Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andinin-teny ho An’ny Taona 2013

Andinin-teny ho An’ny Taona 2013

“Mahereza sy matanjaha. ... Momba anao i Jehovah Andriamanitrao.”​—Josoa 1:9

Efa hiditra ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, tamin’ny 1473 T.K. Nisy fahavalo natanjaka be anefa tsy maintsy noresen’izy ireo. Nandidy an’i Josoa Andriamanitra hoe: “Mahereza sy matanjaha.” Hahomby izay ataon’i Josoa raha tsy mivadika izy. Hoy i Jehovah: “Aza mivadi-po na mihorohoro, fa momba anao i Jehovah Andriamanitrao na aiza na aiza alehanao.” Nomba azy tokoa Andriamanitra, satria enin-taona monja dia resin’ny Israelita ny fahavalony.—Jos. 1:7-9.

Efa hiditra ao amin’ny tontolo vaovao koa ny tena Kristianina, ka tokony hahery sy hatanjaka. Manana fahavalo matanjaka be mitady hampivadika antsika koa isika, toa an’i Josoa ihany. Tsy lefona sy sabatra no ilaintsika, fa fitaovam-piadiana an’ohatra. Mampianatra antsika hampiasa azy ireny i Jehovah. Matokia àry fa homba anao foana izy na inon-kidona na inon-kihatra. Hataony mandresy koa ianao, raha mahery sy matanjaka ary tsy mivadika.