Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fifandonan’ny Mpanjaka Roa

Fifandonan’ny Mpanjaka Roa

Toko Fahatelo Ambin’ny Folo

Fifandonan’ny Mpanjaka Roa

1, 2. Nahoana isika no tokony ho liana amin’ilay faminaniana ao amin’ny Daniela toko faha-11?

TAFAHITSOKA tao anatin’ny ady mafy ho an’ny fahefana tampony ny mpanjaka roa mpifandrafy. Arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia nifandimby nahazo ny fahamboniana izy ireo. Indraindray, dia nitana ny fahefana tampony ny mpanjaka iray, fa ilay faharoa kosa tsy nihetsika, ary nisy fotoana tsy nifandonan’izy ireo. Avy eo anefa dia iny fa nisy ady iray hafa nipoaka tampoka, ary dia nitohy indray ilay fifandonana. Anisan’ireo nandray anjara tamin’io tantara mampangitakitaka io ilay mpanjaka syrianina natao hoe Séleucus I Nicator, ilay mpanjaka ejipsianina natao hoe Ptolémée Lagus, ilay andriambavy syrianina sady mpanjakavavy ejipsianina natao hoe Cléopâtre I, ireo emperora romanina natao hoe Aogosto sy Tiberio, ary ilay mpanjakavavin’i Palmyre natao hoe Zénobie. Rehefa hifarana ilay fifandonana, dia voaray tao koa i Alemaina Nazia, ny vondron’ireo firenena kôminista, ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, ny Fikambanam-pirenena ary ny Firenena Mikambana. Ny faran’ny tantara dia zavatra tsy azon’iza na iza amin’ireo fitondrana ara-politika ireo tsinjovina mialoha. Ny anjelin’i Jehovah no nanambara io faminaniana mampientanentana io tamin’i Daniela mpaminany, tokony ho 2 500 taona lasa izay. — Daniela, toko faha-11.

2 Toy inona moa ny fientanam-po tsy maintsy ho tsapan’i Daniela nahare ilay anjely nilaza taminy tamin’ny an-tsipiriany ilay fifandrafiana teo amin’ireo mpanjaka roa hipoitra ireo! Mahaliana antsika koa ilay izy, satria tonga hatratỳ amin’ny androntsika ny fiadian’ireo mpanjaka roa ireo ho amin’ny fahefana. Ny fahitana fa noporofoin’ny tantara ny fahamarinan’ny tapany voalohany amin’ilay faminaniana dia hanatanjaka ny finoantsika sy ny fatokisantsika fa tsy maintsy ho tanteraka ny tapany farany aminy. Raha mandinika io faminaniana io isika, dia hahita mazava tsara ny misy antsika eo amin’ny fandehan’ny fotoana. Izany koa dia hanamafy ny fahatapahan-kevitsika hihazona ny fialanalanantsika amin’ilay fifandonana, eo am-piandrasantsika amim-paharetana ny hanaovan’Andriamanitra zavatra ho antsika. (Salamo 146:3, 5). Liana mafy àry isika izao hihaino an’ilay anjelin’i Jehovah miteny amin’i Daniela.

FAMELEZANA NY FANJAKAN’I GRESY

3. Iza moa ilay notohanan’ilay anjely, “tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosa Mediana”?

3 “Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosa Mediana [539/538 al.f.i.]”, hoy ilay anjely, “dia nitsangana hampahery sy hanatanjaka azy aho.” (Daniela 11:1). Tsy velona intsony i Dariosy tamin’izay, nefa nampiasa ny fanjakany ho fiaingan’ny hafany ara-paminaniana ilay anjely. Io mpanjaka io ilay nandidy ny hamoahana an’i Daniela avy tao an-davaky ny liona. I Dariosy koa ilay nandidy ny tokony hatahoran’ny olom-peheziny rehetra an’ilay Andriamanitr’i Daniela. (Daniela 6:22-28). Kanefa, ilay nomen’ilay anjely ny fanohanany, fony izy nitsangana, dia tsy i Dariosy Medianina akory, fa ilay niaraka tamin’ilay anjely, dia i Mikaela — ilay andrianan’ny firenen’i Daniela. (Ampitahao amin’ny Daniela 10:12-14.) Nanome io fanohanana io ilay anjelin’Andriamanitra, fony i Mikaela nifanandrina tamin’ilay demonia andrianan’i Media-Persia.

4, 5. Iza avy ireo mpanjakan’i Persa efatra nambara mialoha?

4 Hoy ilay anjelin’Andriamanitra nanohy ny teniny: “Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra hanan-karena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery izy noho ny hareny, dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan’i Grisia.” (Daniela 11:2). Iza moa ireo mpanapaka persanina ireo?

5 Ireo mpanjaka telo voalohany dia i Kyrosy Lehibe sy i Cambyse II ary i Dariosy I. Koa satria tsy nanapaka afa-tsy fito volana monja i Bardiya (na angamba ny mpisandoka iray nantsoina hoe Gaumata), dia tsy nanisy fiheverana ny fotoana fohy nanjakany ilay faminaniana. Tamin’ny 490 al.f.i., dia nanandrana nanafika fanindroany an’i Gresy i Dariosy I, ilay mpanjaka fahatelo. Kanefa dia resy tanteraka ny Persanina tao Marathon, ka nihemotra nankany Azia Minora. Na dia niomana tamim-pitandremana ny hanafika indray an’i Gresy aza i Dariosy, dia tsy nahatanteraka izany talohan’ny nahafatesany, efa-taona tatỳ aoriana. Navela ho an’ny zanany lahy sady mpandimby azy, dia ilay mpanjaka “fahefatra”, i Ksersesy I, ilay izy. Io ilay Ahasoerosy Mpanjaka nanambady an’i Estera. — Estera 1:1; 2:15-17.

6, 7. a) Tamin’ny ahoana ilay mpanjaka fahefatra no ‘nanaitra ny olona rehetra hamely ny fanjakan’i Gresy’? b) Inona no vokatr’ilay fanafihan’i Ksersesy an’i Gresy?

6 I Ksersesy I dia tena ‘nanaitra ny olona rehetra hamely ny fanjakan’i Gresy’, izany hoe ny fitambaran’ireo fanjakana grika nahaleo tena. “Voambosin’ny tandapa mpandrobo sy fatra-paniry laza i Ksersesy”, hoy ny boky The Medes and Persians—Conquerors and Diplomats, “ka nandeha nanafika an-tanety sy an-dranomasina.” Nanoratra i Hérodote, mpahay tantara grika tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i., fa “toa tsy nisy fanafihana hafa nitovy tamin’io indray nitoraka io mihitsy”. Voalaza ao amin’ny soratra noraketiny fa ny tao amin’ny tafiny an-dranomasina dia “nahatratra 517 610 lahy tamin’ny fitambarany. Nisy 1 700 000 lahy ireo miaramilany nandeha an-tongotra; 80 000 ireo mpitaingin-tsoavaly; ary ireo dia tsy maintsy nampiana ireo Arabo nitaingin-drameva sy ireo Libyanina nitaingin-kalesy, izay tombanako ho 20 000 ny isany. Noho izany, ny tontaliben’ny tafika an-tanety sy an-dranomasina dia nahatratra 2 317 610 lahy”.

7 Fandresena tanteraka no zava-nokendren’i Ksersesy I, hany ka nampihetsika an’io tafika goavam-be io hamelezana an’i Gresy izy, tamin’ny 480 al.f.i. Rehefa avy nandresy ny paikadin’ny Grika hanakantsakana azy tany Thermopyles ny Persanina, dia nanamontsamontsana an’i Atena. Tao Salamisy anefa dia niharan’ny faharesena nahatsiravina izy ireo. Nandresy indray koa ny Grika tao Platées, tamin’ny 479 al.f.i. Tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo mpanjaka fito nandimby an’i Ksersesy teo amin’ny seza fiandrianan’ny Empira Persanina, nandritra ireo 143 taona nanaraka, nandeha niady tamin’i Gresy. Avy eo anefa dia iny fa nisy mpanjaka nahery iray nipoitra tany Gresy.

VOAZARAZARA HO EFATRA NY FANJAKANA LEHIBE IRAY

8. “Mpanjaka mahery” iza no nitsangana, ary tamin’ny ahoana izy no nanjary ‘nanapaka tamin’ny fanapahana lehibe’?

8 “Hisy mpanjaka mahery hitsangana, izay hanapaka amin’ny fanapahana lehibe sady hanao araka izay sitrapony”, hoy ilay anjely. (Daniela 11:3). Roa amby roapolo taona i Aleksandra raha ‘nitsangana’ ho mpanjakan’i Makedônia, tamin’ny 336 al.f.i. Tena tonga ‘mpanjaka nahery’ — Aleksandra Lehibe — tokoa izy. Voatosika hanaraka ny tetikadin’i Philippe II rainy izy, ka naka an’ireo provansy persanina tany Moyen-Orient. Nita ny ony Eofrata sy Tigra ireo miaramilany 47 000 lahy, ka nampiparitaka an’ireo andian-tafik’i Dariosy III nisy 250 000 lahy tao Gaugamelès. Nanaraka izany, dia nandositra i Dariosy ary dia novonoin’olona, ka nifarana teo ny tarana-mpanjaka persanina. Tonga ny firenena natanjaka indrindra eran-tany izao i Gresy, ary ‘nanapaka tamin’ny fanapahana lehibe sady nanao araka izay sitrapony’ i Aleksandra .

9, 10. Ahoana no nahitana fa marina ilay faminaniana hoe tsy ho lasan’ny taranany ny fanjakan’i Aleksandra?

9 Ho fohy ny fanapahan’i Aleksandra eran-tany, satria hoy ny teny nanampin’ilay anjelin’Andriamanitra: “Rehefa mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin’ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho an’ny taranany, na araka ny fanapahany izay nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an’ny hafa, fa tsy ho an’ireo.” (Daniela 11:4). Tsy feno 33 taona akory i Aleksandra, fony narary tampoka ka maty, tany Babylona, tamin’ny 323 al.f.i.

10 Tsy nolovan’ny “taranany” ny empira nidadasik’i Aleksandra. Tsy naharitra fito taona ny fanjakan’i Philippe III Arrhidée rahalahiny, izay novonoin’olona, araka ny baikon’i Olympias, renin’i Aleksandra, tamin’ny 317 al.f.i. I Aleksandra IV, zanak’i Aleksandra, dia nanapaka hatramin’ny 311 al.f.i., taona nahafatesany teo an-tanan’i Cassandre, iray tamin’ireo jeneralin-drainy. I Héraclès, zanak’i Aleksandra tamim-behivavy hafa, dia nitady hanapaka tamin’ny anaran-drainy, nefa dia novonoin’olona koa, tamin’ny 309 al.f.i. Izany no namarana ny taranak’i Aleksandra, ka dia niala tamin’ny fianakaviany “ny fanapahany”.

11. Tamin’ny ahoana ny fanjakan’i Aleksandra no ‘nozaraina ho amin’ny rivotra efatry ny lanitra’?

11 Nanaraka ny nahafatesan’i Aleksandra, dia ‘nozaraina ho amin’ny rivotra efatra’ ny fanjakany. Nifanditra ireo jeneraliny maro be, rehefa nandrombaka faritany. Nitady hifehy ny empiran’i Aleksandra manontolo ilay jeneraly toka-maso natao hoe Antigonus I. Maty an’ady tany Ipsus, any Frygia, anefa izy. Tamin’ny taona 301 al.f.i., dia efatra tamin’ireo jeneralin’i Aleksandra no nitana ny fahefana teo amin’ilay faritany nidadasika azon’ilay komandin’izy ireo. I Cassandre nanapaka tany Makedônia sy Gresy. I Lysimaque nahazo an’i Azia Minora sy i Thrace. I Séleucus I Nicator nahazo an’i Mezôpôtamia sy i Syria. Ary i Ptolémée Lagus naka an’i Ejipta sy i Palestina. Marina ilay teny ara-paminaniana, fa voazarazara ho fanjakana helenistika efatra ilay empira lehiben’i Aleksandra.

MPANJAKA MPIFANDRAFY ROA NO NIPOITRA

12, 13. a) Nahoana no roa sisa no tavela tamin’ireo fanjakana helenistika efatra? b) Tarana-mpanjaka inona no naorin’i Séleucus tany Syria?

12 Taona vitsivitsy taorian’ny nahazoany fahefana, dia maty i Cassandre, ary tamin’ny 285 al.f.i., dia naka ilay faritra eoropeanin’ny Empira Grika i Lysimaque. Tamin’ny 281 al.f.i., dia maty an’ady teo an-tanan’i Séleucus I Nicator i Lysimaque, ka i Séleucus no nanjary nifehy ny ankabeazan’ireo faritany tany Azia. Niakatra teo amin’ny seza fiandrianan’i Makedônia i Antigonus II Gonatas, zafikelin’ny iray tamin’ireo jeneralin’i Aleksandra, tamin’ny 276 al.f.i. Tatỳ aoriana, dia nanjary niankina tamin’i Roma i Makedônia, ary tonga provansy romanina tamin’ny farany, tamin’ny 146 al.f.i.

13 Roa monja tamin’ireo fanjakana helenistika efatra izao no mbola nitana toerana ambony — ny iray teo am-pelatanan’i Séleucus I Nicator ary ilay iray hafa teo am-pelatanan’i Ptolémée Lagus. Nanorina ny tarana-mpanjakan’ireo Séleucides tany Syria i Séleucus. Ny anisan’ireo tanàna naoriny dia i Antiokia — renivohitra vaovaon’i Syria — sy ny seranan’i Seleokia. Nampianatra tao Antiokia ny apostoly Paoly tatỳ aoriana, ary tao no niantsoana voalohany ny mpanara-dia an’i Jesosy hoe Kristianina. (Asan’ny Apostoly 11:25, 26; 13:1-4). Novonoin’olona i Séleucus tamin’ny 281 al.f.i., fa ilay tarana-mpanjaka natombony kosa nanapaka hatramin’ny 64 al.f.i., fony nanao an’i Syria ho provansy romanina ilay jeneraly romanina natao hoe Cnaeus Pompée.

14. Oviana no voaorina ny tarana-mpanjakan’ireo Ptolémées tany Ejipta?

14 Ilay fanjakana helenistika naharitra ela indrindra tamin’izy efatra dia ny an’i Ptolémée Lagus, na Ptolémée I, izay naka ny anaram-boninahitra hoe mpanjaka, tamin’ny 305 al.f.i. Ny tarana-mpanjakan’ireo Ptolémées naoriny dia nanohy nanapaka an’i Ejipta hatramin’ny nianjeran’izy io teo an-tanan’i Roma tamin’ny 30 al.f.i.

15. Mpanjaka natanjaka roa iza avy no nipoitra avy tamin’ireo fanjakana helenistika efatra, ary inona ilay ady natombok’izy ireo?

15 Araka izany, avy tamin’ireo fanjakana helenistika efatra, dia nisy mpanjaka natanjaka roa nipoitra — i Séleucus I Nicator, nanapaka an’i Syria, sy i Ptolémée I, nanapaka an’i Ejipta. Nanomboka tamin’ireo mpanjaka roa ireo ilay ady naharitra ela be nifanaovan’ny “mpanjakan’ny avaratra” sy ny “mpanjakan’ny atsimo”, voalaza ao amin’ny Daniela toko faha-11. Tsy notononin’ilay anjelin’i Jehovah ny anaran’ireo mpanjaka ireo, satria hiova foana izy ireo sy ny firenena hiaviany ao anatin’ireo taonjato hanaraka. Tsy nilaza tsipiriany tsy nilaina ilay anjely, ary tsy nanonona afa-tsy ireo mpanapaka sy fisehoan-javatra nifandray tamin’ilay fifandonana.

NANOMBOKA ILAY FIFANDONANA

16. a) Tany avaratr’iza sy tany atsimon’iza moa no nisy ireo mpanjaka roa? b) Mpanjaka iza avy aloha no “mpanjakan’ny avaratra” sy “mpanjakan’ny atsimo”?

16 Henoy! Hoy ilay anjelin’i Jehovah nilaza ny niandohan’io fifandonana nampangitakitaka io: “Hanjary hatanjaka ny mpanjakan’ny atsimo, dia ny iray amin’ireo andriandahiny [an’i Aleksandra]; ary izy [ny mpanjakan’ny avaratra] haharesy azy ka hanapaka tokoa amin’ny alalan’ny fanapahana lehibe kokoa noho ny fahefan’izy io.” (Daniela 11:5, NW ). Ny anarana hoe “ny mpanjakan’ny avaratra” sy hoe “ny mpanjakan’ny atsimo” dia manondro mpanjaka tany avaratra sy tany atsimon’ny nisy ny firenen’i Daniela, izay efa nafahana avy tamin’ny fahababoana babylonianina ary nampodiana tany amin’ny tanin’i Joda, tamin’izay. Ilay “mpanjakan’ny atsimo” voalohany dia i Ptolémée I tany Ejipta. Ny iray tamin’ireo jeneralin’i Aleksandra naharesy an’i Ptolémée I ary nanapaka “tamin’ny alalan’ny fanapahana lehibe” dia i Séleucus I Nicator, ilay mpanjaka syrianina. Izy no “mpanjakan’ny avaratra” tamin’izay.

17. Teo ambany fanapahan’iza moa ny tanin’i Joda, teo am-piandohan’ilay fifandonana teo amin’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo?

17 Teo am-piandohan’ilay fifandonana, dia teo ambany fanapahan’ny mpanjakan’ny atsimo ny tanin’i Joda. Nanomboka tamin’ny 320 al.f.i. tany ho any, dia nitaona ny Jiosy hanorim-ponenana tany Ejipta i Ptolémée I. Nisy mpanorim-ponenana jiosy niroborobo tao Aleksandria, tanàna nanorenan’i Ptolémée I tranomboky nalaza iray. Ary ireo Jiosy tany Joda dia tafajanona teo ambany fifehezan’ny mpanjakan’ny atsimo, dia i Ejipta notarihin’ireo Ptolémées, hatramin’ny 198 al.f.i.

18, 19. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, inona no nahatonga an’ireo mpanjaka mpifandrafy ireo ‘hahatsara ny fihavanany’?

18 Momba ireo mpanjaka roa ireo, dia hoy ny faminanian’ilay anjely: “Rehefa afaka taona vitsivitsy, dia hikambana izy roa lahy ireo; ary ho avy ny zanakavavin’ny mpanjakan’ny atsimo hankany amin’ny mpanjakan’ny avaratra hahatsara ny fihavanana; nefa tsy hahatana ny herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka na ny sandriny, fa hatolotra razavavavy sy ireo nitondra azy sy rainy niteraka azy mbamin’izay nampahery azy tamin’izany andro izany.” (Daniela 11:6). Ahoana no nahatanterahan’izany?

19 Tsy nanisy fiheverana an’i Antiochus I, zanak’i Séleucus I Nicator sady mpandimby azy, ilay faminaniana, satria tsy nanao ady nisy vokany lehibe tamin’ny mpanjakan’ny atsimo izy io. I Antiochus II, mpandimby azy io, kosa anefa dia niady nandritra ny ela be tamin’i Ptolémée II, zanak’i Ptolémée I. Tamin’izay dia i Antiochus II no mpanjakan’ny avaratra ary i Ptolémée II no mpanjakan’ny atsimo. Nanambady an’i Laodice i Antiochus II, ary nanan-janakalahy nantsoina hoe Séleucus II, izy ireo. I Ptolémée II kosa nanan-janakavavy nantsoina hoe Bérénice. Tamin’ny 250 al.f.i., dia ‘nanatsara ny fihavanany’ ireo mpanjaka roa ireo. Ny vidin’izany fifanekena izany dia ny fisarahan’i Antiochus II tamin’i Laodice vadiny, sy ny fanambadiany an’i Bérénice, “ny zanakavavin’ny mpanjakan’ny atsimo”. Nanan-janakalahy iray tamin’i Bérénice izy, ka izy io no nanjary mpandova ny seza fiandrianan’i Syria, fa tsy ireo zanakalahin’i Laodice.

20. a) Tamin’ny ahoana ny ‘sandrin’i’ Bérénice no tsy nahajanona? b) Tamin’ny ahoana no hoe natolotra i Bérénice sy “ireo nitondra azy” ary “izay nampahery azy”? d) Iza no nanjary mpanjakan’i Syria, rehefa verin’i Antiochus II ny ‘sandriny’, na ny heriny?

20 Ny ‘sandrin’i’ Bérénice, na hoe ny hery nanohana azy, dia i Ptolémée II rainy. Fony maty ny rainy tamin’ny 246 al.f.i., dia ‘tsy nahatana ny herin-tsandriny’ teo amin’ny vadiny izy. Nanilika azy i Antiochus II, ka nanambady an’i Laodice indray, ary nanambara ny zanany tamin’i Laodice ho mpandimby azy. Araka ny tetika nomanin’i Laodice, dia novonoin’olona i Bérénice sy ny zanany. Azo antoka fa toy izany koa no niafaran’ireo mpanompo nitondra an’i Bérénice avy tany Ejipta hankany Syria — “ireo nitondra azy”. Nopoizinin’i Laodice mihitsy aza i Antiochus II, ka ‘tsy nahajanona’ koa ny ‘sandriny’, na ny heriny. Noho izany àry, dia samy maty na ny rain’i Bérénice — “rainy niteraka azy” — na ny vadiny syrianina — izay “nampahery” azy vetivety. I Séleucus II, zanak’i Laodice, sisa no tavela ho mpanjakan’i Syria. Hanao ahoana ny fihetsik’ilay mpanjaka taranak’ireo Ptolémées nanaraka, teo anoloan’izany rehetra izany?

NAMALY FATY NY NAMONOANA NY ANABAVINY NY MPANJAKA IRAY

21. a) Iza moa ilay ‘solofo iray’ avy amin’ny ‘fakan’i’ Bérénice, ary tamin’ny ahoana izy no hoe ‘nitsangana’? b) Tamin’ny ahoana i Ptolémée III no ‘niditra ny fiarovana mafin’ny mpanjakan’ny avaratra’ ka naharesy azy?

21 “Hisy solofony anankiray avy tamin’ny fàkany hitsangana handimby azy, ka hihavian’izay ny miaramila, ary hidirany ny fiarovana mafin’ny mpanjakan’ny avaratra, ka hasiany ireo, dia hahery izy.” (Daniela 11:7). Ny ‘solofo iray’ avy amin’ny fakan’i Bérénice, izany hoe avy amin’ny ray aman-dreniny, dia ny anadahiny. Fony maty ny rainy, dia ‘nitsangana’ izy, ka tonga mpanjakan’ny atsimo, dia i Ptolémée III, Faraon’i Ejipta. Avy hatrany dia nikendry ny hamaly faty ny namonoana ny anabaviny izy. Rehefa nandroso hamely an’i Séleucus II, mpanjakan’i Syria, izay nampiasain’i Laodice mba hamono an’i Bérénice sy ny zanany, izy, dia niditra tao amin’ny “fiarovana mafin’ny mpanjakan’ny avaratra”. Naka ilay tapany nimanda tao Antiokia i Ptolémée III, ka namono ho faty an’i Laodice. Niantsinanana izy, ka namakivaky ny faritanin’ny mpanjakan’ny avaratra, ary nandroba an’i Babylonia sy nandroso hatrany Inde.

22. Inona no nentin’i Ptolémée III nody tany Ejipta, ary nahoana izy no ‘nijanona elaela tsy namely ny mpanjakan’ny avaratra’?

22 Inona no nitranga avy eo? Milaza izany amintsika toy izao ilay anjelin’Andriamanitra: “Ary ny andriamaniny koa mbamin’ny sarin-javatra an-idina sy ny fanaka tsara ananany, na ny volafotsy na ny volamena, dia hobaboiny avokoa; ary hijanona elaela tsy hamely ny mpanjakan’ny avaratra izy.” (Daniela 11:8). Roanjato taona mahery talohan’io, dia nandresy an’i Ejipta i Cambyse II, mpanjakan’i Persa, ary nitondra nody andriamanitra ejipsianina maro, dia ny ‘sarin-javany an’idina’. Izao àry dia nandroba an’i Sosa, renivohitry ny mpanjakan’i Persa teo aloha, i Ptolémée III, ka naka indray an’ireo andriamanitra ireo izay nentiny ho ‘babo’ tany Ejipta. Nitondra nody ‘fanaka tsara, na volafotsy na volamena’ maro be ho babo koa izy. Noho izy voatery nody mba hampitsahatra fikomiana iray tany, dia ‘nijanona tsy namely ny mpanjakan’ny avaratra’ i Ptolémée III, ka tsy nanafika azy intsony.

NAMALY FATY ILAY MPANJAKAN’I SYRIA

23. Nahoana ny mpanjakan’ny avaratra no ‘nody tany amin’ny taniny ihany’ rehefa avy niditra tao amin’ny fanjakan’ny mpanjakan’ny atsimo?

23 Nanao ahoana ny fihetsiky ny mpanjakan’ny avaratra? Izao no nolazaina tamin’i Daniela: “Ho tonga amin’ny fanjakan’ny mpanjakan’ny atsimo izy, nefa hody any amin’ny taniny ihany.” (Daniela 11:9). Namaly ny mpanjakan’ny avaratra — i Séleucus II, mpanjakan’i Syria. Niditra tao amin’ny “fanjakan’ny” mpanjakan’ny atsimo, dia ny mpanjakan’i Ejipta, izy, nefa resy. Vitsy kely no sisa tavela tamin’ny tafik’i Séleucus II, ary ireo no niarahany ‘nody tany amin’ny taniny’. Nihemotra nankany Antiokia, renivohitr’i Syria, izy ireo tamin’ny 242 al.f.i. tany ho any. Rehefa maty izy, dia i Séleucus III zanany no nandimby azy.

24. a) Inona no nanjo an’i Séleucus III? b) Tamin’ny ahoana i Antiochus III, mpanjakan’i Syria, no ‘avy tokoa ka nanerana toy ny safotra’ ny faritany nanapahan’ny mpanjakan’ny atsimo?

24 Inona no nambara mialoha momba ny taranak’i Séleucus II, mpanjakan’i Syria? Hoy ilay anjely tamin’i Daniela: “Fa hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy ny safotra; rehefa afaka izany, dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny fiarovana mafiny aza.” (Daniela 11:10). Tsy ampy telo taona akory, dia nifarana ny fanjakan’i Séleucus III, izay novonoin’olona. I Antiochus III rahalahiny no nandimby azy teo amin’ny seza fiandrianan’i Syria. Nanangona tafika maro be io zanak’i Séleucus II io, mba hanafihana ny mpanjakan’ny atsimo, izay i Ptolémée IV tamin’izay. Naharesy an’i Ejipta ilay mpanjakan’ny avaratra vaovao, dia ny mpanjakan’i Syria, ka nahazo indray ny seranan’i Seleokia, ny provansin’i Cœlésyrie, ny tanànan’i Tyro sy i Ptolémaïs, ary tanàna hafa teo akaiky. Naharesy tanteraka ny tafik’i Ptolémée IV Mpanjaka izy, ary naka tanàna maro tany Joda. Tamin’ny lohataonan’ny 217 al.f.i., dia nandao an’i Ptolemaïs i Antiochus III, ka nianavaratra, ‘niverina hatrany amin’ny fiarovana mafiny’, tany Syria. Tsinjo anefa tamin’izay fa hisy fiovana.

NIVADIKA NY RASA

25. Taiza i Ptolémée IV no nifanehatra hiady tamin’i Antiochus III, ary inona no ‘natolotra teo an-tanan’ny’ mpanjakan’ny atsimo, dia ny mpanjakan’i Ejipta?

25 Sahala amin’i Daniela, dia tsy andrintsika koa ny hahare izay hambaran’ilay anjelin’i Jehovah nanaraka. Hoy izy: “Hisafoaka ny mpanjakan’ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin’ny mpanjakan’ny avaratra, ary izy hanangona maro be; ary ny maro be dia hatolotra ho eo an-tànany.” (Daniela 11:11). Miaramila 75 000 no niaraka tamin’i Ptolémée IV, ny mpanjakan’ny atsimo, nianavaratra mba hanafika ny fahavalo. Ny mpanjakan’ny avaratra tamin’izay, i Antiochus III, mpanjakan’i Syria, dia efa nanangona “maro be” nisy 68 000 lahy mba hanohitra azy. ‘Natolotra teo an-tanan’ny’ mpanjakan’ny atsimo anefa ireo “maro be” ireo, tamin’ny ady iray tao amin’ny tanàna amorontsirak’i Raphia, tsy lavitra ny sisin-tanin’i Ejipta.

26. a) “Vahoaka” iza no nentin’ny mpanjakan’ny atsimo, tamin’ilay ady tao Raphia, ary inona avy no fepetran’ilay fifanekem-pihavanana natao tao? b) Tamin’ny ahoana i Ptolémée IV no ‘tsy nampiasa ny toerany nahery’? d) Iza no tonga mpanjakan’ny atsimo nanaraka?

26 Hoy ny tohin’ilay faminaniana: “Ary hoentina tokoa ilay vahoaka. Hanjary hisandratra ny fony, ary tena hahatonga an’aliny maro ho lavo izy; fa izy kosa tsy hampiasa ny toerany mahery.” (Daniela 11:12, NW ). ‘Nitondra’ miaramila Syrianina nandeha an-tongotra 10 000 sy miaramila nitaingin-tsoavaly 300 ho any amin’ny fahafatesana i Ptolémée IV, ilay mpanjakan’ny atsimo, no sady namabo 4 000 lahy. Nanao fifanekena ireo mpanjaka avy eo, ka i Antiochus III nihazona ny seranan’i Seleokia, tany Syria, fa namoy kosa an’i Foinika sy i Cœlésyrie. Noho io fandresena io, dia ‘nanjary nisandratra’, indrindra fa mba hanoherana an’i Jehovah, ny fon’ilay mpanjakan’ny atsimo, dia ny mpanjakan’i Ejipta. Tafajanona teo ambany fifehezan’i Ptolémée IV i Joda. Kanefa tsy ‘nampiasa ny toerany nahery’ izy io, mba hanohizana handresy ilay mpanjakan’ny avaratra, dia ny mpanjakan’i Syria. Nanjary nanaraka fomba fiaina feno filibana kosa i Ptolémée IV, ka i Ptolémée V zanany dimy taona, no tonga mpanjakan’ny atsimo nanaraka, taona vitsivitsy talohan’ny nahafatesan’i Antiochus III.

NIVERINA ILAY MPANARARAOTRA

27. Tamin’ny ahoana ny mpanjakan’ny avaratra no hoe niverina “rehefa afaka ny fe-taona” mba haka indray ireo faritany lasan’i Ejipta?

27 Noho ireo zava-bitany rehetra, dia nanjary nantsoina hoe Antiochus Lehibe i Antiochus III. Hoy ilay anjely momba azy: “Hiverina ny mpanjakan’ny avaratra ka hanangona olona maro be mihoatra noho ny teo; ary rehefa afaka ny fe-taona, dia ho avy tokoa izy ka hitondra miaramila maro sy fitaovana betsaka.” (Daniela 11:13). Ireo “fe-taona” ireo dia 16 taona na mahery taorian’ny nandresen’ny Ejipsianina ny Syrianina tany Raphia. Fony tonga mpanjakan’ny atsimo i Ptolémée V, izay mbola tanora, dia niainga niaraka tamin’ny “olona maro be mihoatra noho ny teo” i Antiochus III mba haka indray ireo faritany lasan’io mpanjakan’ny atsimo, dia ny mpanjakan’i Ejipta, io. Mba hahavitana izany, dia nikambana tamin’i Philippe V, mpanjakan’i Makedônia, izy.

28. Zava-nanahirana inona avy no hitan’ilay mpanjakan’ny atsimo mbola tanora?

28 Nanan-java-nanahirana koa ny mpanjakan’ny atsimo tao amin’ny fanjakany. “Amin’izany andro izany dia maro no hitsangana hamely ny mpanjakan’ny atsimo”, hoy ilay anjely. (Daniela 11:14a). Tena nisy maro tokoa ‘nitsangana namely ny mpanjakan’ny atsimo’. Tsy vitan’ny hoe nifanehatra tamin’ireo tafik’i Antiochus III sy ny Makedônianina mpiara-dia taminy ilay mpanjakan’ny atsimo mbola tanora, fa niatrika zava-nanahirana tany aminy, tany Ejipta, koa. Noho i Agathocle, ilay mpiahy azy sady mpanapaka teo amin’ny toerany, nizahozaho be nitondra ny Ejipsianina, dia maro no nikomy. Hoy ny teny nanampin’ilay anjely: “Ary ireo loza indrindra amin’ny firenenao dia hanandra-tena hahatò ny fahitana; nefa ho lavo izy.” (Daniela 11:14b). Na dia ny sasany tamin’ny firenen’i Daniela aza dia nanjary “loza indrindra”, na mpikomy. Izay “fahitana” nananan’ireny Jiosy ireny momba ny hamaranana ny fanapahan’ny Jentilisa tany an-tanindrazany anefa dia tsy marina, ka tsy hahomby izy ireo, na hoe “ho lavo”.

29, 30. a) Tamin’ny ahoana “ny sandrin’ny atsimo” no tsy nahatohitra ny fanafihana avy tany avaratra? b) Tamin’ny ahoana ny mpanjakan’ny avaratra no nanjary ‘nijanona tao amin’ilay tany mahafinaritra’?

29 Nanambara mialoha zavatra hafa toy izao ilay anjelin’i Jehovah: “Ho avy ny mpanjakan’ny avaratra hanandratra tovon-tany hanafaka ny tanàna mimanda; ary na ny sandrin’ny atsimo na ny olom-pidiny dia tsy hahomby, ary tsy hisy hery hahombiazany. Fa izay avy hamely azy dia hanao araka izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin’ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny an-tànany.” — Daniela 11:15, 16.

30 Tsy nahatohitra ilay fanafihana avy tany avaratra ireo tafika notarihin’i Ptolémée V, na ireo “sandrin’ny atsimo”. Tao Panéas (Kaisaria-filipo), dia nitarika an’i Scopas, jeneraly ejipsianina, sy 10 000 lahy voafantina, na hoe “olom-pidiny”, hiditra tao Sidona, izay ‘tanàna nimanda’, i Antiochus III. Tao izy dia ‘nanandratra tovon-tany [fanaovana fahirano, NW ]’, ka naka io seranan’i Foinika io, tamin’ny 198 al.f.i. Nanao “araka izay sitrapony” izy, satria tsy nahatsangana teo anatrehany ireo tafiky ny mpanjakan’ny atsimo, dia ny mpanjakan’i Ejipta. Avy eo i Antiochus III dia nandroso hamely an’i Jerosalema, renivohitr’i Joda, ilay “tany mahafinaritra”. Tamin’ny 198 al.f.i., dia nifindra avy teo an-tanan’ny mpanjakan’ny atsimo, dia ny mpanjakan’i Ejipta, ho eo an-tanan’ny mpanjakan’ny avaratra, dia ny mpanjakan’i Syria, ny fanapahana an’i Jerosalema sy i Joda. Ary dia nanomboka ‘nijanona tao amin’ilay tany nahafinaritra’ i Antiochus III, ilay mpanjakan’ny avaratra. Nisy ‘fandringanana teny an-tanany’ ho an’izay Jiosy sy Ejipsianina nanohitra rehetra. Hafiriana no hahafahan’io mpanjakan’ny avaratra io hanao araka izay tiany?

NANERY ILAY MPANARARAOTRA I ROMA

31, 32. Nahoana ny mpanjakan’ny avaratra no ‘nanao izay hahatsara ny fihavanana’ tamin’ny mpanjakan’ny atsimo tamin’ny farany?

31 Manome antsika izao valin-teny izao ilay anjelin’i Jehovah: “Hivonona tsara handeha amin’ny herin’ny fanjakany rehetra izy [ny mpanjakan’ny avaratra] ka hanao izay hahatsara ny fihavanana; ary homeny ny zanakavavin’ny vehivavy izy ka hahatonga loza aminy; ary tsy hahalavorary razazavavy, na hahasoa azy akory.” — Daniela 11:17.

32 ‘Nivonona tsara’ hanapaka an’i Ejipta ‘tamin’ny herin’ny fanjakany rehetra’ i Antiochus III, ilay mpanjakan’ny avaratra. Tamin’ny farany anefa dia ‘nanao izay hahatsara ny fihavanana’ tamin’i Ptolémée V, ilay mpanjakan’ny atsimo, izy. Nahatonga an’i Antiochus III hanova ny tetikadiny ireo fitakian’i Roma. Fony izy sy i Philippe V, mpanjakan’i Makedônia, nifanaraka mba hanohitra ilay mpanjakan’i Ejipta mbola tanora, ka haka ny faritanin’izy io, dia nitady ny fiarovan’i Roma ireo mpiahy an’i Ptolémée V. Nanararaotra ilay fahafahana hanitatra ny fitaomany i Roma, ka nampiseho ny heriny.

33. a) Inona avy ireo fepetram-pihavanana teo amin’i Antiochus III sy i Ptolémée V? b) Inona no zava-nokendrena tamin’ny fanambadian’i Cléopâtre I sy i Ptolémée V, ary nahoana no nandamòka ilay tetika?

33 Noteren’i Roma i Antiochus III, ka nanolotra fepetram-pihavanana ho an’ny mpanjakan’ny atsimo. Tsy namerina ireo faritany noreseny, araka ny notakin’i Roma, izy, fa nitetika ny hanao famindran-tanana anarany fotsiny, tamin’ny fampanambadiana an’i Cléopâtre I, zanany vavy — “ny zanakavavin’ny vehivavy” — sy i Ptolémée V. Ireo provansy nisy an’i Joda, ilay “tany mahafinaritra”, no ho haren-jazavavy hoentin’i Cléopâtre. Tamin’ilay fampakaram-bady, tamin’ny 193 al.f.i. anefa, dia tsy navelan’ny mpanjakan’i Syria ho lasan’i Ptolémée V ireo provansy ireo. Fanambadiana ara-politika fotsiny ilay izy, natao mba hahatonga an’i Ejipta hofehezin’i Syria. Nandamòka anefa ilay tetika, satria tsy ‘nahasoa azy akory’ i Cléopâtre I, fa niandany tamin’ny vadiny tatỳ aoriana. Rehefa nipoaka ny ady teo amin’i Antiochus III sy ny Romanina, dia niandany tamin’i Roma i Ejipta.

34, 35. a) Iza avy ireo “tany amorontsiraka” nitodihan’ny mpanjakan’ny avaratra? b) Ahoana no namaranan’i Roma ilay “latsa” avy tamin’ny mpanjakan’ny avaratra? d) Ahoana no nahafatesan’i Antiochus III, ary iza no tonga mpanjakan’ny avaratra nanaraka?

34 Nanampy teny toy izao momba ny fahavoazan’ny mpanjakan’ny avaratra ilay anjely: “Hitodika mankany amin’ny nosy izy [Antiochus III] ka hahalasa be; ary hisy mpanapaka [Roma] hampitsahatra ny latsa ataony, sady hatsingeriny [Roma] aminy ny latsa ataony [ataon’i Antiochus III]. Dia hitodika hankany amin’ny fiarovana mafy any amin’ny taniny izy [Antiochus III]; kanjo ho tafintohina sy ho lavo izy ka tsy ho hita.” — Daniela 11:18, 19.

35 Ireo “nosy”, na “tany amorontsiraka” (NW ), ireo dia i Makedônia sy i Gresy ary i Azia Minora. Nisy ady nipoaka tany Gresy, tamin’ny 192 al.f.i., ary voatosika ho any Gresy i Antiochus III. Tsy faly noho ny ezaka nataon’ny mpanjakan’i Syria haka faritany fanampiny tany, i Roma, ka nanapoaka ady taminy. Resin’ny Romanina io mpanjaka io tao Thermopyles. Tokony ho herintaona taorian’ny faharesena nahavoa azy tamin’ilay ady tany Magnésie, tamin’ny 190 al.f.i., dia voatery namoy ny zava-drehetra tany Gresy sy tany Azia Minora ary tany amin’ny faritra tany andrefan’ny Tendrombohitra Taurus, izy. Nitaky hetra navesa-be i Roma, ary nanorina ny fanapahany teo amin’ny mpanjakan’ny avaratra, dia ny mpanjakan’i Syria. Voatosika hiala tany Gresy sy Azia Minora i Antiochus III, no sady namoy saika ny andian-tsambony manontolo, ka ‘nitodika nankany amin’ny fiarovana mafy tany amin’ny taniny’, dia i Syria. ‘Natsingerin’ny Romanina taminy ny latsa nataony tamin’izy ireo’. Maty i Antiochus III teo am-pitadiavana handroba tempoly iray tao Elymaïs, any Persa, tamin’ny 187 al.f.i. “Lavo”, na hoe maty, àry izy, ary dia nodimbiasan’i Séleucus IV zanany, ilay mpanjakan’ny avaratra nanaraka.

NITOHY IHANY ILAY FIFANDONANA

36. a) Tamin’ny ahoana ny mpanjakan’ny atsimo no nitady hanohy ilay ady, ary inona no nanjo azy? b) Ahoana no nahalavoan’i Séleucus IV, ary iza no nandimby azy?

36 Nitady hahazo ireo provansy izay tokony ho azy, satria anisan’ny haren-jazavavin’i Cléopâtre, i Ptolémée V, ilay mpanjakan’ny atsimo, nefa nisy nanapoizina izy, ka nifarana teo ny ezaka nataony. I Ptolémée VI no nandimby azy. Ahoana ny amin’i Séleucus IV? Nila vola izy mba handoavana ilay hetra navesa-be tokony haloany tamin’i Roma, ka naniraka an’i Héliodore, mpitam-bolany, mba hamabo ireo harena voalaza fa voatahiry tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Naniry hahazo ny seza fiandrianana i Héliodore, ka namono ho faty an’i Séleucus IV. I Eumène, mpanjakan’i Pergamosy, sy i Attale rahalahiny anefa dia nametraka an’i Antiochus IV, rahalahin’ilay mpanjaka voavono, teo amin’ny seza fiandrianana.

37. a) Tamin’ny ahoana i Antiochus IV no nitady hiseho ho nahery noho i Jehovah Andriamanitra? b) Nitarika ho amin’inona ny fanazimbazimban’i Antiochus IV ilay tempoly tao Jerosalema?

37 Nitady hiseho ho nahery noho Andriamanitra, i Antiochus IV, ilay mpanjakan’ny avaratra vaovao, tamin’ny fitadiavana hanafoana ny fanompoam-pivavahana nalamin’i Jehovah. Nihantsy an’i Jehovah izy, tamin’ny fitokanana ny tempolin’i Jerosalema ho an’i Zeosy, na Jopitera. Tamin’ny Desambra 167 al.f.i., dia nisy alitaran’ny mpanompo sampy iray natsangana teo ambonin’ilay alitara lehibe tao amin’ny kianjan’ny tempoly, izay nanolorana fanatitra dorana isan’andro ho an’i Jehovah. Folo andro tatỳ aoriana, dia nisy fanatitra natolotra ho an’i Zeosy teo amin’ilay alitaran’ny mpanompo sampy. Io fanazimbazimbana io dia nitarika ny Jiosy hikomy, teo ambany fitarihan’ny Makabeo. Niady tamin’izy ireo nandritra ny telo taona i Antiochus IV. Tamin’ny 164 al.f.i., tamin’ny daty nitsingerenan’ilay fanazimbazimbana, dia notokanan’i Judas Maccabée ho an’i Jehovah indray ilay tempoly, ary naorina tamin’izay ny andro firavoravoana fitokanana — ny Hanoukka. — Jaona 10:22.

38. Ahoana no nifaranan’ny fanapahan’ny Makabeo?

38 Azo inoana fa nanao fifanekena tamin’i Roma ny Makabeo, tamin’ny 161 al.f.i., sy nanorina fanjakana iray, tamin’ny 104 al.f.i. Mbola nitohy ihany anefa ilay tsy fifanarahana teo aminy sy ny mpanjakan’ny avaratra, dia ny mpanjakan’i Syria. Tamin’ny farany, dia nangatahina mba hisalovana i Roma. Naka an’i Jerosalema ilay jeneraly romanina natao hoe Cnaeus Pompée, tamin’ny 63 al.f.i., rehefa avy nanao fahirano azy nandritra ny telo volana. Tamin’ny 39 a.f.i., dia nanendry an’i Heroda, izay Edomita, mba ho mpanjakan’i Jodia ny Antenimieran-doholona Romanina. Namarana ny fanapahan’ny Makabeo izy, ka naka an’i Jerosalema tamin’ny 37 al.f.i.

39. Inona no soa azonao avy tamin’ny fandinihana ny Daniela 11:1-19?

39 Toy inona moa ny fientanam-pontsika mahita fa tanteraka tamin’ny an-tsipiriany ny tapany voalohany amin’ilay faminaniana momba ireo mpanjaka roa! Toy inona tokoa moa ny fientanentanantsika nandinika akaiky ny tantara tao anatin’ny 500 taona teo ho eo, tatỳ aorian’ny nanomezana an’i Daniela ilay hafatra ara-paminaniana, ka namantatra ireo mpanapaka izay tonga mpanjakan’ny avaratra sy mpanjakan’ny atsimo! Kanefa, fitondrana ara-politika hafa indray no nitana ny toeran’ireo mpanjaka roa ireo, tao amin’ilay ady mbola nifanaovany ihany nandritra ny fotoana nandiavan’i Jesosy Kristy ity tany ity ka hatramin’izao androntsika izao. Rehefa mampifanaraka ireo fizotran-javatra ara-politika amin’ireo tsipiriany mahavariana ahariharin’io faminaniana io isika, dia ho afaka hamantatra ireo mpanjaka roa mifanandrina ireo.

INONA NO AZONAO?

• Iza avy ireo tarana-mpanjaka natanjaka roa nipoitra avy tamin’ireo fanjakana helenistika, ary inona no ady natombok’ireo mpanjaka ireo?

• Araka ny nambaran’ny Daniela 11:6 mialoha, inona no nahatonga an’ireo mpanjaka roa ‘hahatsara ny fihavanany’?

• Ahoana no nitohizan’ny fifandonana teo amin’

i Séleucus II sy i Ptolémée III (Daniela 11:7-9)?

i Antiochus III sy i Ptolémée IV (Daniela 11:10-12)?

i Antiochus III sy i Ptolémée V (Daniela 11:13-16)?

• Inona no zava-nokendrena tamin’ny fanambadian’i Cléopâtre I sy i Ptolémée V, ary nahoana no nandamòka ilay tetika (Daniela 11:17-19)?

• Inona no soa azonao avy tamin’ny fandinihana ny Daniela 11:1-19?

[Fanontaniana]

[Tabilao/Sary, pejy 228]

IREO MPANJAKA AO AMIN’NY DANIELA 11:5-19

Ny Mpanjakan’ny Ny Mpanjakan’ny

Avaratra Atsimo

Daniela 11:5 Séleucus I Nicator Ptolémée I

Daniela 11:6 Antiochus II Ptolémée II

(vadiny: Laodice) (zanany vavy: Bérénice)

Daniela 11:7-9 Séleucus II Ptolémée III

Daniela 11:10-12 Antiochus III Ptolémée IV

Daniela 11:13-19 Antiochus III Ptolémée V

(zanany vavy: Cléopâtre I) Mpandimby azy:

Mpandimby azy: Ptolémée VI

Séleucus IV sy

Antiochus IV

[Sary]

Vola vy mampiseho an’i Ptolémée II sy ny vadiny

[Sary]

Séleucus I Nicator

[Sary]

Antiochus III

[Sary]

Ptolémée VI

[Sary]

Nanorina io tempolin’i Horus io tany Idfu, any Ejipta Ambony, i Ptolémée III sy ireo mpandimby azy

[Sarintany/Sary, pejy 216, 217]

(Jereo ny boky)

Ny anarana hoe “mpanjakan’ny avaratra” sy “mpanjakan’ny atsimo” dia manondro ireo mpanjaka tany avaratra sy tany atsimon’ny tany nisy ny firenen’i Daniela

MAKEDÔNIA

GRESY

AZIA MINORA

ISRAELY

LIBYA

EJIPTA

ETIOPIA

SYRIA

Babylona

ARABIA

[Sary]

Ptolémée II

[Sary]

Antiochus Lehibe

[Sary]

Vato fisaka ahitana didy ofisialy navoakan’i Antiochus Lehibe

[Sary]

Vola vy mampiseho an’i Ptolémée V

[Sary]

Vavahadin’i Ptolémée III, ao Karnak, any Ejipta

[Sary, pejy 210]

[Sary, pejy 215]

Séleucus I Nicator

[Sary, pejy 218]

Ptolémée I