Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany

AFRIKA

TANY 57

MPONINA 848 582 269

MPITORY 1 122 493

FAMPIANARANA BAIBOLY 2 202 217

Rwanda

Rehefa nody avy nianatra ny ankizivavy iray sivy taona, dia nahita kitapo kely nisy vola be, teny an-dalana. Mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fianakaviany, ary nanapa-kevitra ny hampihatra izay nianarany. Nitady ny tompon’ilay kitapo àry izy ireo, ary namerina ny volany. Nanontany an’ilay ankizivavy io rangahy io hoe: “Raha omeko vola ianao ho valisoanao noho ianao nanao ny marina, hataonao inona ilay izy?”

“Hividianako Baiboly”, hoy izy.

Gaga ilay rangahy, ka niteny hoe: “Nataoko hoe hividiananao akanjo na kiraro ilay izy. Hoatran’ny efa tonta ihany mantsy ireny eny aminao ireny.” Nanizingizina anefa ilay ankizivavy hoe aleony Baiboly. Nanitikitika ny sain’ilay rangahy hoe nahoana izy mianakavy no tsy nitazona an’ilay vola. Rehefa fantany fa mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, dia nividy Baiboly roa izy. Ny iray nomeny an’ilay ankizivavy, ary ny iray notazoniny ho azy sy ny fianakaviany. Nangataka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa izy mba hampianatra Baiboly azy ireo. Mandroso tsara izao ny fianaran’ny fianakaviana roa tonta.

République centrafricaine

Ankizivavy saro-kenatra be i Théodora, nefa nampian’i Jehovah izy ka afaka tamin’izany. Notezaina tao amin’ny fahamarinana izy, nefa mahalana vao nivory, noho izy saro-kenatra. Tamin’izy vao nanomboka nivory, dia nipetraka irery, tsy niresaka tamin’iza na iza mihitsy, ary tonga dia lasa raha vao vita ny hira sy ny vavaka farany. Nivory tsy tapaka izy tsy ela taorian’izay, saingy indraindray vao sahy nandray ny tanan’ny olona niarahaba azy. Nanomboka nanome valin-teny izy rehefa nandeha ny fotoana, ary izy mihitsy no niarahaba ny olona. Dingana lehibe taminy ny fitoriana. Naneso azy ny ankizivavy teo an-tanàna, ka saika tsy hanohy intsony izy. Nivavaka tamin’i Jehovah anefa izy, mba hahazo hery. Vita batisa izy izao, mpisava lalana mpanampy, ary manome valin-teny tsara any am-pivoriana. Efatra ny olona ampianariny Baiboly, ary anisan’izany ny ankizy iray mpaneso azy taloha.

Madagasikara

Nandeha nitsidika fiangonana iray tany ambanivohitra ny mpiandraikitra ny faritra iray sy ny vadiny. Nifanena tamin’ny dahalo nitondra famaky sy lefona izy ireo. Nivavaka mangina mba hahazo herim-po ilay anabavy, ary avy eo nanolotra an’ilay taratasy mivalona hoe Fiainam-piadanana ao Amin’ny Tontolo Vaovao. Nilaza izy hoe: “Miaina ao anatin’ny tahotra isika amin’izao fotoana izao. Tsy ho ela anefa dia haringan’Andriamanitra ny ratsy fanahy, ary hanorina tontolo vaovao hanjakan’ny fiadanana izy.” Nihaino tsara ny iray tamin’ireo dahalo, ary nandray an’ilay taratasy.

Tamin’ny fivoriambe iray ny taona nanaraka, dia nisy lehilahy nanatona an’io anabavy io, ary nanontany raha nahatadidy azy ilay anabavy. Nilaza izy fa anisan’ireo dahalo nifanena taminy, ary izy ilay nandray an’ilay taratasy. Hoy izy: “Vao avy nanafika mihitsy izahay tamin’iny. Nampieritreritra ahy ilay teninao. Niteny anakam-po aho hoe: ‘Tsy matahotra polisy sy miaramila izahay, satria afaka mandositra azy ireny. Fa ahoana moa no handosirako an’Andriamanitra raha handringana ny ratsy fanahy izy?’ Izay no nahatonga ahy hamotopototra tsara. Nony tonga tany aminay aho, dia nankany amin’ny olona iray teny akaikinay. Nianatra Baiboly tamin’ny mpisava lalana manokana izy io. Nanaiky hampianarin’ilay mpisava lalana koa aho, ary hatao batisa amin’ity fivoriambe ity.”

Mozambika

Tratran’ny lozam-piarakodia i Madalena tamin’ny 1992. Vao 30 taona mahery kely izy tamin’izay. Lasa nalemy tongotra izy, ka zara raha nivoaka ny trano. Lehibena fivavahana nentim-paharazana ny rainy, ary tao ambadiky ny tranony no nivavahan’izy ireo. Telo taona taorian’ilay loza, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah niresaka tamin’ny rainy, teo an-tokotany. Ren’i Madalena ilay resaka, ary reny fa nanontany momba ny fahasalamany izy ireo, ka nampandrosoiny. Tena niahy azy izy ireo, ary nanohina ny fony izany. Nanaiky hianatra Baiboly izy, ary tena nahaliana azy ny zavatra nianarany. Nazoto erỳ izy, ka nikarakara azy tamin’ny lafiny maro ny Vavolombelon’i Jehovah, anisan’izany ny fitondrana azy nivory. Nanokan-tena ho an’i Jehovah sy nampiseho izany tamin’ny batisa àry i Madalena, tamin’ny taona 2002.

Tena variana ny ray aman-drenin’i Madalena nahita an’ireo Vavolombelona nikarakara an-janany. Nanomboka nivory àry ny reniny, ary niala tamin’ny fivavahan’ny vadiny. Ny rainy kosa nilaza tamin’ny voalohany fa tsy hiala amin’ny fivavahany mihitsy. Nanomboka nivory koa anefa izy tatỳ aoriana. Nandresy lahatra azy tsy hivory intsony ny mpiangona tao aminy, satria izy rahateo no lehibeny. Tsy niova hevitra anefa izy. Nodorany daholo ny fitaovana rehetra fampiasany tamin’ny fivavahany. Natao batisa izy mivady tamin’ny 2007. Mandroso tsara izy mianakavy izao.

Zimbabwe

Zatra mitory amin’ny mpiara-mianatra aminy sy ny mpampianatra azy i Decibel, ankizivavy sivy taona. Hitany, indray andro, fa nalahelo be ilay mpampianatra. Nanatona àry izy ary nanontany ny antony. Nilaza ilay mpampianatra fa maty ny zana-drahavaviny. Nampanantena i Decibel fa hitondra zavatra hampahery azy. Nangatahiny tamin’ny ray aman-dreniny ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, ary nomeny an’ilay mpampianatra ny ampitson’iny. Namaky fehintsoratra vitsivitsy tao ilay mpampianatra, ary latsa-dranomaso mihitsy noho ny hafaliana. Nanoratra ho an’ny ray aman-drenin’i Decibel izy tatỳ aoriana. Nisaotra azy ireo izy, noho izy ireo nitaiza tsara an-janany, sy noho izy io nampahery azy tamin’izy nidonam-pahoriana.

Ghana

Mivavaka ao amin’ny fiangonana presbyterianina ny dadaben’i Abigail sy ny bebeny. Niara-nipetraka tamin’izy ireo tany amin’ny faritra atsimon’i Ghana izy. Ny ray aman-dreniny kosa nipetraka tany an-toeran-kafa. Nolazaina tamin’i Abigail fa mpaminany sandoka ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa reny àry fa mianatra Baiboly amin’izy ireo ny ray aman-dreniny, dia nanahy izy ka nanoratra ho azy mivady, mba handresy lahatra azy tsy hianatra intsony. Tsy nisy vokany anefa ilay taratasy, ka lasa mihitsy i Abigail nankany amin’izy mivady, tany amin’ny 1 000 kilaometatra mahery. Gaga be izy, rehefa hitany tao amin’ny Baiboliny fa tsy toerana fampijaliana ny ratsy fanahy ny afobe. Nanomboka nianatra Baiboly àry izy, nivory niaraka tamin’ny ray aman-dreniny, ary lasa mpitory. Natao batisa izy tamin’ny fivoriamben’ny faritra vao haingana.

IREO TANIN’I AMERIKA

TANY 55

MPONINA 898 130 531

MPITORY 3 449 038

FAMPIANARANA BAIBOLY 3 548 101

Dominique

Fanaon’ny vehivavy any ny manasa lamba eny amin’ny renirano, ary manahy izany eny amin’ny vato lehibe na vatolampy. Nahita zavatra nitsinkafona teo amin’ilay rano marivo nanasany lamba ny vehivavy iray, indray mandeha. Fantapantany ilay izy, ary nalainy. Hay mitovy amin’ilay boky fianarany Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-kerinandro ilay izy. Nahahiny teo ambonin’ny vatolampy tsy lavitra teo ilay izy, ary notohiziny ny sasa lambany.

Hadinony anefa ilay izy, rehefa nangoron-damba izy. Nahita an’ilay boky mavomavo ny mpanarato sasany avy tany an-dranomasina, ary nisy anankiray nandray an’ilay izy. Nanaitra azy ilay lohateny hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, ka nanomboka namaky azy io izy. Nisy mpisava lalana roa vavy nitory tao amin’ny tanànany indray andro, ary tafaresaka taminy. Nohazavainy tamin’izy ireo fa olona 144 000 ihany no mankany an-danitra, ary niorina tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra. Nilaza koa izy fa tsy ho ela dia ho lasa paradisa ny tany. Rehefa nanontany azy izy roa vavy hoe ahoana no nahalalany izany, dia nitantara ny fomba nahitany an’ilay boky izy, ary nilaza fa mamaky azy io isan’andro. Nasehony koa ilay boky, izay efa maina, saingy nibontsina be!

Fantatry ny iray tamin’izy roa vavy fa io ilay boky hitan’ny mpianany tany am-panasana lamba. Nanomboka nianatra Baiboly ilay mpanarato. Tsy andriny mihitsy izay hianarana isan-kerinandro, ary mandroso tsara izy.

Bolivia

Mahafinaritra ny mitory any amin’io faritr’i Amazonia io, na dia tsy mora aza. Nisy mpisava lalana folo mianadahy niainga avy tao Rurrenabaque mba ho any Riberalta. Nanao dia 800 kilaometatra teo ho eo, teo amin’ny Reniranon’i Beni izy ireo. Botry mandeha maotera no nitondra azy ireo. Nifanizina tao izy folo, niaraka tamin’ny tranolay sy vilany ary baoritra be dia be nisy boky ara-baiboly. Nitsidika faritra kely mitokana 70 mahery izy ireo. Boky 800 mahery no voapetrak’izy ireo, ankoatra ny bokikely sy taratasy mivalona. Olona liana 700 teo ho eo no natoron’izy ireo ny fomba fianarana Baiboly, ary niverina izy ireo mba hampianatra Baiboly ny 200 mahery tamin’ireo. Isaky ny nandao tanàna iray izy ireo, dia matetika no nisy niteny hoe: “Mba mijanòna moa dia tohizina kely ny fianarantsika e!” Mbola te hianatra ny lehilahy iray tao amin’ny tanàna kely iray, ka nalahelo izy rehefa handeha ireo mpitory. Nampirisika mafy azy ireo mba hijanona àry izy, ka nilaza izao sarin-teny izao: “Efa nokapainareo ilay hazo, ka tsy maintsy manao sokitra sy mandambolambo azy io tsara aloha ianareo.”

Kanada

Efa aman-taonany i Normand no niasa tao amin’ny orinasa mpanadio vy, any Montréal. Zatra namaky ny bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro tao amin’ny toeram-pisakafoana izy, nandritra ny fiatoana, ary hitan’ny mpiara-miasa taminy. Nanasa azy ireo handinika azy io miaraka aminy àry i Normand, ary nanaiky ny sasany. Niezaka nampifandray an’ilay fanazavana tamin’ny fiainam-pianakaviana sy ny fifandraisana amin’olona i Normand, nandritra an’ireny dinidinika fohy ireny. Nisy lehiben’ny mpiasa tonga koa teo indray mandeha. Nantsoiny tany amin’ny biraony i Normand, ary noderainy. Nilaza izy fa hanatsara ny fiainan’ny mpiasa sy ny fifandraisan’izy ireo, ireny dinidinika ireny.

Nahatratra 30 mahery ny mpanatrika, rehefa nandeha ny fotoana, ka nasain’ny lehibeny nozarazaraina izy ireo. Atao any amin’ny toerana samy hafa ao amin’ny orinasa àry ilay dinidinika. Hoy i Normand: “Mitarika dinidinika telo isan’andro aho izao, ary fampahatsiahivana isan’andro no iantsoan’ny mpiara-miasa amiko an’ilay izy. Tena tian’izy ireo ilay izy, ka ny iray aminy no mitarika rehefa tsy eo aho. Anontaniany ahy izay tsy azony, rehefa tonga aho.” Nanampy ny mpiara-miasa taminy mba handinika andinin-teny iray isan’andro i Normand, tao anatin’ny dimy taona lasa. Noho izany, dia 40 mahery ny mpiara-miasa aminy sy ny fianakavian’izy ireo no nanaiky ny fahamarinana.

Barbade

Te hanana fampianarana Baiboly ny Anabavy Barker, 89 taona. Tsy afaka mandeha mitory isan-trano intsony anefa izy, ka nanandrana nitory an-telefaonina, saingy tsy nisy vokany izany. Nisy anjara momba ny vavaka tany am-pivoriana, indray mandeha. Nampahery azy ilay izy, ka nitalaho tamin’i Jehovah izy mba hampiany hanomboka fampianarana Baiboly. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nitondra Baiboly sy gazety izy ary nijoro teo anoloan’ny tranony. Vitsy mpandalo teo, nefa tapa-kevitra ny hitory amin’izay hitany ihany izy. Nomeny gazety ny lehilahy iray avy niasa. Sendra an’io lehilahy io indray izy herinandro tatỳ aoriana, raha mbola nijoro teo anoloan’ny tranony. Tadidiny fa nahaliana azy io ny gazety napetrany taminy, ka nomeny boky Ampianarina izy, ary nanontaniany raha te hianatra Baiboly. Faly erỳ izy fa nanaiky ilay lehilahy. Nanomboka nampianatra azy àry ny Anabavy Barker, tamin’ny faramparan’ny volana Martsa 2008. Hay mipetraka tsy lavitra ny tranony izy io. Nanomboka nivory ilay lehilahy, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. Hoy ny Anabavy Barker: “Fantatro fa tena mamaly vavaka i Jehovah, fa tsy noeritreretiko ho haingana be toy izao!”

Silia

Nandeha taxi nankany amin’ny faritaniny ny anabavy iray mpisava lalana any Santiago. Hadinony teo amin’ny seza tao aoriana ny fitoeran-gazetiny rehefa niala izy. Nisy gazety vitsivitsy tao, ary Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana nisy ny anarany. Io no nahafahan’ilay mpamily nahita azy, roa andro tatỳ aoriana, rehefa nampian’ny mpitory nanompo tao amin’ilay faritany izy. Namerina an’ilay fitoeran-gazety izy, saingy ilay Fanompoana sisa no tao. Niala tsiny àry izy, sady nanazava fa namadibadika an’ireo gazety ny olona nentiny, ary nangataka iray avy. Voapetraka ho azy tao anatin’ny iray andro ireo gazety rehetra!

Nikaragoà

Nipetraka tao amin’ny tanàna kely tsy lavitra ny morontsirak’i Karaiba i Ernesto, ary kapitenin’ny andia-miaramila manokana izy taloha. I Jairo kosa mpisava lalana manokana tonga avy amin’ny faritra hafa mba hitory tany. Nihaona tamin’i Ernesto izy rehefa nitory isan-trano, ary nanontany azy raha te hianatra Baiboly izy. Tsy nety i Ernesto, nefa nanasa azy hianatra foana i Jairo, ka nanaiky izy tamin’ny farany. Notantarain’i Jairo taminy indray mandeha, fa komandàn’ny tafika mpikomy ny rainy taloha. Niady tamin’ny tafi-panjakana ny tafiny, ka maty tamin’izany izy. Nitohy foana ny fianaran’i Ernesto, ary nandroso tsara izy. Nisy tsiambaratelo tsy tiany ho fantatr’i Jairo, nefa tsy tanany intsony tamin’ny farany. Nalahelo mafy izy nitantara fa izy no nitarika ilay andia-miaramila nisambotra ny rain’i Jairo, ary izy mihitsy no tompon’antoka tamin’ny nahafatesany. Nivarahontsana i Jairo! Fantany anefa fa marina ilay izy, satria nitovy tamin’ny zavatra nolazain’ny miaramila naman’ny rainy ireo tsipiriany nampihoron-koditra notantarain’i Ernesto. Nihevitra i Ernesto fa ho vita hatreo ny maha mpinamana azy roa lahy. Tsy nankahala azy anefa i Jairo, fa nampianatra azy foana. Nandroso tsara i Ernesto ary natao batisa izy sy ny vadiny. Mbola mpinamana izy sy Jairo hatramin’izao.

Venezoelà

Nitory tamin’ny tompon-tany any amin’ny faritany tsy voasa matetika ny rahalahy maromaro avy any Machiques. Any amin’ny faritra andrefan’i Venezoelà ilay izy, ary tsy lavitra an’i Kolombia. Nihaino daholo ny olona! Nanome alalana azy ireo hankalaza ny Fahatsiarovana voalohany tao amin’ilay faritra ny lehiben’ny foko yukpa. Ny mponina sy ilay sekoly tao an-tanàna no nanome ny seza, ary 200 mahery ny mpanatrika. Rehefa tapitra ilay izy, dia nisolo tena ny rehetra ilay lehiben’ny foko, ka niteny tamim-panajana hoe: “Misaotra anareo Vavolombelon’i Jehovah izahay. Manantena izahay fa tsy izao no farany ankanesanareo atỳ. Mampianatra anay ny fahamarinana ianareo, ka tena faly izahay handray anareo!” Olona 50 mahery izao no mianatra Baiboly isan-kerinandro.

AZIA

TANY 47

MPONINA 4 026 656 360

MPITORY 618 088

FAMPIANARANA BAIBOLY 538 957

Taïwan

Nanoratra toy izao ny anabavy iray: “Manana anadahy tsy iray reny amiko aho. Tena faly aho rehefa nihaona taminy, satria mbola tsy nahita azy mihitsy. Lavitra be mantsy ny misy azy sy ny fianakaviany, ary tena sarotra ny mankany. Tena faly ny raiko sy izahay rehetra, rehefa nandre hoe hitsidika anay izy mianakavy, na dia mila ezaka be aza vao tonga atỳ. Tsy misy Vavolombelon’i Jehovah any amin-dry zareo, ka nanantena aho fa handray ny vaovao tsara izy rehefa atỳ. Tena faly aho fa liana tamin’ny Baiboly ny zaobaviko sy ny zanany vavy! Ahoana anefa no hanampiako azy ireo hianatra bebe kokoa momba ny fikasan’i Jehovah, rehefa tafaverina any amin’ny misy azy izy? Fantatro fa mampiasa Internet izy ireo, ka nividy kamerà ahafahana mifankahita ao amin’ny Internet izahay. Io fitaovana io no nampiasainay mba hanohizana an’ilay fianarana Baiboly, rehefa niverina tany aminy ry zareo. Mahavariana fa tena mety ilay izy. Hitanay mantsy ny fihetsiny, rehefa mamaky ny Baiboliny na ilay boky fianarana izy. Izany no ahafantarako hoe inona no tokony hataoko mba hanampiana azy ireo. Faly izahay fa afaka mampiasa an’io fitaovana io. Tsy ho afaka hampita ny fahamarinana amin’ireo havanay ireo mantsy izahay, raha tsy izany.”

Népal

Mipetraka ao amin’ny tanàna kely iray any Népal i Purnamaya, 16 taona. Nitory taminy ny dadatoany, ka nanomboka nianatra Baiboly izy. Mivory indray mandeha isan-kerinandro izy izao, na dia tsy maintsy mandeha bisy adiny roa sy sasany aza. Tsy mora ilay izy. Boka mantsy ny dada sy mamany, ka mahantra be ry zareo. Vao maraina i Purnamaya dia efa miasa mipai-bato, mba hanampiana ny fianakaviany amin’ny fivelomana. Manginy fotsiny ny raharaha toy ny fandrahoan-tsakafo sy ny sasa lamba. Ny fianarana, etsy an-daniny ihany. Mitovy amin’ny karama iray andro ny saran-dalana mankany am-pivoriana, ka milaza aminy ny ray aman-dreniny indraindray hoe tsy aleo ve miangona eo an-tanàna ihany. Fantatr’i Purnamaya anefa fa any amin’ny Efitrano Fanjakana ihany izy no afaka mianatra momba an’i Jehovah. Miezaka mafy àry izy ho tonga any. Vao haingana, dia nafoiny hamidy mihitsy ilay famantaranandro nomen’ny bebeny azy. Manome valin-teny tsara koa izy any am-pivoriana, ary resahiny amin’ny olona ao an-tanànany ny zavatra ianarany. Mampahery an’izay rehetra mahalala azy i Purnamaya.

Malezia

Zanatany anglisy i Malezia taloha. Olona an’arivony no nentina tany mba hiasa any amin’ny toeram-pambolena hazo fingotra, ary nipetraka tao amin’ny tanàna kely tsy lavitra teo izy ireny. Maro amin’ireny tanàna ireny no mbola misy hatramin’izao. Saro-dalana anefa ny ankamaroany, ary tsy hita amin’ny sarintany. Sendra tanàna toy izany ny fiangonana iray, rehefa nanompo tany amin’ny faritany mbola tsy nanendrena mpitory. Tena liana tamin’ny asa fitorian’izy ireo ny ankizy roa lahy efa nandray gazety, ka nanolo-tena hitarika azy ireo any amin’ny tanàna hafa. Nahay lalana mantsy izy roa lahy, fa tsy hoatran’ireo mpitory. Nitaingina môtô izy ireo, ary ireo mpitory kosa nandeha fiara. Nitarika an’ireo mpitory nanavatsava toeram-pambolena, tamin’ny lalana feno fotaka sy nikitoantoana, àry izy roa lahy. Nisy lalana adiny iray latsaka fahefany nanelanelana an’ireo tanàna. Nentin’izy ireo tany amin’ny toeram-pambolena mbola tsy nalehan’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ireo mpitory. Raha mbola teo am-pitoriana izy ireo, dia nampirisika ny mponina handray gazety sy hamaky tsara an’ilay izy, izy roa lahy. Tanàna telo no nitondran’izy ireo an’ireo mpitory. Afaka nitory tamin’ny olona maro mbola tsy nandre ny vaovao tsara àry ireo rahalahy, ary nandray anjara betsaka tamin’izany ireo ankizilahy nahafoy tena ireo. Gazety 5 000 mahery no voapetrak’ireo mpitory 50 tao amin’io fiangonana io, tamin’iny faran’ny herinandro iny.

EOROPA

TANY 47

MPONINA 733 775 190

MPITORY 1 542 507

FAMPIANARANA BAIBOLY 789 219

Rosia

Voan’ny kanseran’ny atidoha i Tatyana, ary nanaovana fandidiana lehibe, taona vitsivitsy lasa izay. Natao tao amin’ny efitra voatokana ho an’ny marary tsy sitram-panafana intsony izy, taorian’izay. Nisy pretra ortodoksa tonga tao, ho an’izay marary te hikonfesy alohan’ny hahafatesana. Hitan’i Tatyana fa nisy vehivavy iray nanangona ny heriny mba hanolotra vola an’ilay pretra. Rehefa lasa izy, dia nanontany an’ilay vehivavy i Tatyana raha azoazony kokoa ny ainy. Sady kivy ilay vehivavy no nilaza hoe: “Tsy nisy azoko akory aza izay nolazainy!” Niresaka taminy momba ny fitsanganana amin’ny maty àry i Tatyana. Nisaotra azy ilay vehivavy, ary niteny hoe: “Izao vao azoazoko ny aiko!” Ren’ny tompon’andraikitra izany, ka niteny tamin’ilay pretra izy mba tsy hiverina intsony. I Tatyana kosa natao tao amin’ny efitra hafa, mba hahafahany hiresaka amin’ny olon-kafa. Nangataka ny adiresin’ny toerana ivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ilay tompon’andraikitra. Nivavaka i Tatyana talohan’ny nidirany hopitaly, mba hahazo hery hitoriana foana. Mino izy fa namaly azy i Jehovah. Nahavita 100 ora mahery izy tamin’io volana io! Niharatsy ny fahasalamany taorian’izay, ka tsy afaka mivoaka ny tranony izy. Tonga mamangy azy foana anefa ireo olona nitoriany tamin’izy nivezivezy teny amin’ny hopitaly.

Géorgie

Voatendry ho any amin’ny faritany tsy misy Vavolombelon’i Jehovah ny anabavy roa mpisava lalana manokana tsy maharitra. Very izy ireo, rehefa nandeha nijery an’ilay faritany. Nitady ny lalana nody àry izy ireo. Ny lanezy anefa hatreny an-dohalika! Nikisaka mihitsy izy ireo rehefa namindra, hany ka vizana sady jihitry ny hatsiaka. Nony elaela, dia nahita dian-tongotra nankao amin’ny trano iray izy roa vavy, ka niantso. Nivoaka avy teo amin’ny vavahady ny tovovavy atao hoe Khatuna, ary nampandroso azy ireo avy hatrany. Faly erỳ izy ireo fa nafana tsara tao. Nanontany i Khatuna raha Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nitantara izy avy eo fa tamin’ilay fotoana nivezivezen’izy roa vavy nitady lalana, dia nivavaka tamin’Andriamanitra izy mianakavy mba hampiseho azy ireo ny fahamarinana. Minitra vitsy monja taorian’izay, dia nanatona ny tranony izy roa vavy. Valim-bavaka mihitsy izany, hoy i Khatuna! Efatra amin’io fianakaviana io izao no mianatra Baiboly, ary mpitory ny roa, dia i Khatuna sy ny rafozambaviny.

Grande-Bretagne

Nanapa-kevitra i Reston fa hasainy avy hatrany hianatra Baiboly ny olona itoriany. Mbola tsy nanandrana an’izany mihitsy mantsy izy. Talohan’ny handondonana ny varavarana voalohany, dia nivavaka vetivety tamin’i Jehovah izy mba hanampy azy ho sahy. Nasainy avy hatrany hianatra Baiboly ilay olona, ary tonga dia nanaiky. Andy no anarany. Tapa-kevitra i Reston fa amin’io andro io ihany dia hiverina hanome an’i Andy an’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Hitany fa olona efa fanaterany gazety ny mpamilin’ilay bisy nandehanany niverina tany. Tadidiny fa nandray tsara i Andy, ka nandrisika azy izany mba hanasa an’ilay mpamily hianatra Baiboly, raha vao tonga ilay bisy.

Fantatry ny vehivavy zokiolona iray tao amin’ilay bisy fa Vavolombelon’i Jehovah i Reston. Nangatahiny hitsidika ny namany iray marary sy hivavaka ho azy io àry izy. Nilaza i Reston fa ho faly hiresaka amin’ilay namany sy hampahery azy amin’ny alalan’ny Baiboly. Iray ihany ny boky Ampianarina tany aminy, ary nampiasa azy io izy mba hampisehoana fa tena manampy ny fianarana Baiboly. Nilaza àry ilay vehivavy fa te hianatra Baiboly izy. Naheno an’ilay resaka ny tovolahy iray teo ampitan’izy ireo. Nahaliana azy ny sary tao amin’ilay boky, ka faly i Reston nanome azy an’ilay izy. Rehefa tonga ilay bisy, dia nilaza tamin’ilay mpamily i Reston fa afaka mampianatra Baiboly azy maimaim-poana any an-tranony. Gaga izy fa nazoto ilay mpamily, sady nilaza fa nanana fanontaniana be dia be momba ny Baiboly. Taorian’izay, dia lasa haingana i Reston naka boky Ampianarina tany amin’ny rahalahy iray nipetraka teo akaiky teo. Tonga tany amin’i Andy ihany izy ny harivan’iny, ary faly i Andy nahazo ilay boky. Natomboka ny fianarana, ary tsy ela dia nampihatra izay nianarany izy. Efa mivory izao i Andy sy ilay mpamily. I Reston kosa manana fampianarana 15, ary olona nasainy hianatra tamin’ny fitoriana voalohany daholo ireo. Mitondra boky Ampianarina maromaro foana izy izao, isaky ny mitory.

Indray maraina, dia niverina teo amin’ny fiarany i François sy Monica ary ny zanany mianadahy, rehefa avy nitory. Tsy nety niditra tao anaty fiara anefa i Shaé, zanany vavy roa taona sy tapany, raha tsy voapetraka ilay taratasy mivalona farany tany aminy. Tamin’izay no nisy fiara nijanona teo ampitan’ny arabe, ary nisy vehivavy roa nivoaka avy tao. Faly erỳ i Shaé nanatona ny iray tamin’izy ireo, ary nanome azy an’ilay taratasy hoe Fiainam-piadanana ao Amin’ny Tontolo Vaovao. I Monica no nanazava an’ilay izy. Liana ilay vehivavy, izay atao hoe Sierra, ary nasainy ho any an-tranony i Monica mba hampianatra ny zandriny roa vavy mbola zatovo. Tamin’ny fianarana voalohany, dia nanontany i Sierra raha azo ampianarina koa ny zanany roa lahy. Tonga nianatra koa ny zana-drahavaviny iray tatỳ aoriana. Nanatrika ny fianaran’ireo ankizy ireo foana i Sierra, sady nametraka fanontaniana be dia be. Nanaiky hianatra izy tamin’ny farany, ary toy izany koa ny vadiny. Tatỳ aoriana, dia nangataka hampianarina ny reniny, ny havany maromaro, ary ny namany sasany. Fampianarana 11 àry no natomboka, noho i Shaé tapa-kevitra ny hametraka ilay taratasy farany tany aminy. Efatra amin’ireo no efa mivory tsy tapaka izao.

Italia

Mivory ao amin’ny fiangonana iray miteny rosianina any Milan i Jennifer. Efa imbetsaka izy no niresaka an-telefaonina tamin’ny vehivavy iokrenianina iray atao hoe Valentina, saingy mbola tsy nihaona taminy mihitsy. Nifanao fotoana teny amin’ny gara àry izy ireo indray mandeha, ary nilaza i Valentina fa hanao palitao mena izy mba hahafantaran’i Jennifer azy. Tonga teny amin’ny gara i Jennifer, ary nahatazana vehivavy nanao palitao mena. Hita hoe nitaditady olona ilay vehivavy. Nanatona azy àry i Jennifer, sady niarahaba azy, ary nanontany hoe: “Valentina ianao e?” Nanaiky ilay vehivavy, ka nanohy i Jennifer hoe: “Izaho ilay Jennifer.” Tsy niteny tsy nivolana anefa ilay vehivavy. Gagagaga i Jennifer, ka nanontany hoe: “Tsy miandry ahy moa ianao?”

Nanda ilay vehivavy. Iokrenianina tokoa izy, Valentina koa no anarany, sady nanao palitao mena izy, saingy olon-kafa no nandrasany! Nihomehy i Jennifer, ary nanazava ny antony nahatongavany teo. Nanontaniany ilay vehivavy raha te hihaino hevitra ara-baiboly iray, izay efa nomaniny holazaina an’ilay Valentina anankiray. Nanaiky ilay vehivavy, ary nihaino tsara. Nasehony an’i Jennifer avy eo ny taratasy kely iray efa nanoratany ny Salamo faha-91, ary nilaza izy fa tena tia Baiboly. Nanomboka nampianatra Baiboly an’io Valentina io àry i Jennifer. Ary ilay Valentina anankiray? Nihaona taminy ihany i Jennifer taorian’izay, ary nanomboka nianatra Baiboly koa izy.

Romania

Nitsidika olom-pantatra ny rahalahy iray, ary niresaka hevitra ara-baiboly tamin’io lehilahy io sy ny vadiny. Tena nahaliana azy ireo izay lazain’ny Baiboly momba ny fifandraisan’ny mpivady, saingy ny fotoana hanaovana dinidinika no tsy nananany. Tia mitandro fahasalamana izy ireo. Fanaon’ilay lehilahy, ohatra, ny mihazakazaka valo kilaometatra isan’andro. Efa imbetsaka ilay rahalahy no nanandrana nanohy an’ilay dinidinika, ka farany dia nanontany an’ilay lehilahy raha afaka miara-mihazakazaka aminy izy. Faly erỳ ilay lehilahy nanaiky izany. Mbola tsy zatra nihazakazaka anefa ilay rahalahy, ary tsy ela dia tsapany fa namizana be ny mihazakazaka sady mitory! Hoy izy: “Vitako ihany ny nitory, nefa izaho nanao akanjo fanaovana spaoro, sady tsy nitondra Baiboly fa nataoko an-kandrina ny andinin-teny.” Imbetsaka izy roa lahy no nanao toy izany. Vao mainka liana tamin’ny Baiboly àry izy mivady, ka nianatra Baiboly tany an-trano amin’izay. Mpitory mazoto izao ilay lehilahy, ary manao sekoly ny zanany mianadahy.

OSEANIA

TANY 30

MPONINA 37 545 115

MPITORY 97 329

FAMPIANARANA BAIBOLY 55 266

Aostralia

Hoy ny rahalahy iray mpisava lalana: “Nangataka ny hanaterako gazety ny dokotera vavy iray atao hoe Pam, isaky ny misy vaovao. Be atao izy, ka indray mandeha ihany aho no nahatratra azy tao an-tranony, tao anatin’ny enim-bolana. Nasitriko tao ambanin’ny varavarany foana àry ireo gazety, sady nasiako hafatra kely. Nanao izay hihaonana taminy foana aho. Rehefa afaka fito volana àry, dia nasiako fanasana ho amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra niaraka tamin’ireo gazety. Nomeko azy koa ny nomeraon’ny telefaoniko. Tsy niantso ahy mihitsy anefa izy. Niverina indray aho ny volana Novambra taorian’ny fivoriambe, ary nahita taratasy kely avy tamin’i Pam, teo am-baravarana.

“Nilaza izy fa tena tiany ireo gazety, ary omeny an’ireo mpiara-miasa aminy ilay izy. Izy ireny kosa avy eo manome an’ilay izy amin’ny marariny eny amin’ny hopitaly. Nilaza koa i Pam fa tena nahafinaritra azy ilay ‘fiarahana’ tany amin’ny fivoriambe. Namaky an’ilay fanasana mantsy, hono, izy ary nangataka telo andro tsy hiasana mba hanatrehana azy io. Nataony fotokopia koa, hono, ilay fanasana ary napetrany tao amin’ny fitoeran-taratasin’ny mpiara-miasa aminy, sady nasiany taratasy milaza fa afaka miantso azy izay te handeha. Rehefa nifarana ny herinandro, dia dokotera 16 no efa nangataka telo andro tsy hiasana mba hanatrehana an’ilay izy. Nanatrika an’ilay fivoriambe manontolo izy 17, noho ny fanasana iray monja nasitrika teo ambanin’ny varavarana! Mianatra Baiboly tsy tapaka amin’ny boky Ampianarina i Pam izao, ary mitarika dinidinika ara-baiboly miaraka amin’ireo dokotera rehetra namonjy fivoriambe.”

Hoy koa ny rahalahy iray: “Efa nangataka mba tsy hotsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona tao amin’ny trano iray. Nahita mpivady nitomany teo an-davarangana anefa aho, rehefa nandalo teo. Nieritreritra aho hoe tsy mety raha lalovana fotsiny izy ireo, nefa efa hita fa mila fanampiana. Nanatona azy ireo àry aho, ary nanontany raha nisy azoko natao. Nampandrosoiny aho, ary namboraka ny tao am-pony izy roa. Hay efa telo taona izy no tsy nahita ny zanany vavy. Hodidiana anefa ilay ramatoa, satria voan’ny kansera, ary natahotra hoe mety tsy ho tafavoaka velona amin’ilay fandidiana, ka tsy hihaona amin-janany intsony. Mpanao fahagagana ny fiangonan-dry zareo, ary nitalaho fanampiana tamin’ny pasiterany izy, andro vitsivitsy talohan’izay. Tsy dia niraharaha azy anefa ilay pasitera, ary tsy nanao na inona na inona. Nasehoko azy ireo tao amin’ny Baiboly àry fa akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah.

“Nisy nandondòna teo am-baravarana, rehefa afaka adiny iray teo ho eo. Noheveriko fa ilay pasitera no tonga, hay tovovavy iray miakanjo tsara. Io ilay zanak’izy mivady notadiaviny hatry ny ela! Nihetsi-po be izy ireo tamin’izay, ka naleoko nangataka ny handeha. Gaga anefa aho fa nanasa ahy hijanona ilay tovovavy, satria nisy zavatra tiany holazaina tamin’ny ray aman-dreniny. Notantarainy fa mpiboboka toaka sy mpifoka rongony izy teo aloha sady nanimba ny fiainany. Nianatra Baiboly anefa izy, ary izay no nandrisika azy hody sy hifandray amin’ny ray aman-dreniny indray. Natao batisa, hono, izy vao haingana, ary Vavolombelon’i Jehovah izy izao.”

Nitsidika azy ireo ilay pasitera andro vitsivitsy taorian’izay, ary nilazan’izy mivady fa nody ny zanany satria lasa Vavolombelon’i Jehovah. Tsy niteny tsy nivolana izy, fa tonga dia lasa. Niantso azy hiverina haka taratasy iray teo ambonin’ny latabatra ilay lehilahy tamin’izay. Taratasy fialana amin’ny fiangonana ilay izy.

Papouasie-Nouvelle-Guinée

Nandeha nitory tany amin’ny faritany tsy voasa matetika ny rahalahy sy anabavy 23. Mafy ilay dia an-tongotra, satria sady niakatra tendrombohitra izy ireo, no nita renirano. Tafaresaka tamin’ny mpitondra fivavahana anglikanina ny anabavy iray, tao amin’ny tanàna iray. Tena faly izy io rehefa nohazavaina taminy ny Daniela 2:44. Hoy izy: “Hoatran’ny ondry very mihitsy izahay atỳ.” Nandray gazety sy bokikely izy, ary nangataka Baiboly.

Telo andro tatỳ aoriana, dia nisy anabavy roa nitory tamin’ny tovovavy roa, tao amin’ny tanàna hafa. Faly izy roa vavy nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana. Rehefa nody avy teny an-jaridaina ny rainy ny tolakandro, dia nolazain’izy ireo taminy izay nianarany tao amin’ny Baiboly. Nilaza ny rainy fa te handre mivantana an’izany hafatra tena mahafinaritra izany. Nangataka hihaona tamin’ireo rahalahy sy anabavy rehetra tao amin’ilay trano kely nilasian’izy ireo àry izy. Izy no lehiben’ny tanàna, ka naniraka olona izy hahandro sakafo sy hanatitra izany any amin’ireo rahalahy. Tonga tany izy ny harivan’iny sady nivimbina jiro, ary nisy olon-kafa nanaraka azy. Hoy izy ireo: “Gaga izahay nahita anareo, satria sambany no misy Vavolombelon’i Jehovah tonga atỳ aminay.” Nasehon’ireo rahalahy avy ao amin’ny Matio 24:14 àry ny anton-diany. Nanazava ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana koa izy ireo, ary nametraka boky sy gazety.

Dimy andro no lasa, ary tonga tao amin’ny tanàna hafa ireo rahalahy, tamin’ny iray tolakandro teo ho eo. Nihevitra ny mponina tao fa hatory ao izy ireo, ka nanomboka nanorina trano hazo tsy misy rindrina hilasiany. Nanazava anefa ireo rahalahy fa ny androtr’io ihany izy ireo no handeha, rehefa avy mitory amin’ny mponina rehetra. Afaka nitory tamin’ny olona rehetra tao sy ny lehiben’ny tanàna àry izy ireo. Nandray boky sy gazety io lehilahy io, ary nanome voaniho sy akondro ary papay.

Fidji

Mandeha an-tongotra foana ny mpisava lalana, any amin’ny faritra iray any ambanivohitra. Rehefa tsy be vovoka ny lalana dia feno fotaka. Mpisava lalana i Nagamma sy Reshma zanany vavy. Nasain’izy ireo mba ho mpisava lalana miaraka aminy mandritra ny iray volana i Ushla, anabavy jamba iray. Nandeha an-tongotra kilaometatra maro izy ireo isan’andro, ary i Ushla no nataony teo afovoany. Nisy fianakaviana iray nandinika azy ireo avy teo am-baravarana indray andro avy orana. Nandeha tamin’ny lalana feno fotaka izy telo, ary niezaka niala lavaka. Latsaka tao anaty lavaka ihany anefa ny tongotr’ilay anabavy jamba, ka feno fotaka. Nijanona àry izy mianaka, ary namafa ny tongony. Tsy naharitra intsony ilay raim-pianakaviana, fa niantso azy telo mianaka, ary nanontany hoe: “Hitanay mandeha an-tongotra foana ianareo telo isan’andro. Fa mankaiza foana ianareo e?” Nohazavain’izy ireo taminy fa mandeha mampianatra Baiboly izy. Niaiky ilay lehilahy fa tena zava-dehibe ilay hafatra entin’izy ireo, matoa mahavita dia an-tongotra lavitra be izy ireo mba hampitana an’ilay izy. Noho izany, hono, dia tokony handre an’ilay hafatra koa izy! Nanomboka nianatra Baiboly àry izy mianakavy.

Guam

Mipetraka any amin’ny nosy Tinian i Liza, tovovavy avy any Philippines. Mpiasa an-trano izy ary kilasimandry. Matetika izy no nangataka Tilikambo sy Mifohaza!, rehefa nitory tao amin’ilay trano niasany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza izy fa tiany ireo gazety, nefa nandrehetana afo ilay izy, raha ny marina.

Nanjary tsy an’asa i Liza tany am-piandohan’ny taona 2007. Teny amoron-dranomasina izy no natory, satria tsy nanan-kialofana. Nandalo teo akaikin’ny Efitrano Fanjakana izy indray mandeha, ary nahita anabavy roa nipetraka teo amin’ny alokaloka. Nasain’izy ireo hihina-manga i Liza, ary niresadresaka tamin’izy ireo izy. Nandalo teny koa izy ny ampitson’iny, ary niresaka taminy indray ireo anabavy. “Mba te hiangona atỳ aminareo aho”, hoy i Liza. Nanasa azy hamonjy ny fivoriana hatao ny harivan’io àry ireo anabavy, sady menatra ihany satria tsy nahatsiaro hanasa azy hivory akory. Nanaiky i Liza, satria nanantena fa hanampy azy hahita asa ny Vavolombelona.

Gaga anefa izy rehefa tonga nivory, satria hitany fa tena tso-po ireo rahalahy sy anabavy sady niahy ny hafa. Nanohina ny fony izany, ka latsa-dranomaso izy. Tsapany mantsy fa fitiavan-tena no nahatongavany teo. Tsaroany koa ireo gazety rehetra nodorany. Nanohina ny fony ny fitiavana nasehon’ireo rahalahy sy anabavy, ka nanatrika ny fivoriana rehetra sy nianatra Baiboly tsy tapaka izy, nanomboka teo. Nahita asa izy, nahafeno fepetra ho mpitory, ary natao batisa tamin’ny Febroary 2008.

[Sary, pejy 45]

Madalena

[Sary, pejy 48]

Mianatra “Tilikambo” eny ambony botry

[Sary, pejy 50]

Ny Anabavy Barker, miandry mpandalo hitoriana

[Sary, pejy 53]

Mipai-bato i Purnamaya mba hanampiana ny fianakaviany amin’ny fivelomana

[Sary, pejy 54]

Mitory amin’ny vehivavy karàna ao amin’ny toeram-pambolena hazo fingotra

[Sary, pejy 57]

Reston mampianatra an’i Andy

[Sary, pejy 58]

Shaé

[Sary, pejy 63]

Nagamma sy Reshma manampy an’i Ushla