Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany—Tatitra Maneran-tany 2008

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany—Tatitra Maneran-tany 2008

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany​—Tatitra Maneran-tany 2008

HITANTSIKA isan-taona ato amin’ity boky ity ny ezaka natao hanampiana ny olona hahalala an’i Jehovah Andriamanitra sy ho tia azy. Mbola tsy nitatra toy izao mihitsy io asa io. Aiza no hisy fikambanana hahavita hanakarama olona an-tapitrisany, mba hanambara hafatra amin’ny olona tsy tambo isaina sy avy amin’ny firenena samy hafa toy izany? Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa anefa tsy mitaky tambin-karama, rehefa mampianatra Baiboly. Manaraka ny toromarika nomen’i Jesosy ny mpianany kosa izy ireo. Hoy izy, roa arivo taona lasa teo ho eo izay: “Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.” (Mat. 10:8) Rehefa mandinika ny zava-bita tamin’ny taom-panompoana lasa àry ianao, dia tadidio tsara fa nahafoy tena sy nanome maimaim-poana ny olona nanao izany, satria te hamaly fitia an’Andriamanitra.

Tatitra Maneran-tany 2008

Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah: 115

Tany Nanao Tatitra: 236

Tontalin’isan’ny Fiangonana: 103 267

Mpanatrika ny Fahatsiarovana Naneran-tany: 17 790 631

Isan’ny Nandray Mofo sy Divay Tamin’ny Fahatsiarovana: 9 986

Tampon’isan’ny Mpitory Ilay Fanjakana: 7 124 443

Salanisan’ny Mpitory Isam-bolana: 6 829 455

Fitomboana Isan-jato Oharina Amin’ny Tamin’ny 2007: 2,1

Tontalin’isan’ny Natao Batisa: 289 678

Salanisan’ny Mpisava Lalana Mpanampy Isam-bolana: 321 986

Salanisan’ny Mpisava Lalana Maharitra sy Manokana: 732 912

Tontalin’ny Ora Lany Teny Amin’ny Saha: 1 488 658 249

Salanisan’ny Fampianarana Baiboly Isam-bolana: 7 133 760

Nandritra ny taom-panompoana 2008, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nandany 141 tapitrisa dolara mahery, nikarakarana an’ireo mpisava lalana manokana sy misionera, ary mpiandraikitra mpitety faritany teo amin’ny fanompoana nanendrena azy ireo avy.

◼ Misy 19 820 no miasa any amin’ireo biraon’ny sampana. Anisan’ny Vondron’ny Mpanompo Manontolo Andro Manokana Eran-tany, izy rehetra.

[Tabilao, pejy 32-39]

TATITRA MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PANOMPOANA 2008

(Jereo ny boky)

[Sarintany, pejy 40-42)

(Jereo ny boky)