Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra,

Niezaka foana ny apostoly Paoly nankasitraka an’ireo Kristianina namany, sy nilaza fa tiany izy ireo. Hoy izy tamin’ireo Kristianina tany Roma: ‘Misaotra an’Andriamanitro amin’ny alalan’i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria re laza eran’izao tontolo izao ny finoanareo.’ (Rom. 1:8) Fantatra nanerana ny Fanjakana Romanina tokoa fa tena nanam-pinoana sy nazoto nitory izy ireo. (1 Tes. 1:8) Tsy mahagaga raha tena tian’i Paoly ireo rahalahiny ireo!

Toa an’i Paoly dia misaotra an’i Jehovah foana koa izahay, isaky ny mahatsiaro anareo. Tena tianay daholo ianareo! Ary matokia fa tian’i Jehovah koa ianao io. Miatrika fanoherana mafy ny sasany aminareo, nefa mbola mitory foana. Tena mampifaly ny fon’i Jehovah ianareo, satria be herim-po sy tsy matahotra!—Ohab. 27:11.

Hahafinaritra anao sy hanatanjaka ny finoanao ity Diary ity. Vakio tsara sy saintsaino ilay hoe “Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny.” Ho hitanao miharihary fa “nivoaka handresy” tokoa i Jesosy Kristy Tompo, ary “hamita ny fandreseny.” Ho hitanao koa fa tsy hisy hambinina ny fiadiana rehetra hamelezana ny mpanara-dia azy.—Apok. 6:2; Isaia 54:17.

Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tany Filipy: “Misaotra an’Andriamanitro ... aho noho ny fandraisanareo anjara hampandroso ny vaovao tsara.” (Fil. 1:3-5) Izany koa no tsapanay Filan-kevi-pitantanana aminareo. Nanokana 1 431 761 554 ora ireo mpitory 6 691 790, mba hampielezana ny vaovao tsara tany amin’ny tany 236, nandritra ny taom-panompoana 2007. Nandray anjara be tamin’ny fitoriana tokoa àry ianareo! Fiainan’olona ana hetsiny no nihatsara, noho ny ezaka nataontsika rehetra. Tena mitondra fiderana ho an’i Jehovah izany!

Tena nahatsapa an’izay nanjo ny rahalahiny koa i Paoly. Hoy izy tamin’ireo Kristianina tany Tesalonika: “Tadidinay foana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika ... ny fiaretanareo vokatry ny fanantenanareo an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (1 Tes. 1:2, 3) Tsy maintsy misy zava-manahirana foana ny fiainana, fa isika no mila miaritra. Inona izao no zava-tsarotra atrehinao? Kivy ve ianao satria marary mafy, ka tsy mahavita betsaka eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah? Sa ve ny vady malalanao nindaosin’ny fahafatesana, izay fahavalo tsy mety voky? (Ohab. 30:15, 16) Toa tsy mety mahita vady tia an’i Jehovah ve ianao, nefa koa tsy mivadika mihitsy raha misy mitaona anao tsy hanambady ao amin’ny Tompo? (1 Kor. 7:39) Miezaka mafy ve ianao mba hitaizana tsara ny zanakao, na dia tena sarotra aza ny fiainana? Na inona na inona mahazo anao, dia matokia fa ‘tsy hanadino izay ataonao, sy ny fitiavana asehonao ho an’ny anarany’ i Jehovah, raha mbola ataonao loha laharana foana ilay Fanjakana. Aza ‘malaky kivy’ mihitsy, ry rahalahy sy anabavy, “rehefa manao ny tsara”!—Heb. 6:10; Gal. 6:9.

Inona no hanampy anao hiaritra? Ny ‘fanantenana an’i Jesosy Kristy Tompo’, toy ny nananan’ireo Tesalonianina. Izany no nahatonga an’i Paoly hampitaha “ny fanantenana famonjena” amin’ny fiarovan-doha mafy. Miaro ny Kristianina izy io mba tsy hieritreritra zavatra mahakivy, sy tsy hitebiteby.—1 Tes. 5:8.

Aoka àry ianao hiaritra, sady hiezaka ho faly foana. Hamaly ny fiampangan’i Satana ianao amin’izay. Lazainy fa fitiavan-tena mantsy no anompoantsika an’Andriamanitra. Hihena, hono, ny fanompoantsika raha mihamafy ny fitsapana atrehintsika, na raha maharitra kokoa noho ny noeritreretintsika ity tontolo ity. Anjaranao àry ny manaporofo hoe mpandainga mahatsiravina ny Devoly! Kely sisa dia ho azonao ilay valisoa andrasanao. Mihakaiky isan’andro izany.

Niezaka nidera an’ireo rahalahiny foana i Paoly, isaky ny afaka nanao izany. Noderainy, ohatra, izy ireo satria nanana finoana matanjaka, nazoto nitory, ary niaritra. Tianay koa àry ny hidera anareo amin’ny alalan’ity taratasy ity, sy hanome toky fa tena tianay ianareo. Tohizo hatrany ny asa tsara ataonareo!

Enga anie hahazo fitahiana be dia be isika amin’ity taona ity. Mirary soa ho anareo izahay.

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah