Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andinin-teny ho An’ny Taona 2012

Andinin-teny ho An’ny Taona 2012

Andinin-teny ho An’ny Taona 2012

“Ny Teninao no Fahamarinana.”—JAONA 17:17.

Faly isika fa nahariharin’ilay Raintsika be fitiavana tamintsika ny fahamarinana! Asehony antsika ao amin’ny Teniny ny fomba fiaina tsara indrindra, sy ny fomba ahitana ny tena fahasambarana. Miaro antsika tsy hikatsaka zava-poana sy tsy mahasoa izy io, ary manafaka antsika amin’ny fampianaran-diso. Tena hilamin-tsaina koa isika, raha manaraka izay lazain’ny Baiboly. Lasa misy dikany ny fiainantsika dieny izao, ary afaka manantena hoavy sambatra isika.

Mampiray saina antsika amin’ireo rahalahintsika an-tapitrisany ny fahamarinana. Ary ny tena zava-dehibe, dia mampianatra antsika momba an’i Jehovah izy io, sady manoro antsika ny fomba anatonana azy. Tokony ho sarobidy amintsika foana àry io fanomezan’i Jehovah io. Enga anie isika hifaly noho ny fahamarinana, ary hamela azy io hitarika antsika foana.