Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany—Tatitra Maneran-tany 2007

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany—Tatitra Maneran-tany 2007

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany—Tatitra Maneran-tany 2007

TSY tantara tsotra fotsiny no ho hitanao ato, fa tantaran’ireo mpitory eran-tany, izay naneho fitiavana sy fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra. Misy lehilahy amin’izy ireo, misy vehivavy, ary ao koa ny ankizy. Ho hitanao fa nanao sorona ireo rahalahy sy anabavintsika, mba hitoriana ny vaovao tsara “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” Niezaka mafy izy ireo sady nampiasa ny fananany. (Asa. 1:8) Sarobidy amin’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany ireny sorona ireny, na betsaka na kely. (Sal. 50:14; Lioka 21:1-4) Mampahatsiahy antsika koa ny tatitra isan-taona fa tsy ho vitantsika ny asa famonjena aina ataontsika, raha tsy eo ny “hery omen’Andriamanitra.” (1 Pet. 4:11) Enga anie ianao ka “hahazo hery mandrakariva ao amin’ny Tompo sy ao amin’ny tanjaky ny heriny”, eo am-pandinihana ny tatitra sy ny tantara ato.—Efes. 6:10.

Tatitra Maneran-tany 2007

Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah: 113

Tany Nanao Tatitra: 236

Tontalin’isan’ny Fiangonana: 101 376

Mpanatrika ny Fahatsiarovana Naneran-tany: 17 672 443

Isan’ny Nandray Mofo sy Divay Tamin’ny Fahatsiarovana: 9 105

Tampon’isan’ny Mpitory Ilay Fanjakana: 6 957 854

Salanisan’ny Mpitory Isam-bolana: 6 691 790

Fitomboana Isan-jato Oharina Amin’ny Tamin’ny 2006: 3,1

Tontalin’isan’ny Natao Batisa: 298 304

Salanisan’ny Mpisava Lalana Mpanampy Isam-bolana: 312 741

Salanisan’ny Mpisava Lalana Maharitra sy Manokana: 678 638

Tontalin’ny Ora Lany Teny Amin’ny Saha: 1 431 761 554

Salanisan’ny Fampianarana Baiboly Isam-bolana: 6 561 426

Nandritra ny taom-panompoana 2007, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nandany 121 tapitrisa dolara mahery, nikarakarana an’ireo mpisava lalana manokana sy misionera, ary mpiandraikitra mpitety faritany teo amin’ny fanompoana nanendrena azy ireo avy.

◼ Misy 19 581 no miasa any amin’ireo biraon’ny sampana. Anisan’ny Vondron’ny Mpanompo Manontolo Andro Manokana Eran-tany, izy rehetra.

[Tabilao, pejy 32-39]

TATITRA MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PANOMPOANA 2007

(Jereo ny boky)

[Sarintany, pejy 40-42]

(Jereo ny boky)