Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra,

Tena faly manoratra ho anareo izahay, ry rahalahy malala! Mitovy fihetseham-po amin’ny apostoly Jaona mihitsy izahay. Nilaza izy fa ‘tena tiany’ ny mpiara-manompo taminy, ary ravoravo izy nahafantatra fa “mandeha ao amin’ny fahamarinana” izy ireo. (2 Jaona 1, 4) Sarobidy amintsika rehetra tokoa ny fahamarinana! Izy io mantsy no nanafaka antsika tamin’i Babylona Lehibe sy ny fampianarany ary ny fombafombany, izay manala baraka an’Andriamanitra. Manampy antsika haneho fitiavana sy ho tsara fanahy ary hamindra fo koa ny fampiharana azy io. Tsy vitan’izany fa noho io fahamarinana io, dia afaka ny hadio eo anatrehan’Andriamanitra isika, sady manantena hiaina mandrakizay.

Velom-pisaorana an’i Jehovah koa isika, satria tia antsika izy, ka manome antsika ny fanahiny, izay mitari-dalana sy mampahery antsika isan’andro! Nohazavaina tamintsika ny fomba samihafa ampiasan’i Jehovah ny fanahiny, tamin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra hoe “Araho ny Fitarihan’ny Fanahy Masina.” Mino izahay fa nahafinaritra anareo izy iny. Miharatsy ny fiainana eran-tany, ka vao mainka isika mila miantehitra amin’io fanahy mahery io, mba hitarika antsika mandritra ny fotoan-tsarotra ho avy.

Azo antoka fa nanohina ny fonareo ny namaky ny tantara ao amin’ny Diary, momba ireo rahalahy niaritra fahoriana mafy noho ny finoany. Tena mahagaga izany, rehefa eritreretina fa maro tamin’izy ireny no vita batisa vao haingana, na mbola tsy vita batisa akory aza. Tena tiantsika izy ireny, satria tsy nivadika sady nijoro tamin’ny fahamarinana! Tena modely ho antsika izy ireny, ka mandrisika antsika mba ho tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’ilay Fanjakana, na inona na inona olana mahazo antsika.—1 Tes. 1:6-8.

Etsy an-danin’izany, ry rahalahy sy anabavy malala, dia fantatray fa tsy mora ny manao izay hampiray sy hampifankatia foana ny fianakaviana, noho ny fahasahiranana ara-bola sy ny olana maro hafa. Na ny mandeha mitory sy mivory tsy tapaka aza dia efa tena sarotra amin’ny sasany aminareo. Nodinihina tsara sy nentina tamim-bavaka àry izany, ka notapahina ny hevitra fa hovana ny fandaharam-pivoriana, manomboka ny 1 Janoary 2009. Matoky izahay fa hohararaotinareo tsara io fiovana io, ka hanokana fotoana bebe kokoa ianareo, mba hianarana Baiboly samirery sy miaraka amin’ny fianakavianareo.

Tena faly koa isika nahita olona maro nahafeno fepetra sy natao batisa, tamin’ireo fivoriambe natao tamin’ny taon-dasa. Tena mbola kely ny sasany tamin’izy ireny. Mendri-piderana ianareo ray aman-dreny, satria nampianatra ny zanakareo ho tia ny fahamarinana, ary nampirisika azy ireo hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hanompo azy dieny mbola kely. Tsara taiza ireny ankizy malalantsika ireny, matoa nahafeno fepetra sy natao batisa, na dia maro aza ny olana atrehiny any am-pianarana.—Sal. 128:1-6.

Tiantsika homarihina koa ny fitomboan’ny fampianarana Baiboly. Tena tsara izany! Nandray anjara betsaka tamin’izany ny misionera sy ny mpisava lalana manokana, izay niasa mafy tokoa. Tsy latsaka noho izany koa ny asa nataon’ireo rahalahy sy anabavy eran-tany. Miantso ny olona tso-po izy ireny hoe: “Avia!”, ka manasa an’izay rehetra mangetaheta mba “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” (Apok. 22:17) Tena mankasitraka an’izany izahay rehetra anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Faly izahay miarahaba an’ireo olona 289 678, izay nanokan-tena ho an’i Jehovah ka nampiseho izany tamin’ny batisa anaty rano, tamin’ny taon-dasa. Tonga soa ao amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy eran-tany ianareo!

Mila tadidintsika foana anefa ireto tenin’ny apostoly Jaona ireto: “Mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17) Efa tena kely mihitsy sisa dia ‘handalo’ ity tontolo ity! Tena mila manao ny sitrapon’Andriamanitra sy ‘miambina hatrany’ àry isika. (Mat. 24:42) Hendry isika raha ireo no imasoantsika. Tsy hanenenantsika mihitsy izany, ary hotahin’i Jehovah isika noho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.—Isaia 63:7.

Tena manohina ny fo ny fitantarana maro ato amin’ity Diary ity. Antenainay fa handrisika anareo rehetra hanao ny asan’ilay Fanjakana ho loha laharana ny famakiana izany. Tadidio fa mahatsiaro anareo mandrakariva izahay, sady mivavaka ho anareo foana. Tena tianay koa ianareo. Enga anie i Jehovah hanome fitahiana tondraka ho anareo!

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah