Norvezy
Norvezy
TAONA 1892 tamin’izay. Nandeha sambo ny tovolahy iray atao hoe Knud Hammer, mba hamonjy an’i Norvezy tanindrazany. Mitazana ny morontsiraka izy, ary efa tsy andriny izay hahatongavana. Pasiteran’ny fiangonana batista izy taloha, tany Dakota Avaratra, any Etazonia. Lasa Mpianatra ny Baiboly (na Vavolombelon’i Jehovah) anefa izy, tamin’ny 1891. Niverina teto Norvezy àry izy mba hitory tamin’ny havana aman-tsakaizany.
Roa tapitrisa teo ho eo ny mponin’i Norvezy tamin’izany, ary Loteranina ny ankamaroany. Fanirian’i Knud ny hanampy an’ireo Norvezianina tso-po hahalala an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Tiany ho takatr’izy ireo fa be fitiavana Andriamanitra ka tsy mandoro ny mpanota ao amin’ny afobe. Tiany ho fantatry ny olona koa ny momba ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, izay hanova ny tany ho paradisa.
Nahatazana tsara an’ilay tany mahafinaritra i Knud rehefa nanakaiky ny morontsiraka. Somary lavalava
ilay faritra, ary ahitana helodranomasina kanto sy ala midadasika. Eo koa ireo tendrombohitra avo sy rakotra lanezy. Hitan’i Knud fa ho sarotra ny hitory amin’ireo tanàna kely mitsitokotoko, satria tsy misy firy ny lalana na tetezana. Marina fa maro ny Norvezianina monina an-tanàn-dehibe. Tsy vitsy koa anefa ireo any ambanivohitra, any amin’ireo tanànan’ny mpanjono, na any amin’ireo nosy an-jatony manamorona ny morontsiraka. Tena nisy vokany ny fitorian’i Knud. Mandroso be izao ny fivavahana marina eto Norvezy, na dia maro aza ny olana. Hanatanjaka ny finoan’ny vahoakan’Andriamanitra eran-tany ny fitantarana momba izany.NITSIMOKA NY VOAN’ILAY FANJAKANA
I Skien no tanàna niavian’i Knud, ary nahita olona liana izy tao. Tsy afa-nijanona anefa izy fa tsy maintsy nankany Etazonia, satria mbola tany ny ankohonany. Niverina teto indray i Knud tamin’ny 1899, noho ny fangatahan’i Charles Russell, izay nitarika ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izay. Nasain’ny Rahalahy Russell nanorina fiangonana teto Norvezy mantsy i Knud. Nitondra vitsivitsy tamin’ilay hoe Fiandohan’ny Arivo Taona, boky voalohany sy faharoa, izy. Nantsoina hoe Fianarana ny Soratra Masina io boky io tatỳ aoriana, ary nadika tamin’ny teny danoà-norvezianina.
(Nitovy ny fomba fanoratra ny teny danoà sy norvezianina tamin’izany, ka boky sy gazety nitovy ihany no nampiasaina tany Danemark sy teto Norvezy.) Nitory tamin’olona maro i Knud, sady nametraka boky. Tsy maintsy niverina tany Etazonia indray anefa izy tatỳ aoriana.Tany akaikin’ny tanànan’i Skien no nisy an’i Ingebret Andersen. Nahazo an’ilay boky hoe Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra izy tamin’ny 1900. Azo inoana fa boky nentin’i Knud izy io. Tena tian’izy sy Berthe vadiny ny namaky an’ilay izy, satria efa ela no nahaliana azy ny ‘fiavian’i Kristy fanindroany.’ Tsy ela i Ingebret dia nanomboka nitory. Nankany amin’izay nisy mpivavaka niangona mihitsy aza izy, ka nitory momba ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Notsidihiny izay
olona liana taorian’izay, ka vetivety dia nisy fiangonan’ny Mpianatra ny Baiboly tao Skien. Nisy folo izy ireo, fara fahakeliny.Henon’i Knud tamin’ny havany fa nisy fiangonana kely tao Skien. Niverina teto Norvezy àry izy tamin’ny 1904, mba hitady an’i Ingebret. Nanontany lehilahy iray izy teny an-dalana. “Mipetraka etỳ ve, tompoko, izany Ingebret Andersen izany?”, hoy izy. “Ie”, hoy ilay lehilahy, “izaho no izy.” Faly loatra i Knud, ka nosokafany teo afovoan-dalana ny valiziny, ary nasehony ireo boky nentiny. Faly be koa i Ingebret nahita an’i Knud sy ireo boky be dia be.
Nafana fo erỳ i Knud niresaka momba ny fandaminana sy ny asa fitoriana, tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly iray tanindrazana taminy. Tena nahazo fampaherezana ilay fiangonana tao Skien, ka nandroso foana. Lasa indray i Knud, taorian’izay, namonjy ny vady aman-janany, izay efa nifindra tany Kanada.
NITOMBO NY FARITRA NITORIANA
Nisy mpisava lalana telo nafana fo tonga teto tamin’ny 1903, ka nandroso be ny asa fitoriana. Tsy iza izany fa i Fritiof Lindkvist sy Viktor Feldt, ary E. Gundersen. Tao Kristiania renivohitra (na Oslo ankehitriny) no nipetraka i Fritiof. Natao biraon’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana ny tranony tamin’ny 1904, ka tao no nikarakarana ireo fanafarana boky sy famandrihana Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona.
Nihaona tamin’ny vehivavy atao hoe Lotte Holm ny Rahalahy Gundersen, tamin’ny faramparan’ny taona 1903, rehefa nitory tany Trondheim, ao afovoan-tany. Nandray boky izy io, ary nody tany Narvik, any ambonin’ny Faribolan-tendrontany Avaratra. Izy no mpitory voalohany tany. Nankany Narvik i Viktor Feldt tatỳ aoriana, ary nisy mpivady roa nampiany ho lasa Mpianatra ny Baiboly. Nifandray tamin’i Lotte ireo rahalahy sy anabavy vaovao efatra ireo, ary niara-nivory tsy tapaka izy dimy. Nanaiky ny fahamarinana koa i Hallgerd, rahavavin’i Lotte. Lasa mpisava lalana be zotom-po izy mirahavavy tatỳ aoriana, ka nanompo tany amin’ny faritra maro teto Norvezy.
Tena nahita vokatra ny Rahalahy Feldt sy Gundersen rehefa nitory tany Bergen, tamin’ny 1904 sy 1905. Hoy Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona, 1 Martsa 1905: ‘Nisy pasitera iray tena nahay nitory teny tao Bergen.
Nanintona azy anefa ny fahamarinana, ka resy lahatra izy. Mitory ny Filazantsara tena marina izy izao. Maro be foana ny olona tonga hihaino azy, sady sondriana erỳ.’I Theodor Simonsen io pasitera io. Voaroaka tsy ho pasitera izy satria nampianatra an’ireo fahamarinana mahatalanjona nianarany tao amin’ny bokintsika! Ireo rahalahy kosa faly erỳ nahazo azy! Mpandahateny mahay mantsy izy sady mamy hoditra. Nifindra tao Kristiania i Theodor tatỳ aoriana, ary nandroso be ilay fiangonan’ny Mpianatra ny Baiboly tao.
IREO MPISAVA LALANA VOALOHANY TETO
Tanàna efatra no efa nisy fiangonan’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 1905 tany ho any: Skien, Kristiania, Bergen, ary Narvik. Nisy mpitory be zotom-po maromaro lasa mpisava lalana tsy ela taorian’izay, ka nitory ny vaovao tsara tamin’ny faritra maro. Mahaliana ny tantaran’izy ireny.
I Helga Hess no anabavy mpisava lalana voalohany teto Norvezy. Kamboty izy, ary nipetraka tao Bergen. Nampianatra sekoly alahady izy tamin’izany, tamin’izy 17 taona. Nandre ny toriten’i Theodor Simonsen izy tao am-piangonana. Niresaka momba ny zavatra novakiny tao amin’ny bokin’ny Mpianatra ny Baiboly i Theodor tamin’izay, ka liana i Helga ary namaky an’ilay boky koa. Niala tsy ho mpampianatra sekoly alahady intsony àry izy. Nanomboka nitory ny vaovao tsara tao Hamar sy Gjøvik izy tamin’ny 1905, tamin’izy 19 taona.
Nanana toeram-pambolena sy fiompiana tany akaikin’i Kongsvinger ilay tovolahy atao hoe Andreas Øiseth. Nikapa kitay izy indray andro, tamin’ny 1908, ary nisy mpisava lalana nitory taminy ka nanome an’ilay boky hoe Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra. Tena tian’i Andreas ilay boky, ka nangataka hafa izy.
Vao 20 taona mahery kely izy tamin’izay. Navelany tamin’ny zandriny ilay toeram-pambolena, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nanao mpisava lalana izy. Nitory saiky nanerana ilay tany manontolo izy, nandritra ny valo taona. Nianavaratra aloha izy, ka bisikileta no nentiny rehefa vanin-taona nafana fa kalesin-dranomandry kosa rehefa ririnina. Nianatsimo indray izy rehefa tonga tao Tromsø, ary nanaraka ny morontsiraka hatrany Kristiania.Anisan’ny anabavy mpisava lalana voalohany teto koa i Anna Andersen avy any Rygge, tanàna akaikin’i Moss. Manamboninahitry ny Tafiky ny Famonjena izy nandritra ny taona maro, ary nanolo-tena hanampy ny mahantra. Namaky ny bokintsika izy tamin’ny 1907 tany ho any, ka niaiky hoe nahita ny fahamarinana. Nihaona taminy tao Kristiansund ny vehivavy iray atao hoe Hulda Andersen (vadin’i Øiseth tatỳ aoriana). Manamboninahitry ny Tafiky ny Famonjena koa izy io, ary
liana tamin’ny Baiboly. Niaraka àry izy roa vavy, ka nandeha sambo nianavaratra hatrany Kirkenes, akaikin’ny sisin-tany rosianina. Nidina izy ireo isaky ny nisy seranana, ary nitory sy nametraka boky. Nanao mpisava lalana i Anna tamin’ny 1912 tany ho any. Nitety an’i Norvezy izy nandritra ny am-polony taona, ka nandeha sambo sy bisikileta, ary nametraka boky saiky tamin’ny tanàna rehetra. Nijanona elaela tany Kristiansand any atsimo izy, ary tena nampahery an’ilay fiangonana tao.Manamboninahitry ny tafika an-dranomasina kosa i Karl Gunberg taloha. Nanomboka nanao mpisava lalana izy tamin’ny 1911 tany ho any, tamin’izy 35 taona teo ho eo, ary mpampiofana tantsambo no asany. Hoatran’ny masiaka ny Rahalahy Gunberg rehefa jerena, nefa tena mahafinaritra sy be vazivazy. Nitory eran’i Norvezy izy na dia rehefa antitra aza. Ho hitantsika any aoriana fa tena nanampy tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara izy, noho ny fahaizana nananany.
FAMPAHEREZANA HO AN’IREO RAHALAHY
Nientanentana erỳ ireo Mpianatra ny Baiboly hanatrika ny fivoriambe voalohany, tao Kristiania, tamin’ny Oktobra 1905. Nisy 15 teo ho eo ny mpanatrika ary 3 no natao batisa. Nasiana fivoriambe koa tao Bergen tamin’ny 1906, ary lasa natao isan-taona izany nanomboka tamin’ny 1909, sady nisy mpandahateny avy tany Danemark sy Failandy ary Soeda. Nirahina ho mpitety fiangonana, na mpiandraikitra mpitety faritany, ny sasany tamin’ireny rahalahy ireny.
Ny fitsidihan’ny Rahalahy Russell no tena niavaka tamin’ireny fotoana ireny. Nitsidika tao Bergen sy Kristiania izy tamin’ny 1909. Tsy nisy toy izany ny hafalian’ireo rahalahy sy anabavy, rehefa nihaona taminy sy nihaino ny lahateniny! Nitsidika fanindroany teto izy tamin’ny 1911, ary niezaka be ireo mpitory 61 nanasa
olona hanatrika ny lahateniny. Tombanana ho 1 200 no nanatrika azy io, ka tena faly ireo rahalahy!Telo taona tatỳ aoriana, dia notendren’ny Rahalahy Russell hitsidika tsy tapaka an’i Norvezy sy Soeda i Henry Bjørnestad. Izy no Norvezianina voalohany lasa mpiandraikitra mpitety faritany.
FITORIANA TALOHAN’NY 1914
Nisy taratasy mivalona maromaro nantsoina hoe Polipitran’ny Vahoaka, navoaka tamin’ny 1910. Tena mora ampiasaina ilay izy ka Mpianatra ny Baiboly maro no lasa nazoto nitory. Vonona hampiharihary ny fampianaran-diso sy hanazava ny fahamarinana izy ireo, ka taratasy mivalona an’arivony no nozarainy maimaim-poana. Matetika ilay izy no natao tao anaty gazety mpilaza vaovao.
Efa tsindrian-daona ireo Mpianatra ny Baiboly, niandry izay hitranga tamin’ny 1914. Nanazava mantsy ny boky Antomotra ny Fotoana (boky faharoa amin’ny Fiandohan’ny Arivo Taona) fa hifarana amin’ny 1914 ny andron’ny Jentilisa, ary hisy korontana lehibe. Nolazainy koa fa handray ny fitondrana ny Fanjakan’Andriamanitra aorian’izay. Nanantena àry ny Mpianatra ny Baiboly fa amin’io taona io no hahazo ny valisoany any an-danitra ireo mpiara-mandova amin’i Kristy.
Izany matetika no ambentin-dresaky ny olona. Indray hariva, ohatra, tamin’ny Jolay 1914, dia nitendry mozika niaraka tamin’ny orkesitra tao Skien i Karl Kristiansen.
Rehefa fiatoana dia hoy izy tamin’ireo olona teo: “Hisy zavatra hitranga afaka herinandro vitsivitsy. Voalohany aloha hisy ady, avy eo hisy tolom-bahoaka, aorian’izay hisy korontana ara-politika, ary farany, dia ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra.” Nipoaka tokoa ny Ady Lehibe I taoriana kelin’izay, ka nankany amin’i Karl ny olona mba hanontany hoe inona indray no hitranga.Anabavy iray ihany no Mpianatra ny Baiboly tao Arendal, any atsimo, tamin’ny 1914. Hitan’ilay anabavy teny an-dalana i Mia Apesland, indray andro, ka nilazany hoe hisy ady amin’ny faramparan’ny taona. “Rehefa mitranga izany vao hino aho”, hoy i Mia. Nitranga tokoa ilay izy tsy ela taorian’izay, ka lasa mpino i Mia. Nahazo namana hafa izy mirahavavy, tatỳ aoriana, ka lasa nisy fiangonana tao Arendal.
FANDROSOANA NARAHIN’OLANA
Tsy izay rehetra nandrasan’ny Mpianatra ny Baiboly no tanteraka tamin’ny 1914. Be zotom-po foana anefa izy ireo. Naseho tao Kristiania, Bergen, Trondheim, Skien, Arendal, ary Kristiansand, ilay horonan-tsary hoe “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, tamin’ny Desambra 1914 ka hatramin’ny 1915. Nampiaiky volana ny olona ilay izy, sady be dia be foana ny mpijery!
Nisy olana anefa. Nanomboka nanao zavatra hafahafa i Fritiof Lindkvist, izay efa nitarika ny asa teto nandritra ny folo taona teo ho eo. Niala tamin’ny fandaminana mihitsy izy tamin’ny 1916. Rahalahy tany Soeda sy Danemark àry no nitarika ny asa teto nandritra ny taona vitsivitsy. I Enok Öman kosa no voatendry hiandraikitra ny sampana tamin’ny 1921 ka hatramin’ny 1945.
Nisy korontandrotana koa teo anivon’ny fandaminana, rehefa maty i Russell tamin’ny 1916 ary
nodimbiasan’ny Rahalahy Rutherford. Maro no niala tamin’ny fahamarinana satria tsy tanteraka ny zavatra sasany nandrasana tamin’ny 1914, sady nisy ihany koa ny fiovana. Ny fiangonana tao Bergen no tena nampalahelo, satria rahalahy iray sy anabavy fito sisa no tsy niala, tamin’ny 1918. Nisy maromaro koa ireo niala tamin’ny fiangonana, tao Trondheim, ary ny tao Kristiania aza nisy antoko-mpitory rava mihitsy. Nandrotsahan’i Jehovah fitahiana be dia be anefa ireo nanohana foana ny fandaminana.NAHAZO HERY VAO
Nahaliana be ilay lahateny nataon’ny Rahalahy Rutherford tamin’ny 1918 hoe “Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy.” Natao naneran-tany io lahateny io, tamin’ny 1920 ka hatramin’ny 1925. Tonga teto i Macmillan, avy tany amin’ny foibe, ka nanao an’io lahateny io tany amin’ny tanàn-dehibe maro. Feno tanteraka ilay efitrano lehiben’ny oniversite nanaovana azy io tao Kristiania, ka maro no tsy tafiditra. Niakatra tamin’ny toerana avoavo teo amin’ny fidirana anefa ny Rahalahy Öman, ary niteny mafy hoe: “Mahazo miverina ianareo rehefa afaka adiny iray sy sasany, fa mbola hamerina an’io lahateny io i Macmillan!” Inona tokoa fa mbola feno be indray ilay toerana rehefa namerina an’ilay lahateny ny Rahalahy Macmillan! Nanao an’iny lahateny iny nanerana an’i Norvezy ireo rahalahy teto, nandritra ny taona vitsivitsy taorian’izay. Olona an’arivony no liana erỳ nihaino an’ireo porofo ara-baiboly nanazava fa maro no ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona, ka hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany. Maro be koa no nandray an’ilay bokikely hoe Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy!
Nizara taratasy mivalona ana hetsiny ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 1922 ka hatramin’ny 1928. Nirakitra fanapahan-kevitra nolanina tany amin’ny fivoriambe izy ireny, toy ilay hoe Fanamby ho An’ny Mpitondra eo Amin’izao Tontolo Izao, sy ilay hoe Fampitandremana ny Kristianina Rehetra, ary ilay hoe Voampanga Ireo Mpitondra Fivavahana. Mpianatra ny Baiboly maro no nanomboka nitory, rehefa nozaraina ireny taratasy mivalona ireny.
Tena kely anefa ny fitomboana. Na teo aza ireo mpisava lalana sy ireo mpitory nazoto, dia mbola maro no nila nampiana mba hirotsaka amin’ny fitoriana. Tsy nisy tamin’ny fiteny norvezianina koa ireo boky sy gazety, fa tamin’ny teny danoà sy danoà-norvezianina ary soedoà. Inona àry no azo natao mba hampandroso kokoa ny asa?
Efa nisy tamin’ny teny norvezianina Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, izay nantsoina hoe Gazety. Izao no fampandrenesana tao, tamin’ny Aprily 1925: “Indro alefanay aminareo ny laharana voalohany amin’ny Fotoam-pahasambarana [na Mifohaza! ankehitriny] amin’ny teny norvezianina. Efa azo atao koa ny famandrihana.” Ny gazety Martsa 1925 no navoaka tamin’izay. Niely be ilay gazety nanomboka teo, ary tsy teto ihany fa tany Danemark koa. Novana hoe Ny Verden (na Tontolo Vaovao) ny anaran’ny Fotoam-pahasambarana tamin’ny 1936, ary nisy 6 190 ny famandrihana.
FOMBA FIASA VAOVAO SY TRANO VAOVAO
Nisy Mpianatra ny Baiboly 500 mahery nanao fivoriamben’ny vondrom-paritra tao Örebro, any Soeda, tamin’ny Mey 1925. Nambaran’ny Rahalahy Rutherford tamin’izay fa hosokafana any Copenhague, any Danemark, ny Biraon’i Eoropa Avaratra, izay hanara-maso ny asa amin’ireto tany ireto: Danemark, Norvezy, Soeda, Failandy, ary koa Estonia sy Letonia ary Litoania. I William Dey avy any Londres no hiandraikitra an’io birao io. Samy mbola hanana mpiandraikitra koa anefa ireo tany tsirairay ireo, ka i Enok Öman ny an’i Norvezy.
Rahalahy ekosey nahafinaritra sy navitribitrika i William Dey, ary tena nampandroso ny asa fitoriana. Nahay nandamin-javatra izy, sady modely tamin’ny fitoriana, ka nampahery an’ireo rahalahy. Nitety an’i Norvezy izy tamin’ny Septambra sy Oktobra 1925, ka nanoro ny fandaminana ny asan’ny fiangonana, araka ny toromarika avy any amin’ny foibe. Nampiasa mpandika teny izy satria niteny anglisy. Izy no mpiandraikitra ny Biraon’i Eoropa Avaratra, mandra-pahatongan’ny Ady Lehibe II.
Niezaka nitady toerana hasiana birao teto Norvezy ireo rahalahy, tamin’izany. Nisy rahalahy iray nahazo lova, ka nividy trano nisy rihana roa. Namidiny tamin’ny fandaminana ilay izy avy eo, ary nataony antsasa-bidy. Tena tonga ara-potoana ilay izy! Io àry no natao birao, hatramin’ny 1983.
VAVOLOMBELONA VONON-KIASA
Tena niavaka ny taona 1931 teo amin’ny tantaran’ny mpanompon’Andriamanitra eran-tany, satria noraisina ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Hoy ny Rahalahy Öman: “Rehefa nolazaina ilay anarantsika vaovao, dia niara-nitsangana izahay rehetra, ka nihiaka mafy tamin’ny fo hoe: ‘Ja!’ [midika hoe Eny].”
Nientanentana erỳ ireo rahalahy sy anabavy fa nahazo anarana avy ao amin’ny Soratra Masina, ka tapa-kevitra ny ho mendrika an’io anarany io.Niharihary fa notahin’i Jehovah ny asa fitoriana teto Norvezy. Mpitory 15 teo ho eo no teto tamin’ny 1918, nefa lasa 328 izany tamin’ny 1938. Hita fa tsy hoe Mpianatra ny Baiboly fotsiny ny vahoakan’i Jehovah, fa tena Vavolombelona vonon-kiasa!
Diniho ny ohatr’i Even Gundersrud, avy ao Skien, izay natao batisa tamin’ny 1917. Nafenin’ny vadiny ny kirarony, mba tsy handehanany hivory. Tsy nahasakana azy anefa izany fa nandeha nivory tsy nikiraro izy! Nohidian’ny vadiny tao amin’ny efitra fatoriana koa izy indray mandeha, nefa nitsambikina teo am-baravarankely. Tsy nisy nahasakana azy tsy hivory izay rehetra nataon’ny vadiny. Izy amin’izany mbola tsara fanahy tamin’ilay vehivavy foana. Nanomboka menatra olona ramatoa satria nandehandeha tsy nikiraro ny vadiny. Nanitikitika ny sainy koa hoe inona loatra no tena tsy ahafoizan’ny vadiny an’izany fivoriana izany. Nanaraka an’i Even nivory àry izy, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah.
Nafana fo toy ny Fiangonana Skien avokoa ny fiangonana tamin’izany. Nandeha lavitra izy ireo rehefa nitory, ka nitety ny tanàna manodidina
ary tonga hatrany ambanivohitra. Matetika izy ireo no nandeha kamiao tsy nisy tafo na sambo, rehefa faran’ny herinandro, ka nitory sy nandamina fivoriana tany amin’izay nalehany. Tsy ela dia nisy antoko-mpitory sy fiangonana vaovao. Toerana maro no nahitana fandrosoana toy izany.NANDROSO NY ASA TAO BERGEN
Anisan’ny rahalahy tena nazoto tany Bergen i Torkel Ringereide. Tamin’ny 1918 izy no nahita bokikely navoakan’ny Mpianatra ny Baiboly. Anabavy fito sy rahalahy iray atao hoe Dahl ihany no tao amin’ny Fiangonana Bergen tamin’izay. Tao an-tranon’i Dahl no natao ny fivoriana. Nitady azy àry i Torkel, ka niaraka tamin’ilay fiangonana kely. Nivady i Torkel sy Helga Hess, tamin’ny 1919. Iray tamin’ireo anabavy fito izy io, sady mpisava lalana efa voaresaka tany aloha.
Rahalahy sahisahy i Torkel, ary nidoboka be ny feony. Izy irery no mpandahateny teo anivon’ny
fiangonana, nandritra ny taona maro. Saika isan’alahady izy no nanao lahateny nampiharihary ny fampianaran-diso sy ny fihatsarambelatsihin’ny mpitondra fivavahana. Matetika no navoaka an-gazety ny filazana momba ireo lahateny, ka be lavitra noho ny mpitory ny olona liana tonga nivory.Nampirisihin’i Torkel hitory ny fahamarinana ny mpanatrika. Anisan’ireo nihaino lahateny i Nils Raae, tamin’ny 1932. Efa herintaona izy no nahalala ny fahamarinana, saingy tsy sahy nitory. Efa hatomboka, tamin’izay, ny ezaka manokana hizarana an’ilay bokikely hoe Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao. Nanao lahateny i Torkel hoe tena zava-dehibe ny mandray anjara amin’ny fanompoana. Hoy i Nils: “Tsara be ilay lahateny! Efa nangitikitika mihitsy ny tongotro, te handeha hitory!” Nanonona ny Isaia 6:8 i Torkel tamin’ny faran’ilay lahateny, hoe: “Iza no hirahiko? Iza no hisolo tena anay?” Hoy izy avy eo: “Enga anie isika rehetra samy hamaly toa an’i Isaia hoe: ‘Intỳ aho iraho!’ ” Vonombonona erỳ i Nils sy ny vadiny nandre izany, ka nirotsaka ho mpitory.
Tonga matetika tao an-tranon-dry Torkel sy Helga ireo rahalahy sy anabavy. Niresaka ny fahamarinana foana izy ireo, ka nahazo fampaherezana tsara ireo tanora sy vaovao. Matetika ireo mpitory tao Bergen no nandeha sambo na kamiao tany amin’ny tanàna
manodidina. Nifampitantara zavatra nahaliana izy ireo rehefa avy nitory, sady niara-nikorana.MPITORY NAZOTO TAO OSLO
Nandroso be koa ny asa fitoriana tao amin’ny faritr’i Oslo, teo anelanelan’ny 1920 sy 1940. Anisan’ny mpitory tao i Olaf Skau, izay vita batisa tamin’ny 1923. Voatendry ho talen’ny fanompoan’ny fiangonana izy tamin’ny 1927, ary nanao izany nandritra ny am-polony taona. Mpiandraikitra be fiahiana sy nahafoy tena izy. Narindrany tsara ny fitoriana tao Oslo. Izy koa no nandamina ny dia rehefa faran’ny herinandro, satria nandeha bisy na kamiao ny mpitory mba hamitana ireo faritany manodidina ny renivohitra. Matetika izy no niari-tory nanao sarintany na fandaharam-pitoriana.
Notetezin’ireo mpitory tao Oslo avokoa na tanàn-dehibe na ambanivohitra: Nanomboka tany Halden sy Fredrikstad any atsimo, ka hatrany Hamar any avaratra, ary avy eo tany Kongsvinger any atsinanana, ka hatrany Drammen sy Hønefoss any andrefana. Tonga any amin’ny faritany ireo mpitory amin’ny sivy maraina eo ho eo, ary mitory isan-trano mandra-paharivan’ny andro. Manao fivoriana ho an’ny besinimaro koa izy ireo matetika. Lasa nisy antoko-mpitory sy fiangonana vaovao àry tamin’ireny toerana ireny, ka tena faly ireo rahalahy sy anabavy vitsy kely tany. Nisy dia fitoriana
naharitra sivy andro, indray mandeha, tamin’ny 1935. Mpitory 76 avy tao Oslo no nandeha ary nahapetraka bokikely 13 313, izany hoe 175 eo ho eo isaky ny mpitory!Voan’ny aretin’ny vanin-taolana i Esther, vadin’i Olaf, ka nampiasa seza mikorisa. Tian’ireo rahalahy sy anabavy anefa ny nankao amin-dry zareo sy niara-nikorana. I Olaf no mpahandro, ka matetika no elatr’akoho matsiro be no narosony, ary izay rahateo no nampahalaza azy. Ny tena tsy hadinon’ireo Vavolombelona efa zokiolona anefa dia ny fifampaherezana, toy ireo resaka mahaliana sy ankamantatra ara-baiboly. Hoy i Ragnhild Simonsen: “Tsy mody maina izany mihitsy ianao rehefa avy ao amin-dry Skau, satria sady faly no afa-po.”
“NANANA TOE-PO TSARA”
Tia fivavahana kokoa ny olona taloha, sady nahay Baiboly. Maro no tia niresaka momba ny Soratra Masina, toy ireo olona tamin’ny taonjato voalohany izay ‘nanana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay, ary tonga mpino.’—Asa. 13:48.
Nisy, ohatra, vehivavy iray atao hoe Durdei Hamre. Nandray bokikely izy tamin’ny 1924, ary novakiny nandritra ny alina ilay izy. Hoy izy: “Pentekotista aho tamin’izaho handeha hatory, fa Vavolombelon’i Jehovah aho rehefa nifoha!”
Ity koa misy tantaran’ny fianakaviana Fjelltvedt. Iraika ambin’ny folo mianadahy izy ireo: Valo lahy sy telo vavy. Nihaino lahateny momba ny afobe ny iray tamin’izy ireo, tamin’ny 1925 tany ho any, ary nahazo bokikely. Nazava taminy àry fa diso ny fampianarana
momba ny afobe. Nientanentana erỳ izy nanazava izany tamin’izy folo mianadahy iray tam-po aminy. Niady hevitra momba an’ilay bokikely izy ireo, ny alin’iny. Tsy ela dia lasa Mpianatra ny Baiboly izy rehetra, sy ny maro tamin’ny vadin’izy ireo. Lasa mpitory nafana fo koa ny maro tamin’ny zanak’izy ireo sy ny zafikeliny, ka nampiely ny fahamarinana tany amin’ny faritra maro.Nanao lahateny tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tao Bergen sy Oslo i Matthew Howlett, avy any amin’ny foibe, tamin’ny 1936. Nisy 125 ny Vavolombelona tao Bergen, nefa 810 no nihaino ny lahateny ho an’ny besinimaro, ka anisan’izany ny eveka iray sy mpitondra fivavahana vitsivitsy. Tao Oslo indray, 140 monja ny Vavolombelona, nefa 1 014 no nihaino ilay lahateny! Hita mihitsy hoe nangetaheta ny fahamarinana ny olona!
“EFA MANOMBOKA TONGA SAHADY IZY IZANY!”
Nientam-po erỳ ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1935, rehefa nazava hoe iza ireo “vahoaka be” voalazan’ny Apokalypsy 7:9-17. Tena faly izy ireo nahalala fa afaka manokan-tena hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ny sisa voahosotra, ireo manantena hiaina ao amin’ny tany paradisa. Nanomboka tamin’io taona io àry dia ny fanangonana ny vahoaka be ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe” no tena nifantohana. Mbola tsy nisy asa fanangonana lehibe noho io hatramin’izay.
Nitory tany ambanivohitra akaikin’i Lillehammer ny mpisava lalana voahosotra vitsivitsy, tamin’ny 1935. Nisy ankizilahy folo taona atao hoe John Johansen nihaino tsara ny fitorian’izy ireo, momba ny fikasan’Andriamanitra hanova ny tany ho paradisa. Tena tian’i John horesahina tamin’ny hafa izany. Tamin’izy
13 taona àry, dia nindrana ny kitapon’ny dadany izy ka nitory tao an-tanànany, sady amin’izay izy irery! Efa 70 taona mahery lasa izay, nefa mbola mazoto mitory izy hatramin’izao, miaraka amin’i Edith vadiny. Tena faly izy nahita olona maro be niandany tamin’ny fahamarinana, sady mba nitondra ny anjara birikiny tamin’izany!I Olaf Rød sy ny rahalahy iray ihany no Vavolombelona tao Haugesund, tamin’ny 1937. Nifampiresaka izy roa lahy hoe ahoana angaha no hamitana ny fanangonana an’ireo vahoaka be tsy tambo isaina. Tamin’izay indrindra no nisy nandondòna tao am-baravarana. Lehilahy atao hoe Alfred Trengereid no tao. Nahita Tilikambo Fiambenana iray, hono, izy ary tiany ilay izy. Lasa haingana àry izy nivoy lakana nankany Haugesund mba hangataka boky tamin’i Olaf, izay fantany hoe Vavolombelona.
Tena gaga i Olaf. ‘Ary toa efa manomboka tonga sahady izy izany!’, hoy izy anakampo. Tonga tsikelikely tokoa ny vahoaka be, na samy hafa aza ny fomba nahitany ny fahamarinana. Lasa Vavolombelona i Alfred, ary maro koa no nandray ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana tao amin’ilay faritra.SAMBO NENTINA NANANGONA NY VAHOAKA BE
Tamin’ny voalohany, dia hoatran’ny hoe tsy ho vita ny hitory tany amin’ireo nosy maro be sy morontsiraka lavitra. Nividy sambo nisy maotera àry ny sampana tamin’ny 1928. Nisy efitra ho an’ny mpisava lalana roa na telo izy io, ary mahatanty dia lavitra manaraka an’ilay morontsiraka miolakolaka. Iza anefa no ho kapiteny? Nanolo-tena i Karl Gunberg, mpisava lalana za-draharaha. Izy koa moa havanana amin’ny
resaka sambo, satria sady tantsambo no mpampiofana tantsambo. Nantsoina hoe Elihu ilay sambo voalohany. Niainga tao Oslo izy io ka nianatsimo nanaraka ny morontsiraka, ary nijanona isaky ny seranana. Nisy tafiotra mahery anefa indray alina, tamin’ny 1929, ka rendrika teo akaikin’i Stavanger i Elihu! Ririnina tamin’izay. Soa ihany fa samy tody teny amin’ny torapasika ireo rahalahy tao anatiny.Nahazo sambo hafa ireo rahalahy tamin’ny 1931, ary nataony hoe Ester ny anarany. I Karl ihany no kapiteny, ary nisy rahalahy roa nanampy azy. Nitety an’ireo faritanin’i Norvezy tany andrefana sy avaratra i Ester, nandritra ny fito taona. Nijanona amin’izay anefa i Karl, tamin’ny 1932. “Tsy mahavita misetra loza” intsony, hono, izy fa “efa mitaky ny fahanterana!” Nanao mpisava lalana tany atsinanana izy, ka i Johannes Kårstad no lasa kapiteny nandimby azy. Nosoloana sambo atao hoe Ruth i Ester, tamin’ny 1938. Niasa foana izy io hatramin’ny 1940. Tsy afaka nanao dia an-dranomasina intsony ny mpitory tamin’izay, noho ny Ady Lehibe II. Efa nahapetraka boky be dia be anefa ireo mpisava lalana, sady nahavita faritany maro be. Izao no tatitra nataon’ny Rahalahy Andreas Hope sy Magnus Randal,
izay nampiasa ny sambo Ruth, tamin’ny 1939: ‘Tao anatin’ny herintaona izahay dia nahapetraka boky sy gazety ary bokikely maherin’ny 16 000, ary nandefa lahateny tamin’ny grafofaonina in-1 072, ka 2 531 no nihaino izany.’Ankoatra ny fanompoana vita, dia nahita zavatra nahafinaritra be koa ireo rahalahy. Hoy i Andreas Hope: “Mahita helodranomasina kanto izahay isan’andro rehefa mianavaratra. Misy koa toerana avo tsara be voahodidina rano. Mahasondriana avokoa izay jerena sady mbola voajanahary daholo!” Rehefa ririnina, dia mahita “ilay hazavana hafakely avy any avaratra” izy ireo, eo akaikin’ny Faribolan-tendrontany Avaratra. Rehefa vanin-taona mafana kosa, dia mbola mahita “masoandro mibaliaka” izy ireo “amin’ny misasakalina.”
ANABAVY MPISAVA LALANA BE ZOTOM-PO
Nitombo be ny isan’ny mpisava lalana taorian’ny 1930. Nahavita faritany be dia be izy ireo sady nametraka boky sy gazety. Tena tsotra ny fiainan’izy ireo, nefa nisy vokany ny zotom-pony.
Nisy vehivavy atao hoe Solveig Løvås, tao Oslo. (Nanambady an’i Stormyr izy tatỳ aoriana.) Nitety fivavahana izy satria nitady ny fahamarinana. Nanatrika fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izy indray mandeha, ka fantany fa io no marina. Natao batisa i Solveig tamin’ny 1933. Nanao mpisava lalana izy, roa taona taorian’izay. Somary nikotringa kely izy rehefa nandeha satria voan’ny lefakozatra. Saiky voatetiny tao anatin’ny enin-taona anefa ny faritra rehetra tany avaratra, avy teo atsimon’i Bodø ka hatrany Kirkenes. Nitoriany avokoa na tanàn-dehibe, na tanàna kely, hatramin’ireo fonenan’ny mpanjono. An’arivony no nandray boky sy gazety. Olona 1 100 mahery no nanao famandrihana gazety tamin’ny anabavy Solveig, tao anatin’ny herintaona monja!
Tena liana tamin’ny hafatra notorin’i Solveig ilay mpandrafitra atao hoe Dag Jensen, tao Hennes, faritanin’i Vesterålen. Efa taona maro izy no nahazo boky sy gazety tamin’ny olona liana. Rehefa nandalo i Solveig, dia nanome azy famandrihana gazety, ary lasa avy eo. Nanomboka nitory irery àry i Dag, ka nampindraminy an’izay boky na gazety tany aminy ny olona liana.
Nisy mpanjono maromaro tao amin’ny Nosy Andøya. Vaventy sady matanjaka be ry zareo, nefa sahy nitory taminy i Solveig. Nandefa lahateny tamin’ny grafofaonina izy, ary nanolotra famandrihana. Liana ny tovolahy iray atao hoe Frits Madsen, ka nanao famandrihana. Lasa anefa i Solveig rehefa vitany ilay faritany. Hoatr’izany mantsy ny fomba fiasa tamin’izany: Misy mpisava lalana mitory, dia manolotra boky na famandrihana amin’izay liana, ary mifindra faritany avy eo. Ahoana àry no hanampiana an’ireny olona liana ireny?
FANAMPIANA NY OLONA LIANA
Nomena toromarika vaovao ny mpiandraikitra mpitety faritany tamin’ny Janoary 1939. Nasaina nijanona ela kokoa tao amin’ny toerana notsidihiny ny mpiandraikitra ny faritra (izay nantsoina hoe mpikarakara fizaram-paritra, tamin’izany). Niezaka kokoa izy ireo nanampy ny fiangonana, sy nanorina fiangonana vaovao, ary nanampy an’ireo olona liana ho lasa mpitory. Nozaraina ho faritra efatra i Norvezy. I Andreas Kvinge no voatendry hiandraikitra ny Faritra Faha-4, izay nirefy 2 600 kilaometatra, avy teo Florø hatrany Kirkenes. Fiangonana telo fotsiny no tao amin’io faritra nidadasika io, dia i Trondheim sy Namsos ary Narvik. Nila notsidihina koa anefa ireo mpitory nitokana sy antoko-mpitory ary ireo nanao famandrihana.
Matetika no nandeha bisikileta i Andreas sy Sigrid vadiny, rehefa nitsidika
tany avaratra. Niezaka izy ireo nanampy ny mpitory sy ny olona liana mba handroso. Nomen’ireo mpisava lalana an’i Andreas ny adiresin’ireo olona liana. Anisan’ny noresahin’i Solveig Løvås taminy i Dag Jensen tao Hennes sy Frits Madsen tany amin’ny Nosy Andøya.Nihaona voalohany tamin’i Dag i Andreas, tamin’ny 1940. Hoy i Andreas: “Niharatra izy tamin’izay, ka feno savony ny tarehiny. Tsy hadinoko mihitsy ny paozin’ny masony variana be nijery ahy. Hadinony tanteraka hoe niharatra izy.” Nampian’i Andreas i Dag, ka nandroso tsara. Nafana fo erỳ izy. Nampianariny ny fahamarinana i Anna vadiny, ary koa ny maro tamin’ireo havana aman-tsakaizany.
Nitady an’i Frits Madsen i Andreas tao Bleik, ao amin’ny Nosy Andøya, ary nanampy azy mivady. Lasa nisy fiangonana tany tatỳ aoriana. Nankany an-toeran-kafa i Andreas mivady avy eo, ary nitsidika an’ireo olona liana nitorian’i Solveig sy ny mpisava lalana hafa. Nandamina fivoriana sy nanorina fiangonana ireny mpiandraikitra ny faritra ireny. Toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany ny fitoriana eto Norvezy, satria hafa no mamafy ary hafa no manondraka, fa Andriamanitra foana no ‘tsy mitsahatra mampitombo.’—1 Kor. 3:6.
ADY LEHIBE II
Tafiditra tamin’ny Ady Lehibe II i Norvezy tamin’ny Aprily 1940, rehefa nanafika teto ny Alemà. Niady nandritra ny roa volana sy roa andro fotsiny i Norvezy dia resy, ka lasa teo ambany fahefan’i Alemaina Nazia. Tanàna maro no potiky ny baomba. Vao nanomboka kelikely ilay ady dia nosamborin’ny Gestapo i Enok Öman, mpiandraikitra ny sampana, ka nigadra herinandro. Nafahana izy rehefa avy natao famotorana. Nosamborina
indray izy herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana mba hofotorana.Natahotra ireo rahalahy sao halefa any amin’ny toby fitanana, toy ny tany Alemaina. Tsy nanao an’izany anefa ny Nazia. Tapa-kevitra ny hitory tamin-jotom-po àry ireo rahalahy. Liana kokoa ny olona, noho ny ady, ka maro be no nianatra Baiboly. Mbola nahazo Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny danoà avy tany Danemark ireo Vavolombelona teto, sady nahazo ny gazety Fampiononana (na Ny Verden) tamin’ny teny norvezianina. Mbola nanao fivoriana sy fivoriambe koa izy ireo, ary niakatra be ny isan’ny mpitory.
FISAMBORANA, FANDRARANA, FAKANA BOKY AN-KERINY
Nanomboka ny fanenjehana. Tonga tao amin’ny sampana ny polisy alemà, ka nitady boky sy gazety, ary namotopototra ny Rahalahy Öman. Nalainy an-keriny ilay boky hoe Fahavalo, tamin’ny faramparan’ny 1940, satria tsy tiany ny zavatra voalaza tao momba ny Fasista sy ny Nazia. Voasambotra koa ny mpisava lalana maromaro tamin’ny 1941, ary natao famotorana. Nisy Nazia alemà sy norvezianina nanatrika fivoriana indraindray, mba hanara-maso izay nitranga. Tonga tao amin’ny sampana avy eo ny Nazia ka nanangona an’ireo bokikely hoe Fasisma sa Fahalalahana sy ilay hoe Fitondram-panjakana sy Fandriampahalemana.
Nanao tetika hampitsaharana ny asa fitoriana teto Norvezy ny Gestapo, tamin’ny Jolay 1941. Tonga tampoka tao amin’ny Betela ny polisy dimy, ka naka an’izay boky tavela tao ary nitondra an’ireo Betelita mba hofotorana. Nasaina nankany amin’ny paositry ny polisy isan’andro ny Rahalahy Öman, nandritra ny telo volana.
Efa maty paika ny tetiky ny Gestapo, ka nosavany tsirairay ny tranon’ireo rahalahy nanana andraikitra,
ary nalainy daholo ny bokintsika. Nandrahona koa izy ireo hoe halefa any amin’ny toby fitanana izay mbola nitory. Rahalahy sy anabavy maro no voasambotra, ka nogadraina nandritra ny andro vitsivitsy.Tonga tao an-tranon’ny Rahalahy Sigurd Roos tao Moss ny polisy, ary naka an’ireo boky. Voasambotra izy mivady sy ny rahalahy iray. Nandidy azy ireo ny polisy mba tsy hitory intsony sy tsy hanonona intsony ny anarana hoe Jehovah. Nanazava ireo Vavolombelona fa tsy maintsy mitory momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany izy ireo. Niaiky ny polisy tamin’ny farany hoe: “Tsy ho vitanay mihitsy ny hampiala anareo amin’ny finoanareo.” Nafahana ireo mpitory rehefa afaka ora vitsivitsy.
Nankany amin’i Olaf Skau, tao Oslo, koa ny Nazia. Nakorontan’izy ireo ambony ambany ny tranony, ka nalainy ny Baiboly sy boky ary grafofaonina. Nohidian’izy ireo ny fitoeram-bokin’i Olaf, ary tsy navelany hosokafana intsony. Nafenina tao anaty lafaoro ny firaketana ny fanompoan’ireo mpitory, ka tsy hitan’izy ireo. Niverina ny Nazia avy eo ary nitondra kamiao hakana ireo boky. Manamboninahitra SS antsoina hoe Klaus Grossmann no nitarika azy ireo. Tena natahoran’ny olona izy io. Nanontany azy i Olaf hoe hataony ahoana izao ireo boky ara-baiboly ireo. Nolazainy fa hopotehiny, hono.
“Fa ianao angaha tsy mba matahotra an’i Jehovah mihitsy?”, hoy ny Rahalahy Skau.
Niavona erỳ i Grossmann namaly hoe: “I Jehovah izao no tokony hitandrina!” Resy anefa ny Nazia efa-taona taorian’izay, ka namono tena izy.
Nosamborin’ny Gestapo tany Bodø i Andreas Kvinge, tamin’ny Jolay 1941, ary nanontaniany hoe aiza avy no
hahitana an’ireo Vavolombelona tany avaratra. Namaly tsotra i Andreas hoe: “Tsy fantatro izay nalehan-dry zareo androany.” Naparitaky ny polisy teo amin’ny tany ny zava-drehetra tao anaty kitapon’i Andreas. Nitebiteby tsy nisy toy izany àry izy satria teo daholo ny lisitry ny anarana sy ny adiresin’ireo fiangonana, sy ireo mpiandraikitra, ary ny olona liana. Nahagaga anefa fa tsy nisy nijery an’ireo ny Gestapo, fa sahirana nanery an’i Andreas hanao sonia an’ilay taratasy nilaza hoe voarara ny fitoriana sy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah.“Azoko soniavina aloha ity”, hoy i Andreas, “satria fantatro fa voarara izao ny asanay. Kanefa izahay tsy maintsy mampiasa Baiboly sy mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra, na dia voarara aza ny manao fivoriana sy mizara boky sy gazety.” Nalefan’ny Gestapo i Andreas, rehefa hitany fa tsy hiova hevitra mihitsy.
Tamin’ny farany dia nalain’ny Nazia ilay trano natao biraon’ny sampana. Nahazo nijanona tao ihany ry Öman mivady, fa ny Betelita hafa kosa tsy maintsy nandeha.
FIVORIANA NANDRITRA NY FANDRARANA
Nanao izay hanafoanana ny Vavolombelon’i Jehovah ny Nazia, nefa mbola nanohy ny fanompoany ihany ireo rahalahy fa niafina fotsiny. Nisy mpiandraikitra vitsivitsy niezaka nitsidika sy nampahery an’ireo Vavolombelona. Nitsidika ny tany atsimo, ohatra, i Søren Lauridsen, izay Betelita. I Andreas Kvinge kosa tany avaratra. Nanohy ny asan’ny faritra izy, sady nanao asa an-tselika mba hanafenana ny tena anton-diany. Teo koa i Magnus Randal, izay mpisava lalana nampiasa ny sambo Ruth. Nomen’ny Rahalahy Öman adiresina Vavolombelona tany Bodø izy tamin’ny 1943, ka nandeha bisikileta 1 200 kilaometatra mba hampahery azy ireo.
Nivory foana ireo rahalahy mba hifampahery, na dia voarara aza izany. Matetika no natao tany an-trano ilay izy ary vitsivitsy no niaraka. Nanao fivoriana lehibe ihany izy ireo indraindray, saingy niafina. Faly erỳ izy ireo tamin’ny 1942, satria afaka nankalaza ny Fahatsiarovana. Toerana roa no nanaovana izany tao Oslo, ka 280 ny mpanatrika ary 90 no nihinana ny mofo sy divay!
Afaka nanao fivoriambe niafina mihitsy aza ireo Vavolombelona, tany amin’ny toerana nitokana, na tany anaty ala. Tamin’ny 1943 ny lehibe indrindra tamin’izany, tany anaty ala ivelan’ny tanànan’i Ski. Nisy 180 teo ho eo ny mpanatrika, avy eo amin’ny manodidina ny Helodranomasin’i Oslo. Rehefa nisakafo anefa izy ireo tamin’ny fiatoana, dia nisy miaramila alemà telo nitaingin-tsoavaly tonga tampoka. Inona no nataon’ireo rahalahy?
Nanatona azy ireo ny rahalahy iray niteny alemà, ka nanontany izay notadiaviny. Hay saika hilomano izy ireo fa diso lalana! Natoron’ireo rahalahy haingana àry ny lalana tokony halehany.
Nifanontany izy ireo rehefa handeha hoe: “Fa inona koa no ataon’ireo olona ireo eo?”
“Antoko-mpihira angamba ireo!”, hoy ny miaramila iray. Mody tsy niteny ireo Vavolombelona. Nisento kely izy ireo rehefa dify ireo miaramila!
NAHAY NANAFINA
Maro ny mpitory nahita tetika hafakely hanafenana boky sy gazety. Ny an’ny sasany tena naleviny tany anaty tany, ary nohadiny rehefa nilaina. Ny Rahalahy Skau indray nanafina baoritra nisy boky tao ambadiky ny milina be tao am-piasany, satria elektrisianina izy. Ny an’ny Rahalahy Øiseth kosa nafeniny tao anaty tranon-tantely, ary ny an’ny Rahalahy Kvinge tao anaty daba fasiana ovy.
Natahotra ny Anabavy Lotte Holm sao hisy hahita ilay fanafenana boky tao Harstad, ka nalainy avokoa ireo baoritra tao ary nentiny tamin’ny sambo. Nataony nilahatra tsara izy ireo, ary nipetrahany. Efa niainga ilay sambo vao hitany fa feno miaramila alemà tao. Niady saina àry izy hoe ahoana no hampidinany an’ireo baoritra nefa tsy ho tratra! Tsy sahirana anefa ilay anabavintsika rehefa tonga. Nalahelo azy mantsy ireo miaramila, satria be dia be ny entany nefa izy efa antitra! Nanampy azy hampidina ny baoritra rehetra àry ireo miaramila, sady nanatitra azy tany an-trano mihitsy. Tsy tao an-tsain’ireo miaramila tsara fanahy ireo fa tena nanampy ny Vavolombelona izy ireo tamin’iny!
Vitan’ireo rahalahy ny nampiditra Ny Tilikambo Fiambenana farany avy tany Soeda sy Danemark, na teo aza ny fandrarana. Nadika tamin’ny teny norvezianina ireo lahatsoratra fianarana, ary nosoratana tamin’ny milina. Dia lasa amin’izay ireo mpampita hafatra nifarimbona nitatitra an’ilay izy tamin’ny
sambo, lamasinina, na bisikileta. Nahazo sakafo ara-panahy ara-potoana àry ireo Vavolombelona eran’i Norvezy.NITORY FOANA IZY IREO
Nisy fitsapana hafa anefa nandritra ny ady. Rehefa voarara ny asantsika tamin’ny Jolay 1941, dia nasaina nitandrina ireo rahalahy mba tsy hampahatezitra tsy amin’antony an’ireo manam-pahefana nazia. Maro àry no nitory tsy ara-potoana tamin’ny havana sy namana, na nitsidika an’ireo efa nitoriany. Nisy kosa anefa nihevitra hoe hoatran’ny tsy ampy izany. Mbola azo atao, hoy izy ireo, ny mitory isan-trano fa Baiboly ihany no ampiasaina. Tsy nitovy hevitra àry ireo rahalahy, nefa samy naniry mafy ny tsy hivadika tamin’i Jehovah na teo aza ny fanoherana.
Inona àry no hataon’izy ireo? Toa tsy ho voalamina vetivety ilay adihevitra. Tsy afaka nanontany ny foibe mantsy izy ireo, satria tapaka ny fifandraisana noho ny ady. Havelan’ireo rahalahy hampihena ny finoany ve ilay zava-manahirana? Sa hitory araka izay azony atao foana izy ireo, ka hiandry an’i Jehovah sy ny fandaminany hamaha an’ilay olana?
Voaporofo fa nitahy an’ireo Vavolombelony tsy nivadika i Jehovah. Nitovy tamin’ny fitomboana nandritra ny dimy taona talohan’ny ady ihany mantsy ny fitomboana nandritra ny ady. Nahazo tampon’isa vaovao ny mpitory, na teo aza ny fandrarana sy ny tsy fitovian-kevitra. Nisy 462 mantsy ny mpitory tamin’ny 1940, nefa lasa 689 izany tamin’ny 1945, ka faly ny rehetra!
NAMPIRAY SAINA NY FANOMPOANA AN’I JEHOVAH
Tonga teto i William Dey tamin’ny 1945, rehefa tapitra ny ady. Nanampy an’ireo rahalahy izy ny volana
Jolay sy Aogositra, mba handamina indray ny asa fitoriana. Nandamina fivoriana tao Oslo, Skien, ary Bergen koa izy, ka nanentana ny rahalahy rehetra mba hiray saina. Nasongadiny fa samy notahin’i Jehovah izy rehetra matoa nisy fitomboana, ka tokony hiara-handroso sy hatoky ny fitarihany.Niasa tao amin’ny Betelan’i Etazonia i Marvin Anderson, ary efa nanao ny asan’ny faritra tany. Niantso azy i Nathan Knorr tamin’ny Septambra 1945, ka nanontany raha te hankatỳ Norvezy izy ary hijanona atỳ “taona maromaro” mba handamin-javatra. Metisy danoà ny Rahalahy Anderson, ary vao 28 taona izy tamin’izay. Nanaiky hankatỳ izy, saingy afaka volana vitsivitsy vao tena tonga teto.
Nitsidika an’i Norvezy ny Rahalahy Knorr sy Henschel tamin’ny Desambra 1945. Nanome toromarika tamim-pitiavana izy ireo, ka nanampy an’ireo rahalahy hifankatia sy hiray saina kokoa. Nampandrenesin’ny Rahalahy Knorr fa ny Rahalahy Dey no mpiandraikitra ny sampana handimby ny Rahalahy Öman. Tonga ny Rahalahy Anderson ny volana Janoary, ary izy indray no voatendry ho mpiandraikitra ny sampana ny volana Febroary. Nahazo hery vao ny mpanompon’i Jehovah nanerana an’i Norvezy taorian’ny Ady Lehibe II, ka nampitombo ny fanompoany sady natoky ny fitahian’i Jehovah.
MANDROSO NY FANDAMINAN’I JEHOVAH
Betsaka ny asa, tamin’i Marvin Anderson tonga teto amin’ny sampana. Nisy bokikely dimy navoaka tamin’ny Septambra 1945, ka ny iray tamin’ny teny norvezianina ary ny efatra tamin’ny teny soedoà. Navoaka tamin’ny teny norvezianina koa Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1945. Nihamaro ny boky navoaka tamin’ny teny norvezianina, tatỳ aoriana.
Tena nilaina izany, satria mahatsikaiky ny zava-mitranga indraindray. Nitondra ny lohateny hoe Hopp, na “fanantenana”, ohatra, ny bokikely iray tamin’ny teny soedoà. “Mitsambikìna” anefa ny hoe “hopp” amin’ny teny norvezianina. Tsy maintsy nohazavain’ny mpitory àry hoe manome fanantenana ilay hafatra fa tsy manery ny olona hitsambikina!
Lasa mpiandraikitra ny sampana ny Rahalahy Anderson, tamin’ny 1946. Tery kely ny Betela tamin’izany, ka tsy maintsy niray efitra tamin’ny rahalahy dimy izy. Nisy olona tsy Vavolombelona nipetraka koa tao amin’ilay tranobe. Tsy maintsy nafindra àry izy ireo, na dia efa tamin’ny andron’ny Nazia aza no tao. Nihamaro mantsy ny Betelita.
Tsy nipetrapetraka mihitsy ny Rahalahy Anderson, raha vao voatendry. Nohavaozina ny biraon’ny sampana ary nisy fitaovana vaovao novidina. Anisan’izany ny milina fanontam-pirinty voizina amin’ny tongotra. Natomboka
tamin’ny 1946 koa ny Sekolin’ny Fanompoana. Ela ny ela ka afaka nianatra nanomana sy nanao lahateny ireo rahalahy, ary vetivety dia maro no nahafeno fepetra hanao lahateny.Ny Septambra sy Oktobra 1946 vao nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra indray, taorian’ny ady, ka tany Oslo sy Bergen ary Trondheim no nanaovana azy. Nisy 52 no natao batisa tamin’ireo fivoriambe telo ireo, ary 3 011 no nihaino an’ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Ilay Andrianan’ny Fiadanana.” Tena nahafaly izany, satria 766 monja ny mpitory teto.
Niato koa ny asan’ny faritra nandritra ny dimy taona mahery, ary tamin’ny Desambra 1946 vao nitohy. Rahalahy tanora maro no voatendry ho mpanompon’ny rahalahy (na mpiandraikitra ny faritra). Nisy Betelita tamin’izy ireo. Niezaka mafy izy ireo nampiofana an’ireo rahalahy hitory isan-trano. Niara-nitory tamin’ny mpitory faran’izay betsaka izy ireo, isaky ny nitsidika fiangonana. Nilaza i Gunnar Marcussen, fa
nahatratra 50 na 70 mihitsy indraindray ny mpitory niara-nitory taminy, tao anatin’ny herinandro. Lasa nahay nitory kokoa ireo rahalahy tatỳ aoriana, ka tsy nilaina intsony ny karatra fitoriana sy ny grafofaonina, izay efa nampiasaina nanomboka tamin’ny 1930. Nampiana koa izy ireo mba hanao fiverenana mitsidika sy hitarika fampianarana.NENTANINA HANAO MPISAVA LALANA
Nampirisihina hanao mpisava lalana ny mpitory, taorian’ny ady, satria be dia be ny olona liana. Niverina nanompo manontolo andro indray àry ny mpisava lalana sasany, izay nitsahatra tamin’ny 1941 noho ny fandrarana. Nisy 47 be izao no nanao mpisava lalana tamin’ny faramparan’ny taona 1946, na mafy aza ny fiainana!
Iray tamin’izany ny Anabavy Svanhild Neraal. Nianavaratra nankany amin’ny faritr’i Finnmark izy, tamin’ny 1946. Nanao mpisava lalana tany izy sy Solveig Løvås tamin’ny 1941, ary tao Kirkenes sy Vardø mihitsy izy ireo, rehefa nilatsahan’ny baomba ireo tanàna ireo. Tsy hadinon’i Svanhild anefa ireo olona liana, ka niverina tany Kirkenes izy, na dia rotidrotiky ny ady aza ilay tanàna. Noheverin’ny olona ho adala izy nandeha tany, satria na ny trano hipetrahany aza tsy nisy.
Nitoky tamin’i Jehovah anefa izy, ka nisy fianakaviana
dimy mianaka nampiantrano azy. Tery ilay trano, ka tao an-dakozia izy no natory nandritra ny ririnina voalohany. Tena mafy ny fiainana taorian’ny ady, ary maro ny zava-tsarotra natrehin’i Svanhild. Matetika, ohatra, ny sambo no tara be, ka voatery niandry ela teo amin’ny lanezy sy ny orana mamanala izy. Indraindray aza tsy tonga mihitsy ny sambo.Hafakely ny zavatra niainan’i Svanhild, rehefa nitory tamin’ny Sami (mponina any amin’ny faritra avaratr’i Skandinavia). Mitokana be ny toerana misy azy ireo, ka rehefa tsy nahita bisy nankany i Svanhild, dia nandeha lakana na bisikileta. Tranolay vita amin’ny hoditra serfa no ipetrahan’ny Sami. Tia nandray vahiny izy ireo, ary nanongilan-tsofina erỳ rehefa nitory taminy tamin’ny alalan’ny mpandika teny i Svanhild. Norosoany hena-na serfa izy, rehefa tonga ny ora fisakafoana. Nisy Sami lasa Vavolombelona, tatỳ aoriana.
Ny adiresy teo amin’ireo famandrihana nalefan’i Svanhild no nahalalana ny toerana nisy azy, hoy i Kjell Husby, izay nanompo tao amin’ny Betela tamin’izany. Nahazo famandrihana Tilikambo Fiambenana 2 000 i Svanhild tao anatin’ireo telo taona nipetrahany tany Finnmark, ary nahapetraka boky 2 500!
“MPANARATO OLONA”
Nazoto nitory koa ireo rahalahy, taorian’ny ady. Nitory tamin’ny havana aman-tsakaizany tao Hennes, tanàna kely ao Vesterålen, ohatra, i Dag Jensen. Maro no liana ka nianatra Baiboly. Natao batisa i Dag tamin’ny 1945, rehefa nifarana ny ady. Nisy fiangonana niorina tao Hennes ny taona nanaraka. Olona 16 no natao batisa tao an-tranon’i Dag, tamin’izay. Nisy mpitory 50 teo ho eo tao amin’ilay fiangonana, dimy taona tatỳ aoriana. Mpitory 20 mahery no lasa mpisava
lalana maharitra tamin’ny 1971, araka ny tatitra nataon’i Dag. Nahafaly tokoa izany vokatra izany.Tena tia an’i Jehovah i Dag sady nazoto nanompo, ary nifindra tamin’ny hafa ny toe-tsainy. Hoy i Åshild Rønning, izay mbola ankizivavikely tamin’izany: “Tonga dia hitanao hoe olona falifaly sy nafana fo i Dag raha vao niditra ny trano. Toy ny hoe misy tara-pahazavana miditra ao an-trano, rehefa eo izy.” Nampaherezin’i Dag foana ny ankizy, ohatra hoe rehefa nanana anjara tamin’ny sekoly. Hoy i Åshild: “Nataony izay hahatsapanay fa tena zava-dehibe ny zavatra nataonay.” Lasa mpisava lalana i Åshild tamin’ny 1962, noho ny fampaherezana toy izany, ary faly koa nitory “ny vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra falifaly.”—1 Tim. 1:11.
Maro tamin’ny mponin’i Hennes no lasa mpitory mazoto. Nahoana moa? Nino an’Andriamanitra sy ny Baiboly ny olona tao, na dia tsy mpiangona aza. Vavolombelona maro koa no nalaza ho raim-pianakaviana fakan-tahaka, ary nanaiky azy tsara ny vadiny. Anisan’ireny raim-pianakaviana ireny i Arnulf Jensen, zana-drahalahin’i Dag, izay natao batisa tamin’ny 1947. Nanarato izy rehefa andavanandro mba hahazoam-bola, ary nijanona tany an-dranomasina nandritra ny andro maromaro. Nody foana anefa izy, isaky ny zoma hariva, na betsaka aza ny trondro niakatra, ary na mbola nijanona aza ny hafa. Tsy Mar. 1:16-18.
nataony ambanin-javatra mihitsy ny hoe hivory sy hitory niaraka tamin’ny ankohonany, rehefa faran’ny herinandro. Nandroso tsara daholo ny zanany valo. ‘Nanarato olona’ ireo rahalahy rehefa asabotsy sy alahady, ary matetika izy ireo no nandeha tamin’ny sambon’i Arnulf, mba hitoriana tany amin’ny faritra lavitra.—‘MANAO ASA MIAVAKA ISIKA’
Tena mandray soa avy amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, any New York, ireo rahalahy eto Norvezy. I Hans Hemstad sy Gunnar Marcussen no Norvezianina voalohany niofana tany, ary nahazo diplaoma tamin’ny 1948. Nasaina nanompo teto ry zareo taorian’izay, ka sady mpiandraikitra mpitety faritany no nanompo tao amin’ny Betela. Mpitovo izy ireo tamin’ny voalohany, ary avy eo samy nanambady. Mpitory 45 teo ho eo avy eto Norvezy no lasa misioneran’i Gileada, teo anelanelan’ny 1948 sy 2010. Maherin’ny antsasany no voatendry hiverina teto, ka nitory manontolo andro, na lasa mpiandraikitra mpitety faritany na Betelita.
Anisan’ny misioneran’i Gileada voalohany teto i Andreas Hansen avy any Danemark sy Kalevi Korttila avy any Failandy. Nalefa tany Finnmark Atsinanana izy ireo tamin’ny 1951, ary nandeha lavitra tokoa satria nampiasainy daholo na sambo, na bisikileta, na ski. Maro tamin’ny olona nampian’izy ireo no efa nitorian’i Svanhild Neraal, taona vitsivitsy talohan’izay. Herintaona monja àry dia lasa 15 ireo mpitory 3 tany!
Misionera nahazo diplaoma tamin’ny 1953 i Kjell Martinsen avy ao Hennes, ary voatendry hanompo teto Norvezy ihany. Nasaina nitsidika fiangonana tao Vestfold sy Telemark izy, na dia vao 22 taona aza. Natahotra ihany izy tamin’ny voalohany, satria mbola tanora
kely. Faly anefa izy fa nandray azy tsara ireo rahalahy za-draharaha kokoa, sady tena nanohana azy. Tamin’ny 2001 i Kjell vao nijanona tamin’ny fitetezam-paritany, ary nanao mpisava lalana. Nifindra tao Svolvær, any Lofoten, izy sy Jorunn vadiny tamin’izay.Tonga teto i Karen Christensen, avy any Danemark, tamin’ny 1950, ary nanao mpisava lalana tao Egersund sy Kongsvinger. Tsy nisy fiangonana tany tamin’izany. Nandeha bisikileta io anabavy io rehefa nitory. Nahavita ny sekolin’i Gileada izy tamin’ny 1954, ary nalefa tany Kongsberg. Nanambady an’i Marvin Anderson izy tamin’ny 1956, ary manompo ao amin’ny Betela hatramin’izao. Efa 60 taona mahery izao i Karen no nanompo manontolo andro. Hoy izy: “Na dia tsy olona miavaka aza isika, dia manao asa miavaka.”
FANDRESENA ARA-PITSARANA
Nandroso be ny asa fitoriana tamin’ny 1948 ka hatramin’ny 1951. Lasa 2 066 ny isan’ny mpitory tamin’ny 1951, izany hoe nisy fitomboana 29 isan-jato. Nahita olana teny amin’ny fitsarana anefa ireo rahalahy.
Lasa tsy navelan’ny manam-pahefana hitory teny an-dalana sy hizara Ny Tilikambo Fiambenana ny mpitory. Nentina tany amin’ny paositry ny polisy, ohatra, ireo mpitory vitsivitsy tao Oslo, tamin’ny Novambra 1949, rehefa nitory teny an-dalana. Notazonina tany izy ireo nandritra ny ora vitsivitsy. Tsy natahotra anefa ireo rahalahy, fa nitory teny an-dalana indray rehefa tonga ny faran’ny herinandro. Nosamborina daholo àry izay rehetra nitory teny an-dalana, tamin’ny 6 Desambra 1949. Nilazana izy ireo fa tsy mahazo mizara gazety eny an-dalana, raha tsy mahazo fahazoan-dalana avy any amin’ny polisy. Nibahan-dalana, hono, izy ireo, ka niteraka korontana, ary nanelingelina ny fifamoivoizana. Natao famotorana ny mpitory fito ary nakarina fitsarana. Voasazy handoa lamandy kely izy ireo, na nigadra telo andro.
Nakarina tany amin’ny Fitsarana Tampony ilay raharaha, satria tsy ilay fahazoan-dalana avy any amin’ny polisy fotsiny no olana, fa lasa tsy voahaja ny zontsika haneho ny finoantsika. Nisolo tena ny Vavolombelon’i Jehovah ny Rahalahy John Roos, ka nilaza tao amin’ny gazety Dagbladet fa mbola tsy niteraka korontana mihitsy ny fitoriantsika eny an-dalana. Hoy izy: “Inona moa no ilana fahazoan-dalana avy amin’ny polisy, raha tsy mibahan-dalana, na miteraka korontana, na manelingelina ny fifamoivoizana ny fitoriana eny an-dalana? Tsy tokony ho zonay ve izany, raha tena misy ny fahalalahana ara-pivavahana?”
Nitory teny an-dalana foana ny Vavolombelona mandra-pivoakan’ny didy avy amin’ny Fitsarana Tampony, na dia nisy foana aza ny voasambotra sy nampandoavina lamandy. Nisy aza voasambotra impolo!Namoaka didy nanome rariny an’ireo rahalahy ny Fitsarana Tampony, tamin’ny 17 Jona 1950! Asehon’iny didy iny sy ny didy hafa, fa manana zo ara-dalàna hizara boky ara-baiboly ny Vavolombelona eto Norvezy, na eny an-dalana izany na isan-trano, sady tsy mila fahazoan-dalana avy amin’ny polisy.
FIVORIAMBE TSY HAY HADINOINA
Maro ny fivoriambe nanatsara ny fomba fiasan’ny fandaminana sy nampifandray kokoa ny Vavolombelona, teo anelanelan’ny 1950 sy 1970. Nisy fivoriambe niavaka, ohatra, tao Lillehammer, tamin’ny 1951, ka tonga tao avokoa ireo solontena avy amin’ny lafivalon’i Norvezy. Anisan’ireo nandaha-teny i Nathan Knorr sy Milton Henschel, avy any amin’ny foibe. Faly ny rehetra fa 89 no natao batisa, ary 2 391 no nihaino ny lahateny ho an’ny besinimaro. Nisy solontena avy teto Norvezy koa nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena tany Londres sy New York, tatỳ aoriana. Norvezianina 2 000 teo ho eo no nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena tany Stockholm, any Soeda, tamin’ny 1955.
Tena niavaka ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Tenin’ny Fahamarinana”, izay natao tao amin’ny Kianjan’i Ullevål, tao Oslo, tamin’ny 1965. Nisy lalao baolina kitra tao amin’ilay kianja ny alina talohan’ilay fivoriambe, ary ny ekipam-pirenen’i Norvezy sy Iogoslavia no nifanandrina tamin’izany. Vavolombelona tsy hita isa no niandry teo ivelan’ilay kianja, mandra-pahalasan’ireo mpankafy baolina kitra. Nirohotra nankao amin’ilay kianja izy ireo avy eo, mba hanao ny
fanomanana rehetra. Niasa nandritra ny alina izy ireo namafa sy nandraoka fako, ary nanangana an’ireo trano heva fandrosoana sakafo. Nanao lampihazo koa izy ireo, ary nanamboatra toerana ho an’ny mpitendry zava-maneno. Nanao trano tafo bozaka efatra ihany koa izy ireo, mba handravahana an’ilay kianja. Hoy ny gazety Dagbladet: “Nisy fahagagana tao anatin’ny indray alina! Lasa toy ny tanàna mahafinaritra eny ambanivohitra ny Kianjan’i Ullevål ... Tsy mampino ny zava-bitan’ny Vavolombelon’i Jehovah!”Noraisina tsara ireo vahiny 7 000 mahery, izay avy any Danemark ny ankamaroany. Namelatra tranolay be dia be tany ivelan’ny tanàna izy ireo. Nahafinaritra ilay izy rehefa tsara ny andro. Loza anefa fa avy ny orana, ka feno fotaka ny tokotany. Nampalahelo erỳ ireo mpilasy niisa 6 000! Soa ihany fa tsara ny andro nandritra ireo roa andro farany, ka faly ny rehetra. Na ratsy aza anefa ny andro, dia nifandray be ireo Vavolombelona, ka samy finaritra na ny vahiny na ny tompon-tany. Namelombelona azy ireo koa ny fandaharana. Faly be izy ireo satria 199 no natao batisa, ary 12 332 no nihaino ny lahatenin’ny Rahalahy Knorr!
“TSY VELONA IZAHAY RAHA TSY MITORY”
Nahita vokatra tsara ireo rahalahy rehefa nitory tsy ara-potoana, ankoatra ny fitoriana eny an-dalana sy isan-trano. Mpiasan’ny sambo, ohatra, i Konrad Flatøy. Nomeny bokikely i Paul Bruun mpiara-miasa taminy, tamin’ny 1936. Noraisin’i Paul ilay izy, ary novakiny ny alin’iny ihany.
Hoy i Paul: “Tonga dia takatro hoe io no fahamarinana. Nohazavaina tao ny maha samy hafa ny fivavahana marina sy ny diso.” Nanomboka nitory tamin’ny olon-kafa i Paul, rehefa nitombo ny fahalalany. Liana ny tantsambo iray, ka nampianariny Baiboly. Tao anatin’ny ady anefa tamin’izay. Takatr’ilay tantsambo, rehefa nandeha ny fianarana, fa tsy tokony hitifitra amin’ilay basimarovava tao amin’ilay sambo intsony izy. Raha vao fantatr’ireo tompon’andraikitra izany, dia tsy navelan’izy ireo nampianatra Baiboly intsony i Paul. Tsy nety anefa izy, ka noroahina izy sy ilay tantsambo rehefa tonga tany Londres. Rendrika ilay sambo, iray volana taorian’izay, satria voatifitry ny baomba. Natao batisa ilay tantsambo tatỳ aoriana. I Paul kosa nasaina hanatrika ny sekolin’i Gileada, ary nahazo diplaoma tamin’ny 1954, ka voatendry ho any Philippines. Niverina teto Norvezy izy tatỳ aoriana, ary nanao ny asan’ny faritra niaraka tamin’i Grethe vadiny.
Mpamily kosa i Holger Abrahamsen, ary nitatitra mpiasa nankany akaikin’ny
seranan’i Narvik, tamin’ny 1948. Izao ny azy no teny filamatra: “Tsy velona izahay raha tsy mitory. Ny fitoriana no fiainanay!” Nataony foana àry izay hitoriana tamin’ny mpandeha. Anisan’izy ireny i Olvar Djupvik. Liana tamin’ny vaovao tsara izy, ka noresahiny tamin’i Anne Lise fofombadiny ny momba ny Paradisa. Natao batisa izy ireo, ary notezainy tao amin’ny fahamarinana ny zanany efa-dahy. Lasa misionera tany Bolivia i Hermann zanany lahy iray, niaraka tamin’i Laila vadiny. Niverina teto izy ireo, ary mpiandraikitra mpitety faritany izao i Hermann.FIKARAKARANA NY ONDRIN’I JEHOVAH
Nisy fiovana lehibe tao amin’ny sampana sy teo anivon’ny fiangonana, teo anelanelan’ny 1960 sy 1980. I Roar Hagen no mpiandraikitra ny sampana nandimby an’i Marvin Anderson. I Thor Samuelsen indray no voatendry ho mpiandraikitra ny sampana, tamin’ny 1969. Tsy olon-tokana intsony anefa no nasaina niandraikitra ny sampana tamin’ny 1976 fa komity, ka i Thor Samuelsen sy Kåre Fjelltveit ary Niels Petersen no Komitin’ny Sampana voalohany teto.
Anti-panahy maromaro koa no nasaina nikarakara ny ondry teo anivon’ny fiangonana, nanomboka tamin’ny Oktobra 1972. Nihamaro hatrany ireo vaovao. Nampiofanina àry ireo rahalahy matotra mba hahafeno fepetra hiandraikitra azy ireny. Tena nitahy ny vahoakany i Jehovah, satria tsy nivadika sy nanaiky ny fitarihany izy ireo.
NANDRAY NY VAOVAO TSARA NY SAMI
Efa am-polony taona ny mpisava lalana sy mpitory maro no nitory tamin’ireo Sami, anisan’izany ireo
mpiompy serfa any amin’ny lembalemba sy toerana be tendrombohitra any Finnmarksvidda. Mahay teny norvezianina ny ankamaroan’ny Sami, nefa misy koa tsy mahay mihitsy ka ilana mpandika teny. Anisan’ny Vavolombelona voalohany nitory tamin’ny teny sami i Aksel Falsnes, izay manana razambe sami, sady mahay miteny sami sy norvezianina ary failandey. Ahoana no nahitany ny fahamarinana? Nipetraka tany amin’ny faritra atsimon’i Norvezy ny anabaviny, ary lasa Vavolombelona. Nandefasan’izy io boky iray izy. Tena nahaliana azy ilay izy, ka novakiny tsara. Tsy nisy mpitory anefa ilay tanàna nisy an’i Aksel, tany Troms. Mpisava lalana sy mpiandraikitra ny faritra no nitsidika azy tamin’ny 1968, ary nanampy azy handroso.Tena nazoto nitory i Aksel. Vao maraina be izy dia efa nandeha lakana namakivaky ny helodranomasina. Nentiny koa ny bisikiletany, ka iny avy eo no nandehanany nitety tanàna. Afaka nitory tsara tamin’ny Sami tany amin’ny toerana nitokana indrindra tany Finnmark izy, satria hainy tsara ny fitenin’izy ireo.
Natanjaka i Aksel, ka nahavita nandeha ski lavitra be mba hitoriana amin’ny toerana mitokana. Efa harivariva, ohatra, ny andro indray ririnina izay, tamin’izy niainga tao Karasjok. Nandeha ski namakivaky ireo lembalemba sy tendrombohitra tao Kautokeino izy, ary tonga hatrany Alta. Kitapo babena ihany no teny aminy,
ka boky sy gazety vitsivitsy ary zavatra kely nilainy no tao. Tonga tany amin’ireo namany tany Alta izy, rehefa afaka herinandro vitsivitsy. Nahavita 400 kilaometatra teo ho eo izy tamin’izay!Maro ny Sami nanaiky ny fahamarinana, taoriana kelin’ny 1970. Nianatra Baiboly ny vehivavy sami iray sy ny vadiny, tany Hammerfest. Tsy ela dia liana tamin’ny fahamarinana koa ny havany sasany, tany Alta. Nanampy an’ireny olona tso-po ireny i Arne sy Marie Ann Milde, izay mpisava lalana manokana, ka matetika no 10 na 12 ny olona indray nianatra. Lasa Vavolombelona ny sasany tamin’izy ireny, tatỳ aoriana.
Sami koa i Hartvig Mienna, any Alta. Mpisava lalana izy, ary môtô fitondra eny amin’ny ranomandry no entiny mitory any amin’ny toerana mitokana. Hoy izy: “Sarotra ny mitory amin’ny Sami. Ny toerana lavitra, nefa maro koa no mifikitra amin’ny fomban-drazana. Tia mandray vahiny anefa ry zareo, ka afaka nampianatra olona maromaro ihany izahay.”
MBA NANANTENA ERỲ KANJO TSY NISY
Nitombo foana ny isan’ny mpitory taoriana kelin’ny 1963 ka hatramin’ny 1975. Nisy fitsapam-pinoana anefa tamin’izay. Maro mantsy no nanantena hoe ho tonga tamin’ny 1975 ny fahoriana lehibe. Rehefa tsy tonga ilay izy, dia nandao ny fandaminana ny sasany, ary nihena ny isan’ny mpitory teo anelanelan’ny 1976 sy 1980. Ny hafa indray tsy narisika nandritra ny fotoana kelikely. Mbola nazoto anefa ny ankamaroany.
Hoy i Hans Lilletvedt: “Nientam-po be izahay, nanantena hoe hisy zavatra hitranga tamin’ny 1975. Tsy niankina tamin’izany anefa ny finoako.”
Hoy koa i John sy Edith Johansen, Vavolombelona tsy nivadika hatramin’ny ela: “Tsy nieritreritra daty izahay rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah. Notohizinay fotsiny ny fanompoanay, rehefa tsy tonga ilay izy.”
Hoy i Lea Sørensen: “Hanompo an’i Jehovah mandrakizay aho, ka tsy mampaninona ahy na tonga tamin’ny 1975 ny farany na tsia.”
BIRAON’NY SAMPANA VAOVAO
Nila nampitomboina ny Betelita taloha kelin’ny 1980, rehefa nihamaro ny asa tao amin’ny sampana. Nila nampiana koa ny birao sy ny trano fonenana. Tamin’ny 1979 àry, dia neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hanorenana biraon’ny sampana vaovao tany ivelan’i Oslo. Nahita toerana mety tsara tao Ytre Enebakk ireo rahalahy, tamin’ny faramparan’ny taona 1980. Tokony ho 30 kilaometatra miala an’i Oslo izy io.
Mpiasa an-tsitrapo no nampanaovina an’ilay trano, mba hitsitsiana vola. Tena sarotra ny nahazo fitaovam-panorenana, ny nanome sakafo sy trano ho
an’ny mpiasa efa ho 100, ary ny nandamina ny asa rehetra.Rahalahy sy anabavy 2 000 mahery, izay tompon-tany sy vahiny no ‘nanolo-tena an-tsitrapo.’ (Sal. 110:3) Maro koa no nanome ovy, legioma, voankazo, mofo, atody, trondro, akanjo, ary fitaovana. Nisy indray nikapa hazo tany an’ala, na nanatsofa vatan-kazo mba ho lasa hazo fisaka. Tsy tambo isaina koa ireo nanome vola na nampindrana.
Tsy afaka nijanona ela ny mpiasa matihanina sasany, ka ireo tsy dia ampy traikefa no tsy maintsy nanao ny ankamaroan’ny asa. Nilaza i John Johnson, izay niandraikitra ny fampidirana jiro, fa nahatsiaro ho tsy ampy fahaizana izy sy ny mpiandraikitra hafa. Hoy anefa izy: “Nianatra ny fomba fanaovana an’ilay asa ireo rahalahy, ka nahavita zavatra niavaka. Nahavariana fa voavaha ny olana ary nandeha tsara ny
zava-drehetra. Hita mihitsy hoe i Jehovah Andriamanitra no nitarika an’ilay fanorenana.”Nizotra tsara ny asa, satria nalala-tanana ireo rahalahy sy anabavy, ary nitahy ny asa i Jehovah. Ireo mpiasa an-tsitrapo koa moa tsy nitarain-tana-miepaka! Nanomboka ny fanorenana teo am-piandohan’ny taona 1981, ary tamin’ny 19 Mey 1984 ny fitokanana. Tonga teto i Milton Henschel, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’izay. Faly ireo Vavolombelona norvezianina sady lasa nifandray am-po, noho ilay tetikasa. Mpiasa an-tsitrapo maro no nanao mpisava lalana mpanampy na maharitra, rehefa vita ilay fanorenana.
NOHAFAINGANINA NY FANORENANA EFITRANO FANJAKANA
Tamin’ny 1928 ry Fjelltvedt efatra mirahalahy no nanorina efitrano fivoriana voalohany, tany akaikin’i Bergen. Taoriana kelin’ny 1980 vao nisy fiangonana
maromaro nanorina na nividy trano hatao Efitrano Fanjakana. Fiangonana maro kosa no mbola nivory tamin’ny trano nohofana, izay tsy dia mendrika loatra. Nifampiresaka ireo rahalahy nandritra ny fanorenana ny sampana hoe ahoana no hanafainganana ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Ren’izy ireo fa mahavita manorina efitrano haingana be ny ekipa mpanao fanorenana any Etazonia sy Kanada. Nieritreritra àry ry zareo hoe: ‘Raha mahavita an’izany ny any noho ny fanampian’i Jehovah, nahoana moa isika no tsy hahavita?’Nanao planina nisy fanazavana tamin’ny an-tsipiriany ny rahalahy vitsivitsy. Nanorina efitrano tany Askim aloha izy ireo, tamin’ny 1983, ho fanandramana. Nanao efitrano telo izy ireo tamin’ny 1984, tany Rørvik sy Steinkjer ary Alta, ka haingana be no nanaovany azy. Ahoana izany? Omaniny mialoha ny fototra. Tsinjarainy tsara avy eo ireo mpiasa an-tsitrapo, na ampy fahaizana na tsia, ka vita ao anatin’ny andro vitsivitsy ny lafiny samihafa amin’ilay tetikasa.
Efitrano 80 teo ho eo no voaorina teto Norvezy, nandritra ny folo taona nanaraka. Tatỳ aoriana dia nisy rahalahy avy eto nankany Islandy, mba hanampy tamin’ny fanorenana efitrano telo. Samy manana ny efitranony izao ny ankamaroan’ireo fiangonana, nefa mbola maro ny asa tsy maintsy atao. Mila havaozina ireo efitrano efa tranainy, ary ny hafa indray mila itarina. Mbola ilaina koa anefa ny manorina vaovao.
“NAHAZO FAMPAHEREZANA IREO RAHALAHY”
Lasa manana toeram-pivavahana mety tsara sy mahafinaritra ireo rahalahy, noho ny asa fanorenana. Fitoriana vita ho azy amin’ny manodidina koa izy ireny. Nihaona tamin’ireo manam-pahefana tao Fredrikstad
ny rahalahy telo, tamin’ny 1987, mba hikarakara taratasy hanorenana Efitrano Fanjakana. Nihomehezan-dry zareo ireo rahalahy, rehefa nilaza fa hovitainy ao anatin’ny telo andro ilay efitrano. Tamin’ny andro voalohany anefa, izany hoe ny zoma, dia efa niharihary fa ho vita amin’ny fotoana nieritreretana azy ilay izy. Te hiala tsiny ny manam-pahefana iray, noho izy nihomehy. Nitondra mpitendry mozika teo amin’ilay toeram-panorenana àry izy ny ampitso, mba hanentana an’ireo mpanao fanorenana. Hoy koa ny vehivavy iray, izay nahita ny nanorenana ny efitrano tany Arendal tamin’ny 1990: “Hoatran’ny tsy mampino hoe mahavita manorina efitrano haingana be hoatr’izao ianareo Vavolombelona. Fa ny tena mahavariana dia ny mahita anareo mitsikitsiky sy falifaly foana.”Roa izao ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana manara-maso ny fanorenana efitrano eran’i
Norvezy. Misy koa rahalahy sy anabavy mahafoy tena, vonona handray anjara amin’ny tetikasa lehibe sy sarotra kokoa. Nitarina, ohatra, ny sampana tamin’ny 1991 sy 1992. Nisy Efitrano Fivoriambe tsara tarehy naorina koa tao Oslo, tamin’ny 1994. Nanorina Efitrano Fanjakana ngezabe tao Bergen ny ekipa mpanao fanorenana iray, tamin’ny 2003. Azo anaovana fivoriambe izy io.Rehefa misy fanorenana, dia mila miara-mientana ny rehetra, mba hanatratrarana tanjona iray. Misy vokany tsara izany. Hoy ny rahalahy iray nanampy tamin’ny fanorenana efitrano nanomboka tamin’ny 1983: “Vao mainka nifandray am-po ny fiangonana. Nahazo fampaherezana ireo rahalahy. Nahay niara-niasa kokoa izahay, ary nisy aza lasa mpinamana be.”
NITOMBO NY ASA TAO AMIN’NY BETELA
Nampitomboina ny isan’ny Betelita, rehefa vita ilay biraon’ny sampana vaovao. Natao koa izay hampandroso ny asa fitoriana. Nihamaro, ohatra, ny boky nadika tamin’ny teny norvezianina. Anisan’ny niavaka tamin’ireny Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny norvezianina, izay vita tamin’ny 1996. (Efa navoaka tamin’ny 1991 Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.) Saiky ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra izao no efa voadika amin’ny teny norvezianina, anisan’izany ny boky Fandalinana ny Soratra Masina.
Nasiana fandraisam-peo koa tao amin’ilay tranon’ny sampana vaovao, satria tena nilaina izany. Natao tao amin’ny Efitrano Fanjakana foana mantsy ny fandraisam-peo ho an’ny tantara an-tsehatra taloha, nanomboka tamin’ny 1960, raha tsy izay dia tao amin’ny efitra ambany tafo, na tao amin’ny lakaly. Tsy
tena nety ireny toerana ireny, ary matetika no najanona ny fandraisam-peo satria nitabataba be ireo fiara nifamoivoy. Tena nanafaingana ny famokarana tantara an-tsehatra sy video ary raki-kira ilay efitra fandraisam-peo vaovao. Efa misy amin’ny CD koa izao Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! amin’ny teny norvezianina, ary koa ny Baiboly sy ny boky hafa. Efa ao amin’ny Internet koa ireo.NAMPIRISIHINA HANITATRA FARITANY
Maro ny mpitory sy mpisava lalana mankany amin’ny faritany mbola tsy misy tompony, ary misy aza mianavaratra hatrany Longyearbyen, any amin’ny vondronosy Svalbard. Misy indray mifindra any amin’ny faritany mitokana, ary miezaka manorina fiangonana.
Vao vita mariazy i Finn sy Tordis Jenssen tamin’ny 1950, dia naheno hoe nila mpitory tany Hammerfest. Io no anisan’ny tanàna farany avaratra indrindra eto an-tany. Tsy nanam-bola firy izy mivady. Nanana bisikileta anefa izy ireo, ary nanana tanjaka sy herin-tsaina. Nandeha bisikileta àry izy mivady niala tao Bodø mba ho any Hammerfest, izay lalana 900 kilaometatra teo ho eo. Rehefa nahavita antsasa-dalana ry zareo, dia nisy namana tsara sitrapo nanome vola azy, ka afaka nandeha sambo izy ireo mandra-pahatongany. Nazoto nitory i Finn sy Tordis rehefa tonga tany Hammerfest, ary nanasa olona hanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro ataon’i Finn, isaky ny faran’ny herinandro. Nitahy ny ezaka nataon’izy ireo i Jehovah, ka tsy ela dia nisy fiangonana kely tany.
Nampirisika an’ireo mpitory hanitatra faritany ny mpandahateny iray tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Trondheim, tamin’ny 1957.
Nanaraka tsara an’ilay lahateny i Viggo sy Karen Markussen, izay nipetraka tany Stavanger. Nodonin’i Viggo kely tamin’ny sorony i Karen, rehefa nilaza izany ilay mpandahateny. Azon’i Karen ny tian’ny vadiny hatao. Hoy izy an’eritreritra: ‘Tsy ho ela izahay dia hiala ao Stavanger.’ Ahoana anefa ny hevitry ny zanany telo vavy, izay samy efa mpitory ary eo anelanelan’ny 11 sy 14 taona?Niresaka momba an’ilay lahateny izy mianakavy taorian’ny fivoriambe, ary samy vonona ny hifindra. Nanoratra tany amin’ny sampana izy ireo, ary nasaina nifindra tao Brumunddal satria tsy nisy fiangonana tao. Namidin’i Viggo sy Karen àry ny tranony sy ny toerana nivarotany fanaka, tamin’ny 1958, ka nifindra tamina trano hazo tsotsotra tany akaikin’i Brumunddal izy mianakavy. Nahafoy tena izy ireo ka notahin’i Jehovah. Maro tamin’ireo olona nampianariny Baiboly no lasa Vavolombelona. Nasaina nanao ny asan’ny faritra izy mivady, rehefa lehibe ny zanany. Efa nisy fiangonana kely nisy mpitory 40 teo ho eo tao Brumunddal tamin’izany.
Afaka nampandroso ny asan’ilay Fanjakana koa ny rahalahy mpitovo, rehefa nifindra tany amin’ny toerana tsy nisy fiangonana. Nisy rahalahy mpisava lalana vitsivitsy nifindra tany Måløy, any Fjord Avaratra, tamin’ny 1992, mba hanampy ny olona liana. Vao 19 taona teo ho eo ny ankamaroan’izy ireo. Nazoto nitory izy ireo, ary nitarika fivoriana avy hatrany tao amin’ilay trano nohofany. Nandray be azy ireo ny vehivavy iray nampianariny Baiboly, ka lasa toy ny renin’izy ireo mihitsy. Lasa nisy fiangonana tany, rehefa nifindra tany ny anti-panahy iray sy ny vadiny. Tena tian’ireo rahalahy ny fanompoany tany. Nitarika
fampianarana be dia be izy ireo, sady nahazo anjara sy andraikitra isan-karazany, ary nampahery ny hafa. Navitribitrika erỳ ilay fiangonana vaovao. Hoy ny rahalahy iray: “Tsy mora ilay izy nefa nahafinaritra, ary tena nanampy anay handroso ara-panahy.” Misy mpitory 30 eo ho eo izao ao amin’ny Fiangonana Fjord Avaratra, noho ny asa mafy nataon’ireny rahalahy ireny sy ny hafa koa. Miisa 50 na 60 eo ho eo ny fampianarana Baiboly.FITORIANA AMIN’NY FITENY HAFA
Nitombo hatrany ny mpifindra monina teto, nandritra ny 20 taona teo ho eo. Niara-nientana àry ny fiangonana maro mba hitory amin’izy ireny amin’ny fiteniny, na amin’ny fiteny hainy. Niorina tamin’ny 1986 ny fiangonana amin’ny teny vahiny voalohany teto Norvezy, izay nantsoina hoe Fiangonana Oslo Latinina. Avy any Amerika Latinina mantsy ny ankamaroan’ny mpivory tao, ary niteny espaniola sy portogey. Nanomboka nitory tamin’ireo olona miteny anglisy nipetraka tao Oslo koa ny mpitory tamin’izany. Nahita olona liana maro be izy ireo, ary avy any Afrika sy Azia ny ankamaroany. Fitoriana teny an-dalana no nahitana ny sasany taminy, fa ny hafa kosa tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana. Nojerena tamin’ny boky misy nomeraon-telefaonina koa izay anarana vahiny mety hahay teny anglisy. Maro àry no nianatra Baiboly, ka niorina tamin’ny 1990 ny Fiangonana Oslo Anglisy.
Maro tamin’ny mpitory norvezianina no niezaka nianatra fiteny vahiny. Nanampy azy ireo koa ireo mpitory vahiny, ka lasa nisy antoko-mpitory na fiangonana amin’ny teny anglisy, arabo, espaniola, pendjabi, persianina, poloney, rosianina, serba-kroaty, sinoa, tagalog, tamoul, ary tigrigna.
Mandroso tsara koa ny fitoriana amin’ny tenin’ny tanana. An’arivony ny marenina eto, ary miezaka mafy manampy azy ireny ny fandaminana. Efa nadika tamin’ny tenin’ny tanana ny fivoriana sy fivoriambe, nanomboka tamin’ny 1970 tany ho any. Nihamaro ny mpitory nianatra tenin’ny tanana nanomboka teo. Nasiana antoko-mpitory amin’ny tenin’ny tanana tany amin’ny fiangonana sasany, ary tamin’ny 2008 no nisy fiangonana amin’ny tenin’ny tanana voalohany tao Oslo. Misy mpitory marenina 25 eo ho eo izao eto, ary ampiasain’izy ireo tsara ireo DVD amin’ny Tenin’ny Tanana Norvezianina.
KOMITY MIFANDRAY AMIN’NY HOPITALY
Sarotra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah indraindray ny mahazo ny fitsaboana ilainy sy ekeny, noho izy ireo tsy manaiky hampidiran-dra. Nasiana Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH) àry teto Norvezy, tamin’ny 1990, mba hanampy an’ireo Vavolombelona marary sy hanome toromarika momba ny fitsaboana tsy ampiasana ra. Nandamina fivoriana 70 teo ho eo niaraka tamin’ny mpitsabo sy mpiasan’ny hopitaly ny KMH tao Oslo, tamin’ny 1990 ka hatramin’ny 2010, ary nanampy marary 500 mahery. Niezaka mafy izy ireo, ka nahita dokotera vonon-kanampy. Mihamaro koa ny dokotera mampiasa fitsaboana tsy ampiasana ra, noho ireo fanazavana nomen’ny KMH. Tena ankasitrahan’ny marary sy ny fianakaviany koa ny fanampian’ireo Antokona Mpamangy Marary.
Tena zava-dehibe ny fanampian’ny KMH, ary manaporofo izany ny zavatra niainan’i Helen, mpisava lalana mbola tanora. Narary mafy izy tamin’ny 2007 ka niditra hopitaly. Vetivety dia nihena be ny rany, ka noteren’ny mpiasan’ny hopitaly hampidiran-dra izy. Tsy
ho voavonjy, hono, izy raha tsy izany. Nafindra tany amin’ny hopitaly lehibe sy arifomba kokoa izy, noho ny fanampian’ny rahalahy iray anisan’ny KMH. Nony tonga tany i Helen sy ny reniny, dia efa notsenain’ny rahalahy iray hafa anisan’ny KMH. Nampahery azy mianaka izy io, sady nanampy an’i Helen hahazo ny fitsaboana nilainy. Nanaiky hampiasa fanafody mampitombo sela mena ny mpitsabo. Tao anatin’ny andro vitsivitsy dia nitombo ny rany, ka tsy natahorana intsony ny ainy. Efa salama tsara izao i Helen. Tena velom-pisaorana ny mpiasan’ny hopitaly izy, satria nanaja ny finoany izy ireo. Hoy izy mianaka: “Tena hankasitrahanay foana sady tsy hohadinoinay mihitsy ny fanohanana sy ny vavaka nataon’ireo anadahy sy rahavavy, ary ny fomba fiasan’ny fandaminan’i Jehovah.”FANARATSIANA NATAON’NY FAMPITAM-BAOVAO
Niaritra fanaratsiana be ny Vavolombelona teto Norvezy, teo anelanelan’ny 1989 sy 1992. Nanoso-potaka azy ireo mantsy ny radio, tele, gazety, ary gazetiboky, ka lasa resa-be ilay izy. Anisan’ny tena nahatonga izany ny fomba itondrantsika an’ireo voaroaka, araka ny lazain’ny Baiboly. (1 Kor. 5:9-13; 2 Jaona 10) Ny vokatr’ilay izy no tena tsy laitra. Lasa nanohitra avokoa na fianakaviana, na olona nitoriana, na mpiara-miasa, na mpiara-mianatra. Tsy mora ilay izy, na dia efa ampoizina aza hoe tsy maintsy hiharan’izany ny mpanara-dia an’i Jesosy.—Mat. 5:11, 12.
Hoy ny rahalahy iray: “Tena mafy ilay fanoherana, nefa nisy vokany tsara ilay izy. Nahatonga ahy handinika indray an’ireo andinin-teny iorenan’ny finoako izany. Nahazo hery aho rehefa nieritreritra an’ireo sakafo ara-panahy tsara omen’ny mpanompo mendri-pitokisana
sy malina. Hitako hoe ampy fitaovana hiatrehana ny fitsapam-pinoana izahay.”Hoy koa ny mpiandraikitra ny faritra iray: “Nampahery ny nahita ny herim-pon’ireo rahalahy sy anabavy. Tsapanay fa vao mainka nila nampitombo ny fanompoanay izahay, anisan’izany ny fitoriana teny an-dalana, satria izay no fomba tsara indrindra hiatrehana an’ilay fanaratsiana. Nahafinaritra fa vao mainka nafana fo ny Vavolombelona maro.”
Nanakiana ny fomba itondrantsika an’ireo voaroaka ny fampahalalam-baovao. Hafa mihitsy anefa ny hevitr’i Fred, izay efa voaroaka taloha. Hoy izy: “Voaroaka aho tamin’izaho 20 taona, ka nandinika ny fiainako. Marina fa mafy ilay fandroahana, nefa nisy vokany tsara tamiko. Hoatran’ny niteny tamiko mihitsy i Jehovah hoe: ‘Mila miarina ianao anaka! Mila miova ianao, fa raha tsy izany dia ho ratsy fiafara.’ Tena nilaina ilay fandroahana, satria izany no nampiova ahy. Lasa modely ho ahy koa ny namako sasany. Nanjary nandray am-po ny fahamarinana aho, fa tsy variana tamin’ny fahafinaretana intsony.” Soa ihany fa nibebaka i Fred, ka nanova ny fomba fiainany, ary voaray indray. Anti-panahy izy izao.
“VONONA HIATRIKA NY ANDRON’I JEHOVAH”
Mihamahazo vahana izao ny fitiavan-karena ary mihamaro ny olona tsy mandray rehefa itoriana. Amin’ny mpanompon’i Jehovah kosa, dia izay hanatanjahana ny finoany no tena zava-dehibe, toy ny mamaky Baiboly isan’andro sy ny mivory. Mihamaro ny
mpitory manao mpisava lalana maharitra. Maro no miombon-kevitra amin’ny rahalahy iray, izay nilaza hoe: “Raha tsy vonona hiatrika ny andron’i Jehovah aho rahampitso, dia tsy ho vonona mihitsy aho rehefa tonga tokoa izy io. Tsy maintsy mandroso foana isika. Tsy maintsy ho avy mantsy izy io.” Azo antoka fa izany toe-tsaina izany no nahatonga an’ilay fitomboana nisesisesy, nanomboka tamin’ny 2001.Tena nanome hery vao an’ireo fiangonana ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana (na Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo). Rahalahy maro no nahazo fampiofanana tsara, tamin’izy io. Hoy ny anankiray: “Nazava tamiko kokoa ny fahamarinana, rehefa nandalina ny Baiboly tao anatin’ny roa volana. Lasa tena velona ato an-tsaiko ny zavatra rehetra resahin’ny Baiboly!” Rahalahy 60 mahery no nahavita an’io sekoly io, nandritra ireo 20 taona lasa. Nampahery ny fiangonana izy ireo, sady nandrisika an’ireo mpitory hampitombo ny fanompoany.
NOTEZAINA TAO AMIN’NY FAHAMARINANA
Maro amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah vita batisa no notezaina tao amin’ny fahamarinana. Ny sasany aza efa Vavolombelona hatrany amin’ny dadaben’ny dadabeny! Hoy i Ivan Gåsodden, zafiafin’i Ingebret Andersen, ilay Mpianatra ny Baiboly voalohany tao Skien: “Imbetsaka aho no nahatsapa hoe sambatra satria teraka teo anivon’ny fianakaviana tena tia an’i Jehovah. Lasa niandany tamin’ny fahamarinana koa aho rehefa nianatra samirery, sy namaky Baiboly tsy tapaka, ary nanana namana nitovy tanjona tamiko.” Tsapan’i André sy Richard zanak’i Ivan koa fa sarobidy ny lova ara-panahy ananan’izy ireo.
Hoy ilay mpisava lalana atao hoe Bente Bu, zafikelin’i Magnus Randal, ilay nampiasa ny sambo Ruth: “Faly aho fa teraka tao amin’ny fahamarinana. Efa hatrany amin’ny dadako sy ny dadabeko mantsy no Vavolombelona, ary niaro ahy tamin’ny loza maro izany. Tiako ny hampiasa ny fiainako mba hanampiana ny hafa.”
Tsy tena tia fahamarinana ny tanora sasany, nefa lasa Vavolombelona nafana fo tatỳ aoriana. Notezaina tao amin’ny fahamarinana, ohatra, i Thomas sy Serine Fauskanger, avy any Bergen. Tsy nandroso firy anefa izy ireo. Inona no nampiova azy?
Hoy i Thomas: “Nisy rahalahy efa nanao Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana tonga tao amin’ny fiangonanay, tamin’ny 2002. Nampiany aho mba hazoto manompo sy hanana tanjona ara-panahy.”
Nanambady an’i Serine i Thomas, tamin’izy 25 taona. Nifindra tany Båtsfjord any Finnmark izy ireo tamin’ny 2007, mba hanampy an’ilay mpivady mpisava lalana tany. Tsy ela dia lasa mpisava lalana koa i Thomas sy Serine. Nanompo telo volana tao Kjøllefjord izy ireo, tamin’ny 2009. Tanàna fonenan’ny mpanjono izy io, ary mbola tsy nisy nitory mihitsy. Nahazo fampianarana 30 mahery izy mivady sy ireo mpitory vitsivitsy niaraka taminy. Nipetraka tany akaikin’ilay faritany mihitsy i Thomas sy Serine, tatỳ aoriana, mba hanampy an’ireo olona liana. Tsy maintsy mandeha fiara adiny fito mandroso sy miverina izy ireo izao, rehefa manompo. Be atao izy ireo, nefa hoy i Serine: “Tsotra izao ny fiainanay, fa sambatra izahay. Tsy manan-javatra firy izahay, ary tsy manana olana firy koa.”
MIBANJINA NY HOAVY SADY MITOKY AMIN’I JEHOVAH
Niova be ny fiainana teto Norvezy, hatramin’ny nahatongavan’i Knud Hammer, ilay Mpianatra ny Baiboly voalohany teto. Niavaka be ny mpanompon’i Jehovah, tamin’ny voalohany, satria nampianatra ny fahamarinana, nefa ireo fivavahana lehibe nampiely fampianaran-diso. Olona tso-po sesehena àry no faly rehefa nianatra Baiboly sady vonona ny hiandany tamin’ny fivavahana marina.
Izao kosa efa tsy dia tia fivavahana intsony ny olona. Lasa vitsy no mino an’Andriamanitra. Tsy eken’ny sain’ny olona koa hoe iray ihany ny fivavahana marina. Mila manam-paharetana sy miezaka mafy ianao vao mahavita manampy olona hino an’Andriamanitra sy ny Baiboly. Mbola elaela koa aza izy ireny vao mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Hita foana anefa hoe mbola mitaona ny olona tso-po i Jehovah, na any amin’ny tanànan’ny mpanjono mitokana be izany, na ao amin’ny trano mijoalajoala any an-tanàn-dehibe.—Jaona 6:44.
Toy ny any an-tany hafa ihany ireo Vavolombelona eto Norvezy, ka raisiny ho voninahitra lehibe ny ‘manao fanompoana masina tsy amin-tahotra’ ho an’i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony. (Lioka 1:74) Mahatonga azy ireo haka sary an-tsaina ny paradisa ilay faritany midadasika itorian’izy ireo. Sady mitady olona liana izy ireo no misaintsaina ilay fiainana kanto sy mahavariana hanjakan’ny fiadanana, izay nampanantenain’ny Mpamorona. Tsy andrin’ireo mpanompon’i Jehovah eto Norvezy sy ireo Vavolombelona eran-tany ny hahatongavan’ny andro hanatanterahan’ilay Fanjakana ny sitrapon’i Jehovah, any amin’ny tany rehetra.—Dan. 2:44; Mat. 6:10.
[Teny notsongaina, pejy 106]
Tsy nahasakana azy izany fa nandeha nivory tsy nikiraro izy!
[Teny notsongaina, pejy 111]
“Pentekotista aho tamin’izaho handeha hatory, fa Vavolombelon’i Jehovah aho rehefa nifoha!”
[Teny notsongaina, pejy 122]
“Tsy ho vitanay mihitsy ny hampiala anareo amin’ny finoanareo”
[Teny notsongaina, pejy 157]
‘Mila miarina ianao anaka! Mila miova ianao, fa raha tsy izany dia ho ratsy fiafara’
[Efajoro/Sary, pejy 90]
Indray Mitopy Maso An’i Norvezy
Ilay Tany
Mampahalaza an’i Norvezy ireo helodranomasina mahafinaritra sy ireo tendrombohitra mahavariana ary ireo nosy an’arivony. Efatra ampahadimin’i Madagasikara ny velarany. Tokony hangatsiaka be any satria akaikin’ny Tendrontany Avaratra. Mafana kokoa anefa i Norvezy noho ny firenena hafa amin’iny faritra iny, satria misy an’ireo rano sy rivotra mafana avy any amin’ny Ranomasimbe Atlantika.
Mponina
Misy dimy tapitrisa ny mponina eto. Ny 10 isan-jaton’ireo ihany no vahiny mifindra monina. Eo koa ny Sami (nantsoina hoe Lapps taloha), izay mbola mivelona amin’ny jono, fihazana, famandrihana biby, ary ny fiompiana serfa.
Fiteny
Ny teny norvezianina no fiteny ofisialy. Misy karazany roa io fiteny io rehefa soratana. Voalohany, ny bokmål, izay fampiasa rehefa manoratra boky. Io no tena mahazatra, sady mitovy be amin’ny teny danoà. Faharoa, ny nynorsk, na teny norvezianina nohavaozina.
Fivelomana
Ny famokarana solika sy gazy no tena fidiram-bolan’i Norvezy. Eo koa ireo orinasa isan-karazany. Ny trondro no tena betsaka amin’ireo zavatra aondrana any ivelany. Ny 3 isan-jaton’ny velaran-tanin’i Norvezy ihany no ambolena.
Sakafo
Ireto no tena fihinan’ny Norvezianina: Trondro, hena, ovy, mofo, ary sakafo avy amin’ny ronono. Anisan’ny mampiavaka azy ireo ny fårikål, izay tsy inona fa ondry tanehina miaraka amin’ny laisoa. Lasa mankafy sakafo avy any an-tany hafa anefa izy ireo izao, satria mihamaro ny vahiny manorim-ponenana eto.
[Efajoro/Sary, pejy 95, 96]
Nikely Aina Tamin’ny Fanompoana An’i Jehovah Izy
THEODOR SIMONSEN
TERAKA 1864
LASA MPIANATRA NY BAIBOLY 1905
TANTARANY Pasitera taloha. Lasa mpiandraikitra ny faritra tatỳ aoriana.
◼ HITAN’I Theodor tao amin’ny bokintsika fa tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ny fampianarana momba ny afobe. Nohazavainy tao amin’ny toriteniny àry fa diso io fampianarana io. Faly ny mpanatrika maro noho izany. Rehefa avy nanao toriteny anefa izy, indray andro, dia nahazo taratasy nisy soratra hoe: “Iny no toriteninao farany eto amin’ity fiangonana ity!”
Tamin’ny 1905 no nitrangan’izany. Lasa Mpianatra ny Baiboly àry i Theodor, tamin’io taona io. Nanao lahateny be dia be izy, ary an-jatony no nihaino azy. Nandoko trano izy, mba hamelomany ny vady aman-janany. Nitory sy nampianatra kosa izy rehefa faran’ny herinandro. Nahita vokatra izy, satria nahay Baiboly sady nahay nanaporofo hevitra. Izy koa moa nalemy fanahy. Tena tsara feo i Theodor, ka mazàna no natombony sy nofaranany tamin’ny hira ny lahateniny, sady nitendry valiha vata izy.
Lasa mpiandraikitra ny faritra izy tamin’ny 1919 ka hatramin’ny 1935. Nitsidika fiangonana teto Norvezy sy tany Soeda ary Danemark izy. Tena nandreraka ilay asa, satria tsy vitan’ny hoe nampahery an’ireo fiangonana sy
antoko-mpitory izy, fa mbola nanao lahateny tao amin’ireo tanàna tsy nisy Mpianatra ny Baiboly koa. Tanàna 190, ohatra, no notsidihiny indray taona, teo anelanelan’i Kristiansand, tany atsimo, sy Tromsø, tany avaratra. Mijanona iray na roa andro amin’ny toerana iray ny mpiandraikitra tamin’izany, ary avy eo mankany an-toeran-kafa, ka izay fitaovam-pitaterana misy no andehanana.Vitsy ihany ny toerana nisy mpitory tamin’ireo faritra notsidihiny, nefa maro ny olona liana tonga nihaino ny lahateniny. Nitsidika an’i Bodø izy tamin’ny 1922, ary sendra tao koa i Anna Andersen, izay mpisava lalana. Niaraka nitory sy nanasa olona hanatrika lahateny izy mianadahy. Anisan’ireo nanatrika izany i Johan sy Olea Berntsen. Tena liana izy ireo, ka nasainy ho any an-trano i Theodor sy Anna mba hamaly ny fanontaniany. Izy mivady no lasa Mpianatra ny Baiboly voalohany tao Bodø.
Lahateny nataon’i Theodor ny ankamaroan’ireo lahateny nalefa tamin’ny grafofaonina, tamin’ny 1930 ka hatramin’ny 1940. Tsy nivadika izy mandra-pahavitan’ny fanompoany teto an-tany, tamin’ny 1955.
[Efajoro/Sary, pejy 102]
‘Niara-nandeha Tamin’Andriamanitra’ Izy
ENOK ÖMAN
TERAKA 1880
BATISA 1911
TANTARANY Mpiandraikitra ny sampana tamin’ny 1921 ka hatramin’ny 1945.
◼ TAMIN’I Enok mbola kely no nandre voalohany ilay fitantaran’ny Baiboly hoe “niara-nandeha foana tamin’ilay tena Andriamanitra” i Enoka. (Gen. 5:22) Tena tiany ilay tantara, ka mba te hanahaka an’io olona nitovy anarana taminy io izy. Tamin’izy 31 taona anefa vao fantany ny dikan’ny hoe miara-mandeha amin’Andriamanitra. Tamin’izay izy no namaky ny boky voalohany tamin’ny Fianarana ny Soratra Masina. Natao batisa izy ka lasa Mpianatra ny Baiboly, ary nanomboka ny asan’ny mpisava lalana. Nanompo tao amin’ny sampan’i Soeda izy, tatỳ aoriana.
Voatendry hanompo tatỳ amin’ny sampan’i Norvezy i Enok, tamin’ny 1917, ary nasaina niandraikitra ny asa teto nanomboka tamin’ny 1921. Nanana efitra maromaro sy toerana fanatsaram-bika ny Anabavy Maria Dreyer, tao amin’ny tranobe iray. Nanome efitra iray izy, mba hatao biraon’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. I Enok irery no niasa tao tamin’ny voalohany. Nivady anefa izy sy Maria, tamin’ny 1922, ary natao Betela ny rihana iray manontolo. Niara-niasa tao amin’ny Betela izy mivady, mandra-pahafatin’i Maria tamin’ny 1944. Nanambady indray i Enok tamin’ny 1953, ary nanao mpisava lalana. Sarobidy taminy foana ny fanantenany ho any an-danitra. Nanampy azy tsy hivadika sy ‘hiara-mandeha amin’Andriamanitra’ izany, mandra-pahafatiny tamin’ny 1975.
[Efajoro/Sary, pejy 110]
“Olona Nafana Fo sy Nampahery”
WILHELM UHRE
TERAKA 1901
BATISA 1949
TANTARANY Malemy tongotra nefa nazoto nitory foana.
◼ VOAN’NY aretin-kozatra i Wilhelm, ka lasa nalemy sy tsy nahay niteny tsara intsony. Raha vao nandre ny vaovao tsara anefa izy tamin’ny 1935 tany ho any, dia nitory avy hatrany. Nanana môtô kely nisy kodiarana telo izy, ka iny no nentiny nitory. Nandeha tsy tapaka teny amin’ny seranan’i Sortland, any Vesterålen, izy mba handefa lahateny ara-baiboly amin’ny grafofaonina sady nametraka boky sy gazety. Tamin’ny 1949 i Wilhelm vao natao batisa noho izy kilemaina, sady tsy nisy Vavolombelona ny tanàna nipetrahany. Nazoto nitory foana anefa izy. Mpanao dia lavitra maro no nandre ny vaovao tsara noho ny fitoriana nataony, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah ny sasany tamin’ireny.
Nipetraka tamin’ny trano fitaizana be antitra tany Tromsø i Wilhelm, rehefa nandroso taona. Mbola afaka nitory an-taratasy izy, noho ny fanampian’ny mpitory hafa. Olona nahafinaritra sy tsara toetra izy, ka tena nampahery ny hafa, anisan’izany ireo mpiasa tao amin’ilay trano fitaizana be antitra. Hoy ny tompon’andraikitra tao, rehefa maty izy: “Tena tiako ny nankao amin’ny efitra nisy azy. Olona nafana fo sy nampahery ny hafa izy, ary ny finoany no nahatonga izany.”
[Efajoro/Sary, pejy 113]
Nitana ny Teniny Izy
JOHANNES KÅRSTAD
TERAKA 1903
BATISA 1931
TANTARANY Mpisava lalana nampiasa ny sambon’ny fandaminana nandritra ny valo taona.
◼ Niditra hopitaly i Johannes tamin’ny 1929, satria voan’ny tioberkilaozy. Nanomboka namaky Baiboly izy, ary nivoady tamin’Andriamanitra fa hanompo azy raha sitrana soa aman-tsara.
Nivoaka hopitaly tokoa izy. Efa namaky ny bokin’ny Mpianatra ny Baiboly izy tamin’izany. Tena nahaliana azy ny zavatra novakiny. Nahazo boky hafa koa izy tatỳ aoriana, ary naveriny inefatra na indimy avy ny boky tsirairay. Tsy ela dia nanomboka nitory izy. Nankany Bergen izy rehefa sitrana tanteraka, ary nankao amin’ny Rahalahy Ringereide. Nasain’ilay rahalahy nanao mpisava lalana izy. Nanao tokoa izy, na dia vao haingana aza no lasa mpitory.
Nanompo teny ambonin’ny sambo Ester izy, tamin’ny 1931 ka hatramin’ny 1938. Tao amin’ny sambo Ruth indray izy no nanompo, nandritra ny herintaona teo ho eo, ary nanaraka ny morontsiraka hatrany Tromsø, any avaratra. Lasa mpiandraikitra mpitety faritany tany amin’ny faritra atsinanan’i Norvezy izy, tamin’ny 1939, sady niasa tapa-potoana tao amin’ny Betela. Nivady izy sy Sigrid, taorian’ny Ady Lehibe II, ary niara-nanao mpisava lalana. Maty tany Fredrikstad izy tamin’ny 1995. Vitany soa aman-tsara ny fanompoany teto an-tany.
[Efajoro/Sary, pejy 132]
Afaka Mitory Raha Tsy Misy Fiakarana
RANDI HUSBY
TERAKA 1922
BATISA 1946
TANTARANY Nanompo manontolo andro efa hatramin’ny 1946.
◼ LASA Vavolombelona vita batisa ny ray aman-drenin’i Randi tamin’ny 1938. Nandray am-po ny fahamarinana koa i Randi, ary lasa Betelita tamin’ny 1946. Nihaona tamin’i Kjell Husby izy tao amin’ny Betela. Nifankatia izy ireo ka nivady, ary nanao mpisava lalana. Faly izy ireo niara-nanao fanompoana manontolo andro isan-karazany, mandra-pahafatin’i Kjell tamin’ny 2010.
Lasa narary tongotra i Randi, ka tsy afaka miakatra tohatra na mandeha amin’ny toerana misolampy intsony. Afaka mandeha ihany anefa izy rehefa tsy misy fiakarana. Mitory eny amin’ny arabe na fivarotana àry no matetika ahitana azy ao Trondheim. Mitondra boky na gazety amin’ny fiteny tsy latsaka ny valo izy, mba hitoriana amin’izay olona hitany. Manatitra azy amin’ny fiara koa ireo namany eo anivon’ny fiangonana, rehefa hankany amin’ny olona fanaterany gazety izy.
Efa mihaosa izao i Randi ka tsy afaka manompo be intsony. Faly sy afa-po foana anefa izy satria manompo amin’ny fo manontolo. Fantany fa i Jehovah tsy mba ‘hanadino izay nataony sy ny fitiavana nasehony ho an’ny anarany.’—Heb. 6:10.
[Efajoro/Sary, pejy 149]
Nampiova Azy ny Tenin’Andriamanitra
VIKTOR UGLEBAKKEN
TERAKA 1953
BATISA 1981
TANTARANY Jiolahy taloha, sady nifandray tamin’ny demonia sy nidoroka zava-mahadomelina.
◼ EFA hatramin’ny fahatanorany i Viktor no nidoroka zava-mahadomelina, ary lasa jiolahy. Nankaleo azy anefa ny fiainany, ka nanontany tena izy hoe afaka manampy azy ve ny Tenin’Andriamanitra. Izy rahateo efa liana tamin’ny Baiboly. Nitety fivavahana àry izy tamin’ny 1979, saingy diso fanantenana fotsiny.
Namoy fo izy, ka nieritreritra hamono tena. Nanoratra ho azy anefa ny havany iray tany Bergen, izay nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nankany Bergen àry i Viktor, ka nanatrika ilay fianarana. Niezaka nanaporofo izy hoe diso ny Vavolombelona. Nampalahelo azy anefa ny fahasimban’ny tontolo iainana, ka faly izy nandre hoe ‘handringana an’izay manimba ny tany’ Andriamanitra, ary hanova ny tany ho paradisa.—Apok. 11:18.
Tonga dia nivory i Viktor, niaraka tamin’ilay havany. Nalemy fanahy sy nandray azy tsara ireo rahalahy tao amin’ny Efitrano Fanjakana, sady nampandroso azy tany an-trano. Nanohina ny fony izany. Resy lahatra àry izy, ka vonona hiova sy hiala amin’ny zava-mahadomelina. Niezaka mafy sy nivavaka foana izy, ka nandresy noho ny herin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahy masina.—Lioka 11:9, 13; Heb. 4:12.
Sal. 103:13) Nandroso foana i Viktor, ka natao batisa tamin’ny 1981. Mbola nigadra izy noho ny zavatra nataony taloha, nefa vao tafavoaka izy dia nanao mpisava lalana. Tena faly izy nanampy olona maro ho lasa mpanompon’i Jehovah. Ny mitory amin’ny voafonja no tena manavanana azy, ka efa voafonja roa izay no nampiany ho lasa Vavolombelona.
Niady mafy i Viktor vao vita batisa. Indroa niverina nampiasa zava-mahadomelina izy, sady nampahorian’ny demonia. Tsy afaka tamin’ireo izy raha tsy noho ny fanampian’i Jehovah. Nisy anti-panahy koa nanome toky azy hoe: “Toy ny iantran’ny ray ny zanany no iantran’i Jehovah an’izay matahotra azy.” (Raim-pianakaviana tena azo ianteherana izao i Viktor sady anti-panahy. Samy mpisava lalana izy sy Tone vadiny ary ny zanany lahy. Hoy izy: “Anisan’ny tena nampiova ahy ny fanompoana. Tena mankasitraka an’i Jehovah aho satria avelany hizara harena ara-panahy ho an’ny hafa.”
[Efajoro/Sary, pejy 152]
Tsara Kokoa Noho ny Baolina Kitra
TOM FRISVOLD
TERAKA 1962
BATISA 1983
TANTARANY Mpilalao baolina naniry hanompo an’i Jehovah.
◼ NILALAO tamina ekipa faran’izay nahay teto Norvezy i Tom, tamin’izy 20 taona. Tokony halaza sy hahazo vola be izy raha nanohy. Efa Vavolombelon’i Jehovah anefa ny reniny tamin’izany. Nanasa an’i Tom hianatra Baiboly àry ny mpisava lalana iray. Nanaiky izy, saingy niteny hoe tsy te ho lasa Vavolombelona.
Nanomboka nivory i Tom, ary tena nandray azy tsara ireo rahalahy ka nanohina ny fony izany. Hitany koa fa manaraka ao amin’ny Baiboly ny rehetra rehefa misy andininy vakina. “Mino aho”, hoy izy, “fa ny Baiboly no mahatonga an’ireto olona ireto ho tsara fanahy.”
Niaiky i Tom fa nahita ny fahamarinana, ka naniry hanompo an’i Jehovah. Ahoana àry no hialany amin’ny ekipany, nefa izy anisan’ny mpilalao tena nahay? Nohazavainy tamin’ireo tompon’andraikitra hoe tiany hampiasaina amin-javatra tsara kokoa noho ny baolina kitra ny fiainany. Nahagaga fa nanaiky izy ireo ka nofoanana ilay fifanarahana efa nataony.
Natao batisa i Tom tamin’ny 1983, ary lasa mpisava lalana tamin’ny 1985. Nifindra tany Hammerfest niaraka tamin’i Viktor Uglebakken izy tamin’ny 1987, satria nila mpitory maro kokoa tany. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra i Tom tatỳ aoriana. Manompo ao amin’ny Betela izao izy sy Kristina vadiny.
[Tabilao/Sary, pejy 162, 163]
TAONA MANAN-TANTARA—Norvezy
1890
1892 Nanomboka nitory teto Norvezy i Knud Hammer.
1900
1900 Niorina ny fiangonana voalohany.
1904 Nasiana birao tao Kristiania (Oslo).
1905 Nisy fivoriambe voalohany teto, natao tao Kristiania.
1909 sy 1911 Tonga teto i Charles Russell.
1910
1914 Notendrena ny mpiandraikitra mpitety faritany voalohany.
1914-1915 Maro be no nijery ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.”
1920
1920-1925 Natao ilay lahateny hoe “Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy!”
1925 Navoaka tamin’ny teny norvezianina ny Fotoam-pahasambarana (Mifohaza!).
1928-1940 Nampiasaina tamin’ny fitoriana ny sambo.
1930
1940
1940-1945 Nitohy ny fitoriana nandritra ny ady.
1945 Navoaka tamin’ny teny norvezianina Ny Tilikambo Fiambenana.
1948 Tonga ny misioneran’i Gileada voalohany.
1950
1950 Namoaka didy ny Fitsarana Tampony hoe zon’ny Vavolombelona ny mitory sy mizara boky.
1960
1965 Nisy fivoriambe iraisam-pirenena tao Oslo.
1970
1980
1984 Notokanana ny biraon’ny sampana vaovao.
1990
1990 Notendrena ireo Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly.
1994 Notokanana ilay Efitrano Fivoriambe tao Oslo.
1996 Navoaka tamin’ny teny norvezianina ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
2000
2010
2011 Nisy tampon’isa ny mpisava lalana mpanampy sy maharitra, mpitory, ary mpanatrika Fahatsiarovana.
[Tabilao/Sary, pejy 159]
(Jereo ny boky)
Mpitory
Mpisava Lalana
10,000
8,000
6,000
4,000
2,000
1920 1935 1950 1965 1980 1995 2010
[Sarintany, pejy 91]
(Jereo ny boky)
SOEDA
STOCKHOLM
Örebro
Hoalan’i Botnie
FAILANDY
HELSINKI
Hoalan’i Failandy
RANOMASINA BALTIKA
DANEMARK
COPENHAGUE
NORVEZY
OSLO
Kjøllefjord
Båtsfjord
Vardø
Kirkenes
Karasjok
Hammerfest
Alta
Finnmarksvidda
Kautokeino
Tromsø
Harstad
Narvik
Sortland
Hennes
Svolvær
Bodø
Rørvik
Namsos
Steinkjer
Trondheim
Kristiansund
Måløy
Florø
Bergen
Haugesund
Stavanger
Egersund
Kristiansand
Arendal
Skien
Kongsberg
Drammen
Hønefoss
Gjøvik
Lillehammer
Brumunddal
Hamar
Kongsvinger
Ski
Askim
Moss
Halden
Fredrikstad
Helodranomasin’i Oslo
RANOMASINA AVARATRA
RANOMASIN’I NORVEZY
Nosy Andøya
Bleik
Vondronosy Svalbard
Longyearbyen
FARITRA
Finnmark
Troms
Telemark
Vestfold
[Sary, pejy 88]
Knud Hammer
[Sary, pejy 88, 89]
Reine, faritra avaratr’i Norvezy
[Sary, pejy 92]
Ny Fiangonana Skien tamin’ny 1911, miaraka amin’i Ingebret sy Berthe Andersen
[Sary, pejy 93]
Viktor Feldt
[Sary, pejy 94]
Hallgerd Holm (1), sy Theodor Simonsen (2), ary Lotte Holm (3)
[Sary, pejy 98]
Ireo mpisava lalana voalohany: 1) Helga Hess, 2) Andreas Øiseth, 3) Karl Gunberg, 4) Hulda Andersen, ary 5) Anna Andersen
[Sary, pejy 100]
“Polipitran’ny Vahoaka”
[Sary, pejy 104]
“Fotoam-pahasambarana” amin’ny teny norvezianina
[Sary, pejy 106]
Even Gundersrud
[Sary, pejy 107]
Matetika ny Fiangonana Skien no nandeha kamiao rehefa hitory any amin’ireo tanàna manodidina
[Sary, pejy 108]
Torkel Ringereide
[Sary, pejy 109]
Olaf Skau
[Sary, pejy 114]
Karl Gunberg, kapitenin’ny sambo “Elihu”
[Sary, pejy 115]
Johannes Kårstad, kapitenin’ny sambo “Ester”
[Sary, pejy 116]
Andreas Hope sy Magnus Randal, nampiasa ny sambo “Ruth”
[Sary, pejy 117]
Ilay hazavana hafakely any avaratra
[Sary, pejy 118]
Solveig Løvås
[Sary, pejy 119]
Andreas sy Sigrid Kvinge
[Sary, pejy 124]
Fivoriambe tany anaty ala, akaikin’i Ski
[Sary, pejy 127]
Marvin Anderson sy Karen vadiny
[Sary, pejy 128]
Ilay milina fanontam-pirinty voizina amin’ny tongotra
[Sary, pejy 129]
Fivoriambe tao Bergen, 1946
[Sary, pejy 130]
Svanhild Neraal, 1961
[Sary, pejy 133]
Nampiasaina matetika teny amin’ny fanompoana ny sambon’i Arnulf
[Sary, pejy 135]
Gunnar Marcussen (1) sy Hans Hemstad (2), Norvezianina voalohany lasa misioneran’i Gileada
[Sary, pejy 138]
Tranolay tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena “Tenin’ny Fahamarinana”
[Sary, pejy 139]
Paul Bruun
[Sary, pejy 142]
Mandeha môtô fitondra amin’ny lanezy ry Hartvig Mienna, rehefa hitory amin’ny Sami
[Sary, pejy 144]
Nanomboka ny fanorenana ny sampana, tamin’ny 1981
[Sary, pejy 145]
Biraon’ny sampana ankehitriny
[Sary, pejy 147]
Efitrano Fivoriambe ao Oslo
[Sary, pejy 160]
Fianakaviana maro no nazoto niara-nianatra Baiboly, ka lasa tia an’i Jehovah koa ny taranany atỳ aoriana