Tatitra Maneran-tany
Tatitra Maneran-tany
AZIA SY MOYEN-ORIENT
TANY 47
MPONINA 3 930 343 401
MPITORY 591 750
FAMPIANARANA BAIBOLY 477 609
Japon
Sarotra tamin’i Miho ny nandeha nanompo, rehefa akaiky ho teraka izy. Te hanohy ny asan’ny mpisava lalana anefa izy, ka niresahany ny mpiandraikitra ny fanompoana mba hanome azy ny adiresin’ireo trano sarotra itoriana, toy ny any amin’ireo toerana tsy azo idirana. Nahazo adiresy zato teo ho eo izy, ka nitelefaonina olona maro araka izay azo atao. Tsy nisy nihaino azy tamin’ny voalohany, ka voantsony tao anatin’ny antsasak’adiny ireo olona ireo. Tatỳ aoriana, dia nandefa taratasy fohy izy rehefa avy nitelefaonina. Matetika no niankina tamin’izay reny tao amin’ny telefaonina, toy ny hoe feon-jaza mitomany, ny votoatin’ny taratasy nalefany. Niantso an’izay olona nanoratany izy, rehefa fantapantany fa efa voaray ilay taratasy. Noresahiny ny soa azo, rehefa ampiharina ireo toro lalan’ny Baiboly tao amin’ilay taratasiny. Tsy nety niresaka tamin’i Miho tamin’ny telefaonina ny vehivavy iray, indray mandeha, nefa nandefasany taratasy ihany. Niantso azy indray i Miho tatỳ aoriana, ka ny zanany vavy ihany no tao an-trano. Mbola mpianatra io ankizivavy io, ary efa voavakiny ilay taratasy nalefan’i Miho. Nitory taminy i Miho, ary nampanantena fa handefa taratasy misy torohevitra avy ao amin’ny Baiboly, izay hanampy azy amin’ny fianarany. Nitelefaonina indray i Miho, ka ilay ramatoa no azony. Nilaza izy fa nanana olana ilay zanany tany am-pianarana, nefa nanampy azy
izay noresahin’i Miho taminy. Mbola niantso azy mianaka sy nanoratra ho azy ihany i Miho, ka nanomboka nianatra Baiboly izy ireo.Népal
Mpampianatra i Prem, ary efa hatry ny ela izy no nitady ny fahamarinana. Namaky Baiboly izy, ary niangona tao amin’ilay fiangonana akaikin’ny sekoly niasany. Tsy nisy nahavaly ny fanontaniany anefa, ary sosotra izy satria nangata-bola foana ilay pasitera. Nivavaka àry i Prem, mba hanampian’Andriamanitra azy hahita izay fivavahana afaka mampianatra azy ny fahamarinana. Rehefa nifindra trano izy, ka nampianatra tany amin’ny sekoly hafa, dia nanontaniany ny mpifanila trano taminy hoe aiza no misy fiangonana. Nitondra azy tany amin’ny Efitrano Fanjakana àry ny ankizy mpianatra nifanila trano taminy. Efa nanatrika fivoriana tany mantsy ny renin’io ankizilahy io. Momba ny Fanjakan’Andriamanitra ilay lahateny ren’i Prem, ary efa nanitikitika ny sainy io foto-kevitra io. Nanomboka nianatra Baiboly àry izy, ka faly satria voavaly ihany ny fanontaniany. Efa mivory tsy tapaka izao i Prem sy ny fianakaviany, ary efa nandefa taratasy fialana tany amin’ny fiangonany izy ireo, satria te ho Vavolombelon’i Jehovah.
Taïwan
Nasaina namorona lahatsoratra hoe “Ny Boky Tiako Indrindra” ny mpianatra tao amin’ny sekoly iray fanabeazana fototra, tamin’ny fifaninanana fanao isan-taona. Nosoratan’i Weizhen, ankizivavy 10 taona, fa ny Baiboly no boky tiany indrindra. Nilaza izy fa marina ny faminanian’ny Baiboly sady tena tsara ny tari-dalana ao anatiny. Nohazavainy koa fa voavalin’ny Baiboly ireo fanontaniana tsy voavalin’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra taminy. Izao no nosoratan’i Weizhen: “Lazain’ny mpampianatra anay fa avy amin’ny rajako ny razamben’ny olombelona. Nieritreritra anefa aho hoe: ‘Raha avy amin’ny rajako tokoa ny olombelona, tsy tokony hohajaintsika fatratra sy hankasitrahantsika lalina ve izy ireny? Koa nahoana ireny biby ireny no gadraintsika any amin’ireo toeram-pijerem-biby? Tsy fahotana be ve izany ataontsika Hebreo 4:12 izy rehefa nitantara ny zava-nitranga, sady niteny hoe: “Tsy izaho no tokony hoderaina fa i Jehovah Andriamanitra!”
izany?’ Lazain’ny Baiboly tsara anefa fa tsy avy amin’ny rajako mihitsy isika. Noforonin’Andriamanitra avy tamin’ny vovoka kosa ny razambentsika, sady nataony tahaka ny endriny.” Izao no namaranany ilay lahatsoratra: “Hoy ny ntaolo: ‘Toy ny manokatra vata misy harena ny olona mamaky boky.’ Amiko anefa, dia sarobidy kokoa noho ny volamena ny Baiboly. Koa io no boky tiako indrindra.” Nahazo ny loka voalohany ny lahatsoratra nosoratany, na dia nampiarahina tamin’ireo lahatsoratra ho an’ny sekoly ambaratonga faharoa aza. Vao kilasy T4 anefa izy. Nanonona nyMongolia
Nisy maty ny havan’i Bolortsetseg, anabavy vao vita batisa tany Mongolia. Reny fa nalahelo be i Evsanaa, vadin’io havany io, ka nandefasany an’izay boky sy gazety tamin’ny teny mongol. Voavakin’i Evsanaa tao anatin’ny indray alina ireo boky sy gazety. Nantsoiny an-telefaonina i Bolortsetseg ny ampitson’iny, mba hankany aminy avy hatrany ka hiresaka aminy. Niaraka tamin’ny anabavy iray i Bolortsetseg rehefa nankany amin’i Evsanaa, izay efa nanomana fanontaniana be dia be. Nihaino tsara an’ireo valin-teny avy tao amin’ny Baiboly i Evsanaa. Rehefa avy niresaka ela izy ireo, dia nanazava taminy ireo anabavy fa handray soa kokoa izy, raha foto-kevitra iray ihany no dinihina isaky ny miresaka. Nasain’izy mirahavavy hianatra Baiboly izy. Tonga dia nanaiky hianatra intelo isan-kerinandro i Evsanaa. Afaka iray volana monja, dia nariany ny sampiny rehetra ary nivory izy. Vao nitory roa volana koa izy, dia efa vonona hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Nohazavaina taminy anefa fa tsy maintsy vita batisa izy vao afaka manao izany. Tsy kivy anefa izy, fa tapa-kevitra ny hanompo 50 ora isam-bolana, fara fahakeliny. Ary mikasa ny hatao batisa amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra izy.
Kazakhstan
Nifanena tamin’ny tovolahy atao hoe Nikolay, ny mpisava lalana iray tany Rudny. Naniry hianatra Baiboly
i Nikolay, nefa lavitra be ny tanànan-dry zareo, ary indraindray ihany izy vao nitsidika ny havany tany Rudny. Nanontany azy ilay rahalahy raha azo tsidihina any an-tranony izy. Nilaza anefa i Nikolay fa any amin’ny 200 kilaometatra miala eo ny tanànany, sady saro-dalana be.Nalain’ilay rahalahy ihany anefa ny adiresiny, ary nampanantena izy fa mbola hihaona izy ireo. Nandamina fotoana izy hankanesana any amin’ilay tanàna, ary nanasa rahalahy iray sy anabavy roa avy tao amin’ny fiangonany, mba hiaraka taminy. Dia niainga izy ireo rehefa afaka tapa-bolana, ka nandeha lamasinina. Rehefa tonga tao amin’ilay gara akaiky indrindra an-dry Nikolay anefa izy ireo, dia hitany fa mbola misy 18 kilaometatra vao tonga any amin’ilay tanàna. Tsy nisy fitateram-bahoaka intsony anefa nankany, ka voatery nandeha an-tongotra izy ireo. Tsy mora izany satria ririnina tamin’izay sady namirifiry ny rivotra. Rehefa nandeha kelikely izy ireo, dia nandalo ny kamiao iray mpitondra ronono. Nijanona ilay mpamily ary nasainy niakatra tao anatin’ilay fitoeran-dronono izy ireo! Noheverin’ireo mpitory fa nivazivazy izy. Hay tsy nisy na inona na inona ilay fitoeran-dronono sady maina, ka nanaiky hiakatra tao ihany izy ireo. Nangatsiaka tao nefa mba voaro tamin’ny rivotra mamanala aloha izy ireo. Nilaza ilay mpamily fa mbola mila mandeha an-tongotra fito kilaometatra izy ireo, miala avy eo amin’ilay toerana hanajanonany azy. Mbola nandeha an-tongotra adiny roa izy ireo vao tonga tany amin’ny tanàn-dry Nikolay.
Sady gaga no faly i Nikolay sy Valya vadiny, rehefa nahita azy ireo teo am-baravarany. Nomen’izy mivady zavatra hampahafana azy ireo vahiny, ary norosoany sakafo. Niara-nidinika Baiboly izy ireo avy eo. Niverina tany ireo rahalahy avy any Rudny, tapa-bolana tatỳ aoriana. Hoy ilay mpisava lalana: “Nitsena anay tany amin’ny gara i Nikolay. Maro be ny olona tao an-tanàna nilaza hoe: ‘Te hiresaka amin’ireo olona nitsofoka tao anaty fitoeran-dronono izahay.’ Koa nomen’i Nikolay fotoana hihaonana taminay ireo olona liana.
Tonga tamin’ilay fotoana nifanaovana daholo izay tao amin’ilay lisitra, sady nanaiky hianatra Baiboly.” Nandroso tsara ny ankamaroan’ireo nianatra Baiboly tao amin’io tanàna io. Natao batisa i Nikolay sy Valya, rehefa afaka roa taona. Mpitory tsy vita batisa izao ny zanany mirahalahy, ary tsy ela izay, dia voatendry ho anti-panahy teo anivon’io antoko-mpitory io i Nikolay.Géorgie
Nitory tany amin’ny faritra mitokana be tendrombohitra tany Géorgie, ny mpisava lalana. Nandeha lalana valo kilaometatra ny anabavy mpisava lalana roa, vao tonga tany amin’ny tanàna kely iray, tany amin’ny faran’ny lalana. Nanomboka nitory isan-trano izy ireo. Rehefa nitory kelikely anefa izy ireo, dia nisy zokiolona tao an-tanàna nanatona an’i Ketevan, iray tamin’ireo anabavy. Nasainy nanazava i Ketevan hoe nahoana izy no mitory, nefa tsy Ortodoksa. Niezaka nanazava ilay anabavy, nefa tsy nihaino ilay zokiolona. Avy eo, dia natosiny hianjera i Ketevan, sady nokapohiny tamin’ny tehiny. Maromaro ihany no nahita izany, ka nanjary fanta-bahoaka tao an-tanàna ilay izy. Niverina nitory tao amin’io tanàna io i Ketevan tatỳ aoriana. Rehefa nahita azy ny ramatoa iray mpanohitra, dia niteny hoe: “Mbola miverina atỳ ihany ve ianao, nefa efa novonovonoina toy ireny? Tena sahy ianao! Ndao ho any an-trano, fa hihaino anao aho.” Rehefa nihaino azy ilay ramatoa, dia nilaza fa afaka mitory ao aminy izy, na rahoviana na rahoviana.
AFRIKA
TANY 57
MPONINA 802 232 357
MPITORY 1 043 396
FAMPIANARANA BAIBOLY 1 903 665
Rwanda
Hitan’ny olona teny an-dalana ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, ka nalain’izy ireo ary nentiny tany amin’ny loholon’ny fiangonana protestanta. Tena nahaliana an’ilay loholona ilay boky, ka nitady Vavolombelon’i Jehovah izy, ary nanomboka nianatra Baiboly. Nitombo ny fahalalany ny fahamarinana, ka niala tamin’ny fiangonany izy ary natao batisa. Nandritra izany fotoana izany, dia nazoto niresaka ny fahamarinana tamin’ireo mpiara-miangona taminy taloha izy. Nisy 25 àry izy ireo no niala tamin’ilay fiangonana, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona koa anefa ilay loholona nisolo azy, ka niala tamin’ny fiangonany koa. Efa mivory izy izao, ary nilaza fa te ho
tonga mpitory. Tsy ela izay, dia natao batisa tamin’ny fivoriambe manokana ny vadiny. Mahavariana hoe boky iray hita teny an-dalana no nahatonga izany rehetra izany!Côte d’Ivoire
Nifanena tamin’ny ramatoa mpivaro-mofo i Berenger, tovolahy Vavolombelona, tamin’izy handeha hanao fanompoana tao Abidjan renivohitra. Latsaka ny volan’ilay ramatoa nefa tsy hitany akory. Nitentina 21 000 Ariary teo ho eo ilay izy. Vao noraisin’i Berenger ilay vola mba homeny an’ilay mpivarotra, dia tamy ny vehivavy iray niantsoantso hoe: “Volako iny, fa ento atỳ!” Rehefa nanontanian’i Berenger azy anefa hoe ohatrinona ilay vola, dia nirintona nandeha izy. Avy eo, dia nihazakazaka nanenjika an’ilay ramatoa very vola i Berenger. Gaga izy fa nilaza ilay ramatoa hoe: ‘Tsy very vola izany aho, fa mitetika ny hisoloky ahy fotsiny ianao!’ Rehefa tsikaritr’ilay ramatoa anefa fa nisisika ihany izy sady toa tsy nandainga, dia nohamarininy ny volany, ka hitany tokoa fa tsy ampy 21 000 Ariary teo ho eo, izany hoe vidina mofo 50.
Hoy i Berenger: “Nohazavaiko tamin’ilay ramatoa fa mampianatra ny mpanompony hanao ny marina i Jehovah Andriamanitro, ka izany no antony namerenako ilay vola. Nisaotra ahy izy, ary nilaza hoe: ‘Ho mpinamana daholo ny olona raha manao toy ny Vavolombelon’i Jehovah. Sambany aho vao nahita tanora manao ny marina toa anao.’ Nomeko taratasy mivalona izy. Ary nampanantena izy fa hihaino an’ireo Vavolombelon’i Jehovah amin’izay. Tsy nanana afa-tsy 200 Ariary teo ho eo aho tamin’io andro io, nefa faly satria nanao ny marina.”
Repoblika Demokratikan’i Congo
Anti-panahy i Eugene, ary mpamafa trano sy mpiambina ao amin’ny toeram-pivarotana diamondra no asany. Hoy izy: “Indray hariva, dia nisy rangahy tonga tao am-pivarotana mba hivarotra diamondra mitentina 46 640 000 Ariary. Latsaka avy tany am-paosiny anefa ilay fonosana nisy an’ireo diamondra.
Nipenimpenina nitady izany hatraiza hatraiza izy, nefa tsy hitany ilay izy. Nivezivezy teo amin’ny lalana ny lehibeny sy ny mpiara-miasa taminy ny ampitson’iny, mba hitady an’ilay fonosana fa niala maina. Rehefa namafa ny teo anoloan’ny fivarotanay anefa aho, dia hitako ilay fonosana nisy an’ireo diamondra! Noraisiko ilay izy, ary nihazakazaka nankany amin’ilay Belza mpampiasa anay aho. Tena nahagaga azy ny fihetsiko. Nolazaiko taminy fa Vavolombelon’i Jehovah aho, ka matahotra sy manaja an’ilay Andriamanitro. Nampiaiky volana an’ilay tompona diamondra ny fanaovako ny marina, ka hoy izy: ‘Tena tsy mampino ahy izao!’ ”“Hoy ny iray tamin’ireo mpiara-miasa tamiko: ‘Eugene a, raha tsy nisy anao dia tena afa-baraka isika!’ ”
“Namaly aho hoe: ‘Misaotra! I Jehovah no mendri-piderana, satria izy no nampianatra ahy hanao ny marina.’ ”
Angola
Nitsidika faritra ambanivohitra i João, misionera iray mpiandraikitra ny faritra. Tiany haseho an’ireo rahalahy sy olona liana tany ilay DVD hoe Niara-nandeha Tamin’Andriamanitra i Noa—Nitoky Tamin’Andriamanitra i Davida. Nitondra milina mpamokatra herinaratra izy, ary koa solika sy fanamafisam-peo roa ary ordinatera kely. Nipetraka tao amin’ny trano bongo izy tao amin’ny tanàna voalohany notsidihiny, ary niomana ny hampiseho ilay DVD ny harivan’iny. “Gaga aho”, hoy izy, “fa 38 no tonga, nitondra seza, dabilio, vato, daban-dronono, na zavatra hafa ipetrahana. Tsy antonona tao an-trano anefa ny antsasaky ny olona, ka voatery tany an-tokotany izahay no nijery ilay DVD. Nataoko teo ambony biriky ilay ordinatera, ary nipetraka tamin’ny lamba afrikanina mareva-doko ny ankamaroan’ny mpanatrika, teo ambany lanitra feno kintana.” Vetivety dia nalaza tao amin’ilay faritra izany, ka maro be no tonga tany amin’ireo tanàna notsidihin’i João. Hoy izy: “Tsy nety nody ny olona, rehefa avy nijery an’ilay DVD. Maro no nilaza fa iny no alina nahafinaritra indrindra teo amin’ny
fiainany, ary velom-pankasitrahana an’i Jehovah izy ireo noho iny DVD iny.” Olona 1 568 no nahita ilay DVD nandritra ireo roa tokom-bolana nitsidihan’i João an’ireo antoko-mpitory tany amin’ilay faritra ambanivohitra!Ghana
Tsy nazoto hanatitra legioma ho an’ny sampan’i Ghana i Vida, izay mpamatsy sakafo any Accra. Nolazain’ny pasiterany mantsy fa tsy tia olona tsy mitovy finoana aminy ny Vavolombelon’i Jehovah. Koa gaga be izy rehefa nanatitra legioma tany, satria sariaka sy mahalala fomba ary mahay mankasitraka ireo mpiasan’ny lakozia. Lasa nifankazatra tamin’ireo mpiasa an-tsitrapo tao amin’ilay sampana izy, nandritra ireo herinandro nanaraka. Hitany fa tsara fanahy taminy daholo ny olona, ary tsy marina ny tenin’ilay pasiterany.
Te hahafantatra bebe kokoa momba ny Vavolombelon’i Jehovah i Vida, ka nangataka hampianarina Baiboly, na dia tsy nahay namaky teny aza. Nianatra namaky teny izy, ka nahay namaky ny Baiboliny, enim-bolana tatỳ aoriana. Ary tsy ela izay, dia natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra izy. Nanampy ny zanak’olo-mpiray tam-po taminy ho lasa mpitory tsy vita batisa izy, na dia nesoin’ny fianakaviany sy ny namany taloha aza.
Soudan
Nitory isan-trano ny anabavy iray, ary nisy ankizivavy roa nandray azy tsara. Nahagaga anefa fa tsy nanaiky hampian’ilay anabavy izy roa vavy, rehefa nitady andinin-teny tao amin’ny Baiboly. Hay nampitandrina azy ireo ny momperany hoe raha kasihin’ny Vavolombelon’i Jehovah, hono, ny Baiboliny, dia hiova avy hatrany ny teny ao anatiny ka hifanaraka amin’ny fampianaran’ny Vavolombelona! Tsy nety nandray tanana an’ilay anabavy mihitsy aza izy mirahavavy. Rehefa hitan’izy ireo anefa ireo andinin-teny, dia tsikariny fa nifanaraka tamin’izay novakin’izy ireo ny tenin’ilay anabavy. Fantany àry fa nandainga ilay mompera, ka nanapa-kevitra ny hianatra Baiboly izy roa. Very
hevitra ilay mompera, ka nampanantena fa homeny vola izy ireo hividianany sakafo, raha tsy mianatra Baiboly intsony. Inona no navalin’izy roa vavy? “Aleonay vokin’ny tenin’Andriamanitra toy izay voky sakafo.” Manatrika fivoriana izao izy roa vavy.Etiopia
Tsy liana firy tamin’ny fahamarinana ny lehilahy atao hoe Awoke, na dia efa Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny folo taona teo ho eo aza ny vadiny. Nanapa-kevitra hitady Vavolombelona anefa izy, rehefa nankany amin’ny faritra hafa mba hanao fiofanana nandritra ny roa volana. Rehefa tonga tany izy, dia natoron’ny olona azy ny toeram-piasan’ny anabavintsika. Efa nivavaka io anabavy io mba hisy rahalahy ho avy, hanampy ny fiangonana eo an-toerana. Koa tsaroany ny vavaka nataony, rehefa nisy nilaza taminy hoe misy lehilahy mitady Vavolombelon’i Jehovah ao. Nahita an’i Awoke nadio sy nitafy tsara izy, ka nihevitra fa voavaly ny vavaka nataony mba hahazoana rahalahy hanampy azy ireo. Faly be izy nihazakazaka niarahaba tonga soa an’i Awoke. Rehefa hitan’i Awoke izany, dia tsy sahiny ny nanitsy azy. Tsy te handiso fanantenana an’ilay anabavy koa izy, rehefa nampifankahalalainy tamin’ireo rahalahy. Nanatrika ny fivoriana rehetra izy, nandritra ny fotoana nijanonany tany. Rehefa hody izy satria tapitra ilay fiofanana nataony, dia nanasa azy hisakafo ny anabavy vitsivitsy. Nasain’izy ireo nivavaka izy talohan’ny sakafo. Tsaroany ny vavaka fisaorana fanaon’ny vadiny rehefa hisakafo. Nisaron-doha ny vadiny tamin’izany sady nanao ilay vavaka tamin’ny anaran’i Jesosy. Koa nety tsara ilay vavaka ary nizotra tsara ny sakafo. Nanohina ny fon’i Awoke ny nahita fa tsara fanahy taminy ireo Vavolombelona nandritra ny fotoana nijanonany tany, ka tapa-kevitra ny ho tonga tena rahalahy izy. Koa nianatra Baiboly izy raha vao tafaverina tany aminy, ary natao batisa tamin’ny fivoriambe vao haingana. Faly be ny vadiny, ary tsy andrin’i Awoke ny hilazana ny tantarany amin’ilay fiangonana notsidihiny.
EOROPA
TANY 46
MPONINA 730 776 667
MPITORY 1 506 019
FAMPIANARANA BAIBOLY 744 319
Ukraine
Nanamboatra kaonteran-jiro tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny rangahy elektrisianina, izay nalaza tao an-tanànany ho mamo lava. Rehefa nanamboatra an’ilay kaontera izy, dia hitany ilay andinin-teny ho an’ny taona hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jak. 4:8) Niato kely izy ka nanontany rahalahy iray hoe: “Tena azo atao ve ny manatona an’Andriamanitra? Afaka manatona azy ve ny mpanota?” Nanome valiny avy ao amin’ny Baiboly ilay rahalahy, ary nanasa azy hivory. Tapa-kevitra ny hivory izy ny alahady, saingy tsy tao an-tanànany fa tany an-tanàna hafa. Tsy te ho hitan’ny mpiara-monina aminy mankany amin’ny Efitrano Fanjakana mantsy izy. Kanjo, olona avy ao an-tanànany ihany ilay anti-panahy nanao lahateny, ka te hisitrika izy raha vao nahita azy. Nahafantatra azy anefa ilay anti-panahy, ka nandray azy tsara. Koa tapa-kevitra hamonjy fivoriana tao an-tanànany ihany izy, ary nianatra Baiboly ka natao batisa rehefa afaka herintaona.
Niasa tany an-tany hafa ny vadin’io rangahy io tamin’izay, ary tsy nino ilay ramatoa hoe sady tsy misotro intsony ny vadiny no lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nody mihitsy àry izy mba hahitany raha marina izany. Faly izy fa tsy mamo lava intsony ny vadiny sady mikarakara tsara ny zanany. Tsy tiany anefa hoe lasa Vavolombelon’i Jehovah ilay rangahy. Indray andro anefa, dia hoy ilay rangahy taminy: “Andao isika mianakavy kely mba hiaraka ho any amin’ny
Efitrano Fanjakana!” Dia nanaiky izy. Nianatra Baiboly izy, ary tsy ela dia natao batisa niaraka tamin’ny zanany telo vavy. Andinin-teny iray monja àry no nahatonga azy dimy mianaka hanatona an’Andriamanitra!Gresy
Rehefa mandeha miasa isan’andro ny rahalahy iray, dia hitany foana ny ramatoa iray mankeo amin’ny tranokely misy sary masina. Fahita ny tranokely toy ireny eny amoron-dalana any Gresy, ho marika fa nisy loza nahafaty olona teo amin’ilay toerana. Te hanampy an’io ramatoa io ilay rahalahy, ka nanoratra taratasy fohy nisy fampiononana avy ao amin’ny Baiboly, sy fanazavana momba ny maty ary ny fanantenana fitsanganana. Nataony tao koa ny anarany sy ny nomeraon-telefaoniny, ka napetrany tao anatin’ilay tranokely ilay taratasy. Ny ampitson’iny ihany dia nitelefaonina azy ilay ramatoa, izay tena liana tamin’ny vaovao tsara. Misy mpitory mitsidika azy foana izao.
Norvezy
Nankao amin’ny toeram-pisakafoana ny anabavy enina rehefa avy nanompo, ka niresaka momba ny lahateny tsara be natao tany amin’ny Efitrano Fanjakana ny afak’omalin’iny. Momba ny fitsanganana amin’ny maty ilay izy. Rehefa afaka kelikely dia nanatona ny latabatr’izy ireo ny vehivavy iray nandre ilay resaka. Liana tamin’ilay resaka izy, ka nanontany raha afaka miara-mipetraka amin’izy ireo. Maty vao haingana, hono, ny ray aman-dreniny. Nampahery ny resak’izy ireo. Nandray ny nomeraon-telefaonin’ilay vehivavy ireo anabavy avy eo, ary niantso azy ny iray tamin’izy ireo tatỳ aoriana. Nanomboka nianatra Baiboly ilay vehivavy.
Litoania
Mpisava lalana tanora i Olga, ary nisy vehivavy rosianina nampianariny Baiboly teo am-baravarana. Tamin’ny fianarana voalohany, dia nangataka fanazavana momba ny dikan’ilay teny hoe “andro farany” ao amin’ny Baiboly izy. (2 Tim. 3:1) Nampanantena i Olga fa hohazavainy amin’ny fitsidihany manaraka izany. Tsy tratrany tao an-trano mihitsy anefa ilay vehivavy, na dia niverina tany foana aza izy nandritra ny iray volana teo ho eo. Tsy nisy namoha ny trano, nefa tazany fa nisy olona nitsirika azy avy teo amin’ny lavaka kelin’ny varavarana. Mitantara i Olga hoe: “Tsy nino aho hoe tsy te hianatra Baiboly intsony ilay vehivavy. Olon-kafa angamba no tao ambadiky ny varavarana! Koa nanoratra taratasy ho an’ilay vehivavy aho, mba hanomezana an’ilay fanazavana nangatahiny. Nitady azy tany an-tranony indray aho rehefa afaka telo andro. Faly erỳ aho nahita azy namoha trano! Tena nampihetsi-po azy, hono, ilay taratasy sy ny fiahiako azy.”
Nisaotra an’i Olga ilay vehivavy, ary nilaza hoe: “Novakiko imbetsaka ny taratasinao, ka tena azoko tsara.” Tsy teo am-baravarana intsony àry izy ireo no nianatra fa tao an-trano, tamin’ilay boky Ampianarina. Raisiny tsara foana izao i Olga isaky ny tonga mampianatra.
Soisa
Niresaka tamin’ny ramatoa iray avy any Moyen-Orient ny anabavy atao hoe Marie, tany Genève izay tanàna misy olona samy hafa fiaviana. Mianatra fiteny Arabo i Marie, ka io fiteny io no niresahany tamin’ilay ramatoa. Nilaza i Marie fa iray ihany no tena Andriamanitra. Namihina sy nanoroka azy ilay ramatoa, sady nilaza fa nalahelo izy tamin’io fotoana io ary teo am-pivavahana izy no tonga i Marie. Nilaza koa izy fa hody any amin’ny taniny ny ampitso. Nanokatra Baiboly i Marie, ka namaky ny 1 Petera 3:7 sady nanazava fa tsy manambany ny vehivavy Andriamanitra. Nolazainy koa fa tian’i Jehovah hanaja sy hanome voninahitra ny vadiny ny lehilahy rehetra. Gaga be ilay ramatoa, ka nanontany hoe: “Sao dia anjely àry ianao fa tsy olona? Tsy mampihatra an’io lazain’Andriamanitra io mantsy ny vadiko, ka izany no mampalahelo ahy toy izao. Mivavaka amin’Andriamanitra foana aho mba hanampy ahy. Dia gaga aho hoe nanokatra an’io boky io ianao, ary namaky an’io andininy io tamiko.” Nasain’ilay ramatoa nosoratana tamin’ny taratasy kely ilay andininy, ary nilaza izy fa hasehony ny fianakaviany izany ka hotantarainy amin’izy ireo iny zava-nitranga nahafinaritra iny. Nalahelo i Marie fa tsy hijanona any Genève ilay ramatoa. Nifanaraka anefa izy ireo fa hifanoratra.
Holandy
Any Rotterdam no misy ny iray amin’ny seranan-tsambo lehibe indrindra eran-tany. Afindra amin’ny kamiao ireo entana tonga amin’ny sambo, ary aterina any amin’ireo tany ao amin’ny Vondrona Eoropeanina na lavitra kokoa. Kamiao be dia be mihitsy àry no mivezivezy any Holandy. Misy toerana midadasika fijanonan’ny kamiao eo amin’ny lalambe iray mihazo an’i Alemaina, ka efa ho 1 500 isan’ora ny kamiao mandalo eo. Koa satria tsy maintsy mijanona eo ireo saofera, dia manararaotra mitety an’ireo kamiao ny rahalahy, ka mitory amin’ny saofera avy any Eoropa sy Moyen-Orient ary avy any amin’ireo tany anisan’ny repoblika sovietika taloha. Tena tian’ireo saofera ny gazetintsika. In-82 ireo rahalahy no nitory teo amin’io toerana io tamin’ny herintaona, ary nahapetraka gazety 10 000 mahery tamin’ny fiteny 35.
IREO TANIN’I AMERIKA
TANY 56
MPONINA 883 782 291
MPITORY 3 256 287
FAMPIANARANA BAIBOLY 3 111 358
Peroa
Mpisava lalana i Jorge, ary mpanao sary hoso-doko izy. Nitory tamin’ny mpanao hoso-doko iray atao hoe Hubert izy, ka nanaiky hianatra Baiboly izy io. Nanohitra be ny fianakavian’i Hubert sy ny namany ary ny mpiara-monina taminy. Vitany tao anatin’ny enim-bolana monja anefa ny fianarana ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Nivavaka tamin’i Jehovah foana izy mba hanampiana ny fianakaviany hianatra ny fahamarinana. Gaga be izy sady faly, rehefa nianatra Baiboly niaraka taminy i Jhon rahalahiny, sady nanomboka nanatrika fivoriana. Ny herinandro nanaraka, dia niara-nianatra tamin’izy ireo koa i Cesar zaodahin’i Jhon. Nanomboka nianatra koa ny vadin’i Cesar, na dia nanohitra aza tamin’ny voalohany. Te hianatra koa ny mpiara-mianatra tamin’i Hubert tatỳ aoriana. Voatery nankany an-tranon’i Hubert anefa izy rehefa nianatra, satria nanohitra be ny fianakaviany. Nanomboka nianatra koa i Milton zandrin’i Hubert taoriana kely. Raha vao nianatra indray mandeha izy, dia nitory tamin’i Darwin sy Christian mpiara-mianatra taminy, ka nanomboka nianatra koa ireo sady namonjy fivoriana. Nanan-joky lahy atao hoe Ronald sy Martin koa i
Hubert. Nanatrika ny fianaran’i Hubert i Ronald, ary nanomana fanontaniana ara-baiboly be dia be efa nataony lisitra. Koa nohazavain’i Jorge taminy fa ho voavaly ireo fanontaniany ireo raha mianatra Baiboly izy. Nanaiky hianatra àry izy. Nanomboka nianatra koa i Martin, niaraka tamin’ny zanany vavy roa. Natao batisa i Hubert sy Jhon tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Akaiky ny Fanafahana!” Rehefa nisaina, dia 18 izao ny olona nianatra momba an’i Jehovah, vokatr’iny fitoriana indray mandeha iny.Brezila
Mipetraka ao amin’ny toeram-piompiana iray any avaratr’i Brezila i Paulo. Nianatra Baiboly ilay vehivavy niara-nipetraka taminy, izay lasa vadiny tatỳ aoriana. Nianatra Baiboly koa àry izy mba hampifaliana an’ilay vehivavy. Izao anefa no nitranga: Nisy biby fiompy be dia be nohanin’ny jagoara. Nenjehin’ireo mpiandry omby àry ilay jagoara ka novonoiny. Nanararaotra an’ilay zava-nitranga anefa ireo mpiandry omby, ka niantso an-telefaonina an’ilay tompon’ny toeram-piompiana ary mody nilaza hoe mila vola hanakaramana mpihaza jagoara. Niray tsikombakomba tamin-dry zareo i Paulo, ka mba nandainga tamin’ny mpampiasa azy koa. Tsy nandry anefa ny sain’i Paulo, noho izay nianarany tao amin’ny Baiboly. Koa nitelefaonina ny mpampiasa azy izy ka nolazainy ny marina, na dia fantany aza fa mety hahavoaroaka azy amin’ny asany izany, sady hahatezitra ny mpiara-miasa aminy. Tatỳ aoriana, dia notendrena ho mpiandraikitra an’ilay toeram-piompiana i Paulo, noho ny fanaovany ny marina. Efa mpitory vita batisa izao izy mivady. Mahafinaritra erỳ ny mahita an’io lehilahy manao ny marina io mandeha traktera miaraka
amin’ny vadiny sy ny zanany roa, mankany amin’ny Efitrano Fanjakana!Meksika
Mpisava lalana maharitra mafana fo i María. Nanatrika fivorian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra izy tao amin’ny sekoly nianaran’ny zanany roa vavy. Hitany fa sahiran-tsaina ny mpampianatra satria tia mikomy ny mpianatra sasany sady maditra be. Nisy mpampianatra niangavy an’ireo ray aman-dreny hoe: “Mba ampio izahay, raha tsy tianareo hiampy ny isan’ny ankizy maditra eny an-dalambe. Iresaho ny zanakareo, ary ividiano boky hovakiny. Ampio ry zareo fa be dia be ny fanontaniana manitikitika ny sainy. Aoka re mba tsy ho ny namany no hamaly ny fanontaniany e!” Nanontany an’ilay ramatoa talen’ny sekoly i María hoe mba manao ahoana ny fitondran-tenan’ireo zanany. Nilaza ilay tale fa tsy misy olana momba azy ireo. Nilaza taminy i María avy eo fa misy tari-dalana mahasoa ho an’ny tanora ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra. Nihaino tsara ilay tale, ary nangataka mba hitondrana an’ilay boky. Nitondra boky ho azy àry i María ny ampitson’iny. Namadibadika an’ilay boky ilay tale, sady tena nankasitraka. Nangataka anankiray koa izy ho an’ilay psikology tao an-tsekoly. Namaky an’ilay boky ilay psikology, ary nanome soso-kevitra mba hampidirana azy io ho anisan’ny lesona ao am-pianarana. Koa nanafatra boky iray avy ho an’ny mpampianatra 12 ilay tale, ary boky 50 ho an’ny fitehirizam-bokin’ny sekoly.
Orogoay
Niainga vao mangiran-dratsy tany Arzantina ny lehilahy iray handeha hody any Orogoay. Rehefa teo amin’ny baka hiampita ny Renirano Río de la Plata izy, dia nisy ankizivavy kely nanatona azy, ary nanome azy ny gazety Mifohaza! Janoary 2006, izay mitondra ny lohateny hoe: “Hanao Ahoana ny Hoavy?” Sariaka be ilay ankizivavy, ka faly ilay lehilahy nandray an’ilay gazety. Rehefa tonga tany Montevideo ireo mpandeha, dia nentina nankeny amin’ny toerana farany fijanonan’ny bisy. Gaga ilay lehilahy rehefa tonga teo, fa nisy Vavolombelon’i Jehovah nanatona azy indray. Ramatoa lehibe efa mitondra tehina ilay izy. Nomen’ilay ramatoa gazety mitovy amin’ilay teo mihitsy izy, nefa noraisiny ihany. Rehefa tonga kelikely tao an-trano izy ny hariva, dia nisy nandondòna. Mbola Vavolombelon’i
Jehovah ihany! Nihaino an’ilay mpitory ilay lehilahy, ary nandray gazety mitovy amin’ilay teo aloha ihany. Fanintelony izay, tamin’iny andro iny! Nohazavain’ilay mpitory hoe afaka manome fanomezana izy mba hanohanana an’ilay asa maneran-tany. Nilaza ilay lehilahy fa efa fantany izany, ary nankao an-trano izy haka vola. Nentiny ireo gazety roa efa noraisiny tamin’iny andro iny, rehefa niverina nitondra an’ilay vola izy. Nitsiky izy nijery an’ilay fanontaniana teo amin’ny fonon’ireo gazety, ka niteny hoe: “Ny azoko antoka aloha dia hoe, tsy maintsy hahita Vavolombelon’i Jehovah indray aho amin’ny hoavy e!”Porto Rico
Tonga namangy an-janany vavy ny anabavy iray, ary tamin’izay indrindra no nisy jiolahy roa nitsofoka tao an-trano. Nitana basy ny iray tamin’izy ireo. Nibetroka azy mianaka ireo jiolahy hoe: ‘Avoahy ny vola!’ Nilaza anefa izy mianaka hoe tsy manam-bola mihitsy. Nitady eran’ny trano àry ny jiolahy iray, fa ny iray kosa nanambana basy azy ireo. Avy hatrany dia nivavaka tamin’i Jehovah izy mianaka, ka nanontany io jiolahy io hoe: “Fa inona ity ataonareo?” Koa nilaza izy ireo fa Vavolombelon’i Jehovah, ary mivavaka amin’i Jehovah Andriamaniny. Nitory tamin’ilay jiolahy nanambana basy àry ireo anabavy roa. Niverina teo amin’izy ireo ilay ankizilahy iray avy eo, ary nilaza fa nahita karatra fakana vola any amin’ny banky. Tsy ela dia efa tany anaty fiaran’ilay anabavy izy ireo, handeha ho any amin’ny banky. Nitory tamin’ireo jiolahy foana anefa izy mianaka, sady nanaja azy. Nangataka an’ilay jiolahy mba tsy hanambana basy azy intsony ny renin’ilay ankizivavy. Gaga izy fa sady nanaiky ilay jiolahy no nilaza hoe tena mampiaiky ny fahatoniany. Nilaza ilay anabavy fa manan-janakalahy mitovitovy taona amin’ireo ankizilahy ireo izy, saingy ho tsara kokoa ny hoavin-janany. Nampirisihiny ireo jiolahy hanaraka ny toro lalan’i Jehovah, mba ho tsara koa ny hoaviny. Nankany amin’ny banky ihany anefa ry zareo, ary naka vola ilay ankizivavy. Nentin’ireo jiolahy tany anelanelan-trano izy mianaka avy eo, ary nalefany handeha. Saika hamatotra azy ireo ilay ankizilahy iray, nefa nanakana azy ilay namany sady niteny hoe: ‘Tena mahery ny mpiaro anareo!’ Efa nandroba olon-kafa teny amin’ny manodidina mantsy ireo jiolahy ireo, ary nafatony sy nodarohany ireny olona ireny.
OSEANIA
TANY 30
MPONINA 35 914 649
MPITORY 94 323
FAMPIANARANA BAIBOLY 49 667
Papouasie-Nouvelle-Guinée
Miaramila i Tom taloha, ka fantany tsara hoe mahatsiravina ny ady. Rehefa nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao an-tanànany àry izy, dia nanohina ny fony ny fampanantenan’ny Baiboly fa tsy hisy ady intsony eto an-tany amin’ny hoavy. Nianatra Baiboly sy nandroso izy, nefa niharam-pitsapana rehefa nandeha namonjy Fahatsiarovana. Pasiteran’ny Fiangonana Mitambatra mantsy ny rainy taloha, ary manana andraikitra ao amin’ilay fiangonana i Tom. Nifanila tamin’ny Efitrano Fanjakana anefa ilay fiangonana. Koa rehefa nankao amin’ny Efitrano Fanjakana i Tom, dia nijerijery azy ireo mpiangona, dia ny namany akaiky sy ny mpiara-miasa aminy ary ilay mpitondra fivavahana. Saika hiafina i Tom, nefa nieritreritra izy hoe: ‘Inona moa no tokony hiafenako? Izao no fotoana tokony hampahafantarako ny olona fa hiova ho Vavolombelon’i Jehovah aho.’ Rehefa vita ny Paka, dia hoy izy tamin’ilay mpitondra fivavahana: “Hitanao ve aho tamin’ilay nankao amin’ny Efitrano Fanjakana iny?”
Namaly ilay mpitondra fivavahana hoe: “Ie, hitako ianao”, dia samy toran’ny hehy izy mirahalahy.
Dia hoy i Tom: “Misy hotely tranainy iray, ary noheveriko fa ny sakafo tao no tsara indrindra. Reko anefa fa misy poizina ny sakafo ao. Nahita hotely vaovao aho tatỳ aoriana, izay nandroso sakafo madio sy mahasalama. Efa nanandrana an’io sakafo tsara be io aho, koa ahoana indray moa no hiverenako any amin’ilay hotely tranainy?”
Azon’ilay mpitondra fivavahana ny tiany holazaina, ka hoy izy: “Izaho ange mamaky tsy tapaka ny gazety Mifohaza! ry Tom e! Fa aza miteniteny an!” Nesorin’i Tom tao amin’ny bokim-piangonana ny anarany, ary tonga mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena izy, na dia betsaka aza ny fitsapana mahazo azy.
Nosy Salomon
Ny 18 Febroary 2006, dia mpitory 58 no nahazo diplaoma tamin’ny kilasy voalohany Fianarana Tenin’ny Tanana Aostralianina, nalamin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Marenina folo izao no efa mianatra Baiboly sy manatrika fivoriana. Anisan’ireny i Moses. Nilaza ny mpiray tanàna aminy fa “olona kizitina sy mora tezitra izy, ary be dohika.” Rehefa nanasa an’i Moses hianatra Baiboly anefa ny havany, dia nanaiky izy. Anisan’ireo Vavolombelona nianatra tenin’ny tanana mantsy io havany io. Nandeha nivory voalohany tany amin’ny Efitrano Fanjakana i Moses, iray volana taorian’izay. Nisavoritaka ny akanjony, lava ny volony ary lava sy tsy voakarakara ny volombavany. Nanohina ny fony ny fandraisana tsara azy sy ny fahamarinana “reny.” Gaga izy nahita tao amin’ny Baiboly fa manome voninahitra an’Andriamanitra ny olona, rehefa madio sy milamina tsara ny fitafiany sy ny taovolony. Tsy fantatr’ireo rahalahy izy, rehefa niditra ny Efitrano Fanjakana ny herinandron’iny. Notapahiny mantsy ny volony, sady nesoriny ny volombavany ary nadio sy nilamina ny akanjony. Niova toetra koa izy. Hoy ny mpiray tanàna aminy: “Madio izy izao sady mitsikitsiky foana.” Mandroso tsara i Moses, ary manampy marenina hafa hahalala ny vaovao tsara.
Tahiti
Nosy kely mitokana any amin’ny 600 kilaometatra mahery miala eo Tahiti i Makemo, ary 720 monja ny isan’ny mponina ao. Nahalala ny fahamarinana ny vehivavy iray atao hoe Ravahere, rehefa nivahiny tany amin’ny havany tany Tahiti. Koa nanomboka nianatra Baiboly izy rehefa nody tany Makemo, ka natao an-taratasy ny fianarana. Nalefa paositra izany aloha, avy eo dia nalefa fax, ary natao
an-telefaonina tamin’ny farany. Nisora-panambadiana i Ravahere, sady nanao fiovana hafa koa nifanaraka tamin’ny fitsipik’i Jehovah. Nanao izany izy na dia nisy fianakaviany nanohitra aza satria tian-dry zareo hijanona ho Mormon izy. Nekena ho mpitory tsy vita batisa i Ravahere tatỳ aoriana, rehefa nandalo kely tany Tahiti. Mahazo taratasy mampahery avy amin’ny mpitory any izy isan-tapa-bolana.Rehefa nitsidika azy ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny, tamin’ny Jona 2006, dia nitatitra fa mitory isan-trano i Ravahere isaky ny faran’ny herinandro. Nataony sary ny faritaniny, ary efa nanomboka fampianarana Baiboly maromaro izy. Arantirantiny eo amin’ny fivarotany ny gazetintsika. Mitarika fianarana boky koa izy, ary manatrika eo ny vadiny.
Fidji
Misionera niofana tamin’ny Sekolin’i Gileada i Matthew izay anti-panahy. Misy tanora efatra ampianariny Baiboly isan-kerinandro, ao amin’ny sekoly fampiofanana ho mpampianatra. Misy mpitondra fivavahan’ny fiangonana samihafa tonga ao isan-kariva, mitory teny amin’ireo mpianatra tia mivavaka. Natao io fandaharana io mba hanampiana ny tompon’andraikitry ny sekoly, hampihena
ny fitondran-tena ratsy manjaka any amin’ny fonenan’ny mpianatra.Hitan’i Matthew indray hariva fa nisy mpianatra be dia be efa ho 250 tao amin’ny efitrano fisakafoana. Niandry tamim-panginana an’ilay mpitondra fivavahana hitarika fotoam-pivavahana izy ireo, ary efa nitondra Baiboly sy kahie ary stylo. Tsy tonga anefa ilay mpitondra fivavahana, ka i Matthew no nasaina nitory teny tamin’izy ireo. Efa mahazatra an’ireo mpianatra ny mihira sy mandre toriteny momba ny afobe mirehitra. Hafa mihitsy anefa ny lahatenin’i Matthew, ary nampiasa Baiboly izy. Nampirisihiny ireo mpianatra mba hahatsiaro ny Mpamorona azy dieny mbola tanora. Io no foto-kevitra noresahiny tao amin’ilay lahateny noforoniny vetivety teo. Nilahatra handray tanana aza daholo ny mpianatra avy eo, ary tena nankasitraka azy. Tsy andrin’i Matthew izao ny hanohy ny resaka amin’ireo mpianatra liana noho iny fitoriana tsy nampoizina iny.
Aostralia
Sendra ramatoa iray narary ny anabavy roa, rehefa nitory isan-trano. Nilaza ilay ramatoa hoe voan’ny kansera izy ary efa ho faty. Nampirina ny entany hozarazaraina amin’ny olona izy tamin’izay, mba tsy hanahirana olona rehefa maty. Tsy mba nanan-kavana na namana, hono, izy ary tena nanirery. Nohazavainy koa fa tsy nahafinaritra azy ny zavatra hitany tany amin’ny fivavahana, ary efa nieritreritra izy hoe nafoin’Andriamanitra. Tatỳ aoriana dia nanatitra fehezam-boninkazo ho azy ny iray tamin’ireo anabavy, nefa tsy tao an-trano izy. Koa napetrak’ilay anabavy teo am-baravarany ilay izy niaraka tamin’ny taratasy kely. Ny harivan’iny ihany dia nitelefaonina an’ilay anabavy izy, ary nilaza fa nahafaly be azy ny nataon’io anabavy tsara fanahy io. Nilaza izy hoe mbola tsy nisy olona tsara fanahy taminy toy izany mihitsy na nanome azy voninkazo. Niala tsiny koa izy fa tsy tratra tao an-trano. Rehefa nitsidika azy indray ireo anabavy, dia efa niandry tao an-trano izy. Naseho azy ilay boky Ampianarina, ary nifanao fotoana hianatra Baiboly izy ireo.
[Sary, pejy 43]
Miho
[Sary, pejy 47]
Ilay fitoeran-dronono nandehananay
[Sary, pejy 47]
Ketevan
[Sary, pejy 48]
Mpiara-miangona taminy taloha
[Sary, pejy 55]
Olga
[Sary, pejy 55]
Marie
[Sary, pejy 57]
Hubert sy Jorge ary Jhon
[Sary, pejy 58]
Paulo sy ny fianakaviany
[Sary, pejy 63]
Ravahere, ao amin’ilay fivarotany any Makemo
[Sary, pejy 63]
Matthew