Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Ogandà

Niaritra ireo Ogandey mangetaheta ny fahamarinana tamin’ny fotoana nisian’ny herisetra be. Mariho izay nataony mba hivoriana teny an-kalamanjana, tao anatin’ny fandrarana. Inona no dikan’ny hoe Obwakabaka bwa Katonda, ary nahoana izy io no mampiray anao amin’ireo Kristianina tsy mivadika ireo? Ho hitanao ato izany.

Albania

Nisy foana ny fivavahana marina, na nofongorana aza ny fivavahana rehetra. Tsy nivadika ireo rahalahy, rehefa nampijalijalina ela be. Hogadraina ny rahalahy tanora vitsivitsy, ary nanoro hevitra azy ireo ny rahalahy iray narary mafy. Hovakinao ato ireo tantara mampahery momba ny tsy fivadihana ireo.

Belize

Ho hitanao ato fa nisantatra ny asa fitoriana tany, ireo mpanompon’i Jehovah nanetry tena sy be zotom-po. Fantaro izay nitranga teo amin’ilay atao hoe “Toeram-piadiana”, sy ny nataon’ireo Vavolombelona rehefa namely ny Rivo-doza Hattie. Nandeha sambo nanaraka ny Haran-dranomasin’i Belize koa ireo Kristianina mba hitoriana.