Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra,

Faly izahay manoratra aminareo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, izay maherin’ny fito tapitrisa izao. Tena mifankatia isika, ka tonga dia tiantsika ireo mpiara-manompo avy any an-tany hafa, raha vao mihaona amintsika voalohany. (Jaona 13:34, 35) Azo antoka fa vao mainka ho tianao izy ireo, raha mamaky ny tantarany ato ianao, ka mahita ny finoany sy ny tsy fivadihany.

Asehon’ny tatitra maneran-tany fa manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka ny ankamaroanareo. Hita koa hoe mahay mitady hevitra ianareo manan-janaka kely, satria tianareo ho liana sy hifantoka ny zanakareo. (Efes. 6:4) Lasa miraiki-po kokoa ny mpivady rehefa miara-mianatra. (Efes. 5:28-33) Mandray soa daholo àry na ny tsirairay na ny fianakaviana, rehefa manokana fotoana handalinana ny Baiboly.—Jos. 1:8, 9.

Maro taminareo no namoy havana na fananana, tamin’ireo loza nitranga tato ho ato. Tena malahelo anareo izahay. Tianay ny hisaotra an’ireo rehetra tsy nisalasala nanampy tamin’ireny fotoana ireny. (Asa. 11:28-30; Gal. 6:9, 10) Eo koa ireo manampy ny mpiara-manompo sahirana eo anivon’ny fiangonany. Sahala amin’i Dorkasy ao amin’ny Baiboly ianareo, ka be dia be ‘ny asa soa vitanareo sy ny fiantranareo ny mahantra.’ (Asa. 9:36) Matokia fa mahita izany rehetra izany i Jehovah, ary hamaly soa anareo.—Mat. 6:3, 4.

Maro aminareo koa no enjehina. Misy mantsy ireo “mitetika ny hanisy ratsy amin’ny alalan’ny lalàna.” (Sal. 94:20-22) Fantatrareo anefa fa efa nilaza mialoha i Jesosy hoe hisy izany, ka miaritra sy maneho herim-po ianareo, sady mialoka amin’i Jehovah. (Jaona 15:19, 20) Matokia fa mivavaka ho anareo foana izahay. Mazotoa àry ‘milaza ny fiarovan-tenanareo eo anatrehan’izay manontany ny anton’ny fanantenana ao anatinareo.’—1 Pet. 3:13-15.

Tena midera anareo izahay satria an-tapitrisany ianareo no miezaka ny hadio fitondran-tena foana, na dia mihamafy sy mihamaro hatrany aza ny fakam-panahy alefan’i Satana. Tena miharatsy fitondran-tena ny olona ankehitriny, fa isika kosa ‘mahazo hery mandrakariva amin’ny alalan’ny Tompo sy amin’ny alalan’ny tanjaky ny heriny.’ (Efes. 6:10) Afaka nanohitra “ny teti-dratsin’ny Devoly” ianareo, satria efa ‘notafinareo daholo ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra.’ (Efes. 6:11, 12) Fantaro fa ny ohatra tsara omenareo no ampiasain’i Jehovah mba hamaliana ny fiampangan’i Satana!—Ohab. 27:11.

Tena faly isika fa nisy 19 374 737 no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2011. Maro no nirotsaka ho mpisava lalana mpanampy tamin’ny Aprily, ka izany no anisan’ny tena nahatonga an’ilay fitomboana. Miara-manandra-peo mba hiderana an’i Jehovah ny Vavolombelony tsy mivadika, ka olona an-tapitrisany eran-tany no mandre izany! (Rom. 10:18) Faly izahay, satria hita hoe vonon-kanampy sy mazoto manompo ianareo tamin’io volana io. Anisan’izany ireo 2 657 377 nanao mpisava lalana mpanampy, sy ireo nampitombo ny fanompoany tamin’ny fomba hafa.—Sal. 110:3; Kol. 3:23.

Nisy 263 131 no nanokan-tena ho an’i Jehovah tamin’ny taon-dasa. Misaotra an’i Jehovah isika noho izany rehetra izany, ary misaotra anareo koa manampy anay hanasa olona, ka manao hoe: “ ‘Avia!’ Ary aoka izay mandre hilaza hoe: ‘Avia!’ Ary aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” (Apok. 22:17) Rehefa avy nandinika ireo lafiny samihafa amin’ilay Fanjakana isika, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2011 teo, dia vao mainka te hilaza hoe: “Ho tonga anie ny Fanjakan’Andriamanitra!” Nanome toky koa i Jesosy hoe: “Ho avy haingana aho.” Miara-manandra-peo amin’ny fo manontolo amin’ny apostoly Jaona àry isika, ka mamaly hoe: “Amena! Avia, Jesosy Tompo ô!”—Apok. 22:20.

Miambena hatrany àry mandra-pahatongan’izany! Aoka ianareo hanaporofo fa tia an’i Jehovah “amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana.” Matokia fa tena tianay ianareo, ry rahalahy sy anabavy malala!—1 Jaona 3:18.

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah