Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
NASEHON’NY tatitra fa vao mainka nazoto nitory ny vaovao tsara ‘maneran-tany ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra’ ny Vavolombelon’i Jehovah. (Mat. 24:14) Niaritra sy niray saina izy ireo, ary naneho fitiavana tsy mitady valiny. ‘Nanakoako ny tenin’i Jehovah, [ary] niely teny rehetra teny ny finoan’izy ireo.’—1 Tes. 1:8.
MAMPAHERY SY MAHAFINARITRA NY FOTOAM-PIVAVAHAN’NY FIANAKAVIANA
Nasiana fanovana lehibe ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1 Janoary 2009. Novana hoe Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana ny anaran’ny Fianarana Boky, ary ampiarahina
amin’ny Sekolin’ny Fanompoana sy Fivoriana Momba ny Fanompoana. Tokony hampiasain’ny rehetra hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ilay fotoana nianarana boky teo aloha.Ahoana no nandraisan’ny mpanompon’i Jehovah an’io fanovana feno fitiavana io? Maro no niombom-pihetseham-po tamin’ny lehilahy iray, izay nilaza hoe: “Misaotra, misaotra, misaotra. Tena nandray soa avy amin’ilay takariva fanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana izahay mivady. Nanamafy ny fitiavanay an’i Jehovah sy ny fifankatiavanay roa izy io. Tena tsara sy feno fahendrena io fandaharana nataon’ilay Raintsika any an-danitra io!”
Inona no ataon’ny fianakaviana, mba handraisan-tsoa avy amin’io fandaharana io? Hoy ny anabavy iray: “Miara-midinika ny pejy 31 amin’ny Mifohaza! izahay indraindray, na mijery ny video an’ny fandaminana. Tsy vitan’ny hoe manao fikarohana ny zanakay, fa tiany koa ny mianatra sy manatrika an’ilay fotoam-pivavahana. Asaina manao fikarohana momba ny olona resahin’ny Baiboly izy ireo mandritra ny volana iray, ary manao famelabelarana ny volana manaraka. Izany koa no ataonay mivady. Momba an’i Noa ny famelabelarana voalohany nataon’ilay zanakay lahy folo taona. Tsara be ilay izy! Niresaka ny fampiharana mihitsy aza izy. Nasehony anay avy eo ilay sambofiara kely namboariny. Ny dia misionera nataon’ny apostoly Paoly kosa no noresahin’ilay zanakay vavy, ny herinandro nanaraka. Nitehaka izahay rehefa vitany ilay izy. Nametraka fanontaniana izy avy eo, tamin’ilay fizarana nantsoiny hoe Tadidinao Ve? Nahavariana ilay izy!” Tsapan’io fianakaviana io hoe tena fitahiana avy amin’i Jehovah ilay fandaharana. Hoy ihany ilay anabavy: “Nisedra olana maro izahay mivady tamin’iny taona iny, ka tena nilainay io fandaharana io.”
Hoy ny anabavy iray hafa: “Misaotra tamin’ilay fandaharana, satria nampifoha ahy ara-panahy izy io! Lasa tapatapaka ny fianaram-pianakavianay mivady, rehefa lehibe sy niala tato an-trano ny zanakay. Niova anefa izany. Matetika no maharitra adiny roa ny fianaranay, ary tsy hitahita akory ny fandehan’ny fotoana!”
Efa mihamanatona haingana ny fahoriana lehibe. Enga anie ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, ka hanampy anareo handalina ny Tenin’Andriamanitra sy hanohitra ny Devoly. Hararaoty io fotoana io mba ‘hanatonana an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.’—Jak. 4:7, 8.
EZAKA HANASANA OLONA HIANATRA BAIBOLY
Nampirisihina hanokana asabotsy na alahady iray isam-bolana ny fiangonana, mba hanasana olona hianatra Baiboly, nanomboka tamin’ny Janoary 2009. Inona no vokany? Gaga ny mpitory maro, satria mora kokoa noho ny nieritreretany azy ny manasa olona hianatra Baiboly. Faly koa izy ireo, satria isan-karazany ny olona manaiky hianatra amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Milaza ny mpiandraikitra mpitety faritany, fa mazoto mandray anjara amin’izy io ny fiangonana, ary mahabe fanantenana ny vokatra azo. Fampianarana Baiboly 8 000 mahery, ohatra, no natomboka tany Italia, nandritra ireo dimy volana voalohany.
Manao fiverenana mitsidika sy mitarika fampianarana Baiboly izao, ireo mpitory maro mbola tsy nanana fampianarana mihitsy. Hoy i Carolina any Peroa: “Tsy nanana mpianatra aho taloha. Hitako anefa hoe mila miezaka manomboka fampianarana Baiboly aho, rehefa nisy andro iray natokana ho amin’izany isam-bolana. Afaka nampiseho tamin’ny olona nitoriako aho fa tsotra sy tsy maka fotoana be ny fianarana Baiboly.
Misaotra an’i Jehovah aho fa nahita vokatra tsara, rehefa nampihatra an’ireo torohevitra. Roa izao ny fampianarako.”Natahotra ny hanasa olona hianatra Baiboly i Satya, mpisava lalana any Grande-Bretagne, isaky ny mitory. Tapa-kevitra anefa izy fa tsy hody mihitsy amin’ilay andro manokana, raha tsy manandrana aloha. Faly i Satya satria nisy ramatoa nanaiky hianatra avy hatrany. Mora kokoa noho ny nieritreretany azy ilay izy!
Mpametraka gazety amin’ny vehivavy iray maty vady i Luca, rahalahy any Palerme, Sisila. Matahotra ny hampiditra olona an-trano izy io. Nanatona azy i Luca, indray asabotsy tolakandro, izay andro fanasana olona hianatra Baiboly. Nosokafany ny boky Ampianarina ary namaky ampahany tamin’izy io izy. Liana ilay ramatoa, ka nanaiky hiresadresaka tamin’i Luca. Nilaza i Luca fa mahavaly an’ireo fanontaniany ilay boky teny an-tanany, anisan’izany ilay hoe mbola ho afaka hahita ny vadiny indray ve izy. Nosokafany tao amin’ny pejy 72 ilay boky. Hazavaina ao hoe iza avy no hatsangana. Nanohina ny fon’ilay ramatoa izany, ka nanaiky hianatra izy. Mianatra tsy tapaka izy izao, ary mampiditra an’ireo Vavolombelona ao an-tranony.
Hoy ny mpiandraikitra ny faritra iray any Peroa: “Vao nanomboka io fandaharana io, dia efa nitombo ny fampianarana Baiboly notarihin’ny mpitory teo anivon’ny fiangonana maro. Nahazo fampianarana Baiboly vaovao 25 ny fiangonana iray any Chiclayo, tao anatin’ny iray volana. Ny tany Chepén kosa 24.”
Nahita fahombiazana koa ny ankizy. Hoy i Giovanna, mpitory 11 taona any São Paulo, Brezila: “Nitory isan-trano niaraka tamin’i Neny aho, indray asabotsy tolakandro, ary nanasa olona hianatra Baiboly 2 Timoty 3:16. Nanohina ny fony, hono, ny mahita ankizy milaza zavatra tsara aminy toy izany, ka noraisiny ilay boky.
tamin’ny boky Ampianarina. Tafaresaka tamin’ny lehilahy iray mpandraharaha malaza aho, tamin’ilay trano voalohany nitorianay. Nanontaniako izy raha mino hoe avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Nanaiky izy, ary novakiko taminy ny“Niaraka tamin’i Dadabe aho rehefa niverina nitsidika an’ilay rangahy, satria nifankahalala izy ireo. Nampandrosoiny izahay, ary nasaiko nifidy loha hevitra iray tena nahaliana azy tao amin’ny boky Ampianarina izy. Ny toko faha-11 hoe ‘Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?’ no nofidiny. Nametraka fanontaniana be dia be izy sy ny vadiny, rehefa voavaky ny fehintsoratra roa voalohany. Faly be ry zareo fa nahazo valiny avy tao amin’ny Baiboly, ary nanaiky hianatra. Faly koa aho fa afaka nanomboka fampianarana tao amin’ilay trano voalohany nitorianay!”
Tsy ny rehetra aloha no hanaiky hianatra Baiboly, ary tsy izay rehetra manomboka mianatra no hanohy. Mpiara-miasa amin’Andriamanitra anefa isika, ka manasa olona maro araka izay azo atao mba hianatra Baiboly. Fantatsika mantsy fa mitarika ny olona toy ny ondry ho ao amin’ny fandaminany i Jehovah, alohan’ny handringanany ny tontolon’i Satana.—Jaona 6:44; 1 Kor. 3:9.
‘MANAFAINGANA’ NY ASA NY TEKNOLOJIA
Faly ny vahoakan’i Jehovah fa tanteraka ilay fampanantenana hoe: “Ny vitsy ho lasa arivo, ary ny kely ho lasa firenena mahery. Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoanany.” (Isaia 60:22) Mbola mampiasa ny teknolojia vaovao foana i Jehovah, mba hanafainganana ny asa amin’izao fotoana mampientam-po izao. Neken’ny Filan-kevi-pitantanana mantsy ny hamoronana programana ordinatera, izay hampiasain’ny sampana maneran-tany.
Tao amin’ny sampan’i Afrika Atsimo no nisy an’ilay ekipa mpamokatra programan’ny fandaminana. Nafindra tany amin’ny Foibe any Brooklyn, New York, anefa izy io, mba hanohy hanatsara an’ilay programa. Sampana 20 eo ho eo izao no manampy an’izay sampana eny akaikiny, mba hahafahan’izy ireo hampiasa an’io programa io.
Inona no soa azo avy amin’izy io? Afaka mifandefa vaovao ny sampana rehetra, satria mitovy ny programa ampiasainy. Fantatr’ireo sampana mpanao pirinty, ohatra, hoe inona no boky mitoby any amin’ny sampana hafa. Raha be loatra ny tahirin’ny sampana iray, dia azon’ny hafa atao ny manafatra amin’izany, toy izay hanao pirinty. Nampihena ny boky mitoby any amin’ny sampana rehetra izany. Afaka mandamina mialoha ny
fanafarana hatao koa ilay programa, arakaraka ny fanafarana teo aloha.Manampy ny mpiasan’ny Betela hamita asa maro io programa io. Mikarakara fanafarana boky sy gazety, ohatra, izy io, manambatra ny tatitra momba ny fanompoana isan-taona, mandamina fivoriambe, ary mikarakara an’ireo antontan-taratasy ilain’ny mpiandraikitra mpitety faritany sy mpisava lalana manokana. Ilaina koa izy io amin’ny fividianan-javatra sy kaonty ary fanisan-javatra. Nampihena ny vola lanintsika tamin’ny fampiasana programa hafa izy io.
MAMIRAPIRATRA AO AMIN’NY INTERNET NY FAHAMARINANA
Tonga hatrany amin’ny toerana maizimaizina ny hazavana. ‘Mampamirapiratra ny fahazavany’ maneran-tany koa ny vahoakan’Andriamanitra. (Mat. 5:16) Afaka miditra ao amin’ny www.watchtower.org, adiresintsika ao amin’ny Internet, ohatra, ny olona any amin’ny toerana faran’izay mitokana. Hita ao ny lahatsoratra avy ao amin’ny gazety sy taratasy mivalona ary bokikely amin’ny fiteny 383 eo ho eo. Misy Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny 11 koa ao. Misy lahatsoratra 700 mahery ao, amin’ny fitambarany. Ahitana loha hevitra mahaliana ny olona ny pejy voalohany amin’izy io, izay ovaovana isan-kerinandro. Inona no vokatr’izany?
Hitan’i Pat, mipetraka any Floride, Etazonia, fa fomba haingana hahazoana lahatsoratra amin’ny fiteny vahiny ny Internet. Hoy izy: “Rehefa vita ny fizarana an’ilay taratasy mivalona Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina?, dia nataoko pirinty tamin’ny fiteny hafa izy io. Nisy mantsy nandray azy io tamin’ny teny anglisy, nefa mampiasa fiteny hafa koa.” Inona no vokany?
Nanao pirinty taratasy mivalona tamin’ny teny tailandey i Pat, mba homena vehivavy iray mpivarotra.
Faly ilay ramatoa. Gaga izy hoe vetivety i Pat dia nahita lahatsoratra tamin’ny fiteniny. Nangataka ny adiresintsika ao amin’ny Internet io vehivavy io sy ny olon-kafa mpividy entana. Nanasa an’i Pat ho any aminy ny iray tamin’izy ireo, mba hanohy an’ilay resadresaka. Maro koa no nahita vokatra tsara rehefa nanao pirinty lahatsoratra vitsivitsy amin’ny fiteny hafa, mba hozaraina amin’ny vahiny liana.Olona 24 tapitrisa mahery avy any amin’ny kontinanta dimy no nitsidika ny www.watchtower.org tamin’ny taon-dasa. Nitombo 33 isan-jato ny isan’ireo nitsidika azy io, nanomboka tamin’ny 2007. Olona maro maneran-tany no mangataka ny hotsidihina na hampianarina Baiboly, anisan’izany ireo any amin’ny nosy mitokana. Niakatra 55 isan-jato ny isan’ny tapakila ao amin’ny Internet voaray, nanomboka tamin’ny 2007. Tonga hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany tokoa ny hazavana ara-panahy, ho fiderana sy voninahitr’ilay Raintsika any an-danitra.—Mat. 5:16.
Noforonina koa ny www.pr418.com mba hasiana ny sasany amin’ireo boky sy gazety noraisim-peo. Inona no soa azo avy amin’izy io?
Maro no miombom-pihetseham-po amin’i Trisha avy any Missouri, Etazonia. Hoy izy: “Tsy andriko ny hahatongavan’ny alakamisy.” Nahoana? Isaky ny alakamisy izy no afaka maka ny laharana vaovao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! noraisim-peo avy ao amin’ny www.pr418.com. Anisan’ireo rahalahy sy anabavy an’arivony mitsidika matetika an’io tranonkala io i Trisha. Maka gazety, Baiboly, tantara an-tsehatra, boky, bokikely, ary taratasy mivalona noraisim-peo amin’ny fiteny 27 izy ireo. Misy amin’ny video koa ny boky sy gazety amin’ny tenin’ny tanana.
Iza no mandika boky sy gazety avy ao amin’io tranonkala io? Ny Vavolombelona no voalohany amin’izany. Eo koa anefa ny olon-kafa any amin’ny tany 200 mahery, toy ireo any amin’ny tany anakantsakanana ny asantsika. Misy olona mitsidika tsy tapaka azy io, ohatra, any Papouasie-Nouvelle-Guinée sy Sainte-Hélène, na dia ny any amin’ny Tendrontany Atsimo aza. Inona no soa azo avy amin’izany? Tara, ohatra, vao tonga ny gazety any Polinezia frantsay. Mampiasa Internet anefa na ireo rahalahy any amin’ny nosy mitokana any amin’io tany io aza. Afaka mihaino an’ireo gazety nivoaka farany àry izy ireo, raha vao tafiditra ao izy ireny.
Marary mafy i Deborah any Illinois, Etazonia, ka tsy afaka miaraka firy amin’ny fiangonana. Sarotra aminy koa ny mitadidy ny zavatra novakiny. Maka boky sy gazety noraisim-peo avy ao amin’ny Internet izy izao, ary mihaino azy ireny. Hoy izy: “Mihatsara ny fitadidiako, ary tsy matahotra aho miresaka ny zavatra reko.”
Manana mpianatra Baiboly avy any Siberia ny mpivady iray any Texas, Etazonia. Faly izy ireo fa afaka
maka gazety noraisim-peo amin’ny teny rosianina avy ao amin’ny Internet, mba homena azy. Tia mihazakazaka maraina ny rahalahy iray any Kalifornia, Etazonia. Sady mihazakazaka izy no mihaino gazety noraisim-peo.Maka lahatsoratra noraisim-peo avy ao amin’ny Internet ny mpivady iray any Nouvelle-Zélande, isan-kerinandro, mba hampiasaina amin’ny fivoriana. Anisan’izany ny lahatsoratra fianarana amin’ny Tilikambo, ireo toko ao amin’ny boky “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra” sy Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, ary ireo toko natao hovakina mandritra ny herinandro ao amin’ny Baiboly. Henoiny mandritra ny herinandro izany. Hoy ilay rahalahy: “Ny zavatra ara-panahy indray izao no lasa ambentin-dresakay, fa tsy ny olana any am-piasana.” Zatra manao toy izany koa ny fianakaviana maro maneran-tany.
Olona an’arivony no mandika an’ireo toko natao hovakina ao amin’ny Baiboly, isan-kerinandro, indrindra rehefa talata. Ny lahatsoratra hianarana amin’ny Tilikambo kosa no tena be mpandika rehefa asabotsy sy alahady. Azon’ny anti-panahy atao pirinty avy ao amin’io tranonkala io koa ireo taratasy hofenoina sy lahateny. Mampihena ny asa ataon’ny fandaminana izany, ary mitsitsy fotoana sy vola.
‘HO AFAKA HITORY IANAREO’
Miezaka ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanana “fiainana tony sy milamina hatrany, ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.” (1 Tim. 2:1, 2) Tsy gaga anefa izy ireo raha enjehina. Nampitandrina ny mpianany mantsy i Jesosy Kristy fa ho halan’ny olona izy ireo. Hoy izy: “Hisambotra sy hanenjika anareo ny olona, ka hanolotra anareo any amin’ny synagoga sy any am-ponja, ary hitondra anareo eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny governora, noho ny anarako.” Tsy ho araka ny noeritreretin’ireo mpanohitra anefa ny zavatra hitranga. Hoy i Jesosy: “Ho afaka hitory aminy ianareo noho izany.”—Lioka 21:12, 13, 17.
Tanteraka ny faminanian’i Jesosy, satria miaritra ny tsy rariny ny Vavolombelona any amin’ny tany maro. Nandresy tany amin’ny fitsarana anefa isika, na dia mbola miatrika olana aza. Nahazo fahalalahana isika, ka afaka mitory isan-trano sy mivory. Neken’ny fitsarana koa fa asa ara-pivavahana no ataontsika.
Aotrisy
Efa 30 taona izay ny Vavolombelon’i Jehovah no nangataka mba ho anisan’ny fivavahana ara-dalàna. Neken’ny Minisiteran’ny Fampianarana sy ny Zava-kanto ary ny Kolontsaina ihany izany, tamin’ny Mey 2009. Isika no fivavahana faha-14 manana izany zo izany any Aotrisy. Nanome rariny antsika ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, tamin’ny Jolay 2008. Nanome rariny antsika tamin’ny lafin-javatra telo hafa koa ny Fitsarana. Nahariharin’izany fa tena fivavahana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah.
Afrika Atsimo
Nametraka fitarainana tany amin’ny Fitsarana Momba ny Asa ny Watch Tower Bible and Tract Society any Afrika Atsimo sy ireo anisan’ny Vondron’ny Mpanompo Manontolo Andro Manokana ao amin’ny Betela any an-toerana, tamin’ny 2005. Ny Minisiteran’ny Asa no notoriny. Nangataka izy ireo mba tsy hampiharina amin’ny Betelita ny lalàna momba ny asa any Afrika Atsimo. Neken’ny Fitsarana Momba ny Asa izany tamin’ny Martsa 2009. Nekeny koa hoe asa ara-pivavahana no atao ao amin’ny Betela.
Ogandà
Nisy didy navoakan’ny Minisiteran’ny Vola any Ogandà, tamin’ny 2007. Nolazainy fa toy ny mpiasa rehetra
ny Vondron’ny Mpanompo Manontolo Andro Manokana ao amin’ny Betelan’i Ogandà, araka ny Lalàna Momba ny Hetra Alaina Amin’ny Karama. Nakarina tany amin’ny Fitsarana Avo any Kampala, Ogandà, ilay raharaha. Nahazo rariny ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, tamin’ny Jona 2009. Hitan’ny Fitsarana Avo mantsy fa tsy mpiasa ireo Betelita. Nomarihin’ny fitsarana manokana fa ‘mitovy ihany ny vola fanampiana azon’izy ireo, na inona na inona andraikiny.’ Nanatsoaka hevitra izy io fa anisan’ny fikambanana ara-pivavahana ny Betelita, ary omena sakafo sy fialofana ary vola kely mba hisahanany ny zavatra ilainy manokana. Izany no ahafahany mamita ny asa soa sy asa ara-pivavahana ataony any Ogandà.Armenia
Mbola gadraina foana ireo rahalahy any, satria tsy mety manao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Niisa 74 ireo rahalahy nigadra tamin’ny Aogositra 2009. Nanameloka azy ireo ny fitsarana teo an-toerana. Nametraka fitarainana efatra tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona àry ny Vavolombelona. Ataon’ny fanjakana midangana be koa ny hetra alainy amin’ireo bokintsika avy any an-tany hafa. Matoky isika fa hahazo sakafo ara-panahy foana ireo rahalahy any, na hesorina aminy izany tsindry hazo lena izany na tsia.—Isaia 65:13.
Azerbaïdjan
Lasa misedra olana foana ireo rahalahy. Mihasarotra ny mivory sy mahazo boky aman-gazety. Ekena ho ara-dalàna ny asan’izy ireo ao Bakou renivohitra. Tsy toy izany kosa ny any amin’ny tanàna hafa. Tsy voatery mangataka alalana amin’ny fanjakana ny mpivavaka vao afaka mivory any an-tranon’olona. Matetika anefa ny polisy no manao bemidina rehefa mivory any an-tranon’olona ireo rahalahy. Tazoniny
mandritra ny ora maro any amin’ny paositry ny polisy izy ireo. Nangataka tany amin’ny fanjakana ireo rahalahy, tamin’ny 9 Aprily 2009, mba hekena ho ara-dalàna ny asantsika manerana an’i Azerbaïdjan. Manantena isika fa hisy vokany tsara izany.Ejipta
Nihaona imbetsaka tamin’ny manam-pahefana ejipsianina ireo rahalahy teo an-toerana sy avy any Belzika, Etazonia ary Italia, nandritra ireo telo taona lasa. Nangataka ny hanekena ny asantsika any ho ara-dalàna izy ireo. Neken’ny manam-pahefana àry ny hivorian’ireo rahalahy any an-tranon’olona, fa tsy atao mihoatra ny 30 ny mpanatrika. Mbola mampahory azy ireo foana anefa ny manam-pahefana sasany. Manara-maso an’ireo rahalahy foana ny biraon’ny Fiarovam-pirenena. Manadihady tsindraindray koa izy ireo, sady mandrahona. Efa mikarakara fangatahana izao ireo rahalahy, mba hanekena ny asantsika ho ara-dalàna eo anatrehan’ny fitsarana.
Érythrée
Olona 23 teo anivon’ny fiangonana iray no nosamborina, tamin’ny 28 Jona 2009. Anisan’izany ny anabavy be taona sy ankizy telo, roa ka hatramin’ny efa-taona. Efa nafahana ireo anabavy be taona, fa mbola any am-ponja miaraka amin’ny reniny kosa ireo ankizy. Nogadraina efa ela koa ny rain’izy ireo. Fianakaviana maromaro àry no migadra. Tsy fanajana ny zon’olombelona mihitsy izany! Lasa 64 izao ny rahalahy sy anabavy any am-ponja. Anisan’izy ireo ny rahalahy telo izay nigadra nanomboka tamin’ny 1994, noho izy ireo tsy nety nanao raharaha miaramila. Tsy nambara taminy akory anefa izay lalàna nolazaina fa nodikainy.
Inde
Efa taona vitsivitsy izao no tafihin’ny vahoaka romotra ireo Vavolombelona any rehefa manompo. Ampijalijalina
sy ompana koa izy ireo, rahonana ny hogadraina, ary dorana ny boky sy gazetiny. Matetika ireo rahalahy no samborina sy gadraina, rehefa avy novonovonoina. Ampangaina ho nanao heloka bevava izy ireo. Tian’ireo vahoaka romotra hanasazy azy ireo ny manam-pahefana, ka ampangainy ho mandika lalàna izy ireo.Tamin’ny Desambra 2008, ohatra, dia niverina nitsidika olona liana iray tao Koni ny Vavolombelona telo (renim-pianakaviana sy ny zanany vavy ary ny zafikeliny folo taona) avy ao Kundapura. Naka azy telo an-keriny ny lehilahy dimy na enina, ary nitondra azy ireo tany amin’ny paositry ny polisy. Nisy vahoaka romotra tafavory teo. Nomelohin’ny polisy izy telo mianaka, satria hoe mankany an-tanin’olona nefa tsy nahazo alalana, sady mampiady olona tsy mitovy saranga, ary manaratsy ny fivavahana hafa. Navela hody izy ireo tamin’ny farany. Efa mahazo ny fanampian’ny fitsarana izao ireo Vavolombelona iharan-javatra toy izany.
Moldavia
Efa 12 taona teo ho eo izay ireo rahalahy any Transnistria no norahonana hoe haripaka na horarana ny asany. Mazoto amin’ny asan’ilay Fanjakana foana anefa izy ireo. Na maro aza ny zava-tsarotra atrehin’ireo rahalahy, dia notahin’i Jehovah izy ireo, ka nahazo rariny kely tany amin’ny fitsarana. Ireto misy ohatra telo: Voaheloka sy nasaina nandoa onitra ny pretra ortodoksa iray, izay nanompa sy nikapoka anabavy roa, tamin’izy ireo nitory tao Ordăşei. Neken’ny fitsarana ao Tiraspol ho ara-dalàna ny asantsika eo an-toerana, noho ny ezaka nataon’ireo rahalahy. Nomelohin’ny fitsarana koa ny Mpanara-maso ny Hetra ao Rîbniţa. Nangalany hetra mantsy ny sakafo nomena an’ireo mpiasa an-tsitrapo nanorina Efitrano Fanjakana, na dia tsy ara-dalàna aza izany.
Kazakhstan
Namoaka didy ny fitsarana tao Kyzylorda, Shymkent, ary Saryagash fa haato mandritra ny enim-bolana ny asantsika. Nanohitra an’izany anefa ny Biraon’ny Mpampanoa Lalàna ao amin’ny Repoblikan’i Kazakhstan, ka nahazo rariny ireo rahalahy. Noho ny didim-pitsarana nivoaka tamin’ny Novambra 2008, dia lasa afaka niasa amin-kalalahana indray ireo rahalahy tao amin’ny Faritr’i Kyzylorda sy Shymkent, ary any amin’ny faritra atsimon’i Kazakhstan manontolo. Efa fito taona izay no tsy nanaiky ny asantsika ao Atyraū ho ara-dalàna ny fanjakana. Nanome rariny antsika anefa ny fitsarana teo an-toerana, tamin’ny Desambra 2008.
Rosia
Nisy mpampanoa lalàna sy manam-pahefana maro hafa nanadihady imbetsaka ny Foibem-pitantanana ny Asantsika any Rosia, nandritra ny taom-panompoana lasa. Te hampijanona ny asantsika izy ireo, na dia amin’ny fomba tsy ara-dalàna aza. Nohadihadina tsy amin’antony imbetsaka koa ireo rahalahy sy anabavy sady nampijalijalina. Nanao bemidina tao am-pivoriana ny polisy indray mandeha. Nahatonga ny anabavy iray ho afa-jaza izany. Nisy ankizilahy 15 taona koa tao, ary nosamborina tsy ara-drariny izy. Mampiasa Lalàna Hanoherana ny Fikambanana Mahery Fihetsika ny manam-pahefana, mba hanafoanana ny sasany amin’ny fiangonantsika sy handrarana ny boky sy gazetintsika. Niteraka olana hafa koa io fiampangana io. Nosamborina tsy amin’antony, ohatra, ireo rahalahy na nalefa sesitany. Tsy navela hiditra teto ireo solontena efatra avy any ivelany, izay saika hanampy tany amin’ny fitsarana mba hanoherana an’izany fiampangana izany. Notazonin’ny polisy tao Moscou nandritra ny 23 ora ny iray tamin’izy ireo.
Nidikiditra tamina resaka fanofana toerana hanaovana fivoriana sy fivoriambe ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena. Nofoanana indray àry ny fifanarahana nataontsika tamin’izany. Nosakanana koa ny fanorenana Efitrano Fanjakana vaovao maromaro. Ampijalina ireo Vavolombelona rehefa tanan’ny polisy, satria hoe nanao heloka bevava. Santionany fotsiny izany.
Korea Atsimo
Nilaza ny fitondrana tany Korea Atsimo tamin’ny 7 Mey 2008, fa afaka manao fanompoana sivily ireo tsy mety manao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Niova hevitra anefa izy io ny 16 Jona. Izao no nolazainy: ‘Ilana fanadihadiana bebe kokoa io resaka io, sady ilana ny fanapahan-kevitry ny
solombavambahoaka.’ Mbola tsy nandinika lalàna mifandray amin’ny fanompoana sivily mihitsy ny Antenimieram-pirenen’i Korea, hatramin’izao. Miandry ny fanapahan-kevitry ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona ireo rahalahy. Efa nanome rariny azy ireo tamin’ny fitarainana roa mantsy izy io. Niaiky ny vaomiera iray notendren’ny filoha koreanina, tamin’ny Janoary 2009, fa tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’ny Vavolombelona dimy ny fitondrana. Noterena hanao raharaha miaramila izy ireo, nanomboka tamin’ny 1970 ka hatramin’ny 1985 tany ho any. Sambany vao nisy fanambarana hoe tompon’andraikitra tamin’ny vonoan’olona nahatsiravina natao teo anivon’ny tafika ny Fanjakana.Tadjikistan
Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any, tamin’ny 2007. Notazonin’ny doanina ny bokintsika avy any Alemaina. Nametraka fitarainana tany amin’ny fitsarana ao amin’ny tafika ireo rahalahy. Nolavina anefa izany tamin’ny Septambra 2008. Mbola nolavina koa ny fitarainana nalefa tany amin’ny Fitsarana Tampony ao Amin’ny Tafika. Hita avy amin’izany fa ny fanjakana mihitsy no mandrara ny asantsika sy maka ny bokintsika. Efa misy ezaka atao izao mba hanampiana an’ireo rahalahy.
Torkia
Miatrika olana momba ny raharaha miaramila ireo Vavolombelona any. Nigadra roa taona ny rahalahy iray. Rahalahy maro koa no norahonana hoe hasaina mandoa onitra, hogadraina, ary hesorina amin’ny asany. Nilazana ireo rahalahy, tamin’ny Martsa 2009, fa efa nanomboka nandinika ny fitarainana roa nalefantsika ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona.
Nanapa-kevitra ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona fa hodinihiny miaraka ny fitarainana
telo nampiandrasiny. Hanadihady izy io raha voahitsakitsaka tokoa ny zon’ny rahalahy enina. Efa nigadra ny efatra amin’izy ireo. Ankasitrahan’ny mpanompon’i Jehovah ny fiahian’ny fitsarana, ary manantena izy ireo fa hahazo fanamaivanana tsy ho ela.Ouzbékistan
Mitombo ny fanenjehana ny Vavolombelona any, ary anisan’ny mahatonga izany ny fanjakana. Navoaka ny fonja ny rahalahy iray manan-janaka roa, tamin’ny 14 Mey 2009. Nigadra roa taona izy, satria hoe nampianatra momba ny fivavahana. Nalefa tany Tadjikistan, tany niaviany izy, ny ampitson’io. Mbola any am-ponja ny rahalahy telo hafa, satria hoe nandamina “asa ara-pivavahana tsy ara-dalàna.” Efa mikarakara ny fitarainana halefa any amin’ny Fitsarana Tampony ao Ouzbékistan ny mpisolovavan’izy ireo. Efa imbetsaka ny rahalahy eo an-toerana sy ny rahalahy avy any ivelany no nihaona tamin’ny Komity Mikarakara ny Raharaha Ara-pivavahana ao Ouzbékistan sy ny solontenan’izy io.
FITSARANA EOROPEANINA MOMBA NY ZON’OLOMBELONA
Nandefa fitarainana any amin’ny Fitsarana Eoropeanina any Strasbourg, Frantsa, ny Vavolombelon’i Jehovah any Aotrisy, Armenia, Azerbaïdjan, Frantsa, Géorgie, Rosia, Serbia, Sipra, ary Torkia. Fitarainana 22 izany amin’ny fitambarany, ary mbola miandry valiny. Ny fandikana ny zon’ireo mipetraka ao amin’ny faritra voakasiky ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona no voaresaka ao: Momba ny zo tsy hanao raharaha miaramila ny sivy aminy. Ny fito kosa miresaka fanenjehana sy fanavakavahana ara-pivavahana. Ny efatra indray momba ny fandrarana ny fikambanana ampiasaintsika. Ny roa kosa milaza fa manana zo hivory amin-kalalahana isika, ka tsy tokony hosakantsakanan’ny fanjakana.
Nodinihin’ny Fitsarana Eoropeanina, tamin’ny 17 Jona 2008, ilay raharaha Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa miady amin’ny fitondrana frantsay. Resahina ao ny fitakiana hetra tsy ara-drariny amin’ireo fanomezana azon’io fikambanana io, nanomboka tamin’ny 1993 ka hatramin’ny 1996. Nametraka fanontaniana fanampiny ny Fitsarana mba hahitana raha voadika ny Didy Laharana Faha-9 amin’ny Fifanarahana Eoropeanina, izay mifandray amin’ny fahalalahana ara-pivavahana. Eo am-piandrasana ny valin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa sy ireo any amin’ireo firenena hafa anisan’ny Filan-kevitra Eoropeanina.
“Mitetika ny hanisy ratsy amin’ny alalan’ny lalàna” i Satana. Ny vahoakan’i Jehovah kosa ‘manana finoana matanjaka, satria fantany fa ampitondraina fijaliana toy izany koa ny rahalahiny rehetra ao amin’ny finoana, eran’izao tontolo izao.’ Enga anie ny mpanompon’i Jehovah rehetra ka tsy hivadika fa hanohitra an’i Satana. Apetraho amin’ilay Andriamanitry ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy. Hanamafy orina sy hampahatanjaka anareo izy.—Sal. 94:20; 1 Pet. 5:7-11.
‘MAHAY MAMPIANATRA NY HAFA’
Vao niandoha ny fiangonana kristianina, dia efa nampiavaka azy io ny fampiofanana. Hoy ny apostoly Paoly tamin’i Timoty: “Atolory an’ireo lehilahy mendri-pitokisana, izay hahay hampianatra ny hafa kosa, [izany] avy eo.” (2 Tim. 2:2) Manana fandaharam-pampiofanana maro koa ny fandaminan’i Jehovah ankehitriny. Nisy kilasy 70 tamin’ny Sekolin’ny Anti-panahy, ohatra, tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana, any Patterson, Etazonia, nanomboka tamin’ny 2008. Anti-panahy 6 528 no nanatrika izany, avy ao amin’ny faritra iandraiketan’ny sampan’i Etazonia. Anisan’izany i Alaska sy Bermudes ary ny Nosy Turks sy Caïques.
Miompana amin’ny lafin-javatra maro ilay sekoly maharitra herinandro. Manampy ny anti-panahy hitarika ny asa fitoriana sy ho mpampianatra mahay kokoa eo anivon’ny fiangonana izy io. (2 Tim. 4:5; 1 Pet. 5:2, 3) Mandrisika azy ireo sy ny fianakaviany hifandray tsara amin’i Jehovah foana koa izy io. Ampiofanina ireo anti-panahy mba ‘hanazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara’, rehefa manampy ny hafa. (2 Tim. 2:15) Ireto ny sasany amin’ny teny fankasitrahana nataon’ireo efa nanatrika azy io.
“Nanetry tena ny mpampianatra, ka nanome ohatra ny amin’ny fomba tokony hitondrana an’ireo rahalahy eo anivon’ny fiangonana. Tena ankasitrahako ny Filan-kevi-pitantanana. Io sekoly io no anisan’ny fandaharam-pampianarana lehibe indrindra natrehiko, hatramin’izay nahitako ny fahamarinana izay.”
“Fantatr’i Jehovah Andriamanitsika izay ilaintsika sy ny fotoana tokony hanomezana izany. Nihavao ny finoako ary nahazo hery hanompoana an’i Jehovah indray aho. Nanampy ahy hahatakatra tsara kokoa izay ataon’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminany hita maso io sekoly io. Hitako koa ny fomba ikarakarany ny vahoakany.”
“Zavatra niavaka teo amin’ny fiainako iny. Arakaraka ny nianarako no nahatsapako fa betsaka ny zavatra tsy fantatro. Takatro kokoa fa sarobidy ny fianarana samirery, ary vao mainka tsapako fa tokony hampihatra an’izay rehetra nianarako aho.”
“Nanampy ahy hanana ny sain’i Kristy ilay fampiofanana, mba ho haiko kokoa ny hikarakara ny 1 Kor. 2:16) Nanampy ahy handini-tena ilay izy.”
fianakaviako sy ny fiangonana. (“Tsy hatakaloko ny fianarana eny amin’ny oniversite mihitsy io sekoly naharitra herinandro io.”
“Tena nampahery sy nahasoa iny sekoly iny! Nandrisika ahy hanohy hanompo an’i Jehovah izy iny, ary nanampy ahy hahafoy tena sy hamelombelona an’ireo rahalahy sy anabavy. (Isaia 32:2) Misaotra Jehovah!”
“Tsapanay tamin’ny alalan’iny sekoly iny ny fitiavan’i Jehovah. Toy ny hoe izy mihitsy no nanao fitsidihan’ny mpiandry.”
“Misaotra an’i Jehovah aho satria nampiany hanatontosa tsara kokoa ny andraikitro, mba ho fiderana sy voninahitra ho azy.”
Handefa filazana any amin’ny fiangonana ny Filan-kevi-pitantanana, rehefa hatao any an-toeran-kafa koa io fampianarana tonga amin’ny fotoana ilana azy io. Handray soa ny anti-panahy rehetra amin’izay.
MAHAFALY NY FITOKANANA SAMPANA
Nandaha-teny tamin’ny fitokanana ny sampana vaovaon’i Tanzania i Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny 24 Janoary 2009. Trano vita tamin’ny biriky simenitra nisy efitra telo no natao sampana, 25 taona lasa izay. Fantatry ny Vavolombelona eran’i Tanzania tamin’ny hoe Trano Faha-46, Magomeni izy io. Vahiny 779 avy amin’ny tany 22 no nanatrika an’ilay fitokanana. Nanganohano ny ranomason’ny maro tamin’izy ireo, rehefa nisaintsaina ny fandrosoan’ny asa nanomboka tamin’ny 1987, fotoana nanafoanana ny fandrarana. Hoy ny rahalahy iray efa Sal. 92:1, 4.
nanompo hatry ny ela: “I Jehovah irery no mahavita zavatra toy izany eto Tanzania.” Miroborobo izao ny asantsika any, ary mpitory 14 000 mahery no faly sy misaotra an’i Jehovah ary mankalaza ny anarany.—Nanao lahateny fitokanana tao amin’ny sampan’i Holandy i Theodore Jaracz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny asabotsy 2 Mey 2009. Rahalahy sy anabavy 600 teo ho eo avy any amin’ny tany 31 no nanatrika izany. Notohizina ilay trano fonenana vita tamin’ny 1983. Novana ho birao sy toeram-piasana ho an’ny Foibem-paritra Momba ny Haino Aman-jery ilay trano fanontam-pirinty taloha. Manampy amin’ny famokarana CD sy DVD amin’ny fiteny 24 io foibem-paritra io. Ampiasaina any Eoropa ny ankamaroan’ireo fiteny ireo. Mamokatra video amin’ny tenin’ny
tanana 20 eo ho eo koa izy io. Mandrindra ny famokarana CD any Eoropa, Afrika, Oseania izy io, ary mandamina ny famokarana DVD ilaina maneran-tany. Ny sampan’i Holandy koa no mividy an’ireo entana ilain’ny sampana hafa sy mandefa izany amin’ny sambo. Tena mety amin’izany asa izany ireo trano vao nohavaozina.“MITOERA AO AMIN’NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA”
Maro tokoa ny antony mahafaly antsika. Tena fitahiana ny miaina amin’izao fotoana mampientam-po izao! Marina fa ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina ny andro farany.’ (2 Tim. 3:1) Efa tena akaiky anefa ny fanafahana, ka zava-dehibe ny hanarahantsika tsirairay ny tenin’i Joda hoe: “Ry malala, miorena tsara eo amin’ny finoanareo masina indrindra, ary mivavaha eo ambany fitarihan’ny fanahy masina. Amin’ny fanaovana izany, dia mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, eo am-piandrasanareo ny famindram-pon’i Jesosy Kristy Tompontsika, sady mitsinjo ny fiainana mandrakizay.”—Joda 20, 21.
[Tabilao, pejy 13]
(Jereo ny boky)
ISAN’NY OLONA MITSIDIKA NY www.watchtower.org ISAN’ANDRO
70 000
50 000
30 000
10 000
1999 2001 2003 2005 2007 2009
[Sarintany, pejy 21]
(Jereo ny boky)
Tany Nahitana Olana Lehibe Momba ny Asantsika
AOTRISY
EJIPTA
ÉRYTHRÉE
OGANDÀ
AFRIKA ATSIMO
MOLDAVIA
ARMENIA
TORKIA
AZERBAÏDJAN
ROSIA
KAZAKHSTAN
OUZBÉKISTAN
TADJIKISTAN
INDE
KOREA ATSIMO
[Sary, pejy 11]
Tia manasa olona hianatra Baiboly, na dia ny ankizy mpitory aza
[Sary, pejy 27]
Manampy ny anti-panahy hamita tsara ny andraikiny ny Sekolin’ny Anti-panahy
[Sary, pejy 28]
Rahalahy Jaracz, manao lahateny fitokanana ao amin’ny sampan’i Holandy
[Sary, pejy 29]
Rahalahy Herd, manao lahateny fitokanana ao amin’ny sampan’i Tanzania