Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra,

Faly be izahay, ry rahalahy sy anabavy malala, miara-miasa aminareo “amim-piraisan-kina.” (Zef. 3:9) Tena miavaka ny fotoana iainantsika! Ataontsika manakoako noho ny hatramin’izay ny fiderana an’i Jehovah Raintsika.—Jaona 14:12.

Tena faly isika manompo an’i Jehovah, nefa tsy midika izany hoe tsy misy ny olana. Niaritra ny mafy ny sasany taminareo tamin’iny taom-panompoana lasa iny, noho ny horohoron-tany, rivo-doza, tondra-drano, ary loza hafa. (Mat. 24:7) Maro koa no miady mafy isan’andro, noho ny aretina sy ny fahanterana. Samy miatrika “fahoriana” isika rehetra, ary mihamitombo hatrany izany. (Mat. 24:8) Maro amin’ireo rahalahintsika no migadra noho ny finoany, toy ny any Armenia sy Érythrée ary Korea Atsimo.—Mat. 24:9.

Inona no nanampy antsika tsy ho kivy? Anisan’ny nahatonga izany ilay voalazan’ny andinin-teny ho an’ny taona 2010 hoe: ‘Ny fitiavana miaritra ny zava-drehetra. Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.’ (1 Kor. 13:7, 8) Eny tokoa, ny fifankatiavantsika sy ny fitiavantsika an’i Jehovah no manampy antsika hiaritra.

Maro amin’ireo milaza azy ho Kristianina no gaga rehefa mahita fa miely patrana sady mitohy foana ny fitoriantsika. Mandà ny fampianarantsika izy ireo, nefa misy ihany miaiky hoe: “Izao ataonareo izao mihitsy no tokony hataonay!” Inona no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hitory foana isan’andro isan’andro? Mbola noho ny fitiavana ihany. Manahaka an’ilay Raintsika any an-danitra isika, ka tsy tiantsika hisy ho ringana ny olona, fa mba hibebaka daholo. (2 Pet. 3:9) Miharihary izany satria nisy 7 508 050 ny tampon’isan’ny mpitory tamin’iny taom-panompoana iny. Iza no fivavahana hafa manana olona maro be toy izany, izay mazoto mitory an-tsitrapo?

Mampahery antsika ny mahita fa mbola mitohy ny fahatanterahan’ilay faminanian’i Isaia hoe: “Izao no tsy maintsy hitranga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra, ka hasandratra ho avo noho ireo havoana. Ary hitanjozotra ho any ny firenena rehetra.” (Isaia 2:2-4) Maro be tokoa no manatona ny tranon’i Jehovah, ka anisan’izany ireo 294 368 natao batisa tamin’iny taom-panompoana iny. Faly isika mandray azy ireo ho anisan’ny fianakaviambentsika. Tena tiantsika sy sarobidy amintsika izy ireny. Koa enga anie isika hanampy azy ireo hatrany hanohitra ny fanafihan’i Satana Devoly fahavalontsika.—1 Pet. 5:8, 9.

Nahatratra 18 706 895 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana, tamin’ny talata 30 Martsa 2010. Mbola tsy nisy tampon’isa toy izany mihitsy! Midika izany fa an-tapitrisany no mbola hiaraka amintsika, hanompo an’i Jehovah. Soa ihany fa mbola tsy naringany ity tontolo ratsy ity! Mandra-pahatongan’izany, dia manampy antsika hiaritra ny fitiavana.—2 Tes. 3:5.

Tena nanatsara ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Raintsika ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2010 hoe “Miezaha ho Akaiky An’i Jehovah Foana.” Marina mihitsy ilay tenin’ny mpanao salamo hoe: “Sambatra ny olona manana an’i Jehovah ho Andriamaniny!” (Sal. 144:15) Na inona na inona hitranga amin’ny hoavy, dia matoky isika fa eo anilantsika foana izy, ka tsy misy atahorantsika. (Sal. 23:4) Tsy ho ela izy dia hampiasa ny Zanany mba “handrava ny asan’ny Devoly.” (1 Jaona 3:8) Efa tsy andrintsika erỳ izany! Mbola be atao anefa isika mandra-pahatongan’izany.—1 Kor. 15:58.

Tadidio fa “tsy mitsahatra” mivavaka ho anareo izahay. (Rom. 1:9) Enga anie ianareo ‘hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, eo am-piandrasanareo ny famindram-pon’i Jesosy Kristy Tompontsika, sady mitsinjo ny fiainana mandrakizay.’—Joda 21.

Matokia fa tianay ianareo rehetra!

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah