Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany

Eran-tany

Fitoriana sy Fampianarana Maneran-tany
  • TANY 239

  • MPITORY 7 782 346

  • TONTALIN’NY ORA LANY TENY AMIN’NY SAHA 1 748 697 447

  • FAMPIANARANA BAIBOLY 8 759 988

  • TANY 58

  • MPONINA 968 989 710

  • MPITORY 1 312 429

  • FAMPIANARANA BAIBOLY 2 999 639

Tsy nanala zaza indray izy

Mipetraka ao Addis-Abeba, renivohitr’i Etiopia, i Saba ary mpivarotra izy. Nitory taminy ny anabavy roa, indray andro, ary nanolotra Mifohaza! miresaka fanalana zaza. Nampandroso azy mirahavavy i Saba. Nitomany izy nanazava hoe mieritreritra ny hanala zaza. Nihetsi-po daholo izy telo vavy rehefa nandeha ny resaka, ka samy nitomany. Nanapa-kevitra i Saba tamin’io andro io fa tsy hesoriny indray ny zanany, ary horesahiny amin’ny vadiny ny antony. Teraka vavikely mahafatifaty izy, tatỳ aoriana. Nianatra Baiboly i Saba, natao batisa, ary lasa mpisava lalana falifaly. Nianatra koa ny vadiny ary lasa rahalahintsika. Natao batisa tamin’ny Aprily 2012 koa izy mianadahy zokin’ilay zaza.

“Maninona raha izahay no mankany aminy?”

Kaokoland, Namibia: Mahaliana ny antitra sy ny tanora ny boky fianarana Baiboly. Misy amin’ny fiteny 452 izao ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao.

Nitory tamin’ny trano iray ny mpiandraikitra ny faritra sy ny rahalahy iray, tany Etiopia. Mpanampy no namoha varavarana, ka nangataka hihaona tamin’ny tompon-trano izy ireo. Tsy afaka anefa ilay rangahy tompon-trano. Nilaza tamin’ilay vehivavy àry ireo mpitory raha afaka nanome boky ho an’ilay rangahy. Lasa nanontany aloha ilay mpanampy, ary nilaza ilay rangahy hoe tiany hojerena aloha ilay izy.

Nomen’ireo rahalahy gazety àry ilay vehivavy. Niverina izy rehefa kelikely, ary nilaza fa nanaiky hamaky ilay rangahy. Hoy ny iray tamin’ireo rahalahy: “Ary maninona raha izahay no mankany aminy raha tsy afaka mankatỳ izy?” Dia lasa nanontany azy indray ilay vehivavy. Ela be izy no tany, ka nihevitra ireo rahalahy hoe tsy hiverina intsony izy. Tonga ihany anefa izy, ary nampandroso azy ireo. Lehilahy efa zokiolona no tao. Yirgu no anarany. Efa folo taona izy no tsy afa-niala teo am-pandriana, sady tsy afaka nipetraka. Elaela ilay vehivavy vao niverina, satria mbola nampiakanjo azy sy nampirin-trano.

Nitory tamin’i Yirgu ireo rahalahy. Faly izy ka nanaiky hianatra Baiboly. Nihasalama izy ary afaka niala teo am-pandriana sy nandehandeha tamin’ny seza misy kodiarana. Tsy ela izy dia nivory ary natao batisa tamin’ny fivoriambe vao haingana.

Fivavahana namoaka ny bokin’i Dada

Efa-taona i Calvin, any Zimbabwe, tamin’ny dadany maty. Kitapo iray no navelan-drainy ho azy ary nisy boky roa tao, dia ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra, Boky Voalohany. Hoy ny rainy taminy: “Aza miala amin’ny fivavahana namoaka an’ireto boky ireto, fa io no mampianatra ny fahamarinana.”

Maty koa ny renin’i Calvin ka notezain’ny bebeny izy. Tsy nety niara-niangona tamin’ny bebeny izy nandritra ny sivy taona, ary nilaza fa tsy maintsy ho hitany ilay fivavahana namoaka an’ireo boky nomen’ny dadany azy.

Nihaona tamin’ny anabavintsika ny beben’i Calvin, indray andro. Tsy fantany hoe Vavolombelona izy io ka nilazany fa mafy loha ny zafikeliny ary tsy mety miara-miangona aminy rehefa alahady, fa ilaozany mamaky boky iray navelan-drainy ho azy. Nanontany ilay anabavy hoe inona izany boky izany. Nilaza ilay bebe hoe angamba “iray amin’irony boky hafahafa avoakan’ny Tilikambo Fiambenana irony.”

Nilaza ilay anabavy fa te hihaona amin’ilay zazalahy. Faly be i Calvin rehefa nihaona izy ireo, ary natomboka ny fianarana tamin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Nanatrika fivoriana avy hatrany i Calvin na dia nanohitra be aza ny bebeny. Tapa-kevitra izy fa tsy hiala amin’ny fahamarinana ary miandry mafy ny fotoana hananganana ny maty, ka hihaonany amin’ny ray aman-dreniny indray. Natao batisa tamin’ny Aogositra 2012 i Calvin.

“Mahery ilay Andriamanitra tompoinao”

Mipetraka any Ogandà i Caro. Mpimasy i Martin vadiny, ary nanohitra be raha vao nianatra Baiboly iray volana monja izy. Hoy i Martin: “Tsy tafiditra ato an-trano intsony ny razana noho ireo bokinao ireo.” Nampijaliny i Caro ary nolazainy fa hovonoiny raha mbola mianatra. Tsy namelona ny ankohonany intsony koa izy. Tony foana anefa i Caro ary namboly teo an-jaridaina mba hisy sakafo hohanin’izy mianakavy. Notohiziny koa ny fianarany Baiboly. Nandositra i Caro rehefa notandindomin-doza ny ainy. Niady mafy izy vao nahita sakafo. Rehefa reny anefa hoe narary ny zanany, dia nividianany fanafody ho azy ireo ny vola keliny.

Niantso an-telefaonina an’i Caro i Martin, tatỳ aoriana. Hoy izy: “Mba modia amin’izay moa e! Hitako hoe mahery ilay Andriamanitra tompoinao sady momba anao. Mba ilazao ireo olona mampianatra anao hoe te hianatra koa aho. Tena te hiova aho.” Tsy nivazivazy i Martin. Tafaray sy sambatra izao izy mianakavy. Natao batisa tamin’ny Aogositra 2012 izy mivady.

Mpitory tany amin’ny faritra mitokana

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i David. Tsy ela anefa izy dia nody tany Lokichar, any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Kenya. Any amin’ny 165 kilaometatra avy eo vao misy fiangonana, izany hoe tao Lodwar. Zara raha nifandray tamin’ny Vavolombelona àry i David nandritra ny efa-taona. Nitory tamin’ny havany sy ny mpiara-monina anefa izy, ka izay nianarany no noresahiny tamin’ireo. Tsy ela i David dia nanana fampianarana Baiboly maromaro. Nifandray tamin’ireo rahalahy tao Lodwar izy tamin’ny 2007 ary nianatra Baiboly indray. Nandeha taxi-môtô na minibus izy rehefa hianatra Baiboly, ary nanao izany indroa isam-bolana.

Vao mainka i David nazoto nanompo rehefa nitombo ny fahalalany. Mbola tsy vita batisa akory izy, dia efa nanamboatra trano tafo bozaka mba hivoriana niaraka tamin’ireo olona liana, ary izy no nitarika ny fivoriana. Tsy ny rehetra anefa no faly tamin’ny fitoriana nataony. Nisy nampijaly sy nanao teny maharary izy nandritra ny roa taona. Novonovonoin’ny olona izy, indray mandeha, sady nampangainy ho nampiditra “fivavahan’ny Devoly” tao an-tanàna. Nitaraina tany amin’ny manam-pahefana anefa i David ka tsy nikasi-tanana azy intsony ny olona, ary notohiziny indray ny fitoriany. Hoy izy: “Tena zava-dehibe amiko ny fahamarinana ka tsy misy mahasakana ahy amin’io.”

Natao batisa i David tamin’ny 2009 ary mpanampy amin’ny fanompoana izy izao sady mpisava lalana. Izy sy ny zanany lahy 15 taona ihany no mpitory any an-toerana. Nisy 60 teo ho eo anefa no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny Aprily 2012, tao amin’ilay efitrano naorin’i David.

“Tokony hoporofoinao amin’ny alalan’ny Baiboly raha diso izy”

Namaky boky Ampianarina tao anaty bisy i Janet, mpisava lalana iray any Ghana. Nisy mpitory teny niditra tao anatin’ilay bisy. Nitory teny izy ary avy eo nangata-bola tamin’ny mpandeha. Hoy i Janet taminy: “Nilaza ianao teo hoe i Jesosy ihany no Andriamanitra. Dia iza izany ilay niresaka tamin’i Jesosy tamin’izy natao batisa?”

“Mistery izany”, hoy ilay mpitory teny.

Nosokafan’i Janet tao amin’ny toko fahefatra ny boky Ampianarina. Nifidy andinin-teny vitsivitsy tao izy ary nasainy novakin’ny mpandeha sasany izany. Nohazavainy avy eo fa tsy mitovy i Jesosy sy Jehovah, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.

“Mpamosavy ianao”, hoy ilay mpitory teny taminy.

Hoy anefa ireo mpandeha: “Tokony hoporofoinao amin’ny alalan’ny Baiboly raha diso izy, fa tsy lazainao hoe mpamosavy.” Tezitra ilay mpitory teny ka niala raha vao nijanona ilay bisy. Hoy ny tovovavy iray nipetraka teo akaikin’i Janet: “Noheveriko fa anaran’ny trano fivavahan’ny Vavolombelona ange ilay hoe Jehovah e! Tsy fantatro hoe anaran’Andriamanitra izany raha tsy ianao niresaka tamin’ilay mpitory teny teo.”

Nitory taminy i Janet, naka ny nomeraon-telefaoniny, ary nilaza fa hiantso azy. Notantarain’ilay tovovavy tamin’ny bebeny ilay zava-nitranga rehefa tonga tany an-trano izy. Gaga koa ny bebeny nahalala hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Naniraka Vavolombelona hitsidika an’ilay tovovavy sy ny bebeny i Janet, tatỳ aoriana. Efa mivory izao izy mianaka.

  • TANY 57

  • MPONINA 946 087 916

  • MPITORY 3 861 145

  • FAMPIANARANA BAIBOLY 4 196 922

Tsy nampoiziny hoe tany izy no hanaiky ny fahamarinana

Tovovavy 20 taona i Andrea, any Bolivia. Sahirana be ny mpiambina ny fonja rehefa nitondra azy nankeo an-tokotanin’ny fonja. Natahotra azy ny olona, satria nanompa sy nandrahona izy sady nahery setra sy natanjaka be. Tsy natahotra azy kosa i Leidy, izay Vavolombelon’i Jehovah, fa nalahelo azy. Nigadra tao koa izy io satria nisy nanendrikendrika. Fanaon’i Leidy ny namaky tononkira tao amin’ny fihirana, isa-maraina. Nandre izany i Andrea ka nanontany hoe: “Vavolombelon’i Jehovah angaha ianao?”

Peroa: Mitory amin’ny tantsaha eny an-tendrombohitra, any amin’ny Lohasahan’i Utcubamba

Nanaiky izy ka hoy i Andrea: “Ny mamako koa Vavolombelon’i Jehovah. Niara-nivory taminy aho taloha, ary nampianatra Baiboly ahy izy.” Nigogogogo nitomany izy avy eo. Niresaka zavatra ara-panahy izy roa vavy nandritra ny andro vitsivitsy. Rehefa hotsaraina i Andrea, dia niara-nivavaka izy ireo mba hahazo fanampiana sy tari-dalana avy amin’i Jehovah. Nafahana i Andrea ary mbola nianatra momba an’i Jehovah foana. Vetivety izy dia lasa mpitory ary efa miomana hatao batisa.

Nanararaotra ny fotoana nijanonany tany am-ponja i Leidy, ka nitarika fampianarana Baiboly 21. Efa nafahana izy izao, nefa mbola miverina any intelo isan-kerinandro mba hanampy an’ireo liana.

Ilay tranonkala www.pr418.com no nahatonga izany

Niditra ny Efitrano Fanjakana iray tany Kanada ny mpivady iray sy ny zanany mianadahy, indray alahady, tamin’ny 2011. Nanao akanjo mihaja izy ireo, ka noheverin’ny olona fa Vavolombelon’i Jehovah avy any an-toeran-kafa. Tonga dia nifankahalala ilay loham-pianakaviana sy Dominic, mpanampy amin’ny fanompoana tao amin’ilay fiangonana. Hay nampianarin’i Dominic Baiboly izy, 17 taona talohan’io. Naka sy namaky lahatsoratra tamin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! avy tao amin’ny www.pr418.com izy mivady, dia i Marc-André sy Josée, tao anatin’ny roa taona. Izany no nahitany hoe nila nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy mianakavy. Nianatra Baiboly avy hatrany izy ireo, ary nanatrika ny fivoriana rehetra. Vao nianatra roa volana izy ireo dia efa nanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Mandroso tsara izao izy mianakavy, ary efa nanao ny anjarany voalohany tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana i Josée, tamin’ny Mey 2012.

‘Nanome ahy sakafo sy satroka izy’

Namonjy ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2010 tany Silia i Marcelo, ankizilahy folo taona. Voamariny hoe tsy nanana boky hampiasaina ilay lehilahy zokiolona teo akaikiny.

Nibitsibitsika tamin-dreniny àry izy hoe: “Tsy manana Baiboly izy.”

“Ny anao iarahana mijery aminy”, hoy ny reniny. Nikisaka teny akaikiny àry i Marcelo, ary niara-nijery ny andinin-teny rehetra izy sy Victor, fa izany no anarany. Rehefa tonga ny fiatoana, dia hoy indray i Marcelo tamin-dreniny: “Tsy manana sakafo izy.” Nasain-dreniny nozarainy tamin’ilay lehilahy ny sakafony, ka nomeny mofo sy dite ilay rangahy. Nasehon’i Marcelo azy izay andinin-teny tadidiny, tamin’ilay rangahy nisakafo.

Nodanihin’ny masoandro izy ireo ny tolakandro, ka hoy indray i Marcelo tamin-dreniny: “Tsy manana satroka izy.”

“Omeo azy ny anao”, hoy ny reniny. Dia nomeny tokoa. Nifanao veloma i Marcelo sy Victor nony vita ilay fivoriambe.

Nitady an’i Victor i Marcelo, ny fivoriamben’ny vondrom-paritra nanaraka, sao mba tonga tao izy. Faly be i Marcelo fa tao tokoa izy, sady efa nanao kravaty! Vao nahita an’i Marcelo izy dia nilaza hoe: “Tsy tonga teto aho androany raha tsy ity ankizilahikely ity. Nahazo fanasana aho tamin’ny herintaona, dia tonga. Izy no nanoro ahy an’ireo andinin-teny sady nanome ahy sakafo sy satroka. Mianatra Baiboly aho izao!” Efa lasa mpitory tsy vita batisa i Victor.

Nidera azy ilay mpanao gazety

Nitantara ny zavatra niainany, tao amin’ny lahatsoratra nosoratany, ny vehivavy mpanao gazety malaza iray, any Venezoelà. Nila fanampiana izy, indray andro, ka niantso ny sampan-draharaha mikarakara ny mpanjifa tao amin’ny orinasa iray momba ny telefaonina. Tsy nahalala fomba ilay mpiasa nandray azy, ka tsy afa-po mihitsy izy. Niantso indray izy, ka tovolahy tena nahalala fomba no nandray azy ary nilaza fa “Misael” no anarany. Hoy ilay vehivavy: “Niavaka ilay tovolahy, satria tsara fanahy sy nanaja ary vonon-kanampy. Voavaha ilay olana noho ny fanampiany, ary haiko ny mamaha an’ilay izy raha mbola miverina.”

Nidera azy ilay mpanao gazety. Nilaza i Misael fa Vavolombelon’i Jehovah izy ary miezaka manaraka izay nolazain’i Jesosy rehefa mifandray amin’ny olona. Nangataka hiresaka tamin’ny lehiben’i Misael ilay vehivavy, ka nidera ny asa tsara ataon’ny mpiasany. Noresahiny tao amin’ny lahatsorany fa Venezoelianina fakan-tahaka i Misael ary Vavolombelon’i Jehovah. Izao no namaranany an’ilay lahatsoratra: “Olona hoatr’izany no ilaina amin’ny asa rehetra ikarakarana ny mpanjifa.”

“Aza mafy loha!”

Mexico, Meksika: Olona nitoriana teny an-dalana ny maro amin’ireo olona iray tapitrisa mahery mianatra Baiboly any

Marenina i Gabriela ary 15 taona. Natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny tenin’ny tanana tany Ekoatera izy, tamin’ny Oktobra 2011. Faly erỳ izy. Nangataka tamin’ny mpampianatra azy teny amin’ny lise àry izy ny alatsinainy mba havela hilaza zavatra vetivety amin’ny mpiara-mianatra aminy. Hoy izy tamin’ny tenin’ny tanana: “Tiako ny hilaza aminareo fa nanatrika fivoriambe aho tamin’ny zoma sy asabotsy ary alahady teo. Natao batisa aho ary lasa Vavolombelon’i Jehovah. Efa miaina amin’ny andro faran’ity tontolo ity isika izao. Kely sisa ny fotoana, ka mila miova haingana ianareo. Aza mafy loha intsony. Matahora an’Andriamanitra!” Variana ny iray kilasy.

Nanatona an’i Gabriela i Katty, rehefa nisakafo antoandro ry zareo. Vavolombelona marenina izy ary tsy nitory intsony. Nanontany momba an’ilay fivoriambe izy, ka hoy i Gabriela: “Tsara be ilay izy. Vavolombelona vita batisa aho izao, ary tsy te hivadika amin’i Jehovah. Tiako ho fantatr’indrỳ fa tsy mpinamana intsony isika, satria indrỳ ratsy fitondran-tena. Ho simba ny fifandraisako amin’Andriamanitra raha minamana amin-drỳ aho. Mila miova indrỳ. Mivavaha amin’i Jehovah dia miresaha amin’ny anti-panahy. Fantatro fa afaka miova indrỳ.” Tsy niolakolaka i Gabriela nefa be fitiavana. Niresaka tamin’ny anti-panahy tokoa i Katty ka nahazo fanampiana ary nitory indray.

Nindraminy ny ordinateran’ny mpampianatra azy

Nanontanian’ny mpiara-mianatra aminy momba ny fivavahany ny anabavy iray 16 taona, any Etazonia. Tsy nisy boky na gazety anefa tany aminy, sady tsy nisy Baiboly koa. Te hampiasa andinin-teny izy mba hamaliana an’ireo fanontaniana, ka nindraminy ny ordinateran’ny mpampianatra azy mba hahafahany hiditra ao amin’ny tranonkala www.pr418.com. Sady afaka namaly ny fanontaniana rehetra izy, no afaka nanoro ny fampiasana an’ilay tranonkala. Nolazainy fa afaka miditra ao amin’io adiresy io izy ireo raha manana fanontaniana, nefa tsy mahita Vavolombelona afaka manampy azy. Lasa tsy dia nanontany azy intsony ny mpiara-mianatra aminy, rehefa nandeha ny fotoana. Hay izy ireo niditra matetika tao amin’ny tranonkalantsika satria misy Internet ny findainy. Na ilay madama aza mba nanao toy izany!

  • TANY 48

  • MPONINA 4  222 869 785

  • MPITORY 674 608

  • FAMPIANARANA BAIBOLY 662 736

Tsy niady indray ry zareo

Nandalo teo amin’ny tanàna kely iray any Indonezia ny mpitory vitsivitsy handeha handevina. Nahita tovolahy teo amoron-dalana ny mpisava lalana iray, ary niresaka tamin’izy ireo sady nanome bokikely Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao. Nandalo teo amin’io toerana io ny anabavy iray hafa, taoriana kelin’izay, tamin’izy handeha hody. Nisy lehilahy iray nanatona azy. Nitazona an’ilay bokikely izy sady nisaotra an’ilay anabavy noho izy nanome azy io an-janany. Hoy izy: “Voavonjy ny ain’ny zanako noho ity boky ity.” Tsy anisan’ireo nandeha nandevina ilay anabavy, ka tsy azony ilay resaka. Nanazava àry ilay rangahy fa saika hanafika tanàna iray ireo tovolahy, satria nisy nampijaly ny namany. Saika hamaly faty izy ireo, araka ny fanao teo an-toerana. Fantany anefa rehefa namaky an’ilay boky izy ireo, fa tsy hiaina ao amin’ny Paradisa ny olona tia ady. Nitony àry izy ireo ary lasa nody. Tsy nisy ady mahatsiravina nitranga, noho ny hafatra ara-baiboly tao amin’ilay bokikely.

Niova ilay sarimbavy

Shau Kei Wan, Hong Kong: Mitory amin’ny tovovavy iray eny an-tsena

Mipetraka any Kambôdza i Rek. Mbola kely izy sy ilay rahalahiny kambana aminy dia efa nihevi-tena ho vehivavy. Nilalao saribakoly izy ireo ary tia akanjom-behivavy. Sahiran-tsaina ny reniny sady menatra olona, nefa tsy hitany izay hatao. Nanao akanjon-dehilahy izy ireo rehefa niala tao an-trano, nefa nosoloany akanjom-behivavy izany raha vao tonga tany am-pianarana. Nanao fifaninanana nifidianana izay sarimbavy tsara tarehy indrindra izy roa lahy tamin’izy ireo 16 taona, ka voamarik’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny indostrian’ny fialam-boly. Lasa niseho tele izy ireo taorian’izay ary nanao hatsikana. Tsy ela i Rek dia lasa lehilahy miray amin’ny lehilahy, ary nifanerasera tamin’ny sarimbavy hafa.

Lasa mpivavaka ny maman’izy ireo ary notereny hiaraka taminy i Rek. Nanaiky hanao akanjon-dehilahy izy nefa tsy nety nanapa-bolo. Matetika ilay pasitera no nanambanimbany sy nanesoeso azy, noho izy sarimbavy. Nieritreritra ny hianatra Baiboly tao amin’ilay fiangonana ihany anefa i Rek. Nifoha maraina izy ny herinandro voalohany ary nandeha bisikileta nankany amin’ilay fiangonana, na dia lavitra be aza ilay izy. Niala tsiny anefa ilay pasitera fa tsy afaka nampianatra azy. Tsy nipoitra intsony ilay pasitera ny herinandro nanaraka, ka sosotra be i Rek.

Nony tonga tao an-tranony izy, dia nilazan’ny rahalahiny hoe nisy vehivavy tonga tao amin-dry zareo ary nanasa azy hianatra Baiboly, sady nanome boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Nianatra Baiboly tamin’ilay anabavy sy ny vadiny izy roa lahy. Tsy nianatra intsony ilay rahalahin’i Rek rehefa afaka enim-bolana satria tsy vonona hiova. Nisy heriny teo amin’i Rek kosa ny voalazan’ny 1 Korintianina 6:9, 10 ka fantany ny tokony hatao. Nazoto nianatra izy, namaky Baiboly, nivavaka, ary namonjy fivoriana, ka afaka niova tanteraka. Mianatra koa izao ny reniny ary mandroso tsara. Nitomany izy rehefa natao batisa i Rek, ary nilaza hoe: “Faly be aho fa natao batisa ny zanako sady efa tena lehilahy.” Mpisava lalana izao i Rek.

Niova ilay mpimasy

Mpimasy i Or-Ya. Nanasitrana izy, nitaiza olona, nilalao ody, ary nanandro. Nihaona taminy ny mpivady mpisava lalana manokana tany Haïfa, any Israely, rehefa nitory isan-trano. Hoy izy: “Mandrosoa ianareo raha hiresaka momba an’Andriamanitra.” Feno ody tao an-tranony. Naharay hafatra avy tamin’Andriamanitra, hono, izy ary indraindray nisehoan’ny fanahin’ireo mpitondra fivavahana jiosy fahiny.

Nanasa azy hianatra Baiboly tamin’ny boky Ampianarina izy mivady, ary nanaiky izy. Nivavaka tamin’Andriamanitra i Or-Ya, roa andro talohan’io, mba handefasany olona hampianatra azy Baiboly tsy misy fampianaran’ireo mpitondra fivavahana jiosy fahiny. Nanontany izy, tsy ampy iray volana taorian’izay, hoe: “Misy mpiara-mivavaka aminareo koa ve atỳ?” Nivory niaraka tamin’ny fiangonana àry izy, ary faly rehefa nahita hoe tsara fanahy ny olona sady nandray tsara azy. Nivory foana izy nanomboka teo.

‘Manana roa volana ianareo, mba hanampiana ahy hahafeno fepetra!’

Nanontany momba ny fivoriambe i Or-Ya raha vao nianatra roa volana. Hoy izy: “Tsy amin’ny fivoriambe moa ny olona no atao batisa? Manana roa volana izany ianareo, mba hanampiana ahy hahafeno fepetra!” Nariany daholo ireo ody lafo vidy tao aminy. Izay no dingana voalohany nataony. Tsy nanao mpimasy intsony koa izy, ary nanomboka nitory, ka nizara boky Ampianarina sy gazety tamin’ireo olona mpankao aminy taloha. Tsy nampiasa ody koa izy rehefa narary. Lasa tsy an’asa izy nandritra ny efa-bolana, satria nialany ilay asany taloha. Nahita asa nety tsara ihany anefa izy rehefa nandeha ny fotoana. Noferany ho efatra andro isan-kerinandro sy adiny enina isan’andro ny fotoana iasany mba hahafahany manompo. Namidiny ilay tranobeny, taorian’izay, ka nanofa trano kely kokoa izy.

Nahafeno fepetra hatao batisa i Or-Ya, tatỳ aoriana. Tapaka anefa ny tongony, herinandro talohan’ilay fivoriambe. Tsy nampaninona azy izany, fa natao batisa ihany izy na dia nisy platra aza ny tongony. Mpitory mazoto izao i Or-Ya, ary mitory amin’ireo olona mpankao aminy taloha sady mampianatra Baiboly.

Niala tamin’ny sekta izy

Nanomboka nianatra Baiboly ny kambana marenina roa lahy, izay nipetraka tany amin’ny tanàna an-tendrombohitra, any Philippines. Mpivavaka tao amin’ny sekta iray izy ireo. Nampianarina tao fa tsy hisy vokany ny fitaovam-piadiana rehefa mitondra ody fiaro. Efa nampiofanina hampiasa antsy sy antsilava ary basy izy ireo, ary efa niady imbetsaka tamin’ireo mpikomy tany an-tendrombohitra. Navelan’ilay sekta hianatra Baiboly izy roa lahy, raha tsy manery azy ireo hiova finoana ny Vavolombelona.

Nilaza anefa ireo rahalahy hoe izy roa lahy ihany no manapa-kevitra, arakaraka izay ianarany ao amin’ny Baiboly. Tsy te hiova ny iray ka najanony ny fianarany. Ilay iray kosa mbola nanohy. Mba hampaherezana azy, dia nanokatra ny Baiboly ilay rahalahy nampianatra azy, ary nanazava taminy tamin’ny tenin’ny tanana hoe: “Ao amin’ny Baiboly ilay anaranao hoe Samuel. Miresaka momba an’i Samuel ny Baiboly, ary nanompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, izy hatramin’izy antitra be. Afaka mankatò an’i Jehovah foana koa ianao.” Nanohina ny fon’i Samuel izany. Hoy izy: “Tokony hiandany amin’i Jehovah koa aho izany, raha ao amin’ny Baiboly ny anarako.” Nilaza tamin’ilay sekta izy fa hiala tao an-tanàna. Nodorany daholo ireo ody fiaro sy ny ody hafa, ary nandroso haingana izy. Efa vita batisa izy izao, ary mazoto manampy an’ireo marenina hafa hianatra ny fahamarinana.

Ankizy niharan’ny fanenjehana

Erdenet, Mongolia: Mampianatra Baiboly vehivavy iray any amin’ny toerana mitokana

Mipetraka any amin’ny tanàna mitokana any amin’ny faritra avaratr’i Inde i Rajiv. Sivy taona izy tamin’izy tao amin’ny taona fahefatra. Vavolombelona ny mpampianatra azy ary nampiasa ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe mba hanampiana an’ireo ankizy ho tsara fitondran-tena. Nandray am-po izay nianarany i Rajiv ary nanomboka nampihatra izany. Nilazany ilay mpampianatra hoe tsy mandainga intsony izy, tsy miady amin’ny ankizy intsony, ary mizara ny sakafo antoandrony amin’izay tsy manana.

“Ny lohako ihany no azonao terena hiankohoka eo anoloan’io, fa tsy afaka manery ahy hanompo an’io ianao”

Rehefa nianatra momba ny fampanantenana Paradisa an-tany izy, dia nanomboka niresaka an’izany vaovao tsara izany tao an-tanànany sy teny ambony lamasinina. Menatr’olona ny ray aman-dreniny sady sosotra. Norarany i Rajiv tsy hiresaka momba an’i Jehovah sy Jesosy intsony. Mbola niresaka ihany izy ka nokapohin’izy ireo. Nesorin’ny reniny ny akanjony rehefa avy nianatra izy, amin’izay tsy afaka mivoaka ny trano mba hiresaka an’ilay fanantenany amin’ny hafa. Tsy navelan’ny ray aman-dreniny hatory teo ambony fandriana intsony izy sady nahenany ny sakafony. Tsy nampihontsina an’i Rajiv izany, ka niantso mpitondra fivavahana hindoa izy mivady mba hampiova an’ilay zaza.

Nipetraka tao amin-dry zareo ilay rangahy nandritra ny andro maromaro, ary nanery an’i Rajiv hiankohoka teo anoloan’ny sary vongana. Nilaza i Rajiv fa vato fotsiny io fa tsy tena Andriamanitra. Hoy anefa ilay rangahy: “Aza mifantoka amin’izay hitan’ny maso fa eritrereto hoe ao amin’io sary vongana io Andriamanitra.” Naka sombin-taratasy i Rajiv ary nasiany soratra hoe “100 ropia” teo amin’ilay izy. Nomeny an’ilay rangahy izany mba hividianana sôkôlà ary nasainy naverina ny famerim-bola. “Izaho angaha adala!”, hoy izy. “Taratasy tsisy vidiny anie io e!” Hoy kosa i Rajiv: “Aza mifantoka amin’izay hitan’ny maso fa eritrereto hoe tena vola io.” Tezitra ilay rangahy ka nataony niankohoka teo anoloan’ilay sary vongana ny lohan’ilay zaza. Hoy indray i Rajiv: “Ny lohako ihany no azonao terena hiankohoka eo anoloan’io, fa tsy afaka manery ahy hanompo an’io ianao.” Leo ilay rangahy nony farany ka nilaza fa tsy laitra akisoka ilay zaza, ary na izy aza mety hiova finoana raha mijanona elaela eo. Nafindran’ny ray aman-dreniny tany amin’ny sekoly hafa i Rajiv. Mbola niresahany momba an’i Jehovah sy ny fampanantenana Paradisa foana anefa izay nanaiky hihaino azy. Folo taona izao i Rajiv ary miantehitra amin’i Jehovah foana izy mba hanampy azy hanana finoana matanjaka.

Hitany ilay Baiboly notadiaviny

Teo am-pitoriana tamin’ny mpiasan’ny fivarotam-boky iray i Larisa, any Armenia, no nisy ramatoa niditra. Nanontany izy raha nisy Baiboly “Tontolo Vaovao” tao amin’ilay fivarotana. Nilaza ilay mpivarotra hoe tsy nisy an’izany tao, fa nisy Baiboly armenianina kosa. Hoy àry ilay ramatoa: “Mora azo ve ilay fandikan-teny?” Namaky andininy vitsivitsy tao ilay mpivarotra, ary nilaza hoe: “Hoatran’ny mazava ihany izany!” Nanizingizina anefa ilay ramatoa hoe Baiboly “Tontolo Vaovao” no tadiaviny. Tadidin’i Larisa tampoka hoe tany aminy ny Baiboliny amin’ny teny armenianina, ka nasehony an’ilay ramatoa ary nasainy novakiny ny lohateniny. Novakiny hoe: “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.” Io mihitsy ilay Baiboly notadiaviny!

Nanazava ilay ramatoa fa vao nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zanany vavy sy ny vinantolahiny any Gresy. Mbola tsy nahay teny grika izy ireo ka nasainy nitondran’ny reniny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny armenianina. Nomen’ilay anabavy azy ilay Baiboly sady hoy izy: “Omeo azy ireo ity Baiboly ity, ary lazao aminy hoe fanomezana avy amin’i Jehovah.” Faly be ilay ramatoa, indrindra rehefa nilaza i Larisa hoe vonona hampianatra Baiboly azy. Nifanome nomeraon-telefaonina izy ireo, mba hahafahan’ilay ramatoa mianatra rehefa tafaverina avy tany Gresy izy.

  • TANY 47

  • MPONINA 738 679 198

  • MPITORY 1 595 888

  • FAMPIANARANA BAIBOLY 841 260

Naveriny ilay poketra

Mpisava lalana any Bosnia i Nina ary mampianatra Baiboly fianakaviana iray avy amin’ny foko rôma. Nahita poketra teny an-dalana ny ankizivavy folo taona tao amin’ilay fianakaviana. Nisy vola sy karatra fitrosana ary taratasy vitsivitsy tao. Raha tamin’izy mbola tsy nianatra Baiboly, dia ho nihevitra io ankizivavy io hoe fanomezana sarobidy izany. Tapa-kevitra ny hitondra an’ilay izy tany amin’ny polisy anefa izy rehefa avy niresaka tamin-dreniny. Nahavariana izany satria nahantra ilay fianakaviana ary tsy nanam-bola hividianana mofo akory. Gaga ilay polisy nahita izany. Nisy niantso an-telefaonina ilay fianakaviana, adiny roa tatỳ aoriana. Nasaina niverina tany amin’ny paositry ny polisy izy ireo ary efa niandry azy ireo tao ny tompon’ilay poketra. Nisaotra azy ireo izy ka nanome vola 30 dolara teo ho eo, ho valisoan’ilay fianakaviana. Karama roa andro izany.

Nahaliana azy ilay lohateny

Gjógv, Nosy Féroé: Nahatratra 118 ny tampon’isan’ny mpitory tao amin’io firenena io, tamin’ny 2012

Nahita lehilahy nijoro teo akaikin’ny fiarany i Nihad, any Bosnia, tamin’izy avy nanompo. Hoy izy rehefa avy noarahabain’i Nihad: “Nahatazana gazety tato anaty fiaranao aho ary nahita an’ilay lohateny hoe ‘Tianao ve ny ho Ray Mahay Mitaiza?’ Te hahazo an’io aho. Efa adiny iray teo ho eo aho izay no niandry teto. Mba azonao omena an’io ve aho?” Faly erỳ i Nihad nanome azy an’ilay gazety ary nanararaotra nitory taminy.

Nahazo fampaherezana ireo tantsambo

Nitory teny amin’ny seranan-tsambo ny mpivady iray any Holandy. Nahita tantsambo malomaloka endrika izy ireo rehefa nitsidika sambo lehibe iray. Nanganohano ny ranomason’ilay lehiben’ny injeniera tamin’izy nilaza fa niharan-doza foana io sambo io, ary efa saika nidona imbetsaka, ka be dia be ny simba aminy. Hoy izy: “Mba mivavaha re ho anay e!” Nanasa ny tantsambo rehetra ireo mpitory mba hanatrika lahateny iray. Natao tao amin’ny efitra misy ny familian-tsambo izy io ny ampitson’iny, tamin’ny fito hariva. Nanatrika teo ny 15 tamin’ireo tantsambo 16, niaraka tamin’ilay mpivady sy ny mpivady roa hafa. Nisy vavaka fanokafana, narahin’ilay lahateny hoe “Avy Amin’Andriamanitra ve ny Loza?” Afaka nanaraka an’ireo andinin-teny ny tantsambo, satria nitondra Baiboly be dia be ireo mpitory, sady nanampy azy ireo hijery izany. Mbola niresadresaka izy ireo taorian’ilay lahateny. Nahatsiaro ho maivamaivana ireo tantsambo, ary nankasitraka an’ireo rahalahy. Hoy ny iray: “Tena valim-bavaka izao!” Nandray boky 20 sy Baiboly ary zavatra hafa azo vakina ireo tantsambo. Nanome valopy nisy fanomezana nitentina 200 dolara (Ar 450 000 eo ho eo) ilay kapiteny, ho fandraisana anjara tamin’ireo boky sy gazety.

Nivavaka izy fa te hanampy

Mipetraka any Soeda i Irene. Hoy izy: “Efa 80 taona aho ary tsy afaka mandeha manompo intsony satria manaintaina ny vatako. Nivavaka tamin’i Jehovah aho hoe enga anie mba hisy olona efa notsidihiko taloha haniry hotsidihina indray.

“Naneno ny telefaoninay, indray andro, ary ny vadiko no nandray an’ilay izy. Vehivavy ilay niantso ary nilaza hoe: ‘Azafady tompoko! Ianareo ihany izao no mba tadidiko, ka izany no iantsoako anareo. Sao dia mba afaka mitsidika ahy ny vadinao, dia mba miresaka momba ny Baiboly izahay? Efa 15 na 20 taona aho izay no nianatra, fa nanohitra be ny vadiko fony fahavelony, dia nijanona aho.’

“Tadidiko hoe efa nitsidika an’io ramatoa io tokoa izaho sy ilay rahavavy nampianatra azy. Gaga aho fa nahatadidy ahy izy. Faly be aho ka nifanao fotoana taminy. Nianatra isan-kerinandro izahay nanomboka teo. Nanatrika Fahatsiarovana sy lahateny manokana koa izy, ary efa mivory. Misaotra an’i Jehovah isan’andro aho, satria mamaly vavaka izy.”

Tsy azo arotsaka ao anaty boaty ny sôkôlà

Valo taona i Sergio, any Italia. Tiany ho tsapan’ny anti-panahy hoe efa te ho lasa mpitory tsy vita batisa izy. Nandeha nanamboatra ny hidin-tranon’ny mpivady iray efa 70 taona mahery ny dadany, indray andro. Niaraka tamin-drainy izy ary nitondra gazety vitsivitsy. Hoy izy: “I Dada niasa, fa izaho kosa nanome gazety an’ilay dadabe. Gaga izy io ka niantso ny vadiny ary nampiseho azy an’ireo gazety. Noraisiko an-tsoratra avy eo ny anaran’izy mivady sy ny adiresiny ary ny nomeraon-telefaoniny, mba hahafahako mitsidika azy. Nomen’ilay ramatoa sôkôlà ngezabe aho avy eo.” Niverina nitsidika azy mivady i Sergio sy ny anti-panahy iray, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. I Sergio no nampaneno ny lakolosim-baravarana. Nivoaka ilay bebe ka nohazavain’i Sergio fa tiany ny hanome azy an’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Faly ilay bebe ka noraisiny ilay boky ary nomeny sôkôlà indray i Sergio. “Nohaniko ilay izy”, hoy i Sergio, “satria tsy azo atao ao anaty boaty ho an’ny fanomezana. Fantatr’ireo anti-panahy tamin’ny farany hoe tena te ho lasa mpitory tsy vita batisa aho.”

Te hianatra bebe kokoa ilay pasitera

Pasiteran’ny fiangonana iray any Gurkovo, any Boligaria, i Simeon. Tsy misy Vavolombelona ao amin’io tanàna io. Nandinika ny Baiboly izy ka hitany fa tsy mitovy amin’izay ampianarin’ny Baiboly ny zavatra ampianarin’ny fivavahany. Nandeha lamasinina izy, indray andro, ka nahazo tamin’ny gazetintsika. Faly be i Simeon nahalala hoe i Jehovah no tena Andriamanitra ary tsy misy izany Andriamanitra telo izay iray izany. Te hianatra bebe kokoa izy ka nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana sy tany amin’ny fivavahana rehetra fantany. Fivavahana iray ihany no namaly ary nilaza hoe: ‘Aza mandrera-tsaina amin-javatra “tsy misy dikany” toy izany.’ Naniraka Vavolombelona roa avy ao Kazanlak kosa ny biraon’ny sampana mba ho any amin’ilay pasitera. Nandeha 35 kilaometatra izy ireo mba hampianatra Baiboly an’i Simeon sy ny fianakaviany. Tian’i Simeon ny zavatra nianarany, ka nasainy hianatra koa ny namany sy ny mpiara-monina aminy. Tsy ela dia olona 25 no nanatrika an’ilay fianarana, isan-kerinandro. Nitomany ny vehivavy iray 75 taona rehefa avy nianatra indray mandeha, ary nanao hoe: “Be kokoa ny zavatra fantatro tao anatin’ny adiny iray noho izay nianarako tany am-piangonana nandritra ny 30 taona.” Mandamina fivoriana isam-bolana ao Gurkovo izao ireo rahalahy avy any Kazanlak. Mahatratra 60 ny mpanatrika, ary nisy 79 no nanatrika ny Fahatsiarovana.

“Betsaka kokoa ny zavatra fantatro tao anatin’ny adiny iray noho izay nianarako tany am-piangonana nandritra ny 30 taona”

“Aza miala amin’izao fomba fiainanao izao mihitsy”

Anabavy 15 taona i Valya, any Ukraine. Voamariny fa nanao akanjo mainty ny mpampianatra azy sady vao avy nitomany. Hay maty ny reniny. Te hiresaka aminy momba ny fitsanganana amin’ny maty i Valya mba hampaherezana azy. Nitondra Baiboly sy bokikely roa izy, dia ilay hoe Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika? sy ilay hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao. Taorian’ny fianarana no noeritreretiny hiresahana tamin’ilay madama. Hoy i Valya: “Nitaintaina be aho rehefa niandry teo am-baravaran’ny biraony, ka nivavaka tamin’i Jehovah.”

Hoy ilay madama rehefa niditra i Valya: “Fa inona no tadiavinao?”

“Te hampahery anao aho, satria efa mba namoy havan-tiana toa anao. Maty mantsy ny dadabeko, taona vitsivitsy lasa izay.”

Géorgie: Mitory eny amin’ny tanimboaloboka

Nanohina ny fon’ilay mpampianatra izany. Nitomany izy sady nilaza fa tsy mba nangoraka azy toy izany na ny havany na ny mpiara-miasa aminy. Avy eo i Valya namaky sy nanazava ny Apokalypsy 21:3, 4. Noraisin’ilay madama ireo bokikely, ary hoy izy: “Tena hafa noho ireo mpiara-mianatra aminao ianao.”

Hoy i Valya: “Miezaka mamaky Baiboly sy manaraka izay voalaza ao aho, ary mankatò ny ray aman-dreniko.”

Nangataka Baiboly sy boky Ampianarina ilay madama, tatỳ aoriana. Tena nankasitraka ny zavatra nataon’i Valya izy, ka nilaza hoe: “Ny fivavahanareo no marina. Sambatra ianao manana ray aman-dreny mampianatra anao hanao ny tsara. Aza miala amin’izao fomba fiainanao izao mihitsy.”

Diso nomerao izy

Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra tao Malakasa, any Gresy, tamin’ny 2011. Niantso ny dadany tamin’ny finday i Natalie ny zoma fa saika hiresaka taminy momba ny bisin’ny fivoriambe. Diso nomerao anefa izy ka tsy nisy namaly. Nahita ny nomeraony ilay olona nantsoiny ka niantso azy. Efa nanomboka ny fandaharana tamin’izay. Novonoin’i Natalie ilay finday nefa tsy maty. Tsy fantany àry fa afaka nandre sombiny tamin’ny lahatenin’ny mpitari-draharaha ilay olona niantso. Nahaliana an’io rangahy io izay reny.

Nandefa SMS izy avy eo hoe: “Pretra angaha ianao?” Hitan’i Natalie ilay SMS nandritra ny fiatoana maraina, ka novaliany hoe: “Tsy pretra aho fa Vavolombelon’i Jehovah, ary manatrika fivoriambe aho izao.”

Pittenweem, Ekosy: Mitory eny amin’ny toeram-panjonoana

Niantso indray ilay rangahy ny asabotsy ary nanontany raha mbola tsy tapitra ilay fivoriambe. Afaka nitory taminy àry ny dadan’i Natalie, ka hoy ilay lehilahy: “Nahavaly fanontaniana maro nanahiran-tsaina ahy ilay toriteny reko vetivety tamin’ny telefaonina.” Nampijalin’ny demonia mantsy ny fianakavian’ilay rangahy ary tsy fantatr’izy ireo hoe iza ireo demonia ary nahoana izy mianakavy no ampijaliny. Hoy ihany ilay rangahy: “Tsy tia niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy aho hatramin’izay. Te hiresaka amin’iny lehilahy nanao an’ilay toriteny iny anefa aho, raha mety.”

Mazava ho azy fa mety izany. Nanatrika fivoriambe ilay rangahy ny alahady ary gaga be nahita fianakaviana miakanjo tsara sy falifaly. Tsy nisy fako niparitaka na olona niteny ratsy na nifoka sigara koa tany. Hoy izy: “Tsy nampoiziko hoe mbola misy olona hoatr’izao eto an-tany. Hoatran’ny hoe any amin’ny planeta hafa mihitsy aho!” Nentin’ny dadan’i Natalie tany amin’ny biraon’ny mpitari-draharaha izy ka afaka niresaka tamin’ilay mpitari-draharaha. Nampiaiky volana azy ilay fivoriambe sy ny valin-teny azony. Nandray boky Ampianarina sy Baiboly ary gazety vitsivitsy izy, ary nanaiky hotsidihina.

  • TANY 29

  • MPONINA 38 495 300

  • MPITORY 94 924

  • FAMPIANARANA BAIBOLY 59 431

“Mbola tsy nandre hira tsara hoatr’izany mihitsy aho”

Manao hiram-pirenena ny mpianatra ao Savaii, any Samoa, isan’andro, alohan’ny fidirana. Niresaka tamim-panajana tamin’ny tale anefa i Celina, dimy taona, sy Levaai, enin-taona, ary nilaza fa Vavolombelon’i Jehovah izy ireo ka tsy afaka manao an’ilay hira. Nety ho voasazy mafy izy ireo tamin’izany. Tian’ilay tale hanaiky lembenana anefa ireo zaza ireo, ka nataony izay hahamenatra azy. Hoy àry izy: “Ny hiranareo atao raha tsy hanao ny hiranay ianareo.” Nataon’i Celina sy Levaai ilay hira faha-111 hoe “Hiantso i Jehovah.” Vao nianaran’izy ireo tamin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana mantsy io hira io. Nanganohano ny ranomason’ilay ramose rehefa tapitra ilay hira, ka hoy izy: “Mbola tsy nandre hira tsara hoatr’izany mihitsy aho. Avereno indray hoe!” Dia naverin’izy ireo tokoa. Avy eo ilay tale nilaza hoe: “Ny hiranareo no hasaiko hataonareo manomboka izao fa tsy ny hiranay intsony.”

“Ny hiranareo no hasaiko hataonareo manomboka izao fa tsy ny hiranay intsony”

Nivavaka tamin’i Jesosy foana izy hatramin’izay

Timor-Leste: Nitombo 9 isan-jato ny isan’ny mpitory tao amin’io tany rotidrotiky ny ady io

Nisy pasitera nanatrika ny fianaran’ny mpianatra Baiboly iray, tany Fidji. Reny nandritra ilay fianarana fa tsy Andriamanitra i Jesosy. Nampikorontan-tsaina azy izany ka tsy nahita tory izy. Hoy àry ny vadiny: “Aza mihaino an’ireny intsony!” Tsy niala tao an-tsainy anefa ilay izy, ka nanatrika an’ilay fianarana indray izy ny herinandro nanaraka. Nankany am-piangonana izy, andro vitsivitsy taorian’izay, ary niala tsy ho pasitera intsony, na dia mbola tsy nianatra Baiboly aza. Taitra be ny havany sy ny mpiangona ary tezitra taminy. Tsy vitan’ny hoe niala tamin’ny fiangonany izy, fa nialany koa ilay asa nahazoany vola be. Mora taminy ny nanaiky an’ilay fahamarinana momba an’i Jesosy, fa sarotra taminy kosa ny nivavaka tamin’i Jehovah, satria nivavaka tamin’i Jesosy foana izy hatramin’izay. Nahavita nivavaka tamin’i Jehovah ihany izy, volana maromaro tatỳ aoriana. Miresaka ny vaovao tsara amin’ny hafa izy izao, ary manampy ny olona hahalala an’i Jehovah sy ho tia azy.

Nanaiky ny fahamarinana ny tao an-tanàna

Olona 62 monja no mipetraka any Makatea, any Pasifika Atsimo. Fiangonana iray any Tahiti no mikarakara an’io faritany io, ary mampianatra olona sivy amin’ny alalan’ny telefaonina. Ampitaina an-telefaonina koa ny fivoriana, ary olona 15 no manaraka izany ao an-tranon’ny mpianatra Baiboly iray. Mianatra Baiboly ny vehivavy iray nafana fo tamin’ny fivavahany, izay efa saika voatendry ho diakona. Nankany amin’ny fiangonany izy, vao haingana, ary nanazava hoe nahoana izy no tsy nivavaka tany intsony. Nohazavainy tamin’ny alalan’ny Baiboly fa tsy tokony hampianatra ny fiangonana ny vehivavy. Nohazavainy koa ny anjara asan’i Jesosy Kristy sy ny Sakafo Harivan’ny Tompo, izay tokony hankalazaina isan-taona fa tsy isak’alahady. Noresahiny hoe 144 000 ihany no hiaraka amin’i Kristy any an-danitra, ary ireo ihany no tokony hihinana ny mofo sy hisotro ny divay. Nahita izany ny vehivavy iray ka niala tao amin’ilay fiangonana ary efa mianatra Baiboly tsy tapaka miaraka amin’ny Vavolombelona.

Tonga daholo izy mianakavy

Niezaka nanasa an’ireo tsy mitory intsony hanatrika Fahatsiarovana ny anti-panahy roa tany amin’ny Nosy Salomon, ka nitsidika an’i Joshua, izay efa tsy nivory nanomboka tamin’ny 1998. Tonga tokoa izy, niaraka tamin’ny havany 20. Nandeha an-tongotra adiny roa izy ireo vao tonga. Latsa-dranomaso i Joshua satria nandray azy tsara ny fiangonana. Maro koa ny fianakaviany tonga nanatrika ny lahateny manokana, ary nilaza tamin’ny anti-panahy fa te hianatra Baiboly. Olona 15 no nianatra.

Fantany ny valiny

Misy nosy 1 000 mahery ao amin’ny faritany iandraiketan’ny sampan’i Guam, ary misy mipetraka ny 100 mahery amin’ireo. Ny 13 amin’ireo ihany anefa no akaiky fiangonana. Mbola tsy nitoriana mihitsy ny ankamaroan’ireo nosy, ka mitady fomba hitoriana any ireo rahalahy. Nandeha sambo nankany Polowat ny mpitory vitsivitsy tamin’ny Aprily 2012. Io no anisan’ny nosy lavitra indrindra sady mitokana be koa. Mbola manao salaka ny lehilahy any, mampiasa lakana, ary mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana.

Nanontaniana toy izao ny tovolahy iray: “Manao ahoana ny olona rehefa maty?”

Hoy izy: “Fantatro ny valin’izay.” Lasa haingana izy naka an’ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany amin’ny teny chuuk ary nojereny ny fanondroam-pejy. Notondroiny ilay toko faha-8 hoe “Inona no mitranga eo amin’ny fahafatesana?”, ary nohazavainy ny zavatra nianarany tao.

Kingston, Nosy Norfolk: Mitory eny an-dalana

Fa ahoana no nahazoany an’io boky io? Nankeny amin’ny seranan-tsambo ny mpitory tao amin’ny Nosy Chuuk, tamin’ny 2009, mba hitory sy hizara ny boky Hiaina Mandrakizay amin’ny olona ho any amin’ireo nosy mitokana. Nitondra baoritra feno boky ny lehilahy iray ho any Polowat, ary nizara izany tamin’ny olona tany, ka nahazo koa ilay tovolahy.

Nitsidika an’io tovolahy io imbetsaka ny mpitory, talohan’ny nandaozany an’ilay nosy. Nampahery azy izy ireo, sady nanoro azy ny fomba fianarana Baiboly. Nampianariny hijery andinin-teny sy hanoratra hevi-dehibe eny an-tsisim-pejy koa izy.

Tena mahafaly ny mahafantatra hoe manampy olona hahalala ny fahamarinana amin’ny fiteniny ny bokintsika, na dia any amin’ny nosy mitokana tsy misy tele na radio na gazety na Internet aza.

Bala telo, antony telo

Mpitory tsy vita batisa vao 20 taona mahery kely i Anna, rehefa nihamafy ny ady an-trano tao Bougainville, any Papouasie-Nouvelle-Guinée. Noterena handositra tany anaty akata ny olon-dehibe enina sy ankizy fito avy tao amin’ny Fiangonana Arawa, tamin’ny 1991. Anisan’izy ireo i Anna. Tsy navela nitondra afa-tsy entan-kely ry zareo. Nipetraka tamin’ny trano haolo izy ireo tao anatin’ny roa taona, ary izay sakafo hitahita teny no nohaniny. Boky roa monja no nampiasainy tamin’ny fivoriana, dia ny Baibolin’i Anna sy ny boky Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Niara-nivavaka izy ireo, nanao hiran’ilay Fanjakana, ary nitory tamin’izay rehetra hitany.

Nahita azy ireo ny miaramila mpikomy, ary saika hotaominy hanao miaramila ny rahalahy roa. Tsy notereny anefa izy ireo, rehefa fantany hoe tsy momba ny atsy na ny aroa ny Vavolombelona. Nisy miaramila nampiseho bala telo an’i Anna sady nilaza hoe: “Anao ny safidy: Na ho faty na hanambady ahy.” Nilaza antony telo tsy ahafahany manambady azy koa i Anna, izany hoe antony iray isaky ny bala. Ny lehibe indrindra amin’izany dia ilay resahin’ny Baiboly hoe tokony hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Kor. 7:39) Lasa ilay lehilahy nony nandre izany.

“Tsy misy mahasakana ny asan’i Jehovah mihitsy, na dia ny ady an-trano aza”

Ren’i Anna tamin’ny 2012 fa mila mpitory maro kokoa tany Arawa, ka nankany izy sy ny anabavy iray mpisava lalana toa azy, mba hanorina antoko-mpitory. Nisy nanontany izy raha tsy mampaninona azy ny miverina any amin’ny toerana iray nahitany fahoriana sy vonoan’olona mahatsiravina nandritra ny ady. Hoy izy: “Faly be aza aho miverina any. Tsy misy mahasakana ny asan’i Jehovah mihitsy, na dia ny ady an-trano aza.”