Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Estonia

Estonia

Estonia

TONGA SOA eto Estonia! Ho variana sy ho finaritra ianao hahita ireo ala sy lohasaha maitso mavana, ireo tanàna tsara tarehy amoron-tsiraka, ireo farihy 1 400 mahery ary ireo nosy 1 500 mahery! Efa ho ny antsasak’i Estonia no be ala sy kirihitra matevina. Saika i Eoropa manontolo anefa no rakotra ala toy izany taloha. Anisan’ny tany kely indrindra atỳ Eoropa i Estonia, izay lehibebe kely noho i Soisa fotsiny.

Somary tsy be teny nefa sariaka ny olona eto, ary manana toetra tsara maro hafa koa. Nahita fianarana sady mahay mamaky teny sy manoratra daholo ny olona, ary tia mamaky boky. Efa ho ny ampahatelon’ny mponina no miteny rosianina, kanefa ny estonianina no fiteny ofisialy. Tsy mora ianarana anefa izy io satria be pitsiny. Misy teny maromaro, ohatra, ilazana ny hoe “nosy”, arakaraka ny habeny sy ny bikany ary ny hoe firy taona izay no nisiany.

TANTARANY FAHINY

Nifandimby nitondra an’i Estonia ireo firenena natanjaka nanodidina azy. Nanafika an’i Estonia ny Alemà sy ny Danoà tany am-piandohan’ny taonjato faha-13. Niady mba hifehy an’i Estonia koa i Danemark, Litoania, Norvezy, Polonina, Rosia, ary Soeda nandritra ny taonjato maro.

Nitondra an’i Estonia nandritra ny 100 taona mahery koa ny Soedoà, ary avy eo indray ny Rosianina tamin’ny 1721. Nahaleo tena vetivety i Estonia teo anelanelan’ny 1918 sy 1940, saingy lasan’ny Firaisana Sovietika taorian’izay. I Alemaina Nazia no nitondra tamin’ny 1941, nefa lasan’ny Firaisana Sovietika indray ny fahefana tamin’ny 1944. Anisan’ny Firaisana Sovietika i Estonia nandritra ny efa ho 50 taona. Izy no repoblika sovietika voalohany nahazo fahaleovan-tena, tamin’ny 1991.

Inona no fiantraikan’izany rehetra izany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah teto? Inona no nanjo azy ireo nandritra ny fitondran’ny Alemà sy ny Sovietika? Ho hitanao ato fa be herim-po sy nanana finoana natanjaka ary nahay nikaroka hevitra izy ireo rehefa nenjehina mafy.

NY TAKAITRA NAVELAN’NY FIVAVAHAN-DISO

Nanafika an’i Estonia ny mpanao ady masina, tamin’ny taonjato faha-13. Noteren’izy ireo hanaraka ny fivavahana “kristianina” ny mponina teto. Mody nanaiky fotsiny anefa ny Estonianina. Notobasany rano avy eo ny tranony sy ny tenany, mba hanafoanana an’ilay batisa an-tery. Niverina nanompo sampy sy nivavaka tamin’ny natiora izy ireo avy eo. Nanaraka ny fivavahana katolika izy ireo tatỳ aoriana, nefa mbola nanao ny fombafombany ihany.

Niova ho Loteranina ny Estonianina tamin’ny taonjato faha-17. Ny Eglizy Ortodoksa Rosianina indray no lasa fivavaham-panjakana tatỳ aoriana. Nisaraka tamin’ny Fanjakana ny Eglizy tamin’ny 1925. Asehon’ny fanadihadiana iray fa ny 14 isan-jaton’ny Estonianina monja no mihevitra ny fivavahana ho zava-dehibe.

Estonianina tso-po maro anefa tato ho ato no nandray tsara ny Tenin’Andriamanitra, izay ‘fampianarana mahasoa araka ny vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra falifaly.’ (1 Tim. 1:10, 11) Latsaka kely ny 1 000 ny Vavolombelona teto tamin’ny 1991, nefa efa 4 000 mahery izao. Ahoana anefa no nahatongavan’ny mpitory ilay Fanjakana teto?

“MANAM-BAVA ANGE IANAO E!”

Nahazo boky natontan’ny Mpianatra ny Baiboly (na Vavolombelon’i Jehovah) i Martin Kose sy Hugo rahalahiny tany Etazonia, teo am-piandohan’ny taonjato faha-20. Nientanentana be noho izay novakiny tao i Martin ka nieritreritra an’i Estonia, tany niaviany. Fantany mantsy fa tsy nisy Mpianatra ny Baiboly teto. Hitany tao amin’ny bokikely ny adiresin’ny foibe tany New York. Nankany àry izy ary niresaka tamin’i J. Rutherford, mpiandraikitra ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly.

“Inona no tokony hataoko?”, hoy i Martin.

“Manam-bava ange ianao e!”, hoy ny Rahalahy Rutherford. “Miverena any amin’ny taninao, ary ampiasao ny vavanao.”

Niverina teto tokoa i Martin tamin’ny 1923 tany ho any, ary nitory. Izy àry no Mpianatra ny Baiboly voalohany teto Estonia. Nampianariny ny fahamarinana ny fianakaviany. Lasa mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika i Adolf zanany lahy, ary tena andry niankinana tao anatin’ny fotoan-tsarotra. Lasa Mpianatra ny Baiboly koa i Hugo rahalahin’i Martin, nefa tsy niverina tanteraka teto izy.

“TSY HO IRERY IANAO”

Nisy fivoriambe tany Londres tamin’ny 1926. Nanontany ny Rahalahy Rutherford tamin’izay hoe iza no vonona hankatỳ Estonia sy ho any Letonia ary Litoania. Nanolo-tena i Albert West sy Percy Dunham ary James Williams. Voatendry handamina ny asa fitoriana ny vaovao tsara tao amin’ireo tany ireo izy ireo, taoriana kelin’izay. Niaraka tamin’i Albert West nanketo Tallinn, renivohitr’i Estonia, i William Dey, mpiandraikitra ny Biraon’i Eoropa Avaratra tany Danemark. Nahita efitra hipetrahan’i Albert ny Rahalahy Dey. Nikapokapoka ny sorony izy sady niteny hoe: “Veloma Albert! Tsy ho irery ianao fa ho avy tsy ho ela ny mpitory hitondra Tilikambo.”

Nisy mpisava lalana avy any Angletera sy Alemaina ary avy any an-tany hafa tonga nitory teto. Tsy afaka nijanona ela anefa izy ireo satria nanahirana ny vizà. Tsy sarotra tamin’ny mpisava lalana failandey kosa ny nitory teto, satria nitovitovy ny teny estonianina sy failandey. Mpisava lalana vahiny maromaro no nazoto namafy ny voan’ilay Fanjakana. Tian’ny olona koa ny nampandroso an’ireo vahiny, izay tsy fahitany firy. Matetika izy ireo no nomena anaram-bosotra, toy ny hoe “Soome Miina” (Miina Failandey). Raha avy any Grande-Bretagne ilay mpitory, dia nolazaina fotsiny hoe “Londonianina.”

BIRAON’NY SAMPANA VOALOHANY

Sarotra ny nahita trano hatao birao. Noheverin’ny olona ho nanan-karena koa ny vahiny, ka nataony lafo kokoa ny hofan-trano. Nahitana trano ihany anefa teto Tallinn, teo amin’ny 17 Lalana Kreutzwaldi, tamin’ny 1926. I Albert West no voatendry ho mpikarakara ny sampana. Nivoaka tamin’io taona io koa ireo bokikely voalohany tamin’ny teny estonianina, anisan’izany ilay hoe Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy!

Tamin’ny namany i Hilda Ang, tovovavy estonianina, no nahalala ny fahamarinana. Nankany amin’ny biraon’ny sampana àry izy mba hangataka bokikely. Nanontany an’i Hilda tamin’izay ny rahalahy alemà iray raha afaka mandika ny lahateniny izy. Nanaiky i Hilda. Nasaina hanao ny asan’ny mpandika teny tao amin’ny sampana izy tamin’ny 1928. Nifindra teto Estonia ny rahalahy anglisy atao hoe Alexander Brydson, mba hitory manontolo andro. Nivady izy sy Hilda tatỳ aoriana. Nahay nandika teny i Hilda, sady niasa mafy. Voarara ny asa fitoriana tatỳ aoriana ka voatery niala teto izy sy ny vadiny. Mbola nandika teny ho an’i Estonia nandritra ny taona maro ihany anefa i Hilda. Nanompo manontolo andro nandritra ny 100 taona mahery izy mivady, raha atambatra!

Nivoaka tamin’ny 1928 ilay boky voalohany tamin’ny teny estonianina hoe Ny Harpan’Andriamanitra. Nivoaka tamin’ny teny estonianina koa ny Tilikambo sy ny boky fito hafa ary ny bokikely maro be, talohan’ny Ady Lehibe II.

MPITORY VOALOHANY

Nandeha bisikileta ireo mpisava lalana ka lasa lavitra. Tsy nifidy toerana natoriana izy ireo, na trano tsara tarehy tany ambanivohitra izany na antonta-mololo. Nahantra ny olona nefa tia nihaino an’ilay hafatra. Tsy sarotra tamin’ireo mpisava lalana àry ny nitory 150 ka hatramin’ny 200 ora isam-bolana, ary nisy aza nahavita 239 ora tao anatin’ny iray volana! Be zotom-po sy fikirizana izy ireo ary sahy. Nitantara toy izao, ohatra, ny anabavy iray sambany vao nitory:

Nanontany azy ny anabavy failandey iray be zotom-po hoe: “Mahay mitaingina bisikileta ve ianao?”

“Ie!”, hoy ilay anabavy vaovao.

“Andao àry ho any Sarema”, hoy ilay anabavy failandey. Nosy lehibe indrindra eto Estonia anefa i Sarema, tany amin’ny 200 kilaometatra tany ho any.

Hoy ilay anabavy failandey, rehefa tonga tao amin’ny tanàna voalohany tao Sarema izy ireo: “Manomboka eto ianao, fa izaho kosa hanomboka any amin’ny farany. Hihaona eo afovoan-tanàna isika rahariva.” Mbola tsy nitory mihitsy ilay anabavy vaovao talohan’izay. Tsapany anefa fa nanampy azy i Jehovah tao amin’ilay trano voalohany nitoriany. Tsy ela àry izy dia natoky tena, ary afaka namita ilay asa fitoriana.

Nihaona tamin’ny olona avy any amin’ny nosy Vormsi i Hellin Aaltoneen (Grönlund tatỳ aoriana), ary nahatsikaritra fa hafahafa ny fitenin’izy ireo.

“Angaha ianareo tsy mahay teny estonianina?”, hoy izy tamin’izy ireo.

“An an an! Miteny soedoà izahay”, hoy izy ireo.

“Manana boky soedoà ve ianareo?”, hoy i Hellin.

“Efa tamin’ny fahagolan-tany izahay no nahazo farany”, hoy izy ireo nanitatra.

Tapa-kevitra ny ho any amin’ilay nosy àry i Hellin, mba hitondra boky soedoà. Nentiny niaraka taminy i Fanny Hietala izay niteny soedoà.

Hoy izy: “Nentinay daholo ny boky soedoà rehetra tao amin’ny biraon’ny sampana, ary nandeha sambo izahay nankany. Voatetinay tao anatin’ny telo andro ilay nosy, ary saika voapetraka daholo ny boky nentinay. Reko taona maro tatỳ aoriana fa boky azony tany Vormsi no nahalalan’ny anadahy iray tany Soeda ny fahamarinana!” Marina foana àry ny voalazan’ny Mpitoriteny 11:6 hoe: “Mamafaza voa amin’ny maraina, ary aza atsahatra ny tananao mandra-paharivan’ny andro, satria tsy fantatrao izay ho vanona.”

OLANA NATREHIN’NY MPISAVA LALANA

Tsy mora ny nitory tamin’izany. Nikorisa tamin’ny ranomandry na nandeha tongotra ireo mpisava lalana tamin’ny ririnina, ary nahavita 20 ka hatramin’ny 40 kilaometatra isan’andro. Namirifiry ny andro, nefa tsy dia tsara ny trano nilasiany. Tsy afaka nitondra afa-tsy sakafo sy izay tena nilainy izy ireo, satria nitondra boky koa. Tsy azo naleha ny lalana rehefa avy be ny orana. Imbetsaka ireo mpisava lalana no voatery natory teny ivelany. Nitaky herim-batana sy fiaretana be izany rehetra izany. Ahoana anefa no fahitan’izy ireo ny fanompoany?

Nitory tany amin’ny faritra mitokana nandritra ny volana maro i Vilho Eloranta, rahalahy failandey be zotom-po. Hoy anefa izy: “Nahazo izay tena nilaiko foana aho. Nahazo sakafo sy filasiana tamin’ny alina aho ho takalon’ny bokintsika. Tsy nila vola firy koa aho. Rehefa hariva ny andro, dia nanontany toerana hilasiana aho. Vitsy ny tompon-trano tsy nanome filasiana, indrindra raha efa hariva be ny andro na lavitra vao nisy trano hafa.”

Hoy koa izy: “Ny hahazoan’ny olona an’ireo boky mirakitra ny hafatra momba ilay Fanjakana no masaka tao an-dohako. Faly sy afa-po foana àry aho na dia tsotra aza ny sakafo sy filasiana azoko.”

Nahatonga ny olona ho liana tamin’ny fahamarinana ny asa mafin’ireny rahalahy sy anabavy ireny. Vitsy izy ireny, nefa nahapetraka boky sy bokikely 53 704 tamin’ny 1929 fotsiny!

Hoy i Adolf Kose: “Nisy 30 teo ho eo ny mpisava lalana, ary voatetin’izy ireo i Estonia manontolo talohan’ny Ady Lehibe II.”

Mbola nisy vokany tatỳ aoriana ny fitorian’izy ireo. Nitory tamin’ny vehivavy zokiolona atao hoe Ruth, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1993. Tsaroan’i Ruth fa efa nahare hafatra hoatran’izany koa izy 60 taona mahery talohan’izay. Nisy Mpianatra ny Baiboly alemà iray mantsy nitsidika ny mpifanila trano taminy. Efa be taona sy marenina izao i Ruth, nefa nanaiky hianatra Baiboly ary natao batisa, efa ho 70 taona taorian’ilay nandrenesany voalohany ny vaovao tsara!

ZAVA-NITRANGA TAO AMIN’NY SAMPANA

Natao tao amin’ilay biraon’ny sampana tery kely ireo fivoriambe. Tamin’ny Jona 1928 ny voalohany, ka 25 ny mpanatrika ary 4 no natao batisa. Nisy rahalahy failandey 80 tonga ny taona nanaraka, mba hanampy tamin’ny fivoriambe sy hitory.

Voatendry hanampy ary avy eo hisolo an’i William Dey, mpikarakara ny sampana tany Danemark, i Albert West, mpikarakara ny sampana teto Estonia. Iza indray àry no nikarakara ny sampana teto? Rahalahy be fitiavana sady tia vazivazy i Wallace Baxter, avy any Ekosy. Miaramila anglisy niady tany Frantsa nandritra ny Ady Lehibe I izy, talohan’ny nahalalany ny fahamarinana. Tsapany fa tsy nifanaraka tamin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy izay niainany sy hitany tany an’ady.

Hoy izy: “Very hevitra aho. Nanjary takatro fa ratsy daholo ny ady rehetra, na iza na iza fahavalo. Nino foana mantsy aho hoe mpirahalahy ny olona rehetra, ary hahita an’Andriamanitra izay mitady azy. Nandohalika nivavaka taminy àry aho tao amin’ilay toerana niafenako. Nivoady taminy aho fa hanompo azy mandra-pahafatiko, raha tsy maty fo aman’aina ka ho tafody any aminay.”

Izany tokoa no nataony. Nianatra ny fahamarinana izy, ary lasa mpanompo manontolo andro tamin’ny 1926. Nanaiky hanompo teto Estonia izy, roa taona taorian’izay, ary be zotom-po foana. Voatendry ho mpikarakara ny sampana izy tamin’ny 1930, rehefa lasa ny Rahalahy West. Nafindra tao amin’ny 72 Lalana Suur Tartu teto Tallinn ny biraon’ny sampana, tamin’ny 1932. Nekena ho ara-dalàna teto Estonia ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, ny taona nanaraka.

LAHATENY TAMIN’NY RADIO

Nahazo alalana handefa lahateny tamin’ny radio teto Tallinn ny Rahalahy West tamin’ny 1927. Nadika tamin’ny teny estonianina ilay lahateniny hoe “Fitahiana Hoentin’ny Fanjakana Arivo Taona.” Nahaliana olona maro ilay lahateny, nefa niteraka adihevitra koa. Efa tamin’ny 1929 indray àry vao nahazo alalana handefa lahateny tamin’ny radio ireo rahalahy. Natao isaky ny alahady izany, ary natao tamin’ny teny anglisy, estonianina, failandey, rosianina, ary indraindray tamin’ny teny soedoà sy alemà. Nisy tamin’ny teny danoà koa indray mandeha, fara faharatsiny. Nahaliana olona maro ireny lahateny ireny, ary re hatrany Norvezy, Danemark, Soeda, Failandy, ary Leningrad (Saint-Pétersbourg) any Rosia. Lahateny 200 no nalefa nandritra ny taom-panompoana 1932. Tena nampahafantatra ny anaran’i Jehovah izy ireny. Tsy mahagaga àry raha nanohitra ny asantsika ny mpitondra fivavahana!

Nendrikendrehin’izy ireo ho Kominista ny Vavolombelona, satria fantatr’izy ireo fa natahotra an’izay namofompofona Kominisma ny fitondrana teto. Noraran’ny fanjakana avy hatrany àry ny fandefasana lahateny tamin’ny radio tamin’ny 1934. Tsy ny rehetra anefa no faly tamin’izany. Nanoratra an’ity taratasy ity tamin’ny teny anglisy, ohatra, ny ankizilahy iray:

Ho an’ny Tilikambo Fiambenana sy Rutherford Mpitsara,

Malahelo aho fa noraran’ny fanjakan’i Estonia ny fandefasana ny lahateninareo amin’ny radio. Mbola mpianatra aho. Tsy manankarena ny ray aman-dreniko: Miasa mafy izy ireo mba hamelomana anay zanany. Miramirana anefa ny endrik’izy ireo, noho ny fitiavany ny Tompo sy ny fanantenana ananany. Narary mafy aho tamin’ny ririnina, ary ny lahateninareo tamin’ny radio no hany mba nampionona ahy. Latsa-dranomaso aho, nefa ranomasom-pifaliana izany. ... Dia ho vita hatreo ve ireny lahateny ireny? ... Mianatra teny anglisy aho, ary ity no taratasy voalohany nosoratako tamin’io fiteny io, na dia tsy manana diksionera aza aho. ... Mirary soa ho an’i Rutherford Mpitsara aho, ary manao veloma finaritra.

Novalian’ny Rahalahy Rutherford io taratasy io, sady nandefasany lahateny noraisim-peo ilay ankizilahy.

“KALESIN’NY FANJAKAN’NY LANITRA”

Mpisava lalana be zotom-po avy any Angletera i John North. Nipetraka tao anaty tranofiara izy mianakavy rehefa nitory teto Estonia. Nahavariana ny olona nanerana ny faritra atsimon’i Estonia izany. Hoy ny gazety iray teo an-toerana momba ilay tranofiara: “Manamboatra fiara mitovy amin’ny trano ny Fikambanana [Tilikambo Fiambenana] eto Tartu, mba hitetezana an’i Estonia sy hanaovana fotoam-pivavahana. Avy eo amin’ilay ‘kalesin’ny Fanjakan’ny lanitra’ izy ireo no mitory sy mizara boky manazava ny Baiboly. Olona dimy no ao amin’io ‘kalesy’ io: Ilay misionera, ny vadiny sy ny zanany, ary tovolahy roa mavitribitrika. Mandeha mafy amin’ny bisikileta izy roa lahy ireo (toa an’i Jeho), mba hizara boky any amin’ny toerana rehetra manodidina an’ilay ‘kalesy.’ ”

Miaramila mpanamory fiaramanidina i Nikolai Tuiman taloha. Nisy korontana politika tamin’ny 1935 tany ho any, ka nogadraina izy satria nifandray tamin’ny antoko fasista estonianina. Nahita boky nosoratan’i J. Rutherford izy tao amin’ny fitehirizam-bokin’ny fonja. Novakiny ilay izy ka takany fa tsy ny politika no vahaolana. Hitany tao amin’ny bokintsika azon’ny vadiny ny adiresin’ny biraon’ny sampana, ka nankany izy rehefa nafahana. Nampian’ny Rahalahy Baxter i Nikolai, ka niova tanteraka. Tsy nanao politika intsony izy, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah be zotom-po sy tsy tia ady. Iray tamin’ireo andrin’ny fiangonana izy rehefa voarara ny asa, ary anisan’ny nanao pirinty an-tsokosoko. Tsy nivadika koa izy rehefa natao sesitany 15 taona teo ho eo tany Siberia.

Diso fanantenana tamin’ny politika koa i Artur Indus, izay dokotera. Tonga hitsabo an’i Martin Kose tao an-tranony izy indray mandeha, ary nampirisihin’ny Rahalahy Kose hianatra Baiboly. Nahay teny alemà i Artur ka nanafarany an’izay boky rehetra tamin’ny teny alemà. Nampian’i Martin i Artur, ka nanaiky ny fahamarinana. Nanokan-tena ho an’i Jehovah izy, ary natao batisa. Dokotera fanta-daza sy nohajain’ny olona izy, ary lasa rahalahy be zotom-po sy nohajaina koa.

FOTOAN-TSAROTRA

Nanomboka ny fotoan-tsarotra tamin’ny 1935 tany ho any. Nalain’ny fanjakana ilay bokikely hoe Ilay Mpitondra Marina, tamin’ny Janoary 1935, noho ny faneren’i Alemaina Nazia sy ny Eglizy Katolika.

Nakaton’ny Minisitry ny Atitany koa ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana teto Estonia tamin’io taona io. Nalainy ny boky sy bokikely, ary notereny hatao antoka ny fananan’ny Fikambanana. Boky 76 000 teo ho eo no nalainy, na dia maro aza no efa nafenina. Tsy nahasakana ny asantsika anefa izany. Gaga sy faly ireo rahalahy, ohatra, fa navoaka tao amin’ny gazety roa nalaza indrindra ny votoatin’ny bokikely roa nalain’ny fanjakana. Nisy 100 000 anefa no indray nivoaka tamin’ireo gazety ireo. Vao mainka àry nampahalaza ny anaran’i Jehovah izany, mihoatra noho ny vitan’ireo rahalahy raha izy ireo no nizara an’ireo bokikely.

Nitohy foana ny asa fitoriana, ary niasa indray ny biraon’ny sampana. Mbola nalain’ny fanjakana ihany anefa ny bokintsika tao anatin’ireo taona nanaraka. Niasa tao amin’ny sampana i Hellin Aaltonen raha nisy polisy nanao bemidina, indray mandeha.

Hoy ny Anabavy Aaltonen: “Polisy tanora telo lahy ry zareo, ary tonga haka an’ilay bokikely hoe Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy! Tsy nisy anefa tao amin’ny sampana. Natsipiny tamin’ny tany daholo àry ny boky teo amin’ny talantalana. Tsy afa-nanoatra ny Anadahy Baxter, satria nataon’izy ireo andry maso. Nandamindamina an’izay nakorontan’ny polisy anefa aho, ary nandeha moramora nijery ny teo ambony latabatry ny Anadahy Baxter sao nisy taratasy tsy tokony ho hitan’ny polisy. Teo indrindra ny taratasy iray nisy ny anarana sy adiresin’ny mpitory rehetra! Nalatsako tao anaty fitoeram-pako teo an-joron-trano ilay izy. Ireo polisy kosa nanao an’ireo boky tao anaty baoritra. Nirehareha erỳ ilay sefon’ny polisy naka baoritra iray. Natsipiny mafy loatra anefa ilay izy ka tapaka ny tanany! Nentin’ny namany haingana tany amin’ny hopitaly izy. Afaka nisava sy naka boky sasany tao anaty baoritra àry izahay mandra-piverin’izy ireo.”

Hoy ny Rahalahy Baxter: “Niverina ireo polisy, ary nentiny ireo boky. Hitako anefa ny polisy iray nanao an’ilay boky Fanafahana tao anaty paosiny. Nieritreritra foana aho hoe mba firy izay ny boky nalain’ireny polisy ireny ho an’ny tenany ka novakiny.”

Nampihazohazo sy nampahatahotra ny taona 1939. Nisy miaramila sovietika maromaro mantsy navela hiditra teto Estonia. Hoy ny Rahalahy Baxter: “Nandefa fampielezan-kevitra kominista ny radio isan’andro. Tao àry ny nanombantombana, nientanentana, nitebiteby na natahotra mafy. Tsy nitsahatra nivezivezy koa ireo fiaramanidina mpiady sovietika feno miaramila.” Hampitsahatra ny asantsika ve izany?

Nahapetraka boky sy bokikely 59 776 ireo rahalahy tamin’ny 1940, na dia teo aza ny korontana. Tena mahatalanjona izany satria 27 monja ny mpitory ary 15 ny mpisava lalana! Nanao izay azony natao izy ireo raha mbola nanana fahafahana kely.

FIVORIAMBE FARANY TALOHAN’NY FANDRARANA

Afaka nanao fivoriambe teto Tallinn ireo rahalahy, taloha kelin’ny nanombohan’ny fitondrana sovietika. Nodinihin’izy ireo ny lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo toy ny hoe “Ny Fitondran’Andriamanitra”, “Tsy Momba ny Atsy na ny Aroa”, “Fandrika” ary “Loza Hanjo ny Fivavahana.” Tena tonga tamin’ny fotoana nilan’izy ireo azy izany, mba hiomanany ho amin’izay hitranga. Tsy afaka nanao fivoriambe intsony mantsy izy ireo tao anatin’ny 50 taona.

Efa ho tafiditra tao anatin’ny Ady Lehibe II koa i Estonia, ka tsy maintsy hiharan’ny vokany ireo rahalahy. Ny 16 Jona 1940 ny Firaisana Sovietika no nandrahona ny fitondrana teto fa hahita loza i Estonia, raha tsy manangana governemanta vaovao sy mamela miaramila sovietika maro kokoa hiditra teto. Nekena ho ara-dalàna àry ny antoko kominista estonianina nisy mpikambana latsaka ny 150, ary nampidirina ho anisan’ny Firaisana Sovietika i Estonia. Olona an’arivony no natao sesitany tany Siberia tao anatin’ny volana vitsivitsy. Nilaozany na nodorana na nomena ho an’ny Rosianina ny tranony sy ny toeram-pamboleny. Estonianina an’arivony hafa no niezaka nandositra tamin’ny lakana kely nankany Soeda. Maro no tonga soa aman-tsara tany, nefa nisy koa maty tany afovoan-dranomasina.

LASA DAHOLO IREO VAHINY

Nakaton’ny Kominista ny biraon’ny sampana. Te hijanona i Alexander sy Hilda Brydson ary ny Rahalahy Baxter, nefa nihanampidi-doza ho an’ny vahiny teto Estonia. Nasain’ny Rahalahy Rutherford niala teto àry izy ireo. Nalefa fiarandalamby namakivaky an’i Siberia ny Rahalahy Baxter sy ry Dunham avy any Letonia, ary tonga tany Aostralia tamin’ny farany. Ry Brydson kosa nankany Soeda, herintaona teo ho eo taorian’izay. Anisan’ny Komitin’ny Sampana tany Aostralia ny Rahalahy Baxter, mandra-pahavitan’ny fanompoany teto an-tany tamin’ny 21 Jona 1994.

Hanao ahoana àry ireo rahalahy vitsivitsy teto? Vao haingana ihany mantsy izy ireo no tao amin’ny fahamarinana, ary nafotaka ny ady. Nanjary kivy àry izy ireo, ka tsy nandroso ny asa fitoriana. Tamin’ny 1941 izy ireo no nandefa tatitra farany, ary tsy nandrenesana vaovao intsony nandritra ny 20 taona teo ho eo.

FITSAPAM-PINOANA TENA MAFY

Nafotaka ny Ady Lehibe II, ary noroahin’ny tafika alemà ny Sovietika. Ny Alemà indray àry no nibodo an’i Estonia tamin’ny 1941 ka hatramin’ny 1944. Mbola nenjehina foana anefa ireo rahalahy. Nitory tao Tartu, ohatra, i Jaan Pärrat no nosamborin’ny Alemà tamin’ny 1942. Nampangaina ho nikomy tamin’ny fanjakana io rahalahy marenina io, ka nogadraina. Nomena baiko ‘hamindra azy amin’ny fomba manokana’ ny mpiambina, araka ny voalazan’ny tahirin-taratasy tao am-ponja. Baiko hamonoana azy ho faty anefa ilay izy, raha ny marina. Nisy nahita azy nentina tany ivelany, ary avy eo nisy poa-basy. Tsy nentina niverina tao am-ponja izy, ary tsy hita intsony.

Tena nandia fotoan-tsarotra ireo rahalahy. Ny Sovietika aloha no niantso an’ireo tovolahy hanao miaramila, ary avy eo indray ny Alemà. Hoy i Adolf Kose: “Voatery niafina izahay raha tsy te hanao miaramila. Raha tratra izahay, dia ho notifirina raha tsy nanaiky. Tsy afaka nanao firy ny asan’ilay Fanjakana àry izahay.”

Noroahin’ny tafika sovietika anefa ny Alemà tamin’ny faramparan’ny taona 1944. Lasa nofehezin’ny Sovietika indray àry i Estonia. Nisy fiantraikany tamin’ny Estonianina ilay ady sy ilay tsindry hazo lena tao anatin’ireo taona nanaraka. Ny ampahefatry ny mponina, fara fahakeliny, no novonoina na natao sesitany lavitra be, na afaka niala teto. Rosianina ana hetsiny kosa no nanketo Estonia, ka lasa be Rosianina teto. Ho hitantsika fa nitsapa mafy ny finoan’ireo rahalahy ny fitondrana sovietika.

“RAHALAHY MIANALA” LASA RAHALAHY ARA-PANAHY

Nisy mpanindrahindra tanindrazana nanohitra ny Sovietika tamin’izany. Nantsoina hoe “Rahalahy Mianala” izy ireo, satria niafina tany anaty ala mikitroka. Maro tamin’ireo tafaraka taminy anefa no tsy mpanohana azy akory, fa voatery niafina fotsiny satria nokarohin’ny KGB, na ny polisy miafina niaro ny fitondrana sovietika. Tombanana ho 15 000 ka hatramin’ny 20 000 ny lehilahy niafina tany an’ala indraindray, ary nisy aza tsy hitan’ny manam-pahefana nandritra ny taona maro. Efa tamin’ny 1978, ohatra, vao hita ny farany tamin’izy ireo! Hisy amin’izy ireo ve hanaiky ny fahamarinana ka ho lasa rahalahintsika?

Niasa tao amin’ny fitondrana estonianina i Erik Heinloo, ka fantany fa hokarohina izy. Nanandrana imbetsaka nandositra nankany Soeda izy sy Magda vadiny, nandritra ny fitondran’ny Firaisana Sovietika. Simba anefa ny maoteran’ny sambo nandehanany tamin’izy ireo nanandrana farany, ka voatery niverina izy ireo. Niafina tany an’ala fito taona izy, nefa tratra ihany tamin’ny farany. Nalefa tany amin’ny tobin’ny voafonja samy hafa tatỳ amin’ny Firaisana Sovietika àry izy mivady.

Nihaona tamin’ny Vavolombelona roa i Magda tany am-ponja. Nitorian’izy ireo momba ilay Fanjakana izy, ka avy hatrany dia niaiky fa nahita ny fahamarinana. Faly be izy ka nandihy mihitsy aza! Nafahana tamin’ny 1956 i Magda, ary natao batisa tamin’ny 1960. Nanaiky ny fahamarinana koa i Erik, fito taona taorian’ny nanafahana azy. Nisy “Rahalahy Mianala” lasa rahalahintsika ihany, rehefa ela ny ela!

NENJEHINA ARY NOSAMBORINA

I Martin Kose, rahalahy be herim-po sy be zotom-po, no voatendry hiandraikitra ny asa tany amin’ny faritra avaratr’i Estonia, rehefa lasa ireo rahalahy vahiny. I Friedrich Altpere kosa no niandraikitra ny faritra atsimo. Nahalala fomba io rahalahy lava ranjanana io, ary mpampianatra anglisy tany amin’ny lise. Tamin’izy nasaina nandika ny lahatenin’ny mpisava lalana vahiny tonga tao Võru, teo anelanelan’ny 1930 sy 1940, no niaiky fa nahita ny fahamarinana. Tena nandroso izy avy eo matoa afaka nitarika ny asa fitoriana.

Sarotra ny andraikitr’izy roa lahy, satria tsy afaka nifandray tamin’ny fandaminana izy ireo sady tsy ampy traikefa. Natao an-tsokosoko ilay asa, nefa tsy nivadika mihitsy izy roa lahy nanomboka tamin’ny 1940 ka hatramin’ny faramparan’ny 1948, taona nisamborana azy.

Nasiana Komitin’ny Fanompoana taorian’izay, ka i Albert Kruus sy Karl Talberg ary Artur Indus no anisan’ilay komity, ary i Lembit Toom no mpanampy azy ireo. Ny Rahalahy Toom irery anefa tamin’izy ireo no afaka nandehandeha sy nitsidika an’ireo mpitory. Fa nahoana? Mpiasa tao amin’ny milina fitotoana ahodin-drivotra izy, ary afaka nanao izay tiany rehefa tsy nandeha ilay milina.

Nanao vivery ny ainy ireo rahalahy tompon’andraikitra teto Estonia, mba hanampiana ny mpiara-manompo taminy. Napetaka teny amin’ireo gara mantsy ny sarin’ireo noheverina fa mpitarika, ka natao ombay mitady toy ny mpanao heloka bevava. Polisy efatra no nasain’ny KGB nanara-maso ny tsirairay tamin’ireo rahalahintsika nalemy paika toy ny ondry ireo. Notahin’i Jehovah anefa ny asa fitoriana, teo anelanelan’ny 1948 sy 1951. Niakatra ho 100 mahery àry ny isan’ny mpitory.

‘MALINA TAHAKA NY BIBILAVA, TSY MANAN-TSINY TAHAKA NY VOROMAILALA’

Tsapan’ireo mpianatr’i Jesosy teto Estonia fa marina ilay fampitandreman’ny Tompony hoe: “Aoka ianareo ho malina tahaka ny bibilava, nefa tsy hanan-tsiny tahaka ny voromailala. Mitandrema amin’ny olona, fa hatolony amin’ny fitsarana eo an-toerana ianareo, ary hokaravasiny any amin’ny synagogany. Hotaritarihina hankeo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ka izany dia ho vavolombelona aminy sy amin’ireo firenena.” (Mat. 10:16-18) Nisy nanam-pinoana matanjaka saingy tsy nahatakatra fa tsy manao fahagagana foana akory i Jehovah mba hiarovana ny mpanompony. (Joba 1:9-12; 2:3-6) Nisy Vavolombelona tsy “malina tahaka ny bibilava”, ohatra, indraindray, ka mora rembin’ireo mpanenjika lozabe.

Hoy i Adolf Kose: “Nisy lehilahy liana iray toa be zotom-po sy sahisahy be. Nomena andraikitra teo anivon’ny fiangonana izy, ary tena mamy hoditra tamin’ireo anabavy. Niahiahy azy anefa ireo rahalahy ka nampitandrina an’ireo anabavy mba tsy hitondra azy tany amin’ny toerana rehetra nivorianay.” Mampalahelo fa tsy niraharaha an’ilay fampitandremana ny sasany. Afaka nanao tatitra be dia be momba ny asantsika tany amin’ny KGB àry ilay lehilahy.

Hoy i Lembit Toom: “Nahazo Tilikambo vitsivitsy avy tany Alemaina izahay tamin’ny 1950, ka tianay mba hahalala an’izay noraketiny koa ny rahalahy rehetra teto Estonia.”

Nikasa hanao fivoriambe tao amin’ny trano iray fitoera-mololo tany ambanivohitra be àry ireo rahalahy. Lasa fantatry ny KGB anefa ilay izy, ka niomana ny hisambotra an’ireo Vavolombelona rehetra izy ireo. Nasiany miaramila roa kamiao àry teo amin’ilay gara tokony hidinan’ireo rahalahy. Nisy rahalahy telo tamin’izay efa niandry teny an-dalana, mba hanoro ny lalana. Nandre feo hafahafa tao anaty ala ny rahalahy iray ka nanatona hijery. Hay, basy no niandry azy! Nentin’ireo miaramila nankeo amin’ireo rahalahy roa izy, ary nosamborina izy telo lahy.

Mahimahina i Lembit Toom sy Ella Kikas (Toom tatỳ aoriana) hoe voasambotra izy telo lahy, ka nanao zavatra avy hatrany izy mianadahy. Nitaingina ny môtôn’i Lembit izy ireo, ary lasa haingana nankany amin’ny gara tany aloha kokoa, mba hampitandrina an’ireo rahalahy nandeha fiarandalamby. Nitsofoka tao amin’ilay fiarandalamby izy ireo, ary nasainy nidina haingana izy rehetra! Diso fanantenana àry ireo polisin’ny KGB niandry an’ireo Vavolombelona tany amin’ilay gara anankiray.

Nitady toerana hafa haingana ny rahalahy sasany, ka nahita toeram-pambolena azo nanaovana ilay fivoriambe. Nasainy nandeha an-tongotra folo kilaometatra mahery tamin’ny lalan-kely iray mangingina ireo namany avy eo. Ireo miaramila kosa nivezivezy teo amin’ireo lalambe, nikaroka an’ireo Vavolombelona nanjavona tamin’ny fomba mahagaga. Nizotra tsara àry ilay fivoriambe, ary 111 ny mpanatrika. Nalahelohelo endrika ireo mpivory, satria fantany fa mety hosamborina koa izy ireo na rahoviana na rahoviana. Novakina tao amin’ilay fivoriambe ny tatitra avy tamin’ny rahalahy sy anabavy tany an-tany hafa, anisan’izany ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ireo toby fitanana nazia. Nahazoana tari-dalana sy hery tena nilaina hiatrehana an’ireo fitsapana ho avy iny fivoriambe iny, na dia voasambotra ihany aza ireo rahalahy tatỳ aoriana.

NALAINA AM-BAVANY ARY NOMELOHINA

Nosamborina tsirairay ny rahalahy tompon’andraikitra rehetra. Nosamborina koa ny mpitory 70 mahery sy ny olon-kafa nifandray tamin’ny Vavolombelona. Toa tsy nisy farany ny fakana am-bavany an’ireo mpanompon’i Jehovah tia fihavanana ireo. Ireo mbola tsy nosamborina kosa nahafantatra fa mety ho voasambotra tsy ho ela izy ireo.

Natao tamin’ny alina ny fakana am-bavany sady naharitra volana maromaro. Tsy ampy torimaso àry ireo nalaina am-bavany, ka nikorontana ny sainy. Nomelohina ireo rahalahy nefa tsy notsaraina akory. Nilazana fotsiny izy ireo hoe voaheloka higadra 5 ka hatramin’ny 12 taona tany am-ponja na tany amin’ny toby. Folo taona ny sazin’ny ankamaroany. Fa inona, hono, ny heloka vitany? Izao no voalazan’ny taratasim-panjakana: “Nanao fampielezan-kevitra manohitra ny fitondrana sy nikomy.” Niova ny lalàna taoriana kelin’izay, ary nomelohina higadra 25 taona ny Vavolombelona. Somary nivazivazy, hono, i August Pressraud, 63 taona, niteny hoe: “Misaotra anao, Andriamatoa Mpitsara hajaina, nanome ahy sazy lava be toy izany. Nihevitra aho hoe 10 taona sisa no hahavelomako, nefa ianao mbola nanome ahy 25 taona!”

Nalefa tany amin’ny fonja na toby fiasana an-terivozona nalaza ratsy nanerana ny Firaisana Sovietika ireo rahalahy, indrindra fa tany Siberia sy ny faritra farany atsinanana na farany avaratra amin’i Rosia. Toa tsy nisy fanantenana intsony hoe ho tafaverina teto izy ireo, ary maro no nihevitra fa ho faty tany.

Nampahorin’ny mpanenjika koa anefa ireo rahalahy sandoka niara-niasa tamin’ny manam-pahefana. Nenjehin’ny KGB, ohatra, ny rahalahy roa lasa mpitsikilon’izy ireo, raha vao vitany ny asa nampanaovina azy. Natao sesitany tany amin’ny tobin’ny voafonja izy ireo. Toa tsy nohajain’ny KGB akory àry izay lasa mpitsikilony. *

NALEFA TANY SIBERIA

Voasambotry ny KGB daholo izay noheveriny ho lohandohan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tapa-kevitra koa izy ireo ny tsy hamela Vavolombelona na iray aza ho tavela teto. Ny 1 Aprily 1951 vao maraina no notanterahin’izy ireo ilay tetika efa maty paika. Nataony nanerana an’i Estonia (sy tany Letonia sy Litoania ary ny faritra andrefan’i Ukraine koa) izany.

Saika ny Vavolombelona rehetra, sy ny havany akaiky maro, ary na ireo olona liana koa aza no nentina haingana tany amin’ny gara maromaro, ary natao tao anaty vagao. Navela hitondra sakafo sy zavatra vitsivitsy izy ireo, fa ny fananany sisa kosa nalain’ny fanjakana daholo. Tsy notsaraina na nomena fanazavana akory ireo olona efa ho 300 avy eto Estonia ireo, fa tonga dia nalefa fiarandalamby nankany Siberia. Nalefa tany Tomsk, tany amin’ny 5 000 kilaometatra tany ho any, ny ankamaroany.

TANORA BE HERIM-PO

Nandeha nitsidika havana i Corinna Ennika, 17 taona, sy Ene zandriny vavy, izay 13 taona. Nitebiteby be izy mirahavavy rehefa nody ka nahita fa nihidy be ny trano ary tsy hita ny reniny! Maivamaivana anefa izy ireo rehefa nahafantatra fa voasambotra ny reniny. Fa nahoana?

Hoy i Corinna: “Faly izahay fa velona i Neny! Nieritreritra izahay hoe mety ho nisy Vavolombelona hafa koa voasambotra, ka tsy maintsy ho tafaraka amin’ny mpanompon’i Jehovah izy. Tsapanay fa tena nanohana anay i Jehovah, ary nanampy anay hilamin-tsaina. Tsy nitomany aho, ary tsy nitomany koa i Ene, na dia mora mihetsi-po sy kely aina aza izy. Nandeha nianatra izahay ny alatsinainy, ary tsy niteniteny tamin’iza na iza hoe voasambotra i Neny.”

Tony foana i Corinna sy Ene, na dia rehefa tonga haka azy aza ny polisy. Hoy i Corinna: “Tony daholo izahay iray vagao. Nampahery anay ny rahavavy iray, ary nilaza fa tsy havelan’i Jehovah hizaka fahoriana mihoatra noho izay zakanay izahay, ka tokony hatoky fa hanampy anay izy.” Tafasaraka tamin-dreniny nandritra ny enin-taona mahery izy mirahavavy.

Hita mihitsy hoe feno fankahalana ireo mpanenjika, satria natao sesitany hatramin’ny zazakely enim-bolana. Fa inona no heloka vitany? Izao no voasoratra tao amin’ny taratasy momba azy: “Fahavalon’ny Fanjakana.”

Mafy tokoa ny nanjo an’ireo nalefa sesitany. Nampietrena sy nalam-baraka izy ireo. Navela nidina nankany an-kabine izy ireo isa-maraina sy isan-kariva, nefa tsy nisy kabine. Hoy ny anabavy iray: “Tsy nasiana hasiny mihitsy izahay. Tsy afaka nitokana ny vehivavy, fa niaraka teo daholo izahay. Nisy mpandalo anefa, ary ny mpiambina rehetra koa nijoro nanodidina anay sady nanara-maso anay.”

FIAINANA TANY SIBERIA

Naharitra tapa-bolana ilay dia nampijaly. Tonga ihany izy ireo tamin’ny farany, ary nentina niaraka tamin’ny entan-keliny tany amin’ny toeram-pambolena teny akaiky. Namirifiry ny andro tamin’izay. Nifidy an’izay natanjaka indrindra ireo lehiben’ny mpiasa mba hampiasainy. Tsy nisy hafa tamin’ireny tompomenakely tonga hividy andevo ireny ny fanaovany azy.

Maro tamin’ireo efa tany Siberia no natao sesitany koa, ka nangoraka an’ireo vao tonga. Tsy ela àry dia afaka nanorim-ponenana ireo rahalahy, noho ny fanampian’ny mpiara-manompo sy ny mpiara-monina tsara fanahy. Azo lazaina hoe afaka nanana fiainana ara-dalàna ihany ny sasany. Nisy aza nihatsara ny fahasalamany. Anisan’izany ny anabavy estonianina roa voan’ny tioberkilaozy. Nanjary salama izy ireo satria maina kokoa tany Siberia.

Maty teny ambony fiarandalamby anefa ny zaza iray, fara fahakeliny. Maty koa ny rahalahy zokiolona iray noho ny tebiteby na ny hamafin’ny fiainana tany Siberia. Ny rahalahy sasany kosa tsy voatsabo tsara ka lasa kilemaina. Nisy koa nahazo takaitra vokatry ny asa mafy loatra. Ny hafa indray nijaly noho ny hamafin’ny fiainana, tsy fahampian-tsakafo, aretina, loza isan-karazany, ary hatsiaka tena namirifiry. Maro koa no nalahelo fa tafasaraka tamin’ny fianakaviany nandritra ny taona maro sady tsy naharay ny taratasy nalefan’izy ireny mihitsy.

Hoy i Tiina Kruuse: “Ankizy daholo izahay mianakavy, ka nalefa hiasa tao amin’ny toeram-pambolena nahantra. Efa tsy ampy sakafo ny olona tao, mainka moa fa izahay. Hodi-kazo sy fakan-javamaniry àry no notsakotsakoinay, ary tsilo no nataonay lasopy.”

Naharitra ela ny ririnina tany Siberia sady tena namirifiry. Tsy zatra an’izany anefa ny Estonianina. Tsy dia nahavanona na dia ny fambolena tsotra toy ny voly ovy aza. Tena nijaly ny ankamaroan’ireo rahalahy ny taona voalohany, sady noana lava.

Hoy i Hiisi Lember: “Tafidina 50 degre ambanin’ny zero ny hatsiaka. Nataonay tao ambany fandriana àry ny tranon’akoho mba tsy ho fatin’ny hatsiaka ny akohonay. Nisy aza nampiditra zanak’omby tao an-trano raha teraka ririnina ilay izy.”

NIANTOHAN’NY FANJAKANA NANKANY AMIN’NY FARITANY VAOVAO!

Efa nilaza i William Dey fa hahazo faritany midadasika ireo rahalahy, raha lasan’ny Firaisana Sovietika i Estonia sy ireo tany teny akaikiny. Marina tokoa ny teniny! Tena nampian’ny fanjakana sovietika hitory hatrany Siberia sy ireo faritra lavitra be ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nataony sesitany. Niharam-pitsapana izy ireo, nefa afaka nanampy olona maro mbola tsy nandre ny anaran’i Jehovah mihitsy.

Nogadraina, ohatra, i Lembit Trell, satria nikomy tamin’ny fitondrana. Hafakely ny fomba nahalalany ny fahamarinana tao amin’ny fonjan’i Tartu, tamin’ny 1948. Nisy manamboninahitra rosianina nigadra koa tao, izay niresadresaka momba ny Vavolombelona niara-nigadra taminy sy ny fampianaran’izy ireo. Anisan’izany ny hoe ny fitondram-panjakan’Andriamanitra irery no afaka mamaha ny olana rehetra, ary hitondra ny tany tsy ho ela Andriamanitra. Nahaliana an’i Lembit ilay izy.

Nalefa tany Vorkouta, any amin’ny farany avaratr’i Siberia akaikin’ny Oseana Arktika, i Lembit tatỳ aoriana. Sendra nandre Vavolombelona niresaka momba ny Baiboly izy tao amin’io toby io. Nanatona izy, ary nahatsikaritra fa nitovy tamin’izay noresahin’ilay manamboninahitra ny resak’izy ireo. Niditra tamin’ilay resaka koa àry izy.

“Nahoana ianao no migadra?”, hoy ireo rahalahy tamin’i Lembit.

“Niady ho an’ny rariny aho”, hoy izy.

“Nahomby ve ianao?”, hoy ny rahalahy iray.

Efa mazava ny valiny, nefa namaly ihany i Lembit hoe: “Tsy nahomby aho.”

“Diso lalana ianao”, hoy ny rahalahy iray. “Tsy aleonao miaraka aminay?” Nohazavain’izy ireo taminy ny momba ny ady ara-panahy. Takatr’i Lembit tsikelikely fa nahita ny fahamarinana izy, ka tokony hiandany amin’i Jehovah.

Niverina teto Estonia i Lembit rehefa nafahana, ary nanomboka nanao ilay ady ara-panahy. Mpisava lalana maharitra izy izao. Olona tsy Vavolombelona koa no niresaka voalohany tamin’i Maimu vadiny momba ny fahamarinana, tamin’izy tany am-ponja.

Sahirana ireo rahalahy tsy dia nahay niteny rosianina rehefa nitory. Afaka nanombo-dresaka foana anefa izy ireo. Nolazainy, ohatra, hoe nahoana izy ireo no natao sesitany tany Siberia. Nanjary nahay nitory tsy ara-potoana àry azy ireo. Afaka nitory tamin’ny Estonianina hafa natao sesitany koa izy ireo. Tombanan’ny anabavy iray ho 15 ka hatramin’ny 20 ny Estonianina nahalala ny fahamarinana tany, ary nisy Rosianina sy Litoanianina maromaro koa.

FOMBA NAHAZOANA SAKAFO ARA-PANAHY

Maro ny fomba nampidirana an-tsokosoko Baiboly sy sakafo ara-panahy ho an’ireo voafonja sy natao sesitany tany amin’ny faritra mitokana. Hoy ny rahalahy iray: “Nalefa taminay tanaty siny feno tavin-kenan-kisoa na menaka biby hafa ny pejy vitsivitsy tamin’ny bokintsika. Lasa fotsy mantsy ny menaka mivaingana, ka tsy hita ilay taratasy. Notsindronin’ny mpiambina tamin’ny antsy ny tao anatin’ilay siny, saingy tsy voakasika ilay taratasy manify napetaka tamin’ny sisin’ilay siny.” Nahalana ireo mpiambina vao nahita an’ilay sakafo ara-panahy sarobidy nafenina toy izany.

Nisy koa nozairina tao anaty poketra na akanjo, nafenina tao anaty boatin-tsavony kely na tao anaty baran-tsavony noloahina. Hoy i Ella Toom: “Vitako ny nampiditra Tilikambo efatra tao anaty savony iray.”

Novakin’ny mpanara-maso ny taratasy rehetra. Teny fampiasa andavanandro ihany àry no nentin’ny Vavolombelona nilazana momba ny fahamarinana sy ny fanompoana. Nanoratra toy izao, ohatra, ny anabavy iray: “Mikarakara tsara anay i Dada, ary tonga hatrany amin’ny fanambanin’ny lavadrano ny tadinay.” Te hilaza izy hoe nanome sakafo ara-panahy azy ireo i “Dada” na i Jehovah, ary nifandray tamin’ny “lavadrano” na fandaminan’i Jehovah izy ireo ka nahazo ranon’ny fahamarinana na boky.

Natao dika soratra ny boky sy bokikely. Nisy koa natao pirinty tamin’ny fomba faran’izay tsotra. Faly erỳ ny Vavolombelona tratra nitory rehefa nosazina hatokan-toerana. Fa nahoana? Hoy ny anabavy iray: “Faly erỳ aho natokan-toerana, satria afaka nandika Tilikambo tsy nisy fanelingelenana firy.” Porofo iray monja izany ahitana fa tsy nahomby ny tetiky ny mpanenjika, fa vao mainka aza nampandroso ny asan’ilay Fanjakana.—Isaia 54:17.

ZAVA-DEHIBE NY FIVORIANA

Nahalana ireo rahalahy vao afaka niara-nivory, ka tena sarobidy taminy ireny fivoriana ireny. Nisikina herim-po, ohatra, i Corinna Ennika sy ny anabavy iray, indray mandeha, ka tsy niera tamin’ny mpampiasa azy fa tonga dia nandeha nivory. Hoy izy: “Niala hariva tao amin’ilay toerana niasanay izahay, ary nandeha an-tongotra 25 kilaometatra nankany amin’ny gara. Niainga tamin’ny roa maraina ny lamasinina, ary afaka adiny enina izahay vao tonga. Nandeha an-tongotra 10 kilaometatra indray izahay nankany amin’ilay toeram-pivoriana. Hitanay ilay trano, nefa mbola nifanontany izahay hoe iza no hilaza ny tenimiafina. Tamin’izay no nipoitra ny anadahy iray. Fantany hoe Vavolombelona izahay, ka faly erỳ izy nilaza hoe: ‘Ato no izy fa mandrosoa e!’ Nianatra Tilikambo izahay ary nanao hiran’ilay Fanjakana. Tena nampahery anay sy nanatanjaka ny finoanay ilay fivoriana.” Tafaverina tany am-piasana izy roa vavy telo andro taorian’izay. Maivamaivana erỳ izy ireo nahafantatra fa tsy tsikaritr’ilay tompon’andraikitra akory hoe tsy teo. Tena nanatanjaka ny finoan’ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika ny fanatrehana ireny fivoriana ireny, ary nanome herim-po azy.

Nivory tao am-ponja ny rahalahy vitsivitsy, indray mandeha. Tamin’izay no tonga tampoka ny mpiambina mba hisava an’ireo bokintsika. Nisy pejy vitsivitsy anefa teny an-tanan’ny rahalahy iray. Noraisiny haingana àry ny kifafa, ary mody namafa izy. Nisava ireo mpiambina fa tsy nahita ka lasa. Ilay izy anefa nahoron’ilay rahalahy tamin’ny tahon’ilay kifafa namafany!

FIFANKATIAVAN’NY TENA KRISTIANINA

Hoy i Adolf Kose: “Niasa dimy taona tany amin’ny fitrandrahana arintany ambanin’ny tany aho. Tany avaratry ny Tendrontany Avaratra no nisy anay, ka tsy nisy hazavan’ny masoandro tamin’ny ririnina. Efa maizina ny andro tamin’izahay nivoaka tetỳ ivelany rehefa vita ny anjara asanay. Am-bolana àry no tsy nahitanay masoandro. Tsy ampy koa ny sakafo nomena anay. Nanjary very tadidy aho, sady tsy dia nahalala ny andro sy ny ora intsony. Valaky ny asa izahay, tsy ampy sakafo, ary reraka mafy ka tsy nahavita niresadresaka afa-tsy minitra vitsy monja. Tsy nahalala vizana mihitsy anefa izahay rehefa niresaka momba ny fahamarinana, na dia nandritra ny ora maromaro aza.”

Nahafoy tena ho an’ny rahalahiny ny mpanompon’i Jehovah, tao anatin’ireny fotoan-tsarotra ireny. Hoy ny Rahalahy Kose: “Nifampizaranay foana izay rehetra nanananay na voarainay, ka natao mitovy ny anjaran’ny tsirairay. Samy sahirana mantsy izahay, ka nianatra ny nifampizara.”—1 Jaona 4:21.

Na ny mpiambina aza nahafantatra fa nifanampy foana ny Vavolombelona. Nafindra toby, ohatra, i Aino Ehtmaa, nefa tsy nanana vilia sy sotro. Zavatra tena nilaina anefa izany.

Hoy ny lehiben’ny toby: “Tsy olana izany fa homen’ny rahavavinao ianao.” Izany tokoa no nitranga. Imbetsaka no nanome voninahitra ny anaran’i Jehovah ny fifankatiavana toy izany.

Notsapaina foana anefa ny finoan’ireo rahalahy. Efa elaela ihany, ohatra, no tao amin’ilay tobin’ny voafonja ny Anabavy Ehtmaa, nefa nanontanian’ny mpiambina foana hoe: “Mbola tsy hiara-miasa aminay ihany izany ianao?” Tian’izy ireo hilaza tsiambaratelo momba ny Vavolombelona mantsy izy.

Hoy foana anefa ny Anabavy Ehtmaa: “Efa gadrainareo aho, ary novonoinareo koa ny ray aman-dreniko. Koa nahoana aho no hiara-miasa aminareo?”

Toy ny hoe ‘voafatotra tao am-ponja’ ireo rahalahy tany an-tsesitany, nefa naneho fitiavana toa an’i Kristy. Nitory ny vaovao tsara foana mantsy izy ireo isaky ny afaka nanao izany. Iza anefa no notoriny? Fanaon’ny Sovietika ny namindra toerana an’ireo avara-pianarana tsy kominista. ‘Nanokatra varavarana nahafahana nitory ny teny’ àry izany. Faly ireo rahalahy fa afaka niresaka tamin’izy ireny. Tsy ho nandre na ho nanaiky ny fahamarinana mihitsy mantsy izy ireny raha tsy tany an-tsesitany.—Kol. 4:2-4.

Hoy ny Rahalahy Kose: “Nafindrafindra toby izahay, ary nitory isaky ny efitra figadrana. Be lavitra noho ny fitoriana vitako taloha sy taorian’izay ny vitako tamin’izay.”

Tsy nitsahatra mihitsy ny fanenjehana ny Vavolombelona. Nalaina ny fananany, nogadraina izy ireo, ary nampietrena tamin’ny fomba isan-karazany. Tsy kivy na nivadika mihitsy anefa izy ireo.

TAFAVERINA TETO ESTONIA

Maty tamin’ny 1953 i Joseph Staline, ka nalahelo mafy ny mpanohana azy. Iray efitra figadrana i Ella Toom sy ny anabavy enina tamin’izay. Tamy avy any ilay mpiambina, sady nitomany no nandidy azy ireo hitsangana hanome voninahitra an’i Staline. Tsy nety anefa ireo anabavy.

Niova ny fitondrana rehefa maty i Staline. Vavolombelon’i Jehovah an-jatony eran-tany no nandefa taratasy tany amin’ny fanjakana sovietika tamin’ny 1956 sy 1957, nangataka ny hanafahana an’ireo rahalahiny natao sesitany. Nahazo famotsoran-keloka tsikelikely ireo tany an-tsesitany. Nafahana ireo nigadra, ary navela hody ireo tany an-tsesitany. Nisy nafahana taoriana kelin’ny nahafatesan’i Staline, fa nisy kosa voatery niandry elaela. Tamin’ny 1951, ohatra, no natao sesitany ry Tuiman mianakavy, nefa tamin’ny 1965 vao navela hody. Voatery nitady trano koa izay afaka niverina teto Estonia, satria efa nalain’ny fanjakana daholo ny fananany.

JERY TODIKA

Nanao ahoana ny Vavolombelona rehefa nampitahorina, nentina tamin-kalozana, nampanaovina asa an-terivozona, ary nijalijaly tany am-ponja? Tsy nivadika ny ankamaroany, na dia norahonana ho faty aza. Vavolombelona estonianina 27, fara fahakeliny, no maty tany am-ponja na tany an-tsesitany, anisan’izany i Artur Indus, izay anisan’ny Komitin’ny Fanompoana teto Estonia. Tsy ela taorian’ny nanafahana azy, dia maty koa i Friedrich Altpere, angamba vokatry ny asa an-terivozona. Mafy ny fitsapam-pinoana nahazo ny mpanompon’i Jehovah tany Siberia. Niana-javatra maro anefa izy ireo, ary tsy nivadika. Natanjaka kokoa ny finoan’izy ireo, ary naneho fiaretana bebe kokoa izy ireo.—Jak. 1:2-4.

Hoy i Viljard Kaarna: “Tany amin’ny tobin’ny voafonja daholo ireo rahalahy tompon’andraikitra, nefa nifandray tamin’izy ireo foana izahay. Nahazo boky foana àry izahay tany Siberia, ka natanjaka ny finoanay. Sarotra kokoa taminay ny nahazo sakafo ara-panahy tsy tapaka, rehefa tafaverina teto Estonia izahay. Azo antoka àry fa tsy ho natanjaka ny finoanay raha nijanona teto izahay.”

Maro tamin’ireo tsy Vavolombelona natao sesitany no lasa feno lonilony. Ny Vavolombelona kosa nahatsapa fa nanatanjaka ny finoany ny nanaovana azy ireo sesitany.

Hoy i Corinna Ennika: “Nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretanay izahay. Tsy nanenina mihitsy izahay natoky an’i Jehovah. Hitanay fa zavatra kely dia efa ampy hahavelona anay. Valizy kely sy vata iray omby tao ambany fandriana no hany fanananay sy Ene zandriko. Mitadidy an’izany izahay izao raha vao mieritreritra hoe mila zavatra hafa. Tany Siberia no fotoana nahafinaritra indrindra tamin’ny fahatanoranay, tamin’izahay 17 ka hatramin’ny 23 taona. Mieritreritra matetika aho hoe ho nanao ahoana re ny finoanay raha tsy natao sesitany izahay e? Amiko dia i Siberia no toerana tsara indrindra ho anay tamin’izay.”

Hoy ny anabavy iray: “Vetivety dia hadinonay ireo dimy taona nipetrahanay tany Siberia. Toy ny hoe nijery filma ora vitsivitsy monja izahay.”

Hoy i Aino Ehtmaa: “Tsy hohadinoiko mihitsy ireo hazavana miovaova loko toy ny hoe mandihindihy, ny zavona mareva-doko miakatra avy eo amin’ny ranomasina na renirano amin’ny andro mamanala, ny masoandro tsy milentika mandritra ny tapa-bolana, ary ilay izy tsy miposaka mandritra ny tapa-bolana koa. Tsaroako ireo frezy mihamatoy mandritra ny vanin-taona mafana, sy ny vorondrano mitady sakafo eny amin’ny rantsana kelin’ny hazo mahiahia. Mafy be ny fiainana tany, nefa toy ny hoe nandehandeha nizaha tany fotsiny aho. Tsapako fa afaka ny ho sambatra foana aho rehefa miaraka amin’i Jehovah, na dia tany Siberia aza.”

MBOLA NENJEHINA FOANA

Tsy nifarana ny fanenjehana, rehefa tafaverina avy tany Siberia ireo rahalahy. Nampiasa fomba mivantana sy tsy mivantana ny polisy miafina, mba hahafantarana ny mombamomba ny fandaminana ka hanendrikendrehana azy.

Nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona i Jüri Schönberg noho izy tsy nety nanao miaramila, ary nalaina am-bavany. Nisy polisin’ny KGB tonga mihitsy avy tany Kiev, any Ukraine, mba handresy lahatra azy hiasa ho an’ny KGB. Niezaka nanaporofo ilay polisy fa manohitra ny fanjakana sady feno diso ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nomeny Tilikambo i Jüri hovakiny. Tsy nety nandray an’ireo gazety anefa izy, satria natahorany sao efa namboamboarin’ny KGB izy ireo. Toy izany mantsy no nataon’ny KGB indraindray mba hampikorontan-tsaina ny Vavolombelona. Herinandro naninjitra ilay polisy no nanery an’i Jüri hiara-miasa tamin’ny KGB, nanomboka ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro. Tsy nivadika anefa izy.

NIFANDRAY TAMIN’I “NENY” INDRAY

Nahazo sakafo ara-panahy ihany ireo rahalahy, na dia nisakana aza ny fanjakana. Boky taloha no naverimberin’izy ireo nianarana, nandritra ny taona maro. Afaka nihaona tamin’ny rahalahy avy any amin’ny firenena hafa anisan’ny Firaisana Sovietika anefa ireo Vavolombelona estonianina natao sesitany tany Siberia. Mbola sahy nifandray tamin’izy ireny izy ireo rehefa tafaverina teto Estonia, ka afaka nahazo sakafo ara-panahy vaovao tsindraindray. Nifandray tamin’i Ivan Dziabko sy ny rahalahy hafa tany Ukraine, ohatra, izy ireo nanomboka tamin’ny 1956, ka nahazo boky. Nahalana anefa ireny fifandraisana ireny, ary tena vitsy ny boky azony. Soa ihany fa nisy fanampiana avy tany ivelany, izay notahin’i Jehovah.

Nahazo toromarika tamin’ny Filan-kevi-pitantanana ny sampan’i Failandy, ka nataony maty paika kokoa ny fanampiana an’i Estonia. Efa mpisava lalana teto teo anelanelan’ny 1930 sy 1940 i Vilho Eloranta, ka izy no voatendry hifandray tamin’ny rahalahy teto. Nifandray tamin’i Fanny Hietala izy, tamin’ny diany voalohany taoriana kelin’ny 1960. Nisy rahalahy failandey maro koa tonga teto taorian’izay. Mody hoe mpizaha tany izy ireo, nefa iraky ny fandaminana. Nifandray tamin’i “Neny”, na ny fandaminan’i Jehovah, àry ny teto, rehefa ela ny ela! Afaka nandefa tatitra sy taratasy izy ireo, ary nahazo boky natao tamin’ny horonan-tsary bitika. Noferana ho indroa na intelo isan-taona anefa ilay dia, mba tsy ho fantatr’olona mihitsy.

Zanaky ny rahalahin-drain’i Adolf Kose i Hugo Kose, izay mipetraka any Etazonia. Voairaka teto efa in-15 izy. Nosavan’ny mpiambina sisin-tany izy indray mandeha, fa tsy nahitany na inona na inona. Nanontanian’izy ireo anefa izy avy eo hoe inona no fivavahany. Tsikariny fa tsy tena nahay teny anglisy izy ireo, ka nolazainy haingana be tamin’ny teny anglisy ilay izy. Tsy sahy nangataka azy hiteny miadana kokoa anefa izy ireo, sao ho fantatra hoe tsy mahay. Raha vao naneno àry ny telefaonina, dia nasain’ireo nandeha haingana izy fa efa hiainga ny sambo. Faly erỳ izy ka nandeha avy hatrany!

Fantatr’ireo iraka fa zava-dehibe ilay asa nanendrena azy, ka tsy nanao kitoatoa mihitsy izy ireo. Mailo foana izy ireo, ka nitandrina mba tsy hatoky tena loatra. Natao tamin’ny teny saro-pantarina ireo tatitra, sao sanatria saron’ny polisy. Fantatr’ireo iraka fa ho tandindomin-doza ny ainy sy ny an’ny namany, raha tsy mitandrina izy. Hitany fa nisy polisin’ny KGB nanaraka azy indraindray. Teo am-piandrasana rahalahy roa izay hanome fonosan’entana azy, ohatra, i Viljard Kaarna, no nahita polisy iray naka sary sy nanaraka azy roa lahy. Azo antoka fa nanangona porofo hamelezana ny Vavolombelona ilay polisy! Mbola tsy nisy very mihitsy anefa ny boky na taratasy na tatitra nentin’ireo iraka.

VOALAMINA KOKOA NY ASA FITORIANA

Ny Komitin’ny Tany tany Ukraine no niandraikitra ny asa fitoriana nanerana ny Firaisana Sovietika. Nisy mpiandraikitra ny vondrom-paritra maromaro koa tamin’izay. Nitombo anefa ny isan’ny mpitory teto Estonia, ka nilana rahalahy hiandraikitra ny asa teto. I Adolf Kose, rahalahy malemy paika izay efa niatrika fitsapam-pinoana maro, àry no voatendry hanao izany tamin’ny 1967. Nisahana ny fifandraisana an-taratasy sy ny tatitr’i Letonia, Litoania, Carélie, Leningrad (Saint-Pétersbourg) ary Mourmansk koa anefa izy tatỳ aoriana. Nandamina ny asa fanontam-pirinty tany amin’ny toerana maro koa izy.

Niasa tontolo andro tao amin’ny toeram-piompiana kisoa tany akaikin’i Tapa anefa izy sy Koidula vadiny. Ahoana àry no nahavitan’ny Rahalahy Kose ny andraikiny rehetra sy ny asany? Namorona milina nanamora ny asany izy. Nanam-potoana kokoa hiantsorohana andraikitra kristianina àry izy.

Nitsidika fiangonana teto Estonia sy tany amin’ireo firenen’ny Firaisana Sovietika teny akaiky i Viljard Kaarna, Lembit Toom ary Silver Silliksaar. Nihamaro ny fiangonana miteny rosianina teto, ka i Alexandr Yevdokimov no nitsidika azy ireny. Nozaraina ny asa fanontam-pirinty tatỳ aoriana, ary ireo rahalahy niteny rosianina ihany no nanonta ny bokiny. Efa tamin’ny teny rosianina ny bokiny natao tamin’ny horonan-tsary bitika, ka azo nosasana avy hatrany. Nandreraka anefa io fomba fanontana io sady nilana rahalahy maro tany amin’ny toerana maromaro. Tsy naharaka intsony àry izy io ka nosoloana, rehefa nihamaro ny fiangonana. Efa nahavita pirinty an-jatony tamin’ny boky 20 mahery anefa ireo rahalahy, na dia tsy ampy fitaovana aza sady nanao izany an-tsokosoko. Raha atambatra, dia maherin’ny dimy tapitrisa pejy ny boky estonianina sy rosianina natao pirinty teo anelanelan’ny 1966 sy 1989, ary natao tanana izany rehetra izany.

NILA NITANDRINA BE

Nisava ny tranon’ny rahalahy iray ny polisy, indray mandeha, mba hitady môtô nangalarina, hono. Avy hatrany anefa izy ireo dia nankeo amin’ny fitoeram-boky, izay toerana tsy ho nanafenana môtô mihitsy! Hay boky voarara no tena nokarohiny! Nangaina anefa izy ireo satria tsy nahita na dia iray aza!

Fa ahoana no nataon’ireo rahalahy? Gazety na fonona boky tsy ara-pivavahana efa tranainy matetika no nataony fonon’ireo bokintsika nataony pirinty. Tsy dia voamarika loatra àry izy ireny, raha sanatria natao savahao tampoka ny tranon’ny Vavolombelona.

Nohararaotin’ireo Vavolombelona hanaovana fivoriana sy fivoriambe ny fotoan-dehibe, toy ny fampakaram-bady. Naharitra roa andro, ohatra, ny fampakaram-badin’i Heimar sy Elvi Tuiman. Nisy aza naharitra telo na efatra andro mihitsy. Nampirisika an’ireo nikasa hanambady ny anti-panahy, mba tsy hanasa olona be loatra. Amin’izay dia tsy hisarika ny maso sy sain’olona loatra izany sady tsy hahitana olana firy.

TONGA IREO RAHALAHY ROSIANINA

Nisy Vavolombelona efa hatry ny ela avy any Ukraine sy Bélarus ary ny faritra hafa anisan’ny Firaisana Sovietika nifindra nanketo Estonia, tamin’ny 1970. Nilamina kokoa ny fiainan’ny ankamaroan’izy ireo teto, fa tsy mba nenjehina mafy toy ny tany amin’ny taniny izy ireo.

Tena nanampy ireo rahalahy toa an’i Nikolai Dubovinski, anti-panahy hatry ny ela avy any Ukraine. Niforona tao Tartu àry ny fiangonana voalohany miteny rosianina, tamin’ny 1972. Nisy mpitory 50 teo ho eo izy io. Maro ny Rosianina liana amin’ny fahamarinana, ka 27 ny fiangonana miteny rosianina teto Estonia tamin’ny 2010, ary 4 ny antoko-mpitory. Maherin’ny antsasaky ny mpitory eto Estonia no anisan’ireny fiangonana sy antoko-mpitory ireny.

FITORIANA TSY ARA-POTOANA

Sahisahy sy be zotom-po ireo rahalahy rosianina, ka tsy nisalasala nitory tsy ara-potoana. Nitory tamin’ireo mpizaha tany tonga nijery an’ireo eglizy eto Tallinn, ohatra, izy ireo. Matetika mantsy no noheverin’ireo vahiny fa mpitondra mpizaha tany izay olona niresaka momba ny Baiboly, ka nihaino tsara an’ireo rahalahy izy ireo.

Nisy anabavy koa nitory tanaty lamasinina. Nividy tapakila nandroso sy niverina izy ireo, ary niainga tany Tartu nanketo Tallinn. Naharitra adiny valo ilay dia, ka nanam-potoana tsara izy ireo hiresahana ny vaovao tsara tamin’ny mpandeha.

Avy any Kazakhstan i Maria Pasechnick no nifindra teto Estonia. Hoy izy: “Nivavaka aho mba hahazo fampianarana Baiboly.” Rehefa avy nieritreritra kely izy, dia nanapa-kevitra ny hitory tamin’ireo niara-nilahatra taminy mba hividy sakafo. Naharitra ora maro rahateo ny filaharana!

Hoy i Maria: “Niresadresaka tamin’ny vehivavy iray niara-nilahatra tamiko aho, indray andro. Naviliko tsikelikely ho amin’ny Baiboly ilay resaka. Tsy tena liana izy nefa nentiny tany amin’ny vehivavy hafa namany aho. Nampifankahalalainy tamin’ireo aho, ary navelany izahay hifampiresaka teo. Afaka nanomboka fampianarana Baiboly efatra àry aho. Lasa Vavolombelona vita batisa ny iray tamin’ireo, ary mbola manompo an’i Jehovah.”

Mpanompon’i Jehovah maro no fakan-tahaka any am-piasany, toy ny any an-tany hafa ihany. Anisan’izany i Leonhard Nilsk, izay niasa tao amin’ny orinasa mpamokatra herinaratra. Nilaza ny tompon’andraikitry ny antokon’ireo mpiasa kominista, fa tsy nilain’ilay orinasa intsony i Leonhard satria mpivavaka. Hoy anefa ny lehiben’ny laboratoara momba ny herinaratra: “Ireo Kominista mpisotro toaka tsy mahavita ny asany indray ve no ilaina, fa tsy ny olona mpivavaka izay mendri-pitokisana?” Niaro an’i Leonhard koa ny mpiara-miasa taminy satria tsara laza izy, ka nifarana hatreo ilay resaka. Hay nila ranondranony tamin’ireo lehiben’ny antoko ilay tompon’andraikitra. Izy indray anefa no very asa rehefa nifarana ny fitondrana kominista teto Estonia!

FITORIANA NANDRITRA NY FANDRARANA

Hoy i Lembit Reile, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Estonia: “Nitory tamin’ny mpiara-mianatra tamiko aho tany am-pianarana, nefa niezaka ny ho malina foana. Nisy ankizilahy iray nasaiko matetika tany an-trano, ary nitory taminy aho. Rehefa vita ny fianarako, dia tsy nihaona intsony izahay nandritra ny 20 taona teo ho eo. Tsy ela izay, dia nanao lahateny teo anivon’ny fiangonana niaviako aho. Iza, hoy ianareo, no anisan’ny nanatrika tao? Ilay mpiara-mianatra tamiko! Nianatra Baiboly izy, ary natao batisa taorian’ny kelin’ilay nanaovako lahateny tany. Faly be mihitsy aho!”

Nila nitandrina ireo rahalahy rehefa nitory, satria voarara ny asa. Nanazava toy izao ny anti-panahy iray: “Tsy maintsy nandinika tsara aloha izahay hoe olona hoatran’ny ahoana no nanodidina anay, ary iza tamin’ireo no azonay nanombohan-dresaka. Tsy maintsy mailo tsara izahay rehefa nifampiresaka tamin’olon-tsy fantatra. Hainay tatỳ aoriana ny nanavaka hoe iza no mpitsikilon’ny KGB. Mahimahina koa izahay rehefa be resaka ny olona iray na niteny mafy loatra. Tsisy natahorana firy kosa raha olona tsy dia be teny loatra no niresahana. Nanombo-dresaka tamin’ireo tsy nanohana ny fitondrana kominista koa izahay matetika. Nolazaina fa mpikomy izy ireny, nefa nalala-tsaina kokoa mazàna.”

FIHAONANA NAMPAHERY TAO AMIN’NY ZARIDAINAM-PANJAKANA

Nitsidika teto i Lloyd Barry, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, sy Viv Mouritz avy amin’ny sampan’i Failandy. Nihaona tamin’i Adolf Kose, izay nandamina ny asa teto, izy ireo tao amin’ny zaridainam-panjakana iray tao Leningrad (Saint-Pétersbourg).

Hoy ny Rahalahy Mouritz momba ilay fihaonana an-tsokosoko: “Tsy dia niresaka firy ny Rahalahy Kose tamin’ny voalohany, sady niafina tao ambadik’ilay gazety izay mody novakiny. Rehefa nandeha teo anefa ny resaka, dia nampidininy ilay gazety ary niresaka tsara izy.”

Hoy ny Rahalahy Barry: “Nasainay handeha hisakafo miaraka aminay izy fa tsy nety. Tsara kokoa, hoy izy, raha ny fandinihana an’ireo zavatra tsy maintsy resahina ihany no iarahanay.”

Nilaza ny Rahalahy Kose fa nampanahy azy ny fandrarana ny asa sy ny fanenjehana mafy an’ireo Vavolombelona tatỳ amin’ny Firaisana Sovietika. Nampahery azy anefa ny Rahalahy Mouritz sy Barry hoe: “Tsy ianareo atỳ ihany no iharam-pitsapana fa izahay any an-tany hafa koa. Toy ny hoe kely kokoa ny fitsapana mahazo anay, nefa mampidi-doza kokoa! Maro mantsy ny fakam-panahy hitanay any Andrefana no tsy hitanareo atỳ, ka betsaka kokoa ny olona any no miala amin’ny fahamarinana.”

Tena nampahery an’ny Rahalahy Kose iny fihaonana iny, sady tamin’ny fotoana nilany azy mihitsy. Tatỳ aoriana vao fantany fa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana ilay rahalahy iray niresaka taminy! Faly àry izy nitantara tamin’izay rehetra tsy nivadika ny fampaherezana avy tamin’ny fandaminan’i Jehovah.

Hoy ny Rahalahy Barry tatỳ aoriana: “Miaritra ny mafy tokoa ireo rahalahintsika any amin’ny Firaisana Sovietika. Tena nahafinaritra ny nihaona tamin’ny Rahalahy Kose. Nifandray tanana sy nifamihina izahay rehefa nisaraka.”

ANKIZY MPIANATRA BE HERIM-PO

Noterena hanohana antoko politika ireo tanora nanompo an’i Jehovah. Nampirisihina hanao zavatra hafa nifanohitra tamin’ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly koa izy ireo.

Nahatsiaro ny zava-nitranga tamin’izy mbola kely i Ester Tamm. Hoy izy: “Nasaina nitsangana ny iray kilasy, indray andro, ary nasaina nankeny aloha mba hanao sonia taratasy fiarahabana an’i Joseph Staline tamin’ny aniverserany.”

Nitsangana i Ester nefa tsy nety nankeny aloha. Nilaza tamim-panajana kosa izy fa tsy hanao sonia an’ilay taratasy. Tezitra be ilay mpampianatra! Tsy nampoiziny anefa hoe nisy ankizy hafa koa sahy nilaza fa tsy hanao sonia an’ilay taratasy, toa an’i Ester. Nilefitra tsy fidiny àry izy.

Noterena hanao fehin-tenda mena koa ireo tanora, ho fanohanana ny Kominisma. Nomena naoty ratsy na sazy hafa izay tsy nety nanao azy io. Tsy nivadika toa an-dry Daniela sy ny namany hebreo telo lahy anefa ireo tanorantsika.—Dan. 1:8.

VANIM-POTOANA VAOVAO

Tsy ny Estonianina rehetra no nanohana ny fitondrana sovietika, satria 7 isan-jato monja no anisan’ny Antoko Kominista. Tsy dia nazoto nanaraka foana ny toromarika avy any Moscou àry ny manam-pahefana, ary nisy mihitsy aza nanampy an’ireo Vavolombelona. Nankany amin’i Lembit Toom, ohatra, ny manam-pahefana iray tamin’ny 1985, ary nilaza taminy hoe: “Fantatro fa lehiben’ny Vavolombelona ianao, ka mba aza atao mifanindry amin’ny andro fety ny fivorianareo.”

Hoy i Lembit: “Eny àry, hilazako ny namanay.” Toa tsy nahafaly ny KGB hoe andro fety ireo Vavolombelona no nanao fivoriana. Toa tsy niafinafina mihitsy koa izy ireo rehefa nivory. Nanao fanitsiana àry izy ireo.

Fiandohan’ny vanim-potoana vaovao ny taona 1986. Nampiharin’ny Firaisana Sovietika mantsy ny perestroïka, na fanavaozana ara-politika sy ara-toe-karena. Nampirisihin’ny Filan-kevi-pitantanana àry ireo rahalahy hanararaotra an’izany, mba handaminana fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Eoropa Atsinanana. Sarotra tamin’ireo rahalahy tatỳ amin’ny Firaisana Sovietika ny nino hoe hahazo fahalalahana ihany izy ireo alohan’ny Hara-magedona. Mbola tsaroan’izy ireo tsara mantsy ny fijaliana niaretany, ary mbola natao savahao foana ny tranony.

NASAINA HANAO FAMELABELARANA

Nihamaro ny olona liana tamin’ny fivavahana sy ny Baiboly. Tian’ny olona ho fantatra ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nisy fikambanana samihafa nanasa an’ireo rahalahy hamelabelatra an’izany.

Nisy zavatra tsy nampoizina anefa, indray mandeha. Nanaiky hanao famelabelarana teo anatrehan’ny olona maromaro i Lembit Reile, ary i Ainar Ojarand no nandamina ilay izy. Tonga àry ilay andro hanaovana ilay famelabelarana. Raha mbola niharatra anefa i Ainar ny marainan’iny, dia nahare tampoka tamin’ny radio hoe: “Hisy famelabelarana mitondra ny lohateny hoe ‘Inona no Ampianarin’ny Baiboly?’, ao amin’ny Foibe Sakala androany.” Io anefa no trano lehibe indrindra fanaovana kaonferansa teto Tallinn, sady fampiasan’ny Antoko Kominista! Taitra be i Ainar ka saika latsaka ilay hareza teny an-tanany! Efa teny amin’ny fakana bisy anefa izy vao afaka nilaza tamin’i Lembit hoe ho maro be ny olona hihaona amin’izy ireo.

Hoy i Lembit: “Feno hipoka ilay trano. Mbola tsy nandaha-teny teo anatrehan’ny olona maro be toy izany mihitsy aho. Mbola tsy nampiasa mikrô mihitsy koa aho, na nandaha-teny teny ambony lampihazo. Nanao vavaka fohy aho, ary nieritreritra an’i Paoly teny amin’ny Areopago sy izay hataoko fampidiran-dresaka. Tsy mpihinan-kena ny ankamaroan’ny mpanatrika, ka nohazavaiko aloha hoe voankazo sy legioma fotsiny no nomen’Andriamanitra ho an’ny olombelona voalohany, fa taorian’ny Safodrano ny olona vao nahazo nihinan-kena.”

Toa nisy vokany tsara ilay fampidiran-dresaka. Maro be ny olona naniry hahazo boky, ka nilahatra mba hanome ny anarany sy ny adiresiny rehefa vita ilay famelabelarana. Maro ireo rahalahy nanao famelabelarana teo anatrehan’ny olona maro be tany amin’ny tranomboky, sekoly, na foibe ara-kolontsaina, tatỳ aoriana. Olona tso-po maro àry no nanaiky ny fahamarinana.

NANDROSO NY ASA

Nahazo fahalalahana bebe kokoa ny mpanompon’i Jehovah tatỳ amin’ny Firaisana Sovietika tamin’ny 1989, ka nisy rahalahy afaka nandeha nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Polonina. Inona no tsapan’izy ireo rehefa afaka nivory malalaka, taorian’ny fampahoriana an-taonany maro?

Hoy i Ella Toom: “Faly be izahay ka nirotsaka ny ranomasonay! Tena nahatsiaro ho tao amin’ny paradisa ara-panahy izahay nandritra iny fivoriambe iny.”

Hoy ny anabavy iray: “Tonga aloha tany Polonina izahay, ka nisy nitondra nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Latsa-dranomaso aho nahita an’ireo mpiara-manompo niditra tao amin’ilay efitrano. Sambany mantsy aho vao niditra an’izany hoe Efitrano Fanjakana izany.”

Tamin’io taona io no nitety ny Firaisana Sovietika i Theodore Jaracz sy Milton Henschel, izay samy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ary Willi Pohl avy amin’ny sampan’i Alemaina. Te hihaona tamin’ireo rahalahy mantsy izy ireo, satria te hampahery azy ireo sy te hahalala ny zava-nitranga. Niovaova ny sehatr’ity tontolo ity, ka nila nohararaotina haingana ny fanavaozana nataon’ny Firaisana Sovietika. Tonga àry ny fotoana handaminana ny asa fitoriana sy hijerena akaiky ny asa fandikan-teny.

Nanomboka nandika boky sy gazety tamin’ny teny estonianina tany amin’ny sampan’i Kanada i Toomas (Tom) Edur, rahalahy estonianina mpilalao hockey taloha, tamin’ny 1983. Natao indrindra ho an’ireo Estonianina tany an-tany hafa izy ireny. Rehefa nihanalalaka anefa ny asa teto Estonia tamin’ny 1990, dia voatendry handika boky tamin’ny teny estonianina, tany amin’ny sampan’i Failandy i Toomas sy Elizabeth vadiny. Nalefa teto Estonia izy mivady taoriana kelin’izay.

Niasa tany amin’ny toerana samy hafa ny mpandika teny talohan’izay. Hita anefa hoe tsara kokoa raha miara-miasa ao amin’ny toerana iray ihany izy ireo. Niara-niasa tao an-tranon’i Lembit Toom tao Tartu àry ny mpandika teny maromaro. Tsy ampy fitaovana anefa izy ireo, satria sarotra be tamin’ireo nipetraka tatỳ amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha ny nahazo ordinatera. Soa ihany fa nisy rahalahy avy eto nitsidika ny sampan’i Etazonia, ka afaka nitondra ordinatera roa rehefa niverina teto. Afaka nanomboka ny asany amin’izay ny sampan-draharahan’ny fandikan-teny! Tsy mora ilay izy, satria vitsy ny mpandika teny nahay nampiasa ordinatera sy nahay an’ilay programan’ny fandaminana natao handrindrana ny fisehon’ny soratra sy sary (MEPS). Nazoto nianatra anefa izy ireo, ka tsy ela dia nahay tsara an’ilay asa.

FIVORIAMBE HAFA TANY IVELANY

Tsy dia nifehy loatra an’i Eoropa Atsinanana intsony ny Sovietika, ka nanana fahalalahana kokoa ny olona. Vavolombelona estonianina 200 teo ho eo àry no nahazo vizà hanatrika an’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Ny Fiteny Madio” tany Helsinki, any Failandy, tamin’ny Jona 1990.

Tehaka nirefodrefotra naharitra antsasak’adiny teo ho eo no nitsenan’ireo rahalahy failandey azy ireo, rehefa tonga tany Failandy ny sambon’izy ireo! Gaga ireo olona tsy Vavolombelona ka naniry hahafantatra hoe iza ireo olo-malaza tonga. Nitsimbadika tokoa ny toe-javatra! Noraisina toy ireny tompon-daka tamin’ny Lalao Olympika ireny ireo rahalahintsika tsotsotra, izay nampahorin’ny manam-pahefana sovietika am-polony taona!

Faly be ireo rahalahy estonianina fa tamin’ny fiteniny ny ampahany tamin’ilay fandaharana sy ny boky vaovao sasany! Hoy ny Vavolombelona iray efa hatry ny ela: “Sambany izahay nahazo bokikely tamin’ny teny estonianina, ka hoatran’ireny firavaka sarobidy ireny ilay izy taminay!”

Vao mainka faly ireo solontena avy teto Estonia, rehefa nilaza ilay mpandahateny farany fa neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hamoahana ny Tilikambo indroa isam-bolana amin’ny teny estonianina. Hiloko izy io, ary hiara-mivoaka amin’ny Tilikambo amin’ny teny anglisy, manomboka amin’ny Janoary 1991! Dibo-kafaliana izy ireo ka nitsangana ary nitehaka naharitra. Rehefa nitsahatra ilay tehaka, dia nisy tamin’izy ireo nanontany hoe: “Ho toy ny teo aloha ihany ve izany ka gazety iray no hitambaran’ny rehetra, sa samy hanana ny azy ny tsirairay?” Ravoravo izy ireo rehefa nilazana fa samy hanana ny gazetiny, ka nirefodrefotra indray ny tehaka.

Avy hatrany dia nanomboka nanao pirinty gazety tamin’ny teny estonianina ny sampan’i Failandy. Nataony pirinty koa ireo laharana efa nivoaka nanomboka tamin’ny 1990. Tsy sakafo ara-panahy ihany anefa no azon’ireo Vavolombelona teto. Nandefa fanampiana ho azy ireo koa ireo rahalahiny tany an-tany hafa. Nifampizarany ireny avy eo. Tena nilaina ireny satria nitotongana ny toe-karena teto.

FIVORIAMBE VOALOHANY TAORIAN’NY FANDRARANA

Nohararaotin’ny fandaminan’i Jehovah haingana ny fahalalahana azontsika, mba handaminana fivoriamben’ny vondrom-paritra nanerana ny Firaisana Sovietika. Faly erỳ ny rahalahy estonianina fa natao teto Tallinn ny voalohany tamin’ireo fivoriambe hoe “Ireo Tia ny Fahafahana [avy Amin’Andriamanitra]”, tamin’ny 13 sy 14 Jolay 1991!

Tena niavaka iny fivoriambe iny tamin’ny Vavolombelona sasany efa zokinjokiny. Efa tamin’ny 1940 mantsy izy ireo no farany nanatrika fivoriambe an-kalalahana teto Estonia. Faly erỳ izy ireo fa afaka nanao fivoriambe toy izany indray, 50 taona mahery tatỳ aoriana!

Tao amin’ny Trano Fanaovana Rindran-kira teto Tallinn no nivory ireo rahalahy miteny rosianina avy eto Estonia sy avy any Letonia, Litoania, Kaliningrad, ary ny faritra avaratrandrefan’ny Firaisana Sovietika. Efa ho arivo koa ireo nanatrika ny fandaharana tamin’ny teny estonianina tao amin’ilay efitrano atao hoe Jäähall teo akaiky teo. Nisy 4 808 ny fitambaran’ny mpanatrika, ary 447 no natao batisa. Fotoam-pifaliana lehibe tokoa tamin’izay!

Nanampy be an’ireo vaovao hahalala ny fahamarinana koa ny fivoriambe toy ireny. Niangona tany amin’ny Advantista, ohatra, i Amalie, reniben’i Leonhard Nilsk, nefa tsy azony antoka hoe marina ny fampianaran’izy ireo. Nampirisihin’i Leonhard àry izy handinika ny Baiboly mba hahalalany ny fahamarinana. Tena nanampy an’i Amalie ilay fivoriambe teto Tallinn, tamin’ny 1991. Rehefa vita ny andro voalohany, dia nilaza izy fa tsy ho any amin’ny fiangonany intsony. Tsy ampy an’i Amalie izay nohazavain’i Leonhard taminy, fa nilainy mihitsy ny nahita hoe nampihatra ny fahamarinana ny vahoakan’i Jehovah. Nanaiky hianatra Baiboly àry izy, ary natao batisa tatỳ aoriana.

TANTERAKA NY NOFINOFY

Sarotra tamin’ny sasany ny nino hoe tena afaka nanompo an’i Jehovah an-kalalahana izy ireo, fa tsy nenjehina sy tsy nampahorina intsony. Nofinofin’ny rahalahy iray efa anti-panahy hatry ny ela, ohatra, ny hahazo an’ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany amin’ny fiteniny. Io no boky voalohany natao pirinty tamin’ny teny estonianina tamin’ny 1991, taorian’ny fandrarana.

Hoy ilay anti-panahy: “Toy ny hoe nanonofy aho nitazona an’ilay boky. Tsy tanako ny ranomasoko rehefa nampiseho azy io tamin’ny fiangonana aho. Tsy nampoizin’izy ireo ilay vaovao ka nangina daholo aloha ny rehetra. Latsa-dranomasom-pifaliana izy ireo avy eo! Tsy hay hadinoina iny fotoana iny! Manganohano ny ranomasoko isaky ny mahatsiaro azy iny aho.”

Imbetsaka ireo rahalahy no “hoatran’ny nanonofy.” (Sal. 126:1-6) Tanteraka tamin’ny ankamaroan’ireo niaritra zava-tsarotra nandritra ny taona maro ny fampanantenana hoe: “Amin’ny fotoana voatondro no hijinjantsika raha tsy reraka isika.”—Gal. 6:9.

VANIM-POTOANA NANAN-TANTARA

Tsy hohadinoin’ireo rahalahy sy anabavy eto Estonia mihitsy ny datin’ny 31 Oktobra 1991. Tamin’io andro io mantsy no nosoratana ara-panjakana ny fiangonana voalohan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto.

Tonga ny fotoana handaminana ny asa fitoriana. Maro be mantsy no liana tamin’ny vaovao tsara, ary nahaliana ny olona ny Baiboly sy ny fivavahana. Maro ny olona nila nampianarina Baiboly, ary tokony halamina ireo fivoriana sy fivoriambe. Nila toeram-piasana lehibe koa ireo mpandika teny satria nitombo ny asany.

Nanomboka tonga ireo misioneran’i Gileada, ka tsy maintsy nitadiavana trano. Nila fanampiana izy ireo, rehefa nikarakara vizà sy fahazoan-dalana honina eto. Tsy maintsy nifampiresaka tamin’ny manam-pahefana koa ireo rahalahy hoe inona no azo atao ho solon’ny raharaha miaramila. Nilaina nokarakaraina koa ny fahazoan-dalana hanorenana Efitrano Fanjakana.

Hoy i Reino Kesk, mpiandraikitra ny faritra tamin’izany: “Tsy hitahita akory dia lasa ireny taona ireny, satria be dia be ny asa tsy maintsy natao. Be dia be koa anefa ny zavatra nahafaly. Tia ny fahamarinana ny olona ka nandroso haingana. Maro no naniry hatao batisa, isaky ny fiangonana. Nisy tamin’ireo olona liana nanatrika fivoriambe no naniry hatao batisa avy hatrany rehefa avy nandre an’ireo lahateny. Tsy nahalala firy momba ny Vavolombelon’i Jehovah akory anefa izy ireny. Mbola nila nampiana àry izy ireny!”

Ny sampan’i Alemaina no niandraikitra ny asa fitoriana teto nandritra ny fitondran’ny Sovietika. Nifandray an-tsokosoko i Alemaina sy Estonia, ka ny sampan’i Failandy no anisan’ny mpanelanelana teo amin’izy ireo. Rehefa nalalaka anefa ny fifandraisana tamin’ny firenen-kafa, dia ny sampan’i Failandy no voatendry hiandraikitra ny asa teto tamin’ny 1992.

NAZOTO SY NAFANA FO BE!

Maro be ny olona nandroso haingana, ka tsy araka intsony hoe iza no nahafeno fepetra hitory. Nitsidika andia-mpitory vao niforona, ohatra, i Tom Edur, indray marainan’ny Fahatsiarovana. Gaga izy fa be dia be no tonga hitory.

Nanontany an’ilay rahalahy teo an-toerana i Tom hoe: “Fantatrao daholo ve ireo olona ireo?”

Namaly ilay rahalahy hoe: “Misy amin’ireo mbola tsy mpitory.”

Natombok’i Tom àry ny fivoriana alohan’ny fanompoana, ary hoy izy: “Mba te hiresaka kely amin’ireo mbola tsy mpitory aho rehefa avy eo.”

Nisy folo teo ho eo ireo nanatona azy avy eo. Nohazavain’izy ireo fa naniry hahafeno fepetra koa izy ireo mba ho afaka hitory avy hatrany. Rehefa noresahin’i Tom tamin’izy ireo ny fepetra takina, dia nisy tovovavy telo nilaza fa mbola tsy niala tamin’ny fiangonany. Nohazavain’i Tom taminy fa nila nanao izany izy ireo, raha te ho tonga Vavolombelon’i Jehovah. Nankany amin’ny fiangonany taloha avy hatrany àry izy telo vavy, ary nangataka ny hamonoana ny anarany. Nandeha namonjy an’ireo mpitory izy ireo avy eo.

Mbola mpifoka sigara kosa ny lehilahy iray tonga nanatrika ilay fivoriana alohan’ny fanompoana. Mbola ho elaela izy vao ho afaka amin’io fahazaran-dratsiny io, ka lasa nody izy aloha. Ny ho tonga mpitory anefa no tanjony.

Mailaka erỳ ireo rahalahy nanararaotra nitory tamin’ny olona maro araka izay azo atao, satria efa tsy voarara intsony ny asa fitoriana. Nafana fo loatra aza ny sasany, ka nila nampiana mba hahay handanjalanja kokoa. Niara-nidinika tamin’ny tovolahy iray naniry hatao batisa, ohatra, i Tom Edur, indray mandeha. Nanontaniany izy io raha efa nisy torohevitra nomen’ny anti-panahy azy.

Namaly ilay tovolahy hoe: “Ie, nanoro hevitra ahy ry zareo hoe mila mahay mitsinjara kokoa ny fotoanako aho.”

“Hay! Fa maninona?”, hoy i Tom.

Nanazava ilay tovolahy hoe: “Satria nitory 150 ora isam-bolana aho, dia lasa tsirambina ny zavatra hafa. Nilaza tamiko ny anti-panahy fa raha ahenako ho 100 ny ora hitoriako, dia hanam-potoana hianarana samirery sy hanomanana fivoriana aho.”

FIVORIAMBE NAHAFINARITRA TANY ROSIA

Fotoana nanan-tantara ho an’ny Vavolombelona teto koa ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Saint-Pétersbourg, any Rosia, tamin’ny Jona 1992. Arivo ny avy teto Estonia no nanatrika azy io. Maro taminy no faly satria tafahaona tamin’ireo niara-nigadra taminy taloha, sy ireo Vavolombelona fantany tamin’izy ireo natao sesitany tany Siberia.

Hoy ny iray tamin’ireo solontena avy eto Estonia: “Nety tsara taminay mihitsy ny fotoana nanaovana an’iny fivoriambe iny! Nanofa lamasinina izahay, ary mora ihany ny hofany tamin’ny vola rosianina [rouble]. Herinandro talohan’ny fivoriambe anefa, dia tsy ny rouble intsony no vola nampiasain’i Estonia, fa ny kroon indray. Raha efa tsy teto Estonia àry izahay tamin’io herinandro io, dia tsy ho afaka nanakalo ny volanay. Voafetra ihany anefa ny vola azonay natakalo, ka mbola nanana rouble izahay. Nanapa-kevitra àry ireo rahalahy fa hoentina any Rosia ilay vola ambiny mba hatao fanomezana an-tsitrapo, satria mbola nampiasa rouble ny tany. Raha nahemotra herinandro indray ilay fivoriambe, dia tsy maintsy ho nandoa vola be izahay vao nahazo vizà hiampitana ny sisin-tany. Nety tsara tamin’ireo rahalahy mihitsy àry ny fotoana nanaovana an’iny fivoriambe iny!”

Nanohina ny fon’ny maro iny fivoriambe nanan-tantara iny. Nisy vehivavy liana iray, ohatra, nikasa hiaraka tamin’ireo Vavolombelona estonianina ho any Rosia. Hoy izy: “Tsy reko tsara angamba ny ora fiaingana, ka tara lamasinina aho. Efa nandoa saran-dalana anefa aho. Nieritreritra aho hoe inona àry no hataoko. Niangavy an’i Jehovah aho mba hanampy ahy, ary nilaza taminy fa hanao izay rehetra azoko atao mba hahatongavana any.

“Nilaza ny mpiasan’ny gara fa nila nividy tapakila vaovao aho, nefa tsy ampy intsony ny volako! Tamin’izay indrindra no nisy olona vitsivitsy tonga. Falifaly sy niakanjo tsara erỳ izy rehetra! Hay Vavolombelona avy any amin’ny nosin’i Sarema ry zareo! Mbola tsy tonga ny lamasinina handehanany, ka afaka niaraka tamin-dry zareo aho. Nahatsiaro ho maivamaivana erỳ aho!

“Nihira ny hiran’ilay Fanjakana izy ireo nandritra ilay dia, ka tena nanohina ny foko ilay izy. Nataon’izy ireo toy ny hoe efa namany mihitsy aho. Niaraka tamin-dry zareo foana aho nandritra ilay fivoriambe, ka hitako hoe tena tsy mihatsaravelatsihy sy be fitiavana izy ireo. Tsy nisalasala intsony aho fa niaiky hoe ny Vavolombelon’i Jehovah no fandaminan’Andriamanitra etỳ an-tany.” Mpisava lalana maharitra izao izy sy ny vadiny.

NORAISINA AN-TANAN-DROA IREO VONON-KANAMPY

Nandroso haingana ny fandaminana, ka nilaina ny rahalahy maro kokoa efa za-draharaha. Iza àry no afaka hanampy? Maro no namaly toa an’i Isaia hoe: “Intỳ aho iraho!”—Isaia 6:8.

Ireto misioneran’i Gileada efatra ireto no voalohany tonga teto tamin’ny 1992: Vesa sy Leena-Maria Edvik ary Esa sy Jaael Nissinen. Voatendry ho eto Estonia koa i Reino sy Lesli Kesk, izay nanao ny asa fitetezam-paritany tany Kanada nandritra ny 17 taona. Nisy mpisava lalana 20 avy any Failandy kosa voatendry ho mpisava lalana manokana hitory amin’ny olona miteny estonianina sy rosianina, teo am-piandohan’ny 1993. Nisy misionera efatra koa tonga.

Mbola nisy misioneran’i Gileada hafa, tatỳ aoriana. Falifaly sy nafana fo erỳ izy ireny! Nisy misionera tsy nanao ny Sekolin’i Gileada koa voatendry ho eto. Efa nametraka fototra mafy orina ireo rahalahy sy anabavy estonianina nandritra ny taona maro. Vao mainka nanamafy izany ireny misionera nafana fo sy mpisava lalana manokana be zotom-po ireny.

Nisy Vavolombelona vahiny 200 teo ho eo koa tonga nanampy tany amin’izay nilana mpitory maro kokoa. Matotra izy ireny ka nanampy ny fiangonana hanana finoana matanjaka. Maro ny fiangonana niforona, ary ireny rahalahy vahiny ireny no hany anti-panahy teo anivon’ny fiangonana sasany, mandra-pandroson’ireo rahalahy teto an-toerana.

Anisan’ny tonga nanampy teto i Lembit Välja. Teraka teto Estonia izy, fa nifindra nankany Aostralia taorian’ny Ady Lehibe II. Tany izy no lasa Vavolombelona. Nanapa-kevitra ny hiverina teto izy tamin’ny 1990 rehefa nadiva hisotro ronono, mba hanampy an’ireo olona liana maro be nangetaheta ny fahamarinana. Tsaroany fa efa nisy fotoana nahatratra 18 ny antokon’olona nampianariny Baiboly. Niisa 80 teo ho eo ny fitambaran’ireo olona nampianariny, ary niely saika efa ho nanerana an’i Estonia izy ireny. Nandeha bisy izy rehefa nitsidika azy ireny, ary matetika no natory teny amin’ny toerana fijanonan’ny bisy, tao anaty kitapo lamba fatoriana. Maherin’ny 50 ireo mpianany natao batisa, ary mbola manana mpianatra efatra izy na dia efa 84 taona aza. Nody ventiny ny rano nantsakainy, satria misy fiangonana mandroso tsara sy Efitrano Fanjakana izao, any amin’ny ankamaroan’ireo tanàna notsidihiny.

Nandray soa koa ireny rahalahy tonga nanampy ireny. Maro no nilaza fa niana-javatra betsaka avy tamin’ny Estonianina sy ny fomba fiainany. Hoy i Reino Kesk: “Manjary malala-tsaina kokoa ianao sady lasa mitovy fomba fijery kokoa amin’i Jehovah, izay mahita ny tany manontolo.”

ASAN’NY MPIANDRAIKITRA NY FARITRA

Tena nanatanjaka ny fiangonana ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra, nandritra ireny fotoana nisian’ny fitomboana haingana ireny. Tena nahafoy tena izy ireo, ka matetika no nandany adiny 15 isan’andro mba hanompoana, hanatrehana sy hitarihana fivoriana, ary hamaliana ny fanontaniana maro be napetrak’ireo rahalahy.

I Estonia, Letonia, Litoania, ary Kaliningrad no faritra voalohany notsidihina, izay nisy fiangonana 46 sy antoko-mpitory 12 nampiasa fiteny efatra. Naka be tamin’ny fotoanan’ireo mpiandraikitra ny faritra koa ny fanoratana ara-panjakana ny fikambanantsika tatsy Letonia sy Litoania. Misy faritra efatra anefa izao eto Estonia fotsiny.

Hoy i Lauri Nordling, mpiandraikitra ny faritra tamin’ny 1995: “Tena nankasitrahan’ireo mpitory ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra. Matetika no feno hipoka ny trano nanaovanay fivoriana alohan’ny fanompoana. Nisy 70 teo ho eo izahay, indray mandeha, tao amin’ny trano kely iray, ka efa nifanitsa-kitro mihitsy. Raha tamin’izay no nisy nanipy paoma, dia tsy ho nisy tany hilatsahany!”

SAROTRA NY MIANATRA FITENY HAFA

Sarotra ho an’ny ankamaroan’ny olona ny mianatra teny vahiny. Tena sarotra koa ny teny estonianina. Niresaka tamin’ny rangahy iray momba an’i Jesosy Kristy, ohatra, i Markku Kettula, misionera vaovao. Te hilaza izy hoe i Jesosy no Rahuvürst na Andrianan’ny Fiadanana. Nilaza anefa izy hoe i Jesosy no rahuvorst na saosisin’ny fiadanana, sady naverimberiny ilay izy. Gaga be ilay rangahy! Rehefa nasehon’i Markku azy ny Isaia 9:6, vao azony fa hay tsy zavatra fihinana no hitondra ny tena fiadanana!

Nianatra teny rosianina ny anabavy iray mpisava lalana nifindra teto Estonia. Nandeha nitory izy, indray andro, ary nandondòna tsy nahy tao amin’ny tranon’ny anti-panahy iray. Tsy fantany hoe anti-panahy izy io, ka nanomboka nitory izy. Niezaka nanazava taminy ilay rahalahy hoe efa anti-panahy izy. Nojeren’ilay anabavy haingana tao amin’ilay diksionera nentiny àry ny dikan’ny hoe “anti-panahy”, ka ilay teny hoe “antitra” no hitany tao.

Nilaza ilay anabavy hoe: “Tsy dia mbola hoe antitra ianao kah! Sady ho afaka ny hihatanora indray ianao ao amin’ny Paradisa.” Rehefa nasehon’ilay rahalahy ireo boky sy gazety tao an-tranony, vao azon’ilay anabavy ny tiany holazaina.

MPITSARA NIANATRA BAIBOLY

Voaheloka higadra roa taona i Viktor Sen nandritra ny fitondran’ny Sovietika, satria tsy nety nanao miaramila. Tiany anefa ny tsy ho voafehifehy loatra. Rehefa nigadra herintaona àry izy, dia nangataka ny hatao sesitany any Siberia. Tezitra be ireo mpitsara nahare ny fangatahany, ka nandevilevy azy. Nisy iray mihitsy aza nilaza fa tokony hahantona na hotifirina ny olona toa azy.

Nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra i Viktor, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Nampifankahalalain’ny rahalahy iray tamin’ny olona liana maromaro izy, sady nanontaniany hoe: “Misy fantatrao ve amin’ireo?”

“Tsisy”, hoy i Viktor.

Nilaza ilay rahalahy hoe: “Izany ve? Tsy fantatrao ve itsy lehilahy itsy?”, sady notondroiny ny lehilahy iray, izay hita hoe menamenatra erỳ!

Mbola tsy tadidin’i Viktor ihany ilay lehilahy. Gaga be izy rehefa nilazana fa ny iray tamin’ireo mpitsara nandre ny fangatahany io lehilahy io, ary Yuri no anarany. Lasa nianatra Baiboly izy io, ka tonga nanatrika an’ilay fivoriambe. Fa inona no nampiova hevitra azy momba ny Vavolombelon’i Jehovah?

Nanazava i Yuri hoe: “Tsisy nino an’Andriamanitra ny fianakaviako. Matetika koa aho no namelabelatra momba ny loza ateraky ny fivavahana, tany am-pianarana. Nisy namako vitsivitsy anefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ aoriana, ka mba nanatrika teo koa aho. Tonga saina aho hoe tsisy na inona na inona fantatro momba ny Baiboly, fa ireo lainga nampianarin’ny fivavahana no mba fantatro. Lasa te hianatra Baiboly àry aho.”

Rehefa vita batisa i Yuri, dia hoy izy tamin’i Viktor: “Samy hafa ny toerantsika tamin’isika tao amin’ilay efitra fitsarana. Fa raha sanatria ho tafaraka any amin’ny fitsarana indray isika any aoriana any, dia hiara-mipetraka! Tsy hanasazy anao intsony aho.” Samy anti-panahy eto Tallinn izao i Yuri sy Viktor.

FAHATSIAROVANA TSY HAY HADINOINA

Nitory tamin’i Pavel sy Margarita ny rahalahy iray vao nifindra teto Estonia. Hoy izy tamin’izy ireo na dia mbola tsy nahay niteny estonianina tsara aza: “Tsy maintsy manatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ianareo rahariva, raha te hiaina mandrakizay.” Te hahalala misimisy kokoa momba izany izy mivady, ka nanapa-kevitra ny hanatrika.

Noraisina tsara izy ireo tany. Somary kaodikaody anefa izy ireo rehefa nahita lehilahy iray nivezivezy teny anelanelan’ireo laharan-tseza. Sady nijery an’ireo mpanatrika mantsy izy io no nanoratra. Tsy fantatr’izy mivady hoe nanisa mpanatrika fotsiny izy. Nieritreritra àry izy mivady hoe sao dia mba tsy tokony ho tonga teo. Natahotra ny handeha koa anefa ry zareo, satria toa nisy lehilahy roa ngezabe niambina teo am-baravarana. Naleon’izy mivady àry nijanona. Tsy fantany anefa fa mpikarakara ny mpanatrika izy roa lahy ireo.

Nilaza ny mpandahateny rehefa namarana an’ilay lahateny, fa afaka mianatra Baiboly maimaim-poana izay te hianatra. Nahaliana azy mivady izany. Tsy dia natahotra loatra intsony koa izy ireo rehefa nampahafantatra ny tenany ireo rahalahy, ka nilaza izy mivady fa te hianatra Baiboly. Naniry ny hianatra isan’andro izy ireo, satria nikasa ny hifindra trano rehefa afaka tapa-bolana. Rehefa nifindra izy ireo, dia niantso an-telefaonina an’ireo rahalahy teny akaikiny mba hitohizan’ny fianarany.

‘HITA NY ASA TSARA ATAONAREO’

Mifankatia ireo Vavolombelona eto Estonia, toy ny mpiray finoana aminy eran-tany ihany. (Jaona 13:35) Mahamarika izany ny hafa, ka voasarika ho amin’ny fivavahana marina.—1 Pet. 2:12.

Nisy anabavy iray nanety ny volon’i Toivo, ary nanome azy an’ilay boky hoe Mitady An’Andriamanitra ny Olombelona. Naniry handeha hivory i Toivo rehefa voavakiny ilay boky. Nisalasala anefa izy satria efa nampitandremana momba ny Vavolombelona. Nitazana fotsiny an’ireo nankao amin’ny Efitrano Fanjakana àry izy aloha, ka nijanona tao anaty fiarany. Tiany ho hita hoe karazan’olona hoatran’ny ahoana no mankao amin’ilay efitrano, ary hoatran’ny ahoana izy ireo rehefa vita ny fivoriana.

Niaiky volana izy nahita an’ireo anabavy nifamihina. Hitany fa tena nifankatia ireo Vavolombelona. Nanomboka nivory sy nianatra Baiboly àry izy. Nandroso haingana izy, ary tsy ela dia lasa mpitory be zotom-po. Vavolombelona vita batisa izy izao.

“NAMALY NY VAVAKA NATAOKO I JEHOVAH!”

Nahazo ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35 i Maria tao amin’ny tanàna kelin’i Tootsi, tamin’ny 1997. Novakiny izy io, ary nanoratra tany amin’ny sampana izy mba handefa olona hampianatra azy Baiboly. Tonga nampianatra azy àry i Markku sy Sirpa Kettula, misionera tao Pärnu. Niresaka ny fahamarinana tamin’ny hafa i Maria, ka tsy ela dia nianatra koa i Ingrid vinantovaviny sy Malle, mpiara-monina tamin’i Ingrid. Naniry ho lasa mpitory i Maria tatỳ aoriana. Nilaza taminy anefa ny anti-panahy hoe tokony hivory tsy tapaka izy aloha. Tany Pärnu, any amin’ny 40 kilaometatra anefa ny fiangonana akaiky azy indrindra, sady tsy nanam-bola hatao saran-dalana izy. Nangataka ny fanampian’i Jehovah àry izy, araka ny fampirisihan’ireo misionera.

Falifaly erỳ i Maria nilaza tamin’ireo misionera taorian’izay hoe: “Namaly ny vavaka nataoko i Jehovah!”

“Tamin’ny fomba ahoana?”, hoy i Markku sy Sirpa.

Nafana fo be i Maria nanazava hoe: “Hamory olona vitsivitsy ato an-trano aho, mba hahafahanareo mandamina fivoriana sy manorina fiangonana eto. Amin’izay aho afaka mivory sy mandeha mitory.”

Tsy te hanakivy azy anefa ireo misionera, fa nanazava fotsiny hoe tsy mora toy izany ny manorina fiangonana vaovao. Nampirisihiny koa izy hanatrika fivoriana any Pärnu, fara faharatsiny isaky ny alahady aloha.

Nataon’i Maria antom-bavaka indray àry ny fikasany handeha hivory. Tsy nanafatra gazety mpiseho isan’andro intsony koa izy fa nangoniny ilay vola. Tsy ela izy dia afaka nandeha nivory inefatra isam-bolana, ary faly be izy fa lasa mpitory. Mbola nahazo fitahiana lehibe kokoa anefa izy.

Nihamaro ny olona liana tao Tootsi, ka nasiana fianarana boky tao. Afaka nanatrika izany i Maria, Ingrid, Malle, ary ny olon-kafa liana. Natao batisa i Maria sy Malle volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ary i Ingrid kosa taorian’izay. Natao batisa koa ny vadin’i Malle taoriana kelin’izay, ary ny rahavavin’i Malle ny ririnina nanaraka. Tena velom-pankasitrahana ny andia-mpitory ao Tootsi, satria lasa nahalala ny fahamarinana ny tanàna keliny noho ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35. Notahin’i Jehovah izy ireo, ka novaliany ny vavaka maro be nataon’izy ireo.

Namokatra be ny asa fitoriana teto nandritra ny 20 taona farany, ary tena nahafaly ny nahita an’ireo olona tso-po nirohotra nankao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Aiza anefa izy rehetra ireo no hivory mba hivavaka amin’ilay tena Andriamanitra sy hampianariny?

NILAINA MAIKA NY EFITRANO FANJAKANA

Tany Räpina, any amin’ny faritra atsimo, no naorina ny toeram-pivoriana voalohany, ary nampiasaina an-taonany maro izy io. Nitombo haingana be anefa ny isan’ny mpitory, ka tsy naharaka ny fanorenana. Nanampy an’ireo rahalahy teto àry ny Birao Momba ny Fitantanana Ara-teknikan’ny sampan’i Failandy, ka nanao ny planin’ireo Efitrano Fanjakana sy birao teto Estonia sy tany Letonia ary Litoania. Nahafinaritra ny nahita ny Efitrano Fanjakana voalohany tany Maardu tamin’ny 1993. Vetivety koa dia nisy maro hafa voaorina.

Misy Efitrano Fanjakana 33 ho an’ny fiangonana 53 izao eto Estonia. Faly ireo rahalahy fa misy Efitrano Fivoriambe koa eto Tallinn sy any Tartu. Samy vita tamin’ny 1998 izy ireo.

Hoy i Alexandra Olesyuk, Vavolombelona efa hatry ny ela: “Efa ela izahay no naniry ny hanorina Efitrano Fanjakana tao Tartu. Izaho àry no voalohany tonga nanampy, rehefa nasaina nanadio an’ilay toerana izahay. Efa 79 taona anefa aho tamin’izay! Nanadio sy nibatabata aho. Latsa-dranomasom-pifaliana aho isaky ny nandalo teo ny bisy nandehanako. Nitomany koa aho rehefa vita ilay efitrano.”

BIRAO VAOVAON’NY FANDIKAN-TENY

Nitombo be ny isan’ny mpitory, ka nila birao lehibe kokoa ny teto Estonia, indrindra fa ny ekipan’ny mpandika teny. Toa azo nampiasaina tsara ny trano iray mbola tsy vita hitan’ireo rahalahy teto Tallinn, teo amin’ny 77 Lalana Herzeni (Puhangu). Nila fanamboarana be anefa ilay izy.

Ny sampan’i Failandy no nanao ny planina, sy namatsy vola sy fitaovana hanamboarana an’ilay izy. Nandefa mpiasa mahay koa izy ireo. Tsy vita ilay tetikasa raha tsy noho ny fanampian’izy ireo. Tsy dia tsara mantsy ny fitaovam-panorenana teto sady tsy nisy mihitsy ny sasany. Vitsy koa ny rahalahy estonianina nahay nanao trano. Nampiofanina tsikelikely anefa izy ireo, ka nihanahazo traikefa. Vita ny ampahany tamin’ilay toerana, tamin’ny Febroary 1994. Tamin’io taona io koa no nisy Komitin’ny Tany (Toomas Edur sy Reino Kesk ary Lembit Reile) notendrena hikarakara an’i Estonia sy Letonia ary Litoania, ary teo ambany fiandraiketan’ny sampan’i Failandy izy io. Nisy fanitarana natao tamin’ny 1997 sy 1999.

Nisy orinasa mpamokatra rano nifanila tamin’ny Betela. Tena tian’izy ireo ny fomba nanaovana ny zaridainan’ny Betela. Koa namboarin’ireo rahalahy ny zaridaina sy ny fefy ary ny jiro tao amin’izy ireo, ary nahenan’izy ireo kosa ny vidin’ny rano naloantsika. Lasa nitovy be tamin’ny Betela àry ilay toerana niasan’izy ireo. Namidiny mora tamin’ireo rahalahy ilay trano tatỳ aoriana. Natao toerana fandraisam-peo izy io mba hanaovana tantara an-tsehatra sy DVD, anisan’izany ny amin’ny tenin’ny tanana. Namboarina koa ny ampahany tamin’izy io, mba hanaovana ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana.

FIVORIAMBE IRAISAM-PIRENENA TETO TALLINN

Faly be ireo rahalahy sy anabavy estonianina nahare fa hatao eto Estonia ireo Fivoriambe Iraisam-pirenena “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra”, tamin’ny Aogositra 1996. Nisy fivoriambe roa nalamina teto Tallinn ho an’ireo rahalahy miteny estonianina sy rosianina, sy ho an’ireo avy any Letonia sy Litoania. Nisy solontena nasaina koa avy tamin’ny firenena 15. Naharitra telo andro avy ireo fivoriambe ireo. Tena nampahery ny lahatenin’ireo rahalahy dimy avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana, dia ny Rahalahy Barber, Henschel, Jaracz, Schroeder, ary Sydlik. Nisy 11 311 ny mpanatrika, ary 501 no natao batisa.

Nalaza be ireo fivoriambe, sady fitoriana vita ho azy. Nisy resadresaka folo minitra momba an’ireo fivoriambe, tamin’ny tele. Nisy fandaharana tamin’ny radio koa nilaza fa tena “olona mahafinaritra” ireo Vavolombelona.

Tena nifankatia tokoa ireo rahalahy. Hita izany isaky ny nifarana ny fivoriambe, ka nifanao veloma izy ireo. Nanofahofa tanana sy mosara ary latsa-dranomasom-pifaliana mantsy izy ireo. Tena nankasitrahan’ny mpanatrika koa ny fahalalahan-tanan’i Jehovah Raintsika sy ny fitiavany, ka mbola nitehaka naharitra izy ireo taorian’ny vavaka famaranana. Fotoana nanan-tantara tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Estonia ireo fivoriambe ireo!

LASA BIRAON’NY SAMPANA INDRAY

Nisy birao niandraikitra ny asa tamin’ny 1926 ka hatramin’ny 1940, teto Tallinn. Nisy Komitin’ny Tany kosa nanomboka tamin’ny 1994, ary teo ambany fiandraiketan’ny sampan’i Failandy izy io. Be ny zava-bita, ka maro no nanontany tena raha hisy sampana indray teto. Nivaly ilay fanontaniana tamin’ny 1 Martsa 1999. Notendren’ny Filan-kevi-pitantanana ho anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Estonia i Toomas Edur, Reino Kesk (manompo any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo ankehitriny), Lembit Reile, ary Tommi Kauko. Misy 50 eo ho eo izao no miasa eto amin’ny sampana, sy mikarakara izay ilain’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika 4 300 eto Estonia.

TSY MATAHOTRA NY HOAVY

Hanao ahoana ny hoavin’ny vahoakan’i Jehovah eto Estonia? Mitarika sy manatanjaka ny mpanompony tsy mivadika foana i Jehovah. Tena tsapan’ireo rahalahy sy anabavy nenjehina nandritra ny fitondran’ny Nazia sy ny Sovietika, fa niavaka sy tsy hay hadinoina ny fomba nanatanjahan’i Jehovah azy ireo. Miara-paly amin’ireo rahalahiny eran-tany izy ireo fa nampahafantarina ny anarana lehiben’i Jehovah. Nohamasinina koa izy io hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ireo repoblika anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha!—Mal. 1:11.

Mbola maro koa ny Estonianina tso-po sy manetry tena te hahafantatra an’ilay tena Andriamanitra. Malalaka tsara izao ny asa, ka afaka mitory bebe kokoa ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah ny Vavolombelona eto.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 97 Hazavaina ao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2002, pejy 157, ny sazy sy ny fiainana tany amin’ireo fonja sy toby.

[Teny notsongaina, pejy 172]

“Nahazo izay tena nilaiko foana aho”

[Teny notsongaina, pejy 204]

“Faly erỳ aho natokan-toerana”

[Efajoro, pejy 168]

Indray Mitopy Maso An’i Estonia

Ilay Tany

Tsy dia be mponina i Estonia, ka tena mbola tsara tarehy. Misy ala mikitroka ahitana hazo mijoalajoala eto, ary koa farihy maherin’ny 1 400, renirano 7 000 eo ho eo, ary heniheny tsy azo onenana. Nosy 1 500 mahery ny ampahafolon’i Estonia. Saika lemaka avokoa ilay tany, ary tsy mihoatra ny 50 metatra ambonin’ny ranomasina. Be havoana tsara tarehy ny faritra atsimoatsinanana.

Mponina

Estonianina ny 68 isan-jato, Rosianina ny 26 isan-jato, ary avy any Ukraine sy Bélarus ary Failandy ny ambiny. Misy Loteranina, Ortodoksa, Silamo, Jiosy, ary milaza azy ho Kristianina. Be dia be koa anefa no manaraka fivavahana hafa, na tsy mpivavaka mihitsy.

Fiteny

Ny Estonianina no fiteny ofisialy, izay iray sokajy amin’ny teny failandey sy hongroà. Maherin’ny ampahefatry ny mponina eto no miteny rosianina.

Sakafo

Be mpitia ny leib (mofo mainty) sy ny ovy, ny voatavo nalona, ny betiravy atao salady, ary ny laisoa nalona. Anisan’ny sakafo mampahalaza ny Estonianina koa ny sült (henan-janak’omby atao malemy tsara sy maditidity), rosolje (trondron-dranomasina ampiny sy betiravy), lasopy holatra, henan-kisoa, trondro, ary hena nasaly. Mofo tampon-tsatroka sy kringel (mofo randrana norarahana voaloboka maina sy voanjo) no anisan’ny tsindrin-tsakafo.

Toetany

Mangatsiatsiaka rehefa vanin-taona mafana, nefa tsy mamirifiry rehefa ririnina. Adiny 19 mahery ny andro lava indrindra rehefa vanin-taona mafana. Adiny 6 monja kosa ny andro fohy indrindra rehefa ririnina. Tsy mafana be ny morontsiraka atsimoandrefana rehefa vanin-taona mafana. Mangatsiaka be kosa any rehefa ririnina, satria mety hahatratra 20 degre ambanin’ny zero ny mari-pana.

[Efajoro/Sary, pejy 183, 184]

“Toy ny Mpianakavy Izahay”

ADOLF KOSE

TERAKA 1920

BATISA 1944

MATY 2004

TANTARANY Nigadra tany Siberia (1951-1956). Nandamina ny asa fitoriana teto Estonia, sy tany Letonia sy Litoania ary ny faritra avaratrandrefan’ny Firaisana Sovietika.

◼ HOY i Adolf: “Nosamborina aho tamin’ny 1950, ary nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona tany Inta, any Siberia. Natao sesitany tany amin’ny faritra hafa tany Siberia koa ny vadiko sy ireo zanako vavikely roa, ka tsy nahare vaovao momba azy ireo aho nandritra ny herintaona sy tapany.

“Tena niray saina toy ny mpianakavy izahay mpiara-manompo. Nifampizaranay daholo na sakafo ara-nofo na sakafo ara-panahy.

“Niatrika olana maro izahay rehefa tafaverina teto Estonia. Anisan’izany ny hoe ahoana no ifandraisana amin’i ‘Neny’ na ny fandaminana? Ahoana no hampiray saina foana anay? Ahoana no hanohizana ny asa fitoriana?

“Nianatra teny failandey aho, mba hahafahako hifampiresaka bebe kokoa amin’ireo iraka. Tsy mora anefa ilay izy, satria tsy nisy boky momba ny fitsipi-pitenenana na diksionera azo novidina.

“Voararan’ny lalàna ny fananana milina fanoratana tsy voasoratra ara-panjakana, mainka moa fa milina fanontam-pirinty. Nety ho nigadra fito taona izay tratra nanao pirinty boky voararan’ny lalàna. Na ny fitaovana nilaina tamin’ny fanontam-pirinty koa aza tsisy. Izay fitaovana teo am-pelatanana ihany àry no nanaovako andrana, ka nahitako fomba nanaovana pirinty. Nahavita milina fanontam-pirinty (sary eo ambany) aho aloha. Avy eo dia nadikako tamin’ny milina fanoratana ny lahatsoratra, ka lamba nasianay savoka no solona taratasy. Nanjary nisy loaka kely maromaro àry ilay lamba. Molaly sy godorao nafangaro no ranomainty nampiasainay, tamin’izahay nanao pirinty voalohany. Nararakay teo ambonin’ilay lamba avy eo ilay ranomainty ka nitsika teo amin’ireo loaka, ary namela soratra teo amin’ilay taratasy tao ambaniny. Sarotra ilay asa sady nandany fotoana. Tsy nahasalama koa ilay izy, noho ny setroka navoakan’ilay ranomainty sy ireo zavatra simika hafa. Tsy nisy rivotra madio tafiditra mihitsy anefa tao amin’ireo efitra, satria notakonana ny varavarankely sao hitan’olona izahay.”

Nanaraka ny toromariky ny fandaminana foana anefa i Adolf, ary natoky fa handamina an’ireo olana amin’ny fotoana mety i Jehovah. Tsy niova mihitsy ny toe-tsainy sady tsy nihena ny finoany, mandra-pahafatiny tamin’ny 2004.

[Efajoro/Sary, pejy 186]

Taratasy ho An’i Staline

Sahy nandefa taratasy ho an’ny manam-pahefana tany Moscou ireo mpiandraikitra teto Estonia, tamin’ny Jona 1949. Ny iray ho an’i Joseph Staline, ary ny iray ho an’i Nikolaï Chvernik, Lehiben’ny Komity Mpanatanteraka Sovietika.

Notakin’ireo rahalahy ny hanafahana avy hatrany an’ireo Vavolombelona nosamborina, sy ny hampitsaharana ny fanenjehana azy ireo. Nampitandrina mafy an’ireo mpitondra koa ireo rahalahy ka nampitaha azy ireo tamin’i Farao mpanjakan’i Ejipta, izay tsy nety namela ny Israelita hanompo an’i Jehovah. (Eks. 5:1-4) Nanoratra toy izao izy ireo: “Tsy tokony hosakanana ny fandaminan’i Jehovah Andriamanitra, fa havela hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah amin’ny mponina rehetra eto amin’ny Firaisana Sovietika ... Raha tsy izany, dia horinganin’i Jehovah ny Firaisana Sovietika sy ny Antoko Kominista.”

Hoy i Adolf Kose: “Fantatray hoe feno fahasahiana ilay fitakiana. Mba tsy hahatratrarana anay, dia tsy tao Tallinn izahay no nandefa an’ilay izy. Naleonay nankany Leningrad (Saint-Pétersbourg), ary tany ilay izy no nalefanay.”

Asa raha novakin’i Staline ilay taratasy na tsia. Ny azo antoka dia hoe fantatr’ireo mpitondra izy io. Nisy dika mitovy tamin’izy io mantsy naseho an’ireo rahalahy nalaina am-bavany, ary nisy soratra teo amin’ilay izy hoe: “Foany io fikambanana io!” Tsy ela dia nihamaro ny rahalahy voasambotra ary nihanahery vaika ny fanenjehana. Hita tao amin’ny arisivam-pirenena ilay taratasy nalefa ho an’i Chvernik, ary nisy tombo-kasem-panjakana izy io.

[Efajoro/Sary, pejy 189]

Ny KGB sy ny Fandaminantsika

Niezaka mafy hahafantatra ny fomba fandaminana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny polisy miafina (KGB), taloha kelin’ny 1950. Mody liana tamin’ny fahamarinana àry ny olona sasany niara-niasa tamin’izy ireo. Araka ity tabilao tao amin’ny arisivam-panjakan’i Tallinn ity, dia betsaka ihany ny zavatra fantatry ny KGB. Hita eo, ohatra, ny anaran’ireo rahalahy anisan’ny Komitin’ny Fanompoana, ny an’ireo niandraikitra ny asa tany amin’ireo tanàn-dehibe teto Estonia, ary ny an’ireo nanao pirinty.

[Efajoro/Sary, pejy 191]

Tsy Nahavita Nampangina Azy ny Mpanohitra

ELLA TOOM

TERAKA 1926

BATISA 1946

TANTARANY Voaheloka higadra 13 taona, fa nafahana rehefa afaka dimy taona sy tapany.

◼ HOY i Ella: “Noteren’ireo manam-pahefana handa ny finoako aho, ka natokan-toerana telo andro. Amin’izay, hono, aho tsy hiresaka intsony momba ny fanjakan’Andriamanitra sy tsy hino azy io koa. Nivazavaza ireo manam-pahefana hoe: ‘Ataonay izay tsy handrenesana intsony ny anarana hoe Jehovah, eto Estonia! Halefa any amin’ny toby fiasana an-terivozona ianao, ary ny sasany any Siberia!’ Sady naneso koa izy no niteny hoe: ‘Aiza izay Jehovah-nareo eo?’ Tsy te ho mpamadika anefa aho. Aleoko migadra nefa akaiky an’Andriamanitra, toy izay alefa mody nefa lavitra azy. Tsy nihevi-tena ho nigadra mihitsy aho tao amin’ilay toby. Fantatro mantsy fa navelan’i Jehovah hoentina tao aho, mba hitory ao amin’io faritany vaovao io.

“Nisy olona iray liana tao amin’ny toby, ary fahazaranay ny niara-nandehandeha isan’andro. Nanapa-kevitra ny tsy handehandeha anefa izahay, indray andro. Reko tatỳ aoriana fa nisy mpivavaka nafana fo tafahoatra nitetika ny handentika ahy tao anaty renirano ny androtr’iny, satria nitory foana aho.” Tsy nahavita nampangina an’i Ella ny mpanohitra, ary mbola mpisava lalana maharitra izy hatramin’izao. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 351 Ao amin’ny Mifohaza! Aprily 2006, pejy 20-24, ny tantaram-piainan’i Ella Toom.

[Efajoro/Sary, pejy 193, 194]

“Jehovah ô, Hatao Anie ny Sitraponao!”

LEMBIT TOOM

TERAKA 1924

BATISA 1944

TANTARANY Teto nandritra ny fitondran’ny Alemà, ary nalefa niasa an-terivozona tany Siberia (1951-1956).

◼ ANISAN’IREO Vavolombelona tanora maro be tsy nanaiky hanao miaramila i Lembit rehefa nantsoin’ny tafika alemà, ka tsy maintsy niafina. Nanao bemidina tao amin’ilay trano nipetrahany ny polisy, indray alina. Nahazo fitarainana mantsy ry zareo hoe nisy olona nampiahiahy niafina tao. Nafenin’i Lembit haingana àry ny fandrianany, ary nitafy tapaka izy nandady tao ambany gorodona. Reny ningodongodona teo ambony lohany ireo polisy.

Nambanan’ny polisy tamin’ny basy ny lohan’ilay tompon-trano, sady hoy izy: “Misy olona miafina ato. Ahoana no hidirana ao ambany gorodona?” Tsy namaly ilay tompon-trano.

Nivazavaza ilay polisy hoe: “Raha tsy mivoaka tao ilay olona, dia hanipazako grenady ao ambany ao!”

Tazan’i Lembit avy eo fa notsilovin’izy ireo ny tao ambany gorodona mba hahitana azy. Ny hany azony natao dia nivavaka hoe: “Jehovah ô, hatao anie ny sitraponao!”

Hoy i Lembit: “Nila tsy ho zakako ny adin-tsaiko! Nandady niala teo amin’ilay toerako aho, ary efa saika hivoaka avy tao ambany gorodona.”

Nitsotra moramora izy avy eo. Lasa ihany ny polisy rehefa afaka minitra vitsivitsy nampitebiteby. Mbola niandry adiny iray teo ho eo anefa i Lembit, sao niverina izy ireo. Niala tao amin’ilay trano izy raha mbola nangiran-dratsy, ary lasa nitady fiafenana hafa.

Niatrika fitsapana hafa i Lembit, rehefa ny Sovietika indray no nitondra. Hoy izy: “Voaheloka hanefa sazy folo taona tany Noril’sk, any Siberia, aho. Tany amin’ny 8 000 kilaometatra eo hoe eo io toby io, izay nisy fitrandrahana nikela. Tsizarizary ny fiainana, ary nandreraka sy mafy be ilay asa. Mamirifiry ny ririnina any amin’iny faritra avaratry ny Firaisana Sovietika iny. Any amin’ny Faribolan-tendrontany Avaratra mantsy izy iny. Mety hahatratra 30 degre ambanin’ny zero ny mari-pana, ary indraindray aza mangatsiaka kokoa. Tsy miposaka roa volana koa ny masoandro.”

Nafahana i Lembit rehefa avy nanao asa an-terivozona dimy taona, ary nivady izy sy Ella Kikas tamin’ny 1957. Anisan’ireo nandika sy nanao pirinty boky izy, nandritra ny taona maro. Anti-panahy be fitiavana sy mahay nangoraka izy, ary mahita foana andinin-teny hampaherezana ny mpiara-manompo. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 367 Ao amin’ny Mifohaza! 8 Martsa 1999, pejy 10-16, ny tantaram-piainan’i Lembit Toom.

[Sary]

Lembit sy Ella Toom

[Efajoro/Sary, pejy 199]

“Izy no Reninao”

KARIN REILE

TERAKA 1950

BATISA 1965

TANTARANY Teraka tany am-ponja, ka nomena an-drenibeny mba hotezainy.

◼ HOY i Karin: “Teraka tany am-ponja aho, satria gadra politika i Neny tamin’izay. Osaosa aho tamin’ny mbola kely, ary voan’ny pnemonia satria nangatsiaka be tao am-ponja. Soa ihany fa tsy maty aho noho ny fanampian’i Laine Prööm, voafonja iray nianatra ny fahamarinana tatỳ aoriana.

“Nalefa tany amin’ireo trano fitaizana zaza kamboty nanerana ny Firaisana Sovietika ny ankamaroan’ny zanaky ny voafonja, mba tsy hahatsiarovan’izy ireo intsony ny ray aman-dreniny. Soa ihany fa i Bebe no nasaina nitaiza ahy. Nalefa nigadra tany Mordovie i Neny, ary tany no nahalalany an’i Ella Toom, rahavavy be herim-po. Nanaiky ny fahamarinana izy, ary natao batisa tany.

“I Bebe no nitaiza ahy nandritra ny dimy taona. Indray andro, dia nisy vehivavy tsy fantatro tonga tsy nampoizina. ‘Izy no reninao’, hoy i Bebe. Nampikorontan-tsaina ahy iny fihaonana iny, ary afaka taona vitsivitsy mihitsy aho vao nilamin-tsaina indray.” Nanaiky ny fahamarinana koa i Karin sy ny renibeny tatỳ aoriana.

Nianatra teny anglisy i Karin, ka nanampy tamin’ny fandikana ny bokintsika. Nanambady an’i Lembit Reile izy, ary manompo eto amin’ny sampan’i Estonia izao izy mivady.

[Efajoro/Sary, pejy 201]

Ao Amin’ny Baiboly Estonianina ny Anaran’Andriamanitra

Tamin’ny 1686 dia efa voadika tamin’ny fitenim-paritry ny faritra atsimon’i Estonia ny Soratra Grika, ary tamin’ny 1715 ny tamin’ny fitenim-paritry ny faritra avaratra. Tamin’ny 1739 kosa no natonta ny Baiboly manontolo Piibli Ramat, ary afaka nahazo azy io ny rehetra. Niavaka izy io satria nampiasa foana ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ao amin’ny Soratra Hebreo, ary mbola nampiasa azy io nandritra ny taonjato maro. Hita in-6 867 ao amin’ny Soratra Hebreo ny anaran’Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly estonianina nivoaka tamin’ny 1988. Maro àry ny Estonianina mahalala fa i Jehovah no anaran’Andriamanitra.

Daty nanan-tantara ny 3 Jolay 2009, rehefa nanao fivoriamben’ny vondrom-paritra tao Tartu, eto Estonia, ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’io andro io i Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanambara ny fivoahan’ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny teny estonianina.

[Efajoro/Sary, pejy 202]

Boky Natao Tanana

HELMI LEEK

TERAKA 1908

BATISA 1945

MATY 1998

TANTARANY Nogadraina sy nalefa tany Siberia.

◼ NOSAMBORINA i Helmi, ary nalefa tany Siberia. Nanamboatra poketra kely fasiany kahie io anabavy io. Nataony peta-kofehy teo amin’ilay poketra ny andininy mampahery ao amin’ny Romanina 8:35 hoe: “Inona no hampisaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana ve, sa fijaliana, sa fanenjehana, sa hanoanana, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?”

Nahita taratasy volontsôkôlà i Helmi, ka natambatambany ho boky izany. Nasiany hevitra ara-baiboly mampahery tao anatiny. Nisy rahalahy maro nandika tanana boky iray manontolo, satria vitsy ny boky tamin’izany.

Hoy i Helmi tamin’ireo manam-pahefana, rehefa tafaverina avy tany Siberia izy: “Misaotra anareo nandefa ahy nijery an’ireo tendrombohitra tsara tarehy any Siberia. Tsy ho nanam-bola handehanana any lavitra any mihitsy aho!”

[Efajoro/Sary, pejy 209, 210]

Anabavy Be Fandavan-tena

FANNY HIETALA

TERAKA 1900

BATISA 1925

MATY 1995

TANTARANY Nifindra teto Estonia (1930), mpisava lalana, ary nanangana zaza kamboty.

◼ NATAO batisa tany Failandy i Fanny tamin’ny 1925, ary lasa mpanompo manontolo andro, roa taona taorian’izay. Nihaona tamin’i William Dey, mpiandraikitra ny Biraon’i Eoropa Avaratra, izy tamin’ny fivoriambe iray tany Helsinki. Tsy nitovy ny fitenin’izy mianadahy, nefa namerimberina foana ny Rahalahy Dey hoe “Estonia.” Nanatsoaka hevitra i Fanny fa nandrisika azy hifindra tany amin’ny toerana nilana mpitory bebe kokoa izy. Nanketo Estonia àry i Fanny sy ny mpisava lalana vitsivitsy tamin’ny 1930. Nandeha bisikileta nitety faritany maromaro izy, mba hitory ny vaovao tsara. Tonga hatrany amin’ny nosy Sarema mihitsy aza izy.

Tsy nanambady mihitsy i Fanny. Nanangana zazavavy kamboty atao hoe Ester kosa izy. Valo taona i Ester tamin’ny fotoana nahafatesan’ny reniny sy ny rainy Vavolombelona. Nokarakarain’i Fanny tsara izy, ka nanaiky ny fahamarinana rehefa lehibe.

Azon’i Fanny natao ny niverina tany Failandy, rehefa nanenjika an’ireo rahalahy ny Kominista. Be fandavan-tena anefa izy, ka naleony nijanona niaraka tamin’ireo mpitory vitsivitsy teto. Tojo olana maro sy sahirana ara-bola izy vokatr’izany. Tsy natao sesitany tany Siberia anefa izy, satria teratany failandey.

Iraka mpitondra horonan-tsary bitika sy taratasy avy tany Failandy nanketo Estonia i Fanny, teo anelanelan’ny 1950 sy 1960. Be herim-po sy malina izy, ary tsy tratra mihitsy na dia nisy toe-javatra nampitebiteby be aza. Nankany Leningrad (Saint-Pétersbourg) izy, ohatra, indray mandeha mba handray horonan-tsary bitika avy tamin’ny rahalahy failandey iray, tao amin’ny zaridainam-panjakana. Tokony homeny haingana an’ireo rahalahy estonianina ilay izy. Voamarik’ireo rahalahy roa ireo anefa fa narahin’ny polisy miafina izy ireo, ka saika hivily lalana izy mirahalahy. Efa nanitsy teny amin’izy ireo anefa i Fanny sy ilay rahalahy failandey. Ho saron’ny polisy izy ireo, raha toa ka miarahaba azy ireo i Fanny na manome azy ireo an’ilay entana. Nolalovan’i Fanny fotsiny anefa izy ireo, toy ny hoe tsy fantany akory. Hay tsy hitan’i Fanny izy mirahalahy, na dia fantany tsara aza! Tsy tratran’ny polisy àry izy ireo, ary azon’izy mirahalahy soa aman-tsara ihany ilay entana tatỳ aoriana. Nahazo sakafo ara-panahy tsy tapaka ny teto, noho ny fanampian’i Fanny. Soa ihany koa fa tsy nisy azon’ny polisy ireo horonan-tsary bitika nampitondraina azy.

Tsy nivadika tamin’i Jehovah nandritra ny 70 taona io anabavy be fitiavana io, mandra-pahafatiny tamin’izy 95 taona, teto Estonia.

[Sary]

Namita iraka tany Leningrad, 1966

[Efajoro/Sary, pejy 213]

Nendrikendrehina

Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Sambatra ianareo raha tevatevain’ny olona sy enjehiny ary amoronany lainga ka lazainy fa nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny amiko.” (Mat. 5:11) Matetika tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah no endrikendrehina. Nampangaina ho mpitsikilo sy ho antoko politika mitady hanongam-panjakana, ohatra, izy ireo. Nisy gazety mihitsy aza sahy nilaza tamin’ny 1960 tany ho any, fa ny fitondrana amerikanina no niandraikitra ny asan’izy ireo ary nohararaotin’ireo mpangoron-karena amerikanina ny Vavolombelona.

Tsy nanaiky hanao miaramila i Silver Silliksaar tamin’ny 1964, ka nampangaina ho mpamadika tanindrazana ary nogadraina. Natao filma fohy ny fitsarana azy. Nampiana fampielezan-kevitra kominista ilay izy, ary nalefa eran’i Estonia. Nogadraina roa na telo taona ny ankamaroan’ireo rahalahy tsy nety nanao miaramila. Indroa nigadra avy i Jüri Schönberg sy Taavi Kuusk ary Artur Mikit. Nigadra dimy taona sy tapany ny Rahalahy Mikit, raha atambatra.

[Sary]

Fitsarana an’i Silver Silliksaar

[Efajoro, pejy 226]

Sekolin’ny Fanompoana Natao Tamim-piafenana

Tsy fantatr’ireo rahalahy mihitsy hoe mandra-pahoviana izy no afaka hanana ny bokiny na ny Baiboliny. Nafenin’izy ireo tany amin’ny toerana maro samihafa àry izy ireny. Niezaka nitadidy andininy maro araka izay azony natao koa izy ireo.

Niara-nandinika andinin-teny maro sy nanao tsianjery an’ireny izy ireo, rehefa niara-nikorana. Nisy koa nampiasa taratasy kely ka nasiany toko sy andininy tao ambadika, toy ny Matio 24:14, na koa fanontaniana na anarana ao amin’ny Baiboly. Izay voalazan’ilay andininy na ny valin’ilay fanontaniana kosa no tao ambadika.

Izay boky na bokikely teo am-pelatanana no nampiasaina tamin’ny fivoriana. Natao isan-kerinandro, ohatra, ny Sekolin’ny Fanompoana, ary nisy entimody sy fanadinana am-bava ary fitsapam-pahaizana mihitsy aza. Nisy famerenana koa isaky ny telo volana, ary nisy fanadinana farany.

Hoy ny rahalahy iray: “Anisan’ny entimody isan-kerinandro ny manao tsianjery andininy dimy. Iny no hanadinana anay amin’ny manaraka. Tsaroako ilay fanadinana farany tamin’ny 1988. Nisy soratra toy izao fotsiny ny taratasy kely iray: ‘Manonòna andininy 100 tsy an-kijery.’ Nahagaga anefa fa te hahazo an’izy io daholo ny rehetra. Tena nanampy anay tamin’ny fitoriana ireny entimody ireny, satria tsy afaka nampiasa Baiboly firy izahay.” Faly ireo fiangonana teto Estonia tamin’ny 1990, fa nitovy tamin’ny an’ireo rahalahiny eran-tany ny fomba fanaovany Sekolin’ny Fanompoana, rehefa ela ny ela!

[Efajoro/Sary, pejy 236, 237]

“Nahafinaritra ny Fitoriana”

Mitantara toy izao ny misionera sasany momba ny fitoriana teto Estonia:

Markku sy Sirpa Kettula: “Mbola tsy niasana firy ilay faritany nanendrena anay. Nahafinaritra ny fitoriana satria tena liana amin’ny Baiboly ny olona. Nisy 30 teo ho eo ny mpitory tany Pärnu, tamin’izahay vao tonga tany. Misy fiangonana telo anefa any izao.”

Vesa sy Leena-Maria Edvik: “Tsy nisy entana firy tany amin’ny mpivarotra. Tsy nandeha niantsena àry ny olona, ka nanam-potoana niresahana momba ny Baiboly. Rehefa nitory teny an-dalana izahay, dia matetika ny olona no nilahatra mba hahazo boky sy gazety!”

Esa sy Jaael Nissinen: “Miana-javatra betsaka avy amin’ny hafa izahay. Faly izahay mifankahalala amin’ny mpitory maro tsy nivadika tao anatin’ny fitsapana faran’izay mafy.”

Anne sy Ilkka Leinonen: “Nahita olona mbola tsy nandre an’ilay hafatra mihitsy izahay isan’andro, isan-kerinandro, ary isaky ny faritany. Vao maraina be izahay dia efa lasa nitory, ary hariva be vao nody. Tena faly izahay nahita ilay fitomboana haingana. Tsy nampino hoe mbola nisy fitomboana toy izany tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-20. Tsy hohadinoinay mihitsy ireny fotoana ireny!”

Richard sy Rachel Irgens: “Tia mandray vahiny ny olona, ary nahafinaritra ny fitoriana. Nitory tany amin’ireo tanàna kely amoron’ny Farihin’i Peïpous izahay. Tsy nila nitondra sakafo mihitsy izahay, satria nasain’ny tompon-trano hisakafo foana. Hitanay fa mbola azo ampiharina amin’ny androntsika ny toromarik’i Jesosy ao amin’ny Matio 10:9, 10. Teto Estonia no nianaranay fa ilaina ny mifantoka amin’ny zava-dehibe kokoa, fa tsy ho variana amin-javatra tsy dia manao ahoana.”

[Sary]

Markku sy Sirpa Kettula

Vesa sy Leena-Maria Edvik

Esa sy Jaael Nissinen

Anne sy Ilkka Leinonen

Richard sy Rachel Irgens

[Tabilao/Sary, pejy 244, 245]

TAONA MANAN-TANTARA—Estonia

1920

1923 Niverina teto Estonia i Martin Kose mba hitory.

1926 Nisy biraon’ny sampana teto Tallinn.

Tonga nanampy ireo mpisava lalana vahiny.

1928 Natao tao amin’ny biraon’ny sampana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany.

1930

1933 Voasoratra ara-panjakana ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana.

1940

1940 Fivoriambe farany talohan’ny fandrarana, ary afaka 50 taona indray vao nisy.

1948 Nisy Vavolombelona nogadraina sy nalefa tany amin’ny toby tany amin’ny Firaisana Sovietika.

1949 Nanoratra taratasy ho an’i Staline ireo rahalahy.

1950

1951 Efa ho 300 ny Vavolombelona natao sesitany tany Siberia niaraka tamin’ny havany.

1953 Maty i Staline, ka nafahana tsikelikely ny Vavolombelona.

1960

1970

1972 Niforona ny fiangonana voalohany miteny rosianina.

1980

1990

1991 Nisy biraon’ny fandikan-teny tany Tartu.

Nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah.

Natao teto Tallinn ny fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany tatỳ amin’ny Firaisana Sovietika.

1992 Tonga ireo misioneran’i Gileada voalohany.

1993 Naorina ny Efitrano Fanjakana voalohany.

1994 Nafindra teto Tallinn ny biraon’ny fandikan-teny.

1998 Nisy Efitrano Fivoriambe naorina teto Tallinn sy tany Tartu.

1999 Lasa sampana indray i Estonia.

2000

2000 Natao ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana voalohany.

2009 Nivoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (estonianina).

2010

[Kisary/Sary, pejy 246]

(Jereo ny boky)

Mpitory

Mpisava lalana

4 000

2 000

1990 2000 2010

[Sarintany, pejy 169]

(Jereo ny boky)

FAILANDY

HELSINKI

Hoalan’i Failandy

ROSIA

Saint-Pétersbourg

LETONIA

RIGA

ESTONIA

TALLINN

Narva

Maardu

Tapa

Vormsi

Pärnu

Farihin’i Võrtsjärv

Tartu

Räpina

Võru

Hiiumaa

Sarema

Hoalan’i Riga

Farihin’i Peïpous

Farihin’i Pskov

[Sary, pejy 162]

[Sary, pejy 165]

Hugo sy Martin Kose

[Sary, pejy 166]

Albert West

[Sary, pejy 167]

Alexander sy Hilda Brydson

[Sary, pejy 167]

Tao amin’io trano io ny biraon’ny sampana voalohany

[Sary, pejy 170]

Jenny Felt sy Irja Mäkelä, mpisava lalana voalohany avy any Failandy

[Sary, pejy 174]

Nafindra tao amin’ny 72 Lalana Suur Tartu, Tallinn, ny biraon’ny sampana, 1932

[Sary, pejy 175]

Kaarlo Harteva, nanao lahateny nalefa tamin’ny radio

[Sary, pejy 177]

John North sy ny ‘kalesiny’

[Sary, pejy 178]

Nikolai Tuiman

[Sary, pejy 179]

Boky be dia be no nalain’ny polisy

[Sary, pejy 181]

1940: Fivoriambe farany talohan’ny fandrarana

[Sary, pejy 188]

Rahalahy Kruus, Talberg, Indus, ary Toom, izay anisan’ny Komitin’ny Fanompoana taloha

[Sary, pejy 200]

Maimu sy Lembit Trell, 1957

[Sary, pejy 212]

Ene sy Corinna zokiny

[Sary, pejy 218]

Fivoriambe roa andro ny fampakaram-badin’i Heimar sy Elvi Tuiman

[Sary, pejy 227]

Toomas sy Elizabeth Edur

[Sary, pejy 228, 229]

Fivoriambe Niavaka

Fiarahabana an’ireo solontena hanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Ny Fiteny Madio” tany Helsinki, Failandy, 1990

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Ireo Tia Fahafahana” teto Tallinn, Estonia, 1991

[Sary, pejy 238]

Fivoriambe iraisam-pirenena tany Saint-Pétersbourg, Rosia, 1992

[Sary, pejy 241]

Lauri sy Jelena Nordling

[Sary, pejy 243]

Reino sy Lesli Kesk

[Sary, pejy 247]

Yuri sy Viktor

[Sary, pejy 251]

Efitrano Fanjakana ao Maardu sy Efitrano Fivoriambe ao Tartu

[Sary, pejy 254]

Sampan’i Estonia

Komitin’ny Sampana, avy eo ankavia miankavanana: Tommi Kauko sy Toomas Edur ary Lembit Reile