Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah Rehetra,

Voninahitra ho antsika tokoa ny mitondra ny anaran’i Jehovah, ilay Mpanjakan’izao rehetra izao! Tsy manan-tsahala io anarana io, ary tsy ho levona sy haharitra mandrakizay. I Jehovah no nampitondra antsika ny anarany, ary lasa fantatra tamin’io anarana io isika, nanomboka tamin’ny 1931. (Isaia 43:10) Mirehareha isika mampahafantatra ny tenantsika hoe Vavolombelon’i Jehovah.

Manao izay tsy ahafantaran’ny olona ny anaran’Andriamanitra foana ny Devoly. Eo ambany fahefany izao tontolo izao, ary manao tsinontsinona ny anaran’i Jehovah. Mankahala ny anaran’Andriamanitra i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra, ka nanala izany tao amin’ny Baiboly maro. Zava-dehibe tamin’i Jesosy kosa ny anaran’ny Rainy, ka nataony loha laharana tao amin’ilay vavaka modely nampianariny. Hoy izy: “Koa mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!’ ” (Mat. 6:9) Nivavaka tamin’ny fony manontolo izy, tatỳ aoriana, ary nilaza hoe: “Ny anaranao efa nampahafantariko ny olona izay nomenao ahy avy tamin’izao tontolo izao.” (Jaona 17:6) Manahaka ny modely nomen’i Jesosy isika, ka vao mainka tapa-kevitra ny hampanakoako ny anaran’i Jehovah maneran-tany.

Nandrisika antsika hamita tsara ny fanompoantsika ilay andinin-teny ho an’ny taona 2009 hoe ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Vaovao Tsara.’ (Asa. 20:24) Tena notahin’i Jehovah ny ezaka nataontsika tamin’ny taom-panompoana lasa. Fitoriana lehibe no natao eran-tany, ka nomem-boninahitra ny anarany. Nahatratra 7 313 173 ny isan’ny mpitory, ary tampon’isa vaovao izany. Niara-nanandra-peo izy ireo mba hitoriana sy hampianarana an’ireo tso-po, izay mitady vahaolana amin’ireo zava-tsarotra atrehiny isan’andro. Nisy 18 168 323 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Midika izany fa olona an-tapitrisany no mety mbola hiantso ny anaran’i Jehovah, alohan’ny hahatongavan’ny faran’ity tontolo ratsy ity.

Hazoto hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana foana isika, raha mbola mamela antsika hanao izany i Jehovah. Hitady ny fomba rehetra hitoriana amin’ny olona isika. (Mat. 24:14; Mar. 13:10) Mety ho isan-trano izany, na eny an-dalana, na tsy ara-potoana, na an-taratasy, na an-telefaonina. Enga anie isika hiezaka hampahafantatra ny anaran’i Jehovah sy ny fikasany amin’ny olona maro araka izay azo atao.

Afaka matoky isika fa tsy ho ela i Jehovah dia hanamasina ny anarany. (Ezek. 36:23) Mihamanatona haingana ny fotoana hanakombonana ny vavan’ireo manaratsy ny anarany. Hiavaka tokoa izany fotoana izany ho an’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika rehetra. Mampahafantatra ny anaran’i Jehovah mantsy izy ireo, ary manohana ny zony hitondra.

Tia sy mikarakara ny vahoakany i Jehovah. Niharihary izany tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra sy Fivoriambe Iraisam-pirenena 2009 hoe “Miambena Hatrany!” Niavaka teo amin’ny tantarantsika ireny fivoriambe ireny, ary mandrisika antsika hiambina kokoa hatrany ho amin’ilay andron’i Jehovah.—Mar. 13:37; 1 Tes. 5:1, 2, 4.

Tena tsara fanahy amintsika i Jehovah ary mampifaly ny fontsika. Mampandry antsika eny amin’ny toerana rakotra ahi-maitso izy, ary mitondra antsika eny amin’ny toeram-pialan-tsasatra azon-drano tsara.—Sal. 23:1, 2; 100:2, 5.

Matokia fa hitahy anareo foana i Jehovah, raha be atao amin’ny asan’ilay Fanjakana ianareo, mandritra ireo volana ho avy!

Mampita ny fitiavanay ho an’ireo rahalahy maneran-tany izahay,

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah