Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Notsapaina, Nefa Tsy Nivadika Tamin’i Jehovah!

Notsapaina, Nefa Tsy Nivadika Tamin’i Jehovah!

Toko Fahatelo

Notsapaina, Nefa Tsy Nivadika Tamin’i Jehovah!

1, 2. Fisehoan-javatra lehibe inona avy no iantombohan’ny fitantaran’i Daniela?

MANOMBOKA amin’ny fotoana manan-tantara iray teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny boky ara-paminanian’i Daniela. Vao avy namoy an’i Ninive, renivohiny, i Asyria. Nanjary nihemotra ho amin’ny toeran’ny fanjakana madinika teo atsimon’ny tanin’i Joda i Ejipta. I Babylona kosa nisandratra haingana, ka tonga ny fanjakana natanjaka indrindra, teo amin’ny ady ho an’ny fanapahana naneran-tany.

2 Tamin’ny 625 al.f.i., dia nanao ezaka ho fiala-nenina farany i Farao-nekon’i Ejipta mba hisakanana ny fitaran’ny Babylonianina nianatsimo. Noho izany, dia notarihiny nankany Karkemisy, teo amoron’ny Ony Eofrata, ny tafiny. Fisehoan-javatra ara-tantara nisy vokany lehibe ny adin’i Karkemisy, araka ny nanjary nahafantarana azy. Nandresy tanteraka ny tafik’i Farao-neko ny tafika babylonianina, notarihin’i Nebokadnezara, ilay mpandova ny seza fiandrianana. (Jeremia 46:2). Mbola nentanin’io fandreseny io i Nebokadnezara, ka nifaoka an’i Syria sy i Palestina, ary avy hatrany dia namarana ny fanapahan’i Ejipta tao amin’io faritra io. Ny fahafatesan’i Nabopolasara, rainy, ihany no nampiato azy.

3. Inona no niafaran’ny fanafihan’i Nebokadnezara voalohany an’i Jerosalema?

3 Ny taona nanaraka, dia nampitodika indray ny sainy ho amin’ny fanafihana an’i Syria sy i Palestina, i Nebokadnezara, izay tonga mpanjakan’i Babylona izao. Nandritra io fe-potoana io izy no tonga tao Jerosalema voalohany. Hoy ny fitantaran’ny Baiboly: “Tamin’ny andro nanjakan’i Joiakima no niakaran’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy.” — 2 Mpanjaka 24:1.

NEBOKADNEZARA TAO JEROSALEMA

4. Ahoana no tokony hahazoana ilay teny hoe “tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima”, ao amin’ny Daniela 1:1?

4 Mahaliana antsika indrindra ilay teny hoe “telo taona”, satria hoy ireo teny fanokafana ny bokin’i Daniela: “Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, no nankanesan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.” (Daniela 1:1). Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima, izay nanjaka nanomboka tamin’ny 628 ka hatramin’ny 618 al.f.i., dia mbola tsy “mpanjakan’i Babylona” i Nebokadnezara, fa mbola ilay mpandova ny seza fiandrianana. Tamin’ny 620 al.f.i., dia nanery an’i Joiakima handoa hetra i Nebokadnezara. Rehefa afaka telo taona teo ho eo anefa, dia nikomy i Joiakima. Noho izany, dia tamin’ny 618 al.f.i., na tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima teo ambany fahefan’i Babylona, no nahatongavan’i Nebokadnezara Mpanjaka tao Jerosalema fanindroany, mba hanasazy an’i Joiakima izay niodina.

5. Inona no niafaran’ny fanafihan’i Nebokadnezara fanindroany an’i Jerosalema?

5 Izao no niafaran’io fanaovana fahirano io: “Ny Tompo nanolotra an’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, mbamin’ny fanaka sasany tao an-tranon’Andriamanitra ho eo an-tànany”. (Daniela 1:2). Maty i Joiakima, na novonoin’olona, na nandritra ny fikomiana iray, angamba teo am-piandohan’ilay fanaovana fahirano. (Jeremia 22:18, 19). Tamin’ny 618 al.f.i., dia nandimby azy i Joiakina, zanany lahy 18 taona. Tsy naharitra afa-tsy telo volana sy folo andro anefa ny fanapahan’i Joiakina, ary dia nilavo lefona izy tamin’ny 617 al.f.i. — Ampitahao amin’ny 2 Mpanjaka 24:10-15.

6. Inona no nataon’i Nebokadnezara tamin’ireo fitaovana masina tao amin’ny tempoly tao Jerosalema?

6 Namabo fanaka masina tao amin’ny tempolin’i Jerosalema i Nebokadnezara, ka “nentiny ho any amin’ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon’andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin’ny trano firaketan’andriamaniny”, dia i Mardoka, na Merodaka amin’ny teny hebreo. (Daniela 1:2; Jeremia 50:2). Nisy soratra babylonianina iray hita, namakiana izao tenin’i Nebokadnezara izao momba ny tempolin’i Mardoka: “Nanangona volafotsy sy volamena ary vatosoa tao anatiny aho (...) ka nametraka tao ny tranon-drakitry ny fanjakako.” Handre momba ireo fitaovana masina ireo indray isika amin’ny andron’i Belsazara Mpanjaka. — Daniela 5:1-4.

NY OLO-MANGA TEO AMIN’NY TANORAN’I JEROSALEMA

7, 8. Inona no hevitra azontsika tsoahina momba ny fiavian’i Daniela sy ireo namany telo lahy, avy amin’ny Daniela 1:3, 4, 6?

7 Tsy ireo rakitra tao amin’ny tempolin’i Jehovah ihany no nentina tany Babylona. Hoy ny fitantarana: “Ary ny mpanjaka nandidy an’i Aspenaza, lehiben’ny tandapany, hitondra ny sasany amin’ny Zanak’Isiraely, dia amin’ny zanak’andriana na amin’ny ambony firazanana, dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin’ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka”. — Daniela 1:3, 4.

8 Iza no voafidy? Izao no lazaina amintsika: “Tamin’ireo dia nisy avy amin’ny taranak’i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.” (Daniela 1:6). Izany dia manome fanazavana kely momba ny fiavian’i Daniela sy ireo namany. Voamaritsika, ohatra, fa “taranak’i Joda”, ilay fokon’ny mpanjaka, izy ireo. Na avy tamin’ny tarana-mpanjaka izy ireo na tsia, dia ara-dalàna ny hieritreretana fa avy tamin’ny fianakavian’ny olo-nanan-kaja sy ambony toerana izy ireo, fara faharatsiny. Ankoatra ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batana, dia nanana fahendrena sy fahalalana ary fahazavan-tsaina koa izy ireo — ary izany rehetra izany dia tamin’ny fotoana mbola azo niantsoana azy ireo hoe “zatovo”, na “ankizy” (NW ), angamba teo anelanelan’ny 13 sy 15 taona. Tsy maintsy ho olona niavaka — ny olo-manga — teo amin’ireo tanora tany Jerosalema, i Daniela sy ireo namany.

9. Nahoana no toa azo antoka fa nanana ray aman-dreny natahotra an’Andriamanitra i Daniela sy ireo namany telo lahy?

9 Tsy milaza amintsika ilay fitantarana hoe iza no ray aman-drenin’ireo tanora ireo. Na dia izany aza, dia toa azo antoka fa olona natahotra an’Andriamanitra sady nihevitra ny andraikiny ho zava-dehibe izy ireo. Rehefa heverina ny fikororosiana ara-pitondran-tena sy ara-panahy nanerana an’i Jerosalema tamin’izay fotoana izay, indrindra fa teo amin’ny ‘zanak’andriana sy ny ambony firazanana’, dia mazava fa tsy kisendrasendra ny nananan’i Daniela sy ireo namany telo lahy toetra faran’izay tsara. Tsy isalasalana fa tsy maintsy ho nahavaky fo an’ireo ray aman-dreniny ny nahita ny zanany nentina tany an-tany lavitra. Raha mba fantatr’izy ireo mantsy ny niafaran’ny zanany, dia ho toy inona moa ny fireharehan’izy ireo! Tena zava-dehibe tokoa ny hitaizan’ny ray aman-dreny ny zanany “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah”! — Efesiana 6:4, NW.

ADIN-TSAINA

10. Inona no nampianarina an’ireo tanora hebreo, ary noho ny zava-kendrena inona?

10 Avy hatrany dia nanomboka ny adin-tsaina ho an’ireo tanora tany an-tsesitany ireo. Mba hahazoana antoka fa ho voavolavola tsara hanaraka ny rafitra babylonianina ireo zatovo hebreo ireo, dia nandidy an’ireo tandapany mba ‘hampianatra azy ireo ny taratasy sy ny tenin’ny Kaldeanina’, i Nebokadnezara. (Daniela 1:4). Tsy fanabeazana tsotra akory izany. Manazava ny The International Standard Bible Encyclopedia fa “tafiditra tamin’izany ny fianarana ny teny somerianina, akadianina, aramianina (...), sy fiteny hafa, ary koa ny asa soratra be dia be tamin’ireo fiteny ireo”. Anisan’izany “asa soratra be dia be” izany ny momba ny tantara, ny matematika, ny astrônômia, ary ny toy izany. Kanefa “nitana toerana lehibe ny soratra ara-pivavahana nifandray tamin’izany, ka tafiditra tamin’izany ny fambara ny hoavy sy ny fanandroana (...)”.

11. Dingana inona avy no natao mba hahazoana antoka fa hifanaraka tsara amin’ny fiainana tao an-dapan’i Babylona ireo tanora hebreo?

11 Mba handraisan’ireo tanora hebreo ireo tanteraka ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina tao an-dapan’i Babylona, “ny mpanjaka [dia] nampanokana hanina ho an’ireo isan-andro avy tamin’ny haniny sy avy tamin’ny divay izay fisotrony mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan’ny mpanjaka izy”. (Daniela 1:5). Ankoatra izany, dia “nomen’ny lehiben’ny tandapa anarana [izy ireo], ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego”. (Daniela 1:7). Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia fanao nahazatra ny fanomezana anarana vaovao ho an’ny olona iray, mba hanamarihana fisehoan-javatra lehibe iray teo amin’ny fiainany. I Jehovah, ohatra, dia nanova ny anaran’i Abrama sy i Saray ho Abrahama sy Saraha. (Genesisy 17:5, 15, 16). Ny fanovan’ny olombelona iray ny anaran’ny olon-kafa iray dia porofo mihariharin’ny fahefany na ny fahamboniany. Fony i Josefa tonga mpitantana ny sakafo tany Ejipta, dia nanome azy ny anarana hoe Zafenata-panea i Farao. — Genesisy 41:44, 45; ampitahao amin’ny 2 Mpanjaka 23:34; 24:17.

12, 13. Nahoana no azo lazaina fa natao mba handravana ny finoan’ireo tanora hebreo ny fanovana ny anarany?

12 Raha ny amin’i Daniela sy ireo namany hebreo telo lahy, dia nisy heviny lehibe ilay fiovana anarana. Ny anarana nomen’ny ray aman-dreniny azy avy dia nifanaraka tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Ny hoe “Daniela” dia midika hoe “Andriamanitra no Mpitsara Ahy”. Ny hevitry ny hoe “Hanania” dia hoe “Naneho Fankasitrahana i Jehovah”. Ny hoe “Misaela” dia mety hidika hoe “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?” Ny hoe “Azaria” dia midika hoe “Nanampy i Jehovah”. Azo antoka fa ny fanantenana mafin’ny ray aman-drenin’izy ireo avy dia ny hitomboan’izy ireo teo ambany fitarihan’i Jehovah Andriamanitra mba ho tonga mpanompony mahatoky sy tsy mivadika.

13 Kanefa, ireo anarana vaovao nomena an’ireo Hebreo efa-dahy dia samy nifandray akaiky tamin’ny an’andriamani-diso, ka toa manondro fa resin’ireo andriamanitra ireo ilay Andriamanitra marina. Endre izany fitadiavana an-kolaka handrava ny finoan’ireo tanora ireo!

14. Inona avy no hevitry ny anarana vaovao nomena an’i Daniela sy ireo namany telo lahy?

14 Ny anaran’i Daniela dia novana ho Beltesazara, izay midika hoe “Arovy ny Ain’ny Mpanjaka”. Miharihary fa izy io dia fanafohezana ny fitalahoana iray tamin’i Bela, na Mardoka, izay ny andriamanitra lehibe indrindran’i Babylona. Na tompon’andraikitra ny amin’ny fifidianana io anarana ho an’i Daniela io i Nebokadnezara na tsia, dia nirehareha erỳ izy nilaza fa “araka ny anaran’ny [andriamaniny]” ilay izy. (Daniela 4:5). I Hanania dia nomena ny anarana vaovao hoe Sadraka, izay inoan’ny manam-pahaizana sasany ho fitambaran’anarana midika hoe “Baikon’i Akou”. Mahaliana fa ny hoe Akou dia ny anaran’ny andriamanitra somerianina iray. I Misaela dia nomena ny anarana vaovao hoe Mesaka (angamba hoe Mi·sha·aku), izay toa fanolanana amin-kafetsena ny hoe “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?” ho tonga hoe “Iza no Sahala Amin’i Akou?” Ny anarana babylonianin’i Azaria dia hoe Abednego, izay mety hidika hoe “Mpanompon’i Nego”. Ary ny hoe “Nego” dia endrika iray hafa amin’ny hoe “Nebo”, izay anaran’ny andriamanitra iray nanomezana anarana mpanapaka babylonianina maro koa.

TAPA-KEVITRA NY TSY HIVADIKA TAMIN’I JEHOVAH

15, 16. Inona avy izao ireo loza natrehin’i Daniela sy ireo namany, ary nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo?

15 Ireo anarana babylonianina sy ilay fandaharam-panabeazana vaovao ary ilay sakafo manokana — izany rehetra izany dia fanandramana, tsy hoe mba hifanarahan’i Daniela sy ireo tanora hebreo telo lahy tamin’ny fomba fiaina babylonianina fotsiny, fa mba hampihatahana azy ireo tamin’ny Andriamaniny, dia i Jehovah, ary koa tamin’ny fampiofanana sy ny kolontsaina ara-pivavahana azony. Teo anoloan’izany fanerena sy fakam-panahy rehetra izany, inona moa no hataon’ireo tanora ireo?

16 Hoy ny fitantarana ara-tsindrimandry: “Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ny [hanim-pin’ny mpanjaka, NW ], na tamin’ny divay izay fisotrony”. (Daniela 1:8a). Na dia i Daniela aza no hany voatonona anarana eto, dia miharihary avy amin’ny teny manaraka fa nanohana ny fanapahan-keviny ireo namany telo lahy. Ny teny hoe “ninia [“tapa-kevitra”, NW ] tao am-pony” dia mampiseho fa nanohina ny fon’i Daniela ny fampianarana nomen’ny ray aman-dreniny sy ny olon-kafa azy tany amin’ny taniny. Fampiofanana nitovy tamin’izany no tsy isalasalana fa nitarika an’ireo Hebreo telo lahy hafa teo amin’ny fanapahan-keviny. Izany dia mampiseho tsara ny hasarobidin’ny fampianarana ny zanatsika, na dia mety ho toa mbola kely loatra ka hoe tsy hahazo hevitra aza izy ireo. — Ohabolana 22:6; 2 Timoty 3:14, 15.

17. Nahoana no ireo hanin’ny mpanjaka isan’andro ihany no nolavin’i Daniela sy ireo namany, fa tsy ireo fandaharana hafa koa?

17 Nahoana no ireo hanim-py sy divay ihany no nolavin’ireo tanora hebreo ireo fa tsy ireo fandaharana hafa koa? Mampiseho mazava tsara ny antony ny fanjohian-kevitr’i Daniela hoe: “Tsy handoto ny tenany [izy]”. Tsy voatery handoto ny olona iray ny tsy maintsy hianarany “ny taratasy sy ny tenin’ny Kaldeana”, sy ny fanomezana azy anarana babylonianina, na dia mety hahasosotra aza izany. Raiso ny ohatr’i Mosesy, efa ho 1 000 taona talohan’io. Na dia “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana” aza izy, dia tsy nivadika tamin’i Jehovah. Nanome azy fototra mafy orina ny fitaizan’ny tena ray aman-dreniny azy. Noho izany, dia “finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, rehefa lehibe izy, — nifidy mantsy [izy ny] hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana”. — Asan’ny Apostoly 7:22; Hebreo 11:24, 25.

18. Tamin’ny fomba ahoana avy no handotoan’ny hanin’ny mpanjaka an’ireo tanora hebreo?

18 Tamin’ny fomba ahoana no handotoan’ny hanin’ny mpanjakan’i Babylona an’ireo tanora ireo? Voalohany aloha, dia nety ho tafiditra tamin’izany hanim-py izany ny sakafo sasany nandraran’ny Lalàn’i Mosesy. Ohatra, ny Babylonianina dia nihinana biby maloto, izay nandrarana tsy hohanin’ny Isiraelita teo ambanin’ny Lalàna. (Levitikosy 11:1-31; 20:24-26; Deoteronomia 14:3-20). Faharoa manaraka izany, dia tsy fanaon’ireo Babylonianina ny nandatsaka ny ran’ireo biby novonoiny, talohan’ny hihinanana ny nofony. Ho fandikana mivantana ny lalàn’i Jehovah momba ny ra ny fihinanana nofom-biby tsy nalatsa-dra. (Genesisy 9:1, 3, 4; Levitikosy 17:10-12; Deoteronomia 12:23-25). Fahatelo, ireo mpivavaka tamin’andriamani-diso dia zatra nanolotra ny haniny ho an’ny sampy, talohan’ny hihinanana azy nandritra ny sakafo niombonana. Tsy handray anjara amin’ny fanao toy izany ny mpanompon’i Jehovah! (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 10:20-22.) Ary farany, ny fanaranam-po amin’ny sakafo matsiro sy amin’ny zava-pisotro mahery isan’andro vaky izao dia tsy hahasalama na iza na iza, ary indrindra fa ny tanora.

19. Azon’ireo tanora hebreo natao ny nanjohy hevitra hoe ahoana, nefa inona no nanampy azy ireo hanao ny fanatsoahan-kevitra tsara?

19 Zavatra iray ny fahafantarana izay tokony hatao, fa zavatra hafa tanteraka kosa ny fananana ny herim-po hanaovana azy ao anatin’ny fanerena na ny fakam-panahy. Azon’i Daniela sy ireo namany telo lahy natao ny nanjohy hevitra hoe tsy hahafantatra izay hataony ny ray aman-dreniny sy ny namany, satria hoe lavitra azy ireo. Azony natao koa ny nanjohy hevitra hoe baikon’ny mpanjaka ilay izy, ka toa tsy nisy zavatra hafa azony nofidina hatao. Ambonin’izany, dia nisy tanora hafa teo, izay tsy isalasalana fa vonona ny hanaiky ilay fandaharana, ary nihevitra ho tombontsoa, fa tsy ho zava-tsarotra, ny fanarahana azy io. Ny fomba fisaina diso toy izany anefa dia nety ho nitarika mora foana ho amin’ny fahotana miafina, izay fandrika ho an’ny tanora maro. Fantatr’ireo tanora hebreo fa “ny mason’i Jehovah [dia] amin’izao rehetra izao” ary koa fa “ny atao rehetra dia ho entin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy”. (Ohabolana 15:3; Mpitoriteny 12:14). Aoka isika rehetra handray fianarana avy amin’ny lalana narahin’ireo tanora nahatoky ireo.

NOVALIAN-TSOA NY HERIM-PO SY NY FIKIRIZANA

20, 21. Inona no nataon’i Daniela, ary inona no vokany?

20 Rehefa avy nanapa-kevitra tao am-pony hanohitra ireo fitaomana manimba i Daniela, dia nanao zavatra nifanaraka tamin’ny fanapahan-keviny. “[Tsy nitsahatra, NW ] nangataka tamin’ny lehiben’ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.” (Daniela 1:8b). Mendri-komarihina ilay teny hoe “tsy nitsahatra nangataka”. Matetika no ilaina ny fikirizana, raha manantena ny hahatohitra fakam-panahy na handresy fahalemena sasany isika. — Galatiana 6:9.

21 Raha ny amin’i Daniela, dia nisy vokany tsara ny fikirizany. “Dia nataon’Andriamanitra nahita fitia sy famindrampo tamin’ilay lehiben’ny tandapa Daniela.” (Daniela 1:9). Tsy noho i Daniela sy ireo namany olona nahafinaritra sy kinga saina akory no nahitany vokatra tsara tamin’ny farany, fa noho ny fitahian’i Jehovah kosa. Tsy isalasalana fa nahatsiaro an’izao ohabolana hebreo izao i Daniela: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” (Ohabolana 3:5, 6). Tena novalian-tsoa tokoa ny fanarahany an’io torohevitra io.

22. Fanoherana ara-dalàna inona no nolazain’ilay tandapa?

22 Tamin’ny voalohany, dia nanohitra toy izao ilay lehiben’ny tandapa: “Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny [endrikareo malahelo rehefa ampitahaina amin’ny, NW ] an’ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin’ny mpanjaka va hianareo, ka hotapahiny ny lohako?” (Daniela 1:10). Fanoherana sy tahotra ara-dalàna ireo. Tsy azo natao ny tsy hankato ny tenin’i Nebokadnezara Mpanjaka, ary takatr’ilay tandapa fa hotandindomin-doza ny ‘lohany’, raha nitsipaka ny toromariky ny mpanjaka ny tenany. Inona àry no hataon’i Daniela?

23. Ahoana no nampisehoan’i Daniela fahazavan-tsaina sy fahendrena, tamin’ilay lalana narahiny?

23 Teo no niasan’ny fahazavan-tsaina sy ny fahendrena. Tadidin’i Daniela tanora angamba ilay ohabolana hoe: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.” (Ohabolana 15:1). Tsy nanizingizina tamin-kiry i Daniela hoe tsy maintsy tanterahina ny fangatahany, satria nety ho nahatonga ny hafa hanao azy ho maritiora izany, fa nampiato kely an’ilay raharaha aloha izy. Tamin’ny fotoana nety, dia nanatona “ny mpiadidy” izy, satria nety ho vonona kokoa izy io ny handefitra kely, noho izy tsy tompon’andraikitra nivantana teo anatrehan’ny mpanjaka. — Daniela 1:11.

FIZAHAN-TOETRA FOLO ANDRO

24. Fomba fizahan-toetra inona no natolotr’i Daniela?

24 Nanolotra izao fomba fizahan-toetra izao ho an’ilay mpiadidy i Daniela: “Masìna hianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay. Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin’ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin’ny hanin’ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin’ny mpanomponao.” — Daniela 1:12, 13.

25. Inona avy no nety ho tafiditra tao amin’ireo “legioma” naroso ho an’i Daniela sy ireo namany telo lahy?

25 Folo andro nihinanana ‘hanin-kotrana sy rano’ — ‘hampalahelo’ ve ny ho fijery azy ireo, raha ampitahaina amin’ny hafa? Ny hoe “hanin-kotrana”, na “legioma” (NW ), dia nadika avy tamin’ny teny hebreo iray midika hoe “masomboly”. Ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany dia mandika azy io hoe “voa”, ka ny tiany holazaina dia hoe “voa fihinana avy amin’ny legiominezy samihafa (toy ny pitipoà, tsaramaso na lantily)”. Mihevitra ny manam-pahaizana sasany fa, araka ny teny manodidina, dia tsy voa fihinana fotsiny akory no tafiditra tao amin’izany sakafo izany. Hoy ny boky iray: “Ny nangatahin’i Daniela sy ireo namany dia ilay sakafo tsotra voaforona legioma fihinan’ny sarambaben’ny olona, fa tsy ilay sakafo matsiro sy nisy hena teo amin’ny latabatry ny mpanjaka.” Noho izany, dia tafiditra tamin’izany legioma izany ny sakafo mahavelona vita tamin’ny tsaramaso, kôkômbra, tongolo gasy, poarô, lantily, voanketsihetsy ary tongolobe sy mofo natao tamin’ny voa madinika isan-karazany. Azo antoka fa tsy hisy olona hihevitra izany ho sakafo mahafaty mosary. Toa azon’ilay mpiadidy ny tian’izy ireo holazaina. “Ary nanaiky izany teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana.” (Daniela 1:14). Inona no vokany?

26. Inona no vokatr’ilay fizahan-toetra folo andro, ary nahoana no toy izany no niafarany?

26 “Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an’ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka.” (Daniela 1:15). Izany akory tsy natao hanaporofoana fa tsara kokoa noho ny sakafo matsiro sy misy hena ny sakafon’ny tsy mihinan-kena. Fohy loatra ny hafoloana mba hahitana vokatra azo tsapain-tanana avy amin’ny fihinanana sakafo na inona na inona, nefa tsy fohy loatra ho an’i Jehovah izany mba hanatanterahana ny fikasany. “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany”, hoy ny Teniny. (Ohabolana 10:22). Nino sy natoky an’i Jehovah ireo tanora hebreo efa-dahy, ka tsy nafoiny. An-jatony taona maro tatỳ aoriana, rehefa avy nifady hanina 40 andro i Jesosy Kristy, dia mbola velona ihany. Momba izany, dia nanonona izao teny hita ao amin’ny Deoteronomia 8:3 izao izy: “Tsy mofo ihany no iveloman’ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona.” Ohatra faran’izay tsara ny amin’izany ny zavatra niainan’i Daniela sy ireo namany.

FAHAZAVAN-TSAINA SY FAHENDRENA, FA TSY HANIM-PY SY DIVAY

27, 28. Tamin’ny fomba ahoana avy ilay fandaharan-tsakafo narahin’i Daniela sy ireo namany telo lahy no fiomanana ho amin’ny zavatra lehibe kokoa niandry azy?

27 Fizahan-toetra fotsiny ireo folo andro, nefa nampiaiky indrindra ny vokatra azo. “Dia najanon’ilay mpiadidy ny [hanim-piny, NW ] sy ny divay hosotroiny, ka [legioma, NW ] no nomeny azy.” (Daniela 1:16). Tsy sarotra ny maka sary an-tsaina izay noeritreretin’ireo tanora hafa nanaraka ilay fampiofanana, momba an’i Daniela sy ireo namany. Tsy maintsy ho tena hadalana be tamin’izy ireo ny fandavana ny fanasam-ben’ny mpanjaka mba hihinanana legioma isan’andro. Nisy fitsapana sy fisedrana lehibe anefa niandry an’ireo tanora hebreo, ka izany dia nitaky ny hananany ny fahazavan-tsaina sy ny fahatoniana rehetra nety ho azony. Ambonin’ny zava-drehetra, dia ny finoany sy ny fatokiany an’i Jehovah no hanampy azy hahatohitra ireo fitsapana ny finoany. — Ampitahao amin’ny Josoa 1:7.

28 Hitantsika amin’izay voalaza manaraka ny porofo fa nomba an’ireo tanora ireo i Jehovah: “Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin’ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin’ny fahitana sy ny nofy rehetra.” (Daniela 1:17). Mba hiatrehana ireo fotoan-tsarotra ho avy, dia mihoatra noho ny tanjaka ara-batana sy ny fahasalamana tsara no nilain’izy ireo. “Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana, dia hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny fahalalana, ka hamonjy anao amin’ny làlan-dratsy”. (Ohabolana 2:10-12). Izany indrindra no nomen’i Jehovah an’ireo tanora nahatoky efa-dahy mba hahafahany hiatrika izay niandry azy.

29. Nahoana i Daniela no afaka “nahafantatra ny amin’ny fahitana sy ny nofy rehetra”?

29 Voalaza fa “nahafantatra ny amin’ny fahitana sy ny nofy rehetra” i Daniela. Tsy midika akory izany hoe tonga mpanelanelana tamin’ny tontolo ara-panahy izy. Mahaliana fa na dia raisina ho iray amin’ireo mpaminany hebreo lehibe aza i Daniela, dia tsy nahazo tsindrimandry izy hanonona teny toy ny hoe “izao no lazain’i Jehovah Tompo”, na hoe “izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro”. (Isaia 28:16; Jeremia 6:9). Na dia izany aza, dia noho ny fitarihan’ny fanahy masin’Andriamanitra ihany no nahafahan’i Daniela nahazo sy nilaza ny hevitr’ireo fahitana sy nofy izay nampiharihary ny fikasan’i Jehovah.

FARANY, DIA ILAY FITSAPANA LEHIBE INDRINDRA

30, 31. Inona no soa noraisin’i Daniela sy ireo namany, noho ilay lalana nofidiny harahina?

30 Nifarana ireo telo taona nanabeazana sy nikarakarana azy ireo. Avy eo dia tonga ilay fitsapana lehibe indrindra — ny fisehoana manokana teo anatrehan’ny mpanjaka. “Ary nony tonga ny andro nasain’ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin’ilay lehiben’ny tandapa niditra teo anatrehan’i Nebokadnezara izy.” (Daniela 1:18). Tonga ny fotoana hampamoahana an’ireo tanora efa-dahy. Moa ve hahasoa azy ireo ny nifikirany tamin’ny lalàn’i Jehovah, ka tsy nanekeny hanaraka ny fomba babylonianina?

31 “Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an’i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin’izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo.” (Daniela 1:19). Izany ka fanamarinana feno an’ilay lalana narahin’izy ireo nandritra ireo telo taona farany! Tsy hadalana velively ny nanarahan’izy ireo fandaharan-tsakafo iray nibaikoan’ny finoany sy ny feon’ny fieritreretany azy. Noho izy ireo nahatoky teo amin’izay mety ho toa zavatra madinika indrindra, dia notahina i Daniela sy ireo namany ka nahazo zavatra lehibe kokoa. Ny tombontsoa ‘hitoetra teo anatrehan’ny mpanjaka’ no zava-nokendren’ireo tanora rehetra nanaraka ilay fampiofanana. Tsy milaza ny Baiboly raha ireo tanora hebreo efa-dahy ihany no voafantina. Na ahoana na ahoana, ny lalam-pahatokiana narahin’izy ireo dia tena nitondra “valisoa lehibe” ho azy ireo tokoa. — Salamo 19:11, NW.

32. Nahoana no azo lazaina fa tombontsoa lehibe kokoa noho ny ho tao an-dapan’ny mpanjaka no azon’i Daniela, i Hanania, i Misaela ary i Azaria?

32 “Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va hianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no hitsanganany”, hoy ny Soratra Masina. (Ohabolana 22:29). Noho izany, dia nofidin’i Nebokadnezara mba hitoetra teo anatrehan’ny mpanjaka, izany hoe mba ho anisan’ny tandapa, i Daniela, i Hanania, i Misaela ary i Azaria. Mahita ny tanan’i Jehovah nitarika ny zava-drehetra isika ao amin’izany rehetra izany. Nampiasa ireo zatovolahy ireo — indrindra fa i Daniela — tokoa izy mba hampahafantarana lafiny lehibe tamin’ny fikasany. Na dia voninahitra aza ny ho voafantina mba ho anisan’ny tandapan’i Nebokadnezara, dia voninahitra lehibe lavitra ny hoe ampiasain’i Jehovah, ilay Mpanjaka eo Amin’izao Rehetra Izao, amin’ny fomba mahatalanjona toy izany.

33, 34. a) Nahoana no nampiaiky volana ny mpanjaka ireo tanora hebreo? b) Fianarana inona no azontsika raisina avy amin’ny zavatra niainan’ireo Hebreo efa-dahy?

33 Tsy ela dia hitan’i Nebokadnezara fa ambony lavitra noho ny an’ireo mpanolo-tsaina sy olon-kendry rehetra tao an-dapany ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina nomen’i Jehovah an’ireo tanora hebreo efa-dahy. “Ary ny amin’ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo impolo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin’ny fanjakany rehetra aza izy.” (Daniela 1:20). Ahoana tokoa moa no hetezan’ny mifanohitra amin’izany? Ireo “ombiasy” sy “mpisikidy” dia niantehitra tamin’ny fahalalana andavanandro sy feno finoanoam-poanan’i Babylona, fa i Daniela sy ireo namany kosa natoky ny fahendrena avy any ambony. Tsy afaka ny hifampitaha — na hifaninana — tsotra izao ireo!

34 Raha ny tena izy, dia tsy niova firy ny zava-drehetra tao anatin’ireo taonjato lasa rehetra. Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., fony nalaza ny filôzôfia grika sy ny lalàna romanina, dia nahazo tsindrimandry mba hanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra; fa voasoratra hoe: ‘Ny hafetsen’ny hendry ihany no entiny misambotra azy’. Ary indray: ‘Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry, fa zava-poana izany’. Ka dia aza misy manao olona ho reharehany”. (1 Korintiana 3:19-21). Ankehitriny, dia mila mifikitra mafy amin’izay nampianarin’i Jehovah antsika isika, fa tsy hanaiky ho voataonan’ny renty sy ny famirapiratan’ity tontolo ity mora foana. — 1 Jaona 2:15-17.

NAHATOKY HATRAMIN’NY FARANY

35. Manao ahoana ny habetsahan’ny zavatra ampahafantarina antsika momba ireo naman’i Daniela telo lahy?

35 Ny finoana natanjak’i Hanania sy i Misaela ary i Azaria dia aseho amin’ny fomba manaitra ao amin’ny Daniela toko faha-3, tamin’ny fitsapana nifandray tamin’ilay sariolona volamena natsangan’i Nebokadnezara tao amin’ny lemak’i Dora sy tamin’ilay lafaoro nisy afo nirehitra. Tsy isalasalana fa nahatoky teo anatrehan’i Jehovah hatramin’ny fahafatesany ireo Hebreo natahotra an’Andriamanitra ireo. Fantatsika izany, satria tsy maintsy ho izy ireo no tian’ny apostoly Paoly horesahina, fony izy nanoratra momba ireo izay, “tamin’ny finoana (...) [dia] namono ny fidedadedan’afo”. (Hebreo 11:33, 34). Tena ohatra miavaka ho an’ny mpanompon’i Jehovah, na tanora na antitra, izy ireo.

36. Fiainana miavaka nanao ahoana no nananan’i Daniela?

36 Raha ny amin’i Daniela kosa, dia hoy ny andininy farany amin’ny toko voalohany: “Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy mpanjaka.” Ahariharin’ny tantara fa nanongana an’i Babylona tao anatin’ny indray alina, tamin’ny 539 al.f.i., i Kyrosy. Tsy maintsy ho noho ny lazany sy ny toetrany niavaka no nahafahan’i Daniela nanohy nanompo tao an-dapan’i Kyrosy. Raha ny marina aza, dia milaza amintsika ny Daniela 10:1 fa “tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia”, dia nampiharihary raharaha manokana iray tamin’i Daniela i Jehovah. Raha zatovo izy fony nentina tany Babylona tamin’ny 617 al.f.i., dia ho 100 taona latsaka kely izy fony nahazo io fahitana farany io. Endre izany fiainana lava sady feno fitahiana, nanompoana an’i Jehovah tamim-pahatokiana!

37. Fianarana inona avy no azontsika raisina avy amin’ny fandinihana ny Daniela toko voalohany?

37 Mihoatra noho ny tantaran’ny tanora nahatoky efa-dahy, izay nahatohitra ireo fitsapana ny finoany, no tantarain’ny toko voalohany ao amin’ny bokin’i Daniela. Asehon’izy io amintsika ny fomba ampiasan’i Jehovah an’izay olona tiany hampiasaina mba hanatanterahana ny fikasany. Porofoin’ilay fitantarana fa matoa avelan’i Jehovah hisy izay mety ho toa loza, dia misy zava-kendrena mahasoa ao. Ary lazain’izy io amintsika fa ny fahatokiana amin’ny zavatra kely dia mitondra valisoa be dia be.

INONA NO AZONAO?

Inona no azo lazaina momba ny fiavian’i Daniela sy ireo namany tanora telo lahy?

Ahoana no nitsapana ny fitaizana tsara azon’ireo tanora hebreo efa-dahy, tany Babylona?

Ahoana no namalian’i Jehovah soa ny herim-pon’ireo Hebreo efa-dahy?

Lesona inona avy no azon’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao ianarana avy amin’i Daniela sy ireo namany telo lahy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 30]