Nohatanjahin’ny Mpitondra Hafatra Iray avy Tamin’Andriamanitra
Toko Faharoa Ambin’ny Folo
Nohatanjahin’ny Mpitondra Hafatra Iray avy Tamin’Andriamanitra
1. Inona no fitahiana azon’i Daniela, noho izy liana mafy tamin’ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah?
NOVALIAN-TSOA be dia be i Daniela noho ny fahalianana lalina tamin’ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah. Nomena ilay faminaniana nampientana momba ireo 70 herinandro nahakasika ny fotoana hisehoan’i Mesia izy. Nahazo fitahiana koa izy nahita ny sisa nahatoky tamin’ny fireneny niverina tany an-tanindrazany. Izany dia nitranga tamin’ny 537 al.f.i., tany amin’ny faramparan’ny “taona voalohany nanjakan’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia”. — Ezra 1:1-4.
2, 3. Inona no mety ho antony tsy niverenan’i Daniela tany amin’ny tanin’i Joda niaraka tamin’ireo Jiosy sisa tavela?
2 Tsy anisan’ireo niverina tany amin’ny tanin’i Joda i Daniela. Nety ho sarotra taminy, izay efa nandroso taona, ny fanaovana dia lavitra. Na izany na tsy izany, dia mbola nanam-pikasana ny hanome azy asa fanompoana fanampiny tany Babylona Andriamanitra. Lasa ny roa taona. Avy eo, dia milaza amintsika toy izao ilay fitantarana: “Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia, dia nisy nambara tamin’i Daniela, izay atao hoe Beltesazara; marina ny teny, ary ady mafy no nolazainy; ary nahalala ny teny izy sady nahafantatra ny fahitana.” — Daniela 10:1.
3 Nifanitsy tamin’ny 536/535 al.f.i. “ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy”. Efa 80 taona mahery izao no lasa hatramin’ny nitondrana an’i Daniela tao Babylona niaraka tamin’ny zanak’andriana sy ny tanora ambony firazanan’i Joda. (Daniela 1:3). Raha teo anelanelan’ny 13 sy 15 taona i Daniela fony tonga voalohany tao Babylona, dia ho efa nananika ny faha-100 taonany izy izao. Endre izany fanompoana tamim-pahatokiana mahatalanjona!
4. Na dia nandroso taona aza i Daniela, anjara asa lehibe inona no mbola horaisiny teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah?
4 Na dia nandroso taona aza anefa i Daniela, dia tsy nifarana ny anjara asany teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Mbola nanana hafatra ara-paminaniana, izay hisy heviny hatratỳ aoriana be, hambara tamin’ny alalany Andriamanitra. Ho faminaniana izay hahatratra izao androntsika izao, sy any aoriana, izy io. Mba hanomanana an’i Daniela ho amin’io asa fanampiny io, dia hitan’i Jehovah fa nety ny nanampy azy, mba hanatanjahana azy ho amin’ilay asa fanompoana niandry azy.
FAHATSAPANA TEBITEBY
5. Tatitra inona avy no azo inoana fa nahavelom-panahiana an’i Daniela?
5 Na dia tsy niverina tany amin’ny tanin’i Joda niaraka tamin’ny Jiosy sisa tavela aza i Daniela, dia liana mafy tamin’izay nitranga tany an-tanindrazany malala. Nanjary fantatr’i Daniela avy tamin’ireo tatitra voarainy, fa tsy nandeha tsara ny zava-drehetra tany. Efa tafaorina indray ny alitara sy ny fototry ny tempoly tany Jerosalema. (Ezra, toko faha-3). Nanohitra ilay asa fanorenana indray anefa ireo firenena nanodidina, ary nioko hamely an’ireo Jiosy tafaverina. (Ezra 4:1-5). Eny tokoa, tena nety ho nahatsiaro tebiteby mora foana momba ny zavatra maro i Daniela.
6. Nahoana no nampanahiran-tsaina an’i Daniela ny toe-javatra tany Jerosalema?
6 Nahafantatra tsara ny faminanian’i Jeremia i Daniela. (Daniela 9:2). Fantany fa nifandray akaiky tamin’ny fikasan’i Jehovah momba ny vahoakany ny fanorenana indray ny tempoly tao Jerosalema sy ny famerenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina tao. Fantany koa fa hialoha ny fisehoan’ilay Mesia nampanantenaina izany rehetra izany. Raha ny marina aza, dia i Daniela no nahazo tombontsoa niavaka nandray ilay faminaniana momba ireo “fito-polo herinandro” avy tamin’i Jehovah. Takany avy tamin’izy io fa ho avy, 69 “herinandro” aorian’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema, ny Mesia. (Daniela 9:24-27). Rehefa heverina anefa ny faharavan’i Jerosalema sy ny fahelan’ny fanorenana ilay tempoly, dia mora azo raha nety ho nanjary kivy sy nalahelo ary ketraka i Daniela.
7. Inona no nataon’i Daniela nandritra ny roatokombolana?
7 “Tamin’izany andro izany izaho Daniela dia nisaona roatokombolana mipaka. Tsy nihinana hanim-py aho, sady tsy nanendry hena na divay ny vavako, ary tsy nihosotra diloilo akory aho ambara-pahatapitry ny roatokombolana mipaka.” (Daniela 10:2, 3). Fe-potoana lava dia lava izany “roatokombolana”, na 21 andro, nisaonana sy nifadian-kanina izany. Toa nifarana tamin’ny “andro fahefatra amby roa-polo tamin’ny volana voalohany” izy io. (Daniela 10:4). Noho izany, dia tafiditra tao amin’io fe-potoana nifadian’i Daniela hanina io ny Paska, izay nankalazaina tamin’ny andro faha-14 tamin’ny volana Nisana, volana voalohany, sy ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy nisy lalivay naharitra fito andro taorian’ny Paska.
8. Tamin’ny toe-javatra teo aloha inona i Daniela no efa nitady tamim-pahatsoram-po ny fitarihan’i Jehovah, ary inona no vokany tamin’izay?
8 Efa nandia zavatra toy izany i Daniela teo aloha. Tamin’izay fotoana izay, dia nahavery hevitra azy ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jehovah momba ny fahafoanan’i Jerosalema nandritra ny 70 taona. Inona no nataon’i Daniela tamin’izay? “Nampanatrehiko an’Andriamanitra Tompo ny tavako”, hoy izy, “hitady izay hivavahana sy hifonana amin’ny fifadian-kanina sy ny lamba fisaonana ary ny lavenona.” Namaly iny vavak’i Daniela iny i Jehovah, tamin’ny fanirahana ny anjely Gabriela hitondra hafatra izay tena nampahery azy. (Daniela 9:3, 21, 22). Mbola hanao zavatra toy izany koa ve i Jehovah izao, ka hanome an’i Daniela ilay fampaherezana nilainy mafy?
FAHITANA IRAY NAHATAHOTRA
9, 10. a) Taiza moa i Daniela, fony izy nahazo fahitana iray? b) Lazalazao izay hitan’i Daniela tao amin’ilay fahitana.
9 Tsy diso fanantenana i Daniela. Manohy mitantara izy, ka milaza amintsika toy izao izay nitranga nanaraka: “Raha teo amoron’ny ony lehibe aho (Hidekela izany), dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany”. (Daniela 10:4, 5). I Hidekela dia iray tamin’ireo ony efatra nanana ny loharanony tao amin’ny saha Edena. (Genesisy 2:10-14). Tamin’ny teny persanina tranainy, i Hidekela dia fantatra tamin’ny hoe Tigra, izay niavian’ilay anarana grika hoe Tigris. Nanjary nantsoina hoe Mezôpôtamia, izay midika hoe “Tany eo Anelanelan’ireo Ony”, ilay faritra teo anelanelan’izy io sy i Eofrata. Izany dia manamarina fa, fony i Daniela nahazo io fahitana io, dia mbola tany amin’ny tanin’i Babylonia izy, na dia tsy tao amin’ny tanànan’i Babylona aza angamba.
10 Fahitana re io azon’i Daniela io! Miharihary fa tsy olona tsotra no hitany, raha vao nanopy ny masony hijery izy. Nanome izao filazalazana toa hitan’ny maso izao i Daniela: “Tahaka ny krysolita ny tenany, ary tahaka ny helatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, ary mivolom-barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony; ary ny feony toy ny feon’ny olona maro be”. — Daniela 10:6.
11. Inona no vokatr’ilay fahitana teo amin’i Daniela sy ireo olona niaraka taminy?
11 Na dia namirapiratra be aza ilay fahitana, ‘ny olona izay teo amiko dia tsy mba nahita izany’, hoy i Daniela. Noho ny antony tsy fantatra, dia “tora-kovitra indrindra izy [ireo] ka nandositra niery”. Noho izany, dia tavela irery teo amoron’ilay ony i Daniela. Nandresy azy aoka izany “izany fahitana lehibe izany”, ka hoy izy niaiky: “Tsy nisy hery tafajanona tato amiko; fa nihasimba nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony tamiko.” — Daniela 10:7, 8.
12, 13. Nilaza inona momba ilay mpitondra hafatra moa a) ny fitafiany? b) ny fisehoany?
Eksodosy 28:4-8; 39:27-29). Ny fitafian’ilay mpitondra hafatra àry dia milaza fa feno fahamasinana sy fahamendrehana ny toerana notanany.
12 Andeha isika hijery akaiky kokoa an’io mpitondra hafatra nanaitra, izay nampahatahotra aoka izany an’i Daniela, io. “Nitafy rongony fotsy [izy], ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany”. Tany Isiraely fahiny, ny fehikibo sy ny efoda ary ny saron-tratran’ny mpisoronabe, ary koa ny akanjo lavan’ny mpisorona hafa, dia vita tamin’ny rongony fotsy madinika voaolana, ary voaravaka volamena. (13 Nahatahotra an’i Daniela koa ny fisehoan’ilay mpitondra hafatra — ny fanjopiakan’ny vatany toy ny vatosoa, ny famirapiratry ny tarehiny toa nanajamba, ny fibanjin’ny masony nivaivay toy ny afo, ary ny fanjelanjelatry ny sandriny sy ny tongony natanjaka. Na dia ny feony feno fahefana aza dia nahatahotra. Izany rehetra izany dia mampiseho mazava fa tsy olombelona izy io. Tsy iza io ‘lehilahy nitafy rongony fotsy’ io fa anjely iray ambony laharana, izay nanompo teo anatrehan’i Jehovah, ilay nampitondra hafatra. *
NOHATANJAHINA “ILAY MALALA INDRINDRA”
14. Fanampiana inona no nilain’i Daniela mba handraisana ny hafatr’ilay anjely?
14 Navesa-danja sady sarotra ilay hafatra nentin’ny anjelin’i Jehovah ho an’i Daniela. Talohan’ny nahafahan’i Daniela nandray azy io, dia nila fanampiana izy mba ho tafarina avy tamin’ny fahoriany ara-batana sy ara-tsaina. Toa takatr’ilay
anjely izany, hany ka nanome fanampiana manokana sy fampaherezana an’i Daniela tamim-pitiavana ilay anjely. Andeha harahintsika ny fitantaran’i Daniela an’izay nitranga.15. Inona no nataon’ilay anjely mba hanampiana an’i Daniela?
15 “Nony nandre [ny teniny] aho, dia renoky ny torimaso [ka] niankohoka tamin’ny tany.” Azo inoana fa ny tahotra sy ny fanahiana no nahatonga an’i Daniela ho toy ny safotra. Inona no nataon’ilay anjely mba hanampiana azy? Daniela 10:9-11.
“Indro”, hoy i Daniela, “nisy tànana nanohina ka nanarina ahy [miandalana, NW ] handohalika sy hitehin-tànana, nefa mbola nangozohozo ihany.” Ambonin’izany, dia nampahery an’ilay mpaminany tamin’izao teny izao ilay anjely: “Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny.” Nahatonga an’i Daniela hahatsiaro saina indray ilay tanana nitondra fanampiana sy ireo teny feno fampiononana. Na dia “nangozohozo” aza izy, dia “nitsangana”. —16. a) Ahoana no ahafantarana fa mamaly faingana ny vavak’ireo mpanompony i Jehovah? b) Nahoana ilay anjely no ela vao tonga nanampy an’i Daniela? (Resaho koa ilay faritra voafefy.) d) Inona no hafatra nentin’ilay anjely ho an’i Daniela?
16 Nolazain’ilay anjely fa tonga manokana mba hanatanjaka an’i Daniela ny tenany. “Aza matahotra, ry Daniela”, hoy izy, “fa hatramin’ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan’Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho.” Avy eo, dia nohazavainy ny antony nahela azy. Hoy izy: “Fa ilay andrianan’ny fanjakan’i Persia dia nanohitra ahy iraika amby roa-polo andro; fa indro kosa Mikaela, anankiray amin’ireo andriana lehibe, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho ihany no sisa nijanona teo amin’ny mpanjakan’i Persia.” Noho ny fanampian’i Mikaela, dia afaka nanatontosa ny asa nanirahana azy ilay anjely, ka tonga nitondra izao hafatra maika dia maika izao tamin’i Daniela: “Avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin’izany andro izany ny fahitana.” —17, 18. Ahoana no nanampiana an’i Daniela fanindroany, ary nanampy azy hanao inona izany?
17 Tsy nampientana an’i Daniela ny hoe hahazo hafatra nahavariana toy izany, fa toa vokatra nifanohitra tamin’izany kosa aza no naterak’ireo zavatra reny teo aminy. Hoy ilay fitantarana: “Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia niankohoka tamin’ny tany aho sady tsy nahateny.” Vonona ny hanome fanampiana tamim-pitiavana — fanindroany — ilay anjely mpitondra hafatra. Hoy i Daniela: “Indro, nisy anankiray miendri-janak’olombelona nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho ka niteny”. * — Daniela 10:15, 16a.
18 Nahazo tanjaka i Daniela, raha vao nanendry ny molony Isaia 6:7.) Nahateny indray izao i Daniela, ka afaka nanazava ilay zava-tsarotra niaretany, tamin’ilay anjely mpitondra hafatra. Hoy izy: “Tompoko, azon’ny fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy manan-kery intsony. Fa aiza no ahazoan’ity izaho mpanompon’ny tompoko ity hiteny aminao tompoko? Ary tamin’izay dia tsy nisy hery nitoetra tato amiko intsony, na nisy aina sisa tato amiko.” — Daniela 10:16b, 17.
ilay anjely. (Ampitahao amin’ny19. Ahoana no nanampiana an’i Daniela fanintelony, ary inona no vokany?
19 Tsy nitaraina na nitady fialan-tsiny akory i Daniela tamin’izany. Nanambara ny toerana sarotra nisy azy fotsiny izy, ary dia neken’ilay anjely ny teniny. Noho izany, dia nahazo fanampiana fanintelony avy tamin’ilay anjely mpitondra hafatra i Daniela. “Nisy indray nanana endrik’olona nanendry ahy koa, dia nampahery ahy”, hoy ilay mpaminany. Nampiarahin’ilay mpitondra hafatra tamin’izao teny feno fampiononana izao ilay fikasihana nampita hery: “Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza.” Toa ilay zavatra tena nilain’i Daniela indrindra iny fikasihana tamim-pitiavana sy teny feno fampaherezana iny. Ny vokany? Hoy i Daniela: “Rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny hianao tompoko, satria efa nampahery ahy.” Vonona ny handray fanendrena sarotra iray hafa izao i Daniela. — Daniela 10:18, 19.
20. Nahoana no nitaky ezaka ny fanatontosan’ilay anjely mpitondra hafatra ny asa nanendrena azy?
20 Rehefa avy nanatanjaka an’i Daniela sy nanampy azy hahazo indray ny heriny ara-tsaina sy ara-batana ilay anjely, dia nanambara indray ny zava-nokendren’ny asa nanirahana azy. Hoy izy: “Moa fantatrao va ny nihaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin’ny andrianan’i Persia aho, ary rehefa mivoaka aho, dia, indro, ho avy ny andrianan’i Grisia. Fa hambarako aminao izay voasoratra ao amin’ny soratra marina; nefa tsy misy miara-misikina amiko hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela andriananareo.” — Daniela 10:20, 21.
21, 22. a) Araka ny zavatra niainan’i Daniela, inona no azontsika ianarana momba ny fomba ifampiraharahan’i Jehovah amin’ny mpanompony? b) Nahazo tanjaka mba hanao inona izao i Daniela?
21 Endre izany fanehoam-pitiavana sy fiheverana avy tamin’i Jehovah! Mihevitra foana ny fahaizana sy ny fetran’ny mety ho vitan’ny mpanompony izy. Etsy an-daniny izy dia manendry azy ireo hanao asa araka ny fantany fa ho vitan’izy ireo, na dia mety ho hafa noho izany aza ny fiheveran’izy ireo indraindray. Etsy an-kilany kosa izy dia vonona ny hihaino azy ireo ary avy eo dia manome izay ilaina mba hanampiana azy ireo hanatontosa ilay asa nanendreny azy. Enga anie isika hanahaka foana an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, amin’ny fampaherezana sy fanatanjahana amim-pitiavana an’ireo mpiara-manompo amintsika. —22 Tena nampahery an’i Daniela ny hafatra feno fampiononan’ilay anjely. Na dia nandroso taona aza i Daniela, dia nahazo tanjaka izy izao ary vonona ny handray sy ny hirakitra an-tsoratra ho antsika izay faminaniana miavaka fanampiny.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 13 Na dia tsy voatonona anarana aza io anjely io, dia toa izy io ihany ilay re nanome toromarika an’i Gabriela mba hanampy an’i Daniela hahatakatra ny hevitry ny fahitana iray vao azony. (Ampitahao amin’ny Daniela 12:7, 8 ny 8:2, 15, 16.) Ankoatra izany, ny Daniela 10:13 dia mampiseho fa tonga mba hanampy an’io anjely io i Mikaela, “anankiray amin’ireo andriana lehibe”. Araka izany, io anjely tsy voatonona anarana io, dia tsy maintsy ho nanana tombontsoa niara-niasa akaiky tamin’i Gabriela sy tamin’i Mikaela.
^ feh. 17 Na dia nety ho ilay anjely niteny tamin’i Daniela ihany aza no nanendry ny molony sy nahatonga azy hahatsiaro saina indray, ny fomba fiteny eto dia ahafahana mihevitra fa anjely iray hafa, angamba i Gabriela, no nanao izany. Na izany na tsy izany, dia nohatanjahin’ny anjely iray mpitondra hafatra i Daniela.
INONA NO AZONAO?
• Nahoana no ela ilay anjelin’i Jehovah vao tonga nanampy an’i Daniela tamin’ny 536/535 al.f.i.?
• Milaza inona moa ny fitafian’ilay anjely mpitondra hafatr’Andriamanitra sy ny fisehoany?
• Fanampiana inona no nilain’i Daniela, ary ahoana no nanomezan’ilay anjely azy an’izany intelo?
• Inona no hafatra nentin’ilay anjely ho an’i Daniela?
[Fanontaniana]
[Efajoro, pejy 204, 205]
Anjely Mpiambina sa Demonia Mpanapaka?
AFAKA miana-javatra maro momba ny anjely isika avy amin’ny bokin’i Daniela. Hitantsika ao ny anjara asan’izy ireo mba hanatanterahana ny tenin’i Jehovah, sy ny ezaka ataony mba hanatontosana ny asa nanendrena azy.
Nilaza ny anjelin’Andriamanitra fa rehefa handeha hiresaka tamin’i Daniela ny tenany, dia nosakanan’ilay “andrianan’ny fanjakan’i Persia”. Rehefa avy nifanandrina tamin’izy io 21 andro ilay anjely mpitondra hafatra, dia tsy afaka nanohy ny lalany raha tsy noho ny fanampian’i “Mikaela, anankiray amin’ireo andriana lehibe”. Nilaza koa ilay anjely fa ho voatery hiady tamin’iny fahavalo iny indray ny tenany, ary angamba tamin’ny “andrianan’i Grisia” koa. (Daniela 10:13, 20). Tsy mora izany, na dia ho an’ny anjely aza! Iza anefa ireo andrianan’i Persia sy i Grisia ireo?
Voalohany aloha, dia voamaritsika fa nantsoina hoe “anankiray amin’ireo andriana lehibe” sy hoe “andriananareo” i Mikaela. Tatỳ aoriana izy dia nantsoina hoe “andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny [firenen’i Daniela]”. (Daniela 10:21; 12:1). Izany dia mampiseho fa i Mikaela ilay anjely notendren’i Jehovah hitarika ny Isiraelita hamakivaky ny efitra. — Eksodosy 23:20-23; 32:34; 33:2.
Manohana izany fanatsoahan-kevitra izany ny fanambaran’i Joda mpianatra hoe “Mikaela arikanjely [dia] niady tamin’ny devoly ka nifanditra ny amin’ny fatin’i Mosesy”. (Joda 9). Ny toerana notanan’i Mikaela sy ny heriny ary ny fahefany dia tena nahatonga azy ho ilay “arikanjely”, izay midika hoe “ilay anjely ambony indrindra”, na “ilay anjely lehibe indrindra”. Tsy iza fa i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, taloha sy taorian’ny niainany teto an-tany, ihany no mendrika hampiharana io anarana manondro toerana avo io. — 1 Tesaloniana 4:16; Apokalypsy 12:7-9.
Midika ve izany fa nanendry anjely ho mpitarika an’ireo firenena toa an’i Persa sy i Gresy koa i Jehovah, mba hitari-dalana azy ireo teo amin’ny raharahany avy? Nanambara an-karihary toy izao i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra: “Ny andrianan’izao tontolo izao [dia] tsy manana na inona na inona ato amiko”. Hoy koa izy: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; (...) tsy avy amin’izany ny fanjakako.” (Jaona 14:30; 18:36). Nanambara ny apostoly Jaona fa “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (1 Jaona 5:19). Mazava fa, na taloha na ankehitriny, ireo firenen’ity tontolo ity dia tsy teo ambanin’ny fitarihana na ny fanapahan’Andriamanitra na i Kristy na oviana na oviana. Na dia mamela “ny fahefana lehibe” hisy sy hifehy ny raharahan’ireo fitondram-panjakana eto an-tany aza i Jehovah, dia tsy manendry an’ireo anjeliny ho mpitarika azy ireny. (Romana 13:1-7). Tsy ho afaka ny ho eo amin’izany toerana izany izay “andriana” na “mpanapaka” mitarika azy ireo, raha tsy noho ilay “andrianan’izao tontolo izao”, dia i Satana Devoly. Tsy maintsy ho demonia mpanapaka izy ireo, fa tsy anjely mpiambina. Misy demonia, na “andriana”, tsy hita maso àry, ao ambadik’ireo mpitondra hita maso, ary tsy olombelona tsotra fotsiny no tafiditra ao amin’ireo ady ifanaovan’ireo firenena.
[Sary, pejy 199]
[Sary, pejy 207]