Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rwanda

Rwanda

Rwanda

FIRENENA kely anisan’ny kanto indrindra eto Afrika i Rwanda. Antsoina hoe Tanin’ny Havoana Arivo izy io, satria be tendrombohitra. Rakotra ala koa i Rwanda, sady misy farihy sy riandrano, ary biby sy zavamaniry maro karazana. Ny Repoblika Demokratikan’i Congo * no eo andrefany, ary Ogandà no eo avaratra. Manasaraka azy telo ireo ilay tandavan-tendrombohitra manerinerina atao hoe Virunga. Ny Tendrombohitra Karisimbi, izay mirefy 4 480 metatra, no avo indrindra amin’izy io. Misy volkano ilay izy, saingy efa ela izy io no tsy nihetsika. Fotsy be ny tampony, satria misy oram-panala sy havandra matetika. Volotsangana sy ala matevina kosa no etỳ ambany. Mbola hita ao ireo gidro mivolombolamena efa atahorana ho lany tamingana. Tsy sahirana akory izy ireo misavilivily amin’ireo sampan-kazo sy vahy. Ny tena mampiavaka an’io faritra io anefa dia ny rajako be mipetraka an-tendrombohitra, izay mampahalaza an’i Rwanda.

Betsaka ny zavamaniry tsy fahita firy. Feno zava-maitso izay jerena, hatreny amoron’ny Farihin’i Kivu sy ny Alan’i Nyungwe. Ahitana rajako maro be ao, ary koa gidro miloko fotsy sy mainty, mbamin’ny biby mampinono misy karazany 70 mahery. Mahatratra 270 eo ho eo ny karazan-kazo ary efa ho 300 ny karazam-borona. Maro be koa ny lolo sy orkide, ka manome endrika an’ilay ala, izay natao faritra voaro.

Misy sakelidrano kely avy ao afovoan’ny Alan’i Nyungwe. Mandeha tsikelikely miantsinanana izy io ka mitambatra amin’ny sampan-drano hafa, ary mivarina ao amin’ny Farihin’i Victoria. Mihamahery vaika ilay izy avy eo, ka mianavaratra mamakivaky an’i Etiopia sy Soudan, mandra-pahatonga any Ejipta. Mivarina ao amin’ny Ranomasina Mediterane izy amin’ny farany. Io sakelidrano kely miainga ao afovoan’i Afrika io no lasa anisan’ny renirano lava indrindra eran-tany, antsoina hoe Reniranon’i Nil, izay mirefy 6 825 kilaometatra.

TANTARA MAMPAHONENA

Mampalahelo anefa ny tantaran’ilay firenena kely. Ana hetsiny no novonoina tsy nisy antra, na lahy na vavy na ankizy aza. Navoakan’ny fampitam-baovao eran-tany ny habibiana nitranga tamin’izany, ka maro no nihoron-koditra satria olombelona ihany no nahavita an’ilay izy. (Mpito. 8:9) Iny no anisan’ny fandripahana foko nahatsiravina indrindra, amin’ny androntsika.

Nanao ahoana ny mpanompon’i Jehovah, tamin’izany fotoana izany? Hoatran’ilay loharano kely tao amin’ny Alan’i Nyungwe izy ireo. Nandresy vato misakana maro ilay sakelidrano ka lasa renirano mahery, na teo aza ny hafanana mivaivay. Toy izany koa ny vahoakan’i Jehovah eto Rwanda. Tsy nivadika izy ireo na dia nenjehina sy niaritra ny mafy aza, ka tena mampahery an’ireo rahalahiny sy anabaviny eran-tany. Hanohina ny fonao ny tantaran’i Rwanda. Ho hitanao izany atao hoe tena fitiavana sy finoana ary tsy fivadihana izany. Mino izahay fa vao mainka ho sarobidy aminao ny fifandraisanao amin’i Jehovah sy ireo rahalahinao eran-tany.

FITORIANA TAMIN’NY VOALOHANY

Tao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1971 no nisy tatitra voalohany momba an’i Rwanda. Izao no voalaza tao: “Afaka niditra tany Rwanda ny mpisava lalana manokana roa tamin’ny Martsa [1970], ka nitory tao Kigali renivohitra. Nandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona, ary efa nisy olona liana iray lasa mpitory. Teny swahili no hain’ireo mpisava lalana, ary vitsy no mahay azy io any. Efa misy folo anefa izao no mianatra Baiboly. Miezaka mafy mianatra teny kinyarwanda ireo mpisava lalana mba hitoriana amin’olona maro kokoa.”

I Oden sy Enea Mwaisoba, avy any Tanzania, ireo mpisava lalana manokana ireo. Tsy nahay teny kinyarwanda izy ireo, ka izay olona niteny swahili avy any Congo na Tanzania no nitoriany. Mpitory efatra no namerina tatitra tamin’ny Febroary 1971. Mbola tsy nisy boky tamin’ny teny kinyarwanda tamin’izany. Tsy nandroso loatra koa ny fitoriana, satria tsy nahay ny fitenin’ny olona ireo mpitory.

Mpiandraikitra ny faritra be herim-po i Stanley Makumba, ary nanompo tany Kenya. Izy no nitsidika voalohany teto Rwanda tamin’ny 1974. Hoy izy: “Vitsy ny bisy niala teo amin’ny sisin-tanin’i Ogandà nankany Ruhengeri, any Rwanda. Kamiao àry no nandehananay. Ny vadiko nipetraka tany aloha, fa izaho kosa nitsangana tany aoriana, sady tsy nisy nihetsehana mihitsy. Saika tsy fantatry ny vadiko aho rehefa tonga, satria feno vovoka ny tarehiko sy ny voloko. Narary be ny lamosiko vokatr’ilay dia, ka tsy maintsy nipetraka aho rehefa nanao lahateny nandritra ny fitsidihana sy tany amin’ny fivoriamben’ny faritra. Tsy afaka nanome daty raikitra koa aho rehefa hitsidika, satria tsy azo antoka ny fitaterana!”

NODY AN-TANINDRAZANA

Teratany avy eto Rwanda ny Rahalahy Gaspard Rwakabubu, saingy niasa tao amin’ny fitrandrahana varahina tany Congo. Hoy izy: “Nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana tany Kolwezi aho tamin’ny 1974. Nilaza i Michael Pottage, anisan’ny mpampianatra, fa nitady anti-panahy avy atỳ Rwanda ny sampana tao Kinshasa mba hanampy amin’ny fitoriana atỳ. Vonona ve, hono, aho? Nolazaiko taminy fa mbola hiresaka amin’i Melanie vadiko aho aloha.

“Vao saika halefan’ny talenay hiofana any Alemaina aho tamin’izay. Niakatra foana koa ny karamako, satria niasa tsara aho. Tsy nieritreritra ela be anefa izahay. Afaka andro vitsivitsy dia nilaza tamin’ny Rahalahy Pottage aho fa hiverina atỳ Rwanda. Tsy nampoizin’ilay talenay izany. Hoy izy: ‘Fa angaha ianao tsy afaka manao Vavolombelon’i Jehovah eto ihany? Fa maninona ianao no tsy maintsy miverina any Rwanda?’ Na ny rahalahy sasany aza nandresy lahatra ahy hoe: ‘Efatra ange ny zanakao e! Vakio aloha ny Lioka 14:28-30, ary mipetraha dia mandiniha tsara!’ Efa tapa-kevitra anefa izahay.

“Nandeha fiaramanidina izahay, ary ilay tale no nandoa ny saran-dalanay rehetra. Tonga teto Kigali izahay, tamin’ny Mey 1975. Trano biriky tsy nisy gorodona no nohofanay. Ratsy aloha ilay izy e, tsy hoatran’ilay trano arifomba nisy anay taloha. Efa niomana anefa izahay, sady natoky hoe hahomby.”

Maro no nihevitra fa tonga hampianatra teny swahili ireo mpisava lalana manokana. Io mantsy no fiteny hainy, sady ry zareo koa vahiny. Niova anefa izany rehefa tonga ry Gaspard mianakavy. Afaka nampita ny fahamarinana momba ilay Fanjakana izy ireo, ary nampiasa Baiboly tamin’ny teny kinyarwanda.

Ankoatra izany, dia nadikan’ny Rahalahy Rwakabubu tamin’ny teny kinyarwanda ilay bokikely 32 pejy hoe “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity.” Nivoaka tamin’ny 1976 izy io, ary tena nahaliana ny olona. Betsaka no namaky azy io teny ambony bisy sy teny an-dalana. Nampiasaina tao ny anarana hoe Jehovah, ka maro no niresaka momba izany.

MARO NO NANAIKY NY FAHAMARINANA

Tsy nisy afa-tsy mpitory 11 teto tamin’izany, nefa vahiny ny ankamaroany. I Justin Rwagatore no anisan’ny teratany voalohany lasa mpitory. Rahalahy sariaka sy tia mifandray amin’olona izy. Mpisava lalana manokana avy any Tanzania no nampianatra Baiboly azy. Teny swahili no nampiasaina satria tsy nahay kinyarwanda na teny frantsay ry zareo. Natao batisa i Justin tamin’ny 1976, ary nipetraka tao Save. Io no tanàna navelan’ny mpanjaka hasiana fivavahana voalohany, ka ny misionera katolika no nanangana fiangonana tao tamin’ny 1900. Nilaza i Justin fa tena te hahafantatra izay nampianarin’ny Baiboly ny olona tamin’izany. Tsy tia Vavolombelon’i Jehovah anefa ny mpitondra fivavahana, ka tsy navelany hihaino na handray boky ny mpiangona.

Anisan’ireo teratany nanaiky ny fahamarinana koa i Ferdinand Mugarura, izay rahalahy be fikirizana. Tamin’ny 1969 izy no nahazo an’ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, tamin’ny teny swahili. Tany amin’ny faritra atsinanan’i Congo izy tamin’izany. Rehefa fantany ny toerana nisy Vavolombelona akaiky indrindra, dia nandeha an-tongotra 80 kilaometatra izy sy ny namany roa mba hianatra Baiboly sy hivory. Niainga izy ireo ny zoma, dia nody rehefa alatsinainy. Natao batisa i Ferdinand tamin’ny 1975, ary nisy mpianany natao batisa koa tamin’io. Voatendry ho mpisava lalana manokana teto Rwanda izy tamin’ny 1977. Nitantara izy fa nisy fivoriamben’ny faritra natao tao an-tranon-dry Rwakabubu tamin’ny 1976, ka 34 ny mpanatrika ary 3 no natao batisa.

TSY NAHAZO NIDITRA NY MISIONERA

Fantatry ny Filan-kevi-pitantanana ny toerana mila fanampiana, ka nandefasany misionera teto Rwanda. Misioneran’i Gileada efatra avy tamin’ny kilasy faha-47 no voatendry hanompo teto, tamin’ny 1969.

Hoy i Nicholas Fone: “Nizara taratasy fanendrena ny Rahalahy Knorr tamin’ny faramparan’ny volana Janoary. Nilaza tamin’i Paul sy Marilyn Evans izy hoe voatendry ho any Rwanda izy ireo. Nitodika tatỳ aminay mivady izy avy eo, ary niteny hoe: ‘Ianareo koa miaraka aminy!’ Faly erỳ izahay. Tonga dia nankany amin’ny efitra famakiam-boky izahay taorian’ilay fivoriana, mba hijery tamin’ny sarintany hoe aiza ho aiza izany Rwanda izany. Tsy ela taorian’izay anefa dia nisy taratasy tonga nilaza fa tsy namela anay hiditra tany Rwanda ny manam-pahefana tany. Nalahelo be izahay. Nalefa tany Congo indray izahay efatra.”

Nisy misionera efatra avy tamin’ny kilasy faha-60 indray voatendry ho eto Rwanda tamin’ny 1976. Nahazo alalana hiditra teto izy ireo, ary nahita trano nohofana. Niezaka nitory àry izy ireo sady nianatra teny kinyarwanda. Tsy nanan-kery intsony ny vizà an-dry zareo afaka telo volana, nefa tsy nety nanavao azy io ny manam-pahefana. Nafindra tany Bukavu, faritra atsinanan’i Congo, àry izy efatra.

“NIASA MAFY”

Voatery niala teto ireo mpisava lalana manokana avy any Tanzania sy Congo, tamin’ny 1975 tany ho any, noho ny antony maro. Efa nisy teratany maromaro nanao mpisava lalana anefa tamin’izany, ka nitatra eran’ilay tany ny fitoriana. Tamin’ny 1978, dia nadika tamin’ny teny kinyarwanda ny boky Fahamarinana, sy ny taratasy mivalona roa. Lasa nivoaka isam-bolana koa Ny Tilikambo Fiambenana. Tena nampandroso ny asa fitoriana izany. Hoy ilay misionera atao hoe Manfred Tonak, momba an’ireo mpisava lalana teto taloha: “Niasa mafy ry zareo, sady nanokana fotoana be dia be hanompoana. Nanaraka ny dian’izy ireo ny mpitory vaovao.”

Hoy i Gaspard Niyongira rehefa nitantara ny fitoriana tamin’izany: “Natao batisa aho tamin’ny 1978. Natahotra erỳ ny mpitondra fivavahana tamin’izany satria be dia be no nanaiky ny fahamarinana. An-jatony no nanatrika fivoriambe. Hoatr’ireny andiam-balala ireny izahay rehefa nivoaka hitory! Mpitory 20 teo ho eo matetika no niainga avy eto Kigali, ka nandeha an-tongotra sady nitory hatrany Kanombe, nefa lalana sivy kilaometatra izany. Nijanona kely izy ireo mba hisakafo, dia nandeha fito kilaometatra indray hatrany Masaka. Nandeha bisy izy ireo rehefa nody ny hariva. Hoatr’izany koa no nataon’ny mpitory tany amin’ny tanàna hafa. Tsy nahagaga raha nieritreritra ny olona hoe nisy Vavolombelona an’arivony teto Rwanda. Niely àry ny fanaratsiana, ka tsy neken’ny fanjakana ho ara-dalàna ny fikambanana.”

Tena nafana fo tamin’ny fahamarinana ireo rahalahy teto Rwanda, ka mba te hanatrika fivoriambe miaraka amin’ireo rahalahy vahiny. Tamin’ny Desambra 1978 àry, dia nisy Vavolombelona avy eto Rwanda, niainga mba hanatrika an’ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena hoe “Finoana Mandresy.” Nisy 37 izy ireo niaraka tamin’ny ankizy, ary nanao dia 1 200 kilaometatra mahery, nandalo an’i Ogandà ka hatrany Nairobi, any Kenya. Tsy mora ilay izy, satria tsy azo antoka ny fitaterana sady simba foana ny fiara. Tsy nilamina koa ny toe-draharaha ara-politika tao Ogandà, ka rehefa ho tonga teo amin’ny sisin-tanin’i Kenya ireo Vavolombelona, dia nampangain’ny manam-pahefana ogandey hoe mpitsikilo. Nosamborina àry izy ireo, ary nentina tany amin’ny toby miaramilan’i Kampala. Atoa Idi Amin, filoham-pirenena ogandey, mihitsy no nanadinadina azy ireo. Nahafa-po azy anefa ny valin-tenin’ireo Vavolombelona, ka nasainy nalefa izy ireo. Tsy nahatratra ny andro voalohany tamin’ilay fivoriambe intsony ry zareo rehefa tonga tany Nairobi. Faly be anefa izy ireo rehefa nahita Vavolombelona an’arivony nihavana sy niray saina, na dia samy hafa fiaviana aza.

NANGATAKA MBA HEKENA HO ARA-DALÀNA

Tsy ny rehetra no faly tamin’ny fampianaran’ny Vavolombelona momba ny fivavahana sy ny fitondran-tena. Natahotra ireo mpitondra fivavahana, satria be dia be no nanaiky ny fahamarinana. Hoy ny Rahalahy Rwakabubu: “Maro ny Katolika sy Protestanta ary Advantista nandefa taratasy fialana tany amin’ny fiangonany. Nilaza ny rahalahy iray, fa toy ny afo nandoro an’ireo fivavahana lehibe ny asa fitoriana. Tsy ela dia lasa 200 mahery ny mpanatrika fivoriana teto Kigali. Tsy dia voamariky ny mpitondra fivavahana izahay tamin’ny voalohany, satria vitsy kely. Rehefa nihamaro anefa izahay, dia nolazaina fa loza ho an’ny firenena. Tamin’izay koa moa Ingahy Vincent Nsengiyumva, arseveka katolika, no lasa anisan’ny komity foiben’ilay antoko politika teo amin’ny fitondrana.

“Nandroso be ny asa fitoriana. Nila nosoratana ara-panjakana àry ny fikambanana, mba ho afaka hampiditra misionera sy hanorina Efitrano Fanjakana ary hanao fivoriambe. Nirahin’ny sampan’i Kenya i Ernest Heuse, rahalahy avy any Belzika, mba hihaona tamin’ireo minisi-panjakana. Nangataka izy mba hosoratana ho ara-dalàna ny fikambanana, saingy tsy nisy vokany izany. Nasain’ny sampan’i Kenya nanoratra tamin’ny Minisitry ny Fitsarana sy Minisitry ny Atitany indray izahay, tamin’ny 1982. Izaho sy ny mpisava lalana manokana roa no nanao sonia an’ilay izy. Tsy nahazo valiny koa anefa izahay.”

Nitombo ihany anefa ny fanoherana. Nilaza ny Rahalahy Antoine Rugwiza hoe nikabary tamin’ny radio ny filoham-pirenena, ka nanambara fa tsy hilefitra intsony amin’ireo mpanimbazimba ny “finoan’i Rwanda.” Fantatry ny rehetra fa ny Vavolombelon’i Jehovah no tiany holazaina tamin’izany. Tsy ela àry dia tsy nahazo nivory intsony ireo rahalahy. Niely koa ny tsaho hoe hosamborina izy ireo. Indroa nampanantsoina tany amin’ny biraon’ny Fiarovam-pirenena ny Rahalahy Rwakabubu ka natao famotorana.

Nasaina nandamina fivoriamben’ny faritra tao Butare sy Gisenyi ary Kigali i Kiala sy Elaine Mwango, avy any Nairobi, tamin’ny Novambra 1982. Ny Rahalahy  Rwakabubu no mpitari-draharaha. Vao vita anefa ireo fivoriambe, dia nampanantsoina fanintelony tany amin’ny lapam-panjakana izy. Tsy niverina intsony izy tamin’izay! Voasambotra koa ireo mpisava lalana manokana roa nanao sonia an’ilay fangatahana, rehefa afaka efatra andro. Nogadraina izy telo nefa tsy notsaraina akory. Nisy hafa koa voasambotra. Nakatona ny Efitrano Fanjakana, ary nohidiana bara vy. Namoaka didy ny Minisitry ny Fitsarana hoe voarara ny Vavolombelon’i Jehovah.

Notsaraina ihany ireo rahalahy telo, tamin’ny Oktobra 1983. Nampangaina izy ireo hoe mpisoloky sy mpamitaka vahoaka. Tsy nitombina mihitsy ilay fiampangana, sady tsy nisy porofo na vavolombelona, na dia iray aza. Voaheloka higadra roa taona anefa izy ireo. Nisy famotsoran-keloka tatỳ aoriana, ka nafahana ny mpanao heloka bevava. Ireo rahalahy telo kosa tsy nasiana fiheverana mihitsy. Nisy Vavolombelona dimy koa tao Gisenyi, nigadra efa ho roa taona, nefa tsy nisy fanamelohana na didy navoakan’ny fitsarana.

TANY AM-PONJA

Mafy ny fiainana tany am-ponja. Indray mandeha isan’andro ihany no misakafo, sady amin’izay tsaramaso sy mangahazo. Indray mandeha isam-bolana vao misy hena. Ny fandriana amin’izany feno kongona. Betsaka koa ny olona, ka maro no matory amin’ny tany. Zara raha misy rano hisasana. Niara-nigadra tamin’ny jiolahy mahery setra ireo rahalahy. Ny mpiambina koa nasiaka, fa nisy iray izay tsara fanahy. Jean Fataki no anarany. Nianatra Baiboly izy io, dia natao batisa, ary mpisava lalana hatramin’izao.

Hoy ny Rahalahy Rwakabubu: “Tonga tao am-ponja ny arseveka. Nanao lamesa izy, sady nampitandrina hoe aza mifandrairay amin’ny Vavolombelona. Nanontany anay ireo Katolika tao am-ponja hoe nahoana ny arseveka no niteny an’izany, nefa izahay hitany hoe olona tsara.”

Tonga avy tany Belzika i Roger sy Noella Poels tamin’izany. Nisy asa nataon’i Roger mantsy teto Kigali. Mbola tany am-ponja ry Rwakabubu, ka nangataka ny hihaona tamin’ny Minisitry ny Fitsarana i Roger. Tiany hohazavaina taminy ny zavatra inoantsika, ary nanontany tamim-panajana izy hoe inona no antony anenjehan’ny fanjakana antsika. Notapahin’ilay minisitra anefa ny teniny, ka hoy izy: “Aoka izay ny resakao Atoa Poels! Halefa mody amin’izay fiaramanidina manaraka eo ianao, fa voaroaka hiala eto!”

Tsy maintsy namita ny saziny nandritra ny roa taona izy telo lahy, satria tsy nety niala tamin’ny finoany. Mba nafindra tamina fonja tsaratsara anefa izy ireo, ny taona faharoa, ary nafahana tamin’ny Novambra 1984.

NIHAMAFY NY FANENJEHANA

Nitohy ihany ny fanoherana. Nolazaina tamin’ny radio fa olon-dratsy ny Vavolombelon’i Jehovah ary mpivavaka mahery fihetsika. Maro ny Vavolombelona voasambotra nanerana an’i Rwanda, tamin’ny Martsa 1986. Anisan’izany i Augustin Murayi. Nesorina tsy ho tale jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Voalohany sy Faharoa izy, satria tsy nety nanao politika. Nanaratsy azy ny mpanao gazety, indrindra fa ny mpiasan’ny radio.

Nisy rahalahy sy anabavy hafa koa voasambotra nanerana an’i Rwanda, anisan’izany ny ankizy sy ny anabavy bevohoka. Nafindra tao amin’ilay fonjaben’i Kigali izy ireo, taloha kelin’ny 1987, niandry fitsarana. Tsy nety nanao hiram-pirenena ireo rahalahy, sady tsy nanao an’ilay karatra nisy ny sarin’ny filoha, no tsy nety nividy karatra politika. Nihevitra àry ny olona hoe nanohitra ny fitondrana ny Vavolombelon’i Jehovah, ary te hanongam-panjakana.

Falifaly erỳ i Phocas Hakizumwami nilaza hoe: “Rahalahy avy ao amin’ny fiangonanay tao Nyabisindu no anisan’ny voasambotra voalohany. Fantatray fa tsy maintsy hosamborina koa izahay na ho ela na ho haingana, ka hiova faritany. Niezaka mafy àry izahay mba hamita an’ilay faritany tetỳ ivelan’ny fonja aloha. Nankeny an-tsena izahay ary nametraka boky sy gazety be dia be. Nangataka fanampiana tamin’i Jehovah izahay, mba hahavitanay an’ilay faritany, alohan’ny hisamborana anay. Nanampy anay tokoa i Jehovah, satria vitanay tamin’ny 1 Oktobra 1985 ny faritany. Nogadraina izahay herinandro taorian’izay.”

Nosamborin’ny polisin’ny Fiarovam-pirenena i Palatin Nsanzurwimo sy Fatuma vadiny, herintaona taorian’izay. Natao famotorona nandritra ny adiny valo izy ireo, ary nosavana ny tranony. Nentina hogadraina izy mivady, niaraka tamin’ny zanany telo. Nalain’ny zandrin’i Palatin ny zanak’izy ireo mianadahy teny an-dalana, dia ny zanany lahy dimy taona sy ny zanany vavy efa-taona. Ilay zanak’izy ireo herintaona sy roa volana kosa niaraka tamin’izy mivady tany am-ponja. Nafindra tany amin’ny fonja hafa i Fatuma tatỳ aoriana, ary nigadra sivy volana.

Voaroaka tany am-pianarana koa ny zanak’i Jean Tshiteya efa-dahy. Nony tonga tao an-trano i Jean, dia hitany hoe nisy nanao savahao ny tranony, ary voasambotra ny vadiny, ka ny ankizy irery no tao. Voasambotra koa izy ary nogadraina tany Butare, niaraka tamin’ny vadiny sy ny rahalahy hafa. Nafindra tany amin’ny fonjan’i Kigali izy rehetra avy eo. Ireo rahalahy teto Kigali no nikarakara ny zanak’izy mivady.

Hoy ny Rahalahy Tshiteya: “Isaky ny misy Vavolombelona avy any amin’ny fonja hafa tonga tao amin’ny fonjan’i Kigali, dia falifaly erỳ izy ireo mifampiaraba hoe ‘Komera!’ izany hoe ‘Mahereza!’ Sosotra ny mpiambina iray nandre izany, ka hoy izy: ‘Fa ianareo ve adala e! Inona koa no mampahery atỳ am-pigadrana?’ ”

Marina fa betsaka no voasambotra, nefa tsy nampihemotra ny olona tso-po izany. Nisy vokany tsara aza ilay izy. Anisan’ny voasambotra tamin’ireny fotoana ireny i Odette Mukandekezi, anabavy sariaka sy mahery fo. Hoy izy: “Nosamborina sy nokapohina ireo Vavolombelona, tamin’izany. Nisy ankizivavy atao hoe Josephine niandry omby, indray andro. Nanana Baiboly izy, ary hitany tao fa noharatsina, nenjehina, nokapohina, ary nampidirina am-ponja ny Kristianina voalohany. Fantany hoe nenjehina koa ny Vavolombelona ka nanatsoaka hevitra izy hoe ny an-dry zareo izany no fivavahana marina. Rehefa nandalo àry izahay, dia nangataka hianatra Baiboly izy. Efa vita batisa izy izao.”

Mpitondra kamiao i Gaspard Niyongira. Nankany Nairobi matetika izy noho ny asany. Afaka nitondra boky an-tsokosoko teto Rwanda àry izy nandritra ny fandrarana. Nisy vata kely nipetaka mantsy tamin’ilay kamiao, ary antonona baoritra enina izy io. I Henry Ssenyonga indray afaka nitondra gazety tamin’ny môtô, avy any amin’ny faritra andrefan’i Ogandà.

Tsy maintsy vitsivitsy no niara-nivory. Nanao fisavana mantsy ny manam-pahefana, raha vao nahiahiny hoe mbola nivory ihany ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy ny Rahalahy Niyongira: “Nisy paosin-trano iray tao aminay, ka tao izahay no nanao fivoriana niafina. Nofonosinay plastika ny boky sy gazety, dia nalevinay ary nasianay saribao teo amboniny.”

Vao vita batisa i Jean-Marie Mutezintare, rehefa nanomboka ny fisamborana. Afaka namonjy an’ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Ireo Mpihazona Tsy Fivadihana” tany Nairobi anefa izy, tamin’ny Desambra 1985. Nanangona gazety tamina rahalahy tany Ogandà andrefana izy sy Isaie Sibomana, rehefa hody. Tratran’ny polisy anefa ireo gazety ka voasambotra izy ireo, ary nasiana rojo vy mihitsy ny tanany. Natao famotorana izy ireo, ary nohidiana tao amin’ny fonja nangatsiaka be ny alin’iny. Nalefa tany amin’ny fonjaben’i Kigali izy ireo avy eo. Efa nisy rahalahy sy anabavy 140 teo ho eo tao. Faly erỳ ry zareo nandre tatitra momba ilay fivoriambe tany Nairobi, avy tamin’izy roa lahy! Tena nanampy sy nampahery an’ireo Vavolombelona voafonja izany!

Nivory foana ireo rahalahy tany am-ponja, sady nandamina fitoriana. Nampianarin’izy ireo namaky teny sy nanoratra koa ny voafonja sasany. Samy nampian’izy ireo na ny olona liana, na ny mpitory vaovao naniry hatao batisa. Nisy tamin’izy ireny efa nianatra talohan’ny nisamborana azy, fa nisy kosa tao am-ponja vao nahita ny fahamarinana.

MPIANDRAIKITRA NY FARITRA “NITSIDIKA” NY FONJA

Izao no notantarain’ny rahalahy iray, izay tao amin’ny fonjan’i Kigali tamin’ny 1986: “Maro izahay no nigadra. Nodinihinay izay azo natao mba hanampiana an’ireo rahalahy tany ivelan’ny fonja. Nanoratra taratasy àry izahay mba hampaherezana azy ireo. Nolazainay fa rehefa vita ny faritany tao am-ponja, dia hiverina any amin-dry zareo izahay. Nitory isam-pandriana izahay, sady nampianatra Baiboly. Henonay tatỳ aoriana fa nisy mpiandraikitra ny faritra nitsidika an’ireo fiangonana. Mba te hotsidihina koa izahay, ka nangataka tamin’i Jehovah. Tsy ela taorian’izay dia nigadra fanindroany ilay mpiandraikitra ny faritra, izany hoe ny Rahalahy Rwakabubu. Tena valim-bavaka ilay izy taminay!”

Rahalahy iray ihany no nanaiky lembenana, tamin’izany. Rehefa nametaka karatra politika tamin’ny akanjony izy, dia nodakadakan’ireo voafonja tsy Vavolombelona, sady nokapohiny. Nesoesoin-dry zareo izy hoe kanosa. Na ilay vadiny vao nianatra Baiboly aza niteny azy, hoe naninona izy no nivadika. Nanoratra tany amin’ny mpitsara àry izy hoe tsy nety ny nataony fa mbola Vavolombelon’i Jehovah izy. Nandefa taratasy fialan-tsiny tany amin’ny sampan’i Kenya mihitsy aza izy. Mpanompon’i Jehovah tsy mivadika izy izao.

FITORIANA TANY IVELAN’NY FONJA

Tsy nihena mihitsy ny zotom-pon’ireo Vavolombelona mbola tsy voasambotra. Nitory foana izy ireo, ary adiny 20 teo ho eo isam-bolana ny orany. Hoy, ohatra, i Alfred Semali: “Efa vonona ny higadra aho, na dia tsy voasambotra mihitsy aza. Tsy azo nivoriana ny Efitrano Fanjakana, ka nizarazara izahay rehefa nivory, sady mbola nitory foana. Nataoko tao anaty valopy lehibe ny gazety, ka toy ny hoe handeha hitady asa aho. Niresaka momba ny Baiboly sy nanolotra gazety aho raha vao afaka nanao izany.

“Vavolombelona sy olona liana be dia be no nigadra tamin’ny 1986, eny fa na dia ireo vao nanomboka nianatra Baiboly aza. Tsy nivadika anefa izy ireo, na dia ireo vaovao aza. Vavolombelona maro be avy amin’ny firenena samihafa no nanoratra tany amin’ny filoham-pirenen’i Rwanda, hoe tsy rariny ilay fanenjehana. Voalazan’ny radio fa naharay taratasy an-jatony isan’andro ny filoha, tamin’izany. Nisy vokany tsara ilay izy satria namoaka didy ny filoha mba hamotsorana an’ireo Vavolombelona sy olona liana. Faly tsy nisy hoatr’izany izahay!” Nanao fandaharana ny anti-panahy taoriana kelin’izay, mba hanaovana batisa an’ireo vaovao. Nisy 36 no naroboka, ka ny 34 nanao mpisava lalana mpanampy avy hatrany!

Nahatratra 435 ny salanisan’ny mpitory tamin’ny fotoana nahamafy indrindra ny fanenjehana, tamin’ny 1986. Tany am-ponja anefa ny 140 teo ho eo tamin’ireo. Izy ireo no lasa andry niankinan’ny fandaminan’i Jehovah teto Rwanda. Tena “vita sedra” ny finoany.—Jak. 1:3.

Mba nilamindamina ny fiainan’ireo rahalahy taorian’ireny fotoan-tsarotra talohan’ny 1990 ireny. Nitohy ny fitomboana, ary maro no nanaiky ny fahamarinana. Hanao ahoana anefa ny hoavy? Hahatanty fitsapana toy ny afo ve ireo vaovao, ka ho toy ny trano naorina tamin’ny fitaovana tsy mety may? (1 Kor. 3:10-15) Tena mafy orina ve ny finoan’izy ireo, ka hahazaka an’izay hitranga? Aleo ny tantara no hitsara.

ADY SY KORONTANA ARA-POLITIKA

Efa ho 1 000 ny mpitory teto tamin’ny 1990. Nanomboka tsy nilamina anefa ny toe-draharaha ara-politika. Niditra avy any Ogandà ny tafiky ny Antokon’ireo Tia Tanindrazana eto Rwanda (na FPR) ny volana Oktobra, ary nanafika tany avaratra.

Tany Ruhengeri i Ferdinand Mugarura rehefa nanomboka ilay fanafihana. Efa indroa nogadraina io rahalahy be herim-po io. Hoy izy: “Nifankahala ny olona, ary samy nanindrahindra ny foko nisy azy. Tsy niditra tamin’ny politika na adim-poko mihitsy anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy maintsy nandositra niala ny tranony ireo rahalahy noho izany, ary nisy voaroaka tamin’ny asany.”

Tsy nety nanome vola hanohanana ny ady ny anabavy iray, nanan-janaka telo. Mpampianatra izy io, ary efa maty vady. Notorin’ny taleny tany amin’ny manamboninahitry ny tafika izy, ka nampidirina am-ponja fanindroany. Efa nigadra mantsy izy teo aloha. Vaky ny fonja rehefa tonga ireo mpanafika. Nandositra daholo ny gadra tao, afa-tsy ilay anabavy. Nafindra tao amin’ny fonjan’i Kigali izy, rehefa lasa ireo mpanafika. Mba te hanatrika ny Fahatsiarovana izy, ka nivavaka mba hahalalany ny datin’izy io. Gaga be izy satria ny andron’ny Fahatsiarovana mihitsy izy no nafahana! Nafoiny ny tranony sy ny asany, noho ny finoany. Lasa mpisava lalana be zotom-po anefa izy.

Niditra an-tsehatra ny firenen-kafa, ka niato kely ilay fanafihana avy any Ogandà. Navela hanangana antoko ny mpanohitra, tamin’ny 1991. Lasa be dia be ireo antoko politika, ka ny foko sy ny faritra niaviana no tena nasongadina tamin’izany. Nahay nandanjalanja ihany ny antoko sasany, fa nisy kosa tena nahery setra. Tamin’izay vao hitan’ny olona fa nety ny nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa tsy niandany tamin’iza na iza. Tsy nihevitra azy ireo ho fahavalo intsony, na ny fanjakana na ny vahoaka.

Nisy rahalahy vahiny maromaro tonga teto tamin’ny Septambra 1991, mba hiresaka tamin’ireo minisi-panjakana teto Kigali. Niaraka tamin’izy ireo ny Rahalahy Gaspard Rwakabubu sy Tharcisse Seminega, avy eto Rwanda. Nihaino tsara an’ireo rahalahy ny Minisitry ny Fitsarana vaovao. Nankasitraka ny ezaka efa nataon’ny fanjakana ireo rahalahy, ary nampirisika an’ilay minisitra mba hanampy azy ireo hanoratra ny fikambanana ho ara-dalàna.

Nanao fivoriamben’ny vondrom-paritra teto Kigali ireo rahalahy tamin’ny Janoary 1992, na dia mbola tsy nekena ho ara-dalàna aza ny asa. Hoy i Godfrey sy Jennie Bint: “Nanompo tany Ogandà izahay tamin’izany. Gaga izahay rehefa nandefasan’ny sampan’i Kenya taratasy niangavy anay ho any Rwanda. Nasaina nijanona tany roatokombolana izahay, mba hanampy tamin’ny fanomanana an’ilay fivoriambe sy ny fandraisam-peo ho an’ny tantara an-tsehatra. Nandray anay tsara ireo rahalahy, ary niovaova foana ny olona nanasa anay hisakafo isan’andro. Kianja filalaovam-baolina no nohofana, ary efa nandeha ny fanomanana tamin’izahay tonga. Nizotra tsara ny fandraisam-peo na dia tsotsotra aza ny fitaovana, satria efa voalamin’ireo rahalahy ny zava-drehetra. Tsy nahazo alalana hanao dia ireo rahalahy avy tany avaratra, ary nikatona ny sisin-tany nanasaraka an’i Rwanda tamin’i Burundi sy Ogandà. Na izany aza, dia nahatratra 2 079 ny mpanatrika ny alahady, ary 75 no natao batisa.”

NEKENA HO ARA-DALÀNA IHANY!

Ela ny ela ka nekena ho ara-dalàna ihany ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Rwanda, tamin’ny 13 Aprily 1992! Niady mafy ireo rahalahy mba hitory, na teo aza ny fandrarana sy ny fampijaliana ary ny fanagadrana. Nifarana anefa izany! Afaka nanantena amin’izay izy ireo hoe handroso be ny asa.

Tsy niandriandry mihitsy ny Filan-kevi-pitantanana fa tonga dia nanendry misionera ho eto Rwanda. I Henk van Bussel no misionera voalohany nahazo alalana hipetraka teto. Nanompo tany amin’ny République centrafricaine sy Tchad izy. Toy izany koa i Godfrey sy Jennie Bint, izay tany Ogandà sy Zaïre (na Repoblika Demokratikan’i Congo). Nasiana Komitin’ny Tany teto mba hiandraikitra ny asa.

Nitantara ny zava-nitranga tamin’izy sy Henk tonga teto ny Rahalahy Bint. Hoy izy: “Nahita trano nety tsara hatao tranon’ny misionera izahay, ary tsy lavitra ny Efitrano Fanjakana ilay izy. Tonga dia nianatra teny kinyarwanda izahay. Tsy mora taminay ilay izy, hoatran’ny nahazo an’ireo mpisava lalana fahiny ihany. Nilaza toy izao ny boky iray fianarana an’ilay fiteny: ‘Rehefa miaraka ny litera C sy W dia vakina hoe TCHKW!’ Hoy koa ilay anabavy mpampianatra anay: ‘Tsy ho hainareo ny hanonona tsara ny hoe “shy” amin’ny hoe “isi nshya” [na tany vaovao], raha tsy mitsiky ianareo!’ ”

Nahatratra 1 665 ny tampon’isan’ny mpitory tamin’ny faramparan’ny taona 1992. Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra indray teto Kigali, tamin’ny Janoary 1993. Niisa 4 498 ny mpanatrika ary 182 no natao batisa. I Kiala Mwango no solontenan’ny sampan’i Kenya tamin’izany. Tsy nisy nanampo mihitsy hoe ilay tany teo ampitan’ilay kianja nanaovana fivoriambe no hanorenana biraon’ny sampana amin’ny 2006.

Nisy fanafihana indray avy tany avaratra, nefa nandroso foana ny fitoriana. Efa nanakaiky an’i Kigali ireo mpanafika, tamin’ny 1993. Mbola nikatona ny sisin-tanin’i Ogandà, ary re nanako teto an-drenivohitra ny feon’ny basimarovava. Olona iray tapitrisa teo ho eo no nandositra avy any avaratra. Anisan’izy ireo ny Vavolombelona 381. Nikarakara azy ireo ny rahalahy teto Kigali sy ny manodidina. Nisy fifanarahana natao tany Arusha, any Tanzania, hoe hatsahatra ny ady, ary hasiana faritra voaro manasaraka an’ireo mpifanandrina. Neken’ny fitondrana koa ny hizara fahefana tamin’ny mpanafika sy ny antoko politika hafa.

FIVORIAMBE MANOKANA TOKOA!

Nanao fivoriambe manokana tao amin’ny Kianjan’i Kigali ireo rahalahy tamin’ny 1993, ary nizotra tsara ny fandaharana maraina. Mbola tsy nanomboka akory anefa ny fandaharana ny tolakandro, dia nisy mpijery baolina be dia be niditra, ary tsy voasakan’ny polisy. Hay efa nanaiky ny tompon’andraikitr’ilay kianja fa hisy lalao baolina kitra amin’ny telo! Nolazainy anefa fa amin’ny enina hariva ilay lalao vao ho vita. Niala àry ireo rahalahy, ary niverina tamin’ny enina, mba hihaino ny tohin’ny fandaharana.

Nampanahy ihany anefa ilay izy, satria voarara ny nivezivezy amin’ny alina. Tsy nahazo nandeha intsony ny fiara taorian’ny amin’ny enina, ary tsy nisy olona nahazo nivoaboaka taorian’ny amin’ny sivy. Nony tonga anefa ny tamin’ny fito, dia nisy filazana tao amin’ny radio, fa mbola mahazo mivezivezy indray ny olona hatramin’ny 11 ora alina. Tapatapaka ny jiro, ka namatsy jiro an’ilay kianja ny ben’ny tanànan’i Kigali, satria tsy voahaja ny fifanekena momba ilay kianja. Nanome bisy mihitsy aza izy, mba hitaterana an’ireo rahalahy rehefa tapitra ny fivoriambe. Afaka nanaraka an’ilay fandaharana hatramin’ny farany àry ireo rahalahy! Gaga be izy ireo, rehefa nivoaka ny kianja, ka nahita bisy maro be niandry azy ireo.

Nilaza i Günter Reschke fa nitsidika an’i Rwanda izy tamin’ny Septambra 1993. Hoy izy: “Nasain’ny sampan’i Kenya hankatỳ Kigali aho, mba hampianatra tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana niaraka tamin’ny Rahalahy Rwakabubu. Tsy nisy afa-tsy anti-panahy 63 teto Rwanda, nefa nahatratra 1 881 ny mpitory. Efa nafanafana ny toe-draharaha tamin’izay, ary re siosio hoe nisy ady tany avaratra. Marina fa tsy nisy nanampo mihitsy hoe hisy fitsapana mafy taoriana kelin’izay. Tonga tamin’ny fotoana nety anefa ilay sekoly, satria nanatanjaka ny finoan’ireo anti-panahy sady nanomana azy hanampy an’ireo ondry. Efa nananontanona mantsy ny ady.”

FIKASANA HANANGANA BIRAON’NY KOMITIN’NY TANY

Tonga avy any Nairobi i Leonard Ellis sy Nancy vadiny tamin’ny Martsa 1994, mba hanao fivoriambe manokana sy hanampy ny biraon’ny fandikan-teny. Nilaza ny sampan’i Kenya fa tokony hatambatra ny tranon’ny misionera sy ny biraon’ny fandikan-teny teto Rwanda. Tamin’ny alatsinainy 4 Aprily àry, dia niara-nanatrika ny Fianarana Tilikambo Fiambenana ireo mpandika teny, ny misionera, ny Komitin’ny Tany, ary ny Rahalahy sy Anabavy Ellis. Fotoana niavaka tokoa ilay izy. Toa efa nanomboka sahady ny fanitarana!

Lasa ry Ellis mivady rehefa vita izay nampanaovina azy. Ny fiaramanidina nandehanan’izy ireo no zotra farany avy eto Kigali, satria nitsahatra nandritra ny volana maro izany. Nitelefaonina an’ireo misionera ny Rahalahy Rwakabubu ny ampitso tolakandro, ka nilaza fa tsy halain’ny ambasadin’i Rosia indray ilay tany noeritreretina hasiana biraon’ny Komitin’ny Tany. Azon’ny Vavolombelon’i Jehovah vidina àry ilay izy, ka ny ampitso maraina no fotoana handinihana izany, dia ny alakamisy 7 Aprily. Ny fotoam-bita anefa, hono, tsy mahaleo ny sampona!

NANOMBOKA NY FAMONOANA!

Nisy nitifitra ny fiaramanidina nitondra ny filohan’i Rwanda sy Burundi, ny alarobia 6 Aprily hariva. Nirehitra ilay izy, ary nianjera teo akaikin’i Kigali. Maty daholo ny olona tao anatiny. Vitsy no nahafantatra an’ilay vaovao, iny hariva iny. Ny radiom-pirenena koa tsy nanao fanambarana.

Misionera telo no teto, dia i Henk sy ry Bint mivady. Tsy ho hadinon’izy ireo mihitsy izay nitranga tamin’izay. Hoy ny Rahalahy Bint: “Taitra izahay ny marainan’ny 7 Aprily, naheno poa-basy sy grenady. Efa nitranga matetitetika ny toy izany, noho ny korontana ara-politika tao anatin’ny volana vitsivitsy. Naneno anefa ny telefaonina rehefa nikarakara sakafo maraina izahay. I Emmanuel Ngirente, izay mpandika teny, no niantso anay. Nilaza izy fa nambaran’ny radiom-paritra hoe nisy nitifitra ny fiaramanidina nitondra an’ireo filoham-pirenena roa. Nampitandrina, hoy izy, ny Minisitry ny Fiarovana fa tsy tokony hisy hivoaka ny trano ny mponin’i Kigali.

“Tamin’ny sivy maraina teo ho eo, dia henonay hoe izany fa misy mandroba ny tranon’ny olona teo akaikinay. Nangalarin’izy ireo ny fiara, ary novonoiny ilay renim-pianakaviana.

“Tsy ela taorian’izay dia tonga tao am-bavahadinay ireo miaramila sy mpandroba. Nokapokapohiny ilay vavahady vy, ary nampanenoiny ny lakolosy. Tsy nisy nivoaka anefa izahay, sady tsy niteniteny. Nahagaga fa tsy novakin’izy ireo ny vavahady, fa nifindra tamin’ny trano hafa ry zareo. Ny poa-basy sy grenady amin’izany mbola nirefodrefotra eran’ny tanàna. Tsy nisy azo nitsoahana mihitsy. Henonay hoe akaiky kely ireo mpitifitra, ka namitsaka tao amin’ny lalantsara izahay, sao dia voatifitra tsy nahy. Hitanay fa tsy hilamina vetivety ilay korontana. Nanomboka nitsitsy sakafo àry izahay, ka indray mandeha isan’andro ihany no nihinana. Ny ampitso, rehefa avy nisakafo antoandro izahay dia nihaino vaovao avy any ivelany tamin’ny radio. Nihiaka tampoka anefa i Henk hoe: ‘Iakaran-dry zareo ny fefintsika!’

“Tsy nisy fotoana hieritreretana tamin’izany. Nankao amin’ny efitra fandroana haingana izahay, ary nohidianay ny varavarana. Niara-nivavaka izahay avy eo mba hampian’i Jehovah hiaritra an’izay rehetra mety hitranga. Mbola tsy vita akory ilay vavaka dia henonay fa novakin’ireo milisy sy mpandroba ny varavarana sy varavarankely. Tafiditra izy ireo afaka minitra vitsy, ka nilelalela sady nanjera an’ireo fanaka. Nisy 40 teo ho eo ry zareo, lahy sy vavy mbamin’ny ankizy, niaraka tamin’ireo milisy. Niadivan’izy ireo ny entana azony. Ny poa-basy amin’izany mandeha ihany.

“Naharitra 40 minitra izany, nefa hoatran’ny efa ela be! Niezaka namoha ny varavaran’ny efitra fandroana izy ireo avy eo. Tsy voavohany anefa ilay izy ka saika hovakiny. Tsy maintsy nivoaka àry izahay. Mamon-drongony ireo lehilahy ka tsy tompon’ny tenany intsony. Nambanan’izy ireo tamin’ny antsibe sy kalaza izahay. Niantso vonjy tamin’i Jehovah i Jennie. Nodonin’ny lehilahy iray tamin’ny kalaza ny hatok’i Henk ka nianjera teo ambany izy. Nahita vola tampoka aho ka nomeko an-dry zareo, ary niadivan-dry zareo ilay izy.

“Hitako avy eo fa nisy tovolahy iray nijery be anay. Izahay tsy nahalala azy, fa izy no nahatadidy anay, angamba olona nitorianay. Nosintoniny izahay ary natosiny hiverina tao amin’ilay efitra fandroana, sady nasainy nohidianay ny varavarana. Nilaza izy fa hamonjy anay.

“Mbola nikotaba tao ireo mpandroba nandritra ny atsasak’adiny teo ho eo. Nangina ny trano avy eo. Niverina ilay tovolahy rehefa ela ny ela, ka niteny hoe afaka mivoaka izahay. Notarihiny hivoaka ny trano izahay, ary nentiny nandeha avy hatrany. Tsy naka na inona na inona mihitsy izahay. Nampivarahontsana ny nahita an’ireo mpiara-monina taminay maty niampatrampatra tetsy sy teroa. Nitondra anay tany amin’ny tranona manamboninahitra iray teo akaiky teo ny miaramila roa mpiambina ny filoha. Ilay manamboninahitra avy eo no nitondra anay tany amin’ny Hotely Mille Collines. Betsaka ny olona nialokaloka tao. Nitady lalana hamoahana anay tao an-tanàna ny miaramila, ary nitondra anay tany ambadiky ny seranam-piaramanidina. Nitebiteby nandritra ny ora maro izahay vao tafavoaka, ary tonga tany Kenya ny 11 Aprily. Tonga tao amin’ny Betela tao Nairobi ihany izahay nony farany, sady tsy nibango volo no nisavoritaka. Tafasaraka taminay mivady i Henk, ka afaka ora maromaro vao tonga. Tena nikarakara sy nampahery anay ny fianakavian’ny Betela.”

VOAVONJY NOHO NY VAVAK’ILAY ANKIZIKELY

Nisy miaramila enina anisan’ny tafi-panjakana tonga tao amin-dry Rwakabubu, ny ampitson’ny nahafatesan’ny filohan’i Rwanda sy Burundi. Maimbo toaka be ry zareo sady mamon-drongony, ary nivoaramena ny masony. Nitady fitaovam-piadiana izy ireo. Nilaza ny Rahalahy Rwakabubu fa Vavolombelon’i Jehovah izy mianakavy, ka tsy manana fitaovam-piadiana.

Tezitra be ireo miaramila, satria fantany hoe tsy miady sady tsy manao politika ny Vavolombelona, ka tsy manohana ny tafi-panjakana. Marina aloha fa tsy Tutsi ry Rwakabubu, nefa vonoin’ny milisy koa ny Hutu rehefa tsy manohana azy, indrindra moa raha miaro Tutsi na miray tsikombakomba amin’ny mpanafika.

Novelezin’ireo miaramila tamin’ny hazo i Gaspard sy Melanie. Nentiny tao amin’ny efitra fatoriana izy mivady sy ny zanany dimy avy eo. Nesoriny ny lambam-pandriana, ary nosaronany tamin’iny izy mianakavy. Nisy grenady teny an-tanan’izy ireo, ka nazava ny tiany hatao. Hoy i Gaspard: “Mba mahazo mivavaka ve aloha izahay?”

Tonga dia nanda ny miaramila iray sady tezitra be. Nifampiresaka teo anefa ry zareo, ka nanaiky ihany. Hoy izy ireo: “Eny àry. Omenay roa minitra ianareo.”

Nivavaka mangina izy ireo, fa i Deborah, zanak’izy ireo enin-taona kosa niteny mafy. Hoy izy: “Jehovah ô! Tadiavin-dry zareo hovonoina izahay, nefa nisy olona nitorianay sy Dada dia nametrahako gazety anankidimy. Dia ahoana izao no hiverenanay any? Ry zareo anefa miandry anay, sady tokony ho fantany ny fahamarinana! Raha tsy maty izahay, Jehovah, dia hanao mpitory aho, dia hatao batisa, dia hanao mpisava lalana! Jehovah ô, vonjeo izahay!”

Gaga be ireo miaramila nandre izany. Hoy ny anankiray tamin’ny farany: “Tsy hovonoinay indray ianareo noho ny vavak’ity zaza ity. Raha misy namanay tonga eo, dia teneno hoe efa nandalo teto izahay.” *

NIHARATSY NY TOE-JAVATRA

Nangotraka ny ady, rehefa nanakaiky an’i Kigali renivohitra ireo mpanafika (na ny Antokon’ireo Tia Tanindrazana eto Rwanda). Vao mainka sosotra ireo milisy antsoina hoe Interahamwe, ka nandripaka olona maro kokoa.

Nanao barazy eran’ilay tanàna sy ny kihon-dalana rehetra ny miaramila sy ny milisy. Noterena hiambina teo koa ny vatan-dehilahy rehetra, na andro na alina. Ny hisakanana sy hamonoana an’ireo Tutsi no tena anton’ireo barazy.

Nitohy ihany ilay famonoana, ka ana hetsiny ny olona nandositra. Maro no nialokaloka tany Congo sy Tanzania, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah.

ADY AMAN’AINA

Manomboka eto ny tantaran’ireo rahalahy sy anabavy, izay niaritra ny mafy rehefa nisafotofoto tanteraka ny tontolo nanodidina azy ireo. Efa niaritra fitsapana mafy ny Vavolombelon’i Jehovah teto Rwanda tamin’ny 1980 ka hatramin’ny 1990. Tena nanatanjaka ny finoan’izy ireo ireny fitsapana ireny, sady nanampy azy hanana herim-po. Vao mainka àry izy ireo tapa-kevitra ny “tsy ho anisan’izao tontolo izao”, ka tsy nety nifidy na niady na nanao politika. (Jaona 15:19) Nesoina, nogadraina, nenjehina, ary novonoina mihitsy izy ireo, vokatr’izany. Vitany anefa ny niatrika izany, noho ny herim-pony. Nanana finoana vita sedra koa izy ireo, sady tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy, ka tsy nandray anjara tamin’ilay famonoana mihitsy, fa nanao vy very ny ainy kosa mba hiarovana ny namany.

Tsy tantaraina ato ny zava-nitranga sasany. Tsy te hitadidy an’ireo tsipirian-javatra mampihoron-koditra ireo rahalahy, satria tsy te hamaly faty. Mino izahay, fa handrisika antsika rehetra ny finoan’izy ireo, mba haneho kokoa an’ilay fitiavana mampiavaka antsika mpanara-dia an’i Jesosy Kristy.—Jaona 13:34, 35.

NY TANTARAN’I JEAN SY CHANTAL

Rahalahy sariaka sy be fiahiana i Jean de Dieu Mugabo. Tamin’ny 1982 izy no nanomboka nianatra Baiboly. Efa intelo nigadra noho ny finoany izy, talohan’ny batisany tamin’ny 1984. Vita batisa tamin’io taona io koa i Chantal, ary nivady izy ireo tamin’ny 1987. Nanan-janaka telo vavy izy mivady. Tany amin’ny bebeny ny roa rehefa nanomboka ilay fandripahana foko, fa ilay vavikely enim-bolana no tao amin’izy mivady.

Nanomboka nitety trano ny miaramila sy milisy Interahamwe, ka namono ny Tutsi rehetra, tamin’ny 7 Aprily 1994, andro nanombohan’ilay fandripahana. Nosamborin’izy ireo i Jean, ary noveliveleziny tamin’ny kibay. Tafatsoaka anefa izy, ka nandositra tao amin’ny Efitrano Fanjakana teo akaiky teo, niaraka tamin’ny rahalahy iray. Tsy nahalala izay nanjo azy i Chantal, ka nanao izay ho afany mba hialana tao an-tanàna niaraka tamin’ny zazakely. Ny hamonjy an’ireo zanany roa hafa no tanjony.

Hoy i Jean: “Misy fivoahan-tsetroka lehibe ilay Efitrano Fanjakana, satria trano fanaova-mofo izy io taloha. Niafina tao izahay roa lahy nandritra ny herinandro, ary nisy anabavy hutu nanatitra sakafo ho anay rehefa tsy nisy natahorana. Tao ambany tafo izahay, teo anelanelan’ny valin-drihana sy ny fanitso, ka tena notanehin’ny masoandro. Tsy nahita toerana hafa hiafenana anefa izahay. Noho izany dia nesorinay ny biriky sasany tao amin’ilay fivoahan-tsetroka, ary niforitra kely tao izahay nandritra ny iray volana mahery.

“Nisy barazy teo akaiky teo, ka matetika ireo milisy no niditra tao amin’ilay efitrano mba hiresaka na hialoka rehefa avy ny orana. Henonay mihitsy ny resak’izy ireo. Nanatitra sakafo ho anay foana ilay anabavy raha vao afaka nanao izany. Efa nila tsy ho tantiko intsony ilay izy indraindray, saingy nivavaka foana izahay mba hahavita hiaritra. Lasan’ny Antokon’ireo Tia Tanindrazana eto Rwanda ilay tanàna tamin’ny farany. Tonga àry ilay anabavy tamin’ny 16 Mey, ka nilaza fa afaka nivoaka izahay.”

Nanao ahoana kosa i Chantal? Izao no notantarainy: “Tafavoaka tao an-trano aho, tamin’ny 8 Aprily, niaraka tamin’ny zazakely. Hitako i Suzanne, rahavavy tutsi, sy Immaculée, rahavavy hutu, ka niaraka izahay. Saika ho any Bugesera, tanàna 50 kilaometatra niala teo, izahay. Tany no nisy ny ray aman-dreniko sy ny zanako roa. Henonay anefa fa nisy barazy ny lalana nivoaka rehetra, ka nankao amin’ny tanàna iray teo akaiky teo izahay. Nisy Vavolombelona havan’i Immaculée tao. Gahizi no anarany, ary Hutu izy. Nandray anay izy, na dia norahonan’ny mpiara-monina aza. Nanao izay azony natao izy mba hanampiana anay. Notifirin’ny miaramila sy ny milisy anefa izy rehefa fantatr’izy ireo hoe niaro Tutsi.

“Rehefa avy namono an’i Gahizi ry zareo, dia nentiny tany amoron-drano izahay mba hovonoina koa. Nitebiteby tsy nisy hoatr’izany izahay, niandry ny hamonoana anay. Tampoka teo anefa dia nifamaly ry zareo, ka hoy ny iray: ‘Aza mamono vehivavy leisy fa maharatsy vintana a! Lehilahy ihany no vonointsika.’ Nanaraka anay lavidavitra i André Twahirwa, anadahy vao vita batisa herinandro. Nahita tetika hitondrana anay izy, ka nampidiriny tao an-tranony izahay na dia nanohitra aza ny mpiara-monina. Nateriny tatỳ Kigali indray izahay ny ampitso, satria nieritreritra izy hoe mety hahita toerana hiafenanay. Nampiany izahay ka afaka nandalo barazy maro tena nampidi-doza. I Immaculée no nitondra ny zazakely, amin’izay raha voasakana izahay dia mba avotra ilay zaza. Nopotehinay sy Suzanne ny kara-panondronay mba tsy hahafantarana hoe Tutsi izahay.

“Teo amin’ny barazy farany, dia nokapohin’ny milisy i Immaculée sady notreroniny hoe: ‘Nahoana ianao no miaraka amin’ireto Tutsi ireto?’ Tsy navelan-dry zareo handeha izahay sy Suzanne. Nankany amin-dry Rwakabubu haingana i Immaculée sy André. Niverina i André avy eo, niaraka tamin’ny Anadahy Simon sy Mathias, ary nanafaka anay na dia nety ho namoizany ny ainy aza izany. Nentiny tao amin-dry Rwakabubu aho, fa i Suzanne kosa nankany amin’ny havany.

“Tena tsy nety tamiko intsony ny nijanona tao amin-dry Rwakabubu, ka nataon’ireo anadahy izay hitondrana ahy tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Efa niafina tao ny mpiara-manompo tutsi folo, niampy olon-kafa. Tsy nety nisaraka tamiko i Immaculée. Raha sanatria maty, hono, aho fa velona izy, dia mba hovonjeny ilay zaza.” *

Tutsi ny vadin’ny Rahalahy Védaste Bimenyimana, izay nipetraka teo akaiky teo. Nandeha nanafina ny vady aman-janany àry izy. Niverina izy avy eo ka nanampy an’izay rehetra niafina tao amin’ny Efitrano Fanjakana, mba hahita toerana azo antoka. Velona soa aman-tsara izy rehetra.

Ren’i Jean sy Chantal, taorian’ilay famonoana tambabe, fa maty ny zanany roa, izay roa taona sy dimy taona. Maty koa ny ray aman-drenin’izy ireo sy ny havan-dry zareo niisa 100 teo ho eo. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’izy mivady tamin’izany? Hoy i Chantal: “Tena hoatran’ny tsy ho zaka ilay izy tamin’ny voalohany. Ankona tanteraka izahay. Be loatra ny isan’ireo maty, tsy araka ny nampoizina. Tsy maintsy niantehitra tamin’i Jehovah izahay, sady nanantena fa hahita ny zanakay indray rehefa hitsangana ry zareo.”

NIAFINA NANDRITRA NY ROA VOLANA SY TAPANY!

Natao batisa tany Congo i Tharcisse Seminega, tamin’ny 1983. Nipetraka tany Butare, 120 kilaometatra miala an’i Kigali, izy rehefa nanomboka ilay fandripahana. Hoy izy: “Renay fa nisy didy nivoaka hoe hovonoina daholo ny Tutsi, rehefa nianjera ilay fiaramanidina nitondra ny filoha. Saika hitondra anay ho any Burundi ny rahalahy roa, saingy efa nambenan’ny milisy ny arabe sy sakeli-dalana rehetra.

“Tsy afaka nivoaka ny trano izahay, sady tsy hitanay izay haleha. Nisy miaramila efatra niambina ny tranonay, ary nasiany basimarovava terỳ amin’ny 180 metatra. Nitalaho tamin’i Jehovah aho hoe: ‘Ianao ihany Jehovah no afaka mamonjy anay, fa tsy misy na inona na inona azonay atao.’ Nihazakazaka nankao aminay ny rahalahy iray rehefa hariva ny andro. Natahotra mantsy izy sao efa maty izahay. Navelan’ny miaramila hijanona tao vetivety izy, ary faly nahita anay mbola velon’aina. Nahita hevitra izy ka tongany tany aminy ny zanakay roa. Nilaza tamin’i Justin Rwagatore sy Joseph Nduwayezu izy avy eo hoe nila fanampiana izahay mianakavy. Tonga tao aminay ireo rahalahy ireo ny alin’iny, ary nentiny tany an-tranon’i Justin izahay, na dia nampidi-doza aza izany.

“Tsy afaka nijanona ela tao izahay, satria ny ampitso ihany dia efa fantatry ny olona hoe niafina tao izahay. Nisy lehilahy atao hoe Vincent, efa nampianarin’i Justin Baiboly fa tsy nandroso. Tonga tao izy, ary nilaza fa efa miomana ny hanafika anay, hono, ny milisy. Nasainy niafina tao anaty lobolobo teo akaikin’ny tranon’i Justin aloha izahay. Nentiny tany aminy izahay rehefa maizina ny andro, ary nafeniny tao amin’ny trano bongo fasiana osy. Tafo bozaka izy io, sady tsy nisy gorodona no tsy nisy varavarankely.

“Tsy lavitra ny tsena ilay trano bongo, ary nijanona tao ela be izahay. Renay ny mpandalo niresaka ny zavatra nataony nandritra ny andro, anisan’izany ny olona novonoiny sy ny tetika mbola hataony. Vao mainka nampahatahotra anay izany, ka nivavaka foana izahay mba tsy ho faty.

“Nikarakara anay araka izay vitany i Vincent, nandritra ny iray volana. Tonga anefa ireo milisy nandositra avy tatỳ Kigali ny faramparan’ny volana Mey, ka notandindomin-doza ny ainay. Nentin’ireo mpiara-manompo tany amin’ny rahalahy iray àry izahay, satria nisy lakaly tao amin’ny tranony. Efa nisy Vavolombelona telo nafeniny tao. Nandeha an-tongotra adiny efatra sy sasany izahay vao tonga. Alina ny andro sady nampidi-doza. Soa ihany fa avy ny orana, ka tsy hitan’ireo mpamono olona izahay.

“Iray metatra sy sasany ambanin’ny tany ilay lakaly, ary hazo fisaka no varavarana. Nidina tohatra izahay, ary avy eo nandady mandra-pahatonganay tao amin’ilay efitra kely mirefy roa metatra toradroa. Nihiboka be ilay toerana, ka nisy fofona bobongolo. Triatra kely teo amin’ny rindrina no mba nampiditra hazavana kely tao. Niaraka tao izaho sy Chantal vadiko sy ny zanakay dimy mianadahy ary ireo mpiara-manompo telo nandritra ny iray volana sy tapany. Tsy sahy nandrehitra labozia izahay, sao tratra. Nanohana anay foana anefa i Jehovah. Nanao vy very ny ainy ireo rahalahy, nitondra sakafo sy fanafody, ary nampahery anay. Afaka nandrehitra labozia ihany izahay indraindray, nandritra ny andro, ka namaky Baiboly, na Tilikambo Fiambenana, na teny vakina.

“Ny tantara rehetra moa misy farany avokoa, ka tamin’ny 5 Jolay 1994 no nifarana iny tantaranay iny. Nilaza i Vincent fa afaka nivoaka izahay, satria efa nofehezin’ireo mpanafika i Butare. Tsy nahita masoandro mihitsy izahay, ka lasa hatsatra be ny hoditray. Noheverin’ny olona fa vahiny àry izahay. Lasa tsy nahay niteny mafy koa izahay fa nibitsibitsika foana. Herinandro maromaro izany vao afaka.

“Nisy vokany be tamin’ny vadiko iny zava-nitranga iny. Lasa nianatra Baiboly izy, na dia nanda foana aza nandritra ny folo taona. Rehefa nanontanian’ny olona izy dia namaly hoe: ‘Tena nampihetsi-po ahy ny fitiavan’ireo Vavolombelona. Nanao ny ainy tsy ho zavatra izy ireo mba hamonjena anay. Hitako koa hoe tena nanampy anay i Jehovah, ka namonjy anay tsy ho azon’ny antsiben’ireo mpamono olona.’ Nanokan-tena ho an’i Jehovah izy, ary natao batisa tamin’ny fivoriambe voalohany taorian’ny ady.

“Velom-pisaorana an’ireo rahalahy sy anabavy namonjy anay izahay, ary mankasitraka an’ireo nivavaka ho anay. Tsapanay mihitsy hoe tena lalina ny fitiavan’izy ireo anay, na dia tsy iray foko aminy aza.”

NILA FANAMPIANA ILAY MPANAVOTRA

Anisan’ireo nanavotra ny fianakavian’ny Rahalahy Seminega i Justin Rwagatore. Izy indray anefa izao no nila fanampiana. Voasambotra mantsy izy sy ny rahalahy maromaro, satria tsy nety nanao politika. Efa nogadrain’ilay fitondrana teo aloha izy tamin’ny 1986 noho io antony io, dia izao nigadra izao indray. Nanatona ny manam-pahefana àry ny Rahalahy Seminega sy ny rahalahy vitsivitsy, ka nanazava ny antony tsy anaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah politika. Nohazavainy koa fa tena nanavotra ny fianakaviany i Justin, nandritra ilay fandripahana foko. Vokatr’izany, dia nafahana daholo ireo rahalahy nigadra.

Nanaiky ny fahamarinana ny olona sasany, rehefa nahita ny nataon’ireo rahalahy. Anisan’izy ireny i Suzanne Lizinde, izay 65 taona teo ho eo. Katolika izy, ary hitany fa nandray anjara tamin’ilay famonoana tambabe ny fiangonany. Nanohina ny fony anefa ny nahita an’ireo Vavolombelona nifankatia sy nifanampy. Nianatra Baiboly àry izy, sady nandroso haingana. Natao batisa izy tamin’ny Janoary 1998. Nivory tsy tapaka izy, na dia nandeha an-tongotra dimy kilaometatra nandalo havoana aza. Nampiany koa ny fianakaviany, ka anti-panahy izao ny zanany iray, ary mpanampy amin’ny fanompoana ny zafikeliny iray.

ANA HETSINY NO NANDOSITRA

Tamin’ny Aprily 1994 i Henk van Bussel, misionera teto Rwanda, no nafindra tany Kenya, rehefa avy nijanona teto roa taona. Nankany Goma, any amin’ny faritra atsinanan’i Congo, izy mba hanampy an’ireo mpitsoa-ponenana avy tatỳ Rwanda. Nivezivezy teny amin’ny sampanan-dalana ireo rahalahy tamin’izany, mba hitsena an’izay Vavolombelona nitsoa-ponenana. Nitazona boky na gazety izy ireo, ary nisy koa nihira na nisioka hiran’ilay Fanjakana.

Nisy fifanjevoana be tamin’izany. Nitohy ihany mantsy ny adin’ny tafi-panjakana sy ny Antokon’ireo Tia Tanindrazana eto Rwanda. Olona ana hetsiny no nandositra nankany Congo sy Tanzania. Nirohotra namonjy ny Efitrano Fanjakana ireo rahalahy rehefa tonga tany Goma. Nasiana tobin’ny mpitsoa-ponenana teo ivelan’ilay tanàna, tatỳ aoriana. Vavolombelona sy olona liana 2 000 mahery no nokarakaraina tao, ka anisan’izany ny ankizy. Nisy maromaro ny toby toy ireny.

Hutu ny ankamaroan’ireo nandositra. Natahotra mantsy izy ireo sao hamaly faty ny Tutsi. Ny Vavolombelona kosa sady nisy Hutu no nisy Tutsi, ary niaraka foana. Nampidi-doza ny nitondra an’ireo Tutsi ho any Goma, satria mbola nitohy ny famonoana. Nisy fotoana aza tsy maintsy nandoavana 100 dolara isan’olona ireo rahalahy tutsi, vao afaka nandeha.

Te hiara-mipetraka ireo rahalahy, rehefa tonga tany Congo. Tsy te ho any amin’ireo toby nataon’ny Firenena Mikambana izy ireo, satria tany koa ny milisy. Ireo mpitsoa-ponenana hafa koa moa nanohana an’ireo mpitondra teo aloha. Tsy tia Vavolombelona ry zareo, indrindra fa ny milisy, satria tsy nanampy azy tamin’ny asa ratsiny izy ireo. Ny Vavolombelona koa te hitokana mba hiarovana an’ireo rahalahy tutsi.

Nila fanampiana ireo rahalahy mpitsoa-ponenana, satria tsy nitondra na inona na inona izy ireo rehefa nandositra. Nanampy àry ireo Vavolombelona tany Belzika, Frantsa, Congo, Kenya, ary Soisa, ka nandefa vola, fanafody, sakafo, akanjo, ary koa mpitsabo. Anisan’ny fanampiana tonga voalohany ireo tranolay kely be dia be nalefan’ny sampan’i Frantsa. Nandefa tranolay lehibe kokoa ny sampan’i Belzika, tatỳ aoriana. Nisy koa fandriana azo aforitra sy kidoro abontsina amin’ny rivotra. Ny sampan’i Kenya kosa nandefa akanjo roa taonina mahery, sy bodofotsy 2 000 mahery.

NIHANAKA NY KÔLERÀ

Vavolombelona sy olona liana 1 000 mahery no nipetraka tao amin’ny Efitrano Fanjakana tao Goma, sy teo amin’ilay tany malalaka teo akaikiny. Be loatra anefa ny mpitsoa-ponenana, ka nihanaka ny kôlerà. Nandefa fanafody haingana àry ny sampan’i Congo. Nandeha fiaramanidina avy any Nairobi koa ny Rahalahy Van Bussel, ka nitondra fanafody 60 baoritra. Natao hopitaly vonjimaika ny Efitrano Fanjakana, ary natokan-toerana ny marary. Niasa mafy tsy an-kiato ireo mpitsabo, anisan’izany i Loïc Domalain sy ny rahalahy iray, ary i Aimable Habimana avy eto Rwanda. Nanampy be koa ny Rahalahy Hamel avy any Frantsa, mbamin’ny rahalahy sy anabavy maro manam-pahaizana momba ny fitsaboana. Tonga an-tsitrapo izy ireo mba hikarakara an’ireo marary.

Natao ny ezaka rehetra mba hiadiana tamin’ilay aretina. Vavolombelona sy olona liana 150 mahery no voa, ka 40 teo ho eo no maty vao nijanona ilay izy. Nisy tany lehibe nohofana tatỳ aoriana, mba hasiana toby ho an’ireo Vavolombelona. Tranolay kely an-jatony no natsangana, ary tranolay ngezabe avy any Kenya no natao hopitaly. Nisy Amerikanina mpiasan’ny fahasalamana nitsidika tao, ka gaga be nahita hoe nilamina tsara sy nadio ilay toby.

Mpitsoa-ponenana 2 274 no nokarakarain’ny komitin’ny vonjy rano vaky tao Goma, tamin’ny Aogositra 1994. Vavolombelona sy olona liana izy ireo, anisan’izany ny ankizy. Nisy rahalahy mpitsoa-ponenana koa tany Bukavu sy Uvira, any amin’ny faritra atsinanan’i Congo, ary koa tany Burundi. Vavolombelona 230 kosa no tao amin’ny toby iray tany Tanzania.

Tsy maintsy nandositra tany Goma ireo mpandika teny teto Kigali, ka nitady trano nohofana mba hanohizany ny asany. Afaka nanafina ordinatera iray sy milina mpamokatra herinaratra ireo rahalahy tamin’ilay ady, ka ireo no nampiasain’ny mpandika teny.

Sarotra be ny nandefa taratasy na nitelefaonina tao Goma. Nisy Vavolombelona niasa anefa tao amin’ny seranam-piaramanidina, ka afaka nandefa na nitondra taratasy tany Nairobi isan-kerinandro. Izy ireo àry no nandefa an’ireo lahatsoratra nadika, sy nandray an’izay taratasy nalefan’ny sampan’i Kenya.

Sarotra ny fiainana tamin’izany, nefa niezaka nandika teny foana i Emmanuel Ngirente sy ny rahalahy roa. Tsy voadika ny lahatsoratra sasany tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, noho ny ady. Nadika ihany anefa izy ireny tatỳ aoriana, ka natao bokikely ary nodinihina tamin’ny Fianarana Boky.

FIAINANA TAO AN-TOBY

Anisan’ireo mpitsoa-ponenana avy eto Kigali ny Anabavy Francine. Nandositra tany Goma izy rehefa nisy namono i Ananie vadiny. Nafindra tao amin’ny tobin’ny Vavolombelona izy tany. Nanao ahoana ny fiainana tao an-toby? Hoy izy: “Nifandimby nikarakara sakafo ireo anadahy sy rahavavy. Ampemby na koba katsaka no natao sakafo maraina. Nikarakara sakafo antoandro koa izahay. Nandeha nitory izahay rehefa vita ny raharaha. Ireo havana tsy Vavolombelona tao an-toby no tena nitorianay, nefa niresahanay koa ireo tany ivelany. Nampidi-doza anefa izany tatỳ aoriana. Tezitra mantsy ireo milisy tany amin’ny toby hafa, rehefa hitany hoe nanana toby manokana ny Vavolombelona.”

Nahazo niverina teto Rwanda ireo rahalahy, tamin’ny Novambra 1994, satria tsy nisy natahorana intsony. Fahendrena koa ny nody, satria nampidi-doza ireo toby nisy olona tsy Vavolombelona. Tsy mora anefa ny niala tany Congo. Nikasa ny hivondrona indray mantsy ny milisy mba hanafika an’i Rwanda. Noheveriny ho mpamadika àry izay nandeha nody.

Nampandre an’ireo manam-pahefana teto Rwanda ireo rahalahy hoe nisy Vavolombelon’i Jehovah, izay tsy nandray anjara tamin’ny ady sy ny famonoana Tutsi, naniry hiverina. Nilaza ny fanjakana fa tokony horesahina ny Vaomiera Mikarakara ny Mpitsoa-ponenana (na HCR), satria izy ireo no nanana fitaterana. Tsy maintsy hosakanan’ny milisy anefa izany, ka nitady tetika ireo rahalahy.

Nanao filazana ireo rahalahy hoe hisy fivoriambe manokana any Goma. Nanamboatra lamba nisy sora-baventy nampahafantatra izany izy ireo. Nilazana mangingina avy eo ireo Vavolombelona hoe hiverina any Rwanda izy ireo. Nasaina namela ny entany rehetra ireo rahalahy, mba tsy hisarika ny sain’ny olona. Baiboly sy fihirana fotsiny no nentin’izy ireo, toy ny hoe hamonjy fivoriambe.

Nitantara i Francine hoe nandeha an-tongotra ora vitsivitsy izy ireo, ary nahita kamiao nitondra azy ireo tany amin’ny sisin-tany. Efa nisy fitaterana nokarakarain’ny HCR koa avy eo, nitondra azy ireo teto Kigali, ka hatrany amin’ny tanànan’izy ireo. Tafaverina teto Rwanda àry ny ankamaroan’ireo rahalahy sy ny fianakaviany ary ireo olona liana, tamin’ny Desambra 1994. Hoy ny gazety iray any Belzika, tamin’ny 3 Desambra 1994: “Mpitsoa-ponenana 1 500 avy any Rwanda no niala tao Zaïre [Congo], satria notandindomin-doza ny ainy. Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary nanana ny tobiny manokana, teo akaikin’ny tobin’i Katale. Nenjehin’ny fitondrana teo aloha ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy nety nitam-basy sady tsy nanao politika.”

Afaka nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Nairobi i Francine rehefa tafaverina teto. Nahazo fampiononana tamin’ny nahafatesan’ny vadiny izy, ary tena nampahery azy ny niaraka tamin’ireo rahalahy sy anabavy. Niverina niasa tao amin’ny biraon’ny fandikan-teny teto Kigali indray àry izy. Nanambady an’i Emmanuel Ngirente izy tatỳ aoriana, ary miasa ao amin’ny Betela izy ireo izao.

Ahoana no nahazakan’i Francine ny fahoriany nandritra ny ady? Hoy izy: “Ny masaka tao an-tsainay dia hoe mila miaritra hatramin’ny farany. Naleonay tsy nifantoka tamin’izay zavatra nahatsiravina nitranga. Tena nampionona ahy ny Habakoka 3:17-19, izay miresaka fa misy foana ny mahafaly na ao anatin’ny sarotra aza. Nampahery ahy koa ireo ranadahy sy rahavavy, ary nisy nandefa taratasy ho ahy. Nanampy ahy hanana fanantenana izany. Nataoko an-tsaina hoe be dia be ny tetika ampiasain’i Satana, ka raha variana amin’ny fitsapana iray isika dia mety ho voany amin’ny fitsapana hafa. Mety halemy àry ny finoantsika raha vao tsy mailo isika.”

TAFAVERINA TETO RWANDA

Tena nikarakara an’ireo Vavolombelona tafaverina teto ny Rahalahy Van Bussel. Hoy izy: “Nomena fanampiana ireo rahalahy taorian’ny ady, mandra-pahitany izay hivelomana. Anisan’izany ireo tafajanona teto, nefa namoy ny fananany rehetra. Nisy rahalahy notendrena hitsidika an’ireo fiangonana, sy hijery hoe inona no tena nilaina. Arakaraka izay nilain’ny tsirairay ny fanampiana nozaraina. Fantatr’ireo rahalahy tsara fa nila namelon-tena izy ireo satria hijanona ilay fanampiana rehefa afaka telo volana.”

Mazava ho azy fa nokarakaraina koa ny sakafo ara-panahy. Niverina tao amin’ilay birao teto Kigali ireo mpandika teny. Nilaza ny Rahalahy Van Bussel fa feno diam-bala ny rindrin’ilay trano. Mbola tao amin’ny fitehirizan’entana daholo anefa ny ankamaroan’ireo boky. Mbola nahita bala tany anaty baoritra foana izy ireo, nandritra ny volana maromaro. Nisy mpandika teny aza nahita grenady tao an-jaridaina! Nifindra tao amina trano lehibe sy arifomba kokoa ny mpandika teny, tamin’ny Oktobra 1995. Tao foana izy ireo mandra-pahavitan’ny Betela vaovao tamin’ny 2006.

‘HOATRAN’NY EFA FITSANGANANA AMIN’NY MATY!’

Efa tafaverina avy any Congo ny ankamaroan’ireo rahalahy tamin’ny Desambra 1994, ka afaka nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra “Tahotra Araka An’Andriamanitra.” Teo an-tokotanin’ny Efitrano Fanjakana iray teto Kigali no nanaovana azy io. Nisy rahalahy avy any Frantsa, Kenya ary Ogandà koa tonga. Feno be ilay toerana ny zoma maraina. Hoy ny anabavy iray: “Tena nampihetsi-po ny nahita anadahy sy rahavavy nifamihina sady nitomany. Tamin’io indray mantsy izy ireo vao nihaona hatramin’ny nisian’ilay ady. Nisy aza efa noeritreretina hoe maty!” Hoy ny anabavy iray hafa: “Hoatran’ny efa tonga sahady ny fitsanganana amin’ny maty!”

Anisan’ireo tonga avy any Kenya i Günter Reschke. Hoy izy: “Faly erỳ izahay tafahaona indray, sady nahita hoe iza avy no tsy maty fo aman’aina! Nisy olana anefa. Natahotra ny fanjakana, satria be dia be izahay. Nisy miaramila nitondra basy àry tonga ny tolakandro, ka nilaza fa ajanona ilay fivoriambe sao miteraka korontana. Tsy maintsy niala avy hatrany ny rehetra. Niezaka nampahery an’ireo rahalahy aloha izahay, vao niverina tany Nairobi. Nalahelo izahay satria tsy afaka nanatrika fivoriambe ireo rahalahy. Efa mba nanao izay azonay natao anefa izahay mba hanatanjahana azy ireo tsy hivadika. Ary natoky izahay rehefa niala tany, fa tsy hivadika tokoa izy ireo.”

Nanomboka nilamindamina ny fiainana teto Rwanda, ka maro no nody an-tanindrazana. Anisan’izany ireo teraka tany an-tany hafa, satria niala teto ny ray aman-dreniny, noho ny adim-poko sy korontana ara-politika tamin’ny 1950 ka hatramin’ny 1970. Niverina teto koa ireo nahita ny fahamarinana tany ivelany. Lasa Vavolombelona, ohatra, i James Munyaburanga sy ny fianakaviany, tany amin’ny République centrafricaine. Lasa mpiasam-panjakana izy, satria nomen’ilay fitondrana vaovao asa ireo olona tafaverina teto Rwanda. Nanohitra sy nanesoeso azy anefa ny mpiara-miasa taminy sy ny havany, noho izy nifikitra tamin’ny fitsipiky ny Baiboly. Nangataka hisotro ronono talohan’ny fotoana àry izy, ka nanao mpisava lalana maharitra. Mpisolo tena ny Vavolombelon’i Jehovah eo anatrehan’ny fitsarana izy izao.

Nahita ny fahamarinana koa i Ngirabakunzi Mashariki, tany amin’ny faritra atsinanan’i Congo. Hoy izy: “Tutsi aho, ka niharan’ny fanavakavahana nandritra ny taona maro. Hafa anefa ny zavatra hitako tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoatran’ny hoe tontolo hafa mihitsy no nisy azy ireo! Gaga aho satria tena ampiharin’izy ireo ny zavatra ampianariny. Vao mainka nanohina ny foko ny fitiavan’izy ireo, nandritra an’ilay fandripahana Tutsi tamin’ny 1994. Nanafina sy niaro anay mianakavy mantsy ireo rahalahy. Nasaina hiasa teto amin’ny Betela aho tamin’ny 1998, ary manompo eto izao izaho sy Emerance vadiko. Tsy andriko izay hahatongavan’ny tontolo vaovao. Ho foana ny fanavakavahana amin’izay, ary hiantso ny anaran’i Jehovah ny rehetra, ka hiray saina avokoa.”

NANDROSO INDRAY NY ASA FITORIANA

Nisy 2 500 ny mpitory tamin’ny Martsa 1994, taloha kelin’ny ady. Lasa 2 807 anefa izany tamin’ny Mey 1995, na dia be dia be aza no maty tamin’ilay fandripahana foko. Nirohotra nanatona ny fandaminan’i Jehovah ireo olona tso-po. Nisy 20 mahery, ohatra, ny fampianaran’ny anabavy iray mpisava lalana manokana, ary be dia be aza no te hianatra fa tsy arany! Hoy ny mpiandraikitra ny faritra iray: “Hitan’ny olona tamin’ilay ady, fa tsy mitondra mankaiza ny fikatsahana harena.”

Natao teto ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”, tamin’ny Janoary 1996. Nahafinaritra be ilay izy! Io no fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany taorian’ny ady, satria nofoanana ilay talohan’io. Hoy ny rahalahy iray: “Nifamihina ny mpanatrika sady nitomany. Tena nampihetsi-po ny nahita an’ireo Tutsi sy Hutu nifamihina be!” Nahatratra 4 424 ny mpanatrika, ary 285 no natao batisa. Hoy ny Rahalahy Reschke: “Nanohina ny fo erỳ ny nandre an’ireo hatao batisa niteny mafy hoe ‘Yego!’ (midika hoe Eny). Nilahatra izy ireo avy eo, niandry ny handrobohana azy. Nirotsaka anefa ny orana, ka kotsa ry zareo. Tsy mampaninona izany, hoy izy ireo, fa mbola ho lena ihany tsinona!”

Niverina teto Rwanda i Henk van Bussel, ary tonga tatỳ aoriana kely i Godfrey sy Jennie Bint. Voatendry hijanona teto koa i Günter Reschke, ilay nasaina nandamina ny asa fitoriana indray.

ZANAKA VERY KA HITA INDRAY!

Tafasaraka ny mpianakavy nandritra ny ady, nefa tafahaona indray tatỳ aoriana. Tamin’ny 1994, ohatra, rehefa nihamafy ny ady teto Kigali, dia nandositra ny olona rehetra, ka tafasaraka tamin’ny vadiny i Oreste Murinda. Nankany Gitarama izy, niaraka tamin’ny zanany lahy roa taona sy tapany. Rehefa nitady sakafo anefa izy, dia nisy ady indray ary raikitra ny fifanjevoana, ka tafasaraka tamin’ilay zanany koa izy.

Nihaona indray i Oreste sy ny vadiny, taorian’ny ady, fa ny zanany kosa mbola tsy hita. Nihevitra izy ireo hoe efa maty ilay zaza. Tatỳ aoriana anefa, dia nisy rangahy avy any ambanivohitra tonga hiasa teto Kigali. Nihaona tamin’ny Vavolombelona izy, ary kisendrasendra no nilazany hoe maty tamin’ny ady ny zanaky ny havan’ny mpiara-monina taminy tany Gisenyi, saingy misy zaza kamboty tezainy ao. Tadidin’io zaza io ny anaran’ny rainy, ary nolazainy fa Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniny. Fantatr’ireo rahalahy ilay anarana, ka noresahiny ry Oreste. Naseho an’ilay rangahy àry ny sarin’ilay zaza, ka tena izy tokoa. Nandeha naka ny zanany avy hatrany i Oreste. Tafahaona ihany izy mianakavy, roa taona sy tapany tatỳ aoriana! Efa vita batisa izao io ankizilahy io.

Mampahery fa vonona hitaiza an’ireo zanaka Vavolombelona ireo rahalahy, rehefa lasa kamboty tsy fidiny izy ireny. Tsy nisy mihitsy nalefa tany amin’ny fitaizana zaza kamboty. Nisy koa nitaiza ny zanaky ny mpiara-monina taminy, na ny zanaky ny havany. Efa niteraka folo ny mpivady anankiray, nefa mbola nitaiza zaza kamboty folo koa.

NISY KORONTANA INDRAY TANY AVARATRA

Mbola nisy mpitsoa-ponenana iray tapitrisa mahery tany Congo tamin’ny 1996. Nisy ady an-trano anefa tany ny faramparan’io taona io, ka tsy maintsy nisafidy izy ireo, na handositra any anaty ala, na hiverina eto Rwanda. Nody ny ankamaroany, anisan’izany ireo rahalahy mbola nijanona tany. Olona izany teny an-dalana izany! Tao ny antitra, maro koa ny tanora, izay samy miloloha entana avokoa. Ny akanjo amin’izany feno vovoka, noho ny tanimena mampiavaka an’i Afrika. Nila nankany amin’ny tanàna niaviany ireo mpitsoa-ponenana ireo, mba hisoratra anarana indray. Hentitra be ny fanjakana tamin’izany, mba hitandrovana ny filaminana.

Maro koa anefa ny olon-dratsy tafaverina niaraka tamin’ireo mpitsoa-ponenana. Anisan’izany ireo milisy Interahamwe, izay nanohy ny asa ratsiny tany amin’ny faritra avaratrandrefan’i Rwanda. Nandefa miaramila tany àry ny fanjakana, mba hampandry tany. Rahalahy maro no nipetraka tamin’io faritra io, ary voasedra mafy ny finoan’izy ireo. Teo anelanelan’ny 1997 sy 1998, dia mpitory 100 mahery no namoy ny ainy, noho izy ireo tsy nivadika. Na ny mpiandraikitra ny faritra aza tsy afaka nitsidika, indraindray, satria nampidi-doza izany.

MPIVADY MAHERY FO

Mpiandraikitra ny faritra i Théobald Munyampundu. Anisan’ireo mpiandraikitra vitsivitsy nahavita nitsidika fiangonana tany amin’ny faritra nisy hotakotaka izy sy Berancille vadiny. Imbetsaka no notandindomin-doza ny ain’izy ireo. Vita batisa tamin’ny 1984 i Théobald. Nogadraina niaraka tamin’ny Vavolombelona be dia be izy, roa taona taorian’io, ary nampijalijalina. Nanao vy very ny ainy koa izy mivady tamin’ilay famonoana tambabe, satria nanafina mpiara-manompo. Maty ny renin’ny ankizilahy iray ka izy mivady no nanavotra azy. Nankany Tanzania izy ireo avy eo, ary nitsidika toby roa i Théobald. Nampahery an’ireo rahalahy tao Benaco aloha izy, ary avy eo tao Karagwe na dia be jiolahy aza ny lalana.

Nony niverina teto Rwanda izy mivady, dia mbola nanao vy very ny ainy indray mba hitsidihana an’ireo Vavolombelona tany avaratrandrefana. Hoy i Théobald: “Nifanalavitra ireo fiangonana indraindray. Tsy afaka nijanona natory koa izahay, satria tsy nilamina ny tany. Nandritra ny fitsidihana iray, dia nandeha an-tongotra adiny valo nandroso sy niverina izahay isan’andro, tao anatin’ny oram-be, ary nody tany amin’ny toerana nilasianay ny hariva.”

Nitsidika antoko-mpitory i Théobald indray mandeha. Hoy izy momba ny rahalahy iray: “Jamba i Jean-Pierre, nefa gaga aho fa nitsangana izy mba hanao ny famakiana Baiboly tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Hainy tsianjery ireo andininy, ary tsy nisy diso. Voahajany hatramin’ny mari-piatoana! Nasainy novakin’ny rahalahy iray mantsy ilay izy talohan’io, ary notadidiny. Tena nampahery ahy ny fikirizany.”

Nahafa-po an’i Théobald ny fiainany, na dia nampidi-doza aza indraindray. Hoy izy: “Nitoky tamin’i Jehovah izahay, nandritra an’ireny fotoan-tsarotra ireny. Nosaintsaininay ny Hebreo 13:6 hoe: ‘Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?’ ” Nazoto nanao ny asan’ny faritra sy vondrom-paritra i Théobald. Mbola mpisava lalana manokana izy mivady, na dia tsy salama aza.

FANORENANA EFITRANO FIVORIAMBE

Lasa nanahirana ny nahita toerana tsara hanaovana fivoriamben’ny vondrom-paritra, rehefa nihamaro ny Vavolombelona teto Kigali. Tamin’ny Desambra 1996, ohatra, dia nisy fivoriambe tao amin’ny kianjan’i Kigali. Simba anefa ny fivarinan-drano, ka nivoaka ny loto avy ao amin’ilay fonja teo akaiky teo. Nitaraina ireo rahalahy satria maimbo be ilay izy. Natahotra koa ny ray aman-dreny sao harary ny zanany. Hitan’ny Komitin’ny Tany hoe tsy mendrika intsony ilay toerana, ka nanapa-kevitra izy ireo fa tsy hanao fivoriambe ao amin’io kianja io intsony. Aiza indray anefa no hanaovana fivoriambe?

Nomen’ny Minisitry ny Fananan-tany toerana azo anorenana Efitrano Fanjakana ny fiangonana iray teto Kigali. Ngezabe anefa ilay tany, ka raha efitrano iray ihany no hatao eo, dia hanesoran’ny fanjakana ilay izy ary homeny olon-kafa. Sady nitoky tamin’i Jehovah àry ireo rahalahy no nangataka ny hanao Efitrano Fanjakana iray, sy efitrano iray hafa haorina any aoriana, ary tany malalaka azo anaovana fivoriambe. Neken’ny fanjakana ny planina nalefan’izy ireo.

Nokarakarain’ireo rahalahy ilay tany ary nasiany fefy. Mpiasa an-tsitrapo an-jatony no nanala ny lobolobo sy nanao lavaka hatao kabine. Nahazo toerana mahafinaritra izy ireo izao mba hanaovana fivoriambe, sady somary misolampy kely ilay izy.

Nanao fivoriambe roa sy fivoriana manokana teo amin’io toerana io ireo rahalahy, taorian’izay. Nandrivotra be anefa tamin’izay sady avy ny orana, ka tsy maintsy nielo na nialokaloka tao ambany labasy ny mpanatrika. Natao àry ny fangatahana tany amin’ny Filan-kevi-pitantanana mba hanorenana Efitrano Fivoriambe tsy misy rindrina.

Nanaiky ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny Martsa 1998, ka natomboka avy hatrany ny asa. Fianakaviana manontolo no tonga nandavaka ny fototra, ary niara-nientana ny rehetra. I Jean-Jules Guilloud, avy any Soisa, no nanao ny lahateny fitokanana, tamin’ny 6 Martsa 1999.

Efa nilamina teto Rwanda, ka tonga i Ralph sy Jennifer Jones, misionera vaovao, tamin’ny Febroary 1999. Voatendry hanompo tao amin’ny biraon’ny Komitin’ny Tany izy ireo, ka lasa 21 ny Betelita.

Efa nisy rahalahy roa nahavita ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana (na Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo) tany Kinshasa, tany amin’ny 1 600 kilaometatra. Nisy ady anefa tany Congo, ka vao mainka sarotra ny nankany Kinshasa. Nanaiky àry ny Filan-kevi-pitantanana fa hatao eto Kigali ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Mpianatra 28 avy any Burundi sy Congo, ary avy eto Rwanda no nanatrika ny kilasy voalohany. Nahazo diplaoma tamin’ny Desambra 2000 izy ireo.

Lasa sampana i Rwanda tamin’ny Mey 2000. Nandroso be ny asa ka te hanorina biraon’ny sampana ireo rahalahy mba hisahana an’izany. Nahita tany mety tsara izy ireo, tsy ela taorian’izay. Roa hektara ilay izy, ary novidina tamin’ny Aprily 2001. Tsaroan’ireo rahalahy fa mafy be ny nanala an’ireo lobolobo teo amin’ilay tany. Efa an-taona maro mantsy ilay izy no tsy nisy nikarakara.

VOLKANO TANY CONGO

Tamin’ny 17 Janoary 2002, dia nipoaka ny Volkano Nyiragongo, izay 16 kilaometatra avy eo Goma, any amin’ny faritra atsinanan’i Congo. Nandositra ny ankamaroan’ny mponina. Nisy mpitory 1 600 tany tamin’izany. Maro tamin’izy ireo no nandositra niaraka tamin’ny zanany sy ireo olona liana, ka nankany Gisenyi, tanàna atỳ Rwanda. Nasaina namonjy ny Efitrano Fanjakana izy ireo rehefa tonga.

Nandefa kamiao nitondra fanampiana telo taonina ny sampana ny ampitso. Nalefa haingana tany amin’ireo Efitrano Fanjakana enina tany akaikin’ny sisin-tanin’i Congo ireo fanampiana. Anisan’izany ny sakafo, bodofotsy, ary fanafody.

Natahotra anefa ny fanjakana satria be loatra ireo Kongoley tao amin’ny Efitrano Fanjakana, ka sao mampisy korontana. Nasainy nalefa tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana àry izy ireo. Nihaona tany Goma ny solontenan’ny Komitin’ny Sampana teto Rwanda sy ny rahalahy roa anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Congo, ary anti-panahy avy ao Goma. Tsy tian’ireo rahalahy kongoley halefa any amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana teto Rwanda ireo Vavolombelona iray tanindrazana aminy. Hoy izy ireo: “Tamin’ny 1994 izahay nahavita nikarakara rahalahy sy olona liana 2 000 mahery avy any Rwanda, koa nahoana ireo no halefanay any amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana? Aleo ry zareo miverina atỳ aminay, dia izahay ihany no hikarakara azy hoatran’ny nataonay tamin’ireo rahalahy avy any Rwanda.”

Tena tsara ny nataon’ireo rahalahy kongoley. Naleony nentina nody ireo rahalahiny tra-boina ary nozarazarainy tamin’ny mpiara-manompo, toy izay halefa any amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana, izay tantanan’ny olona tsy Vavolombelona. Nipetraka tamin’ny mpiara-manompo aloha izy ireo. Nandefa fanampiana i Belzika sy Frantsa ary Soisa, taorian’izay. Nijanona tany Goma ireo rahalahy, mandra-pahavitan’ny trano naorina ho azy ireo.

FISEHOAN-JAVATRA NIAVAKA

Ny Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknika ao Afrika Atsimo no nanao ny planin’ilay sampana vaovao. Orinasa teo an-toerana kosa no nanao ny fanorenana. Nanampy tamin’ilay tetikasa ny mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena, ary nanisy endrika ny manodidina ireo mpiasa an-tsitrapo avy eto an-toerana. Vita ihany ilay izy na betsaka aza ny olana, ka afaka nifindra ny fianakavian’ny Betela tamin’ny Martsa 2006. I Guy Pierce no nanao ny lahateny fitokanana, tamin’ny 2 Desambra 2006. Nisy 553 ny mpanatrika, anisan’izany ny solontena 112 avy amin’ny firenena 15.

Anisan’ireo niasa tamin’ny fanorenana i Jim sy Rachel Holmes, avy any Kanada. Nahay Tenin’ny Tanana Amerikanina izy ireo, ary nanolo-tena hampianatra an’izay Betelita liana tamin’izany. Enina no nazoto, ka nianatra isaky ny alatsinainy, taorian’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Lasa nahay be izy ireo, ka tsy ela dia nisy antoko-mpitory tamin’ny tenin’ny tanana teto.

Nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana tany Soisa i Kevin Rupp. Voatendry ho misionera teto Rwanda izy tamin’ny Jona 2007, mba hanampy an’ireo mampiasa tenin’ny tanana. Tsy ela taorian’izay, dia nisy mpivady misionera avy any Kanada nalefa teto noho izy ireo nahay tenin’ny tanana. Niorina ny fiangonana mampiasa tenin’ny tanana tamin’ny Jolay 2008, ary niampy antoko-mpitory hafa izany tatỳ aoriana.

Nientanentana erỳ ireo rahalahy tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2007, rehefa navoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny teny kinyarwanda! Efa tamin’ny 1956 no namoaka ny Baiboly manontolo amin’io fiteny io ny Vondron’ireo Fikambanana Mampiely Baiboly. Marina aloha fa niezaka izy ireo namoaka Baiboly tamin’ny fiteny fampiasan’ny olona, sady nampiasa ny anarana hoe YEHOVA impito ao amin’ny Soratra Hebreo. Hafa ihany anefa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, satria afaka manana azy io ny olon-drehetra, indrindra fa ny mahantra. Marina tsara sady mora vakina ilay izy, noho ny ezaka mafy nataon’ireo mpandika teny izay niara-niasa tamin’ny Sampan-draharaha Foiben’ny Fandikan-teny any New York. Tena mampahery ny mahita an’ireo ankizy any amin’ny Efitrano Fanjakana. Samy mitazona Baiboly izy ireo, sady mazoto manangan-tanana erỳ rehefa misy andinin-teny vakina!

NIATRIKA FITSAPANA INDRAY

Marina fa afaka nanao tsara ny fanompoany ireo rahalahy, hatramin’ny nanekena azy ireo ho ara-dalàna tamin’ny 1992. Mitohy anefa ny fitsapana, noho izy ireo tsy mandray anjara amin’ny ady sy politika. Rahalahy an-jatony no nosamborina nandritra ny 15 taona lasa. Nasaina nanara-maso ny tanàna niaraka tamin’ny miaramila mantsy ny lehilahy rehetra, rehefa alina. Tsy nety nanao anefa ireo rahalahy. Nisy solontena àry nirahina mba hihaona tamin’ny minisi-panjakana. Vokatr’izany dia nampanaovin’ny manam-pahefana asa hafa ireo rahalahy, ho solon’ilay izy.

Mpampianatra 215 no voaroaka tamin’ny asany tato anatin’ny taona vitsivitsy, satria tsy nety nanatrika fivoriana ara-politika. Ankizy mpianatra 118 koa no voaroaka tany an-tsekoly, satria tsy nety nanao ny hiram-pirenena. Navela hianatra ihany anefa ny ankamaroan’izy ireo, rehefa afaka volana maromaro. Nisy solontenan’ny sampana mantsy nanatona ny manam-pahefana, ka nanazava ny zavatra inoantsika. Nohazavain’izy ireo fa nogadraina ny Vavolombelona tamin’ny 1986 satria tsy niandany tamina antoko politika. Noho izy ireo tsy niandany tamin’ny foko na antoko politika indrindra anefa no nahatonga azy ireo tsy handray anjara tamin’ilay famonoana tambabe tamin’ny 1994.—Jaona 17:16.

Mankatò lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy miandany amin’ny antoko politika mihitsy, na iza na iza eo amin’ny fitondrana. Tamin’ny 1986, ohatra, dia nogadraina herintaona sy enim-bolana i François-Xavier Hakizimana, satria tsy nanao politika. Niova ny fitondrana taorian’ilay fandripahana foko, nefa mbola nogadraina indray izy tamin’ny 1997 sy 1998, noho io antony io ihany. Manaporofo izany fa mifikitra amin’ny toro lalan’ny Soratra Masina foana ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy hoe te hanohitra fitondrana fotsiny.

Afaka mivory sy manao fivoriambe an-kalalahana izao ireo rahalahy. Mahazo mitory sy manao fivoriana any am-ponja koa izy ireo, ka voafonja maro no nanaiky ny fahamarinana. Ankoatra izany, dia nahazo fandresena ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny raharaha ara-pitsarana enina, tamin’ny taom-panompoana 2009.

MAHAVELOM-PANANTENANA NY HOAVY

Anisan’ny niavaka teto Rwanda koa ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Efitrano tsotsotra 290 eo ho eo no efa naorina, hatramin’ny nanombohan’ilay fandaharana natao tamin’ny 1999, mba hanorenana efitrano any amin’ny tany mahantra.

Nafana fo erỳ ireo mpitory teo an-toerana nanampy an’ireo mpiasa an-tsitrapo, ka vita tao anatin’ny telo volana ny ankamaroan’ireo efitrano. Mahaliana ny mpitazana izany, ka afaka mitory amin’izy ireny ireo rahalahy. Nanorina Efitrano Fivoriambe folo ireo rahalahy, ankoatra an’ilay eto Kigali. Tsotsotra sady kelikely, ary tsy misy rindrina izy ireny, nefa tena manampy an’ireo mpitory. Tsy voatery mandeha an-tongotra lavitra be mamakivaky tendrombohitra intsony izy ireo rehefa hamonjy fivoriambe. Misy koa Efitrano Fanjakana efatra azo itarina, izay azo anaovana fivoriambe.

Rehefa miandoha ny taona, dia miezaka daholo ny fiangonana rehetra eto, mandritra ny volana vitsivitsy, mba hitory amin’ireo faritany tsy voasa matetika na mbola tsy nitoriana mihitsy. Mianto-tena izy ireo amin’izany, ary tonga lavitra be mihitsy indraindray. Nandefasana mpisava lalana manokana tsy maharitra ny toerana lavitra sasany. Nanompo tany izy ireo nandritra ny telo volana. Nanjary nisy antoko-mpitory tamin’ireny faritra ireny, ary lasa fiangonana izany tatỳ aoriana. Fampianarana Baiboly an-jatony, ohatra, no natomboka tamin’ny Janoary ka hatramin’ny Martsa 2010, ary antoko-mpitory sivy no niorina. Nisy mpisava lalana manokana tsy maharitra 30 koa, nanangana antoko-mpitory vaovao 15.

DINGANA LEHIBE VITAN’I RWANDA

Faly be ireo rahalahy teto Rwanda tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra “Miambena Hatrany!”, rehefa nandre fa hisy fihirana vaovao. Nientam-po erỳ izy ireo nihaino santionan’ireo hira vaovao tamin’ny teny kinyarwanda. Nadika avy hatrany ilay fihirana, ka voarain’ny fiangonana ara-potoana. Afaka nampiasa azy io àry ireo rahalahy tamin’ny Janoary 2010, niaraka tamin’ireo Vavolombelona maro eran-tany.

Mazava ho azy fa rehefa nivoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny 2007, dia nanontany tena ireo rahalahy hoe rahoviana no ho vita ny Baiboly manontolo. Rehefa nihananakaiky ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2010, dia nilazana ireo rahalahy fa ho avy eto Rwanda i Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, amin’ny Aogositra. Hatao ao amin’ny kianja fanaovam-baolina eo ampitan’ny Betela ilay fivoriambe. Nientanentana erỳ ny rehetra. Faly tsy nisy hoatr’izany izy ireo, rehefa nilaza ny Rahalahy Pierce, fa vita amin’ny teny kinyarwanda ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Samy nahazo Baiboly iray avy ireo mpanatrika 7 149, ny zoma maraina. Nisy rahalahy avy any amin’ny faritra hafa koa tonga ny alahady, ka tafakatra 11 355 ny isan’ny mpanatrika. Nisy miaramila nanao fanazaran-tena tao ivelan’ilay kianja. Nangataka Baiboly koa izy ireo, ka nomena 180. Nahazo ny anjarany koa ny ben’ny tanànan’i Kigali sy ny lehiben’ny polisy, ary ny manam-pahefana tao amin’ny Minisiteran’ny Fanatanjahan-tena. Faly erỳ izy ireo nandray izany.

Mpitory telo monja no teto tamin’ny 1970. Misy mpitory 20 000 eo ho eo anefa izao eran’i Rwanda. Mitarika fampianarana Baiboly 50 000 eo ho eo izy ireo isam-bolana, ary nisy 87 010 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny Aprily 2011. Malaza ho be zotom-po ny mpitory eto, ary manaporofo an’izany ny tantaran’izy ireo. Ny 25 isan-jaton’ny mpitory no manompo manontolo andro. Ny ambiny kosa mahavita 20 ora eo ho eo isam-bolana. Tena be atao izy ireo miara-miasa amin’ilay “Tompon’ny vokatra”, sady tsy mieritreritra ny hampihena ny zotom-pony. Mitahy ny asa tokoa i Jehovah, ka mino isika fa mbola ho maro no hirohotra hanatona an’ilay tendrombohitra misy ny fivavahana marina, eto amin’ity Tanin’ny Havoana Arivo ity.—Mat. 9:38; Mika 4:1, 2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Ilay anarana hoe Congo ampiasaina ato dia manondro an’i Congo (Kinshasa), izay miavaka amin’i Congo (Brazzaville).

^ feh. 95 Lasa mpitory tokoa i Deborah ary natao batisa tamin’izy folo taona. Manao mpisava lalana miaraka amin’ny reniny izy izao.

^ feh. 111 Anabavy vita batisa izao io zaza io.

[Teny notsongaina, pejy 178]

Nampitandrina an’ireo voafonja izy hoe aza mifandrairay amin’ny Vavolombelona

[Teny notsongaina, pejy 181]

Nifampiarahaba izy ireo hoe “Komera!”, izany hoe “Mahereza!”

[Teny notsongaina, pejy 218]

‘Ianao ihany Jehovah no afaka mamonjy anay, fa tsy misy na inona na inona azonay atao’

[Efajoro/Sary, pejy 166]

Indray Mitopy Maso An’i Rwanda

Ilay Tany

Mirefy 233 kilaometatra i Rwanda avy any andrefana ka hatrany atsinanana, ary 177 kilaometatra monja ny sakany. I Kigali no renivohitra.

Mponina

I Rwanda no tany be mponina indrindra atỳ Afrika, satria misy olona maherin’ny 11 tapitrisa. Hita eto ny Hutu, Tutsi, Twa, ary olona avy any Azia sy Eoropa. Maherin’ny antsasaky ny mponina no Katolika, ary Protestanta ny ampahefany mahery, anisan’izany ny Advantista. Silamo na ao amin’ny fivavahana hafa kosa ny ambiny.

Fiteny

Ny teny kinyarwanda sy anglisy ary frantsay no fiteny ofisialy. Ny teny swahili no ampiasaina, rehefa manao raharaha ara-barotra amin’ny firenena manodidina.

Fivelomana

Tantsaha ny ankamaroan’ny mponina. Tsy tena mahavokatra ny tany, ka ho an’ny mpamboly ihany ny vokatra. Anisan’ny ambolena eto ny dite sy ny telovoninahitra dia, izay voninkazo anamboarana fanafody famonoana bibikely. Ny kafe no vokatra tena aondran’i Rwanda.

Sakafo

Be mpitia ny ovy sy akondro ary tsaramaso.

Toetany

Akaikin’ny ekoatera i Rwanda, nefa antonony ny hafanana: 21 degre eo ho eo ny mari-pana ao afovoan-tany, ary betsaka ny rotsakorana isan-taona.

[Efajoro/Sary, pejy 185]

“Andao Handeha sao Enjehin’i Jehovah Eo!”

EMMANUEL NGIRENTE

TERAKA 1955

BATISA 1982

TANTARANY Anisan’ny Komitin’ny Sampana sady mpiandraikitra ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny.

◼ MPISAVA LALANA tany amin’ny faritra atsinanan’i Rwanda aho tamin’ny 1989. Gaga be aho fa nantsoina handika teny. Mbola tsy nandika teny mihitsy anefa aho, sady hitako hoe tsy nahafeno fepetra. Nanofa trano izahay, ary nahazo rakibolana. Boky telo aloha no nadikako. Niasa alina aho indraindray, ary nisotro kafe mba tsy hatory.

Notafihin’ny mpikomy i Rwanda tamin’ny Oktobra 1990, ary nahiahina ho niray tsikombakomba tamin’izy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanadihady àry ny polisy. Tao an-trano foana aho, ka noheverin’izy ireo hoe tsy an’asa. Tiany ho fantatra àry izay nataoko, ka tonga tampoka izy ireo indray andro. Efa niasa nandritra ny alina aho tamin’izay, ary vao saika hatory nony tonga ny tamin’ny dimy maraina. Nisy nitelefaonina anefa aho, ary nilazana fa tokony handeha hanao asam-pokonolona.

Nisy nisava ny tranoko rehefa lasa aho. Nilaza ny mpiara-monina, avy eo, fa tonga tao amiko ny polisy sy ny manam-pahefana, ary novakiny nandritra ny adiny iray ireo fandikan-teny nataoko. Hitany niverimberina tao ny anaran’i Jehovah, ka hoy izy ireo tamin’ny farany: “Andao handeha sao enjehin’i Jehovah eo!”

[Efajoro/Sary, pejy 194]

Iray Tapitrisa no Maty!

Hoy ny Rakipahalalana Momba ny Famonoana Tambabe sy Fanitsakitsahana ny Zon’olombelona: “Iray tamin’ireo fandripahana foko niharihary indrindra tamin’ny andro ankehitriny, ilay nitranga tany Rwanda tamin’ny 1994. Notetezin’ny Hutu ny toerana nisy Tutsi, izay vitsy an’isa, ka naripany daholo izay tratrany, teo am-piandohan’ny Aprily ka hatramin’ny tapatapaky ny Jolay. Natahotra ny hamoy ny toerany mantsy ireo mpitondra hutu nahery fihetsika, satria nisy fihetsiketsehana sy ady an-trano tamin’izay. Nanao tetika àry izy ireo mba hamonoana an’izay rehetra nanohintohina ny fitondrana, na Tutsi izany na izay Hutu tsy niandany taminy. Tsy nijanona ilay famonoana raha tsy tafakatra teo amin’ny fitondrana ireo mpikomy, izay Tutsi ny ankamaroany. Ireo mpitondra teo aloha kosa nandositra. Olona iray tapitrisa mahery no namoy ny ainy, tao anatin’ny 100 andro. Iny famonoana olona tany Rwanda iny àry no ratsy indrindra teo amin’ny tantara.”

Vavolombelon’i Jehovah 400 teo ho eo no maty tamin’iny fandripahana iny, ka anisan’izany ireo Hutu izay niezaka niaro an’ireo rahalahy sy anabavy tutsi. Tsy nisy mihitsy anefa hoe Vavolombelona namono Vavolombelona.

[Sary]

Mpitsoa-ponenana miala an’i Rwanda

[Efajoro/Sary, pejy 197]

Fiangonana ‘Namonoana Olona’

“Rehefa nisy ady taloha, dia nasaina niafina tao am-piangonana ny olona mba ho voaro. Nolazaina àry fa tsy ho faty ireo Tutsi an’aliny, raha niafina tao. Novonoin’ireo milisy sy miaramila hutu anefa izay rehetra nialokaloka tao anaty fiangonana sy sekoly. Nanao tifitra variraraka izy ireo sady nanipy grenady. Nojinjainy tamin’ny kalaza sy antsim-bilona ary antsy kosa izay sisa tsy maty. ... Efa navelan’ny Eglizy hamonoana olona ny fiangonana. Ankoatra izany, dia natoron’ireo mpitondra fivavahana sy katekista ary mpiangona an’ireo milisy ny anaran’ireo Tutsi tao an-tanàna, ka mora taminy ny namono azy ireo. Ireo mpitondra fivavahana mihitsy aza indraindray no namono.”—Ny Fivavahana Kristianina sy ny Famonoana Tambabe Tany Rwanda.

“Ny tena tsinin’ny Eglizy [Katolika] dia izy io nivadika tamin’ny mpitondra tutsi, ka nitarika ny tolom-bahoaka nataon’ny Hutu, ary nampiakatra an’i Habyarimana teo amin’ny fitondrana. Anisan’ny tena tompon’andraikitra tamin’ilay famonoana tambabe koa ny Eglizy Katolika, hoy ny mpanao tsikera, satria nampirisika ny olona hifankahala, sy nanafina mpanao heloka bevava, ary tsy niaro an’ireo nila vonjy taminy. Nomen-tsiny koa izy io, satria mba mpitaiza ny ankamaroan’ny mponin’i Rwanda eo amin’ny lafiny ara-panahy ihany, nefa tsy mba niezaka nampitsahatra an’ilay famonoana tambabe.”—Rakipahalalana Momba ny Famonoana Tambabe sy Fanitsakitsahana ny Zon’olombelona.

[Efajoro/Sary, pejy 201-203]

“Aleo Tsy Vonoina fa Be Mpiaro Loatra”

JEAN-MARIE MUTEZINTARE

TERAKA 1959

BATISA 1985

TANTARANY Rahalahy sariaka, manorina trano no asany. Nigadra valo volana tamin’ny 1986, taoriana kelin’ny batisany. Nanambady tamin’ny 1993. Mpitari-draharaha ao amin’ny Komitin’ny Efitrano Fivoriambe eto Kigali izy izao.

◼ NIREFOTRA ny basy tamin’ny 7 Aprily, ka taitra tampoka izaho sy Jeanne vadiko ary Jemima zanakay vavikely. Nihevitra izahay fa korontana kely ilay izy. Fantatray anefa avy eo fa nanomboka namono ny Tutsi rehetra ny milisy Interahamwe. Tutsi izahay ka tsy sahy nivoaboaka. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah izahay mba hahitanay izay hatao. Nanao vy very ny ainy i Athanase sy Charles ary Emmanuel tamin’izany, mba hanatitra sakafo ho anay. Rahalahy hutu be herim-po izy ireo.

Samy niafina tany an-tranon’ny rahalahy maromaro izahay mivady, nandritra ny iray volana teo ho eo. Tonga tao amin’ny toerana niafenako ny milisy, indray andro, nitondra antsy sy lefona ary kalaza. Nahery vaika ny fanenjehana Tutsi tamin’izay. Hitako tamy ry zareo, ka nirifatra tany anaty kirihitra aho. Tratran-dry zareo anefa aho. Rehefa nijoro nanodidina ahy ireo vatan-dehilahy nitam-piadiana, dia nolazaiko taminy fa Vavolombelon’i Jehovah aho. Hoy anefa izy ireo: “Mpikomy ialahy!” Nodakan’izy ireo aho, ka nianjera ary noveleziny tamin’ny kibay sy vodibasy. Nitangorona ny olona. Nisy olona efa nitoriako teo. Nisikina herim-po izy ka niantsoantso hoe: “Mba avelao re izy e!” Tonga koa avy eo i Charles. Nitomany ny vady aman-janany rehefa nahita ahy nihosin-dra teo amin’ny tany. Navelan’ireo mpamono olona handeha ihany àry aho, sady hoy izy: “Aleo tsy vonoina fa be mpiaro loatra.” Nentin’i Charles nody tany aminy aho mba hotsaboina. Nilaza ireo milisy fa raha tafatsoaka aho dia i Charles indray no hovonoina.

Nokapohina koa i Jeanne nandritra ny fanafihana nahatsiravina iray, ary efa saiky maty. Nisy nilaza taminy tatỳ aoriana fa novonoin’ny olona aho. Nasain’izy ireo nitady lambamena hamonosana ny fatiko mihitsy aza izy.

Faly izahay mivady rehefa nihaona tao an-tranon’i Athanase, ka latsa-dranomaso. Notandindomin-doza ihany anefa ny ainay ny ampitso. Andro hafa nampivadi-po sy nampitebiteby koa io, satria nila niova toerana niafenana imbetsaka izahay. Nitalaho tamin’i Jehovah aho hoe: “Ampio indray re izahay, fa efa mba nampianao omaly e! Mba te hitaiza ny zanakay izahay sady mbola te hanompo anao!” Rehefa hariva ny andro, dia nisy rahalahy hutu telo nanao vy very ny ainy nitarika anay nandalo barazy nampidi-doza. Efa ho 30 ny Tutsi niaraka tamin’izy ireo tamin’io. Nanaiky ny fahamarinana ny enina tamin’ireo.

Henonay, tatỳ aoriana, fa mbola nanampy olon-kafa indray ry Charles sy ny namany. Tezitra be anefa ireo milisy rehefa fantany hoe Tutsi maromaro no nampiany handositra. Tratran’izy ireo i Charles sy ilay mpitory hutu atao hoe Léonard. Henon’ny vadin’i Charles ry zareo niteny hoe: “Tsy maintsy maty ialahy isany fa nanampy Tutsi handositra.” Dia novonoiny tokoa izy roa lahy. Tsaroako tamin’izay ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.”—Jaona 15:13.

Efa talohan’ny ady izahay sy Jeanne no niaraka. Mba nirinay hoe ho lasa mpisava lalana ny iray aminay roa, rehefa mivady izahay. Betsaka anefa ny havanay maty rehefa vita ny ady, ka voatery nitaiza kamboty enina izahay na dia efa niteraka roa aza. Lasa mpisava lalana ihany i Jeanne, ary efa 12 taona izy izao no nanao izany. Efa vita batisa daholo ireo zaza notezainay, na dia tsy zanaka Vavolombelona aza. Mpanampy amin’ny fanompoana izao ny telo. Ny vavy iray indray manompo ao amin’ny Betela miaraka amin’ny vadiny. Efatra izao ny zanakay mivady, ary efa vita batisa izy roa vavy zokiny.

[Sary]

Ry Mutezintare mivady sy ny zanany roa ary ireo zaza kamboty dimy

[Efajoro/Sary, pejy 204, 205]

‘Tsy Namoy Fo Izahay Noho ny Fahamarinana’

Mpirahavavy iray tam-po i Valérie Musabyimana sy Angeline Musabwe. Katolika hiringiriny ny fianakavian’izy ireo, ary lohandohany tao amin’ny paroasy iray ny dadany. Nianatra ho masera nandritra ny efa-taona i Valérie. Najanony anefa izany tamin’ny 1974, satria nahasosotra azy ny fitondran-tenan’ny mompera iray. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tatỳ aoriana, ary natao batisa. Lasa mpisava lalana izy tamin’ny 1979. Nianatra Baiboly koa i Angeline, ary natao batisa. Mpisava lalana manokana izao izy mirahavavy, ary efa nanampy olona maro hahita ny fahamarinana.

Nipetraka teto Kigali i Angeline sy Valérie, rehefa nanomboka ilay famonoana tambabe. Nanafina olona sivy tao an-tranony izy ireo ary anisan’izany ny vehivavy bevohoka roa. Vao nisy namono ny vadin’ilay ramatoa anankiray tamin’izay. Teraka io vehivavy io rehefa nandeha ny fotoana. Nampidi-doza ny nivoaka ny trano, ka izy roa ihany no nampiteraka azy. Nanatitra sakafo sy rano ny mpiara-monina raha vao nahalala izany.

Fantatr’ireo milisy fa nanafina Tutsi ry Valérie, ka tamy izy ireo ary nilaza hoe: “Tonga hamono Vavolombelona tutsi izahay.” Tsy sahy niditra anefa izy ireo, satria miaramila manamboninahitra ny tompon-tranon-dry Valérie. * Tsy maty àry izay rehetra tao an-trano.

Tsy maintsy niala tao amin’io toerana io ry Valérie, rehefa nihamafy ny ady ary tsy nijanona ny tifitifitra. Nankany Goma izy sy ny Vavolombelona hafa, ary nandray azy ireo tsara ireo rahalahy kongoley. Nitory foana izy ireo tany, ka olona maro no nampianariny Baiboly.

Inona no nanampy azy ireo tsy ho kivy, taorian’iny ady iny? Nalahelo i Valérie nilaza hoe: “Maro tamin’ny olona nampiako no maty, anisan’izany i Eugène Ntabana sy ny ankohonany. Tsy namoy fo anefa izahay noho ny fahamarinana. Fantatray fa hotsarain’i Jehovah ny mpanao ratsy.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 265 Nianatra Baiboly ilay tompon-trano taorian’ny ady. Maty izy tatỳ aoriana. Lasa Vavolombelona ny vadiny sy ny zanany mianadahy.

[Efajoro/Sary, pejy 206, 207]

Vonona ny ho Faty ho Anay ry Zareo

ALFRED SEMALI

TERAKA 1964

BATISA 1981

TANTARANY Nipetraka tany akaikin’i Kigali izy sy Georgette vadiny. Tia vady aman-janaka izy, ary anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly eto Kigali izao.

◼ VAO nanomboka ny famonoana tambabe dia nampitandrina anay i Athanase, rahalahy hutu iray, hoe: “Vonoin-dry zareo daholo ny Tutsi, ary tsy hiantra anareo izy.” Tsy nanaiky izy raha tsy nankany aminy izahay. Nanamboatra efitra ambanin’ny tany izy talohan’ilay ady, ary tao no nanafenany anay. Izaho no voalohany nidina an’ilay tohatra namboariny. Nitadiavan’i Athanase sakafo sy kidoro izahay. Ny fandripahana tamin’izay nitohy foana.

Fantapantatry ny olona hoe niafina tao izahay. Nampitahorin’izy ireo àry i Athanase hoe hodorany, hono, ny tranony. Nanafina anay foana anefa ry Athanase mianakavy. Tena vonona ny ho faty ho anay ry zareo.

Nafotaka ny ady ka nidina tao aminay koa ry Athanase mianakavy, rehefa afaka telo andro. Lasa 16 izahay no tao. Maizin-kitroka tao, satria tsy sahy nandrehitra jiro izahay. Vary manta nalona ranon-tsiramamy no sakafonay, ka samy nomena eran’ny sotro isan’andro ny tsirairay. Lany anefa ilay izy rehefa afaka folo andro. Noana be izahay telo andro taorian’izay. Inona àry no hevitra? Zara raha nahita izay nitranga tany ivelany izahay teo an-tampon’ilay tohatra, nefa tsikaritray ihany hoe niova ny toe-javatra. Hoatran’ny hafa indray ny fanamian’ireo miaramila hitanay. Koa satria niaro ahy foana ry Athanase teo aloha, dia izaho indray izao no mila manao zavatra. Tapaka ny hevitro fa handeha hivoaka hitady sakafo aho, miaraka amin’ny zanak’i Athanase anankiray. Nivavaka izahay rehetra talohan’ny nandehananay mianaka.

Niverina izahay rehefa afaka antsasak’adiny teo ho eo, ary nilaza hoe efa ny Antokon’ireo Tia Tanindrazana eto Rwanda indray no nitondra. Nanaraka anay koa ny miaramila sasany. Nasehoko azy ireo ny toerana niafenanay. Tsy nino ry zareo raha tsy rehefa nahita an’ireo rahalahy sy anabavy nipoitra tsirairay. Hoy i Georgette: ‘Tsy hadinoko mihitsy ny nivoahanay tao. Voretra be izahay. Efa ho roatokombolana mantsy izahay no tao, nefa tsy afaka nandro na nanasa lamba.’

Gaga ireo miaramila satria Tutsi sy Hutu izahay no niara-niafina tao. Nanazava aho hoe: “Vavolombelon’i Jehovah izahay, ka tsy mba manavakava-bolon-koditra.” Talanjona ry zareo, ka niteny hoe: “Omeo sakafo sy siramamy ireo olona ireo!” Nentin’izy ireo izahay avy eo, ka natoby vonjimaika tao amin’ny trano iray nisy olona zato teo ho eo. Tsy nanaiky ny anabavy iray, raha tsy nipetraka niaraka tamin’izy mianakavy izahay 16.

Misaotra an’i Jehovah izahay tsy maty fo aman’aina. Maty anefa ny zokiko lahy, ny zandriko vavy, ny ankohonan’izy ireo izay samy Vavolombelona, ary ny olona maro hafa. Malahelo an-dry zareo izahay nefa fantatray fa ‘mety ho azon-tsampona isika rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.’ (Mpito. 9:11) Hoy i Georgette: “Be dia be ny mpiara-manompo maty. Ny hafa indray nijaly be tamin’izy ireo tsy maintsy nandositra sy niafina. Nivavaka foana izahay, mba hanatsarana ny fifandraisanay amin’i Jehovah, ary tsapanay fa nanohana anay ny sandriny mahery. Nampionona anay izy, ka nanome fanampiana ara-potoana tamin’ny alalan’ny fandaminany. Tena mankasitraka azy izahay, satria tena nitahy anay izy.”

[Efajoro/Sary, pejy 208, 209]

Nanohana Anay tao Anatin’ny Sarotra i Jehovah

ALBERT BAHATI

TERAKA 1958

BATISA 1980

TANTARANY Anti-panahy hutu, manan-janaka telo. Tsy mora taitaitra izy. Mpisava lalana ny vadiny sy ny vavimatoany. Mpanampy amin’ny fanompoana ny zanany lahy. Tamin’ny 1977 izy no nivory. Vao 70 teo ho eo ny mpitory teto tamin’izay. Nogadraina izy tamin’ny 1988 sady nokapohina. Tsy nety nametaka karatra politika tamin’ny akanjony izy, ka nasitriky ny lehilahy iray tamin’ny nofony ny fanjaitran’ilay karatra sady niteny izy hoe: “Izao izy mipetaka tsara!”

◼ NANDOSITRA tany an-tranonay ny mpiara-manompo sasany rehefa maty ny filoham-pirenena. Nanao toy izany koa ny havana sy ny mpiara-monina. Nitebiteby anefa aho, satria tsy tao ny anabavy tutsi roa, dia i Goretti sy Suzanne. Nandeha nitady azy ireo aho na dia tena nampidi-doza aza izany. Nitsoaka daholo ny olona. Hitako ihany i Goretti sy zanany ary nentiko nody. Nisy barazy mantsy tany amin’ilay lalana saika halehany, ka nety ho faty ry zareo raha nankany.

Tonga tao aminay i Suzanne sy ny vehivavy dimy hafa, andro vitsivitsy taorian’izay. Lasa 20 mahery izahay, ary notandindomin-doza ny ainay rehetra.

Intelo, fara fahakeliny, ireo milisy no tonga tao aminay. Hitan’izy ireo avy teo am-baravarankely i Vestine vadiko, indray mandeha, ka nasainy nivoaka. Tutsi mantsy izy. Nankeo anelanelan’ireo milisy sy ny vadiko àry aho, ka nilaza hoe: “Izaho aloha vonoina, raha hamono azy ianareo!” Niady hevitra teo ry zareo, vao navelany hiverina tao an-trano ny vadiko. Hoy ny iray: “Tsy vehivavy no tiako hovonoina fa lehilahy.” Ny zaodahiko indray no tiany hatao lasibatra. Notaritiny teo an-tokotany izy, ka nankeo anelanelan’izy ireo sy ilay tovolahy aho sady niangavy hoe: “Mba avelao re izy, tahin’Andriamanitra ianareo e!”

“Izaho angaha mpanompon’Andriamanitra”, hoy ny iray sady nodoniny tamin’ny kihony aho. Nilefitra ihany anefa izy, ka nilaza hoe: “Ento any ny anao!” Avotra ilay zaodahiko.

Tonga nitady sakafo tao aminay ny rahalahy roa, iray volana teo ho eo taorian’io. Nomeko tsaramaso izy ireo satria izay no nisy. Nandre poa-basy anefa aho rehefa nanatitra azy ireo, ary tsy nahatsiaro tena. Voan’ny poti-bala ny masoko ilany. Nitondra ahy tany amin’ny hopitaly ny mpiara-monina iray, saingy tsy nahita intsony ilay masoko. Loza koa fa tsy afaka nody intsony aho. Nangotraka ny ady tamin’izay, ka notandindomin-doza ireo olona tao aminay. Nitsoaka tany an-tranon’ny rahalahy hafa àry ry zareo. Niaro azy rehetra ireo rahalahy, hatramin’ny Jona 1994, na dia nety ho namoizany ny ainy aza izany. Ny volana Oktobra izahay mianakavy vao tafaraka indray. Misaotra an’i Jehovah aho noho izy nanampy anay, nandritra an’ireny fotoan-tsarotra ireny.

[Sary]

Albert Bahati mianakavy sy ireo olona nafeniny

[Efajoro/Sary, pejy 210]

“Ity no Lalana”

GASPARD NIYONGIRA

TERAKA 1954

BATISA 1978

TANTARANY Sariaka sy be fanantenana foana. Tsy natahotra niaro ny fahamarinana. Manan-janaka vavy telo, ary anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Rwanda ankehitriny.

◼ NANOMBOKA ny fifampitifirana, ny marainan’ny 7 Aprily. Hitako hoe nisy nandoro ny tranon’ny Tutsi 15 teo ho eo, anisan’izany ny tranon’ny mpiara-manompo roa. Hodoran-dry zareo koa ve ny anay? Tutsi mantsy ny vadiko. Nila ho lasa adala aho nieritreritra izay hanjo azy sy ny zanako roa.

Mbola tsy tena haiko izay hatao. Nisahotaka ny olona, ary niely ny tsaho. Nino aho hoe ho voaro kokoa ny vady aman-janako raha mankany an-tranon’ny rahalahy iray teo akaiky teo. Nanaraka azy ireo koa aho raha vao afaka. Tsy tratrako tao intsony anefa izy ireo, fa efa lasa tany amin’ny sekoly lehibe iray. Nisy mpiara-monina niteny tamiko tamin’io tolakandro io hoe: “Hovonoina daholo, hono, ny Tutsi rehetra ao amin’ilay sekoly!” Tonga dia nihazakazaka nankany aho, ary hitako tao ny vady aman-janako. Nisy olona 20 teo ho eo nampirisihiko hody tany an-tranony, anisan’izany ny rahalahy sy anabavy. Nahita milisy nitondra olona nankany ivelan’ny tanàna izahay tamin’izay. Tutsi 2 000 mahery no novonoin-dry zareo tany.

Teraka tao amin’ilay sekoly ny vadin’ny mpiara-monina iray hafa. Nandositra niaraka tamin’ilay zaza vao teraka ilay rangahy, raha vao nanipy grenady tao ireo milisy. Ny renin’ilay zaza kosa namonjy lalan-kafa noho ny hatairana. Tutsi ny vadin’ilay ramatoa, nefa afaka tamin’ireo barazy noho ilay zaza teny aminy. Nihazakazaka nankao aminay izy avy eo. Niangavy ahy izy mba hitady ronono ho an’ilay zaza. Sendra barazy nambenan’ny milisy anefa aho. Nihevitra izy ireo hoe niandany tamin’ny Tutsi aho matoa nitady ronono ho ana zaza tutsi, ka hoy izy ireo: “Andao hovonointsika io!” Novelezin’ilay miaramila tamin’ny vodibasy aho, ka torana. Nandeha ra ny oroko sy ny tarehiko. Notarihiny tao ambadiky ny trano iray teo akaiky teo aho, satria noheveriny fa maty.

Nahita ahy ny mpiara-monina iray ka nilaza hoe: “Mialà teo haingana, sao dia miverina eo ry zareo ka vonoiny ianao.” Nateriny nody aho.

Naharary aloha ilay izy, nefa raha tsy nisy an’iny aho dia maty. Mpamily mantsy aho, ka nisy lehilahy dimy tonga tao aminay ny ampitso, ary nanery ahy hitondra ny lehiben’ny miaramila tamin’ny fiara. Tsy nisisika anefa ry zareo, rehefa nahita ny ratra nahazo ahy. Tsy notereny hiaraka tamin’ny milisy koa aho mba hanara-maso ny tanàna.

Nitebiteby izahay nandritra ny andro maromaro. Ny sakafo koa tsy nisy. Nihazakazaka nankao aminay ny vehivavy tutsi iray, indray andro, niaraka tamin’ny zanany roa mbola kely. Nafeninay mivady tao anaty lalimoara kely tao an-dakozia izy. Ny zanany kosa nampiarahiko tamin’ny zanako tao amin’ny efitra hafa. Nihananatona ny tafiky ny Antokon’ireo Tia Tanindrazana eto Rwanda (FPR), izay Tutsi. Niely àry ny tsaho hoe vonoin’ny milisy hutu daholo izay Hutu manambady Tutsi. Saika handositra indray izahay mianakavy. Efa nofehezin’ny FPR anefa ilay faritra nisy anay, ka tsy natahorana intsony ny ain’ny Tutsi. Ny aiko indray izao no notandindomin-doza.

Niaraka tamin’ny mpiara-monina aminay aho nankeo amin’ny barazy nambenan’ny miaramila FPR. Nisy bandy ny lohako, ka noheverin’izy ireo hoe milisy hutu aho. Nitabataba ry zareo hoe: “Nahoana ianareo no mila vonjy atỳ aminay, nefa ianareo aza miaraka amin’ny mpamono olona sy mpandroba? Iza taminareo izao no mba nanafina Tutsi na niaro azy ireny?” Natoroko azy ilay vehivavy nafeniko, niaraka tamin’ny zanany. Nentiny nihataka kely ireo ankizy, sady nanontaniany hoe: “Iza io rangahy misy bandy io?” Namaly izy ireo hoe: “Tsy milisy Interahamwe io fa Vavolombelon’i Jehovah. Olona tsara io.” Namonjy an’ilay vehivavy tutsi sy ny zanany roa aho, ka ry zareo indray no namonjy ahy!

Afa-po tamin’ilay valin-teny ireo miaramila, ka nentiny tany amin’ny toby iray izahay, tokotokony ho 20 kilaometatra niala an’i Kigali. Efa nisy olona 16 000 teo ho eo tao. Nahita rahalahy sy anabavy 60 teo ho eo koa izahay, ary avy tamin’ny fiangonana 14 izy ireo. Nanao fivoriana izahay, ary nisy 96 ny mpanatrika tamin’ny voalohany! Torotoro mihitsy ny fonay nandre hoe nisy namanay novonoina, na anabavy naolana. Maro ny mpiara-manompo nila fampiononana sy torohevitra avy tamin’ny Soratra Masina. Izaho irery anefa no anti-panahy tao. Nihaino tsara aho, rehefa nitantara ny zavatra nahavaky fo niainany ry zareo. Nomeko toky izy ireo avy eo hoe tia azy i Jehovah ary mahatakatra izay nanjo azy.

Ela ny ela ka nifarana ireo herinandro maro nampitaintaina. Tafody ihany izahay ny 10 Jolay. Rehefa nihorohoro sy natahotra hiharan-doza aho, dia matetika no nisaintsaina an’ilay hira hoe “Ity no Lalana.” Tena nampahery ahy ilay tonony hoe: “Aza miankavia na miankavanana. Izory hatrany ilay lalana.”

[Efajoro/Sary, pejy 223, 224]

Nisy Niantsoantso ny Anarako

HENK VAN BUSSEL

TERAKA 1957

BATISA 1976

TANTARANY Tao amin’ny Betelan’i Holandy ary nanao Sekolin’i Gileada tamin’ny 1984. Voatendry tany amin’ny République centrafricaine sy Tchad, ary avy eo teto Rwanda tamin’ny Septambra 1992. Eto amin’ny Betelan’i Rwanda izao izy sy Berthe vadiny.

◼ TAO AMIN’NY Fiangonana Kigali Atsimo, eto Rwanda, no nanendrena ahy voalohany. Fiangonana be ankizy izy io. Sariaka sy tia mandray vahiny koa ireo rahalahy. Mbola vitsy ny fiangonana teto tamin’ny 1992, ary 1 500 mahery fotsiny ny mpitory. Mbola tsy natoky anay ny manam-pahefana ka nosavan’ny polisy indraindray ny taratasinay, teny am-pitoriana.

Tsy maintsy niala teto aho rehefa nanomboka ilay fandripahana foko. Tsy ela anefa, dia nasaina nanampy an’izay rahalahy nandositra tany amin’ny faritra atsinanan’i Congo aho. Niala tao Nairobi aho mba ho any Goma, tanàn-dehibe any akaikin’ny sisin-tanin’i Rwanda. Mbola tsy tany mihitsy aho, sady anarana anti-panahy iray monja no tatỳ amiko. Sahiran-tsaina àry aho hoe aiza no hahitako an’io rahalahy io! Vao tonga anefa aho, dia nanontany an’ilay taxi nitondra ahy. Nanontany mpamily hafa izy, ka antsasak’adiny aho, dia efa tonga tany amin’ilay rahalahy. Nomen’ny Betelan’i Kenya vola aho, mba hanampiana ireo rahalahy teto Rwanda. Nisy rahalahy roa anisan’ny Komitin’ny Tanin’i Rwanda àry afaka nankany Goma, ka nampitondraiko azy ireo ilay vola.

Tany Goma indray aho tatỳ aoriana, ary nankany amin’ny sisin-tanin’i Rwanda. Akaiky ilay toerana nefa ela be aho vao tonga tany, satria voatery nisisitsisika teny anelanelan’ireo mpitsoa-ponenana maro be nameno ny lalana.

Naheno feon’ankizivavy tampoka aho niantsoantso ny anarako hoe: “Ndugu Henk! Ndugu Henk!” (izany hoe “Ranadahy Henk!”). Nitoditodika aho hoe iza àry izany. Hay ankizivavy niara-nivory taminay tany Kigali ilay izy, ary tafasaraka tamin’ny reniny. Alphonsine no anarany, ary 14 taona teo ho eo izy. Be olona eran’ny lalana, ka niezaka nifanakaiky foana izahay. Nateriko tany amin’ny Efitrano Fanjakana iray izy. Efa nisy rahalahy sy anabavy maro nifanao fotoana mantsy tao. Noraisin’ny fianakaviana iray avy any Congo izy, ary avy eo anabavy tao amin’ny fiangonana nisy azy. Tafahaona tamin’ny reniny tany Kigali ihany i Alphonsine tatỳ aoriana.

[Sary]

Henk sy Berthe vadiny

[Efajoro/Sary, pejy 235, 236]

Nanao Zava-mahagaga sy Mahatalanjona i Jehovah!

GÜNTER RESCHKE

TERAKA 1937

BATISA 1953

TANTARANY Mpisava lalana nanomboka tamin’ny 1958, ary nanao Sekolin’i Gileada, kilasy faha-43. Tany Gabon sy Kenya ary République centrafricaine nanomboka tamin’ny 1967. Efa mpiandraikitra mpitety faritany tany amin’ny firenena maro hafa. Anisan’ny Komitin’ny Sampana eto Rwanda izao.

◼ TAMIN’NY 1980 aho no tonga voalohany teto Rwanda. Notendren’ny Betelan’i Kenya ho mpiandraikitra ny vondrom-paritra aho. Fito fotsiny ny fiangonana tamin’izay, ary 127 ny mpitory. Sambany vao nisy sekolin’ny mpisava lalana teto, ary anisan’ny mpampianatra aho. Nisy 22 ny nanatrika ilay sekoly, ka maro no mbola mpanompo manontolo andro izao. Niverina tany Kenya aho, nefa mbola faly foana isaky ny nahatsiaro an’ireo rahalahy teto. Nazoto nanompo sy tena tia ny fahamarinana mantsy izy ireo.

Naharay taratasy avy tamin’ny Betelan’i Kenya aho tamin’ny 1996, mba hifindra teto Rwanda. Efa 18 taona aho no tany Kenya, ary tamana tsara. Mbola tsy nilamina kosa teto tamin’izaho vao tonga. Naheno poa-basy izahay matetika rehefa alina. Tsy ela anefa dia tiako ny asako, indrindra rehefa hitako hoe notahin’i Jehovah ny fitoriana.

Tsotsotra kely ny toerana nanaovana fivoriambe, nefa tsy nitaraina ireo rahalahy. Vato no nataony seza, na nipetraka tamin’ny tany ry zareo. Tao anaty lavaka be nasiana labasy no natao ny batisa. Mbola izany no zava-misy any amin’ny toerana maro eto Rwanda hatramin’izao. Misy ihany anefa ny faritra efa manana efitrano tsy misy rindrina, sy Efitrano Fanjakana azo anaovana fivoriambe.

Be zotom-po ny mpitory eto Rwanda. Nivory maraina be, ohatra, ny fiangonana teto Kigali rehefa faran’ny herinandro. Nanao fanompoana ry zareo avy eo, ary tsy nijanona raha tsy maizina ny andro.

Niezaka foana aho nanokana fotoana hiarahana tamin’ny ankizy teo anivon’ny fiangonana. Ireny mantsy no ho lasa mpitory any aoriana any, ary azo omena andraikitra. Mampahery fa maro no tsy nivadika. Nanaporofo izy ireo fa tia an’i Jehovah, na dia mbola kely aza!

Nasain’ny mpampianatra nanao hiram-pirenena, ohatra, ny ankizilahy 11 taona, atao hoe Luc. Niangavy izy hoe aleo ny hiran’ilay Fanjakana no hataony. Nanaiky ilay mpampianatra, ary nitehaka daholo ny rehetra rehefa vitany ilay hira. Hita hoe tena tia midera an’i Jehovah i Luc, satria tsy ny feon’ilay hira ihany no hainy fa ny tonony koa. Tsy io ihany anefa no tantara nampahery ahy. Nisy anabavy iray, ohatra, nogadraina noho izy nitory. Teraka lahy kely anefa izy tany, ka nataony hoe “Shikama Hodari” (teny swahili midika hoe “aza mivadika”) ny anarany. Tsy nivadika tokoa i Shikama. Tsy ela izay, dia nanatrika ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo izy. Mpanampy amin’ny fanompoana sy mpisava lalana manokana izy izao.

Nijaly be an-taonany maro ireo rahalahy teto Rwanda. Voarara mantsy ny asa fitoriana. Nisy koa ny fandripahana foko sy ny ady an-trano. Nanohina ny foko foana anefa ny nahita azy ireo nazoto nanompo sy tsy nivadika. Tena faly aho miara-manompo amin’izy ireo. Vao mainka koa aho lasa akaiky an’i Jehovah, satria nahatsapa foana hoe notahiny sy narovany ary nampiany. Tena nanao zava-mahagaga sy mahatalanjona tokoa izy!—Sal. 136:4.

[Tabilao/Sary, pejy 254, 255]

TAONA NANAN-TANTARA—Rwanda

1970

1970 Tatitra voalohany avy amin’ny mpitory.

1975 Fianakaviana nody voalohany.

1976 Navoaka tamin’ny teny kinyarwanda ny bokikely “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity.”

1978 Nanomboka nivoaka isam-bolana tamin’ny teny kinyarwanda Ny Tilikambo Fiambenana.

1980

1982 Voarara ny fitoriana. Nogadraina ireo rahalahy manana andraikitra.

1986 Nogadraina ny ampahatelon’ny mpitory.

1990

1990 Nipoaka ny ady tany avaratra.

1992 Fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany.

Nekena ho ara-dalàna ny asa fitoriana.

Nekena ho ara-dalàna

1994 Naripaka ny foko tutsi.

1996 Niverina ny misionera.

Natsangana ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana.

1998 Nanomboka niara-nivoaka tamin’ny Tilikambo Fiambenana teny anglisy ny teny kinyarwanda.

1999 Notokanana ilay Efitrano Fivoriambe tsy misy rindrina, ao Kigali.

2000

2000 Nasiana biraon’ny sampana teto.

Nanomboka niasa ny Biraon’ny Fanorenana.

2001 Nahazo tany hanorenana Betela.

2006 Notokanana ny Betela.

2007 Navoaka tamin’ny teny kinyarwanda Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

2010

2010 Navoaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo.

[Tabilao/Sary, pejy 234]

(Jereo ny boky)

Isan’ny Mpitory

Isan’ny Mpisava Lalana

20,000

15,000

10,000

5,000

1985 1990 1995 2000 2005 2010

[Sarintany, pejy 167]

(Jereo ny boky)

OGANDÀ

REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO

Volkanon’i Nyiragongo

Goma

BURUNDI

TANZANIA

RWANDA

KIGALI

T. VIRUNGA

Volkanon’i Karisimbi

Ruhengeri (Musanze ankehitriny)

Gisenyi (Rubavu ankehitriny)

Farihin’i Kivu

Bukavu

Kanombe

Masaka

Gitarama (Muhanga ankehitriny)

Bugesera

Nyabisindu (Nyanza ankehitriny)

Save

Butare (Huye ankehitriny)

Ekoatera

[Sary, pejy 164, 165]

Manjono eo amin’ny Farihin’i Kivu

[Sary, pejy 169]

Oden sy Enea Mwaisoba

[Sary, pejy 170]

Gaspard Rwakabubu sy Deborah zanany ary Melanie vadiny

[Sary, pejy 171]

“Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity” amin’ny teny kinyarwanda

[Sary, pejy 172]

Justin Rwagatore

[Sary, pejy 172]

Ferdinand Mugarura

[Sary, pejy 173]

Leopold Harerimana, Pierre Twagirayezu, ary Emmanuel Bazatsinda, izay natao batisa tamin’ny 1976

[Sary, pejy 174]

Boky sy gazety amin’ny teny kinyarwanda

[Sary, pejy 179]

Phocas Hakizumwami

[Sary, pejy 180]

Palatin Nsanzurwimo sy ny vadiny (havanana) ary ny zanany

[Sary, pejy 181]

Odette Mukandekezi

[Sary, pejy 182]

Henry Ssenyonga mitaingina môtô

[Sary, pejy 188]

Taratasy fanamarinana hoe voasoratra ara-dalàna, 13 Aprily 1992

[Sary, pejy 190]

Rahalahy manala ny lampihazo, fa hisy lalao baolina kitra

[Sary, pejy 192]

Leonard sy Nancy Ellis (afovoany) miaraka amin-dry Rwakabubu sy Sombe mianakavy

[Sary, pejy 193]

Ilay fiaramanidina nianjera tao akaikin’i Kigali

[Sary, pejy 199]

“Tsy mba nifankatia toy ny mpirahalahy isika”, soratra eo amin’ny fiangonana katolika ao Kibuye (Karongi ankehitriny)

[Sary, pejy 214]

Havia miankavanana: (aoriana) André Twahirwa, Jean de Dieu, Immaculée, Chantal (mitrotro zaza), Suzanne; (aloha) zanak’i Mugabo: Jean-Luc sy Agapé

[Sary, pejy 216]

Védaste Bimenyimana, mampianatra Baiboly

[Sary, pejy 217]

Tharcisse sy Chantal Seminega

[Sary, pejy 218]

Tharcisse sy Justin, eo akaikin’ilay trano bongo niafenan-dry Tharcisse mianakavy nandritra ny iray volana

[Sary, pejy 226]

Ambony: Tobin’ny mpitsoa-ponenana ho an’ireo Vavolombelona avy eto Rwanda; ambany: Toby ho an’ny Vavolombelona sy ny olon-kafa

Goma, Congo

Benaco, Tanzania

[Sary, pejy 229]

Natao hopitaly ny Efitrano Fanjakana

[Sary, pejy 238]

Oreste sy ny fianakaviany, 1996

[Sary, pejy 240]

Théobald sy Berancille Munyampundu

[Sary, pejy 241]

Rahalahy sy anabavy tutsi sy hutu, mikarakara ilay tany hanorenana Efitrano Fivoriambe

[Sary, pejy 242]

Efitrano Fivoriambe eto Kigali, 2006

[Sary, pejy 243]

Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana teto Kigali, 2008

[Sary, pejy 246]

Ireo mpanao tenin’ny tanana, tamin’ny fivoriambe manokana tao Gisenyi, 2011

[Sary, pejy 248]

François-Xavier Hakizimana

[Sary, pejy 252, 253]

Miara-miasa amin’ilay “Tompon’ny vokatra” ireo rahalahy sy anabavy, sady tsy mieritreritra ny hampihena ny zotom-pony