Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

TENA nazoto nanao fanompoana masina ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’iny taona lasa iny, na dia sarotra aza ny fiainana. Notahin’i Jehovah ny fitoriana, ka ‘mahavokatra sy mitombo eran’izao tontolo izao.’ (Kol. 1:5, 6) Andeha horesahintsika ny zava-nisongadina tamin’ny taon-dasa. Mino izahay fa hampahery sy hanatanjaka ny finoanareo izany.

NAHENA NY ORAN’NY MPISAVA LALANA MPANAMPY!

Faly be isika tamin’ny herintaona rehefa nahare fa afaka mifidy hoe hanatratra 30 na 50 ora izay te hanao mpisava lalana mpanampy, ny volana Aprily. Be dia be mihitsy àry no nirotsaka avy hatrany. Ny sasany sambany vao nanao an’io asa io. Ny hafa kosa efa mpisava lalana taloha, ka faly fa handray anjara indray. Maro koa no niezaka nampitombo ny fanompoany, satria tsy afaka manao mpisava lalana. Inona no vokany?

Nanao tatitra ny ankamaroan’ny sampana hoe nahazo tampon’isa ambony lavitra noho ny hatramin’izay izy ireo. Mpitory 2 657 377 no nanao mpisava lalana mpanampy naneran-tany. Avo dimy heny eo ho eo noho ny tamin’ny 2010 izany! Nandray anjara koa ny 80 isan-jaton’ny Betelita satria nisy 16 292 no nirotsaka, tamin’ireo mpiasa 20 290. Tena faly isika satria niasa mafy tsy nisy toy izany ny vahoakan’i Jehovah!

Nahazo tampon’isa tena niavaka koa i Haïti, nefa vao herintaona mahery kely talohan’izay no nisy horohoron-tany nahafaty olona 300 000 teo ho eo tany. Nisy 6 185 no nanao mpisava lalana mpanampy, tamin’ireo mpitory 17 009. Navoaka tamin’ny teny kreôla any koa ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, ary nisy ezaka natao mba hizarana azy io. Tena nampionona sy nampahery ny olona ilay izy.

Tsy mora ny nahazo an’ireo rahalahy tany Nizeria, tamin’ny Aprily 2011. Nisy fifidianana inefatra tany, ary asabotsy daholo ny telo tamin’ireo. Tsy nahazo nivoaka ny trano ny olona, tamin’ny fito maraina ka hatramin’ny dimy hariva, raha tsy hoe hifidy. Tsy nahasakana ny mpisava lalana anefa izany. Nanoratra ny fiangonana iray hoe: ‘Misaotra betsaka fa nahafinaritra be ny fanompoanay. Faly be izahay.’ Tany amin’ny fiangonana iray hafa, dia 92 tamin’ny mpitory 127 no nanao mpisava lalana, anisan’izany ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana rehetra. Nandray anjara koa ny Betelita, ka 555 tamin’ny mpiasa 688 no nirotsaka.

 Vitan’izy ireo ihany ilay izy. Any ambanivohitr’i Burundi i Jeannette no mipetraka. Efa te ho mpisava lalana foana izy, nefa tsy afaka satria manana aretim-po. Tsy vitany ny mandeha lavitra sy miaka-piakarana. Faly be izy rehefa nahare fa nahena ny ora notakina tamin’ny mpisava lalana mpanampy, tamin’ny Aprily 2011. Te hanampy azy ny anti-panahy, ka nanome azy faritany teny akaikin’ny tranony. Nitondra ny mpianany tany amin’i Jeannette koa ny mpisava lalana sy ny mpitory hafa. Faly izy rehefa nifarana ilay volana, satria nitarika fampianarana Baiboly efatra. Hoy izy: “Mbola te hanao mpisava lalana indray aho. Matoky aho fa hanampy ahy i Jehovah.”

Nisy anabavy tanora iray nanao mpisava lalana tany amin’ny nosy Grenady, na dia marenina sy tsy afaka mamindra tsara aza. Hoy izy: “Mijaly be aho rehefa haka bisy ho eny amin’ny faritany, satria tsy maintsy mandeha lavitra.” Tsy an’asa koa io anabavy io, ka nivavaka mafy tamin’i Jehovah mba hanampy azy. Tsy nijanona tamin’izao fotsiny anefa izy, fa nivarotra firavaka sy zavatra hafa natao tanana. Hoy izy rehefa avy nanao mpisava lalana: “Tena faly aho satria nanohana sy nampahery ahy ny fiangonanay sady nahavita fanompoana be aho.”

Nazoto erỳ i Toshi, anabavy any Japon, hirotsaka ho mpisava lalana mpanampy tamin’io Aprily io, na dia efa 101 taona aza. Tsy afaka miala ao amin’ilay trano misy azy anefa izy, ka nitory an-taratasy sy niresaka tamin’izay olona nikarakara azy. Hoy izy: “Maheno ahy daholo izay eo akaiky eo. Izaho tsinona tsy mahare tsara, dia miteny mafy be.”

Nanao mpisava lalana mpanampy koa i Felix, any Costa Rica, na dia malemy aza. Ahoana no nataony? Nasiana latabatra feno boky sy gazety teo ivelan’ny tranony, ary nitoriany izay nandalo. Reraka i Felix rehefa nifarana ny volana, nefa nahatsapa hoe lasa natanjaka ara-panahy kokoa. Tena faly koa izy satria nanomboka fampianarana Baiboly efatra.

Maro koa ny ankizy te handray anjara tamin’ilay ezaka manokana. Te hanompo bebe kokoa, ohatra, i Sandra 11 taona sy Alejandro 7 taona, any Espaina. Tena mazoto manompo ny fiangonany sy ny ray aman-dreniny, ka te ho mpisava lalana mpanampy izy dahy. Tsy afaka ny ho mpisava lalana anefa ry zareo satria mbola tsy vita batisa. Inona àry no nataony? Mba te hanatratra 30 ora toy ny ray aman-dreniny izy ireo, ka samy nanamboatra ny fandaharam-potoanany. Nomaniny tsara nandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana koa izay holazaina eny am-pitoriana. Nieritreritra ny ray aman-dreniny hoe ho reraka izy dahy, rehefa mandeha ny fotoana. Tsy vizana mihitsy anefa ry zareo. Nahafeno 30 ora avy izy mianakavy kely tamin’ny 30 Aprily afa-tsy i Alejandro. Mbola tsy ampy adiny telo ny orany. Nandeha nanompo àry izy sy ny dadany tamin’io andro io, mba ho tratrany ilay 30 ora. Faly izy mianakavy satria be atao foana nandritra ilay volana, sady niara-nanao zavatra mahafinaritra.

Hoy i Jean, anabavy any Espaina: “Nivavaka foana aho isan’andro, mba hahavita an’ilay 30 ora izaho sy Philip vadiko.” Mpiandraikitra ny vondrom-paritra i Philip, nefa voatery nijanona satria niditra hopitaly. Mivonto mantsy ny lalan-dra ao amin’ny lohany, ka lasa malemy izy sady tsy afaka miteny. Ny masony fotsiny no mba azony ahetsika rehefa hiresaka izy. Mipy maso indray mandeha izy rehefa hanao hoe eny, ary indroa rehefa hoe tsia.

Hoy ihany i Jean: ‘Vao nolazaiko taminy ilay fandaharana vaovao, dia niteny izy hoe te handray anjara koa.’ Ahoana anefa no hahavitany 30 ora?

Efa zatra nitory tamin’ny marary hafa sy ny havana tonga nitsidika ary ny mpiasan’ny hopitaly izy mivady. Hoy i Jean: “Nieritreritra izahay hoe hanao hoatr’izay ihany, fa hiezaka hanatratra adiny iray eo ho eo isan’andro. Amin’ilay Philip mbola mifoha iny izahay no hitory, sitrany ahay izy afaka mipy maso, dia mba mandray anjara amin’ilay resaka.”

Natokana efitra anefa i Philip, ny volana Martsa. Na izany aza, dia nahavita nitory adiny iray isan’andro izy roa. Ny mpiasan’ny hopitaly no niresahany nandritra ny minitra vitsivitsy, fa nataony matetika fotsiny tao anatin’ny iray andro. Nisy mpitsabo mpanampy iray nandray boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Nijery tsara an’i Philip izy sady nampanantena hoe hiverina ny ampitso mba hamaky andinin-teny. Niverina tokoa izy, ka nasain’i Jean namaky sy nanazava andinin-teny. Anisan’izany ny Jaona 17:3. Mipy maso indray mandeha i Philip rehefa marina ny fanazavany, fa indroa kosa rehefa diso. Tonga foana ilay mpitsabo na dia tsy nikarakara an’i Philip aza, ary niteny taminy hoe efa nivavaka foana izy mba hifandray akaiky amin’i Jehovah.

Nampitombo ny fanompoany ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny taon-dasa, satria tia ny mpiara-belona aminy sy mankasitraka ny soron’i Jesosy Kristy ary mahafoy tena ho an’ilay Rainy any an-danitra. Tsy andrin’izy ireo indray ny Martsa 2012 satria mbola ho afaka hifidy indray izy ireo amin’io hoe hanatratra 30 ora sa 50 ora.

SEKOLY AMPIANARANA NY LALAN’I JEHOVAH

Zava-dehibe amin’ny fandaminan’i Jehovah ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 2:3 hoe: “Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba. Hampianatra antsika ny lalany izy.” Tsapan’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina, fa mbola maro ny olona mila ampianarin’i Jehovah, alohan’ny hifaranan’ny tontolon’i Satana. Izany no antony nanaovana ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada sy ny Sekolin’ny Fanompoana, izay efa natomboka tamin’ny fotoanan’ny Ady Lehibe II. Vao haingana koa, dia nisy fanitsiana nataon’ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny sekoly sasany.

Novana hoe Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo (SRM) ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, tamin’ny Oktobra 2010. Mbola anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana mpitovo no asaina hanao an’io sekoly maharitra roa volana io. Rahalahy 37 445 no efa nanatrika azy io, eran-tany. Maro amin’izy ireo izao no mpisava lalana, mpiandraikitra mpitety faritany, misionera, na Betelita.

Natomboka tany Patterson, Etazonia, tamin’ny Jolay 2011, ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina, izay maharitra roa volana. Hatao any amin’ireo toerana anaovana ny SRM io sekoly vaovao io, manomboka amin’ny 2012. Asaina hanatrika azy io ny mpivady efa roa taona nivadiana, eo anelanelan’ny 25 ka hatramin’ny 50 taona, ary salama tsara. Tokony ho mpanompo manontolo andro, roa taona nisesy, fara fahakeliny, izy roa ary toy izany koa ny taona naha anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana an’ilay rahalahy.

Omena fampiofanana manokana ny mpivady mba ho azon’i Jehovah sy ny fandaminany ampiasaina bebe kokoa. Halefa hanao mpisava lalana maharitra any amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa ny ankamaroan’izy ireo. Ny hafa indray hotendrena ho mpisava lalana manokana tsy maharitra, na hampiofanina hanao ny asan’ny faritra mihitsy. Mety hisy ihany halefa any an-tany hafa, raha vonona sy mahafeno fepetra.

Tokony ho olona matotra sy mahafoy tena ireo manao fangatahana. Ireo mpampianatra amin’ny SRM ihany no hampianatra amin’io, satria tsy dia hisy fiovana ny lesona ianarana. Tsy hanatrika ny fizarana sasany ireo anabavy, fa hanompo eny amin’ny saha. Hisy fivoriana ho an’ireo maniry hanao an’io sekoly io amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Hohazavaina bebe kokoa amin’izay ny fepetra takina.

Nasian’ny Filan-kevi-pitantanana fanitsiana koa ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Ny kilasy faha-132, izay nanomboka tamin’ny 24 Oktobra 2011, no nampiharana izany voalohany. Ny mpivady efa ao amin’ny fanompoana manontolo andro manokana ihany no ampiofanina. Anisan’izany ny misionera mbola tsy nanatrika, mpisava lalana manokana, mpiandraikitra mpitety faritany, ary Betelita. Mety hasain’ny Komitin’ny Sampana hanatrika an’io sekoly io izy ireo, raha mahay manoratra sy miteny anglisy tsara.

Hampandroso ny asa fitoriana sy ny asan’ny sampana ireo nahazo diplaoma, ka ho misionera, na mpiandraikitra mpitety faritany, na Betelita. Halefa any amin’ny faritra be mponina ireo voatendry ho eny amin’ny saha, mba tena ho afaka hanampy amin’ny asa fitoriana sy ny asan’ny fiangonana. Mbola afaka mangataka misioneran’i Gileada ny Komitin’ny Sampana raha tena ilaina izany. Azon’izy ireo atao koa ny manolotra mpanompo manontolo andro manokana mahafeno fepetra, mba hanatrika an’ilay sekoly. Azony angatahina hiverina ao amin’ny taniny ireo nahazo diplaoma.

Atao indroa isan-taona any Patterson, ny Sekolin’ireo Anisan’ny Komitin’ny Sampana sy ny Vadiny. Atao amin’ny teny anglisy izy io. Mety hasaina hanatrika azy io koa ny Komitin’ny Tany. Antsoina hanatrika fanindroany ireo efa nahavita, ary hiofana miaraka amin’ireo komity vaovao. Tsy hanatrika an’ireo fizarana mahakasika ny fomba fiasan’ny fandaminana ireo anabavy, fa hanao asa samihafa ao amin’ny Betela.

Atao indroa isan-taona any Patterson koa ny Sekolin’ny Mpiandraikitra Mpitety Faritany sy ny Vadiny. Any amin’ny sampan’i Etazonia, dia mbola mamerina azy io ireo efa nahavita, ka antsasany eo ho eo no mpianatra vaovao, fa ny ambiny kosa efa mamerina. Asaina hanatrika ny ankamaroan’ny fianarana ireo anabavy.

Faly tokoa ny vahoakan’i Jehovah mandray soa amin’ny fampianarana omeny! Hoy i Jesosy: “Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe: ‘Ary hampianarin’i Jehovah izy rehetra.’ ” (Jaona 6:45; Isaia 54:13) Matoky isika fa hisy vokany amin’ny asa fitoriana ireo fanitsiana ireo. Tena maika mantsy io asa io, satria mila torina maneran-tany ny vaovao tsara alohan’ny hahatongavan’ny farany.

HOROHORON-TANY LEHIBE TANY JAPON

Horohoron-tany, tsunami, rivo-doza, tondra-drano, afo, ary volkano. Izany foana no mandeha amin’ny vaovao. Tsy ho voaresaka ato daholo izy ireny, fa hosinganina manokana ilay nitranga tany Japon. Hita tamin’izy iny hoe tena be herim-po ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa miatrika loza.

Nisy horohoron-tany nirefy 9,0 amin’ny maridrefy Richter namely an’i Japon, ny zoma 11 Martsa 2011, tamin’ny telo latsaka fahefany tolakandro. Niteraka tsunami ilay izy ary nandrava tanàna maro tany amin’ny morontsiraka atsinanan’i Japon. Olona 20 000 teo ho eo no maty na tsy hita popòka. Efitrano Fanjakana efatra no rava, ary nisy efatra hafa tsy azo ampiasaina intsony. Efa ho 235 ny tranona mpiara-manompo nofaohin’ny rano, na simba tanteraka. Arivo mahery kosa no nila namboarina.

Tena nanimba ny toby niokleary ilay horohoron-tany sy tsunami, hany ka namoaka taratra mampidi-doza izy io. Nasain’ny fanjakana niala àry ny olona teny amin’ny faritra manodidina. Vetivety dia lasa tanàna aolo ny toerana maro. Voatery nifindra koa ireo rahalahy, ka fiangonana roa be izao no “niara-nanjavona.”

Nisy Vavolombelona 14 000 mahery tany amin’ireo toerana tena niharan-doza. Niisa 12 no namoy ny ainy, 5 naratra mafy, ary 2 mbola tsy hita. Maro amin’ireo tsy maty tamin’iny loza nahatsiravina iny no namoy trano sy fananana ary havan-tiana.

Hoy i Kiyoko avy any Ofunato: “Nentiko tamin’ny fiara ho any amin’ny toerana azo antoka kokoa ny reniko, izay kilemaina. Naheno fofon-tsetroka aho, ka nivoaka ny fiara. Iny fa nisy rindrin-drano goavam-be nanarona ny tranonay, ary tamy nanatona anay ilay rano. Nisy toerana avoavo teo akaiky teo, ka nampiako hianika teny ny reniko. Nofaohin’ny rano ny fiaranay avy eo, ary hitanay mihitsy ny nitondrany azy.”

Niezaka nankany Ishinomaki i Koichi, rahalahy tanora iray, rehefa nijanona ny horohoron-tany. Dimy kilaometatra niala ny ranomasina izy io, ary tany no nisy ny ray aman-dreniny. Difotry ny rano anefa ilay faritra rehetra. Hoy izy: “Tsy afaka nandroso intsony aho satria tsy nisy lakana.” Hitany tany amin’ny tranom-paty ny rainy rehefa afaka roatokombolana, ary ny reniny, roatokombolana taorian’izay.

Avy any Shichigahama i Masaaki. Rehefa nijanona ilay horohoron-tany, dia nentiny tany amin’ny Efitrano Fanjakana ny fiarany. Iray kilaometatra niala ny morontsiraka no nisy azy io. Hoy i Masaaki: “Nihevitra aho fa tsy ho tonga hatrany mihitsy ilay tsunami. Vetivety anefa dia nisy rano mainty be nanarona an’ilay faritra. Nisy anabavy iray koa teo, ary nitsingevana tsikelikely ny fiaranay mianadahy. Nosokafako ny varavaram-pitaratra, ary nankeo ambony tafon’ny fiarako aho. Nentin’ny rano ny fiaran’ilay anabavy, dia tsy hitako intsony! Nivavaka mafy ho azy aho.

“Nisy lanezy tamin’izay, ka hotsaka aho sady nangovitra. Nijanona ny lanezy avy eo fa ny andro mbola namirifiry. Nihamaizina ny manodidina, ary indreny fa nipoitra ny kintana. Mbola nijoro teo ambony fiara ihany aho, ka toy ny hoe teo amin’ny nosy kely. Nisy olon-kafa koa tazako, teny ambony tafon-trano na korontan-javatra. Nanahy aho sao tsy hahatratra ny andro maraina. Tsy te hamoy fo aho, ka naveriko ilay lahateny nataoko tapa-bolana talohan’io. Nety tsara koa ilay lohateniny hoe: ‘Iza no Afaka Mamonjy Antsika Amin’ny Andro Mahory?’ Nataoko avy eo ilay hira hoe: ‘Jehovah no Raiko sy Namako.’ Io ihany mantsy no mba haiko tsianjery. Naverimberiko ilay izy, sady nisaintsaina an’ireo taona nanompoako an’i Jehovah aho, ka nirotsaka ny ranomasoko.

“Avy eo dia nisy lehilahy niantso ahy, ka niteny hoe hamonjy ahy.” Nanamboatra zahatra tamin’ireo hazo natsingevan’ny rano izy, mba hamonjena olona teny akaiky teny. Nateriny tao amin’ny rihana ambony amin’ny trano iray i Masaaki, ka niditra avy eo am-baravarankely. Faly izy nandre hoe voavonjy koa ilay anabavy tao amin’ilay fiara iray.

Vao vita soratra i Kohei sy Yuko no nitranga ilay horohoron-tany, ny zoma 11 Martsa. Somebiseby ireo rahalahy ny asabotsy fa hanatrika ny mariazin’izy ireo, ao amin’ny Efitrano Fanjakanan’i Rikuzentakata. Nilaza anefa ny radio fa hisy tsunami, ka lasa namonjy toerana avo i Kohei. Hoy izy: “Feno setroka ny tanàna, ka tranobe vitsivitsy fotsiny no tazako. Mbola nieritreritra ny mariazinay ihany aho. Tsy ela anefa dia takatro hoe tena loza lehibe ilay nitranga.”

Nanampy an’ireo rahalahy sy anabaviny i Kohei sy Yuko tamin’io asabotsy io. Hoy i Kohei: “Nahazo fanampiana avy tamin’ireo fiangonana teo akaiky teo izahay. Faly be i Yuko satria natokanay hanampiana an’ireo rahalahy ny andron’ny mariazinay. Izaho koa faly, ka nisaotra an’i Jehovah nanome ahy vady tsara toetra hoatr’izany! Lasan’ny rano ilay tranonay vaovao sy ny fiaranay ary ny fanananay rehetra. Faly anefa izahay, satria hitanay hoe tena tia anay ireo rahalahy.”

Tonga ny fanampiana. Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky telo avy hatrany ny sampan’i Japon. Nitsidika imbetsaka koa ny solontenan’ny sampana. Tonga tany i Geoffrey Jackson sy Izak Marais, avy any amin’ny foibe, ny volana Mey, ary nihaona tamin’ireo mpiara-manompo. Nisy fivoriana manokana natao, ary nampifandraisina an-telefaonina tamin’ny Efitrano Fanjakana 21. Vavolombelona 2 800 teo ho eo àry no nahazo fampaherezana, ka natoky fa tena tia sy miahy azy ireo ny rahalahiny eran-tany.

Nizara an’ireo fanampiana ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky sy ny mpiasa an-tsitrapo hafa. Sakafo sy rano ary solika no tena nilaina. Nandefasana akanjo ho an’ny olona vaventy sy mahiahia koa ireo fiangonana tra-boina. Nasiana fitaratra sy akanjo nihantona be dia be tao amin’ny efitrano, ka hoatran’ireny toeram-pivarotana ireny!

Tena faly ireo rahalahy fa nampahery azy sy nanome izay nilainy i Jehovah! Nanatanjaka azy ireo koa ny fivoriana. Hoy ny anabavy iray: “Lasa tony aho rehefa avy nivory, ary nahatsiaro ho maivamaivana.”

Hafatra manome fanantenana. Tonga dia nanao zavatra ireo rahalahy japoney, mba hampaherezana an’ireo olona kivy. Nitory teny an-dalana ny Vavolombelona vitsivitsy tao amin’ny tanàna iray tsy niharan-doza, ary nitondra takelaka lehibe nisy soratra hoe: “Nahoana no misy ny loza? Mamaly izany ny Baiboly.” Maro no liana ka boky Ampianarina 177 no voapetraka, tao anatin’ny iray andro sy tapany.

Ny mpianatra Baiboly sy ny olona liana no notsidihin’ny mpitory voalohany, tany amin’ireo toerana nisy loza. Nampahery olon-kafa ry zareo avy eo. Hoy i Akiko: “Nitomany ny ramatoa iray, rehefa novakiko taminy ny Matio 6:34. Hita hoe niady saina be izy. Nohazavaiko fa manampy antsika hilamin-tsaina ny Baiboly. Niaiky avy hatrany izy, ary nisaotra ahy. Tsapako indray tamin’izay fa tena afaka manohina ny fon’ny olona ny Soratra Masina.”

Hoy ny lehilahy iray: “Be dia be ny fivavahana, fa ianareo ihany no mba tonga atỳ aminay, na dia tsy mora aza izany.” Hoy kosa ny hafa: “Mahagaga hoe mbola mitory foana ianareo, na dia amin’izao fotoan-tsarotra izao aza.” Hoy ny anti-panahy iray: “Maro no nihaino anay, ka niteny hoe: ‘Ianareo izao no tonga voalohany tatỳ, hatramin’iny loza iny. Tongava indray amin’ny manaraka.’ ”

EFA MISY AMIN’NY FITENY 106!

Andro niavaka sy tsy hay hadinoina ho an’ny vahoakan’i Jehovah any Letonia sy Litoania ny Zoma 15 Jolay 2011. Nanao lahateny ho azy ireo mantsy i Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ary nilaza fa nivoaka tamin’ny fitenin’izy ireo Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Ireo no fiteny faha-99 sy faha-100 namoahana an’io Baiboly io. Nataon’ny Filan-kevi-pitantanana loha laharana ny fandikana Baiboly, tato anatin’ny fito taona. Avo roa heny noho ny tamin’ny 2004 àry ny isan’ny fiteny efa namoahana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Mbola misy mpandika teny miasa mafy koa eran-tany, mba hamoahana Baiboly amin’ny fiteny maro kokoa.

Tena faly ireo rahalahy rehefa mahazo Baiboly amin’ny fiteniny. Hoy ny rahalahy iray any amin’ny République centrafricaine: “Efa tsara ny hoe manana Baiboly, fa hafa mihitsy rehefa misy amin’ny fiteninao ilay izy sady mazava aminao. Manohina ny fo ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny sango. Rehefa mamaky ny Filazantsara, ohatra, aho, dia hoatran’ny hitako mihitsy ireo olona voaresaka ao, sady azoko ny fihetseham-pony.” Be dia be tokoa no nankasitraka ilay Baiboly. Hoy ny anabavy tanora iray any Etiopia: “Betsaka ny tiako holazaina, ka tsy ampy ny hoe ‘misaotra.’ Efa nivavaka foana aho hoe: ‘Mba ataovy misy amin’ny fiteninay ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.’ Dia nisy tokoa ilay izy!”

FITANTARANA AVY AMIN’NY FIRENENA MARO

Nangina ilay mpanakotaba tany Rosia. Tsy tia Vavolombelon’i Jehovah ny mpifanila trano tamin’i Vera, anabavy efa zokiolona. Efa an-taonany maro io rangahy io no nampijaly sy nandrahona azy, ary nanompa azy teo imason’ny zafikeliny. Tsy namaly azy anefa i Vera, satria nitadidy ny Romanina 12:18. Nila ady taminy ilay mpifanila trano, tamin’ny Janoary 2011. Niantso polisy àry i Vera, satria natahotra. Nahatsikaiky fa efa tao aminy ilay polisy sy ny manam-pahefana iray, tamin’ny Martsa 2010, mba hijery sao dia anisan’ny fikambanana mahery fihetsika ilay anabavy sy ireo nivory tao an-tranony. Izao anefa vao fantatr’ilay polisy ny tena olana. Notreroniny ilay rangahy, ary nasainy nandoa lamandy 3 000 roubles (Ar 200 000 eo ho eo). Tsy nanakotaba azy intsony io olona io nanomboka teo. Nandefa taratasy fisaorana tany amin’ny paositry ny polisy àry ilay anabavy. Gaga izy satria novalian’ny lehiben’ny polisy ny taratasiny. Nisaotra azy ilay lehibe, tamin’ireo teny fiderana nataony momba an’ilay polisy. Hoy koa izy: “Matetika ny olona no manao tsinontsinona anay polisy, fa ianao kosa nidera anay. Hita hoe matoky anay ianao.” Mandalo tsy tapaka ao aminy izao ilay polisy, mba hijery sao misy olana.

Ilay “mpitsimpona fako” tany Torkia. Namonjy fivoriamben’ny vondrom-paritra ny lehilahy roa, nianatra Baiboly vao haingana. Hoy izy ireo: “Hoatran’ny nanonofy izahay. Sariaka be daholo ny olona sady mahalala fomba. Nandehandeha izahay tamin’ny fiatoana, ary tsy nahatsapa hoe vahiny. Nanatona anay avy eo ilay mpampianatra Baiboly anay. Nisy fasiana fako anefa teny an-tanany. Nandositra tany anaty olona àry izahay, satria noheverinay fa mpitsimpona fako no tena asany. Menatra izahay hoe minamana amin’olona ambany hoatr’izany. Lasa saina izahay hoe: ‘Nahoana koa àry isika no mianatra Baiboly amin’ny mpitsimpona fako, fa tsy mba amin’ireny olona mandaha-teny ireny?’

“Fantatray anefa rehefa nandroso ny fianaranay fa hay Komitin’ny Sampana ilay ‘mpitsimpona fako’! Nandroso tsara izahay, ka nanokan-tena ho an’i Jehovah. Takatray hoe nanetry tena ilay rahalahy, ka nitondra tena toy ny ‘kely indrindra.’ (Lioka 9:48) Tena faly izahay nianatra an’izany toetra tsara izany tany amin’ilay fivoriambe voalohany natrehinay!”

Fanendrikendrehana tany Armenia. Namono ny ray aman-dreniny ny tovolahy iray tany Sevan, ary nisy nilaza fa Vavolombelon’i Jehovah izy io. Nanaratsy antsika ny fampitam-baovao taorian’izay. Nasaina nanitsy an’ilay filazana ireo masoivohom-baovao teo an-toerana. Nitohy ihany anefa ilay fanaratsiana, ary nisy fandaharana manokana tao amin’ny tele nanizingizina fa Vavolombelon’i Jehovah ilay tovolahy. Teny manafintohina sy manambany no nampiasaina tamin’izany. Nisy soratra toy izao teo amin’ny tele nandritra an’ilay fandaharana: “Mampiasa Mpamono Olona Tsy Mifaditrovana i Jehovah!” Nampirisihina mihitsy aza ny mpijery mba hikasi-tanana an’izay Vavolombelona hitany mitory. Nitombo àry ny fankahalana Vavolombelona tany Armenia. Nitory tany amin’ny fitsarana ireo rahalahy, ary nitaky ny hanitsiana an’ilay fiampangana sy hanaovana fialan-tsiny, ary nangataka onitra noho isika nalam-baraka. Niezaka nandamina an’ilay izy tamim-panajana ireo Vavolombelona. Mbola tsy nanao zavatra anefa ny foiben’ilay televiziona, hatramin’ny fotoana namitana an’ity Diary ity.

Ireo ankizy te ho injeniera tany Venezoelà. Nisy toeram-panorenana Efitrano Fanjakana tao San José de Guaribe. Nisy ankizikely vitsivitsy nandalo teo foana isa-maraina, rehefa hianatra. Finaritra erỳ izy ireo nahita ny fizotran’ny asa, ka nijanona kely isaky ny nandalo. Nanontanian’ny mpampianatra izy ireo, indray andro, hoe inona no tiany hatao rehefa lehibe. Gaga ilay mpampianatra, satria maro no nilaza fa te ho lasa “injeniera hoatran’ny Vavolombelon’i Jehovah!” Nahaliana an’ilay mpampianatra sy ny namany iray izany, ka nentiny tany amin’ilay toeram-panorenana ny iray kilasy. Nitondra azy ireo nitsidika an’ilay toerana ny mpiasa tao. Tena tian’ny ankizy ilay izy, indrindra moa fa ilay nanao satroka aro loha mareva-doko. Nametraka fanontaniana be dia be ireo mpampianatra, ka afaka nitory ireo rahalahy.

Miasa mafy ny sampan’i Kanada. Te hitsitsy vola ny Filan-kevi-pitantanana, ka niangavy ny sampan’i Kanada mba hamatsy Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ho an’i Bermudes, Guyana, Kanada, Etazonia, ary ny ankamaroan’ireo nosy any Karaiba. Lasa avo 12 heny àry ny gazety atao pirinty any Kanada, nanomboka tamin’ny taom-panompoana 2011. Gazety amin’ny fiteny 30 izao no atao pirinty any, izany hoe efa ho ny ampahefatry ny gazetintsika eran-tany.

Fampirantiana tao amin’ny Sampan’i Failandy. Feno zato taona ny nitoriana ny vaovao tsara tany Failandy. Neken’ny Filan-kevi-pitantanana àry ny hanaovana ezaka manokana hampahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny hafatra toriny. Nazoto erỳ ireo rahalahy nizara an’ilay Mifohaza! Aogositra 2010 hoe “Iza moa ny Vavolombelon’i Jehovah?”, ka maro no nankasitraka ny asantsika. Nasaina hitsidika ny biraon’ny sampana ny olona teny amin’ny manodidina, ny faran’ny volana Aogositra. Nitondra mpitsidika daholo ny Betelita, ary nanazava ny asa atao ao. Nanao fampirantiana koa izy ireo, ary nisy Betelita nanao akanjon’ny olona fahiny. Nampiseho ny fomba fitory tamin’ny 1940 ka hatramin’ny 1960 izy ireo, ka nasiana takelaka nampahafantatra lahateny ho an’ny besinimaro tao an-damosiny sy teo amin’ny tratrany. Maro ny sampan-draharaha nanamboatra fahatsiarovana kely, mba hozaraina amin’ny mpitsidika. Nisy 1 500 teo ho eo ny olona tonga. Nidera ny asantsika ny gazety sy radio ary tele, taorian’izay.

Korontana tany Côte d’Ivoire. Nisy 8 656 ny mpitory tamin’ny Septambra 2010, ary 23 019 ny fampianarana Baiboly. Maro àry no manantena fitomboana. Nipoaka anefa ny ady an-trano ny faramparan’ny Novambra 2010, taorian’ny fifidianana. Tonga hatrany Abidjan renivohitra ilay ady tamin’ny Martsa sy Aprily 2011, ka maro no nandositra tany ambanivohitra na nankany an-tany hafa. Anisan’izany ny rahalahy maro, izay nandao ny tranony sy ny fananany.

Tsy momba ny atsy na ny aroa ny Vavolombelona. Tena niaro azy ireo izany nandritra an’ilay fotoan-tsarotra. Nisy mpampianatra sy mpanolo-tsaina nanao seminera, ohatra, tao amin’ny sekoly iray, indray andro. Niditra an-keriny tao anefa ny miaramila, ary nasainy natory tamin’ny tany ny rehetra sady notereny hanome izay zava-tsarobidy tany aminy. Nisy rahalahy tao ary nomeny an’ireo miaramila ny kitapony, izay feno gazety. Tonga dia fantatr’izy ireo fa Vavolombelon’i Jehovah izy, ka naveriny ilay kitapo niaraka tamin’ny vola sy ny telefaonina tao anatiny. Hoy izy ireo: “Ianareo indray tsy atahorana hanakorontana.”

FITOKANANA MANOME VONINAHITRA AN’ANDRIAMANITRA

Natomboka ny fanitarana ny sampan’i Silia, tamin’ny 18 Desambra 2006. Naorina ny birao vaovao misy rihana iray sy trano fonenana misy rihana roa, ary ny fanatobiana entana ngezabe. Nanao ny lahateny fitokanana tamin’ny teny espaniola i David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny 16 Oktobra 2010. Nisy 5 501 ny mpanatrika.

Nitarina koa ny biraon’ny Komitin’ny Tany any Burkina Faso, ary notokanana tamin’ny 19 Febroary 2011. I John Kikot avy any amin’ny foibe no nandaha-teny, ary 210 ny mpanatrika. Ny sampan’i Côte d’Ivoire no niandraikitra ny asa tany Burkina Faso hatramin’ny Mey 2011, ary ny sampan’i Bénin no nandimby azy. Tsara toetra ireo mpanao fanorenana, ka maro no nidera ny anaran’i Jehovah. Hoy ny mpiasan’ny tranombarotra lehibe iray, mpanatitra entana: “Tsy nisy nivazavaza na nifamaly tao, fa falifaly daholo ny olona. Mbola tsy niasa tamin’ny toeram-panorenana hoatran’io mihitsy izahay.”

Notokanana tamin’ny 27 Aogositra 2011 ny trano vaovaon’ny sampan’i Hong Kong. Novidina mantsy ny rihana faha-18 amin’ny tranobe iray misy rihana 36, izay mahatazana tsara ny Seranan-tsambon’i Victoria (tandrifin’ilay ). Ao ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny, Fanompoana, Fandraisam-peo sy Video, Fividianana Entana, Fandefasana Entana, ary ny Kaonty. I Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana. Faly be ireo mpanatrika 290, izay nanaraka an’ilay fandaharana tao amin’ny efitra fisakafoana sy birao ary toerana fandefasana entana.

TATITRA MOMBA IREO RAHARAHA ARA-PITSARANA

Natoky i Jeremia fa tsy hahafoy azy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Hoy i Jehovah: “Tsy maintsy hiady aminao ireny, nefa tsy haharesy anao. Fa momba anao aho, mba hamonjy sy hanafaka anao.” (Jer. 15:20) Manampy sy manohana ny vahoakany ankehitriny koa i Jehovah amin’ilay asa nanirahany azy ireo, na misy aza ny mpanohitra. Mampiseho izany ireto tatitra manaraka ireto.—Mat. 24:9; 28:19, 20.

 Armenia Voaheloka higadra roa taona sy tapany i Vahan Bayatyan, satria tsy nety nanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nampiakatra fitsarana izy nefa tsy nahazo rariny, ka nandefa fitarainana tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Niaro an’i Armenia ny mpitsara fito, tamin’ny 27 Oktobra 2009. Tsy nankasitrahan’ny mpitsara iray anefa ilay didy, satria “tsy mifanaraka amin’ny lalàna eoropeanina manan-kery, rehefa misy olona tsy manaiky hanao zavatra noho ny feon’ny fieritreretany.” Raharaha lehibe ilay izy, ka nanaiky handinika azy io ny ambaratonga ambony ao amin’ny Fitsarana Eoropeanina, izay misy mpitsara 17.

Tamin’ny 7 Jolay 2011, dia namoaka didy ny mpitsara 16 amin’ny 17 fa nanitsakitsaka ny zon’ny Rahalahy Bayatyan i Armenia. Hoy ilay fitsarana: “Azo antoka fa noho ny zavatra inoany no nahatonga azy tsy hanaiky hanao raharaha miaramila, ary tena mafy orina ny finoany. Mifanohitra tanteraka amin’izany finoany izany anefa ny fanaovana raharaha miaramila.” Vokatr’izany, dia manantena isika fa hafahana koa ireo rahalahy 69 migadra any Armenia, ary koa ireo any Azerbaïdjan sy Torkia. *

Boligaria Nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ireo Vavolombelona tao Burgas, tamin’ny 17 Aprily 2011. Nisy 100 mahery ny mpanatrika, anisan’izany ny vehivavy sy ankizy ary zokiolona. Nisy lehilahy nahery setra 60 teo ho eo anefa tao ivelan’ny Efitrano Fanjakana, ary nitoraka an’ireo Vavolombelona teo amin’ny fidirana. Nitady hiditra an-keriny izy ireo, saingy voasakan’ireo rahalahy. Nantsoina avy hatrany ny polisy, nefa ela be vao tonga. Vavolombelona maro no naratra, vokatr’izany, ary nentina tany amin’ny hopitaly ny dimy. Nitohy ihany anefa ilay fankalazana. Somary maningana iny toe-javatra iny, satria manaja Vavolombelon’i Jehovah ny olona any Boligaria, amin’ny ankapobeny. Vao mainka nisy vokany tsara aza ilay izy. Nasain’ny Filan-kevi-pitantanana nandefa fitarainana tany amin’ny masoivohon’i Boligaria any amin’ny firenena misy azy avy ny sampana 13. Nanameloka an’ilay fanafihana àry ny fitondrana boligara, ary valo tamin’ireo mpanakorontana no niakatra fitsarana.

Korea Atsimo Vavolombelona 800 mahery no mbola migadra, satria tsy mety manao miaramila. Rahalahy maherin’ny 16 000 no voaheloka, nanomboka tamin’ny 1950, ka mihoatra ny 31 000 taona ny sazin’izy ireo raha atambatra. Nahoana izy ireo no tsy manaiky lembenana?

Safidin’izy ireo manokana ilay izy, satria tsy mamela azy hanao raharaha miaramila ny feon’ny fieritreretany. Nanazava toy izao, ohatra, i Kim Ji-Gwan, rehefa notsaraina: “Tena noraisiko am-po ny fampianaran’ny Baiboly, toy ny hoe ‘aza mianatra ady intsony’ sy ny hoe ‘tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ Nianarako tao amin’ny Baiboly koa fa tokony ho tia ny fahavalontsika isika. Ireny fampianarana ireny no mahatonga ahy ho tapa-kevitra ny tsy hanao miaramila.”—Isaia 2:4; Mat. 5:43, 44; 22:36-39.

Mbola tsy misy fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila any Korea Atsimo. Natambatra àry ny raharaha folo ka nakarina tany amin’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana. Tamin’ny 11 Novambra 2010, dia naroso hodinihin’ireo mpitsara hoe nahoana ny fanjakana no tsy manisy fanompoana sivily ho an’ireo tsy manaiky hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Sao dia mba tsy fanajana ny zon’ny olom-pirenena kosa izany?

Tamin’ny 24 Martsa 2011 anefa, dia namoaka didy ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona. Nilaza izy ireo fa nandika ny fifanekena iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona ny fanjakan’i Korea Atsimo, satria nanagadra Vavolombelona 100, izay tsy nety nanao miaramila. (Nampakatra an’ilay raharaha tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina ireo rahalahy 100 ireo.) Nalefa tany amin’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana koa ilay fandresena nomen’ny ambaratonga ambony ao amin’ny Fitsarana Eoropeanina, tamin’ilay raharaha momba ny Rahalahy Bayatyan (voalaza ao amin’ny  pejy 34-35). Nasaina nodinihin’izy ireo izany, mandra-pamoakany didy momba an’ireo raharaha ara-pitsarana folo natambatra. Na izany aza anefa, dia mbola nanohana an’ilay Lalàna Momba ny Raharaha Miaramila ihany ilay fitsarana tamin’ny 30 Aogositra 2011, fa tsy niraharaha ny didy navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina, ka mitohy ihany ny fanagadrana an’ireo rahalahy. Nisy mpitsara roa tamin’ireo sivy anefa tsy nanaiky, ka nilaza fa tokony hisy ny fanompoana sivily. Tokony hohajaina, hoy izy ireo, ny feon’ny fieritreretan’ny olona raha ny lalàm-panorenana no jerena, nefa tsy mifanaraka amin’izany ilay Lalàna Momba ny Raharaha Miaramila.

Torkia Nekena ho anisan’ny fivavahana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 31 Jolay 2007. Mandroso tsara ny asa fitoriana, na dia misy olana aza amin’ny resaka raharaha miaramila sy ny fampiasana Efitrano Fanjakana. Nilaza mazava ny Minisiteran’ny Fampianarana, tamin’ny 26 Aprily 2011, fa ‘mahazo tsy manao taranja ara-pivavahana ny mpianatra Vavolombelon’i Jehovah. Fivavahana kristianina [mantsy] izy ireo, na dia tsy ekeny aza ny foto-pinoana iraisan’ny fivavahana kristianina hafa.’ Tena faly àry ireo tanorantsika, satria imbetsaka izy ireo no nahazo naoty ratsy noho izy ireo tsy nety nanao taranja ara-pivavahana.

Etazonia Nanome rariny ny Anabavy Stinemetz ny Fitsarana Ambony tao Kansas, tamin’ny Mey 2011, tamin’ilay raharaha hoe Mary Stinemetz miady amin’ny Sampan-draharahan’ny Fitsaboana ao Kansas. Nomelohin’ilay fitsarana ny fanjakana fa tsy nanaja ny zon’ilay anabavy, izay nila fandidiana tsy ampiasana ra. Tsy nisy an’ilay fitsaboana nilainy mantsy teo an-toerana, nefa tsy navela hankany an-kafa izy. Tsy ilay anabavy ihany no mandray soa amin’ilay didim-pitsarana, fa ireo Vavolombelona rehetra eran’i Etazonia, izay mahazo fitsaboana iantohan’ny fanjakana.

Namoaka didy ny Fitsarana Tampony ao Kansas tamin’ny 10 Aogositra 2011, fa mahazo mitaiza ny zanany lahy i Monica McGlory, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nitady haka an’ilay zaza mantsy ny rainy. Tsy tokony hitaiza an’ilay zanak’izy ireo, hono, ny Anabavy McGlory, satria 1) tsy manaiky fampidiran-dra, 2) mitondra an’ilay zaza mitory isan-trano, ary 3) mampianatra an’ilay ankizy momba ny Hara-magedona, ka lasa mihevitra ilay zaza hoe ho ringana ny rainy sy ny havany.

Nohamafisin’ilay fitsarana ny fitsipika efa narahin’izy ireo hatramin’ny 1957, manao hoe: “Tsy maintsy arovana ny fahalalahana ara-pivavahana, araka ny lalàm-panorenana. Tsy tokony hatao, sady tsy azo atao miankina amin’ny fampianarana ara-pivavahana ny itsarana hoe iza no hitaiza ny ankizy.” Hoy koa ilay fitsarana momba an’ilay resaka fampidiran-dra: ‘Mbola tsy mitranga akory ilay loza na aretina mety hilana fampidiran-dra, ka tsy izany mihitsy no hitsarantsika hoe iza no hitaiza an’ilay zaza.’

Frantsa Tena faly isika fa nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah tany Frantsa ny Fitsarana Eoropeanina, tamin’ny 30 Jona 2011. Efa naharitra 16 taona io ady teny amin’ny fitsarana io, satria nasain’ny fanjakana nandoavana hetra 60 isan-jato ny fanomezana voarain’ny sampana. Ny Vavolombelona irery no fivavahana lehibe nampandoavina an’izany. Raha atambatra, dia saika hoteren’ny fanjakana handoa 58 tapitrisa euros (na 164 000 tapitrisa ariary mahery) isika. Mihoatra lavitra noho ny fananan’ny Fikambanana any anefa izany. Tsy nisy nanome rariny antsika ireo fitsarana isan’ambaratonga tany Frantsa, ka nakarina tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina ilay raharaha, tamin’ny Febroary 2005.

Niombon-kevitra ireo mpitsara fito tao amin’ny Fitsarana Eoropeanina tamin’ny 30 Jona 2011, hoe lasa manakantsakana ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitondrana frantsay. Nohamafisin’ilay fitsarana fa arovan’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny zon’ireo fivavahana, ka anisan’izany ny an’ny Vavolombelona. Tena hanampy antsika hahazo rariny iny didim-pitsarana iny, any amin’ireo tany iandraiketan’ny Fitsarana Eoropeanina, toa an’i Armenia, Boligaria, Géorgie, ary Rosia. Tsara koa ny manamarika fa tamin’io ny fanjakana frantsay vao mba voaheloka hoe tsy nanaja ny Fifanarahana Eoropeanina momba ny fahalalahana ara-pivavahana. Tsy nampakatra fitsarana intsony ny fanjakana frantsay.

Rosia Nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Eoropeanina tamin’ny 10 Jona 2010, tamin’ilay raharaha hoe Vavolombelon’i Jehovah ao Moscou miady amin’i Rosia. Nangataka ny hampakatra an’ilay raharaha ihany ny fitondrana rosianina, kanefa nanda izany ireo mpitsara 17 ao amin’ny ambaratonga ambony, tamin’ny 13 Desambra 2010. Ilay didim-pitsarana tamin’ny 10 Jona ihany àry no manan-kery. Voalaza mazava tamin’izy io fa ‘tsy maintsy manajanona ny fampahoriana ataony’ ny fitondrana rosianina, ‘ary manonitra an’izany, araka izay azo atao.’ Mbola tsy nampihatra izany anefa ny fitondrana rosianina. Nahita fomba hafa kosa izy ireo mba hampahoriana ny Vavolombelona sy hanakantsakanana ny asan’izy ireo.

Tamin’ny 25 Aogositra 2011 vao maraina, ohatra, dia tonga tampoka tany an-tranona Vavolombelona 19 tany Taganrog ny polisy. Nalain’izy ireo an-keriny ny boky sy gazety, ordinatera, ary taratasin’ny fiangonana. Hoatran’ny mbola nampiharin’izy ireo ilay didy navoakan’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia. Voalaza tao fa hofoanana ny Vavolombelon’i Jehovah tao Taganrog, ary voarara ny 34 amin’ny bokin’izy ireo satria mampirisika ny olona hikomy, hono. Vokatr’ireo didy navoakan’ny fitsarana rosianina, dia boky 63 no noraran’ny fanjakana.

Ankoatra izany dia in-950, fara fahakeliny, no nisy Vavolombelona nampijalina, nosamborina, nogadraina, na koa nosavana ny tranony. Efitrano Fanjakana maro no nisy nanimba. Nisy fitoriana 11 nataon’ny fanjakana, mba hiampangana an’ireo rahalahy hoe mpanao heloka bevava. Nisy mihitsy aza fianakaviana nametrahan’ny manam-pahefana fakana video, mba hanaraha-maso an’izay ataon’izy ireo. Nohenoiny koa ny antso an-telefaonina, ary nojereny ny e-mail rehetra. Te hitady hirika mantsy izy ireo mba hiampangana an’ireo rahalahy.

Anisan’ny fiampangana tsy mitombina, ohatra, ny natao tamin’ny Rahalahy Aleksandr Kalistratov, 35 taona, avy any Gorno-Altaysk. Nolazaina fa “mpampirisika ny olona hankahala ny fivavahana hafa” izy. Lalàna efa nokianin’ireo mpiaro ny zon’olombelona anefa no nampiharina taminy. Nanomboka tamin’ny 7 Oktobra 2010 ka hatramin’ny 18 Martsa 2011 ilay fitsarana. Rehefa nofotorana ireo vavolombelona 71 naseho teo amin’ilay fitsarana, dia tsy nisy afaka nanaporofo mihitsy hoe nisy tsy nety nataon’i Aleksandr. Namakafaka tsara ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fampianarany ilay fitsarana. Namoaka didy àry ny mpitsara tamin’ny 14 Aprily 2011 fa tsy meloka i Aleksandr. Nampakatra fitsarana anefa ny mpampanoa lalàna tamin’ny 26 Mey 2011. Nanapa-kevitra àry ny Fitsarana Tampon’ny Repoblikan’i Altaï fa haverina hodinihin’ny fitsarana ambaratonga voalohany indray ilay raharaha, saingy hosoloana ny mpitsara. Na dia efa afaka madiodio aza ny Rahalahy Kalistratov, dia voatery hiakatra fitsarana indray, ary mety ho voaheloka amin’ny zavatra tsy nataony akory.

Lasa nahaliana ny olona anefa ny asan’ireo Vavolombelona ao amin’ny tanàna kelin’i Gorno-Altaysk, na dia nampangaina ho sekta mampidi-doza aza izy ireo. Ahoana no niatrehan’izy ireo an’ilay fitsapana?

Hoy ny Anabavy Inna: “Vao mainka tena sarobidy amiko ny Baiboly. Lasa fianakaviako ireo anadahy sy rahavavy, ary izao aho vao tena akaiky an’i Jehovah!” Marina fa voarara ny bokintsika sasany. Fampianarana maro anefa no natomboka, ka ny Baiboly ihany no nampiasaina. Nitombo 24 isan-jato ny isan’ny mpitory tao amin’ny Repoblikan’i Altaï, ary nitombo 33 isan-jato koa ny ora lanin’izy ireo tamin’ny fanompoana. Nitombo 16 isan-jato ihany koa ny mpanatrika ny Fahatsiarovana, raha oharina amin’ny tamin’ny herintaona. Efa ho avo roa henin’ny mpitory eran’ilay firenena izany!

Fitoriana 13 no napetraky ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Fitsarana Eoropeanina, momba ny tsy rariny ataon’ny fitondrana rosianina. Anisan’izany ny fanoherana an’ilay didy navoakan’ny Fitsarana Tampony tamin’ny 8 Desambra 2009. Toy izany koa ilay fanambaran’ny Fitsarana Tampon’ny Repoblikan’i Altaï hoe mampirisika ny olona hikomy ny bokintsika 18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 67 Raharaha 49 momba ny Vavolombelon’i Jehovah no nodinihin’ny Fitsarana Eoropeanina, nanomboka tamin’ny 1965. Nahazoana fandresena avokoa izy ireo, afa-tsy roa. Ny iray tamin’izany dia momba ny Rahalahy Bayatyan, izay nahazoana fandresena ihany tatỳ aoriana.

[Teny notsongaina, pejy 14]

“Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: ‘Ary hampianarin’i Jehovah izy rehetra’ ”

[Teny notsongaina, pejy 25]

“Betsaka ny tiako holazaina, ka tsy ampy ny hoe ‘misaotra’ ”

[Efajoro, pejy 12]

Ahoana hoy Izy Ireo Momba Ilay Izy?

• “Sambany aho tamin’iny vao afaka nanao mpisava lalana mpanampy. Faly be aho! Tsy haiko izay hilazana ny hafaliako!”

• “Misaotra betsaka tamin’iny fandaharana vaovao iny. Nahafinaritra be ilay izy.”

• “Tena niavaka iny fotoana iny, tao amin’ny fiangonanay.”

• “Maro be no nandray anjara tao aminay, dia lasa niray saina sy nifankatia kokoa ny fiangonana.”

• “Tena tsy ho ela marina dia ho tonga ny Hara-magedona!”—Olona tsy Vavolombelona nahita antsika niasa mafy, tamin’ny Aprily 2011.

[Efajoro, pejy 43]

‘MIHOBIA’

VAO mainka mizaka ny tsy eran’ny aina ny olona eto amin’ity tontolo ity, satria tezitra mafy i Satana. (Apok. 12:12) Ny mpanompon’i Jehovah kosa ‘mihoby noho ny fifalian’ny fony.’ (Isaia 65:13, 14) Miezaka foana izy ireo manasa olona betsaka araka izay azo atao, mba hanompo an’ilay tena Andriamanitra. Fantany mantsy fa ‘hiravoravo izay rehetra mialoka amin’i Jehovah, ka hihoby mandritra ny fotoana tsy voafetra.’—Sal. 5:11.

[Tabilao/Kisary, pejy 26]

(Jereo ny boky)

VOADIKA AMIN’NY FITENY 106

Fandikan-tenin’ny Tontolo Soratra Grika: 44

Vaovao manontolo: 62

Afrikaans Amharique

Albaney Azerbaijaney

Alemà Azerbaijaney (sirilika)

Anglisy Chitonga

Arabo estonianina

Armenianina éwé

Boligara fidjianina

Cebuano goun

Chichewa hiligaynon

Cinghalais hindi

Danoà hiri motu

Efik iokrenianina

Espaniola kambôdzianina

Failandey kannada

Frantsay kaonde

Géorgien kazakh

Grika kiribati

Holandey kreôla any Haïti

Hongroà letonianina

Ibo litoanianina

Icibemba luganda

Iloko luvale

Indonezianina malayalam

Italianina myama

Japoney népali

kinyarwanda ouzbek

Kirghiz pangasinan

Kirundi papiamento

koreanina pendjabi

kroaty sango

lingala silozi

makedonianina sranan tongo

malagasy tailandey

maltais tamoul

norvezianina Tenin’ny Tanana Amerikanina [DVD]

ossète Tenin’ny Tanana Brezilianina [DVD]

poloney Tenin’ny Tanana Italianina [DVD]

portogey Tenin’ny Tanana Kolombianina [DVD]

romanianina Tenin’ny Tanana Meksikanina [DVD]

rosianina Tenin’ny Tanana Rosianina [DVD]

samoanina tok pisin

sepedi tongan

serba tumbuka

serba (romanina) vietnamianina

sesotho

shona

sinoa

sinoa (notsorina)

slovaky

slovenianina

soedoà

swahili

tagalog

tiorka

tseky

tsonga

tswana

twi (akuapem)

twi (asante)

xhosa

yorobà

zoloa

[Tabilao]

◀ 76% ◁ 24%

Manana “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” (manontolo na ampahany) amin’ny fitenin-drazany ny 76 isan-jaton’ny mponina eran-tany, hatramin’ny 2011

110

100

90

80

70

60

50

40

30

20

10

0

1950 1955 1960 1965 1970 1975 1980 1985 1990 1995 2000 2005 2010

[Tabilao, pejy 8]

(Jereo ny boky)

Nahatratra 2 657 377 ny Mpisava Lalana Mpanampy Naneran-tany, Tamin’ny 2011

2.5 (TAPITRISA)

2.0

1.5

1.0

0.5

0

2008 2009 2010 2011

[Sarintany, pejy 35]

(Jereo ny boky)

ETAZONIA

FRANTSA

BOLIGARIA

TORKIA

ARMENIA

AZERBAÏDJAN

ROSIA

KOREA ATSIMO

[Sary, pejy 6]

Ambony: Nitondra ny mpianany tany amin’i Jeannette ny mpisava lalana sy ny mpitory hafa. ( Jereo ny pejy 8-9)

[Sary, pejy 7]

Mpisava lalana maharitra sy mpanampy handeha hanompo, any Madrid, Espaina

[Sary, pejy 10]

Toshi mitory amin’ny olona mikarakara azy

[Sary, pejy 11]

Alejandro sy ny dadany tamin’ny 30 Aprily, tany Barcelone, any Espaina

[Sary, pejy 13]

Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana any Patterson, Etazonia

[Sary, pejy 18]

Efitrano Fanjakana tao Rikuzentakata, Japon

[Sary, pejy 22]

Ambony: Mpiasa an-tsitrapo manala korontan’entana tao an-tranon’ny rahalahy iray tao Shibata, Miyagi

[Sary, pejy 22]

Havia: Komitin’ny Sampana manao lahateny tao an-tranon’ny rahalahy iray tao Rikuzentakata

[Sary, pejy 22]

Ambany: Mpiasa an-tsitrapo mikarakara sakafo ho an’ny mpanatrika fivoriambe manokana tao amin’ilay faritra niharan-doza

[Sary, pejy 24]

Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny litoanianina sy letonianina

[Sary, pejy 31]

Mari-pahatsiarovana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah avy amin’ny Yankee Stadium, New York, Etazonia

[Sary, pejy 32]

Mpanao fanorenana tany Burkina Faso

[Sary, pejy 32]

Birao any Burkina Faso

[Sary, pejy 32]

Sampan’i Silia

[Sary, pejy 33]

Trano vaovaon’ny sampan’i Hong Kong

[Sary, pejy 34]

Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, Strasbourg, Frantsa

[Sary, pejy 38]

Tsy mahazo naoty ratsy intsony ireo mpianatra, satria mahazo tsy manao taranja ara-pivavahana

[Sary, pejy 41]

Vavolombelona mitory ao Gorno-Altaysk, Repoblikan’i Altaï