Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Rosia

Tena nanam-pinoana sy be herim-po ny Vavolombelon’i Jehovah tany Rosia. Tsy nivadika mihitsy izy ireo, na dia niharan’ny fanoherana mahery vaika sy tsy an-kiato aza. Natao sesitany izy ireo, nogadraina, ary nampanaovina asa an-terivozona. Tsy nahavita nanakombona ny vavan’izy ireo anefa izany rehetra izany.

Tsy tantara mampalahelo akory no ho hitanao ato. Tsy maintsy manampo fanenjehana mantsy izay rehetra mino an’i Jehovah. Tsy mitsetra tena izy ireo rehefa sendra zava-tsarotra, fa hararaotiny kosa izany mba hanaporofoany ny tsy fivadihany amin’Andriamanitra. Hoy ny rahalahy iray: “Tsy nisy taitra ireo olona nampianariko Baiboly, rehefa nolazaina taminay ny didim-pitsarana. Tena nahafaly ahy izany! Voaheloka higadra 25 taona izy efa-dahy. Mafy kokoa ny saziko ... Nijanona kely [izahay] mba hisaotra an’i Jehovah noho izy nanampy anay. Gaga ireo mpiambina, ka nifanontany hoe inona no nahafaly anay.”

Nahalala ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny taratasy natsipy tany ivelan’ny fonja ny tovovavy iray. Ahoana no netezan’izany? Ary ahoana no nataon’ireo Vavolombelona tany am-ponja mba hanatanjahana ny finoany? Ahoana koa ny momba an’ilay mpivady nampangaina hoe nanendaka ny sofin-janany? Ho hitanao ato ireo tantara ireo.

Tsy ny fotoana nisy fandrarana ihany anefa no tantaraina ato. Nisy fitomboana niavaka tao amin’io tany midadasika io, tato anatin’ny 20 taona farany, ka ho hitanao ato ny fomba niatrehan’ireo rahalahy izany.