Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
MANAO asa mahatalanjona i Jehovah ankehitriny, amin’ny alalan’ny vahoakany eran-tany. Tantaraina ato fa mandray soa ny marenina, noho ireo zava-baovao nivoaka tamin’ny tenin’ny tanana. Resahina ato koa ny fikarohana ataon’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana, sy ireo fivoriambe iraisam-pirenena, ary ny nanomanana an’ilay fihirana vaovao. Ho hitanao ny tatitra momba ireo raharaha ara-pitsarana maro, sy ny vaovao avy any Haïti, ary ireo fitokanana sampana vao haingana. Mino izahay fa hahafaly sy hampahery anao izany.
‘TIANY HAHAFANTATRA AZY NY MARENINA’
Mipetraka any Etazonia i Salvatore, lehilahy marenina, ary Vavolombelon’i Jehovah ny vadiny. Tsy nandroso mihitsy izy, na dia efa an-taonany maro aza no nahalala ny fahamarinana. Nampirisihin’ny vadiny izy mba hamaky Baiboly isan’andro nandritra ny herintaona. Tsy azony mihitsy anefa izay novakiny, ka kivy izy ary niteny hoe: “Tsy mba hifandray akaiky amin’i Jehovah mihitsy angamba aho.”
Nadika tamin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina ny ampahany amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tatỳ aoriana, ary natao tamin’ny DVD. Rehefa nijery azy io i Salvatore, dia nilaza hoe: “Tena tian’Andriamanitra hahafantatra azy tokoa aho!” Nianatra Baiboly izy, ary niova be ny fiainany. Efa vita batisa izy izao, sady faly manompo an’i Jehovah.
Maro be ireo marenina eran-tany no toa an’i Salvatore. Tsapan’izy ireo fa tena tia sy miahy azy i Jehovah, ka nanome boky sy gazety ary Baiboly amin’ny DVD, sady azo alaina ao amin’ny Internet. Efa mamoaka boky sy gazety amin’ny tenin’ny tanana 46 izao ny fandaminana, ary tsy ho ela izany dia hiampy 13. Misy amin’ny tenin’ny tanana sivy Ny Tilikambo Fiambenana. Efa misy ampahany amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao koa amin’ny tenin’ny tanana amerikanina, brezilianina, italianina, kolombianina, meksikanina, ary rosianina.
Tena manohina ny fon’ny marenina ny fahamarinana, rehefa amin’ny tenin’ny tanana. Hoy i Natsue, vehivavy marenina any Japon: “Nianatra Baiboly aho tamin’ny 1981, ary boky amin’ny teny japoney no nianarako. Tsy azoko anefa ilay izy. Ny fianakaviako koa
nanohitra, ka naleoko nijanona.“Tamin’ny Aprily 2007 anefa, izany hoe 26 taona tatỳ aoriana, dia nisy mpitory nampiseho ahy DVD amin’ny Tenin’ny Tanana Japoney, nisy an’ilay bokikely hoe Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao! Nianatra Baiboly indray àry aho, sady tena afa-po satria azoko tsara ilay izy. Natao batisa aho tamin’ny Novambra 2008.”
Misy mpitory marenina 16 000 mahery izao eran-tany. Ny tanany sy ny tarehiny no ampiasain’izy ireo hiderana an’i Jehovah. Tena manampy azy ireny ireo DVD 30 amin’ny tenin’ny tanana, mirakitra boky sy bokikely, video, ary tantara ara-baiboly. Izany no manome toky azy ireo fa tia azy i Jehovah sady mankasitraka ny fanompoany.
Sampana 54 izao no mandika boky sy gazety amin’ny tenin’ny tanana. Maharay taratasy fankasitrahana avy amin’ireo rahalahy sy anabavy ary olona liana foana izy ireo. Faly be mantsy ireo marenina rehefa mahatakatra zava-dalina ara-panahy amin’ny fiteniny. Marenina, ohatra, ny ray aman-drenin’i Emi avy any Japon. Hoy izy:
“Efa vita batisa taona maro talohako i Dada sy Neny. Tsy nazava taminy anefa ireo boky sy gazety amin’ny teny japoney. Izaho foana no nasainy nanazava, rehefa nisy tsy azony. Tsy matahotahotra intsony
anefa izy ireo izao rehefa miresaka momba ny fahamarinana. Hoy i Neny: ‘Rehefa nadika tamin’ny tenin’ny tanana ny boky sy gazety, vao azoko ireo tsipirian-javatra resahin’ny Baiboly.’ Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah izao izy mivady, sady miraiki-po kokoa izahay mianakavy.”‘NOFOTORANA TSARA NY ZAVA-DREHETRA SADY NOHAMARININA’
Nilaza i Jesosy fa ho malina ny mpanompo mendri-pitokisana, ka hamoaka ‘sakafo amin’ny fotoana mety.’ Midika izany fa hitandrina tsara sy ho mailo ary hahay hanavaka io mpanompo io, rehefa manomana “sakafo” ara-panahy.—Mat. 24:45-47.
Mampiasa ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana, any Brooklyn, New York, ireo voahosotra rahalahin’i Kristy, mba hanome sakafo ara-panahy amin’ny alalan’ny boky, bokikely, gazety, ary zavatra hafa. Mila omanina tsara ireny sakafo ara-panahy ireny, toy ny sakafo rehetra ihany. Na dia notarihin’ny fanahy masina aza ireo mpanoratra Baiboly, dia mbola nanao fikarohana lalina ihany. Niresaka tamina vavolombelona nahita maso, ohatra, i Lioka ary ‘nofotorany tsara hatrany am-piandohana ny zava-drehetra sady nohamarininy.’—Lioka 1:1-4.
Manao toy izany koa ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana, ka ‘fotorany tsara ny zava-drehetra sady hamarininy.’ Aiza anefa no ahitana fanazavana azo antoka? Misy fanazavana tsy tambo isaina ao amin’ny Internet, sady vetivety ianao dia mahazo izay ilainao. Tsy miantehitra amin’ny fanazavana tsy marim-pototra avy amin’olon-tsy fantatra sy tsy ampy traikefa anefa ny mpikarokantsika. Mampitandrina, ohatra, ny Wikipedia, rakipahalalana ao amin’ny Internet, fa
misy amin’ireo fanazavana navoakany “tsy marina, na tsy voaporofo, na namboamboarina.” Lahatsoratra sy fanazavana ary boky navoakan’ny manam-pahaizana fanta-daza ihany no ampiasain’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana.Manana tahirim-boky an’arivony ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana. Mankany amin’ny tranombokim-pirenena sy oniversite koa ireo mpikaroka. Mahazo fanazavana manokana izy ireo indraindray rehefa mifampindrana boky amin’ny tranomboky hafa. Anisan’ny ampiasain’izy ireo ny fitehirizam-bokin’ny oniversite iray tena lehibe. Misy boky dimy tapitrisa eo ho eo, sy gazetiboky 58 000, ary fanazavana elektronika an’arivony ao amin’izy io, sady misy karatra kely an-tapitrisany natao hitehirizana fanazavana. Mitahiry sary sy lahatsoratra an-gazety koa ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana. Manangona fitantarana sy zava-nitranga izy ireo, ary hamarininy any amin’ny tompon’andraikitra sy any amin’ny sampana hafa ireo fanazavana, sao efa nisy niova.
“Tsy misy farany ny fanaovana boky maro”, hoy ny Mpitoriteny 12:12. Tena ilaina àry ny mifidy, satria na ny boky efa fanta-daza aza mety hisy fanazavana diso. Inona no atao mba ho azo antoka sy marina tsara ny fanazavana omentsika?
Miresaka, ohatra, ny bokikely Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? fa anisan’ny kofehy mafy indrindra ny landy vitan’ny hala. Izao no voalaza ao: “Raha atao mitovy habe amin’ny kianja fanaovam-baolina ny tranon-kala, ka iray santimetatra ny hatevin’ny kofehy, ary atao mielanelana efatra santimetatra avy, dia mahavita manajanona fiaramanidina goavana eny am-panidinana!” Marina aloha fa boky siansa fanta-daza no nakana an’io fanazavana io. Boky hafa anefa no namoaka
azy io voalohany, ary tsy tena mazava ny zavatra voalaza tao. Nila nifampiresaka tamin’ilay mpikaroka niteny azy io àry ireo rahalahy, mba hahalalana ny antony nahatonga azy hanao an’ilay fanatsoahan-kevitra. Nitady ny raiki-pohy sy ny fanazavana nilaina koa ny mpikarokantsika, mba hikajiana hoe mety hahasakana fiaramanidina tokoa ve ny tranon-kala mitovy habe amin’ny kianja filalaovam-baolina. Nanao fikarohana sy kajy nandritra ny ora maro izy ireo, ka voaporofo fa marina tsara ilay fanazavana, na dia toa tsy mampino aza.Na dia ny boky toa azo antoka aza indraindray, dia ahitana fanazavana tsy marim-pototra. Voalaza, ohatra, fa niteny tamin’Atoa Irwin toy izao i Gandhi, tao amin’ilay toby fivavahana nisy azy: “Rehefa ho tonga
amin’ny fifanarahana miorina amin’ireo fampianaran’i Kristy voasoratra ao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra ny taninao sy ny ahy, dia ho voalamintsika, tsy ireo zava-manahirana ny tanintsika roa tonta ihany, fa ny an’izao tontolo izao manontolo koa.” Rehefa natao anefa ny fanadihadiana, dia tsy voaporofo mihitsy hoe nitsidika an’i Gandhi tany amin’ilay toby nisy azy Atoa Irwin. Koa taiza sy oviana àry izy ireo no niresaka? Ary tena niteny an’io ve i Gandhi? Tsy voavaly mihitsy ireo fanontaniana ireo, ka tsy navoaka tao amin’ny boky sy gazetintsika intsony iny resaka iny.Efa nivoaka tamin’ny bokintsika taloha koa hoe nanana modelin’ny rafi-masoandro Atoa Isaac Newton. Dia nisy olona tsy nino an’Andriamanitra nanontany azy hoe: “Iza no nanao an’io?” Namaly i Newton hoe: “Tsisy!”, ka hoy ilay lehilahy: “Raha tsy adala aho ka hino an’izany!” Dia nilaza indray i Newton hoe: “Io modely kely io aza tsy maintsy nisy nanao, koa mainka fa ilay tena rafi-masoandro!” Mahaliana tokoa ilay tantara, nefa tsy misy afaka manaporofo mihitsy hoe tena nitranga ilay izy, na dia ireo manam-pahaizana sy mpanoratra ny tantaran’i Newton aza. Boky efa tamin’ny taona 1800 tany ho any koa no nahitana an’io resaka io voalohany. Tsy ny anaran’i Newton anefa no tao, fa ny an’i Athanase Kircher, manam-pahaizana alemà. Tsy nampiasaina tao amin’ny bokintsika intsony koa àry iny tantara iny.
Na fanazavana kely aza, dia mety hitaky fikarohana fanampiny mba hanamarinana azy. Mety hilaza, ohatra, ny rahalahy iray ao amin’ny tantaram-piainany, fa teraka tany Tsekoslovakia izy, tamin’ny 1915. Tamin’ny 1918 anefa vao nisy firenena nantsoina hoe Tsekoslovakia. Ka taiza àry izy no teraka? Tsy maintsy
mijery sarintany tranainy na bokin-tantara ireo rahalahy, mba hahitana ny marina.Mety hilaza koa ny rahalahy iray fa natao batisa tany San Francisco izy, ary lazainy eo ilay daty. Rehefa natao anefa ny fikarohana, dia mety ho fantatra hoe tsy nisy fivoriambe akory tao amin’io tanàna io, tamin’ilay daty nolazainy. Mety hifangaro tokoa ny zavatra tadidintsika indraindray. Ny toerana mety hotsaroana ihany, fa ny daty no tena mora hadino. Ahoana àry no ahalalana ny marina? Matetika no azo atao ny mampitaha an’ireo fanazavana misy.
Hita avy amin’izany, fa fanazavana azo antoka sy marina ihany no ampiasain’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana, na dia amin’ny zavatra madinika aza. Manome voninahitra an’i “Jehovah Andriamanitry ny fahamarinana” foana àry ny sakafo ara-panahy avoakan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.”—Sal. 31:5.
FIVORIAMBE “MIAMBENA HATRANY!”
Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany no nanatrika an’ilay fivoriambe “Miambena Hatrany!”, tamin’ny
2009. Tena faly izy ireo fa nahazo torohevitra azo ampiharina tsara sady tonga ara-potoana. Nisy 37 ireo fivoriambe iraisam-pirenena, ary solontena 200 000 mahery avy amin’ny tany 136 no nanatrika izany. Ireto avy ireo tany nisy fivoriambe iraisam-pirenena: Afrika Atsimo, Alemaina, Aotrisy, Côte d’Ivoire, Etazonia, Frantsa, Ghana, Italia, Kenya, Korea, Meksika, Myanmar, Peroa, Polonina, Silia, ary Trinité sy Tobago. Nahatratra 1 495 045 ny mpanatrika tamin’izy rehetra ireo, ary 15 730 no natao batisa.Inona moa no antony anaovana fivoriambe iraisam-pirenena? Mandamina azy ireny ny Filan-kevi-pitantanana
isaky ny taona vitsivitsy, amin’ny toerana efa nofidina mialoha, toa an’ireo tany vao avy nisy fandrarana. Natao hampaherezana an’ireo rahalahy sy anabavy izy ireny, sady mampiroborobo ny asa fitoriana.Amin’ireny fivoriambe ireny koa no tena ahatsapana hoe misy “fatorana” tokoa “mampiray” an’ireo rahalahy eran-tany. (Kol. 3:14) Mahafinaritra erỳ ny mahita hoe mifankatia sy milamina ary miray saina ny mpanatrika, na dia samy hafa fiaviana sy kolontsaina ary fiteny aza. Mifandray tsara izy ireo rehefa fiatoana, ary tsy mifampihafahafa mihitsy. Miara-misakafo izy ireo, mifanolotra fanomezana kely, mifanome adiresy, miara-maka sary, ary mifamihina. Maro amin’ny mpanatrika no manao ny akanjo mampiavaka ny taniny.
Anisan’ny mampiavaka ny fivoriambe iraisam-pirenena ny “Tatitra avy any Amin’ny Tany Hafa.” Misy an’io fandaharana io foana mandritra ireo efatra andro. Hoy ny mpiandraikitra mpitety faritany iray any Italia momba an’ireny tatitra ireny: “Tsapanao hoe tena mpirahalahy eran-tany isika, ary iray ihany ny tanjontsika dia ny hitory ilay Fanjakana.” Mampahery ny fitantarana ataon’ireo misionera sy mpanompo manontolo andro mipetraka any an-tany hafa, izay mitsidika ny tany niaviany. Samy mandray soa amin’ny ohatra omen’izy ireo, na ny antitra na ny tanora!
Miavaka koa ny lahatenin’ireo rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, satria mampahery sy feno
fitiavana ary misy torohevitra tena ilaina. Adika amin’ny fitenin’ny mpanatrika ny lahatenin’izy ireo sy ny “Tatitra avy any Amin’ny Tany Hafa”, mba handray soa ny rehetra. Nanao lahateny efatra, ohatra, i Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena faharoa tany Honolulu, Hawaii. Nadika tamin’ny teny chuuk, iloko, japoney, marshall, samoanina, ary sinoa mandarin izany.Inona avy no dinihin’ny Filan-kevi-pitantanana, rehefa handamina fivoriambe iraisam-pirenena? Fantariny izay toerana malalaka azo anaovana an’ilay izy. Jereny koa ny isan’ny Vavolombelona eo an-toerana sy ireo solontena, ary ny trano azo andraisam-bahiny. Ilaina avy eo ny maka fahazoan-dalana any amin’ny manam-pahefana, sy manao fifanarahana amin’ny tompon’andraikitr’ilay toerana hampiasaina.
Kianja lehibe mazàna no ampiasaina anaovana fivoriambe. Mitaky asa sy fandaminana be anefa izany, mba ho azo antoka hoe mendrika an’i Jehovah ilay toerana. Nisy lalao baolina kitra, ohatra, tao amin’ilay kianja hanaovana fivoriambe tany Peroa. Tsy afaka nanadio sy nandamina an’ilay toerana àry ireo rahalahy, raha tsy ny alina talohan’ilay fivoriambe. Mpiasa an-tsitrapo 3 000 no nasaina, nefa 7 000 mahery no tonga tamin’ny enina hariva, ary nifofotra niasa nandritra ny alina, ka vita ihany ilay izy.
Rehefa nifarana ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Long Beach, Etazonia, dia hoy ny lehilahy telo mpikojakoja an’ilay kianja: “Efa maro ny fivavahana nampiasa an’ity kianja ity, fa tsisy nahavita hoatr’anareo izao. Tena mampiaiky ny zavatra ataonareo.” Hoy koa ny iray taminy: “Isaky ny misy Vavolombelon’i Jehovah mandondòna ao amiko, dia miteny foana aho
hoe: ‘Avelao ho ao fa izaho tsy hamoha.’ Fa amin’ny manaraka kosa aho hampandroso sady hihaino azy.” Ny iray aza nilaza hoe: “Izaho aloha tsy mpivavaka, fa hoatran’ny tiako raha ity ny fivavahana misy ahy.”Fitoriana vita ho azy tokoa ireny fivoriambe ireny, ary nitondra voninahitra ho an’i Jehovah! Tena faly isika satria nanatanjaka ny finoantsika iny fandaharana iny, sady nanampy antsika ‘hiambina hatrany’!—Mat. 24:42.
HIRA FIDERANA HO AN’I JEHOVAH
Anisan’ny fivavahantsika ny hira fiderana ho an’i Jehovah. Faly be àry isika tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2009, rehefa nilazana fa hisy fihirana vaovao hoe Mihirà ho An’i Jehovah. Nahoana moa isika no nila fihirana vaovao?
Nohavaozina ny fihiranantsika, mba hifanaraka amin’izay fanitsiana natao tamin’ny fampianarantsika. (Ohab. 4:18) Nahitsy koa izay hafahafa tamin’ny tonon’ireo hirantsika. Nofidina tsara ny teny mba ho mora azo ny heviny rehefa hiraina, sady hiraikitra ao an-tsaina. Hira maro aza no nohafohezina mba ho mora tadidy. Nasiana fiverenana isan’andininy koa ny hira sasany, mba hamerimberenana ny hevi-dehibe. Niezahana koa mba ho vanin-teny iray ihany fa tsy maromaro no hiraina amin’ny naoty iray.
Nodinihina tsara ilay fihirana teo aloha, ka hita fa nisy feon-kira nila nahitsy mba ho mora hiraina kokoa. Nampidinina àry ny haavon’ny hira sasany, amin’izay tsy
ambony loatra ilay izy rehefa miakatra ny feo. Tsy mifanaraka amin’izay naoty voasoratra koa ny fomba fihiran’ny olona ny hira sasany. Nahitsy àry izy ireny, mba hifanaraka amin’ny fomba fihiran’ireo rahalahy azy.Voadinika na dia ny lafin-javatra kely aza. Nojerena, ohatra, ny fomba nandaharana ny hira eo amin’ny pejy. Mahafeno pejy roa ny hira rehefa lava. Natao anefa izay tsy hamadihana pejy mihitsy, rehefa mihira. Noho izany, dia tsy misy hira mihoatra ny andininy telo.
Ahoana no nahavitana an’ilay fihirana vaovao, na dia asa be aza ilay izy? Nampiantso mpahay mozika maromaro ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny Aogositra 2007, mba hamorona feon-kira sy tononkira. Nodinihina tsirairay ny hira tao amin’ilay fihirana teo aloha, mba hahitana izay tokony hahitsy, na ny hevitra izany, na ny tonony, na ny feony. Hita hoe tsara ny feon’ny hira sasany, fa nila nosoloana ny tonony. Ny hafa indray tsy dia ny tonony loatra no nila novana, fa ny feony. Ny Komitin’ny Fampianarana avy eo no nanapa-kevitra hoe inona avy no hira hampiasaina amin’ny fivoriana sy fivoriambe ary fitokanana.
Nodinihin’ireo mpamorona feon-kira koa hoe karazan-kira manao ahoana no tokony hatao any am-pivoriana. Te hamorona hira manintona sy manome voninahitra an’i Jehovah mantsy izy ireo. Niezahany àry mba tsy hitarazoka be toy ny hira any amin’ny fivavahana sasany ilay izy, nefa koa tsy hampientanentana be hoatran’ny an’ireo mpanao fahagagana.
Nandritra an’ilay tetikasa manontolo, dia nanara-maso tsara ny Filan-kevi-pitantanana raha mety na tsia ny feo sy ny tonon’ny hira tsirairay. Noraisina
feo izay hira mbola tsy hain’izy ireo mba hohenoiny sy hanaovany fanamarihana. Rehefa neken’ny Filan-kevi-pitantanana ireo hira, dia nalefa tany amin’ny sampana samihafa, mba hadikan’ireo mpandika teny. Amin’izay mba miara-mivoaka amin’ny fihirana anglisy ny fihirana hafa.Tamin’ny 2007 koa, dia nisy antoko-mpihira noraisina feo, mba hianaran’ny fiangonana an’ireo hira vaovao. Efa hatramin’ny taona maro no nisy mpitendry zavamaneno avy amin’ny tany 14, nivory indroa isan-taona tany Patterson, Etazonia. Izy ireo no mpanao ny mozika ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, toy ny amin’ny tantara sy video ary fivoriambe. Mpanompo manontolo andro ny ankamaroan’ireo rahalahy sy anabavy mahafoy tena ireo. Mampiasa ny fotoanany sy ny fananany izy ireo amin’izany, mba hahasoa an’ireo mpiara-manompo aminy maneran-tany. Samy efa matihanina izy rehetra. Alaina feo ny
asan’izy ireo, ary avy eo alefa any amin’ny sampana hafa mba hampiasaina amin’ny fivoriambe, sy hanaovana raki-kira amin’ny fiteny samihafa. Maro amin’ireny raki-kira ireny izao no efa azo adika avy ao amin’ny tranonkala www.pr418.com.Nanao ahoana ny fandraisan’ireo rahalahy an’ilay fihirana vaovao? An-jatony ny taratasy feno fankasitrahana voaray, toy ny an’ity anabavy ity. Hoy izy: “Voalohany indrindra, dia tiako ny hisaotra anareo tamin’ireo hira vaovao tena mahafinaritra. Mampihetsi-po sy mampahery ilay izy, sady manatanjaka finoana. Hita mihitsy hoe fanomezana kanto avy amin’i Jehovah ilay fihirana.”
Mino izahay fa tena hampionona sy hampahery an’ireo rahalahy maneran-tany ilay fihirana Mihirà ho An’i Jehovah. Na irery àry ianao, na miaraka amin’ny
mpiara-manompo, dia ataovy foana ireo hira mba hanehoana ny fitiavanao an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra!NENTINA ‘TEO ANATREHAN’NY GOVERNORA SY NY MPANJAKA’
Efa nilaza mialoha i Jesosy fa hatolotra amin’ny “fitsarana eo an-toerana” sy eo anatrehan’ny “governora sy ny mpanjaka” ny mpianany. Nilaza koa anefa izy fa ‘ho vavolombelona amin’izy ireny sy amin’ireo firenena’ izany. (Mat. 10:17, 18) Izay nolazain’i Jesosy mihitsy no niainan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny taon-dasa. Ary lasa fitoriana ho an’ny hafa tokoa ny fampijaliana azy ireo.
Armenia
Voaheloka higadra roa taona sy tapany i Vahan Bayatyan, satria tsy nety nanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nampiakatra fitsarana izy nefa tsy nahazo rariny, ka nandefa fitarainana tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, tamin’ny 2003. Niaro an’i Armenia io fitsarana io, tamin’ny 27 Oktobra 2009, satria efa toy izany foana no didy navoakan’ny fitsarana armenianina nandritra ny 50 taona mahery. Tsy nankasitrahan’ny mpitsara iray anefa ilay izy, satria “tsy mifanaraka amin’ny lalàna eoropeanina manan-kery, rehefa misy olona tsy manaiky hanao zavatra iray noho ny feon’ny fieritreretany.”
Raharaha lehibe ilay izy, ka naroso hodinihin’ny ambaratonga ambony ao amin’ny Fitsarana Eoropeanina. Ny 24 Novambra 2010 no daty voatondro hanaovana izany, tany Strasbourg, Frantsa. Mbola tsy fantatra ny didim-pitsarana, tamin’ny fotoana nanomanana an’ity tatitra ity.
Azerbaïdjan
Tsy mora amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any ny mahazo boky sy gazety avy any ivelany. Raran’ny fanjakana mantsy ny boky sasany, satria “manindrahindra ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah”, hono, ka “mahasosotra an’ireo fivavahana hafa.” Nosavana àry ny tranon’ny rahalahy sy anabavy sasany, ary nalaina an-keriny ny bokin’izy ireo.
Avy namonjy fivoriambe tany Géorgie ny Vavolombelona 250 teo ho eo, tamin’ny 25 Aprily 2010. Bisy lehibe dimy sy bisy kely iray no nitondra azy ireo. Nosavana izy ireo teo amin’ny sisin-tany, ka nalain’ny polisy ny boky nentiny, anisan’izany ny Baiboly 33. Maro tamin’izy ireo no nampiandrasina teo nandritra ny adiny valo, na dia ireo be taona sy kilemaina aza. Efa nandefa fitarainana any amin’ny Fitsarana Eoropeanina ireo rahalahy, mba tsy hitrangan’izany intsony. Natao koa izany mba hahazo sakafo ara-panahy foana ireo rahalahy any Azerbaïdjan.
Bélarus
Voasazy handoa lamandy 3 500 000 roubles (na 7 000 tapitrisa ariary eo ho eo) ny Rahalahy Dmitry Smyk, tamin’ny 6 Novambra 2009, satria tsy nety nanao miaramila. Hoy izy: “Miezaka mampihatra ny fampianaran’ny Baiboly aho, amin’ny fiainako rehetra. Anisan’izany ny hoe tsy mandray anjara amin’ny ady sy tsy mianatra ady.”—Isaia 2:1-4.
Manana zo hifidy fanompoana sivily ny olona any Bélarus, raha tsy te hanao miaramila. Ao anatin’ny Lalàm-panorenana izany, kanefa tsy misy lalàna manan-kery ahafahana mampihatra azy. Hoy ny Rahalahy Smyk: ‘Voasoratra ao amin’ny lalàna ilay izy, nefa tsy misy fomba azoko ampiharana azy.’
Nanangana komity ny filoham-pirenena, tamin’ny 18 Febroary 2010, mba hamolavola lalàna momba ny fanompoana sivily. Tsy ela taorian’izay, dia namoaka didy ny fitsarana fa tsy meloka ny Rahalahy Smyk, ary tsy nasaina nandoa an’ilay vola be indray. Tanora Vavolombelona maro no mbola miatrika olana toy izany, any Bélarus. Matoky isika fa tsy ho ela ny fanjakana dia hamorona zavatra hafa ho solon’ny raharaha miaramila, ho an’izay tsy te hanao.
Belzika
Tsy nitakiana hetra ny Betelan’i Bruxelles, any Belzika, taloha, toy ny trano ampiasain’ny fivavahana hafa rehetra. Nilaza anefa ny sampan-draharahan’ny hetra tamin’ny 1993, fa misy hetra tokony haloan’ny Betela. Nolazainy fa manao zavatra ahazoam-bola ny Betela. Tsy asa ara-pivavahana foana koa, hono, no ataon’ny Betelita. Nodinihin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ilay izy tamin’ny 2008, saingy nanome rariny an’ilay sampan-draharahan’ny hetra izy io. Nampakarina ilay raharaha, ka nivoaka ny didim-pitsarana tamin’ny 4 Mey 2010, ary nahazo rariny ny Betela. Hoy ireo mpitsara telo: “Tena vontom-pinoana ireo Vavolombelona mipetraka ao amin’ny Betela, sady nanokana tanteraka ny fiainany hanompoana an’Andriamanitra. ... Anisan’ny Vondron’ny Mpanompo Manontolo Andro Manokana izy rehetra, sady miara-miaina sy mivavaka, ary mihira sy miara-mianatra Baiboly. Manao fotoam-pivavahana koa izy ireo isa-maraina.”
Érythrée
Mbola miatrika olana maro ny Vavolombelon’i Jehovah any, noho izy ireo miezaka manompo sy tsy mivadika amin’Andriamanitra. Vavolombelona 58 izao no migadra, anisan’izany ny zaza amam-behivavy. Sarotra be ny mamantatra izay manjo azy ireo, satria hentitra loatra ny fanjakana, sady atahorana hisambotra foana. Efa an-taonany maro ny Vavolombelon’i Jehovah no niezaka nifampiraharaha tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, mba hanamaivanana ny fahorian’ireo rahalahy any Érythrée. Nangatahana fanampiana, ohatra, ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny any Etazonia, sy ny Vondrona Eoropeanina, ary ireo masoivoho samihafa. Natao koa izay hihaonana tamin’ny manam-pahefana tany Afrika Atsinanana, anisan’izany ny solontenan’ny Firaisambe Afrikanina. Nisy taratasy nosoratana ho an’ny Filoha Afewerki, ka niangavy azy mba hamotsotra an’ireo voafonja mbola tsy ampy taona hanao miaramila, na efa be taona loatra. Nalefa tany amin’ny ambasadin’i Érythrée 18 eran-tany ilay taratasy sy ny lisitr’ireo voafonja ireo. Mbola tsy namaly anefa ny fitondrana hatramin’izao.
Gresy
Narovan’ny fitsarana tampony tany Gresy, ny Rahalahy Evangelos Delis, tamin’ny 15 Janoary 2010. Miaramila izy taloha. Rehefa nantsoina ho miaramila fiandry anefa izy tatỳ aoriana, dia tsy namela azy hanao izany intsony ny feon’ny fieritreretany, noho izy manaraka izay lazain’ny Baiboly. Tsy nanaiky anefa ny manam-pahefana, ka niakatra fitsarana ilay izy. Nanonona andininy tao amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny fitsarana tampony, ary nilaza fa manana zo hiova fivavahana ny olona iray, eny fa na dia ireo miaramila taloha aza. Afaka mandà tsy hanao miaramila izy raha tsy mamela azy intsony
ny feon’ny fieritreretany, noho ilay fivavahany vaovao. Azo inoana fa handray soa avy amin’io didim-pitsarana io ny Vavolombelona maro any Gresy sy any an-tany hafa, toa an’i Armenia, Azerbaïdjan, Korea Atsimo, ary Torkia.Portogaly
Misy sokajiny ny fivavahana any Portogaly, ka nomena ny sokajy ambony indrindra ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nataon’ny Minisiteran’ny Fitsarana ho anisan’ny Fivavahana Maharitra mantsy izy io, tamin’ny 25 Septambra 2009. Noho izany, dia maro ny tombontsoa azon’ny Vavolombelon’i Jehovah any. Afaka manompo an-kalalahana, ohatra, izy ireo. Misy koa rahalahy nomena alalana hanoratra fanambadiana ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Afaka mankany amin’ny hopitaly na fonja koa izy ireo, rehefa misy mangataka fanampiana ara-panahy.
Porto Rico
Tena niavaka ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony tany Porto Rico, tamin’ny 27 Janoary 2010, momba ny
Rahalahy Victor Hernandez. Nilaza ilay fitsarana fa manana zo handa fitsaboana sasany ny marary efa ampy taona. Nolazainy koa fa manana zo hilaza mialoha izay fitsaboana tiany ny marary, ary afaka manendry solontena hanazava izany, raha tsy mahatsiaro tena izy. Efa nataon’i Victor an-tsoratra ny fitsaboana tiany, talohan’ny hidirany hopitaly, ary efa nanendry solontena izy. Tsy neken’ny mpitsabo sy ny fitsarana ambaratonga voalohany anefa ny safidiny. Nilaza toy izao kosa ny Fitsarana Tampony: “Raha misy zavatra tsy tian’ny olona hatao amin’ny vatany, dia tsy azo terena izy. Zony tanteraka izany.” Tsy ireo Vavolombelona 25 000 mahery any Porto Rico ihany no handray soa avy amin’io didim-pitsarana io, fa ny marary rehetra eran’ilay nosy koa.Rosia
Azo lazaina hoe nizotra tsara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany, nanomboka tamin’ny naharavan’ny Firaisana Sovietika. Volana vitsivitsy lasa anefa izay, dia tena nihamafy indray ny fampahoriana azy ireo. Nanohana ny fitsarana tany Rostov ny Fitsarana Tampony tany Rosia, tamin’ny 8 Desambra 2009. Nofoanan’ny manam-pahefana àry ny fiangonan’ny Vavolombelona tao Taganrog, ary nalainy ny Efitrano Fanjakana. Boky 34 no voarara satria mampirisika ny olona hikomy, hono. Anisan’izany ireo boky be mpamaky toy ny Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, sy Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, ary “Andao Hanara-dia Ahy.”
Namoaka didy mitovy amin’izany koa ny Fitsarana Tampon’ny Repoblikan’i Altaï, any amin’ny faritra atsimon’i Rosia. Nofoanana ny fiangonana tao Gorno-Altaysk, ary niampy 18 ireo boky voarara. Tena sarotra ny manafatra an’ireo boky ireo ankehitriny. Mahazo
vahana koa ny mpanohitra, ka mampihorohoro sy manafika an’ireo Vavolombelona any amin’ny tanàna maro. Hatramin’ilay didim-pitsarana nivoaka tamin’ny 8 Desambra, ohatra, dia voalaza fa efa 300 mahery ny fanaovana be midina, fisamborana, fisavana trano, ary fanakorontanana hafa.Nihanitombo ny fampahoriana, ka namoaka taratasy mivalona manokana ny Filan-kevi-pitantanana. Miisa 12 tapitrisa ilay izy, ary mitondra ny lohateny hoe Hiverina Indray ve ny Fampahoriana? Fanontaniana ho An’ny Mponin’i Rosia. Hazavaina ao fa misy itovizany amin’ny fampijaliana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny andron’ny Kominista ny zava-mitranga ankehitriny. Nozaraina eran’i Rosia io taratasy io, tamin’ny 26 ka hatramin’ny 28 Febroary 2010. Roa andro monja dia voazara ny anjaran’ny fiangonana maro, na dia 40 degre ambanin’ny zero aza ny hatsiaka.
Ho setrin’izany, tamin’ny 26 Aprily 2010, dia nilaza ny Sampan-draharaham-panjakana Manara-maso ny Fampahalalam-baovao sy ny Serasera (na Roskomnadzor), fa voarara ny mampiditra Tilikambo sy Mifohaza!
“Tsy hoe nanjary fohy loatra” anefa “ny tanan’i Jehovah ka tsy mahavonjy.” (Isaia 59:1) Namoaka didim-pitsarana nanameloka an’i Rosia ny Fitsarana Eoropeanina, tamin’ny 10 Jona 2010. Voalaza tao fa tsy ara-dalàna ny fanafoanana ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Moscou, sy ny fandrarana ny asany. Tsy mety koa ilay izy satria tsy manaja ny zon’olombelona hanana ny heviny sy ny fivavahany ary hanaraka ny feon’ny fieritreretany. Efa hatramin’ny 26 Martsa 2004 no nisy fandrarana tany Moscou, ka nitombo ny fampijaliana an’ireo Vavolombelona. Voalaza mazava tamin’ilay didim-pitsarana fa ‘tsy maintsy manajanona ny fampahoriana ataony’ ny fitondrana rosianina, ‘ary manonitra an’izany, araka izay azo atao.’
Noresahina tao amin’ilay didim-pitsarana fa efa intsivy nandresy tamin’ny fitsarana ambony ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Afrika Atsimo, Espaina, Etazonia, Japon, Kanada, Rosia, ary Royaume-Uni. Nolazain’ny Fitsarana Eoropeanina
koa fa efa imbalo izy ireo no nanome rariny ny Vavolombelona, ary mino izy fa nety izany didim-pitsarany izany. Nandinika ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona sy ireo didim-pitsarana efa nivoaka teo aloha ilay fitsarana, ka namoaka didy fa tsy misy marina ireo fiampangana nataon’ny fitondrana rosianina tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.Nilaza ilay fitsarana fa “efa 12 taona mahery no voasoratra ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah tao Moscou, nanomboka tamin’ny 1992 ka hatramin’ny 2004. Nandritra izany, dia tsy nisy tamin’ny anti-panahin’izy ireo na ny mpikambana tao aminy nanao heloka bevava na nandika lalàna.” Nilaza àry ilay fitsarana fa voahitsakitsaka ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka ‘mila mamoaka lalàna ny fanjakana rosianina mba tsy hiverenan’izany intsony.’
Nangataka indray ny fitondrana rosianina, tamin’ny 9 Septambra 2010, hoe tokony hodinihin’ny ambaratonga ambony ao amin’ny Fitsarana Eoropeanina ilay raharaha. Azo inoana fa mitady hirika tsy hankatoavana an’ilay didim-pitsarana fotsiny ry zareo. Matoky anefa isika fa vao mainka ho maro no hahafantatra ny marina, na mbola havelan’i Jehovah hodinihina io raharaha io na tsia.
Serbia
Nosoratan’ny Minisiteran’ny Raharaha Ara-pivavahana ho ara-dalàna ihany ny Vavolombelon’i Jehovah any Serbia, rehefa avy niady teny amin’ny fitsarana nandritra ny efa-taona latsaka kely. Efa intelo nangataka isika talohan’izay, fa nolavina foana. Efa hatramin’ny 1920 tany ho any anefa no nisy Vavolombelon’i Jehovah, na Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, tao amin’io faritra io. Navelan’ny minisitera
hosoratana ara-dalàna ihany isika, rehefa nanome rariny antsika indroa ny Fitsarana Tampon’i Serbia.Imbetsaka ny mpanohitra no nilaza tamin’ny fampitam-baovao fa sekta mampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa voasoratra ara-dalàna anefa isika izao, ka ho hitan’ireo olona tso-po eran’i Serbia fa olona tsara ny Vavolombelona, ka tsy izy ireo mihitsy no hampidi-doza ny fiaraha-monina na ny olon-tsotra. Tsy mandoa hetra na haban-tseranana intsony isika izao, rehefa manafatra boky sy gazety, na zavatra hafa ilaina amin’ny fivoriana sy fanompoana.
Slovenia
Nampidirin’ny fitondrana slovenianina ho anisan’ny fivavahana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 27 Novambra 2009. Nohavaozina mantsy ny Sata Mifehy ny Fivavahana, ka nila nosoratana fanindroany ny fivavahana rehetra any. Nilaza tamin’ny solontenantsika ny tompon’andraiki-panjakana hoe ny “Vavolombelon’i Jehovah” no fivavahana fahavalo nekena, tamin’ireo fivavahana 40. Marihina fa misy tombontsoa omen’ny fanjakana slovenianina ho an’ireo manao asa ara-pivavahana manontolo andro. Anisan’ny mahazo izany izao ireo Vavolombelona manompo manontolo andro any.
Torkia
Nakaton’ny manam-pahefana ny Efitrano Fanjakana tao Mersina, tamin’ny Aogositra 2003. Lazainy fa tsy manara-penitra ilay izy, nefa efa 20 taona teo ho eo izy io no nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niezaka nampakatra fitsarana ireo rahalahy, nefa resy foana. Nolavin’ny fitsarana ambony indrindra any Torkia ny fitarainan’izy ireo tamin’ny 30 Desambra 2009, fa nomeny rariny kosa ny governoran’i Mersina. Nalefa any amin’ny Fitsarana Eoropeanina izao ilay raharaha.
VOIN-KAVA-MAHATRATRA
Nisy horohoron-tany nahery vaika tany Haïti, tamin’ny 12 Janoary 2010. Simba tanteraka i Port-au-Prince renivohitra sy ny faritra manodidina. Olona ana hetsiny no maty, ary mbola maro noho izany no tsy nanan-kialofana. Vavolombelona an’arivony no rava trano, ary 154 no namoy ny ainy. Be dia be koa no naratra mafy na tena efa saika maty.
Tao an-trano i Acloque, rehefa nihovotrovotra ny tany. Nivilana ireo rindrina, ary nirodana tsikelikely. Nilatsaka koa ny valin-drihana ka tafahitsoka teo izy. Tsy naratra mafy anefa izy, ary afaka nitsapatsapa tao anaty maizina. Hoy i Acloque: “Nahatsapa siô nisy rano aho. Tsy azoko nakisaka ilay izy, fa ny rantsantanako no natsoboko tao, ka mba nisy rano kely nataoko tao am-bava. Nahita vatokely koa aho, ka nipaipaika tamin’ilay izy, sao mba misy mandre.” Nivavaka izy mba hisy hamonjy, sady nipaipaika foana, ary niandry olona hanavotra azy.
Hoy i Acloque: “Tsy nanana famantaranandro aho, ka tsy nahalala ora. Nitomany aho tamin’ny voalohany, sady nitalaho tamin’i Jehovah mba hamonjy ahy. Rehefa elaela anefa dia izao indray no vavaka nataoko: ‘Fantatro fa hatsanganao aho raha maty. Nefa izaho ange mbola tanora kely e! Raha mba tsy maty aho izao, dia mbola afaka manompo anao.’ ”
Tsapan’i Acloque fa efa tena kely ny ainy, ka tsy vitany intsony ny nipaipaika. Torana izy avy eo.
Rehefa nahatsiaro saina i Acloque, dia fantany fa nisy Vavolombelona tao ivelany, niezaka namonjy azy. Rehefa nanainga zavatra anefa izy ireo, dia nisy antontan-javatra nianjera teo akaikin’ny tongony. Hoy izy: “Efa hitako fa ho voa ny lohaliko raha mbola manohy
ry zareo, ka navoakako ny tanako, ary nosamboriko ny sandrin’ilay Vavolombelona teo akaiky teo.” Avotra ihany i Acloque! Efatra andro izy no tao.NAHAZO FANAMPIANA AVY HATRANY
Tsy ela taorian’ilay horohoron-tany, dia tonga ny dokotera Vavolombelona voalohany, avy tao amin’ny sampan’ny Repoblika Dominikanina. Maro koa ny Vavolombelona mpamonjy voina sy mpitsabo tonga taorian’izay, niaraka tamin’ny fanampiana. Nasiana hopitaly vonjimaika teo ivelan’ny biraon’ny sampana, ary Vavolombelona sy olon-kafa arivo mahery no notsaboina tao.
Anisan’ireo notsaboina tao ny tovovavy roa. Samy tapaka ny tanan’izy ireo havanana. Hoy i Mylène, mpiasa an-tsitrapo: “Natahotra izy ireo sao tsy hahita vady intsony, toa an’ireo tanora tapa-tanana na tapa-tongotra.” Nahafantatra anabavy iray nipetraka tany Frantsa i Mylène. Voan’ny lozam-piarakodia izy io tamin’ny mbola kely, ka tapaka ny tanany. Nasainy nampahery azy roa vavy ilay anabavy, ka nandefa ny sarin’izy sy ny vadiny ary ny zanany roa mahafatifaty. Tena nampahery an’ireo tovovavy ireo izany. Efa zatra mampiasa tanana ila izy ireo izao.
Nila trano koa ireo tra-boina, ankoatra ny sakafo sy fitafiana ary fanafody. Nanampy azy ireo àry ny mpiasa an-tsitrapo avy eo an-toerana sy avy any ivelany. Trano 1 700 mahery no naorina vonjimaika ho an’ireo Vavolombelona rava trano, mba hiarovana azy ireo amin’ny orana sy ny mpandroba. Naorina koa ireo efitrano fivoriana vonjimaika, nanomboka tamin’ny Jona. Navelan’ny manam-pahefana hanorina Efitrano Fanjakana ireo rahalahy, tamin’ny Jolay.
FANAMPIANA AMIN’NY LAFINY REHETRA
Tamin’ny Martsa 2010, dia nisy dokotera Vavolombelona nihaona tamin’ny anti-panahy avy amin’ny fiangonana 115. Mpitsabo olona mikorontan-tsaina izy io. Natorony an’ireo anti-panahy ny fomba hanampiana an’ireo mpiara-manompo mbola mitebiteby sy matahotra noho ilay loza. Izy kosa nijery tsirairay an’ireo rahalahy sy anabavy 100 mahery, izay nila fikarakarana manokana.
Tonga tany Haïti i David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tsy ela taorian’ilay loza, mba hampahery an’ireo rahalahy. Nisy fivoriamben’ny faritra tamin’izay, ary nanao lahateny tamin’ny teny frantsay izy. Nihaona tamin’ny fianakavian’ny Betela sy misionera ary mpiandraikitra ny faritra izy avy eo. Nankasitraka ny fitiavana sy ny fiahiana ary ny fikarakaran’ny Filan-kevi-pitantanana ny rehetra.
Na maro aza ireo vato misakana toa tsy ho resy, dia voadikan’ny sampan’i Haïti ihany Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Natao pirinty izy io ary tonga tamin’ny sambo, tamin’ny volana Jolay, ora vitsy talohan’ny namoahana azy tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Hitan’ny rehetra fa nitari-dalana foana i Jehovah, sady nanampy na tamin-javatra madinika na lehibe, hatramin’ny nitrangan’ilay loza ka hatramin’izao. Tonga tamin’ny fotoana nilana azy daholo
ny fanampiana sy fitaterana ary ireo mpiasa an-tsitrapo. Imbetsaka izany no nitranga sady nirindra tsara, ka azo antoka fa tsy kisendrasendra. Nilaza ny misionera iray efa ela hoe: “Ny tanan’i Jehovah mihitsy no nitantana izany. Tsapanay ilay izy satria tena niainanay.”FITOKANANA SAMPANA ISAN-KARAZANY
Andro niavaka ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny Nosy Salomon ny 13 Febroary 2010. Notokanana mantsy ny biraon’ny sampana vaovao. I Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana. Anisan’ireo mpanatrika 368 i Clement Fa’abasua. Izy no lasa Vavolombelona voalohany tany. Nasaina nitsidika an’ilay toerana ny mponina teny amin’ny manodidina, iray volana talohan’io, ka olona 273 no tonga. Anisan’izany ny lehilahy iray mpanao mari-trano. Hoy izy tao amin’ny gazety malaza iray: “Faran’izay tsara ilay trano manontolo. Trano toy ireny no tokony hatao eto amin’ny Nosy Salomon. Azo atao modely ilay izy, na fivavahana no hampiasana azy na zavatra hafa. Niara-niasa avokoa ny mpanao planina sy tompon’andraikitra ary ireo mpiasa maro be, ka nahavita trano tena kanto manome endrika ny nosintsika izay efa paradisa!”
Notokanana tamin’ny asabotsy 3 Aprily 2010 ny sampan’i Estonia. Tsy hay hadinoina ilay fandaharana, ary tena nankafizin’ireo mpanatrika 438. I Christian Muntean, avy ao amin’ny sampan’i Gresy, no nanao ny lahateny fitokanana. Nisy trano misy rihana iray teo akaiky teo, novidina tamin’ny orinasa mpamatsy rano. Nohavaozina izy io, ka nasiana efitra fandraisam-peo sy efitrano fianarana ho an’ny sekoly
samihafa, toy ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo.Notokanana tamin’ny 10 Aprily 2010 ny sampan’i Letonia. Tamin’ny 1918 no tonga voalohany tany ny vaovao tsara. Nisy fanenjehana nahery vaika anefa nandritra ny am-polony taona taorian’izay. Efa mandroso be kosa izao ny asa any. Solontena 248 avy any amin’ny tany sivy no nanatrika an’ilay fitokanana, niaraka tamin’ireo rahalahy sy anabavy teo an-toerana. I Christian Muntean ihany no nanao ny lahateny fitokanana.
I Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana ny sampan’i Paragoay, tamin’ny asabotsy 8 Mey 2010. Nisy 2 200 mahery ny mpanatrika. Trano fonenana misy efitra 32 no naorina, ary koa birao. Nohavaozina koa ilay trano fonenana efa teo. Nasiana siniben-drano ambanin’ny tany koa tao, ary mahazaka rano 40 000 litatra izy io.
Nilaza ny tompon’andraikitra iray fa ahitana olana foana ny trano aorin’ny fivavahana hafa, fa ny Vavolombelon’i Jehovah kosa tena manara-dalàna. Tsy sarotra àry ny naka fahazoan-dalana hanorina an’ilay sampana. Nahafaly ny manam-pahefana ny asa vitan’ireo mpiasa an-tsitrapo teo an-toerana sy avy any ivelany.Vavolombelona 500 latsaka kely avy amin’ny firenena 12 no nanatrika ny fitokanana ny sampan’i
Papouasie-Nouvelle-Guinée, tamin’ny asabotsy 29 Mey 2010. I Winston Payne, avy ao amin’ny sampan’i Aostralia, no nanao ny lahateny fitokanana. Nitarina ilay sampana, ka nampiana trano vaovao misy rihana telo ahitana efitra fatoriana, efitra fisakafoana, lakozia, ary fanasan-damba. Misy trano iray koa nasiana Efitrano Fanjakana sy toeram-piasana isan-karazany. Eo koa ny biraon’ny fandikan-teny malalaka be. Nisy Vavolombelona maromaro nandeha an-tongotra enina andro namakivaky tendrombohitra, mba hanatrika ilay fitokanana. Nanao akanjo mampiavaka ny foko orokaiva izy ireo, ary nihira sy nandihy mba handraisana an’ireo vahiny. Latsa-dranomaso ny anabavy iray efa zokinjokiny, ary nilaza hoe: “Hoatran’ny efa any amin’ny paradisa sahady aho!” Maro koa no nahatsapa izany.“MAMOA BE HATRANY”
Azo antoka fa manome voninahitra an’i Jehovah ny ezaka ataon’ireo Vavolombelony rehetra. Hoy i Jesosy: “Raha mamoa be hatrany ianareo ka asehonareo fa mpianatro ianareo, dia izany no anomezam-boninahitra ny Raiko.” (Jaona 15:8) Hitahy ny mpanompony foana i Jehovah sady hanome tari-dalana azy ireo. ‘Amin’izay dia handeha mendrika an’i Jehovah izy ireo mba hankasitrahany tanteraka azy ireo, raha mbola mahavokatra hatrany koa eo amin’ny asa tsara rehetra, ary raha mbola tsy mitsaha-mitombo ny fahalalany marina tsara an’Andriamanitra, ary hatanjahina amin’ny hery rehetra izy ireo, araka ny haben’ny heriny be voninahitra, mba hiaritra tanteraka sady haneho fahari-po amim-pifaliana.’—Kol. 1:10, 11.
[Sary, pejy 8]
Nianatra Baiboly indray i Natsue
[Sary, pejy 11]
Manamarina tsara ny fanazavana azony ireo mpikaroka
[Sary, pejy 13]
Korea
[Sary, pejy 14]
Meksika
[Sary, pejy 14]
Afrika Atsimo
[Sary, pejy 15]
Stephen Lett, tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Hawaii
[Sary, pejy 22]
Dmitry Smyk
[Sary, pejy 25]
Evangelos Delis
[Sary, pejy 25]
Taratasy avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana
[Sary, pejy 33]
Vavolombelona mpitsabo, tonga taoriana kelin’ilay horohoron-tany
[Sary, pejy 33]
Nanamboatra trano vonjimaika 1 700 mahery ireo Vavolombelona mpiasa an-tsitrapo
[Sary, pejy 34]
Navoaka “Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” amin’ny teny kreôla fampiasa any Haïti
[Sary, pejy 36]
Nitarina ny sampan’i Estonia
[Sary, pejy 37]
Sampan’i Paragoay
[Sary, pejy 37]
Winston Payne, nanao ny lahateny fitokanana ny sampan’i Papouasie-Nouvelle-Guinée