Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany

METY ho nanahiran-tsaina an’ireo mpianatra voalohany ny tenin’i Jesosy. Nilaza mantsy izy fa ho halan’ny firenena rehetra izy ireo, ka hampahorina sy hovonoina. Maro koa no hihemotra amin’ny finoana sy ho diso fanantenana. Tsy maintsy hotorina manerana ny tany anefa ny vaovao tsara, hoy i Jesosy. (Mat. 24:9-14) Hizotra tsara ihany àry ve ny fitoriana eran-tany, na dia miely patrana aza ny fanoherana? Ho hitanao ato ny valin’izany.

Tatitra Maneran-tany 2010

Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah: 116

Tany Nanao Tatitra: 236

Tontalin’isan’ny Fiangonana: 107 210

Mpanatrika ny Fahatsiarovana Naneran-tany: 18 706 895

Isan’ny Nandray Mofo sy Divay Tamin’ny Fahatsiarovana: 11 202

Tampon’isan’ny Mpitory Ilay Fanjakana: 7 508 050

Salanisan’ny Mpitory Isam-bolana: 7 224 930

Fitomboana Isan-jato Oharina Amin’ny Tamin’ny 2009: 2,5

Tontalin’isan’ny Natao Batisa: 294 368

Salanisan’ny Mpisava Lalana Mpanampy Isam-bolana: 287 960

Salanisan’ny Mpisava Lalana Maharitra sy Manokana: 844 901

Tontalin’ny Ora Lany Teny Amin’ny Saha: 1 604 764 248

Salanisan’ny Fampianarana Baiboly Isam-bolana: 8 058 359

Nandritra ny taom-panompoana 2010, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nandany 155 tapitrisa dolara mahery, nikarakarana an’ireo mpisava lalana manokana sy misionera ary mpiandraikitra mpitety faritany, teo amin’ny fanompoana nanendrena azy ireo avy.

◼ Misy 20 062 no miasa any amin’ireo biraon’ny sampana. Anisan’ny Vondron’ny Mpanompo Manontolo Andro Manokana Eran-tany izy rehetra.

AFRIKA

TANY 57

MPONINA 888 219 101

MPITORY 1 222 352

FAMPIANARANA BAIBOLY 2 596 614

NIARA-NITADY NY FAHAMARINANA. Tao amin’ny tanàna kely iray teto Madagasikara, dia nisy olona 80 niala tamin’ny Fivavahana Protestanta. Nanorina trano fiangonana izy ireo, ary nanomboka nitady ny fivavahana marina. Nodinihiny tsirairay àry ireo fivavahana tany. Nihevitra izy ireo fa tsy mianatra Baiboly ny Katolika, ary ny Loteranina indray tsy mifanara-kevitra. Ny Pentekotista, hono, tsy mampianatra ny marina, ary ny Advantista kosa be fadifady loatra. Nanatona Vavolombelona iray àry izy ireo, ka nangataka ny hampianarina Baiboly. Nanaiky avy hatrany ilay rahalahy.

Mpitory vitsivitsy no nandeha tany. Olona 26 no niandry azy ireo tao amin’ilay fiangonana vao naorina. Nampiasa ny toko faha-15 amin’ny boky Ampianarina ireo rahalahy, ka nanazava ny fomba hahitana ny fivavahana eken’Andriamanitra. Afa-po tamin’ilay fanazavana ny mpihaino. Rehefa niverina ireo rahalahy dia olona 73 no nanatrika. Lasa 142 izany, tamin’ny fitsidihana fahatelo!

HAFATRA DISO ADIRESY. Te hampahery olona iray nampianariny Baiboly i Menen, anabavy any Etiopia, ka nandefa hafatra an-telefaonina ho azy. Ny andinin-teny ho an’ny taona 2009 no nalefany. Izao no voalaza tao: “ ‘Torio amin’ny fomba feno ny vaovao tsara.’—Asa. 20:24, TV.” Lasa tsy nahy tany amin’olon-kafa anefa ilay izy. Tia fivavahana ilay ramatoa naharay azy io, ka namerimberina namaky an’ilay izy. Tiany hampiharina ilay andinin-teny, saingy tsy hainy hoe amin’ny fomba ahoana. Tsy azony koa ny dikan’ilay hoe “TV” (na Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao). Nampiasa saina azy foana ilay izy, nandritra ny herinandro maromaro. Nantsoiny àry ilay nomerao nandefa an’ilay hafatra. Taitra ilay anabavy tamin’ny voalohany. Nanararaotra nitory anefa izy, ka namaly ny fanontanian’ilay vehivavy. Lasa nianatra Baiboly indroa isan-kerinandro izy io.

ANKIZY MPISAVA LALANA. Vao enin-taona i Persis, any Cameroun, dia efa lasa mpitory. Rehefa namerina tatitra voalohany izy, dia folo ny fampianarana Baiboly nosoratany tao. Noheverin’ny mpitan-tsoratry ny fiangonana fa diso ilay isa. Nanazava anefa i Persis fa tena folo ny olona ampianariny. Dia hoy ilay rahalahy: “Ahoana no ahafantaranao ny oranao, nefa ianao tsy manana famantaranandro?” Namaly i Persis hoe: ‘Adiny iray ny fakan-drivotra, ka mitory aho rehefa manomboka ilay izy, ary mijanona aho rehefa maneno ny lakolosy.’ Nahita ny zotom-pony ny reniny sy ny havany iray, ka lasa mpitory koa. Folo taona izao i Persis, ary efa vita batisa. Manao mpisava lalana mpanampy izy, sady mianatra. Mana-namana atao hoe Aasy izy. Valo taona izy io, ary efa mpitory koa. Hoy ny vehivavy iray efa mivory, rehefa nahita azy roa vavy: “Tsy mba nahita zaza hendry toy izany aho, tany amin’ny fiangonanay. Arahabainy daholo ny olona any am-pivoriana, indrindra fa ny zokiolona, izay izy vao miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny. Fantatro fa ho lasa olom-banona ny ankizy voataiza tsara toy izany.”

IREO TANIN’I AMERIKA

TANY 55

MPONINA 918 834 998

MPITORY 3 673 750

FAMPIANARANA BAIBOLY 3 967 184

TSY NANDONDÒNA TOKOA IZY. Mipetraka any Bolivia i Miriam. Nivavaka izy nandritra ny herinandro, ka izao no nangatahiny tamin’Andriamanitra: “Mba ampio re aho hahafantatra anao, nefa aleo mba tsy ny Vavolombelon’i Jehovah no hanampy ahy. Tsy tiako raha mandondòna eo ry zareo.”

Nisy nitelefaonina izy andro vitsy taorian’izay. I Candy, mpisava lalana manokana, no niantso azy, ka nilaza hoe hitondra gazety ho azy afaka adiny iray. Nanaiky i Miriam. Tonga tokoa i Candy, afaka adiny iray. Tonga dia nosokafan’i Miriam ny varavarana, ary nampidiriny i Candy ka nasainy nipetraka. Nivezivezy eran’ny trano izy avy eo, sady hita hoe tsy faly. “Fa misy inona kay?”, hoy i Candy. “Sosotra aho!”, hoy i Miriam. “Nivavaka aho, nandritra ny herinandro mahery, mba hahazo tari-dalana. Efa nataoko mazava anefa hoe tsy tiako raha Vavolombelon’i Jehovah no mandondòna eto. Dia tsy nandondòna tokoa ianao, fa nitelefaonina! Nivavaka aho avy eo mba tsy ho tonga indray ianao. Tonga ihany anefa ianao, ka sosotra aho! Hitako anefa hoe ianareo Vavolombelon’i Jehovah no tian’Andriamanitra hanampy ahy!” Natomboka àry ny fianarana Baiboly.

NOHEVERIN’NY OLONA FA MATY IZY. I Pasensi no kapiten, na lehibe, tao amin’ny tanàna iray any Suriname. Naman’ny granman na mpanjaka, izy, ary tena saro-piaro tamin’ny fomban-drazany. Notoheriny mafy àry ny Vavolombelon’i Jehovah, satria noheveriny fa mpanova ny fanao nentim-paharazana.

Sendra olana anefa izy indray mandeha. Nisy tovolahy mantsy nilaza hoe mahay mamantatra mpamosavy. Izay olona rehetra notondroiny àry dia nokapohin’ireo mpanara-dia azy, sady norobaina ny entany. Nasaina nandoa vola be koa izy ireny, mba “hanadiovana” azy amin’ny fanahy ratsy, hono. Anisan’ny voaendrikendrika tamin’izany i Pasensi. Novonovonoin’ny olona izy, ary rehefa noheverin’izy ireo fa maty vao navelany. Na ilay mpanjaka aza tsy sahy namonjy azy, fa natahotra sao ho faty na ho afa-baraka satria manampy “mpamosavy.” Tsy navela namonjy an’i Pasensi, na dia ny havana aman-tsakaizany aza. Nisikina herim-po anefa ny vinantolahiny, ka nitondra azy tany amin’ny tanàna iray. Saiky Vavolombelon’i Jehovah avokoa ny mponina tao. Nifampidinika ireo rahalahy ka tapa-kevitra fa hanampy, na dia nampidi-doza aza izany. Nentina tamin’ny lakana i Pasensi, ka naterina tany amin’ny rahalahy iray niasa tamin’ny seranam-piaramanidina. Nalefa fiaramanidina tany an-drenivohitra izy mba hotsaboina.

Sitrana ihany i Pasensi. Tsy nampoiziny hoe ho tia azy ny Vavolombelona, nefa izy mpanohitra. Nianatra Baiboly izy, ary natao batisa tamin’ny Desambra 2009. Mpitory be zotom-po izy, ary mbola nanao mpisava lalana mpanampy tamin’ny Aprily 2010, na dia efa 80 taona aza.

NIHEVITRA IZY FA NAHAY BAIBOLY. Nisy lehilahy be volombava be atao hoe Eric, mipetraka any Etazonia. Nankany am-pivoriana izy indray andro, sady nitondra Baiboly. Vao niarahaba azy ny rahalahy iray, dia nototofany fanontaniana. Tsy nety nandray boky Ampianarina anefa izy, fa aleony, hono, Baiboly ihany. Mamaky Baiboly 20 pejy isan’andro izy, sady efa nahavita azy manontolo im-be dia be loatra ka tsy voaisany intsony. Rehefa vita ny fivoriana, dia niady hevitra tamin’ilay rahalahy nandritra ny adiny telo mahery i Eric. Farany dia hoy izy: “Kivy aho kah!” Fa ahoana, hoy ilay rahalahy. “Noheveriko fa tena haiko ny Soratra Masina”, hoy izy. “Hay izaho tsy mahay akory!” Nandray boky Ampianarina ihany izy.

Tsy natory izy ny alin’io fa namaky ireo toko folo voalohany tamin’ilay boky. “Hitako ihany ny marina!”, hoy izy. Niara-nianatra tamin’ilay rahalahy izy ny ampitso. Nianatra indimy isan-kerinandro izy ireo, sady adiny telo na adiny efatra isaky ny mianatra. Nanomana sy nanatrika ny fivoriana rehetra koa izy, ary nentiny ny fianakaviany. Mbola tsy nianatra herinandro akory izy, dia efa nanoratra taratasy fialana tany amin’ny fiangonana telo, ary nesoriny ny volombavabeny. Tapa-kevitra ny tsy hankalaza fety tsy ara-baiboly intsony koa izy. Nisoratra anarana hanao sekoly izy afaka tapa-bolana teo ho eo, ary iray volana latsaka dia efa lasa mpitory. Natao batisa izy tamin’ny Aprily 2010, enim-bolana taorian’ny nihaonany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah!

FITO TAONA DIA EFA VITA BATISA. Tezain’ny dadabe sy bebeny i Paola, any amin’ny faritra andrefan’i Meksika. Nianatra Baiboly ny bebeny tamin’i Paola dimy taona. Nihaino an’ilay fampianarana koa i Paola, ka nanohina ny fony ny fahamarinana. Nandeha nivory irery izy, na dia tsy nandroso aza ny bebeny. Nasainy nampiakanjo sy nampita azy teo amin’ny arabe fotsiny ny dadabe sy bebeny, rehefa ho any amin’ny Efitrano Fanjakana izy.

Vao nahay namaky teny sy nanoratra izy, dia nanao sekoly ary lasa mpitory. Tena tia an’i Jehovah izy, ka natao batisa tamin’izy fito taona. Folo taona izy izao. Nanontaniana izy hoe nahoana izy no mazoto mivory sy mitory, na dia tsy miaraka aminy aza ny fianakaviany. Izao no navaliny: “Tena tiako ny mihaino lahateny, satria mampirisika ahy hazoto hianatra Baiboly, sy manampy ahy tsy haditra. Mitory koa aho satria te hampianatra ny olona momba izay hataon’i Jehovah amin’ny hoavy, sady fantatro fa ho sambatra izy ireo dieny izao raha mianatra Baiboly.”

NITORIANY DAHOLO IZAY DISO NOMERAO. Matetika ny anabavy iray any amin’ny Repoblika Dominikanina no maharay antso avy amin’ny olona diso nomerao, rehefa any am-piasana. Nieritreritra àry izy hoe: ‘Maninona moa aho raha manararaotra mitory?’ Rehefa nisy diso nomerao tokoa taorian’izay, dia nilazany hoe: “Mampalahelo fa diso nomerao ianao. Fa hono ho’aho, efa mba namaky Baiboly ve ianao androany?” Ny sasany aloha tonga dia manapaka an’ilay antso, fa misy ihany mamaly hoe tsy namaky. Dia hoy ilay anabavy: “Fantatrao ve hoe nahoana izany no tena zava-dehibe?” Vakiny avy eo ny Salamo 1:1-3. Tafaresaka taminy ny manam-pahefana iray, ka nilaza fa tsy nanana Baiboly. Nanaterana Baiboly sy boky hafa àry izy io. Niantso izy afaka tapa-bolana, ka nisaotra noho ireo boky sy noho ilay anabavy nihevitra izay hahasoa azy.

Diso nomerao koa ny tovovavy iray, ka tafaresaka tamin’ilay anabavy. “Vavolombelon’i Jehovah angaha ianao?”, hoy izy. Nitomany izy avy eo ka nanazava fa Vavolombelona koa izy fa tsy nitory intsony. Nampahery azy ilay anabavy, ary nitady olona hanampy azy, ka lasa mpitory indray izy.

AZIA

TANY 47

MPONINA 4 587 021 833

MPITORY 652 251

FAMPIANARANA BAIBOLY 601 306

“VEHIVAVY SAMARITANINA.” Nafana ny andro tamin’izay, ary nandeha nitory ny mpisava lalana roa any Kazakhstan. Nahita vehivavy nantsaka teo amin’ny vovo izy ireo, ka nangataka rano ilay rahalahy ary nisotro. Ilay anabavy kosa nitory taminy. Liana ilay vehivavy ka nampandroso an’ireo mpisava lalana. Rehefa avy niresaka izy ireo, dia nametraka boky ireo mpitory, ary nampanantena hiverina ilay anabavy afaka roa andro.

Niaraka tamin’ny reniny ilay anabavy rehefa niverina. Efa niandry azy ireo teo an-tokotany ilay vehivavy, sady nitazona an’ilay boky nomena azy. Naveriny tamin’ilay anabavy ilay izy sady hoy izy: “Tsy mila an’ity bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah ity aho, satria ny anareo fivavahana rosianina!”

Nangataka hamaky andinin-teny iray ny renin’ilay anabavy alohan’ny handehanana. Te hampiseho ny anaran’Andriamanitra izy, ka namaky ny Eksodosy 3:15 hoe: “Jehovah Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo.” Gaga ireo mpitory fa nampandroso azy indray ilay vehivavy. Nahoana? Hay nisy razamben’ilay vehivavy nantsoina hoe Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Nihevitra àry izy hoe raha i Jehovah no Andriamanitry ny razambeny, dia tokony horaisiny ireo Vavolombelony. Natomboka ny fianarana tamin’ny fitsidihana nanaraka. Nianatra indroa isan-kerinandro ilay vehivavy satria tena te hahalala ny marina. Nandroso izy ka efa lasa mpitory, na dia manohitra aza ny zanany. Mianatra Baiboly sy mivory tsy tapaka koa izao ny vinantovaviny sy ny renin’izy io. Nantsoin’ireo mpiara-manompo hoe “vehivavy samaritanina” izy, satria nitovy tamin’ilay voalazan’ny Jaona 4:3-15 ny fomba nitoriana taminy.

“MISY TIAKO HANONTANIANA.” Hoy ny anabavy mpisava lalana iray efa be taona, any Sipra: “Tsy tsaratsara aho indray alarobia maraina, nefa tsy te hijanona tao an-trano fa tena te hitory. Nipetraka teo amin’ny dabilio tao amin’ny zaridainam-panjakana àry aho. Nivavaka aho raha mba azon’i Jehovah atao ny mandefa olona manam-potoana malalaka, mba hipetraka eo akaikiko ary hanombohako fampianarana Baiboly. Dia iny nisy tovolahy iray avy any Népal. Mbola tsy niteny akory aho dia nanontany izy hoe momba ny inona ireo gazety teny an-tanako. Momba ny Baiboly, hoy aho, ka hoy izy: ‘Manam-potoana malalaka aho izao, ka tsy maninona ve raha mba mipetraka eto aho? Tsy izany mantsy fa misy tiako hanontaniana anao momba ny Baiboly.’

“Mazava ho azy fa nanaiky aho, satria izany mihitsy no nangatahiko tamin’i Jehovah! Hoy ilay tovolahy avy eo: ‘Ny fanontaniako voalohany dia hoe: Inona marina no ampianarin’ny Baiboly?’ Tsy nampoiziko ilay izy ka tsy nahateny aho. Nalaiko avy ao anaty kitapo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, ary nasehoko azy. Nojereny ilay izy, dia nojereny aho, ka hoy izy: ‘Tsy ity lohateny ity mihitsy ve ilay fanontaniako teo?’ Natomboka àry ny fampianarana Baiboly! Mitohy izao ny fianarany, sady mivory tsy tapaka izy, ary efa maniry hisoratra anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Hitako fa zava-dehibe ny mangataka ny herin’i Jehovah sy ny fitarihany. Tena ilaiko izany, indrindra rehefa reraka iny aho nefa mandeha manompo ihany.”

NAMPIANARINY BAIBOLY ILAY NAMONO NY ZAFIKELINY. Nisy namono ny zafikelin’i Miguel, taona vitsivitsy lasa izay. Tratra ilay namono azy, antsoina hoe Esmeraldo, ka notsaraina ary nogadraina. Tsy mba niaiky ny helony anefa izy io.

Nasain’ny anti-panahy iray hiaraka taminy i Miguel tatỳ aoriana, mba hampianatra tany amin’ny fonja iray any Philippines. Nisalasala i Miguel, satria fantany fa tao mihitsy no nigadra i Esmeraldo, ilay namono ny zafikeliny. Nandeha ihany izy, ka nampianatra voafonja vitsivitsy. Tamy nanatona azy anefa i Esmeraldo, raha mbola nampianatra izy ireo. Tsy te hahita olana i Miguel, ka niteny azy moramora hoe: “Esmer a, tsy hiady aminao no nahatongavako atỳ, fa ny haneho fitiavana amin’ny olona toa anao. Mampianatra Baiboly an’ity lehilahy ity izao izahay. Tsy ho hoatr’izao mihitsy ianao raha nahalala ny Tenin’Andriamanitra. Avia hiara-hianatra aminay eto e.” Gaga i Miguel fa nijanona tokoa i Esmeraldo, mandra-pahatapitr’ilay fianarana. Nanohina ny fony ny zavatra reny, ka nibaboka izy fa namono ny zafikelin’i Miguel tokoa, ary nangata-pamelana.

Tsy henon’ilay anti-panahy ny resak’izy ireo, ka noheveriny fa nifankahazo tsara izy roa lahy. Nasainy nampianatra an’i Esmeraldo àry i Miguel. Natahotra i Miguel tamin’ny voalohany, satria fantany fa efa maro ny olona novonoin’i Esmeraldo. Nanaiky ihany anefa izy. Niady mafy i Esmeraldo, mba hanarahana ny fitsipik’Andriamanitra. Nisy vokany ihany anefa izany rehefa ela ny ela, ka nanokan-tena ho an’i Jehovah izy ary natao batisa tamin’ny 1 Febroary 2010. Efa tena namela azy i Miguel, ka mitady fomba hampihenana ny saziny, mba hahafahany hitory malalaka kokoa.

EOROPA

TANY 47

MPONINA 739 193 855

MPITORY 1 575 094

FAMPIANARANA BAIBOLY 830 888

TANTERAKA IREO FANIRIANY ANANKIROA. Mipetraka any Boligaria i Nelena, 19 taona. Anankiroa ny faniriany: Hatao batisa sy hanao mpisava lalana mpanampy. Malemy anefa izy sady tsy afaka miaina raha tsy misy fitaovana manokana, ka tsy dia afaka mivoaka ny trano. Aretina manaranaka mbola tsy misy fanafany no mahazo azy. Sarotra ny nanatanteraka ilay faniriany voalohany satria tsy ho afaka hamonjy fivoriambe izy. Tamin’izy 18 taona àry, dia nanaovana lahatenin’ny batisa tao an-tranony izy, ary naroboka tao amin’ny kovetabe fandroana.

Ary ahoana ilay faniriany faharoa? Afaka miaina tsy misy an’ilay fitaovana manokana izy, mandritra ny adiny iray eo ho eo, amin’ny vanin-taona mafana. Nanao mpisava lalana mpanampy àry izy ka nitory isan-trano, ary nisy mpitory nanosika azy tamin’ny seza mikorisa. Mitarika fampianarana Baiboly an-telefaonina koa i Nelena. Entin’ireo anabavy any aminy indraindray ny olona ampianariny Baiboly, dia mba afaka miara-mampianatra amin’izy ireo i Nelena. Nanao mpisava lalana mpanampy intelo mihitsy izy, tamin’ny herintaona. Hoy izy: “Faly aho fa tanteraka ireo faniriako anankiroa. Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah aho izao.”

MANAO KRAVATY IZY IZAO. Nesoesoin’ny lehilahy iray mpiara-miasa taminy ny anabavy iray any Armenia, noho izy Vavolombelon’i Jehovah. Nolazainy fa notambatambazan’ireo “lehilahy manao kravaty” ilay anabavy, ka lasa nanaraka ny fivavahan-dry zareo. Niezaka nanazava ilay anabavy nefa very maina fotsiny izany, ka naleony “tsy namaly” intsony, toy ny nataon’i Jesosy Kristy. (Mat. 27:12) Voaroaka tamin’ny asany ilay lehilahy, nony farany, satria ratsiratsy toetra sady nampijaly an’ilay anabavy. Volana maromaro tatỳ aoriana, dia nisy olona tonga tany am-piasana nitady an’ilay anabavy. Io ilay mpanesoeso azy taloha. Taitra ilay anabavy nahita azy satria nanao kravaty izy sady nitondra kitapo, kanefa izay mihitsy taloha no nanesoany ny Vavolombelona. Hoy izy tamin’ilay anabavy: “Miala tsiny aho nanao teny nandratra anao. Efa nahita ny fahamarinana aho izao.” Nianatra Baiboly ilay lehilahy, ary natao batisa na dia nanohitra aza ny fianakaviany. Lasa mpisava lalana maharitra izy taorian’izay.

“NADIA NO ANARANY.” Mpisava lalana i Nadia, any amin’ny faritra avaratr’i Italia. Nitory izy tamin’ny Septambra 2009, ka nampiasa ilay telefaonina eo am-bavahady. Lehilahy no namaly, ary nilaza fa maty vao haingana ny vadiny ka tsy te hiresaka izy. Niverina i Nadia ny alahadin’iny, saika hampionona azy sy hiresaka momba ny fitsanganana amin’ny maty. Mbola tsy nety nihaino ihany anefa izy. Namonjy fivoriana i Nadia ny harivan’io. Voalazan’ilay Tilikambo nianarana tamin’izay fa nisy anabavy nanoratra taratasy ho an’ny olona iray namoy havana. Tapa-kevitra àry i Nadia fa hanoratra ho an’ilay rangahy maty vady. Nanao taratasy fiaraha-miory izy, ary nanazava momba ny fitsanganana amin’ny maty. Narotsany tao amin’ny boaty fasiana taratasy teo am-bavahady ilay izy, roa andro taorian’izay.

Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nahita rangahy 70 taona teo ho eo i Nadia, rehefa nitory teny an-dalana. Saika hamaky andininy iray izy, no nanontany ilay rangahy raha Vavolombelon’i Jehovah izy. Nanazava ilay lehilahy fa nisy Vavolombelona tonga tany aminy, ary namela taratasy tena mampahery ka nihetsi-po be izy namaky an’ilay izy. Hoy izy avy eo: “Nadia no anarany. Fantatrao ve izy?” Nilaza i Nadia fa izy ilay nanoratra ho azy. Samy gaga ry zareo. Nitsidika azy i Nadia sy ny vadiny, ka nianatra Baiboly ilay rangahy, ary efa mivory tsy tapaka.

TSY ARAK’IZY IREO NY FAMPIANARANA. Misy Vavolombelona efatra ao amin’ny tanànan’i Bujanovac, faritra atsimon’i Serbia. Faly be izy ireo satria nahatratra 460 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana, tamin’ny 2010! Nanampy azy ireo ny anti-panahin’ny fiangonana teo akaiky, ka nandamina fivoriana tany, tao amin’ny trano iray nohofana. Miisa 50 mahery ny mpivory. Nisy mpisava lalana manokana notendrena hanompo any, nefa tsy arak’izy ireo ny fampianarana Baiboly. Be dia be mantsy ny olona liana, ka izay manomana sy manatrika ny fivoriana rehetra ihany no ampianarin’izy ireo.

ZATO TAONA MAHERY! I Elin no mpitory antitra indrindra any Soeda, satria 110 taona izy, hoatran’ny taonan’i Josoa. (Jos. 24:29) Mipetraka any amin’ny toerana fitaizana be antitra izy, ary miezaka mitory amin’ny mpitsidika sy izay rehetra mihaona aminy. Mahapetraka boky be dia be izy. Nitory isan-trano teny akaiky teny ny anti-panahy iray sy ny zanany vavy, ary nahita tovovavy iray. Nilaza izy io fa nitory sy nametraka boky taminy i Elin. Noraisiny tsara àry ireo mpitory. *

BOKY HITA TANY AM-PIANGONANA. Niantso an’i Tatyana, mipetraka any Bélarus, ny vehivavy iray. Te hanontany momba ny Baiboly izy io, ary niresaka tsara izy ireo. Ahoana no nahazoany ny nomeraon’i Tatyana, nefa izy ireo tsy nifankahalala? Rehefa nankany am-piangonana ilay vehivavy dia nahita boky Ampianarina sy Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tao ambany dabilio. Tao amin’ireo boky ireo ilay nomerao. Fa ahoana no nahatonga an’ireo boky ireo tany am-piangonana? Ny renin’ny ankizivavy iray ampianarin’i Tatyana Baiboly no nitondra azy ireo tany. Saika hanontany ny pretra izy raha azon’ny zanany vakina ilay izy na tsia. Tsy hay izay nahatonga azy ireo tao ambany dabilio, fa hitan’ilay vehivavy ilay izy ary nentiny nody. Nifampiresaka imbetsaka momba ny Baiboly i Tatyana sy ilay vehivavy, taorian’izay.

AFAKA NITORY NOHO ILAY PALITAO VERY. Mpisava lalana manokana any Bélarus i Elena. Nahita palitao tsara tarehy teo amin’ny arabe izy, tao Minsk. Madio be ilay izy, ka hita hoe latsaka fa tsy nariana. Nisy vola 1 200 dolara (na Ar 2 000 000 mahery) tao anaty paosiny. Nitoditodika i Elena, ka nahita rangahy nipenimpenina nitady zavatra. Tonga dia fantany hoe iny ny tompon’ilay palitao, ka nihazakazaka izy nanenjika azy. Mpandraharaha avy any Bangladesy ilay rangahy, ary mipetraka any Moscou. Faly be izy fa hita ny palitaony sy ny volany. Nanontany izy hoe nahoana i Elena no namerina an’ilay izy, sady nihazakazaka mihitsy nanenjika azy. Nanazava i Elena fa Vavolombelon’i Jehovah izy. Nilaza ilay rangahy hoe nisy Vavolombelona roa niresaka taminy, andro vitsivitsy lasa izay. Niady hevitra nandritra ny antsasak’adiny tamin’izy ireo izy, satria te hiaro ny finoany. Nanontany izy avy eo hoe inona no azony atao mba hisaorana an’ilay anabavy. Namaly i Elena hoe: ‘Tsy mitady valisoa aho, fa raha tena te hankasitraka ianao dia mianara Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa any Moscou.’ Nanaiky ilay rangahy.

OSEANIA

TANY 30

MPONINA 39 384 408

MPITORY 101 483

FAMPIANARANA BAIBOLY 62 367

NAHITA FOMBA HIRESAHANA. Mipetraka any Aostralia i Hamish, 23 taona. Sahirana be izy rehefa miteny satria miboredika, na tsy azo mihitsy ny teniny, na koa tsy mahateny tsotra izao. Tena mafana fo anefa izy rehefa mitory na manao anjara any am-pivoriana. Ahoana no ataony? Mampiasa fitaovana elektronika izy rehefa hanao lahateny. Soratany mialoha ao amin’izy io izay holazaina, ka ilay fitaovana no mamaky azy. Ampifandraisiny amin’ny mikrô io fitaovana io, rehefa eny amin’ny lampihazo. Raha fiaraha-midinika kosa ilay anjarany, dia eny izy vao manoratra ny fanontaniana sy ny fankasitrahany an’ireo valin-teny. Ahoana indray rehefa mitory? Efa soratany mialoha ao amin’ilay fitaovana izay holazaina sy ny andinin-teny, fa misy koa any vao soratany haingana! Mahazo fitsidihana maro be izy vokatr’izany. Tamin’ny 2007 i Hamish no lasa mpanampy amin’ny fanompoana. Manao mpisava lalana mpanampy imbetsaka izy isan-taona, nanomboka tamin’izay.

SIMBA ILAY MILINA MPANAO PIRINTY. Mpanamboatra fitaovana elektronika simba i David, any Nouvelle-Calédonie. Niantso azy ny vehivavy iray, rehefa simba ny milina mpanao pirinty tao aminy. Nisy taratasy tiany hatao pirinty mantsy, nefa tsy nety mihitsy. Vetivety ny nanamboaran’i David an’ilay milina, ka nivoaka ilay taratasy. Taitra anefa izy satria izao no soratra teo: “AZA mandondòna ato. Efa manana an’i Jesosy izahay, ka tsy mandray fivavahana hafa intsony.”

Hoy i David: “Azafady fa hitako ilay taratasy nataonao pirinty, tamin’izaho nanamboatra an’ilay milina. Fa inona kay no antony nanoratanao azy iny?”

Hoy ilay vehivavy: “Ka mankaleo tsinona ireny Vavolombelon’i Jehovah ireny. Tonga eto foana ry zareo isaky ny faran’ny herinandro. Ireny indray aloha tsy ataoko misy tafiditra ato mihitsy e!”

“Efa nisy tafiditra anefa tato aminao”, hoy i David, “sady ianao mihitsy no nampandroso azy.”

“Sanatria! Izaho indray dia tsy hanao an’izany mihitsy!”, hoy ilay vehivavy.

“Vavolombelon’i Jehovah aho”, hoy i David, “ary ianao no nampandroso ahy!” Taitra ilay vehivavy sady menatra kely. Nohazavain’i David tamin-katsaram-panahy ny antony andehanan’ny Vavolombelona isan-trano. Naharitra adiny roa ny resak’izy ireo. Niverina i David afaka andro vitsivitsy, ary niresaka tamin’ilay vehivavy sy ny vadiny. Nanazava izy ireo hoe nosaintsaininy ilay zava-nitranga. ‘Azonay antoka’, hoy izy ireo, ‘fa Andriamanitra no naniraka anao, ka izahay indray ve no handa!’ Mandray gazety tsy tapaka izy ireo izao.

TARATASY MIVALONA ISAN-KARAZANY. Mipetraka any Aostralia i Nathan, 12 taona. Mitondra taratasy mivalona foana izy, ka mitory amin’ny mpiara-mianatra. Avy nianatra izy indray andro, ary nahita ramatoa teo amin’ny trano iray. Nitsiky ilay ramatoa, ka mba nitsikiany koa sady nomeny taratasy mivalona. Nilaza ilay vehivavy fa maty ny vadiny, telo taona izay. Nomen’i Nathan azy àry ilay taratasy mivalona hoe Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry? Nohazavainy fa hahita ny vadiny indray ilay vehivavy ao amin’ny Paradisa, rehefa hatsangana ny maty. Nanganohano ny ranomason’ilay ramatoa. Hoy izy avy eo: “Fa rahoviana no hifarana ny fijaliana rehetra?” Navoakan’i Nathan ilay hoe Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra! Hoy indray ilay ramatoa: ‘Dia inona koa ny zavatra inoanareo?’ Natolotr’i Nathan àry ilay taratasy mivalona hoe Inona no Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah? Dia lasa izy avy eo. Nifankahita ry zareo afaka herinandro vitsivitsy. Nantsoin’ilay ramatoa izy, ary nofihininy, ka nilazany hoe: “Nathan a, taorian’ilay nihaonantsika iny dia nisy Vavolombelona roa vavy tonga teto. Mianatra Baiboly amin-dry zareo aho izao!”

FANASANA IRAY NO MBA NANANANY. Anisan’ny nanorina ny biraon’ny sampana vaovao any amin’ny Nosy Salomon i Michael. Tapa-kevitra izy avy eo fa hitory any amin’ilay nosy mitokana be atao hoe Mbanika. Tany no nahalehibe azy, sady misy rahalahiny any. Tsy nisy Vavolombelona teo amin’ilay nosy, sady tsy nisy paositra. Tsindraindray ihany koa vao mba nisy sambo nankany, ary iray ihany ny telefaonina tany.

Nentiny niaraka taminy i Hansly, mpisava lalana tanora iray. Vao tonga izy ireo dia nanorina Efitrano Fanjakana kely tamin’ny ravina palmie, ary nanasa ny olona hanatrika Fahatsiarovana. Iray ihany anefa ny fanasana nananan’izy ireo. Nasehony fotsiny àry ilay izy rehefa nanasa olona izy ireo, sady nanazava fa zava-dehibe ilay fankalazana.

Iray andro talohan’ny Fahatsiarovana, dia nandeha lakana adiny roa ireo rahalahy, mba hanasa fianakaviana iray tany amin’ny ilan’ilay nosy. Ny ankizy ihany anefa no tratrany tao. Navelan’i Michael tamin’izy ireo àry ilay fanasana tokana nananany. Natolony an’ilay vavimatoa ilay izy, ka nasainy nomena ny rainy.

Nanomana ny Fahatsiarovana i Michael sy Hansly, ny ampitso tolakandro, ary nahita fianakaviana tonga tamin’ny lakana. Hay novakin’ilay raim-pianakaviana ilay fanasana, ka fantany fa zava-dehibe ilay izy. Nentiny daholo àry ny fianakaviany. Nisy 52 no tonga tamin’ilay Fahatsiarovana. Mbola mampianatra an’ireo nanatrika azy io izao izy mirahalahy, sady mitory foana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 68 Nodimandry i Elin, raha mbola nomanina ity Diary ity.

[Tabilao, pejy 40-47]

TATITRA MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PANOMPOANA 2010

(Jereo ny boky)

[Sarintany, pejy 48-50]

(Jereo ny boky)