Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

NIFARANA indray ny taona iray nahitam-bokatra teo amin’ny fanompoana masina, ka faly isika. Manatanteraka asa lehibe amin’ny alalan’ny mpanompony ilay Andriamanitsika. Rehefa mandinika ny zava-nisongadina sasany tamin’izany isika, dia tena afaka milaza hoe: “Nataonao nandravaka ny taona ny hatsaranao”!—Sal. 65:11.

‘VAOVAO TSARA’ AO AMIN’NY INTERNET

Vavolombelon’i Jehovah isika, ka miantsoroka tsara ny andraikitsika ‘hitory ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity maneran-tany, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra’, alohan’ny farany. (Mat. 24:14) Manampy antsika hanafaingana ny fampielezana “ny teny momba ilay fanjakana” ny fivoaran’ny teknolojia. (Mat. 13:18-23) Efa 11 taona àry izao no nampiasantsika Internet mba hanomezana fanazavana ara-baiboly ho an’ny besinimaro. Toy izao ny adiresintsika: www.watchtower.org, ary misy fiteny 314 azo isafidianana ao. Afaka mahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly amin’izay fiteny tiany ny olona mikaroka ao. Azony atao ny manokatra an’ireto: “Zavatra Inoany sy Asany”, “Loha Hevitra”, “Andriamanitra sy ny Hoavinao”, “Fitsaboana sy Ra” ary “Boky Azo Hafarana.”

Maro no manokatra an’ilay adiresintsika mba hamaky Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, izay efa misy ao, amin’ny fiteny folo. Olona 6 300 mahery no mamaky azy io isan’andro. Ny Salamo sy Ohabolana ary ny Filazantsara no tena be mpamaky.

Misy lahatsoratra alaina avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza!, ary ampidirina isan-kerinandro ao amin’ny Internet, amin’ny fiteny 12. Lahatsoratra ilain’ny besinimaro amin’ireo efa vita pirinty no fidina. Maro koa no te hahalala momba ny zavatra inoantsika, sy ny fivoriantsika, ary ny fomba ahitantsika vola hanaovana ny fitoriana. Mahita fanazavana momba izany ao amin’ny Internet izy ireo, rehefa mamaky an’ilay bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany? Azo vakina ao koa ilay taratasy mivalona hoe Ho Ringana Tsy ho Ela ny Fivavahan-diso!, amin’ny fiteny 252, ary anisan’izany ny tenin’ny tanana dimy.

NAHITA NY FAHAMARINANA TAO AMIN’NY INTERNET

Inona no vokatry ny nampidirana ny bokintsika tao amin’ny Internet? Olona 60 000 mahery no manokatra ny adiresintsika isan’andro! Maro amin’izy ireny no mipetraka any amin’ny toerana vitsy Vavolombelona, na any amin’ny tany andrarana ny asantsika. Ho afa-po àry ireny olona mangetaheta ny fahamarinana ireny, noho ny Internet.

Hoy i Bryon: “Efa tiako hatramin’izay ny mianatra momba ny Baiboly, nefa isaky ny niangona niaraka tamin’ny namako aho, dia hirahira sy lalao fotsiny no natao tany.” Nanohy fianarana sy nanao fanatanjahan-tena àry izy. Nianatra fiteny dimy koa izy, ary nahazo vatsim-pianarana tany amin’ny oniversite mihitsy. Mbola tsy hitany foana anefa ny fahamarinana notadiaviny. Nivavaka momba izany àry izy.

“Tena te hahazo ny valin’ny fanontaniako aho”, hoy i Bryon. “Tapaka ny hevitro fa hijery momba ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Internet aho. Nisy Vavolombelona niara-nianatra tamiko mantsy nilaza hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Novakiko tao amin’ny Internet àry ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Ela ny ela ka voavaly ny fanontaniako.” Nangataka hampianarina Baiboly i Bryon, nandroso haingana, ary nanokan-tena ho an’i Jehovah tamin’ny 2004. Mpisava lalana maharitra izy izao, ary te ho tonga misionera satria mahay fiteny maro.

“MOMBA ANAREO ANDRIAMANITRA”

Mahafaly ny mahalala fa olona an’arivony, “avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena”, no manokatra ny adiresintsika ao amin’ny Internet isan’andro! (Zak. 8:23) Misy 94 eo ho eo isan’andro no mamaly an’ilay fanasana hoe “Tianao ve ny Hotsidihina?”

Te hahalala momba ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah i Denise, saingy nisalasala hankany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nanapa-kevitra ny hikaroka tao amin’ny Internet àry izy, ka nahita ny adiresintsika. Namaky fanazavana tao izy, ary niaiky fa nahita ny fahamarinana. Tsy te hangataka fampianarana Baiboly anefa izy, satria fantany fa mila manova ny fiainany mba hifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly. Inefatra izy no nameno an’ilay tapakila ao amin’ny Internet hoe “Tianao ve ny Hotsidihina?”, saingy tsy vitany mihitsy ny nanindry an’ilay hoe “Alefa.”

Nameno an’ilay tapakila indray izy tamin’ny Martsa 2007, ary izay no fanindiminy. Tena nalefany anefa ilay izy tamin’izay. Nomena ny fiangonana akaiky azy ilay fangatahana, ary nasain’ny anti-panahy nitsidika azy ny anabavy iray atao hoe Vonnie. Iny herinandro nitsidihana azy iny ihany dia nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana i Denise.

Volana vitsivitsy taorian’izay, dia nodorany ny fitaovana nampiasainy tamin’ny fivavahany, niala tamin’ilay fivavahana izy, ary nameno fepetra mba ho mpitory. Nandroso haingana izy sy ny zanany roa lahy. Nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana ilay zanany lahy valo taona. Natao batisa i Denise tamin’ny Janoary 2008 ary lasa mpisava lalana mpanampy, roa volana taorian’izay, izany hoe herintaona katroka taorian’ny namenoany an’ilay tapakila. “Tsy ho afaka nilaza ny tantarako aho, raha tsy nisy an’ilay adiresinareo tao amin’ny Internet”, hoy i Denise.

Nanomboka tamin’ny Janoary 2008, dia misy boky sy gazetintsika noraisim-peo amin’ny fiteny 17 koa, ao amin’ny Internet. Azon’ny besinimaro henoina sy atao kopia izy ireny ao amin’ilay adiresy hoe www.pr418.com. Tena betsaka ny olona liana amin’ilay izy, ka boky sy lahatsoratra iray tapitrisa mahery no misy manao kopia isam-bolana! Mpitory maro koa no mihaino ny lahatsoratra amin’ny gazetintsika eny an-dalana hiasa na hianatra.

FANDIKAN-TENY TENA NILAINA

Mahafinaritra erỳ ny mieritreritra hoe ampian’ny anjely isika, rehefa mandrisika olona avy amin’ny ‘firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny rehetra’ hanome voninahitra an’Andriamanitra! (Apok. 14:6, 7) Mamoaka boky sy gazety amin’ny fiteny 450 eo ho eo isika, mba hanampiana ny olona hanaiky ny hafatra ara-baiboly amin’ny fiteny azony tsara.

Ny tetum no fitenin’ny olona any Timaoro Atsinanana. Vao navoaka tamin’io fiteny io ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, dia efa tsy ampy sahady. Tsy nahazo àry i Maria, izay vao nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny boky Ampianarina, tamin’ny teny indonezianina. Niangavy an’ilay mampianatra Baiboly azy izy mba hampindrana azy an’io boky amin’ny fiteny tetum io, mandritra ny roa andro. Nazoto erỳ izy namerina ny lesona rehetra efa nianarany. Azony tsara kokoa mantsy ny fahamarinana maro rehefa novakiny tamin’ny fiteniny, fa tsy tamin’ny teny indonezianina. Tsy sahy nitaky an’ilay bokiny ilay mpampianatra azy. Mbola mianatra Baiboly i Maria izao sady mamonjy fivoriana.

Ny teny anglisy sy swahili kosa no fampiasa atsy Kenya, eo amin’ny sehatry ny varotra sy ny raharaham-panjakana. Kenyanina an-tapitrisany anefa no mahazo kokoa ny fiteny kikuyu sy kikamba sy luo ary fiteny hafa eo an-toerana. Nanjary liana kokoa tamin’ny fahamarinana àry ny olona, rehefa nivoaka tamin’ireo fiteny ireo ny bokintsika. Nanomboka nampiasa boky tamin’ny fiteny luo ny Fiangonana Siaya, ary nanao fivoriana tamin’io fiteny io mihitsy. Hoy ny anti-panahy: “Mazava kokoa amin’ireo rahalahy izao ny fampianarana. Mihaino kokoa ny ankizy. Nitombo 60 isan-jato ny mpanatrika hatramin’ny nampiasana drafitry ny lahateny amin’ny fiteny luo.”

Ny fiteny miskito no be mpampiasa kokoa any Nikaragoà noho ny teny espaniola. Nahatratra 200 mahery ny nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny fiteny miskito, ary niezaka be mihitsy ny sasany. Nitaingina zahatra namboariny, ohatra, ny rahalahy 13 avy tao Asang, tanàna kely amoron’ny Reniranon’i Coco, ary nanaraka an’ilay renirano nandritra ny roa andro mba ho any amin’ny tanànan’i Waspam. Nandeha kamiao nandritra ny adiny dimy indray izy ireo, vao tonga tao amin’ny fivoriambe. Sambany vao nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra ny ankamaroany. Faly erỳ izy ireo nandre ny fandaharana tamin’ny fiteniny! Lany vola anefa izy ireo, ka nanangom-bola ny mpanatrika hafa mba hahazoan’ireo rahalahy ny saran-dalana mody.

Faly be ny mpanatrika rehefa navoaka tamin’ny fiteniny ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Tena nankasitraka izany ny mpisava lalana. Ny boky Ampianarina amin’ny teny espaniola mantsy no nampiasain’izy ireo teo aloha, ary izy ireo ihany no nandika ny fehintsoratra sy ny fanontaniana tamin’ny fiteny miskito. Afaka mifantoka amin’ny fampianarana ny fahamarinana ara-baiboly izy ireo izao, fa tsy mila mieritreritra fandikan-teny intsony.

Fiteny fampiasa any Amerika Atsimo ny quechua. Mampiasa azy io ny mpitory sasany any Peroa. Hoy izy ireo: “Rehefa mamarana ny resaka amin’ilay olona itorianay izahay, dia ilazanay izy fa manana boky amin’ny fiteny quechua izahay. Tena nihetsi-po be ny sasany rehefa nahazo boky amin’ny fiteniny ka latsa-dranomaso, ary nanoroka an’ilay boky.” Hoy ny biraon’ny sampan’i Peroa: “Nanao zavatra be dia be ny rahalahy sasany mipetraka any amin’ny faritra miteny quechua, mba hanehoana ny fankasitrahany. Niaiky ny rahalahy iray avy namaky ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? fa izao vao azony ny dikan’ny vidim-panavotan’i Kristy sy ny maha zava-dehibe azy io. Nisy mpamaky nandefa voankazo, ovy, mofo ary zavatra hafa tany amin’ny sampana, ho fankasitrahana.”

Miezaka mafy koa ny fandaminana mba handika boky sy gazety amin’ireo fiteny any amin’ny nosy lavitra any Pasifika. Hoy ny anabavy iray tamin’ny misionera any Pohnpei, nosy iray any Mikronezia: “Misaotra an’i Jehovah aho fa tsy hadinony izahay. Volana vitsivitsy taorian’ny nivoahan’ny Tilikambo anglisy mantsy taloha vao voarainay ny amin’ny fiteny ponape.” Nivazivazy kely izy hoe: “Nihevitra izahay fa angamba ho tara koa ny Hara-magedona vao ho tonga atỳ aminay. Miara-mianatra Tilikambo amin’ny hafa rehetra anefa izahay izao, sady tsara tarehy toy ny anglisy ny anay. Tena misaotra ny Filan-kevi-pitantanana izahay fa miahy anay izy.”

Faly be ny rahalahy sy anabavy any amin’ny Nosy Marshall, any Pasifika Avaratra, fa nahazo Tilikambo ho an’ny besinimaro, amin’ny fiteniny. Tia mamaky tantaram-piainana izy ireo, nefa tsy omby hasiana an’izany ny Tilikambo teo aloha. Nisy rahalahy voatery nandika an’ireny tantara ireny avy tamin’ny gazety anglisy. Faly erỳ àry izy ireo rehefa nivoaka voalohany tao amin’ny gazety ho an’ny besinimaro ny tantaram-piainana. Hoy ny mpamaky iray, 16 taona: “Efa an-taonany maro aho no namadibadika ny gazety anglisy, ary nijery ny sary ao amin’ny tantaram-piainana. Tena te hamaky an’ilay izy aho. Afaka manao izany anefa aho izao.”

Manova fiainana na dia bokikely iray monja voadika amin’ny fiteny hain’ny olona aza. Naely nanerana ny tany iray any Azia Afovoany, ohatra, ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, na dia voasakantsakana aza ny asantsika any. Nahazo azy io ny tovolahy iray, ary namaky an’ilay izy. Nanohina ny fony izany, ka nankany amin’ny renirano tsy lavitra teo izy, ary izy ihany no “nanao batisa” ny tenany. Rehefa nilazana izy fa nila nianatra Baiboly, dia nanaiky avy hatrany, ary tena natao batisa tsy ela taorian’izay. Manokana fotoana betsaka hitoriana ny vaovao tsara izy izao.

MANDROSO NY FANDIKANA BAIBOLY

Tena tian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Tenin’Andriamanitra, ary tena ankasitrahany ny fandikan-teny mazava sy marina tsara. Faly àry ny vahoakan’Andriamanitra, fa voadika amin’ny fiteny 70 mahery ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany aminy. Na dia tena mahafaly aza ny fivoahan’izy io, dia ny fampiasana azy isan’andro, rehefa mianatra samirery sy mivory ary manompo, no tena manohina ny fo sy mamolavola ny toe-tsaina.

Naharay taratasy maro fankasitrahana ny biraon’ny sampan’i Rosia, noho ny Baiboly manontolo Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny teny rosianina. Hoy ny vehivavy iray: “Efa imbetsaka aho no nahavaky Baiboly. Rehefa mamaky an’ity fandikan-teny ity anefa aho, dia hoatran’ny hoe sambany vao mamaky Baiboly! Latsaka mihitsy ny ranomasoko indraindray, ary mangorintsina any amin’ny hazondamosiko any, satria tena manohina ny foko ny hafatra ao amin’ny Baiboly.”

Mazava ilay fandikan-teny, ka hoy ny mpamaky iray: “Namaky ny Genesisy toko faha-18 aho androany, ka manoratra ho anareo. Tena nanohina ny foko ilay resadresaka nataon’i Abrahama tamin’i Jehovah, eo amin’ny andininy faha-23-32. Efa fanindiminy aho izao no namaky Baiboly, nefa sambany vao tena nieritreritra an’io resadresaka io. Azoko tsara izay tsapan’i Abrahama, ary hoatran’ny hoe henoko mihitsy ny teniny sy ny an’i Jehovah. Latsa-dranomaso aho rehefa nieritreritra ny fiahian’i Jehovah. Toy ny tena izy ilay tantara, ao amin’io fandikan-teny io. Nanjary tsapako mihitsy ny toetran’i Jehovah fa tsy hoe fantatro fotsiny.”

“Misaotra noho ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo!”, hoy i Svetlana, avy any Moscou. “Ela ny ela ka tsy sahiran-tsaina intsony izahay rehefa mamaky ny ‘Testamenta Taloha.’ Hita hoe fandikan-teny tranainy sy sarotra mantsy ilay nanananay. Tsotra kosa ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao!”

Hoy ny mpamaky iray: “Nitory tamin’i Irina izay miasa ao amiko aho. Nanonona andinin-teny fotsiny aho tamin’ny voalohany. Rehefa nanokatra Baiboly kosa aho, ka nampiseho an’ilay vavaka modely nolazain’i Jesosy, dia nanontany izy hoe: ‘Ilay Rainay Izay any An-danitra ve io?’ Novakiny ny tenin’i Jesosy, ka faly izy. Hoy izy: ‘Tsara be ilay izy, sady tena mazava! Reko foana io vavaka io, fa tsy azoko mihitsy. Mazava be sy tsotra izy ato amin’ity Baiboly ity! Te hahazo hoatran’ity aho. Mba ataovy moa izay hahazoako Baiboly hoatran’ity e!’ Hoy aho: ‘Izay tena maniry hamaky Baiboly ihany no omenay.’ Namaly tamim-pahatsorana izy hoe: ‘Tsy tia mamaky Baiboly mihitsy aho taloha. Nanana maromaro aho fa nomeko olona daholo. Izao kosa aho tena te hamaky Baiboly!’ ”

Nilaza toy izao ny rahalahy iray momba Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny teny iokrenianina: “Te haneho ny fankasitrahako aho, noho io fanomezana tsara dia tsara avy amin’i Jehovah sy ny fandaminany io. Tiako ny mamaky ny pejy tsirairay, ary tsy misaraka amiko mihitsy io Baiboly io. Tsotra sy mora azo ny teny ao. Manohina ny foko ilay izy, ary azoko tsara ny fampianarana lalina ao amin’ny Baiboly.”

Faly koa ireo nahazo ny Baiboly amin’ny teny serba sy kroaty. “Tena mora vakina ilay izy, sady tena mora azo noho ilay Baiboly nampiasainay an-taonany maro”, hoy ny anabavy kroaty iray. “Manohina kokoa ny foko ny torohevitra ao. Lasa mahafantatra an’i Jehovah mihoatra noho ny hatramin’izay aho.”

Nivoaka ny 2 Novambra 2007 Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny samoanina. Ny Rahalahy Geoffrey Jackson no nanao ny lahateny tamin’izay. Lafo sady vitsy ny Baiboly mahazatra amin’ny teny samoanina, ka tena faly ireo rahalahy fa afaka mahazo Baiboly izy izao. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia hoy ny mpitory iray: “Misy hevitra hoatran’ny tsy voalazan’ilay Baiboly taloha, nefa ahariharin’ilay vaovao, ka lasa mazava kokoa.”

Nampianatra Baiboly ny anabavy iray, ary voatonona tao amin’ilay boky ny Jakoba 4:8. Hoy izy: “Nilazako ilay mpianatra hoe hovakintsika ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ilay andininy, na dia efa fantatsika aza. Rehefa namaky izahay, dia noheverinay fa andininy hafa no voavakinay, nefa hay ilay izy ihany. Gaga ilay rahavavy niara-nampianatra tamiko, ka hoy izy: ‘Niova be ilay andininy.’ Azonay tsara izao fa ny hoe ‘manatona an’Andriamanitra’ dia midika hoe mifandray akaiky aminy. Tsy nivoaka anefa izay hevitra izay tao amin’ilay Baiboly mahazatra. Tena nanohina ny fonay ilay andininy, ka lasa te hifandray akaiky amin’i Jehovah izahay.”

Taoriana kelin’ny nivoahan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny sinoa, dia hoy ny misionera any Taïwan: “Nanolotra an’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny mpisolovava iray mpamaky ny gazetintsika izahay. Nanontany izy hoe inona no ilana fandikan-teny vaovao. Gaga be izy rehefa nampisehoanay andininy vitsivitsy. Niaiky izy fa tena mora azo ilay fandikan-teny vaovao raha oharina amin’ny Dikan-teny Iombonana famakiny.” Nahazo Baiboly tamin’ireo misionera koa ny ramatoa iray anisan’ny Antenimieran-doholona. Nataony tao amin’ny biraony ilay izy, ary hitan’ny rangahy iray mpilaza vaovao ao amin’ny radio. Marihina aloha fa mpanakiana Vavolombelon’i Jehovah izy io. Noraisiny ilay izy ary novakiny. Tena gaga izy, ka niantso an-telefaonina an’ireo misionera ary nangataka Baiboly iray.

Tsy nahafinaritra tamin’ny anabavy kirghiz iray ny namaky Baiboly, satria marary maso izy ka sahirana rehefa mamaky teny. Niova hevitra anefa izy rehefa nahazo Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny teny kirghiz. Fahafinaretana lehibe ho azy izao ny mamaky Baiboly, satria tsy sarotra ilay fandikan-teny sady mazava.

“Tena tsara ilay fandikan-teny!”, hoy ny anabavy iray. “Tsy manao diso mihitsy aho rehefa mamaky mafy azy io. Satriko hamerimberina hamaky an’ilay izy foana! Hoatran’ny hoe vao mianatra ny fahamarinana indray aho.”

Nanoratra ho an’ny Filan-kevi-pitantanana ny anabavy iray tsy mandre tsara. Hoy izy: “Tiako ny Filazantsaran’i Matio amin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina. Lasa toy ny tena izy ny fitantaran’ny Baiboly ary manohina ny foko. Toy ny hoe mahita ny endrik’i Jesosy mihitsy aho. Azoko tsara ny toetrany, ny hatsaram-panahiny, ary ny fitiavany lalina. Tiako be ilay Filazantsaran’i Matio. Fa hono ho’aho, mba azonareo hafainganina ve ny fandikana ny boky hafa ao amin’ny Baiboly, amin’ny tenin’ny tanana?”

Rehefa voadika tsara tokoa ny Baiboly, dia toy ny hoe afaka ny zavatra manakona ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra. Hamirapiratra ao am-pon’ny mpamaky ny hazavan’ny fahamarinana amin’izay. Faly àry ireo maniry mafy hanatona ny Rainy any an-danitra, rehefa mivoaka amin’ny fiteniny ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, satria izay no fiteny manohina ny fony.

MPIASA MARO KOKOA NIRAHINA HIJINJA NY VOKATRA

Notsorina ny fomba fiasan’ny sampan’i Etazonia, ka maro ny mpianakavin’ny Betela notendrena hanompo any an-toeran-kafa. Nalefa any amin’ny sampana hafa ny sasany, ary an-jatony no notendrena ho mpisava lalana manokana sy maharitra manerana ilay tany. Inona no tsapan’izy ireo tamin’izany? Ahoana no niatrehany izany zava-tsarotra izany? Inona no soa noraisin’ny fiangonana?

“Efa an-taonany maro izahay no niangavy ‘ny Tompon’ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra’ ”, hoy i Todd sy Leslie. “Tsy nampoizinay mihitsy hoe izahay ihany no hanatanteraka izany! Hitanay anefa izao fa i Jehovah no mitarika ny zavatra rehetra. Raisinay ho voninahitra àry ny niheveran’i Kristy anay ‘ho mendri-pitokisana ka notendreny hanao fanompoana.’ ”—Mat. 9:37, 38; 1 Tim. 1:12.

Hoy i Franco, rehefa mieritreritra an’ireo volana voalohany nanompoany tany amin’ilay toerana vaovao: “Tsy noeritreretinay mivady mihitsy hoe hay tena mbola nila mpitory betsaka teto Etazonia. Toa tsy tambo isaina ny fampianarana Baiboly nila natomboka, tamin’izahay vao tonga teto.” Mitovy hevitra amin’ireny mpisava lalana ireny i Curtis sy Karolynne, rehefa nilaza hoe: “Faly be izahay notendrena hanompo eny amin’ny saha! Afaka mampiseho amin’i Jehovah izahay izao fa rehefa nivoady ny hahafoy tena ho azy izahay tamin’izahay nanokan-tena, dia tena vokatry ny fonay tokoa izany.”

NATOKY AN’ILAY “TOMPON’NY VOKATRA” IZY IREO

Ara-dalàna raha nanahy kely ireo notendrena ho eny amin’ny saha, taorian’ny taona maro tao amin’ny Betela. “Hahita trano takatry ny volanay ve izahay?”, hoy ny mpivady iray. “Ary ahoana no hanenjehanay 120 na 130 ora isam-bolana amin’ny fanompoana sady hampahery ny fiangonana, nefa izahay mpitory fotsiny teo aloha?” Inona no nataon’izy ireo sy ny hafa mba hiatrehana ny fiainany vaovao?

Tamin’ilay andro farany nahafahany nitady trano ny sasany vao nahita trano takatry ny volany. Nitsidika an’ilay toerana nanendrena azy, ohatra, i Jessica, anabavy mpitovo. Nitady trano nandritra ny tapa-bolana izy, nefa tsy nahita. Iray andro talohan’ny tokony hiverenany tany amin’ny Betela mba hangorona entana, dia faly be izy fa nomen’ny anti-panahy iray hohofainy ny trano kely iray, ary mirary ny hofany.

Nilaza tamin’ny rangahy iray, lehiben’ny orinasa mpanera trano hofana, i Jeff sy Cynthia fa Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. “Fantatro ny Vavolombelon’i Jehovah”, hoy ilay rangahy. “Fantatro fa tsy misy tokony hatahorako, satria i Jehovah no manome antoka ny amin’ny hofan-tranonareo!”

Hoy i Eric sy Melonie: “Hitanay tamin’izay nitranga taminay fa ilaina foana ny miantehitra amin’i Jehovah. Tsapanay fa manao izay hahasoa anay isan’andro i Jehovah. Tena nanatanjaka ny finoanay izany.”

NANAMPY AZY IREO NY FIANGONANA

Tia an’ireny mpisava lalana ireny ny fiangonana, ary tena nanampy azy ireny izany mba hizatra amin’ilay fanendrena vaovao. Milaza ny mpiandraikitra ny faritra iray fa fiangonana maro no miantso an’ireny mpisava lalana manokana ireny hoe “mpisava lalanay.” Hoy ihany izy: “Nandray azy ireny an-tanan-droa sy tamim-pitiavana ny faritra.” Hoy ny rahalahy iray: “Te hisaotra ny biraon’ny sampana aho, satria fitahiana lehibe ho anay ireny mpisava lalana ireny!”

Nanana faritany 100 tsy nitoriana nandritra ny volana maro ny fiangonana iray any Kansas. Iasana tsy tapaka anefa izao ny ankamaroan’izy ireny, noho ny fanampian’ny mpivady mpisava lalana manokana iray. “Tsy noeritreretinay mihitsy hoe hitondra soa be dia be toy izao ny fanendrena azy ireo”, hoy ny anti-panahy.

“Nanampy sy nankahery” an’ireo mpisava lalana tokoa àry ny fiangonana. Nandray soa avy tamin’izy ireo koa anefa ny mpitory. (Kol. 4:11) Hoy ny mpiandraikitra ny faritra iray: “Tena nampahery sy nandrisika an’ireo rahalahy sy anabavy ny zotom-po sy hafanam-pon’ireo mpisava lalana.” Hoy koa ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: “Tonga dia voamarika hoe be fitiavana sy falifaly foana ireo mpisava lalana manokana ireo. Nifindra tamin’ny hafa koa izany.”

Faly erỳ ny mpivady iray fa nanampy mpitory folo hiverina hitory indray. Nisy vokany tsara koa ny nahatongavan’ireo rahalahy efa anti-panahy. Hoy ny anti-panahy iray: “Maivamaivana izahay manana an’ireo rahalahy mahay mandanjalanja sy tsara ofana ireo. Izany mihitsy no nilain’ny fiangonana sy ny anti-panahy rehetra.”

“MPIARA-MIASA AMIN’ANDRIAMANITRA”

Tahin’i Jehovah ireny mpitory ireny, ka manan-javatra mahafinaritra betsaka hotantaraina. Nitory isan-trano, ohatra, i Steve sy Gaye, indray andro, tao anatin’ny ririnina namirifiry. Nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny lehilahy zokiolona iray kivy be izy mivady, tao amin’ny trano voalohany. Tonga nivory izy io, tapa-bolana taorian’izay. Nilaza izy mivady hoe tena tsara fanahy izy, satria tonga dia nampandroso azy ireo. Hoy anefa izy: “Tsy hoe tsara fanahy aho matoa nampandroso anareo, fa satria fantatro fa ho avy ianareo. Efa telo andro talohan’izay mantsy aho no nivavaka foana mba hisy hanampy.” Mivory tsy tapaka izy izao, ary mandroso tsara ka mieritreritra ny hatao batisa.

Nahita lehilahy iray nandeha an-tongotra teny ampitan’ny arabe i Ray sy Jill indray maraina, raha nandeha fiara. Tapa-kevitra ny hiresaka taminy izy mivady. Nomeny gazety ilay lehilahy ary nanontaniany raha te hianatra Baiboly. Noraisin’ilay lehilahy ireo gazety, ary nilaza izy fa efa nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah taloha. Vao nifindra izy, ary faly nanaiky hianatra indray.

Fantatr’izay rehetra mahafoy tena eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah fa ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataony, sy ny fitiavana nasehony ho an’ny anarany.’ (Heb. 6:10) Manana rantsambatana maro ny vatantsika, ary mifanampy izy ireo. Samy mitondra ny anjara birikiny koa ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana mba hampitombo sy hanatanjaka azy io. “Napetrak’Andriamanitra ao amin’ny [fiangonana] ny rantsany tsirairay, araka izay tiany.” Ny ezaka ataon’ny tsirairay àry no mahatonga ‘ny rantsambatana rehetra hiara-mifaly.’ (1 Kor. 12:18, 26) Manome voninahitra an’i Jehovah izany fiaraha-miasa tsara eo anivon’ny ‘mpiasa-miasa aminy’ izany. Izy rahateo no ‘mampitombo.’—1 Kor. 3:6, 9.

MANAMAFY ORINA NY VAOVAO TSARA ARAKA NY LALÀNA

Hoy i Jesosy tamin’ny apostoliny: “Ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.” (Mat. 10:22) Efa nanampo àry ny mpianany hoe hisy mpanohitra ‘hamorona lainga, ka hilaza [azy ireo ho] nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny aminy.’ (Mat. 5:11) Inona no nataon’ny mpianatr’i Kristy ankehitriny mba ‘hahamafy orina’ ny vaovao tsara “araka ny lalàna”?—Fil. 1:7.

Armenia

Teo anelanelan’ny Aprily 2007 sy Aprily 2008, dia tsy navoakan’ny mpiasan’ny doanina tany Armenia ny Baiboly sy boky ara-baiboly mihoatra ny fito taonina, raha tsy handoavana vola tsy toko tsy forohana. Naloan’ireo rahalahy ny vola tamin’ny Aprily 2008, ary nanao fitarainana izy ireo. Navoakan’ny mpiasan’ny doanina ihany ny bokintsika tonga voalohany, fa nohazoniny kosa izay tonga tatỳ aoriana. Nitory tany amin’ny fitsarana àry ireo rahalahy hamahana ny olana.

Kazakhstan

Tonga tany Kazakhstan ny rahalahy roa avy any amin’ny foibe, mba hampahery ny mpiray finoana aminy. Taorian’ny fivoriana manokana iray tao Almaty anefa dia nosamborina izy roa lahy, notanana tao amin’ny paositry ny polisy, ary nalaina am-bavany. Nentina tany amin’ny fitsarana momba ny raharaham-panjakana izy ireo avy eo, ka voaheloka ho nanao “asa misionera.” Novotsorana ihany izy ireo taorian’izay. Na izany aza, dia karakaraina izao ny hanafahana azy roa lahy amin’ny fiampangana azy. Vao haingana no nisy manam-pahefana nanao bemidina tao an-tranon’ireo rahalahintsika, ka nanelingelina azy ireo raha nivory mba hivavaka sy hianatra Baiboly izy. Nasain’ny fitsarana natsahatra koa ny asan’ny fiangonana telo, izay efa voasoratra ara-panjakana. Imbetsaka koa no nisy mpitandro filaminana nanakorontana ny fivoriana, tany amin’ny faritra avaratry ny Ranomasina Caspienne.

Tadjikistan

Nekena ho ara-dalàna ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Tadjikistan, tamin’ny 1994, ka afaka nivory mba hivavaka izy ireo. Namoaka didy nandrara ny fivavahan’izy ireo anefa ny minisiteran’ny kolontsaina, tamin’ny 11 Oktobra 2007. Efa iezahana izao ny hanaporofoana amin’ny manam-pahefana fa tia fihavanana isika ary tsy manohintohina ny filaminam-bahoaka.

Ouzbékistan

Miharatsy foana ny fomba itondrana ny Vavolombelon’i Jehovah any. Teo am-piandohan’ny taona 2008, ohatra, dia nomelohina hanao asa an-terivozona mandritra ny efa-taona ny Vavolombelon’i Jehovah iray, noho ny finoany. Ny hafa nosamborina, nomelohina, ary nasaina nandoa lamandy satria, hono, nandika ny lalàna momba ny fivavahana sy momba ny fampianarana ny zavatra inoana. Nanao bemidina tany am-pivoriana ny polisy, nisava ny tranon’ny Vavolombelona, naka ny boky sy gazety, ary nisambotra ny mpitory. Rahalahy sy anabavy maro no nampijalin’izy ireo sy nompainy.

Manam-pahefana maro avy any no nilaza fa ny mpitondra fivavahana no nahatonga ireny asa maharikoriko ireny. Tsy mitsahatra mivavaka isika mba ho takatr’ireo manam-pahefana haingana fa tsy mety ny ataony, ary mba hamelany an’ireo rahalahy sy anabavy ‘hanana fiainana tony sy milamina hatrany, ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sy ny fahamendrehana tanteraka.’—1 Tim. 2:1, 2.

Gresy

Indroa izay ny fitsarana avo any Gresy no namoaka didy nanaja ny zo tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Miaramila nandritra ny taona maro tao amin’ny tafika sovietika, ohatra, ny Rahalahy Konstantinos Kotidis. Nifindra tany Gresy izy, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah. Voantso ho miaramila indray anefa izy, ary tsy navelan’ny manam-pahefana hanao fanompoana sivily, ho solon’izany. Efa nanao miaramila mantsy, hono, izy taloha ka nahoana indray no mandà noho ny feon’ny fieritreretana? Namoaka didy anefa ny Filan-kevi-panjakana, fa na dia efa miaramila aza ny olona iray taloha, nefa tsy mamela azy hanao izany intsony izao ny feon’ny fieritreretany, noho ny fivavahany, dia azo avela hanao fanompoana sivily izy.

Mahakasika an’i Stylianos Ioannidis ny raharaha faharoa: Tsy nekena ho tonga mpiasam-panjakana izy satria, hono, tsy nahavita raharaha miaramila. Raha ny marina, dia tsy nanao miaramila izy noho ny feon’ny fieritreretany, ka nigadra. Namoaka didy anefa ny Filan-kevi-panjakana fa afaka amin’ny raharaha miaramila ny olona iray efa nigadra noho izany. Nilaza koa izy io fa toy ny hoe efa nahavita raharaha miaramila ilay olona, ka afaka ny ho mpiasam-panjakana. Sambany io filan-kevitra io no namoaka didy miorina amin’ny fahalalahana ara-pivavahana, toy ny nataon’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Sahala amin’izany mantsy no nataon’io Fitsarana Eoropeanina io rehefa nisy Vavolombelon’i Jehovah iray tsy nomena asa, satria voaheloka noho izy tsy nanao raharaha miaramila.

Érythrée

Mbola ampijalina sy iharan’ny tsy rariny foana ny rahalahy sy anabavintsika any Érythrée. Maromaro no migadra, ary misy any amin’ny toerana faran’izay ratsy. Rahalahy enina indray no nosamborina tamin’ny Jolay 2008, anisan’izany ny anti-panahy vitsivitsy izay mitarika ny asa any. Be ny ezaka natao mba hanafahana azy ireny, ary efa nisy antso avo natao teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mbola tapa-kevitra ny hanohitra ny fivavahana amin’i Jehovah Andriamanitra foana anefa ny fitondrana.

Korea Atsimo

Mihatsara izao ny toe-draharaha any Korea Atsimo. Marina fa tsy nohajain’ny fitondrana any ny zo fototra ananan’ny olombelona, dia ny zo tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Tato anatin’ny 50 taona farany mantsy, dia rahalahy 13 000 mahery no nigadra, ary 500 eo ho eo no mbola any am-ponja. Fitoriana vita ho azy amin’ny manam-pahefana anefa ny fijoroan’izy ireo amin’ny heviny sy ny fitondran-tena tsarany, izay mampifaly an’i Jehovah Andriamanitra. (1 Pet. 2:20) Fitarainana 488 no efa nalefa tany amin’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona, ka ny roa no efa neken’izy io tamin’ny 2006. Manantena koa ireo rahalahintsika fa hotanterahin’ny fitondrana ny fikasany hamoaka lalàna mamela hanao fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila.

Rwanda

Nasaina nanaraka fiofanana ny mpampianatra rehetra tany Rwanda, tamin’ny Aprily 2008. Anisan’izany ny mpampianatra maro Vavolombelon’i Jehovah. Tsy maintsy miofana daholo, na dia izay tsy te handray anjara amin’ny zavatra tsy eken’ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly aza. Nesorina tamin’ny asany àry ny Vavolombelona 215 teo ho eo, satria tsy nanatrika ilay fiofanana. Nisy anabavy roa koa natao am-ponja nandritra ny herinandro vitsivitsy. Nisy zavatra nifandray tamin’ny politika sy ny raharaha miaramila tamin’ilay izy. Nasaina nandray anjara tamin’ny politika sy fombafomba mampiseho fanindrahindram-pirenena koa ireo mpiofana. Nosakanan’ny miaramila kosa izay nitady handao an’ilay toeram-piofanana. Taorian’izay, dia 90 ny zanaka Vavolombelona voaroaka tany am-pianarana, satria tsy nanao hiram-pirenena na nanangan-tsaina. Matoky isika fa hanampy an’ireo rahalahy sy anabavy ary ny zanany i Jehovah mba tsy hivadika izy ireo, na enjehina mafy toy izany aza.

Espaina

Neken’ny fitondrana any Espaina ny didin’ny mpanjaka mahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah mpanompo manontolo andro manokana, toy ny mpianakavin’ny Betela sy ny mpiandraikitra mpitety faritany. Voalazan’io filazana ofisialy io fa ny mpanompo manontolo andro manokana dia “mpitory teny voatendry ... ary nanokan-tena hanao asa misionera na asan’ny mpitondra fivavahana, hampianatra fivavahana, na hanao zavatra hafa hanatratrarana ny tanjon’ilay fivavahana.” Tonga ara-potoana ilay didy, satria misy manam-pahefana any amin’ny tany sasany misalasala raha tena mpitory teny toy ny any amin’ny fivavahana hafa ireny mpanompo manontolo andro manokana ireny, ka mendrika ny tombontsoa omena azy ireny.

FITSARANA EOROPEANINA MOMBA NY ZON’OLOMBELONA

Misy 24, raha atambatra, ny fitarainan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Aotrisy, Armenia, Azerbaïdjan, Frantsa, Géorgie, Rosia, Torkia, ary Ukraine, izay mbola miandry valiny avy amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, any Strasbourg, Frantsa. Tsy inona ireo fa fitarainana momba ny zo fototra ananan’ny olom-pirenena monina ao amin’ny faritra voakasiky ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, toy ny zo tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana, ohatra. Misy fitarainana hafa koa momba ny fanenjehana sy fanavakavahana fivavahana; fandrarana fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah; fanafoanana azy io tsy ho ao amin’ny bokim-panjakana; tsy fanajan’ny fitondrana ny zo hivory milamina mba hivavaka; ary ny zon’ny reny Vavolombelona hanabe ny zanany ho lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Aotrisy

Nomen’ny Fitsarana Eoropeanina rariny isika, tamin’ny 31 Jolay 2008, tamin’ilay raharaha hoe Vavolombelon’i Jehovah miady amin’i Aotrisy. Voalazan’ilay didim-pitsarana fa tsy manaja ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah hanana fahalalahana ara-pivavahana ny lalàn’i Aotrisy, satria manao lalàna roa samy hafa, ka manasokajy fivavahana sasany ho ambany. Vokatr’izany, dia lasa misy sokajin’olom-pirenena ambany. Efa niady mafy nandritra ny 30 taona ireo rahalahintsika mba hekena ho fivavahana ara-dalàna any Aotrisy. Izao no voalazan’ilay didy: “Tsy rariny raha [ampiandrasina ela be toy izany] ny fivavahana efa nisy hatry ny ela any amin’ny firenena maro sy eto amin’ny firenena, ka efa fantatry ny fahefana mahefa. Anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah.” Nasaina nanitsy ny lalàny àry ny fitondrana aotrisianina, mba hahafahan’ireo rahalahintsika hanana zo mitovy amin’ny an’ny fivavahana lehibe hafa any Aotrisy.

Azerbaïdjan

Nandefa fitarainana tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina isika tamin’ny Novambra 2007, satria tsy nohajain’ny polisy ny zontsika hanana fahalalahana ara-pivavahana. Na dia ekena ho fivavahana ara-dalàna any Azerbaïdjan aza ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mihabetsaka ireo rahalahintsika nosamborina sy nampijalina, ka manjary mampanahy. Nanao bemidina tany amin’ny fivoriana ny polisy maro be nirongo fiadiana. Nalainy ny boky sy gazety ary ny fananan’ny mpanatrika. Nisy koa nosamboriny sy nokapohiny ary nompainy. Tsy nisy fitsaharana ny bemidina, hany ka niaiky ny fitsarana fa mila manao zavatra haingana. Nodinihiny haingana àry ilay raharaha. Manantena isika fa tsy ho ela ireo rahalahy dia havela hivory milamina ary tsy hatahotra ny hohelingelenin’ny polisy.

Frantsa

Nametraka fitarainana tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa, tamin’ny Febroary 2005, satria takin’ny fanjakana hetra tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna. Ho hitantsika eo ihany raha hanaiky handinika ilay raharaha ny Fitsarana Eoropeanina, na tsia. Eo am-piandrasana izany anefa, dia nisy mpanohitra nanolana ny zavatra inoantsika. Vokatr’izany, dia im-70 teo ho eo no nisy nanimba Efitrano Fanjakana, tamin’ny taon-dasa. Manantena anefa ireo rahalahy any Frantsa fa tsy ho ela ny Fitsarana Eoropeanina dia hanambara fa manavakavaka ny fitondram-panjakana. Ho maivamaivana ny Vavolombelon’i Jehovah any, amin’izay.

Rosia

Nametraka fitarainana tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia tamin’ny Desambra 2001, satria nampangaina imbetsaka ho nanao heloka bevava sy nandika ny lalàna sivily. Namoaka didy nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Moscou sy nanafoana ny fikambanan’izy ireo ny fitsarana ambany kokoa, ary nanaiky izany ny Fitsaran’i Moscou tamin’ny Jona 2004. Mbola afaka mivory sy mitory ihany aloha ny ankabeazan’ireo rahalahy any Moscou hatramin’izao. Imbetsaka anefa no misy manam-pahefana manelingelina ny fivoriana sy fivoriambe, ary olona mihetraketraka amin’ireo rahalahy sy anabavy, any Moscou sy faritra hafa any Rosia. Tamin’ny Jolay teo, ohatra, dia nisy nandoro ny Efitrano Fanjakana iray tao Chekhov, any amin’ny 60 kilaometatra atsimon’i Moscou. Nilaza ireo nanatri-maso teo fa na dia nantsoina avy hatrany aza ny mpamonjy trano may, dia tsy tena namono an’ilay afo. Tsy nety nanao famotopotorana koa ny polisy hatreto. Tsy mivadika mihitsy ireo rahalahy sy anabavy ary miantehitra amin’ny fanampian’i Jehovah, na eo aza ny fanoherana ary mafy ny manjo azy.

Mampanantena i Jehovah fa tsy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana ny mpanompony. (Isaia 54:17) Vao mainka aza ‘mampandroso ny vaovao tsara’ ny fanenjehana faran’izay mafy. Tapa-kevitra àry ny mpanompon’Andriamanitra fa mbola ho ‘mafy orina sady hiray saina, ka hiara-miezaka toy ny olona iray hampandroso ny finoana ny vaovao tsara, ary tsy hanaiky hampitahorin’ireo mpanohitra mihitsy.’ (Fil. 1:12, 16, 18, 27, 28) Miangavy anareo izahay mba ‘hivavaka foana’ ho an’ireny rahalahy sy anabavintsika eran-tany ireny. Matoky an’i Jehovah, ilay ‘fiarovana mafy sy Mpanafaka’ azy, izy ireny.—2 Tes. 3:1; Sal. 18:2.

FITOKANANA BETELA

Faly be ny tao amin’ny sampan’i Afrika Atsimo tamin’ny asabotsy 10 Novambra 2007, satria rahalahy sy anabavy 4 000 teo ho eo no nivory mba hitokana ny fanitarana ny trano pirinty sy ny efitra fisakafoana ary ny trano fonenana.

Talanjona ireo nitsidika an’ilay trano vaovao fanaovam-pirinty rehefa nahita fa Baiboly sy boky ara-baiboly an’aliny no indray navoakan’ilay milina MAN Roland Lithoman. Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao iray tapitrisa mahery, amin’ny fiteny 16 atsy Afrika, no efa novokarin’ilay milina vaovao fanakambanam-boky. Naseho tamin’ny mpitsidika koa ny toerana vaovao fandefasana entana. Ao no tehirizina ny boky ara-baiboly ampiasain’ny fiangonana efa ho 8 000 any amin’ny tany folo, any amin’ny faritra atsimon’i Afrika.

Notokanana tamin’ny 7 Jona 2008 tany Lagos koa ny fanitarana ny sampan’i Nizeria. Any amin’ny 360 kilaometatra any atsimoandrefan’ny Betelan’i Igieduma no misy an’i Lagos, renivohitra ara-toe-karenan’i Nizeria. Trano fonenana iray misy efitra 24, trano iray fanatobiana entana, ary trano iray misy ireo birao no any Lagos. Any no atao ny ankamaroan’ny asan’ny sampana. Any koa no mipetraka ny Betelita maka entana eny amin’ny seranana sy mividy ny entan’ny sampana, ary ny olona tonga avy any amin’ny seranam-piaramanidina na vao handeha. Any koa no atao ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, mandra-pahavitan’ny fanitarana an’ilay sampan’i Igieduma. Hita tokoa fa mitahy ny asa fitoriana atsy Afrika sy eran-tany i Jehovah.

NOMEN’I JEHOVAH IZAY NILAINA

Misaotra an’i Jehovah isika satria nomeny antsika ‘ny zavatra tsara rehetra, mba hanaovantsika ny sitrapony, ka hotanterahiny ao amintsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ny zavatra ankasitrahana eo imasony.’ (Heb. 13:21) Nasehon’i Jehovah tokoa fa afaka “manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika” izy. Amin’ny fo manontolo àry no ilazantsika hoe: “Ho azy anie ny voninahitra, amin’ny alalan’ny fiangonana sy amin’ny alalan’i Kristy Jesosy hatrany amin’ny taranaka rehetra mandrakizay mandrakizay!”—Efes. 3:20, 21.

[Efajoro, pejy 25]

Fanoratana Ara-panjakana ny Fivavahana

Samy manana ny lalàny ny tany amin’io resaka io. Misy manana lalàna voafaritra tsara mamela fivavahana iray hangataka ny hosoratana ara-panjakana. Anisan’ireny i Armenia sy Azerbaïdjan. Hekena ho fivavahana ofisialy ao amin’ilay tany ilay fivavahana, raha ekena ilay fangatahana. Misy sokajy roa kosa ny fanoratana ara-panjakana, any amin’ny tany hafa. Natao ho an’ireo fivavahana lehibe ny sokajy voalohany. Omena tombontsoa maro ireo ao amin’io sokajy io. Tsy takina hetra, ohatra, izy ireny. Natao ho an’ny fivavahana madinika sy vaovao kosa ilay sokajy faharoa.

Tsy manana lalàna voafaritra tsara momba izany fanoratana ara-panjakana izany kosa ny tany sasany, toa an’i Géorgie sy Etazonia. Ny lalàm-panorenana any no manome fahalalahana ara-pivavahana ho an’ny tsirairay. Tsy misy fanekena amin’ny fomba ofisialy àry milaza hoe ara-dalàna ny fivavahana iray. Afaka mangataka ny hanoratana fikambanana iray ho ara-dalàna kosa anefa izy io. Raha ekena izany, dia afaka mampiasa an’ilay fikambanana izy mba hanatanterahana ny asany, ohatra hoe manao pirinty sy mamoaka boky ary mividy tany.

[Sarintany, pejy 21]

(Jereo ny boky)

AOTRISY

FRANTSA

ESPAINA

GRESY

ÉRYTHRÉE

RWANDA

ARMENIA

AZERBAÏDJAN

ROSIA

KAZAKHSTAN

OUZBÉKISTAN

TADJIKISTAN

KOREA ATSIMO

[Sary, pejy, 11]

Ny Fiangonana Siaya mampiasa fiteny luo

[Sary, pejy 13]

Misy amin’ny fiteny 70 mahery ny “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” manontolo na ny ampahany aminy

[Sary, pejy 22]

Konstantinos Kotidis

[Sary, pejy 22]

Stylianos Ioannidis

[Sary, pejy 29]

Trano fonenana vaovao any Lagos, Nizeria

[Sary, pejy 29]

Trano fanaovam-pirinty, Afrika Atsimo