Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany

AFRIKA

TANY 57

MPONINA 827 387 930

MPITORY 1 086 653

FAMPIANARANA BAIBOLY 2 027 124

Côte d’Ivoire

Mangetaheta ny fahamarinana ny mponina ao Bianouan, any atsinanan’i Côte d’Ivoire. Mankany amin’ny mpitory amin’ny 6.00 maraina ny sasany amin’izy ireo, satria te hianatra Baiboly alohan’ny handehanany any an-tsaha. Ny hafa indray te hianatra amin’ny takariva, aorian’ny fivorian’ny fiangonana. Nangataka boky Ampianarina tamin’ny mpitory iray ny vehivavy iray tsy mahay mamaky teny, indray andro. Nilaza izy fa ny vadiny no hamaky azy io, fa afaka mihaino izy. Nomen’ilay rahalahy azy àry ilay boky, ary nitsidika azy ireo izy ny ampitso. Tsy nandeha niasa tany an-tsaha ny vadin’ilay ramatoa tamin’io andro io, satria namaky an’ilay boky izy mivady nandritra ny alina manontolo. Tian’ilay lehilahy horesahina amin’ilay mpitory ny zavatra novakiny, ka niandry azy tao an-trano izy sy ny vadiny. Nianatra Baiboly io mpivady io nanomboka teo.

Bénin

Nanomboka nianatra Baiboly ny pasitera iray sy ny ankohonany, izay mipetraka any ambanivohitra be. Nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra izy ireo, tapa-bolana taorian’izay. Narary tampoka ny zanany vavimatoa ny asabotsy hariva, ary maty. Nanatrika fivoriambe ihany anefa ilay pasitera, ny alahady. Hoy izy ny ampitso, momba ilay fahoriana: “Nataon’i Satana izao mba hanakiviana anay. Tsy ho kivy amin’izany mihitsy anefa izahay mianakavy.” Navoakan’izy mivady daholo ny fitaovana fampiasany tany am-piangonana, toy ny akanjo mirebareba, satroka pasitera, fehikibo, tehina, menaka masina. Hoy ilay pasitera: “Tsy hivavaka ao amin’io fiangonana io intsony izahay.” Nodorany daholo ireo zavatra ireo avy eo, toy ilay voalazan’ny Asan’ny Apostoly 19:19. Mandroso tsara io fianakaviana io izao.

Madagasikara

Nahazo boky Ampianarina ny mpitondra fivavahana iray tao amin’ny tanàna iray nisy mponina 500 teo ho eo, tamin’ny 2006. Novakiny tsara ilay boky, ary resy lahatra izy fa nahita ny fahamarinana. Noresahiny tamin’ny mpiangona ny zavatra nianarany, avy eo. Tsy ela taorian’izay, dia niala tamin’ilay fivavahana izy sy ny ankohonany ary ny olona 20 hafa, ka nanomboka nanao fivoriana toy ny fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Nisy mpisava lalana manokana nalefa tany mba hanampy azy ireo. Nampianatra olona maro ireo rahalahy ireo, ary nandamina Fianarana Boky sy Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Lasa mpitory tsy vita batisa ny dimy tamin’izy ireo tamin’ny Oktobra 2006. Misy Fivoriana ho An’ny Besinimaro sy Sekolin’ny Fanompoana any izao. Mahatratra 40 eo ho eo ny mpanatrika fivoriana ary 20 mahery ny mpianatra Baiboly.

Afrika Atsimo

Nandalo trano iray mifefy i Hennie mivady indray andro, rehefa nitory isan-trano. Nipoitra teo anelanelan’ilay fefy ny lohan’ny alika iray, ary nanaikitra ny tanan’i Hennie. Nandeha ra be ilay izy, ka nody haingana izy ireo. Nosasan’ny vadiny ilay ratra sady nofonosiny, ary naka fotoana tamin’ny dokotera izy fa tsy tonga dia nankany. Niverina nitory izy mivady adiny iray taorian’izay, satria tsy tian’i Hennie hanakantsakana ny fanompoany ny zavatra nataon’ilay alika. Nanomboka teo amin’ny trano iray teo akaikin’ilay nisy alika masiaka izy ireo. Rehefa avy nitory tamin’ny trano vitsivitsy izy ireo, dia nampandrosoin’ny lehilahy iray. Nihaino tsara ilay lehilahy, ary nanaiky hotsidihina. Nianatra Baiboly izy, ary tsy ela dia nivory tsy tapaka. Rehefa nametra-pialana tao amin’ny Fiangonana Nohavaozina Holandey izy, dia tonga nitsidika azy ny lohandohany tao amin’ilay fiangonana, ary nilaza taminy fa hatao diakônina izy. Efa tapa-kevitra ny hiala anefa izy, ka tsy nety niova hevitra intsony. Mandroso tsara izao io lehilahy io, ary efa nisoratra anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.

Tanzania

Nisy ezaka manokana hitoriana any amin’ny faritra mitokana, tamin’ny Oktobra 2005. Nisy rahalahy sivy avy tao amin’ny Fiangonana Iringa nankany Pawaga, any amin’ny 75 kilaometatra. Efa ren’izy ireo fa misy mpitory iray ao amin’io tanàna io, ka nanontany olona maro izy ireo mba hahitana azy. Nilaza ilay rahalahy rehefa nihaona izy ireo, fa efa 20 taona mahery izay no nipetrahany tao, ary nihevitra foana izy fa mbola voarara ny asa ao Tanzania. Nitory foana izy nandritra izay taona maro izay, ary nilaza fa misy olona liana ao amin’ilay tanàna. Niverimberina tany àry ireo rahalahy avy any Iringa, ary nijanona tapa-bolana isaky ny nankany. Nisy mpisava lalana maharitra roa nifindra tany, tamin’ny 2006. Nahazo fanampiana ilay rahalahy tao Pawaga, ary misy mpitory sivy any izao. Mivory eo am-bodihazo izy ireo ankehitriny, ary mikasa hanorina trano kelikely hivoriana, amin’ny alalan’ny fitaovana misy eo an-toerana.

Rwanda

Malaza ho mahay mampidi-baolina ilay tovovavy mpilalao baolina kitra atao hoe Gentille. Antsoin’ny olona amin’ny teny kinyarwanda hoe Manayibitego izy, izay midika hoe “Andriamanitra Mpamono Baolina.” Nahamarika ny fahaizany ny Italianina vitsivitsy, ka nanome azy fampiofanana bebe kokoa. Nanasa azy hilalao tany Italia izy ireo tatỳ aoriana. Toa tsara erỳ izany hoe hifindra any Eoropa izany, sady ho lasa mpilalao fanta-daza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy te hisaraka tamin’ny fianakaviany anefa izy. Vavolombelon’i Jehovah ny reniny, ary efa nianatra Baiboly i Gentille. Tsy nampihatra izay nianarany anefa izy, fa ny baolina ihany no zava-dehibe taminy. Rehefa nifampidinika tamin-dreniny izy, dia tsapany fa ho betsaka ny fakam-panahy miandry azy raha mankany. Tsy nandeha àry izy, ary tapa-kevitra fa hanao an’ilay Fanjakana ho loha laharana eo amin’ny fiainany. Natao batisa tamin’ny fivoriambe vao haingana izy.

IREO TANIN’I AMERIKA

TANY 55

MPONINA 893 357 181

MPITORY 3 367 544

FAMPIANARANA BAIBOLY 3 236 692

Curaçao

Nitsidika olona iray ampianariny Baiboly ny rahalahy iray, indray andro. Nasehon’ilay lehilahy azy ny bala iray, ary nanontaniany izy raha fantany ilay izy. Nanazava ilay lehilahy, fa efa am-bolana maro izy no nikasa hamono tena, satria very asa ary rava ny tokantranony. Nikasa hamono an’ireo olona efatra noheveriny ho fototry ny fahasahiranany izy, ka nasiany bala efatra ny basipoletany, ary nisy bala iray hafa koa notehiriziny mba hampiasainy rehefa hamono tena. Nivavaka tamin’Andriamanitra anefa izy, talohan’ny hiaingany hamono an’ireo olona efatra. Nalefany ny tele ary nitady fandaharana ara-pivavahana tao izy. Tamin’izay indrindra no tonga tao aminy ilay rahalahy sy ny mpitory iray hafa, ary nanomboka nianatra Baiboly izy. Nariany ireo bala efatra, fa hadinony ilay bala iray hafa. Hitany tao anaty paosiny ilay izy tatỳ aoriana, ka nasehony an’ilay rahalahy sady notantarainy azy ny tantarany. Nilaza izy fa niova be ny fiainany, hatramin’ny nianarany Baiboly. Nilaza koa izy fa namonjy ain’olona dimy ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa manatrika fivoriana izao io lehilahy io.

Orogoay

Nampandrosoin’ny vehivavy iray tao an-tranony ny rahalahy roa, indray andro. Nitomany ilay ramatoa sady nilaza fa nivavaka nandritra ny alina manontolo izy, ary nangataka tamin’Andriamanitra mba hampahafantatra azy ny sitrapony. Notantarainy fa nitsidika azy ny pasiteran-dry zareo vao haingana, mba haka ny ampahafolon-karena, izay vola bebe ihany. Tsy mba mitsidika azy mihitsy anefa izy ireo, na dia amin’ny fotoana ilany fanampiana aza. Diso fanantenana ilay ramatoa noho izany, ka tsy nandeha niangona intsony efa iray volana mahery izay. Nilazany ny iray tamin’ireo pasitera ireo, fa tsy azony mihitsy ny fampianaran’izy ireo satria misafotofoto be. Tsy mba nanome fanazavana anefa ilay pasitera, fa nilaza taminy kosa hoe hiharan’ny fanamelohana fito izy satria niala tamin’ny fiangonana. Nanazava tamin’ilay ramatoa ireo rahalahy fa maniraka ny anjeliny Andriamanitra, mba hikaroka an’ireo olona mitady ny fahamarinana. Nametraka fanontaniana maro ilay ramatoa, ary natomboka avy hatrany tamin’ny boky Ampianarina ny fianarany. Nianatra Baiboly koa ny vadiny tatỳ aoriana, ary nanatrika ny Fahatsiarovana sy ny lahateny manokana izy ireo. Tena nampiaiky azy ireo ny hatsaran’ny fampianarana reny tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Gaga koa izy ireo fa tsy mba nisy fanantazan-drakitra tao. Mandroso tsara izy mivady izao, ary mana-namana maro eo anivon’ny fiangonana.

Silia

I cap Horn angamba no atsimo indrindra amin’ny toerana misy olona ampianarina Baiboly, eto an-tany. Tsy iza izany fa ny vehivavy iray vadina mpiambina tilikambo fanilon-tsambo. Nianatra Baiboly nandritra ny iray volana izy, tamin’izy tany Punta Arenas, ary mpisava lalana mpanampy iray no nampianatra azy. Nifindra tany cap Horn izy taorian’izay, ary natao an-telefaonina indray ny fianarany. Mandroso tsara izy izao.

Costa Rica

Misy Indianina guaymi 10 000 eo ho eo any Costa Rica. Any Sixaola, tanàna kely eo akaikin’ny sisin-tanin’i Panama, no misy ny ankamaroan’izy ireo. Maro amin’izy ireo no tena tia mianatra Baiboly, ka nalefa tany ny mpivady mpisava lalana manokana iray mba hanampy azy ireo. Nianatra fiteny guaymi izy mivady, nony tonga tany. Betsaka ny zava-bita noho ny fanampian’ireo rahalahy sy anabavy guaymi 26 tany an-toerana. Sambany vao natao tamin’ny teny guaymi ny lahatenin’ny Fahatsiarovana, ka nahatratra 264 ny mpanatrika. Tampon’isa vaovao izany! Nisy fitomboana foana nanomboka teo. Nahatratra 20, ohatra, ny mpanatrika tao amin’ny Fianarana Boky iray nisy mpitory 13. Lasa 40 ny mpanatrika tao amin’io Fianarana Boky io tatỳ aoriana, ka niampy roa ny Fianarana Boky tao Sixaola.

Panama

Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Ramiro tamin’ny 2004. Mpampianatra fanatanjahan-tena izy ary mitazona kilasy enina. Nampianatra adiny 12 monja izy isan-kerinandro, raha tokony ho adiny 24 izany. Nilaza taminy àry ny tale fa tokony hampianatra fivavahana an’ireo kilasy ireo izy, nandritra ireo adiny 12 ambiny. Hoy ilay tale: “Resaho an-dry zareo fotsiny izay fantatrao momba an’Andriamanitra sy Jesosy ary ny Baiboly.” Izay nianaran’i Ramiro tamin’ny Vavolombelona no nampianariny ny ankizy. Nampianatra ankizy 150 tamin’ny kilasy fahenina ka hatramin’ny fahavalo izy, ary nampiasa ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Lasa mpitory tsy vita batisa i Ramiro ny taona nanaraka, rehefa nivoaka ny boky Ampianarina. Mbola nitana an’ireo kilasy ireo ihany izy, ary io boky io indray no nampiasainy. Lasa 160 ny isan’ny mpianany, ary nozaraina enina izy ireo. Inona no vokatr’izany? Maromaro amin’ireo ankizy ireo izao no mianatra Baiboly any an-tranony, ary mampianatra azy ireo i Ramiro sy ny mpitory hafa. Tena mankasitraka an’i Ramiro ny ray aman-drenin’ny ankizy sasany, satria mihahendry ny zanany. Manatrika fivoriana ny ray aman-dreny sasany izao, ary misy aza manatrika fivoriambe. Natao batisa tamin’ny Novambra 2006 i Ramiro, ary mbola manararaotra ny fotoana rehetra mba hampianarana Baiboly.

Goatemalà

Handeha hitsidika mpianatra Baiboly i Jeremy, indray andro. Eo amin’ny elakela-trano no misy ny tranon’ilay tovolahy hotsidihiny. Nilaza ny anabavin’izy io, rehefa tonga tany i Jeremy, fa tsy tao izy. Nanatona an’i Jeremy ny tovolahy roa tamin’izay, raha mbola teo am-baravarana izy. Nanambana basy azy ny iray tamin’izy ireo, ary nataony teo amin’ny lohan’i Jeremy ilay izy, sady hoy izy: “Nokaramaina hamono an’ialahy aho.” (Fantatr’i Jeremy, tatỳ aoriana, fa izany no fitenin’ny jiolahy mba hampitahorana olona.) Hoy i Jeremy: “Nakaton’ilay tovovavy haingana ny varavarana. Nanontaniako izy roa lahy avy eo hoe: ‘Inona no tadiavinareo?’ Dia namaly ny iray hoe: ‘Fa inona no ataon’ialahy atỳ?’ Nolazaiko azy fa nitory ny Tenin’i Jehovah aho, ka nitrerona izy hoe: ‘Itorio àry aho!’ Natahotra aho ary tsy fantatro izay tokony hatao. Nosokafako ny kitapoko, ary navoakako ny Baiboly. Nitomany avy eo ilay nanambana basy ahy, satria fantany fa tsy nety ny nataony. Niangaviany aho mba hanampy azy, ary nosavany ny kitapoko ka nalainy tao ny Mifohaza! iray miresaka momba ny vola. Ilay iray kosa nisava ny paosiko ary nitady ny poketrako. Hoy anefa ilay nitana basy: ‘Avelao leisy izy fa aza savasavain’ialahy eo a!’ Nisaotra sy namihina ahy izy, ary lasa nandeha. Nahatsiaro ho tony aho avy eo, ary nisaotra an’i Jehovah satria namonjy ahy izy.”

Repoblika Dominikanina

Mpitsabo nify ny anabavy iray. Nanatrika seminera momba ny fametahana solonify misy visy izy, indray andro. Maherin’ny 250 ny mpitsabo nanatrika izany, ary nasaina hanao fangatahana hanatrika fiofanana fanampiny, izay hatao any Eoropa, izy ireo. Lafo be ny saran’io fiofanana io, ary mpitsabo valo ihany no horaisina. Nilazana ilay anabavy rehefa vita ilay seminera, fa voatendry hanatrika an’io fiofanana io izy, ary tsy vitan’izay fa tsy hampandoavina saram-pianarana. Gaga ilay anabavy ary namaly hoe: “Misaotra anareo nanome ahy an’io tombontsoa io. Tsy nanao fangatahana anefa aho, ary tsy ho afaka handeha ihany koa. Vavolombelon’i Jehovah mantsy aho, ka ny fifandraisanay mianakavy amin’i Jehovah no zava-dehibe indrindra amiko. Tokony hifantoka tanteraka amin’io fiofanana io aho raha mankany. Manana fivoriana dimy tokony hatrehina anefa aho isan-kerinandro, ary tsy tokony hisy havelako hanembantsembana izany. Inona moa no soa ho azoko amin’io fiofanana io, raha toa ka lasa mpidoroka zava-mahadomelina na maditra ny zanako roa lahy rehefa tafaverina aho?”

AZIA SY MOYEN-ORIENT

TANY 47

MPONINA 3 993 686 009

MPITORY 607 112

FAMPIANARANA BAIBOLY 496 577

Israely

Mpisava lalana mpanampy i Ella. Hitany sahirana nitondra harona feno fako ny vehivavy zokiolona iray, ka nampiany ary nitoriany. Nomen’ilay ramatoa azy ny adiresiny, saingy tsy nihaona mihitsy izy ireo, na dia niverina tany foana aza i Ella. Namoha varavarana ihany ilay ramatoa tamin’ny farany. Hay marenindrenina izy, ka izany no tsy nandrenesany an’i Ella taloha, rehefa nandondòna tao am-baravarany. Natomboka ny fampianarana Baiboly. Tsy nino an’Andriamanitra izy taloha, kanefa lasa nihatia an’Andriamanitra sy ny Teniny. Nanolo-tena ho an’i Jehovah izy, roa taona tatỳ aoriana, ary natao batisa vao haingana tamin’izy 92 taona.

Mongolia

Efa niasa an-taonany maro tamin’ny fivarotam-boky i Terbish, vehivavy zokiolona. Nitory taminy i Munkhzaya, anabavy mpisava lalana iray 18 taona. Nilaza i Terbish fa efa namaky boky be dia be izy, ka tonga dia mazava aminy izay boky vakiny, na any amin’ny voalohany izy no manomboka mamaky, na eo amin’ny fisasahany, na any amin’ny farany. Mbola tsy mazava aminy foana anefa ny Baiboly, na dia efa novakiny imbetsaka aza. Tsy nanampy azy koa ny fandehanana miangona. Naleony àry nianatra azy io samirery, ary nasiany fanamarihana ny andinin-teny tsirairay. Ny hevitry ny Hebreo 11:6 no tena tiany ho azo. Nohazavain’i Munkhzaya taminy izy io, ary nasainy hianatra Baiboly sy hivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy. Hoy i Terbish rehefa nandre ny toerana misy ny efitrano: “Ilay trano misy zaridaina tsara tarehy io ve izany? Mijanona kely aho isaky ny mandalo eo. Mba atoroy ahy hoe ny olona mikarakara azy io.” Natoron’i Munkhzaya azy tokoa ilay olona. Mazoto mianatra momba ny Mpamorona izao i Terbish sady tia mandeha mivory. Hoy i Munkhzaya: ‘Efa nitory taminy talohako ireo voninkazo.’

Japon

Marary tongotra i Hiroko, anabavy 78 taona, ka tsy afaka mitory toy ny taloha intsony. Nivavaka tamin’i Jehovah izy, ka nahita hevitra. Mipetraka eo amin’ny toerana iray fiandrasana bisy izy, ary mitory eo mandritra ny antsasa-kadiny. Mitsikitsiky foana izy, ary mitady fomba hanampiana olona. Misy hopitaly eo akaiky eo, ka raha mitondra fanafody ilay olona, dia anontaniany ny fahasalamany. Ampiany izay olona hitany mamaky ny tabilao misy ny ora fandalovan’ny bisy. Raha vahiny ilay olona dia atorony azy izay toerana mahaliana. Henoiny tsara izay olona miresaka aminy ary omeny gazety avy eo. Hitany matetika ny olona sasany, ka afaka manao fiverenana mitsidika izy na dia eo ihany aza.

Myanmar

Mpivarotra sy mpidoroka zava-mahadomelina i Lazaru, sady mpamono olona. Nataony daholo izao zava-dratsy rehetra izao. Rehefa nasehon’ny anabavy mpisava lalana iray taminy anefa ny anaran’Andriamanitra, dia niaiky avy hatrany izy fa nahita ny fahamarinana. Nianatra Baiboly izy ary nanao fandrosoana, saingy niadana be. Tena sarotra taminy ny niala tamin’ny fomba fiainany taloha. Natahotra ireo namany, rehefa nilazany fa tsy hiaraka amin’izy ireo intsony izy. Nahalala tsara ny varotra rongony nataony mantsy i Lazaru. Naniraka olona maromaro ireo namany ireo mba hamono azy, kanefa afa-nandositra izy. Nifindra monina i Lazaru tatỳ aoriana, ary natao batisa izy sy ny vadiny.

Taïwan

Nandalo teo amin’ny toerana iray fialana hetaheta ny mpitory maromaro, ka nahita fa Bokin’i Ezra ny anaran’ilay fivarotana. Nahaliana ny iray tamin’izy ireo ny anton’ilay anarana, ka nanontaniany ny tompon’ilay fivarotana. Namaly ilay lehilahy fa tena tiany ny zotom-pon’i Ezra tamin’ny fivavahana marina. Niangona foana izy nandritra ny taona maro, saingy tsy nankany intsony satria tsy nisy azon’ny vadiny ny zavatra natao tany. Vietnamianina mantsy ny vadiny. Nampanantena ilay mpitory fa hitondra Baiboly vietnamianina ho azy ireo. Faly erỳ izy ireo nahazo an’ilay Baiboly ny harivan’iny, ary nanomboka nianatra izy mianakavy.

Inde

Mahery vaika ny fanoherana ny asa fitoriana ao amin’ny tanàna iray. Nogadraina efatra andro ny anabavy dimy noho izy ireo nitory. Nasiaka be tamin’izy ireo ny vehivavy mpiambina iray tamin’ny voalohany, ary tsy namela azy ireo hitory momba ny fivavahana kristianina. Niova anefa izy, rehefa hitany fa malemy fanahy sy be fitiavana ireo anabavy. Nozarain’izy dimy vavy tamin’ilay mpiambina sy ny voafonja hafa mantsy, ny voankazo sy ny sakafo naterin’ny mpiray finoana ho azy ireo. Ren’ilay mpiambina niresaka hevitra tao amin’ny boky Manatòna An’i Jehovah izy ireo, indray alina, ka nandray anjara tamin’ilay dinidinika izy. Maty ny havan’ilay mpiambina, tamin’ny andro nanafahana azy dimy vavy. Nampaherezin’izy ireo izy ary niresahany momba ny fanantenana fa hitsangana ny maty.

Nanontany ny antony nanagadrana azy ireo, ny vehivavy mpiambina hafa iray, tamin’izy dimy vavy mbola nigadra. Namaly ny iray tamin’izy ireo hoe: ‘Mitaona ny olona hivadi-pinoana, hono, ny asa fitoriana ataonay, ka tsy ara-dalàna.’ Gaga ilay mpiambina ka hoy izy: “Tony be ianareo, kanefa olona migadra. Izaho kosa mora misafoaka ka menatra anareo. Mba ilazao aho rehefa masiaka be ny fomba fiteniko, ary ampianaro hiteny amin-katsaram-panahy. Tsy azoko mihitsy hoe nahoana ny olona tsara toetra toa anareo no gadraina.” Mankao amin’izy dimy vavy izy rehefa malalaka, ka milaza hoe: “Iresaho momba ny Baiboly indray aho, fa tena manampy ahy ho tony izany.” Nitory tamim-pitandremana tamin’ny voafonja hafa koa izy dimy vavy. Liana tamin’ilay hafatra ny vehivavy roa voafonja, izay nigadra noho ny famonoana olona. Mbola mitsidika an’ireny olona ireny izao ireo anabavy ireo, na dia tsy migadra intsony aza.

Indonezia

Mpisava lalana manokana i Resmawati. Avy nanompo izy, indray andro, ary efa nieritreritra ny hody. Nantsoin’ny vehivavy iray ho ao an-tranony anefa izy, ary nasainy niresaka momba ny Baiboly. Nitsidika azy indray ilay anabavy, rehefa afaka telo andro. Nitomany ilay ramatoa sady nitantara fa mahery setra be ny vadiny. Namaky ny Hebreo 4:12 i Resmawati, ary nanazava fa afaka manova olona ny fianarana Baiboly. Notantarainy ny momba an’i Tony, izay voaresaka ao amin’ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2003. Nahaliana an’ilay ramatoa izany, ka nangataka an’ilay kalandrie izy. Nitondran’i Resmawati tokoa izy tamin’ny fitsidihany manaraka, ary nanomboka nianatra tamin’ny boky Ampianarina izy. Naniry hianatra koa ilay rangahy rehefa niverina tany i Resmawati. Namaky ny tantaran’i Tony izy, ary tena nanohina ny fony izany. Nahagaga fa i Tony koa no anaran’ilay rangahy, sady mitovy amin’ny toetran’i Tony tamin’ny mbola tsy nahalala ny fahamarinana ny toetrany. Hoy izy tamin’ny vady aman-janany rehefa nahita an’ilay tantara tao amin’ny kalandrie: “Tsy anarako ve io? Ahoana àry no nahafantaran’ilay mpitory ny anarako sy nanoratany ny momba ahy ato?” Namaly ilay ramatoa hoe: “Tsy mahalala ny anaranao ny Vavolombelona. Ary na fantany aza izany, dia tsy ho natsofony tao anaty kalandrie vetivety teo, sady amin’izay indray kalandrie 2003 fa tsy 2007!” Hitany fa nahaliana ny vadiny ilay izy, ka hoy izy: ‘Te hanahaka an’io Tony io angaha ianao?’ Nahagaga ny valin-tenin’ilay rangahy hoe: “Hiezaka aho ka.” Nanahaka an’i Tony tokoa izy, ka nanova ny fiainany. Notapahiny ny volony lava be, ary nesoriny ny volombavany. Mbola mianatra Baiboly izao izy mianakavy.

Malezia

Mampiasa sary azo avy amin’ny satelita ny rahalahy any Bornéo, rehefa mitory. Hoy izy ireo: “Tena manampy anay hahita ireo trano any anaty ala ireny sary ireny, satria matevina be ny ala ary tsy mora hita ireo lalankely. Rehefa tonga any anefa izahay, vao mahita fa hay tranon’osy ny trano sasany. Toran’ny hehy izahay mieritreritra hoe saika nitory tamin’ny ‘osy’! Tranon’olona kosa ny trano hafa. Sambany izahay vao nitory tao amin’io faritra be tendrombohitra io.”

EOROPA

TANY 47

MPONINA 732 610 687

MPITORY 1 533 790

FAMPIANARANA BAIBOLY 749 911

Hongria

Hoy ny anabavy iray 12 taona: “Sivy volana aho izay no vita batisa, ary telo volana no nanaovako ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Tena manampy ahy i Neny. Maro no manontany ahy hoe ahoana no ahafahako manao izany sady mianatra. Hitako anefa hoe manampy ahy hameno ora ny fankanesana any am-pianarana. Mitory aho isaky ny misy fiatoana kely. Manao dinidinika ara-baiboly tsy tapaka izaho sy ny ankizy anankidimy. Misy ankizy roa hafa koa ampianariko Baiboly. Tsapako mihitsy hoe mitahy ahy i Jehovah. Mahafaly ahy ny asan’ny mpisava lalana, fa tsy mba manahirana ahy izany mihitsy. Mpisava lalana maharitra i Neny, ary te hanahaka azy aho. Te ho lasa mpanompo manontolo andro koa aho.”

Grande-Bretagne

Nanomboka nianatra Baiboly i Susan tamin’ny 2001, ary nianatra foana nandritra ny roa taona teo ho eo. Tena sarotra taminy anefa ny niala tamin’ny sigara. Efa nanandrana imbetsaka izy fa tsy nety. Nijanona tsy nianatra intsony àry izy, fa nivory fotsiny. Tsapany anefa efa-taona tatỳ aoriana, fa tokony hanao fandrosoana izy. Nangataka fanampiana izy, ary niverina nianatra indray. Tena nanampy azy ny fanazavana tao amin’ny boky Manatòna An’i Jehovah. Nampiova ny fiainany ny fandinihana tamin’ny an-tsipiriany ny fitiavan’i Jehovah antsika sy ny fomba azontsika ampisehoana ny fitiavantsika azy. Afaka niala tamin’ny sigara izy tao anatin’ny roa volana. Tsapan’i Susan fa nanampy azy hatoky an’i Jehovah io boky io. Nanao fandrosoana izy, nanolo-tena ho an’i Jehovah, ary natao batisa tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Araho ny Dian’i Kristy!”

Estonia

Nanomboka nianatra Baiboly i Helgi, ankizivavy mpianatra iray 17 taona. Efa nisaraka ny ray aman-dreniny ary tsy miara-mipetraka amin’izy mivady izy. Nanapatapaka fivoriana izy tamin’ny voalohany, satria mpihira tao amin’ny tarika iray. Nanomboka nanova ny fiainany anefa izy rehefa nitombo ny fahalalany. Nohazavainy tamin’ireo namany, fa tsy ho afaka hanao fampisehoana izy amin’ny fotoana misy fivoriana. Nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana izy, ary lasa mpitory tsy vita batisa. Nisy fifaninanan-kira nanerana an’i Estonia, ary nandray anjara tamin’ilay izy i Helgi. Afaka manamboatra raki-kira amin’ny toerana fandraisam-peo malaza izay mandresy. Maro no raraka tamin’ny fifanintsanana, fa i Helgi kosa tafakatra tamin’ny dingana manaraka. Nifanindry tamin’ny fotoana hanaovany sekoly voalohany anefa ilay fihodinana manaraka. Ahoana no hataony? Tsy Vavolombelon’i Jehovah ny reniny, ka nanoro hevitra azy mba tsy hanao an’ilay sekoly, na hanemotra izany amin’ny fotoana hafa. Nilaza anefa i Helgi fa tsy ny fanaovana an’ilay sekoly no olana, fa ny hoe inona no heveriny ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana, ny zavatra ara-panahy sa ny ara-nofo. Nandinika tsara an’ilay toe-javatra izy, ka naleony nanao an’ilay sekoly. Nohajain’ny reniny ny fanapahan-keviny.

Nanangom-baovao tany amin’ny fivoriambe “Araho ny Dian’i Kristy!” ny mpiasan’ny tele iray, tatỳ aoriana. Hitany natao batisa i Helgi ka nalainy sary, ary avy eo nadinadininy. Naseho tamin’ny vaovao nandeha ny harivan’iny, ny sarin’i Helgi tamin’ilay fifaninanan-kira, ary avy eo ny sariny natao batisa. Teo am-pamaranana dia nasehony ny sarin’i Helgi nitsikitsiky be, nilaza hoe: “Iny no fanapahan-kevitra tsara indrindra nataoko teo amin’ny fiainana.”

Boligaria

Migadra ao amin’ny fonjan’i Belene i Ivelin. Nanoratra toy izao tany amin’ny biraon’ny sampan’i Boligaria izy: “Sendra nahita gazety Tilikambo aho tato am-ponja, ary be dia be ny zavatra tiako hanontaniana. Efa nibebaka aho, ary te ho lasa olom-baovao. Misy zavatra tiako hangatahina aminareo, na dia fantatro aza fa mety ho sarotra aminareo ny hanatanteraka azy. Afaka mampianatra ahy an-taratasy ve ianareo mba hahalalako tsara an’i Jehovah Andriamanitra? Tsy haiko raha hovalianareo ity taratasy ity. Efa mahafaly ahy anefa ny zavatra kely fantatro momba an’i Jehovah. Mbola te hianatra bebe kokoa aho, ary tsy izaho ihany fa ny voafonja hafa koa. Tsarovy anefa, fa na dia tsy afaka manoratra ho ahy aza ianareo izao, dia mbola hivoaka ato aho indray andro any, ka ho afaka hihaona aminareo!” Nitsidika an’io olona liana io avy hatrany ireo rahalahy, ary voafonja folo izao no mianatra Baiboly. Anisan’izany i Ivelin.

Portogaly

Hoy i Jana, mpisava lalana manokana: “Nahita sinoa iray aho rehefa nidina ny lamasinina, ary nanapa-kevitra ny hitory taminy. Gaga be izy nahita ahy niteny sinoa. Nilaza tamiko izy fa ho any amin’ny hopitaly, satria hiteraka ny vadiny ary tsy maintsy hodidiana. Tsy mahay miteny portogey izy mivady, ka nasain’ny dokotera nitady mpandika teny. Tsy nahita mihitsy anefa izy, ka niangaviany aho mba hanampy azy ireo. Nasaina nanao akanjona dokotera aho ny ampitson’iny, mba hahafahako hanaraka an’ilay ramatoa any amin’ny efitra fandidiana. Nofihiniko ny tanan’ilay ramatoa nandritra ny fandidiana, ary nametraka fanontaniana maro momba ny Baiboly sy ny asantsika izy. Teraka vavikely mahafatifaty izy! Tena nankasitraka ny zavatra nataoko ilay ramatoa, ka izaho no nasainy nanome anarana an’ilay zaza. Nieritreritra kely aho, ary nataoko hoe Sarah ny anarany. Tian’ilay ramatoa ilay anarana, ka niriny ho fantatra ilay Saraha voaresaka ao amin’ny Baiboly sy ny Andriamanitra nivavahany. Nanasa azy ireo hianatra Baiboly aho, rehefa nivoaka ny hopitaly ilay ramatoa. Tsy nandray Vavolombelona izy mivady taloha, kanefa niova izy ireo noho ny fanampiako azy. Nanaiky hianatra avy hatrany izy ireo, ary efa manatrika fivoriana.”

Slovakia

Nahita tovolahy roa avy any Afghanistan ny mpivady mpisava lalana manokana iray, indray andro. Nandalo kely tao Slovakia izy roa lahy, kanefa naniry hianatra Baiboly. Nihaona tamin’izy ireo imbetsaka izy mivady, ary nanome azy Baiboly sy boky Ampianarina. Natoron’izy mivady azy ireo koa ny fomba fianarana an’ilay boky, mba hahafahany hampiana-tena sy hampianatra ny hafa.

OSEANIA

TANY 30

MPONINA 36 829 259

MPITORY 96 691

FAMPIANARANA BAIBOLY 51 122

Nouvelle-Zélande

Nitory isan-trano ny rahalahy iray atao hoe Paul, indray tolakandro. Nandray bokikely ny vehivavy iray, ary nilaza fa nampirisika azy hitady ny fahamarinana ny havany. Nivavaka tamin’i Jehovah izy ny marainan’io mba hisy olona hitsidika azy. Hoy i Paul: ‘Tonga tao aminy aho, adiny telo taorian’ny nivavahany. Tratrako tao izy, na dia tamin’ny fotoana tsy ahitana azy ao an-trano aza aho no tonga tany.’ Nanaiky hianatra Baiboly avy hatrany izy, ary mandroso tsara.

Aostralia

Ny sampan’i Aostralia no miandraikitra ny asa fitoriana any Timaoro Atsinanana. Any amin’io nosy io no mipetraka i Armando sy Elvira, mpivady tanora. Nanafika ny tanànan’izy ireo foana ny foko iray, tamin’ny 2006, ka tsy maintsy nandositra tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana izy mivady. Zavatra roa monja no nentin’izy ireo: Ny Baibolin’i Armando sy ny bokikely Takina. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah indray izy ireo tatỳ aoriana, ary nianatra indroa isan-kerinandro sy nanatrika fivoriana. Mipetraka any amin’ny tanàna kely miala adiny efatra sy sasany avy ao Dili ny havan’i Armando, kanefa nankany izy mba hitory tamin’izy ireo. Nanjary liana tamin’ny fahamarinana koa ireo havany ireo, ka nangataka mpisava lalana avy ao Baucau i Armando mba hanampy azy. Nila nandeha adiny iray sy sasany ireo mpisava lalana ireo vao tonga tany. Olona 20 mahery no niandry azy ireo. Nisolo tena azy rehetra ny dadan’i Armando. Nilaza izy fa vonona hanary ny sary masina rehetra ananany izy ireo, kanefa manahy sao tsy ho voaro amin’ny fanahy ratsy. Nanome toky azy ireo anefa ireo mpisava lalana fa tena hiaro tokoa i Jehovah. Narian’izy ireo daholo ny sary masiny. Olona 25 mahery izao no mianatra Baiboly ao amin’io tanàna io. Maniry hatao batisa tsy ho ela i Armando, ary mandroso tsara i Elvira.

Guam

Ny sampan’i Guam no miandraikitra ny asa fitoriana any Saipan. Faly ny anabavy iray mipetraka ao amin’io nosy io, rehefa nahalala fa namaky mangingina an’ireo boky sy gazety napetrapetrany tao an-trano ny vadiny. Nanohitra azy ilay rangahy, kanefa namaky Diary sy boky Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, ankoatra Ny Tilikambo sy Mifohaza! Nantsoin’ilay rangahy ny vadiny sy ny zanany dimy mianadahy, indray andro, fa hisy “fivoriam-pianakaviana lehibe hatao”, hono. Sambasamba izany! Hay te hanome torohevitra momba ny fanambadiana an’ireo zanany telo vavy izy. Nataony lisitra tamin’ny taratasy lehibe ny toetran’ny olona tsara hovadina. Tena nampiaiky volana azy mantsy ny tantaram-piainan’i Sheila Winfield, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2006. Nataon’i Sheila lisitra ny fepetra tadiaviny amin’ny olona tiany ho vady, ka mba nanao toy izany ho an’ny zanany vavy koa ilay rangahy. Nampirisihiny izy telo vavy mba tsy hanambady afa-tsy Vavolombelon’i Jehovah, sy olona tia an’i Jehovah, ary olona mahay Baiboly kokoa noho izy ireo. Iriny ho sambatra toa an’i Sheila ny zanany vavy. Tena nanohina ny fon’izy ireo izany zavatra nataon-drainy izany. Manantena izy ireo fa mety hanompo an’i Jehovah miaraka aminy ihany ny rainy, indray andro any.

Samoa

Voatendry hanompo tany Samoa ny mpivady iray, vao haingana. Nitory ilay rahalahy rehefa tonga tany, ary nametraka boky Ampianarina tao amin’ny trano voalohany nitoriany. Vehivavy efa misotro ronono no tao. Gaga ilay rahalahy fa nasainy nandroso tao an-trano, sady hoy izy: “Dimy amby efapolo minitra ihany aho no afaka miresaka aminao.” Mbola tsy nisy olona niteny taminy toy izany hatramin’izay. Tonga dia natomboka ny fampianarana. Rehefa niverina tany ilay rahalahy sy ny vadiny ny herinandro nanaraka, dia nampandroso azy ireo ilay ramatoa ary efa teny an-tanany ny Baiboly sy ny boky Ampianarina. Antenaina fa hitohy ilay fianarana.

Nosy Salomon

Mpisava lalana maharitra i Emily, ary izy ihany no Vavolombelona ao amin’ny tanàna iray ao amin’ny nosy San Cristóbal. Mahatratra 20 ny fampianarana Baiboly tarihiny, ary efa mpitory ny telo amin’izy ireo, anisan’izany ny ray aman-dreniny. Naka vakansy i Lance sy Diane, mpanompo iraisam-pirenena, ary nandeha sambokely mpitondra entana nandritra ny adiny 14, mba hanampy an’i Emily amin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Hoy i Lance: “Reraka be izahay nony tonga ka te hatory. Nihevitra anefa izahay hoe tsara kokoa raha mitsidika ny sefom-pokontany aloha. Nohazavainay taminy ny anton-dianay, ka hoy izy: ‘Betsaka ny olona mbola tsy nahazo an’ity fanasana ity. Mahazo manatrika koa ve izy ireo?’ Nitsiky izahay sady nanome toky azy fa horaisina an-tanan-droa izay rehetra tonga.”

“Rehefa hanomboka ilay fankalazana, dia vehivavy roa sy ankizy vitsivitsy ihany no tonga. Voamarikay fa nisy olona maro nijorojoro teo am-bodihazo, ka nampandrosoinay haingana. Nalefanay ny gropy rehefa maizina ny andro, ary narehitray ny jiro. Nanaraka tsara an’ilay lahateny ny rehetra.” Olona 130 teo ho eo no nanatrika, anisan’izany ny pasiteran’ny Advantista iray. Nangataka Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao izy, satria mazava kokoa noho ny Baiboliny izy io. Olona dimy no nanomboka nianatra Baiboly, tamin’io andro io.

Papouasie-Nouvelle-Guinée

Misy tanàna kely roa sarotra itoriana any, satria matanjaka be ny Fivavahana Katolika ao. Nitsidika ny mpiasan’ny fokontany tao ireo rahalahy, vao haingana, ary nanazava ny asa fitoriana ataontsika, sy ny antony iresahantsika amin’ny olona rehetra. Hay vao nisy fivoriana tao amin’ilay tanàna iray, ary nodinihina tamin’izany ny fomba anampiana ny tanora ho tsara fitondran-tena. Nilaza tamin’izy ireo àry ireo rahalahy fa afaka manampy ny tanora ny fahalalana ao amin’ny Baiboly.

Navela hitory ireo rahalahy, ka tovolahy maromaro no nanomboka nianatra. Voamariky ny olona tao an-tanàna fa niova be ireo tovolahy ireo, rehefa niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nanohitra ny asantsika intsony izy ireo, noho izany. Nanomboka nianatra koa ny naman’ireo tovolahy ireo sy ny ray aman-dreniny. Nianatra Baiboly koa ny zanakavavin’ny katekista iray, izay tena nasiaka tamin’ireo rahalahy, taloha. Hoy izy tamin’ilay zanany: “Tena tsy nety ny nataoko taloha. Manantena aho fa hamela ahy Andriamanitra sy ny Vavolombelon’i Jehovah.” Mivory tsy tapaka izao ny olona 27 ao amin’ireo tanàna roa ireo. Olona efatra, fara fahakeliny, no efa vita batisa. Mpisava lalana mpanampy izy ireo, sady efa mieritreritra hanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra.

[Sarintany/​Sary, pejy 48]

(Jereo ny boky)

[Sary]

Tilikambo fanilon-tsambo any cap Horn

[Sarintany, pejy 63]

(Jereo ny boky)

San Cristóbal

[Sary, pejy 44]

Fianarana “Ny Tilikambo Fiambenana” any Antanandava, Madagasikara

[Sary, pejy 46]

Mianatra ny boky “Ampianarina” any Pawaga, Tanzania

[Sary, pejy 49]

Fianarana Boky any Sixaola, Costa Rica

[Sary, pejy 50]

Ramiro mitazona boky “Ampianarina”

[Sary, pejy 53]

Hiroko, mitory eo amin’ny fiandrasana bisy

[Sary, pejy 58]

Helgi (eo ankavanana) manao sekoly

[Sary, pejy 64]

Lance sy Diane ary Emily