Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

“HIDERA an’i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; eny, hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola velona koa.” (Sal. 146:2) Akory ny hafalian’io mpanao salamo io raha teo izy ka nahita fa mbola tsy nisy toy izao mihitsy ny fiderana an’i Jehovah! Nandray anjara tamin’izany ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Nambabo ny fon’ny olona maro mitady ny marina momba an’Andriamanitra izy io.—Asa. 17:27.

Nanangana kilasy fianarana teny vahiny ny sampana maro mba hampitomboana ny fiderana an’i Jehovah. Noho izany, dia afaka mitory ny vaovao tsara amin’ny olona maro kokoa ny mpitory sy ny mpisava lalana. Angamba ianao mba te hanitatra ny fanompoanao koa ka hianatra teny vahiny.

Anisan’ny fiderana an’i Jehovah koa ilay ezaka manokana nizarana an’ilay taratasy fanasana hanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Akaiky ny Fanafahana!”, izay natao tany amin’ny tany 155. Natao maneran-tany nandritra ny telo herinandro ilay ezaka manokana. Sambany isika vao nanao toy izany, ary mpitory an-tapitrisany tany amin’ny fiangonana maherin’ny 99 000 no nandray anjara tamin’izy io. Hoy ny Komitin’ny Fivoriambe iray: “Nisy lasa mpitory ireo vaovao noho iny ezaka manokana iny, ary narisika indray ny sasany izay efa tsy nitory intsony.” Efa tsy nitory intsony nandritra ny 35 taona, ohatra, ny rahalahy iray. Nahazo tamin’ilay taratasy fanasana anefa izy teo am-baravarany, ka tsy nanapaka fivoriana intsony taorian’izay. Santionany fotsiny amin’ireo fitantarana nalefan’ny sampana maro ireto manaraka ireto:

Frantsa

Nitsidika havana ny mpivady katolika iray ka nahita an’ilay taratasy fanasana tao amin’ilay havany. Nahaliana azy mivady ireo fanontaniana tao amin’ilay fanasana. Nanatrika an’ilay fivoriambe izy ireo, niaraka tamin’ny zanany telo. Rehefa tonga tany izy ireo, dia nisariaka niarahaba azy ireo ny rahalahy iray mpikarakara ny mpanatrika. Nomeny Baiboly izy ireo, ary nomeny toerana teo akaikin’ny fianakaviana Vavolombelona izay monina telo kilaometatra monja avy eo amin’ny tranon’izy ireo. Niaraka foana tontolo andro ireo fianakaviana roa ireo, ary nifanao fotoana hianarana Baiboly. Nanatrika fivoriana io fianakaviana liana io, tamin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra, herinandro taorian’ilay fivoriambe.

Inde

Nandeha tany Kanada ny mpihira malaza atao hoe Sunita, mba hanao fampisehoana. Nisy Vavolombelona nihaona taminy tany, ka nanasa azy hanatrika fivoriana tamin’ny teny pendjabi. Nanaiky izy, ary nahafinaritra azy ilay fivoriana, satria ny Baiboly no tena nasongadina. Rehefa nahazo an’ilay taratasy fanasana hanatrika fivoriambe izy, dia nofoanany avy hatrany ireo fampisehoana saika hataony tamin’iny faran’ny herinandro iny mba hahafahany hanatrika mandritra ny telo andro. Tsy nanenenany anefa ny fanapahan-keviny. “Ity no fahamarinana”, hoy izy, rehefa nifarana ny andro voalohany. Rehefa niverina tany Inde izy, dia nankany amin’ny Efitrano Fanjakana, niaraka tamin’ny reniny sy ny zanany lahy sy ny zanak’anadahiny, ary ny namany iray. Nohatonin’ireo pasiterany taloha izy, nefa nilaza mazava fa tapa-kevitra ny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza koa izy fa tokony ho tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana koa izy ireo.

Serbia

Mipetraka any Belgrade ny ramatoa sinoa iray antsointsika hoe Mei Li. Nanomboka namaky Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny tenin-drazany izy, tamin’ny 2006. Nahazo taratasy fanasana hanatrika fivoriambe amin’ny teny sinoa, tany Leipzig any Alemaina, izy. Tapa-kevitra ny hanatrika izy na dia 1 000 kilaometatra avy eo Belgrade aza i Leipzig. Nahazo visa telo andro izy, ka nandeha fiaramanidina nankany Munich, ary nandeha lamasinina nankany Leipzig. Nitovy tamin’ny karamany roa volana ny vola laniny tamin’io dia io. Nampihetsi-po be azy ny zavatra nianarany tany amin’ilay fivoriambe sy ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanatrika. Niverina tany Belgrade i Mei Li taorian’izay. Nanaiky hianatra Baiboly izy sy ny reniny, ary nanomboka nanatrika fianarana boky amin’ny teny sinoa.

Etazonia

Hoy ny Komitin’ny Fivoriambe iray: “Nandritra ny telo andro, dia tsikaritray foana izay vahiny tonga nanatrika. Anisan’izany ny vehivavy iray, izay nahazo taratasy fanasana ny ampitson’ny nivavahany tamin’Andriamanitra mba hotarihiny eo amin’ny fiainana. Nitondra fiara adiny roa nankany amin’ny fivoriambe izy ny asabotsy sy alahady, ary nanaiky hianatra Baiboly.” Hoy koa ilay tatitra: “Nihazakazaka teny amin’ny arabe ny rangahy iray mba hanenjika ny rahalahy iray nanome taratasy fanasana an-janany. Natahotahotra ilay rahalahy, nefa faly rehefa niangavy azy hiverina any an-trano ilay rangahy mba hiara-midinika aminy. Nametraka fanontaniana maro ilay rangahy, ary teny an-tanany ny Baiboliny. Natomboka ny fianarana.”

Nomen’ny rahalahy iray taratasy fanasana ny rangahy iray teo amin’ny toeram-panorenana. “Azoko resahina amin’ny hafa ve ity?”, hoy ilay rangahy.

“Ia!”, hoy ilay rahalahy. Tsy fantany anefa fa manolotra fandaharana ao amin’ny radio isaky ny asabotsy maraina ilay rangahy. Noresahiny tamin’ny hafa tokoa ilay fanasana, ka novakiny nandritra ilay fandaharana. Vokatr’izany, dia olona maro no nanontany momba ilay taratasy fanasana.

Nanao mpisava lalana mpanampy i Morgan, izay 12 taona. Herinandro talohan’ilay ezaka manokana, dia nihaona tamin’ny rangahy iray be fanontaniana izy. Nasainy hanatrika lahateny tany amin’ny Efitrano Fanjakana ilay rangahy. Tonga ihany ilay rangahy na dia tsy maintsy nandeha avy hatrany aza taorian’ny fivoriana, mba handevina ny havany. Nomen’i Morgan taratasy fanasana ilay rangahy, rehefa natomboka ilay ezaka manokana. “Tsy maintsy miasa aho ny zoma, fa ho tonga kosa aho ny asabotsy sy alahady”, hoy izy. Nanontany izy hoe ahoana no ataon’ny Vavolombelona raha te hanatrika fivoriambe izy nefa miasa. “Matetika no maka andro tsy iasana izy”, hoy i Morgan, “nefa voatery miala amin’ny asany koa indraindray.”

Rehefa nitsidika azy indray i Morgan, dia niteny ilay rangahy fa nangataka alalana tamin’ny lehibeny izy mba tsy hiasa ny zoma, ary raha tsy avelany dia hiala amin’ny asany. Nilaza ilay lehibeny fa tsy foiny izy, satria mpiasa tena ilaina. Nahazo alalana tsy hiasa àry izy ny zoma, ary koa ny alakamisy mba hiomanany.

Tonga foana ilay rangahy nandritra ny telo andro, nefa tsy nandeha irery. Niaraka taminy ny 8 tamin’ny mpianakaviny, sy ny namany 12 mbamin’ny havan’ireo, ka 35 be izao ny fitambarany! Niteny tamin’i Morgan izy tamin’ny voalohany hoe olona 30 eo ho eo no hiaraka aminy, ka hoy i Morgan: “Tsy afaka mamandrika toerana be dia be hoatr’izany aho.”

“Tsy maninona kah!”, hoy ilay rangahy. “Hipetraka eny amin’izay azo ipetrahana eny fotsiny izahay, raha tsy misy toerana.” Mazava ho azy fa nahita toerana tsara izy rehetra.

‘SAHALA AMIN’NY FOMBA FAMPIANATR’I JESOSY NY FANAZAVANA AO ANATIN’ILAY BOKY’

Asehon’ny tatitra fa nitondra voka-tsoa teo amin’ny asa fitoriana ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? “Manokatra ny masom-panahy ilay izy, sady mamelombelona ny saina sy ny fo”, hoy ny mpianatra Baiboly iray. Hoy ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra iray: “Manintona ny sainao ilay boky, satria sahala amin’ny fomba fampianatr’i Jesosy ny fanazavana ao anatiny. Tsotra sy mivantana ary mazava ny teny ao, nefa tena mambabo ny fo.” Vakio ange ireto fitantarana ireto e:

Aostralia

Nanamboatra ny simba tao an-tranon’ny ramatoa iray narary ny rahalahy iray, ka niresaka taminy momba ny fanantenana omen’ilay Fanjakana. Nitsidika azy ilay rahalahy andro vitsivitsy taorian’izay, niaraka tamin’ny anabavy mpisava lalana. Nanontany momba ny andro farany ilay ramatoa. Koa nosokafan’ireo mpitory teo amin’ny toko faha-9 ny boky Ampianarina, teo amin’ilay hoe “ ‘Andro Farany’ ve Izao Iainantsika Izao?” Niarahany nidinika taminy io toko io. Gaga ilay ramatoa noho izay voalazan’ny Baiboly. “Tsy nampahafantarin’ny fivavahako ahy izany”, hoy izy.

Izao no nosoratan’ilay rahalahy: “Rehefa niverina izahay, dia nianatra ny toko 1 hoe ‘Inona no Marina Momba An’Andriamanitra?’, sy ilay fanazavana fanampiny momba ny hoe nahoana no nesorina tao amin’ny Baiboly sasany ny anaran’Andriamanitra. Tezitra ilay ramatoa rehefa namaky tao amin’ny sasin-tenin’ny Baiboliny fa novan’ny mpandika teny hoe ‘Tompo’ ny hoe ‘Jehovah.’ Nolazaina taminy mantsy fa marina tsara ny Baiboliny. Nilaza ny faniriany hanatrika fivoriana izy.”

Belzika

Nihaona tamin’ny vehivavy afrikanina iray tsy tia Vavolombelon’i Jehovah ny anabavy atao hoe Ingrid. Nihanalefaka ilay vehivavy, rehefa nasehon’i Ingrid azy tamin-katsaram-panahy ny boky Ampianarina. Te hahazo ny hevitry ny Baiboly mantsy io vehivavy io. Nanaiky hianatra mihitsy aza izy, nefa nanizingizina ny hamakiana ny andinin-teny rehetra. Manatrika fivoriana izy izao, ary manome valin-teny matetika. Te ho tonga mpitory koa izy.

Brezila

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona i Paulo tamin’izy zatovo. Nampalahelo fa nisaraka ny ray aman-dreniny, tamin’izy 16 taona. Niditra tao amin’ny tarika mpiangaly ny mozika samba izy, mba hamelomana an-dreniny. Tsy ela anefa izy dia naloto fitondran-tena sy niboboka toaka. Mbola nisy tsaroany ihany anefa ny fahamarinana nianarany. Fantany, ohatra, fa misy ifandraisana amin’ny demonia ny fivavahana vaudou, ka tsy faly izy rehefa tsy maintsy nanao fampisehoana tao amin’ilay toeram-pivavahana. Nanomboka tsapany koa fa tsy nisy dikany ny fiainany. Koa raha vao nisy rahalahy tanora nampiseho azy ny boky Ampianarina tamin’ny taona 2005, dia liana indray izy. Nianatra Baiboly àry izy, ary tsy ela dia niala tamin’ilay tarika. Manatrika fivoriana izy izao.

Grande-Bretagne

Nitory isan-trano i Marilyn no sendra renim-pianakaviana tanora atao hoe Melanie, izay liana tamin’ny Baiboly. Nanome azy taratasy mivalona i Marilyn, ary nilaza fa hiverina. Imbetsaka niverina izy vao nahatratra an’i Melanie. Hoy izy: “Nanapa-kevitra ny hampiasa avy hatrany ny boky Ampianarina aho. Vokatr’izany, dia nandroso tsara ilay fianarana. Gaga aho taloha kelin’ny Krismasy rehefa nilazan’i Melanie fa tamin’izay no farany hampiasany hazo Noely. Novakiny mialoha mantsy ilay boky ka fantany hoe inona marina ny Krismasy.”

Kolombia

Nanome an’i Consuelo andro tsy iasana ny lehibeny mba hanatrehana fivoriamben’ny vondrom-paritra. Nanontanian’ilay lehibeny izy tany am-piasana hoe nanao ahoana ilay fivoriambe. Nafana ny resak’izy ireo momba izany. Nasehon’i Consuelo azy ny boky Ampianarina, ary nindramin’ilay lehibeny ilay izy. Naveriny ilay boky roa andro taorian’izay, ary nilaza izy fa nahafinaritra ny namaky azy. “Tsy boky natao hovakina fotsiny izy iny fa natao hianarana koa”, hoy i Consuelo, sady nasehony azy ny fomba fianatra azy. Hoy ilay lehibeny: “Azoko ianarana ve izany ity boky ity?” Koa nifanao fotoana hianatra izy ireo, ary tsy ela ilay lehibeny dia nanomboka nitory tamin’ny havana aman-tsakaiza. Nanomboka nanatrika fivoriana koa izy, ary niaraka taminy ny zanany lahy sy ny renibeny indraindray.

Guyana

Mpisava lalana maharitra i Joseph. Nampianariny tamin’ny boky Ampianarina ny lehilahy iray, izay efa nihaona tamin’ny Vavolombelona, taona vitsivitsy talohan’izay, tany Georgetown renivohitra. Tsy ilay lehilahy irery no niandry an’i Joseph tamin’ny fianarana voalohany, fa teo koa ny zanany roa lahy, sy ny vadiny avy. Samy nanaiky handray an’ilay boky izy ireo. Nilaza ilay lehilahy, ny herinandro nanaraka, fa nindramin’ny mpampianatra iray ny bokiny Ampianarina, ka novakiny. Nilaza ilay mpampianatra hoe: “Ity no fahamarinana.” Niara-nianatra tamin’izy ireo koa izy. Nisy mpiara-monina tamin’izy ireo koa nandre momba ilay fianarana ary nanontany raha afaka manatrika. Nasain’i Joseph daholo izy ireo hamonjy ny Fahatsiarovana. Narary ilay lehilahy nampianarin’i Joseph voalohany, ka tsy afaka. Tonga kosa anefa ny ankohonany, mbamin’ilay mpampianatra sy ny ankohonany. Mandroso tsara daholo izao izy rehetra.

Polonina

Nitory teny an-dalana i Lucjan no sendra an’i Jan, izay efa 50 taona. Mpinamana izy roa lahy tany am-pianarana, ary efa an-taonany maro no tsy nifankahita. Rehefa nandeha ny resak’izy ireo, dia nilaza hevitra avy tao amin’ny boky Ampianarina i Lucjan. Nilaza i Jan fa efa maty ny vadiny, ary lasa nifoka sigara sy niboboka toaka izy. Hoy i Lucjan: “Rehefa nitsidika an’i Jan izaho sy ny rahalahy iray andro vitsivitsy taorian’izay, dia efa niandry izy. Naniry hianatra an’ilay boky Ampianarina izy, ka nanomboka avy hatrany izahay.” Noraisiny am-po ny fahamarinana. Miezaka hiala amin’ny sigara sy ny toaka izy izao, sady miezaka ny tsy hiteny ratsy intsony.

Espaina

Kivy be ny ramatoa iray narary, ka nanoro hevitra azy ny dokoterany mba hianatra Baiboly. Fa nahoana? Nisy rahalahy roa anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly nitsidika an’io dokotera io, ary nanome azy boky Ampianarina. Vokatry ny aretina nahazo azy avy, dia samy kivy be, na izy na ilay marariny. Tena nahaliana azy ilay boky ka nasehony an’ilay marariny. Nanome toky an’ilay marary izy hoe: “Ho hitantsika fa misy hantenaina ny hoavy, rehefa miara-mianatra amin’ny Vavolombelona isika.” Nihaona tamin’ilay ramatoa ny mpisava lalana iray nitory teny an-dalana, andro vitsivitsy taorian’izay. Nanaiky hianatra Baiboly ilay ramatoa. Nianatra koa ilay dokotera, ary efa manatrika fivoriana izao.

Zambia

Goliath no anaran’ny mpiadidy ny tanàna kely iray. Roa ny vadiny, ary folo ny zanany. Tsy goavambe toa an’i Goliata izy, nefa nanao dingan-dava kosa izy mianakavy teo amin’ny fandrosoana ara-panahy. Niova izy taoriana kelin’ny namakiany ny boky Ampianarina. Nanomboka nanatrika fivoriana izy mianakavy tamin’ny Janoary 2006, ary tamin’ny Febroary dia nalefany ilay vadiny faharoa, ary nisoratra tamin’ilay vadiny voalohany izy. (Matio 19:4-6; 1 Tim. 3:2) Niala tsy ho mpiadidy ny tanàna izy tamin’ny Martsa, ary lasa mpitory tsy vita batisa izy sy i Esther vadiny tamin’ny Aprily. Tsy nahafaly an’ireo demonia izany fanapahan-kevitra hanompo an’i Jehovah izany, ka nampijaliny i Esther. Nanohitra an’ireo demonia anefa i Esther, araka ny fampirisihan’ny Jakoba 4:7. Inona no vokany? “Olona afaka izahay mivady izao”, hoy izy.

NIEZAKA HITORY TAMIN’NY TENY VAHINY

Tany maro no ahitana mpifindra monina be dia be, izay mampiasa fiteny hafa. Ny ankamaroan’izy ireny dia avy any amin’ny tany tsy ahafahana mitory malalaka. Noho izany, dia “misy varavarana lehibe nosokafana”, ary rahalahy sy anabavy maro no mianatra fiteny hafa mba hidirana amin’io varavarana io. (1 Kor. 16:9) Any amin’ny tany sasany, dia misy tompon-tany mampiasa fiteny izay tsy fiteny ofisialy. Mianatra ireny fiteny ireny koa ny mpitory ka mahazo vokatra betsaka.

Sampana maromaro no nanangana kilasy fianarana teny vahiny, mba hampandrosoana ny asa any amin’ireny faritany ireny. Ny zava-misy fahita eny amin’ny fanompoana no tena ifantohan’ny lesona mba hahaizan’ny mpianatra haingana. Mianatra teny albaney i Elisa. Hoy izy: “Manampy anao hampiasa tsara an’ilay fiteny ilay fianarana.”

Belzika

Milaza ny sampana any fa mpitory 300 mahery, 9 ka hatramin’ny 71 taona, no tao amin’ny kilasy 17 nianarana teny vahiny folo. Hoy i Enora: “Nianatra teny tiorka aho, ka nanjary tiako ny olona miteny azy io.” Mianatra teny sinoa i Annelies. Niresaka taminy ny mpanangom-baovao avy tamin’ny televiziona iray mandeha eran’i Belzika, satria te hamoaka tantaran’olona nanao zava-baovao teo amin’ny fiainana. Nohazavain’i Annelies ny antony nianarany teny sinoa. Niverina ilay mpanangom-baovao, herintaona tatỳ aoriana, ary nolazain’i Annelies taminy ny vokatra tsara azony teo amin’ny fanompoana. Gaga ilay mpanangom-baovao, ka nalefany tamin’ny ora nahabe mpijery tele ilay fandaharana, izay nisy resadresaka nifanaovana tamin’i Annelies, ary koa horonan-tsary fohy nahitana azy nitory tamin’ny Sinoa teo amin’ny fiandrasana bisy.

Holandy

Nanoratra toy izao ny sampana any: “Mihabetsaka ny mpitory afaka mitory amin’ny teny vahiny noho ilay fianarana. Mandrisika an’ireo rahalahy handray andraikitra eo anivon’ny fiangonana koa ilay izy.” Nilaina maika ny rahalahy toy izany teo amin’ny fiangonana vaovao miteny romanianina, any Holandy. Nandamina fivoriana tsindraindray tamin’io fiteny io ny sampana, nefa rahalahy iray monja no afaka nitarika. Marary matetika anefa izy. Mihamaro izao ny rahalahy afaka mitarika, noho ilay fianarana teny vahiny. Rahalahy iray no mitarika fianarana boky isan-kerinandro, rahalahy hafa no mitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, ary rahalahy hafa no mandika teny rehefa atao amin’ny teny holandey ny lahateny.

Espaina

Kilasy 48 nianarana fiteny folo no natsangan’ny sampana nanomboka tamin’ny 2003. Nitombo be ny fampianarana Baiboly, noho izany, ka efa ho 50 000. Mpisava lalana manokana i Juan sy Mari Paz. Nampandroso azy mivady tao an-tranony ny fianakaviana romanianina iray. Tsy ela dia nisy olona 16 tonga tao mba hihaino, anisan’izany i Mario, zazalahy 19 taona, izay liana be. Tsy nahay teny espaniola izy, ary tsy nahay teny romanianina ireo mpisava lalana. Nandray bokikely Takina tamin’ny teny romanianina anefa i Mario. Ny herinandro nanaraka, dia nangataka ny hianatra Baiboly izy, ary nanatrika fivoriambe manokana iray andro, na dia tsy nisy azony firy aza ny fandaharana. Nanatrika ny fivoriana rehetra izy, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nanomboka nanome valin-teny tsotra tamin’ny teny espaniola. Nataony nety kokoa ny fitafiany sy ny volony, ary nanomboka niresaka tamin’ny hafa momba ny fanantenany izy. Mampianatra Baiboly mpivady romanianina izy izao. Mandroso tsara izy mivady ireo.

Nanomboka nianatra teny romanianina i Juan sy Mari, ary vetivety dia nitarika fampianarana Baiboly 30 tamin’io fiteny io! Mitarika ny fianarana boky amin’ny teny romanianina koa i Juan. Rehefa vita ny fianarana, dia misy mpitory folo mianatra teny romanianina, ary tsy iza no mpampianatra fa i Mario, ilay nianatra Baiboly tamin’ny voalohany.

Etazonia

Olona 50 tapitrisa mahery no tsy miteny anglisy ao an-tranony. Mpitory 254 000 eo ho eo, ohatra, no ao amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah miisa 3 052 sy antoko-mpitory 53, izay samy miteny espaniola. Misy mpitory hafa 26 000 ao amin’ny fiangonana sy antoko-mpitory 690 mampiasa teny hafa ankoatra ny espaniola. Nanangana kilasy 450 nianarana teny vahiny 29 ny sampana mba hahamora ny fitoriana amin’izany saha midadasika izany. Hoy ny mpiandraikitra ny faritra iray: “Tato anatin’ny roa taona, dia nisy fiangonana vaovao efatra tao amin’ny faritra tsidihiko, ka ny telo tamin’ireo dia noho ny kilasy fianarana teny frantsay.”

Hoy ny rahalahy iray nianatra teny espaniola: “Tanteraka ny nofinofinay: Naniry ho tonga misionera efa an-taonany maro izahay mivady, nefa namelona zaza roa. Efa lehibe izy dahy izao, ary efa misotro ronono aho. Nifindra tao amin’ny fiangonana miteny espaniola izahay mivady, telo volana lasa izay, ary efa nahazo anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Fiverenana mitsidika maro no ataonay, ary mety hanana fampianarana dimy izahay. Efa 67 sy 64 taona izahay mivady, nefa fantatray izao fa tsy vato misakana hianarana teny vahiny ny fahanterana.”

Raha tsy mamokatra ny faritaninao, ary afaka mianatra teny vahiny ianao, nahoana raha eritreretina am-bavaka ny hianatra teny vahiny mba hifindrana any amin’ny faritany mampiasa an’izany fiteny izany? Mety hahita mpianatra be dia be ianao raha mifindra, ary hahafinaritra be ny fanompoanao.

Alemaina

Efa 30 taona mahery izao no nanombohan’ny fianarana teny vahiny tany. Mpianatra 1 000 mahery no efa nampianarina fiteny sivy, anisan’izany ny teny albaney sy vietnamianina. “Tsara lavitra noho ny fianarana nataoko teny amin’ny oniversite ilay izy”, hoy ny anabavy iray. Mianatra ny fomba fisainan’ny olona any an-tany hafa koa ireo mpianatra, ka afaka manohina ny fon’ny olona rehefa mitory.

Nianatra teny vietnamianina i Paula, izay 82 taona, ary mandeha any amin’ny 150 kilaometatra mba hamonjena fivoriana. “Sarotra amiko ny mianatra fiteny vaovao, nefa tena misaotra an’i Jehovah aho satria be dia be ny fifaliana nomeny ahy”, hoy izy. Nampianatra Baiboly fianakaviana vietnamianina izy. Ilay lehilahy no liana voalohany tamin’ny fahamarinana, ary avy eo ny vadiny. Samy vita batisa izy mivady izao.

Taorian’ny batisany, dia notanterahin’izy mivady sy ny zanany vavy ny nofinofiny, dia ny hanompo an’i Jehovah any an-tanindrazany. Nanao trano izy ireo, ka nasiany efitra lehibe hanaovana fivorian’ny fiangonana. Anti-panahy izao ilay lehilahy, sady mpisava lalana mpanampy. Mpisava lalana maharitra kosa ny vadiny. Dibo-kafaliana i Paula rehefa nahazo taratasy avy tamin’io fianakaviana io nilaza fa ilay lehilahy ihany no nanao batisa ny zanany vavy. Nanoratra ho an’i Paula ilay ankizivavy, hoe: “Ho an’i ‘Bebe’ malalako. Malahelo anao aho. Mahatsiaro anao foana aho. Amiko, dia Bebe Paula foana ianao. Tiako ianao.” Tena nahafaly an’io anabavy malalantsika io izany! Tsy nahasakana azy tsy hianatra fiteny sarotra mantsy ny fahanterany.

Kanada

Mpianatra 554 tao amin’ny kilasy 31 natao tany amin’ny tanàna folo, no nianatra teny vahiny, nanomboka tamin’ny 2002. Anti-panahy i Paul, ary malemy tongotra. Nianatra teny mandarin anefa izy. Sinoa i Linda, ilay mpitsabo mpanampy mikarakara azy. Nanaratsy ny Vavolombelona ny fivavahan’i Linda, ka tsy nety nihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana izy. Nasain’i Paul nitondra azy tany amin’ny Efitrano Fanjakana i Linda, indray andro, satria te hihaino lahateny amin’ny teny mandarin izy. Nitondra azy tany àry i Linda. Nihatakataka anefa i Linda tany, ary tsy nihaino. Nentiny tany amin’ny fianarana boky indray i Paul, taoriana kelin’izay. Fiainan-tokantrano no nodinihina tamin’izay, ka nihaino tsara i Linda, satria reny tokan-tena izy. Taorian’izay, dia nisy anabavy mpisava lalana nanasa azy hianatra Baiboly. Nanaiky izy, ary nandroso hiangana. Anabavintsika izy izao.

Betsaka ny tompon-tany manana ny fiteniny manokana any Kanada. Taona vitsivitsy lasa izay, dia nitory tamin’ny lehilahy iray Indianina Blackfoot ny anabavy mpisava lalana atao hoe Carma, izay miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny ao amin’ny faritra voatokana ho an’ny Indianina Blackfoot. Hoy izy: “Tsy nety nihaino ilay rangahy rehefa nitory taminy tamin’ny teny anglisy aho. Nolazainy fa fivavahan’ny fotsy hoditra ny fivavahako, ary bokin’ny fotsy hoditra ny Baiboly. Hoy aho anakampo: ‘Raha mba nahay kokoa ny fiteny sy ny kolontsain’ny Indianina Blackfoot mantsy aho, dia nety ho nihaino ahy ihany iny rangahy iny.’ ” Tapa-kevitra ny hianatra an’ilay fiteny àry i Carma. Nanampy mpitory 23 isan-kerinandro hianatra an’ilay fiteny izy tatỳ aoriana.

Nitory tamin’ny mpivady Indianina Blackfoot ny anabavy iray anisan’ireo mpitory ireo. Namangy ny zanany narary tany amin’ny hopitaly izy mivady ireo tamin’izay. Gaga izy mivady nahita fa tia ny fiteniny ilay anabavy, ka nomeny azy ny adiresiny. Fantatr’i Carma avy eo fa, hay, ilay lehilahy niresahany herintaona talohan’izay ilay rangahy! Niaraka tamin’ilay anabavy àry i Carma tamin’ilay fiverenana mitsidika. Nitantara i Carma hoe: “Tsy vitan’ny hoe nihaino izy mivady, fa nanaiky an’izay voalazan’ny Baiboly mihitsy koa. Nomen’ilay rahavavy Baiboly sy boky fianarana Baiboly izy ireo. Nanganohano ny ranomason’ilay ramatoa rehefa namihina an’ireo boky roa teo an-tratrany, ary nihatokatoka nanaiky kosa ny vadiny. Mianatra Baiboly izao ilay ramatoa, ary mihaino eo koa ny vadiny.”

Nolazain’ny sampana any Kanada fa tena nahomby ny fianarana teny vahiny, satria Indianina Blackfoot 34 no nanatrika ny Fahatsiarovana 2006, izay natao tamin’ny fiteniny!

Italia

Mpitory 7 200 teo ho eo no nianatra fiteny 18. Nihaona tamin’i Samson ny iray tamin’ireo mpianatra ireo. Avy any amin’ny tany andrarana ny asan’ilay Fanjakana i Samson. Niala tany amin’ny taniny izy tamin’izy 24 taona, mba hanomboka dia iray nantsoiny hoe “Fanantenana.” Namakivaky tany efitra izy, ary nandeha sambo nankany Italia. Tany no nifankahitany tamin’ilay rahalahy efa nianatra ny fiteniny, izay nitory taminy. Nihaino tsara i Samson ary nanatrika fivoriana mihitsy aza. Tsy nifankahita anefa izy roa lahy nandritra ny folo volana. Rehefa nihaona indray izy ireo, dia nampianatra Baiboly an’i Samson ilay rahalahy. Tany amin’ny hotely fisakafoana, sy tany amin’ny garan’ny lamasinina, ary teny amin’ny parking izy ireo no nianatra. Nanomboka niova i Samson, rehefa avy nanatrika ny Fahatsiarovana, ka nisarahany ilay vehivavy nanaovany tokantranomaso nandritra ny herintaona teo ho eo. Rahalahintsika izy izao.

Nikaragoà

Sambany ireo rahalahy vao afaka nitory tsara tamin’ireo Mayangna tompon-tany, tamin’ny 2006. Ao amin’ny fivavahana protestanta moravianina ny ankamaroan’ny Mayangna, ary matetika ny pasitera no ben’ny tanàna tsy ofisialy. Tsy nanao sahala amin’ny pasitera hafa ny pasitera iray. Navelany hipetraka tao amin’ny tanànany mantsy i Hamilton sy Abner, mpisava lalana manokana. Nahitany trano mihitsy aza izy roa lahy, ary nomeny Baiboly tamin’ny teny mayangnan. Nianatra an’ilay fiteny ireo rahalahy, ary tsy ela dia nanana fampianarana Baiboly maromaro. Tamin’ny mpiandraikitra ny faritra nitsidika voalohany, dia nandika teny ho an’ny olona 13 tonga nivory izy roa lahy. Nisy 90 kosa nanatrika ny Fahatsiarovana. Nadikan’ireo rahalahy tamin’ny teny mayangnan ny hira roa tamin’ilay Fahatsiarovana, ka nihira tamin’ny fo ny rehetra!

Maro be ny liana, ka neken’ny sampana ny hijanonan’ireo mpisava lalana ireo any mandritra ny fotoana tsy voafetra. Hanaiky izany ve anefa ny manam-pahefana? Rehefa nivory ny filan-kevitry ny tanàna, dia nisy niampanga ny Vavolombelon’i Jehovah ho antikristy. Ny lehilahy iray anisan’ilay filan-kevitra anefa dia efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona. Hoy izy: “Hatramin’ny nahatongavan’ireo tovolahy ireo teto amintsika, dia mbola tsy nahita olona nahandro ny sakafony na nanasa ny lambany aho, fa ry zareo ihany no manao ny zava-drehetra. Nianatra ny fitenintsika mihitsy aza ry zareo! Zavatra mbola tsy fantatsika mihitsy ao amin’ny Baiboly no nampianariny antsika. Mino aho fa efa ela ry zareo no niala teto raha tsy nirahin’Andriamanitra.” Koa navela hijanona tany ireo mpisava lalana.

FANDIKAN-TENY HO AN’NY MARENINA

Etazonia

Navoaka DVD tamin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina Ny Vaovao Tsara Araka An’i Matio, tamin’ny 2006. Sambany àry ireo mpitory marenina vao afaka namaky toko manontolo amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteniny. Hoy ny anti-panahy marenina iray: “Io no taratasy mahafinaritra indrindra azoko avy tamin’i Jehovah.” Hoy ny iray hafa: “Hitako izao fa mifanaraka tsara amin’ny teny manodidina ny andininy tsirairay.” Ny hamaky toko iray isan’andro no tanjon’ny anabavy iray. Nanoratra izy hoe: “Saika tara fotoana aho indray mandeha. Tsy hitahita akory dia toko efatra na dimy no voavakiko.”

Brezila

Haingana be ny fitomboan’ny asa eo amin’ny faritany mampiasa ny tenin’ny tanana. Misy fiangonana 232 amin’ny tenin’ny tanana any ankehitriny, ao anatin’ny faritra folo sy vondrom-paritra iray. Manompo ao amin’ireny fiangonana ireny sy eny amin’ny saha ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana 1 000 mahery, mbamin’ny mpisava lalana manokana 146, izay misy marenina 8. Maherin’ny 100 tamin’ireo anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana ireo no nilaza fa nanampy be azy handroso ara-panahy ny boky sy gazety ataon’ny fandaminan’i Jehovah ho an’ny marenina, toy ny Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, sy Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, sy Miambena Hatrany!, sy Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, ary Ny Tilikambo Fiambenana. Nanomboka tamin’ny 2006, dia namboarina hifanaraka amin’izay boky misy amin’ny tenin’ny tanana ny fandaharana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana amin’io fiteny io.

Hoy ny mpampianatra iray, 30 taona: “Efa niangona tany amin’ny fivavahana samy hafa aho, nefa tsapako izao fa ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no tena mahay mampianatra Baiboly amin’ny marenina.” Sady tsy mitombina no tsy mandaitra ny fampianaran’ny fiangonako, hoy izy. Tapa-kevitra ny hivory foana izy, na dia tenitenenin’ny namany aza. Hotaomin’i Jehovah ho amin’ny Zanany anie ny olona tso-po toa an’io mpampianatra io!—Jaona 6:44; Apok. 14:6.

RAHARAHA ARA-PITSARANA

Érythrée

Tsy nandatsa-bato ireo rahalahintsika tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Koa namoaka didy ny filoham-pirenena tamin’ny 1994 fa tsy manana ny zom-pirenena intsony ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanjary sahirana mafy ara-bola ireo rahalahintsika, ary an-jatony no nandositra nankany an-tany hafa. Nisy kosa nijanona ihany, anisan’izany ireo manan-janaka mbola mianatra. Soratana anarana hanaraka fiofanana ara-miaramila ny mpianatra rehetra ao amin’ny kilasy T9, na lahy na vavy. Koa tanora maro no nanapa-kevitra ny tsy hianatra intsony, rehefa nahavita ny kilasy T8.

Nampidi-doza ny nanatrika fivoriana sy nitory. Fiangonana iray manontolo no nosamborina! Na izany aza, dia Andriamanitra, fa tsy olona no ankatoavin’ireo rahalahy sy anabavintsika be herim-po ireo, ‘satria Andriamanitra no mpitondra azy ireo.’ (Asa. 5:29) Rahalahy sy anabavy 31 izao no migadra, anisan’izany ny rahalahy iray 73 taona, izay mizaka ny zom-pirenena holandey. Misy koa migadra satria tsy mety manao miaramila. Nanomboka tamin’ny 1994 no efa tany am-ponja ireto rahalahy telo ireto: Paulos Eyassu, sy Isaac Mogos, ary Negede Teklemariam.

Frantsa

Tamin’ny 25 Febroary 2005, dia nametraka fitarainana tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy ara-drariny ny hetra notakina taminy. Olona 874 000 mahery nanerana an’i Frantsa no nanao sonia fangatahana hanafoanana izany tsy rariny izany. Nalefa tany amin’ny Fitsarana avy eo ilay fangatahana. Nandidy ny handoavana ny ambiny amin’ilay hetra ihany anefa ny manam-pahefana, tamin’ny Janoary 2006.

Nilazan’ny Vavolombelon’i Jehovah haingana momba izany ilay Fitsarana Eoropeanina. Avy hatrany dia nanao fanadihadiana savaranonando momba ilay raharaha io Fitsarana io. Tamin’ny 4 Mey 2006, dia nasainy nataon’ny fanjakana frantsay an-tsoratra ny fahitany ny raharaha. Tiany ho fantatra mantsy raha voahitsakitsaka tokoa ny zon’ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, na avakavahana izy ireo.

Alemaina

Tamin’ny 10 Febroary 2006, dia namoaka didy ny Fitsarana Federaly Momba ny Raharaham-panjakana any Leipzig, fa tsy maintsy eken’ny Fanjakan’i Berlin ho fikambanana mpanao asa soa ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina. Nifarana hatreo ireo 15 taona niadiana tany amin’ny fitsarana. Afaka amin’ny fandoavan-ketra izao io fikambanana ara-pivavahana io, ary manan-jo sahala amin’ny fivavahana lehibe hafa. Tamin’ny 5 Jolay 2006, dia nilaza tamin’ny fomba ofisialy ny Fanjakan’i Berlin hoe manaiky, ka nomeny taratasy fanamarinana ny rahalahy roa anisan’ny Komitin’ny Sampana.

Gresy

Nandritra ny taona maro, dia nahemotra foana, na tsy nomena mihitsy, ny fanomezan-dalana hanorina sy hampiasa Efitrano Fanjakana. Tokony heken’ny eveka ortodoksa grika mantsy aloha ny fangatahana toy ireny, araka ny lalàna. Namoaka didy anefa ny antenimiera tamin’ny 30 Mey 2006, fa ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fivavahana ihany no hikarakara ny fangatahan’ny fivavahana tsy ortodoksa.

Niova hevitra indray ireo mpitantana ny kianja mitafo iray any Loutraki, any Korinto, tamin’ny 15 Jolay 2005, ka tsy namela an’ireo rahalahy hanofa an’ilay kianja mba hanaovana fivoriamben’ny vondrom-paritra. Nisalasala mantsy ireo mpitantana raha tena ekena ho “fivavahana fanta-bahoaka” ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisalovana anefa ny manam-pahefana mpandray fitarainam-bahoaka. Tamin’ny Febroary 2006, dia nampanantena ireo mpitantana an’ilay kianja fa handinika ny fangatahana hafa hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanjary fantatr’izy ireo mantsy fa ekena ho fivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah.

Népal

Voasoratra ara-panjakana ihany ny fikambanana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Oktobra 2005. Anisan’ny zava-kendren’io fikambanana io ny “hampiroborobo ny fampianarana momba an’Andriamanitra.” Hampandroso ny fitoriana ny vaovao tsara ao amin’io tany be Hindoa io izany faneken’ny fanjakana izany.

Romania

Voasoratra ara-panjakana ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1990. Rehefa namoaka ny lisitry ny fivavahana ekeny anefa ny fanjakana tamin’ny 1997, dia tsy nampidiriny tao ny Vavolombelon’i Jehovah. Manan-jo hanorina trano fivavahana sy tsy hanao miaramila ireo fivavahana ekena, nefa tsy nomena izany zo izany kosa ireo rahalahy noho io lisitra io. Namoaka didy ny Fitsarana Tampony Romanianina fa tokony heken’ny fanjakana ho fivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah. Notoherin’ny fanjakana foana anefa izany. Tamin’ny Martsa 2006, dia nisalovana ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, ka nilefitra ny fanjakana, ary nifampiraharaha tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nifarana hatreo ireo sivy taona niadiana tany amin’ny fitsarana. Neken’ny fanjakana fa tokony hahazo “ny zo sy adidy rehetra omen’ny lalàna” ny Vavolombelon’i Jehovah, sahala amin’ny fivavahana ekena hafa rehetra.

Torkia

Nanao fangatahana ny sampana mba ho voasoratra ara-panjakana ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nolavin’ny fanjakana anefa izany, na dia efa novana hifanaraka amin’ny sata mifehy ny Vondrona Eoropeanina aza ny lalàn’ilay tany. Efa any amin’ny fitsarana izao ilay raharaha, kanefa mety hampakarina any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, amin’ny farany.

Olana hafa koa ny raharaha miaramila. Voantso hanao miaramila intelo na inefatra isan-taona ireo rahalahy, ary tsy mitsahatra izany raha tsy efa mihoatra ny taona feran’ny fanjakana izy ireo. Voaheloka foana izy ireo isaky ny voantso. Nampandoavina lamandy imbetsaka ny sasany, ary ny sasany nigadra. Nametraka fitarainana tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina i Yunus Erçep, tamin’ny 2004. Efa imbetsaka nampandoavina lamandy izy, nefa mbola nigadra koa tamin’ny Oktobra 2005, ary nafahana rehefa nahavita 5 volana tamin’ny saziny 12 volana. Voantso tany amin’ny fitsarana indray anefa izy tamin’ilay andro nanafahana azy, ary nampandoavina lamandy noho izy tsy nety nanao raharaha miaramila tany aloha.

Ouzbékistan

Nisy 1 100 mahery ny raharaha mahakasika ny rahalahintsika nosamborina, nogadraina, nampandoavina lamandy, na nokapohina, nandritra ny efa-taona farany. Nandritra ny Fahatsiarovana 2005 sy 2006 no nitrangan’ny 800 mahery tamin’ireo. Nisy polisy nandeha fiarabe sady nitondra kibay, tonga tany amin’ny toerana maro nanaovana ny Fahatsiarovana. Nosamboriny ny mpanatrika rehetra. Maro no nampandoavina lamandy, ary nisy nokapohina mafy.

Afaka niresaka tsara momba ny finoany anefa ireo rahalahy. Nampangaina ho nanao heloka bevava ny rahalahy iray sy ny anabavy iray noho izy ireo nanatrika fivoriana sy nitory ny vaovao tsara. Nangatahin’ny mpisolovavany ny handinihan’ny fitsarana ireo boky noraofina nandritra ny fisamborana azy ireo. Koa novakina mafy ny boky Fahalalana sy ny bokikely Takina, ary namaky koa ilay mpitsara. Tena nahaliana azy ny toko faha-5 tamin’ny boky Fahalalana hoe “Ny Fanompoam-pivavahan’iza no Eken’Andriamanitra?” Nasainy notohizina nandritra ny fiatoana tamin’ny sakafo antoandro àry ny famakiana ilay boky.

Rehefa novakina ny Matio 28:19, 20, dia hoy izy: “Izany kay no mahatonga anareo hitory?” Nanontany koa izy hoe nahoana no nenjehin’ny fitondran’i Hitler ny Vavolombelon’i Jehovah. Nomena ireto kasety video telo ireto àry izy: Telozoro Volomparasy, sy Niorina Mafy ny Vavolombelon’i Jehovah Nanoloana ny Fanafihana Nazia, ary Ny Baiboly: Tantara Marina sy Faminaniana Azo Itokisana. Nampandoavina lamandy ilay rahalahy sy ilay anabavy. Afaka niresaka momba ny finoany tamin’ny mpiasan’ny fitsarana sy ny polisy ihany anefa izy ireo, ary tamin’ny fomba tsy nampoiziny mihitsy.—Lioka 21:12, 13.

Soudan

Tamin’ny Jona 2006, dia voasoratra ara-panjakana ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny fanjakana valo. Nanorina Efitrano Fanjakana tany amin’ireo faritra ireo ny rahalahintsika, ary tsy niafinafina nanao fivoriambe. Malalaka ny fanafarana ny boky sy gazety, ary manana birao ao Khartoum ireo rahalahy.

Rosia

Nanatrika ny Fahatsiarovana tao amin’ny efitrano nohofana iray tao Moscou ny fiangonana misy mpitory 200, tamin’ny 12 Aprily 2006. Tamin’izay indrindra no tonga ny polisy 50 mahery nirongo fiadiana. Natsahatry ny lehiben’ny polisy ao Lyublino ilay fivoriana, satria voarara, hono, ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Moscou, ka tsy azony atao ny mivory. Nosavain’ny polisy ny kara-panondron’ireo mpanatrika, noraofiny ireo boky sy gazety, ary nisy rahalahy 14 nentiny tany amin’ny paositry ny polisy tao Lyublino. Notanana nandritra ny adiny efatra mahery izy ireo. Nisy rahalahy iray tonga tany mba hanampy azy ireo, kanefa nazera tamin’ny tany izy, ary nambanana antsy, sady nilazana mba tsy hametraka fitarainana. Nametraka fitarainana momba ny Sampan’ny Polisy ao Lyublino anefa ny 4 tamin’ireo rahalahy 14, tamin’ny 17 Aprily.

Nanomboka tamin’ny 16 Mey, tao amin’ny Fitsaram-paritr’i Lyublino ao Moscou, ny fitsarana ilay raharaha, ka i Z. Zubkova no mpitsara. Tsy nisy tonga na iray aza ireo polisy nisambotra, fa ny mpisolovavany ihany no tonga. In-50 ny mpisolovavan’ireo rahalahy no nitsipaka an’ireo fiampangana azy, nefa nolavin’ilay mpitsara foana izany, sady tsy nohazavainy ny anton’ny fandavany. Tsy neken’ilay mpitsara koa ny ankamaroan’ny fangatahan’ireo rahalahy. Nekeny kosa ny fangatahan’ilay mpisolovavan’ny polisy mba handraisan’ny fitsarana ny didy navoakan’ny Fitsaram-paritr’i Golovinsky, izay nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Moscou, ary mba handraisana koa ny hevitr’i L. Kulikov, psikology, izay niampanga ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’io fitsarana tany aloha io.

Namoaka didy ilay mpitsara tamin’ny 15 Jona 2006, fa tsy ara-dalàna ny fanagadrana an’ireo Vavolombelona, kanefa tsy nomelohiny ireo polisy nampitsahatra an’ilay Fahatsiarovana. Voalaza tao amin’ilay didy koa fa tsy nahafeno fepetra hanaovana fotoam-pivavahana ilay efitrano nohofana. Nampakatra an’ilay raharaha tany amin’ny Fitsaran’i Moscou ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 30 Jona 2006, ary nampidiriny tao amin’ilay fitarainana koa ny tsy ara-dalàna rehetra nataon’ny Fitsaram-paritr’i Lyublino. Tsy nisy nanelingelina kosa ny Fahatsiarovana tany amin’ny toerana 22 hafa tao Moscou.

Hita tany am-piandohan’ity Zava-nisongadina ity ny fanirian’ny mpanao salamo, manao hoe: “Hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola velona koa.” (Sal. 146:2) Be dia be ny porofo fa manana faniriana miredareda toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany amin’izao andro izao. Raha mbola eto amin’ity tontolo ratsy ity koa isika, dia aoka tsy havelantsika hisakana antsika tsy hankalaza an’ilay Raintsika any an-danitra ny fonja, na ny didim-pitsarana, na ny fiteny samy hafa!

[Efajoro/​Sary, pejy 9]

Tsy Fanasana Fotsiny

Nisy tapakila nahafahan’ny olona nangataka fampianarana Baiboly, na ny boky Ampianarina, na izy roa miaraka, teo amin’ilay taratasy fanasana. Tsy ela dia naharay an’ireny tapakila ireny ireo biraon’ny sampana eran-tany. Nanao tatitra, ohatra, ny sampan’i Etazonia fa 2 000 latsaka kely ny tapakila voarainy, ka nisy 300 ny olona nangataka hianatra Baiboly. Azo antoka fa mbola hijinja vokatra tsara ireo rahalahy sy anabavintsika niezaka mafy nampiely an’ilay taratasy fanasana.

[Efajoro/​Sary, pejy 12, 13]

Be Mpitady ny Boky Ampianarina

Tamin’ny faran’ny Jolay 2006, dia efa 47 tapitrisa mahery ny boky Ampianarina navoaka tamin’ny fiteny 155, tsy anisan’izany ny fiteny 10 amin’ny soratra Braille. Boky 42 000 teo ho eo isan’andro no nohafaran’ny fiangonana tany Etazonia tao anatin’ny iray volana monja. Fanafarana maika ny ampahatelon’ireo. Voninahitra ho an’ny mpianakavin’ny Betela maneran-tany ny miasa mafy mba hamokarana an’io boky io ho an’ireo rahalahy sy anabavy.

[Efajoro/​Sary, pejy 28, 29]

Fitokanana Sampana

Albania

Nifarana tamin’ny 1992 ireo 50 taona nandrarana ny asantsika tany. Notokanana tamin’ny 3 Jona 2006 ny sampana vaovao, izay any amin’ny manodidina an’i Tirana. Tamin’ireo mpanatrika 325, dia nisy Vavolombelona zokiolona efatra, izay nanompo an’Andriamanitra nandritra izany fandrarana izany. Nisy solontena avy tany amin’ny tany 32 koa tao. Sivy monja ny mpitory vita batisa tany Albania rehefa tonga ny misionera tamin’ny 1992. Misy mpitory 3 617 anefa any izao. Nanao lahateny tamin’ilay fitokanana i Theodore Jaracz sy Gerrit Lösch, izay samy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Nanao lahateny tao amin’ny kianja iray koa izy ireo ny ampitson’iny. Nihaino tsara ireo mpanatrika 5 153, na dia avy be aza ny orana.

Kroasia

Nahazo fitahiana roa sosona izy ireo tamin’ny taon-dasa, satria navoaka tamin’ny teny kroaty, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, ny Baiboly manontolo Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ary notokanana koa ilay sampana ao Zagreb, satria vao nitarina. Nisy 142 no nanatrika ny lahateny fitokanana nataon’ny Rahalahy Jaracz, tamin’ny zoma 11 Aogositra. Fito taona talohan’io no natao ny fitokanana voalohany, izany hoe tamin’ny 1999.

Slovenia

Nataon’ny Rahalahy Jaracz tamin’ny asabotsy 12 Aogositra ny lahateny fitokanana an’ilay sampana vaovao ao Kamnik. Any amin’ny 20 kilaometatra any avaratr’i Ljubljana renivohitra no misy an’i Kamnik, ary 130 kilaometatra eo ho eo any andrefan’i Zagreb, any Kroasia. Tany amin’ny trano samy hafa tao an-drenivohitra no nipetrahan’ny mpianakavin’ny Betela, talohan’izay. Koa faly izy ireo, satria miara-monina toy ny mpianakavy rehefa ela ny ela! Solontena avy tany amin’ny tany 20 ireo olona 144 nanatrika ilay fitokanana.

[Sary]

Sampan’i Albania

Fivoriana manokana nisy mpanatrika 5 153

Sampan’i Kroasia, nitarina

Sampan’i Slovenia

[Sary, pejy 6]

Mitory amin’ny marenina, Brezila

[Sary, pejy 17]

Kilasy voalohany ianarana ny teny hindi, Alemaina

[Sary, pejy 19]

Linda sy Paul

[Sary, pejy 19]

Carma mitory amin’ny tenin’ny Indianina Blackfoot

[Sary, pejy 20]

Kilasy ianarana ny teny espaniola, Roma, Italia

[Sary, pejy 20]

Mitory amin’i Samson

[Sary, pejy 21]

Hamilton sy Abner mampianatra Baiboly amin’ny teny mayangnan

[Sary, pejy 27]

Efitrano Fanjakana any atsimon’i Soudan