Mandia ny Taonjato Faha-20 Ireo Mpanjaka Mpifandrafy
Toko Fahadimy Ambin’ny Folo
Mandia ny Taonjato Faha-20 Ireo Mpanjaka Mpifandrafy
1. Iza no nolazain’ny mpahay tantara iray fa nitarika an’i Eoropa tamin’ny taonjato faha-19?
“NISY fihetsiketsehana be tao Eoropa tamin’ny taonjato faha-19, ary nihoatra lavitra noho izay rehetra fantatra hatramin’izay”, hoy ny nosoratan’i Norman Davies, mpahay tantara. Hoy ny teny nanampiny: “Navitrika noho ny hery mbola tsy nisy toy izany i Eoropa: hery ara-teknika, hery ara-toe-karena, hery ara-kolontsaina, hery nifandraisan’ireo kontinanta.” Ireo nitarika an’i Eoropa “tamin’ny ‘taonjaton’ny hery’ nandresy”, hoy i Davies, “dia i Grande-Bretagne aloha voalohany indrindra (...) ary avy eo dia i Alemaina tamin’ireo am-polony taona farany”.
“TA-HANAO RATSY”
2. Rehefa nifarana ny taonjato faha-19, firenena iza moa no “mpanjakan’ny avaratra” ary firenena iza no “mpanjakan’ny atsimo”?
2 Rehefa hifarana ny taonjato faha-19, dia ny Empira Alemà no “mpanjakan’ny avaratra” ary i Grande-Bretagne no nitana ny toeran’ny “mpanjakan’ny atsimo”. (Daniela 11:14, 15). “Ny fon’ireo mpanjaka roa ireo”, hoy ilay anjelin’i Jehovah, “dia samy ta-hanao ratsy, ary eo an-databatra iray no hiresahany lainga”. Hoy izy nanohy ny teniny: “Nefa [tsy hisy na inona na inona hahomby, satria ny farany dia mbola ho amin’ny fotoana voatondro, NW ].” — Daniela 11:27.
3, 4. a) Iza no tonga ny emperora voalohan’ny Reich Alemà, ary fanekena inona no naorina? b) Paikady inona no narahin’i Kaiser Wilhelm?
3 Tamin’ny 18 Janoary 1871, dia tonga ny emperora voalohan’ny Reich, na Empira, Alemà i Guillaume I. Nanendry an’i Otto von Bismarck ho chancelier izy. Nifantoka tamin’ny fampivoarana an’ilay empira vaovao i Bismarck, ka nanalavitra ny fifandonana tamin’ny firenena hafa, ary nanorina fanekena iray tamin’i Aotrisy-Hongria sy i Italia, fanekena fantatra tamin’ny anarana hoe Fifaneken’ny Telo Tonta. Tsy ela anefa dia nifandona tamin’ny tombontsoan’ny mpanjakan’ny atsimo ny an’io mpanjakan’ny avaratra vaovao io.
4 Taorian’ny nahafatesan’i Guillaume I sy i Frédéric III, mpandova azy, tamin’ny 1888, dia i Guillaume II, 29 taona, no niakatra teo amin’ny seza fiandrianana. Nanery an’i Bismarck hiala tamin’ny toerany i Guillaume II, na Kaiser Wilhelm, ka nanaraka paikady nanitarany ny fahefan’i Alemaina naneran-tany. “Teo ambanin’ny fitarihan’i Guillaume II”, hoy ny mpahay tantara iray, “dia nanana fihetsika nizahozaho be sy vonon-kiady [i Alemaina].”
5. Ahoana no nipetrahan’ireo mpanjaka roa ‘teo an-databatra iray’, ary inona no noresahin’izy ireo teo?
5 Fony nangataka ny hisian’ny kaonferansim-pihavanana tao La Haye, any Holandy, ny Tsar Nicolas II-n’i Rosia, tamin’ny 24 Aogositra 1898, dia nihenjana ny toe-draharaha niraisam-pirenena. Nanorina ny Fitsarana Mpanelanelana Maharitra tao La Haye io kaonferansy io sy ilay nanaraka azy tamin’ny 1907. Tonga mpikambana tao amin’io fitsarana io ny Reich Alemà sy i Grande-Bretagne, ka mody niseho ho nankasitraka ny hisian’ny fihavanana. Nipetraka ‘teo an-databatra iray’ izy ireo, toy ny hoe mpinamana, nefa ‘ny fony dia samy ta hanao ratsy’. Tsy afaka ny hampandroso ny tena fihavanana ny paikady diplaomatika ‘niresahana lainga teo an-databatra’. Raha ny amin’ny faniriany fahombiazana teo amin’ny politika sy ny varotra ary ny tafika, dia ‘tsy nisy na inona na inona afaka nahomby’, satria
‘mbola ho amin’ny fotoana voatondron’i’ Jehovah Andriamanitra ny faran’ireo mpanjaka roa ireo.‘NANOHITRA NY FANEKENA MASINA’
6, 7. a) Tamin’ny heviny ahoana ny mpanjakan’ny avaratra no hoe ‘niverina tany amin’ny taniny’? b) Inona no nataon’ny mpanjakan’ny atsimo teo anoloan’ny fitaran’ny fahefan’ny mpanjakan’ny avaratra?
6 Nanohy ny teniny toy izao ilay anjelin’Andriamanitra: “Ary hiverina ho any amin’ny taniny mitondra harena be izy [ny mpanjakan’ny avaratra]; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masina; ary hahefa sy hiverina ho any amin’ny taniny izy.” — Daniela 11:28.
7 Niverina tany amin’ilay ‘tany’, na toe-piainana teto an-tany, nisy an’ilay mpanjakan’ny avaratra fahiny, i Kaiser Wilhelm. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny fanorenana fanapahan’emperora, nokendreny hanitarana ny Reich Alemà sy ny fahefany. Nitady hanjana-tany tany Afrika sy tany amin’ny toerana hafa, i Guillaume II. Naniry hihaika ny fahambonian’i Grande-Bretagne teny an-dranomasina izy, ka nanomboka nanorina tafika an-dranomasina natanjaka. “Tsinontsinona ny herin’ny tafika an-dranomasin’i Alemaina tamin’ny voalohany, nefa nanjary nanarakaraka ny an’i Grande-Bretagne, tao anatin’ny folo taona mahery kely monja”, hoy ny The New Encyclopædia Britannica. Mba hihazonana ny fahamboniany, dia voatery nanitatra ny fandaharan’ny tafiny an-dranomasina, i Grande-Bretagne. Nahalamina ilay nantsoina hoe fifanaraham-pisakaizana tamin’i Frantsa koa i Grande-Bretagne, sy ny iray hafa tamin’i Rosia, ka nahaforona ny Fifanarahan’ny Telo Tonta. Nizara ho ankolafiny ara-tafika roa izao i Eoropa — ny Fifaneken’ny Telo Tonta tetsy an-daniny, ary ny Fifanarahan’ny Telo Tonta tetsy an-kilany.
8. Ahoana no nahazoan’ny Empira Alemà “harena be”?
8 Nanaraka paikady nahery vaika ny Empira Alemà, ka nitondra “harena be” ho an’i Alemaina, satria izy no mpikambana lehibe indrindra tamin’ilay Fifaneken’ny Telo Tonta. Katolika Romanina i Aotrisy-Hongria sy i Italia. Noho izany, dia nankasitrahan’ny papa koa ilay Fifaneken’ny Telo Tonta, fa tsy mba toy izany kosa ny mpanjakan’ny atsimo, sy ny Fifanarahan’ny Telo Tonta, izay tsy katolika ny ankamaroan’ny mpikambana tao aminy.
9. Ahoana no ‘nanoheran’ny mpanjakan’ny avaratra an’ilay fanekena masina’, tao am-pony?
9 Ahoana ny amin’ny vahoakan’i Jehovah? Nanambara efa hatramin’ny ela izy ireo fa hifarana amin’ny 1914 “ny fotoana voatondro ho an’ireo firenena”. * (Lioka 21:24, NW ). Tamin’io taona io, dia tafaorina tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra teo an-tanan’i Jesosy Kristy, Mpandova an’i Davida Mpanjaka. (2 Samoela 7:12-16; Lioka 22:28, 29). Tany amin’ny Martsa 1880, dia efa nampifamatotra ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny fifaranan’ny “fotoana voatondro ho an’ireo firenena”, na “andron’ny jentilisa”, ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy). ‘Nanohitra ny fanekena masina ny amin’ilay Fanjakana’ anefa ny fon’ny mpanjakan’ny avaratra, dia ny mpanjakan’i Alemaina. Tsy nanaiky ny fanapahan’ilay Fanjakana i Kaiser Wilhelm, fa ‘nahefa’ kosa, tamin’ny fampandrosoana ny tetikadiny hahazoana ny fanapahana maneran-tany. Namafy ny voan’ny Ady Lehibe Voalohany anefa izy, tamin’ny fanaovana izany.
NANJARY “KIVY” ILAY MPANJAKA, TAMIN’NY ADY IRAY
10, 11. Ahoana no nanombohan’ny Ady Lehibe Voalohany, ary nahoana izany no tamin’ny “fotoana voatondro”?
10 “Amin’ny fotoana dia ho lasa mianatsimo indray izy [ny mpanjakan’ny avaratra]”, hoy ny nambaran’ilay anjely mialoha, “nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany”. (Daniela 11:29). Tonga tamin’ny 1914 ny ‘fotoana voatondron’Andriamanitra’, namaranany ny fanapahan’ny Jentilisa ny tany, fony izy nampiorina ilay Fanjakana any an-danitra. Tamin’ny 28 Jona tamin’io taona io, dia novonoin’ny mpampihorohoro serba iray tao Sarajevo, any Bosnia, i François-Ferdinand, Printsin’i Aotrisy, sy ny vadiny. Izany no nandrehitra ny fipoahan’ny Ady Lehibe Voalohany.
11 Nampirisika an’i Aotrisy-Hongria hamaly faty ka hamely an’i Serbia, i Kaiser Wilhelm. Natoky ny fanohanan’ny Alemà i
Aotrisy-Hongria, ka nanapoaka ady tamin’i Serbia, tamin’ny 28 Jolay 1914. Tonga nanampy an’i Serbia anefa i Rosia. Rehefa nanapoaka ady tamin’i Rosia i Alemaina, dia nanohana an’i Rosia i Frantsa (iray tamin’ireo mpiray dina tao amin’ny Fifanarahan’ny Telo Tonta). Avy eo dia nanapoaka ady tamin’i Frantsa i Alemaina. Mba hidirana mora kokoa tao Paris, dia nanafika an’i Belzika i Alemaina, satria nanomezan’i Grande-Bretagne toky ny fialanalanan’io tany io. Koa nanapoaka ady tamin’i Alemaina àry i Grande-Bretagne. Nisy firenena hafa koa nanjary tafiditra tao amin’ilay ady. I Italia kosa dia niova tany niandaniana. Nandritra ilay ady, dia nanao an’i Ejipta ho tany nofeheziny i Grande-Bretagne, mba hisakanana ny mpanjakan’ny avaratra tsy hanidy ny Lakandranon’i Suez sy hanafika an’i Ejipta, ilay tanin’ny mpanjakan’ny atsimo fahiny.12. Tamin’ny ady lehibe voalohany, tamin’ny heviny ahoana no hoe ‘tsy toy ny tamin’ny voalohany ny farany’?
12 “Na dia maro be sy natanjaka aza ireo Mpiray Dina”, hoy ny The World Book Encyclopedia, “dia toa nadiva hahazo ny fandresena i Alemaina.” Tamin’ireo fifandonan’ireo mpanjaka roa teo aloha, dia ny Empira Romanina, ny mpanjakan’ny avaratra tamin’izay, foana no nandresy. Tamin’ity indray mandeha ity kosa, dia ‘tsy toy ny voalohany ny farany’. Resy ny mpanjakan’ny avaratra. Nanome ny antony toy izao ilay anjely: “Ny sambon’i Kitima ho avy hamely azy, ka dia ho kivy izy”. (Daniela 11:30a). Inona moa ireo “sambon’i Kitima” ireo?
13, 14. a) Inona indrindra moa ireo “sambon’i Kitima”, izay avy namely ny mpanjakan’ny avaratra? b) Ahoana no nisian’ny sambon’i Kitima hafa koa, raha mbola nitohy ny ady lehibe voalohany?
13 Tamin’ny andron’i Daniela, i Kitima dia i Chypre. Teo am-piandohan’ny ady lehibe voalohany, dia nozanahin’i Grande-Bretagne i Chypre. Ambonin’izany, araka ny The Zondervan Pictorial Encyclopedia of the Bible, ny anarana hoe Kitima dia “nanjary nahafaoka ny A[ndrefana] tamin’ny ankapobeny, indr[indra fa] ny A[ndrefana] mpiantsambo”. Ny New International Version dia mandika ny hoe “sambon’i Kitima” ho
“sambon’ireo tany amorontsiraka andrefana”. Tamin’ny ady lehibe voalohany, dia ireo sambon’i Grande-Bretagne, izay niantsona teo amorontsiraka andrefan’i Eoropa, indrindra no ireo sambon’i Kitima.14 Raha mbola nitarazoka teny ihany ny ady, dia nohatevenin’ny sambon’i Kitima hafa koa ny Tafika An-dranomasina Britanika. Tamin’ny 7 May 1915, dia nandentika ilay sambo sivily hoe Lusitania, niantsona teo amorontsiraka atsimon’i Irlandy, ilay sambo mpisitrika alemà hoe U-20. Nisy Amerikanina 128 anisan’ireo maty. Tatỳ aoriana, dia nitarin’i Alemaina hatrany Atlantika ny ady anaty ranomasina. Ho vokatr’izany, tamin’ny 6 Aprily 1917, dia nanapoaka ady tamin’i Alemaina i Woodrow Wilson, prezidàn’i Etazonia. Nohatevenin’ireo sambo mpiady sy tafika amerikanina ny herin’ny mpanjakan’ny atsimo — ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina — ka niady tanteraka tamin’ilay mpanjaka rafiny.
15. Oviana ny mpanjakan’ny avaratra no nanjary “kivy”?
15 Notafihin’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina ny mpanjakan’ny avaratra, ka nanjary “kivy” ary nanaiky ho resy tsy satry tamin’ny Novambra 1918. Nandositra tany an-tsesitany tany Holandy i Guillaume II, ary nanjary repoblika i Alemaina. Mbola tsy vita teo anefa ny amin’ny mpanjakan’ny avaratra.
‘NAMELY TAMIN’NY FOMBA NANDAITRA’ ILAY MPANJAKA
16. Araka ny faminaniana, hanao ahoana ny fihetsiky ny mpanjakan’ny avaratra, eo anoloan’ny fahareseny?
16 “Hiverina [ny mpanjakan’ny avaratra] ary hisafoaka amin’ny fanekena masina ka hamely [amin’ny fomba mandaitra, NW ]; eny, hiverina izy ka hisaina ny amin’ireo efa mahafoy ny fanekena masina.” (Daniela 11:30b). Izany no faminanian’ilay anjely, ary dia izany tokoa no nitranga.
17. Inona no nitarika ho amin’ny fisandratan’i Adolf Hitler?
17 Rehefa nifarana ny ady, tamin’ny 1918, dia nanery an’i Alemaina hanaiky fanekem-pihavanana fanasaziana, ireo Mpiray Dina nandresy. Hitan’ny vahoaka alemà ho mafy ireo fepetran’ilay fanekena, ary nalemy ilay repoblika vaovao raha vao *
teo am-piandohany. Nivembena tao anatin’ny fara fahoriana nandritra ny taona vitsivitsy i Alemaina, ary niharan’ilay Fitambotsorana Ara-toe-karena Lehibe, izay namela tsy an’asa enina tapitrisa. Teo am-piandohan’ireo taona 1930, dia nety tsara mba hisandratan’i Adolf Hitler ny toe-javatra. Tonga chancelier izy tamin’ny Janoary 1933 ary tamin’ny taona nanaraka dia naka ny toeran’ny prezidàn’ilay nantsoin’ny Nazia hoe Reich Fahatelo.18. Tamin’ny ahoana i Hitler no ‘namely tamin’ny fomba nandaitra’?
18 Rehefa nahazo fahefana i Hitler, dia nanafika tamin-kabibiana avy hatrany “ny fanekena masina”, nasehon’ireo voahosotra, rahalahin’i Jesosy Kristy. (Matio 25:40). Tamin’izany no namelezany ‘tamin’ny fomba nandaitra’ an’ireo Kristianina nahatoky ireo, ka nanenjehany ny maro taminy tamin-kalozana. Nahita fahombiazana ara-toe-karena sy diplaomatika i Hitler, ka namely ‘tamin’ny fomba nandaitra’ koa, tamin’ireo lafiny ireo. Tao anatin’ny taona vitsivitsy, dia nanao an’i Alemaina ho fanjakana tokony hasiana fiheverana teo amin’ny sehatra naneran-tany, izy.
19. Mba hahazoana fanohanana, iza moa no nilan’i Hitler sitraka?
19 ‘Nisaina ny amin’ireo efa nahafoy ny fanekena masina’ i Hitler. Iza moa izany? Tsy iza fa ireo mpitarika tao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, izay nihambo ho nanana fifandraisam-panekena tamin’Andriamanitra, nefa nitsahatra tsy ho mpianatr’i Jesosy Kristy. Nahavita nahazo ny fanohanan’ireo ‘nahafoy ny fanekena masina’ ireo i Hitler. Nanao fifanarahana tamin’ny papa tany Roma izy, ohatra. Ary tamin’ny 1935, dia nanorina ny Minisiteran’ny Raharaham-piangonana izy. Ny iray tamin’ireo tanjony dia ny hahatonga an’ireo fiangonana protestanta ho eo ambanin’ny fifehezan’ny fanjakana.
IREO “SANDRY” AVY TAMIN’ILAY MPANJAKA
20. Inona moa ireo “sandry” nampiasain’ny mpanjakan’ny avaratra, ary mba hamelezana an’iza?
20 Tsy ela dia nandeha niady i Hitler, araka ny nambaran’ilay anjely mialoha tsara toy izao: “Hisy miaramila hitsangana Daniela 11:31a). Ireo “miaramila”, na “sandry” (fanamarihana ambany pejy), ireo dia ireo tafika nampiasain’ny mpanjakan’ny avaratra mba hiadiana tamin’ny mpanjakan’ny atsimo, tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. Tamin’ny 1 Septambra 1939, dia nanafika an’i Polonina ireo “sandry” nazia. Roa andro taorian’izay, dia nanapoaka ady tamin’i Alemaina i Grande-Bretagne sy i Frantsa, mba hanampiana an’i Polonina. Toy izany no nanombohan’ny Ady Lehibe Faharoa. Vetivety dia nirodana i Polonina, ary tsy ela taorian’izay, dia naka an’i Danemark, an’i Norvezy, an’i Holandy, an’i Belzika, an’i Luxembourg ary an’i Frantsa, ireo tafika alemà. “Tamin’ny faran’ny 1941”, hoy ny The World Book Encyclopedia, “dia nanapaka an’ilay kontinanta manontolo i Alemaina Nazia.”
noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan-andro”. (21. Tamin’ny ahoana no hoe nivadika ny rasa ho an’ny mpanjakan’ny avaratra, tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, ary inona no niafarany?
21 Na dia nanao sonia ny Fifanekem-pisakaizana sy Fiaraha-miasa ary Famaritan-tsisin-tany aza i Alemaina sy ny Firaisana Sovietika, dia lasa nanafika faritany sovietika i Hitler, tamin’ny 22 Jona 1941. Nahatonga ny Firaisana Sovietika hiandany tamin’i Grande-Bretagne izany. Nanohitra mafy ny tafika sovietika, na dia nandroso aloha be sy tamin’ny fomba nanaitra aza ireo miaramila alemà. Tamin’ny 6 Desambra 1941, dia resy mihitsy aza ny tafika alemà tao Moscou. Ny ampitso, dia nanjera baomba tao Pearl Harbor, any Hawaii, i Japon, mpiara-dia tamin’i Alemaina. Rehefa nahare izany i Hitler, dia nilaza tamin’ireo lefiny hoe: “Ankehitriny dia tsy hety izany hoe isika ho resy izany.” Tamin’ny 11 Desambra, dia maimay nanapoaka ady tamin’i Etazonia izy. Nohamaivaniny anefa na ny herin’ny Firaisana Sovietika na ny an’i Etazonia. Nanafika azy avy tany atsinanana ny tafika sovietika, ary nihananatona avy tany andrefana ny miaramila britanika sy amerikanina, ka tsy ela dia nivadika ny rasa ho an’i Hitler. Nanomboka verin’ireo miaramila alemà tsikelikely ireo faritaniny. Rehefa namono tena i Hitler, dia nilavo lefona teo anoloan’ireo Mpiray Dina i Alemaina tamin’ny 7 May 1945.
22. Ahoana no ‘nandotoan’ny mpanjakan’ny avaratra ny fitoerana masina sy nanesorany an’ilay lafin-javatra tsy miova’?
Matio 23:37–24:2). Nanomboka tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia ara-panahy ny tempolin’i Jehovah, ka any an-danitra ny masina indrindra, ary eto an-tany ny kianja ara-panahy, anompoan’ireo voahosotra, rahalahin’i Jesosy, ilay Mpisoronabe. Nanomboka tamin’ireo taona 1930, dia niara-nanompo tamin’ny sisa voahosotra ny “olona betsaka”, ka noho izany dia lazaina ho manompo ao amin’ny ‘tempolin’Andriamanitra’. (Apokalypsy 7:9, 15; 11:1, 2; Hebreo 9:11, 12, 24). Tany amin’ireo tany nofeheziny, dia nandoto ny kianjan’ilay tempoly teto an-tany ny mpanjakan’ny avaratra, tamin’ny fanenjehana tsy an-kijanona an’ireo sisa voahosotra sy ny namany. Mafy aoka izany ilay fanenjehana, hany ka voaesotra “ilay lafin-javatra tsy miova” — ny fanati-piderana ampahibemaso ho an’ny anaran’i Jehovah. (Hebreo 13:15). Na dia nahatsiravina aza anefa ny fijaliany, dia tsy nitsahatra nitory ireo Kristianina voahosotra nahatoky sy ny “ondry hafa”, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. — Jaona 10:16.
22 “Handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, [ireo sandry nazia], ary [hanaisotra ilay lafin-javatra tsy miova, NW ]”, hoy ilay anjely. Tany Joda fahiny, ny fitoerana masina dia anisan’ilay tempoly tao Jerosalema. Kanefa, rehefa nanda an’i Jesosy ny Jiosy, dia nanda azy ireo sy ny tempoliny i Jehovah. (‘NAPETRAKA ILAY FAHAVETAVETANA’
23. Inona moa ilay “fahavetavetana” tamin’ny taonjato voalohany?
23 Rehefa nanangasanga ny faran’ny ady lehibe faharoa, dia nisy fisehoan-javatra iray hafa nitranga, araka ny nambaran’ilay anjelin’Andriamanitra mialoha. “[Hametraka, NW ] ny fahavetavetana mahatonga fandravana” izy ireo. (Daniela 11:31b). I Jesosy koa dia niresaka momba ny ‘fahavetavetana’. Tamin’ny taonjato voalohany, izy io dia ny tafika romanina izay tonga tao Jerosalema tamin’ny 66 am.f.i., mba hanamontsana ny fikomian’ny Jiosy. * — Matio 24:15; Daniela 9:27.
24, 25. a) Inona moa ilay “fahavetavetana” amin’izao andro ankehitriny izao? b) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no ‘nametrahana ilay fahavetavetana’?
Apokalypsy 17:8). “Hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa” anefa ilay “bibi-dia”. Izany tokoa no nataony, fony tafaorina tamin’ny 24 Oktobra 1945 ny Firenena Mikambana, nisy firenena mpikambana 50, anisan’izany ny Firaisana Sovietika teo aloha. Napetraka araka izany àry ilay “fahavetavetana” nambaran’ilay anjely mialoha — ny Firenena Mikambana.
24 “Fahavetavetana” inona moa no ‘napetraka’ tamin’izao andro ankehitriny izao? Toa fanaovana hosoka ny Fanjakan’Andriamanitra izy io, “fahavetavetana” mihitsy. Ny Fikambanam-pirenena izy io, dia ilay bibidia nivolon-jaky izay nankany amin’ny lavaka tsy hita noanoa, na hoe nitsahatra tsy ho fikambanana ho an’ny fandriampahalemana maneran-tany, fony nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa. (25 Fahavalo lehibe indrindran’ny mpanjakan’ny atsimo i Alemaina, nandritra ireo ady lehibe roa, ary nitana ny toeran’ny mpanjakan’ny avaratra. Iza indray àry no hitana io toerana io manaraka?
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 9 Jereo ny Toko Faha-6 amin’ity boky ity.
^ feh. 17 Ny Empira Romanina Masina no reich voalohany ary ny Empira Alemà no faharoa.
^ feh. 23 Jereo ny Toko Faha-11 amin’ity boky ity.
INONA NO AZONAO?
• Tamin’ny faran’ny taonjato faha-19, firenena iza moa no mpanjakan’ny avaratra ary firenena iza no mpanjakan’ny atsimo?
• Tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, tamin’ny ahoana no hoe ‘tsy toy ny tamin’ny voalohany ny farany’ ho an’ny mpanjakan’ny avaratra?
• Taorian’ny Ady Lehibe Voalohany, ahoana no nanaovan’i Hitler an’i Alemaina ho fanjakana tokony hasiana fiheverana teo amin’ny sehatra naneran-tany?
• Ahoana no niafaran’ny fifandrafiana teo amin’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo, tamin’ny Ady Lehibe Faharoa?
[Fanontaniana]
[Tabilao/Sary, pejy 268]
IREO MPANJAKA AO AMIN’NY DANIELA 11:27-31
Ny Mpanjakan’ny Ny Mpanjakan’ny
Avaratra Atsimo
Daniela 11:27-30a Empira Alemà Grande-Bretagne,
(Ady Lehibe Voalohany) narahin’ny Firenena
Matanjaka Anglisy-
Amerikanina
Daniela 11:30b, 31 Reich Fahatelon’i Hitler Firenena (Ady Lehibe Faharoa) Matanjaka
Anglisy-Amerikanina
[Sary]
Ny Prezidà Woodrow Wilson sy ny Mpanjaka George V
[Sary]
Kristianina maro no nenjehina tao amin’ireo toby fitanana
[Sary]
Nanohana an’i Hitler ireo mpitarika tao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina
[Sary]
Ilay fiara nisy ny Printsy Ferdinand, fony izy novonoin’olona
[Sary]
Miaramila alemà, Ady Lehibe Voalohany
[Sary, pejy 257]
Tany Yalta, tamin’ny 1945, i Winston Churchill, praiminisitra britanika, sy i Franklin D. Roosevelt, prezidàn’i Etazonia, ary i Joseph Staline, praiminisitra sovietika, dia samy nifanaraka mba haka an’i Alemaina, sy hanorina fitondram-panjakana vaovao tany Polonina, ary hanao kaonferansy iray mba hananganana ny Firenena Mikambana
[Sary, pejy 258]
1. Ny Printsy Ferdinand 2. Tafika an-dranomasina alemà 3. Tafika an-dranomasina britanika 4. Lusitania 5. Fanambarana fanapoahan’i Etazonia ady
[Sary, pejy 263]
Natoky ny fandreseny i Adolf Hitler, rehefa nanjera baomba tao Pearl Harbor i Japon, ilay mpiara-dia tamin’i Alemaina tamin’ny ady