Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Belize

Belize

Belize

EO AMIN’NY Saikinosin’i Yucatán no misy an’i Belize, ary eo afovoan’i Meksika sy Goatemalà ary ny Ranomasina Karaiba. Nantsoina hoe Honduras Britanika io firenena kely io fahiny. Ahitana kolontsaina, fiteny, fomba amam-panao, sakafo, ary fivavahana isan-karazany eto.

Tokotokony ho 300 000 ny isan’ny mponin’i Belize. Tsy be olona eto raha mitaha amin’ny firenen-kafa atỳ Amerika Afovoany. Hita ao amin’ireo ala mikitroka ny vorona mahafinaritra sy ny biby maro, anisan’izany ny jagoara. Hita eto koa ny sisa tavela tamin’ny tanànan’ny Maya fahiny sy ireo tendrombohitra mijoalajoala, izay ravahan’ny riandrano sy palmie avo be. Miavaka koa io tany io, satria ahitana lava-bato mifampidipiditra misy renirano mikoriana. Mitandavana manaraka ny morontsiraka ny Haran-dranomasin’i Belize, izay feno vato harana tsara tarehy sy nosy kely ahitana voaniho sy torapasika fotsy.

TANTARANY FAHINY

Arawak sy Karaiba nifindra avy tany Amerika Atsimo no nipetraka teto voalohany. Nino ny olona fa efa niroborobo teto ny kolontsaina maya, an-jatony taona talohan’ny nahitan’ny Eoropeanina an’i Amerika. Nahitana toerana maro fanaovana fety sy tempoly goavam-be mantsy teto.

Tsy tena fantatra ny ezaka nataon’ny Eoropeanina tany am-boalohany, mba hanjanahana an’i Belize. Ny hany fantatra dia hoe tsy nahomby i Espaina rehefa nitady hanjanaka ny Maya. Nanorim-ponenana teo amoron-tsirak’i Belize ny jiolahin-tsambo anglisy, tamin’ny 1638. Nasiana toeram-pitrandrahana hazo kampesy teto, tamin’ny 1650 tany ho any. Nahazoana loko sarobidy izy io.

Nitondra andevo avy tany Afrika sy Jamaika ary Etazonia ny Anglisy, mba hikapa hazo kampesy sy rotra vahiny teto. Tsy dia nokaravasina toy ny tany amin’ny firenen-kafa tatỳ Amerika, ireo andevo tao amin’ireo orinasa fanamboarana hazo teto. Ratsy anefa ny fomba nitondrana azy ireny sy ny toe-piainany. Maro àry ny andevo nikomy, namono tena, na nandositra ka nanorim-ponenana teto Belize. Lasa zanatany anglisy i Belize tamin’ny 1862, ary nahazo fahaleovan-tena tamin’ny 1981. *

MAMAKA NY VOAN’NY FAHAMARINANA

Anisan’ny Vavolombelona tonga voalohany teto i James Gordon, izay natao batisa tany Jamaika tamin’ny 1918. Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena no niantsoana ny Vavolombelona, tamin’izany. Nifindra teto io tovolahy mahia sy malefadefa-piteny io, tamin’ny 1923. Nipetraka tao Bomba izy, ary nanambady aman-janaka. Nitory tamin’ny namany sy ny mpiray tanàna taminy izy, na dia lavitra an’ireo rahalahiny kristianina aza.

Ahoana no nielezan’ny vaovao tsara tany amin’ny tanàna hafa? Nanomboka nitory tany amin’ny faritra sasany tatỳ Amerika Afovoany i Freida Johnson avy any Etazonia, tamin’ny 1931. Vehivavy fohifohy izy, ary efa ho 60 taona tamin’izay. Nandeha irery izy rehefa nitory tamin’ny tanàna sy vohitra, ary toeram-pambolena akondro tany amin’ny Morontsirak’i Karaiba. Nitaingina soavaly izy indraindray.

Nanofa efitra kely tao amin-dRamatoa Beeks i Freida rehefa tonga tao amin’ny Tanànan’i Belize, tamin’ny 1933. Henony namaky Baiboly sy nihira i Freida isa-maraina, alohan’ny hivoaka ny trano. Maro no nahamarika ny zotom-pon’i Freida. Tsikariny, ohatra, fa tsy mba nitsotsotra toy ny olon-kafa izy rehefa tolakandro. Nandritra ireo enim-bolana nipetrahan’i Freida teto, dia nanjary liana tamin’ny fahamarinana i Thaddius Hodgeson, Jamaikanina mpanao mofo. Tao amin’ny Tanànan’i Belize no tena nitorian’i Freida. Nankany ambanivohitra koa anefa izy, ary nifankahita tamin’i James Gordon tao Bomba. Lasa nifankahalala sy nanomboka nandamina fivoriana ireo mpiray finoana tamin’i Freida, noho ny ezaka tsara nataony.

MARO NO NAMPIANA HAHALALA NY FAHAMARINANA

Sarotra ny fifandraisana tamin’izany, nefa nifampita vaovao foana i James sy Thaddius. Samy nitory tao amin’ny faritra nisy azy koa izy ireo. Nanoratra tany amin’ny foibe any Brooklyn i Thaddius tamin’ny 1934, ary nangataka grafofaonina sy lahateny noraisim-peo.

Nandefa lahateny noraisim-peo teo anoloan’ny trano nisy ny Fitsarana Tampony izy, rehefa asabotsy alina. Teo amin’ny zaridaina kely fanaovan’ny tafika fanatanjahan-tena no nisy azy io. Nantsoina hoe “Toeram-piadiana” io zaridaina io, ary izany tokoa no izy. Nandefa ny lahatenin’ny Rahalahy Rutherford i Thaddius, tetsy andaniny. Tetsy ankilany kosa ny mpitendry zavamanenon’ny Tafiky ny Famonjena, ary nively amponga tao amin’izy io i Beaumont Boman. Nandray ny vaovao tsara anefa izy, tsy ela taorian’izay, ary niandany tamin’i Thaddius. Hoy izy: “Misaotra an’i Jehovah Andriamanitro aho, satria raha tsy izy dia tsy najanoko mihitsy ny vely amponga!”

Tena nety tamin’ny fitoriana koa ny toerana fijanonan’ny kalesina ramole, teo anoloan’ny tsena. Teo no namatorana ramole tamin’ireo kalesy mpitatitra entana. Re nitory teo i Thaddius, lehilahy zarazara hoditra, ranjanana, tsara tarehy, ary nalaza ho mpandahateny nafana fo. Nangeja an’ireo olona tia Baiboly teto Belize ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina tamin’izany. Nandray ny vaovao tsara ihany anefa ny olona tso-po, toa an’i James Hyatt sy Arthur Randall avy any Jamaika.

Nanomboka nitarika fivoriana tao am-pivarotany i Thaddius, tany amin’ny faritra avaratry ny Tanànan’i Belize. Tsy maintsy nakisany ilay latabatra fivarotany mofo, ary nasiany hazo fisaka teo amin’ireo seza mba hatao dabilio. Tao an-tranon’i Cora Brown kosa ny fivoriana, tany amin’ny faritra atsimon’ilay tanàna. Nilaza koa i Nora Fayad fa nivory teo an-tokotanin’i Arthur Randall ny Vavolombelona vitsivitsy tao an-tanànany, tamin’izy mbola kely.

MITONDRA VOKATRA NY FAHAZOTOANA MITORY

Nampiavaka an’ireo Vavolombelona voalohany teto ny fahazotoany nitory. Jamba, ohatra, i James (Jimsie) Jenkins, kanefa nandeha an-tongotra eran’ny Tanànan’i Belize, niaraka tamin’ny tehiny. Nilaza i Molly Tillet fa henony nitory tao an-tsena izy, na dia lavidavitra aza no nisy azy. Tsaroan’ny olona koa fa nanongilan-tsofina erỳ i James nandritra ny fivoriana. Niantehitra tamin’ny tehiny izy rehefa nipetraka, mba ho voarainy tsara ny teny rehetra. Nitadidy andinin-teny maro izy, ary nampiasainy teny am-pitoriana izany.

Nitory tamin’izay rehetra hitany koa i James Gordon, tao amin’ireo tanàna manodidina an’i Bomba. Nentiny tamin’ny tanany iray ny vata kely nisy an’ireo boky sy gazety, ary tamin’ny ilany kosa ny grafofaonina. Mbola maizina izy no niainga isak’alahady. Nandeha lakana nanaraka ny renirano izy, ary avy eo nandeha an-tongotra kilaometatra maro, ka nitory nandritra ny andro. Efa hariva izy vao nody. Nampianatra Baiboly an’ireo zanany enina i Gordon, rehefa avy nisakafo hariva. Tsy nijanona izy raha tsy efa reraka be ka tsy nahazona ny bokiny intsony.

Mbola tsy Vavolombelona ny vadin’i Gordon tamin’izany. Nodorany aza ny ankamaroan’ireo boky sy gazety, tamin’i James tsy teo. Tony i James rehefa nahalala an’izay nitranga. Hentitra fotsiny izy nilaza hoe: “Aza mamerina an’iny intsony!” Nampiaiky an’ireo zanany ny fahaizany nifehy tena, satria tsapan’izy ireo hoe nampalahelo azy ny zavatra nataon’ny vadiny.

NOTAOMIN’NY FANAHIN’I JEHOVAH

Indray alahady maraina, dia nitory tamin’i Derrine Lightburn, Anglikanina nafana fo, i James, lehilahy nalefa-piteny. Nandray boky Ny Harpan’Andriamanitra i Derrine. Nisaintsaina ny zavatra noresahin’i James izy, na dia tsy reny avokoa aza ny zavatra nolazainy. Nipetraka tany amin’i Alphonsena Robateau nenitoany, tao amin’ny Tanànan’i Belize i Derrine, tatỳ aoriana. Tamin’izay no nisy lehilahy tonga teo am-bavahady, ary nangataka hiditra teo an-tokotany.

Hoy i Derrine tamin’ny nenitoany: “Hoatran’ilay lehilahy nanome ahy an’ilay boky tsara tarehy noresahiko taminao mihitsy io.”

Hay tsy i James Gordon izy io fa i James Hyatt. Nalefany ny grafofaonina, ary nomeny boky Ny Harpan’Andriamanitra i Alphonsena. Efa nitady ny fahamarinana i Alphonsena sy Octabelle Flowers rahavaviny, na dia niditra lalina tamin’ny politika aza. Niteny toy izao tamin’i Octabelle izy, noho ny zavatra reny tamin’iny andro iny: “Nisy lehilahy izay tonga teto niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Mino aho fa io mihitsy ilay notadiavintsika!” Niezaka i Octabelle mba ho eo rehefa hitsidika indray i James. Samy nandray ny fahamarinana izy telo mianaka, ary natao batisa tamin’ny 1941.

Maty vao haingana ny renin’i Alphonsena sy Octabelle tamin’izay. Nivavaka tamin’Andriamanitra i Amybelle Allen, zandrin’izy ireo, mba ho faty ka hiaraka amin-dreniny any an-danitra. Nasain’i Octabelle izy hihaino an’ilay lahateny hoe “Aiza no Misy ny Maty?” Nandeha tokoa izy, ary nivory foana nanomboka teo.

Hoy i Olga Knight, zanak’i Derrine: “Vao namaky boky sy nanatrika fivoriana izy ireo, dia efa notaomin’ny fanahin’i Jehovah. Tena nahafaly azy ireo ny nahalala ny fahamarinana, ka noresahiny tamin’ny hafa izay nianarany.”

Nanaiky ny fahamarinana, ohatra, i Herman Lightburn, rain’i Olga, rehefa avy namaky an’ilay boky hoe Ankizy, tamin’izy niditra hopitaly. Tena tiany ny zavatra nianarany. Nanofa kamiao àry izy isaky ny zoma, mba hitondrana mpitory vitsivitsy hitory tany amin’ireo tanàna manodidina. Nitory tany ambanivohitr’i Black Creek koa izy, satria nanana toeram-pambolena sy fiompiana tany.

Hoy i Olga: “Nitory teny amoron’ny Reniranon’i Belize i Dada sy Neny. Tonga nihaino azy ireo ny olona rehefa hariva, ary nitondra fanilo. Nisy fotoana nanao vakansy tany amin’ny toeram-pambolena izahay sy Nenitoa Amybelle, Molly Tillet zanany vavy, ary Dada sy Neny. Niainga izahay isa-maraina, nitaingina soavaly sy nanaraka lalan-kely mandra-pahatonganay tao Crooked Tree. Navela hiraoka ahitra ny soavaly rehefa nampianatra Baiboly an’ireo olona liana izahay. Lasa Vavolombelona ny sasany tamin’ireny fianakaviana ireny.”

Tamin’ny 1941 vao nisy mpitory vitsivitsy natao batisa tao amin’ny Tanànan’i Belize. Naroboka tao amin’ny Ranomasina Karaiba izy ireo. Anisan’izy ireo i George Longsworth. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana izy tamin’io taona io mandra-pahafatiny tamin’ny 1967, tamin’izy 87 taona. Tao afovoan’i Belize no tena nitoriany. Nanokatra faritany vaovao maro izy, rehefa nitety tanàna sy vohitra tamin’ny soavaly. Nazoto nitory sy nivory tsy tapaka izy, ka tena nampahery an’ireo vaovao. Nampiasa an’ireo mpanompony tsy nivadika sy be zotom-po ireo i Jehovah, mba hitarihana ny olona tso-po ho ao amin’ny fandaminany.

TONGA IREO MISIONERA VOALOHANY

Tonga teto i Elmer Ihrig sy Charles Heyen, tamin’ny 5 Oktobra 1945. Nanatrika ny kilasy voalohany tamin’ny Sekolin’i Gileada izy ireo. Nisy rivo-doza anefa ny omalin’io, tany amin’ny 160 kilaometatra atsimon’ny Tanànan’i Belize. Dibo-drano ny lalana 16 kilaometatra avy teo amin’ny seranam-piaramanidina hatrany an-tanàna, ka nentin’ny kamiaon’ny tafika izy mirahalahy. Nasian’i Thaddius Hodgeson biriky simenitra sy vata hazo teo anoloan’ny varavarany, mba tsy ho lena ny tongotr’ireo misionera rehefa hiditra ao an-trano.

Efa niandrandra ny fiavian’ireo misionera voalohany, ireo rahalahy teto Belize. Vonona handeha an-tongotra avy any avaratra ka hatrany amin’ny Tanànan’i Belize i James Gordon sy León Requeña ary Rafael Medina, mba hihaona tamin’izy ireo. Tsy mora ilay dia! Hoy i Ismael Medina, zafikelin’i Rafael: ‘Tsy nisy lalambe tamin’izany, fa lalan-dratsy falehan’ny kalesina ramole ihany. Natory an-dalana izy ireo na dia nisy bibilava aza, satria tsy nisy trano teny. Nahazo toromarika sy boky aman-gazety izy ireo rehefa nihaona tamin’ireo misionera. Nandeha an-tongotra andro maromaro indray izy ireo rehefa niverina!’

Tena tsy nahazatra ny fomba nampahafantarana an’ireo misionera, teo amin’ny toerana fijanonan’ny kalesina ramole. Nanomboka ny fandaharana i James Hyatt, ary nanakiana ny fampianaran’ny mpitondra fivavahana. Tezitra sy niteny ratsy ny olona sasany noho izany. Nanondro tampoka an’ireo misionera izy rehefa nifarana ny lahateniny, ary nilaza hoe: “Atolotro anareo izy roa lahy ireo!” Izay ihany no mba resaka momba azy roa lahy tamin’io fotoana io!

Azo antoka fa tena tia an’i Jehovah sy ny fahamarinana ireo rahalahy voalohany teto. Tena halany koa ny fampianaran-dison’ireo fivavahana. Hita koa anefa hoe tena nila ny fanampian’ireo misionera izy ireo, mba handaitra kokoa ny fanompoany.

Nanomboka nanompo tao amin’ny Tanànan’i Belize ireo misionera. Nisy mponina 26 700 teo ho eo tao tamin’izany. Toerana nototofana vato na tany no nanorenana an’io tanàna io. Telopolo santimetatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina fotsiny ny haavony, ary tsy nisy tatatra tao. Mafana sy mando koa ny toetany. Tsy nisy famatsian-drano tao, fa koveta hazo no natao teny an-tokotany mba hanantazana ranon’orana. Mitondra loza anefa ny orana indraindray. Nisy rivo-doza nandrava an’ilay tanàna, ohatra, tamin’ny 1931, ary olona 2 000 mahery no maty.

NANDROSO NY ASA NA TEO AZA NY FAMEPERANA

Tsy voarara mihitsy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Belize. Voarara ihany anefa ny boky sy gazety nandritra ny fotoana kelikely, tamin’ny Ady Lehibe II. Nesorina io fandrarana io, taloha kelin’ny nahatongavan’ireo misionera.

Izao anefa no nolazain’ny Tilikambo 15 Jolay 1946, momba ny asan’ireo misionera roa: “Mbola nanao izay handrarana an’ireo gazety nalefa paositra ihany ny pretra katolika iray, tao afovoan’i Belize. Tezitra tamin’ny fahatongavan’ireo misionera roa an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitondra fivavahana katolika. Sosotra be ny pretra amerikanina iray, izay nanam-piaviana irlandey ... satria navelan’ny Fitondrana Britanika hiditra teto izy ireo. ... Nampahatsiahivin’ireo [misionera] roa an’ilay pretra fa nilaza tena ho Amerikanina izy, ka nasehon’izy ireo azy ny antontan’isan’ny olona nigadra tany Etazonia. Nahariharin’izy io fa tsy nikarakara ny ara-panahin’ny Amerikanina mihitsy ny Eglizy Katolika. Menatra ilay pretra ka niala teo haingana.”

Tamin’ny 1944 vao nisy tatitra marina tsara momba ny isan’ny mpitorin’i Belize. Niisa fito izy ireo. Nanomboka nampiasa karatra fitoriana izy ireo rehefa nitory isan-trano, mba hahitana vokatra kokoa. Lasa 16 izy ireo, tao anatin’ny herintaona nahatongavan’ireo misionera.

Tonga teto i Nathan Knorr sy Frederick Franz, tamin’ny 1946, ary nanangana biraon’ny sampana. Nanao lahateny momba ny fandaminana ny Rahalahy Knorr. Nohazavainy fa nila nameno an’ilay taratasy famerenana tatitra ny mpitory. Ny Rahalahy Franz kosa nampirisika ny fiangonana hangoraka ny hafa, ka hanohy hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nanao lahateny ny Rahalahy Knorr, andro vitsivitsy taorian’izay. Nisy 102 ny mpanatrika ary anisan’izany ny olona liana. Nohazavainy fa tokony ho faly ny olona liana, satria tafaray amin’ny vahoakan’i Jehovah. Nampirisihiny hianatra Baiboly tsy tapaka izy ireo.

Tonga teto i Charles sy Annie Parrish ary Cordis sy Mildred Sorrell, tamin’io taona io. Tonga koa i Charles sy Florence Homolka ary Truman Brubaker, tamin’ny 1948. Tena faly ny olona nandray azy ireo, satria mbola betsaka ny asa.

BETSAKA NY ASA

Nanoratra toy izao i Elmer Ihrig: “Tsy nisy afa-tsy fiangonana kely iray teto tamin’izany. Tsy nisy fiangonana mihitsy tany amin’ny faritany hafa. Nankany amin’ireny toerana ireny aho, ary nijanona tany tapa-bolana. Nametraka boky aho, naka famandrihana, ary nanao lahateny.” I Charles Heyen kosa nandeha kamiao nankao Orange Walk, ny taona voalohany nahatongavan’izy ireo. Nanompo tao izy, ary nandrisika an’ireo rahalahy handamina fivoriana tsy tapaka.

Sambo ihany no fitaterana nankany amin’ny faritra atsimo tamin’izany. Nandeha tamin’ny sambo Heron H àry i Elmer sy Charles, rehefa ho ao Stann Creek (Dangriga ankehitriny) sy Punta Gorda, izay tanàna amoron-tsiraka nipetrahan’ny Garifuna. Naniry hanokatra ny asa fitoriana tao izy ireo. Nila nandeha sambo adiny 30 tamin’izany vao tonga tao Punta Gorda, raha avy tao amin’ny Tanànan’i Belize. Nandeha tany i Elmer ary nanao lahateny tamin’ny olona tokony ho 20, teo akaikin’ny fidirana tao amin’ilay hotely nipetrahany.

Nilaza i Olga Knight fa efa niaraka tamin’ny fianakaviany nankany Crooked Tree i Elmer. Nitarika fivoriana teo amoron’ny renirano ny rainy rehefa tonga tany. Niasa mafy sy nanetry tena ireo misionera, ka tena nankasitraka izany ireo rahalahy teo an-toerana.

Nahatratra 38 ny salanisan’ny mpitory tamin’ny 1948, ary nisy fiangonana vaovao efatra tany ivelan’ny Tanànan’i Belize. Mpitory vitsivitsy no teo anivon’ireny fiangonana kely tany ambanivohitra ireny. Anisan’izany ry Lightburn mianakavy tao Black Creek, ry Gordon mianakavy tao Bomba, ny fianakavian’i Humes sy ny an’i Aldana tao Santana, ary ny Rahalahy Requeña sy Medina tao Orange Walk. Tao amin’ny Tanànan’i Belize no tena nanompoan’ireo misionera sy mpisava lalana manokana, araka ny nampirisihana azy ireo. Nitahy ny ezaka nataon’izy ireo i Jehovah, ary nihamaro ny olona tso-po lasa mpanompony.

Tonga ara-potoana sady nampahery ny fitsidihan’ny Rahalahy Knorr, tamin’ny Desambra 1949. Nijanona tao amin’ny tranon’ny misionera izy indray takariva, ary niresaka ny zava-tsarotra natrehin’izy ireo. Maro ny mpitory vaovao te hanompo an’i Jehovah, nefa tsy takany hoe nilaina ny nanokan-tena sy natao batisa. Nampahatsiahivin’ny Rahalahy Knorr an’ireo misionera fa tokony hanana faharetana sy fiaretana ary ho tia olona izy ireo. Noresahiny koa fa efa nahita vokatra tsara izy ireo.

TSY NAVELA HIDITRA INTSONY NY MISIONERA

Tsapan’ireo rahalahy fa nanara-maso ny asa fitoriana teto ny fanjakana, tamin’ny 1957. Indray andro, ohatra, dia nandefa video tao Orange Walk ireo rahalahy avy tao amin’ny sampana. Nanontanian’ny polisy azy ireo ny ora nahatongavany tao an-tanàna sy ny ora hialany tao. Nilain’ny lehiben’ny polisy, hono, izany. Noresahiny fa nanatrika fivoriambe natao vao haingana ny polisy iray nanao akanjo sivily, ary nanao tatitra toy izany koa.

Misionera folo no navela hiditra teto, teo anelanelan’ny 1951 sy 1957. Nahazo taratasy avy tany amin’ny polisy sy ny sampan-draharaha miandraikitra ny fifindra-monina ireo rahalahy tamin’ny Jona 1957, nanao hoe: “Nanapa-kevitra ny Fitondrana eto Honduras Britanika [Belize ankehitriny], fa tsy mahazo mampiditra Mpitory avy any ivelany intsony ny Fikambananareo, manomboka izao.” Nangataka hihaona tamin’ny governora ireo rahalahy, mba hahalalana ny anton’ilay fanapahan-kevitra. Nolavina anefa izany.

Tsy navela hampiditra misionera vaovao koa ny fivavahana hafa. Navela hanolo an’ireo misionera niala teto anefa izy ireo. Nila nanolo misionera roa ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy navela hanao izany. Nanoratra tany amin’ny manam-pahefana teto Belize sy tany Londres ireo rahalahy tamin’ny 1960, ary nilaza fa tsy nangataka hampiditra misionera vaovao izy ireo, fa hanolo an’ireo niala teto kosa.

Hentitra ny valin-teny azon’izy ireo: “Efa nanapaka ny Filan-kevitry ny Governora fa tsy havela hampiditra misionera eto Honduras Britanika intsony ny Watch Tower Bible and Tract Society.”

Nilazana toy izao ireo rahalahy, rehefa nangataka ny hihaona tamin’ny governora: “Efa nanapaka ny Filan-kevitry ny Governora, tamin’ny 1957, fa tsy havela hampiditra misionera eto Honduras Britanika intsony ny Fikambananareo. Tsy te hifampiresaka aminareo momba izany àry ny Governora, satria tsy ilaina intsony izany.” Toa tapi-dalan-kaleha ireo rahalahy.

Nanao fangatahana nisesisesy nandritra ny dimy taona latsaka kely ireo rahalahy. Farany, dia nahazo taratasy avy tao amin’ny Birao Misahana ny Raharaham-panjakana izy ireo, tamin’ny Oktobra 1961, nanao hoe: “Ilazana ianareo fa nodinihin’ny Fitondrana eto Honduras Britanika ny fangatahana farany nataonareo. Nanapa-kevitra ny fitondrana fa havela hampiditra misionera eto ianareo, ho solon’ireo efa teto.” Tonga tamin’ny 1962 àry i Martin sy Alice Thompson avy any Jamaika, mba hanao ny asa misionera.

NANDROSO FOANA NY ASA

Nanao izay tsy hampandroso ny asantsika ireo mpanohitra avy amin’ny fivavahana hafa. Nahomby ve izy ireo? Nahatratra 176 ny tampon’isan’ny mpitory teo anivon’ireo fiangonana fito, tamin’ny taom-panompoana 1957. Niisa 75 000 ny mponina teto tamin’izay, izany hoe mpitory 1 isaky ny olona 400. Lasa 236 ny tampon’isan’ny mpitory tamin’ny taom-panompoana 1961, izany hoe mpitory 1 isaky ny olona 383! Fitomboana 34 isan-jato izany. Tanteraka ilay fampanantenan’i Jehovah hoe: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao, ary homelohinao eo amin’ny fitsarana ny lela rehetra manohitra anao.” (Isaia 54:17) Nandroso foana ny asa fitoriana!

Mpianatra Baiboly maro no nanao tokantranomaso. Ny sasany aza nanovaova ny olona niarahany. Maro taminy anefa no niezaka mafy mba hisoratra ara-dalàna, raha vao nahafantatra ny fitsipik’i Jehovah. Nisy tamin’izy ireo aza efa 80 taona mahery!

NILAINA NY EFITRANO FANJAKANA VAOVAO

Efa naloan’ireo rahalahy mialoha ny hofan’ny efitrano malalaka iray tao amin’ny Tanànan’i Belize, tamin’ny Desambra 1949. Nokasaina hanaovana lahateny manokana efatra tao, ny Janoary 1950. Iray andro talohan’ny hanaovana ny lahateny farany anefa, dia nolazaina tao amin’ny radio fa hisy fotoam-pivavahana hanaovam-beloma farany ny olo-manan-kaja iray, ao amin’io trano io. Niresaka imbetsaka tamin’ny tompon’ilay trano ireo rahalahy, nefa mbola tapaka ihany ilay lahateny. Nisy olona maromaro nitsofoka tao, ary nanomboka nitabataba sy nanomana an’ilay fotoam-pivavahana. Tsy maintsy niantso polisy ireo rahalahy tamin’ny farany. Tena nila Efitrano Fanjakana izy ireo. Nataon’ny olona trano fandihizana koa mantsy ireo efitrano malalaka teo an-toerana, sady lafo be ny hofany.

Hoy i Donald Snider, mpiandraikitra ny sampana tamin’izany: “Nisy 174 ny mpanatrika ny Fianarana Tilikambo, tamin’ny alahady alina. Tsy antonona an’izany olona be dia be izany ilay trano nivoriana, ka nitsangana ny sasany, ary nafana be tao.” Trano nohofana no natao biraon’ny sampana sy tranon’ny misionera, ary niovaova imbetsaka izany.

Natomboka ny fanorenana trano nisy rihana iray, tamin’ny Septambra 1958. Natao biraon’ny sampana sy tranon’ny misionera tao ambany rihana. Efitra lehibe kosa ny tao ambony rihana iray manontolo. Vita tamin’ny 1959 ny fanorenana. Nahazo Efitrano Fanjakana ihany ny Fiangonan’ny Tanànan’i Belize, tamin’ny farany!

NIROBOROBO NY FARITANY MITENY ESPANIOLA

Nahitana fitomboana be koa ny faritany miteny espaniola teto Belize. Nisy faritany toy izany teto tamin’ny 1949. Tsy nahay an’io fiteny io anefa ireo misionera. Nandefasana misionera nahay niteny espaniola àry teto, tatỳ aoriana. Anisan’izany i Leslie Pitcher, izay tonga tamin’ny 1955. Notendrena hanompo tao Benque Viejo izy. Tanàna any amin’ny faritra andrefan’i Belize, akaikin’ny sisin-tanin’i Goatemalà izy io. Efa niandry azy ny mponina sasany tao, rehefa tonga izy. Fa nahoana?

Nianatra ny fahamarinana sy natao batisa i Natalia Contreras, herintaona teo ho eo talohan’izay, tao San Benito, atsy Goatemalà. Nanketo Belize izy, ary nitory tamin’ny havany tao Benque Viejo. Nandinika tsara ny fanazavan’i Natalia momba ny fanompoan-tsampy i Serviliano Contreras, ary nanaiky ny fahamarinana. Vavolombelona tsy nivadika io rahalahy io mandra-pahafatiny tamin’ny 1998, tamin’izy 101 taona. Maro amin’ny zanaka aman-jafiny izao no Vavolombelona. Nitatra hatrany Melchor de Mencos, atsy Goatemalà, ny faritanin’ireo antoko-mpitory tao Benque Viejo, tamin’izany. Nitarika fivoriana tany izy ireo. Lasa nisy fiangonana tany Melchor de Mencos, tatỳ aoriana. Mbola fiangonana mazoto foana ny Fiangonana Benque Viejo hatramin’izao.

Natao tamin’ny teny espaniola ny ampahany tamin’ny fandaharan’ny fivoriamben’ny faritra sy vondrom-paritra, tamin’ny 1956. Tamin’ny Febroary 1968 vao natao tamin’io fiteny io ny fandaharan’ny fivoriamben’ny faritra manontolo. Natao tao amin’ny Efitrano Fanjakanan’i Orange Walk izy io. Nisy 85 ny mpanatrika ary 4 no natao batisa.

Nanatrika fivoriana sy fivoriambe tamin’ny teny anglisy foana ireo Vavolombelona miteny espaniola sasany, na dia tsy azony tsara aza io fiteny io. Anisan’izany i Marcelo Dominguez sy Rafael Medina ary Dionisio sy Catalina Tek. Tamin’ny Oktobra 1964 vao nisy fiangonana miteny espaniola, tao Orange Walk. Nisy mpitory 20 tao, ary efa nivory tany amin’ny fiangonana miteny anglisy izy ireo.

Nisy ady an-trano tany Salvadaoro sy Goatemalà teo anelanelan’ny 1980 sy 1990. Maro àry no nandositra teto Belize. Anisan’ireny ny Vavolombelona miteny espaniola, izay nisy anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana ary mpisava lalana. Nampiroborobo ny faritany miteny espaniola izany. Teo koa ny fanampian’ireo misionera nahay teny anglisy sy espaniola avy tany amin’ireo firenena miteny espaniola.

“MITORY ISAN-TRANO NY TENA KRISTIANINA”

Indray andro, dia nisy olona roa nandondòna tao amin-dry Margarita Salazar, tao Orange Walk, ary nanontany hoe: “Mahalala Vavolombelon’i Jehovah atao hoe Margarita Salazar ve ianao?” Tsy iza izy ireo fa i Teófila Mai, 23 taona, sy ny reniny. Avy any August Pine Ridge izy ireo, izay tanàna any amin’ny 34 kilaometatra atsimoandrefan’i Orange Walk. Nahoana ry zareo no nitady an’i Margarita?

Hoy i Teófila: “Narary mafy ny zanako sivy volana, herintaona teo ho eo talohan’io. Nentiko tany Botes àry izy mba hatolotra an’i Santa Clara, masimbavy virjiny. Nipetraka teo akaikin’ny mpamilin’ilay kamiao nandehanako aho, rehefa ho any. Iray tanàna taminay izy io, ary nanomboka nitory tamiko. Nanontaniany ahy ny antony hitondrako ny zanako tany Botes. Nolazainy tamiko avy eo, fa mandrara ny fivavahana amin’ny sary ny Baiboly. Tena nahaliana ahy izany. Tatỳ aoriana, dia noresahiny tamiko ireo fahamarinana nianarany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Hoy ihany izy: “Nilaza tamiko ilay mpamily tamin’ny dia iray hafa, fa mitory isan-trano ny tena Kristianina, ary manao izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Mamaky andinin-teny toy ny Zefania 1:14 sy 2:2, 3 amin’ny olona izy ireo. Namaky an’ireo andinin-teny ireo isan-trano àry aho tao August Pine Ridge, sady nitantana ny zanako lahikely no nitrotro an’ilay iray. Nilaza tamiko ilay lehilahy fa nila nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona aho, raha tena naniry hahalala ny fahamarinana. Niresaka momba an-dry Salazar izy, ary natorony ahy ny toerana nisy azy ireo tao Orange Walk. Mbola tsy tany Orange Walk mihitsy anefa aho, ka nentiko niaraka tamiko i Neny.”

Tsaroan’i Margarita ilay fotoana voalohany nitsidihan’i Teófila sy ny reniny azy. Hoy izy: “Nametraka fanontaniana ara-baiboly maro be izy ireo, ka niresaka ela be izahay. Tiany ho fantatra raha tena marina ny hoe vonona handeha lavitra ny Vavolombelona, mba hanampiana olona hahatakatra ny Baiboly. Nilaza taminy aho fa marina izany. Nanome toky azy aho fa ho any aminy izahay, isaky ny tapa-bolana, mba hampianatra Baiboly azy ireo.”

Efa novorin’i Teófila ny havany enina mba hianatra Baiboly, rehefa tonga tao August Pine Ridge i Margarita sy Ramón vadiny. Lalana mikitoantoana 34 kilaometatra no nandehanana. Nisy mpisava lalana hafa avy ao Orange Walk koa niaraka foana tamin-dry Salazar. Nitory tao an-tanàna ireo mpisava lalana, fa ry Teófila mianakavy kosa nianatra Baiboly. Matetika no natory tao amin’ilay tanàna i Amybelle Allen, mba hampianatra ny olona liana. Natao batisa i Teófila tamin’ny 1972, dimy volana taorian’ny nanombohany nianatra Baiboly. Nisy fiangonana niforona tao August Pine Ridge, tamin’ny 1980. Lasa Vavolombelona ny 37 amin’ny havan’i Teófila, rehefa nandeha ny fotoana.

AHITAM-BOKATRA NY FITORIANA ANY AMBANIVOHITRA

Voasa tsara ny faritany tao amin’ny Tanànan’i Belize sy ny tanàn-dehibe hafa. Tsy toy izany anefa ny tany ambanivohitra. Nandeha sambo nankany amin’ireo tanàna any amin’ny faritra atsimo ireo misionera voalohany. Nasiana lalana nampitohy ny faritanin’i Stann Creek sy Toledo tamin’ny tanàna hafa anefa, tatỳ aoriana. Teo am-piandohan’ny 1971 àry, dia nandamina fitoriana any ambanivohitra ny sampana, ary natao isan-taona izany. Ny hizara ny vaovao tsara amin’ireo Maya Mopan sy Kekchi mipetraka any an’ala no tanjona.

Nanofa fiara sy lakana ireo rahalahy sy anabavy, ka afaka nitory tany amin’ny tanàna kely sy lehibe, nanomboka tao Dangriga sy Punta Gorda ka hatrany Barranco, akaikin’ny sisin-tanin’i Goatemalà. Kamiaonety sy môtô roa na efatra no nentina tamin’ny dia sasany. Natory tao amin’ny toerana iray ireo rahalahy rehefa alina. Nitory tamin’ny tanàna ireo nandeha kamiaonety rehefa antoandro. Ireo nitaingina môtô kosa nandeha tsiroaroa nanaraka lalan-dratsy nankany amin’ireo toeram-pambolena mitokana.

Nibaby kitapo ireo rahalahy rehefa nitory nanerana an’i Punta Gorda. Matetika izy ireo no niresaka tamin’ny alcalde (lehiben’ny tanàna) tao amin’ny cabildo (trano fivorian’ireo raiamandreny tao an-tanàna). Taorian’izay izy ireo vao nitory tamin’ny mponina hafa.

Hoy i Reiner Thompson, misionera: “Nivory tao amin’ny cabildo ireo raiamandreny tao amin’ny tanàna iray, rehefa tonga ireo rahalahy. Nandinika ny fomba hanangonana katsaka izy ireo. Taorian’ilay fivoriana, dia nasain’izy ireo nanao hiran’ilay Fanjakana ireo rahalahy. Vizana sy noana ireo mpitory ary tsy nitondra fihirana. Nihira tamin’ny fony anefa izy ireo, ka faly ireo raiamandreny.” Nisy fiangonana niforona tao Mango Creek, tatỳ aoriana, ary koa tao San Antonio, izay anisan’ny tanànan’ny Maya lehibe indrindra.

Hoy i Santiago Sosa: “Nandeha alina izahay indraindray, mba hahatongavana tao amin’ny tanàna nanaraka. Tianay ho vita ara-potoana mantsy ny faritany. Nifanao aloha sy aoriana izahay rehefa nandeha, ary tsy nanara-tsisiny satria feno bibilava tany anaty bozaka. Nianatra nisotro ny rano voatahiry tao amin’ireo zavamaniry koa izahay, rehefa lany ny rano nentinay.”

Nozaraina tsiroaroa na tsiefatrefatra ireo mpitory indraindray, mba hamita ny faritra samihafa ao amin’ny tanàna iray. Nihaona indray izy ireo rehefa hariva. Tsy nandeha nitory ny roa fa nijanona nahandro. Hoy i Santiago sady nihomehy: “Raharaha be ilay izy indraindray, satria tsy nahay nahandro ny sasany. Nijery an’ilay sakafo masaka teo aho, indray andro, ary nanontany hoe: ‘F’inona ity?’ Hoy ilay mpahandro: ‘Tsy haiko fa sakafo aloha io e!’ Koa satria tsy hainy ilay izy, dia naleonay nampanandramana an’ilay alika mahia kaozatra hitanay teo. Na ilay alika aza anefa tsy tia an’ilay izy!”

NANDRAY NY FAHAMARINANA NY KEKCHI

Nipetraka tao Corozal i Rodolfo Cocom sy Ofelia vadiny, ary nifindra tao Crique Sarco, tanàna kekchi any amin’ny faritra atsimon’i Belize. Lehibe tao amin’io tanàna io i Ofelia. Indray mandeha isan-taona ihany ny mpitory no tonga tany. Hitany teo am-bodihazo ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, tamin’izy 14 taona, ary novakiny ilay izy. Te hahafantatra bebe kokoa momba ny fahamarinana i Ofelia. Rehefa nivady sy nifindra tao Corozal anefa izy sy Rodolfo, vao afaka nianatra Baiboly. I Marcial sy Manuela Kay, mpisava lalana manokana, no nampianatra azy ireo.

Naniry hifandray tamin’ireo Vavolombelona indray ry Cocom, rehefa nifindra tao Crique Sarco tamin’ny 1981. Nankany Punta Gorda àry i Rodolfo. Nandeha an-tongotra sy sambo nandritra ny adiny enina izy, fara fahakeliny. Nahita an’i Donald Niebrugge, izay mpisava lalana, i Rodolfo tao Punta Gorda. Nanao izay hampianarana an-dry Cocom tamin’ny alalan’ny taratasy i Donald. Tsy nisy paositra anefa tao Crique Sarco.

Hoy i Donald: “Nanontany ny paositra tao Punta Gorda aho hoe ahoana no handefasako taratasy any Crique Sarco. Nolazaina tamiko fa mankany isan-kerinandro ny pretra.” Izy io no nitondra ny taratasy fianarana Baiboly nandroso sy niverina, nandritra ny enim-bolana teo ho eo. Tsy fantany akory hoe lasa mpitondra taratasy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah izy.

Hoy i Donald: “Tezitra ilay pretra rehefa fantany ny momba an’ireo taratasy. Tsy nety nitondra intsony izy.”

Imbetsaka i Donald no nankany Crique Sarco tamin’ireny volana ireny, mba hampianatra an-dry Cocom. Nanomboka nitory i Rodolfo, rehefa tonga ny fitoriana fanao isan-taona natao tany amin-dry zareo. Hoy i Donald: “Nentinay nitory tany amin’ny tanàna maro izy, nandritra ny efatra andro. Tena nanampy azy handroso ny fiarahana tamin’ireo rahalahy.”

Hoy i Rodolfo: “Nitory tao an-tanànanay izahay mivady. Izahay roa irery no nanao izany. Niatrika fitsapana mafy kokoa noho ny anay ireo olona nampianarinay. Tsy nomena tamin’ireo fanafody sy sakafo ary fitafiana nozaraina tao an-tanàna ny sasany. Nanohitra be koa ny rafozambaviko. Tsapanay sy Ofelia fa tsy ho afaka handroso mihitsy izahay tao Crique Sarco, sady nila nanatrika fivoriana koa. Nifindra tao Punta Gorda àry izahay. Nandroso tsara izahay tao, ary natao batisa tamin’ny 1985.” Miara-manompo amin’ny Fiangonana Ladyville izao ry Cocom, ary mpanampy amin’ny fanompoana i Rodolfo.

DIA AN-DRANOMASINA NAHITAM-BOKATRA

Natao isan-taona ny dia an-dranomasina, mba hitoriana tany amin’ireo nosy kely sy ireo tanàna amoron-tsiraka. Sambo ihany, tamin’izany, no nahafahana nankany amin’ny tanàna toa an’i Hopkins, Seine Bight, Placencia, Punta Negra, ary Monkey River. Nitondra ny sambony fanaratoana orana i Polito Bevens, tamin’ny fotoana tsy fanaratoana. Niaraka tamin’ny mpisava lalana roa sy misionera roa izy, ary nanao dia naharitra tapa-bolana avy any avaratra nankany atsimo. Nijanona tamin’izay tanàna rehetra nandalovany izy ireo.

Nandeha matetika tamin’ny fitoriana tany ambanivohitra sy ny dia an-dranomasina fanao isan-taona, i Donald Niebrugge. Niangavy an’i Ambroncio Hernandez izy sy ireo mpitory, indray mandeha, mba hitondra azy ireo tamin’ny sambolainy. Lasa nianatra Baiboly i Ambroncio na Bocho, noho izany.

Hoy i Donald: “Nandamina dia an-dranomasina naharitra tapa-bolana nanaraka ny morontsiraka ny efatra taminay, ny taona nanaraka. Efa namidin’i Bocho anefa ny sambony. Nasainy niangavy mpanarato hafa izahay, ary vonona hitondra anay izy io, niaraka tamin’ny namany sy Bocho. Mpanarato telo sy mpivady roa mpisava lalana manokana izahay no niaraka. Nanomboka nitory i Bocho tamin’io. Nitory isan-tsambo izahay teo amin’ny seranan’i Placencia, satria be sambo niantsona teo. Nanampy be ireo mpanarato roa tsy Vavolombelona, nandritra an’ilay dia. Nitory manontolo andro tao amin’ny tanàna iray izahay, indray mandeha. Rehefa niverina izahay, dia efa vonona teo ny akoho novidin’izy ireo sy nandrahoiny tamin’ny fatana solitany.” Efa vita batisa i Bocho tamin’ny dia an-dranomasina natao ny taona nanaraka. Efa 18 taona izy izao no anti-panahy ao amin’ny Tanànan’i Belize.

MAMOKATRA NY FARITANY TSY MISY TOMPONY

Feno havoana sy ala mikitroka ny Faritanin’i Toledo, any amin’ny faritra atsimon’i Belize. Ahitana tanànan’ny Maya Mopan sy Kekchi any. Trano mitafo bozaka tsy misy gorodona no ipetrahany. Mafy ny fiainan’ny ankamaroan’ny mponina, satria angady fotsiny no ampiasainy rehefa miasa tany. Mitaona rano mankany an-tsaha izy ireo rehefa main-tany, mba hanondrahana katsaka sy tsaramaso ary kakaô. Manao peta-kofehy sy manamboatra harona hamidy amin’ny mpizaha tany, ny ankamaroan’ny vehivavy. Mihamaro ny tanora mandao ny tanàna, mba hianatra na hiasa any an-tanàn-dehibe.

Nasaina hanao ny asan’ny mpisava lalana manokana tsy maharitra tany amin’ny Faritanin’i Toledo, i Frank sy Alice Cardoza, tamin’ny Aprily sy Mey 1995. Amin’izay izy ireo, dia ho afaka hanampy amin’ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 34 hoe “Nahoana ny Fiainana no Feno Zava-manahirana toy Izao?” Hoy i Frank: “Efa nandeha tamin’ny fitoriana ambanivohitra tao amin’io faritra io aho. Hitako fa ho afaka hahalala kokoa ny fahamarinana ny Maya, raha misy mifindra any. Nampirisika ahy hanofa trano tao San Antonio ny sampana, mba hipetrahanay sy hampianarana Baiboly ary hanaovana lahateny manokana. Nasaina nizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana tao San Antonio sy tany amin’ny tanàna valo hafa izahay.”

Nitarika fianarana Baiboly isan-kerinandro ry Cardoza, tao amin’ny efitra iray ambany rihana nohofany. Fianakaviana telo na efatra no nanomboka nanatrika azy io, tao anatin’ny herinandro vitsivitsy. Nanaraka azy mivady tany Punta Gorda koa izy ireo, mba hanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana sy Fivoriana Momba ny Fanompoana. Kamiaonety efa kadraoka no nentin’izy ireo, ary ratsy sy namovoka ny lalana. Nanao lahateny manokana tao San Antonio i Frank, ny volana Aprily. Anisan’ireo nanatrika fivoriana voalohany i Jesús Ich, ary nihaino tsara. Mpivavaka tao amin’ny Fiangonana Nazareanina izy, ka gaga rehefa nahalala fa avy amin’ny mpanompo sampy ny fampianarana momba ny afobe. Reny koa fa fasana misy ny maty rehetra ny afobe resahin’ny Baiboly. Niresaka nitokana tamin’i Frank izy rehefa nirava, ary nametraka fanontaniana maro. Nanomboka nianatra Baiboly izy, ary natao batisa ny taona nanaraka.

Nila nandray fanapahan-kevitra lehibe ry Cardoza, rehefa tapitra ny roa volana nanendrena azy ho mpisava lalana manokana. Hoy i Frank: “Nanomboka fampianarana Baiboly maro be izahay, ary nila tsy ho arakay aza. Nanana trano nampiadana izahay tany Ladyville, nefa tsy namela anay hiverina tany ny fonay sy ny sainay. Afaka manatsara ny fiainanay izahay, na mijanona eto San Antonio aza. Ny ambony rihana amin’ilay trano indray no hofanay fa tsy ny ambany rihana. Azoko asiana fanasam-bilia sy fantsona fitantazana ranon’orana ao, ary herinaratra sy kabine maoderina mihitsy aza any aoriana. Nivavaka tamin’i Jehovah momba izany izahay, ary natoky fa hisy fiangonana hiforona eto San Antonio noho ny fitahiany. Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana izahay avy eo, ka nilaza fa naniry hijanona teto sy ho mpisava lalana maharitra.”

Vetivety dia hita fa notahin’i Jehovah ny fanapahan-kevitr’izy mivady. Efa nanao Fivoriana ho An’ny Besinimaro tao amin’ilay trano nohofany izy ireo, enim-bolana monja tatỳ aoriana, izany hoe ny volana Novambra. Nanomboka nanao ny Sekolin’ny Fanompoana sy Fivoriana Momba ny Fanompoana tao San Antonio izy ireo, ny Aprily 1996. Faly ilay antokon’olona fa tsy voatery nanao dia 64 kilaometatra nandroso sy niverina isan-kerinandro intsony, rehefa nivory.

“TSY NAMPIHONTSINA AHY NY FANDRAHONANY”

Tsy ela dia nandroso ireo mpianatra Baiboly tso-po tao San Antonio, ary tena nampihetsi-po ny fitiavan’izy ireo ny fahamarinana. Hoy i Frank: “Saro-kenatra be ny vehivavy tao amin’ireo tanàna. Takina koa ny hanajan’izy ireo ny rainy sy ny vadiny. Tsy fombany ny miresaka amin’olon-tsy fantatra. Sarotra be tamin’izy ireo àry ny nandeha nitory isan-trano.”

Vao 20 taona i Priscilian Sho tamin’izany. Mpitory tsy vita batisa izy, ka tena naniry hitory tamin’ny mpiray tanàna taminy. Nanao fiverenana mitsidika niaraka tamin’i Amalia Sho zaobaviny i Priscilian, indray alahady. Nahita olana anefa izy roa.

Hoy i Priscilian: “Tsy niteny tamin’i Dada aho hoe hitory, satria efa tsy navelany. Izaho koa moa natahotra azy. Nitory izahay tamin’io alahady maraina io, ary hitanay tampoka i Dada teo anoloan’ilay fiangonana batista falehany. Niafina tao anaty kirihitra izahay tamin’ny voalohany. Hoy anefa aho avy eo: ‘Mijery antsika anie i Jehovah ry Amalia e! Tsy mety raha matahotra an’i Dada isika. I Jehovah no tsy maintsy atahorantsika.’ ”

Tezitra be ny rainy. Mbola mafy kokoa anefa ny zavatra niandry an’i Priscilian. Tsy tian’ny rainy ho lasa Vavolombelon’i Jehovah mantsy izy, ary nampiasa herisetra izy io mba hanakanana azy. Nivavaka mafy i Priscilian mandra-pahatongan’ny fivoriambe. Iray andro talohan’izay izy vao sahy nilaza tamin’ny rainy hoe hatao batisa.

Hoy izy tamin’ny rainy: “Ho any amin’ny Tanànan’i Belize aho rahampitso.”

“Fa hanao inona any ianao?”, hoy ny rainy.

“Hatao batisa aho, satria izany no takin’i Jehovah amiko. Tiako ianao, saingy tsy maintsy tia an’i Jehovah koa aho.”

“Tena hanao izany ve ianao?”, hoy ny rainy tezitra be.

“Ie, satria milaza ny Asan’ny Apostoly 5:29 fa Andriamanitra no tsy maintsy ankatoaviko, fa tsy olona.”

Romotra be ny rainy nivoaka ny trano. Hoy i Priscilian: “Tsy nilamina ny saiko raha tsy efa teny ambony kamiao ho any amin’ny fivoriambe aho. Tsy fantatro hoe hataony ahoana aho rehefa mody. Efa vita batisa anefa aho amin’izay, ka na hamono ahy aza izy, dia fantatro fa nety ny nataoko.”

Tsy naninona an’i Priscilian ny rainy rehefa nody izy. Nandrahona ny hamono azy anefa izy io, tatỳ aoriana. Hoy i Priscilian: “Hitany fa tsy nampihontsina ahy ny fandrahonany, ka nihanalefaka ihany izy.”

NIANDANY TAMIN’I JEHOVAH NY MPANOHITRA IRAY

Nandroso be ilay antoko-mpitory tao San Antonio. Naharay taratasy avy tamin’ny filan-kevitry ny tanàna anefa ry Cardoza fa tokony hiala tao izy ireo. Nahazo alalana hipetraka tao i Frank, talohan’izay, rehefa nandoa ny saran’ny taratasy fangatahana hijanona. Te handroaka an-dry Cardoza anefa izao ny olo-manan-kaja iray tao an-tanàna. Niaro an’i Frank ny mpianany telo, tamin’ny fivoriana iray nataon’ny filan-kevitry ny tanàna. Niteny koa ny tompon-tranon’i Frank fa raha roahina ry Cardoza, dia ny filan-kevitra no tsy maintsy handoa ny hofan-trano fandoan’izy mivady. Nampiseho taratasy avy tany amin’ny Sampan-draharahan’ny Fananan-tany i Frank avy eo. Nilaza izy io fa tsy azo roahina ny olona manofa trano amin’olon-tsotra. Namela an-dry Cardoza hijanona ihany ny filan-kevitra, tamin’ny farany.

I Basilio Ah ilay olo-manan-kaja te handroaka an-dry Cardoza. Alcalde (lehiben’ny tanàna) izy taloha, ary mbola mpanao politika nalaza. Nampiasa ny fahefany izy ka nanao izay ho afany, mba hanoherana ny Vavolombelona tao San Antonio. Nitady tany hanorenana Efitrano Fanjakana ilay antoko-mpitory tao. Hoy i Basilio tamin’izay: “Tsy hahavita Efitrano Fanjakana eto izany ianareo!” Nahazo tany ihany anefa ireo rahalahy ary nanorina efitrano tsotra sy tsara tarehy. Iza, hoy ianareo, no nanatrika ny fitokanana an’ilay efitrano, tamin’ny Desambra 1998? I Basilio. Fa inona no nitranga?

Manan-janaka roa lahy efa manambady i Basilio, ary samy manana olana ara-pianakaviana izy ireo. Indroa izy no niangavy ny fiangonany mba hanampy azy ireo, nefa tsy nahazo valiny. Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo zanany, tatỳ aoriana. Voamarik’i María, vadin’i Basilio, fa niova izy roa lahy ary nihatsara ny fiainam-pianakaviany. Nangataka ny hianatra koa àry izy.

Hoy i María: “Tena naniry hahalala an’i Jehovah Andriamanitra aho. Nilazako ny vadiko fa tokony hankany amin’ny Efitrano Fanjakana izahay, mba hianatra bebe kokoa momba an’Andriamanitra.” Sarotra tamin’i Basilio izany, satria tena tsy tiany ny Vavolombelona sy Frank Cardoza, izay nantsoiny hoe “ilay vazaha iny.” Nampiaiky azy anefa ny fiovana tsara nataon-janany, noho ny fahamarinana. Nanapa-kevitra ny handinika akaiky ny Vavolombelona àry i Basilio. Nanaiky hianatra Baiboly izy taorian’ny resadresaka natao taminy. Iza, hoy ianareo, no nekeny hampianatra azy? Tsy iza fa “ilay vazaha iny”, izany hoe i Frank Cardoza!

Hoy i Basilio: “Nampiova hevitra ahy ny zavatra novakiko tao amin’ny Baiboly. Katolika nandritra ny 60 taona aho, ary nandoro emboka manitra teo anoloan’ny sampy. Tao amin’ny Baiboly, ilay bokin’i Jehovah, mihitsy no nianarako momba azy. Menatra aho noho izay nataoko tamin’i Frank Cardoza, izay efa rahalahiko izao. Tena diso aho tamin’ireny. Nafana fo tamin’ny zavatra noheveriko fa hahasoa ny tanànako sy ny fivavahako aho. Tsy nanao ny fombafomban’ny Maya, izay mifandray amin’ny filalaovana ody, intsony aho. Tsy nanao politika intsony koa aho.” Vita batisa izao i Basilio sy María Ah, ary faly manompo an’i Jehovah.

Malaza ho be fitiavana sy falifaly ary mazoto ny mpanompon’i Jehovah. Mpitory maro any amin’ny faritra mitokana no mandeha an-tongotra adiny telo na mihoatra sady mitety havoana, mba hitoriana. Tsy tia manapaka fivoriana koa izy ireo. Nanana anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana, ohatra, i Andrea Ich, indray hariva, ary mpanampy izy tamin’izany. Nandeha an-tongotra telo na dimy kilaometatra izy sy ny zanany lahy, tamin’io andro io, mba hioty zavokà. Voatsindron’ny fanenitra in-23 izy. Na izany aza, dia nody sy nikarakara sakafo izy ary nandeha nivory, mba hanao ny anjarany. Nivonto ny tarehiny, nefa mbola falifaly no fahitana azy. Tsy maintsy mandeha kamiao na bisy mandritra ny andro manontolo ireo rahalahy sy anabavy maya, mba hamonjena fivoriambe. Mampahery foana anefa ny mahita fa faly izy ireo tafaray amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra.

NANDRAVARAVA NY RIVO-DOZA

Rivo-doza 51 no nandalo teto Belize, tao anatin’ny 115 taona. Nanomboka tamin’ny 1930, dia rivo-doza 12 no namely nivantana an’i Belize na nandalo teo akaikiny, ka nanimba zavatra sy nahafaty olona. Anisan’ireo nahery vaika indrindra ny Rivo-doza Hattie. Namely vao maraina izy io ny 31 Oktobra 1961. Nahatratra 300 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehany sady nampisondrotra ranomasina, ka olona an-jatony no maty. Eo amin’ny 30 santimetatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina no misy ny Tanànan’i Belize. Tototry ny fotaka nahatratra 30 santimetatra anefa izy io. Hoy ny tatitra avy tany amin’ny sampana: ‘Simba be na rava tanteraka ny tranon’ny ankamaroan’ireo rahalahy [tao amin’ny Tanànan’i Belize], ary very na potiky ny rano ny akanjony. Tsy nisy naratra mafy anefa izy ireo.

‘Bilidaozera no manadio lalana ary main’ny afo ny sisa tsy potika tamin’ireo trano. Nahatratra 60 santimetatra ny haavon’ny rano tato [anatin’ny tranon’ny misionera], ary nanimba zavatra maro. Tafakatra telo metatra izany teny ivelany. Soa ihany fa tsy natao nitovy tamin’ny haavon’ny lalana ny fototry ny tranon’ny misionera. Kely ny sakafo azo vidina, ary mbola mitady an’ireo razana any ambanin’ny fotaka izy ireo.’

Hoy ny sampana, folo andro tatỳ aoriana: “Mbola ratsy noho ny eto [amin’ny Tanànan’i Belize] ny toe-javatra ao [Dangriga]. Terena hiasa adiny valo isan’andro ny olona, mba hahazoana tapakila hividianan-javatra. Ny miaramila no mifehy ny zava-drehetra, ary tsy misy zavatra azo vidina amin’ny vola.” Zazalahy roa no maty ary tapaka ny tongotry ny rain’izy ireo, rehefa nianjera ny tranony. Mpitory nazoto ireo ankizy ireo, ary nalaza ho nitory tamin’ny mpampianatra ny iray, izay 12 taona.

Nandalo tao amin’ny Tanànan’i Belize sy Dangriga ny mason’ilay rivo-doza. Nisy simba na potika tanteraka ny trano sy ny fananan’ny ankamaroan’ireo rahalahy. Nametraka fameperana manokana ny governora, taorian’ilay rivo-doza. Nampanantsoiny ny tafika britanika, mba hampihatra an’ireo fameperana sy hitifitra an’ireo mpandroba. Voarara ny nivezivezy amin’ny alina. Notazonin’ny polisy nandritra ny alina izay tratra, na lahy na vavy na ankizy.

Naverina tamin’ny laoniny haingana ny fivoriana sy ny fitoriana, na teo aza ireo olana ireo. Sarotra izany, satria be dia be ny olona nipetraka tany amin’ny tobin’ny tra-boina ary feno rano sy fotaka ny tokotany. Nila fampaherezana avy amin’ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana anefa ny olona, ary nahafoy tena ny Vavolombelon’i Jehovah mba hizarana izany.

Mafy ny fiainana tamin’izany. Be fitiavana sy nalala-tanana anefa ireo Vavolombelona tany ivelany, ka nampahery an’ireo rahalahy teto. Nandefa baoritra 25 feno akanjo sy zavatra maro ireo sampana hafa. Nozaraina tamin’ireo Vavolombelona sy ny olon-kafa teto izany. Anisan’ireo trano vitsivitsy tsy ravan’ny rivo-doza ny biraon’ny sampana sy ny Efitrano Fanjakana. Nanaiky avy hatrany àry ireo rahalahy, rehefa nangataka ny fanjakana hoe hatao tobin’ny tra-boina ny efitrano. *

“AFAKA MIVAVAKA HO ANTSIKA VE IANAO RAMATOA PRATT?”

Namely ny tanànan’i San Pedro, ao amin’ny Nosy Ambergris, ny Rivo-doza Keith, tamin’ny Oktobra 2000. Naharitra telo andro izany. Nahatratra 205 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehany, ary avy be ny orana. Any amin’ny 16 kilaometatra avaratry ny Tanànan’i Belize no misy an’i Ladyville. Nahatratra 80 santimetatra ny haavon’ny rano tao, noho ny orana naharitra telo andro. Rahalahy 42 no nialokaloka tao amin’ny Efitrano Fivoriambe ao Ladyville. Saika ny trano rehetra no rava, tao amin’ny Nosy Caulker. Very fananana ireo mpitory 57 tao amin’ny Nosy Ambergris sy Caulker. Tsy nisy herinaratra sy rano tao, nandritra ny herinandro maromaro, ary tapaka ny telefaonina. Nilaza ny praiminisitra fa toerana iharan-doza ny Nosy Ambergris sy Caulker. Toy izany koa ny Faritanin’i Belize sy Orange Walk ary Corozal. Nampiharina avy hatrany ny tsy fahafahana nivezivezy amin’ny alina, mba hisakanana ny fandrobana.

Mpisava lalana manokana ao amin’ny Nosy Caulker i Cecilia Pratt. Nanomana kitapo iray izy raha vao reny hoe hisy rivo-doza. Iny no hoentiny any amin’ny toerana hialokalofany raha tonga ny loza. Vao avy nanangona ny tatitra momba ny fanompoan’ireo anabavy 12 izy, tamin’io andro io. Nieritreritra ny handeha sambo ho any amin’ny biraon’ny sampana izy ny tolakandro, mba hanatitra izany. Nofonosiny plastika ireo tatitra ary nampidiriny tao anatin’ilay kitapo efa nomaniny. Tsy maintsy nialokaloka tao amin’ny sekoly iray vita tamin’ny simenitra i Cecilia sy ny anabavy sasany, tamin’io alina io. Ny ambiny kosa tany amin’ny tobim-pahasalamana.

Hoy i Cecilia: “Nopaohin’ny rivotra ny tafo fanitson’ilay efitra nisy anay. Samy nandraoka ny entanay izahay, ka nifindra tany amin’ny efitra hafa. Hoatran’ny hoe nohozongozonin’ny rivotra ilay trano, na dia vita tamin’ny simenitra aza. Nijery kely ny teny ivelany izahay, fa tsy nahita tany maina mihitsy. Toy ny hoe voahodidin’ny ranomasina izahay. Niaraka foana izahay dimy vavy, ary nivavaka mafy. Natahotra daholo ireo olona 40 samy hafa fivavahana tao amin’ilay sekoly. ‘Kapoka avy amin’Andriamanitra izao’, hoy ny sasany. Niangavy ahy ny pretra katolika iray hoe: ‘Afaka mivavaka ho antsika ve ianao Ramatoa Pratt?’ Namaly aho hoe: ‘Tsy afaka manao izany aho. Izaho ange vehivavy e, sady tsy manana satroka aho.’ Hoy izy: ‘Atỳ amiko ny satroko.’ Tsy azoko antoka raha nahazo nivavaka ho an’ny rehetra aho. Tiako ho fantatr’izy ireo anefa fa tsy avy tamin’i Jehovah ilay rivo-doza. Niara-nivavaka tamin’ireo rahavavy àry aho. Nataoko mafy tsara ilay izy mba ho ren’ny rehetra. Nijanona avy hatrany ny rivotra, rehefa avy niteny ‘Amena’ ny rehetra. Nandalo teo amboninay ny mason’ilay rivo-doza, tamin’izay. Hoy ilay pretra: ‘Izany ka tena vavaka! Ny Andriamanitrareo no tena Andriamanitra.’ Tsy navelan’izy ireo niala tao amin’ilay toby intsony izahay dimy vavy, taorian’izay. Nanome anay sakafo sy kafe koa izy ireo, nandritra ireo telo andro nanaraka.

“Nieritreritra an’ireo mpitory hafa anefa aho. Niala tao amin’ny toby aho ny ampitso maraina mba hijery azy ireo, rehefa nijanona ny rivotra. Feno hazo nianjera sy zavatra simba, na taiza na taiza. Nakisaky ny rivotra tany amin’ny 10 na 15 metatra ny trano sasany. Nijery tao amin’ny tranom-pokonolona aloha aho, ary nahita rahavavy roa niaraka tamin’ny zanany. Potika ny tranon’ny rahavavy iray hafa, fa izy kosa tsy naninona.”

Sarotra tamin’ny biraon’ny sampana ny nanangona an’ireo tatitra momba ny fanompoana avy tany amin’ireo fiangonana, taorian’ny rivo-doza. Ny tatitra avy tany amin’ny Nosy Caulker no tonga voalohany. Efa nampirimin’i Cecilia tao anatin’ny kitapony izy ireny, ary nomeny an’ireo rahalahy solontenan’ny sampana tonga nijery an’ireo tra-boina.

Nahazo fanomezana ny rahalahy tao amin’ireo nosy, nandritra ny herinandro maromaro. Nampian’ireo mpiasa an-tsitrapo koa izy ireo mba hanadio sy hanamboatra ny simba tamin’ny tranony, ary hanamboatra ny Efitrano Fanjakana tao amin’ny Nosy Ambergris.

Anisan’ireo nanampy tao amin’ny Nosy Caulker i Merle Richert. Hoy izy: “Natsanganay ny tobin’ny tra-boina ary nozaraina ny vatsy. Nanomboka nanamboatra ny tranon’ireo mpitory izahay, ny ampitso. Nandeha nanompo ny rehetra ny alahady maraina. Nanamboatra toerana hivoriana teo an-tokotanin’ny anabavy iray izahay avy eo. Nanao dabilio hipetrahana izahay, ary foto-boaniho notapahina no natao polipitra. Tsy azo natao ny nivezivezy taorian’ny amin’ny valo alina, ka nahitsinay hifanaraka tamin’izany ny fandaharam-pivoriana. Nisy 43 no nanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro sy ny Fianarana Tilikambo.”

NANAO FIVORIAMBE MBA HAMPIANARIN’I JEHOVAH

Afaka nandamina fivoriambe nanerana an’i Belize ireo rahalahy, taloha kelin’ny 1970, noho ny fampiasana tranolay. Nila niasa mafy nandritra ny andro maro anefa izy ireo, mba hananganana tranolay ngezabe. Hoy i Santiago Sosa: “Vao nanomboka ny herinandro, dia efa nanangana tranolay izahay, nibata dabilio avy tany amin’ny Efitrano Fanjakana, ary nindrana seza. Mbola nisy fandrahoan-tsakafo tamin’izany, ka nindrana vilany sy lapoaly izahay, ary matetika no niari-tory mba hahandro sy hamita ny asa. Efa nitsangana ny tranolay indraindray, nefa dia nazeran’ny rivo-mahery indray rehefa alina. Voatery namerina ny zava-drehetra izahay ny ampitso. Tsy nisy nitaraina anefa.”

Tsaroan’i Jeanne Thompson ny fivoriambe natao tao amin’ny tanàna iray, eo anelanelan’i Orange Walk sy ny Tanànan’i Belize. Nila nanala an’ireo kirihitra teo akaikin’ny efitrano ireo rahalahy, izay vao nanamboatra tranolay sy dabilio. Hoy i Jeanne: “Avy foana ny orana nandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, ka feno rano tao amin’ilay tranolay. Nakarinay teo amin’ny dabilio teo aloha àry ny tongotray rehefa nipetraka izahay. Tsy fantatray akory hoe feno bibilava misy poizina ilay toerana. Soa ihany fa avy ny orana ka voatery nijanona tao anaty tranolay sy teo akaikin’ny efitrano izahay. Nety ho nampidi-doza mantsy ny nandehandeha tany anaty kirihitra.”

Lasa nisy fivoriambe tao amin’ny Nosy Bird, teo anelanelan’ny 1970 sy 1980. Any amin’ny 120 metatra atsimoatsinanan’ny Tanànan’i Belize no misy azy io. Efa nanamboatra efitrano lehibe mitafo bozaka ny tompon’io nosy io. Misy herinaratra sy rano ary kabine izy io, satria saika hataony trano fanaovana fety. Nanorina tetezana hazo nampifandray an’ilay nosy kely amin’i Belize ireo rahalahy, ka afaka nanao fivoriambe imbetsaka tao amin’ilay toerana mangingina sy milamina.

Navelan’ny fanjakana hanofa tany sy hanorina Efitrano Fivoriambe tao Ladyville ireo rahalahy, tamin’ny Martsa 1983. Nanangana efitrano vonjimaika izy ireo, tamin’ny voalohany, mba hampiasaina amin’ny fivoriamben’ny faritra sy vondrom-paritra ary fandaharana manokana. Novidina ny trano vy iray tatsy Goatemalà, tamin’ny 1988. Noravana izy io ary notaomina teo amin’ilay tany tao Ladyville, mba hanaovana Efitrano Fivoriambe.

MIROBOROBO NY FARITANY MITENY SINOA

Efa hatramin’ny 1920 no nisy Sinoa nifindra monina teto Belize, ary maro aminy no tia mamaky ny bokintsika amin’ny fiteniny. Hoy, ohatra, i Roberta Gonzalez: “Naniry hitory tamin’ny vehivavy iray avy any Taïwan aho. Mpivarotra mofo izy, ary tsy tena liana tamin’ny fivavahana sady sahiran-dava. Fantatro koa fa manan-janaka tanora roa izy. Nomeko boky Manontany ny Tanora iray tamin’ny teny sinoa àry izy, indray andro, rehefa teo am-pivarotany. Nilazako izy fa tiako ho fantatra ny heviny momba an’ilay boky. Nandalo tamin’ny fiara teo anoloan’ny fivarotany aho, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nikopakopaka ahy izy. Nijanona aho ary nilaza izy fa efa niandry ahy. Nolazainy fa niatrika olana ny ankamaroan’ireo tanora iray fiaviana aminy, rehefa nifindra teto Belize. Tsapany fa nila namaky an’ilay boky Manontany ny Tanora daholo izy ireo. Nasainy nanisa an’ireo fianakaviana avy any Taïwan, izay nanan-janaka tanora tao an-tanàna, ny zanany. Nangataka boky 16 izy avy eo, mba homeny an’ireo fianakaviana ireo.”

Nandamina fianarana teny mandarin nandritra ny telo volana ny sampana, tamin’ny Oktobra 2000. Natao ho an’ireo mpitory sy mpisava lalana naniry hitory tamin’ny Sinoa izy io. Inona no vokany? Niforona ny antoko-mpitory miteny sinoa, izay nisy mpisava lalana maromaro. Lasa fiangonana izy io tatỳ aoriana. Nanaiky ny vaovao tsara sy nankasitraka ny fitiavana naseho taminy ny sasany, na dia nisy nanohitra mafy aza.

Nanaiky hianatra Baiboly, ohatra, i Monje Chen, tamin’ny 2006. Tsy naninona ny havany, tamin’ny voalohany, kanefa naneso sy nanohitra azy avy eo. Tampoka teo, dia namidin’ny havany ny fananan’izy ireo rehetra, anisan’izany ilay fivarotana niandraiketan’i Monje. Nomen’izy ireo adiny iray izy, mba hialany amin’ny finoany sy hiarahany hifindra amin’izy ireo. Tsy nanaiky i Monje ka nilaozan’ny havany, ary tsy namelany na variraiventy aza. Nifindra tao amin’ny rahalahy iray izy, ary nanohy nianatra Baiboly sy nivory tsy tapaka. Hoy i Monje: “Niezaka nifandray akaiky tamin’i Jehovah aho, ary nikarakara ahy izy. Nanampy ahy ny fianarana sy ny fisaintsainana ny Soratra Masina ary ny fampaherezan’ireo rahalahy.”

Natao batisa i Monje tamin’ny Novambra 2008. Niova ny fihetsiky ny havany rehefa nahita hoe lasa tsara ny fitondran-tenany sy ny fomba fiteniny. Hoy i Monje: “Tsy nampahantra ahy ny fankatoavana an’i Jehovah, fa nahasambatra ahy. Tsy nandao ahy izy fa namela ahy hiaraka amin’ireo rahalahy be fitiavana sy miray saina.”

MIANDRAIKITRA NY ASA ETO NY SAMPAN’I MEKSIKA

Niara-nidinika ny zavatra ilaina mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana ny Komitin’ny Sampan’i Belize sy Meksika ary ny Filan-kevi-pitantanana. Tapaka ny hevitra fa ny sampan’i Meksika no hiandraikitra ny asa eto Belize. Nanomboka tamin’ny 1 Janoary 2001 izany, ary nandray soa sy faly ireo rahalahy teto.

Niandraikitra ny fanorenana Efitrano Fanjakana maromaro teto ny sampan’i Meksika, nanomboka teo. Notokanana tao amin’ny Tanànan’i Belize ny Efitrano Fanjakana roa tsotsotra, tamin’ny 16 Martsa 2002. Notokanana ny ampitson’io ny tranon’ny misionera iray tsara tarehy sy ny Efitrano Fivoriambe iray nohavaozina tao Ladyville. Nanao ny lahateny fitokanana i Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Maro tamin’ireo nanatrika teo no efa nanompo an’i Jehovah teto Belize, nandritra ny 50 na 60 taona. Nandroso tsara ny asa hatramin’ny nisian’ny Ekipa Mpanorina Efitrano Fanjakana teto. Efitrano 20 izay no vita manerana an’i Belize.

Mpisava lalana 325 avy atsy Meksika no tonga teto, tamin’ny 2007, mba hitory any amin’ny faritany tsy voasa matetika. Nandrisika an’ireo mpitory teto izany, ka lasa nitombo be ny isan’ny mpisava lalana.

Mivavaka isan-taona ireo mpitondra fivavahana mba ho voaro amin’ny rivo-doza i Belize. Ireo Vavolombelon’i Jehovah teto kosa efa nahazo toromarika momba ny vonjy taitra, talohan’ny fotoanan’ny rivo-doza tamin’ny 2007. Tena nanampy azy ireo ilay toromarika ny volana Aogositra, rehefa namely ny Rivo-doza Dean, izay nahery vaika. Efa nafindra tany amin’ny toerana azo antoka ireo rahalahy tany amin’ny faritra nampidi-doza. Nanampy tamin’ny fanamboarana an’ireo trano sy Efitrano Fanjakana ireo Vavolombelona nanerana an’i Belize, taorian’ilay rivo-doza. Lasa nidera ny ohatra tsara nomen’ireo Vavolombelona ny radio iray.

MIRAY SAINA NY OLONA AVY ANY AMIN’NY FIRENENA REHETRA

Maherin’ny 1 800 ny mpitory eto Belize, noho ny fitahian’i Jehovah, izany hoe mpitory 1 isaky mponina 149. Olona 1 isaky ny mponina 39 no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2009. Mbola antenaina àry ny hisian’ny fitomboana!

Olona maro samihafa sy mahafinaritra no manompo an’i Jehovah eto Belize, noho ny asa fanaovana mpianatra natao teto, efa 80 taona mahery izay. Mampiray saina azy ireo ny “fiteny madio”, izany hoe ny marina momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. Mampiasa tsara an’io fiteny io ny Vavolombelona eto, mba hitoriana sy hanomezana voninahitra an’i Jehovah, ilay Andriamanitra be fitiavana. Manao izany “amim-piraisan-kina” izy ireo, miaraka amin’ireo rahalahy sy anabaviny maneran-tany.—Zef. 3:9.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Talohan’ny 1974, dia Honduras Britanika no niantsoana an’i Belize. Ilay anarana hoe Belize foana anefa no ampiasaintsika ato, raha tsy hoe misy antony manokana.

^ feh. 123 Tsy natao renivohitra intsony ny Tanànan’i Belize, noho iny rivo-doza iny. Nafindra ao Belmopan, ao afovoan-tany, izany.

[Teny notsongaina, pejy 224]

‘Nilaza tamiko ilay mpamily fa mitory isan-trano ny tena Kristianina’

[Teny notsongaina, pejy 234]

“Tsy mety raha matahotra an’i Dada isika. I Jehovah no tsy maintsy atahorantsika”

[Efajoro, pejy 208]

Indray Mitopy Maso An’i Belize

Ilay Tany

Lemaka ny any amoron-tsiraka ary somary miakatra rehefa mianatsimo hatrany amin’ny Tendrombohitra Maya. Ny alan’i Belize dia ahitana jagoara, puma, gidro, karazana lambo, androngo vaventy, voay, bibilava 60 karazana, anisan’izany ny bibilava lohan-defona, izay misy poizina mahery. Hita ao koa ny vorona efa ho 600 karazana, toy ny boloky mena, izay atahorana ho lany tamingana, ary ny toucan. Anisan’ireo zavaboary fahita ao an-dranomasina ny karazana lambondriaka, vato harana, spaonjy, trondro kongotry, trondro aloalo, ary antsantsa-trozona.

Mponina

Hita eto ny Maya (Kekchi sy Mopan ary Yucatec), Kreôla (metisy afrikanina sy eoropeanina), Metisy espaniola sy maya, Garinagu (metisy afrikanina sy karaiba), Indianina Tatsinanana, Libaney, Sinoa, ary Eoropeanina, toy ny Menonita alemà sy holandey.

Fiteny

Ny teny anglisy no fiteny ofisialy. Ampiasaina eto koa anefa ny teny kreôlan’i Belize, espaniola, garifuna, kekchi, maya, alemà, ary mandarin.

Fivelomana

Mamboly fary ny ankamaroan’ny mponina, ary manondrana siramamy sy voankazo. Maro koa no mivelona amin’ny jono sy ny fandraisana mpizaha tany.

Sakafo

Ahitana sakafo isan-karazany eto, satria misy kolontsaina samihafa. Tena tian’ny olona ny vary sy tsaramaso andrahoina amin’ny voaniho. Matetika izy io no aroso miaraka amin’ny akondrolahy nendasina sy akoho na hen’omby na trondro nendasina na nandrahoina. Maro sy be mpitia ny hazan-dranomasina.

Toetany

Atỳ Amerika Afovoany eo amin’ny Morontsirak’i Karaiba no misy an’i Belize. Mafana sy mando eto, satria akaikin’ny tropika. Mora voan’ny rivo-doza koa i Belize.

[Efajoro/Sary, pejy 215]

Mandray ny Fahamarinana ny Garinagu

BEVERLY ANN FLORES

TERAKA 1961

BATISA 1993

TANTARANY Garifuna nanaiky ny fahamarinana. Manampy ny olona iray foko aminy hahafantatra an’i Jehovah.

◼ TAORIANA kelin’ny taona 1600 no nanomboka nisy ny Garinagu (Garifuna milaza maro), rehefa nivady ny andevo sy ny Karaiba tompon-tany. Teny arawak ahitana teny frantsay sy swahili ny teny garifuna.

Manaraka fivavahana katolika ny Garinagu, saingy afangarony fombafomba afrikanina sy indianina amerikanina izany. Fety natao hampitonena ny fahatezeran’ny razana, ohatra, ny dugu. Omena sakafo sy zava-pisotro izy ireo amin’izany. Hoy i Beverly: “Tsy nankasitraka ny dugu i Neny. Tsy azony hoe nahoana moa Andriamanitra no ho faly rehefa alevina ny sakafo. Nilaza foana izy hoe: ‘Natao hohanina ny sakafo! Sady raha tia antsika ireo maty, nahoana izy no hampijaly antsika?’ ”

Nanazava ny zava-nitranga tamin’izy nahita ny fahamarinana i Beverly. Hoy izy: “Nanapa-kevitra ny hitory tamin’ireo Garinagu ao Dangriga aho. Fantatro fa handray tsara ny ankamaroan’izy ireo, raha olona iray foko aminy no mitory aminy. Maro no mihaino rehefa miteny garifuna aho, ary efa mifandray amin’ny fiangonana ny sasany. Hitany fa azo atao ny miala amin’ireo fombafomba tsy araka ny Soratra Masina, ary tsy afaka mamono azy ny fanahy ratsy.”

[Efajoro/Sary, pejy 218]

“Nikarakara Anay Foana i Jehovah”

LILLY MILLER

TERAKA 1928

BATISA 1960

TANTARANY Namelona irery an’ireo zanany enina. Efa 47 taona izy izao no manompo manontolo andro.

◼ HOY i Lilly, izay malefa-piteny: ‘Niresaka tamiko momba ny Baiboly i Amybelle Allen, tamin’ny 1959. Efa nampitandremana momba an’ireny “mpaminany sandoka” mitety trano ireny izahay, tany am-piangonana. Nanaiky hianatra anefa aho, fa Baiboly ihany no nampiasaina. Nandray ny fahamarinana aho, ary natao batisa ny taona nanaraka.

‘Sarotra tamiko ny nitory, tamin’ny voalohany. Nangovitra be ny tanako ka nila tsy hahazona Baiboly. Tahaka an’i Jeremia anefa, dia “toy ny afo nirehitra voahidy tao amin’ny taolako” ny faniriako hitory, na nihaino ny olona na tsia.’—Jer. 20:9.

Ahoana no nahafahan’i Lilly nitaiza irery ny zanany enina, sady nanao ny asan’ny mpisava lalana? Hoy izy: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho, ka nanampy ahy izy. Intelo isan-kerinandro aho no nifoha tamin’ny 3.30 maraina, mba hanao bisikoỳ. Nandrahoinay sy ireo zanako vavy tao amin’ny lafaoro kitay izany, ary nilahatra ny olona mba hividy izany vao mafana. Rehefa lafo daholo ireo bisikoỳ, dia nandeha nianatra ny zanako, fa izaho kosa nandeha nanompo. Nikarakara anay foana i Jehovah.”

Mpisava lalana ao Corozal i Lilly, nanomboka tamin’ny 1969. Manompo manontolo andro koa ny zanany lahimatoa sy ny zanany roa vavy. Olona 69 no efa nampiany hatramin’ny batisa.

[Efajoro/Sary, pejy 227, 228]

Fitoriana Tany Anaty Ala

Hoy i Martha Simons: “Anadahy sy rahavavy 23 avy any amin’ny lafivalon’i Belize izahay no nihaona tao Punta Gorda, tamin’ny Martsa 1991. Handeha hitory any anaty ala izahay, mandritra ny folo andro. Nitondra akanjo, bodofotsy, fandriana mihantona izahay, ary koa boky sy gazety amin’ny teny anglisy sy espaniola ary kekchi. Nitondra sakafo koa izahay, anisan’izany ny bisikoỳ niisa 200.

“Niainga izahay ny ampitso maraina, ary nandeha tamin’ny lakana vita tamin’ny hazo kapoaka. Nijanona tao Crique Sarco izahay, ary nanangana lay. Nanantona an’ireo fandriana ny anadahy, fa izahay vehivavy kosa nahandro an’ilay sakafo tena ankafizinay, dia ny lasopy rambon-kisoa. Tanehina miaraka ny mangahazo, vomanga, akondrolahy manta, voaniho, atody nandrahoina, ary rambon-kisoa mazava ho azy. Niely ny feo hoe tonga izahay, ka tsy ela dia tamy niarahaba anay ireo Kekchi, ary nijanonjanona teo aminay. Afaka nitory tamin’ny mponina rehetra tao amin’ilay tanàna àry izahay, tao anatin’ny adiny roa. Natory tao ambanin’ny paositry ny polisy ireo anadahy, tamin’iny alina iny. Nisy tongony mantsy io trano io. Izahay vehivavy kosa natory tao amin’ny cabildo, trano tafo bozaka fivorian’ireo raiamandreny tao an-tanàna.

“Nandeha lakana nanaraka renirano indray izahay ny ampitson’iny. Feno fakana hazo honko ilay renirano, tany amin’ny toerana sasany, ka maizimaizina sy mampahatahotra. Nankeny an-tanety izahay rehefa afaka antsasak’adiny teo ho eo. Nandeha an-tongotra adiny iray sy sasany izahay, ary nanavatsava kirihitra hatrany Sundaywood. Olona fohy sy mainty fihodirana ary tso-bolo no mipetraka ao. Tsy mikiraro ny ankamaroany. Manao zipo nentim-paharazana ny vehivavy sady miambozona vakana. Mitafo bozaka ny trano, ary tsy misy gorodona. Tsy misy efitrefitra koa ilay izy, ary fandriana mihantona ihany no mba fanaka ao. Misy fatana iombonana ao an-tanàna.

“Tsara fanahy ry zareo, ary maro no liana. Gaga be izy ireo rehefa nahita gazety tamin’ny teny kekchi, sy namakianay andinin-teny avy tao amin’ny Baiboly amin’io fiteny io.

“Nanaitra anay tamin’ny torimaso ny feon’akoholahy sy vorona ary gidro, ny ampitso maraina. Nitsidika an’ireo olona liana ny omalin’io izahay, rehefa avy nisakafo. Nanomboka fampianarana Baiboly maromaro izahay, ary nampirisika azy ireo hianatra samirery mandra-piverinay ny taona nanaraka. Toy izany foana no nataonay nandritra ny andro maromaro, arakaraka ny nidiranay tao anatin’ilay ala mikitroka, mba hitsidika an’ireo tanàna mitokana.

“Nisaintsaina ny dia lavitra efa nataonay izahay, rehefa afaka folo andro. Nitamberina tao an-tsainay koa ireo tanàna nolalovanay sy ireo olona nihaona taminay. Nivavaka izahay mba harovan’i Jehovah ireo voan’ny fahamarinana nambolenay, mandra-piverinay indray ny taona nanaraka. Reraka izahay ary nanaintaina ny tongotray. Faly be anefa izahay ka nisaotra an’i Jehovah, satria afaka nitory tany anaty ala tamin’io taona io.”

[Efajoro/Sary, pejy 235, 236]

Maya Tia An’i Jehovah

JORGE SY NICOLAS SHO (ARY PRISCILIAN ANABAVIN’IZY IREO)

TERAKA 1969 sy 1971

BATISA 1997

KOLONTSAINY Tsy maintsy manaja sy mankatò ray aman-dreny ny ankizy ao amin’ny foko maya, na dia ireo efa manambady aza.

◼ REHEFA nahafantatra sy tia an’i Jehovah i Nicolas sy Jorge, dia nanohitra be ny rain’izy ireo.

Hoy i Nicolas: “Nanazava tamin’i Dada aho hoe nianatra zavatra tena mahasoa. Mpivavaka tao amin’ny Fiangonana Batista anefa izy, ka tsy niraharaha an’izany. Matetika aho no tsy nianatra Baiboly, satria tsy te hampahatezitra azy. Fantatro koa fa tsy ohatra tsara ho an-janako aho, rehefa nimamo niaraka tamin’i Dada. Tena tsy sambatra ny vady aman-janako. Tsy mba nitsiky mihitsy izy ireo.

“Nanampy ahy hiala tamin’ny fitondran-tena ratsy ny fahamarinana, raha vao nianatra Baiboly sy nivory tsy tapaka aho. Niasa mafy aho mba hamelomana ny ankohonako, ary tsy nisy banga intsony ny karamako. Be atao amin’ny fanompoana izao izahay mianakavy sady sambatra. Mihomehy foana izahay ao an-trano.”

Toy izany koa i Jorge. Mamo lava izy sady mpiteny ratsy, ka niteraka olana ho an’ny ankohonany izany. Tsy tao an-trano mihitsy izy rehefa faran’ny herinandro. Tena nampiova azy anefa ny fianarany Baiboly.

Hoy i Jorge: “Vao mainka nanohitra i Dada rehefa nanao fandrosoana aho. Nolazainy fa mpaminany sandoka izahay. Tsy latsaka ny indroa izahay no nambanany tamin’ny antsibe. Efa nampiomana anay aloha be ny Rahalahy Cardoza, ilay nampianatra Baiboly ahy. Hoy izy: ‘Ahoana raha tsy avelan’ny dadanareo hipetraka eto intsony ianareo?’ Nanazava aho hoe: ‘Tena tia ahy i Dada ka! Tsy hanao an’izany mihitsy izy.’ Izany mihitsy anefa no nataony.”

Hoy ihany i Jorge: “Tiako anefa ny zavatra nianarako, ary nihatsara ny fiainako. Lasa nanana toetra kristianina aho, ka nahasoa ny ankohonako izany. Mifanaja izahay sady sambatra. Tena mahafaly ahy ny mitory. Mpisava lalana maharitra koa aho izao, noho ny fanampian’i Jehovah.”

[Sary]

Frank Cardoza, mitory amin’i Jorge

[Efajoro/Sary, pejy 238, 239]

Faly Manompo any Amin’izay Ilana Mpitory Maro Kokoa

Dingana lehibe ny hoe mifindra any amin’ny tany ilana mpitory maro kokoa. Mila miezaka sy mahafoy tena be koa ianao, vao hahavita hijanona any mandritra ny taona maro. Olona maro anefa no faly fa nahavita izany.

Avy any Etazonia, ohatra, i Arthur sy Roberta Gonzalez. Nifindra teto Belize niaraka tamin’i Dalton, zanany lahy telo taona izy ireo, tamin’ny 1989. Hoy i Roberta: “Tena mafy ny niala tamin’ny asa tsara karama, mba hipetraka any amin’ny tany iray be olona tsy an’asa.”

Hoy koa i Arthur: “Tena ilaina ny mitoky amin’i Jehovah. Gaga aho rehefa namaky tao amin’ny Baiboly fa nandao ny tranony sy ny fianakaviany ary ny zava-drehetra nahazatra azy i Abrahama. Nikarakara azy anefa i Jehovah. Iray amin’ireo zava-tsarotra natrehinay ny nianatra ny teny kreôlan’i Belize. Niantehitra tamin’i Jehovah anefa izahay, ary nanampy anay izy.”

Avy any Kalifornia kosa i Frank sy Alice Cardoza. Tonga teto izy ireo tamin’ny 1991, mba hanao ny asan’ny mpisava lalana. Hoy i Frank: “Te ho misionera aho rehefa namaky ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Fantatro fa tsy ho afaka hanatrika ny Sekolin’i Gileada mihitsy izahay mivady, satria efa niteraka efatra. Afaka nifindra tany an-tany hafa anefa izahay, nony vita ny fianaran’ny zanakay faravavy. I Belize no nofidinay, rehefa avy namaky ny tantaran’izy io tao amin’ny Tilikambo izahay.”

Hoy i Alice: “Nifanaraka izahay fa hanandrana mandritra ny telo taona aloha. Efa 18 taona anefa izao izahay no teto, ary tiako ilay izy!”

Hoy koa i Frank: “Tia olona sy tia manompo izahay, ka mora aminay ny mifandray am-po amin’ireo tia an’i Jehovah. Be dia be ny fampianaranay, ka izahay indray no tsy maharaka. Nandroso koa ireo olona nampianay. Lasa anisan’ny fotoana mamy indrindra teo amin’ny fiainanay àry ireo taona nipetrahanay teto. Tsy hatakalonay na inona na inona mihitsy izany.”

Nifindra teto koa i Carl sy Martha Simons avy any Texas, tamin’ny 1988. Hoy i Martha: “Folo sy valo taona ireo zanakay, tamin’izahay nifindra teto. Fanaonay ny nitory tany ambanivohitra niaraka tamin’ny fiangonana. Nandray anjara tamin’ny fanorenana Efitrano Fivoriambe koa izahay. Feno mpiara-manompo nivahiny foana tao aminay, rehefa fivoriambe. Faly be izahay fa lehibe teto ny zanakay, ka afaka nifanerasera tamin’ny mpisava lalana manokana sy misionera. Nisy fotoana aloha te hangoron’entana izahay, rehefa tsy nisy ny herinaratra sy ny bateria, ary tapaka ny rano sy ny telefaonina. Raha asaina mamerina ny fiainanay anefa izahay, miaraka amin’ny soa sy ny ratsy teo aminy, dia mbola vonona ny hanao izany. Nandray soa be dia be izahay, satria nanitatra faritany.”

[Sary]

Ankavia miankavanana: Dalton, Roberta, Arthur, ary Martha Gonzalez, renin’i Arthur

Alice sy Frank Cardoza

Carl sy Martha Simons

[Efajoro, pejy 250]

Mikarakara ny Hafa Izy

Ireo ALEJANDRO SY REBECCA (BECKY) LACAYO

TERAKA 1950 sy 1949

BATISA 1966 sy 1959

TANTARANY Nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada, tamin’ny 1972. Efa misionera tany Salvadaoro, Belize, Nikaragoà, Meksika ary Honduras. Manao ny asan’ny faritra any Etazonia ankehitriny. Tsy hadinony anefa ny fotoana nanampiany an’ireo tra-boina teto Belize.

◼ NANORATRA toy izao i Becky tamin’ny alatsinainy 2 Oktobra 2000: “Mamely an’i Belize ny Rivo-doza Keith! Avy foana ny orana nandritra ny roa andro sy tapany teo ho eo.”

Nihatony ny rivotra ny ampitson’iny ary tsy nisy firy ny orana. Afaka nitondra vatsy tao amin’ny Nosy Ambergris àry i Alejandro sy Donald Niebrugge, mpisava lalana manokana. Nitsidika an’ireo mpitory teo anivon’ny fiangonana roa izy mirahalahy sy ny anti-panahy roa teo an-toerana, mba hahitana hoe nanao ahoana izy ireo.

Hoy i Becky: “Nitondra sakafo sy rano ary fitafiana tao amin’ny sampana ireo anadahy tao Belize, ny alarobia, mba ho an’ny Vavolombelona tao amin’ireo nosy. Vetivety dia feno vatsy ny efitra famakiam-boky sy teo akaikin’ny efitra fandraisana olona.”

Nitondra vatsy tao amin’ny Nosy Caulker i Alejandro sy ny olona telo hafa. Nampahery sy niara-nivavaka tamin’ilay antoko-mpitory izy ireo. Tena nampihetsi-po an’ireo Vavolombelona sy ny olon-kafa ny fitiavana sy ny fiahian’ireo rahalahy. Nitaraina ny vehivavy iray hoe: “Efa an-taonany maro aho no nanome vola ho an’ny fiangonanay, kanefa tsy mba misy mijery ahy akory ny mpiara-mivavaka amiko.”

Sady nirotsa-dranomasom-pifaliana ny anabavy iray no nilaza hoe: “Jereo ange isika e, dia jereo ny hafa! Isika misy mikarakara!”

[Tabilao, pejy 244, 245]

TAONA MANAN-TANTARA​—Belize

1923 Nitory tao Bomba i James Gordon.

1930

1933 Nitory tao amin’ny Tanànan’i Belize i Freida Johnson.

1934 Nitarika fivoriana tao amin’ny trano fivarotany mofo i Thaddius Hodgeson.

1940

1941 Batisa voalohany tao amin’ny Tanànan’i Belize.

1945 Tonga ireo misionera voalohany.

1946 Nasiana biraon’ny sampana teto.

1950

1957 Tsy navela hiditra intsony ny misionera.

1959 Naorina ny biraon’ny sampana, tranon’ny misionera, Efitrano Fanjakana.

1960

1961 Navela hiditra indray ny misionera.

1961 Nandravarava ny Rivo-doza Hattie.

1971 Nasiana fivoriambe voalohany tao amin’ny Nosy Bird.

1980

1988 Nanorenana Efitrano Fivoriambe tao Ladyville.

1990

2000

2000 Nandravarava ny Rivo-doza Keith.

2001 Nasaina niandraikitra an’i Belize ny sampan’i Meksika.

2002 Notokanana ny Efitrano Fanjakana roa (ankavia) sy tranon’ny misionera ary Efitrano Fivoriambe nohavaozina.

2010

[Tabilao]

(Jereo ny boky)

Mpitory

Mpisava Lalana

1,800

1,200

400

1930 1940 1950 1960 1980 1990 2000 2010

[Sary]

Sambo feno rahalahy sy anabavy handeha hamonjy fivoriambe

[Sarintany, pejy 209]

(Jereo ny boky)

MEKSIKA

GOATEMALÀ

Melchor de Mencos

RANOMASINA KARAIBA

BELIZE

Nosy Ambergris

San Pedro

Nosy Caulker

FARITANIN’I COROZAL

Corozal

FARITANIN’I ORANGE WALK

Orange Walk

August Pine Ridge

FARITANIN’I BELIZE

Bomba

Santana

Crooked Tree

Black Creek

Ladyville

Tanànan’i Belize

FARITANIN’I CAYO

BELMOPAN

Benque Viejo

FARITANIN’I STANN CREEK

Lohasahan’i Stann Creek

Dangriga

Hopkins

Seine Bight

FARITANIN’I TOLEDO

Mango Creek

Placencia

Monkey River

Punta Negra

San Antonio

Punta Gorda

Sundaywood

Barranco

Crique Sarco

Reniranon’i Belize

T. MAYA

[Sary, pejy 200]

[Sary, pejy 206]

Alphonsena Robateau sy Amybelle Allen, miaraka amin’ny mpisava lalana manokana telo

[Sary, pejy 207]

Herman sy Derrine Lightburn ary Stephen zanany lahy

[Sary, pejy 210]

Vavolombelona vitsivitsy miaraka amin’ny sarety misy fanamafisam-peo, Tanànan’i Belize, 1945 tany ho any; 1) Thaddius Hodgeson, 2) George Longsworth

[Sary, pejy 213]

Nitory tany amin’ny faritany hafa i Elmer Ihrig

[Sary, pejy 214]

Nandrisika an’ireo rahalahy handamina fivoriana tsy tapaka i Charles Heyen

[Sary, pejy 221]

Biraon’ny sampana sy tranon’ny misionera ary Efitrano Fanjakana, Tanànan’i Belize

[Sary, pejy 223]

Sambany no natao tamin’ny teny espaniola ny fandaharan’ny fivoriamben’ny faritra manontolo, Efitrano Fanjakana tao Orange Walk, 1968

[Sary, pejy 229]

Marcial sy Manuela Kay, mpisava lalana manokana

[Sary, pejy 230]

Tanànan’ny Maya, Faritanin’i Toledo

[Sary, pejy 240]

María sy Basilio Ah

[Sary, pejy 246]

Cecilia Pratt

[Sary, pejy 249]

Fivoriamben’ny faritra tao anaty tranolay, Punta Gorda, taloha kelin’ny 1970

[Sary, pejy 251]

Becky sy Alejandro Lacayo

[Sary, pejy 252, 253]

Lasa Efitrano Fivoriambe (ankavanana) ilay trano vy (ambany)

Efitrano Fivoriambe nohavaozina

[Sary, pejy 254]

Rahalahy sy anabavy eo amin’ny toerana anorenana an’ireo Efitrano Fanjakana roa, Tanànan’i Belize