Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Samoa

Azo lazaina ho toerana nipoiran’ny mponin’i Polinezia ireo nosy Samoa. Misongadina ato ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah mahafoy tena sy tsy mivadika ary be herim-po. Ho hitanao ato hoe hoatran’ny ahoana ny mitory amin’ny olona monina any amin’io faritra mafana io. Mahay Baiboly izy ireny sady mpivavaka be, hany ka teny miavaka no ampiasainy rehefa miresaka amin’Andriamanitra na momba azy. Ho hitanao ato koa ny momba ny Vavolombelona maromaro nanan-kilema sy tsy salama, nefa nanompo an’i Jehovah foana. Hovakinao ato ny tantaran’ny fianakaviana iray nandeha an-tongotra 22 kilaometatra teny an-tampon’ny tandavan-tendrombohitra mba hivory. Ho fantatrao koa ny antony niantsoantsoan’ny ankizy tao amin’ny tanàna kely iray hoe: “Iny fa tonga i Hara-magedona!”

Ireo Tany Anisan’i Iogoslavia teo Aloha

Betsaka ny ra latsaka sy ny fankahalana tany amin’io faritra nanjakan’ny adim-poko sy ady nifanaovan’ny fivavahana io. Mahavariana anefa fa misy olona maneho finoana sy herim-po any. Tsy afa-nivoaka ny tanàna iray natao fahirano ny Vavolombelona vitsivitsy. Io no anisan’ny fahirano naharitra indrindra. Mitantara ny rahalahy iray hoe: ‘Kroaty sy Serba ary Bosniaka izahay nefa tafaray noho ny fivavahana marina. Ireo Kroaty sy Serba ary Bosniaka tany ivelan’ilay trano nialofanay kosa anefa nifamono.’ Hatanjaka kokoa ny finoanao, rehefa mamaky an’ity tantara ity ianao. Ho hitanao mantsy izay nataon’ireo rahalahy mba tsy hivadihana tamin’Andriamanitra, na nilamina ny taniny, na nisy ady.