Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

HITA amin’ny zava-nitranga tamin’ny taon-dasa fa kely sisa dia hifarana ny “andro farany”, dia ilay lazain’ny Baiboly hoe “fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” (2 Tim. 3:1) Na mihasarotra aza anefa ny fiainana, dia vao mainka miharihary ny fitahian’i Jehovah ny mpanompony mahatoky. Mety hiharan-doza ny Vavolombelon’i Jehovah, na hiharan’ny herisetra, marary, kivy be, mandroso taona, misy manohitra, na tsy tian’ny olona. Omen’i Jehovah hery anefa izy ireo, ka manohy ‘mihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka eo anoloany.’—Heb. 12:1.

“HO RINGANA TSY HO ELA NY FIVAVAHAN-DISO!”

Nampitombo ny asa fitoriany ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany tamin’ny Oktobra sy Novambra 2006, rehefa nizara an’ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37 hoe “Ho Ringana Tsy ho Ela ny Fivavahan-diso!” Ahoana no nandraisan’ny olona ny hafatra mafonja tao anatin’izy io?

“Tena mitombina ny zavatra resahin’izy io!”, hoy ny lehilahy iray any Soeda, izay sorena noho ny fihatsarambelatsihin’ny fivavahan-diso. Nianatra Baiboly izy noho io taratasy mivalona io. Maro koa ny olona nanao toy izany.

Népal

Nomen’i Dil Vaovao Momba Ilay Fanjakana ny lehilahy iray any Katmandou. Mamo lava izy na dia nazoto niangona aza, ka nandao azy ny vadiny, roa volana talohan’izay. Nitsidika azy i Dil sy Buddha vadiny, tatỳ aoriana, mba hanazava an’ilay taratasy mivalona. Nilaza ilay lehilahy fa tsy tiany ny toetran’ny mpiangona sasany. Samy hafa be koa ny zavatra reny any am-piangonana sy ny zavatra lazain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nasehon’ny Rahalahy Buddha azy ny Apokalypsy 18:2-4 ary nohazavainy fa tena ilaina ny miala amin’ny “Babylona Lehibe.” Natomboka ny fianarana Baiboly, tamin’ny fitsidihana fahatelo, ary ny lesona faha-13 tamin’ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? no nianarana. Nihaona tamin’ny vadin’ilay rangahy izy ireo tamin’ny fitsidihana fahadimy, satria efa nody ilay ramatoa. Efa nahalala momba ny Vavolombelona izy, ary tiany ny hafatra torintsika. Niara-nianatra izy mivady tamin’ny fitsidihana fahafito. Nilaza ilay ramatoa hoe: “Tsy misotro toaka intsony izao ny vadiko.”

Brezila

Nahazo Vaovao Momba Ilay Fanjakana ny lehilahy iray mpitondra taxi-môtô. Napetany tao andamosin’ny akanjony ilay izy nandritra ny andro vitsivitsy, mba ho hitan’ny olona entiny.

Saika hitory tao amin’ny trano iray ny anabavy roa, indray andro, kanjo nahita soratra hoe “Afaka miditra ianao kanefa tsy ho tafavoaka velona ato.” Natahotra izy ireo ka nanontany ny hevitr’ireo rahalahy roa nitory teo akaiky teo. Nivavaka izy mirahalahy, ary avy eo nanatona an’ilay trano. Nitehaka izy ireo satria izany no fomba any rehefa mitady olona. Hay polisy no nipetraka tao, ary noraisiny tsara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana nomena azy. Nilaza izy fa amboarina ny tranony, ary be fitaovana mipetrapetraka ao ambadik’ilay trano, ka izany no nanaovany an’ilay soratra mba hampitahorana ny mpangalatra. Nanaiky hianatra Baiboly izy, rehefa niverina ireo rahalahy.

Mongolia

Efa imbetsaka i Tsetsegmaa no nitory tamin’ny zokiny vavy. Efa nanatrika fivoriana ihany izy tao anatin’ny roa taona ary nanatrika ny Fahatsiarovana, kanefa tsy tena liana sady tsy nety nianatra Baiboly. Niova anefa izy rehefa nahita ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37, tao an-tranon’i Tsetsegmaa. Nametraka fanontaniana maro be izy, ary nampiasa Baiboly i Tsetsegmaa mba hamaliana izany. Naharitra adiny roa ny resak’izy mirahavavy. Nahagaga azy ny zavatra reny ka naniry hianatra Baiboly bebe kokoa izy. Mianatra tsy tapaka izy izao.

Géorgie

Nomena Vaovao Momba Ilay Fanjakana ny vehivavy iray, ary nanontany raha momba ny fivavahana ilay izy. Noraisiny ilay izy, ary nilaza izy fa hamaky azy io. Nanontaniany ireo anabavy rehefa niverina tany, raha nampianatra azy zavatra diso ny Eglizy Ortodoksa. Mampanahy azy koa ny toe-draharaha maneran-tany sy ny fitondran-tenan’ny tanora. Nilaza izy fa tsy mitovy tadin-dokanga izy sy ny zanany ka tsy afaka mifandray tsara. Novakin’ireo anabavy taminy ny 2 Timoty 3:1-5, ary nandray boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? izy. Hoy izy avy eo: “Resy lahatra aho fa ny fivavahanareo no fivavahana marina. Tena midera ny tanoranareo aho, satria manao fitafiana maotina izy ireo, manao ny marina, ary tsara fitondran-tena.” Mamaky ny gazetintsika tsy tapaka izao io vehivavy io.

Bangladesy

Nizara Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37 tany amin’ny faritany mbola tsy nitoriana mihitsy i Richel, 19 taona. Lavitra ilay toerana, kanefa nihevitra izy fa tokony handeha noho ilay ezaka manokana. Nahita ankizivavy roa izy tao amin’ny trano faharoa nitoriany. Vao maty roa volana ny rain’izy ireo, ka nanontaniany i Richel hoe: “Nahoana izany no avelan’Andriamanitra hitranga aminay?” Nampiasa Baiboly i Richel mba hamaliana izany. Faly izy ireo, ka nandray an’ilay taratasy mivalona sady nilaza hoe: “Andriamanitra mihitsy no naniraka anao.” Hitan’i Richel fa tena nila nianatra momba an’Andriamanitra izy ireo, ka nasainy hianatra Baiboly. Mazoto mianatra izy ireo ary tia mametraka fanontaniana, ka tsy maintsy manao fikarohana be dia be i Richel. Faly anefa izy fa afaka manampy an’ireo mangetaheta ny fahamarinana.

Armenia

Nitelefaonina an’i Eliza, mpisava lalana maharitra, i Lilit, vehivavy nampianariny Baiboly taloha. Hoy izy: “Amboary ny fandaharam-potoananao rahampitso. Tsy maintsy mankatỳ amiko mantsy ianao, fa hianatra indray aho.” Fa inona no nitranga? Tamin’izy nianatra Baiboly taloha, dia nandrahona an’i Lilit ny vadiny hoe: “Izay iray tianao, na izaho na i Jehovah.” Nijanona tsy nianatra intsony izy noho izany. Nahazo Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37 i Lilit, roa taona tatỳ aoriana, rehefa nitondra ny zanany nitsangantsangana. Te hianatra indray izy rehefa namaky azy io, ka sahy nilaza tamin’ny vadiny hoe: “Aminao angamba ampy ny hoe salama tsara sy velona mandritra ny 50 taona, ary avy eo maty. Izaho kosa tsy mba toy izany.” Nilaza tamin’ny vadiny izy fa hanampy azy hiala amin’ny toetra ratsiny ny fianarany Baiboly. Tsy nanohitra azy intsony àry ny vadiny. Mianatra Baiboly izao i Lilit, ary ny vadiny no mitaiza ny zanany rehefa mianatra izy.

Kambôdza

Nitory tamin’ny Miozolimanina iray i Hugues, rahalahy misionera. Niaiky ilay lehilahy teo am-pamakiana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana, fa tsy tokony handray anjara amin’ny ady ny fivavahana. Nandiso fanantenana azy koa ny fivavahany satria lasa nalaza ratsy, noho ny nataon’ireo Silamo mahery fihetsika. Novakin’i Hugues taminy àry ny Salamo 46:9, ary nohazavainy fa mampanantena hanafoana ny ady Andriamanitra. Nitondran’i Hugues boky Ampianarina izy ny herinandro nanaraka. Tena manaja ny Baiboly izao io lehilahy io, ary mianatra Baiboly tsy tapaka.

Rosia

Nandray Vaovao Momba Ilay Fanjakana ny pretra ortodoksa iray. Hoy izy tamin’ireo mpitory: “Fantatro fa ny fivavahanareo no marina, ary horinganin’i Jehovah Andriamanitrareo daholo ny fivavahan-diso. Ny anareo kosa tsy mba horinganiny.” Nilaza izay fantany momba ny fanantenana ho any an-danitra sy ny paradisa eto an-tany izy avy eo. Nanontany àry ireo anabavy hoe: ‘Nahoana ianao no mbola mijanona ao amin’io fivavahana io, raha efa fantatrao fa horinganina izy io?’ Hoy izy: “Io anie anaka no asako e! Manana trano telo sy fiara efatra aho, ary tsy vitako ny hamoy an’ireo.”

EZAKA MANOKANA NIZARANA FANASANA

Nankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo ny Vavolombelon’i Jehovah naneran-tany, ny alatsinainy 2 Aprily 2007. Nidera ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra izy ireo tamin’izany. Nisy fanasana manokana nozaraina maneran-tany talohan’izay, nanomboka ny 17 Martsa ka hatramin’ny 2 Aprily. Maro ny ankizy sy ny mpianatra Baiboly nanomboka nitory tamin’io fotoana io.

Etazonia

Naharay antso an-telefaonina tsy an-kiato, nandritra ny adiny roa teo ho eo, ny tao amin’ny foibe any Brooklyn (New York), tamin’ny harivan’ny Fahatsiarovana. Olona nahazo fanasana ny ankamaroan’ireo niantso. Maro no nanontany ny toerana azony anatrehana ny Fahatsiarovana. Hoy ny vehivavy iray: “Vao tonga ato an-trano aho izao, ary nahita an’ilay fanasana amin’ny fankalazana hataonareo androany hariva. Te handeha aho nefa tsy fantatro hoe amin’ny firy ilay izy no manomboka.”

Nanome fanasana ny mpampianatra azy i Jacquelin, anabavy 16 taona, ary nohazavainy fa zava-dehibe io fankalazana io. Gaga izy fa tonga tokoa ilay madama! Natao tao amin’ny Efitrano Fivoriambe ilay fankalazana, ka nentin’i Jacquelin nitsidika an’ilay toerana izy rehefa vita ny fandaharana. Gaga be ilay madama rehefa nahita fa tena madio sy milamina ilay toerana. Gaga koa izy rehefa nahalala fa mpiasa an-tsitrapo no nanorina an’ilay trano sy mikojakoja azy io. Nilaza izy avy eo fa tena tiany ilay lahateny, ary nanontany izy hoe: “Inona no tokony hataoko raha te hianatra Baiboly aho araka ilay nampirisihan’ny mpandahateny teo?” Faly erỳ i Jacquelin nilaza hoe: “Afaka manampy anao aho ka!” Nianatra Baiboly àry ilay madama isaky ny alatsinainy aorian’ny firavana.

Afrika Atsimo

Nisy mpitory sivy tao amin’ny fiangonana iray any amin’ny toerana mitokana. Nanafatra fanasana 500 tany amin’ny sampana izy ireo, kanefa iray ihany no voarainy. Fantatr’izy ireo tatỳ aoriana, fa nalefan’ny sampana daholo ireo fanasana ireo, saingy niendaka ny adiresy teo amin’ilay baoritra nisy azy, ka tsy fantatry ny mpiasan’ny paositra ny tompony. Nosokafan’ireo mpiasa ilay baoritra mba hahafantarana ny tompon’ilay entana na ny mpandefa azy. Hitan’izy ireo fa fanasana no tao ary fantany fa zavatra tokony hozaraina izany, ka nasiany fanasana iray avy ny boaty paostaly rehetra tao amin’ny paositra. Ny mpiasan’ny paositra ihany no nizara ny fanasana rehetra. Taitra ireo rahalahy rehefa nahita fa fanasana iray monja no voarainy. Rehefa tonga anefa ny Fahatsiarovana, dia nisy 42 ny mpanatrika, ka faly erỳ izy sivy mianadahy. Maro no nitondra fanasana, dia ilay natsofoky ny mpiasan’ny paositra tao anaty boaty paostaliny.

Italia

Nomen’i Patrizia fanasana ho amin’ny Fahatsiarovana i Gabriella, olona ampianariny Baiboly. Nohazavainy taminy fa tena zava-dehibe ny hanatrehana azy io. Nihaino tsara an’ilay resaka i Mattia, zanak’i Gabriella vao dimy taona, ary nangataka fanasana izy mba homeny ny mpampianatra azy. Nomeny an’ilay madama tokoa ilay fanasana ny ampitson’iny. Nohazavainy fa tena zava-dehibe ilay fankalazana ka tena tiany ho tonga any ilay madama. Nisy fivorian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, andro vitsivitsy taorian’izay. Nilaza tamin’i Gabriella ilay madama fa tena nampiaiky azy ny finoana nananan’i Mattia, ka tapa-kevitra izy fa hanatrika ny Fahatsiarovana miaraka amin’izy mianaka. Nihaino tsara an’ilay lahateny izy, nony tonga tany, ary gaga rehefa nahita fa hendry tsara daholo ny ankizy. Tsapany fa marina tokoa ilay tenin’i Mattia hoe tena zava-dehibe ilay fankalazana. Nomen’i Mattia an’ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly ilay madama, mba homeny ny zanany lahikely. Nitsidika an’ilay madama i Patrizia sy Gabriella, mba hanao dinidinika ara-baiboly.

Meksika

Nitory tamin’ny pasitera presbyterianina ny anti-panahy iray, ary nanasa azy hanatrika ny Fahatsiarovana. Nanaiky ilay pasitera, ary gaga ilay anti-panahy fa mbola nangataka fanasana fanampiny izy mba homeny ny mpiangona ao aminy. Faly ireo rahalahy ny harivan’ny Fahatsiarovana rehefa nahita an’ilay pasitera, tonga niaraka tamin’ny olona 40. Nitondra ny fanasana nomena azy izy ireo mba haseho teo am-baravarana. Nilaza ilay pasitera fa mbola maro no naniry ho tonga, saingy nihevitra izy ireo fa tsy avela hiditra raha tsy manana fanasana. Faly ireo mpitory 11 tao amin’io fiangonana io, rehefa nahita fa nisy 191 ny mpanatrika.

Aostralia

Miasa ao amin’ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena ny tovolahy iray, ary noresahiny tamin’ny olona tao ny zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly. Nanaiky hanatrika ny Fahatsiarovana, ny vehivavy iray nomeny fanasana. Nilaza ilay vehivavy fa nandre olona nihira tao amin’ny Efitrano Fanjakana izy tamin’ny mbola kely, satria teo akaikin’ny tranony izy io. Nandeha nivory tao izy, na dia tsy navelan’ny ray aman-dreniny aza. Nifindra trano anefa ry zareo tatỳ aoriana, ka tsy nahita Vavolombelona intsony izy. Rehefa tonga tany amin’ilay Fahatsiarovana nanasana azy izy, dia nampifankahalalaina tamin’ny anabavy iray ary nanomboka nianatra Baiboly. Nanomboka nanatrika fivoriana izy, ary liana tamin’ny fahamarinana koa ny vadiny. Ilay tovolahy nanome fanasana azy kosa lasa mpitory, ary efa maniry hatao batisa.

Kazakhstan

Nilaza ny vehivavy iray fa tsy ho afaka hanatrika ny Fahatsiarovana izy, satria mbola kely daholo ny zanany. Rehefa tonga anefa ny andron’ny Fahatsiarovana, dia niakanjo irery ny zanany vavy dimy taona, ary nandeha irery nankany amin’ny Efitrano Fanjakana. Taitra ilay ramatoa rehefa tsy hitany ilay zaza, ka lasa nitady azy haingana izy. Tonga tao an-tsainy hoe nety ho lasa nanatrika ny Fahatsiarovana ilay zaza, ka notadiaviny tany amin’ny efitrano. Hitany tany tokoa ilay zaza! Efa tonga tany ihany ilay ramatoa, ka nanapa-kevitra ny hipetraka teo akaikin’ilay zanany, ary nihaino tsara an’ilay lahateny.

ATAO MAFY ORINA ARAKA NY LALÀNA NY VAOVAO TSARA

Frantsa

Efa hatramin’ny 1996 ny mpitondra sasany tany Frantsa, no nilaza fa tokony hangalana hetra ny Betelita tsirairay any Louviers, noho izy ireo mahazo vola fanampiana isam-bolana. Namoaka didy anefa ny Fitsarana Momba ny Raharaham-panjakana ao Paris, tamin’ny 28 Martsa 2007, fa tsy itakiana hetra ny Betelita satria tsy mikarama. Nilaza ilay fitsarana fa ‘antony ara-pivavahana no mahatonga an’ireo Betelita hiasa sy hipetraka ao Louviers.’ Nantitranteriny tamin’ilay didy navoakany fa asa ara-pivavahana no ataon’ny Betelita. Mitovy amin’ny didy navoakan’ny fitsarana ambony tany Brezila izany.

Tsy navelan’ny mpitondra tao Lyon hofana mba hankalazana ny Fahatsiarovana, ny Lapan’ny Tanàna. Namoaka didy anefa ny fitsarana momba ny raharaham-panjakana, tamin’ny 15 Martsa 2007, fa tokony havela hanofa an’ilay toerana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitory tany amin’ny Filan-kevi-pitondrana ny mpitondra tao Lyon, kanefa nanohana ny fanapahan-kevitra noraisin’ilay fitsarana izy io. Nilaza ilay filan-kevitra fa nandika lalàna izy ireo, satria “nanitsakitsaka” ny zo ananan’ny olona rehetra, “dia ny fahafahana mivory amin-kalalahana, izay anisan’ny fahalalahana fototra.” Nasain’ilay filan-kevitra hanonitra ny vola lanin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny fitsarana, ny mpitondra tao Lyon.

Mbola iharam-panenjehana foana ny Vavolombelona any Frantsa, na dia nahazo rariny aza izy ireo tao Lyon. Manenjika azy ireo na ny fampitam-baovao, na ny mpitondra. Nadinadinin’ny mpanao gazety ny vehivavy iray anisan’ny solombavambahoaka frantsay taloha, tamin’ny 2005. Nilaza izy fa “toy ny fomba andaminana ny fikambanan’ny andian-jiolahy atao hoe mafia” ny fomba andaminana ny Vavolombelon’i Jehovah, ary “mihamahazo vahana hatraiza hatraiza” izy ireo. Nampakarin’ireo rahalahy tany amin’ny fitsarana io fanendrikendrehana io. Nanome rariny an’ireo Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Ambony tao Rouen, tamin’ny Jolay 2007, ary nilaza fa “tafahoatra loatra ilay fanaratsiana, ka tsy rariny mihitsy.” Ny fitondrana frantsay kosa mbola mitaky foana ny handoavan’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah hetra na dia tsy rariny aza izany. Efa mandinika an’ilay raharaha izao ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, ary matoky ireo rahalahy fa hanohana azy ireo i Jehovah.

Ouzbékistan

Hita tamin’ny tatitra fa Vavolombelona arivo mahery no nosamborina sy nogadraina, ary nampiharana herisetra. Tamin’ny Fahatsiarovana 2005 sy 2006 no nosamborina ny ankamaroan’izy ireo. Mahafaly anefa ny milaza fa tsy nisy olana nitranga tamin’ny Fahatsiarovana 2007. Tsy naharitra anefa izany. Tsy ela taorian’izay, dia nosamborina ny rahalahy iray sy ny anabavy iray, ary nohelohina noho izy ireo nampianatra momba ny fivavahana. Nogadraina avy hatrany ilay rahalahy, izay manam-bady sy zanaka roa, ary roa taona ny saziny. Ilay anabavy kosa nohelohina hanao asa an-terivozona mandritra ny roa taona, ary alain’ny fanjakana ny ampahadimin’ny karamany.

Géorgie

Nanameloka ny fitondrana any Géorgie, ny Fitsarana Eoropeanina, tamin’ny 3 Mey 2007, noho izy io tsy niaro an’ireo Vavolombelon’i Jehovah niharan’ny herisetra. Nasain’ilay fitsarana nomena onitra koa ireo niharan’ny herisetra. Vavolombelona 138 no niharan’ny herisetra, nanomboka tamin’ny Oktobra 1999 ka hatramin’ny Novambra 2002. Nahita ny sasany tamin’izany ny polisy, kanefa tsy nanao na inona na inona. Nilaza ilay fitsarana fa tsy nanatontosa ny andraikiny ny fitondran’i Géorgie, satria tsy niaro an’ireo rahalahy nosetrasetrain’ny mpivavaka mafana fo. Meloka koa izy ireo satria tsy nanaja ny zon’olombelona sy ny fahalalahana ara-pivavahana. Hita avy amin’izany fa tsy azo hamaivanina ny fahalalahana ara-pivavahana, ary tsy maintsy arovana ny Vavolombelon’i Jehovah na dia betsaka aza ny olona manohitra azy.

Érythrée

Fivavahana efatra no eken’ny fitondrana any Érythrée. Norarany avokoa izay fivavahana tsy miara-miasa amin’ireo fivavahana ireo, dimy taona lasa izay. Miaritra fanoherana mahery vaika foana ny Vavolombelon’i Jehovah noho izany. Nosamborina sy nampiharana herisetra ary noterena handa ny finoany izy ireo, na dia nivory tany an-tranon’olona aza. Mbola nisy Vavolombelona 24 tany am-ponja tamin’ny Aprily 2007. Nogadraina izy ireny satria nivory sy nitory, ary tsy nety hanao raharaha miaramila noho ny finoany. Efa be taona ny telo aminy, satria 60 taona na maherin’izany. Ny telo hafa kosa efa nigadra hatramin’ny 1994. Migadra any amin’ny toerana faran’izay ratsy ny folo hafa. Efa nisy zavatra natao mba hanampiana an’ireo rahalahintsika ireo, kanefa tsy nahomby. Manantena isika fa tsy ho ela, dia ho afaka amin’izany fahoriana izany izy ireo. Mivavaka foana isika mba hanavotan’i Jehovah ny mpanompony “amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.”—Sal. 72:14.

Andorre

Nekena ho ara-dalàna ihany ny asantsika tany, tamin’ny 14 Desambra 2006. Efa hatramin’ny 1973 ireo rahalahy no nanao fangatahana tamin’ny fanjakana. Misy mpitory 150 mahery izao any.

Korea

Ampidirina am-ponja izay rahalahy tsy mety manao raharaha miaramila, efa 50 taona mahery izao. Rahalahy dimy no namoy ny ainy noho izany. Rehefa tsy nahita mangirana tany amin’ny fitsarana teo an-toerana ny Rahalahy Yoon sy Choi, dia nametraka fitarainana tany amin’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona. Namoaka didy ilay komity tamin’ny 3 Novambra 2006, fa meloka ny fitondrana any Korea Atsimo, noho izy ireo manitsakitsaka ny zon’ireo rahalahy. Nasainy nanome onitra an’ireo rahalahy ilay fitondrana. Nodidiany koa io fitondrana io mba tsy hanagadra na hanery ny olona hanao raharaha miaramila, raha tsy mamela azy hanao izany ny feon’ny fieritreretany. Rehefa atao mantsy ny salanisa, dia rahalahy 70 no ampidirina am-ponja isam-bolana.

Nanaiky ny didy navoakan’ny fitsarana ny rahalahy maro, taloha, ka nigadra herintaona sy tapany. Nanapa-kevitra ny hampakatra fitsarana anefa ny ankamaroan’ireo rahalahy tanora ankehitriny, hany ka raharaha an-jatony izao no mbola dinihina any amin’ny fitsarana. Nilaza àry ny fitondrana koreanina, fa hasaina hanao asa hafa izay tsy manaiky hanao raharaha miaramila. Mbola ho hita eo ihany raha hitranga tokoa izany, ary raha ho azon’ny Kristianina atao ilay izy na tsia.

Arzantina

Nilaza ny minisiteran’ny fitsarana sy ny zon’olombelona tamin’ny Jolay 2007, fa tsy rariny ny nanagadrana an’i Daniel Guagliardo. Nogadraina izy, satria tsy nety nanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly. Mety handray soa avy amin’io fanambarana io koa, ireo nogadraina tsy ara-drariny toa azy.

Armenia

Notsaraina ireo rahalahy 19 tsy nety nanao an’ireo asa solon’ny raharaha miaramila. Tsy namela azy ireo hanao an’ilay asa mantsy ny eritreriny. Naharay taratasy avy any amin’ny mpampanoa lalàna izy ireo tamin’ny Septambra 2006, ary nilaza izy io fa nifarana hatreo iny raharaha iny. Mbola mila mamorona asa hafa azon’ny Kristianina atao anefa ny fitondrana. Noho izany, dia rahalahy tanora 71 no mbola migadra, teo antenatenan’ny taona 2007. Mahatratra telo taona ny sazin’ny sasany amin’izy ireo.

Efa herintaona sy tapany izay no nigadran’ny Rahalahy Vahan Bayatyan, kanefa nangataka ny hampitomboana ny saziny ny mpampanoa lalàna. Nolazainy fa “tsy marim-pototra” ny antony tsy naneken’i Bayatyan hanao raharaha miaramila, ary “mety hisy vokany ratsy be” amin’ny firenena. Nampian’ny fitsarana ambony herintaona àry ny saziny, ary nanaiky izany koa ny fitsarana tampony. Nametraka fitarainana tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina i Bayatyan, noho izany. Noraisin’ny Fitsarana Eoropeanina ilay fitarainana, ary midika izany fa hodinihiny akaiky ilay raharaha. Manantena isika fa hisy vokany tsara izany, ka handray soa na i Bayatyan na ireo olona hafa manana olana toa azy.

Azerbaïdjan

Efa nekena ho ara-dalàna ny asantsika, kanefa mbola misetra olana foana ireo rahalahy. Nivory tamim-pilaminana tao Bakou, ohatra, ireo Vavolombelona sy olona liana 200 mahery, tamin’ny 24 Desambra 2006. Tonga nandrava an’ilay fivoriana anefa ny polisy mirongo fiadiana sy ny manam-pahefana, niaraka tamin’ny mpiasan’ny tele. Tsy nanana fahazoan-dalana ireo polisy ireo, kanefa nosimbany ny varavaran’ilay trano nohofana, ary nosamboriny ny mpanatrika. Olona roa, fara fahakeliny, no nodarohany. Boky ara-baiboly be dia be no noraofin’izy ireo. Nentiny koa ny boatin’ny fanomezana an-tsitrapo sy ny tao anatiny, ny taratasim-panjakana, ary ny ordinatera vitsivitsy izay nampiasaina handikana boky sy Baiboly. Nafahana ny harivan’iny ny ankamaroan’ireo olona nosamborina. Nisy rahalahy vahiny enina tamin’izy ireo. Noroahina hiala tao Azerbaïdjan izy ireo, satria manao “fampielezan-kevitra ara-pivavahana”, hono. Maro amin’ireo rahalahy any no migadra noho izy ireo tsy mety manao raharaha miaramila. Sarotra amin’ireo rahalahy koa ny mampiditra boky ara-baiboly avy any an-tany hafa.

Israely

Nilaza ny Fitsaram-paritr’i Haïfa, tamin’ny 5 Febroary 2007, fa meloka ireo mpitantana ny Foibe Fanaovana Kaonferansa ao Haïfa satria nanavakavaka. Tsy navelany hanao fivoriambe tao mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Nodidian’ilay fitsarana izy ireo mba hanonitra ny vola lanin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny fitsarana. Nilaza ny tonian’ny fampanoavana fa ‘tsy maintsy entina amin’ny fomba mitovy ny olona rehetra maniry hanofa an’ilay toerana. Tsy voahaja izany tamin’io fotoana io.’ Ho mora kokoa amin’ireo rahalahy any Israely izao ny hanao fivoriambe.

Tadjikistan

Notazonin’ny mpiasan’ny doanina ireo bokintsika nalefa tany Tadjikistan. Nasaina nandrara ny bokintsika sy ny asantsika koa ny minisitry ny kolontsaina. Voatery niala tany ny mpivady misionera iray, noho izany fankahalana antsika izany. Noraran’ny fanjakana ny asantsika tamin’ny 11 Oktobra 2007. Tena tsy rariny izany rehetra izany, ka nametraka fitarainana tany amin’ny fitsarana ireo rahalahy. Mivavaka isika mba hitohizan’ny asa fitoriana any amin’io tany mamokatra io. Nisy fitomboana 14 isan-jato tany, tamin’ny taom-panompoana 2007.

Ukraine

Nisy lahateny manokana nokasaina hatao tao amin’ny Kianjan’i Lviv, ny 12 Mey 2007. Noteren’ny mpanohitra anefa ny mpiandraikitra an’ilay kianja ka nilaza indray, iray andro talohan’io, fa tsy mahazo mivory ao ireo rahalahy. Niangaviana ny mpitondra tao Ukraine sy tany Etazonia, mba handresy lahatra an’ilay mpiandraikitra hoe tsy mpanakorontana ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa teny an-dalana ny Vavolombelona an’arivony, tamin’ny andro hanaovana an’ilay lahateny, raha mbola nifampidinika ireo rahalahy sy ilay mpiandraikitra ary ny manam-pahefana. Avy amin’ny faritra maro nanerana an’i Ukraine ny mpanatrika, ary nandeha fiara sy bisy ary lamasinina. Niandry tamim-pahatoniana teo anoloan’ny vavahady izy ireo, nifampahery, ary nanao hiran’ilay Fanjakana. Resy lahatra ihany ilay mpiandraikitra, 20 minitra talohan’ny hanombohan’ny fandaharana, ka nanaiky hamoha ny vavahady. Rahalahy sy anabavy maherin’ny 27 000 no nirohotra nankao amin’ilay kianja, mba hihaino an’ilay lahateny mampahery hataon’ny mpiandraikitra mpitety sampana.

Turkménistan

Mbola tsy nekena ho ara-dalàna ny asantsika any. Tsy dia nisy olana teo aloha, kanefa manomboka manenjika an’ireo rahalahy indray izao ny manam-pahefana. Mbola mivory sy mitory ihany ireo rahalahy, saingy manao izany amim-pitandremana. (Matio 10:16) Nisy rahalahy tanora telo nosamborina, satria tsy nety nanao raharaha miaramila noho ny finoany. Nahazo sazy mihantona ny roa, fa ny iray kosa voaheloka higadra herintaona sy tapany. Mafy be ny fiainan’ny voafonja, ka nitady fanampiana tany an-tany hafa ireo rahalahy. Tsy nomena vizà anefa ireo rahalahy mpisolovava avy any ivelany, ka tsy tafiditra tany Turkménistan. Na eo aza izany, dia tsy misy mihitsy mpitondra mahavita manakana ny vavaka ataontsika tsy ho tonga any amin’ilay Avo Indrindra.—1 Tim. 2:1, 2.

Kazakhstan

Mbola tsy nekena ho ara-dalàna ny asantsika, ao amin’ny faritra iray. Nisy fivoriana natao tao an-tranon’ny anabavy iray, ary nandrava izany ny manam-pahefana enina. Tsy nivory tao akory ny rahalahy iray, nefa nasaina nandoa lamandy niaraka tamin’ny anabavy dimy. Vola be no notakina tamin’izy ireo. Nakarin’izy ireo fitsarana izany.

Torkia

Faly ny tao amin’ny sampana tamin’ny 31 Jolay 2007, rehefa naharay taratasy nanamafy fa nekena ho ara-dalàna ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa roa taona mahery izy ireo no nangataka ny hanekena ny asantsika ho ara-dalàna. Tsy nanaiky anefa ny fanjakana satria tsy mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana, hono, ny sata mifehy ny sampana. Nakarina fitsarana tao Istanbul izany, ka nilaza izy io fa ara-dalàna ny sata mifehy ny sampana. Nakarin’ny fanjakana tany amin’ny fitsarana tampony indray ilay raharaha tatỳ aoriana, kanefa nanohana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana tao Istanbul izy io. Nekena ho ara-dalàna àry ny asantsika. Noho ny fisian’ilay fikambanana ara-dalàna dia afaka mividy tany sy trano isika, manofa toerana hanaovana fivoriambe, mandray fanomezana, ary miaro ny zontsika any amin’ny fitsarana.

Nasaina nandoa lamandy ny Vavolombelon’i Jehovah roa, nizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37, satria “manakorontana vahoaka”, hono. Nofoanan’ny fitsarana ao Sisli, any Istanbul, anefa ilay sazy. Nilaza ilay fitsarana hoe: ‘Afaka maneho ny heviny sy ny finoany ny mponina rehetra eto Torkia, ka tsy diso ny Vavolombelon’i Jehovah raha mizara ny bokiny amin’olon-kafa.’ Mbola miatrika olana hafa anefa ny rahalahy any. Mety hampidirina am-ponja sy hampandoavina lamandy, ohatra, ireo tanora tsy mety manao raharaha miaramila.

Hitantsika teo fa mandefa fitarainana any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ireo rahalahintsika any Eoropa, rehefa tsy hajaina ny zon’izy ireo hanompo an’Andriamanitra. Mbola nisy fitarainana 22 tany amin’io fitsarana io, tamin’ny Jona 2007. Anisan’izany ny fitarainana momba ny fanenjehana ampiharina amin’ireo rahalahy, ny fangatahana ny asantsika ho ara-dalàna, ary ny tsy fanaovana raharaha miaramila. Tena mila mivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika miatrika zava-tsarotra any Eoropa sy any an-tany hafa isika.—2 Kor. 1:10, 11.

TSY FIVADIHANA SY FAHATOKIANA

Ho hitantsika ato amin’ity Diary ity ny tantaran’ireo rahalahy tany Rosia, izay tsy nivadika nandritra ny fandrarana, na dia nahery vaika aza ny fanoherana. Na dia any amin’ny tany tsy misy fandrarana aza anefa, dia tsy mitsahatra manery an’ireo rahalahintsika hivadika amin’i Jehovah, i Satana sy ny mpomba azy. Mampiasa fomba an-kolaka izy ireo amin’izany. Faly anefa i Jehovah rehefa mahatoky sy tsy mivadika aminy ny mpanompony! (Ohab. 27:11) Asehon’ireto fitantarana ireto fa manam-pinoana sy tsy mivadika ny mpanompon’Andriamanitra maneran-tany, rehefa miatrika an’ireo olana fahita andavanandro.

Soeda

Miasa amin’ny hopitaly tsy miankina, ny anabavy mpisava lalana iray. Manadala azy foana ny lehilahy mpiara-miasa aminy, mba hitaomana azy hanao firaisana. Nahita fomba mahomby hiatrehana izany anefa izy. Raha vao misy mpiasa vaovao, ohatra, dia ampahafantariny azy avy hatrany fa Vavolombelon’i Jehovah izy, ary efa manambady. Tantarainy amin’ireo mpiara-miasa aminy ny zavatra iombonan’izy mivady, ary lazainy koa fa tena mifankatia izy ireo. Raha misy zavatra momba ny marary tokony horesahiny amin’ny dokotera, dia manao fotoana aminy ao amin’ny efitra fisakafoana izy, satria misy olon-kafa koa ao. Raha misy olona miditra tampoka ao amin’ny biraony sady manidy ny varavarana, dia mivavaka amin’i Jehovah avy hatrany izy, ary miresaka amim-panajana nefa hentitra.

Alemaina

Efa 13 taona izay no niasan’ny Rahalahy Marian tao amin’ny orinasa iray misy mpiasa mifandimbindimby. Tsy mahatratra fivoriana izy amin’ny andavanandro, rehefa miasa hariva. Hoy izy: “Tena nalahelo aho satria tena tiako ny manatrika fivoriana. Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho, mba hahita fomba hanatrehana ny fivoriana rehetra.” Nivavaka izy, mba hanana herim-po hiresahana amin’ny mpiandraikitra ny asany. Nahazo nody aloha kokoa àry izy amin’ny andro misy fivoriana, raha vitany ny asany. Nisolo anefa ilay mpiandraikitra tatỳ aoriana, ka tsy nahazo nody aloha intsony izy. Ahoana no nataon’i Marian? Hoy izy: “Niresaka tamim-panajana tamin’ilay mpiandraikitra vaovao aho, ary nangataka alalana mba hiresaka amin’ny lehibenay.” Afaka nitory tamin’ny lehibeny i Marian, nandritra ny resak’izy ireo, ary nohazavainy ny antony itiavany mandeha mivory. Nilaza ny lehibeny fa mahazo mody aloha kokoa i Marian amin’ny andro misy fivoriana, raha avelan’ny mpiara-miasa aminy. Nantsoin’i Marian àry ny mpiara-miasa taminy rehetra. Nohazavainy ilay raharaha, sady nitory tamin’izy ireo izy. Afaka manatrika Fianarana Boky sy Sekolin’ny Fanompoana izao i Marian. Hoy izy: “Tena nila niady mafy aho mba ho afaka hivory, kanefa ny vavaka mafy nataoko tamin’i Jehovah no nahazoako hery hiatrehana izany.”

Grande-Bretagne

Asain’ny ankizy hamonjy fiaraha-mikorana miaraka aminy foana i Sophie, izay 16 taona, ary fitsapana ho azy izany. Hoy izy: “Marina fa toa mahafinaritra, ny sasany amin’izy ireny. Fantatro anefa fa mety hanenenako ny mankany, satria mety hisy vokany ratsy izany any aoriana any. Nanasa ahy ny ankizivavy iray, vao haingana, ary nilaza fa ‘fiarahana’ tsotra fotsiny ilay izy. Fantatro anefa tatỳ aoriana, fa tamin’ny faran’io herinandro io ny aniverserany, ary nifandray tamin’izany ilay fety. Soa ihany aho fa tsy nandeha! Henoko koa mantsy fa tsy tao ny ray aman-drenin’ilay ankizy tamin’io hariva io, ary betsaka ny ankizy mamo. Aleoko kokoa miara-mikorana amin’ny mpiara-manompo, na antitra izy ireny na tanora, satria manatanjaka ny finoako izany. Manasa tanora sy olon-dehibe eo anivon’ny fiangonana izaho sy ny zandriko lahy, mba hitendry zavamaneno, hihinana masikita, na hitsangantsangana. Rehefa misy olona manasa ahy hamonjy fiaraha-mikorana izao, dia mieritreritra aho hoe: ‘Inona no ho vokatr’izany eo amin’ny fifandraisako amin’i Jehovah?’ Tsapako fa tsy manenina mihitsy aho rehefa mankatò ny fitsipiny.”

Italia

Vao 17 taona i Giovanni. Nitory fitiavana taminy imbetsaka ny ankizivavy tany am-pianarany. Ny iray tamin’izy ireo anefa no tena nisisika. Nanoratany taratasy i Giovanni, rehefa hitany fa tsy niraika taminy. Hoy izy: “Hitako fa tena mifanentana tsara isika sy ianao. Babonao ny foko. Mahafinaritra ahy koa ny toetranao. Manantena aho fa handray fanapahan-kevitra tsara ianao. Hoy ilay tena tia anao.” Nosoratany teo amin’ny faran’ilay taratasy ny anarany, ary norohany tamin’ny molotra nisy lokomena, teo ambany. Hoy i Giovanni: “Tena mafy tamiko ireo andro vitsivitsy nanaraka. Toa tsy hahita ankizivavy tsara tarehy toa azy intsony mantsy aho. Rehefa fantatr’ireo mpiara-mianatra tamiko ilay izy, dia nampirisihiny aho hoe: ‘Hararaoty leisy a! Adala ialahy raha tsy mety miaraka amin’iny.’ Niady mafy aho tamin’izay, kanefa tsapako fa efa nitady handika ny fitsipika kristianina. Nivavaka tamin’i Jehovah aho, ary niresaka tamin’i Dada sy Neny. Gaga be izy ireo satria tsy nampoiziny hoe niatrika toe-javatra toy izany aho. Niara-nianatra Baiboly imbetsaka izahay, ary ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra no tena nampiasainay. Niresaka tamin’ireo rahalahy matotra teo anivon’ny fiangonana koa aho. Nandray fanapahan-kevitra tsara aho tamin’ny farany, ary tsy nanaiky hiaraka tamin’ilay ankizivavy. Lasa manaja ahy kokoa izao ny ankizy, satria nandray fanapahan-kevitra hentitra aho.”

Meksika

Efa 37 taona no nanaovana batisa an’i Antonio, rahalahy 59 taona. Hoy izy: “Voan’ny aretin’ny vanin-taolana aho tamin’izaho 19 taona. Tena mahasorena ilay aretina, satria nahatonga ahy ho kilemaina sy hipetraka eo ambony seza mikorisa, efa 35 taona izay. Kivy aho indraindray. Mampahery ahy anefa ny fanaovana fanompoana betsaka araka izay vitako.” Vao mainka mafy ny nanjo an’i Antonio, fito taona lasa izay. Maty mantsy ny reniny, nefa izy no tena nikarakara azy. Ahoana no niatrehan’i Antonio izany? Hoy izy: “Hitako fa tsy mba mahafoy ny mpanompony i Jehovah, fa manampy foana. Misy rahalahy tendrena hanampy ahy eo anivon’ny fiangonana. Miantoka ny zavatra ilaiko koa ny rahalahy sasany.” Tsy andrin’i Antonio ny fotoana hahatanterahan’ny fampanantenana rehetra momba ilay Fanjakana.

“HALALAHO NY ITOERAN’NY LAINAO”

“Halalaho ny itoeran’ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao.” (Isaia 54:2) Tanteraka io faminaniana io ankehitriny, satria mihamaro ny toeram-pivavahana ilaina sy ny biraon’ny sampana mila itarina. Ankoatra an’ireo asa fanorenana natao maneran-tany tamin’ny taon-dasa, dia tena nahafaly ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny fitokanana an’ireto sampana enina ireto.

Porto Rico

Nila nitarina ny sampan’i Porto Rico, na dia vao 13 taona monja aza izay no nanorenana azy. Nihamaro mantsy ny mpiasa tamin’ny sampan’asa sasany. I David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana, ny asabotsy 16 Septambra 2006.

Kolombia

Rahalahy sy anabavy avy amin’ny firenena 30 no tonga tamin’ny fitokanana ireo tranon’ny sampana vao nitarina ao Facatativá, 42 kilaometatra avaratrandrefan’i Bogotá, tamin’ny 11 Novambra 2006. Nisy 3 605 ny mpanatrika. Faly sy nifamihina ireo tsy nifankahita tao anatin’ny 30 na 40 taona. Samy nankafy ny lahateny fitokanana nataon’i Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ny rehetra.

Fidji

Ao Suva renivohitra no misy an’ilay biraon’ny sampana tsara tarehy, ary tsy lavitra ny seranan-tsambo izy io. I Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana, tamin’ny asabotsy 11 Novambra 2006, ary 410 ny mpanatrika.

Burundi

Andro iray toa zato ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’io tany mahafinaritra io ny 25 Novambra 2006. Notokanana tamin’io mantsy ilay tranon’ny sampana tsara tarehy. Nisy 1 141 ny mpanatrika, ary avy any amin’ny tany 11. I Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana. Hita mihitsy hoe mitahy ny asa i Jehovah, ary mbola maro ny olona antenaina ho lasa mpanompony.

Rwanda

Tsy nilamina mihitsy tao Rwanda nandritra ny 30 taona. Voarara ny asantsika, ary nafotaka ny ady an-trano. Efa nifarana anefa izany ankehitriny. Faly àry ny Vavolombelona tany rehefa nandray an’i Guy Pierce, mba hitokana ny biraon’ny sampana vaovao, izay misy zaridaina mahafinaritra.

Nandroso foana ny asa fitoriana tao amin’io firenena antsoina hoe Tanin’ny Havoana Arivo io, na dia maro aza ny rahalahy maty tamin’ilay fandripahana foko. Nisy 553 ny mpanatrika ny fitokanana tamin’ny asabotsy 2 Desambra 2006, ary avy amin’ny firenena 15 ny 112 tamin’ireo.

Ouganda

Notokanana tamin’ny asabotsy 20 Janoary 2007 ny biraon’ny sampana vaovao, eo atsimon’i Kampala renivohitra. Nisy 665 ny mpanatrika, ary avy any amin’ny sampana 20 teo ho eo ny 170 tamin’ireo. I Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana.

“ZAVA-DEHIBE NO NATAON’I JEHOVAH”

Manana antony hifaliana tokoa isika, rehefa dinihina ireo zava-mahatalanjona nataon’i Jehovah, tamin’ny herintaona. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah toy ny mpanao salamo isika rehetra hoe: “Eny, zava-dehibe no nataon’i Jehovah ho antsika, ka dia faly isika.”—Sal. 126:⁠3.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Ezaka Manokana Maneran-tany

Nisy tsy nino hoe nozaraina naneran-tany ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Anisan’ireny ny lehilahy iray tany Brezila. Nasainy niandry kely ny mpitory tonga tao aminy, fa hitelefaonina ny namany any Etazonia izy mba hanontany, raha nahazo iray tamin’izy io tokoa ilay namany. Namaly ilay namany hoe: “Ie, nahazo iray aho, vao folo minitra izay.” Gaga be ilay lehilahy ka nanaiky handray an’ilay taratasy mivalona, ary nampanantena fa hamaky azy io.

[Sary, pejy 12]

Fanasana iray monja no tao amin’ny boaty paostalin’ny fiangonana

Sary, pejy 25]

Handeha hanao fanompoana i Antonio

[Sary, pejy 28, 29]

Fitokanana Sampana

Porto Rico

Rwanda

Kolombia

Burundi

Fidji

Ouganda