Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Mandroso haingana be ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany. Ho hitanao ato ireo fandrosoana nandritra ny volana maromaro lasa.

Hafindra toerana ny Foibe

Nividy tany mirefy 102 hektara any New York ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Jolay 2009. Kasaina hafindra any mantsy ny foibeny. Tokotokony ho 80 kilaometatra any avaratrandrefan’ireo tranobe any Brooklyn, New York, no misy azy io. Efa hatramin’ny 1909 no nampiasana an’ireo tranobe ireo.

Betelita 800 eo ho eo no hipetraka sy hiasa any. Hisy tranobe efatra hatao fonenana, ary tranobe telo hatao birao sy fiasana ary fikojakojana. Hasiana tranombakoka tsotsotra koa any, mba hampirantiana ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny.

Hahatratra 18 hektara ny velaran-tany hisy trano amin’ny fitambarany. Tsy hokasihina kosa ny ambin’ny tany novidina, izay misy ala sy heniheny. Tsy ahi-maitso no ho hita manodidina an’ilay toerana fa ala. Nataon’ny mpanao mari-trano hitsitsy angovo ireo trano vaovao, mba hiarovana ny tontolo iainana sy hitsitsiana vola. Horakofana zavamaniry tsy dia mila fikarakarana, ohatra, ny tafontrano, amin’izay mihena ny fikorianan’ny ranon’orana ary ho antonony foana ny mari-pana ao an-trano. Ny hazavana avy amin’ny masoandro koa no hampiasaina amin’ireo birao, ary hatao izay hitsitsiana rano.

Inona no anton’ilay fifindrana? Tany Brooklyn ihany taloha no nanaovana pirinty an’ireo Baiboly sy boky ara-baiboly. Manao pirinty koa anefa izao ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any an-tany hafa. Nafindra tany Wallkill, any New York, ny fanaovana pirinty sy fandefasana entana ho an’ny faritr’i Etazonia, tamin’ny 2004. Tokotokony ho 145 kilaometatra any avaratrandrefan’i Brooklyn no misy azy io. Eo koa ny resaka vola. Mandany vola ny mikojakoja an’ireo trano maromaro efa tranainy sy mitsitokotoko any Brooklyn. Natao mifanakaiky àry ireo trano, mba hahafahana mampiasa tsara kokoa an’ireo vola fanomezana.

Maro ny biraon’ny sampana natambatra

Ireo sampana lehibe kokoa no lasa miandraikitra an’ireo sampana 30 eo ho eo, nanomboka tamin’ny Septambra 2012. Antony roa no nahatonga izany.

1. Nanatsotra ny asa ny fandrosoana. Lasa arifomba kokoa ny fitaovam-pifandraisana sy ny fanontam-pirinty, ka nihavitsy ny olona nilaina tany amin’ireo sampana lehibe. Lasa nalalaka àry ireny sampana ireny, ka afaka nandray mpiasa an-tsitrapo avy any amin’ny sampana kely.

Vavolombelona za-draharaha vitsivitsy ao amin’ny tany iray no miandraikitra ny asa any amin’ny tany maromaro. Ny sampan’i Meksika, ohatra, no lasa miandraikitra ny asa fitoriana any Costa Rica, Goatemalà, Honduras, Nikaragoà, Panama, ary Salvadaoro. Nakatona àry ny biraon’ny sampana any amin’ireo firenena enina ireo, ary nafindra any amin’ny sampan’i Meksika ny Betelita 40 tao amin’izy ireo. Nisy 95 eo ho eo kosa manompo manontolo andro ao amin’ny taniny ihany.

Lasa miasa amin’ny biraon’ny fandikan-teny mitokana ny mpandika teny any amin’ireo firenena any Amerika Afovoany ireo, ka ny sampan’i Meksika no miandraikitra azy. Vavolombelona 20 eo ho eo, ohatra, no mandika ny bokintsika ho amin’ny fiteny vitsivitsy any Panama. Vavolombelona 16 kosa no mandika ny bokintsika ho amin’ny fiteny efatra, any Goatemalà. Noho io fiovana tany Amerika Afovoany io, dia lasa 75 eo ho eo sisa no miasa amin’ny biraon’ny sampana any amin’iny faritra iny, raha 300 ny fitambaran’izy ireo teo aloha.

2. Afaka mitory bebe kokoa ireo mpanompo manontolo andro. Afaka mifantoka amin’ny fitoriana ny vaovao tsara ireo nanompo tany amin’ireo sampana kely, noho ilay fanovana. Hoy ny rahalahy iray atsy Afrika, izay voatendry hanompo eny amin’ny saha indray: “Tsy mora tamiko ilay fiovana, nandritra ny volana vitsivitsy voalohany. Faly sy nandray fitahiana be dia be anefa aho rehefa nanompo foana isan’andro. Manana fampianarana Baiboly 20 aho izao ary efa mivory ny sasany.”

Famantarana efa nisy hatry ny ela

Efa 40 taona mahery izao no nisy soratra menamena mirefy efatra metatra sy sasany, teo an-tampon’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any New York. Efa zatra mahita azy io ny mponin’i New York, na andro na alina, satria maro aminy no mijery ora sy mari-pana eo.

Efa nisy famantarana foana teo nandritra ny 70 taona mahery, talohan’ny nividianantsika an’ilay trano. Novantsika ilay famantarana tamin’ny 1969, rehefa novidina ilay trano.

Rahalahy mametaka an’ilay soratra hoe “Watchtower” (na Tilikambo Fiambenana), 1970

Novana imbetsaka izy io mba ho tsara sy marina kokoa. Natao nifandimby tamin’ny ora sy ny mari-pana amin’ny degre fahrenheit koa ny mari-pana amin’ny degre celsius, nanomboka tamin’ny 1985 tany ho any.

Mahatazana azy io avy eo an-tranony ao Brooklyn i Eboni. Hoy izy: “Tiako erỳ ny mankeo am-baravarankely mba hitazana ora sy mari-pana, isaky ny handeha hiasa. Sady tsy tara aho noho izy io no mahalala ny fitafiana tokony hanaovako.”

Mbola ho eo ve io famantarana io, ato anatin’ny 40 taona manaraka? Miankina amin’izay ho tompony eo indray izany, satria efa tsy ho ao intsony ny foibentsika.

Zava-baovao any Manhattan

Nisy Vavolombelona maromaro nampiasa latabatra sy tabilao fampirantiana misarika ny maso, mba hizarana ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Tany amin’ny faritra atsimon’i Manhattan, izay tanàna tranainy sy be olona indrindra any New York, no nanaovana izany, nanomboka tamin’ny Novambra 2011. Nozaraina efatra ilay faritra. Isaky ny faritra kosa asiana toerana maromaro, ahitana latabatra na tabilao misy boky ara-baiboly milamina tsara. Mpisava lalana no miandraikitra azy ireny. Eny amin’ny fiantsonan’ny fitateram-bahoaka na tsy lavitra an’izany ny ankamaroan’izy ireny, ary olona an’aliny no mandalo eny isan’andro.

Mpivady mpisava lalana manolotra gazety avy eo amin’ilay latabatra fampirantiana, ao amin’ny gara lehibe iray any New York

Misy olona afaka mamaly fanontaniana ara-baiboly eny amin’ireny toerana ireny. Azo atao koa ny maka boky fotsiny. Misy amin’ny fiteny maro izy ireny. Raha tsy misy boky amin’ny fiteny tadiavin’ilay olona eo, dia azo anafarana izy, ary azony alaina izany rehefa afaka andro vitsivitsy.

Maro no tia an’ilay ezaka manokana, anisan’izany ny manam-pahefana. Hoy ny polisy iray: “Maninona ianareo no izao vao manao azy ity? Tena ilain’ny olona ange ny zavatra avoakanareo e!” Nijanona ny lehilahy iray rehefa nahita ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Nahita olona namaky azy io, hono, izy dia nieritreritra hoe taiza no nahazoan-dry zareo an’ilay izy. Teo vao fantany hoe taiza.

Nandalo teo anoloan’ny latabatra iray ny tovolahy iray isan’andro, isaky ny handeha hiasa. Nijanona izy nony afaka iray volana sy tapany ary niteny hoe: “Mba ampio aho.” Faly nanampy azy ny olona niandraikitra an’ilay toerana. Nomena Baiboly izy ary natoro azy ny fomba handraisany soa avy amin’ilay izy. Maro ny mpandalo liana ka mijanona ary miresaka momba ny Baiboly. Tao anatin’ny valo volana monja, dia 1 748 no nilaza fa te hianatra Baiboly. Gazety 27 934 sy boky 61 019 no efa voazara hatramin’ny Jona 2012.

Mihena ny pejin’ireo gazety fa mitombo ny fiteny

Lasa 16 pejy ny Mifohaza! sy Ny Tilikambo Fiambenana ho an’ny besinimaro fa tsy 32 pejy intsony, manomboka ny Janoary 2013. Lasa vitsy kokoa ny lahatsoratra, ka ho afaka handika an’ireo gazety amin’ny fiteny maro kokoa ny mpandika teny. Adika amin’ny fiteny 98 izao ny Mifohaza! ary amin’ny fiteny 204 Ny Tilikambo Fiambenana. Mbola ho 32 pejy ihany anefa ny gazety fianarana.

Ao amin’ny tranonkala www.pr418.com ihany no ahitana ny lahatsoratra sasany tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, toy ny “Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora”, “Andao Hianatra Baiboly!” ary ny tatitra momba ny fizarana diplaoman’i Gileada. Toy izany koa ny “Natao Hodinihin’ny Mpianakavy” sy ny “Manontany ny Tanora”, izay fahita tao amin’ny Mifohaza!

Ao amin’ny Internet ihany no mipoitra ny andian-dahatsoratra sasany. Mamaly fanontaniana momba ny Baiboly sy ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireny. Azo alaina ao amin’ny Internet koa ireo boky sy gazety vita pirinty. Afaka mamaky lahatsoratra amin’ny fiteny 440 mahery ao amin’ny www.pr418.com izao ny olona, na ordinatera no ampiasainy na fitaovana entin-tanana.

Nohatsaraina ny tranonkalantsika

Niezaka nanatsara ny www.pr418.com ny Vavolombelona maromaro tao amin’ny Foibe, nandritra ny volana vitsivitsy. Natao manintona sy mora ampiasaina kokoa izy io, na ordinatera no ijerena azy na finday. Antony roa no nanaovana izany:

1. Mba ho iray ihany ny tranonkala ampiasaina. Natambatra ho tranonkala iray ireo tranonkala telo nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy miasa intsony ny www.watchtower.org sy ny www.jw-media.org. Ilay tranonkala ofisialy hoe www.pr418.com ihany izao no ampiasaina. Ho hita ao daholo ny fanazavana momba ny Vavolombelona sy ny boky avoakany. Azo atao ny mamaky teny, mihaino raki-peo, na manao pirinty pejina Baiboly na boky hafa, amin’ny fiteny maro.

Nanomboka niasa ilay tranonkala www.pr418.com nohavaozina, tamin’ny 27 Aogositra 2012

2. Mba ho maro kokoa ny fanazavana avoaka. Ahitana valim-panontaniana ara-baiboly ao amin’io tranonkala io. Eo koa ny fanazavana momba ny asa fitoriana, biraon’ny sampana, Efitrano Fanjakana, ary ny fivoriambentsika. Mitatitra ny vaovao mahakasika an’ireo rahalahy eran-tany ilay hoe “Vaovao.” Misy lahatsoratra ho an’ny fianakaviana sy ny tanora ary ny ankizy koa ao.

Mazàna no mahatratra ana hetsiny isan’andro ny olona mamaky an’ireo zavatra avoakantsika ao amin’ny Internet. Efa ho dimy hetsy ny raki-peo, na EPUB, na PDF, na video amin’ny tenin’ny tanana alain’izy ireo avy ao. Olona zato isan’andro no mangataka hampianarina Baiboly.

Fanampiana ny Olona Rehetra

Baiboly roa metatra

Efa misy amin’ny teny anglisy sy espaniola ary italianina izao ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo amin’ny soratra Braille. Boky 20 ka hatramin’ny 28 izany, ka toerana roa metatra eo amin’ny talantalana vao antonona azy. Tsy ny taratasy misy teboka mivohitra ihany anefa no ampiasain’ny jamba, fa misy fitaovana elektronika koa. Afaka mampiasa fitaovana entin-tanana mampivohitra sy mampiletsy teboka izy ireo mba hanoratana sy hamakiana rakitra elektronika. Mamadika ny soratra ho feo koa ny programa mpamaky efijery, ka azon’ny jamba ampiasaina hitadiavana boky sy hihainoana an’izay voasoratra ao anatiny.

Efa 100 taona mahery izay ny Vavolombelon’i Jehovah no namoaka boky ara-baiboly ho an’ny jamba, ary misy amin’ny fiteny 19 izany izao. Afaka mahazo an’ireny boky ireny maimaim-poana ny jamba, nefa manao fanomezana an-tsitrapo ny maro aminy.

Rahalahy Anthony Bernard, any Sri Lanka, mampiasa Baiboly Braille anglisy rehefa mitarika ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana

Namorona programan’ordinatera ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahafahana mamadika soratra amin’ny fiteny samihafa ho Braille. Raha vao tafapetraka ao amin’ilay programa ireo soratra pirinty sy ireo soratra Braille mifanitsy aminy, dia afaka mamadika lahatsoratra ho amin’ny soratra Braille ilay programa. Amboariny koa ny endriky ny pejy mba ho mora amin’ny jamba ny mamaky azy. Azo atao àry ny mamoaka boky sy gazety amin’ny soratra Braille, anisan’izany ny Baiboly. Azo atao amin’ny fiteny isan-karazany izany raha misy amin’ny soratra Braille ilay fiteny, na dia tsy mampiasa soratra romanina aza.

Hatramin’izay, rehefa misy boky vaovao avoaka any amin’ny fivoriambe, dia ilazana ny mpanatrika hoe azo hafarana any aoriana kely ny amin’ny soratra Braille. Nanao fanadihadiana anefa ny biraon’ny sampan’i Etazonia, tamin’ny 2011, mba hahalalana hoe aiza avy ireo jamba no hanatrika fivoriambe ary inona no tiany: Mamaky soratra amin’ny taratasy misy teboka mivohitra sa amin’ny fitaovana elektronika.

Nalefa tany amin’izay fivoriambe natrehiny ny an’ireo te hamaky amin’ny taratasy misy teboka mivohitra, ka nahazo boky vaovao niaraka tamin’ny besinimaro izy ireo. Nalefa e-mail kosa ny an’ireo nifidy ny rakitra elektronika, herinandro taorian’ny fivoriambeny.

Hoy ny Vavolombelona iray jamba: “Tena mahafinaritra ilay mahazo boky miaraka amin’ny olon-drehetra. Milaza ny Salamo 37:4 fa homen’i Jehovah antsika izay irin’ny fontsika. Izany mihitsy no nataony tamin’ity faran’ny herinandro ity!” Nisy iray hafa nitomany sady niteny hoe: “Misaotra an’i Jehovah aho fa mikarakara tsara anay izy.”

An’arivony no mianatra mamaky teny sy manoratra

Olona 5 700 mahery no nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah namaky teny sy nanoratra, tamin’ny 2011. Ireto misy tatitra vitsivitsy:

Ghana: Olona 9 000 mahery no nampianarina namaky teny sy nanoratra, tato anatin’ny 25 taona.

Kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra any Zambia

Mozambika: Olona 19 000 mahery no lasa mahay mamaky teny, tato anatin’ny 15 taona. Hoy i Felizarda: “Faly aho fa afaka mamaky Baiboly amin’ny hafa. Sarotra be tamiko izany taloha.”

Nosy Salomon: Nanoratra toy izao ny biraon’ny sampana: “Maro tamin’ireo nipetraka tany amin’ny toerana mitokana no tsy mba afaka nianatra. Vitsy koa ny ankizivavy nalefa tany an-tsekoly. Maro àry ny vehivavy lehibe nandray soa tamin’ilay kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra. Maro no lasa matoky tena kokoa, rehefa vita ilay fianarana.”

Zambia: Efa ho 12 000 no lasa nahay namaky teny kokoa, nanomboka tamin’ny 2002. Hoy i Agnes, 82 taona: “Tonga dia nisoratra anarana aho, rehefa nisy fampandrenesana hoe hisy kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra. Nahay nanoratra ny anarako aho tamin’izahay nanao ny lesona voalohany!”

Hira Fiderana Amin’ny Fiteny Maro

Mandika boky sy gazety amin’ny fiteny 600 eo ho eo izao ny Vavolombelon’i Jehovah. Hafa mihitsy ny mandika fihirana misy hira 135 satria tena sarotra. Voadika tamin’ny fiteny 116 anefa ny boky Mihirà ho An’i Jehovah manontolo, tao anatin’ny telo taona. Fihirana misy hira 55 kosa no vita amin’ny fiteny 55 hafa. Mbola maro no eo am-pandikana ny azy.

Nosy Salomon: Fiangonana mihira amin’ny teny pidgin fampiasa any

Miezaka mitady tononkira tsara sy misy dikany ary mora tadidy ireo mpandika hira. Atao tsotra koa ny fehezanteny tsirairay mba ho mora azo. Ampifanarahina tsara ny feon-kira sy ny tonony, amin’izay mba toy ny hoe avy ao am-pon’ilay mihira mihitsy ilay izy.

Ahoana no hahavitan’ny mpandika teny an’izany? Tsy mandika an’ireo tononkira amin’ny teny anglisy fotsiny izy ireo, fa mamorona tononkira vaovao mihitsy. Fomba fiteny eo an-toerana no ampiasainy, mba ho mora amin’ny olona ny mahazo sy mitadidy an’ilay tononkira. Ezahiny ampitaina foana anefa ny hevi-dehibe sy ny hevitra ara-baiboly ao amin’ny tononkira anglisy.

Adika ara-bakiteny aloha ny tononkira anglisy. Avy eo ilay tononkira voadika amboarin’ny Vavolombelona mahay mampiady rima, mba ho lasa kanto sy mahafinaritra. Averina dinihina ilay izy avy eo, sao tsy mifanaraka amin’ilay hevitra ara-baiboly intsony. Tsy mora ny mandika fihirana. Faly anefa ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany rehefa manao hira fiderana amin’ny fiteniny.

Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana

Resahin’ny Apokalypsy 22:17 fa hasain’ireo voahosotra ho avy “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina” ny olona. ‘Vahoaka avy amin’ny fiteny rehetra’ no hasaina. (Apok. 7:9) Niasa tany amin’ny biraon’ny sampana ny ankamaroan’ny mpandika teny hatramin’izay, na dia any an-toeran-kafa aza no ampiasaina ny teny adikany. Lasa tsy arak’izy ireo ny fivoaran’ilay fiteniny ary sarotra aminy ny manohina ny fon’ny mpamaky. Afindra any amin’ny toerana ampiasana an’ilay teny adikany anefa izao ny ekipana mpandika teny maro. Tena nahasoa izany.

Hoy ny anabavy iray mpandika teny maya, any Meksika: “Tsapako hoe toy ny zana-kazo naverina teo amin’ny tany naniriany aho.” Hoy ny rahalahy iray mpandika teny any amin’ny faritra atsimon’i Rosia: “Toy ny hoe ao amin’ny Paradisa ny mpandika teny rehefa miasa ao amin’ny toerana ampiasana an’ilay fiteny adikany. Tena tsy mitovy amin’izay ampiasaina ao amin’ny tele na boky na Internet mantsy ny fitenin’ny olona andavanandro. Rehefa mihaino ny olona miresaka andavanandro ihany izahay, vao mora azo ny teny adikanay.”

“Tsapako hoe toy ny zana-kazo naverina teo amin’ny tany naniriany aho”

Hoy ny rahalahy iray mpandika teny tshiluba, any Congo: “Mampiasa ny tenin-drazanay izahay isan’andro, ohatra hoe rehefa miantsena, miresaka amin’ny mpiara-monina, mitory, na mivory. Ny boky sy gazety adikanay ihany no ianaranay. Boky sy gazety amin’ny teny tshiluba no entinay mitory, ka tonga dia hitanay raha azon’ny olona ny zavatra adikanay.”

Hoy ny rahalahy iray mpandika teny lhukonzo, any Ogandà: “Faly erỳ izahay rehefa atao amin’ny fiteny ampiasainay sy adikanay ny fivoriana. Tianay kokoa ny mitory satria olona mampiasa ny tenin-drazanay no iresahanay.”

Mandray soa koa ny fiangonana anendrena azy ireo. Hoy ny anabavy iray miara-mivory amin’ny mpandika teny maya: “Mampahery anay ireo mpandika teny, na amin’ny teniny na amin’ny ataony. Toy ny hoe misy Betela kely eto aminay, ary tombontsoa be izany.”

Ekipa mpandika teny amin’ny teny luo any Kisumu, Kenya

Mandray fampaherezana koa ny mpandika teny. Hoy ny rahalahy iray any Kenya: “Tena vitsy ny boky amin’ny teny luo, ka gaga be ny olona atỳ mahita boky faran’izay tsara amin’ny tenin-drazany. Faly àry izy ireo mandray ny bokintsika. Tena mampahery ahy izany, ka vao mainka aho mazoto manao an’ilay asa sy manao izay fara heriko.”

Maro amin’ireny mpandika teny ireny no efa niasa tany amin’ny biraon’ny sampana nandritra ny taona maro, na am-polony taona mihitsy aza. Ankasitrahantsika izy ireo, satria manana toe-tsaina tsara sady vonona hanao loha laharana an’izay mahasoa ny ondrin’i Jehovah. Mahazo fitahiana koa izy ireo. Hoy ny rahalahy iray mpandika teny xhosa, any Afrika Atsimo: “Tena tsara ilay fanapahan-kevitry ny Filan-kevi-pitantanana hanisy biraon’ny fandikan-teny mitokana. Faly izahay nanompo tany amin’ny Betela, fa mbola faly kokoa izahay izao manompo eto amin’ny biraon’ny fandikan-teny.” Izany koa no tsapan’ny mpandika teny maro.

Fitantarana avy Amin’ny Firenena Maro

“Nikarakara tsara anay ireo rahalahy”

Nisy lozam-piaramanidina tany Nizeria, ny alahady 3 Jona 2012. Tany akaikin’i Lagos, tanàna be mponina sy lehibe indrindra any no nitrangan’izany. Maty daholo ny mpandeha 153. Tsy fantatra kosa ny isan’ny maty teo amin’ilay toerana nianjerany.

Lagos, Nizeria: Taorian’ilay lozam-piaramanidina

Nandona trano iray nisy rihana roa ilay fiaramanidina. Tao amin’ilay rihana faharoa ry Collins Eweh mianakavy no nipetraka, fa nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana ry zareo tamin’io fotoana io.

Hitan’i Collins sy Chinyere vadiny tamin’ny 3.35 tolakandro, nandritra ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, fa nisy antso be dia be tao amin’ny findainy saingy tsy noraisiny. Noraisin’i Chinyere ny antso iray raha vao vita ny fivoriana. Nilaza ny mpiara-monina taminy fa nirehitra ny trano nipetrahan-dry zareo. Hitan’izy ireo, nony tonga tany, fa hay nodonin’ny fiaramanidina ny tranony. Nianjera tamin’ny trano teo akaikiny ilay izy avy eo ary nirehitra.

Hoy i Chinyere: “Efa maty izahay hoatr’izay raha tao an-trano. Tsy nanana afa-tsy ireo akanjo nentinay nivory izahay, taorian’ilay loza, saingy velon’aina. Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky avy hatrany ny mpiandraikitra ny faritra, ary nikarakara tsara anay ireo rahalahy. Tena mankasitraka azy ireo izahay!”

Hoy i Collins: “Nanohitra ahy ny havako tamin’izaho lasa Vavolombelona. Niova anefa izy ireo izao. Hoy ny iray tamiko: ‘Mamaly vavaka ilay Jehovah ivavahanao. Aza miala aminy mihitsy fa manampy anao izy.’ Hoy koa ny iray: ‘Ataovy amin’ny fo manontolo foana izay rehetra ataonao ho an’Andriamanitra.’ Tena tsapanay hoe niaro anay i Jehovah. Faly be aho!”

Nekena ho ara-dalàna ny fivavahantsika

Budapest, Hongria: Itorian’ireo rahalahy ny mpizaha tany, na aiza na aiza ahitana azy

Namoaka lalàna vaovao momba ny fivavahana ny fitondrana any Hongria, tamin’ny 27 Febroary 2012, ka lasa nekena ho ara-dalàna ny fivavahantsika. Azo inoana fa hampandroso kokoa ny asa fitoriana any izany. Afaka amin’ny hetra koa ny Vavolombelon’i Jehovah noho izany, ary mahazo mandray fanomezana sy mitsidika fonja na hopitaly.

Fahatsiarovana hafakely

Nitantara ny Fahatsiarovana natrehiny tao amin’ny tanàna iray tsy lavitra ny nisy azy ny mpisava lalana manokana iray any Rundu, any Namibia. Be olona liana tao ka nanapa-kevitra ireo rahalahy fa hatao amin’ny teny rumanyo, fiteny eo an-toerana, ny Fahatsiarovana. Sambany vao nisy an’izany. Hoy izy: “Nahafinaritra ilay toerana nanaovana azy satria an-kalamanjana sady ny volana koa fenomanana. Jiro fanao am-paosy roa sy jiro solitany no nampiasaina.” Lasa nahatsiaro ho akaiky an’i Jehovah izy ireo. Iray ihany ny mpitory tao, ary nanomboka nitory izy io tamin’ny Martsa 2012. Nahatratra 275 anefa ny mpanatrika ny Fahatsiarovana!

Fitokanana Manome Voninahitra An’i Jehovah

Daty manan-tantara ho an’ny vahoakan’i Jehovah any Tchad sy Centrafrique ny 19 Novambra 2011. Niara-nivory teo anoloan’ny trano vaovaon’ny sampana ny rahalahy sy anabavy 269 tamin’io andro io, mba hitokana an’ilay Betela vaovao ho an’i Jehovah. Noresahina nandritra ny fandaharana ny tantaran’ny asa fitoriana tany. Nanomboka tamin’ny 1947 ny tany amin’i Centrafrique, ary tamin’ny 1959 kosa ny tany Tchad. Nohazavaina tamin’ny an-tsipiriany avy eo ny fanorenana sy ny asa rehetra nifandray tamin’izany. Faly ny mpanatrika nihaino ny lahateny fitokanana nataon’ny Rahalahy Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, rehefa avy novakina ny firarian-tsoa avy any amin’ny tany samihafa. Faly ireo Betelita 42 fa nahazo birao valo ho an’ny fandikan-teny, lakozia, efitra fisakafoana, ary toerana fanasan-damba mety tsara. Misy toerana fandraisana olona sy fandefasana entana, birao, trano fonenana misy efitra 22, ary toerana hafa koa ao, ka mirindra tsara ny asa.

Sambany vao nisy fitokanana biraon’ny sampana tany Congo

Rahalahy Jackson, manao lahateny fitokanana any Kinshasa, Congo

Fotoana niavaka ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Congo (Kinshasa) koa ny asabotsy 26 Mey 2012. Notokanana tamin’io mantsy ny tranon’ny sampana vaovao, taorian’ny fanorenana sy fanavaozana naharitra valo taona. Niavaka io fotoana io, satria sambany vao nisy fitokanana sampana tany Congo, na dia efa ho 50 taona aza no nisy biraon’ny sampana tany. I Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana. Nisy 2 422 ny mpanatrika, ka efa 40 taona mahery no vita batisa ny ankamaroany. Nisy vahiny 117 avy any amin’ny tany 23 koa tao. Nitantara zavatra mampahery ireo misionera sasany efa nanompo an-taonany maro tany Congo. Faly ny rehetra ary samy tapa-kevitra fa tsy hampiasa an’ireo trano ireo afa-tsy amin’ny fanompoana an’i Jehovah.

Raharaha Ara-pitsarana

Nomelohin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny fitondrana any Frantsa, tamin’ny 30 Jona 2011, satria nanitsakitsaka ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nasainy nandoavana hetra 60 isan-jato mantsy ny fanomezana voaray tany teo anelanelan’ny 1993 sy 1996. Nasain’ilay fitsarana nanao raharaham-pihavanana ny roa tonta. Tsy nanaiky anefa ny fitondrana frantsay satria ara-dalàna, hono, ilay fitakiana hetra. Namoaka didy àry ilay fitsarana tamin’ny 5 Jolay 2012, fa tsy maintsy manonitra ny zavatra nataony ny fitondrana frantsay. Tsy maintsy averiny daholo ny vola nalainy, izay mitentina 4 590 295 euros (na Ar 13 000 tapitrisa mahery), miampy ny zanabola nandritra ny fotoana nitanany an’ilay vola. Tsy maintsy mandoa 55 000 euros (na Ar 160 tapitrisa mahery) koa izy, mba hanonerana ny vola lanin’ny Vavolombelon’i Jehovah teny amin’ny fitsarana.

Maro ny Vavolombelona migadra any Érythrée, noho izy ireo tsy mety manohana ny ady. (Isaia 2:4) Maro no voasambotra tato anatin’ny 17 taona. Rahalahy sy anabavy 50 eo ho eo izao no migadra, ka anisan’izany ny vehivavy zokiolona sy ny zaza vao roa taona. Maty tamin’ny Jolay 2011 ny Rahalahy Misghina Gebretinsae. Izy no Vavolombelona voalohany maty tany amin’ny fonjan’i Érythrée. Nahiboka tao amin’ny trano fanitso kely nandritra ny herinandro izy talohan’io, ary voalaza fa tsy tena mazava ny antony nahafatesany. Miezaka miresaka amin’ny manam-pahefana izao ireo rahalahy, mba hanazavana fa tsy mikomy amin’ny fitondrana izy ireo, na dia tsy manohana ny ady aza.

Inde: Rahalahy iray mitsangana eo ivelan’ny fitsarana, alohan’ny hitondrana azy any am-ponja

Mbola iharan’ny herisetra foana ny Vavolombelon’i Jehovah any Inde rehefa mitory. Tevatevain’ny olona sy ampijaliny izy ireo na lahy na vavy, ary misy aza vehivavy 60 taona sy ankizy vao herintaona sy tapany. Nisy koa nalana akanjo na norahonana ho faty mihitsy. Manginy fotsiny ny fitsarana an-tendrony. Ny polisy anefa tsy mba manameloka an’ireo mpampijaly, fa ny Vavolombelona indray no gadrainy satria manao heloka bevava, hono. Matetika no asaina mandoa vola be ireo voasambotra vao mahazo fahafahana vonjimaika. Eo koa ny teny mahery sy ny fampijalian’ny polisy, sady amin’izay ilay voampanga tsy avela omena fanafody sy sakafo ary rano. Tsy maintsy miatrika fitsarana mandritra ny taona maro izy ireo avy eo, izay vao afahana madiodio. Efa nisy fitarainana maromaro nalefa tany amin’ny Vaomieram-pirenena Miaro ny Zon’olombelona ary manantena ireo rahalahy fa mba hahazo rariny.

Torkia: Mbola mazoto mitory ny Rahalahy Feti Demirtaş, na dia mafy aza ny mahazo azy

Nomelohin’ny mpitsara rehetra tao amin’ny Fitsarana Eoropeanina i Torkia, tamin’ny Novambra 2011, satria nanitsakitsaka ny zon’i Yunus Erçep. Vavolombelon’i Jehovah izy, ary nomelohina sy nogadraina satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Efa in-39 ny Rahalahy Erçep no nantsoina hanao raharaha miaramila, nanomboka tamin’ny Martsa 1998, ary efa in-30 mahery izy no niakatra fitsarana. Nasaina nandoa lamandy izy, nogadraina, ary notazonina tany amin’ny hopitalin’ny adala satria manimba ny sainy, hono, ny fivavahany.

Nametraka fitarainana tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina ny Rahalahy Erçep, tamin’ny Oktobra 2004. Nilaza ilay fitsarana tao amin’ny didy navoakany fa “ny zavatra inoany noho izy Vavolombelon’i Jehovah no mahatonga an’ilay voampanga tsy hanaiky hanao miaramila, fa tsy hoe te hiala andraikitra fotsiny izy na tsy te hisahirana.”

Vavolombelon’i Jehovah koa i Feti Demirtaş, ary tsy nanaiky hanao miaramila izy rehefa nantsoina tamin’ny 2005. Nosamborina izy, nokapohina, nakarina fitsarana, nogadraina herintaona sy tapany mahery, ary nafahana tamin’ny Jona 2007. Tsy nanaiky hiala tamin’ny finoany izy ka nosokajina ho anisan’ny marary saina. Nomelohin’ny Fitsarana Eoropeanina i Torkia satria feno habibiana ny fampijaliany ny Rahalahy Demirtaş sady tsy nohajainy ny zony hanaraka ny feon’ny fieritreretany.

Nitovy tamin’ilay didim-pitsarana manan-tantara, nivoaka tamin’ny Jolay 2011 (Bayatyan miady amin’i Armenia), ireo didim-pitsarana roa ireo. Nilaza ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao amin’ny Fitsarana Eoropeanina fa arovan’ny Fifanarahana Eoropeanina izay olona tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Tokony hanaja an’io didy io ny firenena rehetra ao anatin’ny Filan-kevitra Eoropeanina, anisan’izany i Torkia.

Nanameloka an’i Armenia koa ny Fitsarana Eoropeanina tamin’ny Janoary 2012, tamin’ilay raharaha Bukharatyan miady amin’i Armenia sy Tsaturyan miady amin’i Armenia. Manan-jo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ireo Vavolombelona ireo, nefa voahitsakitsaka ny zony. Nanonona an’ilay didim-pitsarana manan-tantara tamin’ilay raharaha Bayatyan miady amin’i Armenia ny fitsarana, rehefa namoaka an’ilay didy.

Mbola mampakatra fitsarana sy managadra an’ireo rahalahy tsy mety manao miaramila foana i Armenia, na teo aza ireny didim-pitsarana ireny. Efa neken’ny fitondram-panjakana ilay fanitsiana ny Lalàna Momba ny Fanompoana Sivily tamin’ny Martsa 2012, nefa mbola mila dinihin’ny antenimieram-pirenena. Matoky isika fa hankatò ny didy navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina ny fitondrana any Armenia, ka hanafaka an’ireo rahalahy mbola migadra.

Mbola enjehin’ny fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah any Azerbaïdjan. Misy manafika sy misambotra izy ireo rehefa mivory. Voarara ny bokiny ary alefa mody ireo Vavolombelona vahiny. Eo koa ny teny mahery sy ny fampijalian’ny polisy, ary ny fandrahonana hoe hofoanana ny fikambanany. Efa kely sisa dia ho tapitra ny fe-potoana maha ara-dalàna ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any, ka nangataka an’izany indray ireo rahalahy. Nolavin’ny Komitim-panjakana Misahana ny Fikambanana Ara-pivavahana anefa ilay fangatahana. Vao mainka àry ny polisy nanakorontana ny fivorian’ny Vavolombelona, nanelingelina ny fitoriany, ary nandrara ny fanafarana sy fizarana boky ara-baiboly. Nasain’ny fitsarana nandoa vola be ny Vavolombelon’i Jehovah, noho izy ireo mivory sy mizara boky sy gazety. Nasainy nandoa 1 909 dolara (na Ar 4 tapitrisa mahery), ohatra, ny anabavy iray, noho izy nivory tany Ganja. Manana zo hanaraka izay fivavahana tiany ny olona, araka ny voalazan’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Manitsakitsaka an’izany zo izany anefa i Azerbaïdjan, ka nisy fitarainana maro nalefa tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina. Manantena izy ireo fa mbola hifarana ilay fampijaliana indray andro any.

Mbola mampijaly sy manenjika ny Vavolombelon’i Jehovah foana ny polisy any Rosia. Tereny koa ny fitsarana hanameloka an’izay Vavolombelona manao asa kristianina. Nisy lalàna navoakan’ny fitsarana rosianina, ka ny 64 tamin’ny bokintsika, fara fahakeliny, no lasa voarara satria mampidi-doza, hono. Firenena maro no tsy nankasitraka an’io lalàna io. Nangataka ny handrarana ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe ny mpampanoa lalàna iray. Mampianatra ny ankizy momba an’i Jesosy Kristy io boky io, nefa lazainy fa mampidi-doza. Noraran’ny fitsarana any amin’ny faritra maro koa ny fijerena ny tranonkala ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nomen’izy ireo alalana hitsikilo ny fiainan’ireo rahalahy ny polisy. Afaka mametraka kamerà miafina, ohatra, izy ireo, na mamaky ny taratasin’ilay olona. Anontanintanian’ny polisy àry izay mpifanila trano tsy tia Vavolombelona, savany ny tranon’ireo rahalahy, ary alainy ny boky ara-baibolin’izy ireo na ny fananany. Efa nisy Vavolombelona nosamborina teny an-dalana, na teny ambony fiarany, na rehefa nivoaka ny lamasinina. Korontanin’ny polisy ny fivoriana, ary akariny fitsarana ny anti-panahy noho izy ireo mikarakara ny ondry eo anivon’ny fiangonana. Misy koa mpampanoa lalàna mangataka ny hanafoanana ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny faritra sasany.

Nisy Vavolombelona 17 nomelohina ho nanao heloka bevava tao Taganrog tamin’ny 12 Mey 2012, noho izy ireo niresaka ny finoany. Nofoanan’ny fitsarana ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’io tanàna io tamin’ny 2009 ary nalain’izy ireo ny Efitrano Fanjakana satria, hono, mpikomy ny Vavolombelona. Nafindra tany an-tranon’olona na tany amin’ny trano nohofana ny fivoriana. Izao anefa dia sakanan’ny fanjakana daholo izay asa rehetra mifandray amin’ny fivavahany. Tamin’ny Jolay 2012 indray, nisy mpivady mpisava lalana tany Chita, any Siberia, nomelohina ho nampirisika ny olona hifankahala, satria nizara an’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Samy voasazy hanao asa an-terivozona nandritra ny valo andro izy ireo. Nampakatra fitsarana an’ilay raharaha izy mivady.

Nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Eoropeanina tamin’ny 2007, tamin’ilay raharaha Kuznetsov sy ny Hafa miady amin’i Rosia sy tamin’ny 2010 tamin’ilay raharaha Vavolombelon’i Jehovah ao Moscou miady amin’i Rosia. Tsy miraharaha ny didy navoakan’io fitsarana io anefa ny fitondrana any Rosia. Nandefa fitarainana 19 tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina àry ny Vavolombelon’i Jehovah. Manantena izy ireo fa izay didy mivoaka eo dia mba hahatonga ny fitondrana rosianina tsy hanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah intsony sady hamela azy ireo ‘hanana fiainana tony sy milamina hatrany, ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sy ny fahamendrehana tanteraka.’—1 Tim. 2:2.

Mbola gadraina foana ny rahalahy tanora any Korea Atsimo, noho izy ireo tsy mety manao miaramila. Rahalahy 45 eo ho eo, isam-bolana, no miakatra fitsarana sy voasazy higadra herintaona sy tapany. Rahalahy 750 eo ho eo izao no migadra any Korea. Any no betsaka indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah migadra noho ny finoany, eran-tany. Vavolombelona 17 000 teo ho eo no nigadra tany, nanomboka tamin’ny 1950. Maherin’ny 32 000 taona ny sazin’izy ireo raha atambatra.

Nanao zavatra hafa indray ny fanjakana tamin’ny 2012, mba hanasaziana an’ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nasaina nandoa lamandy fotsiny ireo tsy manaiky hantsoina ho miaramila fiandry, teo aloha. Lasa ampidirina am-ponja indray anefa izao izay mandà izany. Koa satria miverimberina ny fiantsoana miaramila fiandry, dia lasa miakatra fitsarana imbetsaka ireo tsy manaiky hanao izany. Voasazy higadra valo volana, ohatra, i Ho-jeong Son, tamin’ny Novambra 2011. Sazy mihantona izany. Niakatra fitsarana indray izy, tamin’ny Jona 2012, ka voaheloka higadra enim-bolana. Mbola sazy mihantona koa io. Notazonina avy hatrany izy taorian’ilay fitsarana faharoa, ary nafahana vonjimaika rehefa afaka 29 andro. Nampakatra fitsarana mantsy izy, ka niandry ny valin’ilay izy. Herintaona sy roa volana izao ny saziny raha atambatra.

Rahalahy 45 eo ho eo, isam-bolana, no miakatra fitsarana sy voasazy higadra herintaona sy tapany, any Korea Atsimo

Efa imbetsaka ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona no nanasazy an’i Korea Atsimo, noho izy manitsakitsaka ny zon’ny olona hanaraka ny feon’ny fieritreretany. Efa nandefa fitarainana tany amin’io komity io sy tany amin’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana any Korea Atsimo ireo rahalahy, mba hamahana an’io olana io.