Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Myanmar (Birmania)

Myanmar (Birmania)

FIRENENA eo anelanelan’i Inde sy Chine i Myanmar. * Ahitana trano avo be sy tsena be olona ary fiara mifanaretsaka eto Yangon (Rangoun taloha), tanàna lehibe indrindra. Tanàna kely kosa ny any ambanivohitra. Tsy mirotoroto ny fiainan’ny tantsaha, ary mbola variana izy ireo rehefa mahita vahiny. Mbola misy omby miasa tany koa any.

Toa an’i Azia fahiny i Myanmar. Hitanao eny amin’ireo lalana feno lavaka ny bisy efa ratsy, misongona sarety mitondra vokatra ho eny an-tsena ary mandalo an’ireo olona miandry ondry eny an-tsaha. Mbola manao lungi, karazana lambahoany, ny lehilahy eto. Manao makiazy koa ny vehivavy. Hoditry ny hazo thanaka no kikisany ka ahosony amin’ny tarehy. Tena tia fivavahana ny olona eto, ary hajaina lavitra noho ny olo-malaza ny moanina bodista. Mametaka takela-bolamena kely amin’ny sarivongan’i Bouddha izy ireo, isan’andro.

Tsara fanahy sy be fiahiana ary tia manontany ny mponin’i Myanmar. Misy foko lehibe 8 eto ary misy foko madinidinika 127, fara fahakeliny. Samy manana ny fiteny, fitafiana, sakafo, ary ny kolontsaina mampiavaka azy ny foko tsirairay. Mipetraka eo amin’ilay lemaka andalovan’ny Reniranon’i Irraouaddi ny ankamaroan’ny mponina. Avy any amin’ny Tendrombohitra Himalaya io renirano mirefy 2 170 kilaometatra io, ary mivarina any amin’ny Ranomasina Andaman. An-tapitrisany kosa no monina any afovoan-tany any akaikin’i Bangladesy, Chine, Inde, Laos, ary Tailandy, na eny amin’ny vinany midadasika eny amoron-tsiraka.

Efa ho zato taona izao no nisy Vavolombelon’i Jehovah teto Myanmar. Niaritra izy ireo ary tsy voahozongozona ny finoany, na teo aza ny herisetra sy ny korontana politika. (Jaona 17:14) Sahirana izy ireo, nenjehin’ny mpitondra fivavahana, ary tsy afaka nifandray firy tamin’ny rahalahy tany ivelany. Nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana foana anefa izy ireo. Tena hampahery anao ny tantarany.

Efa ho zato taona izao no nisy Vavolombelon’i Jehovah teto Myanmar. Niaritra izy ireo ary tsy voahozongozona ny finoany

Nanomboka ny asa

Tonga tao amin’ny seranan-tsambon’i Yangon i Hendry Carmichael sy ny mpisava lalana iray, tamin’ny 1914. Nanevokevoka ny andro tamin’izay. Avy any Inde ireo Anglisy roa lahy ireo ary voatendry hanokatra ny asa teto. I Birmania manontolo no faritaniny.

“Mety izany raha olon-kafa no tianao hisolo tena anao any amin’ny tontolo vaovao”

Nitory teto Yangon izy ireo ary nihaona tamin’i Bertram Marcelline sy Vernon French, izay samy metisy anglisy-karàna. * Tena liana izy roa lahy ka tonga dia niala tamin’ny fivavahany ary nanomboka nitory tamin’ny namany. Tsy ela dia olona 20 teo ho eo no nivory tao an-tranon’i Bertram, mba hianatra Ny Tilikambo Fiambenana. *

Mpitory teto Yangon, 1932

Nitsidika an’i Birmania i George Wright, tamin’ny 1928. Avy any Inde io mpisava lalana anglisy io. Nitety an’i Birmania nandritra ny dimy volana izy, ary nizara boky ara-baiboly be dia be. Azo inoana fa anisan’izany ilay bokikely nivoaka tamin’ny 1920 hoe, Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy. Io no bokintsika nadika voalohany tamin’ny teny birmanina.

Tonga teto Yangon koa i Claude Goodman sy Ronald Tippin, tamin’ny 1930. Hitan’ireo mpisava lalana ireo hoe nazoto nivory ireo rahalahy fa tsy nitory. Hoy i Claude: “Nasainay nitory niaraka taminay izy ireo isaky ny alahady. Nisy rahalahy iray nanontany hoe tsy mety angaha raha manampy ara-bola anay mpisava lalana izy, dia izahay no misolo tena azy mitory. Hoy i Ron taminy: ‘Mety izany raha olon-kafa no tianao hisolo tena anao any amin’ny tontolo vaovao.’ ” Teny toy izany no nilain’ireo rahalahy, ka vetivety dia maro no niara-nitory tamin’izy roa lahy.

“Nahita ny fahamarinana aho Rachel a!”

Nihaona tamin’i Sydney Coote i Ron sy Claude, tamin’ny 1930. Lehiben’ny gara teto Yangon izy, ary nandray an’ireo boky folo samy hafa loko napetraka taminy. Tsy vitany akory ny boky iray, dia hoy izy tamin’ny vadiny: “Nahita ny fahamarinana aho Rachel a!” Tsy ela dia nanompo an’i Jehovah izy mianakavy.

Tena nazoto nianatra ny Soratra Masina i Sydney. Hoy i Norma Barber zanany vavy, izay misionera efa ela ary manompo ao amin’ny sampan’i Grande-Bretagne: “Nanamboatra boky fikarohana andinin-teny i Dada. Raha vao nahita andinin-teny manazava fampianarana ao amin’ny Baiboly izy, dia nosoratany teo ambanin’izay lohatenikely mifanitsy aminy izany. Nantsoiny hoe Aiza Ilay Izy? io boky io.”

Nazoto nianatra ny Soratra Masina i Sydney Coote (afovoany). Nilaza ny hafatry ny Baiboly tamin’ny hafa izy sy Rachel vadiny (havia)

Sady tia nianatra Baiboly i Sydney no tia nizara ny hafatra tao. Nanoratra tany amin’ny sampan’i Inde àry izy ka nanontany raha nisy Vavolombelona teto Birmania. Tsy ela izy dia naharay entana feno boky sy gazety ary taratasy nisy anaran’olona maromaro. Hoy i Norma: “Nanoratan’i Dada tsirairay ireo olona ireo ary nasainy nitsidika anay. Anadahy dimy na enina no tonga ary nanoro anay ny fomba fitory tsy ara-potoana. Avy hatrany i Dada sy Neny dia nizara an’ireo boky tamin’ny namana sy mpiray tanàna. Nandefasany taratasy sy boky koa ny havanay rehetra.”

Nipetraka tany Mandalay i Daisy D’Souza anabavin’i Sydney, ary naharay ny taratasiny sy ilay bokikely hoe Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao. Namaly avy hatrany izy ary nangataka Baiboly sy boky hafa. Hoy i Phyllis Tsatos, zanany vavy: “Tena tian’i Neny ny nianatra an’ireo boky ary tsy niala teo izy raha tsy naneno akoho. Nantsoiny izahay enina mianadahy avy eo ka hoy izy: ‘Hiala amin’ny Fivavahana Katolika aho rankizy fa hitako ny fahamarinana!’ ” Nanaiky ny fahamarinana koa ny vady aman-janak’i D’Souza. Manompo an’i Jehovah izao ny taranany, hatramin’ny zafin-dohaliny.

Mpisava lalana be herim-po

Nitory teny amin’ny toerana fandalovan’ny lamasinina ireo mpisava lalana be zotom-po, taoriana kelin’ny 1930. Nanomboka teto Yangon izany ka hatrany Myitkyina, tanàna any akaikin’i Chine. Nitoriany koa tany Mawlamyine (Moulmein) sy Sittwe (Akyab), izay tanàna amoron-tsiraka any atsinanana sy andrefan’i Yangon. Nisy fiangonana kely niforona àry tao Mawlamyine sy Mandalay.

Ny sampan’i Aostralia indray no niandraikitra ny asa teto tamin’ny 1938, fa tsy ny sampan’i Inde intsony. Tonga teto àry ny mpisava lalana avy any Aostralia sy Nouvelle-Zélande. Anisan’ireo mpitory mahery fo ireo i Fred Paton, Hector Oates, Frank Dewar, Mick Engel, ary Stuart Keltie. Tena nisava lalana tokoa ireo rahalahy ireo!

Frank Dewar

Hoy i Fred Paton: “Saika voatetiko i Birmania manontolo nandritra ny efa-taona nipetrahako tany. Maro ny aretina nahazo ahy. Voan’ny tazo sy tefoedra, ohatra, aho ary nivalan-dra. Tsy nahita toerana hatoriana koa aho matetika, rehefa avy nitory tontolo andro. Nikarakara sy nanome hery ahy foana anefa i Jehovah, ka tsy nilavo lefona aho.” Hoy i Frank Dewar, avy any Nouvelle-Zélande: “Nifanehatra tamin’ny jiolahy sy mpikomy ary manam-pahefana lozabe aho. Hitako anefa hoe matetika no niravona na ny olana lehibe aza, rehefa nahalala fomba aho, tsara fanahy, nanetry tena, ary nahay nandanjalanja. Tsy ela dia tsapan’ny ankamaroan’ny olona fa tsy mampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Nanambanimbany tompon-tany ny vahiny hafa. Tsy toy izany kosa ireo mpisava lalana, fa nanaja sy tia azy ireo. Tian’ireo Birmanina manetry tena izany, satria naleony olona tsara fanahy sy mahay mandanjalanja toy izay olona mivantambantana sy tia ady. Nasehon’ireo mpisava lalana tamin’ny teny sy atao fa tena Kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah.—Jaona 13:35.

Fivoriambe niavaka

Nandamina fivoriambe tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Yangon ny sampan’i Aostralia, volana vitsivitsy taorian’ny nahatongavan’ireo mpisava lalana. Tranobe misy tohatra vita amin’ny marbra sy varavarambe halimo izy io. Nisy solontena tonga avy any Tailandy sy Malezia ary Singapour. Nisy rahalahy maromaro avy any Sydney koa niaraka tamin’i Alex MacGillivray, mpikarakara ny sampan’i Aostralia.

Nasaina ny olona mba hanatrika an’ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Akaiky Ilay Ady Eran-tany.” Nahaliana ny olona izany satria efa nananontanona ny ady. Hoy i Fred Paton: “Vetivety dia feno ilay tranobe. Mbola tsy nahita hoatr’izany mihitsy aho. Vao nosokafana ny varavarambe dia nirohotra niakatra ny tohatra ny olona. Tsy ampy folo minitra dia olona 1 000 mahery no nifanizina teo amin’ireo seza 850.” Hoy i Frank Dewar: “Tsy maintsy nohidianay ny varavarana, na dia mbola nisy 1 000 aza tany ivelany. Nisy tovolahy tafiditra ihany anefa teo amin’ireo varavarana teny amin’ny sisiny.”

Faly ireo rahalahy satria betsaka ny mpanatrika sady avy amin’ny foko sy saranga samihafa. Vitsy ny tompon-tany liana tamin’ny fahamarinana talohan’io, satria Bodista mafana fo ny ankamaroan’ny Birmanina. Anisan’ny tonga tao ireo olona mitonona ho Kristianina. Avy amin’ny foko kayins (karens), kachins, ary chins ny ankamaroany, ary mipetraka any amin’ny toerana mbola tsy dia nitoriana ny vaovao tsara. Hita hoe efa masaka hojinjaina ny vokatra. Tsy ho ela dia ho anisan’ireo “vahoaka be tsy tambo isaina” voalaza mialoha, ireo foko maro samihafa eto Birmania.—Apok. 7:9.

Kayin voalohany nanaiky ny fahamarinana

Chu May “Daisy” (havia) sy Hnin May “Lily” (havanana), Kayin voalohany nianatra Baiboly

Nitory tao Insein, tanàna kely tsy lavitra an’i Yangon, i Ruby Goff, tamin’ny 1940. Tsy dia nahita olona liana io mpisava lalana io, indray andro, ka nivavaka hoe: “Jehovah ô, mba ataovy mahita ‘ondry’ iray aho alohan’ny hodiako.” Nahita an’i Hmwe Kyaing izy tao amin’ny trano nitoriany manaraka. Batista avy amin’ny foko kayin izy io, ary nihaino tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana. Tsy ela dia nianatra Baiboly izy sy Chu May (Daisy) ary Hnin May (Lily) zanany vavy, ary nandroso tsara. Maty i Hmwe Kyaing taoriana kelin’izay, nefa nandroso ny zanany. I Lily no Kayin voalohany natao batisa. Natao batisa koa i Daisy zokiny vavy, tatỳ aoriana.

Lasa mpisava lalana be zotom-po i Lily sy Daisy. An-jatony amin’ny taranany sy ny olona nampiany izao no manompo an’i Jehovah eto sy any an-tany hafa.

Fanompoana nandritra ny Ady Lehibe II

Nipoaka ny Ady Lehibe II tamin’ny 1939. Nanomboka tany Eoropa izy io, nefa nisy vokany eran-tany. Vao mainka noteren’ny mpitondra fivavahana teto handrara ny bokintsika ny mpitondra mpanjana-tany. I Mick Engel no niandraikitra ny fitehirizana ny bokintsika, teto Yangon. Naka fahazoan-dalana tany amin’ny manam-pahefana amerikanina izy, satria te hampiasa ny kamiaon’ny tafika mba hitondrana boky roa taonina teo ho eo ho any Chine.

Nentin’i Fred Paton sy Hector Oates tany amin’ny garan’i Lashio, any akaikin’ny sisin-tanin’i Chine, ireo boky. Tezitra be ilay mpiandraikitra ny fandefasana entana tao, rehefa niresahan’izy roa lahy. Hoy izy io: “Inona? Iretsy aza misy vatsy sy fanafody tokony halefa haingana ho an’ny miaramila, nefa tsy hitako izay hasiana azy. Koa aiza no ahitako toerana ho an’ireo trakta-nareo tsisy ilana azy ireo?” Nalain’i Fred moramora ilay taratasy fahazoan-dalana tao anaty kitapony, ary nilaza izy fa hahita raharaha ilay rangahy raha tsy miraharaha ny baikon’ny manam-pahefana tatỳ Yangon. Nomeny kamiao kely sy saofera ireo rahalahy mba hitondra ny entany, sady nomeny vatsy. Nandeha 2 400 kilaometatra izy ireo mandra-pahatonga tany Chungking, any Chine atsimo afovoany. Nozarainy tany ireo boky sarobidy, ary nitory tamin’i Chiang Kai-shek, filoham-pirenena sinoa mihitsy aza izy ireo.

Efa nanjavona ireo boky nony tonga ny manam-pahefana

Nandefa telegrama teto Yangon ny mpitondra tany Inde tamin’ny Mey 1941, ary nandidy ny mpitondra teto mba haka ny bokintsika. Niresaka haingana tamin’i Mick Engel ny rahalahy roa niasa tao amin’ny biraon’ny fifandraisan-davitra, raha vao nahita an’ilay telegrama. I Mick kosa nitaona an’i Lily sy Daisy, mba hanafina haingana an’ireo boky 40 baoritra tany amin’ny trano samihafa teto Yangon. Efa nanjavona ireo boky nony tonga ny manam-pahefana.

Nandatsaka baomba teto Birmania ny Japoney tamin’ny 11 Desambra 1941, efatra andro taorian’ny nanafihany an’i Pearl Harbor. Nisy Vavolombelona vitsivitsy nivory tao amin’ny efitra iray ambony rihana tao amin’ny garan’i Yangon, tamin’io faran’ny herinandro io. Natao batisa tao anaty kovetabe i Lily, taorian’ny dinidinika ara-baiboly.

Tonga teto Yangon ny tafika japoney, telo volana taorian’izay. Efa lao anefa ilay tanàna. Olona iray hetsy mahery no nandositra tany Inde. An’arivony no maty an-dalana, satria mosarena na reraka na narary. Matin’ny tazo teo akaikin’ny sisin-tanin’i Inde i Sydney Coote, rehefa nandositra niaraka tamin’ny fianakaviany. Nisy rahalahy iray hafa notifirin’ny miaramila japoney. Ny iray indray namoy ny vadiny sy ny fianakaviany rehefa voadaroka baomba ny tranony.

Vavolombelona vitsivitsy sisa no nijanona teto. Nifindra tany Pyin Oo Lwin (Maymyo) i Lily sy Daisy. Tanàna akaiky tendrombohitra tsy lavitra an’i Mandalay izy io. Nitory tao izy ireo ary nahita vokatra. I Cyril Gay kosa nipetraka tany Thayarwaddy, tanàna kely 100 kilaometatra eo ho eo any avaratr’i Yangon. Tany foana izy mandra-pahatapitry ny ady.

Faly fa tafahaona indray

Nanomboka niverina teto ny ankamaroan’ireo rahalahy nandositra tany Inde, rehefa vita ny ady. Nisy mpitory valo tao amin’ny Fiangonana Yangon tamin’ny Aprily 1946. Lasa 24 izany ny faran’io taona io, ka nanapa-kevitra handamina fivoriambe ireo rahalahy.

Natao tao amin’ny sekoly iray tao Insein ilay fivoriambe roa andro. Hoy i Theo Syriopoulos, izay nahita ny fahamarinana teto Yangon tamin’ny 1932: “Tonga teto aho vao nahalala fa izaho no hanao ny lahateny ho an’ny besinimaro. Adiny iray ilay izy, nefa tsy nanao afa-tsy anjara dimy minitra indroa aho tany Inde. Vita soa aman-tsara anefa ilay fivoriambe, ary 100 mahery ny mpanatrika.”

Nisy lehiben’ny foko kayin liana tamin’ny fahamarinana. Nanome tany tao Ahlone izy, herinandro vitsivitsy taorian’ilay fivoriambe. Amoron-drano io toerana io, ary tsy lavitra an’i Yangon. Nanao efitrano bararata teo ireo rahalahy ary antonona olona zato teo ho eo izy io. Faly be ry zareo. Tsy nampihena ny finoany ny ady. Vonona hitory foana izy ireo.

Tonga ny misioneran’i Gileada

Ambony: Hubert Smedstad, Robert Kirk, Norman Barber, ary Robert Richards, misioneran’i Gileada voalohany tonga teto Ambany: (Aoriana) Nancy D’Souza, Milton Henschel, Nathan Knorr, Robert Kirk, Terence D’Souza, (anoloana) Russell Mobley, Penelope Jarvis-Vagg, Phyllis Tsatos, Daisy D’Souza, ary Basil Tsatos

Tonga teo amin’ny seranan-tsambon’i Yangon ny rahalahy vitsivitsy, teo am-piandohan’ny 1947, mba hitsena an’i Robert Kirk, misioneran’i Gileada voalohany tonga teto. Tonga koa i Norman Barber sy Robert Richards ary Hubert Smedstad, tatỳ aoriana, niaraka tamin’i Frank Dewar, mpisava lalana tany Inde nandritra ny ady.

Tanàna rava no novantanin’izy ireo. Be ny trano may, ka an’arivony no nipetraka tamin’ny trano bararata ratsiratsy teny amoron-dalana. Teny ny olona no nahandro sy nisasa. Tonga hampianatra Baiboly ireo misionera ka novany fotsiny ny fomba fiasany ary revo tamin’ny fitoriana izy ireo.

Nasiana biraon’ny sampan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana tao amin’ny tranon’ny misionera teo amin’ny Lalana Signal Pagoda, tamin’ny 1 Septambra 1947. I Robert Kirk no voatendry ho mpiandraikitra ny sampana. Tsy ela dia nivory tao amin’ny trano ambony rihana teo amin’ny Lalana Bogalay Zay ny Fiangonana Yangon, izay nivory tao amin’ilay efitrano bararata tao Ahlone. Tsy lavitra teo ny Biraom-panjakan’ny mpanjana-tany britanika, izay fitondrana efa ho rava.

Nipoaka ny ady an-trano

Lasa nahaleo tena i Birmania tamin’ny 4 Janoary 1948, rehefa nozanahin’ny Anglisy nandritra ny 60 taona. Nafotaka anefa ny ady an-trano.

Samy te hanangana fitondrana mahaleo tena ireo foko teto. Ny miaramila sy ny jiolahy kosa te hibodo tany. Azon’ny tafika mpikomy ny ankamaroan’i Birmania teo am-piandohan’ny 1949, ary rafitra ny ady tetỳ amin’ny manodidina an’i Yangon.

Nafotaka ny ady indraindray, ka nitandrina tsara ireo rahalahy rehefa nitory. Nafindra tao amin’ny efitra ambony rihana tamin’ilay tranobe teo amin’ny Lalana Faha-39 ny biraon’ny sampana. Azo antoka tsara tao satria nisy ambasady vahiny maromaro, sady akaiky paositra.

Resin’ny tafika birmanina ny mpikomy tamin’ny farany, ka nandositra tany an-tendrombohitra. Afaka nifehy ny ankamaroan’ilay firenena indray ny fitondrana, tamin’ny 1955 tany ho any. Mitohy anefa ny ady an-trano hatramin’izao. Tsy mitovy fotsiny ny fomba isehoany.

Fitoriana sy fampianarana amin’ny teny birmanina

Tamin’ny teny anglisy no tena nitorian’ireo rahalahy, hatramin’ny 1955 tany ho any. Ireo nahita fianarana tany an-tanàn-dehibe ihany anefa no nahay izany. Olona an-tapitrisany no tsy nahay afa-tsy teny birmanina (myama), kayin, kachin, chin, ary fitenim-paritra hafa. Ahoana no nahalalan’izy ireo ny vaovao tsara?

Nasain’i Sydney Coote nandika bokikely maromaro ho amin’ny teny birmanina sy kayin ny mpampianatra iray avy amin’ny foko kayin, tamin’ny 1934. Nisy mpitory hafa nandika bokikely maromaro sy ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”, tatỳ aoriana. Nampirisihin’i Robert Kirk i Ba Oo, tamin’ny 1950, mba handika ny lahatsoratra fianarana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Nadika tanana ilay izy, natao pirinty tao amin’ny orinasa teo an-toerana, ary nozaraina tamin’ireo nanatrika fivoriana. Nividy milina fanoratana ny sampana tatỳ aoriana, mba hanafainganana ny asa fandikan-teny.

Ba Oo (havia), ilay nandika ny lahatsoratra fianarana amin’ny Tilikambo Fiambenana ho amin’ny teny birmanina

Nahita olana maro ireny mpandika teny fahiny ireny. Hoy i Naygar Po Han, izay nandimby an’i Ba Oo: “Niasa aho ny antoandro mba hamelomana ankohonana, fa ny alina no nandika teny nefa ny ampola tsy tena nazava. Tsy dia nahay teny anglisy aho, ka nety ho nisy diso ny fandikan-teniko. Tianay ho betsaka araka izay azo atao anefa ny mpamaky an’ireo gazety.” Nitomany i Doris Raj rehefa nasain’i Robert Kirk handika Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny birmanina. Hoy izy: “Tsy dia nahita fianarana aho, sady mbola tsy nandika teny mihitsy. Nasain’ny Ranadahy Kirk nanandrana ihany anefa aho. Nivavaka tamin’i Jehovah àry aho, ka nanomboka an’ilay asa.” Mbola mpandika teny ato amin’ny Betelan’i Yangon izao i Doris, efa ho 50 taona atỳ aoriana. Mbola ao amin’ny Betela koa i Naygar Po Han, izay 93 taona, ary mbola mazoto mampandroso ny asan’ilay Fanjakana.

Namoaka Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny birmanina i Nathan Knorr, 1956

Nitsidika an’i Birmania i Nathan Knorr, avy tany amin’ny foibe, tamin’ny 1956, ary nanambara ny fivoahan’ny Tilikambo Fiambenana amin’ny teny birmanina. Nampirisihiny hianatra an’io fiteny io ny misionera, mba hahita vokatra kokoa. Niezaka mafy àry izy ireo. Tonga teto koa i Frederick Franz, avy tany amin’ny foibe, tamin’ny 1957. Izy no nanao ny lahateny fototra tamin’ilay fivoriambe naharitra dimy andro, izay natao tao amin’ny garan’i Yangon. Nampirisihiny hanitatra ny asa fitoriana ireo rahalahy, ka handefa mpisava lalana any an-toeran-kafa. I Mandalay, ilay renivohitra taloha sady tanàna lehibe manarakaraka an’i Yangon, no voalohany nandefasana mpisava lalana.

Olona liana tao Mandalay

Nisy mpisava lalana manokana vaovao enina tonga tao Mandalay, teo am-piandohan’ny 1957. Tonga izy ireo mba hanampy an’i Robert Richards sy Baby vadiny, anabavy kayin. Hitan’ireo mpisava lalana fa tsy mora ny nitory tao. Foiben’ny Fivavahana Bodisma i Mandalay, ary ny antsasaky ny moanina bodista no nipetraka tao. Nino anefa ireo mpisava lalana fa ‘nanana olona maro’ tao i Jehovah, toy ny tany Korinto fahiny.—Asa. 18:10.

Anisan’ny olona liana i Robin Zauja, mpianatra 21 taona avy amin’ny foko kachin. Hoy izy: “Tonga tao amiko i Robert sy Baby Richards indray maraina, ary nilaza fa Vavolombelon’i Jehovah. Mitory ny vaovao tsara isan-trano, hono, izy ireo, araka ny baikon’i Jesosy. (Mat. 10:11-13) Nametraka boky sy gazety izy ireo ary nanome ny adiresiny. Novakiko ny boky iray ny harivan’iny, ary vitako hatramin’ny farany rehefa niposaka ny masoandro. Nankany an-tranon’i Robert aho avy eo, ary nototofako fanontaniana izy nandritra ny ora maromaro. Novaliany tao amin’ny Baiboly daholo izy ireny.” I Robin Zauja no Kachin voalohany nanaiky ny fahamarinana. Lasa mpisava lalana manokana izy, ary nanompo tany amin’ny faritra avaratr’i Birmania nandritra ny taona maro. Efa ho zato ny olona nampiany hahita ny fahamarinana. Manompo eto amin’ny Betelan’i Yangon izao ny zanany mianadahy.

Tena nazoto nianatra Baiboly koa i Pramila Galliara, tovovavy 17 taona, izay efa nianatra ny fahamarinana teto Yangon. Hoy izy: “Jainisma ny fivavahan’i Dada ary nanohitra be izy. Efa indroa izy no nandoro ny Baiboliko sy ireo boky ara-baiboly. Efa imbetsaka koa izy no nikapoka ahy teny imason’olona. Nohidiany tao an-trano aho mba tsy hivory. Efa nandrahona aza izy hoe hodorany, hono, ny tranon’ny Ranadahy Richards! Nilefitra ihany anefa izy rehefa hitany hoe tsy niala tamin’ny finoako aho.” Niala teny amin’ny oniversite i Pramila, ary lasa mpisava lalana be zotom-po. Nanambady an’i Dunstan O’Neill, mpiandraikitra ny faritra, izy tatỳ aoriana. Olona 45 no efa nampiany hahita ny fahamarinana.

Nandroso tsara ny asa tany Mandalay. Nandefasana misionera na mpisava lalana koa tany amin’ny faritra hafa, toa an’i Pathein (Bassein), Kalaymyo, Bhamaw, Myitkyina, Mawlamyine, ary Myeik (Mergui). Tena nitahy ny asa i Jehovah, ka lasa nisy fiangonana matanjaka tsara tao amin’ireo tanàna ireo.

Voaroaka ny misionera

Nandroso foana ny asa, nefa nihanafana koa ny ady ara-politika sy ny adim-poko. Noraisin’ny miaramila ny fitondrana, tamin’ny Martsa 1962. Indianina sy metisy karàna-anglisy ana hetsiny no nalefa tany Inde sy Bangladesy (Pakistan Atsinanana tamin’izany). Vizà iray andro ihany no nomena an’ireo vahiny. Tsy nifandray tamin’ny firenen-kafa intsony i Birmania.

Nanahy be ihany ireo rahalahy nahita ny zava-nitranga. Nampanantena ny mpitondra fa homena fahalalahana foana ny fivavahana raha tsy miditra amin’ny politika. Nanao politika anefa ny misioneran’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Tsy nilefitra intsony àry ny fitondrana, ka noroahiny ny misionera rehetra tamin’ny Mey 1966! Voaroaka koa ny misionera Vavolombelona, tsy ela taorian’izay, na dia tsy nanao politika mihitsy aza.

Tsy kivy ireo rahalahy na dia mafy taminy aza izany. Fantany fa eo foana i Jehovah. (Deot. 31:6) Nanahy ihany anefa ny rahalahy sasany hoe ahoana no hampandrosoana ny asa.

Niharihary hoe nitarika ny asa i Jehovah. Nahazo fampiofanana tao amin’ny biraon’ny sampana i Maurice Raj, izay efa mpiandraikitra ny faritra, ka izy no voatendry hikarakara ny sampana. Karàna izy nefa tsy noroahina niaraka tamin’ny Karàna hafa. Hoy izy: ‘Nangataka hahazo zom-pirenena birmanina aho, taona vitsivitsy talohan’io, ary nila nandoa vola 450 kyats. * Tsy nanam-bola aho ka naleoko niandry. Nandalo teo amin’ny biraon’ny orinasa niasako taloha anefa aho, indray andro, ka hitan’ilay lehibeko. Niantso izy hoe: “Raj a! Avia alaivo ny volanao. Hadinonao ny naka ny vola fisotroan-dronononao.” Nahatratra 450 kyats ilay vola.

‘Nieritreritra izay azoko nampiasana an’ilay vola aho, rehefa niala teo. Ampy tsara hahazoako ny zom-pirenena birmanina izy io, ka takatro hoe tian’i Jehovah hampiasaiko amin’izany. Izay tokoa no nataoko ka tena nandray soa aho. Afaka nijanona teto Myanmar aho, nanao dia tamin-kalalahana, nanafatra boky sy gazety, ary afaka nanao zavatra hafa tena nilaina tamin’ny asa fitoriana teto, satria mizaka ny zom-pirenena birmanina.’

Nitety fiangonana sy antoko-mpitory eran’i Birmania i Maurice sy Dunstan O’Neill mba hampahery an’ireo rahalahy. Hoy i Maurice: “Nilazanay ireo rahalahy hoe: ‘Aza manahy fa momba antsika i Jehovah. Hanampy antsika izy raha tsy mivadika isika.’ Nanampy tokoa izy! Tsy ela dia betsaka ny mpisava lalana manokana voatendry, ka vao mainka nitatra haingana ny asa.”

Tokotokony ho 46 taona izay no lasa. Anisan’ny Komitin’ny Sampana izao i Maurice. Mbola mitsidika ny fiangonana eran’i Myanmar izy, mba hampaherezana azy ireo. Tsy nihena mihitsy ny zotom-pony, toy ny an’i Kaleba israelita fahiny.—Jos. 14:11.

Fitoriana tany amin’ny Fanjakan’ny Chin

Ny Fanjakan’ny Chin no anisan’ny nandefasana mpisava lalana manokana voalohany. Faritra be tendrombohitra eo akaikin’i Bangladesy sy Inde izy io. Be olona mitonona ho Kristianina any, dia ireo olona nitorian’ny misionera batista tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany. Fatra-panaja Baiboly sy boky ara-baiboly àry ny ankamaroan’ny foko chin.

Tonga tao Falam, tanàna lehibe indrindra tao amin’ny Fanjakan’ny Chin, i Lal Chhana, tamin’ny 1966. Mpisava lalana manokana izy fa miaramila taloha. Tonga tany koa ry Dunstan sy Pramila O’Neill ary Than Tum, izay efa miaramila ary natao batisa vao haingana. Nahita fianakaviana liana be dia be ry zareo, ka tsy ela dia nisy fiangonana kely niforona.

Nifindra tany Hakha, tanàna any atsimon’i Falam, i Than Tum, tamin’ny 1967. Nanao mpisava lalana izy ary lasa nisy antoko-mpitory tany. Nitory eran’ny Fanjakan’ny Chin izy tatỳ aoriana, ary nanampy mba hampisy fiangonana tao Vanhna, Surkhua, Gangaw, ary tany an-toeran-kafa. Mpisava lalana manokana ao Vanhna, tanàna niaviany, izao i Than Tum, ary mbola be zotom-po foana, 45 taona atỳ aoriana.

I Donald Dewar, mpisava lalana manokana vao 20 taona, no nandimby an’i Than Tum tao Hakha. Niara-nipetraka tamin’i Donald i Samuel zandriny, izay 18 taona, rehefa noroahina niala teto i Frank sy Lily Dewar (Lily May taloha) ray aman-dreniny. Hoy i Donald: “Trano fanitso kely no nipetrahanay, ka nahamay be rehefa fahavaratra fa namirifiry rehefa ririnina. Ilay izahay nanirery anefa no tena mafy. Nandeha irery foana aho rehefa nanompo, nefa zara raha nahay niteny hakha chin. Izaho sy Samuel ary mpitory iray na roa monja no mba niara-nivory. Kivy aho ary saika hiala tany.

“Novakiko tao amin’ny Diary, tamin’izay, fa tsy nivadika ireo rahalahy tany Malawi na dia nenjehina mafy aza. Nieritreritra aho hoe ahoana moa no hahafahako hiaritra fanenjehana, raha izao manjo ahy izao aza tsy zakako. Noresahiko tamin’i Jehovah ilay izy, ary nanomboka maivamaivana aho. Nampahery ahy koa ny namaky Baiboly sy Tilikambo Fiambenana ary ny nisaintsaina izany. Hoatran’ireny nahita anjely ireny aho, rehefa tonga nitsidika ahy ry Maurice Raj sy Dunstan O’Neill. Lasa faly tamin’ny fanompoana indray aho.”

Lasa mpiandraikitra ny faritra i Donald, tatỳ aoriana, ary afaka nampahery an’ireo tany amin’ny faritany mitokana. Tsy very maina koa ny ezaka nataony tany Hakha, satria misy fiangonana mandroso be any izao sady efa misy fivoriambe. Lasa mpisava lalana manokana koa ny mpitory roa nivory tany, dia i Johnson Lal Vung sy Daniel Sang Kha, izay anisan’ny nampiely ny vaovao tsara eran’ny Fanjakan’ny Chin.

“Nianika tendrombohitra”

Any amin’ny 900 ka hatramin’ny 1 800 metatra ambony haabon’ny ranomasina no misy ny Fanjakan’ny Chin. Mahatratra 3 000 metatra aza ny tendrombohitra sasany. Feno ala mikitroka ny maro aminy ary ahitana karazana kesika mijoalajoala, orkide tsara tarehy, hazoraozy maro loko, sy ny maro hafa. Tsy dia misy tanàna any ary saro-dalana. Lalana miolakolaka no mampitohy ny tanàna, ary feno fotaka sy tany mihotsaka rehefa avy ny orana, ka zara raha azo aleha. Tsy maintsy andehanana an-tongotra ny tanàna mitokana maro. Tsy nahasakana ny mpanompon’i Jehovah anefa izany, satria tapa-kevitra ny hitory ny vaovao tsara amin’ny olona faran’izay betsaka izy ireo.

Vadina mpiandraikitra ny faritra i Aye Aye Thit, ary nitsidika ny Fanjakan’ny Chin izy mivady. Hoy izy: “Lehibe teny akaikin’ny Vinanin’i Irraouaddi aho, ka variana be nahita an’ireo havoana mahafinaritra tany Chin. Namikavika erỳ aho tamin’izaho vao sambany nianika tendrombohitra, kanjo sempotra be nony tonga teny an-tampony. Nila ho faty aho rehefa avy nianika tendrombohitra vitsivitsy. Hitako, tatỳ aoriana, hoe tsy tokony hirotoroto rehefa mianika tendrombohitra fa tsitsiana ny hery. Tsy ela aho dia nahavita dia an-tongotra 32 kilaometatra isan’andro, nandritra ny enina andro na mihoatra.”

Havia: Nandeha an-tongotra 270 kilaometatra ireo anisan’ny Fiangonana Matupi rehefa hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Hakha

Efa an-taonany maro ireo rahalahy tany no nampiasa ramole, na soavaly, na bisikileta, rehefa nanao dia. Vao haingana izy ireo no nampiasa môtô sy kamiao mpitondra olona ary fiara tsy mataho-dalana. Mandeha an-tongotra anefa ny ankamaroany. Nandeha an-tongotra an-kilaometatra maro nanavatsava tendrombohitra, ohatra, i Kyaw Win sy David Zama, mpisava lalana manokana, rehefa nankeny amin’ireo tanàna manodidina an’i Matupi. Ny Fiangonana Matupi kosa nandeha an-tongotra 270 kilaometatra, nandritra ny enina ka hatramin’ny valo andro, rehefa hamonjy fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Hakha. Nanao hiran’ilay Fanjakana izy ireo teny an-dalana, ary nanako eran’ny tendrombohitra izany.

Tsy ny andro ratsy ihany no iaretan’ireo rahalahy mamakivaky tendrombohitra fa eo koa ny moka sy izao karazam-bibikely rehetra izao, indrindra rehefa avy ny orana. Hoy i Myint Lwin, mpiandraikitra ny faritra: “Hitako hoe nisy dinta nianika ny tongotro tamin’izaho nanavatsava ala. Nesoriko izy ireo, nefa nisy roa nianika indray. Nitsambikina teo amin’ny vatan-kazo iray aho, nefa nirohotra nankeo indray ry zareo. Nihoron-koditra aho ka nihazakazaka mandra-pahatafavoaka ny ala. Feno dinta ny vatako nony tonga teny amin’ny arabe aho.”

Havanana: Nandeha an-tongotra i Gumja Naw, mpiandraikitra ny vondrom-paritra, sy Nan Lu vadiny, rehefa hitsidika fiangonana tao amin’ny Fanjakan’ny Chin

Tsy ny dinta ihany anefa no olana, fa eo koa ny lambo, orsa, leopara, ary ny tigra, izay fahita any Myanmar. Misy boky milaza fa any no be karazana bibilava misy poizina indrindra eto an-tany. Matory an-dalana i Gumja Naw, mpiandraikitra ny vondrom-paritra, sy Nan Lu vadiny, rehefa hitsidika fiangonana. Tsy maintsy asiany afo manodidina azy ireo mba tsy hanafihan’ny bibidia azy.

Namela mamy ireny mpitory be zotom-po ireny. Hoy i Maurice Raj: “Nanompo an’i Jehovah tamin’ny heriny rehetra ireo rahalahy nanompo tany amin’ny Fanjakan’ny Chin. Mbola te hiverina any foana izy ireo, na dia efa niala tany aza. Manome voninahitra an’i Jehovah tokoa izany!” Any no vitsy mponina indrindra eto Myanmar, nefa misy fiangonana fito sy antoko-mpitory maromaro any izao.

“Tsy misy ‘ondry’ any Myitkyina”

Tonga tany Myitkyina ny mpisava lalana manokana maromaro tamin’ny 1966. Tanàna kely tsara tarehy andalovan’ny Reniranon’i Irraouaddi izy io ary ao amin’ny Fanjakan’ny Kachin, any akaikin’i Chine. Nitory kely tao i Robert sy Baby Richards, enin-taona talohan’io ary nilaza hoe: “Tsy misy ‘ondry’ any Myitkyina.” Hitan’ireo mpisava lalana ireo anefa fa nangetaheta ny fahamarinana ny olona tao.

Teo, ohatra, i Mya Maung, tovolahy batista 19 taona, izay nivavaka tamin’Andriamanitra fa te hahay Baiboly. Hoy izy: “Faly be aho rehefa nisy mpisava lalana nitsidika ahy tao am-piasana ary nilaza fa hampianatra Baiboly ahy. Valim-bavaka ilay izy! Nianatra indroa isan-kerinandro izahay sy San Aye zandriko lahy, ary nandroso haingana.

“Tena mahay i Wilson Thein, ilay nampianatra anay. Nasehony anay izay tokony hatao fa tsy nolazainy fotsiny. Nanao fanazaran-tena izahay mba hahay hampiasa Baiboly, ho sahy hitory, hahay hiatrika fanoherana, ary hanomana sy hanao lahateny. Nataonay teo anatrehan’i Wilson Thein ny lahateninay, ka sady nihaino izy no nanome soso-kevitra hanatsarana an’ilay izy. Tsara fanahy izy nampiofana anay ka lasa te hanatratra tanjona ara-panahy izahay.

“Misy fiangonana mandroso tsara izao ao Namti, Hopin, Mohnyin, ary Katha”

“Lasa mpisava lalana izahay sy San Aye tamin’ny 1968, ka lasa valo ny mpisava lalana tao Myitkyina. Anisan’ny olona voalohany nampianarinay i Neny sy izy fito mianadahy iray tam-po aminay, izay samy lasa Vavolombelona. Nitory teny amin’ny tanàna manamorona ny lalamby mampitohy an’i Myitkyina sy Mandalay koa izahay. Naharitra roa andro teo ho eo ny dia. Nahita vokatra izahay ka lasa misy fiangonana mandroso tsara izao ao Namti, Hopin, Mohnyin, ary Katha.”

Nihaona tamin’i Phum Ram i San Aye, rehefa nitory tao amin’ny faritany be toeram-piasana tao Myitkyina. Batista izy io ary mpiasam-panjakana. Nanaiky ny fahamarinana izy ary nifindra tany Putao, tanàna kely eo am-pototry ny tendrombohitra Himalaya. Nitory tamin’ny havany izy tany, ka vetivety dia lasa 25 ny mpanatrika fivoriana. Lasa mpisava lalana izy, ary nanampy ny vadiny sy ny zanany fito ho lasa Vavolombelona. Anti-panahy mpisava lalana ao Myitkyina izy izao.

Najanona ireo vagao!

Vavolombelona teto Yangon, handeha hamonjy an’ilay fivoriambe tao Myitkyina, tamin’ny 1969

Nandroso be ny asa tany amin’ny Fanjakan’ny Kachin. Nanapa-kevitra àry ny sampana fa hatao any Myitkyina fa tsy teto Yangon toy ny mahazatra, ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fiadanana Ambonin’ny Tany”, tamin’ny 1969. Nangataka hanofa vagao enina tamin’ny Kompaniam-pitaterana An-dalamby Birmanina ny sampana, mba hitondra an’ireo solontena avy teto Yangon nankany Myitkyina, izay 1 100 kilaometatra mahery mianavaratra. Tsy fahita ny toy izany. Nisy korontana koa tao amin’ny Fanjakan’ny Kachin, ka nosavana izay niditra sy nivoaka tao. Gaga anefa ireo rahalahy fa nekena avy hatrany ny fangatahany.

Anti-panahy vitsivitsy tamin’ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fiadanana Ambonin’ny Tany”, natao tao Myitkyina tamin’ny 1969: (Aoriana) Francis Vaidopau, Maurice Raj, Tin Pei Than, Mya Maung, (afovoany) Dunstan O’Neill, Charlie Aung Thein, Aung Tin Shwe, Wilson Thein, San Aye, (anoloana) Maung Khar, Donald Dewar, David Abraham, Robin Zauja

Nankeo amin’ny gara i Maurice Raj sy ny rahalahy vitsivitsy, tamin’ny andro tokony hahatongavan’ilay lamasinina, mba hitsena an’ireo solontena. Hoy i Maurice: ‘Mbola niandry teo izahay no tamy ny lehiben’ny gara niteny hoe misy telegrama tonga, hono, milaza fa najanona teo anelanelan’i Mandalay sy Myitkyina ireo vagao enina nitondra Vavolombelona. Angamba tsy zakan’ilay lohamasinina izy ireo.

‘Inona no hatao? Hahemotra ve ilay fivoriambe? Dia tsy maintsy hanao fangatahana maromaro indray, nefa herinandro vitsivitsy izany vao vita! Nivavaka mafy tamin’i Jehovah izahay, ary tamin’izay indrindra no tonga ilay lamasinina. Gaga be izahay fa tonga daholo ireo vagao enina nisy an’ireo rahalahy! Faly erỳ izy ireo nanofahofa tanana. Nanontany izay nitranga izahay, ka namaly ny iray hoe: “Nisy vagao enina najanona tokoa, fa tsy ireo nitondra anay!”’

“Nisy vagao enina najanona tokoa, fa tsy ireo nitondra anay!”

Vita soa aman-tsara ilay fivoriambe tao Myitkyina. Nisy boky vaovao telo nivoaka tamin’ny teny birmanina ary dimy tamin’ny teny anglisy. Nihena ny sakafo ara-panahy tonga teto, telo taona talohan’io, rehefa noroahina ny misionera. Lasa tondraka anefa izany.

Nianatra koa ny Naga

Naharay taratasy avy tamin’ny mpiasan’ny paositra tany Khamti ny sampana, efa-bolana taorian’ilay fivoriambe tao Myitkyina. Amoron-drano io tanàna io sady eo am-pototr’ireo tendrombohitra eo amin’ny sisin-tanin’i Birmania sy Inde, any avaratrandrefana. Any no mipetraka ny Naga. Foko maromaro mitambatra ny Naga, ary nalaza ho mpanapaka lohan’olona. Nilaza i Ba Yee, Advantista taloha, tao amin’ilay taratasy fa nila fanampiana ry zareo. Nalefan’ny sampana tany avy hatrany àry i Aung Naing sy Win Pe, mpisava lalana manokana.

Hoy i Win Pe: “Natahotra izahay rehefa nivoaka ny fiaramanidina ka nahita miaramila naga. Nasiaka fijery ry zareo ary salaka ihany no teny aminy. Nihazakazaka niarahaba anay anefa i Ba Yee, ary nitondra anay tany amin’ireo olona liana. Tsy ela dia olona dimy no nianatra.

Biak Mawia (farany havanana eo aoriana) sy ny Fiangonana Khamti, tamin’ny vao nanomboka ny asa tany amin’ny faritanin’ny Naga

“Noheverin’ny manam-pahefana fa pasitera batista naman’ireo mpikomy teo an-toerana izahay. Nilaza izahay hoe tsy manao politika nefa mbola nasaina nandeha ihany, tsy ampy iray volana taorian’ny nahatongavanay.”

Niova ny mpitondra, telo taona taorian’izay, ka tonga nitory tao Khamti i Biak Mawia, mpisava lalana 18 taona. Niala tao amin’ny paositra i Ba Yee ary nanao mpisava lalana. Betsaka koa ny mpisava lalana tonga. Tsy ela dia nisy fiangonana niforona tao Khamti, ary lasa nisy antoko-mpitory maromaro teny amin’ny manodidina. Hoy i Biak Mawia: “Tsy nahay namaky teny ny rahalahy sy anabavy naga, nefa tena tia ny Tenin’Andriamanitra. Nazoto nitory izy ireo ary nahay nampiasa an’ireo sary tao amin’ny bokintsika. Nitadidy andinin-teny maro koa izy ireo, ary nianarany tsianjery ny hiran’ilay Fanjakana.”

Misy fivoriamben’ny vondrom-paritra foana izao any Khamti. Manatrika ao hatramin’ireo avy any Homalin, tanàna lavitra be any atsimo. Mila mandeha lakana adiny 15 izy ireo vao tonga.

Fanoherana tao amin’ny “Telozoro Volamena”

Nitatra koa ny fitoriana tany amin’ireo faritra manamorona ny sisin-tanin’i Chine sy Laos ary Tailandy. Any amin’ilay faritra atao hoe Telozoro Volamena izany. Toerana mahafinaritra izy io ary ahitana tendrombohitra mitomandavana sy lohasaha lonaka. Be mpikomy anefa any. Mpamokatra rongony koa ry zareo ary manao zavatra tsy ara-dalàna hafa. Tsy maintsy malina tsara ireo mpisava lalana nitory ny fahamarinana tany. (Mat. 10:16) Nanohitra azy ireo anefa ny lohandohany tao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina.

Nankany Lashio, tanàna maresaka ao amin’ny Fanjakan’ny Shan, i Robin Zauja sy David Abraham. Tonga dia nampangain’ny mpitondra fivavahana ho mpikomy amin’ny fanjakana ireo mpisava lalana ireo. Hoy i Robin: “Nosamborina izahay ary nentina tany am-ponja. Nasehonay ny polisy ny taratasy momba anay rehefa tonga tany. Niditra avy eo ny manamboninahitra iray tao amin’ny tafika ary niteny hoe: ‘Manahoana Atoa Zauja! Hay tonga eto Lashio koa ny Vavolombelon’i Jehovah!’ Mpiara-mianatra tamiko izy, ka nafahany avy hatrany izahay.”

Nanomboka nitory izy roa lahy ary tsy ela dia nisy fiangonana tany. Nanorina Efitrano Fanjakana izy ireo avy eo. Nampanantsoina tany amin’ny lapam-panjakana izy ireo, roa taona tatỳ aoriana, mba hihaona tamin’ny manamboninahitry ny tafika sy ny lehibem-poko ary ny mpitondra fivavahana. Olona 70 mahery no tao. Hoy i Robin: “Tezitra be ilay mpitondra fivavahana ka nilaza fa manery ny olona hiova finoana, hono, izahay. Nasain’ilay mpitarika fivoriana niaro tena izahay ka nanontaniako izy raha afaka mampiasa Baiboly aho. Nanaiky izy. Nivavaka mangina haingana aho ary nanazava izay lazain’ny Baiboly momba ny fampianaran-dison’ny fivavahana sy ny raharaha miaramila ary ny fetim-pirenena. Nitsangana ilay mpitarika fivoriana rehefa tapitra ny teniko. Nilaza izy fa manome fahalalahana ho an’ny fivavahana rehetra ny lalàn’i Birmania. Navela handeha izahay ary afaka nitory foana. Nangaina terỳ ireo mpitondra fivavahana!”

Tezitra ny Batista tany Mongpaw, tanàna kely any akaikin’i Chine, ka nodoran’izy ireo ny Efitrano Fanjakana. Tsy nampihontsina an’ireo rahalahy anefa izany ka nodorany indray ny tranon’ny mpisava lalana manokana iray ary nampihorohoroiny tao an-tranony ireo Vavolombelona. Nitaraina tany amin’ny mpitondra teo an-toerana ireo rahalahy, nefa nomba an’ireo Batista izy io. Niditra an-tsehatra ny fitondrana foibe tamin’ny farany ka nomeny alalana hanorina efitrano vaovao ireo rahalahy. Tsy tany ivelan’ny tanàna toy ny teo aloha anefa, fa tao afovoan-tanàna mihitsy!

Nanohitra be an’i Gregory Sarilo koa ny Eglizy Katolika tany Leiktho, any atsimo. Tanàna mitokana ao amin’ny Fanjakan’ny Kayin izy io ary eo akaikin’ny Telozoro Volamena. Hoy i Gregory: “Nasain’ny pretra nopotehin’ny mpiangona tao aminy ny voliko. Nomen’izy ireo sakafo aho avy eo, nefa nisy namako nilaza tamiko hoe misy poizina ilay izy. Nisy olona nirahin’ilay pretra hanontany ahy koa, indray andro, hoe aiza ny lalako ny ampitson’iny. Te hamono ahy mantsy ry zareo. Niova lalana anefa aho ka tsy voany. Nitaraina tamin’ny manam-pahefana aho ka nandidy an’ilay pretra sy ny namany izy ireo mba tsy hikitikitika ahy intsony. Narovan’i Jehovah tamin’ireo ‘nitetika ny hahatonga loza tamiko’ aho.”—Sal. 35:4.

Tsy nety nandray anjara tamin’ny politika sy ny ady

Tsy resaka fivavahana ihany no nisedra an’ireo rahalahy, fa teo koa ny adim-poko sy ny ady ara-politika.—Jaona 18:36.

Any amin’ny faritra atsimon’i Myanmar no misy an’i Thanbyuzayat, ilay tanàna misy garan-damasinina namboarina tamin’ny Ady Lehibe II. Mpisava lalana manokana tany i Hla Aung, ary sahirana rehefa niady ny mpikomy sy ny tafi-panjakana. Hoy izy: “Niakatra an-tanàna ny miaramila rehefa alina, ary notereny ho any an’ady ny vatan-dehilahy. Maro tamin’ireo lasa tany no tsy hita popòka. Tonga tao an-tanàna ny miaramila, indray alina, tamin’izaho sy Donald Dewar niresaka tao an-trano. Soa ihany fa nampandre anay haingana ny vadiko, ka afaka nitsoaka tany anaty ala izahay roa lahy. Nanamboatra toeram-piafenana tao an-trano aho taorian’io, mba hahafahako miafina haingana raha tonga indray ry zareo.”

Mpisava lalana manokana tao Dawei, any atsimon’i Thanbyuzayat, i Rajan Pandit. Nampianatra olona maromaro tao amin’ny tanàna iray tsy lavitra teo izy. Be mpikomy anefa tao. Hoy izy: “Nosamborin’ny miaramila aho rehefa handeha hody ary nokapohiny, satria noheveriny ho niray tsikombakomba tamin’ny mpikomy. Noresahiko taminy fa Vavolombelon’i Jehovah aho. Nanontaniany àry aho hoe ahoana no nahatongavako tao Dawei. Soa ihany fa notehiriziko ny tapakilan’ny fiaramanidina nandehanako ka nasehoko azy. Hita hoe nandeha fiaramanidina aho, nefa tsy fanaon’ny mpikomy izany. Tsy nokapohiny intsony aho ary navelany handeha. Mbola nanontanian’ny miaramila anefa ny olona iray nampianariko ary nilaza fa Baiboly fotsiny no nianaranay. Tsy nanelingelina ahy intsony ry zareo taorian’izay, ary lasa mpandray gazety mihitsy aza ny sasany.”

Noteren’ny manam-pahefana tao an-tanàna ireo rahalahy mba hanangan-tsaina, na hifidy, na ny toy izany. Nanao izany, ohatra, ny mpitondra tao Zalun, any amin’ny 130 kilaometatra any avaratr’i Yangon. Tsy nivadika anefa ireo rahalahy, ary nilaza fa izay lazain’ny Baiboly ihany no arahiny. (Jaona 6:15) Nakarin’ny mpitondra tao Zalun tany amin’ny manam-pahefana ambony ilay raharaha. Fantatry ny tany anefa fa tsy manao politika ny Vavolombelon’i Jehovah, ka navelany tsy hifidy.

Tsy nety niankohoka tamin’ny saina ny mpianatra Vavolombelona 23 tao Khampat, any amin’ny sisin-tanin’i Birmania sy Inde, ka noroahin’ny talen’ny sekoly nianarany. Nampanantsoin’ilay tale ny anti-panahy roa ary nampifanatrehany tamin’ny manam-pahefana maromaro, toy ny mpitsara sy ny lehiben’ny tafika. Hoy i Paul Khai Khan Thang: “Nasehonay azy ireo ny didim-panjakana milaza fa afaka mitsangana amim-panajana ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa misy fananganan-tsaina. Nihanahana teo fotsiny ireo manam-pahefana. Avy eo ilay lehiben’ny tafika nandidy an’ilay tale mba hamerina an’ireo mpianatra noroahiny. Nataon’ilay tale kopia ilay didy, ary nozarainy tamin’ireo sampan-draharaha tao an-tsekoly.”

Fantatr’ireo manam-pahefana ambony eto Myanmar fa tsy manao politika ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka nitory tamin’ireny olona ireny izy ireo, rehefa tsy nivadika tamin’ny toro lalan’ny Baiboly, araka ny efa nambaran’i Jesosy Kristy.—Lioka 21:13.

Miaramila lasa Vavolombelon’i Jehovah

Maro amin’ny mponin’i Myanmar no efa anisan’ny tafi-panjakana na miaramila mpikomy, tamin’ireo fotoana nisian’ny korontana. “Mpivavaka be sady natahotra an’Andriamanitra” ny sasany, toa an’i Kornelio, miaramila romanina tamin’ny taonjato voalohany. (Asa. 10:2) Lasa nahalala ny fahamarinana anefa izy ireny, ka niezaka mafy nanaraka ny fitsipik’i Jehovah.

Mifankatia sy miray saina izy ireo izao fa tsy mifankahala intsony, noho ny herin’ny Tenin’Andriamanitra

Iray amin’izany i Hlawn Mang. Manamboninahitry ny tafika an-dranomasina izy taloha ary tao Mawlamyine no nahalalany ny fahamarinana, rehefa niantsona tao ny sambony. Hoy izy: “Tonga dia te hitory aho, ary nikasa hametra-pialana. Fantatro tamin’izay fa hakarina grady aho ary halefa hiofana any amin’ny firenena manankarena iray any Eoropa! Efa tapa-kevitra ny hanao ny asan’Andriamanitra anefa aho. Gaga be ny lehibeko rehefa nametra-pialana aho ka nanompo an’i Jehovah. Efa 30 taona teo ho eo izay no lasa, nefa mbola resy lahatra aho hoe nety ny nataoko. Tombontsoa tsy manan-tsahala ny hoe manompo an’ilay tena Andriamanitra!”

Aik Lin (havia) sy Sa Than Htun Aung (havanana), izay nifanandrina imbetsaka tamin’ny ady anaty akata

Toy izany koa i La Bang Gam. Nasehon’i Robin Zauja azy ilay boky hoe Eo Amin’ny Paradisa Very ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray, * tamin’izy tany amin’ny hopitaly. Tiany be ilay boky ary nangatahiny. Tsy nanana afa-tsy iny anefa i Robin, ka nampindraminy azy indray alina monja ilay izy. Hoy i La Bang Gam ny ampitso, rehefa nihaona tamin’i Robin: “Intỳ ny bokinao fa izaho efa manana!” Hay nadikany tanana nandritra ny alina manontolo ilay boky 250 pejy, ary nataony tamin’ny kahie maromaro. Niala tsy ho miaramila izy, tsy ela taorian’izay, ary ireo kahie ireo no nanampiany ny hafa hahalala ny fahamarinana.

Nisy ady anaty akata tao amin’ny Fanjakan’ny Shan ary nifanandrina imbetsaka tamin’izany i Sa Than Htun Aung, kapiteny tao amin’ny tafika birmanina, sy Aik Lin, mpitari-tafiky ny Fanjakan’ny Wa. Samy nipetraka tao amin’ny Fanjakan’ny Shan izy roa lahy, rehefa natsahatra ny poa-basy. Samy nianatra ny fahamarinana izy ireo, tatỳ aoriana, niala tsy ho miaramila, ary natao batisa. Nihaona tany amin’ny fivoriamben’ny faritra ireo mpifahavalo taloha ireo ary nifamihina satria lasa mpirahalahy! Mifankatia sy miray saina izy ireo izao fa tsy mifankahala intsony, noho ny herin’ny Tenin’Andriamanitra.—Jaona 8:32; 13:35.

Fanampiana “ny karazan’olona rehetra”

Nitombo 300 isan-jato ny mpitory teto, teo anelanelan’ny 1965 sy 1976. Avy amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ny ankamaroan’ireo vaovao. Fantatr’ireo rahalahy anefa fa “sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Tim. 2:4) Niezaka mafy àry izy ireo, nanomboka tamin’ny 1975 tany ho any, mba hitory tamin’ireo olona avy amin’ny fivavahana hafa, toy ny Bodista, Hindoa, ary ireo mivavaka amin’ny fanahy.

Fahita eny an-dalana ny moanina bodista manao fitafiana nentin-drazana

Tsy mora anefa ilay izy. Ny Bodista, ohatra, tsy mino hoe misy ny Mpamorona. Ny Hindoa indray mivavaka amin’andriamanitra an-tapitrisany, ary ny Birmanina hafa mivavaka amin’ny fanahy. Minomino foana sy manao sikidy ary mifandray amin’ny fanahy ratsy izy rehetra ireo. Inoan’ny ankamaroany hoe boky masina ny Baiboly, nefa zara raha fantany izay raketin’izy io.

Fantatr’ireo rahalahy anefa fa mahery ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ary afaka manohina ny fon’ny olona, na inona na inona fivavahany. (Heb. 4:12) Mila miantehitra amin’ny fanahin’Andriamanitra fotsiny izy ireo sady miezaka “hahay hampianatra”, izany hoe hahay handresy lahatra sy hanohina ny fon’ny olona ka handrisika azy hiova.—2 Tim. 4:2.

Ahoana, ohatra, no ataon’i Rosaline, mpisava lalana manokana hatry ny ela, rehefa te handresy lahatra Bodista. Hoy izy: “Rehefa miresaka amin’ny Bodista ianao hoe misy ny Mpamorona, dia matetika izy ireo no manontany hoe: ‘Dia iza no namorona ny Mpamorona?’ Mino ny Bodista fa mifindra ao amin’ny biby ny fanahin’ny olona efa maty, ka ny biby ompiany ao an-trano no ataoko ohatra.

“Anontaniako izy hoe: ‘Fantatr’io biby io ve fa manan-tompo izy?’

“ ‘Ie.’

“ ‘Fantany ve anefa ny asan’ny tompony, ny momba ny tokantranony, na ny fiaviany?’

“ ‘Tsy fantany.’

“ ‘Dia isika olombelona ve dia afaka ny hanantena hoe hahalala ny zava-drehetra momba an’Andriamanitra na ny fiaviany, nefa izy aza fanahy?’

“ ‘Tsy afaka aloha e!’ ”

“Tena nampiaiky volana ahy ny fitiavana nasehon’ireo rahalahy”

Maro ny Bodista tso-po te hahalala kokoa momba ny Mpamorona, rehefa nampisaintsainina toy izany. Lasa mandray ny fahamarinana ny olona, rehefa mahay mandresy lahatra sy be fitiavana ireo rahalahy. Hoy, ohatra, i Ohn Thwin, Bodista taloha: “Nanintona ahy kokoa noho ny fampianaran’ny Bodista momba ny Nirvana ilay fampanantenan’ny Baiboly Paradisa an-tany. Tsy nisy vokany tamiko anefa izany, satria nihevitra aho hoe mety ho samy marina ireo fampianarana ireo. Nivory niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, tatỳ aoriana. Tena nampiaiky volana ahy ny fitiavana nasehon’ireo rahalahy, ka lasa nanaiky ny fahamarinana aho.”

Vavolombelona vitsivitsy teto Birmania, 1987

Mila mahay mandanjalanja sy manam-paharetana koa ianao raha te hanampy olona hiova finoana. Hindoa nafana fo, ohatra, ny dadan’i Kumar Chakarabani. Navelany hampianarin’i Jimmy Xavier mamaky teny i Kumar tamin’izy folo taona. Hoy i Kumar: “Nampitandrina an’i Jimmy i Dada hoe vakiteny ihany no tokony hampianariny fa tsy fivavahana. Nilaza taminy i Jimmy fa Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly no tena tsara ampiasaina. Niresadresaka tamin’i Dada i Jimmy rehefa vita ny fianaranay, ary niahy azy. Raha vao nametraka fanontaniana momba ny fivavahana i Dada, dia nilaza foana i Jimmy hoe: ‘Mamaly an’izany ny Baiboly. Andao hojerentsika sy ianao.’ Tsy i Dada ihany no nanaiky ny fahamarinana tatỳ aoriana, fa ny havanay 63 koa.”

Fivoriambe tamin’ny fotoana nisy hotakotaka

Nitombo ny korontana politika teto Birmania, tamin’ny 1985 tany ho any. Maro no tsy faly tamin’ny fitondrana, ka an’aliny no nidina an-dalambe tamin’ny 1988. Niditra an-tsehatra anefa ny tafika. Vetivety dia rava ilay fihetsiketsehana, ary nampiharina tany amin’ny faritra maro ny fepetra amin’ny tany misy hotakotaka.

Hoy i Kyaw Win, Betelita: “Voarara ny mivezivezy amin’ny alina sy ny mivorivory, raha vao olona mihoatra ny dimy. Lasa saina izahay raha tokony hofoanana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Nitoky tamin’i Jehovah anefa izahay, ka nanatona ny lehiben’ny tafika teto Yangon, ary nangataka fahazoan-dalana hanao fivoriambe misy olona 1 000. Azonay ilay izy, roa andro taorian’izay. Nasehonay an’ireo manam-pahefana tany amin’ny faritra hafa ilay fahazoan-dalana, ka navelany hanao fivoriambe koa ireo rahalahy tany. Vita soa aman-tsara ny fivoriambe rehetra, noho ny fanampian’i Jehovah!”

Tsy mahafoy fivoriana

Nihasarotra ny fiainana teto Birmania, taorian’ilay korontana tamin’ny 1988. Tena nitoky tamin’Andriamanitra anefa ireo rahalahy, ka nataony loha laharana foana ilay Fanjakana.—Mat. 6:33.

Nipetraka tany amin’ny tanàna mitokana any Sagaing, ohatra, ry Cin Khan Dal mianakavy. Hoy izy: “Te hamonjy fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Tahan izahay. Nila nandeha sambo sy kamiao nandritra ny roa andro izahay vao tonga tany, ary tsy hisy hiandry ny akohonay. Nitoky tamin’i Jehovah anefa izahay ka nandeha ihany. Nalahelo be izahay nony tonga, satria akoho 19 no very. Lasa 60 mahery anefa ny akohonay, herintaona taorian’izay. Ary na matin’aretina aza ny akohon’ny olona teo an-tanàna, ny anay kosa tsy naninona.”

Nanana finoana matanjaka koa i Aung Tin Nyunt sy Nyein Mya vadiny, izay nanan-janaka sivy. Tany Kyonsha, any amin’ny 64 kilaometatra any avaratrandrefan’i Yangon, izy ireo no nipetraka. Hoy i Aung Tin Nyunt: “Vary sosoa sy legioma fotsiny no nohaninay matetika. Tsy nanam-bola izahay sady tsy nanan-javatra hamidy. Tsy kivy anefa izahay. Hoy aho tamin’ny vady aman-janako: ‘Tsy nanana toerana azony nametrahana ny lohany i Jesosy. Ka na tsy manan-trano sy tsy maintsy hipetraka eny am-body hazo aza aho na ho faty noana, dia hanompo an’Andriamanitra foana.’

“Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?”—Heb. 13:6

“Tsy nisy sakafo intsony tao an-trano, indray andro. Nanahy be ny vady aman-janako ary nijery ahy. Nanome toky azy ireo aho hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy antsika Andriamanitra.’ Nandeha nanompo izahay ny maraina tontolo, ary avy eo nentiko naka trondro ny zanako lahy. Trondro indray mahandro ihany anefa no azonay. Navelanay teo akaikin’ny voahirana ny tandrohonay, ary hoy aho: ‘Rehefa avy mivory isika miverina eo.’ Nandrivotra be tamin’io tolakandro io, ka feno trondro nialokaloka tao ambanin’ireo voahirana. Nalainay tamin’ny tandroho izy ireo, ary be dia be no azonay. Namidinay teny an-tsena izany, ka nahazoana vola ampy nividianana sakafo herinandro.”

Tanteraka amin’ny mpanompon’i Jehovah eto Myanmar ilay fampanantenany hoe: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.” Izany no mahatonga azy ireo hilaza hoe: “Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?”—Heb. 13:5, 6.

Nihatsara ny boky aman-gazety

Nahazo Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny myama foana ny mponin’i Myanmar, nanomboka tamin’ny 1956. Nivoaka tsy tapaka izy ireny, na teo aza ny adim-poko sy ny korontana ary ny olana ara-toe-karena. Ahoana no namokarana gazety tamin’izany?

Alefan’ny sampana any amin’ny manam-pahefana ireo lahatsoratra efa voadika, mba handalo sivana. Rehefa eken’izy ireo ilay lahatsoratra, dia mangataka fahazoan-dalana hividy taratasy indray ny sampana. Entin’ny rahalahy iray any amin’ny orinasa mpanao pirinty ireo taratasy sy ilay lahatsoratra. Avadika ho soratra myama amin’ny milina fanoratana aloha ilay lahatsoratra. Hamarinin’ilay rahalahy izany avy eo sao misy diso. Manao pirinty maro be amin’izay ilay orinasa avy eo, nefa ny milina ao aminy efa ratsy. Itondrana santionany indray ny manam-pahefana, mba hanomezany fahazoan-dalana hampielezana azy ireo. Herinandro maromaro izany rehetra izany vao vita, nefa tsy dia tsara akory ny taratasy sy pirinty. Izany no niainana nandritra ny taona maro.

Niova tanteraka anefa izany. Nahazo an’ilay programa hoe Fandaharana Elektronika Mandrindra ny Fisehon’ny Soratra sy Sary Amin’ny Fiteny Maro (MEPS) ny sampana, tamin’ny 1989. Noforonina tany amin’ny foibe io programa io ary ordinatera no ampiasaina. Nahafahana namokatra boky tamin’ny fiteny 186 izy io, ary anisan’izany ny teny myama. *

Hoy i Mya Maung, izay niasa tao amin’ny sampana: “Ny Vavolombelon’i Jehovah no voalohany nampiasa ordinatera mba hamokarana boky sy gazety, teto Myanmar. Nampiova be ny fanaovam-pirinty teto ny MEPS. Teto amin’ny sampana ihany no nanaovana an’ireo endri-tsoratra amin’ny teny myama. Gaga be ny olona fa mazava sy mety tsara erỳ izany.” Ampiasana fomba fanaovana pirinty vaovao ny MEPS, ka lasa tsara kokoa ny boky vita. Mivoaka tsara koa ny sary, ka lasa tsara tarehy Ny Tilikambo Fiambenana.

Navelan’ny fanjakana havoaka amin’ny teny myama ny Mifohaza! tamin’ny 1991, ka faly be ireo rahalahy sy ny olon-kafa. Hoy ny manam-pahefana iray tao amin’ny Minisiteran’ny Filazam-baovao: “Miavaka ny Mifohaza! fa tsy toy ny gazety ara-pivavahana hafa. Miresaka loha hevitra mahaliana maro izy io, sady mora azo. Tiako be io gazety io.” Maro no mitovy hevitra aminy.

Niakatra 900 isan-jato teo ho eo ny isan’ny gazety natao pirinty teto, tato anatin’ny 20 taona

Niakatra 900 isan-jato teo ho eo ny isan’ny gazety natao pirinty teto, tato anatin’ny 20 taona. Lasa 141 000 mahery isam-bolana izany, raha 15 000 teo aloha. Mahazatra ny olona eto Yangon izao ny mahita Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ary tian’ny olona eran’i Myanmar ny mamaky azy ireo.

Nilaina ny biraon’ny sampana vaovao

Nilaza ny fitondrana miaramila, taorian’ilay korontana tamin’ny 1988, fa tokony hosoratana ara-dalàna ny fikambanana ara-tsosialy sy ara-pivavahana rehetra. Tonga dia nanao izany ny biraon’ny sampana. Voasoratra ara-dalàna ny “Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah (Tilikambo Fiambenana)” eto Myanmar, roa taona taorian’izay, izany hoe ny 5 Janoary 1990.

Tery kely ny Betela. Teo amin’ny tany ny anabavy iray no nipasoka

Nafindra tao amin’ny trano misy rihana teo amin’ny Lalana Inya ny biraon’ny sampana, raha teo amin’ny Lalana Faha-39 teo aloha. Mirefy 2 023 metatra toradroa ilay toerana, eo amin’ny faritra iray tsara tarehy eo avaratry ny tanàna. Tery anefa ilay izy. Hoy i Viv Mouritz, izay nitsidika ny sampana teto: “Sahirana be ireo Betelita 25. Tsy nisy lafaoro tao an-dakozia fa fatana elektrika no nampiasain’ny anabavy iray. Tsy nisy milina fanasan-damba koa fa teo amin’ny lempona tamin’ny tany ny anabavy iray no nanasa lamba. Te hividy lafaoro sy milina fanasan-damba ireo rahalahy saingy tsy nahazo nanafatra tany ivelany.”

Hita hoe nilaina ny biraon’ny sampana lehibe kokoa. Neken’ny Filan-kevi-pitantanana àry ny handravana an’ilay efitra misy rihana iray, sy ny hanorenana trano fonenana misy rihana telo sy trano iray misy ireo birao. Tsy maintsy mandresy vato misakana maro anefa ireo rahalahy, vao ho afaka hanao izany. Voalohany, tsy maintsy nanao fangatahana tany amin’ny ambaratongam-pahefana enina izy ireo. Faharoa, tsy afaka nanao an’ilay asa ny orinasa mpanao fanorenana teto an-toerana, satria tsy nahay rafitra vy. Fahatelo, tsy nahazo niditra teto ireo mpanao fanorenana vahiny. Ary farany, tsy nisy an’ireo fitaovam-panorenana teto an-toerana nefa tsy azo nohafarana tany ivelany izy ireny. Toa tsy ho vita mihitsy àry ilay asa. Nitoky tamin’i Jehovah indray anefa ireo rahalahy. Ho vita ny biraon’ny sampana, raha izany no sitrapon’i Jehovah.—Sal. 127:1.

‘Tsy amin’ny alalan’ny hery, fa amin’ny alalan’ny fanahiko’

Hoy i Kyaw Win, avy ao amin’ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna: “Mora ny nahazo fahazoan-dalana tao amin’ireo ambaratongam-pahefana dimy voalohany, anisan’izany ny Minisiteran’ny Raharaha Ara-pivavahana. Nolavin’ny Komitin’ny Fampandrosoana ny Tanànan’i Yangon anefa ny hanorenana trano misy rihana telo, satria avo loatra, hono. Namerina nangataka izahay, nefa mbola nolaviny ihany. Nampirisika ahy hikiry ihany ny Komitin’ny Sampana. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah àry aho, ary nanao fangatahana fanintelony. Nekena ilay izy!

“Nankany amin’ny Minisitera Mikarakara ny Fidiran’ny Vahiny izahay avy eo. Nilaza ilay tompon’andraikitra tao fa vizà herinandro ihany no azony omena ny vahiny. Nohazavainay anefa fa hampiofana ny tompon-tany hanao asa fanorenana ireo mpiasa an-tsitrapo ireo, ka nanaiky hanome vizà enim-bolana izy ireo.

“Nankany amin’ny Minisiteran’ny Varotra indray izahay, ka fantatray fa tsy nisy nahazo nanafatra entana avy any ivelany tamin’izany. Nohazavainay tamin’ireo tompon’andraikitra anefa ilay tetikasa, ka navelany hanafatra fitaovam-panorenana nitentina iray tapitrisa dolara mahery izahay. Ary ahoana ny resaka hetra? Nankany amin’ny Minisiteran’ny Vola izahay, ka navelany hanafatra entana nefa tsy voatery nandoa hetra. Tanteraka taminay mihitsy ilay andinin-teny hoe: ‘ “Tsy amin’ny alalan’ny tafika, na ny hery, fa amin’ny alalan’ny fanahiko”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.’ ”—Zak. 4:6.

Miara-miasa akaiky ny vahiny sy ny tompon-tany

Tonga teo amin’ny toeram-panorenana ireo mpiasa an-tsitrapo, tamin’ny 1997. Ireo rahalahy tany Aostralia no nanome ny ankamaroan’ireo fitaovam-panorenana. Ny fitaovana hafa kosa avy tany Malezia sy Singapour ary Tailandy. Hoy i Bruce Pickering, anisan’ny niandraikitra ny asa: “Efa nataon’ireo rahalahy tany Aostralia mialoha daholo ny rafitra vy, ary teto izy no nanambatra azy. Nahagaga fa tsy nisy nifandiso mihitsy ilay izy!” Nisy mpiasa an-tsitrapo hafa avy any Alemaina, Etazonia, Fidji, Grande-Bretagne, Gresy, ary Nouvelle-Zélande.

Efa 30 taona ireo rahalahy teto no tsy nifanerasera tamin’ny rahalahy vahiny. Hoy i Donald Dewar: “Faly be izahay ka toy ny hoe nanonofy. Tia an’i Jehovah sy be fitiavana ary nahafoy tena ireo vahiny ka tena nampahery.” Hoy ny rahalahy iray hafa: “Lasa nahay zavatra koa izahay. Nanjary nahay nametaka tariby mitondra herinaratra, ohatra, ireo mpitory tsy nampiasa afa-tsy labozia. Lasa nahay nametaka fitaovana fampangatsiahan-drivotra koa ny hafa, nefa fikopahana tsotra no mba fampiasany taloha. Nahay nampiasa fitaovana elektrika mihitsy aza izahay!”

Betelan’i Myanmar

Ireo mpiasa an-tsitrapo vahiny kosa faly rehefa nahita hoe nanam-pinoana sy be fitiavana ireo rahalahy sy anabavy myama. Hoy i Bruce Pickering: “Nahantra ireo rahalahy nefa tsara fanahy sy nalala-tanana. Maro no nanasa anay ho any aminy. Sakafo tokony hohanin’izy mianakavy nandritra ny andro maromaro no narosony ho anay. Nampahatsiahy anay izany fa ny fianakaviana, ny fifandraisana amin’Andriamanitra, ny mpiray finoana, ary ny fitahian’Andriamanitra, no tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana.”

Notokanana tamin’ny 22 Janoary 2000 ireo tranon’ny sampana vaovao. Natao tao amin’ny tranom-pokonolona ny lahateny fitokanana, izay nataon’ny Rahalahy John Barr, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Faly ny rehetra!

Fanorenana Efitrano Fanjakana

Nieritreritra ny hanorina Efitrano Fanjakana ireo rahalahy, rehefa akaiky ho vita ny fanorenana ny tranon’ny sampana. Tonga avy tany Japon i Nobuhiko sy Aya Koyama, tamin’ny 1999. Anisan’ny nanangana ny Biraon’ny Fanorenana Efitrano Fanjakana teto amin’ny sampana i Nobuhiko. Hoy izy: “Nijery ny trano nivorian’ireo rahalahy nanerana an’i Myanmar izahay, ka nandeha bisy, fiaramanidina, môtô, bisikileta, sambo, na nandeha an-tongotra. Nila fahazoan-dalana izahay matetika, satria toerana maro no tsy azon’ny vahiny naleha. Nanokana vola avy tamin’ilay tetikasa fanorenana Efitrano Fanjakana any amin’ny tany mahantra ny Filan-kevi-pitantanana, rehefa fantatra ireo toerana nila efitrano vaovao.

“Nangonina ny mpiasa an-tsitrapo vitsivitsy mba hanorina ny efitrano voalohany tany Shwepyitha, tanàna iray tsy lavitra an’i Yangon. Niara-niasa tamin’ny vahiny ireo rahalahy teto an-toerana ka gaga ny polisy. Matetika izy no nanajanona ny asa ary nanontany ny lehibeny aloha raha afaka niara-niasa ny vahiny sy ny tompon-tany. Ny hafa indray nidera an’ireo rahalahy. Hoy ny lehilahy iray: ‘Izaho nahita vahiny nanadio kabine! Mbola tsy nahita hoatr’izany mihitsy aho! Tena hafa aloha ianareo e!’

Mandeha sambo mankeo amin’ny Efitrano Fanjakana vaovao

“Nisy ekipa iray koa nanomboka nanorina efitrano tao Tachileik, eo akaikin’ny sisin-tanin’i Tailandy. Maro ny rahalahy tailandey niampita sisin-tany isan’andro mba hanampy an’ireo rahalahy teto Myanmar. Niara-niasa sy niray saina izy ireo na dia tsy nitovy fiteny aza. Hafa mihitsy ny zava-nitranga rehefa ho vita ilay efitrano. Rafitra ady mantsy ny miaramila tailandey sy myama teo amin’ny sisin-tany. Vary raraka ny zera baomba sy ny tifitra, fa tsy voa ilay efitrano. Rehefa tonitony ilay fifanafihana, dia nivory tao amin’ilay efitrano ny olona 72 mba hitokana azy io ho an’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fiadanana.”

Efitrano Fanjakana vaovao 65 mahery no vita manerana an’i Myanmar, nanomboka tamin’ny 1999

Efitrano Fanjakana vaovao 65 mahery no vita manerana an’i Myanmar, nanomboka tamin’ny 1999. Inona no vokatr’izany teo amin’ireo mpitory? Maro no nitovy fihetseham-po tamin’ny anabavy iray. Sady nirotsa-dranomaso izy no nilaza hoe: “Tsy nampoiziko mihitsy hoe hanana efitrano vaovao tsara tarehy toy izao izahay. Hiezaka mafy aho izao hanasa olona hivory. Misaotra an’i Jehovah sy ny fandaminany aho satria tsara fanahy taminay izy.”

Tonga ny misionera

Nanomboka nisokatra tamin’ny tany ivelany i Myanmar, taorian’ny 1990, rehefa avy nitoka-monina nandritra ny am-polony taona. Nangataka alalana tamin’ny fanjakana àry ny biraon’ny sampana, mba ho afaka hampiditra misionera indray. Tonga avy tany Japon i Hiroshi sy Junko Aoki, misioneran’i Gileada, tamin’ny Janoary 2003. Izay indray vao nisy misionera, tao anatin’ny 37 taona.

Hiroshi sy Junko Aoki, misionera voalohany tonga teto, tao anatin’ny 37 taona

Hoy i Hiroshi: “Vitsy kely ny vahiny teto tamin’izany ka nila nitandrina izahay mba tsy hampiahiahy ny fanjakana ny fitoriana nataonay. Naleonay aloha niaraka tamin’ireo rahalahy sy anabavy nanao fitsidihana sy fampianarana. Tsy ela dia hitanay fa tia miresaka momba an’Andriamanitra ny mponina. Nanomboka fampianarana dimy izahay ny tapak’andro voalohany nanompoanay.”

Hoy koa i Junko: “Matetika no tsapanay hoe nitarika anay i Jehovah. Vaky pne ny môtônay, indray andro, rehefa avy nampianatra Baiboly tany akaikin’i Mandalay izahay roa. Natosikay tao amin’ilay orinasa teo akaiky teo ilay môtô ary niangavy ny olona tao izahay mba hanamboatra an’ilay pne. Navelan’ilay mpiambina hiditra i Hiroshi fa izaho kosa niandry teo amin’ilay mpiambina, ka nanontanintaniany.

“ ‘Fa inona no ataonareo atỳ?’, hoy izy.

“ ‘Nitsidika ny namanay’, hoy aho.

“Nisikotra ihany izy hoe: ‘Nanao inona? Nivavaka?’

“Tsy namaly aho satria tsy haiko izay tiany hatao.

“Hoy ihany izy avy eo: ‘Fa inona ny fivavahanareo e?’

“Naka Tilikambo Fiambenana tao anaty kitapoko aho ary nasehoko azy.

“ ‘Efa fantatro mihitsy!’, hoy izy. Faly erỳ izy niteny tamin’ny mpiara-miasa taminy hoe: ‘Nataon’ny anjely vaky pne ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’izay mankatỳ amintsika.’

“Naka Baiboly sy taratasy mivalona avy tao anaty kitapony ilay lehilahy. Hay izy efa nianatra Baiboly tany an-toeran-kafa, saingy tsy nahita Vavolombelona intsony rehefa nifindra tao Mandalay. Nianatra Baiboly avy hatrany izy. Nianatra koa ny mpiara-miasa taminy sasany, tatỳ aoriana.”

Nisy misionera efatra tonga teto tamin’ny 2005. Nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana (na Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo) tany Philippines izy ireo. Anisan’izy ireo i Nelson Junio, izay manin-te hody toy ny misionera hafa. Hoy izy: “Matetika aho no nitomany sy nivavaka talohan’ny hatory. Nisy rahalahy tsara fanahy izay niresaka tamiko ny Hebreo 11:15, 16. Voalaza ao fa tsy nieritreritra foana an’i Ora, toerana nilaozany, i Abrahama sy Saraha fa nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy nitomany intsony aho rehefa avy namaky an’ilay andininy. Nataoko toy ny hoe tany niaviako ny toerana nanendrena ahy.”

Mahasoa ny modely nomen’izy ireo

Nanoro hevitra an’i Timoty toy izao ny apostoly Paoly: ‘Izay renao tamiko dia atolory an’ireo lehilahy mendri-pitokisana, izay hahay hampianatra ny hafa kosa avy eo.’ (2 Tim. 2:2) Nampian’ny misionera àry ny fiangonana mba hanaraka ny tari-dalan’ny fandaminana ho an’ny vahoakan’i Jehovah eran-tany.

Tsikaritr’ireo misionera, ohatra, fa rehefa mampianatra Baiboly ny mpitory maro dia asainy averin’ilay mpianatra amin’ny feo avo fotsiny ny valin-teny ao amin’ny boky. Izany mantsy no fanaon’ny sekoly maro atỳ. Hoy i Joemar Ubiña: “Nampirisihinay tsikelikely ny mpitory mba hiezaka hamantatra ny hevitry ny mpianatra sy ny fihetseham-pony. Nampihatra izany avy hatrany izy ireo ka nahay nampianatra kokoa.”

Hitan’ireo misionera koa fa maro ny fiangonana tsy nanana afa-tsy anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana iray. Niasa mafy sy tsy nivadika ireny rahalahy ireny, nefa somary nanjakazaka tamin’ny andian’ondry ny sasany. Efa nisy toy izany tamin’ny taonjato voalohany matoa ny apostoly Petera nilaza hoe: ‘Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketanareo. Tsy manjakazaka amin’ny lovan’Andriamanitra, fa ho modely ho an’ny andian’ondry.’ (1 Pet. 5:2, 3) Ahoana no nanampian’ny misionera azy ireo? Hoy i Benjamin Reyes: “Nanome modely izahay ka niezaka ho mora hatonina sy ho tsara fanahy be.” Nanahaka azy ireo tsikelikely ny anti-panahy, ka maro no lasa nangoraka rehefa nikarakara andian’ondry.

Nihatsara ny fandikan-teny

Baiboly nivoaka tamin’ny taonjato faha-19 no nampiasain’ireo rahalahy, nandritra ny taona maro. Nadikan’ny misioneran’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina sy ny moanina bodista izy io ary feno teny tranainy be sy saro-takarina. Faly be àry ireo rahalahy rehefa nivoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny myama, tamin’ny 2008. Hoy i Maurice Raj: “Nitehaka ela be ireo rahalahy. Ny sasany aza nirotsa-dranomaso rehefa nahazo ny Baiboliny, satria faly be. Tsotra sy mazava ary marina tsara ilay fandikan-teny vaovao. Na ny Bodista aza mahita hoe mora azo ilay izy.” Nitombo 40 isan-jato mahery ny isan’ny olona nianatra Baiboly teto Myanmar taoriana kelin’ny namoahana an’ilay fandikan-teny.

Mbola mpandika teny eto amin’ny Betelan’i Yangon izao i Doris Raj, efa ho 50 taona atỳ aoriana

Misy karazany roa ny teny myama, toy ny fiteny maro ihany. Eo ny fiteny mihaja, izay avy amin’ny teny pali sy karàna. Eo koa ny fiteny andavanandro, izay mahazatra ny olona. Samy azo ampiasaina ireo rehefa manoratra sy miteny. Ilay fiteny mihaja no nampiasaina tamin’ny ankamaroan’ny bokintsika taloha, ka maro no tsy nahazo izay voalaza tao. Ilay fiteny fampiasa andavanandro izao no ampiasaina ao amin’ny bokintsika, ka lasa azon’ny ankamaroan’ny olona tsara izy ireny.

Ekipa mpandika teny ao amin’ny sampan’i Myanmar

Tian’ny olona ny bokintsika. Hoy i Than Htwe Oo, mpiandraikitra ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny: “Nilaza foana ny olona taloha hoe: ‘Tsara be ny gazetinareo saingy tsy mazava ny zavatra resahiny.’ Faly kosa izao ny olona rehefa mahazo gazety, ary mamaky avy hatrany. Maro no milaza hoe: ‘Mora azo ity boky ity.’ ” Na ny valin-teny any am-pivoriana aza mihatsara, satria azon’ny mpanatrika tsara izay voalazan’ny bokintsika.

Misy 26 izao ny mpandika teny manompo manontolo andro ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny. Mizara ho ekipa telo izy ireo, dia ireo mandika ho amin’ny teny myama sy hakha chin ary sgaw kayin. Misy bokintsika efa nadika ho amin’ny fiteny 11 hafa eo an-toerana koa.

Rivo-doza Nargis

Namely an’i Myanmar ny Rivo-doza Nargis tamin’ny 2 Mey 2008. Nahatratra 240 kilaometatra isan’ora izy io, ka maro ny aina nafoy sy ny zavatra simba, teny amin’ny Vinanin’i Irraouaddi ka hatrany amin’ny sisin-tanin’i Tailandy. Olona roa tapitrisa mahery no niharan-doza ary 140 000 teo ho eo no maty na tsy hita popòka.

Vavolombelona an’arivony no tra-boina nefa nahagaga fa tsy nisy maty na naratra. Maro no nialokaloka tao amin’ireo Efitrano Fanjakana vaovao. Tao Bothingone, tanàna amoron-tsiraka any amin’ny Vinanin’i Irraouaddi, ohatra, dia Vavolombelona 20 sy olon-kafa 80 no namikitra tamin’ireo hazo manohana ny tafon’ny efitrano. Niakatra hatreny akaikin’ny valin-drihana mantsy ny rano. Nijanona teo izy ireo nandritra ny adiny sivy, mandra-pihenan’ny rano.

May Sin Oo, eo akaikin’ilay tranony vao haorina

Ekipan’ny vonjy rano vaky miaraka amin’ny Rahalahy sy Anabavy Htun Khin, eo anoloan’ny tranony vaovao. Nazeran’ny Rivo-doza Nargis mantsy ny tranony

Avy hatrany ny biraon’ny sampana dia naniraka ekipan’ny vonjy rano vaky tany amin’izay faritra voa mafy, tany amin’ireo vinany. Namakivaky toerana ravarava sy feno faty izy ireo ary tonga tao amin’ilay tanàna, niaraka tamin’ny sakafo sy rano ary fanafody. Izy ireo no mpamonjy voina tonga voalohany tany. Nizara fanampiana sy boky ara-baiboly ho an’ireo rahalahy izy ireo, ary nanao lahateny hampaherezana azy. Fongana mantsy ny fananany.

Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky teto Yangon sy tao Pathein ny biraon’ny sampana. Naniraka mpiasa an-tsitrapo an-jatony ireo komity ireo mba hizara rano sy vary ary zavatra hafa tena nilain’ireo tra-boina. Teo koa ny ekipa mpanao fanorenana, izay nirahina hanamboatra na hanorina an’izay tranona Vavolombelona simba na rava.

Hoy i Tobias Lund, anisan’ireo mpamonjy voina: “Nahita an’i May Sin Oo, tovovavy 16 taona, izaho sy Sofia vadiko. Izy ihany no mpitory tao an-tranony. Hitanay nanamaina ny Baiboliny teo akaikin’ilay tranony efa ravarava izy. Nitsiky izy nahita anay nefa nijoy ny ranomasony. Tsy ela dia tonga ny ekipa mpanao fanorenana, niaraka tamin’ny fitaovana, ary nanomboka nanao trano vaovao ho an’ilay fianakaviana. Gaga ny mpiray tanàna. Variana nitazana an’izay nitranga ny olona, nandritra ny andro maromaro. Hoy izy ireo: ‘Mbola tsy nahita hoatr’izao mihitsy izahay! Tena miray saina sy mifankatia ianareo. Mba te ho Vavolombelon’i Jehovah koa izahay.’ Efa mivory izao ny ray aman-drenin’i May Sin Oo sy ny iray tam-po aminy, ary mandroso tsara izy mianakavy.”

Nitohy nandritra ny volana maromaro ilay fanampiana. Nizara fanampiana an-taoniny ireo rahalahy ary nanamboatra na nanorina trano 160 sy Efitrano Fanjakana 8. Namela takaitra teto Myanmar ny Rivo-doza Nargis. Hita tamin’izy iny anefa fa mifankatia sy miray saina ny vahoakan’Andriamanitra. Manome voninahitra ny anaran’i Jehovah izany.

Zava-nitranga tsy hay hadinoina

Nahazo taratasy tsy nampoizina ny biraon’ny sampana, teo am-piandohan’ny 2007. Hoy i Jon Sharp, izay tonga teto amin’ny sampana niaraka tamin’i Janet vadiny tamin’ny 2006: “Nasain’ny Filan-kevi-pitantanana nandamina fivoriambe iraisam-pirenena teto Yangon izahay ny taona 2009. Hisy solontena an-jatony avy any amin’ny firenena folo ho avy. Mbola tsy nisy toy izany mihitsy hatramin’izay!”

Hoy ihany i Jon: “Be dia be ny fanontaniana tonga tao an-tsainay: ‘Aiza no hahitana toerana antonona olona be dia be? Hanatrika koa ve ny mpitory any amin’ny toerana mitokana? Aiza ry zareo no hipetraka? Ahoana no hahatongavany atỳ? Hahita vola hividianana vatsy ve izy ireo? Havelan’ny manam-pahefana handamina fivoriambe hoatr’izany ve izahay?’ Toa tsy nety tapitra ilay izy. Tsaroanay anefa ny tenin’i Jesosy hoe: ‘Ny zavatra tsy hain’olombelona dia hain’Andriamanitra.’ (Lioka 18:27) Nitoky taminy izahay ary nanomboka nandamin-javatra.

“Tsy ela izahay dia nahita toerana nety tsara, dia ny Kianja Mitafon’i Myanmar, ao afovoan-tanàna. Mahazaka olona 11 000 izy io ary misy fampangatsiahan-drivotra. Tonga dia nangataka hampiasa azy io izahay. Tsy nahazo valiny anefa izahay nandritra ny volana maro, ary na efa herinandro vitsivitsy talohan’ilay fivoriambe aza. Taitra be izahay rehefa nandre hoe neken’ny tompon’andraikitra hanaovana fifanintsanana ady totohondry ilay kianja amin’ilay datin’ny fivoriambe. Tsy nanam-potoana hitadiavana toerana hafa intsony izahay ka nifampiraharaha tamin’ny mpikarakara an’ilay fifanintsanana sy ny olona ambony maromaro. Nilaza ilay mpikarakara fa hahemotra ilay lalao, raha nanaiky hanova ny fifanarahana natao taminy ireo mpilalao matihanina 16. Nanaiky daholo izy ireo, rehefa fantany hoe hanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah fivoriambe ilay kianja.”

Komitin’ny Sampana, avy eo ankavia miankavanana: Kyaw Win, Hla Aung, Jon Sharp, Donald Dewar, ary Maurice Raj

Hoy anefa i Kyaw Win, anisan’ny Komitin’ny Sampana: “Mbola nila fahazoan-dalana avy tamin’ny fanjakana izahay vao afaka nampiasa an’ilay kianja. Efa nangataka inefatra izahay fa nolavina foana. Nivavaka izahay ary nankany amin’ilay jeneraly miandraikitra ny kianja eto Myanmar. Tapa-bolana sisa dia ho tonga ilay fivoriambe ary sambany izahay vao hihaona amin’ny manam-pahefana ambony toy izany. Faly be izahay fa nekeny ny fangatahanay!”

Tsy nahalala an’izany rehetra izany ireo solontena an’arivony avy any amin’ny lafivalon’i Myanmar sy avy any ivelany, ka nirohotra nanketo Yangon. Tao ny nandeha fiaramanidina, lamasinina, sambo, bisy, kamiao, na nandeha an-tongotra. Maro ny fianakaviana nanangom-bola nandritra ny volana maromaro mba hanatrehana an’ilay fivoriambe. Tao ny namboly, niompy kisoa, nanjaitra, na nanasivana volamena. Maro no mbola tsy niakatra an-tanàn-dehibe mihitsy na koa mbola tsy nahita vahiny.

Solontena 1 300 mahery avy any amin’ny faritra avaratr’i Myanmar no nitoby teo amin’ny garan’i Mandalay. Efa nisy fiarandalamby nohofana mba hitondra azy ireo teto Yangon. Nanao dia nandritra ny enina andro ireo avy any amin’ny Havoanan’ny Naga, nefa nibaby mpitory roa. Simba teny an-dalana mantsy ny seza misy kodiarana nitaingenan’izy ireo. An-jatony no nilasy teo amin’ny gara ka nitafatafa sy nihomehy, na nanao hiran’ilay Fanjakana. Hoy i Pum Cin Khai, anisan’ny niandraikitra ny fitaterana: “Nientam-po ny rehetra. Nomena sakafo sy rano ary tsihy hatoriana izy ireo. Ny anti-panahy no nizara an’ireo mpandeha ho amin’ny vagao misy azy avy, nony tonga ny lamasinina. Tamin’ny farany dia nisy antso avo hoe: ‘Hiainga izao ny fiarandalamby mitondra ny Vavolombelon’i Jehovah.’ Nitazatazana aho sao mbola nisy tavela, ary mba niditra koa!”

Efa ho 700 ny solontena vahiny namonjy ny hoteliny teto Yangon. Ary aiza no hipetraka ireo solontena 3 000 mahery avy eto an-toerana? Hoy i Myint Lwin, avy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Filasiana: “Nanokatra ny fon’ireo Vavolombelona teto Yangon i Jehovah, ka vonona hikarakara ny mpiara-manompo aminy izy ireo. Nisy fianakaviana nampiantrano olona 15. Izy ireo no nandoa vola tany amin’ny manam-pahefana mba hahafahana mandray vahiny, niantoka ny sakafo maraina, ary nandoa ny saran-dalana mandroso sy miverina nankany amin’ny fivoriambe. Maro no nitoby tany amin’ny Efitrano Fanjakana, ary an-jatony no tany amin’ny orinasa lehibe. Na izany aza, dia mbola nisy 500 teo ho eo ny tsy nahita toerana hilasiana. Niresaka tamin’ny tompon’andraikitr’ilay kianja izahay, ka navelany hatory tao amin’ilay kianja izy ireo. Mbola tsy nisy toy izany teo aloha.”

“Nanokatra ny fon’ireo Vavolombelona teto Yangon i Jehovah, ka vonona hikarakara ny mpiara-manompo aminy izy ireo”

Tena nampahery an’ireo rahalahy ny Fivoriambe Iraisam-pirenena 2009 “Miambena Hatrany!” sady nisy vokany tsara tamin’ny mponin’i Yangon

Efa simbasimba ilay kianja, ka mpiasa an-tsitrapo 350 mahery no nanamboatra azy io nandritra ny folo andro. Hoy i Htay Win: “Namboarinay ny fantson-drano sy ny herinaratra ary ny fampangatsiahan-drivotra. Nolokoana sy nodiovina koa ilay toerana manontolo. Nisy vokany tsara izany asa be izany. Hoy ilay manamboninahitra niandraikitra an’ilay kianja: ‘Misaotra betsaka anareo! Hangataka amin’Andriamanitra aho mba hampiasanareo an’ity kianja ity foana isan-taona!’ ”

Natao ny 3 ka hatramin’ny 6 Desambra 2009 ilay fivoriambe ary 5 000 mahery ny mpanatrika. Maro ny solontena nanao akanjo nentin-drazana tamin’ny andro farany tamin’ilay fivoriambe, ka nahafinaritra erỳ ny nijery ny lokon’izy ireo. Hoy ny anabavy iray: “Mbola tsy nanomboka ny fandaharana dia efa nifamihina ny rehetra sady nitomany.” I Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny vavaka farany, ary nitehaka sy nanofahofa tanana ela be ny rehetra avy eo. Mitovitovy amin’izay tsapan’ity anabavy 86 taona ity ny tsapan’ny mpanatrika maro: “Hoatran’ny hoe efa tany amin’ny tontolo vaovao aho.”

Variana koa ny manam-pahefana maro. Hoy ny anankiray: “Hafa mihitsy ity fivoriana ity. Tsy misy miteny ratsy, na mifoka sigara, na mitsako maintim-bazana. Niaraka tsara koa ny foko maro samihafa. Mbola tsy nahita hoatr’izao mihitsy aho!” Hoy i Maurice Raj: “Na ilay lehiben’ny tafika teto Yangon aza nilaza taminay hoe mbola tsy nahita hoatran’io mihitsy, hono, izy sy ny mpiara-miasa taminy.”

Niaiky ny solontena maro hoe nahita zavatra niavaka izy ireo. Hoy ny rahalahy iray teo an-toerana: “Honohono fotsiny no nandrenesanay an’izany fianakavian’ny mpirahalahy eran-tany izany, talohan’ilay fivoriambe. Ny masonay mihitsy anefa izao no mahita izany! Tsy hohadinoinay mihitsy ny fitiavana nasehon’ireo rahalahy.”

“Honohono fotsiny no nandrenesanay an’izany fianakavian’ny mpirahalahy eran-tany izany, talohan’ilay fivoriambe. Ny masonay mihitsy anefa izao no mahita izany!”

“Efa masaka hojinjaina”

Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, efa ho 2 000 taona lasa izay: “Atopazo ny masonareo ka jereo ny saha, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra.” (Jaona 4:35) Hoatr’izany koa ny eto Myanmar. Misy mpitory 3 790 izao eto, izany hoe mpitory 1 isaky ny mponina 15 931. Tena mbola betsaka ny asa. Nisy 8 005 ny mpanatrika Fahatsiarovana tamin’ny 2012, ka mbola betsaka ny vokatra hojinjaina.

Manaporofo an’izany ny zava-misy ao amin’ny Fanjakan’ny Rakhine, morontsiraka any akaikin’i Bangladesy. Efa ho efatra tapitrisa ny mponina ao, nefa tsy misy Vavolombelona ao na iray aza. Hoy i Maurice Raj: “Maharay taratasy maro avy any izahay isam-bolana. Misy mangataka boky sy gazety, ary misy te hianatra Baiboly. Mihamaro koa izao ny Bodista liana amin’ny fahamarinana, indrindra fa ny tanora. Mangataka amin’ilay Tompon’ny vokatra foana izahay mba handefasany mpiasa maro kokoa hijinja ny vokatra.”—Mat. 9:37, 38.

“Mangataka amin’ilay Tompon’ny vokatra foana izahay mba handefasany mpiasa maro kokoa hijinja ny vokatra”

Mpisava lalana be herim-po roa lahy no nitondra ny vaovao tsara teto amin’ity tanin’ny Bodista ity, efa ho 100 taona lasa izay. Olona an’arivony avy amin’ny foko maro samihafa no nandray ny fahamarinana hatramin’izay. Tsy nivadika tamin’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany mihitsy ireo Vavolombelon’i Jehovah eto Myanmar, na teo aza ny korontana, adilahy politika, fahantrana, fanenjehan’ny mpitondra fivavahana, ary ny loza araka ny natiora. Nisy fotoana koa izy ireo tsy afaka nifandray tamin’ny tany ivelany. Tapa-kevitra ny hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana anefa izy ireo, ary vonona “hiaritra tanteraka sady haneho fahari-po amim-pifaliana.”—Kol. 1:11.

^ feh. 2 Birmania no anarany taloha. Avy amin’ny hoe Bamar (Birmanina), izay foko lehibe indrindra eto, io anarana io. Nantsoina hoe Vondron’i Myanmar ilay firenena tamin’ny 1989 satria fitambarana foko be dia be. Birmania no ampiasaina ato raha zava-nitranga talohan’ny 1989, fa Myanmar kosa raha zava-nitranga taorian’izay.

^ feh. 8 Manana razambe anglisy sy karàna ireo metisy ireo. Zanatany anglisy i Inde tamin’izany, ary noheverina ho anisan’i Inde i Birmania. Metisy karàna an’arivony àry no nifindra teto.

^ feh. 8 I Bertram Marcelline no Vavolombelona vita batisa voalohany teto. Tsy nivadika izy mandra-pahafatiny, taloha kelin’ny 1970.

^ feh. 62 Vola be izany satria nitentina 95 dolara.

^ feh. 113 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

^ feh. 140 Fiteny 600 mahery izao no ampiasana MEPS.