Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andinin-teny ho An’ny Taona 2011

Andinin-teny ho An’ny Taona 2011

Andinin-teny ho An’ny Taona 2011

Ataovy ‘Fialofanao ny Anaran’i Jehovah.’—ZEFANIA 3:12.

“Mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra mandraka ankehitriny.” (Rom. 8:22) Tsy iadian-kevitra izany. Olona an-tapitrisany no mijaly noho ny tsy rariny, tsindry hazo lena, loza, aretina, fahantrana, ady, ary heloka bevava. Mety hiharan’ireo koa isika mpanompon’i Jehovah. Ankoatra izany, dia esoin’ny olona isika, ankahalainy, ary enjehiny, toa an’i Jesosy ihany.

Tsy kivy anefa isika. Faly kosa isika satria tsy ho ela i Jehovah dia hanala ny fijaliana rehetra eto amin’ity tontolon’i Satana ity. Andriamanitra no tokintsika sy fialofantsika. Tsy mandiso fanantenana an’ireo tsy mivadika aminy mihitsy izy.