Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Papouasie-Nouvelle-Guinée

Tsy mora mihitsy ny nitondra ny vaovao tsara tao amin’io tany io, izay sady mafana no misy ala mikitroka sy heniheny midadasika ary tendrombohitra sarotra aleha. Mihoatra ny arivo ireo foko any, ary misy karazany 800 mahery ny fiteny. Mahery fo anefa ireo rahalahy, ka nandresy an’ireny vato misakana ireny mba hitoriana ny fahamarinana. Maro koa ireo nahavita niala tamin’ny finoanoam-poana sy ny fomban-drazana, ka lasa mpanompon’i Jehovah tsy mivadika. Vakio àry ny tantaran’izy ireo fa tena hampahery anao.

Estonia

Niezaka nampandroso ny asan’ilay Fanjakana ireo rahalahy sy anabavy, na dia mafy aza ny fanenjehana. Inona ilay hoe “kalesin’ny Fanjakan’ny lanitra”? Ahoana no nahatapaka ny tanan’ny polisy iray, tao amin’ny biraon’ny sampana? Ahoana no nanamboaran’ireo rahalahy ranomainty sy milina hanaovana pirinty? Inona no nanjo an’ireo Vavolombelona natao sesitany tany Siberia, izay niaritra an’ilay dia naharitra tapa-bolana sy ny hatsiaka namirifiry? Nahoana koa ny anabavy iray no niteny hoe: “Faly erỳ aho natokan-toerana”? Vakio ilay tantara dia ho hitanao fa be herim-po sy tia karokaroka ireo Vavolombelona tsy nivadika tany Estonia.