Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zato Taona Lasa Izay 1913

Zato Taona Lasa Izay 1913

HOY i Herbert Kaufman, mpanao gazety amerikanina: “Efa lany andro ilay fiteny hoe ‘tsy vita izany.’ ... Saika tanteraka avokoa izao ireo nofinofy fahiny.” Hita tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1913 io teny io. Nanantena hoavy mamirapiratra mantsy ny olona teo am-piandohan’ny 1913.

Anisan’ny nahatonga ny olona ho be fanantenana ny fandrosoana. Nanokatra orinasa vaovao tao Highland Park, any Etazonia, ohatra, ny Orinasa Ford. Nidina be tampoka ny vidin’ny fiarakodia, ka olona an-tapitrisany no afaka nividy azy ireny. Inona no nahatonga izany? Nanana milina maro nanao asa mifampitohitohy ilay orinasa, ka vetivety dia nahavita iray tamin’ny fiara Ford T. Lasa mora àry ny vidiny.

Zavatra hafa kosa no nahabe fanantenana ny vahoakan’i Jehovah. Efa ela ny Mpianatra ny Baiboly no nilaza fa fotoana miavaka eo amin’ny tantaran’ny olombelona ny taona 1914. Hita hoe tena nazoto niasa izy ireo rehefa nihananatona io fotoana io.

Karta paostaly: Pasitera Russell, Tamin’izy Nitety An’i Etazonia

Nisy fivoriambe maro natao, nanomboka tamin’ny Jona 1913. Nisantatra izany ilay fivoriambe iray andro tao amin’ny Tanànan’i Kansas, Etazonia. Tao anatin’ny iray volana taorian’izay, dia nisy rahalahy sy anabavy 200 mahery nandeha tamin’ny lamasinina nohofana ary nitety ny faritra andrefan’i Etazonia sy Kanada. Afaka nangataka fanazavana fanampiny ny olona liana, tamin’ny fivoriambe tsirairay. An’arivony no nanao izany ary notsidihina izy ireny, tatỳ aoriana.

Niezaka mafy nanomana ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” ireo rahalahy tao Brooklyn, tamin’ny 1913. Horonan-tsary maharitra adiny valo izy io, ary ahitana lahateny sy feon-kira nampiarahina tamin’ny sary mihetsika sy tsy mihetsika. Nino ny Mpianatra ny Baiboly fa hahafahana mitory amin’ny olona an-tapitrisany izy io. Vao 5 100 teo ho eo ny mpitory tamin’izany, nefa natao tanjona ny “hampielezana azy io any amin’ny firenena maro araka izay azo atao.”

Inona no hitranga amin’ny 1914? Ho tian’ny olona ve ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”? Inona no hiseho amin’ny faramparan’ny 1914, rehefa tapitra ny Andron’ny Jentilisa? Tena te hahalala ny valin’izany ny Mpianatra ny Baiboly, sady natoky ny fanampian’i Jehovah.

Nandrava ny fanantenan’ny olona eran-tany ny Ady Lehibe I. Tsy voavaha ny olana natrehin’ny olona na teo aza ny fandrosoana. Taona niavaka ho an’ny Mpianatra ny Baiboly sy ho an’izao tontolo izao ny 1914.