena anton-diako, fa tsy ny hankany amin’ny fivoriambe. Nanatrika ny fotoam-pivoriana voalohany anefa aho, ary nanohina ny foko ireo lahateny. Sariaka be koa ny Vavolombelon’i Jehovah, sady tsy mba miteny ratsy, ary mifankatia. Nijanona àry aho, ka nanatrika ilay fivoriambe manontolo. Nianatra Baiboly aho rehefa tafaverina izahay, ary niezaka mafy mba tsy ho mora tezitra intsony. Natao batisa aho tamin’ny 1992, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah toy ny vadiko.”

Taorian’ny 1990, dia nankany Estonia sy Litoania ireo rahalahy, rehefa hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra. Sarotra mantsy ny nahita toerana azo nohofana teto, mba hanaovana izany. Ny fivoriambe “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra” tamin’ny 1998, no voalohany natao teto Letonia. Kianja mitafo fanaovana fanatanjahan-tena teto Riga no nanaovana azy io. Nozaraina telo ilay toerana: ho an’ireo nampiasa teny letonianina, rosianina, ary tenin’ny tanana letonianina. Nitehaka ny rehetra taorian’ny vavaka famaranana, ary maro no latsa-dranomaso. Velom-pisaorana an’i Jehovah izy ireo noho iny fivoriambe nanan-tantara iny.

NANDROSO BE NY FITORIANA

Nandroso be ny fitoriana teto Letonia, taorian’ny fitondrana kominista. Mbola tsy nisy tamin’ny teny letonianina anefa Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana talohan’ny 1995, ka tsy tena nahay nandanjalanja ireo rahalahy rehefa nitory. Nafana fo anefa izy ireo, na izany aza. Hoy, ohatra, i Dace Šk̗ipsna, momba ny nahitany ny fahamarinana voalohany: “Nividy boky momba ny afobe sy ny fiainana any ankoatra aho, teo amin’ny mpivarotra iray teo amoron-dalana, tamin’ny 1991. Vao lasa kelikely anefa aho dia nisy olona niteny tao andamosiko hoe: ‘Poizina iny novidinao iny!’ ”

“Tafajanona mihitsy aho rehefa nandre izany. Nitodika aho, ary mpivady Vavolombelon’i Jehovah no hitako. Niresaka momba ny Baiboly izahay. Be dia be ny foto-kevitra nodinihinay: Hadesy, Gehena, Krismasy, lakroa, ary ny andro farany! Marina aloha fa somary fanina kely ihany aho tamin’ny hevitra sasany, nefa tiako ilay resaka. Nifanome nomeraon-telefaonina izahay avy eo, ary be dia be ny fanontaniako novalian’izy ireo taorian’izay.”

‘SOA IHANY AHO FA TSY KIVY’

Efa tompon-dakan’ny Firaisana Sovietika tamin’ny fibatana fonjam-by i Jānis Folkmanis. Lasa tompon-dakan’i Letonia koa izy tamin’ny fifanintsanana farany nataony, tamin’ny Martsa 1993. Hoy i Jānis: “Nanasa ahy hanatrika fianarana Baiboly niaraka taminy i Jānis Cielavs, mpiara-miasa tamiko, tamin’ny 1992. Izany no nanova ny fiainako. Lasa mpitory aho, telo volana taorian’ny naha tompon-dakan’i Letonia ahy, ary natao batisa tamin’ny Aogositra 1993. Nimenomenona ny mpanazatra ahy, rehefa nitory tany amin’ny toerana fanaovan’ny olona fanazaran-tena aho. Soa ihany anefa fa tsy kivy tamin’izany aho.” Manazava momba izany i Eduards Eihenbaums sy Edgars Brancis, namany.

Hoy i Eduards: “Nanasa ahy hianatra Baiboly maimaim-poana i Jānis Folkmanis. ‘Raha maimaim-poana ilay izy’, hoy aho, ‘dia aleo atomboka izao.’ Nianatra tokoa àry izahay! Hitako hoe marina ny zavatra nianarako, indrindra fa momba ny fitsanganana amin’ny maty, izay nitombina kokoa noho ny hoe tsy mety maty ny fanahy. Nianatra Baiboly koa ny vadiko, ary natao batisa izahay tamin’ny 1995.”

Hoy indray i Edgars: “Nazoto nitory tany amin’ny toerana fanaovanay fanazaran-tena i Jānis. Inefatra izy no nanasa ahy hianatra Baiboly, fa tsy nanaiky aho. Nandray Tilikambo sy Mifohaza! anefa aho, ary koa ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Lasa saina ihany aho hoe: ‘Inona àry no nahatonga an’iny mpanao fanatanjahan-tena nalaza iny ho liana amin’ny Baiboly?’ Tena nanitikitika ny saiko izany, ka nianatra Baiboly ihany aho. Vokatr’izany dia natao batisa aho tamin’ny 1995, ary mpisava lalana manokana aho izao.”

Tsy maintsy niala tamin’ny fahazaran-dratsy ny olona sasany, mba hampifaliana an’Andriamanitra. Mpisotro toaka be, ohatra, i Aivars Jackevičs. Hoy izy: “Mamo be aho rehefa faran’ny herinandro. Vao maraina aho dia efa misotro labiera, ary misotro vodka iray tavoahangy aorian’izay. Mamo aho indray mandeha, tamin’ny Janoary 1992, ka nisy nanendaka ary tapaka ny tanako. Saika namono tena aho ny ampitso harivan’io, satria kivy be. Nisy mpiara-monina nandondòna tao amiko anefa tamin’izay. Efa imbetsaka izy io no nitory tamiko. Niresaka izahay, ary nasainy hianatra Baiboly aho, dia nanaiky.”

“Tsy nikasika toaka mihitsy aho rehefa hianatra Baiboly, ary nanampy ahy handroso izany. Nanomboka nianatra intelo isan-kerinandro aho, rehefa fantatro ny marina momba ny maty. Natahotra foana mantsy aho taloha hoe hodorana any amin’ny afobe, nefa nianarako fa tsy marina izany. Lasa mpitory tsy vita batisa aho, tao anatin’ny efa-bolana latsaka. Mampitandrina antsika anefa ny Baiboly hoe: ‘Izay mihevi-tena ho efa mijoro dia aoka izy hitandrina sao ho lavo.’ Nanao hadalana aho indray hariva, satria niaraka tamin’ny naman-dratsy ary nisotro toaka be. Saika hamono tena indray aho. Namindra fo sy naharitra tamiko anefa i Jehovah, ary nanampy ahy koa ireo rahalahy be fitiavana. Tena anatra ho ahy iny zava-nitranga iny! Natao batisa aho tamin’ny 1992, ary Betelita eto Letonia ankehitriny.”—1 Kor. 10:12; Sal. 130:3, 4.

Tsy maintsy nanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany koa i Māris Krūmin̗š, mba hanompoana an’i Jehovah. Lasa Betelita izy izao. Hoy izy: “Diso fanantenana tamin’ny fiainana aho, rehefa avy nanao raharaha miaramila. Nianatra teny amin’ny oniversite aho tatỳ aoriana, nefa voaroaka satria ningitrika foana. Nirenireny fotsiny aho, ka lasa mpanao heloka bevava. Mamo aho indray alina ary niady tamin’olona, ka voasambotra. Nisaintsaina momba ireo lalàna nodikaiko aho tamin’izay, ary azoko fa avy amin’ny lalàn’Andriamanitra daholo izy ireny raha ny marina. Tamin’izay aho vao mba nivavaka, ka nifona tamin’Andriamanitra sy nivoady ny hitady azy.”

“Nitetitety fivavahana aho rehefa nivoaka ny fonja, nefa nandiso fanantenana ahy avokoa izay nalehako. Nanomboka namaky Baiboly sy boky momba ny fivavahana àry aho. Nihaona tamin’ny mpiara-mianatra tamiko taloha aho tamin’ny 1990, teny ambony lamasinina. Vavolombelon’i Jehovah izy, ary nohazavainy tamiko ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona sy ny antony mahatonga ny fijaliana eran-tany. Nanokatra ny foko i Jehovah tamin’izay. Nanomboka nianatra Baiboly aho, ary lasa mpitory tamin’ny 1991. Natao batisa aho tamin’ny 1992, ary lasa Betelita herintaona taorian’izay. Nanambady an’i Simona, mpisava lalana failandey, aho tamin’ny 1995.”

Nianatra momba ny lalàna i Edgars Endzelis. Hoy izy: “Efa nadiva hiova ny fitondrana, taoriana kelin’ny 1990. Nianatra teto Riga aho tamin’izany, ary mpianatra maro no niady hevitra momba ny zava-kendren’ny fiainana. Namaky boky momba ny filozofia sy ny fivavahana tatsinanana aho. Nanao aikido, na karazana karate, koa aho. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay sy Elita vadiko, taorian’izay.”

“Tamin’izahay nivory voalohany, dia nandray tsara anay ireo Vavolombelona niteny letonianina sy ireo niteny rosianina. Tena nanohina ny fonay izany fitiavana izany. Tezitra tamin’ilay mpanazatra anay aho rehefa nilaza izy fa ny Bodista ihany no afaka ny ho matihanina amin’ny aikido. Izay koa no farany nanaovako aikido! Lava volo aho, fa notapahiko ny voloko taoriana kelin’izay. Natao batisa izahay sy Elita tamin’ny Martsa 1993. Nanomboka teo dia nampiasa ny fahaizako momba ny lalàna aho, mba ‘hiarovana ny vaovao tsara sy hanamafisana orina azy io araka ny lalàna’ eto Letonia.—Fil. 1:7.

VOASEDRA NY FINOAN’IZY IREO

Mpianatra mozika tany Jelgava ny anabavy tanora efatra, tamin’ny 1993. Voasedra anefa ny finoan’izy ireo, rehefa voatendry hihira tamin’ny Fetim-pirenena ny antoko mpihira nisy azy. Mbola vaovao tamin’ny fahamarinana izy ireo, nefa tapa-kevitra ny hampifaly an’Andriamanitra. Nanoratra tamin’ny tale àry izy ireo, niangavy mba tsy hampandraisina anjara tamin’ilay fety, satria tsy nifanaraka tamin’ny feon’ny fieritreretany ilay izy. Ahoana no navalin’ilay tale? Nanoratra tamin’ny ray aman-drenin’ireo anabavy izy, ka nandrahona fa ho voaroaka izy ireo raha tsy nandray anjara. Nankatò an’i Jehovah anefa ireo anabavy, toa an’ireo Hebreo telo lahy.—Dan. 3:14, 15, 17; Asa. 5:29.

Anisan’ireo anabavy ireo i Dace Puncule. Hoy izy: “Nanampy anay hahatoky hatrany ny vavaka sy ny fanampian’ny mpiray finoana. Noroahina tokoa izahay, nefa tsy nanenenako mihitsy ny niandaniako tamin’ny fahamarinana. Tena tsapako hoe nikarakara ahy i Jehovah. Nahita asa tao amin’ny biraon’ny mpisolovava iray aho, efa-bolana monja tatỳ aoriana. Nanampy ahy tamin’ny asako eto amin’ny Betela ny traikefa azoko tamin’izany, satria lasa Betelita aho tamin’ny 2001.”

Ny fampidiran-dra kosa no fitsapana ho an’ny Vavolombelona sasany. Voadonan’ny fiara i Yelena Godlevskaya, tovovavy 17 taona, tamin’ny 6 Septambra 1996, ka tapaka ny maojany. Vonona ny hiaro ny fifandraisany tamin’i Jehovah izy, ka tapa-kevitra ny hifady ny ra. (Asa. 15:29) Mbola tsy zatra nitsabo tsy nisy fampiasana ra anefa ny ankamaroan’ny dokotera teto Letonia tamin’izany. Tsy nety nandidy an’i Yelena àry ireo dokotera nitsabo azy. Herinandro tatỳ aoriana anefa, dia nisy dokotera roa nampiditra ra taminy an-keriny. Maty tamin’io alina io i Yelena.

Mbola tsy Vavolombelona i Marina, renin’i Yelena, tamin’izay. Hoy izy: “Gaga aho nahita fa tena nino an’i Jehovah sy ny fampanantenany ny zanako. Tsy nivadika mihitsy izy.” Efa vita batisa izao i Marina, ary tsy andrin’izy mianakavy ny hamihina an’i Yelena indray rehefa hatsangana amin’ny maty izy.—Asa. 24:15.

FANAMPIAN’NY RAHALAHY MATOTRA

Nitombo be ny isan’ny mpitory, ka nilaina ny rahalahy matotra mba hitarika ny asa. Tamin’ny 1992, dia voatendry ho misionera teto ny rahalahy telo teratany letonianina, izay lehibe tany Etazonia. Tsy iza izany fa i Valdis Purin̗š niaraka tamin’i Linda vadiny, Alfreds Elksnis niaraka tamin’i Doris vadiny, ary Ivars Elksnis, rahalahin’i Alfreds. Niara-tonga tamin’ny Jolay 1992 izy ireo. Ilay trano nisy efitra efatra nipetrahan’izy ireo no natao tranon’ny misionera sy toerana fanatobiana boky ary biraon’ny fandikan-teny.

Ilaina ny mahay manao vazivazy rehefa mianatra teny vahiny. Mitantara toy izao i Doris Elksnis: “Nampianatra Baiboly tovovavy roa aho indray mandeha. Saika hanazava aho hoe nampiasa bibilava i Satana mba hiresahana tamin’i Eva. Tsy bibilava anefa no voateniko fa kisoa, satria mitovitovy ny fanonona an’ireo amin’ny teny letonianina!”

Tonga avy any Aostralia i Peter Luters sy Jean vadiny, tamin’ny 1994. Tamin’ny 1954 i Peter no vita batisa. Teraka teto Letonia izy, fa lehibe tany Aostralia. Anabavy tsara fanahy sy be fitiavana i Jean, ary mamy hoditra tamin’ny maro. Nampalahelo anefa fa nodimandry izy, tamin’ny 1999. I Peter kosa nanapa-kevitra ny hijanona teto Letonia, ary anisan’ny Komitin’ny Sampana ankehitriny. Hoy izy: “Vao tonga izahay dia hitanay fa nazoto nitory ireo rahalahy teto Letonia. Tsy nozaraina anefa ny faritany tokony hiasan’ny fiangonana tsirairay. Nisy faritany tsy nitoriana mihitsy aza teto Riga. Fiangonana vitsy ihany koa no nanao lahateny ho an’ny besinimaro tsy tapaka. Tsy maintsy nalamina haingana àry ireo lafin-javatra roa ireo.”

NAMPANDROSO NY ASA IREO MISIONERA

Tonga ny misioneran’i Gileada voalohany, tamin’ny fiandohan’ny 1993. Voatendry hanompo tany Jelgava i Anders sy Agneta Berglund, ary Torgny sy Lena Fridlund, izay samy Soedoà. Misy mponina 60 000 mahery any Jelgava, ary 28 ny mpitory. Hoy i Anders, izay anisan’ny Komitin’ny Sampana izao: “Niara-nanompo tamin’ireo rahalahy izahay rehefa tonga, ary tena be atao izahay tamin’izany! Indraindray dia nentin’izy ireo nihazakazaka ara-bakiteny mihitsy izahay, rehefa namonjy an’ireo mpianatra Baiboly. Naharitra adiny fito na adiny valo izany, nefa tsy niato mba hisakafo akory izahay! Tena nampahery ny zotom-pon’izy ireo. Lasa mpanompo manontolo andro ny maro tamin’ireny mpianatra ireny.”

Hoy i Torgny Fridlund: “Nihevitra izahay fa ho afaka hiresaka amin’ny olona amin’izay, rehefa avy nianatra ilay fiteny nandritra ny telo volana. Faritany mbola tsy nitoriana mihitsy taorian’ny Ady Lehibe II no nofidinay. Tsy nandray anefa ny olona, ka nanontany tena izahay hoe sao dia ny fomba fitorinay àry no tsy nety. Nifampidinika momba izany izahay, ary nanova ny fomba fitorinay, ka andinin-teny no novakinay rehefa nandeha isan-trano. Nahazo fampianarana Baiboly maromaro izahay taorian’izay.”

Nisy misioneran’i Gileada hafa koa tonga tamin’ny Aprily 1995. Anisan’izy ireny i Basse sy Heidi Bergman, avy any Failandy. Mpiandraikitra ny faritra misy ireo fiangonana miteny rosianina izy ireo izao. Hoy i Basse: “Nasaiko nahitsin’ireo rahalahy aho, rehefa nisy tsy nety izay nolazaiko teny am-pitoriana. Tsy nisalasala mihitsy izy ireo nanitsy ahy avy hatrany, ary tsy teny am-pitoriana ihany, fa nandritra ny fivoriana koa! Faly erỳ aho izao rehefa mandre an’ireo rahalahy milaza hoe: ‘Hoatran’ny Letonianina mihitsy i Basse rehefa miteny.’ ”

Misionera nanompo teto Letonia koa i Carsten sy Jannie Ejstrup, avy any Danemark. Matin’ny kansera anefa i Jannie, izay vao 30 taona mahery. Hoy i Carsten: “Manohy ny asa misionera aho ary manompo amim-pahatokiana, satria izay no fomba tsara indrindra azoko anomezam-boninahitra an’i Jehovah.” Ohatra tsara tokoa ny rahalahy toy ireny!

TONGA IREO RAHALAHY NANAO SEKOLY

Nanomboka tamin’ny 1994, dia voatendry ho eto Letonia ny rahalahy 20 mahery nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Avy any Alemaina sy Grande-Bretagne ary Polonina izy ireo. I Michael Udsen sy Jess Nielsen avy any Danemark no tonga voalohany. Nalefa tany Daugavpils, izay be orinasa sady tanàna faharoa lehibe indrindra eto Letonia, izy ireo.

Hoy i Jess: “Tamin’ny Janoary 1994 no niala teto Riga izahay, hankany Daugavpils, 240 kilaometatra atsimoatsinanan’i Riga. Nilatsaka ny lanezy tamin’io tolakandro io, rehefa hiainga ilay fiara tranainy feno boky sy gazety handehananay. Tsy nahay teny anglisy ilay rahalahy mpamily, nefa izahay tsy nahay teny letonianina na rosianina. Nijanona izy isaky ny 50 kilaometatra teo ho eo, ary nisy zavatra nokitikitihiny tao amin’ny maotera. Azo antoka anefa fa tsy ny fitaovana fanafanana no namboariny, satria nangatsiaka be hoatran’ny tany ivelany ny tao anatiny! Vita ihany ilay dia namizana be, na dia efa ho misasakalina aza izahay vao tonga tany Daugavpils. Nisy 16 ny mpitory tany tamin’izany. Nitombo efa ho avo roa heny anefa izany, tamin’ny faramparan’ny 1995.”

BOKY AMIN’NY TENY LETONIANINA

Tamin’ny teny rosianina ny ankamaroan’ireo boky sy gazety teto Letonia, talohan’ny 1992. Mahay an’io fiteny io ny ankamaroan’ny Letonianina, nefa maro no tia kokoa ny tenin-drazany. Milaza toy izao ny tatitra iray: “Nahagaga fa nahay nandika teny ny sasany tamin’ireo mpitory vaovao an-jatony teto. Hita mihitsy hoe ny fanahy masin’Andriamanitra no nitarika ny asan’ireny rahalahy sy anabavy tanora nahafoy tena ireny.”

Niasa mafy ireo mpandika teny, ka nanomboka nivoaka isam-bolana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny letonianina, tamin’ny Janoary 1995. Lasa indroa isam-bolana izany tamin’ny Janoary 1996. Efa misy amin’ny teny letonianina koa izao ny Mifohaza! sy ny boky ary bokikely maromaro.

Niala tao amin’ilay toerana teritery tao amin’ny tranon’ny misionera ny ekipan’ny mpandika teny tamin’ny fiandohan’ny 1993, ary nifindra tao amin’ny trano iray teo amin’ny Lalana Brīvības. Nifindra tao amin’ny trano nohavaozina tany amin’ny 40 Lalana Miera indray izy ireo, tamin’ny Aogositra 1994. Ahoana no nahazoan’ireo rahalahy an’io trano sy tany io?

FANOMEZANA LEHIBE

Niala teto Letonia i George sy Sigrid Hakmanis, nandritra ny Ady Lehibe II, ary lasa mpitsoa-ponenana. Nianatra ny fahamarinana izy mivady tany Londres, any Angletera, ary natao batisa tamin’ny 1951. Nifindra tany Etazonia izy ireo ny taona nanaraka, ary niverina teto Letonia tamin’ny 1992, ka nijanona teto dimy taona.

Rehefa niala tamin’ny Firaisana Sovietika i Letonia tamin’ny 1991, dia azon’ny olona natao ny nangataka ny hamerenana ny taniny sy ny tranony izay nalain’ny Fanjakana. Azon’i Sigrid sy ny rahavaviny, izay Vavolombelona ihany koa, ny tranony teo amin’ny 40 Lalana Miera, satria voatahirin’izy ireo nandritra ny 50 taona ny taratasy momba azy io. Natolotr’izy mirahavavy ho an’ny fandaminana anefa ilay trano rehefa azony. Namboarin’ireo rahalahy ilay izy ka lasa nisy rihana efatra, ary nasiana biraon’ny fandikan-teny. Nahazaka Betelita 20 ilay trano.

Nanatrika ny fitokanana tamin’ny 20 Aogositra 1994 i Milton Henschel, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Nampirisika an’ireo rahalahy izy mba hividy an’ilay trano nisy rihana dimy teo akaiky, teo amin’ny 42 Lalana Miera. Nanaiky hivarotra ilay tompony, izay nipetraka tany Etazonia. Nohavaozina tanteraka ilay trano, ary lasa 35 ny Betelita. Nitohy ihany ny fanitarana taorian’izay, ka nampiana ny birao sy ny efitrano mba hampiasain’ireo Betelita 55.

FANEKENA HO ARA-DALÀNA

Mbola sarotra ihany ny nanoratra ny fikambanantsika ho ara-dalàna teto Letonia. Ny fanaratsian’ny mpanao gazety momba an’i Yelena Godlevskaya, no nataon’ny manam-pahefana fialan-tsiny tsy hanoratana ny fikambanantsika ho ara-dalàna, tamin’ny 1996. Nilaza mihitsy aza ny solombavambahoaka iray, fa mety ho voarara ny asantsika! Niezaka niresaka tamin’ny manam-pahefana ihany anefa ireo rahalahy, ary nanazava ny asantsika. Farany, tamin’ny 12 Oktobra 1998, dia nambaran’ny talen’ny Birao Momba ny Zon’olombelona, fa nekena ho ara-dalàna ny Fiangonana Riga Afovoany sy ny Fiangonana Riga Torn̗akalns. Nolazaina anefa fa hanan-kery mandritra ny herintaona monja izany. Nekena ho ara-dalàna koa ny Fiangonana Jelgava, iray volana taorian’izay.

Tsy maintsy nanavao ny fangatahany isan-taona ireo fiangonana vaovao, araka ny lalàn’i Letonia. Raha nisy fiangonana folo na mihoatra anefa, nekena ho ara-dalàna tao anatin’ny folo taona, dia tsy nila namerina nangataka intsony izy ireo. Nahazo nivory an-kalalahana ihany ireo mbola niandry ny valin’ny fangatahany.

FITADIAVANA TOERANA HIVORIANA

Nisy fitomboana be taorian’ny 1990, ka nilaina ny toerana malalaka hivoriana. Nisy trano iray natao lavanty tany Daugavpils tamin’ny 1997, ary ireo rahalahy ihany no naniry hividy an’ilay izy. Natomboka àry ny fanavaozana an’ilay trano tamin’ny Desambra 1998, ary vita izany, valo volana tatỳ aoriana. Faly erỳ ireo mpitory 140 mahery nivory tao amin’ny Efitrano Fanjakanan’izy ireo.

Tany Jūrmala no nisy Efitrano Fanjakana naorina voalohany, tamin’ny 1997. Nanaitra ny lehilahy iray nianatra Baiboly ny hatsaran’ilay efitrano, ka nangatahiny ireo Vavolombelona mba hanorina trano ho azy koa! Nohazavain’ireo rahalahy anefa fa tsy asa fitadiavam-bola no ataon’izy ireo fa an-tsitrapo. Nisy trano fijerena sinema efa may tany Torn̗akalns eto Riga, ka mora no nividianan’ireo rahalahy azy. Vita ny fanavaozana an’ilay trano tamin’ny Aogositra 1998. Lasa Efitrano Fanjakana tsara tarehy sady misy rihana ilay trano may taloha!

FANAMPIANA AVY ANY FAILANDY

Nanampy be dia be ireo rahalahy failandey, mba hampandrosoana ny asa teto Letonia. Ny sampan’i Failandy mihitsy aza no nanara-maso ny asa teto, tamin’ny 1992 ka hatramin’ny 2004. Izy ireo koa no nanao pirinty ny gazety rehetra ho an’i Letonia, sady nandefa rahalahy matotra hitarika ny asa teto nandritra ny taona maro. Anisan’ny nirahina teto i Juha Huttunen sy Taina vadiny, izay tonga tamin’ny 1995. Anisan’ny Komitin’ny Sampana izao i Juha. Tena nampandroso ny asa teto koa i Ruben sy Ulla Lindh, izay efa nanompo manontolo andro nandritra ny 80 taona mahery raha atambatra. Anisan’ny Komitin’ny Tany nandritra ny efa-taona ny Rahalahy Lindh, ary nody tany Failandy taorian’izay.

Nisy mpiasa an-tsitrapo 150 mahery koa tonga avy any Failandy, mba hanampy tamin’ny tetikasa fanorenana maro. Tena niasa mafy ireny Vavolombelona be fitiavana ireny. Notahin’i Jehovah koa ny fanompoan’ireo mpitory sy mpisava lalana ary misionera. Vokatr’izany rehetra izany dia lasa sampana i Letonia, tamin’ny 1 Septambra 2004.

EZAKA MANOKANA MBA HITORIANA

Any an-tanàn-dehibe sy ny manodidina no mipetraka ny ankamaroan’ny mpitory. Tamin’ny fiandohan’ny taona 2001 dia nahazo taratasy ireo fiangonana, nanasa ny mpitory hanao ezaka manokana mba hitoriana amin’ireo faritra mitokana, nandritra ny vakansy. Mpitory 93 no namaly ilay antso. Nozaraina ho antoko sivy izy ireo, ary nomena faritany ambanivohitra maromaro.

Betelita i Vjačeslavs Zaicevs, ary naka vakansy izy mba handraisana anjara tamin’ilay ezaka manokana. Hoy izy: “Nanjary nifankahalala tsara tamin’ireo rahalahy sy anabavy aho. Niara-nisakafo izahay rehefa avy nitory, ary nifampitantara zavatra nampahery, sady niresaka momba ny fandaharana ho an’ny ampitso. Nilalao baolina izahay avy eo, ary nilomano tao amin’ny farihy iray. Santatry ny Paradisa mihitsy ilay izy!”

Nahatratra 4 200 mahery ny ora lanin’ireo rahalahy, izany hoe 41 ora mahery isaky ny mpitory. Nisy 9 800 mahery ny boky sy gazety voapetrak’izy ireo, 1 625 ny fiverenana mitsidika, ary 227 ny fampianarana Baiboly. Nanomboka teo dia nasiana ezaka manokana toy izany foana isan-taona.

MARO NO NAHITA NY TENA FAHAFAHANA

Nanomboka tamin’i Ans Insberg ny tantaran’ny Vavolombelona eto Letonia. Namboraka ny tao am-pony tamin’Andriamanitra izy indray alina feno kintana, teny an-dranomasina. Naniry hihaona tamin’ireo mpivavaka tamin’Andriamanitra “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” i Ans. (Jaona 4:24) Nohenoin’i Jehovah izany vavaka vokatry ny fo izany. Nanomboka teo dia Letonianina maherin’ny 2 400 no nahita ny fahamarinana, ary mitovitovy amin’izany koa ny isan’ireo mianatra Baiboly ankehitriny. Mbola betsaka àry ny asa tokony hatao!—Matio 9:37, 38.

Vonona hanampy an’ireo rehetra mitady ny tena fahafahana ny Vavolombelon’i Jehovah eto Letonia. Tsy ilay fahafahana asehon’ilay Tsangambaton’ny Fahafahana eo amin’ny Lalana Brīvības anefa, no itarihan’izy ireo ny olona, fa ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy ho ela dia ho afaka amin’ny fijaliana rehetra ireo manantena an’io Fanjakana io, sy mivavaka amin’i Jehovah “araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” Hiainan’izy ireo mihitsy amin’izay ilay fahafahana tonga lafatra, dia “ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.”—Rom. 8:21.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 53 Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 2005 ny tantaram-piainan’i Yurii Kaptola.

[Teny notsongaina, pejy 190]

“Tsy hohadinoiko mihitsy ny batisako. Natao tamin’ny alina be ilay izy, tao amin’ny renirano faran’izay nangatsiaka. Nangovitra be aho nefa tena faly.”

[Teny notsongaina, pejy 203]

“Nisy olona niteny tao andamosiko hoe: ‘Poizina iny novidinao iny!’ ”

[Efajoro/​Sarintany, pejy 184, 185]

INDRAY MITOPY MASO AN’I LETONIA

Ilay Tany

Mirefy 450 kilaometatra eo ho eo ny halavan’i Letonia avy any atsinanana hatrany andrefana, ary 210 kilaometatra kosa avy any avaratra hatrany atsimo. Ala no mandrakotra ny 45 isan-jaton’ilay tany. Misy biby maro eto, toy ny amboadia, lambo, lambondriaka isan-karazany, karazana sakadia, serfa isan-karazany, ary voalavon-drano. Anisan’ireo vorona eto ny vanobe, vano volondavenona, rôsiniôla, ary pika.

Mponina

Miisa 2 300 000 ny mponina, ka ny ampahatelon’ireo no mipetraka eto Riga renivohitra. Loteranina sy Katolika ary Ortodoksa no fivavahana lehibe eto. Tsy mpivavaka anefa ny ankamaroan’ny olona.

Fiteny

Ny letonianina no fitenin’ny 60 isan-jaton’ny mponina, ary maherin’ny 30 isan-jato no miteny rosianina. Mahay fiteny roa na mihoatra anefa ny maro.

Fivelomana

Mpiasa birao ny 60 isan-jaton’ny mponina. Ny sisa kosa miasa amin’ny orinasa na mamboly sy miompy.

Sakafo

Anisan’ny vokatra eto ny orza, ovy, betiravy, ary legioma sy voa madinika hafa. Miompy kisoa sy osy ary omby aman’ondry ny olona. Maro koa no manana akoho amam-borona.

Toetany

Betsaka ny rotsakorana, ary feno rahona foana ny lanitra. Antonony ny hafanana amin’ny fahavaratra, ary tsy dia mangatsiaka loatra ny ririnina.

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

ESTONIA

ROSIA

LETONIA

Valmiera

RIGA

Jūrmala

Sloka

Tukums

Ventspils

Kuldīga

Liepaja

Vain̗ode

Jelgava

Daugavpils

LITOANIA

RANOMASINA BALTIKA

Hoalan’i Riga

[Sary]

Riga

[Efajoro/​Sarintany, pejy 186]

Ireo Faritra Efatra eto Letonia

Mizara ho faritra efatra i Letonia, ka samy manana ny mampiavaka azy sy ny lafiny mahatsara azy izy ireo. Tsy mitovy koa ny kolontsain’ny mponina amin’ireo faritra ireo. Ny faritr’i Vidzeme, eo akaikin’ny Hoalan’i Riga, no lehibe indrindra amin’ireo. Misy rova manan-tantara ao amin’izy io, ao Sigulda sy Cēsis ary Riga renivohitra. Any atsinanana kosa no ahitana an’i Latgale, izay misy lemaka sy farihy manga. Any no misy an’i Daugavpils, tanàna faharoa lehibe indrindra eto Letonia. Ny faritr’i Zemgale, eo atsimon’ny Renirano Daugava Andrefana, no tena mpamokatra voa madinika. Miainga any Bélarus io renirano io, ka mamakivaky an’i Letonia hatrany amin’ny Hoalan’i Riga. Ahitana lapa tsara tarehy roa ao amin’io faritra io. Ilay mpanao maritrano italianina atao hoe Rastrelli no nanao ny planin’izy ireo. Izy koa no nanao ny planin’ny lapan’ny mpanjaka any Saint-Pétersbourg, any Rosia. I Kurzeme no faritra fahefatra, izay misy ala sy torapasika, ary toeram-pambolena sy fiompiana maro. Io faritra io no ahitana ny Morontsiraka Baltika, ny tanànan’i Ventspils sy Liepaja, ary tanàna maro, be mpanjono.

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

1 VIDZEME

2 LATGALE

3 ZEMGALE

4 KURZEME

[Efajoro/​Sary, pejy 192, 193]

Lasa Vadiko Ilay Pasitera Nitoriako!

ANNA BATNYA

TERAKA 1958

BATISA 1977

TANTARANY Notezaina tao amin’ny fahamarinana, tany Ukraine. Nanampy olona 30 mahery hatramin’ny batisa. Mpisava lalana manokana izao.

HENOKO fa nila mpitory teto Letonia, ka nifindra teto aho tamin’ny 1986. Voarara ny fitoriana teto, ka nafeniko tao anaty harona nisy enta-madinika ny Baiboliko. Teny amin’ny zaridainam-panjakana na toerana be olona aho no nitory. Niresaka ny fanantenana momba ilay Fanjakana ny mpitory, fa tsy nampiasa Baiboly raha tsy tena liana ilay olona. Tsy nanasa anay hankany an-tranony ny olona, tamin’ny ankapobeny, satria natahotra sao ho hitan’ny mpiray tanàna na ny havany. Teny amin’izay toerana nihaonanay àry izahay matetika no nianatra.

Vitsy kely ny boky sy gazety tamin’izany. Nandritra ny taona maro aza, dia iray monja no nananan’ny fiangonanay tamin’ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Nampiasainay teny am-pitoriana io boky io, saingy tsy napetrakay tamin’ny olona mihitsy!

Nitory teny akaikin’ny fiangonana iray izahay sy ny rahavavy iray, ary nihaona tamin’i Pyotr Batnya, izay pasitera. Mody nanontany azy izahay hoe aiza no hahitanay Baiboly hovidina. “Izaho koa tena liana amin’ny Baiboly”, hoy izy. Nitohy tsara ny resakay avy eo. Nihaona tamin’i Pyotr teny amin’ny zaridainam-panjakana indray izahay ny ampitso. Nasehonay azy ny loha hevitra ao anatin’ny boky Fahamarinana, ary nanontanianay izay tiany hodinihina. Ilay toko mitondra ny lohateny hoe “Fanaon’ny Olona Tsy Ankasitrahan’Andriamanitra” no nofidiny. Nisy vokany tsara ilay fiaraha-midinika, satria lasa nianatra Baiboly tsy tapaka niaraka tamin’ny anadahy iray izy.

Nanomboka nametraka fanontaniana tamin’ny pasitera namany i Pyotr, rehefa nahalala ny fahamarinana. Tsy hain’izy ireo anefa na dia ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly aza! Niala tamin’ny fivavahany i Pyotr taoriana kelin’izay, ary nanolo-tena ho an’i Jehovah.

Nivady izahay sy Pyotr tamin’ny 1991, ary niara-nanao mpisava lalana. Nampalahelo anefa fa matin’ny lozam-piarakodia izy, taona vitsivitsy taorian’izay. Inona no nanampy ahy hizaka ny alaheloko? Nifantoka tanteraka tamin’ny fanompoana aho, ary nanampy olona hahafantatra an’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.” (2 Kor. 1:3, 4) Faly aho fa voatendry ho mpisava lalana manokana tamin’ny 1997.

[Sary]

Pyotr

[Efajoro/​Sary, pejy 200, 201]

Naniry Fitondrana Manao ny Rariny Aho

INDRA REITUPE

TERAKA 1966

BATISA 1989

TANTARANY Kominista taloha. Lasa mpisava lalana tamin’ny 1990. Olona maherin’ny 30 no nampiany hatramin’ny batisa.

TSY nino an’Andriamanitra aho sady tsy nino ny Baiboly, hatramin’ny mbola kely. Niezaka nanao ny marina foana anefa aho. Tsy azoko mihitsy hoe nahoana ny olombelona no tsy mahavita manangana fitondrana tsara sy manao ny rariny.

Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tatỳ aoriana. Gaga aho fa tena nitombina ny zavatra noresahin’izy ireo avy ao amin’ny Baiboly. Nanohina ny foko ny nahalala fa misy ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tia ny rariny i Jesosy. Natao batisa tao amin’ny farihy iray aho tamin’ny 1989, ary lasa mpisava lalana maharitra, enim-bolana taorian’izay. Nanan-janaka vavy iray izahay mivady tamin’izany. Niteraka kambana mianadahy izahay tatỳ aoriana. Vavolombelon’i Jehovah koa i Ivan vadiko, ary tena tia sy nanohana ahy izy, ka afaka nanohy ny fanompoana manontolo andro aho.

Matetika aho no nitory tsy ara-potoana teny an-dalana sy teny amin’ny zaridainam-panjakana, tamin’ny zanako mbola kely. Nanamora ny fitoriako aza ireo zanako kambana, satria nahasarika ny olona izy ireo. Azo niresahana tsara àry ny olona.

Nihaona tamin’ny vehivavy iray atao hoe Anna aho, rehefa nitory tao amin’ny zaridainam-panjakana. Handeha hijery fampisehoana izy ary efa nividy tapakila, fa nipetrapetraka aloha mandra-panombok’ilay izy. Tena nahaliana azy anefa ny fampanantenan’ny Baiboly ho an’ny olombelona, ka tsy nijery an’ilay fampisehoana indray izy. Namaky andinin-teny maro izahay, ary nifanao fotoana teo amin’ilay zaridaina indray. Vita batisa i Anna (eo ankavanana), enim-bolana tatỳ aoriana. Mpandika teny ao amin’ny sampana izy izao. Tena faly ny foko rehefa mieritreritra ny fomba nitahian’i Jehovah ny fanompoako.

[Sary]

Miaraka amin’ny fianakaviako

[Efajoro/​Sary, pejy 204, 205]

Nahay Naminany ny tao An-tsaiko Izy Ireo

ANDREY GEVLYA

TERAKA 1963

BATISA 1990

TANTARANY Mpiandraikitra ny tanàna, sady mpisava lalana sy mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana, miaraka amin’i Yelena vadiny.

NANDEHA lamasinina nankany Riga aho tamin’ny Janoary 1990, ary nisy vehivavy roa nanontany ahy raha efa namaky Baiboly aho. Nihevitra aho fa nahay naminany ny tao an-tsaiko izy ireo, satria efa ela aho no te hamaky Baiboly saingy tsy mba nanana. Nomeko azy ireo àry ny adiresiko sy ny nomeraon-telefaoniko. Indra Reitupe no anaran’ny iray tamin’izy ireo. (Jereo ny efajoro, pejy 200-201.) Tonga tany amiko izy ireo afaka andro vitsivitsy, ary efa niandry mihitsy aho. Nahavariana ahy ny fahaizan’izy ireo nampiasa Baiboly mba hamaliana ny fanontaniako. Taoriana kelin’izay dia nampianatra Baiboly ahy i Pyotr Batnya, mpanompo manontolo andro izay pasitera taloha.—Jereo ny efajoro, pejy 192-193.

Nivory voalohany aho rehefa afaka efa-bolana. Nisy fivoriana natao tany anaty ala indraindray. Nanomboka tamin’ny folo ora maraina ka hatramin’ny enina ora hariva ilay izy. Ny anjara sasany tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana sy Fivoriana Momba ny Fanompoana no nataon’ireo rahalahy. Matetika anefa no nisy olona natao batisa, ka midika izany fa nisy lahatenin’ny batisa koa talohan’ny fiatoana antoandro.

Tena nahafaly ahy ny zavatra nianarako, ary nampahery ahy ny fitiavana nasehon’ireo rahalahy tany am-pivoriana. Tsy andriko izay hanaovana batisa ahy. Naroboka tao amin’ny farihy iray àry aho, tamin’ny faramparan’ny Aogositra 1990.

Nampianatra Baiboly mpiara-miasa tamiko maromaro aho, tamin’ny fiandohan’io taona io. Lasa Vavolombelona ny sasany taminy. Tena nitahy ahy koa i Jehovah, satria vita batisa i Yelena vady malalako, tamin’ny 1992.

[Efajoro/​Sary, pejy 208, 209]

Nody Aho 50 Taona Tatỳ Aoriana

ĀRIJA LEIVERS

TERAKA 1926

BATISA 1958

TANTARANY Teratany letonianina nipetraka tany amin’ny tany maro, ary nody teto mba hanampy ny mpitory.

TAMIN’NY Ady Lehibe II, dia nanapa-kevitra i Dada fa hiala teto Letonia izahay. Nanambady aho tatỳ aoriana, ary nipetraka tany Venezoelà izahay mivady. Tany aho no nihaona voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nianatra Baiboly tamin’ny misionera iray. Teny alemà no nampiasainay. Nianatra teny espaniola aho rehefa nanomboka nivory, satria io no fiteny ofisialy tany Venezoelà.

Nifindra tany Etazonia izahay mianakavy tamin’ny 1958, ary natao batisa aho, roa volana taorian’izay. Rehefa maty ny vadiko, dia nifindra tany Espaina izahay sy ny zanako vavy, ary nanao mpisava lalana aho. Ny Jeneraly Franco, mpitondra tsy refesi-mandidy, no nitondra tamin’izany. Nangetaheta ny fahamarinana ny olona maro tso-po sy natahotra an’Andriamanitra. Nijanona 16 taona tany Espaina aho, ary olona 30 teo ho eo no nampiako hatramin’ny batisa.

Rehefa rava ny Firaisana Sovietika tamin’ny 1991, dia nandalo teto Letonia aho, ary hitako fa nila mpitory betsaka teto. Naniry hiverina àry aho, mba hanao mpisava lalana teto amin’ny taniko. Tanteraka tamin’ny 1994 ny nofinofiko, izany hoe 50 taona katroka taorian’ny nialako teto.

Efa masaka hojinjaina tokoa ny vokatra teto Letonia. Nitory tamin’ny lehilahy iray nangataka ny bokintsika, ohatra, aho. Nilaza izy fa tia fivavahana ny zanany vavy, ka homeny azy ilay boky. Nalaiko ny adiresin’ilay zanany, ka nampianariko Baiboly izy, ary herintaona dia vita batisa. Misaotra an’i Jehovah aho satria notahiny sady nomeny hery, ka afaka manao mpisava lalana eto amin’ny taniko, taorian’izay fotoana ela be izay.

[Sary]

Tamin’izaho 20 taona

[Tabilao, pejy 216, 217]

IREO TAONA NANAN-TANTARA—Letonia

1916 Natao batisa i Ans Insberg, tantsambo. Nanao fitoriana an-gazety izy taorian’ny Ady Lehibe I.

1920

1926 Nasiana birao niandraikitra ny asa, teto Riga.

1928 Navoaka ny bokikely Fahafahana ho An’ny Vahoaka. Io no nadika voalohany tamin’ny teny letonianina. Nisy mpisava lalana tonga avy any Alemaina.

1931 I Percy Dunham no niandraikitra ny asa.

1933 Voasoratra ara-dalàna ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena (IBSA).

1934 Nakaton’ny fanjakana ny biraon’ny IBSA.

Tsy nisy tatitra voaray tamin’ny 1939 ka hatramin’ny 1992.

1940

1940 Lasa anisan’ny Firaisana Sovietika i Letonia; noroahina ry Dunham mivady.

1951 Natao sesitany tany Siberia ny Vavolombelona.

1960

1980

1991 Nisaraka tamin’ny Firaisana Sovietika i Letonia.

1993 Tonga ny misioneran’i Gileada voalohany.

1995 Navoaka isam-bolana tamin’ny teny letonianina Ny Tilikambo Fiambenana.

1996 Nasiana Komitin’ny Tany teto Riga.

1997 Voaorina ny Efitrano Fanjakana voalohany, tany Jūrmala.

1998 Voasoratra ara-panjakana ny fiangonana roa teto Riga.

2000

2001 Nalamina ny ezaka manokana voalohany mba hitoriana.

2004 Lasa sampana i Letonia tamin’ny 1 Septambra.

2006 Vita ny fanitarana ny sampana; maherin’ny 2 400 ny mpitory.

[Tabilao]

(Jereo ny boky)

Mpitory

Mpisava Lalana

2 000

1 000

1920 1940 1960 1980 2000

[Sary, pejy 176]

[Sary, pejy 178]

Trano nisy ny biraon’ny Mpianatra ny Baiboly teto Riga, 1926

[Sary, pejy 178]

Nampahery ny bokikely “Fahafahana ho An’ny Vahoaka” tamin’ny teny letonianina, 1928

[Sary, pejy 178]

Rees Taylor

[Sary, pejy 180]

Ferdinand Fruck, vita batisa tamin’ny 1927

[Sary, pejy 180]

Heinrich sy Elsa Zech, eo anoloan’ilay toeram-piasan’izy ireo tao Liepaja

[Sary, pejy 183]

Edwin Ridgewell (havia) sy Andrew Jack, nitatitra boky an-tsokosoko teto Letonia

[Sary, pejy 183]

Percy sy Madge Dunham

[Sary, pejy 183]]

Mpiasan’ny birao sy Vavolombelona hafa, taorian’ny 1930

[Sary, pejy 191]

Lisitr’ireo Vavolombelona nosamborin’ny KGB tamin’ny 1950. Maro no nalefa tany Siberia

[Sary, pejy 191]

Tany Siberia, taoriana kelin’ny 1950

[Sary, pejy 194]

Nandre lahateny ireo rahalahy rehefa nisy fandevenana toy ity, na fotoana hafa

[Sary, pejy 194

Pauls sy Valija Bergmanis, nandika ny “Tilikambo” tamin’ny teny letonianina, ary nanoratra izany tao anaty kahie

[Sary, pejy 194]

Nampiasa horonan-tsary bitika (tena habeny) ireo rahalahy, ka afaka nanao pirinty sy nizara “Tilikambo”

[Sary, pejy 197]

Paulīne Serova no nitory tamin’i Teofīlija Kalvīte, mpitsabo mpanampy

[Sary, pejy 199]

Yurii Kaptola, 1981

[Sary, pejy 199]

Ankehitriny, eo anoloan’ilay fonja nitanana azy

[Sary, pejy 202]

“Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”, 1998. Fivoriambe voalohany teto Letonia, nadika tamin’ny tenin’ny tanana

[Sary, pejy 207]

Lasa mpitory i Jānis Folkmanis, telo volana taorian’ny naha tompon-dakan’i Letonia azy, tamin’ny fibatana fonjam-by

[Sary, pejy 207]

Tany am-ponja i Māris Krūmin̗š no nivavaka voalohany

[Sary, pejy 210]

Voaroaka tany an-tsekoly i Dace Puncule, satria tsy nety nihira tamin’ny fetim-pirenena

[Sary, pejy 210]

Maty i Yelena Godlevskaya rehefa avy nampidiran-dra an-keriny

[Sary, pejy 210]

Mampahery ny fiangonana ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny

[Sary, pejy 215]

Betelita, Letonia

[Sary, pejy 215]

Komitin’ny Sampana, 2006

Peter Luters

Anders Berglund

Hannu Kankaanpää

Juha Huttunen

[Sary, pejy 215]

Tranon’ny sampana telo eo amin’ny Lalana Miera, Riga

[Sary, pejy 218]

Mitory an-kalalahana izao ny vahoakan’i Jehovah eto Letonia

[Sary, pejy 218]

Lasa Efitrano Fanjakana roa (ambany) ilay trano fijerena sinema efa may (havia)