Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Norvezy

Eritrereto hoe handeha hitory ianao, dia ranomandry, lanezy, tendrombohitra, helodranomasina, ary serfa no tazanao. Mahita hazavana hafakely ianao rehefa ririnina. Izany no Norvezy. Ho hitanao ato fa nandeha ski na sambo ny mpitory, rehefa nankany amin’ny toerana mitokana. Nisy rahalahy iray koa tsy nanao kapa rehefa nandeha nivory. Naneho finoana sy herim-po ireo Vavolombelona teo ambany fitondran’ny Nazia.

Rwanda

Nilaza i Jesosy fa ny fitiavana no hamantarana ny mpianany. Niharihary izany tany Rwanda. Nifandrafy ny foko roa, ary naripaka tsy nisy indrafo ny iray. Niaro an’ireo rahalahiny anefa ny Vavolombelona, na dia nety haningotra ny ainy aza izany. Nisy mihitsy aza namoy ny ainy. Ho hitanao ato fa tena niaritra izy ireo nandritra ny fanenjehana sy fandrarana, ary tsy nivadika na teo aza ny zava-tsarotra sy fitsapana ary tebiteby.