Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ry rahalahy sy anabavy malala,

I Jehovah Raintsika any an-danitra no ohatra tsara indrindra amin’ny fitiavana. Milaza àry ny Baiboly hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Mahery Indrindra koa izy nefa tsy milaza mihitsy ny Teniny hoe: “Andriamanitra dia hery.” Ny fitiavana no toetra tena asehony rehefa mampihatra ny fahefany izy. Mahatonga antsika ho tia azy izany.

Soa ihany fa tsy manery antsika hanompo azy i Jehovah. Tsy manao didy jadona izy. Tiany raha fitiavana vokatry ny fo no mandrisika antsika hanompo azy. Asehontsika amin’izany fa manaiky ny fahefany isika satria mino hoe manao ny rariny sy be fitiavana izy. Efa niharihary izany raha vao nanomboka ny tantaran’ny olombelona.

Navelan’i Jehovah hisafidy i Adama sy Eva, fa tsy notereny hankatò azy. Tsy ho nanaiky hotaomin’i Satana hikomy izy mivady, raha tena tia an’i Jehovah sady nankasitraka ny zavatra nataony ho azy ireo.

Hoy i Mosesy, tatỳ aoriana, rehefa nanao ny lahateniny farany tamin’ny firenen’Israely: “Ataoko eo anatrehanao anio ny fiainana sy ny soa, ary ny fahafatesana sy ny loza.” (Deot. 30:15) Afaka nifidy izay fomba tiany hitondrany ny fiainany ny Israelita. Hoy koa i Josoa tamin’izy ireo: “Raha tsy tianareo ny hanompo an’i Jehovah, dia fidio anio izay hotompoinareo.” Hoy ny vahoaka avy eo: “Sanatria anay ny hahafoy an’i Jehovah.” (Jos. 24:15, 16) Tia an’i Jehovah koa isika, ka “sanatria” antsika ny hahafoy azy.

Tena Kristianina isika, ka fantatsika tsara ny dikan’ny hoe manan-tsafidy. Nomena fahefana hanoro hevitra sy hanasazy, ohatra, ny anti-panahy, kanefa tsy manjakazaka amin’ny hafa izy ireo sady tsy mibaikobaiko azy amin’izay fomba itondrany ny fiainany sy ny fomba anehoany finoana. Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy tompon’ny finoanareo anefa izahay fa mpiara-miasa kosa mba hahazoanareo fifaliana, fa ny finoanareo ihany no ijoroanareo.”—2 Kor. 1:24.

Tena afa-po isika rehefa manao zavatra an-tsitrapo fa tsy terena. Manasa antsika hanao ny tsara noho ny fitiavana i Jehovah. Tena zava-dehibe izany, araka ny tenin’i Paoly hoe: “Raha manome ny fananako rehetra aho mba hahazoan’ny hafa sakafo, ary manolotra ny tenako ho sorona mba hisy hireharehako, nefa tsy manam-pitiavana, dia tsy hisy tombony ho ahy velively izany.”—1 Kor. 13:3.

Tena faly i Jehovah mahita hoe rahalahy sy anabavy an-tapitrisany no manompo azy, noho izy ireo tia azy amin’ny fo manontolo! Voninahitra ho azy ny mahita izany.

Tena tian’i Jehovah ny mpanompony rehetra, anisan’izany ianareo ankizy sy tanora. Asehonareo mantsy hoe i Jehovah no tianareo fa tsy izao tontolo izao na ny fahafinaretana eo aminy. Matokia koa fa tena tia anareo izahay.—Lioka 12:42, 43.

Tena tia an’i Jehovah ianareo ry rahalahy sy anabavy ary ianareo tanora, ka nandany 1 748 697 447 ora tamin’ny fanompoana, tamin’ny taon-dasa. Mpitory 7 782 346 no nanompo teny amin’ny saha, noho ny fitiavana. Faly koa isika satria nisy 268 777 no natao batisa, ary anisan’izy ireo ny tanora maro. Midika izany fa nisy 5 168 teo ho eo no natao batisa, isaky ny faran’ny herinandro. Tena mahafaly antsika izany!

Miaina amin’ny andro farany isika, ka maro ny olana atrehin’ny vahoakan’i Jehovah, toy ny fanenjehana, aretina, ary ny fahanterana. Tapa-kevitra anefa isika fa tsy ‘hihemotra’ sy tsy ho “kivy.” Tena tia anareo rehetra izahay.—Heb. 10:39; 2 Kor. 4:16.

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah