Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany

NAHITA vahoaka be tsy tambo isaina, “avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra” ny apostoly Jaona, tao amin’ny fahitana iray. Nampanantena i Jehovah fa ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe” izy ireo, ary ho ao amin’ny tontolo vaovao. (Apok. 7:9, 14) Hita avy amin’ireo tarehimarika sy tantara hovakintsika ato, fa efa angonina izao io vahoaka be io sady mitombo foana. Vao mainka àry isika matoky fa tsy maintsy tanteraka izay lazain’i Jehovah.

AFRIKA

TANY 57

MPONINA 949 533 064

MPITORY 1 267 314

FAMPIANARANA BAIBOLY 2 819 310

TARATASY NAMPAHERY. Nanoratra taratasy fampiononana ho an’ireo maty havana i Iris, any Afrika Atsimo. Nasiany taratasy mivalona hoe Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra! sy Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry? tao anatiny. Namaly ny taratasiny ny lehilahy iray atao hoe Sidney. Maty ny vadiny, nefa efa niaraka nandritra ny 38 taona izy ireo. Hoy izy: “Nalahelo be aho rehefa maty ny vady malalako, na dia efa nampiomana ahy aza ny mpitsabo. Tezitra sy nikorontan-tsaina koa aho. Misaotra ny Tompo aho nampiasa anao. Mahavariana hoe misy olona manokana fotoana sy hery mba hampahafantarana ny fampanantenan’Andriamanitra amin’olona tsy fantany akory. Hotadidiko foana ireo fanazavana nomenao, rehefa miatrika olana aho. Rehefa namaky an’ilay izy sy ireo taratasy mivalona aho vao mba tony. Fantatro izao ny marina momba ny maty.”

TSY NESORINA INDRAY ILAY ZAZA. Nitory tamin’i Arnaud, mpianatry ny oniversite, i Gloria, anabavy tanora any Bénin. Naneno anefa ny findain’i Arnaud. Nilaza izy avy eo hoe tsy maintsy mandeha, satria nila fanampiana, hono, ny namany. Natolotr’i Gloria azy haingana izay gazety sendra ny tanany tao anaty kitapony. Noraisin’i Arnaud ilay izy fa tsy nojereny akory.

Nilaza ilay naman’i Arnaud, fa bevohoka, hono, ilay olon-tiany ka hotereny hanala zaza. Nanopy maso an’ilay gazety i Arnaud teny an-dalana ary taitra be nahita hoe niresaka momba ny fanalana zaza ilay izy. Mifohaza! Jona 2009 izy io, ilay hoe “Mety sa Tsy Mety ny Manala Zaza?” Namaky azy io ilay naman’i Arnaud, ka tapa-kevitra hoe aleo tsy hesorina indray ilay zaza. Teraka vavikely nahafatifaty ilay olon-tiany tatỳ aoriana.

TSY NATAHOTRA MPIMASY. Nanitatra faritany ny rahalahy mpisava lalana atao hoe King, any Zimbabwe. Niara-nitory tamin’ny anabavy vitsivitsy izy, ary nanatona ny tranon’ny vehivavy mpimasy malaza iray. Tsy sahy niresaka tamin’izy io ireo anabavy, fa i King kosa te hanasa azy hianatra Baiboly. Nihevitra ilay mpimasy hoe olona mpankao aminy ry zareo, ka nanontaniany izay nilainy. Nasehon’i King azy ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? ary nasainy hianatra Baiboly izy. Nanaiky ilay mpimasy. Hoy i King: “Gaga izahay fa be fanontaniana be izy, ka nitsidika azy indray izahay ary nampianatra azy.” Nasaina hivory izy, roatokombolana tatỳ aoriana, ary tonga tokoa. Nopotehiny daholo ireo ody nampiasainy. Nandroso haingana izy, ary natao batisa rehefa afaka volana vitsivitsy.

“MIVAVAHA HO AHY, MBA HISY HITSIDIKA AHO!” Nifindra tany Etazonia i Patrick avy any Angola, folo taona lasa izay. Nifampiresaka an-telefaonina foana anefa izy sy Felicidade reniny. Internet indray no nampiasain’izy ireo vao haingana, ka sady afaka nifampiresaka izy ireo no nifankahita. Rehefa niresaka izy mianaka indray andro, dia hitan’i Patrick hoe nisy olon-kafa tao an-trano. Nanontany izy hoe iza io olona io. Hoy i Felicidade, izay Vavolombelon’i Jehovah: “Mpiara-mivavaka aminay io, fa mba mitsidika ahy izy.”

Hoy i Patrick: “Fa maninona ny Vavolombelona no tsy mba mitsidika ahy? Mbola tsy tatỳ mihitsy ry zareo nefa efa folo taona aho no teto. Mivavaha ho ahy, mba hisy hitsidika aho!”

Somary gaga ihany i Felicidade sy ilay anabavy, nefa namaly hoe: “Eny àry fa hivavaka ho anao izahay.”

Tonga tao amin’i Patrick ny Vavolombelona, telo andro monja taorian’izay. Gaga be i Patrick, ka nanontany an-dreniny raha izy no nandefa an’ireo olona ireo. Tsy nanao izany anefa ny reniny. Niaiky àry i Patrick fa nivaly ilay vavaka, ka nanaiky hianatra Baiboly izy. Tonga dia namonjy ny fivoriana rehetra izy. Faly erỳ izy nampiseho ny toko ianarany ao amin’ny boky Ampianarina, rehefa nifampiresaka tamin’ny Internet indray izy mianaka. Nolazainy koa fa efa nividy kompile izy hoentiny mivory.

 TE HATAO BATISA NEFA MBOLA TSY MPITORY. Vao nanomboka ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2010 tany Brazzaville, Repoblikan’i Congo, dia nilaza ny tovolahy iray atao hoe Edvard, fa te hatao batisa, hono, izy. Rehefa nanontaniana izy hoe fiangonana aiza no misy azy, dia hoy izy: “Mossaka.” Tsy nisy Vavolombelona anefa tao amin’io toerana mitokana io, ka mba te hanadihady aloha ireo anti-panahy.

Nohazavain’i Edvard fa nampianarin’ny dadabeny tamin’ny bokikely Takina izy tany Brazzaville, tamin’ny 2007, sady nahavita toko 14 tamin’ny boky Ampianarina. Niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniny tany Mossaka izy, tatỳ aoriana. Te hamita an’ilay boky izy, nefa tsy nisy Vavolombelona tany. Niangaviany àry ny rainy mba hamaky an’ireo fanontaniana, dia izy no mamaly. Tsapany koa hoe tokony horesahiny amin’ny hafa ny fahamarinana nianarany. Nanomboka nitory irery tao Mossaka àry izy tamin’ny Oktobra 2009, ka nampiasa bokikely Takina. Nandefa tatitra tsy tapaka tany amin’ny dadabeny tany Brazzaville izy, saingy tsy nalefan’io rahalahy io tany amin’ny fiangonana mihitsy izany.

Tsy nahalala momba an’i Edvard mihitsy àry ny sampana. Nandefasana mpisava lalana manokana tsy maharitra anefa tany Mossaka, mba hanompo telo volana tany. Roa lahy izy ireo ary Daniel no anaran’ny iray. Hitan’izy io nampianatra tamin’ny bokikely Takina i Edvard, roa andro talohan’ny handehanan’izy ireo. Nanontany azy i Daniel ka hoy izy: “Mitory aho. Izaho ange efa mpitory e! Anontanio i Dadanay.” Nanamafy ny tenin’i Edvard ny rainy. Nampiofanin’ireo mpisava lalana i Edvard, nandritra ny fotoana fohy sisa nijanonan’izy ireo tany. Vao mainka nazoto nitory izy rehefa lasa ry zareo, ary folo mahery ny mpianany. Nanokan-tena ho an’i Jehovah koa izy.

Rehefa nandre an’izany rehetra izany ny anti-panahy, tamin’io zoma io, dia nisy roa tamin’izy ireo niara-nidinika tamin’i Edvard an’ireo fanontaniana ho an’ny mpitory. Nahatalanjona ny valin-teniny. Henon’izy ireo tamin’ireo mpisava lalana manokana fa tsara fitondran-tena i Edvard, ary efa sivy volana izy no nitory irery. Nekena ho mpitory tsy vita batisa àry izy. Nandinika an’ireo fanontaniana ho amin’ny batisa niaraka taminy ny anti-panahy, ny herinandro nanaraka. Hita hoe azony tsara ny fahamarinana, ka natao batisa izy ny faran’io herinandro io, tamin’ny Jolay 2010. Nisy fivoriambe tamin’ny teny lingala mantsy tamin’izay. Nampandrenesin’ny anti-panahy avy eo hoe vita batisa i Edvard, herinandro katroka taorian’ny nanekena azy ho mpitory tsy vita batisa.

Nanao mpisava lalana mpanampy tany Brazzaville aloha izy nandritra ny roa volana, sady namita ny boky “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra.” Nody tany Mossaka izy taorian’izay. Nandefasana mpisava lalana manokana tany, vao haingana. Nisy 182 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny Aprily. Mpisava lalana mpanampy i Edvard tamin’io, ary faly erỳ izy sy ilay mpisava lalana manokana nandray an’ireo olona liana. Misy 16 izao ny mpianatr’i Edvard, ary efa mivory ny 7. Izy mirahalahy no mitarika ny fivoriana. Feno 15 taona i Edvard tamin’ny 2011.

IREO TANIN’I AMERIKA

TANY 55

MPONINA 941 265 091

MPITORY 3 780 288

FAMPIANARANA BAIBOLY 4 139 793

‘TSY KISENDRASENDRA MIHITSY IZAO.’ Nisy niantso tamin’ny telefaonina i Sundie, anabavy any Etazonia. Vehivavy ilay niantso ary olona tsy fantatr’i Sundie no notadiaviny. Namaly àry i Sundie hoe sao dia diso nomerao izy. Nilaza ilay vehivavy fa tsy mahita tsara, ka manao diso indraindray rehefa mitelefaonina. Nanazava izy avy eo hoe ny zanany lahy no notadiaviny, satria misy zavatra mampalahelo tiany horesahina aminy. Niteny taminy, hono, ny dokotera hoe voan’ny kansera izy. Kivy ilay vehivavy sady nanome tsiny an’Andriamanitra satria navelany harary. Tonga saina i Sundie hoe tokony hitory aminy. Nivavaka vetivety izy mba ho sahy, ary namaky andinin-teny vitsivitsy mba hampiononana an’ilay vehivavy. Nilaza koa izy fa manana anarana Andriamanitra. Nampirisika azy izy avy eo mba hampiasa an’io anarana io rehefa mivavaka sady hilaza izay tena iriny. Nisaotra an’i Sundie ilay vehivavy, noho izy nihaino sy nampahery azy. ‘Tsy kisendrasendra mihitsy izao isika tafaresaka izao’, hoy izy.

Nifanome adiresy izy ireo, ary nandefasan’i Sundie boky Ampianarina amin’ny CD izy. Niangavy mpisava lalana mipetraka eny akaikin’ilay vehivavy koa izy, mba hitsidika azy. Hoy i Sundie: “Misaotra an’i Jehovah aho, satria mampiofana tsara antsika izy mba hahaizantsika mampionona olona, na inona na inona mahazo azy.”

VOAVALY TAO NY FANONTANIAN’IZY IREO. Misy anabavy maromaro mitory tsy tapaka eo ivelan’ny hopitaly lehibe iray any Porto Rico. Nanatona lehilahy roa handeha ho ao amin’ilay hopitaly ny anabavy iray. Hitany hoe maika anefa izy ireo, ka nomeny fotsiny an’ilay taratasy mivalona hoe Manana Fanahy Tsy Mety Maty ve Ianao? Tsy dia mpanolotra an’io taratasy io ilay anabavy rehefa mitory eny an-dalana, saingy io ihany no tany aminy. Nanatona mpitory hafa izy roa lahy avy eo, ary nilaza hoe hamangy havana marary mafy ry zareo tamin’ilay anabavy nanome azy an’ilay taratasy. Efa niady hevitra, hono, izy roa lahy hoe mbola velona sa tsia ny fanahin’ny maty, ka ilay taratasy no namaly ny fanontaniany. Nilaza izy ireo fa tena nanampy azy ilay izy.

TARATASY HO AN’I JEHOVAH. Fito taona i Joshua, any Etazonia. Nasain’ny mpampianatra nanoratra ho an’i Dadabe Noely izy sy ny iray kilasy taminy, nandritra ny volana Desambra. Niangavy tsy hanao an’ilay izy anefa i Joshua, ka nilaza ilay mpampianatra hoe: “Olon-kafa anoratana e!” I Jehovah àry no nofidin’i Joshua hanoratana. Hoy izy: “Misaotra mampanantena paradisa. Misaotra koa tamin’i Jesosy Zanakao. Izy tsinona maty ho anay. Misaotra nanamboatra zavatra tsara be dia be. Tiako be ianao Jehovah.” Navoaka tamin’ny gazety ilay taratasiny sy ny an’ny ankizy hafa.

NANAIKY HIANATRA NY HAVANY. Te hitory tamin’ny havany i Alejandro, rahalahy any Kolombia. Lavitra be anefa ry zareo ka naleony nanoratana sy nandefasana Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Namaky an’ireo gazety sy nijery ny andinin-teny tao ny havany iray atao hoe Pablo, ka nahita fa diso ny fampianaran’ny Katolika. Tonga izy dia nitantara an’izay novakiny tamin’ny havany hafa. Niaiky koa ry zareo hoe nahita ny fivavahana marina, ka nialany ny fiangonana katolika.

Tsy ela dia nisy 15 tamin-dry zareo, nifamory isan-kariva mba hiara-midinika an’ireo gazety. Te handalina kokoa ny Baiboly izy ireo, ka nitady Vavolombelona fa tsy nahita. Noresahiny tamin’ny mpiray tanàna anefa izay nianarany. Henon’izy ireo tatỳ aoriana hoe misy Efitrano Fanjakana eny amin’ny manodidina, saingy 80 kilaometatra eo ho eo miala eo amin-dry zareo ilay izy. Tonga dia nankany anefa izy ireo, ary nangataka olona hampianatra azy.

Misy mpisava lalana iray izao mampianatra azy ireo isan-kerinandro. Olona 26 no mianatra, ka fianakavian’i Alejandro ny 15. Manofa fiara izy ireo rehefa hivory, ka afaka manatrika lahateny ho an’ny besinimaro sy Fianarana Tilikambo ny ankamaroany.

SAO DIA MBA NY ANJELY NO NITARIKA AZY IREO? Narary ny anabavy iray any Ekoatera, indray andro, ka niangavy mpitory hafa mba hampianatra ny mpianany. Fianakaviana any amin’ny faritra miteny quechua izy io. Tsy hitan’ireo mpitory ny tranon’ilay fianakaviana, ka nanontany tao amin’ny trano iray izy ireo. Nisy fianakaviana tokoa tao, ary nandray tsara azy ireo, sady hoatran’ny hoe efa niandry azy. Vita ny fianarana vao fantatr’ireo mpitory fa tsy ireo ilay mpianatra. Hay mba tian’io fianakaviana io fotsiny ilay hoe mianatra Baiboly, ka mody nampiseho ry zareo hoe efa nianatra, nefa mbola tsy nanao an’izany mihitsy! Nitombo iray indray àry ny mpianatra Baiboly ao amin’ilay tanàna, ary mbola manohy koa ilay fianakaviana tsy hitan’ireo mpitory.

ILAY MOFOMAMY NO NAHATONGA AZY HIANATRA. Enin-taona i Caleb, any Kanada. Nifanitsy tamin’ny fidiran’ny mpianatra ny aniverseran’ny mpiara-mianatra aminy iray, ka nizara mofomamy tamin’ny iray kilasy ny maman’ilay ankizy. Tsy nandray anefa i Caleb, ka nanontany ilay ramatoa hoe: ‘Misy zavatra tsy zakanao angaha ao amin’ilay izy?’ Namaly i Caleb hoe: “Tsisy ka! Fa izaho mpanompon’i Jehovah.”

Natalie no anaran’ilay ramatoa. Nanontaniany ny maman’i Caleb rehefa nirava hoe: “Vavolombelon’i Jehovah angaha ianareo?” Faly be i Natalie rehefa namaly izy hoe eny. Efa nianatra mantsy i Natalie taloha, fa nenjehin’ny fianakaviany ka nijanona. Nanaiky hianatra indray àry izy.

TSY SITRAPON’ANDRIAMANITRA ILAY IZY. Marenina hatrany an-kibo i Laly, any Peroa. Tiany ho fantatra ny antony, ka nohazavain’ny mamany hoe izany no sitrapon’Andriamanitra. Nalahelo àry i Laly sady tezitra tamin’Andriamanitra. Lasa saina izy hoe: ‘Fa maninona àry aho no ataony an’izany?’

Nanambady tovolahy marenina i Laly, tatỳ aoriana. Sembana ny zanak’izy ireo voalohany, ka kivy sady nalahelo izy. Nanontaniany indray ny reniny hoe: “Fa maninona no sembana ny zanako?” Nasainy nanatona pretra i Laly, ka nilaza koa ilay pretra hoe: “Izay no sitrapon’Andriamanitra.”

Tezitra izy ka niteny hoe: “Fa maninona Andriamanitra no ratsy fanahy hoatr’izany? Ekeko hoe sazy avy aminy ny mahazo ahy. Maninona anefa no voasazy koa ny zanako? Fa inona ny ratsy nataony, nefa izy vao teraka?” Tsy te hahare momba an’Andriamanitra intsony àry i Laly, ka niala tamin’ny fiangonany.

Tatỳ aoriana, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah mahay tenin’ny tanana tonga tao amin’i Laly, ary nanasa azy hianatra Baiboly. Nanda izy sady nilaza hoe tsy mino an’Andriamanitra. Nanazava moramora ilay anabavy hoe i Jehovah no anaran’io Andriamanitra tsy tiany horesahina io. Mampanantena koa io Andriamanitra io fa hanasitrana azy. Tsy nino an’izany anefa i Laly. Nasainy nanome porofo ilay anabavy, ka namaky ny Isaia 35:5 hoe: “Hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hatao mandre ny sofin’ny marenina.” Gaga be i Laly ka nanaiky hianatra Baiboly. Natao batisa izy tatỳ aoriana. Miara-mivory aminy foana koa ilay zanany, sady mianatra tenin’ny tanana. Vao mainka faly i Laly rehefa mieritreritra ny fampanantenan’ny Baiboly. Mpisava lalana maharitra izy izao.

AZIA

TANY 47

MPONINA 4 194 127 075

MPITORY 664 650

FAMPIANARANA BAIBOLY 629 729

TSY NAHITA HAVALY RY ZAREO. Voarara ny fitoriana any amin’ny tany iray any Azia. Nanaiky hianatra anefa ny ankizilahy iray 24 taona ao amin’io tany io, mba hanaporofoana fa diso ny fampianarantsika, fa ny an’ny Katolika no marina. Hitany avy eo fa isika no mampianatra ny marina.

Fantatry ny fianakaviany anefa hoe nianatra izy, ka nifamory izy rehetra, ary nanery azy hiverina ho Katolika. Tsy nety ilay ankizilahy, ka ny havany rehetra teo an-tanàna indray no novorina mba hanery azy. Nokapohin-dry zareo izy, nefa mbola tsy nanaiky ihany. Nalazan’ny fianakaviany tamin’ny mompera izy, ary nentin’ny mompera tany amin’ny filan-kevitry ny fiangonana. Nilaza ilay ankizilahy hoe hiverina ho Katolika izy raha voavalin’ilay mompera ireto fanontaniana roa ireto: Iza no anaran’Andriamanitra? Nahoana no avelan’ny eglizy hihinan-dra ny mpiangona, nefa raran’ny Baiboly izany? Tsy nahita havaly ilay mompera, ka nofelahiny ilay ankizilahy. Amin’izay, hono, “mivoaka ny demony ao aminy.” Rava maina ilay fivoriana avy eo.

Ny naman’ny fianakaviany indray no nantsoina taorian’izay, mba hanery azy handohalika eo amin’ny sarin’i Maria. Mbola nokapohina izy, nefa tsy nanaiky foana. Naniraka ankizivavy tsara tarehy avy eo ny fianakaviany mba hilaza hoe hanambady azy raha miverina ho Katolika izy. Niteny tamin’ilay ankizivavy anefa izy hoe hiverina, raha voavalin’ilay ankizivavy ireo fanontaniana roa napetrany tamin’ilay mompera. Niala maina ilay ankizivavy, ary tsy niverina intsony. Nambenana nandritra ny fito volana ilay ankizilahy taorian’izay. Tafatsoaka anefa izy, ka nankany an-tanàn-dehibe, ary nitady Vavolombelona. Lasa mpitory izy, iray volana tatỳ aoriana, ary natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny faritra, tamin’ny Martsa 2011.

NIARO AZY ILAY MPIAMBINA FONJA. Nigadra ny zanaky ny anabavy mpisava lalana iray, any Korea Atsimo, satria tsy nety nanao miaramila. Tonga nitsidika azy ilay anabavy, nefa tsy maintsy niandry kely, ka nanararaotra nanolotra taratasy mivalona tamin’ny lehilahy iray. Nivazavaza anefa ilay lehilahy hoe: “Tsy menatra akory itony mitory atỳ, nefa diso ny fivavahany!” Taitra daholo izay olona teo. Nisy 30 na 40 teo ho eo no indray nijery azy ireo. Notenenin’ny mpiambina iray anefa ilay lehilahy hoe: “Tsy marina izany! Ny fivavahana hafa rehetra no diso, fa ny an’ireo no marina! Efa ela aho no nandinika an’ireo tato, fa ry zareo irery no mampihatra an’izay ianarany.” Tsy nahateny intsony ilay lehilahy.

SORATRA TEO AMIN’NY RINDRINA. Efa nipetra-drery folo taona tany an-tanàn-dehibe i Harindra, any Népal, rehefa nianatra Baiboly. Hitady vola hamelomana ny vady aman-janany any ambanivohitra no nalehany tany. Tsy nahay namaky teny izy, ka ny bokikely Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! no nianarany. Tsy nisy tamin’ny teny népali anefa ilay bokikely, ka teny anglisy no nampiasain-dry zareo. Nitsidika azy ny vadiny indray andro, ka gaga nahita azy nampiasa bokikely teny anglisy. Tsikariny koa fa tsy nisotro toaka intsony izy, sady tsy namono azy. Rehefa fantany hoe noho i Harindra nianatra Baiboly no nahatonga izany, dia nianatra koa izy, ary nivory rehefa tafody. Te hahalala kokoa an’i Jehovah i Harindra, ka nianatra namaky teny sy nanoratra. Nasainy nanoratra litera sy teny tamin’ny taratasy ny mpampianatra azy, mba hapetany eo amin’ny rindrina. Tsy nijanona izy raha tsy feno ilay rindrina. Naverimberiny novakina ireo teny sy litera, ka lasa nahay namaky teny izy. Nantsoiny hiara-mipetraka taminy ny vady aman-janany, mba hiara-manompo an’i Jehovah izy rehetra. Roa taona tatỳ aoriana izy, dia vita batisa. Miara-mivory izao izy mianakavy, ary mahazo anjara famakiana Baiboly amin’ny Sekolin’ny Fanompoana i Harindra. Hoy izy: “Nampianarin’i Jehovah izahay, ka niova be ny fiainanay.”

NA DIA OMENA VOLA BE AZA! Mpanao ody i Zarkhanum, vehivavy any Azerbaïdjan. Nalaza ho nahay naminany sy nilaza ny hoavy izy, nandritra ny 15 taona, sady nahay nanasitrana marary na olona nisy namosavy. Be mpahalala izy, ary maro ny olona ambony sy vadin’olona ambony nankao aminy. Nahavita nandoa vola nitentina efatra na valo tapitrisa ariary mihitsy aza ry zareo isaky ny tonga. Lasa nanan-karena àry i Zarkhanum. Nahatsapa anefa izy hoe tsy nisy dikany ny fiainany. Tena nila an’Andriamanitra koa izy, ary be dia be ny fanontaniana nanahirana ny sainy. Tsy vitan’izay fa nisaraka izy mivady. Nivavaka mafy tamin’Andriamanitra àry izy indray andro. Tamin’izay indrindra no nisy anabavy roa nandondòna tao aminy, ary nitory taminy. Nilaza ry zareo fa tsy amin’izay lazaintsika ihany isika no tokony hampifaly an’Andriamanitra, fa amin’ny atao koa. Nanaitra azy izany satria maro ny olom-pantany milaza ho mpivavaka, nefa tsy mankatò an’Andriamanitra. Takany koa fa tsy mety ny milalao ody. Nanaiky hianatra Baiboly àry izy. Nampiasa ny anaran’i Jehovah izy rehefa nivavaka, ary nahita fa voavaly ny vavaka nataony. Sarotra taminy anefa ny niala tamin’ilay asany, satria tonga tao aminy foana ny demonia sady namono azy. Nampian’i Jehovah anefa izy, ka tsy nanelingelina azy intsony izy ireo. Vitany koa ny nanapotika izay entany nisy ifandraisany tamin’ny ody sy ny fivavahan-diso.

Tsy ela dia nazoto nitory i Zarkhanum, ary natao batisa tamin’ny Mey 2011. Tonga dia nanao mpisava lalana mpanampy izy. Tsy sarotra taminy ny nanatratra ora satria efa nihoatra ny 70 foana ny orany, talohan’ny batisany, na dia narary aza izy. Roa volana talohan’ny batisany, dia nisy vadin’olona ambony nanome azy vola nitentina 400 tapitrisa ariary eo ho eo. Narary mantsy io vehivavy io, ka nieritreritra hoe nisy namosavy. Tsy maintsy notapahina mihitsy aza ny tongony vokatr’ilay aretina. Tsy nety nanasitrana azy anefa i Zarkhanum, fa naniraka mpitory roa hitory taminy, tany amin’ny hopitaly. Mitory foana amin’ireo olona mpankao aminy taloha izao i Zarkhanum, ary milaza fa tsy nety ny nataony. Nanaiky hianatra àry ny iray tamin’izy ireo, ary mivory izao. Io olona io anefa no nampirisika an’ilay vadin’olona ambony hankany aminy.

NITORY NA DIA NIGADRA AZA. Nosamborina ny anabavy roa tany Inde, satria nitory, ary nogadraina dimy andro. Hoy ny iray taminy: “Vao tonga tao izahay, dia nanontanian’ny mpiambina hoe fa inona no nataonay. Tonga izahay dia nanararaotra nitory tamin-dry zareo. Mbola feno gazety sy taratasy mivalona tatỳ aminay, satria teny am-pitoriana izahay no nosamborina. Nitorianay izay rehetra tao am-ponja, ary nahapetraka gazety sy taratasy mivalona be dia be izahay. Nifampahery sy nivavaka koa izahay, sady namaky boky sy gazety.

“Nafindra tany amin’ny fonja hafa izahay avy eo. Tonga dia nanontany anay ny olona niara-nigadra taminay hoe nahoana izahay no nigadra. Afaka nitory tamin’izy ireo àry izahay, ary nilaza fa Vavolombelon’i Jehovah. Nisy mpiambina vavy naheno anay, ka niteny hoe: ‘Efa io ve no mampigadra anareo, dia mbola manao ihany ianareo?!’ ” Mieritreritra ny hitsidika an’izay voafonja liana izao ireo anabavy ireo.

HITAN’ILAY POLISY HOE MIFANKATIA ISIKA. Saika hitory teny amin’ny tsenakely maromaro ny anabavy roa tany Israely, indray mandeha. Nisy vehivavy roa nihazakazaka teny aminy, ary nanontany azy tamin’ny teny espaniola hoe: “Vavolombelon’i Jehovah ve ianareo?” Vavolombelona avy any Meksika ireo vehivavy ireo, ary niaraka tamin’ny mpizaha tany maromaro. Vao nahita ny gazety teny amin’ireo anabavy izy ireo, dia nahafantatra hoe Vavolombelona izy roa. Nifamihina sy nifanoroka izy efatra, ary niara-naka sary sy nifanome adiresy. Lasa avy eo ireo anabavy meksikanina, ary nandeha nitory kosa ireo anabavy israelianina.

Nanatona an’ireo anabavy israelianina avy eo ny polisy iray, ary nanontany raha Espaniola ry zareo. Namaly ireo anabavy hoe tsia. Nilaza ilay polisy hoe nahita azy efa-bavy nihaona, ka nieritreritra fa mpinamana efa ela ry zareo na mpihavana. Nanazava ireo anabavy hoe Vavolombelon’i Jehovah izy efatra, ka toy ny fianakaviana iray. Mifankatia, hoy izy ireo, ny Vavolombelon’i Jehovah, na samy hafa firenena aza, ary na dia sambany aza vao mihaona. Gaga be ilay polisy ka nandray gazety, ary nilaza hoe te hahafantatra kokoa antsika. Natao avy eo izay hitsidihana azy.

“METY HISY OLONA HIHAINO AHY ANY.” Mpisava lalana ao amin’ny antoko-mpitory miteny anglisy any Japon i Yusuke. Henony fa hisy sambo feno mpizaha tany avy any amin’ny firenena maromaro, ho tonga any amin’ny seranan’i Nagasaki. Nifoha maraina be àry izy, ary nandeha fiara adiny roa nankany, na dia avy be aza ny orana. Mbola tsy nitsahatra ny orana rehefa tonga tany izy, ka izy irery no teo amin’ilay seranana. Noheverin’ireo mpandeha fa mpitondra mpizaha tany izy, ka nanatona azy ry zareo. Antsasak’adiny monja àry, dia nahapetraka gazety 70 sy bokikely 50 tamin’ny fiteny maromaro i Yusuke.

Naka gazety fanampiny tany anaty fiarany i Yusuke. Rehefa tafaverina izy, dia nanatona tovolahy nijorojoro irery. Nanontany azy tamin’ny teny anglisy ilay ankizilahy hoe: “Vavolombelon’i Jehovah angaha ianao?” Vao namaly izy hoe eny, dia nitomany ilay ankizilahy. Nentin’i Yusuke tany amin’ny hotely àry izy, mba ho afaka hifampiresaka ry zareo.

I Jason no anaran’ilay ankizilahy, ary 21 taona izy. Nilaza izy fa Vavolombelona ny ray aman-dreniny. Izy kosa efa ela no mpitory tsy vita batisa. Tsy nivory intsony anefa izy enim-bolana teo ho eo talohan’io, ary nandeha sambo nankany Azia, amin’izay, hono, tsy mahita Vavolombelon’i Jehovah intsony. Tsy nahazaka ranomasina anefa izy, ka tsy afaka nivoaka an’ilay sambo, rehefa tonga tany Tailandy sy Vietnam ary Taïwan. Tany Japon izy vao afaka nivoaka, nefa vao nidina dia Vavolombelon’i Jehovah no niresaka taminy! Tonga saina izy hoe: ‘Tsy afaka mandositra an’i Jehovah mihitsy aho!’ Izany no nahatonga azy hitomany.

Nampisehoan’i Yusuke fehintsoratra vitsivitsy tao amin’ny boky “Fitiavan’Andriamanitra” i Jason, mba hanomezana toky azy fa tia azy foana i Jehovah. Niangavy azy i Yusuke tsy hiala amin’ny fandaminana. Tsy afaka nifampiresaka ela anefa ry zareo, satria ny harivan’io ihany, dia hanainga ho any Inchon, any Korea Atsimo, i Jason. Hijanona andro maromaro any izy mba hitsangantsangana.

Nieritreritra i Yusuke hoe sao dia misy zavatra hafa azony atao ho an’i Jason. Tadidiny hoe nisy rahalahy mahay miteny anglisy mipetraka any Inchon. Hitany tany amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena io rahalahy io. Niantso azy àry i Yusuke. Mazava ho azy fa tsy fantatr’i Jason izany. Vao nidina ny sambo i Jason ny ampitso, dia nahita Vavolombelona dimy nitsikitsiky sady nitazona soratra be hoe: “Tonga soa Jason!” Tsy nandeha nitsangantsangana indray àry izy, fa niaraka tamin-dry zareo. Reny hoe misy rahalahy tanora hoatr’azy any Korea migadra noho ny finoany. Tena nanohina ny fon’i Jason izany, ary nanatrika ny Fahatsiarovana izy tany.

Nody tany Etazonia i Jason, ary niverina nitory indray. Niangavy ny anti-panahy izy mba hampianatra azy inefatra isan-kerinandro. Vitany ny boky Ampianarina sy “Fitiavan’Andriamanitra”, ary natao batisa izy, telo volana sy tapany taorian’ny niresahan’i Yusuke taminy. Nanao mpisava lalana mpanampy izy iray volana taorian’izay.

Tsaroan’i Yusuke ilay andro nangatsiaka sady nanorana, nandehanany tany Nagasaki. Tsy nana-namana izy nefa tapa-kevitra ny handeha. Nieritreritra mantsy izy hoe: “Mety hisy olona hihaino ahy any.”

EOROPA

TANY 47

MPONINA 736 505 919

MPITORY 1 589 052

FAMPIANARANA BAIBOLY 843 405

HAFA MIHITSY ITY! Niasa tany Holandy nandritra ny volana vitsivitsy i Ani, avy any Boligaria. Kivy izy, indray andro, ka nijanona kely teo amoron-dalana, ary nangataka tamin’Andriamanitra mba handefa mpitondra fivavahana avy ao amin’ny fiangonany, hanampy azy. Sendra nandalo ny anabavy roa tamin’izay, ka nitory taminy. Noraisin’i Ani ho valim-bavaka ilay izy, ka nihaino tsara izy ary nanomboka nivory. Tsy azon’i Ani ilay fandaharana, nefa voamariny hoe tena nifankatia ny Vavolombelona. Vaovao be taminy izany, satria tsy mba miray saina ny mpiara-mivavaka taminy tany Boligaria. Hafa mihitsy ity, hoy izy! Rehefa nody tany Boligaria i Ani, dia niaraka taminy koa ilay anabavy nanampy azy. Tiany hampifandraisina tamin’ireo Vavolombelona tany Sofia mantsy izy. Vao mainka nanohina ny fon’i Ani izany, ka niaiky izy hoe nahita ny fivavahana marina.

Tsy ela dia nianatra Baiboly sy nivory koa i Ivo, vadin’i Ani. Nisy hafa koa nanatrika ny fianaran’izy ireo, tatỳ aoriana. Anisan’izany i Assen, izay pasitera. Tonga tao amin-dry Ani izy mba hanaporofo hoe diso ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitany anefa hoe diso hevitra izy. Be dia be ny fanontaniana sarotra nanitikitika ny sainy. Nianatra Baiboly koa àry izy sy ny fianakaviany. Mbola nitory teny tao amin’ilay fivavahany ihany i Assen tamin’izay, fa ny fahamarinana avy tao amin’ny boky Ampianarina no noresahiny. Tsy ela dia naniry hianatra Baiboly koa i Dencho, ilay diakona tao. Fianakaviana telo, avy ao amin’io fivavahana io, no nianatra Baiboly tamin’ny farany. Nanapa-kevitra àry izy rehetra fa tsy hanao fotoam-bavaka intsony, fa hivory miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Lasa mpitory i Dencho, ary efa mampianatra olona maro. Nisy vokany tsara tokoa ilay fitoriana tamin’i Ani tany Holandy, satria olona 30 eo ho eo izao no mianatra Baiboly sy manatrika fivoriana.

ANDININ-TENY FOTSINY NO NOVAKINY. Nisy mpivady tany amin’ny Repoblika Tseky nampianatra Baiboly mpivady tanora avy any Mongolia. Mbola tsy nifankahazo resaka foana ry zareo, na dia efa niezaka nianatra teny mongol aza ilay rahalahy sy ny vadiny. Nanetry tena sy nanam-paharetana anefa ilay mpivady tanora, ka nanaiky ny fahamarinana ihany. Ilay vehivavy irery no tonga nivory indray takariva. Nolazainy fa te hisaraka amin’ny vadiny izy, satria tsy nifanaraka mihitsy ry zareo. Tonga ilay lehilahy avy eo, nefa tsy nojereny akory ny vadiny. Hita mihitsy hoe nihenjan-droa ny tady. Nentin’ilay rahalahy nankao amin’ny efitra famakiam-boky ilay lehilahy, mba hiresaka kely. Tsy tena nahay teny mongol anefa izy, ka tsy azony hoe inona no olana, ary tsy hitany izay torohevitra homena. Farany dia nandray Baiboly izy, ary novakiny daholo izay andinin-teny tonga tao an-tsainy momba ny fanambadiana sy ny fifampiresahana. Toa nanohina ny fon’ilay lehilahy ny andinin-teny tsirairay. Tampoka teo dia nitsangana izy, ary nankeny amin’ny vadiny, ka nanoroka azy. Tsapany fa tokony hanampy ny vadiny izy. Tsy navelany hoentin’ilay vehivavy àry ny poketrany tamin’izy ireo nody, fa izy no nitondra azy.

Hoatran’ireny mpivady vao ireny izy roa ny ampitso. Nankasitraka an’i Jehovah izy ireo, satria nahazo torohevitra tsara. Nody tany Mongolia izy mivady tatỳ aoriana, mba hikarakara ny zanany roa. Tsy misy fiangonana ny tanàna misy azy ireo. Na izany aza, dia vita batisa ilay vehivavy. Mandroso tsara koa ny vadiny sady efa maniry hatao batisa.

“MANINONA IZY NO NANAO AN’IZANY?” Nitory tamin’ny lehilahy iray mpitondra kamiao i Olha, mpisava lalana any Ukraine. Nanontany izy hoe: “Misy olona azo itokisana ve, araka ny hevitrao?”

“Tsisy mihitsy”, hoy ilay mpamily. “Nandao ahy ny vadiko, dia nentiny koa ny zanakay roa taona. Tsy azoko hoe maninona izy no nanao an’izany. Miasa mafy aho isan’andro, ary ho azy daholo no anaovako an’izany. N’inona n’inona notadiaviny, dia nomeko azy daholo: Na peratra, na baoty, na rojo. Tsisy tsy nomeko azy. Ka inona indray àry no mbola tadiaviny?”

Nanontany azy ilay anabavy raha mba nanokana fotoana hiarahana tamin’ny vady aman-janany izy. “Aiza no ahavitako an’izany”, hoy izy, “izaho ange tsy maintsy miasa hatramin’ny misasakalina e! Amin’ny efatra maraina indray aho dia lasa. Miasa koa aza aho ny faran’ny herinandro.”

Nasehon’i Olha azy ilay Mifohaza! laharana manokana tamin’ny Oktobra 2009 hoe “Torohevitra Hahasambatra ny Tokantranonao.” Noresahiny ilay torohevitra voalohany hoe “Aza Atao Tsirambina ny Vady Aman-janakao.” Toa nanohina ny fon’ilay lehilahy ny fanazavana tao, ka hoy izy: “Noheveriko fa ny vola ange no tena mahasambatra e! Hay tsy izany. Fantatro amin’izay izao ny tena ilain’ny vadiko.”

Nihaona indray ry zareo, herinandro taorian’izay. Nilaza ilay lehilahy fa efa novakiny ilay gazety, ary nandinika ny fiainany indray izy. Niresaka tamin’ny vadiny, hono, izy ary efa nifampody ry zareo. Nomen’i Olha boky Fahasambaram-pianakaviana izy tamin’izay. Hitan’i Olha indray ilay kamiao ny herinandro nanaraka, fa mpamily hafa no tao. Nanazava izy io fa niala tamin’ny asany ilay mpamily teo aloha, ary nifindra any an-toeran-kafa izy mianakavy. Nanoratra ho an’i Olha anefa izy hoe: “Tiako ny hisaotra anao sy Jehovah Andriamanitrao, satria avotra ny tokantranoko. Raha vao mahita Vavolombelon’i Jehovah aho izao, dia hiresaka amin-dry zareo.”

NITADY FAMANTARANA IZY. Nisy Vavolombelona nitory tamin’ny tovolahy iray tany Letonia, 15 taona lasa izay. Liana izy ka nianatra Baiboly. Tsy nino anefa izy hoe afaka manampy azy hahita an’Andriamanitra ny Baiboly, satria boky fotsiny, hono, io. Nanantena izy hoe hiseho aminy amin’ny fomba mahagaga Andriamanitra. Najanony àry ny fianarany, ary tsy nifandray tamin’ny Vavolombelona intsony izy. Nanana olana lehibe anefa izy, taona maro tatỳ aoriana, ka nivavaka. Mbola tsy nisy foana ilay fahagagana. Nahita anabavy roa nitory anefa izy, rehefa nitazana teo am-baravarankely. Mbola nivavaka ihany izy herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia iny fa hitany nandalo indray ireo anabavy ireo. Rehefa nivavaka indray izy, herinandro taorian’io, dia iny fa hitany indray ry zareo. Tsy maintsy ho famantarana avy amin’Andriamanitra izany, hoy izy. Nankeny amin’ireo anabavy àry izy, ary nilaza fa hianatra Baiboly indray. Voavahany ihany ilay olana nahazo azy, ka afaka nifandray tsara tamin’Andriamanitra izy. Ny Baiboly ihany no nanampy azy! Natao batisa izy, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2010.

NY VILANY KELY AZA MANAN-TSOFINA. Fomba fiteny any Danemark izany mba hilazana fa misy zavatra voarain’ny ankizy ihany amin’ny resaky ny olon-dehibe. Nampianatra vehivavy iray nanan-janaka telo ny anabavy danoà iray sy ny vadiny, 16 taona lasa izay. Natao tany an-tranon’ilay anabavy ny fianarana, ary tonga tany koa izy telo lahy. Tsy nianatra intsony anefa ilay vehivavy. Valo taona i Ronnie, zanany faralahy, tamin’izany. Nanana olana maro izy io rehefa nihalehibe. Nahita gazetintsika tao an-tranon-dreniny izy, tamin’ny 2008, tamin’izy 22 taona. Tadidiny tampoka ilay mpivady mpampianatra Baiboly, ka nankany amin-dry zareo avy hatrany izy. Fahefatr’adiny izy dia tonga tany. Elaela i Ronnie vao tadidin’ilay rahalahy, nefa faly be ry zareo tafahaona indray. Nandray boky Ampianarina izy, ary nanaiky hianatra. Nizotra tsara ilay fianarana. Tia lalao video nisy herisetra sy asan’ny maizina anefa izy, ka matetika no nibirioka tamin’izany ny resany. Nohazavain’ireo Vavolombelona taminy fa tsy tokony hampifandraisina amin’ny fahamarinana ireny kilalao ireny. Hoy àry izy: “Tonga dia teneno aho, raha vao mitady hiresaka an’ireny zavatra tsisy dikany ireny!” Nandroso tsara io tovolahy io, ary efa mpitory tsy vita batisa izy izao. ‘Vilany kely nanan-tsofina’ tokoa izy taloha, ka nandre ny fahamarinana na dia ny reniny aza no nianatra.

FAMPIONONANA AVY AO AMIN’NY BAIBOLY. Nahita lehilahy nitomany teo am-pasana ny rahalahy iray any Grande-Bretagne. Alf no anarany. Nipetraka teo akaikiny ilay rahalahy, ka hoy izy: “Maty vao haingana ny zanako vavy. Vao 42 taona anefa izy. Milevina ato izao ny vadiko sy ny zanako vavy.” Nangataka tamin’ny fanjakana i Alf mba hahazo fitsaboana ho an’ireo mikorontan-tsaina, nefa nasaina niandry telo volana. Hoy izy: “Mpandraharaha manan-karena aho, ary mampiasa vola amin’ny orinasa maro. Tsisy dikany anefa izany raha tsy eo ny ankohonako. Vonona ny hamoy ny fananako rehetra aho, raha izany no hampiverina azy ireo.” Nilaza i Alf fa nino an’Andriamanitra izy, tia Baiboly, ary nandeha niangona, nefa mbola tsy nahita valiny nahafa-po tamin’ireo fanontaniana nanitikitika ny sainy. Rehefa mba nangataka fampiononana izy tany am-piangonana, dia nasaina nandrehitra labozia na nanoratra taratasy kely sy nametaka izany teo ambony hazo. Hoy izy: “Tsy omby amin’ny taratasy kely anefa izay tiako holazaina.” Niresaka andinin-teny mampahery àry ilay rahalahy. Mianatra Baiboly izao i Alf.

OSEANIA

TANY 29

MPONINA 38 162 658

MPITORY 94 309

FAMPIANARANA BAIBOLY 58 465

NASAINA KOA ILAY RANGAHY. Nilaza ny rahalahy iray any Nouvelle-Zélande fa nateriny tamin’ny fiara ny vadiny, indray andro, mba hampianatra renim-pianakaviana iray. Tsikaritr’izy mivady fa tao an-trano ny vadin’ilay ramatoa, ka nasain’izy ireo hianatra koa. Nanaiky ilay rangahy, ary natao tamin’ny fotoana naha tao an-trano azy ny fianarana. Nasaina hivory izy mivady, ka tonga ny alahady. Nandray azy ireo tsara ny rehetra, ary tena tiany ilay fivoriana. Nanome valin-teny tamin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ilay rangahy, ny alahady nanaraka. Nampirisika ny hanaovana ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ilay fianarana. Nanontany àry ilay rangahy hoe ahoana no hitarihany an’izany miaraka amin’ny vadiny sy ny zanany lahy efa-taona. Nisy zavatra hafa koa tiany hampiharina. Nianatra sy nivory foana izy mivady, ka nandroso tsara. Hoy ilay rahalahy: “Soa ihany fa nasainay hianatra koa ilay rangahy!”

VITA IHANY ILAY FAHATSIAROVANA! Misy fiangonana 18 any Tahiti. Iray amin’izany ny Fiangonana Vaiete, izay mikarakara nosy lavitra atao hoe Reao. Tsy misy afa-tsy 362 ny mponina ao amin’izy io, ary tokotokony ho 1 350 kilaometatra any atsinanan’i Tahiti no misy azy. Tsy nisy nitory tao Reao nandritra ny 30 taona, ary mbola tsy nankalazaina tao mihitsy ny Fahatsiarovana. Nikasa hitondra mpitory vitsivitsy tany àry i Manoah, mpiandraikitra ny fanompoana tao amin’ny Fiangonana Vaiete, ny herinandron’ny Fahatsiarovana. Fiaramanidina anefa no mankany, ary 65 000 francs (Ar 1 500 000 eo ho eo) ny saran-dalan’izy mivady. Tsy takatr’izy ireo izany. Nahazo tambin-karama 65 000 francs anefa i Manoah taorian’izay. Hitan’izy ireo avy hatrany hoe avy amin’i Jehovah ilay izy. Mpitory fito no nankany Reao, ary 47 no nanatrika ny Fahatsiarovana. Mitarika fampianarana Baiboly an-telefaonina amin’ny olona liana any izao ny mpitory any Tahiti.

TSISY FOTOANA HISAKAFOANANA MIHITSY! Toy izany koa no nitranga tany Vanuatu. Nisy mpitory 11 tao amin’ny nosy mitokana atao hoe Ambrym. Nentanin’ny anti-panahy ireo mpitory za-draharaha mba hankany sy hanampy an’ilay antoko-mpitory, mandritra ny andro vitsivitsy alohan’ny Fahatsiarovana. Nandeha tany i Marinette, mpisava lalana za-draharaha, izay mpampianatra efa misotro ronono. Nisy hafa koa nandeha, ary ny hanomboka fampianarana Baiboly no tanjon’izy ireo. Tsy nitory firy akory i Marinette, dia efa tsy afa-nihetsika tao an-trano intsony. Fa nahoana? Hoy izy: “Vao maraina ny olona dia efa nilahatra tao an-tokotany, mba hianatra Baiboly. Zara aho raha nanana fotoana hisasana sy hisakafoanana. Nitory aho tontolo andro, nefa tsy nila nivoaka ny trano! Nitarika fampianarana 31 aho nandritra ny herinandro.” Nijanona tany herinandro ireo mpitory, ary niasa mafy nampianatra ny vaovao tsara. Nisy 158 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana. Nalahelo ny mpitory rehefa hody. Hoy i Marinette: “Dia hilaozana fotsiny ve ireo olona mangetaheta ny fahamarinana ireo?” Nandefa mpisava lalana manokana tsy maharitra tany àry ny biraon’ny sampana mba hikarakara azy ireny.

NANDRAY TSARA ILAY TALE. Nasaina nitsangana sy nanao hiram-pivavahan’ny Fiangonana Ara-pilazantsara ny mpianatra tao amin’ny lise iray ao amin’ny Nosy Salomon. Niera tany amin’ny tale ny anabavy tanora roa, mba tsy hanao an’ilay izy, satria tsy eken’ny feon’ny fieritreretany izany. Nisaotra azy mirahavavy ilay tale noho izy ireo nanatona tamim-panajana. Nilaza koa izy fa tsy voatery hihira izy ireo, fa afaka mipetraka miaraka amin’ny ankizy Vavolombelona hafa.

Nanontany ilay tale raha afaka mitondra olona avy any amin’ny fiangonany izy mirahavavy, mba hiresaka aminy momba ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fampianarana. Tonga niresaka taminy àry ny misionera iray. Niresaka momba ny finoantsika sy ny olana atrehin’ny tanora izy ireo, nandritra ny adiny iray sy sasany. Nilaza ilay tale fa tiany ny mamaky Mifohaza! ary nasiany maromaro tao amin’ny biraon’ny mpampianatra. Nanolotra ny Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa boky faharoa, ilay misionera. Nangataka boky 16 ho an’ny mpampianatra ilay tale, ary 367 ho an’ny mpianatra. Boky 400 no voazara.

Tena nisy vokany ny herim-pon’ireo anabavy tanora, izay niresaka tamin’ilay tale. Be dia be no nankasitraka an’ilay boky sy nandray soa tamin’ilay izy. Nilaza, ohatra, ny tovovavy iray fa tena nilainy ilay boky, satria vao nisaraka ny ray aman-dreniny. Manao mpisava lalana mpanampy mitohy izao izy mirahavavy, ary mametraka gazety tsy tapaka amin’ilay tale.

TSY NIVADIKA MIHITSY. Nampianatra vehivavy atao hoe Lisa ny misionera iray, tao amin’ny Nosy Salomon. Nandroso tsara izy na dia tsy maintsy nandeha an-tongotra adiny roa mahery aza rehefa hivory. Zaza efatra anefa no nentiny tamin’izany, ary ny roa mbola notrotroina. Nanohitra be koa ny vadiny, ka sady namono azy no nandoro ny akanjo fitondrany nivory sy ny Baiboliny ary ny bokiny. Nampirafy koa ilay rangahy. Tsy nivadika anefa i Lisa. Vita batisa izy, ary manompo an’i Jehovah foana.

Tsy niova ny fomba nitondran’i Lisa an’ilay vadiny, na teo aza izany rehetra izany. Nanohina ny fon’ilay rangahy izany, ka noroahiny ilay vadikeliny ary nianatra Baiboly izy. Tena faly ilay anabavy satria niova ny vadiny. Misy antoko-mpitory izao eny akaikin’ny tanànany, ka tsy ampy adiny iray izy dia tonga any am-pivoriana. Afaka manao mpisava lalana mpanampy koa izy izao, satria manohana azy ny vadiny.

[Teny notsongaina, pejy 66]

‘Fa maninona Andriamanitra no ratsy fanahy hoatr’izany? ... Maninona no voasazy ny zanako? Fa inona ny ratsy nataony, nefa izy vao teraka?’

[Teny notsongaina, pejy 68]

Nilaza ilay ankizilahy hoe hiverina ho Katolika izy raha voavalin’ilay mompera ny fanontaniany

[Teny notsongaina, pejy 72]

“Efa io ve no mampigadra anareo, dia mbola manao ihany ianareo?!”

[Kisary/Sarintany, pejy 84]

(Jereo ny boky)

Tahiti → → → 1 350 kilaometatra → → → Reao

[Sary, pejy 56]

Eo ambony: Mampianatra Baiboly any Congo ( jereo ny pejy 59)

[Sary, pejy 61]

Edvard (eo ankavanana) miaraka amin’i Daniel, eny an-tsena

[Sary, pejy 64]

Samaniego, Nariño, Kolombia

[Sary, pejy 67]

Efa 59 izao ny fiteny namoahana DVD amin’ny tenin’ny tanana

São Paulo, Brezila