Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manatona ny Hiafarany Ireo Mpanjaka Mpifanandrina

Manatona ny Hiafarany Ireo Mpanjaka Mpifanandrina

Toko Fahenina Ambin’ny Folo

Manatona ny Hiafarany Ireo Mpanjaka Mpifanandrina

1, 2. Iza no tonga mpanjakan’ny avaratra, taorian’ny ady lehibe faharoa?

RAHA nisaintsaina momba ny toe-draharaha ara-politika teo amin’i Etazonia sy i Rosia ilay filôzôfa sady mpahay tantara frantsay natao hoe Alexis de Tocqueville, dia nanoratra toy izao tamin’ny 1835: “Ny iray mampiasa ny fahalalahana ho fomba lehibe indrindra hanaovan-javatra; ny iray kosa mampiasa ny fampanompoana. Tsy mitovy ny (...) lalana arahin’izy ireo; na dia izany aza, dia toa samy nahazo fiantsoana miafina avy tamin’ny fitondran’Andriamanitra ny tsirairay aminy hoe indray andro any dia izy no hanapaka ny amin’ny ho anjaran’ny antsasak’izao tontolo izao.” Nanao ahoana ny fahatanterahan’io teny io, raha vao nifarana ny Ady Lehibe Faharoa? Hoy ny nosoratan’i J. M. Roberts, mpahay tantara: “Tamin’ny faran’ny Ady Lehibe faharoa, rehefa ela ny ela dia tena toa hotapahin’ny rafi-pitondrana roa lehibe izay samy hafa aoka izany ny ho anjaran’izao tontolo izao, ka ny iray niorina tamin’ilay Rosia teo aloha, ary ny iray tamin’i Etazonian’i Amerika.”

2 Nandritra ireo ady lehibe roa, dia i Alemaina no fahavalo lehibe indrindran’ny mpanjakan’ny atsimo — ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina — ary nitana ny toeran’ny mpanjakan’ny avaratra. Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa anefa, dia nizarazara io firenena io. I Alemaina Andrefana dia nanjary mpiara-dia tamin’ny mpanjakan’ny atsimo, ary i Alemaina Atsinanana dia niandany tamin’ilay fitondrana natanjaka hafa — ny vondron’ireo firenena kôminista notarihin’ny Firaisana Sovietika. Io vondrona, na fitondrana ara-politika, io no mpanjakan’ny avaratra, nanohitra mafy ny fifanekena anglisy-amerikanina. Ary dia lasa Ady Mangatsiaka, izay nanomboka tamin’ny 1948 ary nifarana tamin’ny 1989, ny fifandrafian’ireo mpanjaka roa ireo. Teo aloha, dia ‘nanohitra ny fanekena masina’ ny mpanjakan’ny avaratra, izany hoe ny mpanjaka alemà. (Daniela 11:28, 30). Inona kosa izao no hataon’ilay vondrona kôminista, raha ny amin’io fanekena io?

LAVO NY KRISTIANINA MARINA NEFA NANDRESY

3, 4. Iza moa ireo izay “mivadika ny fanekena”, ary nanao ahoana ny fifandraisany tamin’ny mpanjakan’ny avaratra?

3 “Izay mivadika ny fanekena”, hoy ilay anjelin’Andriamanitra, “dia hambosiny [ny mpanjakan’ny avaratra] amin’ny fandroboana”. Hoy koa ilay anjely: “Fa ny olona izay mahalala an’Andriamaniny kosa dia [handresy, NW ] ka hankatò azy. Ary izay hendry ao amin’ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon’ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy.” — Daniela 11:32, 33.

4 Ireo izay “mivadika ny fanekena” dia tsy iza fa ireo mpitarika ao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, izay mihambo ho Kristianina, nefa mandoto, amin’ny ataony, ilay anarana hoe Kristianina. Hoy i Walter Kolarz, ao amin’ny bokiny hoe Religion in the Soviet Union: “[Nandritra ny ady lehibe faharoa] ny Fitondrana Sovietika dia niezaka nampiasa ny fanohanana ara-nofo sy ara-pitondran-tenan’ireo Fiangonana, mba hiarovana ny tanindrazana.” Taorian’ny ady, dia niezaka hihazona io fisakaizana io ireo mpitarika fiangonana, na dia teo aza ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra nampirisihan’ny mpanjakan’ny avaratra tamin’izay. Araka izany, dia vao mainka nihanisan’ity tontolo ity, mihoatra noho ny hatramin’izay, ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina — fivadiham-pinoana naharikoriko teo imason’i Jehovah. — Jaona 17:16; Jakoba 4:4.

5, 6. Iza moa ireo ‘olona izay nahalala ny Andriamaniny’, ary nanao ahoana izy ireo teo ambany fanapahan’ny mpanjakan’ny avaratra?

5 Ahoana ny amin’ireo Kristianina marina — “ny olona izay mahalala an’Andriamaniny” sy “hendry”? Na dia ‘nanaiky ny fahefana lehibe’ araka ny tokony ho izy aza ny Kristianina niaina teo ambany fanapahan’ny mpanjakan’ny avaratra, dia tsy anisan’ity tontolo ity. (Romana 13:1; Jaona 18:36). Nitandrina izy ireo mba ‘handoa ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara’, nefa nanome koa “ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”. (Matio 22:21). Noho izany, dia niharam-pisedrana ny tsy fivadihan’izy ireo. — 2 Timoty 3:12.

6 Ho vokany, dia sady ‘lavo’ ny Kristianina marina no ‘nandresy’. Lavo izy ireo, satria niharan’ny fanenjehana faran’izay mafy, ka novonoina mihitsy aza ny sasany. Nandresy anefa izy ireo, satria tsy nivadika ny ankamaroany. Naharesy izao tontolo izao izy ireo, tsy misy hafa amin’i Jesosy. (Jaona 16:33). Ambonin’izany, dia tsy nitsahatra nitory mihitsy izy ireo, na dia tany an-tranomaizina na tany amin’ny toby fitanana aza. Tamin’ny fanaovana izany, dia ‘nampianatra ny maro’ izy ireo. Na dia nisy fanenjehana aza tany amin’ny ankamaroan’ireo tany notapahin’ny mpanjakan’ny avaratra, dia nitombo ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho ny fahatokian’ireo “izay hendry”, dia nahitana “olona betsaka” nihanitombo isa hatrany tany amin’ireo tany ireo. — Apokalypsy 7:9-14.

VOAZAHA TOETRA NY VAHOAKAN’I JEHOVAH

7. “Famonjena kely” inona no azon’ny Kristianina voahosotra niaina teo ambany fanapahan’ny mpanjakan’ny avaratra?

7 “Rehefa lavo izy [ny vahoakan’Andriamanitra], dia hahazo famonjena kely”, hoy ilay anjely. (Daniela 11:34a). Ny fandresen’ny mpanjakan’ny atsimo tamin’ny ady lehibe faharoa dia nitondra fanamaivanana kely ho an’ny Kristianina niaina teo ambany fanapahan’ilay mpanjaka rafiny. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 12:15, 16.) Toy izany koa, ireo izay nenjehin’ilay mpanjaka nandimby azy dia nahita fanamaivanana tsindraindray. Rehefa nihalefy ny Ady Mangatsiaka, dia mpitondra maro no nanjary nahatakatra fa tsy fandrahonana ho azy ny Kristianina mahatoky, ka nekeny ho ara-dalàna izy ireo. Nisy fanampiana tonga koa avy tamin’ny olona betsaka nihanitombo isa hatrany, noho izy ireo nanaiky ny fitoriana nataon’ny voahosotra tamim-pahatokiana, ka nanampy azy. — Matio 25:34-40.

8. Ahoana no nikambanan’ny olona sasany tamin’ny vahoakan’Andriamanitra ‘tamim-pihatsarambelatsihy’?

8 Tsy izay rehetra nihambo ho liana ny hanompo an’Andriamanitra nandritra ny Ady Mangatsiaka no voatosiky ny antony tsara. Nampitandrina toy izao ilay anjely: “Maro no hikambana aminy amin’ny fihatsarambelatsihy.” (Daniela 11:34b). Maro be ireo izay nampiseho fahalianana tamin’ny fahamarinana, nefa tsy vonona ny hanolo-tena ho an’Andriamanitra. Nisy hafa koa toa nanaiky ny vaovao tsara, nefa mpitsikilon’ny manam-pahefana, raha ny tena izy. Hoy ny tatitra azo avy tamin’ny tany iray: “Ny sasany tamin’ireny olona maty eritreritra ireny dia Kôminista hiringiriny, izay nitsofoka an-tsokosoko tao amin’ny fandaminan’ny Tompo, sy niseho ho be zotom-po, ary voatendry hitana toeram-panompoana ambony mihitsy aza.”

9. Nahoana i Jehovah no namela ny Kristianina nahatoky sasany “ho lavo” noho ny nataon’ny mpitsofoka an-tsokosoko?

9 Nanohy ny teniny toy izao ilay anjely: “Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan’ny andro farany, [satria mbola ho amin’ny fotoana voatondro izany, NW ].” (Daniela 11:35). Noho ireny mpitsofoka an-tsokosoko ireny, dia azon’ny manam-pahefana ny olo-nahatoky sasany. Namela ny zavatra toy izany hitranga i Jehovah, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ny vahoakany. Toy ny ‘nianaran’i Jesosy fankatoavana avy tamin’ireo zavatra niaretany’, ireny olo-nahatoky ireny koa dia nianatra fiaretana avy tamin’ny fitsapana ny finoany. (Hebreo 5:8, NW; Jakoba 1:2, 3; ampitahao amin’ny Malakia 3:3.) ‘Voazaha toetra sy voadio ary nofotsina’ àry izy ireny.

10. Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “ambara-pahatongan’ny andro farany”?

10 Ho lavo sy hozahan-toetra ny vahoakan’i Jehovah “ambara-pahatongan’ny andro farany”. Mazava ho azy fa manampo fanenjehana mandra-pahatongan’ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity izy ireo. Kanefa, ilay fanadiovana sy famotsiana ny vahoakan’Andriamanitra ho vokatry ny fidiran’ny mpanjakan’ny avaratra an-keriny, dia “ho amin’ny fotoana voatondro”. Noho izany, “ny andro farany”, ao amin’ny Daniela 11:35, dia tsy maintsy mifandray amin’ny faran’ilay fe-potoana nilaina mba hizahan-toetra ny vahoakan’Andriamanitra teo am-piaretany ny fanafihan’ny mpanjakan’ny avaratra. Miharihary àry fa nifarana tamin’ny fotoana voatondron’i Jehovah ilay fahalavoana.

NANANDRA-TENA ILAY MPANJAKA

11. Inona no nolazain’ilay anjely momba ny fihetsiky ny mpanjakan’ny avaratra teo anoloan’ny fiandrianan’i Jehovah?

11 Hoy ny teny nanampin’ilay anjely, momba ny mpanjakan’ny avaratra: “Ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin’ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin’Andriamanitry ny andriamanitra [satria mandà tsy hanaiky ny fiandrianan’i Jehovah], ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao. Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan’ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy.” — Daniela 11:36, 37.

12, 13. a) Tamin’ny ahoana no nandavan’ny mpanjakan’ny avaratra “ny andriamanitry ny razany”? b) Iza moa ireo “vehivavy” izay tsy nahoan’ny mpanjakan’ny avaratra ny ‘fitiavany’? d) ‘Andriamanitra’ iza no nankalazain’ny mpanjakan’ny avaratra?

12 Nahatanteraka ireo teny ara-paminaniana ireo ny mpanjakan’ny avaratra, ka nanda “ny andriamanitry ny razany”, toy ny andriamanitra telo izay iray, ao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Ny vondrona kôminista dia nampirisika ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra tsotra izao. Nanao ny tenany ho andriamanitra ny mpanjakan’ny avaratra tamin’izany, ka ‘nanandra-tena noho izy rehetra’. Tsy nahoan’ilay mpanjaka “ny fitiavan’ny vehivavy” — ireo tany mpanompony, toa an’i Vietnam Avaratra, izay toy ny mpiasavavy nampiasain’ny fitondrany — fa nanao “araka izay sitrapony” izy.

13 Nanohy ny faminaniany toy izao ilay anjely: “Ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany.” (Daniela 11:38). Raha ny marina, ny mpanjakan’ny avaratra dia nitoky tamin’ny “andriamanitry ny fiarovana mafy”, izany hoe ny tafika sy ny fitaovam-piadiana nampiasana ny siansa maoderina. Nitady famonjena avy tamin’io “andriamanitra” io izy, ka nanao sorona harena tsy toko tsy forohana teo amin’ny alitarany.

14. Ahoana no namelezan’ny mpanjakan’ny avaratra ‘tamin’ny fomba nandaitra’?

14 “Homban’ny andriamani-kafa izy ka hamely [amin’ny fomba mandaitra, NW ] ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia.” (Daniela 11:39). Nitoky tamin’ny tafika sy ny fitaovam-piadiana, dia ny ‘andriamani-kafany’, ny mpanjakan’ny avaratra, ka namely ‘tamin’ny fomba nandaitra’ indrindra, ary niseho ho hery ara-tafika nahatahotra tatỳ “am-parany”. (2 Timoty 3:1). Novaliany soa tamin’ny alalan’ny fanohanana ara-politika sy ara-bola ary indraindray dia ara-tafika, ireo izay nanohana ny firehan-keviny.

‘FANOTOANA’ AMIN’NY FARAN’NY ANDRO

15. Ahoana no nisian’ny ‘fanotoana’ teo amin’ny mpanjakan’ny atsimo sy ny mpanjakan’ny avaratra?

15 “Amin’ny faran’ny andro dia hanoto azy ny mpanjakan’ny atsimo”, hoy ilay anjely tamin’i Daniela. (Daniela 11:40a). Moa ve ny mpanjakan’ny atsimo efa ‘nanoto’ ny mpanjakan’ny avaratra nandritra “ny andro farany”? (Daniela 12:4, 9). Eny tokoa. Taorian’ny ady lehibe voalohany, ny mpanjakan’ny avaratra tamin’izay — i Alemaina — dia noterena hanaiky ilay fifanekem-pihavanana fanasaziana, izay tena ‘fanotoana’ tokoa, na hoe fandrisihana hamaly faty. Taorian’ny fandreseny tamin’ny ady lehibe faharoa, dia nampitodika fiadiana niokleary nahatahotra tany amin’ilay rafiny ny mpanjakan’ny atsimo, ka nanangana ny Dinan’i Atlantika Avaratra (OTAN), izay fifanekena ara-tafika natanjaka, ho famelezana azy. Hoy ny mpahay tantara britanika iray, momba ny fiasan’ny OTAN: “Izy io no fiasana lehibe indrindra mba ‘hisakanana’ ny URSS, izay noheverina ho ny fandrahonana lehibe indrindra ho an’ny fandriampahaleman’i Eoropa izao. Naharitra 40 taona ny asany, ary tsy azo lavina fa tontosa tamim-pahombiazana.” Rehefa nandeha ihany ireo taona naharetan’ny Ady Mangatsiaka, dia nahafaoka fitsikilovana nampiasana teknôlôjia ary fomba sy fanafihana diplaomatika sy ara-tafika ny ‘fanotoana’ nataon’ny mpanjakan’ny atsimo.

16. Nanao ahoana ny fihetsiky ny mpanjakan’ny avaratra teo anoloan’ilay fanotoan’ny mpanjakan’ny atsimo?

16 Nanao ahoana ny fihetsiky ny mpanjakan’ny avaratra? “Ny mpanjakan’ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin’ny tany izy ka hanerana toy ny safotra.” (Daniela 11:40b). Niavaka noho ny paikady fanitaram-paritany narahin’ny mpanjakan’ny avaratra ny tantaran’ny andro farany. Nandritra ny ady lehibe faharoa, dia nihoatra ny sisin-taniny ilay “mpanjaka” nazia, mba hakana ireo tany nanodidina. Tamin’ny faran’io ady io, dia nanorina empira natanjaka iray ilay “mpanjaka” nandimby azy. Nandritra ny Ady Mangatsiaka, dia niady tamin’ilay rafiny ny mpanjakan’ny avaratra, tamin’ny fanohanana ankolafiny roa nifanandrina tamin’ny ady sy fikomiana tany Afrika sy Azia ary Amerika Latina. Nanenjika ny Kristianina marina izy, ka nanakantsakana — fa tsy nampitsahatra velively — ny asany. Ary noho ny fanafihany ara-tafika sy ara-politika, dia tany maro no tonga teo ambany fifehezany. Izany indrindra no voalazan’ny faminanian’ilay anjely nanao hoe: “Hiditra ao amin’ny tany mahafinaritra [ny toe-piainana ara-panahy misy ny vahoakan’i Jehovah] koa izy, ary maro no ho ripaka”. — Daniela 11:41a.

17. Inona no nametra ny fanitaran’ny mpanjakan’ny avaratra ny faritaniny?

17 Na dia izany aza, dia tsy naharesy ny tany manontolo ny mpanjakan’ny avaratra. Hoy ny nambaran’ilay anjely mialoha: “Izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan’ny taranak’i Amona.” (Daniela 11:41b). Tamin’ny andro fahiny, dia teo anelanelan’ny faritra notapahin’ny mpanjakan’ny atsimo, dia ny mpanjakan’i Ejipta, sy ny an’ny mpanjakan’ny avaratra, dia ny mpanjakan’i Syria, no nisy an’i Edoma sy i Moaba ary i Amona. Amin’izao andro ankehitriny izao, izy ireo dia mampiseho an’ireo firenena sy fikambanana izay nokendren’ny mpanjakan’ny avaratra ho azo, nefa tsy voatariny ho eo ambany fahefany.

TSY AFA-NANDOSITRA I EJIPTA

18, 19. Tamin’ny lafiny inona avy no nahatsapan’ny mpanjakan’ny atsimo fa nanan-kery teo aminy ilay rafiny?

18 Nanohy ny teniny toy izao ilay anjelin’i Jehovah: “Haninjitra ny tànany amin’ny tany sasany koa izy [ny mpanjakan’ny avaratra]; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra. Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan’i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy.” (Daniela 11:42, 43). Na dia i “Egypta”, ny mpanjakan’ny atsimo, aza dia tsy afa-nandositra ny vokatry ny paikady fanitaram-paritany narahin’ny mpanjakan’ny avaratra. Ohatra, tany Vietnam, dia resy tanteraka ny mpanjakan’ny atsimo. Ary ahoana ny amin’ny “Libyana sy ny Etiopiana”? Ireo tany nifanila tamin’i Ejipta fahiny ireo dia tena nety ho tandindon’ny firenena izay mifanila, ara-bakiteny, amin’i “Egypta” ankehitriny (ny mpanjakan’ny atsimo). Indraindray, dia nanara-dia — ‘nanaraka’ — ny mpanjakan’ny avaratra izy ireo.

19 Moa ve ny mpanjakan’ny avaratra nanam-pahefana teo amin’ny ‘rakitr’i Ejipta’? Tena nanan-kery lehibe teo amin’ny fomba nampiasan’ny mpanjakan’ny atsimo ny fananany ara-bola tokoa izy. Noho ny tahotra an’ilay rafiny, dia nanokana vola tsy toko tsy forohana nikojakojana tafika an-tanety sy an-dranomasina ary ana habakabaka nahatahotra, ny mpanjakan’ny atsimo. Tamin’izany lafiny izany, ny mpanjakan’ny avaratra dia ‘nahalasa’, na nanam-pahefana teo amin’ny fitantanana ny harenan’ny mpanjakan’ny atsimo.

ILAY FANAFIHANA FARANY

20. Ahoana no nilazalazan’ilay anjely ny fanafihana farany hataon’ny mpanjakan’ny avaratra?

20 Mihamanatona ny hiafarany ny fifandrafian’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo — na eo amin’ny ara-tafika izany, na eo amin’ny ara-toe-karena, na hafa. Nampiharihary ireo tsipiriany amin’ny fifandonana iray ho avy toy izao ilay anjelin’i Jehovah: “Hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin’ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro. Ary haoriny eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin’ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.” — Daniela 11:44, 45.

21. Inona no mbola hianarantsika momba ny mpanjakan’ny avaratra?

21 Fony rava ny Firaisana Sovietika tamin’ny Desambra 1991, dia niharan’ny fahavoazana lehibe ny mpanjakan’ny avaratra. Ho iza izao io mpanjaka io, rehefa ho tanteraka ny Daniela 11:44, 45? Moa ve izy io ho ny iray amin’ireo tany anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha? Sa ho hafa tanteraka izy io, toy ny efa hita imbetsaka taloha? Moa ve ny fisian’ny firenena hafa manamboatra fiadiana niokleary hitarika ho amin’ny fifaninanana vaovao manao fitaovam-piadiana, ka hisy fiantraikany eo amin’izay ho mpanjakan’ny avaratra? Ny fotoana ihany no hanome valiny an’ireo fanontaniana ireo. Haneho fahendrena isika, raha tsy manombantombana. Rehefa hanomboka ny fanafihany farany ny mpanjakan’ny avaratra, dia ho hitan’izay rehetra mahay mahataka-javatra ara-baiboly mazava tsara ny fahatanterahan’ny faminaniana. — Jereo ny hoe “Ireo Mpanjaka ao Amin’ny Daniela Toko Faha-11”, eo amin’ny pejy faha-284.

22. Fanontaniana inona avy no mipoitra momba ilay fanafihana farany hataon’ny mpanjakan’ny avaratra?

22 Kanefa, ny fantatsika dia izay hataon’ny mpanjakan’ny avaratra tsy ho ela. Voatosiky ny fandrenesana siosion-teny, na “tatitra” (NW ), “avy any atsinanana sy avy any avaratra” izy, ka hitarika fanafihana iray mba “handringana maro”. Iza moa io hotafihiny io? Ary inona moa ireo “tatitra” hanetsika io fanafihana io?

TAITRA NOHO NY TATITRA MAHARAIKI-TAHOTRA

23. a) Fisehoan-javatra miavaka inona no tsy maintsy hitranga alohan’ny Haramagedona? b) Iza moa ireo “mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro”?

23 Diniho izay lazain’ny bokin’ny Apokalypsy momba ny faran’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Alohan’ny Haramagedona, “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, dia “ho levon’ny afo” io fahavalo lehiben’ny fivavahana marina io. (Apokalypsy 16:14, 16; 18:2-8). Ny fandringanana azy dia asehon’ny fandrarahana ny lovia fahenin’ny fahatezeran’Andriamanitra eo amin’ny ony Eofrata ara-panoharana. Atao ritra ilay ony, mba “hanamboarana ny làlan’ireny mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro”. (Apokalypsy 16:12). Iza moa ireo mpanjaka ireo? Tsy iza fa i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy! — Ampitahao amin’ny Isaia 41:2; 46:10, 11.

24. Zavatra inona hataon’i Jehovah no mety haharaiki-tahotra ny mpanjakan’ny avaratra?

24 Voalaza amin’izao teny mazava tsara ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy izao ny fandringanana an’i Babylona Lehibe: “Ny tandroka folo [ireo mpanjaka manapaka amin’ny fotoan’ny farany] sy ny bibi-dia [ny Firenena Mikambana] izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.” (Apokalypsy 17:16). Nahoana ireo mpanapaka no handringana an’i Babylona Lehibe? Satria ‘omen’Andriamanitra fo hanatanteraka ny heviny’ izy ireo. (Apokalypsy 17:17). Tafiditra ho anisan’ireo mpanapaka ireo ny mpanjakan’ny avaratra. Izay reny “avy any atsinanana” dia tena mety hanondro an’io zavatra hataon’i Jehovah io, rehefa hanome fo an’ireo mpitondra olombelona mba handringana an’ilay vehivavy janga ara-pivavahana lehibe, izy.

25. a) Inona ilay lasibatra manokan’ny mpanjakan’ny avaratra? b) Aiza no ‘anorenan’ny mpanjakan’ny avaratra ny tranolainy izay lapany’?

25 Manana lasibatra manokana anefa ny fahatezeran’ny mpanjakan’ny avaratra. ‘Hanorina ny tranolainy izay lapany eo anelanelan’ny ranomasina [lehibe, NW ] sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra’ izy, hoy ilay anjely. Tamin’ny andron’i Daniela, ny ranomasina lehibe dia i Mediterane, ary ny tendrombohitra masina dia i Ziona, izay nisy ny tempolin’Andriamanitra taloha. Noho izany, amin’ny fahatanterahan’ilay faminaniana, dia hanafika ny vahoakan’Andriamanitra ilay mpanjakan’ny avaratra tezitra mafy. Amin’ny heviny ara-panahy, ilay toerana “eo anelanelan’ny ranomasina lehibe sy ny tendrombohitra masina” dia mampiseho ny toe-piainana ara-panahy misy ny mpanompon’i Jehovah voahosotra. Nivoaka avy tao amin’ny “ranomasina” mampiseho ny olombelona tafasaraka amin’Andriamanitra izy ireo ary manantena ny hanapaka eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra, miaraka amin’i Jesosy Kristy. — Isaia 57:20; Hebreo 12:22; Apokalypsy 14:1.

26. Araka ny asehon’ny faminanian’i Ezekiela, inona moa no mety ho loharanon’ilay vaovao “avy any avaratra”?

26 I Ezekiela, niaina tamin’ny andron’i Daniela, dia naminany koa ny amin’ny fanafihana ny vahoakan’Andriamanitra “any am-parany”. Nilaza izy fa hatombok’i Goga avy any Magoga, izany hoe i Satana Devoly, ilay ady. (Ezekiela 38:14, 16). Amin’ny heviny ara-panoharana, avy aiza moa no iavian’i Goga? “Avy any amin’ny farany avaratra”, hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Ezekiela. (Ezekiela 38:15). Na dia feno habibiana toy inona aza io fanafihana io, dia tsy haharingana ny vahoakan’i Jehovah. Ny dingana iray hataon’i Jehovah mba hanafoanana ny tafik’i Goga no hitarika ho amin’io fifanatrehana hanaitra mafy io. Izao tokoa no lazain’i Jehovah amin’i Satana: “Hanisy masom-by ny valanoranonao [aho], ary ho entiko mivoaka hianao”. “Hitondra anao hiakatra avy any amin’ny farany avaratra Aho, dia ho entiko ho any an-tendrombohitry ny Isiraely hianao.” (Ezekiela 38:4; 39:2). Tsy maintsy ho avy amin’i Jehovah àry ilay vaovao “avy any avaratra”, izay mahatezitra mafy ny mpanjakan’ny avaratra. Ny hoe inona marina anefa no horaketin’ireo tatitra “avy any atsinanana sy avy any avaratra” amin’ny farany, dia Andriamanitra ihany no hamaritra izany, ary ny fotoana ihany no hilaza izany.

27. a) Nahoana i Goga no mandrisika ireo firenena, anisan’izany ny mpanjakan’ny avaratra, hanafika ny vahoakan’i Jehovah? b) Inona no hiafaran’ny fanafihan’i Goga?

27 Raha ny amin’i Goga, dia mandamina ilay fanafihana hataony araka izay fara heriny izy, noho ny fanambinana azon’ilay “Isiraelin’Andriamanitra”, izay tsy anisan’ny tontolony intsony, sahala amin’ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa” ihany. (Galatiana 6:16; Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16; 17:15, 16; 1 Jaona 5:19). Mangarika i Goga mijery “ny firenena izay nangonina avy tany amin’ny jentilisa sady nihary omby sy fananana [ara-panahy]”. (Ezekiela 38:12). Mihevitra ny toe-piainana ara-panahin’ny Kristianina ho toy ny “tanàna tsy mimànda”, ho toy ny voankazo masaka ka mora otazana, i Goga, ka manao izay tratran’ny heriny mba hanafoanana io vato misakana ny fifehezany tanteraka ny olombelona io. Tsy mahomby anefa izy. (Ezekiela 38:11, 18; 39:4). Rehefa hanafika ny vahoakan’i Jehovah ireo mpanjakan’ny tany, anisan’izany ny mpanjakan’ny avaratra, dia ‘ho tonga ao amin’ny hiafarany’ izy ireo.

‘HO TONGA AO AMIN’NY HIAFARANY ILAY MPANJAKA’

28. Inona no fantatsika momba ny hoavin’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo?

28 Tsy natao hamelezana ny mpanjakan’ny atsimo akory ilay fanafihana farany hataon’ny mpanjakan’ny avaratra. Koa tsy avy amin’ny tanan’ilay rafiny lehibe àry no hahatongavan’ny mpanjakan’ny avaratra ao amin’ny hiafarany. Toy izany koa fa tsy ny mpanjakan’ny avaratra no handringana ny mpanjakan’ny atsimo. Ny mpanjakan’ny atsimo dia ho ringana, ‘tsy eo an-tanan’olombelona’ akory, fa noho ny Fanjakan’Andriamanitra. * (Daniela 8:25). Raha ny marina, amin’ny adin’ny Haramagedona, dia hesorin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny mpanjakan’ny tany rehetra, koa miharihary àry fa izany no hanjo ny mpanjakan’ny avaratra. (Daniela 2:44). Milazalaza fisehoan-javatra hitarika ho amin’io ady farany io ny Daniela 11:44 sy 45. Tsy mahagaga raha “tsy hisy hamonjy azy” rehefa ho tonga amin’ny hiafarany ny mpanjakan’ny avaratra!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 28 Jereo ny Toko Faha-10 amin’ity boky ity.

INONA NO AZONAO?

• Iza no tonga mpanjakan’ny avaratra, taorian’ny ady lehibe faharoa?

• Inona no hanjo ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo amin’ny farany?

• Inona no soa azonao, avy tamin’ny fandinihana ny faminanian’i Daniela momba ny fifandrafian’ireo mpanjaka roa?

[Fanontaniana]

[Tabilao/Sary, pejy 284]

IREO MPANJAKA AO AMIN’NY DANIELA TOKO FAHA-11

Ny Mpanjakan’ny Ny Mpanjakan’ny

Avaratra Atsimo

Daniela 11:5 Séleucus I Nicator Ptolémée I

Daniela 11:6 Antiochus II Ptolémée II

(vadiny: Laodice) (zanany vavy: Bérénice)

Daniela 11:7-9 Séleucus II Ptolémée III

Daniela 11:10-12 Antiochus III Ptolémée IV

Daniela 11:13-19 Antiochus III Ptolémée V

(zanany vavy: Cléopâtre I) Mpandimby azy:

Mpandimby azy: Ptolémée VI

Séleucus IV sy

Antiochus IV

Daniela 11:20 Aogosto

Daniela 11:21-24 Tiberio

Daniela 11:25, 26 Aurélien Mpanjakavavy

Rava ny Empira Romanina Zénobie

Daniela 11:27-30a Empira Alemà Grande-Bretagne,

(Ady Lehibe Voalohany) narahin’ny

Firenena Matanjaka

Anglisy-Amerikanina

Daniela 11:30b, 31 Reich Fahatelon’i Hitler Firenena Matanjaka

(Ady Lehibe Faharoa) Anglisy-Amerikanina

Daniela 11:32-43 Vondrona kôminista Firenena Matanjaka

(Ady Mangatsiaka) Anglisy-Amerikanina

Daniela 11:44, 45 Mbola hipoitra * Firenena Matanjaka

Anglisy-Amerikanina

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 84 Tsy milaza mialoha ny anaran’ireo fitondrana ara-politika hitana ny toeran’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo amin’ny fotoana samihafa, ny faminaniana ao amin’ny Daniela toko faha-11. Rehefa manomboka mitranga ireo fisehoan-javatra vao fantatra hoe iza no izao na izao. Ambonin’izany, noho ilay fifandonana miseho mitsitapitapy, dia misy fe-potoana tsy ahitana fifandonana — ny mpanjaka iray manjaka, fa ny iray kosa tsy mihetsika.

[Sary, pejy 271]

[Sary, pejy 279]

Nahafaoka fitsikilovana nampiasana teknôlôjia ary fomba sy fandrahonana ara-tafika ny ‘fanotoana’ nataon’ny mpanjakan’ny atsimo