Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

TOA an’i Jesosy, dia mivavaka amim-pahatsorana amin’Andriamanitra isika hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao.” Maniry mafy hiaina mifanaraka amin’io vavaka io isika Vavolombelon’i Jehovah, ka asehontsika eo amin’ny fiainantsika fa izany no faniriantsika. Tsy ampy anefa ny mahalala ny anaran’Andriamanitra, fa tokony hiezaka koa isika hanararaotra ny fotoana rehetra azontsika ankalazana io anarany io. Antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah isika, ary tsy misy voninahitra lehibe noho izany!—Matio 6:9; Isaia 43:10.

Mazoto manao ilay asa nampanaovin’i Jehovah isika vahoakany, araka ny Salamo 110:3. Olona avy amin’ny sokajin-taona rehetra sy samy hafa fiaviana no milofo manao ny asa fitoriana. Fa nahoana? Satria tia an’Andriamanitra sy mahafoy tena ho Azy izy ireo. Mandidy antsika ho tia an’i Jehovah ‘amin’ny fo sy fanahy ary hery rehetra’ ny Deoteronomia 6:5, 6. Tia azy amim-pahatsorana àry isika, ka mampiasa ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fananantsika mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakany. Ny manao fanompoana betsaka araka izay azontsika atao no fomba iray anaovana izany.

Tia ny olombelona i Jehovah ka izany no mahatonga azy haniraka antsika hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana eran-tany. Tsy iriny hisy ho ringana mantsy ny olona fa tiany hibebaka kosa, ka hitodika amin’Andriamanitra mba hahazoany fiainana. (2 Pet. 3:9) Nilaza i Jehovah hoe: “Tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy.” (Ezek. 33:11) Isika eny am-panaovana fanompoana no porofo velon’ny fitiavan’i Jehovah ny olona. Antony iray mahatonga antsika ho faly sy afa-po izany, rehefa manao io asa lehibe io isika.

Tena tia an’i Jehovah koa isika raha mankamamy ny Teniny, dia ny Soratra Masina. Raha tsy teo tokoa ny Baiboly, dia tsy ho nahafantatra an’Andriamanitra isika, ary tsy ho afaka nanatona azy, araka izay asain’ny Jakoba 4:8 ataontsika. Tsy ho fantatsika koa ny antony isiantsika sy izay ho fiainantsika ho avy. Tsy ho fantatsika hoe i Adama razambentsika no fototry ny olana mahazo antsika. (Rom. 5:12) Tsy ho fantatsika koa hoe tena tia antsika Andriamanitra matoa nanome ny Zanany lahitokana hanavotra antsika. Misy fomba maro hafa koa anomezan’i Jehovah antsika fahalalana sy fahendrena. Tena sarobidy amintsika tokoa ny Teniny, izay fanomezana avy aminy! Mankasitraka an’io fanomezana tena tsara io isika ka mitady fotoana hamakiana sy hianarana ary hisaintsainana izay lazainy. (Efes. 5:15, 16; Sal. 1:1-3) Tsy tokony hahasarotiny antsika ny fotoana lanintsika amakiana Baiboly isan’andro. Mazoto mamaky ny Baiboly kosa isika noho ny fitiavantsika an’Andriamanitra, ka hitombo ny fahalalantsika sy ny fitiavantsika azy.

Tao amin’ny Baiboly no nahafantarantsika fa nanota tamin’i Jehovah i Adama, ka nanjary nampahonena sy tsy nanam-panantenana ny taranany rehetra, anisan’izany isika tsirairay. Afaka nanavotra antsika olombelona anefa Andriamanitra, ary izany indrindra no nataony. Koa nanao zavatra izy mba ho tanteraka ny fikasany momba ny tany.—Gen. 3:15.

Maniry mafy hanamasina an’ilay anarana be voninahitr’Andriamanitra tokoa isika tsirairay. Arakaraka ny ahalalantsika ny toetran’i Jehovah Andriamanitra no itiavantsika hiara-miasa aminy sy amin’ny fandaminany, mba hampahafantatra ny anarany malaza sy ny fikasany. Azontsika antoka fa mankasitraka sy mitahy antsika izy ankehitriny, ary amin’ny hoavy dia hanome antsika fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao.

Hamafisinay eto fa tena tia anareo izahay anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ry rahalahy sy anabavy malalanay. Tena ankasitrahanay ny ezaka mafy ataonareo mba hitoriana ny vaovao tsara amin’ny olona maro araka izay azo atao, dieny mbola tsy tonga “ny fahoriana lehibe.” (Apok. 7:14) Amin’izay dia hanampy azy hahalala an’Andriamanitra sy Kristy ianareo izay efa mahalala. Hahazoana fiainana mandrakizay mantsy izany fahalalana izany.—Jaona 17:3.

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 4]

Carey Barber

[Sary, pejy 4]

John Barr

[Sary, pejy 4]

Samuel Herd

[Sary, pejy 4]

Geoffrey Jackson

[Sary, pejy 4]

Stephen Lett

[Sary, pejy 5]

Theodore Jaracz

[Sary, pejy 5]

Gerrit Lösch

[Sary, pejy 5]

Anthony Morris III

[Sary, pejy 5]

Guy Pierce

[Sary, pejy 5]

David Splane