Hafa Indray no Mitana ny Toeran’ireo Mpanjaka Roa
Toko Fahefatra Ambin’ny Folo
Hafa Indray no Mitana ny Toeran’ireo Mpanjaka Roa
1, 2. a) Inona no nahatonga an’i Antiochus IV hilefitra teo anoloan’ny fitakian’i Roma? b) Oviana i Syria no tonga provansy romanina?
NANAFIKA an’i Ejipta i Antiochus IV, mpanapaka syrianina, ary nanendry tena ho mpanjaka tao. Araka ny fangatahan’i Ptolémée VI, mpanjaka ejipsianina, dia naniraka an’i Caïus Popilius Laenas, ambasadaoro, nankany Ejipta i Roma. Nitondra andian-tsambo mpiady maro be niaraka taminy i Laenas, ary koa baiko avy tamin’ny Antenimieran-doholona Romanina hoe tokony hahafoy ny toeran’ny mpanjakan’i Ejipta notanany i Antiochus IV ka hiala ao amin’io tany io. Nihaona tao Eleusis, faritanàna nanamorona an’i Aleksandria, ilay mpanjaka syrianina sy ilay ambasadaoro romanina. Nangataka andro i Antiochus IV mba hahafahany haka saina tamin’ireo mpanolo-tsainy. Nanoritra faribolana nanodidina an’ilay mpanjaka fotsiny anefa i Laenas ary nilaza taminy mba hanome valin-teny, alohan’ny handinganany an’ilay tsipika. Voaetry tamin’izany i Antiochus IV, ka nilefitra teo anoloan’ny fitakian’i Roma ary dia niverina tany Syria tamin’ny 168 al.f.i. Nifarana teo ilay fifanoherana teo amin’ny mpanjakan’ny avaratra, dia ny mpanjakan’i Syria, sy ny mpanjakan’ny atsimo, dia ny mpanjakan’i Ejipta.
2 Nandray anjara lehibe tamin’ny raharahan’i Moyen-Orient i Roma, ka nanohy nanjakazaka tany Syria. Noho izany, na dia mpanjaka avy tamin’ny taranak’ireo Séleucides aza no nanapaka tany Syria taorian’ny nahafatesan’i Antiochus IV tamin’ny 163 al.f.i., dia tsy nitana ny toeran’ny “mpanjakan’ny avaratra” izy ireo. (Daniela 11:15). Tamin’ny farany, dia tonga provansy romanina i Syria, tamin’ny 64 al.f.i.
3. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nahazoan’i Roma ny fahefana tampony tany Ejipta?
3 Mbola nanohy nitana ny toeran’ny “mpanjakan’ny atsimo” ihany ny tarana-mpanjakan’ireo Ptolémées tany Ejipta, Daniela 11:14). Tamin’ny ady tao Actium, tamin’ny 31 al.f.i., i Octavien, mpanapak’i Roma, dia naharesy an’ireo tafika nitambatry ny Mpanjakavavy Cléopâtre VII, ny farany tamin’ny mpanjaka Ptolémées, sy i Marc Antoine, sakaizany romanina. Namono tena i Cléopâtre tamin’ny taona nanaraka, ka tonga provansy romanina koa i Ejipta, ary dia tsy nitana ny toeran’ny mpanjakan’ny atsimo intsony. Tamin’ny 30 al.f.i., dia efa nahazo ny fahefana tampony teo amin’i Syria sy i Ejipta, i Roma. Moa ve isika izao tokony hanampo fa hisy fanapahana hafa hitana ny toeran’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny an’ny mpanjakan’ny atsimo?
nandritra ny 130 taona mahery kely taorian’ny nahafatesan’i Antiochus IV. (NANDEFA “MPITAKY IRAY” NY MPANJAKA VAOVAO IRAY
4. Nahoana isika no tokony hanampo fa hisy fitondrana hafa haka ny toeran’ny mpanjakan’ny avaratra?
4 Tamin’ny lohataonan’ny 33 am.f.i., dia nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy Kristy: “Raha hitanareo mitsangana ao amin’izay fitoerana masina ‘ny fahavetavetan’ny fandravana,’ izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany (...), dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra”. (Matio 24:15, 16). Nanonona ny Daniela 11:31 i Jesosy mba hampitandremana ny mpanara-dia azy ny amin’ny ‘fahavetavetan’ny fandravana’ iray ho avy. Io faminaniana mahakasika ny mpanjakan’ny avaratra io dia nomena tokony ho 195 taona taorian’ny nahafatesan’i Antiochus IV, ilay mpanjaka syrianina farany nitana io toerana io. Azo antoka àry fa tsy maintsy hisy fitondrana hafa hitana ny toeran’ny mpanjakan’ny avaratra. Ho iza àry izany?
5. Iza no nitsangana ho mpanjakan’ny avaratra, ka naka ilay toerana notanan’i Antiochus IV taloha?
5 Nanambara mialoha toy izao ny anjelin’i Jehovah Andriamanitra: “Hitsangana handimby azy [an’i Antiochus IV] indray ny anankiray izay hampandeha mpampiasa ho any amin’izay tsara indrindra amin’ny fanjakany; fa rehefa afaka andro vitsy, dia ho faty io, nefa tsy amin’ny fahatezerana, na amin’ny ady.” (Daniela 11:20). Io ‘nitsangana’ toy izany io dia ilay emperora romanina voalohany, natao hoe Octavien, fantatra tamin’ny hoe Aogosto Kaisara. — Jereo ny hoe “Ny Iray Nomem-boninahitra, ny Iray Novingavingaina”, eo amin’ny pejy faha-248.
6. a) Oviana no nisy “mpitaky iray” nampandehanina ‘tany amin’izay tsara indrindra tamin’ny fanjakana’, ary nahoana izany no zava-dehibe? b) Nahoana no azo lazaina fa maty ‘tsy tamin’ny fahatezerana, na tamin’ny ady’ i Aogosto? d) Iza indray izao no mpanjakan’ny avaratra?
6 Tafiditra tao amin’ilay ‘tsara indrindra tamin’ny fanjakan’i’ Aogosto ilay “tany mahafinaritra” — ny provansy romanin’i Jodia. (Daniela 11:16). Tamin’ny taona 2 al.f.i., dia nandefa “mpampiasa”, na “mpitaky iray” (NW ), i Aogosto, fony izy nandidy ny hisian’ny fisoratana anarana, na fanisam-bahoaka, angamba mba hahafantarany ny isan’ny mponina izay hampandoaviny hetra sy hantsoiny ho miaramila. Noho io didy io, dia nankany Betlehema mba hisoratra anarana tany i Josefa sy i Maria, ka teraka tao amin’io toerana efa nambara mialoha io i Jesosy. (Mika 5:1; Matio 2:1-12). Tamin’ny Aogositra 14 am.f.i. — “rehefa afaka andro vitsy”, izany hoe tsy ela taorian’ny nivoahan’ilay didy momba ny fisoratana anarana — dia maty i Aogosto, teo amin’ny faha-76 taonany, tsy ‘tamin’ny fahatezerana’ teo an-tanan’ny mpamono olona, na ‘tamin’ny ady’, fa vokatry ny aretina. Tena hafa tokoa izao no nitana ny toeran’ny mpanjakan’ny avaratra! Izao dia efa ny Empira Romanina, nasehon’ireo emperorany, io mpanjaka io.
‘NITSANGANA ILAY NOVINGAVINGAINA’
7, 8. a) Iza no nitsangana ho mpanjakan’ny avaratra teo amin’ny toeran’i Aogosto? b) Nahoana no nomena tsy sazoka an’ilay mpandimby an’i Aogosto Kaisara “ny voninahitry ny fanjakana”?
7 Nanohy naminany toy izao ilay anjely: “Hisy olona famingavinga hitsangana handimby io [Aogosto] indray, Daniela 11:21, 22.
izay tsy homena ny voninahitry ny fanjakana; fa hiditra tsy ampoizina izy ka hahazo ny fanjakana amin’ny fahafetsena, ary ireo miaramila toy ny safotra no hindaosina hiala eo anatrehany sady ho [tapaka izy ireo; ary ho toy izany koa ilay Mpitarika ny fanekena, NW ].” —8 Ilay “olona famingavinga” dia i Tiberio Kaisara, zanak’i Livie, vadin’i Aogosto fahatelo. (Jereo ny hoe “Ny Iray Nomem-boninahitra, ny Iray Novingavingaina”, eo amin’ny pejy faha-248.) Nankahala an’io zana-badiny, izay ratsy toetra, io i Aogosto, ka tsy tiany ny hahatonga azy io ho ny Kaisara nanaraka. Nomena azy io tsy sazoka “ny voninahitry ny fanjakana”, rehefa maty avokoa ny hafa rehetra nety ho mpandimby an’i Aogosto. Nanangana an’i Tiberio ho zanany tamin’ny taona 4 am.f.i. i Aogosto, ka nanao azy ho mpandova ny seza fiandrianana. Rehefa maty i Aogosto, dia ‘nitsangana’ i Tiberio, 54 taona — ilay novingavingaina — ka naka ny fahefan’ny emperora romanina sy ny an’ny mpanjakan’ny avaratra.
9. Ahoana no ‘nahazoan’i Tiberio ny fanjakana tamin’ny fahafetsena’?
9 “Nampiasa ny Antenimieran-doholona an-kafetsena i Tiberio”, hoy ny The New Encyclopædia Britannica, “ka tsy namela azy io hanao azy ho emperora nandritra ny efa ho iray volana [taorian’ny nahafatesan’i Aogosto].” Nilaza tamin’ny Antenimieran-doholona izy hoe i Aogosto ihany no afaka nizaka ilay enta-mavesatra ny amin’ny fitondrana ny Empira Romanina. Nangataka tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Antenimieran-doholona àry izy mba hampody
ny repoblika, tamin’ny fanankinana ny fahefana tamin’antokon’olona, fa tsy tamin’olon-tokana. “Tsy sahy nankato avy hatrany ny teniny ny Antenimieran-doholona”, hoy ny nosoratan’i Will Durant, mpahay tantara, “fa nifampiankohoka taminy teo, mandra-panaikiny ny handray fahefana tamin’ny farany.” Hoy ny teny nanampin’i Durant: “Samy nahay nilalao ny andaniny sy ny ankilany. I Tiberio moa naniry ny fanapahana tampony, raha tsy izany dia ho efa nahita fomba nialana taminy izy; ny Antenimieran-doholona kosa sady natahotra azy no nankahala azy, nefa tsy sahy namerina repoblika iray niorina tamin’ny antenimiera masi-mandidy anarany fotsiny, toy ilay teo aloha.” Araka izany àry, dia ‘nahazo ny fanjakana tamin’ny fahafetsena’ i Tiberio.10. Tamin’ny ahoana no hoe ‘tapaka ireo miaramila toy ny safotra’?
10 “Ireo miaramila toy ny safotra” — ny tafik’ireo fanjakana nanodidina — hoy ilay anjely, dia ‘hindaosina hiala sady ho tapaka’. Fony tonga mpanjakan’ny avaratra i Tiberio, dia i Germanicus Kaisara, zana-drahalahiny, no komandin’ny tafika romanina teo amin’ny Ony Rhin. Tamin’ny taona 15 am.f.i., dia nitarika ny miaramilany hamely an’i Arminius, nahery fon’ny Alemà, i Germanicus, ka toa nahazo fandresena ihany. Kanefa novidina lafo ireo fandresena sasantsasany ireo, ka nofaranan’i Tiberio avy eo ilay ady natao tany Alemaina. Ny nanangana ady an-trano tany kosa no nataony, mba hisakanana ireo foko alemà tsy ho tafaray. Tetikady fiarovana mazàna no tian’i Tiberio harahina, nifandray tamin’ny tany ivelany, ka ny fanamafisana ny sisin-taniny no nantitranteriny. Toa nahomby ihany io lalana narahiny io. Tamin’izany fomba izany, “ireo miaramila toy ny safotra” dia voafehy ka “tapaka”.
11. Tamin’ny ahoana no hoe ‘tapaka ilay Mpitarika ny fanekena’?
11 “Tapaka” koa ‘ny Mpitarika ilay fanekena’ nifanaovan’i Jehovah Andriamanitra tamin’i Abrahama mba hitahiana ny fianakaviana rehetra amin’ny tany. I Jesosy Kristy no ilay Taranak’i Abrahama nampanantenaina tao amin’io fanekena io. (Genesisy 22:18; Galatiana 3:16). Tamin’ny 14 Nisana 33 am.f.i., dia nitsangana teo anatrehan’i Pontio Pilato tao amin’ny lapan’io governora romanina io tao Jerosalema, i Jesosy. Niampanga azy ho namadika ny emperora ireo mpisorona jiosy. Hoy anefa i Jesosy tamin’i Pilato: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; (...) tsy avy amin’izany ny fanjakako.” Mba tsy hanafahan’ilay governora romanina an’i Jesosy tsy nanan-tsiny, dia nihiaka toy izao ny Jiosy: “Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan’i Kaisara hianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an’i Kaisara.” Rehefa avy nitaky ny hamonoana an’i Jesosy ho faty izy ireo, dia nilaza hoe: “Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.” Araka ny lalàna ny amin’ny “namelezana ny mpanjaka”, izay nitarin’i Tiberio mba hahafaoka saika ny teny fanaratsiana rehetra an’i Kaisara, dia natolotr’i Pilato i Jesosy mba ‘hotapahina’, na hoe hohomboana teo amin’ny hazofijaliana. — Jaona 18:36; 19:12-16; Marka 15:14-20.
‘NITETIKA NY TETI-DRATSINY’ NY MPIFEHY LOZABE IRAY
12. a) Iza no nifanaiky tamin’i Tiberio? b) Tamin’ny ahoana i Tiberio no hoe nanjary ‘nahery tamin’ny alalan’ny firenena kely iray’?
12 Mbola naminany momba an’i Tiberio ihany ilay anjely, raha nanao hoe: “Rehefa mifanaiky aminy io, dia hanao fitaka; fa hiakatra izy ka hahery [amin’ny alalan’ny firenena kely iray, NW ].” (Daniela 11:23). ‘Nifanaiky’ tamin’i Tiberio, araka ny lalàm-panorenana, ireo mpikambana tao amin’ny Antenimieran-doholona Romanina, ka dia niankina tamin’izy ireo izy, raha ny ara-dalàna. Feno fitaka anefa izy, ka nanjary ‘nahery tamin’ny alalan’ny firenena kely iray’. Io firenena kely io dia ny Mpiambina Pretôrianina Romanina, nitoby teo akaikin’ireo mandan’i Roma. Nahatonga ny Antenimieran-doholona hatahotra ny fisian’izy io teo akaiky teo, nefa nanampy an’i Tiberio hifehy izay fikomiam-bahoaka rehetra tamin’ny fahefany. Tamin’ny alalan’ny mpiambina tokony ho 10 000 àry, i Tiberio dia nihazona ny heriny.
13. Tamin’ny heviny ahoana i Tiberio no hoe nihoatra an’ireo razambeny?
13 Hoy ilay anjely, nanohy ny faminaniany: “Hiditra tsy ampoizina amin’ny fari-tany mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon’ny rainy na ny razany; hahàhany eny Daniela 11:24). Fatra-piahiahy olona tsy nisy ohatra izany i Tiberio, ary ny fotoana nanjakany dia feno vonoana olona, natao araka ny baikony. Noho i Séjan, komandin’ny Mpiambina Pretôrianina, indrindra, dia voamariky ny horohoro ny tapany farany tamin’ny fotoana nanjakany. Tamin’ny farany, na dia i Séjan aza dia nanjary nahiahiny ka nasainy novonoina. Nihoatra an’ireo razambeny i Tiberio, raha ny amin’ny fifehezana ny olona tamin-kalozana.
amin’ireny ny sambotra sy ny babo ary ny harena; ary [hitetika ny teti-dratsiny, NW ] izy ka hamely ny fiarovana mandra-pahalanin’ny fotoana.” (14. a) Tamin’ny ahoana i Tiberio no hoe nampihahaka “ny sambotra sy ny babo ary ny harena” nanerana ireo provansy romanina? b) Ahoana no niheveran’ny olona an’i Tiberio tamin’ny fotoana nahafatesany?
14 Nampihahaka “ny sambotra sy ny babo ary ny harena” nanerana ireo provansy romanina anefa i Tiberio. Tamin’ny fotoana nahafatesany, dia nanankarena avokoa ireo vahoakany rehetra. Tsy navesatra ny hetra, ary nahay nampiseho fahalalahan-tanana tamin’ireo tojo fahasahiranana mafy izy. Raha nisy miaramila na nanam-pahefana nampahory ny hafa na nampirisika tsy fanarahan-dalàna, dia afaka nanampo valifaty avy tamin’ny emperora izy ireo. Voahazona ny filaminam-bahoaka, satria voatana mafy ny fahefana, ary niroborobo ny varotra, satria nihatsara ny fifandraisana. Nataon’i Tiberio azo antoka fa tsy nisy fiangarana sy tsy niovaova ny fitantanan-draharaha tao Roma sy tany ivelany. Nohatsaraina ireo lalàna, ary toy izany koa ireo fitsipika ara-tsosialy sy ara-pitondran-tena, tamin’ny fanohizana ireo fanovana natombok’i Aogosto Kaisara. Na dia izany aza, dia ‘nitetika ny teti-dratsiny’ i Tiberio, hany ka nilaza azy ho mpihatsaravelatsihy, izay nahay niseho ho tsara ivelany, i Tacite, mpahay tantara romanina. Tamin’ny fotoana nahafatesany, tamin’ny Martsa 37 am.f.i., dia mpifehy lozabe no niheveran’ny olona an’i Tiberio.
15. Nanao ahoana i Roma teo amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany sy ny fiandohan’ny taonjato faharoa am.f.i.?
15 Ireo mpandimby an’i Tiberio nitana ny toeran’ny mpanjakan’ny avaratra, dia i Gaius Kaisara (Caligula), i Klaodio I, i Néron, i Vespasien, i Titus, i Domitien, i Nerva, i Trajan ary i Hadrien. “Ny ankamaroan’ireo mpandimby an’i Aogosto”, hoy
ny The New Encyclopædia Britannica, “dia nanohy nanaraka ny fomba fitantanany raharaha sy ny fandaharam-panorenany, saingy vitsy kokoa ny zava-baovao ary betsaka kokoa ny fampirantirantiana.” Hoy ihany koa io boky io: “Teo amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany sy ny fiandohan’ny taonjato faharoa, dia teo amin’ny fara tampon’ny fahamboniany sy ny isan’ny mponiny i Roma.” Na dia nanan-java-nanahirana teny amin’ny sisin-taniny aza i Roma tamin’io fotoana io, ilay fifanoherany voalohany tamin’ny mpanjakan’ny atsimo nambara mialoha, dia tsy nitranga raha tsy tamin’ny taonjato fahatelo am.f.i.TAITRA MBA HAMELY NY MPANJAKAN’NY ATSIMO IZY
16, 17. a) Iza no naka ny toeran’ny mpanjakan’ny avaratra voalaza ao amin’ny Daniela 11:25? b) Iza no nanjary naka ny toeran’ny mpanjakan’ny atsimo, ary ahoana no nitrangan’izany?
16 Notohizin’ilay anjelin’Andriamanitra toy izao ilay faminaniana: “Hanaitra ny heriny sy ny fony izy [ny mpanjakan’ny avaratra] hamely ny mpanjakan’ny atsimo amin’ny miaramila maro; ary ny mpanjakan’ny atsimo kosa hanafika mitondra miaramila maro sady mahery indrindra; nefa tsy hahajanona izy [ny mpanjakan’ny avaratra], satria hisy [hitetika teti-dratsy hamelezana, NW ] azy. Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra.” — Daniela 11:25, 26.
17 Tokony ho 300 taona taorian’ny nanaovan’i Octavien an’i Ejipta ho provansy romanina, dia nitana ny toeran’ny mpanjakan’ny avaratra i Aurélien, emperora romanina. I Septimie Zénobie, mpanjakavavin’i Palmyre, izay zanatany romanina, kosa nitana ny toeran’ny mpanjakan’ny atsimo. * (Jereo ny hoe “Zénobie — Ilay Mpanjakavavy Mpiadin’i Palmyre”, eo amin’ny pejy faha-252.) Naka an’i Ejipta ny tafik’i Palmyre tamin’ny 269 am.f.i., mba hoe ho azo antoka ny hahazoan’i Roma azy io, araka ny fihamboany. Naniry hanao an’i Palmyre ho ny tanàna lehibe indrindra tany atsinanana i Zénobie, ary naniry hanapaka teo amin’ireo provansy romanina tatsinanana. Taitra noho izany faniriany izany i Aurélien, ka nanaitra “ny heriny sy ny fony” hamely an’i Zénobie.
18. Ahoana no niafaran’ilay fifandonana teo amin’ny Emperora Aurélien, mpanjakan’ny avaratra, sy ny Mpanjakavavy Zénobie, mpanjakan’ny atsimo?
18 Ilay fitondrana notarihin’i Zénobie, izany hoe ny mpanjakan’ny atsimo, dia ‘nanafika’ ny mpanjakan’ny avaratra, ‘nitondra miaramila maro sady nahery indrindra’, notarihin’ny jeneraly roa, dia i Zabda sy i Zabay. Naka an’i Ejipta anefa i Aurélien ary avy eo dia nandeha nanafika an’i Azia Minora sy i Syria. Resy i Zénobie tao Émèse (Homs ankehitriny), ka nihemotra nankany Palmyre. Rehefa nanao fahirano an’io tanàna io i Aurélien, dia niezaka hiaro azy io tamin-kerim-po i Zénobie, saingy tsy nahomby. Nandositra nankany Persa izy sy ny zanany lahy, nefa dia voasambotry ny Romanina teo amin’ny Ony Eofrata. Navelan’ny mponin’i Palmyre ho azon’ny mpanafika ny tanànany, tamin’ny 272 am.f.i. Notsimbinin’i Aurélien ny ain’i Zénobie, izay nataony ho ny babo nisarika maso indrindra tao amin’ny filaharan’ny mpandresy nalaminy nanerana an’i Roma tamin’ny 274 am.f.i. Nanjary andriambavy romanina izy ary nijanona ho toy izany mandra-pahafatiny.
19. Ahoana no nahalavoan’i Aurélien ‘satria nisy teti-dratsy hamelezana azy’?
19 Na i Aurélien aza anefa ‘tsy nahajanona, satria nisy teti-dratsy hamelezana azy’. Tamin’ny 275 am.f.i., dia niainga hanafika ny Persanina izy. Tao Thrace, teo am-piandrasany ny fahafahana hita ireo andilan-dranomasina ho any Azia Minora, dia nampiasa teti-dratsy hamelezana azy, ireo izay ‘nihinana ny haniny’, ka ‘nahalavo’ azy. Handeha hampamoaka an’i Eros, mpitan-tsorany, izy, noho ny tsy fanarahan-dalàna sasany, nefa i Eros efa nanao lisitra nisy anaran’ny komandy sasany, izay nokendrena hovonoina. Rehefa nahita an’io lisitra io izy ireo, dia nioko hamono an’i Aurélien, ka dia namono azy.
20. Tamin’ny ahoana no hoe ‘nanerana toy ny safotra ny miaramilan’ny’ mpanjakan’ny avaratra?
20 Tsy nifarana tamin’ny fahafatesan’ny Emperora Aurélien akory ny anjara asan’ny mpanjakan’ny avaratra. Nisy * ny ‘miaramilan’ny’ mpanjakan’ny avaratra, ka maro ny ‘faty niampatrampatra’, noho ny fanafihan’ireo foko alemà avy tany avaratra. Nidiran’ireo Goths an-keriny ny sisin-tany romanina, tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i. Nitohy ihany ireo fanafihana, ary nisesy. Tamin’ny 476 am.f.i., dia nanaisotra an’ilay emperora farany nanapaka tao Roma ilay mpitarika alemà natao hoe Odoacre. Tamin’ny fiandohan’ny taonjato fahenina, dia efa rava ny Empira Romanina tany andrefana, ary mpanjaka alemà no nanapaka tany Afrika Avaratra, Bretagne, Espaina, Gaule ary Italia. Naharitra hatramin’ny taonjato faha-15 ny tapany atsinanana tamin’ilay empira.
mpanapaka romanina hafa taoriany. Nisy fotoana nahitana emperora iray tany andrefana ary iray hafa tany atsinanana. Teo ambany fitarihan’ireo lehilahy ireo, dia ‘nanerana toy ny safotra’, na hoe ‘nihahaka’,NIZARAZARA NY EMPIRA LEHIBE IRAY
21, 22. Fiovana inona avy no nataon’i Constantin tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i.?
21 Tsy nanome tsipiriany tsy ilaina momba ny nahalavoan’ny Empira Romanina, izay naharitra taonjato maro, ilay anjelin’i Jehovah, fa nanohy nanambara mialoha ireo asa miavaka hafa hataon’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo. Kanefa hanampy antsika hamantatra ireo mpanjaka roa mpifandrafy tatỳ aoriana, ny fijerena vetivety ny fizotran-javatra sasany tao amin’ny Empira Romanina.
22 Tamin’ny taonjato fahefatra, dia nanaiky tamin’ny fomba ofisialy ny Kristianisma nivadi-pinoana i Constantin, emperora romanina. Namory ary nitarika konsilin’ny eglizy iray tao Nicée, any Azia Minora, mihitsy aza izy, tamin’ny 325 am.f.i. Tatỳ aoriana, dia namindra ny fonenan’ny emperora tao Roma ho any Byzance, na Constantinople, i Constantin, ka nanao an’io tanàna io ho ny renivohiny vaovao. Notapahin’ny emperora tokana foana ny Empira Romanina hatramin’ny
nahafatesan’ny Emperora Théodose I, tamin’ny 17 Janoary 395 am.f.i.23. a) Fizarazarana inona no nitranga tao amin’ny Empira Romanina, taorian’ny nahafatesan’i Théodose? b) Oviana no nifarana ilay Empira Tatsinanana? d) Iza no nanapaka an’i Ejipta tamin’ny 1517?
23 Taorian’ny nahafatesan’i Théodose, dia nizarazara teo amin’ireo zanany lahy ny Empira Romanina. I Honorius nahazo ny tapany andrefana, ary i Arcadius ny tapany atsinanana, nisy an’i Constantinople renivohiny. I Bretagne, i Gaule, i Italia, i Espaina ary i Afrika Avaratra dia anisan’ireo provansy tao amin’ilay tapany andrefana. I Makedônia, i Thrace, i Azia Minora, i Syria ary i Ejipta kosa dia provansy tao amin’ilay tapany atsinanana. Tamin’ny 642 am.f.i., dia lavo teo an-tanan’ireo Sarrasins (Arabo) i Aleksandria, renivohitr’i Ejipta, ary tonga provansin’ireo filoha silamo i Ejipta. Tamin’ny Janoary 1449, dia nanjary ny emperora farany tany atsinanana i Constantin XI. Naka an’i Constantinople ireo Tiorka ôtômanina notarihin’i Mehmed II, mpanjaka silamo, tamin’ny 29 May 1453, ka namarana ny Empira Romanina Tatsinanana. Tamin’ny taona 1517, dia tonga provansy tiorka i Ejipta. Tatỳ aoriana anefa, dia lasa teo ambany fifehezan’ny empira iray hafa avy tany andrefana io tanin’ny mpanjakan’ny atsimo fahiny io.
24, 25. a) Araka ny mpahay tantara sasany, inona no nanamarika ny fiandohan’ny Empira Romanina Masina? b) Inona no niafaran’ilay anaram-boninahitra hoe “emperora” teo amin’ny Empira Romanina Masina, tamin’ny farany?
24 Tany amin’ny faritra andrefan’ny Empira Romanina, dia nipoitra ilay eveka katolikan’i Roma, ny Papa Léon I, izay nalaza noho izy nampiorina ny fahefan’ny papa tamin’ny taonjato fahadimy am.f.i. Tatỳ aoriana, ny papa dia nanapa-kevitra samirery ny hanendry ny emperoran’ny tapany andrefana. Izany dia nitranga tany Roma tamin’ny andro Krismasy tamin’ny 800 am.f.i., fony nanendry an’i Charles (Charlemagne), mpanjakan’ny Francs, ho emperoran’ny Empira Romanina Tandrefana vaovao, ny Papa Léon III. Namelona indray ny fahefan’ny emperora tao Roma io fanendrena io, ary araka ny mpahay tantara sasany, dia nanamarika ny fiandohan’ny Empira Romanina Masina. Nanomboka hatreo, dia sady nisy ny Empira
Tatsinanana, no nisy ny Empira Romanina Masina tany andrefana, ary samy nihambo ho kristianina izy roa ireo.25 Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia hita fa mpanapaka tsy nahay ireo mpandimby an’i Charlemagne. Nisy mihitsy aza fotoana tsy nahitana emperora teo amin’io toerana io. Nandritra izany fotoana izany, dia nanjary nifehy ampahany lehibe tamin’i Italia avaratra sy afovoany i Otton I, mpanjaka alemà. Nanendry tena ho mpanjakan’i Italia izy. Tamin’ny 2 Febroary 962 am.f.i., dia nanendry an’i Otton I ho emperoran’ny Empira Romanina Masina ny Papa Jean XII. Tany Alemaina ny renivohiny, ary alemà ny emperorany, ary toy izany koa ny ankamaroan’ny olom-peheziny. Dimanjato taona tatỳ aoriana, dia nahazo ilay anaram-boninahitra hoe “emperora” ny fianakavian-dry Habsbourg, tany Aotrisy, ary nihazona azy io nandritra ny ankamaroan’ireo taona farany nisian’ny Empira Romanina Masina.
FANTATRA MAZAVA TSARA INDRAY IREO MPANJAKA ROA
26. a) Inona no azo lazaina momba ny faran’ny Empira Romanina Masina? b) Iza no nipoitra ho mpanjakan’ny avaratra?
26 Nahatonga ny fahafatesan’ny Empira Romanina Masina i Napoléon I, rehefa tsy nety nanaiky ny fisian’izy io, taorian’ireo fandreseny tany Alemaina, tamin’ny taona 1805. Tsy nahavita niaro ny seza fiandrianany ny Emperora François II, ka niala tamin’ny toeran’ny emperora romanina notanany, tamin’ny 6 Aogositra 1806, mba ho emperoran’i Aotrisy, nanapaka teo amin’ny fireneny fotsiny. Nifarana ny Empira Romanina Masina — naorin’i Léon III, papa katolika romanina, sy i Charlemagne, mpanjakan’ny Francs — rehefa avy nanjaka 1 006 taona. Tamin’ny 1870, i Roma dia tonga ny renivohitry ny fanjakan’i Italia tsy niankina tamin’i Vatikana. Tamin’ny taona nanaraka, dia niforona ny empira zermanika iray, ka i Guillaume I no voalohany nantsoina hoe kaisara, na kaiser. Niseho sehatra àry ny mpanjakan’ny avaratra amin’ny andro maoderina — i Alemaina.
27. a) Ahoana no nahatongavan’i Ejipta ho tany nofehezin’i Grande-Bretagne? b) Iza no nanjary nitana ny toeran’ny mpanjakan’ny atsimo?
27 Iza anefa no ilay mpanjakan’ny atsimo amin’ny andro ankehitriny? Ny tantara dia mampiseho fa tonga empira i Grande-Bretagne tamin’ny taonjato faha-17. Naniry handrava ireo lalana fanaovam-barotra britanika i Napoléon I, ka nandresy an’i Ejipta tamin’ny 1798. Ady no naterak’izany, ary ny fifanekena iray teo amin’ny Britanika sy ny Ôtômanina dia nanery ny Frantsay hiala tao Ejipta, izay fantatra ho ny mpanjakan’ny atsimo teo am-piandohan’ilay fifandonana. Tamin’ny taonjato nanaraka, dia nitombo ny fahefan’ny Britanika tao Ejipta. Taorian’ny 1882, dia lasa faritany niankina tamin’i Grande-Bretagne mihitsy i Ejipta. Rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany tamin’ny 1914, dia fananan’i Torkia i Ejipta ary notarihin’ny khédive, na governora, iray. Rehefa niandany tamin’i Alemaina anefa i Torkia tamin’io ady io, dia nanongana an’ilay khédive i Grande-Bretagne, ary nanambara an’i Ejipta ho tany nofehezin’ny Britanika. Namboly fifamatorana akaiky tsikelikely i Grande-Bretagne sy i Etazonian’i Amerika, ka tonga ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Izy roa niaraka ireo no nanjary naka ny toeran’ny mpanjakan’ny atsimo.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 17 Koa satria anaram-boninahitra ny hoe “mpanjakan’ny avaratra” sy ny hoe “mpanjakan’ny atsimo”, dia afaka manondro na fitondrana inona na fitondrana inona izy ireo, na mpanjaka izany, na mpanjakavavy, na vondron-tany.
^ feh. 20 Jereo ny fanamarihana ambany pejy momba ny Daniela 11:26, ao amin’ny Les Saintes Écritures — Traduction du monde nouveau — avec notes et références, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
INONA NO AZONAO?
• Iza ilay emperora romanina voalohany nitsangana ho mpanjakan’ny avaratra, ary oviana izy no nandefa “mpitaky iray”?
• Iza no naka ny toeran’ny mpanjakan’ny avaratra taorian’i Aogosto, ary tamin’ny ahoana no hoe ‘tapaka ilay Mpitarika ny fanekena’?
• Ahoana no niafaran’ilay fifandonana teo amin’i Aurélien, mpanjakan’ny avaratra, sy ny Mpanjakavavy Zénobie, mpanjakan’ny atsimo?
• Inona no niafaran’ny Empira Romanina, ary fanjakana iza avy no naka ny toeran’ireo mpanjaka roa, tamin’ny faran’ny taonjato faha-19?
[Fanontaniana]
[Efajoro/Sary, pejy 248-251]
NY IRAY NOMEM-BONINAHITRA, NY IRAY NOVINGAVINGAINA
NY IRAY nanova ny repoblika iray rotidrotiky ny ady ho empira naneran-tany. Ny iray kosa nampitombo avo roapolo heny ny harenan’ilay empira, tao anatin’ny 23 taona. Ny iray nomem-boninahitra fony izy maty, fa ny iray kosa novingavingaina. Nifanindry tamin’ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany ny fanjakan’ireo emperora roan’i Roma ireo. Iza moa izy ireo? Ary nahoana ny iray no nomem-boninahitra, fa ny iray kosa tsy mba toy izany?
‘VITA BIRIKY NO NAHITANY AN’I ROMA, FA VOARAKOTRA MARBRA KOSA NO NAMELANY AZY’
Tamin’ny 44 am.f.i., fony i Jules César novonoin’olona, dia vao 18 taona monja i Caius Octavien, zafikelin’ny anabaviny. Noho izy zanaka natsangan’i Jules César sady mpandova azy lehibe indrindra, dia niainga avy hatrany ho any Roma i Octavien mbola tanora, mba haka ny lovany. Tao izy dia nifanehatra tamin’ny mpanohitra iray nahatahotra — i Marc Antoine, lietnà-sefon’i César, izay nanantena ny ho mpandova voalohany indrindra. Naharitra 13 taona ny fiokoana ara-politika sy ny ady ho an’ny fahefana nanaraka izany.
Rehefa avy naharesy an’ireo tafika nitambatr’i Cléopâtre, mpanjakavavin’i Ejipta, sy i Marc Antoine sakaizany, (tamin’ny 31 al.f.i.), i Octavien vao tafavoaka ho ny mpanapaka tsy azo nolavina teo amin’ny Empira Romanina. Tamin’ny taona nanaraka, dia samy namono tena i Antoine sy i Cléopâtre, ary dia nampidirin’i Octavien ho anisan’ny empirany i Ejipta. Voaesotra tamin’izay àry ny soritra farany tamin’ny Empira Grika, hany ka tonga ny firenena natanjaka indrindra eran-tany i Roma.
Tadidin’i Octavien fa ny fitondrana jadon’i Jules César no nitarika ny sasany hamono azy, ka nitandrina izy mba tsy hamerina io fahadisoana io. Koa mba tsy hanafintohinana ny Romanina izay tia kokoa ny hanana repoblika àry, dia mody nomeny endrika repoblika ny fanjakany. Tsy nanaiky ny anaram-boninahitra hoe “mpanjaka” sy “mpitondra tsy refesi-mandidy” izy. Tsy izay ihany
anefa, fa nanambara ny fikasany hamindra ny fifehezana ny provansy rehetra ho eo an-tanan’ny Antenimieran-doholona Romanina, izy, sy ny fikasany hahafoy ireo toerana notanany. Nandaitra ny paikadiny. Nankasitrahan’ny Antenimieran-doholona ilay izy, ka nasain’izy ireo nihazona ireo toerany sy nanohy nifehy ny sasany tamin’ireo provansy, i Octavien.Ambonin’izany, tamin’ny 16 Janoary 27 al.f.i., dia nanome an’i Octavien ny anaram-boninahitra hoe “Auguste”, izay midika hoe “Misandratra, Masina”, ny Antenimieran-doholona. Tsy vitan’ny hoe nanaiky ilay anaram-boninahitra i Octavien, fa nanova ny anaran’ny volana iray koa mba hitondra ny anarany, ary nakany andro iray ny Febroary, mba hitovy halava ny Aogositra sy ny Jolay, volana nitondra ny anaran’i Jules César. Nanjary ny emperora voalohan’i Roma àry i Octavien, ary avy eo dia fantatra tamin’ny hoe Kaisara Aogosto, na hoe “Mendrika Hohajaina”. Tatỳ aoriana, dia naka ny anaram-boninahitra hoe “pontifex maximus” (mpisoronabe) koa izy, ary tamin’ny 2 al.f.i. — ny taona nahaterahan’i Jesosy — dia nanome azy ny anaram-boninahitra hoe Pater Patriae, “Rain’ny Fireneny”, ny Antenimieran-doholona.
Tamin’io taona io ihany, dia “nisy didy navoak’i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran’ny vahoaka rehetra amin’ny fanjakany. (...) Dia samy nankany amin’ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana”. (Lioka 2:1-3). Ho vokatr’io didy io, dia teraka tao Betlehema i Jesosy, ho fahatanterahan’ny faminaniana ara-baiboly. — Daniela 11:20; Mika 5:1.
Toa voamariky ny fanaovana ny marina ihany ny fitondram-panjakan’i Aogosto, ary natanjaka ny vola. Nampiorina fomba fiasan’ny paositra nandaitra koa izy, ary nanao lalana sy tetezana. Nandamina indray ny tafika izy, sy namorona tafika an-dranomasina naharitra ary nametraka antoko-miaramila kalazalahy ho mpiambina ny emperora, fantatra tamin’ny hoe Mpiambina Pretôrianina. (Filipiana 1:13, fanamarihana ambany pejy). Noho ny fanohanany, dia niroborobo ny mpanoratra toa an’i Virgile sy i Horace, ary ny mpanao sary sokitra dia nahavita asa kanto araka ilay fomba fanao fantatra ankehitriny hoe fomba kilasika. Namita ireo trano tsy vitan’i Jules César i Aogosto ary nanavao tempoly maro be. Naharitra 200 taona mahery ny Pax Romana (“Fandriampahalemana Romanina”) izay naoriny. Tamin’ny 19 Aogositra 14 am.f.i., dia maty i Aogosto, teo amin’ny faha-76 taonany, ary avy eo dia nasandratra ho andriamanitra.
Nirehareha i Aogosto hoe ‘vita biriky no nahitany an’i Roma, fa voarakotra marbra kosa no namelany azy’. Tsy tiany hiverina ho repoblika, feno ady toy ny taloha, indray i Roma, ka nikasa ny hanomana ilay emperora nanaraka izy. Tsy nanan-tsafidy firy anefa izy, raha ny amin’izay handimby azy. Samy maty avokoa na ny zana-drahalahiny, na ny zafikeliny roa lahy, na ny vinantolahiny, na ny zana-badiny iray, ka ilay zana-badiny natao hoe Tiberio sisa no tavela handimby azy.
ILAY “OLONA FAMINGAVINGA”
Iray volana latsaka taorian’ny nahafatesan’i Aogosto, dia nanendry an’i Tiberio, 54 taona, ho emperora ny Antenimieran-doholona Romanina. Velona sady nanjaka hatramin’ny Martsa 37 am.f.i. i Tiberio. Noho izany, dia izy no emperoran’i Roma nandritra ny fanompoan’i Jesosy ampahibemaso.
I Tiberio Emperora dia sady nanana toetra tsara no nanana toetra ratsy. Anisan’ny toetra tsarany ny tsy faharisihana handany vola tamin’ny haitraitra. Ho vokatr’izany, dia nanankarena ilay empira ary nanana tahirim-bola hanampiana hiarina tamin’ny loza sy ny fotoan-tsarotra, izy. Azo omem-boninahitra i Tiberio, noho izy nihevi-tena ho olona tsotra fotsiny, sy nanda anaram-boninahitra fanajana maro, ary mazàna no nampitodika ny fivavahana tamin’ny emperora ho amin’i Aogosto fa tsy ho amin’ny tenany. Tsy nanome ny anarany ho an’ny volana iray tamin’ny kalandrie, toy ny nataon’i Aogosto sy i Jules César, izy, no sady tsy namela ny hafa hanome voninahitra azy tamin’izany fomba izany.
Betsaka lavitra noho ny toetra tsaran’i Tiberio anefa ny toetra ratsiny. Fatra-piahiahy olona sy mpihatsaravelatsihy tsy nisy ohatra izany izy teo amin’ny fifampiraharahany tamin’ny hafa, ary ny fotoana nanjakany dia feno vonoana olona, natao araka ny baikony, ka maro tamin’ireo namany taloha no anisan’ireo olona Jaona 19:12-16.
novonoiny. Nitariny ny lalàna ny amin’ny lèse-majesté (ny amin’ny namelezana ny mpanjaka) mba hahafaoka, tsy ny fitadiavana hikomy tamin’ny fanjakana ihany, fa teny fanaratsiana azy fotsiny koa. Azo heverina fa noho io lalàna io no naneren’ny Jiosy an’i Pontio Pilato, governora romanina, hampamono an’i Jesosy. —Notanan’i Tiberio ho teo akaikin’i Roma ny Mpiambina Pretôrianina, tamin’ny fanorenana trano fitobiana mafy, teo avaratr’ireo mandan’ilay tanàna. Ny fisian’ireo Mpiambina teo dia sady nampahatahotra ny Antenimieran-doholona, izay nandrahona ny fahefany, no nifehy izay tsy fankatoavana rehetra avy tamin’ny vahoaka. Nampirisika ny olona hitoroka ny hafa tany amin’ny manam-pahefana koa izy, ary dia voamariky ny horohoro ny tapany farany tamin’ny fanapahany.
Tamin’ny fotoana nahafatesany, dia noheverina ho mpifehy lozabe i Tiberio. Rehefa maty izy, dia nifaly ny Romanina ary tsy nety nanandratra azy ho andriamanitra ny Antenimieran-doholona. Noho ireo antony ireo sy ny hafa koa, dia hitantsika fa i Tiberio no nahatanteraka ilay faminaniana hoe “hisy olona famingavinga” hitsangana ho “mpanjakan’ny avaratra”. — Daniela 11:15, 21.
INONA NO AZONAO?
• Ahoana no nahatongavan’i Octavien ho ny emperora voalohan’i Roma?
• Inona no azo lazaina momba ireo zava-bitan’ny fitondram-panjakan’i Aogosto?
• Inona avy ireo toetra tsara sy toetra ratsin’i Tiberio?
• Amin’ny ahoana no hoe i Tiberio no nahatanteraka ilay faminaniana momba ilay “olona famingavinga”?
[Sary]
Tiberio
[Efajoro/Sary, pejy 252-255]
ZÉNOBIE — ILAY MPANJAKAVAVY MPIADIN’I PALMYRE
“ZARAZARA hoditra izy (...) Fotsy botsiaka ny nifiny, ary ny masony mainty baribary dia namirapiratra toy ny afo, ka tsy toy ny nahazatra, nefa malefaka mahafinaritra erỳ. Niteny tamin’ny feo mahery sy nirindra tsara izy. Ny fianarana nataony dia vao mainka nanamafy sy nanatsara ny fahazoany hevi-javatra, izay efa toy ny an-dehilahy. Nahay ny teny latina izy, nefa nahay tsara koa ny teny grika sy siriàka ary ejipsianina.” Toy izany no teny nideran’i Edward Gibbon, mpahay tantara, an’i Zénobie — ilay mpanjakavavy mpiadin’i Palmyre, tanàna tany Syria.
Ny vadin’i Zénobie dia ilay andriandahin’i Palmyre natao hoe Odenath, izay nasandratra ho manamboninahitra ambony tao Roma tamin’ny 258 am.f.i., ho mari-pankasitrahana, noho izy niady ho an’ny Empira Romanina, ka naharesy an’i Persa. Roa taona tatỳ aoriana, dia nahazo ny anaram-boninahitra hoe corrector totius Orientis (governoran’ny Atsinanana manontolo) avy tamin’i Gallien, emperora romanina, i Odenath. Izany dia ho fanekena ny nandreseny an’i Shâpur I, mpanjakan’i Persa. Tamin’ny farany, dia naka ilay anaram-boninahitra hoe “mpanjakan’ireo mpanjaka” i Odenath. Nety ho noho ny herim-po sy ny fahamalinan’i Zénobie indrindra indrindra no nahombiazan’i Odenath toy izany.
NANIRY HANORINA EMPIRA IRAY I ZÉNOBIE
Tamin’ny 267 am.f.i., teo amin’ny fara tampon’ny fisandratany, dia novonoin’olona i Odenath sy ilay mpandimby azy. Naka ny toeran’ny vadiny i Zénobie, satria mbola kely loatra ny zanany lahy. Tsara tarehy izy, feno fanirian-daza, nahay nitantan-draharaha, efa zatra nanao fanafihana niaraka tamin’ny vadiny, nahay fiteny maro nisosa tsara, ary nahavita nahazo ny fanajana sy ny fanohanan’ny olom-peheziny. Tena tia nianatra i Zénobie, ary niantso avara-pianarana maro hanampy azy. Ny iray tamin’ireo mpanolo-tsainy dia ilay filôzôfa sady mpikabary kinga natao hoe Cassius Longinus, izay nantsoina hoe “fitahirizam-boky
velona sady tahirim-pahalalana nandehandeha”. Nanamarika toy izao i Richard Stoneman, mpanoratra, tao amin’ilay boky hoe Palmyra and Its Empire—Zenobia’s Revolt Against Rome: “Tao anatin’ireo dimy taona nanaraka ny nahafatesan’i Odenath (...), dia nampiorina ny lazany ho andriambavin’ny Atsinanana, tao an-tsain’ny vahoakany, i Zénobie.”I Persa, izay efa naripak’i Zénobie sy ny vadiny ny tanjany, no teo amin’ny lafiny iray tamin’ny fanjakan’i Zénobie, ary i Roma, izay nihanirodana, no teo amin’ny ilany. Hoy i J. M. Roberts, mpahay tantara, momba ny toe-javatra tao amin’ny Empira Romanina tamin’izany fotoana izany: “Ny taonjato fahatelo dia (...) fotoana nahatsiravina ho an’i Roma, na teny amin’ny sisin-taniny atsinanana na teny andrefana, ary tao afovoan-tany dia nanomboka ny fe-potoana vaovaon’ny ady an-trano sy ny ady ho an’ny fandovana ny seza fiandrianana.
Emperora 22 (ankoatra ireo mpisandoka) no nisesy teo amin’ny fitondrana.” Ilay andriambavin’i Syria kosa, tetsy an-danin’izany, dia tafaorina tsara ho mpanjaka masi-mandidy tao amin’ny fanjakany. “Nahay nifehy tsara ireo empira roa [Persa sy Roma] izy”, hoy i Stoneman, “ka afaka naniry ny hanorina empira fahatelo iray izay hanapaka teo amin’izy roa ireo.”Nipoitra ny fahafahan’i Zénobie hanitatra ny fahefany, tamin’ny 269 am.f.i., fony niseho tao Ejipta ny mpisandoka iray nanohitra ny fanapahan’i Roma. Niroso haingana nankany Ejipta ny tafik’i Zénobie, nanamontsamontsana an’ilay mpikomy ary naka an’ilay tany. Nanendry tena ho mpanjakavavin’i Ejipta i Zénobie, ka nampanao vola vy nisy ny anarany. Izao ny fanjakany dia niitatra avy teo amin’ny ony Nil ka hatrany amin’ny ony Eofrata. Nanomboka hatreo i Zénobie no nitana ny toeran’ny “mpanjakan’ny atsimo”. — Daniela 11:25, 26.
NY RENIVOHITR’I ZÉNOBIE
Nanatanjaka sy nanatsara aoka izany an’i Palmyre, renivohiny, i Zénobie, hany ka nanjary anisan’ireo tanàn-dehiben’ny tontolo romanina izy io. Notombanana ho 150 000 mahery ny isan’ny mponina tao aminy. Feno tranom-panjakana, tempoly, zaridaina, andry ary tsangambato faran’izay kanto i Palmyre, tanàna voahodidina manda izay voalaza fa nahatratra 21 kilaometatra ny halavany. Nisy andry nitafo avy any Korinto, izay nahatratra 15 metatra mahery ny haavony, ary 1 500 teo ho eo ny isany, nanamorona ny arabeny lehibe indrindra. Feno sarivongana sy sary sokitra nampiseho olona mahery fo sy mpanasoa
nanankarena, ilay tanàna. Tamin’ny 271 am.f.i., dia nanangana sarivongana nampiseho ny tenany sy ilay vadiny vao maty, i Zénobie.Iray tamin’ireo trano kanto indrindra tao Palmyre ny Tempolin’ny Masoandro, izay tsy isalasalana fa nandray anjara lehibe teo amin’ny sehatra ara-pivavahana tao amin’ilay tanàna. Na i Zénobie aza dia nety ho nivavaka tamin’ny andriamanitra iray nifandray tamin’ilay andriamanitra-masoandro. Kanefa i Syria, tamin’ny taonjato fahatelo, dia tany nahitana fivavahana maro. Tao amin’ny fanjakan’i Zénobie, dia nisy Kristianina anarana sy Jiosy ary mpivavaka tamin’ny masoandro sy tamin’ny volana. Nanao ahoana ny fihetsik’i Zénobie teo anoloan’ireo endri-pivavahana maro samihafa ireo? Hoy i Stoneman, mpanoratra: “Tsy hanao tsirambina ny fomba amam-panao izay toa mety amin’ny vahoakany ny mpanapaka hendry iray. (...) Araka ny (...) nantenaina, ireo andriamanitra dia efa niandany tamin’i Palmyre.” Toa nahay nandefitra i Zénobie, raha ny amin’ny fivavahana.
Nanjary noderain’ny maro i Zénobie, noho ny toetrany nanaitra. Zava-dehibe indrindra ny toerana notanany, izay nampiseho fitondrana ara-politika iray nambara mialoha tao amin’ny faminanian’i Daniela. Tsy naharitra mihoatra ny dimy taona anefa ny fanjakany. Nandresy an’i Zénobie tamin’ny 272 am.f.i. ny Emperora Aurélien, ary avy eo dia nandroba tanteraka an’i Palmyre, izay tsy azo namboarina intsony. Nanehoany indrafo i Zénobie. Misy milaza fa nanambady senatera romanina iray izy, ary tsy nifandray tamin’olona intsony mandra-pahafatiny.
INONA NO AZONAO?
• Ahoana no nilazana ny toetran’i Zénobie?
• Inona avy no sasany tamin’ireo zava-bitan’i Zénobie?
• Nanao ahoana ny fihetsik’i Zénobie teo anoloan’ny fivavahana?
[Sary]
Ny Mpanjakavavy Zénobie miteny amin’ny miaramilany
[Tabilao/Sary, pejy 246]
IREO MPANJAKA AO AMIN’NY DANIELA 11:20-26
Ny Mpanjakan’ny Ny Mpanjakan’ny
Avaratra Atsimo
Daniela 11:20 Aogosto
Daniela 11:21-24 Tiberio
Daniela 11:25, 26 Aurélien Mpanjakavavy Zénobie
Ilay fahalavoan’ny Fiforonan’ny Fiforonan’i
Empira Romanina Empira Alemà Grande-Bretagne,
nambara mialoha narahin’ny
dia nitarika Firenena Matanjaka
ho amin’ny Anglisy-Amerikanina
[Sary]
Tiberio
[Sary]
Aurélien
[Sary]
Sarivongana kely mampiseho an’i Charlemagne
[Sary]
Aogosto
[Sary]
Sambo mpiady britanika, taonjato faha-17
[Sary, pejy 230]
[Sary, pejy 233]
Aogosto
[Sary, pejy 234]
Tiberio
[Sary, pejy 235]
Noho ilay didin’i Aogosto, dia nankany Betlehema i Josefa sy i Maria
[Sary, pejy 237]
Araka ny nambara mialoha, dia “tapaka” i Jesosy, fony izy maty
[Sary, pejy 245]
1. Charlemagne 2. Napoléon I 3. Guillaume I Miaramila alemà, Ady Lehibe Voalohany