Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Papouasie-Nouvelle-Guinée

Papouasie-Nouvelle-Guinée

Papouasie-Nouvelle-Guinée

OLONA maro fahiny no nitady tany vaovao honenana, ka namakivaky an’i Azia. Nahita nosy be tendrombohitra izy ireo, teo amin’ny farany atsinanan’ny Vondronosy Malezianina. Tsy iza izany fa i Nouvelle-Guinée, ilay nosy faharoa lehibe indrindra eran-tany. * Nanaraka morontsiraka mafana be ireo mpiavy, ary nipetraka teny amin’ny faritra be heniheny, na tany anaty ala, na teny amin’ireo nosy manodidina. Nisy kosa nianika ny avo, ka nonina teny amin’ny faritra be tendrombohitra, izay nahitana lohasaha sy tany lonaka midadasika.

Tsy hoe mitovy daholo ny mponina eto. Ny fiteny ampiasaina aza 800 mahery. Mizarazara ho foko kely arivo mahery izy ireo sady miady lava, ary samy manana ny fombany sy ny fitafiny. Tsy mifandray amin’ny hafa mihitsy ny ankamaroany, ary voaro mafy ny tanànany. Maro no mino fa any ambadiky ny faravodilanitra any no misy ny demonia sy ny fanahin’ireo razambe. Mety hitahy na hanisy ratsy, hono, ireny fanahy ireny, ka ataony izay tsy hampahatezitra azy.

Samy hafa koa ny endriky ny mponina, fa zavatra iray ihany no itovizany. Inona izany hoy ianao? Nahatsikaritra izany i Jorge de Meneses, manam-pahefana portogey, tamin’ny 1526, ka niantso an’ilay nosy hoe Ilhas dos Papuas, izany hoe “Tanin’ireo Ngita Volo.” Hitan’i Inigo Ortiz de Retes, tantsambo espaniola, fa nitovitovy tamin’ny mponin’i Guinée any Afrika Andrefana, ny olona teto. Nantsoiny hoe Nueva Guinea na Nouvelle-Guinée àry ilay nosy.

Nozarain’ny Eoropeanina ho faritra telo ilay nosy, tamin’ny taonjato faha-19. Ny Holandey no tonga voalohany ka naka ny ilany andrefana. Anisan’i Indonezia izy io izao. Nifampizaran’ny Anglisy sy ny Alemà kosa ny ilany atsinanana, ka lasa Nouvelle-Guinée Anglisy ny tapany atsimo (Papouasie tatỳ aoriana), ary Nouvelle-Guinée Alemà ny tapany avaratra (Nouvelle-Guinée tatỳ aoriana). Lasan’i Aostralia izy roa ireo, taorian’ny Ady Lehibe I. Nitambatra anefa izy ireo ka lasa firenena nahaleo tena tamin’ny 1975, ary nantsoina hoe Papouasie-Nouvelle-Guinée. *

Tena mbola tsy mandroso ilay nosy. Misy ihany ny olona mipetraka amin’ny tanàn-dehibe ahitana fitaovana arifomba. Ampahadimin’ny mponina ihany anefa izany. Tambanivohitra kosa ny ankamaroany. Tsy nivoatra mihitsy ny fiainan’izy ireo, hatramin’ny taonjato maro: Izay manana kisoa no mpanankarena, ary vodiondry no omena rehefa hampaka-bady. Be koa ny milalao ody, ary hentitra be ny lalàn’ireo foko.

Tato ho ato anefa, dia nihatsara ny fiainan’ireo olona tso-po avy amin’ny foko samy hafa. Lasa mifandray amin’Andriamanitra mantsy izy ireo, rehefa nianatra ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly, ary nampihatra izany.—Rom. 12:2.

IREO MPITORY VOALOHANY TONGA TETO

Tamin’ny 1932 no nisy nitory voalohany teto. Voatendry hanompo tany Malaya (Malezia ankehitriny) mantsy ny Rahalahy Peck, mpisava lalana anglisy, ary nijanona teto herinandro maromaro. Nanararaotra nitory àry izy tamin’izay, ka nizara boky sy gazety an-jatony.

Nisy mpisava lalana fito tonga teto, telo taona tatỳ aoriana, nitondra an’ilay sambo atao hoe Lightbearer (na Mpitondra Hazavana). Niantsona tao Port Moresby izy io, satria nisy simba ny maoterany. Tafajanona iray volana izy ireo, ka nitory nanerana an’i Port Moresby sy ny manodidina. Anisan’izy ireo i Frank Dewar, rahalahy matanjaka be avy any Nouvelle-Zélande. Nandeha an-tongotra hatrany amin’ny 50 kilaometatra izy sady nitondra boky be dia be, ary nizara izany tamin’ny mponina.

Nahazo tamin’ireny boky ireny i Heni Heni Nioki, mpimasy avy amin’ny foko koiari. Efa voafafy tao am-pony ny fahamarinana tamin’izay, fa niandry mpitory hafa fotsiny mba hanondraka azy.—1 Kor. 3:6.

Nisy mpisava lalana iray tonga teto, taloha kelin’ny 1940. Nitety tanàn-dehibe izy, ka anisan’izany ny nosy Nouvelle-Bretagne sy Nouvelle-Irlande ary Bougainville. Niezaka erỳ izy nametraka boky sy gazety be dia be, kanjo mbola tsy nisy nanondraka akory ny voa nafafiny dia tonga ny Ady Lehibe II.

FITORIANA TAO AMIN’ILAY “TANÀNA NGEZABE”

Afaka 12 taona tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny 22 Septambra 1951, dia tonga tamin’ny fiaramanidina tao Port Moresby ny rahalahy aostralianina iray. Tsy iza izy io fa i Tom Kitto, 47 taona sady lava ranjanana. Tonga teto izy, satria nilana mpitory maro kokoa tatỳ amin’ireo nosin’i Pasifika. Nanaraka azy i Rowena vadiny, iray volana sy tapany taorian’izay. I Papouasie-Nouvelle-Guinée manontolo no faritan’izy ireo.

Hitan’izy mivady fa tsy liana tamin’ny fahamarinana ireo fotsy hoditra tao Port Moresby. Nihaona tamin’i Geoff Bucknell anefa izy ireo. Aostralianina izy io, ary efa nahalala ny fahamarinana tamin’izy mbola tanora, saingy lasa nangatsiaka. Nianatra Baiboly indray i Geoff, ary lasa Vavolombelona nafana fo izy sy Irene vadiny.

Nifindra tany Hanuabada i Tom sy Rowena, tatỳ aoriana. Midika hoe “Tanàna Ngezabe” io anarana io amin’ny teny motu, fiteny eo an-toerana. Mitatra hatreny ambony ranomasina ilay tanàna. Trano an-jatony no eny afovoan-drano, eo amin’ny Seranan’i Port Moresby. Misy tongony ireny trano ireny, ary tetezan-kazo no mampifandray azy ireo amin’ny torapasika. Hoy i Rowena: “Nitangorona ny olona rehefa nitory izahay. Be dia be no liana, ka tsy maintsy niverina izahay isan-kariva mba hampianatra Baiboly. Indroa ihany izahay no tsy afaka, tao anatin’ny roa volana.” Hoy i Tom: “Tena mahaliana azy ireo ny fampanantenana hoe hatsangana ny maty ary hisy paradisa eto an-tany. Nianatra foana izy ireo, na dia nosakanan’ny mpitondra fivavahana sy ny polisy aza. Tena latsa-paka tao am-pony ny voan’ny fahamarinana.”

Anisan’ireny i Raho sy Konio Rakatani, Oda Sioni, Geua Nioki, ary Heni Heni vadiny, ilay nahazo boky tamin’ireo mpisava lalana tao amin’ilay sambo Lightbearer, 16 taona talohan’izay. Tsy ela dia nisy olona liana 30 teo ho eo nivory tsy tapaka tao amin-dry Heni Heni. Hoy i Oda Sioni, izay mbola kely tamin’izany: “Niara-nipetraka ny lehilahy, ary teo ampita daholo kosa ny vehivavy. Zipo vita tamin’ny bozaka no nanaovan’ny vehivavy ary tsy nisy amboniny. Nentiny tamin’ny harona tady mareva-doko ny zanany. Nahantony ireny harona ireny rehefa tonga tao an-trano. Nampinonoiny aloha ilay zaza, avy eo napetrany tao anatin’ilay harona, ary norotsirotsiny mba hatory.”

I Tom Kitto no nitarika ny fivoriana, ary nisy olona nandika ny teniny. Nisy ihany anefa ny olana. Hoy i Don Fielder, izay tonga tamin’ny 1953: “I Badu Heni, rahalahin’i Heni Heni, no nandika teny, indray mandeha. Hoatran’ny nety tsara ilay izy tamin’ny voalohany. Nandika teny i Badu, ary naveriny hatramin’ny fihetsik’i Tom. Nibaboka anefa izy tamin’ny farany hoe tsisy azony ny tenin’i Tom, fa izay fahamarinana efa hainy fotsiny no naveriny, ary nataony ny fihetsik’i Tom mba ho toy ny tena izy ilay fandikan-teny.” Na izany aza, dia nandroso haingana ireo mpivory, ka lasa nisy antoko-mpitory faharoa tao an-tranon’i Raho Rakatani, tao Hanuabada ihany.

“ANDAO KOA MBA HAMPIANATRA ANY AMINAY”

Lehiben’ny foko koiari sady mpimasy nalaza i Bobogi Naiori. Nitsidika an’i Heni Heni izy tamin’ny 1952. Mpihavana wantok izy ireo, izany hoe iray foko. Nanatrika ny fivoriana natao tao an-tranon’i Heni Heni i Bobogi. Tena nahaliana azy ny fahamarinana, ka niangavy an’i Tom Kitto izy hoe: “Andao koa mba hampianatra any aminay!”

Nankany amin-dry Bobogi tany Haima àry i Tom sy Rowena, nitondra an’ilay fiarany efa ntaolontaolo. Tokony ho 25 kilaometatra any avaratr’i Port Moresby izy io. Novorin’i Bobogi ny olona. Nitory tamin’izy ireo i Tom ary i Bobogi no nandika teny. Olona 30 teo ho eo àry no lasa nianatra Baiboly.

Mbola tsy ampy iray volana dia efa nahavita efitrano kely ry zareo. Hoy i Elsie Horsburgh, izay nivory tao tatỳ aoriana: “Trano tafo bozaka ilay izy, ary hazo no natao andry. Bararata norarina no rindrina, ary hatreo amin’ny kibo ny haavony. Seza hazo sy jiro solitany ary tabilao kely no fanaka tao.” Io no Efitrano Fanjakana voalohany teto Papouasie-Nouvelle-Guinée.

Nisy olona iray foko tamin’i Bobogi koa tany Sogeri, any amin’ny faritra be tendrombohitra. Tiany handre ny vaovao tsara koa izy ireo. Nankany àry izy sy Tom, na dia nampidi-doza aza ny lalana. Tanàna telo no notsidihiny, ary olona 90 mahery no nianatra.

Tsy niafina tamin’ny manam-pahefana izany. Nisy solontenam-panjakana tonga àry tao amin’ilay toeram-pivoriana tany Ioadabu, ary nanontany hoe iza no nanome alalana ny Vavolombelona hampianatra ny olona. Nanadihady an’ireo olona liana koa ny polisy. Nandrahona an’ireo rahalahy mihitsy aza ny pasitera sy ireo mpanefohefo sasany tao an-tanàna.

Nihemotra ny olona liana sasany, noho izany. Nisy anefa tsy nivadika mihitsy. Mpianatra 13 no natao batisa tao amin’ny Reniranon’i Laloki, ao Haima, tamin’ny 1954. Io no batisa voalohany teto. Anisan’izy ireo i Bobogi. Hoy izy: “Fantatro fa io no fahamarinana, ka izaho tsy hiala mihitsy na miala daholo aza ny Koiari rehetra.” Tsy nivadika tokoa izy, mandra-pahafatiny tamin’ny 1974. Anti-panahy tao amin’ny Fiangonana Haima izy tamin’izay.

FOTOANA TSY HAY HADINOINA

Misionera kanadianina nanompo tany Aostralia i John Cutforth. Izy no mpiandraikitra ny faritra voalohany tonga teto, tamin’ny Jolay 1955. Tonga dia tiany ilay faritany: Mafana ny toetany, manetry tena ny olona, ary tsara ny fomba fiainany. Tsy nampoiziny hoe hanompo eto mandritra ny 35 taona mahery izy.

Nitondra an’ilay horonan-tsary hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa i John. Manazava momba ny asa fitoriana sy fivoriambe izy io. In-14 izy no nampiseho azy io, tao anatin’ny roatokombolana nijanonany teto. An-jatony ny mpanatrika, ary nisy fotoana aza 2 000 latsaka. Tena nisy vokany tamin’ny olona izy io. Maro koa moa no sambany vao nahita horonan-tsary!

Fivoriamben’ny faritra iray andro tao Haima no namarana ny fitsidihan’i John. Hoy i Tom Kitto: ‘Rehefa nasaina nitsangana ireo hatao batisa, dia 70 be izao no nijoro! Nientanentana erỳ ny fonay nahita rahalahy 40 sy anabavy 30 nilahatra teo amoron’ny renirano, mba hampiseho ny fanokanan-tenany ho an’i Jehovah.’

Nasiana fivoriamben’ny faritra faharoa tao Haima, ny taona nanaraka. I Bobogi, anisan’ny raiamandrenin’ny tanàna, no nasaina nanomana ny toerana sy ny sakafo ho an’ny mpanatrika. I John Sewell avy any Aostralia, izay antsoina koa hoe Ted, no mpiandraikitra ny faritra vaovao. Nihaona tamin’i Bobogi izy, telo andro talohan’ilay fivoriambe, mba hiresaka ny fanomanana.

“Inona izao no efa vitanareo?”, hoy i Ted tsy niolakolaka.

“Mbola tsisy!”, hoy i Bobogi.

Taitra i Ted ka nilaza hoe: “Efa alakamisy anie androany e, ary amin’ny alahady ny fivoriambe!”

“Tsy maninona izany, rahalahy aaa! Hataonay amin’ny asabotsy ny zava-drehetra”, hoy ihany i Bobogi.

Kepoka terỳ i Ted nandre izany. Lasa izy niverina tany Port Moresby, sady nieritreritra hoe: ‘Marina raha mba handeha amin’izay laoniny io fivoriambe io!’

Nitebiteby i Ted ny alahady, rehefa hankany Haima. Niova be anefa ilay toerana! Teo ambany alokaloky ny hazo be iray no nasiana ny lampihazo. Nalalaka sy voadio tsara ny teo anoloana, izay natao ho an’ny mpanatrika. Lavidavitra teo ny mpahandro, izay nitono henan-kisoa, kangoroa, serfa, voromailala, trondro, oviala, ary vomanga. Niketriketrika teo ambony afo kitay ny dite. Nahavita toerana fisakafoana koa ry zareo, ka faly erỳ ny olona nankeny. Io i Bobogi manara-maso sady tsy taitra akory. Nivanàka fotsiny i Ted!

“Fa taiza no nahaizanao nandamina an’izao, ry Bobogi?”, hoy izy tsy naharitra.

“Hitako tao amin’ilay horonan-tsary nasehon’i John Cutforth tamin’ny herintaona ireny”, hoy izy.

Olona 400 mahery avy tamin’ny foko valo no nanatrika an’ilay fivoriambe, ary 73 no natao batisa. Nantsoina hoe fivoriamben’i Bobogi izy iny, tatỳ aoriana.

SARY NO NENTINA NITORY

Nifindra teto i John Cutforth tamin’ny 1957, mba hitety faritany. Efa nitady hevitra hitoriana amin’ireo tsy mahay mamaky teny izy talohan’izay. Hampihatra ny hevitra hitany izy izao.

Izao no nataony rehefa nitsidika fiangonana na antoko-mpitory: Soratany eo amin’ny tabilao ny anarany sy ny an’ilay mpandika teny. Tondroiny ny lanitra avy eo, ary hoy izy: “Andriamanitra, iza no anarany?” Soratany ny valiny hoe “Jehovah” sy ny “Salamo 83:18.” Ataony eo ambany ankavia indray ny hoe “Tontolo Taloha”, ka asiany sarina olona mitomany, olona roa miady, fasana, ary ny “Romanina 5:12.” Eo ankavanana kosa ny hoe “Tontolo Vaovao”, ary asiany sarina olona mitsiky, olona roa mifandray tanana, fasana voatsipika, ary ny “Apokalypsy 21:4.” Hazavainy tsara ireo sary aorian’izay. Manasa mpitory ho eny aloha izy avy eo mba hamerina an’ilay fomba fitory. Rehefa hitany hoe mazava tsara ilay izy, dia asainy adika amin’ny taratasy, mba hoentina mitory.

“Sary Fitoriana Voalohany” no niantsoana azy iny, ary tena nandaitra teny amin’ny saha. Nisy sary fitoriana hafa koa tatỳ aoriana. Hoy i Lena Davison, izay nanompo 47 taona teto: “Nandany ora maro izahay nandika an’ireny sary ireny tamin’ny kahie. Samy nomena tsirairay ny mpianatra Baiboly, mba hitoriany amin’ny hafa.” Ny ankizy ihany no nandika ny sariny, sady kevoka erỳ nandoko azy ireny.

Nampiasaina tamin’ny fivoriana koa ny sary toy ireny. Hoy i Joyce Willis, mpisava lalana kanadianina nanompo teto nandritra ny 40 taona mahery: “Nanao sary teny amin’ny tabilao foana ireo rahalahy tamin’ny lahateny sy Fianarana Tilikambo, ka tena nandray soa ireo tsy nahay namaky teny.” Nampiasaina koa ny sary tamin’ny fivoriambe. Hoy i Mike Fisher, mpiandraikitra ny faritra teto: “Natao ngezabe ireo sary, ka sady nahafinaritra ny mpanatrika no nanampy azy hitadidy ny hevi-dehibe. Nataon’ny mpitory haingon-trano izy ireny, tatỳ aoriana, ka nampiasainy mba hitoriana amin’ny vahininy.”

Tsy nampiasaina intsony ny sary fitoriana rehefa nihamaro ireo nahay namaky teny, ary nihabetsaka koa ny boky nisy sary.

NITATRA IHANY NY FITORIANA

Maro ny mpitory aostralianina nifindra teto, taorian’ny 1955. Nody tany ambanivohitra koa ireo olona maro nahita ny fahamarinana tao Port Moresby. Vetivety àry dia niely eran’ilay tany ny vaovao tsara.

Nipetraka tao Port Moresby i David Walker, Aostraliana 26 taona. Reny tamin’ny 1957 fa nisy olona liana tao Manu Manu sy tany amin’ny faritr’i Gabadi. Niala tamin’ny asany àry izy, ka nanao mpisava lalana manokana, ary nitory irery tany izy nandritra ny herintaona. Nanohy izany ny mpitory hafa, tatỳ aoriana, ka misy fiangonana sy Efitrano Fanjakana izao ao Manu Manu.

Nahita mpanjono maromaro liana tamin’ny fahamarinana i Don Fielder, tamin’izy nitory tao an-tsenan’i Koki, ao Port Moresby. Avy any Hula izy ireo, izany hoe 100 kilaometatra eo ho eo miantsinanana. Te hanampy azy ireo sy ny fianakaviany i Don, ka nankany Hula niaraka tamin’i Athol Robson sy olona liana avy any. Ilay lakana vaovao misy vatany roa an’i Don no nandehanana. Nijanona tany telo andro izy ireo, ary nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny antokon’olona vitsivitsy.

Lasa mpisava lalana manokana tao Hula i Don, tsy ela taorian’izay. Nentiny tany koa i Shirley vadiny sy Debbie zanany vavy vao roa taona. Hoy i Don: “Nanao trano bongo kely izahay, ary nitory tamin’ireo tanàna dimy tao. Dia an-tongotra 12 kilaometatra teo ho eo isan’andro izany. Tena nandreraka ilay izy nefa nampahery. Nahazo mpianatra be dia be izahay, ary tsy ela dia nisy mpitory vaovao valo.”

Tezitra ny pasiteran’ny Fiangonana Mitambatra nahita an’i Don sy Shirley nitory. Notereny àry ny tompon’ilay tany nanorenana ny tranon’izy ireo mba handroaka azy. Hoy i Don: “Nandre izany ny olona tao amin’ny tanàna teo akaiky teo, ka tezitra tamin’ilay pasitera. Nisy olona 20 teo ho eo àry namindra ny tranonay tany amin’ny tanin’izy ireo.”

Nitady hevitra hafa anefa ilay pasitera. Nodrokidrokiny ny manam-pahefana, mba handrara an-dry Don tsy hanorina trano teo amin’ilay faritany. Hoy i Don: “Tsy nilavo lefona izahay. Mpandrafitra mahay i Alf Green, ka nasainay nesoriny izay hazo tsaratsara tamin’ny tranonay, mba hanamboarana efitra iray teo ambonin’ilay lakana kelinay. Nofatoranay teo amoron’ny renirano tsy lavitra teo izy io. Nisy voay ilay rano. Ny moka koa moa tsy lazaina intsony. Teo anefa izahay no nipetraka nandritra ny roa taona sy tapany, sady nanao mpisava lalana.” Niverina tao Port Moresby izy ireo, rehefa teraka i Vicki, zanany vavy faharoa. Lasa mpitety faritany i Don tatỳ aoriana. Efa anisan’ny Komitin’ny Sampana koa izy.

FITORIANA TANY KEREMA

Nampianatra tovolahy maromaro avy any Kerema i Lance sy Daphne Gosson, tao Port Moresby. Tanàna amoron-tsiraka, tokony ho 225 kilaometatra miankandrefana izy io. Nanao vakansy tany Kerema ireo tovolahy ireo tatỳ aoriana, ka nanararaotra nankany koa i Lance sy Jim Chambliss, mba hitory tamin’ny mponina tao nandritra ny tapa-bolana.

Hoy i Lance: ‘Tonga hihaino anay ny iray tanàna. Niditra tampoka anefa ny pasitera iray, ka namely totohondry an’ilay mpandika teny. Efa nahavoa imbetsaka izy vao voasakan’ny olona. Nanitrikitrika izy hoe tsy mila anay ny olona, ary noroahiny izahay fa faritaniny, hono, io. Nilaza àry izahay hoe izay te hihaino anay dia afaka manaraka anay, fa ny sisa kosa mijanona miaraka amin’ilay pasitera. Nanaraka anay daholo anefa ny olona.

‘Nankany amin’ny lehiben’ny faritra izahay ny ampitson’iny, mba hitaraina taminy. Nisy ramatoa narary mafy hitanay teny an-dalana. Te hitondra azy tany amin’ny hopitaly izahay, nefa tsy nety izy. Noresenay lahatra ela be izy vao nanaiky. Rehefa nahazo dokotera izy, vao nankao amin’ilay lehiben’ny faritra izahay. Ingahy io kosa tsy faly nahita anay. Nendrikendrehiny aza izahay hoe mandrara ny olona tsy hamonjy dokotera, hono. Tamin’izay indrindra no niditra ilay dokotera, ary naheno an’ilay resaka. Nilaza àry izy fa vao teo mihitsy izahay no nandresy lahatra vehivavy iray mba hitsabo tena tao amin’ny hopitaly. Niala tsiny avy hatrany ilay lehiben’ny faritra, raha vao nandre izany. Tonga tao aminy, hono, ny pretra katolika, ary nilaza lainga momba anay. Nanendry polisy roa mitam-piadiana àry izy mba hiaro anay. Eritrereto ange e! Rehefa mampianatra Baiboly izahay, dia misy polisy mitam-basy eo miambina anay! Taiza no mbola nisy an’izany!’

Tsy ela taorian’izay, dia voatendry ho mpisava lalana manokana tao Kerema, i Jim Smith sy Lionel Dingle, tovolahy aostralianina. Ahoana no nahaizan’izy ireo teny tairuma, izay fiteny teo an-toerana? Hoy i Jim: “Milaza zavatra amin’ny teny motu izahay, ka ireo mpianatra Baiboly no mandika izany amin’ny teny tairuma, ary soratanay ilay dikany. Izany no nahaizanay voambolana sy fomba fitory tsotsotra. Gaga be ny olona nandre anay niteny tamin’ny fiteniny. Tsy nisy fotsy hoditra nahavita an’izany mantsy tany. Afaka telo volana monja izahay dia efa nitarika fivoriana tamin’ny teny tairuma. Toerana roa no nanaovana izany, isan-kerinandro.”

Nandimby an-dry Jim sy Lionel tao Kerema i Glenn Finlay, mpisava lalana aostralianina hafa. Izy irery no nitory tao nandritra ny herintaona sy tapany. Hoy izy: “Tena tsy mora ilay izy. Lasa eritreritra aho indraindray hoe: ‘Mba misy vokany ihany àry ve ny ezaka ataoko?’ Nahazo valiny aho indray andro.

“Anisan’ny nampianariko Baiboly i Hevoko, rangahibe mpanao mofo. Tsy nahay taratasy mihitsy izy, ary fahamarinana kely no mba hainy tao anatin’ny volana maromaro. Nieritreritra aho hoe: ‘Sao dia lany andro fotsiny àry aho mampianatra an’ity rangahy ity?’ Indray maraina izay anefa aho teo akaikin’ny tranony, ka nandre azy nivavaka mafy. Nisaotsaotra an’i Jehovah izy nampahafantatra ny marina momba ny anarany sy ny Fanjakany. Tsapako tamin’izay fa ny fo no jeren’i Jehovah fa tsy ny fahaizana. Fantany hoe iza no tia azy.”—Jaona 6:44.

FIVAVAHANA HAFAHAFA

Tamin’ny 1960, dia nifindra tao Savaiviri, 50 kilaometatra atsinanan’i Kerema, i Stephen Blundy sy Allen Hosking, mpisava lalana manokana aostralianina. Tranolay no nipetrahan’izy roa lahy, nandritra ny telo volana. Avy eo izy ireo nifindra tamin’ny trano bozaka, teo amin’ny toeram-pambolena voaniho voahodidina heniheny.

Nisy fivavahana hafahafa tao Savaiviri. Nanao fihetsika miaramila izy ireo rehefa nivavaka. Taorian’ny Ady Lehibe II izy io no nanomboka. Gaga be mantsy ny mponina nahita an’ireo miaramila vahiny nitondra entam-be. Nentin’izy ireo nody anefa ireny entana ireny, rehefa vita ny ady. Mino ny olona eto fa any amin’ny faravodilanitra any ny fanahin’ireo razambe. Avy any koa anefa ireo sambo nitondra entana be dia be. Nihevitra àry izy ireo fa nalefan’ireo razany ho azy ireo ireny entana ireny, saingy lasan’ny miaramila. Mody nanao fanazaran-tena toy ny miaramila àry ny mponina, mba handefasan’ireo razambe entana, hono. Nanorina fitodian-tsambo koa izy ireo, mba handraisana ireo entana be dia be halefan’ny razany.

Tsy ela i Stephen sy Allen dia nampianatra olona 250 teo ho eo avy amin’ilay fivavahana. Anisan’izany ny mpitarika azy io, sy ny sasany tamin’ireo antsoina hoe “apostoly 12.” Hoy i Stephen: ‘Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroan’izy ireo. Nilaza mihitsy aza ny manamboninahitra iray hoe fongotra ihany ilay fivavahana hafahafa, noho ny fitoriana nataonay.’

NADIKA IREO BOKY SY GAZETY

Hitan’ireo mpisava lalana voalohany, fa tena nilaina ny boky sy gazety tamin’ny fitenin’ny olona. Ahoana no handikana izany, nefa 820 ny fiteny eto?

I Tom Kitto no nisantatra izany tamin’ny 1954. Ilay toko hoe “Tany Vaovao” tao amin’ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” * no nofidiny. Naka rahalahy vitsivitsy izy mba handika azy io tamin’ny teny motu, fiteny ao Port Moresby. Natao toy ny bokikely ilay izy, ary 200 mahery no vita tamin’ny milina mpanao kopia. Faly erỳ ny olona namaky azy io.

Rehefa nisy faritany nosokafana, dia nikely aina ireo mpisava lalana nandika boky tamin’ny fitenin’ny olona. Hoy i Jim Smith: “Nangoniko izay teny na fomba fiteny haiko, ka nanaovako rakibolana sy fanazavana momba ny fitsipi-pitenenana. Ireo no nampiasaiko handikana lahatsoratra fianarana amin’ny teny tairuma. Nadikako tamin’ny milina izay vita, mba hozaraina amin’ny mpivory. Matetika izany no alina be vao vita. Nandika taratasy mivalona iray sy bokikely iray koa aho. Nanampy olona maro hahita ny fahamarinana izy ireny.”

Nisy koa lahatsoratra nadika tamin’ny teny hula sy toaripi. Hitan’ireo rahalahy anefa fa tsy ho vita mihitsy ny handika teny ho amin’ny fiteny rehetra. Ny teny hiri motu sy tok pisin ihany àry no nifantohany, satria ireo no tena be mpampiasa. Teny motu notsorina ny hiri motu, izay fampiasan’ny olona maro any amoron-tsiraka. Hoy i Don Fielder: “Niezaka mafy izahay nanatsara ny fomba fanoratana an’io fiteny io. Lasa mazava sy mora azo ilay izy, noho ireo Tilikambo sy lahatsoratra hafa navoaka tamin’io fiteny io.” Ny teny tok pisin kosa dia teny anglisy mifangaro teny alemà sy kuanua ary fiteny hafa. Ampiasaina any afovoan-tany sy any amoron-tsiraka, ary ao amin’ireo nosy any avaratra izy io. Ahoana no nahatongavan’ny vaovao tsara hatrany?

TONGA HATRANY AVARATRA NY VAOVAO TSARA

I Ken sy Rosina Frame no Vavolombelona tonga voalohany tany Nouvelle-Irlande, tamin’ny Jona 1956. Ao amin’ny Vondronosy Bismarck, any avaratratsinanana no misy azy io. Mpivady vao izy ireo sady mpisava lalana. Mpitana kaonty i Ken, ary nahita asa tao amin’ny orinasa lehibe iray tao Kavieng, tanàn-dehibe any. Hoy i Ken: “Nahazo torohevitra izahay tany Sydney mba tsy hitory ampahibemaso raha tsy efa zajatra anay ny olona. Nahay nanjaitra be i Rosina, ka vetivety dia maro no nampanjaitra tao aminy. Nitory tamin’izy ireny izahay, ka tsy ela dia nisy olona liana vitsivitsy nivory tao aminay isan-kerinandro, na dia mbola niafinafina aza.

“Nitsidika anay i John Cutforth, mpiandraikitra ny faritra, herintaona sy tapany taorian’izay. Te handefa an’ilay horonan-tsary hoe Ny Fahasambaran’ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao izy. Niresaka tamin’ny tompon’ny sinema iray izahay, ka navelany handefa an’ilay izy sady tsy nakany vola. Ilay izy rahateo tsisy vidim-pidirana. Niresaka be momba azy io angamba ny mpiasany, ka be dia be ny olona tonga. Saika tsy tafiditra izahay raha tsy teo ny polisy. Maherin’ny 230 ny mpijery, ankoatra an’ireo nitsiritsirika teo am-baravarankely. Nitory ampahibemaso izahay taorian’iny.”

Lasa nisy fiangonana tao Rabaul, tamin’ny Jolay 1957. Tanàna tsara tarehy any Nouvelle-Bretagne izy io, eo anelanelan’ny tendrombohitra roa nisy volkano. Tao ambadiky ny tranon’ny mpisava lalana manokana no natao ny fivoriana. Hoy i Norm Sharein: “Olona zato mahery no tonga tao aminay isan-kariva mba hianatra Baiboly. Nozarazarainay izy ireo ka 20 teo ho eo no nampiarahina. Nasiana jiro teo am-bodihazo, ka teo izahay no nampianatra.”

Fito no natao batisa, tamin’ny fivoriamben’ny faritra voalohany tany, ary lasa mpisava lalana ny dimy. Aiza anefa no faritany tsara anompoan’izy ireo? Namaly ny sampan’i Aostralia hoe: Madang!

Eo amin’ny morontsiraka avaratratsinanana i Madang. Tena be olona liana tao, ka tsy naharaka ireo mpitory vitsivitsy. (Jaona 4:35) Nifindra tany ry Matthew Pope, mpisava lalana kanadianina, ary nividy trano be iray. Nisy efitra kely maro fanampiny izy io, ka afaka nandray mpisava lalana maro hafa izy ireo.

Nisy mpisava lalana valo tonga avy any Rabaul, ary niely nanerana ny Faritr’i Madang. Anisan’izy ireo i Tamul Marung. Nividy bisikileta izy, ary nandray sambo nankany Basken, tanàna niaviany, izay 48 kilaometatra any avaratr’i Madang. Nitory tany izy, ary nandeha bisikileta rehefa nody tao Madang sady nitory ihany. Nanorina fiangonana izy rehefa niverina tany Basken, ary nanao mpisava lalana tao nandritra ny 25 taona. Nanambady aman-janaka izy, ary lasa Betelita ny zanany vavy sy ny zafikelin’ny zokiny.

Nihaona tamin’i Kalip Kanai i John sy Lena Davison, tao Madang. Mpampianatra izy io, ary avy any Talidig, tanàna eo anelanelan’i Basken sy Madang. Nankany Talidig àry ry John mba hampianatra an’i Kalip sy ny fianakaviany. Tezitra ny mpanara-maso ny sekoly, izay Katolika nafana fo, ka nasainy noroahin’ny polisy hiala tao amin’ny tranony i Kalip sy ny havany. Tsy kivy izy ireo fa nifindra tany Bagildig, tanàna teo akaiky teo. Lasa nisy fiangonana nandroso be tany. Nahavita Efitrano Fanjakana lehibe izy ireo tatỳ aoriana, ary nanaovana fivoriambe koa ilay izy. Misy fiangonana fito sy antoko-mpitory roa izao ao amin’ny Faritr’i Madang.

Nandroso koa ny asa tany Lae, 210 kilaometatra any atsimoatsinanan’i Madang. I John sy Magdalen Endor ary Jim Baird no nanompo tany. Hoy i John: “Olona be dia be no niara-nampianarinay, saika isan-kariva. Lasa mpitory ny folo, tao anatin’ny enim-bolana.” Maherin’ny 1 200 no nijery an’ilay horonan-tsary hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa, tamin’ny faramparan’ilay taona. Mpiasa tsy maharitra ny ankamaroan’izy ireny. Nody tany an-tanànany izy ireo rehefa vita ny asany, ka nitondra ny vaovao tsara tany.

Niasa tsara koa ireo mpitory tany afovoan-tany. Anisan’izany i Jack Arifeae, rahalahy bota be sady boribory tarehy, izay tena nafana fo. Nanokatra fiangonana tao Wau izy, ary tao an-tranony no natao ny fivoriana. Misy foko atao hoe Kukukuku any. Natahoran’ny maro izy ireo taloha satria nihinana olona. Nianatra Baiboly anefa ny 30 teo ho eo tamin’izy ireo, ary nandroso tsara.

Nazoto nitory tao Bulolo koa i Wally sy Joy Busbridge. Tezitra ny antokom-pivavahana iray satria faritaniny, hono, io ka tsy misy mahazo mitory ao. Noteren’ireo mpivavaka ireo koa ny mpampiasa an’i Wally, ka nandrahona azy hoe: “Horoahiko ianao raha tsy miala amin’io fivavahanao io.” Nifindra tany Lae izy mivady, ary nitory foana. Nanompo manontolo andro izy ireo, ary nanao ny asan’ny faritra an-taonany maro.

I Jerome sy Lavinia Hotota kosa no nitory voalohany tany Popondetta, tanàna kely eo atsimoatsinanan’i Lae. Tany Port Moresby izy ireo taloha, fa nody tao amin’ilay faritany niaviany. Rahalahy tena navitrika i Jerome, sady nahay nandresy lahatra tamin’ny alalan’ny Soratra Masina. I Lavinia kosa tsara fanahy sy be fiahiana. Efa nampoizina fa hisy ny fanoherana. Tonga tao an-tranony ny eveka anglikanina, niaraka tamin’ny mpivavaka be dia be, ka nandrara azy tsy hitory intsony. Tsy natahotra anefa izy mivady. Lasa nisy fiangonana kely matanjaka tao.

Tonga tany Wewak ny vaovao tsara, tamin’ny 1963. Io no tanàna avaratra indrindra eto Papouasie-Nouvelle-Guinée. Anisan’ny nanorina ny hopitalin’i Wewak i Karl Teynor sy Otto Eberhardt, samy Alemà. Niasa izy ireo ny antoandro, fa nampianatra olona liana 100 mahery kosa rehefa hariva sy faran’ny herinandro. Tezitra ny pretra katolika, ka nitaona olona hanakorontana. Natsipin’izy ireo tany an-dranomasina ny môtôn’izy roa lahy. Anisan’ireo lohandohany tamin’izany ny raiamandrenin’ny tanàna iray. Lasa Vavolombelona anefa ny zanany lahy, ka niova be ny fitondran-tenany. Nampiaiky an’ilay rainy izany, ka navelany hitory tao amin’ireo tanàna niadidiany ny Vavolombelona.

NIORINA NY BIRAON’NY SAMPANA

Nanao izay ho afany ny mpitondra fivavahana mba hampanginana ny Vavolombelona. Ireo rahalahy kosa niezaka ‘nanamafy orina ny vaovao tsara araka ny lalàna.’ (Fil. 1:7) Nekena ho ara-dalàna àry ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, tamin’ny 25 Mey 1960. Afaka nahazo tanim-panjakana hanorenana efitrano na trano hafa ireo rahalahy, noho izany.

Lasa sampana i Papouasie-Nouvelle-Guinée, tamin’ny faramparan’io taona io. I John Cutforth no voatendry ho mpikarakara ny sampana. Tsy hita anefa izay toerana hasiana birao, satria tsy nisy firy ny tany azo nohofana.

Voavaha ny olana rehefa tonga teto i Jim sy Florence Dobbins. Tao amin’ny tafika an-dranomasina amerikanina i Jim, ary nandalo teto ry zareo tamin’ny Ady Lehibe II. Lasa Vavolombelona izy mivady tatỳ aoriana, ary te hanompo bebe kokoa. Hoy i Jim: ‘Nisy rahalahy avy ao Port Moresby tonga tao aminay, tany Ohio, Etazonia, tamin’ny 1958. Nitondra sary maro izy. Hadinony anefa ny sary iray. Tsara be mihitsy ny toerana tao amin’ilay izy. “Andao halefa paositra any aminy io”, hoy i Florence. Namaly anefa aho hoe: “Aleo isika mihitsy no manatitra azy.” ’

Herintaona tatỳ aoriana, dia nifindra tao Six Mile, tsy lavitra an’i Port Moresby, i Jim sy Florence, ary i Sherry sy Deborah, zanak’izy ireo. Nipetraka tamina trano simenitra ry zareo. Niresaka tamin’i Jim i John Cutforth taoriana kelin’izay.

Nitaraina izy hoe: “Efa nitety an’i Port Moresby aho, rahalahy, fa tsy nahita toerana hasiana biraon’ny sampana mihitsy.”

“Koa maninona raha atao ao aminay?”, hoy i Jim. “Ampiasao ny efitra telo eo anoloana, dia izahay hipetraka ao ambadika.”

Ny tranon-dry Dobbins àry no natao biraon’ny sampana voalohany teto, tamin’ny 1 Septambra 1960.

NANDAMÒKA NY TETIK’IZY IREO

Tsy nipetra-potsiny anefa ny mpanohitra. Nanomboka tamin’ny 1966, dia nivondrona ireo Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina sy ny Fikambanan’ny Bekotromaroholatra (LSR), ary ny mpanao gazety, ka nanao hetsika hanaratsiana sy handrarana ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ny tena nampitroatra azy ireo, dia ilay bokikely nanazava hoe tsy mety ny fampidiran-dra. Nozaraina tamin’ny dokotera sy mpitondra fivavahana ary manam-pahefana sasany izy io. Mazava ho azy fa ny mpitondra fivavahana no nanangam-bovona voalohany. Izao no lohateny lehibe tao amin’ny Gazetin’i Pasifika Atsimo, tamin’ny 30 Aogositra 1960: “Tezitra Tamin’ilay Resaka Fampidiran-dra ny Fivavahana.” Voalaza tao fa nampangain’izy ireo ho “antikristy [sy] fahavalon’ny Eglizy” ny Vavolombelona.

Nisy gazety koa nilaza hoe mpanongam-panjakana ny Vavolombelona. Izy ireo, hono, no mahatonga ny ankizy hingitrika, sady mampirisika ny olona tsy handoa hetra sy hanompo sampy ary ho voretra. Nisy tako-masoandro tamin’izay, ka nisy nanely tsaho hoe nampiasain’ny Vavolombelona izany mba hampitahorana sy “hametsifetsena an’ireo olona bado.” Nesoina koa izy ireo, satria hoe “miara-mipetraka sy miara-misakafo ary miara-miasa amin’ny tambanivohitra.” Nokianin’ny Gazetin’i Pasifika Atsimo ny Vavolombelona, satria nampianatra hoe “mitovy daholo ny olona.” “Ratsy noho ny Kominista”, hono, izy ireo.

Nangataka tamin’ny Aostralianina mpanjana-tany ny LSR, ny 25 Martsa 1962, mba handrara ny Vavolombelona. Nanda anefa ny fitondrana aostralianina, ka nanao filazana tamin’ny fampahalalam-baovao. Hoy i Don Fielder: “Nisy vokany tsara izany. Hitan’ny olona malala-tsaina eran’ilay tany hoe nandainga ireo mpanohitra.”

FITORIANA TANY AFOVOAN-TANY

Niala tao Port Moresby i Tom sy Rowena Kitto tamin’io volana io, ary nankany afovoan-tany, izay faritra be tendrombohitra. Naharitra herinandro maromaro ny dia, ary tena nandreraka. Mbola tsy nisy nitory mihitsy tany.

Telopolo taona talohan’io no tonga tany ireo Aostralianina mpitrandraka volamena. Iray tapitrisa teo ho eo ny mponina tamin’izany, ary tsy nahalala na inona na inona ankoatra ny tao an-tanànany. Mbola tsy nahita fotsy hoditra mihitsy ry zareo, ka noheveriny fa matoatoa ireo vazaha!

Tonga koa ny mpitondra fivavahana, taoriana kelin’izay. Hoy i Rowena: “Raha vao henon’izy ireo hoe ho avy izahay, dia nofeperany ny mponina mba tsy hihaino anay. Vao mainka liana anefa ny olona, ka niandry mafy erỳ.”

Nanangana fivarotana kely i Tom sy Rowena tao Wabag, izay 80 kilaometatra avaratrandrefan’ny Tendrombohitra Hagen. Hoy i Tom: “Tsy navelan’ny mpitondra fivavahana hividy na hivarotra na hiresaka taminay ny olona. Notereny mihitsy aza izy ireo mba tsy hampanofa tany anay intsony. Hitan’ny olona anefa hoe tsara fanahy izahay, fa tsy toy ny fotsy hoditra hafa. Matetika izy ireo no latsa-dranomaso ka niteny hoe: ‘Mijanòna foana eto aminay!’ ”

TSY VERY MAINA NY FAHARETANA

Nisy Vavolombelona be dia be avy any an-tany hafa nankany afovoan-tany, nanomboka tamin’ny 1963. Niankandrefana tsikelikely izy ireo, ka tsy ela dia nitory tamin’ny faritra rehetra, ary nanorina antoko-mpitory sy fiangonana maro.

Nisy fiangonana kely tao Goroka, any atsinanana. Tao an-tranon’olona izy ireo no nivory tamin’ny voalohany. Nahavita trano bongo izy ireo, tatỳ aoriana, ary nanao efitrano tsara tarehy nisy seza 40, tamin’ny 1967. Hoy i George Coxsen, izay nanompo folo taona tany: “Nivazivazy aho hoe: ‘Ireo seza ireo ve ho feno raha tsy amin’ny Hara-magedona!’ Diso hevitra anefa aho! Tsy ampy herintaona akory dia tsy maintsy nizara ny fiangonana, satria nitombo be ny mpivory!”

I Norm Sharein no tany akaikin’i Kainantu, atsinanan’i Goroka. Olona 50 mahery no tonga tao an-tranony isan’andro, mba hianatra Baiboly. I Berndt sy Erna Andersson no mpisava lalana nandimby azy, ary nijanona roa taona sy tapany tany. Hoy i Erna: “Mahalana be ny olona vao mandro, ary zara raha mitafy. Tsy nahay namaky teny mihitsy ry zareo sady mpilalao ody tsisy hevitra. Nampianay tamim-pitiavana anefa izy ireo, ka tsy ela dia nisy nahay tsianjery andinin-teny 150, sady hainy koa ny nanazava azy.”

Niraiki-po tamin’ireo mpianatra izy mivady. Hoy i Erna: “Rehefa voatendry ho any Kavieng izahay, dia nitangorona teo amiko ireo vehivavy sady nitomany, ary nigogogogo mihitsy! Nifandimby nanafosafo ny tanako sy ny tarehiko izy ireo, sady nijoy ny ranomasony. Nankao an-trano aho rehefa hitomany, ka i Berndt no nampionona azy ireo, fa tsy laitra nampiononina mihitsy ry zareo. Nony tena lasa izahay, dia vahoaka be no nihazakazaka taorian’ny fiaranay. Ireo vehivavy amin’izany nigogogogo eran’ny lalana. Nalahelo faran’izay nalahelo aho tamin’iny. Mitomany foana aho isaky ny mitantara izany! Tsy andrinay ny hahitana an’ireny olona ireny ao amin’ny tontolo vaovao!” Nisy mpisava lalana hafa nandimby azy mivady, ka nanorina fiangonana tao Kainantu.

NODY VENTINY NY RANO NANTSAKAINA

Taoriana kelin’ny 1970, dia nisy Vavolombelona vitsivitsy nifindra tany amin’ny Tendrombohitra Hagen, 130 kilaometatra eo ho eo any andrefan’i Goroka. Nisy tanàna tao, ary nalaza izy io satria nisy tsena be isan-kerinandro, ka olona an’arivony no nankany. Hoy i Dorothy Wright, mpisava lalana be herim-po: “Nahapetraka boky sy gazety an-jatony izahay, isaky ny tsena.” Nentin’ireo mpiantsena nody izany, ka tody tany amin’ny faritra lavitra tsy tongan’ny mpitory.

Ao amin’ny lohasaha kanton’i Wahgi, atsinanan’ny Tendrombohitra Hagen no misy an’i Banz, tanàna mpamokatra kafe sy dite. Voatendry ho any i Jim Wright, zanak’i Dorothy, sy Kerry Kay-Smith, izay samy mpisava lalana. Mafy anefa ny fanoherana, satria nasain’ny mpitondra fivavahana nitora-bato sy nandroaka azy ireo avy tao an-tanàna ny ankizy. Nafindra toerana i Kerry, fa i Jim kosa mbola nijanona sady nanompo irery. Hoy izy: “Matetika aho no tsy nahita tory ka nivavaka hoe: ‘Jehovah ô, inona àry no ataoko atỳ?’ Afaka taona maro izany vao voavaly.”

Hoy ihany i Jim: “Niainga avy tany Aostralia aho tamin’ny 2007, mba hamonjy fivoriamben’ny vondrom-paritra tao Banz. Nisy Efitrano Fanjakana tsara tarehy teo akaikin’ilay nisy ny tranoko taloha. Mahazaka olona 1 000 izy io, rehefa itarina mba hanaovana fivoriambe. Vao tonga aho dia notsenain’ny rahalahy iray. Namihina ahy izy, sady nitomany teo an-tsoroko. Nangina ihany izy tamin’ny farany ary nanazava hoe izaho no nampianatra ny dadany, 36 taona talohan’io. Novakiny, hono, ireo boky nianaran’ny dadany, ka nanaiky ny fahamarinana izy. I Paul Tai no anarany ary efa anti-panahy izy.

“Nohadinadinina aho tamin’ilay fivoriambe, ka nitantara ny fanenjehana taloha. Nanganohano daholo ny ranomason’ny mpanatrika. Rahalahy maro no nanatona sy namihina ahy rehefa nirava. Sady nitomany izy ireo no niala tsiny, satria ry zareo, hono, no nitoraka sy nanompa ary nandroaka ahy, tamin’izy mbola kely. Teo koa i Mange Samgar, izay anti-panahy. Hay izy ilay pasiteran’ny Loteranina nampirisika an’ireo ankizy! Nahafinaritra erỳ ny nihaona tamin-dry zareo!”

FARITANY TSY NIASANA NEFA NAMOKATRA

Olona maro no nahita ny fahamarinana satria nisy mpitory niresaka taminy. Nisy kosa tany an-tany lavitra tsy nisy mpitory, saingy tonga ho azy tany aminy ny voan’ny fahamarinana. (Mpito. 11:6) Naharay tatitra tsy tapaka avy any amin’ny faritra akaikin’ny Reniranon’i Sepik, ohatra, ny sampana, tamin’ny 1970 tany ho any. Mbola tsy fantatry ny sampana anefa ilay anaran’olona nisoratra teo, sy ilay fiangonana nolazainy fa nisy azy, ary na ny tanànany aza. Nasaina nanadihady tany àry i Mike Fisher, mpiandraikitra ny faritra.

Hoy i Mike: “Nandeha sambokely adiny folo aho, rehefa nankany. Ilay renirano anefa tery sy feno moka, sady namakivaky ala. Nihaona tamin’ilay olona ihany aho nony hariva. Hay izy io voaroaka. Nody tany an-tanànany izy, ary nibebaka irery tao, ka nanomboka nitory. Olona 30 mahery no nilaza fa Vavolombelon’i Jehovah, tao amin’io tanàna io, ary efa nahafeno fepetra hatao batisa ny sasany. Voaray indray ilay rahalahy tsy ela taorian’izay, ary neken’ny sampana ho antoko-mpitory ry zareo.”

Nahita zavatra nitovitovy tamin’izany koa i Daryl Bryon, mpiandraikitra ny faritra, tamin’ny 1992. Henony hoe nisy olona liana, hono, tany amin’ny tanàna lavitra be iray. Hoy izy: “Nandeha fiara 80 kilaometatra aloha aho, avy eo nandeha an-tongotra adiny iray sy sasany tany anaty ala, ary nandeha lakana adiny iray. Gaga be aho, rehefa nahita trano vaovao teo amoron-drano, nisy soratra hoe ‘Vavolombelon’i Jehovah—Efitrano Fanjakana.’

“Olona liana 25 teo ho eo no nivory tao isaky ny alahady, ary ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany no nianarany. Nilaza ry zareo hoe Vavolombelona, ka nanontaniako hoe: ‘Ianareo ve mihinana an’ireny voan-javatra mahadomelina ireny?’ Namaly izy ireo hoe: ‘Vao nahita ny fahamarinana izahay dia tsy nihinana an’ireny intsony, efa herintaona izay!’ Nampidirin’ny sampana ho anisan’ny faritra tsidihiko ry zareo, ka faly erỳ aho.”

NIHAMARO NY MISIONERA TONGA

Tondraka ny fitahiana, teo anelanelan’ny 1980 sy 2000. Tonga teto ny misionera maro avy any Gileada, sy ireo rahalahy nahavita ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ary mpisava lalana manokana avy any Alemaina, Angletera, Aostralia, Etazonia, Failandy, Japon, Kanada, Nouvelle-Zélande, Philippines, Soeda, ary tany hafa. Niampy ny fitahiana rehefa nanambady Vavolombelona be zotom-po ny sasany tamin’izy ireo.

Nampianarina teny tok pisin na hiri motu nandritra ny roa na telo volana ny ankamaroan’izy ireo, rehefa tonga. Isa-maraina izy ireo no mianatra, fa mandeha manompo kosa ny hariva ary mampihatra izay nianarany. Efa afaka nampianatra sy nanao anjara tany am-pivoriana izy ireo, volana vitsivitsy taorian’izay.

Lasa nanana faharetana kokoa izy ireo rehefa nianatra fiteny hafa, ka nangoraka an’ireo tsy nahay taratasy. Maro àry no nampianarin’izy ireo hamaky teny, ka afaka namaky Baiboly. (Isaia 50:4) Nitombo 50 isan-jato ny isan’ny mpitory tao anatin’ny sivy taona, satria 2 000 tamin’ny 1989 ary 3 000 teo ho eo tamin’ny 1998.

Maro tamin’ireo misionera no tsy maintsy nandao an’i Papouasie-Nouvelle-Guinée, satria tsy salama na nisy antony hafa. Sarobidy anefa ny lova ara-panahy navelany. Tsaroan’ny olona foana izy ireny, satria be fitiavana sady tsy nivadika.—Heb. 6:10.

MANDROSO NY ASA NOHO NY FANORENANA

Rehefa nihamaro ny mpitory, dia nilaina koa ny Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe maro kokoa, ary nila nitarina ny tranon’ny sampana. Ahoana no hahavitana an’izany?

Nizara tany ho an’ny fivavahana ny Sampan-draharahan’ny Fananan-tany, talohan’ny 1975. Raha nisy fivavahana te hahazo tany, dia nila nanao fangatahana sy nanazava tamin’ny tompon’andraikitra. Izay nahafeno fepetra dia nomena maimaim-poana, saingy tsy maintsy natao haingana ny fanorenana.

Nahazo tany tsara be tao Port Moresby ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena tamin’ny 1963, na dia nanohitra mafy aza ny mpitondra fivavahana. Tazana tsara avy eo amin’izy io ny ranomasina manga manganohano sy ny tsenan’i Koki. Nasiana trano misy rihana iray teo, izay natao biraon’ny sampana sy Efitrano Fanjakana. Nisy tany hafa koa azo tao Port Moresby ka nasiana Efitrano Fanjakana, toy ny tao Sabama, Hohola, Gerehu, ary Gordon.

Talaky maso tsara sady afovoan-tanàna ilay tany ao Gordon, izay efa nofandrihan’ny Anglikanina mba hanaovana katedraly. Hoy anefa i Ron Fynn, izay nanompo teto nandritra ny 25 taona: “Tamin’ilay fivoriana ho an’ireo nitady tany, dia nilaza ny tompon’andraikitra hoe mibodo tany fotsiny ny Anglikanina nefa ampiasainy hitadiavam-bola ilay izy. Tsy homena tany intsony, hono, ry zareo, raha tsy ampiasainy araka ny tokony ho izy izay efa azony.

“Nitodika tany amiko izy avy eo, ary nanontany hoe tany hoatran’ny ahoana no notadiavinay. Ilay saika hasiana katedraly ao Gordon, hoy aho, no tena tianay. Nitsangana ilay pasitera anglikanina ka saika hanohitra, nefa tonga dia nasain’ilay tompon’andraikitra nipetraka. Novitaiko hatramin’ny farany àry ny fanazavako. Gaga ny rehetra, fa nomena anay ilay tany.”

Naorina ny Efitrano Fanjakana sy tranon’ny sampana nisy rihana telo. Natao tamin’ny 12 Desambra 1987 ny fitokanana. Namidy kosa ilay trano tany Koki. Nitarina ny sampana teo anelanelan’ny 2005 sy 2010, ka nampiana trano fonenana nisy rihana telo sy Efitrano Fanjakana ary biraon’ny fandikan-teny. Notokanana kosa ireo tamin’ny 29 Mey 2010.

Misy Efitrano Fanjakana sy toeram-pivoriana 89 izao eto. Mbola efitrano tsotsotra ny ankamaroan’ny any ambanivohitra. Efa mba maoderina kosa ireo any an-tanàn-dehibe. Maro tamin’ireny efitrano vaovao ireny no vita, noho ilay tetikasa fanampiana ny tany mahantra, izay natomboka teto tamin’ny 1999.

TSY KIVY NA MARO AZA NY OLANA

Nifanaraka ireo fivavahana teto Papouasie-Nouvelle-Guinée fa hizara faritany. Nifanaiky ry zareo hoe samy tsy hitsabaka amin’ny faritanin’ny hafa. Mazava ho azy fa mitory amin’izay rehetra te hihaino ny Vavolombelon’i Jehovah, na aiza na aiza faritany misy azy. Tsy faly tamin’izany mihitsy ny mpitondra fivavahana, indrindra moa rehefa maro no nanaiky ny fahamarinana!

Hoy i Norm Sharein: “Rehefa nifindra tao amin’ny nosy kelin’i Kurmalak, any Nouvelle-Bretagne Andrefana, aho, dia ny pretra anglikanina no tonga tao amiko voalohany. ‘Tsy ilaiko mitory eto amin’ny faritaniko ianareo’, hoy izy, ‘fa efa Kristianina daholo ny olona eto!’

“Avy be ny orana taorian’izay, ary nanonja be ny ranomasina. Iny anefa nisy mpianatra Baiboly niezaka mafy nivoy lakana, nanatona an’ilay nosy. Nanao ny ainy tsy ho zavatra mihitsy izy mba hahatongavana teny amiko. Nisefosefo be izy nilaza fa misy Katolika be dia be ho avy eo mba hamono ahy. Mandeha sambo, hono, ry zareo ary katekista iray no mitarika azy. Tsy hitako izay handosirana, ka nangataka fahendrena sy herim-po tamin’i Jehovah aho.

“Tonga tokoa ilay sambo, izay nisy lehilahy 15 teo ho eo. Nolokoany mena be ny tarehiny, ho famantarana hoe tonga hiady ry zareo. Tsy niandry azy hankeny amiko aho fa tonga dia nanatona. Efa nisinda ny tahotro tamin’izay. Vao nanatona aho dia nilan’izy ireo vaniny, mba hananany antony hamelezana ahy. Tony foana anefa aho.

“Nahita izany ilay rangahibe tompon’ilay nosy. Mianatra Baiboly koa izy io, ary te hiaro ahy ka niteny hoe: ‘Ny Vavolombelon’i Jehovah tsy miady mihitsy. Tsy hamaly anareo izany io! Asio ange e!’

“ ‘F’inona koa àry’, hoy aho, ‘no lazain’ity rangahibe ity? Izany ve no mba fiarovany ahy?’

“Niezaka nampisaintsaina azy ireo teo aho, ary niangavy azy ireo mba handeha. Natolotro an’ilay mpitarika ny tanako havanana, mba ho mariky ny fihavanana. Gaga izy ireo ka nifampijery aloha. Noraisin’ilay katekista ihany ny tanako, ka niravona ilay disadisa, ary nifandray tanana daholo izahay rehetra. Lasa ihany ry zareo tamin’ny farany! Tonga dia tsaroako ilay tenin’i Paoly tamin’i Timoty hoe: ‘Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa, ... sy hahafehy tena rehefa misy mahasosotra.’ ”—2 Tim. 2:24.

Notantarain’i Berndt Andersson fa nitondra lehilahy 70 teo ho eo ny pasiteran’ny Loteranina, mba handroaka ny Vavolombelona sy handrava ny Efitrano Fanjakana. Gaga izy ireo fa notsenain’i Berndt teny an-dalana. Hoy izy tamin’ilay pasitera: ‘Nahoana ianareo no miteny hoe Anutu no anaran’Andriamanitra?’ Anarana noforonin’ireo mpitondra fivavahana mantsy io. Namaly ilay pasitera hoe: ‘Izay no ao amin’ny Baiboly ko!’ Dia hoy i Berndt: ‘Aiza ny andininy misy an’izany?’ Nosokafan’ilay pasitera ny Baiboliny, nefa tsy nahita izy. Nasain’i Berndt novakiny àry ny Salamo 83:18. Tsy hitany akory anefa ny Salamo, ka natoron’i Berndt. Novakiny mafy ilay andininy avy eo, ary rehefa voatonony ilay anarana hoe Jehovah, dia hoy izy: “Lainga izany e!”, sady nakombony ilay Baiboly. Efa nahateny an’izay izy vao tonga saina hoe hay ny Baiboliny ihany no nolazainy fa mandainga! Maro tamin’ireo mpanaraka azy no tsy nankahala Vavolombelona intsony taorian’iny.

Nisy ihany anefa ny Efitrano Fanjakana nodoran’ny mpanohitra, toy ny tao Agi, Faritanin’i Milne Bay. Anisan’ny nandoro azy io ny lehilahy iray mamo. Nanenina be izy avy eo ka nanatona an’ireo rahalahy, ary nianatra Baiboly. Lasa mpisava lalana izy tatỳ aoriana. Naorina indray ilay efitrano, ary nisy trano efa natao ho an’ny mpisava lalana teo akaikiny. Navela hipetraka tao izy, ka lasa mpiambina an’ilay toerana!

Azo lazaina hoe tantara efa nivalona ireny fanenjehana ireny, satria efa malalaka izao ny asa fitoriana. Hoy anefa i Craig Speegle: “Olana hafa indray izao no manahirana, dia ireo tontakely sy jiolahy mahery setra, antsoina hoe raskols. Rehefa mitory amin’ny faritany mampidi-doza àry ireo rahalahy, dia miaraka maromaro sady eny amin’ny talaky maso ihany.”

Hoy i Adrian sy Andrea Reilly, mpivady misionera: “Voaro kokoa ianao rehefa fantatry ny olona hoe Vavolombelona.” Hoy i Adrian: ‘Tsara ny mitondra boky na gazety rehefa miantsena na mitory. Marina fa tsy mahasakana ny loza izany, nefa mety hanampy satria hitan’ny olona hoe mpanompon’i Jehovah ianao. Maty tany amin’ny faritra be jiolahy tao Lae ny fiarako indray mandeha, nefa aho tsy nisy namana. Ireny fa nisy andian-jatovo nampahatahotra nitangorona teo amiko. Soa ihany fa nahatadidy ahy ny roa taminy satria nitoriako vao haingana. Izy ireo no niaro ahy. Tsy nangalatra na nampijaly ahy ry zareo, noho izany. Izy ireo indray aza no nanosika an’ilay fiarako hatreny amin’ny tranon’ny misionera!’

Nandeha niantsena ny anabavy iray, indray andro. Nisy jiolahy nanambana antsy azy, sady nibitsibitsika hoe: “Omeo atỳ iny poketra iny!” Nomen’ilay anabavy haingana ilay izy, ary lasa nandositra ireo jiolahy. Niverina anefa izy ireo rehefa kelikely, ka niala tsiny sady namerina an’ilay poketra sy ny tao anatiny rehetra. Fa naninona? Satria rehefa nanokatra an’ilay poketra izy ireo dia nahita Baiboly sy boky Fandresen-dahatra, ka nenjehin’ny eritreriny!

NITORY FOANA NA TAIZA NA TAIZA

“Nitory foana izahay na taiza na taiza nahitanay olona”, hoy i Elsie Thew. Nanompo teto izy sy Bill vadiny, tamin’ny 1958 ka hatramin’ny 1966. “Niresaka tamin’ny olona izahay, na tao an-trano, na teny an-jaridaina, na teny an-tsena, na teny an-dalana. Nitorianay koa ireo mpanjono teny amoron-drano na torapasika. Nitondra sarintanin’izao tontolo izao izahay rehefa nitory tany ambanivohitra be. Tena nilaina izany satria nandeha fiaramanidina izahay indraindray, ka noheverin’ny olona fa nilatsaka avy any an-danitra! Nasehonay azy ireo àry fa avy eto an-tany ihany izahay, saingy toerana hafa fotsiny.”

Lakana na sambo ihany no tonga any amin’ny tanàna sasany. Hoy i Steve Blundy: “Nisy rahalahy efa lehibe atao hoe Daera Guba, tao Hanuabada, Port Moresby. Tena nahay nanamboatra sambo izy io. Nampanaovinay puapua na sambokely àry izy. Efa nanana lakana roa izy, ka izaho sy ilay mpisava lalana namako no nividy hazo hatao teo anelanelany. Labasy no natao lay. Nentinay nitsidika tanàna amoron-tsiraka maro, teny akaikin’i Port Moresby ilay sambokely. I Daera no kapiteny, ary rahalahy roa na telo avy ao Hanuabada no matiloa.”

Nosy tsara tarehy i Nouvelle-Irlande, ary 650 kilaometatra any avaratratsinanana no misy azy. Nanompo tany i Berndt Andersson, taloha kelin’ny 1970. Hoy izy: ‘Betsaka ny olona avy amin’ireo nosy manodidina niangavy anay mba hankany aminy. Izahay anefa tsy nanana sambo, moa ny volanay koa kely dia kely. Nanana hazo vitsivitsy ihany izahay, saingy tsy hahavitana sambo mihitsy. Noresahinay tamin’i Jehovah àry ilay izy. Dia nahazo vola tokoa izahay! Nisy rahalahy avy any Lae nandefa vola ho anay, mba hitsidihanay an’ireo nosy. Nahavita sambo àry izahay, ary nataonay hoe Pioneer [Mpisava Lalana] ny anarany, saingy tsy nisy maotera ilay izy. Nanome vola anay indray anefa ilay rahalahy, ka nividiananay maotera kely. Izay izahay vao afaka nankany amin’ireo nosy mahafinaritra!’

Tamin’ny 1990 tany ho any, dia nankany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana iray tany akaikin’i Indonezia i Jim Davies, mpiandraikitra ny faritra. Niaraka tamin’ny rahalahy telo izy. Nikarakara ny filasian’izy ireo ny olona liana iray, vadin’ny mpiandraikitra lefitra tao amin’ilay toby. Hoy i Jim: “Nandeha lakana efa ho adiny roa izahay, nanaraka ny Reniranon’i Fly. Niala izahay avy eo, ary nankeo amin’ny lalan-kely iray ka niandry fiara hitondra anay, nanomboka tamin’ny sivy maraina.

“Tamin’ny dimy hariva vao nisy fiara. Nampiakarinay àry ny entana, dia lasa izahay. Tsy nandeha zato metatra akory anefa ilay fiara dia simba! Tsy taitra akory ilay mpamily. Naka tariby kely izy, dia nankao ambanin’ilay fiara, ary namatotra piesy tao. ‘Io ve ho lasa lavitra?’, hoy aho anakampo. Tena nitana anefa ilay izy. Mbola nahavita nandeha adiny dimy ilay fiara, sady amin’izay lalana ratsy be! Nihitsoka tao anaty fotaka izahay indraindray, ka tsy maintsy nanosika. Tamin’ny folo alina izahay vao tonga, sady vizana no feno fotaka!

“Nizarazara tany anaty ala ny olona tao amin’ilay toby. Nitory nandritra ny telo andro àry izahay, ary lany daholo ny boky sy gazetinay. Nahita voaroaka iray koa izahay, ary naniry hiverina izy. Faly izahay rehefa henonay fa tafaverina ilay rahalahy, ary nanaiky ny fahamarinana ny vadiny sy ny zanany sasany. Lasa Vavolombelona koa ilay mpivady nikarakara ny filasianay.”

TENY AMIN’NY RENIRANON’I SEPIK

Toy ny bibilava miolikolika mankany an-dranomasina ny Reniranon’i Sepik, izay mirefy 1 100 kilaometatra mahery. Midadasika be izy io amin’ny toerana sasany, ka mila tsy ho tazana ny eny ampita. Io renirano io no lalana fampiasan’ireo rahalahy, anisan’izany ireo mpiandraikitra mpitety faritany. Andao hojerentsika ny fiainan’ny mpiandraikitra iray sy ny vadiny, rehefa mitsidika any.

Hoy i Warren Reynolds: “Miainga vao maraina avy ao Wewak izaho sy Leann vadiko. Fatoranay eo ambony fiara ny sambokelinay mirefy telo metatra sy sasany. Mandeha lalana ratsy be mandritra ny adiny telo izahay. Avy eo dia ajanonay andro vitsivitsy eo amoron-drano ny fiara. Ilay sambokely no entina mitsidika an’ireo tanàna efatra, izay misy mpitory 30 latsaka amin’ny fitambarany.

“Fenoinay vatsy ilay sambokely misy maotera, dia lasa izahay! Mivily eo amin’ny Reniranon’i Yuat izahay, afaka adiny iray. Misampana avy amin’ny Reniranon’i Sepik izy io. Mandeha adiny roa indray izahay, ary tonga ao Biwat. Faly mandray anay ireo rahalahy sy ireo mpianatra Baiboly. Batain’izy ireo ny sambokelinay ary entiny any an-tranony. Akondro nandrahoina tamin’ny voaniho no arosony ho anay. Mandeha an-tongotra adiny roa manavatsava ala izahay rehetra avy eo, ka ireo mpitory no mitari-dalana sady mitondra ny entana. Tonga ao Dimiri izahay amin’ny farany, ary mangetaheta be ka misotro ranom-boaniho. Trano bongo misy tongony no ipetrahanay, ary oviala no sakafo hariva. Matory izahay rehefa avy mamelatra lay.

“Misy mpitory 14 ao amin’ireo tanàna telo any. Mitory izahay mandritra ny andro vitsivitsy, ary maro ny olona liana. Nisy mpianatra Baiboly roa nisora-panambadiana tany, satria te ho lasa mpitory. Nanao fety ho azy ireo ny mpitory hafa, ary faly erỳ izahay nanatrika izany. Akoho roa no novonoina, ary nampiarahina tamin’ny oviala sy karazana palmie ary anana.

“Faly be izahay ny alahady satria nisy olona 93 tonga nanatrika ny lahateny! Ataonay ao anaty kitapo babena ny entanay rehefa vita ny fivoriana, ary manainga izahay amin’ny antoandro be migaingaina. Rehefa tonga any Biwat izahay, dia ajanonay ao amin’ny mpianatra Baiboly iray ny entana, ary lasa izahay mitory. Be dia be no mandray boky sy gazety, ary misy koa manaiky hianatra. Rehefa hariva ny andro, dia misakafo izahay sady mitanina afo. Tsy manaikitra ny moka satria matahotra setroka.

“Vao mangiran-dratsy izahay dia mandeha sambokely ao anatin’ny zavona. Mahafinaritra erỳ ireo vorona misiotsioka sy trondro mitsambikimbikina avy ao anaty rano. Misy fianakaviana mandeha baka mifanena aminay, mitondra entana hamidy any an-tsena.

“Mandalo eo amin’ilay misy ny fiaranay izahay, ka maka solika sy rano fisotro ary vatsy. Lasa indray izahay avy eo, hitsidika an’ireo mpitory 14 ao Kambot. Tonga izahay afaka adiny roa, saingy nataon’ny orana kotsa hatrany anatiny. Miaraka aminay ireo mpitory avy ao Kambot, mba hitory amin’ny andaniny roa amin’ilay renirano. Tena mihaino ny olona, ka hariva izahay vao mody. Mitory amin’ny olona eny amin’ny fitodian’ny lakana izahay, rehefa miverina. Efa nahita anay nandeha mantsy izy ireo ny maraina, ka niandry anay teo. Tena mankasitraka ny olona rehefa itoriana na omena taratasy mivalona. Tsy manam-bola anefa ry zareo, ka voaniho, voatavo, trondro maina, ary akondro no ataony fanomezana. Efa mody masoandro izahay vao miverina any Kambot, ary ireny no ataonay sakafo.

“Misy tongony koa ny trano fivoriana ao Kambot, hoatran’ny trano rehetra any. Miakatra be ny rano rehefa fahavaratra, ka mandeha lakana hatreny am-baravarana ny mpivory. Nisy 72 no nanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro, ary nandeha an-tongotra adiny dimy ny sasany.

“Miverina any amin’ny fiaranay izahay amin’ny farany, ary fatoranay ao ambony ilay sambokely. Mandeha adiny telo indray izahay rehefa hody, sady mieritreritra an’ireo rahalahy sy anabavy any akaikin’i Sepik. Tena tsapanay fa tian’i Jehovah izy ireny, matoa miezaka mafy ny fandaminana manome sakafo ara-panahy ho azy. Faly izahay anisan’io fianakaviana mahafinaritra io!”

NIADY TAMIN’NY FANAHY RATSY

Milaza ho mpivavaka ny ankamaroan’ny mponina eto, nefa mbola mangata-pitahiana amin’ny razana sy mifandray amin’ny demonia ihany. Tato ho ato, hoy ny boky iray, dia nihamaro ny olona “mampiasa herin’ny maizina sy mamosavy.” Raha vao misy marary na maty àry, dia heverina fa namosavin’olona, na voan’ny todin-drazana.

Tena nanafaka an’ireny olona ireny ny fahamarinana. Nisy mpimasy aza nanaiky fa mahery ny Tenin’Andriamanitra. Tsy nilalao ody intsony izy ireo, ary nanaraka ny fivavahana marina. Ireto misy ohatra roa:

Mpisikidy tena nahery ody i Soare Maiga, ka natahoran’ny olona. Tany amin’ny 50 kilaometatra avy eo Port Moresby no nisy azy. Liana tamin’ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izy, ka nianatra Baiboly. Nanaiky ny fahamarinana izy, ary tsy nanao sikidy intsony. Izao anefa no nahagaga: Rehefa nariany ireo odiny, dia niverina ho azy tao an-tranony! Imbetsaka no nitranga izany. Tapa-kevitra ny ‘hanohitra ny Devoly’ foana anefa i Soare. (Jak. 4:7) Nataony tao anaty harona daholo àry ireo ody, dia nasiany vato be, ary natsipiny tany afovoan-dranomasina. Tsy niverina intsony ilay izy! Lasa Vavolombelona nafana fo i Soare, ka nanompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina.

Mpimasy sady mpanasitrana ihany koa i Kora Leke, ary nisy fanahy ratsy nanome azy hery miafina. Nianatra Baiboly anefa izy, ka tsy te hifandray amin’ny demonia intsony. Tapa-kevitra toa an’i Soare izy, ka nandresy noho ny fanampian’i Jehovah. Nanao mpisava lalana maharitra izy, ary lasa mpisava lalana manokana tatỳ aoriana. Tsy afa-nandeha intsony izy rehefa antitra, nefa tsy nivadika mihitsy sady nazoto nitory foana.

Misy toerana efa falehan’i Kora, satria tiany be ny mitory eo. Rehefa ho any izy dia naterin’ireo rahalahy tamin’ny borety, fa izay no fitaovana nisy. Nahita hevitra anefa ny rahalahy Betelita iray. Nalainy ny seza vy iray, dia nasiany labasy hipetrahana, ary nasiany kodiarana bisikileta. Nampiasain’i Kora tsara ilay izy. Tsy nila niantehitra tamin’olona intsony izy rehefa nandeha. Tena mampifaly ny fon’i Jehovah ireny zokiolona ireny, ka modely ho antsika!—Ohab. 27:11.

NAMPIANATRA NAMAKY TENY SY NANORATRA

Hoy ny Romanina 15:4: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika.” Midika izany fa tian’Andriamanitra hahay hamaky teny sy hanoratra ny vahoakany. Niezaka mafy àry ny Vavolombelon’i Jehovah teto, mba hampianatra ny olona hamaky teny sy hanoratra.

Marina fa tsy mora ny mianatra, indrindra ho an’ny olon-dehibe. Tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto anefa. Tena manan-kery koa ny Tenin’Andriamanitra, ka afaka manampy ny olona faran’izay mahantra sy tsy mahay na inona na inona.

Manaporofo izany ny tantaran’i Save Nanpen, tovolahy mipetraka any akaikin’ny loharanon’i Sepik. Mbola tsy nahita fiainana maoderina mihitsy izy, raha tsy rehefa nankany Lae. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tany, ka nahalala ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana. Nanohina ny fony izany. Nivory foana àry izy, ary lasa mpitory. Tsy tonga dia nazoto hatao batisa anefa izy. Nahoana? Satria efa nampanantena an’i Jehovah izy hoe tsy hatao batisa raha tsy mahavita mamaky Baiboly samirery. Niezaka mafy àry izy, ka tratrany ny tanjony.

Mbola betsaka no tsy mahay mamaky teny. Efa misy sekoly maro anefa eto, ary mianatra amin’izy ireny ny zanaka Vavolombelona. Anisan’ireo tena mahay mamaky teny ny tanorantsika, satria nampiofanin’ny ray aman-dreniny. Tena nanampy azy ireo koa ny fivoriana, toy ny Sekolin’ny Fanompoana.

MANOVA OLONA NY FAHAMARINANA

Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy araka ny nofo ny fitaovam-piadianay, nefa mahery, satria Andriamanitra no nanao azy ho mahery mba handravana zavatra efa mafy orina.” (2 Kor. 10:4) Na andinin-teny iray aza indraindray dia efa misy heriny lehibe. Novakina tamin’i Elfreda, ohatra, ny andininy iray misy ny anaran’Andriamanitra, tao amin’ny Baiboly amin’ny teny wedau. Nohamarininy tao amin’ny rakipahalalana iray izany, ka niaiky izy hoe: ‘Marina ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah.’ Tsy tia Vavolombelona mihitsy anefa i Armitage, vadiny. Mamo lava sy mpifoka sigara ary nihinana zava-mahadomelina izy io, sady be fo ka mora tezitra.

Rehefa nisotro ronono i Armitage, dia niala tany Lae izy mivady ka nankany Alotau, Faritanin’i Milne Bay. Tsy nisy Vavolombelona mihitsy tany. Nanao famandrihana Tilikambo sy Mifohaza! i Elfreda, ary natao an-taratasy ny fianarany Baiboly. Hoy i Kaylene Nilsen, ilay mpisava lalana nampianatra azy: “Tsy nanapaka fianarana mihitsy i Elfreda. Nalefany foana ny valin’ireo fanontaniana, isan-kerinandro.”

Tatỳ aoriana, dia voatendry ho any Milne Bay i Geordie sy Joanne Ryle, misioneran’i Gileada. Nitsidika an’i Elfreda izy ireo, ka nampahery azy sy niara-nitory taminy. Hoy i Geordie: “Nasain’i Armitage nampianatra Baiboly azy aho. Tsy natokitoky azy anefa aho satria henoko fa nanohitra be izy. Efa nianatra iray volana izahay vao niaiky aho hoe tena niova ny fony. Natao batisa izy, ary lasa mpanampy amin’ny fanompoana.” Lasa Vavolombelona koa ny zanany sy ny zafikeliny. Anisan’ny Komitin’ny Sampana izao i Kegawale Biyama zafikeliny.

Rehefa nanao mpisava lalana tany Hula i Don sy Shirley Fielder, dia nampianatra an’i Alogi sy Renagi Pala. Hoy i Don: “Mpangalatra sady mpiady aman’olona i Alogi. Nampahatahotra be koa izy satria nisy aretin-koditra, ary nisy vay ny molony ka rimbona ny ilany. Ry zareo amin’izany mihinana zava-mahadomelina menamena, ka hita misisika eny anelanelan’ireo nifiny mainty be ilay izy! Tsy noeritreretina mihitsy hoe izany no handray ny fahamarinana. Liana tamin’ny vaovao tsara anefa izy mivady, ka namonjy fivoriana. Nipetraka tany aoriana foana izy ireo ary tsy niteny mihitsy!

“Tena niova be i Alogi, tao anatin’ny enim-bolana. Tsy nangalatra na niady na nifamaly tamin’olona intsony izy. Nanao madio tsara koa izy mivady, ary nanome valin-teny tany am-pivoriana. Lasa mpitory mihitsy izy ireo. Anisan’ireo mpitory vitsy voalohany tany Hula, izy mivady.”

Mahaliana koa ny tantaran’i Abel Warak, nipetraka tany Nouvelle-Irlande. Boka izy ka lasa donto ny tanany sy ny tongony. Zara raha afaka nandeha izy, ary tsy nisy tsirony taminy intsony ny fiainana. Nanova tanteraka ny fomba fisainany anefa ny fahamarinana, ka lasa falifaly sy navitribitrika indray izy! Nanao mpisava lalana izy tatỳ aoriana. Naka trondro i Abel taloha, mba hataony sakafo. Tsy afaka nankeny amoron-dranomasina intsony anefa izy, satria mora naratra ny tongony. Nividianan’ireo rahalahy baoty àry izy. Nianatra nitondra bisikileta koa izy, ka afaka nitory lavitra. Nandeha 100 kilaometatra izy indraindray mba hitsidika olona liana. Indray mandeha aza izy nitsidika lehilahy iray tany amin’ny 145 kilaometatra, mba hanasa azy hanatrika Fahatsiarovana.

Na ny olona mifandramatra toy ny biby aza, dia miova ihany rehefa ‘mahalala an’i Jehovah.’ (Isaia 11:6, 9) Ohatra amin’izany ny mponina tao amin’ny tanàna roa any akaikin’i Banz. Mpifahavalo efa hatramin’ny ela izy ireo, ka mifanjinja foana. Vonona ny hihavana anefa ry zareo, rehefa nianatra Baiboly tamin’ny mpisava lalana manokana. Olona 60 teo ho eo tamin’izy ireo no niara-nanatrika fivoriambe tany Lae, tamin’ny 1986, sady niara-nipetraka mihitsy! Marina tokoa ilay teny ao amin’ny Zakaria 4:6 hoe: “ ‘Tsy amin’ny alalan’ny tafika, na ny hery, fa amin’ny alalan’ny fanahiko’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.” Manampy an’ireo tso-po foana ny fanahy masina, mba hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly!

AVOTRA IHANY NY TOKANTRANONY!

Tsy manaja ny fanambadiana ny olona any amin’ny tany maro noho ny fomban-drazany, ary tsy hentitra amin’izany koa ny fivavahany. (Mat. 19:5; Rom. 13:1) Toy izany mihitsy ny eto Papouasie-Nouvelle-Guinée. Tsy maintsy manova ny fiainany àry ireo manao tokantranomaso na mampirafy, raha te hampifaly an’i Jehovah. Diniho ny tantaran’i Francis sy Christine vadiny.

Niala tsy ho miaramila i Francis, ary nariany ny vadiny sy ny zanany roa. Nody tany amin’ny Nosy Goodenough, Faritanin’i Milne Bay, i Christine sy ny ankizy. I Francis kosa niverina tany amin’ny Tendrombohitra Hagen. Niara-nipetraka tamin’ny vehivavy efa nanan-janaka izy taorian’izay. Nivavaka tany amin’ny Assemblée de Dieu ry zareo. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona anefa ilay vehivavy tatỳ aoriana. Mba liana koa i Francis, ka niara-namonjy fivoriana izy ireo.

Te ho lasa mpitory i Francis, nefa mbola tsy ara-dalàna ny tokantranony. Nisaintsaina sy nivavaka izy, ary nifampidinika tamin’ilay vehivavy. Nifindra trano àry ilay vehivavy sy ny zanany. I Francis kosa nankany amin’i Christine, izay efa nisarahany enin-taona. Gaga be i Christine sy ny havany nahita azy. Nanonona andinin-teny i Francis ka niezaka nanazava hoe te hampifaly an’i Jehovah izy. Nangataka an’ilay vadiny izy avy eo mba hody, miaraka amin’ny ankizy. Talanjona ny rehetra, sady niaiky hoe tena niova tokoa i Francis. Nanaiky àry i Christine. Nanome vola ho an’ny havam-badiny koa i Francis, mba hanonerana ny fikarakarana azy telo mianaka nandritra ny enin-taona.

Nianatra Baiboly koa i Christine, sady nianatra namaky teny. Tsy nifoka sigara na nihinana zava-mahadomelina intsony izy. Efa vita batisa izao izy mivady.

ANKIZY MIDERA NY MPAMORONA

Mahery fo na dia ny ankizy aza, ka miezaka foana manaja ny feon’ny fieritreretany. Lasa fitoriana ho an’ny hafa izany. Tsy nety nanangan-tsaina, ohatra, ny ankizy Vavolombelona fito tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra iray, tamin’ny 1966. Nampiomana azy ireo ny mpampianatra hoe hotsapaina izy ireo. Natao teo anatrehan’ny mpianatra 300 teo ho eo izy fito ny herinandro nanaraka, nefa tsy nety niarahaba saina ihany. Efa nanoratra taratasy ny ray aman-drenin’izy ireo, mba tsy hanatrika fananganan-tsaina ny zanany, saingy tsy navela. Voaroaka àry izy fito. Noho izany dia nametraka fitarainana tamin’ny manam-pahefana teto sy tany Aostralia ny anti-panahy.

Tamin’ny 23 Martsa, dia nitelefaonina tany amin’ny tompon’andraikitry ny sekoly ny Solontenam-panjakana Aostralianina, ka nandidy azy ireo handray an’ireo ankizy tsy misy hataka andro! Nandresy àry ny fivavahana marina. Manana zo tsy hanangan-tsaina ny ankizy, raha tsy eken’ny feon’ny fieritreretany izany. Manaja an’izany zo izany izao ny fitondrana eto.

Afaka midera an’i Jehovah amin’ny fomba hafa koa ny “zaza madinika sy ny zaza minono.” (Mat. 21:16) Diniho ny tantaran’i Naomi, zanak’i Joe sy Helen, izay tsy Vavolombelona. Napetraka tany amin’ny zokin’i Helen nandritra ny herintaona izy, tamin’izy telo taona teo ho eo. Vavolombelona be zotom-po io nenitoany io. Nentiny nitory foana i Naomi, ka nobabeny tamin’ny harona fitondrana ankizy. Nampianariny azy koa ireo sary tao amin’ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Lasa fantatr’i Naomi àry ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana.

Rehefa tafaverina tany amin’ny ray aman-dreniny izy, dia naka bokin’ny Vavolombelona, ary nivoaka ny trano ka nandondòna mafy be teo am-baravarana. “Midira atỳ e!”, hoy ny ray aman-dreniny. Niditra tokoa ilay zaza sady niteny hoe: “Manahoana ô! Vavolombelon’i Jehovah aho, ary te hiresaka aminareo momba ny Baiboly.” Taitra be izy mivady! Mbola niteny ihany i Naomi hoe: “Ho lasa Paradisa ny tany, hozy ny Baiboly, dia i Jesosy no ho Mpanjaka. I Jehovah no nanao ny zavatra rehetra rehetra hitantsika.”

Gina tsy nahateny izy mivady! Hoy i Joe avy eo: “Loza raha izao no fantatry ny mpiray tanàna! Hidio ato an-trano io rahampitso fa aza avela hivoaboaka.”

Nipetrapetraka teo ivelany i Joe sy Helen ny ampitso. Nodondonin’i Naomi mafy be ny rindrin’ny efitra nisy azy, ka hoy i Joe: “Mivoaha atỳ e!” Vao nipoitra anefa izy, dia io indray fa niteny hoe: “Manahoana ô! Vavolombelon’i Jehovah aho, ary tonga hitory aminareo. Hiaina mandrakizay eto an-tany ny olona tsara fanahy. Fa izay manao ratsy sy mora tezitra, tsy ho tonga any amin’ny Paradisa.” Tsy hitan’i Helen izay natao ka nitomany fotsiny izy. I Joe kosa nirintona nankao an-trano.

Very hevitra i Joe ny alin’iny, ka nandray Baiboly. Rehefa namadibadika teo izy dia sendra hitany ilay anarana hoe Jehovah. Tsy niasa izy ny ampitso fa nanoratra ho an’ny Vavolombelona, ary nanatitra izany tany amin’ny Efitrano Fanjakana tany amin’ny Tendrombohitra Hagen, 40 kilaometatra niala teo.

Nisy rahalahy àry nankany amin-dry Joe sy Helen, ka nampianatra Baiboly azy ireo, sady nampianatra an’i Helen hamaky teny. Natao batisa izy mivady tatỳ aoriana, ary nampianatra olon-kafa hamaky teny koa i Helen. Tsy inona no nahatonga izany fa ilay zazakely nidera an’i Jehovah!

TSY MORA NY MANATRIKA FIVORIANA

Tsy mitovy ny zava-tsarotra atrehin’ireo rahalahy rehefa hamonjy fivoriana na fivoriambe. Any amin’ny tany sasany, ohatra, dia mitohana ny fifamoivoizana, feno hipoka ny lamasinina, ary feno setroka ny lalambe. Eto Papouasie-Nouvelle-Guinée kosa, ratsy ny lalana ary tsy misy ny fitaterana, ka maro no mandeha an-tongotra, na mandeha lakana. Misy, ohatra, mandeha an-tongotra 160 kilaometatra mahery, mba hanatrehana fivoriamben’ny vondrom-paritra any Port Moresby. Entina daholo ny sakafo, kojakojan-dakozia, akanjo, sy izay ilaina rehetra. Maharitra herinandro ny dia, sady mandreraka. Malama sy mikitoantoana koa ny lalana, ary mandeha tendrombohitra. Antsoina hoe Lalan’i Kokoda izy io. Malaza eran-tany ilay izy, satria tamin’iny lalana iny no nifanandrina ireo miaramila tamin’ny Ady Lehibe II.

Any Rabaul no manao fivoriamben’ny vondrom-paritra ireo rahalahy any amin’ny Nosy Nukumanu, ka mila mandeha 800 kilaometatra. Hoy i Jim Davies: “Miainga iray volana sy tapany mialoha izy ireo indraindray mba tsy ho tara. Tsy hay mihitsy mantsy ny fotoana handalovan’ny sambo. Mbola ankamantatra koa anefa ny fodiana, satria iray ihany ny sambo mankany Nukumanu. Nisy fotoana aza voatery nankany Aostralia aloha ilay sambo satria simba. Lany vola koa anefa ny tompony nony tonga tany, ka afaka enim-bolana mahery ireo rahalahy vao tafody! Mahalana aloha vao misy toy izany, nefa matetika ireo rahalahy no miandry herinandro maromaro vao tafaverina. Tsy maintsy mipetraka amin’ny fianakaviana na mpiara-manompo izy ireo noho izany.”

TENA FAKAN-TAHAKA IREO MISIONERA

Tsy mora ho an’ireo misionera avy any amin’ny tany mandroso ny mipetraka any amin’ny tany mahantra. Maro anefa no nahavita izany, ka tena manohina ny fon’ireo tompon-tany. Hoy ny vehivavy iray nampianarin’ny misionera roa vavy: “Marina fa fotsy hoditra ry zareo, fa ny fony hoatran’ny antsika ihany.”

Mpitety faritany ny misionera sasany. Izay fitaterana misy no tsy maintsy ampiasain’izy ireo rehefa mitsidika fiangonana. Anisan’ny faritra notsidihin’i Edgar Mangoma, ohatra, ny manodidina ny Reniranon’i Fly sy ny Farihin’i Murray. Hoy izy: “Nandeha lakana aho rehefa nitsidika ireo fiangonana roa teny akaikin’ny farihy. Tsy nisy maotera anefa ny lakana sasany, ka adiny valo vao tonga. Matetika no misy rahalahy telo na efatra manatitra ahy, na dia fantany aza hoe tsy maintsy mbola hivoy lakana indray izy ireo rehefa miverina. Tena mahafoy tena ry zareo!”

Manetry tena sy be fitiavana ireo misionera, ka manintona ny olona ho amin’ny fahamarinana. Hoy ny mpiandraikitra ny faritra iray: “Gaga ny olona mahita ahy miantrano ao amin’ny olona liana sy miara-misakafo aminy. Nisy aza niteny hoe: ‘Tsy mitankosina be aminay hoatr’izao ataonao izao ny pasiteranay. Ny fivavahanareo no tena marina.’ ”

Sarotra amin’ireo anabavy misionera ve ny mizatra amin’ny fiainana eto? Hoy i Ruth Boland, izay niaraka tamin’i David vadiny nitsidika fiangonana: “Tena mafy tamiko ilay izy nandritra ny volana vitsivitsy. Imbetsaka aho no kivy, ka te hijanona. Soa ihany anefa aho fa nanohy. Lasa niraiki-po be tamin’ny mpiara-manompo aho. Nianatra ny tsy hieritreritra be momba ny tenanay izahay mivady, fa nifantoka kokoa tamin’ny hafa. Fa tena faly aloha izahay e, faly be mihitsy! Tsy nanana n’inona n’inona izahay, nefa nanan-karena ara-panahy. Hitanay mihitsy hoe i Jehovah no nitarika ny fiainanay manokana sy ny asa fitoriana. Rehefa tsy manana ianao, dia miantehitra tanteraka amin’i Jehovah, ka tsapanao mihitsy ny fitahiany!”

ADY AN-TRANO TAO BOUGAINVILLE

Efa ela no te hanangana fanjakana mizaka tena ny antoko iray tao amin’ny Nosy Bougainville. Nipoaka àry ny ady an-trano tamin’ny 1989. Naharitra 12 taona izany, ka 15 000 no maty. Olona 60 000 teo ho eo no voatery nitsoa-ponenana. Anisan’izany ny mpitory maro, izay lasa nanorim-ponenana tany amin’ny faritany hafa.

Nosamborin’ny tafika mpikomy i Dan Ernest, izay mpisava lalana, ary nentin’izy ireo tao amin’ny tranobe iray. Hoy i Dan: “Nisy jeneraly tao, ary nanao fanamiana feno galona izy sady nisy sabatra nihantona teo amin’ny fehikibony.

“ ‘Ianao moa no Dan Ernest?’, hoy izy.

“ ‘Eny, tompoko’, hoy aho.

“Dia hoy izy: ‘Henoko fa mpitsikilon’ny tafi-panjakana, hono, ianao!’

“Nohazavaiko hoe ny Vavolombelon’i Jehovah tsy miditra amin’ny ady mihitsy. Notapahiny anefa ny teniko, ka hoy izy: ‘Fantatray izany e! Izahay ange mahita e! Ny fivavahana hafa mody manohana an’izay antoko hitany hoe handresy. Ianareo irery no tsy mitsabaka amin’ny politika.’ Hoy izy avy eo: ‘Mafy ny mahazo ny vahoaka amin’ity ady ity, ka tena ilaina ny fampaherezanareo. Tianay raha mijanona eto Bougainville ianareo, ka hitory foana. Raha tsy maintsy mandeha anefa ianareo, dia tsy havelako hisy handroba ny entanareo.’ Nitana ny teniny tokoa izy rehefa voatendry ho any amin’ny Nosy Manus izahay mivady, tapa-bolana taorian’izay.”

Niezaka mafy ny sampana nifandray tamin’ireo mpitory tany amin’ny faritra nisy ady. Nahazo sakafo sy fanafody ary boky sy gazety izy ireo, na dia nofehezin’ny mpikomy aza ny seranan-tsambo. Izao no tatitry ny mpiandraikitra ny faritra: “Tena mahatsiravina ny vokatr’ilay ady. Mivory sy mitory foana anefa ireo rahalahy. Maro koa ny olona mianatra Baiboly.”

Nahita marimaritra iraisana ihany ireo mpifanandrina tamin’ny 2001, ka lasa faritany mizaka tena i Bougainville sy ny nosy manodidina. Tsy misy Vavolombelona intsony izao ao amin’ny Nosy Bougainville. Misy fiangonana anefa ao amin’ny Nosy Buka, tsy lavitra eo, ary 39 ny mpitory ao.

TANÀNA RAVAN’NY VOLKANO

Misy helodrano lehibe ao Rabaul, ary volkano no teo taloha. Nisy volkano nipoaka indray teo akaikiny, tamin’ny Septambra 1994, ka ravarava ilay tanàna, ary nisy fiantraikany be tamin’ny fiainan’ny olona izany. Potika ny Efitrano Fanjakana sy ny tranon’ny misionera. Rahalahy iray no namoy ny ainy, satria nihetsika ny aretim-pony tamin’izy nandositra. Efa niomana ny fiangonana hoe inona avy no hatao ary aiza no handositra, raha sanatria mipoaka ny volkano. Nisy toromarika momba izany teo amin’ny tabilao misy ny filazana tao amin’ny efitrano, nandritra ny taona maro.

Nandefa fanampiana avy hatrany ny sampana. Anisan’izany ny akanjo, lay aro moka, fanafody, solika, ary zavatra hafa. Nanome vary sy saonjo koa ny fiangonana teo akaiky. Nilamina tsara ilay fandaharam-panampiana, ka maro ny manam-pahefana sy olon-tsotra nidera an’ireo rahalahy.

Tsy nisy intsony ny Fiangonana Rabaul tatỳ aoriana. Tafavory tao amin’ny tranon-tsekoly iray ny mpitory 70 teo ho eo niaraka tamin’ny zanany, roa andro taorian’ilay volkano. Vao tonga ny anti-panahy dia nanontanian’izy ireo hoe: “Amin’ny firy ny fianarana boky?” Tsy nataon’izy ireo ambanin-javatra tokoa ny fivoriana sy ny fitoriana, na tao anatin’ny mafy aza. (Heb. 10:24, 25) Nifindra tamin’ireo antoko-mpitory teny akaiky teny ireo rahalahy. Lasa fiangonana ny iray tamin’izy ireny.

Nilaza ny mpitondra fa homena tany ao Kokopo izay fivavahana rava trano. Tokony ho 24 kilaometatra avy eo Rabaul io tanàna io. Nahazo daholo ny fivavahana, afa-tsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka fito taona teo ho eo, dia nisy rahalahy avy any Afrika, niasa tamin’ny tetikasa fanajariana ny tanàn-dehibe. Hitany hoe tsy rariny ny natao tamin’ny Vavolombelona. Rehefa nahita tany tsara be tao Kokopo àry izy, dia nampiany ireo rahalahy hangataka azy io. Azo tokoa ilay tany. Nanorina efitrano sy tranon’ny misionera teo amin’izy io ny ekipa iray mpanao fanorenana. Nisy nahatsara azy ihany ilay tsy nahazo tany tamin’ny voalohany. Misolampy be mantsy ilay toerana nozaraina ho an’ny fivavahana. Ilay tany azon’ireo rahalahy kosa nety tsara sady afovoan-tanàna.

MANDROSO NY FANDIKAN-TENY

Anisan’ny Komitin’ny Sampana i Timo Rajalehto, sady mpiandraikitra ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny. Hoy izy: “Koa satria 800 mahery ny fiteny eto, dia tsara raha mba misy fiteny iray na vitsivitsy iraisan’ny rehetra. Ny fiteny tok pisin sy hiri motu no tena mety amin’izany, satria tsotra sady fampiasa amin’ny raharaham-barotra. Mora ianarana koa ilay izy, ary azo ampiasaina tsara amin’ny asa aman-draharaha andavanandro. Sarotra anefa ny milaza hevi-dalina amin’ireo fiteny ireo, ka matetika no sahirana ny mpandika teny.

“Tsy misy amin’ny teny tok pisin, ohatra, ny hoe ‘toro lalana.’ Namorona an’ilay teny hoe stiatok àry ireo mpandika teny. Teny roa midika hoe ‘resaka’ sy ‘mitarika’ no natambatra, mba hilazana fa mitarika ny olona hanao ny tsara ny toro lalana. Nampiasain’ny haino aman-jery ilay teny tatỳ aoriana, ka lasa be mpampiasa.”

Navoaka tamin’ny teny motu ny Tilikambo tamin’ny 1958, ary tamin’ny 1960 ny teny tok pisin. Natao pirinty tany Sydney, Aostralia, ireo lahatsoratra fianarana, ka natambatra tamin’ny agrafy, ary nalefa sambo nankatỳ Port Moresby. Namoaka Tilikambo 24 pejy ny sampana, tamin’ny 1970, ary maherin’ny 3 500 no natao pirinty. Tamin’ny Janoary 1972 no navoaka voalohany ny Mifohaza! 24 pejy, tamin’ny teny tok pisin. Efa havoaka indroa isam-bolana izao ny Tilikambo amin’ny teny tok pisin, ary isaky ny telo volana ny Mifohaza! Ny amin’ny teny hiri motu kosa: Tilikambo fianarana isam-bolana, ary ho an’ny besinimaro isaky ny telo volana.

Hoy ihany i Timo Rajalehto: “Nandika taratasy mivalona tamin’ny fiteny maromaro koa izahay, toy ny teny enga, jiwaka, kuanua, melpa, ary orokaiva. Inona moa no ilana an’izany, satria mahay teny tok pisin na teny anglisy koa ny olona mampiasa an’ireo fiteny ireo? Tianay ho hita hoe ahoana no handraisan’ny olona ny hafatra momba an’ilay Fanjakana, raha amin’ny fitenin-drazany. Mety hahaliana azy ireo kokoa ve ny fahamarinana, ary hihena ny fankahalany ny Vavolombelona?

“Izany tokoa no nitranga! Maro be no nankasitraka an’ilay izy. Betsaka no nianatra Baiboly, ary na ny mpanohitra sasany aza niova. Tena manohina ny fon’ny olona ilay hafatra, rehefa amin’ny fitenin-drazany.”

Misy 31 izao ny mpandika teny, amin’ny teny hiri motu sy tok pisin. Nientanentana erỳ ry zareo, tamin’ny Desambra 2009, satria nahazo birao vaovao!

TENA MAHASOA NY SEKOLIN’NY MPISAVA LALANA

Vavolombelona maro no nilaza fa ny sekolin’ny mpisava lalana no zavatra niavaka indrindra teo amin’ny fiainany. Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah sy ampy fahaizana kokoa izy ireo. Izao no nolazain’ny sasany taminy:

Lucy Koimb: “Hitako tamin’ilay sekoly fa ny fanompoana manontolo andro no anisan’ny zavatra tsara indrindra azo atao eo amin’ny fiainana.”

Michael Karap: “Nanana fiverenana mitsidika be dia be aho, talohan’ilay sekoly, nefa tsy nanana mpianatra. Fa izao efa be dia be ny mpianatro!”

Ben Kuna: “Nianatra nanahaka ny fomba fisainan’i Jehovah aho, tamin’ilay sekoly.”

Siphon Popo: “Tamin’iny aho no nianatra mafy indrindra, teo amin’ny fiainako. Hitako izao fa tsy tokony hatao maimaika ny fianarana.”

Julie Kine: “Nianarako tamin’ilay sekoly hoe tsy zava-dehibe ny fananana. Betsaka ny zavatra lazain’ny olona fa ilaina, nefa tsy tena ilaina akory.”

Hoy i Dan Burks, anisan’ny Komitin’ny Sampana: “Lasa falifaly sy mazotozoto erỳ ireo mpisava lalana rehefa mahita vokatra. Mino izahay fa an-jatony no mbola handray soa amin’io sekoly io, eto Papouasie-Nouvelle-Guinée. Rehefa avy manao sekoly ireo mpisava lalana, dia mandray soa koa ny mpitory hafa sy ny olona liana.”

MISY VOKANY LEHIBE NY FITIAVANA

Nilaza i Jesosy Kristy hoe: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Noho io fitiavana io, dia miray saina ny Kristianina eto Papouasie-Nouvelle-Guinée, na dia tsy mitovy fiteny, firazanana, foko, ary saranga aza. Rehefa mahita izany ny olona tso-po, dia miteny hoe: “Momba anareo Andriamanitra.”

Toy izany, ohatra, i Mange Samgar, izay mpampanofa bisy. Izy ilay pasitera loteranina tao Banz, voaresaka tany aloha. Nanofa bisy tao aminy ny Vavolombelona teo an-toerana, mba hamonjena fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Lae. Hoy i Steve sy Kathryn Dawal, izay nahita ny nahatongavan’ilay bisy: “Te hamantatra momba ny Vavolombelona i Mange, ka niaraka tamin’ilay bisy. Gaga be mihitsy izy nahita hoe niray saina ny vahoakan’i Jehovah na dia samy hafa foko sy firazanana aza. Voalamina tsara koa ny zava-drehetra. Niaiky àry izy rehefa nody hoe nahita ny fahamarinana. Lasa anti-panahy izy sy ny zanany iray, tatỳ aoriana.”

Maty vady ny Anabavy Hoela Forova, izay mpisava lalana. Efa maty koa ny rainy ka izy no mikarakara ny reniny, ary tena nila trano vaovao izy ireo. Indroa izy no efa nahangona vola kely, ka nomeny ny havany mba hividianana hazo, nefa lanin’ilay olona fotsiny ny volany. Nahatsapa ny fahoriany ireo rahalahy, ka nanangana trano ho azy tao anatin’ny telo andro. Tena nanohina ny fon’i Hoela izany, ka imbetsaka izy no nitomany mandra-pahavitan’ilay trano. Nampiaiky volana ny olon-kafa koa ilay izy. Hoy ny diakona iray: “Mahagaga hoe tsy mitanty rakitra ry zareo, fa milanjalanja kitapo eran’ny tanàna fotsiny, nefa mahavita trano ao anatin’ny telo andro!”

Hoy ny apostoly Jaona: “Aoka isika, ry zanako malalako, tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela fotsiny, fa amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana koa.” (1 Jaona 3:18) Maro tokoa ny fomba nanehoan’ireo Vavolombelona an’izany fitiavana izany, ka mandroso foana ny asa. Lasa 3 672 ny isan’ny mpitory, 4 908 ny fampianarana Baiboly, ary nisy 25 875 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2010. Tena fitahian’i Jehovah izany!—1 Kor. 3:6.

Rahalahy sy anabavy vitsy kely no tonga teto, 70 taona lasa izay. Be herim-po izy ireo niditra tamin’ny tany mbola tsy fantany mihitsy, mba hamafy ny voan’ny fahamarinana manafaka ny olona. (Jaona 8:32) Nisy Vavolombelona maro nanampy azy ireo tatỳ aoriana, na vahiny izany na tompon-tany. Betsaka anefa ny vato misakana toa tsy ho resy, toy ny ala mikitroka, heniheny feno atodin-tazo, lalana ratsy be, fahantrana, adim-poko, herin’ny maizina, ary ny fanenjehan’ny mpitondra fivavahana sy ny mpanohana azy. Maro koa no tsy mahay mamaky teny, ary tsy moramora ny hoe mitory amin’ny foko arivo mahery, izay mampiasa fiteny maherin’ny 800! Nahafoy tena tokoa ireo mpitory voalohany teto. Nankasitraka izany ireo nandimby azy ireny, ary nanohy ny asa natombony.

Mbola miatrika olana maro ny mpanompon’i Jehovah eto Papouasie-Nouvelle-Guinée. Hain’Andriamanitra anefa ny zava-drehetra. (Mar. 10:27) Matoky tanteraka àry ireo rahalahy sy anabavy eto fa mbola maro ny olona tso-po hampianarin’i Jehovah ny ‘fiteny madio, mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, ka hanompoany azy amim-piraisan-kina.’—Zef. 3:9.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 I Groenlandy no nosy lehibe indrindra eran-tany. Tsy heverina ho nosy i Aostralia fa kontinanta.

^ feh. 5 Ilay anarany ankehitriny hoe Papouasie-Nouvelle-Guinée no ampiasaina ato.

^ feh. 66 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

[Teny notsongaina, pejy 88]

“Fa taiza no nahaizanao nandamina an’izao, ry Bobogi?”

[Teny notsongaina, pejy 100]

‘Navelany handefa an’ilay horonan-tsary izahay sady tsy nakany vola’

[Teny notsongaina, pejy 104]

“Horoahiko ianao raha tsy miala amin’io fivavahanao io”

[Teny notsongaina, pejy 124]

Nenjehin’ny eritreriny izy ireo rehefa nahita fa Baiboly no tao anatin’ilay poketra!

[Teny notsongaina, pejy 149]

“Fotsy hoditra ry zareo, fa ny fony hoatran’ny antsika ihany”

[Efajoro/Sary, pejy 80]

Indray Mitopy Maso An’i Papouasie-Nouvelle-Guinée

Ilay Tany

Ny ilany atsinanan’ny nosy Nouvelle-Guinée no atao hoe Papouasie-Nouvelle-Guinée. Telo ampahefatr’i Madagasikara ny velarany, ary misy nosikely 151. Be tendrombohitra ny afovoan-tany, fa misy ala matevina sy heniheny kosa ny morontsiraka.

Mponina

Miisa 6,7 tapitrisa ny mponina, ka Papoa sy Melanezianina ny 99 isan-jatony. Polinezianina sy Sinoa ary Eoropeanina kosa ny ambiny. Milaza ho Kristianina ny ankamaroany.

Fiteny

Io no tany manahirana indrindra, satria misy karazany 820 ny fiteny, izany hoe ny 12 isan-jaton’ny fiteny rehetra eran-tany. Maro no mahay teny anglisy sy hiri motu ary tok pisin, ankoatra ny tenin-drazany.

Fivelomana

Tantsaha ny 85 isan-jaton’ny mponina, ary mamboly legioma amin’ny tanimboly kely. Mamboly kafe sy dite ny any afovoan-tany. Mampidi-bola koa ny orinasa mpitrandraka ala sy solika ary mineraly.

Sakafo

Anisan’ny foto-tsakafo ny vomanga, saonjo, mangahazo, karazana palmie, ary akondro andrahoina na hanina amin’izao. Be mpitia koa ny legioma, voankazo, ary trondro sy hena am-bifotsy. Henan-kisoa no laoka rehefa fety.

Toetany

Misy vanin-taona manorana be, fa misy kosa manorana kely. Akaikin’ny ekoatera ilay tany ka mafana ny morontsiraka. Tsy dia mafana kosa ny any afovoan-tany.

[Efajoro/Sary, pejy 83, 84]

Saro-kenatra Be Aho Taloha!

ODA SIONI

TERAKA 1939

BATISA 1956

TANTARANY Mpisava lalana maharitra voalohany. Mpisava lalana manokana izy izao, Fiangonana Hohola Motu, Port Moresby.

◼ NITORY teny amin’ireo tetezan-kazo tao Hanuabada i Tom sy Rowena Kitto. Nahita an-dry zareo ny zokiko vavy, ka nasainy namantatra an’io “fivavahana vaovao” io aho. Tao an-tranon-dry Heni Heni Nioki ny fivoriana tamin’izany, satria efa nianatra Baiboly izy.

Nankany àry aho, ary olona 40 teo ho eo no tao. Nipetraka moramora tany aoriana aho, sady notakontakonako ny tarehiko satria saro-kenatra be aho. Vao 13 taona aho tamin’izay. Nivory foana aho satria tiako ilay izy. Niteny anglisy i Tom, ka nasain’i Heni Heni nadikako tamin’ny teny motu izay nolazainy, mba ho azon’ny mpanatrika.

Niasa tany amin’ny hopitaly aho, taona maromaro tatỳ aoriana, fa te ho lasa dokotera. Nampisaintsaina kely ahy anefa i John Cutforth hoe: “Raha lasa dokotera ianao, dia afaka manasitrana olona. Fa raha lasa ‘dokotera ara-panahy’ kosa ianao, dia hanampy olona hiaina mandrakizay.” Nanomboka nanao mpisava lalana aho tamin’io herinandro io.

Ny tanànan’i Wau no faritaniko voalohany. Efa nitory tany aho taloha kelin’izay, ary nahita olona liana maro. Nisy lehilahy atao hoe Jack Arifeae nanasa ahy hitory tao amin’ny eglizy loteranina. Ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra no nohazavaiko. Liana be ireo mpanatrika 600. Nino mantsy izy ireo fa raha misotro ny ran’ny olona iray ianao, dia lasa miditra ao aminao ny fanahin’iny olona iny. Tezitra be ny pasiteran’izy ireo, ka tsy navelany hihaino ahy intsony ny mpanatrika. Maro tamin’izy ireo anefa no nanao fandrosoana.

Herintaona teo ho eo tatỳ aoriana, dia voatendry ho any Manu Manu aho, tany amin’ny 50 kilaometatra avaratrandrefan’i Port Moresby. Nihaona tamin’ny sefom-pokontany atao hoe Tom Surau aho, ary nasainy hitory tao an-tanànany. Rehefa avy nampianatra tao nandritra ny telo andro aho, dia nopotehin’ny mponina ny sarivongan’i Maria Virjiny, ka navariny tany an-drenirano.

Hitan’ny olona teny amin’ny tanàna hafa nandalovan’ilay renirano ny potik’ilay izy, ka nalainy. Nentiny tany amin-dry mompera izany, sady hoy izy ireo: “Jereo fa novonoin-dry zareo i Maria!” Niala avy any ny mompera roa mba hiady amiko. Tonga dia nanitsy teny amiko ny iray ka nanisy totohondry, sady notatahany tamin’ny peratra nanaovany ny takolako. Nirohotra namonjy ahy anefa ny olona, ka nandositra izy ireo.

Nankany Port Moresby aho, satria nila nozairina ny takolako. Notoriko tany amin’ny polisy koa ireo mompera roa. Nasaina nandoa lamandy àry izy ireo, sady nesorina tsy ho pretra intsony. Nanorina antoko-mpitory aho rehefa niverina tany amin’ilay tanàna. Soa ihany fa nampian’i Jehovah aho, ka tsy saro-kenatra intsony!

[Sary]

Tao an-tranon’i Heni Heni ny fivoriana, tamin’ny voalohany

[Efajoro, pejy 86]

Ny Wantok

Teny tok pisin ny hoe wantok, ary midika hoe “iray fiteny.” Ilazana ny rohim-pihavanana misy eo amin’ny olona iray foko sy iray fiteny izy io. Ahazoana tombontsoa ilay izy, nefa misy adidy koa. Adidin’ny iray foko aminy, ohatra, ny mikarakara ny zokiolona, na ireo tsy an’asa na tsy afaka miasa. Tena tsara izany, satria tsy mba manampy ny sahirana ny fanjakana.

Misy lafy ratsiny koa anefa ny wantok. Mety harian’ny fianakaviany, ohatra, ny olona iray rehefa miandany amin’ny fahamarinana. Tsy maintsy miantehitra amin’i Jehovah àry izy, raha sanatria tsy an’asa na sahirana. (Sal. 27:10; Mat. 6:33) Hoy i Kegawale Biyama, anisan’ny Komitin’ny Sampana: “Iharam-pitsapana koa ireo rahalahy satria teren’ny olona hifandray be amin’ny havana tsy Vavolombelona, anisan’izany ny voaroaka. Ary rehefa misy olona milatsaka hofidina, dia tereny hanohana azy ny havany.” Mazava ho azy anefa fa tsy manaiky an’izany ireo Vavolombelona.

[Efajoro/Sary, pejy 91]

Tia Azy Daholo ny Olona

Tena mamy hoditra tamin’ny maro i John Cutforth, tamin’izy misionera teto Papouasie-Nouvelle-Guinée. Izao no nolazain’ny misionera sy ny mpitory hafa momba azy.—Ohab. 27:2.

Erna Andersson: “Hoy i John taminay: ‘Mahay mifandray amin’ny karazan’olona rehetra ny tena misionera. Raha vatan-kazo no seza omen’ny olona anao, dia mipetraha fa iny no mba ananany! Raha fandriana ratsiratsy no asainy atorianao dia matoria eo, satria efa mba nisahirana ho anao izy! Na sakafo hafahafa aza no arosony dia mihinàna, satria nataony tamim-pitiavana izany!’ Tena misionera nahafoy tena i John.”

Awak Duvun: “Tian’i John daholo ny olona rehetra. Nasehony foana, nandritra ny fanjanahan-tany, hoe tsy tokony hifanavakavaka ny fotsy hoditra sy ny mainty hoditra! Matetika izy no niteny hoe: ‘Mitovy ihany na mainty na fotsy!’ ”

Peter Linke: “Avy nanao dia lavitra i John indray mandeha. Reraka sady feno vovoka izy rehefa tonga tao Goroka. Hoy anefa izy rehefa avy nisakafo: ‘Tsy mba nanampy olona mihitsy aho androany.’ Dia lasa indray izy aloha nankany amin’ny fianakaviana iray, ka nampahery azy ireo, na dia efa nihamaizina aza ny andro. Nihevitra ny hafa foana izy. Tia azy daholo izahay.”

Jim Dobbins: “Nampianatra anay i John hoe: ‘Ataovy tsotra ny fiainana. Ataovy tsotra koa ny fampianarana, ary ohatra mora azon’ny olona ampiasaina, toy ny nataon’i Jesosy.’ Afaka nampianatra olona tsy nahay namaky teny sy nanoratra izahay, noho izany.”

[Efajoro/Sary, pejy 101]

‘Isika Indray Tsy Hivadika Izany!’

KALIP KANAI

TERAKA 1922

BATISA 1962

TANTARANY Anisan’ireo voalohany nanaiky ny fahamarinana tao Madang. Notantarain’i Ulpep Kalip zanany lahy.

◼ OLONA tena nisaina i Dada, sady nanetry tena. Rehefa misy olana dia mihaino aloha izy, ary mandinika ny zava-misy, izay vao milaza ny heviny.

Lanin’ny antsantsa ny ranjoko tamin’izaho 15 taona, ka bory ny tongotro hatreo amin’ny lohalika. Rehefa nijery ahy teny amin’ny hopitaly i Dada, dia nihaona tamin’i John Davison. Hoy i John: “Homen’i Jehovah tongotra vaovao ny zanakao, any amin’ny tontolo vaovao.” Nahaliana an’i Dada izany, ka nianatra Baiboly izy sady nazoto be. Lasa tena nanam-pinoana izy.

Niala tamin’ny Fivavahana Katolika izahay mianakavy sy ny fianakavianay hafa, ka nisy polisy nasaina nandroaka anay tamin’ny tranonay. Trano 12 no nisy anay rehetra, ary vao tsy ampy herintaona no nanorenana azy, sady nisy zaridaina tsara tarehy. Nanipazan’ny polisy afo anefa ireo tafo bozaka, ka niredareda. Niezaka namonjy ny entanay izahay, fa tsy afaka noho ny setroka sy ny afo. Nitomany sisa no nataonay nahita ny tranonay kila forehitra.

Nalahelo erỳ ny fonay tamin’izahay nandeha an-tongotra nankany Bagildig, tanàna teo akaiky teo. Nandray anay tsara ny sefom-pokontany tao, ka nanome trano bongo iray hipetrahanay. Nampahery anay i Dada hoe: ‘I Jesosy izao nisy nanenjika. Noho izany dia tsy maintsy hanenjika antsika koa ny olona. Fa isika indray tsy hivadika izany!’

[Efajoro/Sary, pejy 107, 108]

Hay Sekoly Hafa Mihitsy Ilay Izy!

MICHAEL SAUNGA

TERAKA 1936

BATISA 1962

TANTARANY Mpisava lalana manokana ela indrindra teto Papouasie-Nouvelle-Guinée, satria nanomboka tamin’ny Septambra 1964.

◼ NIFINDRA tany Rabaul aho tamin’ny 1959, mba hanohy ny fianarako. Henoko hoe manana sekoly, hono, ny Vavolombelon’i Jehovah, ary “mpampianatra” ao amin’ilay izy i Lance Gosson. Nankany an-tranony àry aho, satria noheveriko fa nampanao fiofanana arak’asa izy. Nasain’i Lance nanatrika fianarana Baiboly natao isaky ny alarobia aho. Nanaiky aho na dia tsy izay aza ilay notadiaviko. Tena tiako ilay izy, sady lasa fantatro hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra, ary hisy “lanitra vaovao sy tany vaovao.” (2 Pet. 3:13) Natao batisa aho ny marainan’ny 7 Jolay 1962. Soa ihany aho fa nandeha, na dia sekoly hafa mihitsy aza ilay izy!

Nanatrika ny fivoriana ho an’ireo te hanao mpisava lalana aho, tamin’io andro io. I John Cutforth, mpiandraikitra ny vondrom-paritra, no nitarika izany. Nantitranteriny fa efa masaka hojinjaina ny vokatra, ka maro ny mpiasa ilaina. (Mat. 9:37) Nanao mpisava lalana mpanampy aho raha vao afaka. ‘Mpisava lalana amin’ny vakansy’ no niantsoana azy tamin’izany. Lasa mpisava lalana maharitra aho tamin’ny Mey 1964, ary mpisava lalana manokana ny Septambra.

Nitory tany akaikin’i Rabaul aho, indray andro, ary nisy lehilahy avy amin’ny foko tolai nangataka hamaky andinin-teny iray tao amin’ny Baiboliko. Vao natolotro azy ilay izy dia norovidrovitiny ary natsipiny tamin’ny tany. Tsy tezitra anefa aho fa lasa nitaraina tany amin’ny lehiben’ny polisy. Nasain’izy io nosamborina ilay lehilahy, ka hoy izy taminy: “Olon-dratsy ianao! Sady nandika ny lalàn’Andriamanitra ianao no nandika ny lalàn’ny fanjakana. Tsy maintsy mividy Baiboly vaovao ho an’io olona io ianao rahampitso, fa raha tsy izany dia gadraiko!” Nasain’ilay lehiben’ny polisy niverina aho ny ampitso tamin’ny folo maraina, mba haka an’ilay vola hividianana Baiboly. Efa tao ilay vola rehefa tonga aho. Olona maro avy amin’ny foko tolai no nandray ny fahamarinana, taorian’izay.

Nizara Vaovao Momba Ilay Fanjakana tany andrefan’i Wewak izahay sy ny mpitory vitsivitsy, indray mandeha. Efa nandeha talohako ireo mpitory. Hitan’ny lehilahy iray, anisan’ny raiamandrenin’ny tanàna, anefa izany ka nangoniny izay taratasy nozarain’izy ireo. Tsy maintsy efa fantany hoe ho avy eo aho, ka nandrasany teo afovoan-dalana. Sady nitehin-kiho izy no nitazona an’ireo Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Nanontany aho hoe inona no olana. Natolony ahy ireo taratasy sady hoy izy: “Izaho no mandidy sy manapaka eto, ka tsy ilaiko mizarazara an’itony ianareo!”

Noraisiko ireo taratasy. Efa nitangorona ny olona tamin’izay, ka hoy aho tamin’izy ireo: “Mila miera amin’ny manam-pahefana ve ianareo rehefa te hanjono na hikarakara zaridaina?”

“Tsy mila ka!”, hoy ny vehivavy iray.

Dia hoy aho hoe: “Ka te hamaky an’ity àry ve ianareo e?”

“Ie”, hoy izy ireo. Nozaraiko indray àry ireo Vaovao Momba Ilay Fanjakana, sady tsisy nanohitra intsony. Nampanantsoina tamin’ny fivorian’ny raiamandrenin’ny tanàna anefa aho tatỳ aoriana, ary nisy 20 teo ho eo izy ireo. Soa ihany fa nankasitraka ny asa fitorianay izy rehetra, afa-tsy roa, rehefa natao ny fitsapan-kevitra!

[Efajoro/Sary, pejy 112]

‘Lanin’ny Mpihinana Olona Angaha ny Fonao?’

AIOKOWAN

TERAKA 1940

BATISA 1975

TANTARANY Anisan’ny voalohany nanaiky ny fahamarinana tamin’ny foko enga.

◼ REHEFA tonga tao Wabag, Faritanin’ny Enga, i Tom sy Rowena Kitto, dia nanely tsaho momba azy ireo ny mpitondra fivavahana. Nolazain’izy ireo, ohatra, fa nangalatra fatin’olona, hono, i Tom sy Rowena, ary nihinana izany. Tena nampahatahotra ahy ireny tsaho ireny.

Niresaka tamin’i Dada i Tom, indray andro, hoe mitady ankizivavy hanampy ny vadiny hanao raharaha izy. Izaho no tian’i Dada handeha. Notereny hanaiky an’ilay asa aho, na dia natahotra mafy aza.

Nanontany ahy i Tom sy Rowena taorian’izay hoe: “Fantatrao ve hoe mankaiza ny olona rehefa maty?”

“Ny tsara fanahy mankany an-danitra”, hoy aho.

“Tao amin’ny Baiboly ve no nahitanao an’izany?”, hoy izy ireo.

Namaly aho hoe: “Tsy mahay mamaky teny aho, satria tsy nianatra.”

Nampianarin’izy ireo namaky teny àry aho, ka lasa fantatro tsikelikely ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Rehefa tsy nivavaka tany amin’ny Katolika intsony aho, dia hoy ny mpitondra fivavahana iray: “Fa maninona ianao no tsy miangona intsony? Lanin’ireny mpivady mpihinana olona ireny angaha ny fonao?”

“Ie”, hoy aho, “lasany mihitsy izao ny foko sy ny saiko, satria mampianatra ahy ny fahamarinana ry zareo.”

[Efajoro/Sary, pejy 117]

“Omeo Akoho Aho, dia Homeko Anao Iny!”

AWAIWA SARE

TERAKA 1950

BATISA 1993

TANTARANY Nahita ny fahamarinana tany ambanivohitra be. Mpanampy amin’ny fanompoana ao amin’ny Fiangonana Mundip.

◼ TANY amin’ny namako aho no nahita an’ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Nangatahiko taminy ilay izy rehefa nahavaky toko vitsivitsy aho, ka hoy izy: “Omeo akoho aho, dia homeko anao iny!”

Nomeko akoho àry izy, dia nentiko nody ilay boky ary novakiko tsara. Tena tiako ny zavatra nianarako tao, ka noresahiko tamin’ny hafa. Nampiantso ahy indroa ny mpitondra fivavahana ary nandrara ahy, nefa nitory foana aho!

Nanoratra tany amin’ny sampana aho, satria te hihaona amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny tany no nampifankahalala ahy tamin’i Alfredo de Guzman. Izy kosa nanasa ahy hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Madang.

Akanjo efa rovidrovitra fanaoko tany ambanivohitra no nentiko teny amin’ny fivoriambe. Ny volombavako amin’izany lava be! Nanaja ahy anefa ny rehetra, sady tsara fanahy tamiko. Nitomany mihitsy aho satria nanohina ny foko ny zavatra reko. Niharatra tsara aho ny ampitso.

Nankany an-tanànanay i Alfredo taorian’izay. Mandeha kamiao adiny roa avy eo Madang, miampy dia an-tongotra adiny dimy, vao tonga any. Niaraka tamiko teo ny fianakaviako sy ny namako, ary nametraka fanontaniana be dia be. Novalian’i Alfredo avy tao amin’ny Baiboly daholo anefa izany.

Misy mpitory 23 izao ny Fiangonana Mundip, ary 60 mahery ny mpivory.

[Efajoro/Sary, pejy 125, 126]

“Lazao Izay Holazainao!”

MAKUI MAREG

TERAKA 1954

BATISA 1986

TANTARANY Mpisava lalana. Izy irery no Vavolombelona tao amin’ny nosy iray nandritra ny taona maro.

◼ Nisy mpisava lalana nanome ahy taratasy mivalona tany Madang, tamin’ny 1980. Nentiko ilay izy rehefa nody tany amin’ny Nosy Bagabag aho. Nandeha sambo adiny enina aho tamin’izay. Tiako be ilay taratasy mivalona, ka nanoratra tany amin’ny sampana aho. Nanoratra tamiko àry i Badam Duvun, mpisava lalana tany Madang, ka nanasa ahy hanatrika fivoriambe. Nijanona tany aminy tapa-bolana aho, ary nianatra Baiboly. Nanatrika ny fivoriana rehetra koa aho. Natao an-taratasy ny fianarana, tatỳ aoriana.

Tsy ela aho dia nampianatra fianakaviana 12 tao Bagabag. Nivory tsy tapaka tao an-tranon’ny dadafaranay izahay, ary nataonay toy ilay fianarana Baiboly natrehiko tany Madang ilay izy. Tezitra be i Dada, izay Loteranina nafana fo. Hoy izy: “Iaveh no fantatro, fa izaho tsy mahalala an’izany Jehovah izany!” Nosokafako ilay Baiboly amin’ny teny tok pisin, ary nasehoko azy ny fanamarihana ambany pejy eo amin’ny Eksodosy 3:15, izay manazava ny anaran’Andriamanitra. Tsy nahateny intsony izy.

Intelo aho no nampanantsoina teo anatrehan’ny mpitondra fivavahana. Natao tao amin’ny fiangonana lehibe indrindra tao Bagabag ny iray tamin’izany. Zato mahery ny mpanatrika. Izaho nitebiteby, moa ny olona tezitra be. Nitrerona ahy ilay mpitarika hoe: “Lazao izay holazainao!” Nofihiniko mafy ny Baiboliko sady namaly aho hoe: “Mba te hankatò ny Matio 6:33 fotsiny aho, ka hikatsaka an’ilay Fanjakana aloha.” Romotra be i Dada, ka niteny hoe: “Ianao indray izany no mitady hampianatra anay?” Saika hamely ahy ny dadatoako, nefa nisy havanay niaro ahy haingana. Nikorontana be ilay fivoriana, ka nasaina nandeha aho.

Loza koa fa narary ny zanaky ny vehivavy iray efa nivory, ary maty. Nisy nilaza fa izaho, hono, no nahafaty an’ilay zaza, satria notaomiko hanaraka fivavahana vaovao ny reniny. Noroahin’i Dada niala tao an-trano aho, sady nenjehiny tamin’ny vy be. Nandositra tany Madang izaho sy Lamit Mareg, nenitoako, izay nanaiky ny fahamarinana koa. Natao batisa izahay, tsy ela taorian’izay.

Narary mafy i Dada tatỳ aoriana, ka nentiko tany amiko tany Madang. Izaho no nikarakara azy mandra-pahafatiny. Efa niova izy tamin’izay, ka tsy nanohitra intsony. Talohan’ny nahafatesany, dia nampirisihiny aho mba hiverina any Bagabag ka hitory amin’ny olona. Niverina tany àry aho tamin’ny 1987. Nanao tranokely ho ahy ny havako. Izaho irery no Vavolombelona tany nandritra ny 14 taona. Mpisava lalana aho nandritra ny 12 taona tamin’ireo.

Niverina teto Madang aho tatỳ aoriana, ary nanao mpisava lalana niaraka tamin’i Nenitoa Lamit. Nisy olona enina avy tany Bagabag tonga nanatrika Fahatsiarovana teto Madang, tamin’ny 2009. Tsy nanambady mihitsy aho, nefa faly satria namela ahy hanompo an’i Jehovah tamin’ny fomba feno izany.

[Efajoro/Sary, pejy 141, 142]

I Jehovah no Nandray Ahy

DORAH NINGI

TERAKA 1977

BATISA 1998

TANTARANY Noroahin’ny ray aman-dreniny satria nianatra ny fahamarinana. Nanao mpisava lalana, ary lasa Betelita.

◼ NISY Vavolombelona roa niresaka tamiko momba ny Paradisa, tamin’izaho efa-taona teo ho eo. Nahita boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany indray aho, tamin’izaho 17 taona. Fantatro fa an’ny Vavolombelon’i Jehovah io boky hafakely io.

Taoriana kelin’izay, dia nandroaka ahy ireo ray aman-dreny nitaiza ahy. Efa dimy, hono, ny zanany ka aleo aho mody any amin’ny havako, any Wewak. Nipetraka tao amin’ny dadafarako aho, rehefa tonga tany.

May ny hihaona tamin’ireo Vavolombelona aho, ka nitady ny Efitrano Fanjakana. Ny hira famaranana sisa no tratrako tamin’izay. Nahita olona vonona hampianatra ahy anefa aho. Pam no anarany, ary misionera avy any Etazonia izy. Tiako be ilay fianarana. Vao nianatra intelo anefa aho, dia nanohitra mafy ny dadafarako.

Avy nivory aho, indray alahady, ary nahatazana setroka teo an-tokotany. Hay nodoran’i Dadafara daholo ny entako, anisan’izany ireo boky fianarako Baiboly. Vao hitany aho dia nivazavazany hoe: “Raha te hivavaka miaraka amin’ireny olona ireny ianao, dia aleo ry zareo no hamelona anao.” Tsy nanan-tsafidy intsony àry aho, ka lasa nankany amin’ireo ray aman-dreny niteraka ahy. Nandeha fiara adiny roa avy ao Wewak aho.

Vao nanatona an’i Dada aho, dia hoy izy tamin’ny zandriko sady nataony henoko tsara: “Fa iza koa io? Tsy zanakay io. Efa nomenay olona io tamin’izy telo taona.” Azoko hoe tsy te handray ahy koa ry zareo, ka naleoko nitady toeran-kafa azoko nisitrihana.

Afaka roa taona teo ho eo, dia nihaona tamin’ny mpisava lalana manokana roa lahy aho, tao amin’ilay tanàna nisy ny ray aman-dreniko. Nanafatra azy aho hoe: “Mba ilazao re i Pam hoe tsy hadinoko, hono, hoe ny zavatra nampianariny, fa tsy afaka mankany fotsiny aho.” Afaka nankany Wewak anefa aho, tsy ela taorian’izay, ka niara-nianatra tamin’i Pam indray. Fianakaviana telo no efa nipetrahako nefa nandroaka ahy daholo, satria nifandray tamin’ny Vavolombelona aho. Nisy fianakaviana Vavolombelona tao Wewak niangavian’i Pam mba handray ahy. Natao batisa aho tamin’ny 1998, ary lasa mpisava lalana tamin’ny Septambra 1999. Voantso ho eto amin’ny Betela aho tamin’ny 2000, ary mandika teny amin’ny teny tok pisin.

Narary aloha ny foko hoe nanary ahy ny havako. Nanonitra an’izany anefa ireo ranadahy sy rahavavy, izay tena nikarakara ahy. Anisan’ny andinin-teny tiako indrindra ny Salamo 27:10 hoe: “Na mandao ahy aza ny raiko sy ny reniko, dia handray ahy kosa i Jehovah.”

[Sary]

Gazety amin’ny teny tok pisin

[Efajoro/Sary, pejy 147, 148]

‘I Jehovah no Tena Mpampianatra’

JOHN TAVOISA

TERAKA 1964

BATISA 1979

TANTARANY Nampijalin’ny mpampianatra sy mpiara-mianatra, ka vao nianatra roa taona dia voatery nijanona. Mpiandraikitra ny faritra izy izao.

◼ TERAKA tao Govigovi, Faritanin’i Milne Bay, aho. Nanomboka nianatra Baiboly i Dada tamin’izaho fito taona, ary nampianariny koa aho.

Vao nampidirina tamin’ny sekolim-panjakana aho, tamin’izay. Nampijaly ahy anefa ny mpampianatra anankiroa, satria nifandray tamin’ny Vavolombelona aho. Anglikanina mantsy ry zareo. Nampijaly ahy koa ny mpiara-mianatra, ary nikapoka ahy tamin’ny rantsankazo mihitsy. Voatery niala nianatra àry aho, nefa tsy nandia lakilasy afa-tsy roa taona.

Hitako teny an-tsena ny mpampianatra anay anankiray, rehefa afaka herintaona. Hoy izy: “Marani-tsaina ialahy ka tokony ho tafita. Ho lasa boton’ny mpiara-mianatra amin’ialahy anefa ialahy, noho io fivavahana io.” Notantaraiko an’i Dada izany, ka hoy izy: “I Jehovah no hampianatra an’ialahy, rehefa tsy hampianatra an’ialahy ry zareo.” Tena natanja-tsaina aho nandre izany.

Nahita ny fianarana ambony indrindra aho, noho ny fanampian’i Dada sy ny mpisava lalana manokana iray. Tsy inona izany fa ilay fahalalana hahazoana fiainana mandrakizay. (Jaona 17:3) Ny teny dawawa no fitenin-drazako. Nampianarin’izy ireo Baiboly tamin’ny teny hiri motu sy tok pisin anefa aho. Lasa telo àry ny fiteny haiko. Natao batisa aho rehefa 15 taona, ary lasa mpisava lalana, roa taona taorian’izay.

Nasaina hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana aho, tamin’ny 1998, ary hatao amin’ny teny anglisy izy io. Mbola tsy tena nahay an’io fiteny io anefa aho, ka nafindran’ny sampana tamin’ny fiangonana miteny anglisy tao Port Moresby aloha. Lasa efatra indray àry ny fiteny haiko.

Nasaina nanampy ny Fiangonana Alotau, Faritanin’i Milne Bay, aho rehefa nahazo diplaoma. Faly be aho, enim-bolana taorian’izay, fa voatendry ho mpiandraikitra ny faritra. Tsy nampoiziko ilay izy! Anisan’ny faritra notsidihiko i Nouvelle-Bretagne, Nouvelle-Irlande, Nosy Manus, ary ny nosy hafa. Nanambady an’i Judy aho tamin’ny 2006. Nanao mpisava lalana manokana herintaona izahay, ary avy eo nanao ny asan’ny faritra indray.

Isaky ny mitsidika fiangonana aho, dia izao foana no teneniko amin’ny tanora: “I Jehovah no tena mampianatra antsika. Raha manaiky hampianariny ianareo, dia izy no hanampy anareo ho tafita amin’ny fiainana.” Tena nahatsapa an’izany aho.

[Sary]

Izaho sy Judy vadiko

[Tabilao/Sary, pejy 156, 157]

TAONA MANAN-TANTARA—Papouasie-Nouvelle-Guinée

1930

1935 Nitory teto Port Moresby ireo mpisava lalana nitondra an’ilay sambon’ny fandaminana atao hoe Lightbearer.

1940

1950

1951 Tonga teto Port Moresby i Tom sy Rowena Kitto

1956 Nisy mpisava lalana nifindra tany Nouvelle-Irlande sy Nouvelle-Bretagne.

1957 Nampiasa sary i John Cutforth mba hitoriana.

1960

1960 Voasoratra ara-panjakana ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena.

1962 Nifindra tany afovoan-tany i Tom sy Rowena Kitto.

1965 Naorina ny biraon’ny sampana tao Koki, Port Moresby.

1969 Natao tao Haima, Papouasie, ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena hoe “Fiadanana Ambonin’ny Tany.”

1970

1975 Nikambana i Papouasie sy Nouvelle-Guinée, ka lasa Papouasie-Nouvelle-Guinée.

1977-1979 Nisy mpanohitra mahery setra nanimba Efitrano Fanjakana tao amin’ny Faritanin’i Milne Bay.

1980

1987 Notokanana ilay biraon’ny sampana vaovao.

1989 Nisy ady an-trano tao amin’ny Nosy Bougainville.

1990

1991 Niara-nivoaka tamin’ny teny anglisy ny Tilikambo amin’ny teny tok pisin sy hiri motu.

1994 Nanomboka niasa ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly.

1994 Ravan’ny volkano i Rabaul, Nouvelle-Bretagne.

1999 Lasa nisy Biraon’ny Fanorenana Efitrano Fanjakana tao amin’ny sampana.

2000

2002 Nasiana Efitrano Fivoriambe tao Gerehu, Port Moresby.

2010

2010 Notokanana ireo trano vaovaon’ny sampana.

2020

[Kisary/Sary, pejy 118]

(Jereo ny boky)

Mpitory

Mpisava Lalana

3,500

2,500

1,500

500

1955 1965 1975 1985 1995 2005

[Sarintany, pejy 81]

(Jereo ny boky)

PAPOUASIE-NOUVELLE-GUINÉE

PORT MORESBY

Wewak

Reniranon’i Sepik

Kambot

Dimiri

Biwat

Reniranon’i Yuat

Wabag

T. Hagen

Banz

Lohasahan’i Wahgi

FARITRA BE TENDROMBOHITRA

Farihin’i Murray

Reniranon’i Fly

Basken

Talidig

Bagildig

Madang

Goroka

Kainantu

Lae

Bulolo

Wau

Kerema

Savaiviri

Hoalan’i Papouasie

Popondetta

Lalan’i Kokoda

Hula

Agi

Govigovi

Alotau

RANOMASINA CORAIL

Nosy Manus

Vondronosy Bismarck

RANOMASINA BISMARCK

Nosy Bagabag

Nouvelle-Bretagne

Rabaul

Kokopo

Nosy Kurmalak

Nouvelle-Irlande

Kavieng

RANOMASINA SALOMON

Nosy Goodenough

Nosy Buka

Nosy Bougainville

Nosy Nukumanu

Ekoatera

Haima

Six Mile

Hanuabada

Seranan’i Port Moresby

Tsenan’i Koki

Lembalemban’i Sogeri

Ioadabu

[Sary, pejy 74]

[Sary, pejy 77]

“Lightbearer”

[Sary, pejy 78]

Ireo lasa mpitory voalohany, havia miankavanana: Bobogi Naiori, Heni Heni Nioki, Raho Rakatani, ary Oda Sioni

[Sary, pejy 79]

Tanànan’i Hanuabada, ary tazana lavitra i Port Moresby

[Sary, pejy 82]

Shirley sy Don Fielder, taloha kelin’ny nahatongavany

[Sary, pejy 85]

Efitrano Fanjakana voalohany teto, tao Haima, Port Moresby

[Sary, pejy 87]

John Cutforth

[Sary, pejy 89]

Toy izao ilay sary fitoriana

[Sary, pejy 90]

Havanana: John Cutforth mampianatra sady mampiasa sary; ambany: Rahalahy mitondra tabilao misy sary hoentina mitory any ambanivohitra

[Sary, pejy 92]

Alf Green, David Walker, ary Jim Smith

[Sary, pejy 93]

Havia: Shirley, Debbie, ary Don Fielder; havanana: Don sy ny lakany

[Sary, pejy 96]

Jim Smith sy Glenn Finlay

[Sary, pejy 97]

Stephen Blundy mamakivaky ny Helodranon’i Kerema

[Sary, pejy 99]

Rosina sy Ken Frame

[Sary, pejy 102]

Matthew sy Doris Pope

[Sary, pejy 103]

Ny tranon’i Magdalen sy John Endor no nivoriana voalohany tany Lae

[Sary, pejy 109]

Faritra be tendrombohitra

[Sary, pejy 110]

Tom sy Rowena Kitto, eo anoloan’ilay trano sy fivarotana kelin’izy ireo tao Wabag

[Sary, pejy 113]

Erna sy Berndt Andersson

[Sary, pejy 114]

Kerry Kay-Smith sy Jim Wright

[Sary, pejy 115]

Mike Fisher eo amin’ny Reniranon’i Sepik

[Sary, pejy 123]

Nisy nandoro ny Efitrano Fanjakana tao Agi. Naorina indray anefa ilay izy ary nitarina

[Sary, pejy 127]

Elsie sy Bill Thew

[Sary, pejy 128]

Sambokely “puapua”

[Sary, pejy 128]

Ilay sambo “Pioneer” namboarin’i Berndt Andersson

[Sary, pejy 131]

Mamakivaky ny Reniranon’i Sepik

[Sary, pejy 132, 133]

Havia: Warren Reynolds, mpiandraikitra ny faritra, sy Leann vadiny, mitsidika ny tanànan’i Biwat; ambony: Lahateny ho an’ny besinimaro nataon’i Warren tao Dimiri

[Sary, pejy 135]

Soare Maiga

[Sary, pejy 135]

Kora Leke

[Sary, pejy 136]

Save Nanpen

[Sary, pejy 139]

Geordie sy Joanne Ryle

[Sary, pejy 145]

Voaroaka tany an-tsekoly ny sasany tamin’ireo ankizy ireo, satria tsy nanangan-tsaina

[Sary, pejy 152, 153]

Havia: Tanànan’i Rabaul, sy ilay volkano atao hoe Tavurvur; ambany: Potika ilay Efitrano Fanjakana tao Rabaul tamin’ny 1994

[Sary, pejy 155]

Ekipan’ny Fandikan-teny, 2010

[Sary, pejy 161]

Betelan’i Papouasie-Nouvelle-Guinée

Komitin’ny Sampana: Dan Burks, Timo Rajalehto, Kegawale Biyama, ary Craig Speegle