Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Teny Efatra Izay Nanova Izao Tontolo Izao

Teny Efatra Izay Nanova Izao Tontolo Izao

Toko Fahafito

Teny Efatra Izay Nanova Izao Tontolo Izao

1. Nanao ahoana ny fiantraikan’ny teny efatra voasoratra teo amin’ny rindrina iray efa ela be izay?

TENY tsotra efatra voasoratra teo amin’ny rindrina voalalotra iray. Kanefa dia naharaiki-tahotra izaitsizy ny mpanapaka nahery iray ireo teny efatra ireo, ka saika nahalasa adala azy. Nanambara ny fionganan’ny mpanjaka roa, sy ny fahafatesan’ny iray taminy, ary ny faran’ny firenena natanjaka iray izy ireo. Niteraka ny fampietrena ny fikambanana ara-pivavahana nohajaina fatratra iray ireo teny ireo. Ny zava-dehibe indrindra dia ny nankalazan’izy ireo ny fivavahana madio tamin’i Jehovah sy ny nanamafisany indray ny fiandrianany, tamin’ny fotoana iray tsy nampisehoan’ny ankamaroan’ny olona fanajana firy ireo zavatra roa ireo. Manome fanazavana momba ny fisehoan-javatra maneran-tany ankehitriny mihitsy aza ireo teny ireo! Teny kely efatra monja ve dia hahavita izany rehetra izany? Handeha hojerentsika.

2. a) Inona no nitranga tao Babylona taorian’ny nahafatesan’i Nebokadnezara? b) Iza izao no mpanapaka nitana fahefana?

2 Am-polony taona maro no lasa hatramin’ireo fisehoan-javatra voalaza ao amin’ny toko faha-4 amin’ny bokin’i Daniela. Nifarana tamin’ny fahafatesany tamin’ny 582 al.f.i. ny fanjakan’i Nebokadnezara, mpanjaka niavonavona, naharitra 43 taona, tao Babylona. Nisy maromaro ireo nandimby azy, avy tamin’ny fianakaviany, nefa nifarana ny fanapahan’ny tsirairay taminy, rehefa maty aloha be na novonoin’olona izy ireo. Farany, dia lehilahy iray nantsoina hoe Nabonida no nahazo ny seza fiandrianana tamin’ny alalan’ny fikomiana. Zanaky ny mpisoronavavin’i Sîn, andriamanitra volana, i Nabonida, ka miharihary fa tsy havana akaikin’ny fianakavian’ny mpanjakan’i Babylona. Milaza ny manam-pahaizana sasany fa nanambady ny iray tamin’ny zanakavavin’i Nebokadnezara izy mba hanomezana endriny ara-dalàna ny fanapahany, nanao an’i Belsazara zanany ho mpiara-manjaka aminy, ary namela azy io hitantana an’i Babylona nandritra ny taona maro, isaky ny tsy tao ny tenany. Raha izany no izy, dia ho zafikelin’i Nebokadnezara i Belsazara. Moa ve izy nandray ilay fianarana avy tamin’ireo zava-nitranga tamin’ny raibeny, dia ny hoe i Jehovah no ilay Andriamanitra Fara Tampony, izay afaka nampietry na mpanjaka iza na mpanjaka iza? Tsia! — Daniela 4:34.

NANJARY TSY VOAFEHY NY FANASANA IRAY

3. Nanao ahoana ilay fanasan’i Belsazara?

3 Manomboka amin’ny fanasam-be iray ny toko faha-5 amin’ny bokin’i Daniela. “Belsazara mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an’ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan’ireny no nisotroany divay.” (Daniela 5:1). Azonao alaina sary an-tsaina fa tsy maintsy ho efitra nidadasika iray vao nahazaka ireo lehilahy rehetra ireo, niaraka tamin’ireo vadin’ny mpanjaka mbamin’ny vaditsindranony. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Nakotroka be ireo fanasam-be babylonianina, na dia nifarana tamin’ny fimamoana aza izy ireny matetika. Tondraka divay, nohafarana avy tany ivelany, sy haitraitra isan-karazany ny latabatra. Namerovero eran’ilay efitra ny ranomanitra; nisy mpihira sy mpitendry zavamaneno nampifaly ireo vahiny tafavory tao.” Nitarika ny lanonana avy teo amin’izay nahitan’ny rehetra azy i Belsazara, ary nisotro ny divainy — dia nisotro, dia nisotro.

4. a) Nahoana no toa nety ho hafahafa ny nanaovan’ny Babylonianina fanasana tamin’ny alin’ny 5/6 Oktobra 539 al.f.i.? b) Inona no azo inoana fa nahatonga ny Babylonianina ho feno toky teo anoloan’izay tafika nanafika azy?

4 Toa hafahafa ihany ny nahatonga ny Babylonianina hiravoravo toy izany tamin’io alin’ny 5/6 Oktobra 539 al.f.i. io. Tao anatin’ny ady ny firenen’izy ireo, ary tsy dia tsara ny fandehan’ny zava-drehetra ho azy ireo. Vao resin’ireo miaramila medianina sy persanina tonga nanafika i Nabonida, ary nialokaloka tany Borsippa, tany atsimoandrefan’i Babylona. Ary izao ireo tafik’i Kyrosy dia nitoby teo ivelan’i Babylona mihitsy. Kanefa dia toa tsy nampanahy an’i Belsazara sy ireo mpanolo-tsainy akory izany. Moa tsy tao Babylona, ilay tanàna tsy nety resy, tokoa ve no nisy azy ireo? Ireo mandany goavam-be dia nandondona teo ambonin’ireo hady vory lalina izay feno ny ranon’ny Ony Eofrata namakivaky ilay tanàna. Tsy nisy fahavalo afaka naka tampoka an’i Babylona tao anatin’ny arivo taona mahery. Koa nahoana izy ireo no hanahy? Angamba nieritreritra i Belsazara hoe hanome taratry ny fatokisan-tenan’izy ireo, tamin’ireo fahavalo tao ivelany, ny tabataba be tamin’ilay koranany, ka hampanary toky azy ireny.

5, 6. Inona no nataon’i Belsazara efa nahazo divay, ary nahoana izany no fanivaivana faran’izay ratsy an’i Jehovah?

5 Tsy ela dia nisy vokany ny fisotroan’i Belsazara tafahoatra. “Mpaniratsira ny divay”, hoy ny Ohabolana 20:1. Tamin’io toe-javatra io, dia tena nitarika an’ilay mpanjaka hanao hadalana faran’izay lehibe tokoa ny divay. Nandidy ny hitondrana ireo fanaka masina avy tamin’ny tempolin’i Jehovah ho ao amin’ilay fanasana izy. Tsy natao hampiasaina afa-tsy tamin’ny fanompoam-pivavahana madio ihany ireo fanaka ireo, izay nobaboina fony i Nebokadnezara nandresy an’i Jerosalema. Na dia ireo mpisorona jiosy, izay nomena lalana hampiasa azy ireo tao amin’ny tempolin’i Jerosalema tamin’ny andro taloha, aza dia nampitandremana mba hadio foana. — Daniela 5:2; ampitahao amin’ny Isaia 52:11.

6 Kanefa dia nanan-kevitra mbola feno fahasahisahian-dratsy kokoa i Belsazara. “Ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin’ny vaditsindranony (...) nisotro divay (...) sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.” (Daniela 5:3, 4). Koa ny tian’i Belsazara hatao àry dia ny hanandratra an’ireo andriamani-disony ho ambony noho i Jehovah! Toa fahita teo amin’ny Babylonianina ny fihetsika toy izany. Nanamavo an’ireo babony jiosy izy ireo, ary naniratsira ny fivavahany no sady tsy nanome azy fanantenana ny hiverina tany an-tanindrazany malalany. (Salamo 137:1-3; Isaia 14:16, 17). Angamba nihevitra io mpanjaka efa mamo io fa hampiaiky volana an’ireo vehivaviny sy ireo mpanolo-tsainy ny fampietreny an’ireo olona tany an-tsesitany ireo sy ny fanivaivany ny Andriamanitr’izy ireo, satria hahatonga ny tenany hiseho hanan-kery. * Raha nahatsiaro fientanentanana noho izany fampisehoan-kery izany anefa i Belsazara, dia tsy naharitra ela izany.

ILAY SORA-TANANA TEO AMIN’NY RINDRINA

7, 8. Inona no nampiato ny fanasan’i Belsazara, ary inona no vokatr’izany teo amin’io mpanjaka io?

7 “Tamin’izay”, hoy ilay fitantarana ara-tsindrimandry, “dia nisy rantsan-tànan’olona niseho ka nanoratra tandrifin’ny jiro tamin’ny lalotra sokay teo amin’ny rindrin’ny lapan’ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay rantsan-tànana nanoratra.” (Daniela 5:5). Tena nampahatahotra tokoa ny fahitana izany! Nisy tanana iray tsy fanta-piaviana nitsingevaheva teo akaikin’ny faritra voazava tsara teo amin’ilay rindrina. Alao sary an-tsaina ilay fahanginana tampoka teo amin’ilay lanonana, rehefa samy nitodika ka nitanàka ireo vahiny nijery ilay izy. Nanomboka nanoratra hafatra iray saro-pantarina teo amin’ilay lalotra sokay ilay tanana. * Tena nilaza loza ary tena tsy hay hadinoina io zava-nitranga io, hany ka hatramin’izao, amin’ny fiteny sasany, ny olona dia mbola mampiasa ilay fitenenana hoe “ilay sora-tanana eo amin’ny rindrina”, mba hilazana fampitandremana ny amin’ny loza mananontanona iray.

8 Nanao ahoana ny vokatr’izany teo amin’io mpanjaka niavonavona io izay nitady hanandratra ny tenany sy ireo andriamaniny ho ambony noho i Jehovah? “Dia nivaloarika ny tarehin’ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny.” (Daniela 5:6). Nikendry ny hiseho ho lehibe sy heni-kaja teo anoloan’ny olom-peheziny i Belsazara. Tsy izany anefa no nitranga, fa nanjary sary velon’ny fihorohoroana nampahonena izy — lasa hatsatra ny tarehiny, nihovotrovotra ny valahany, nangovitra mafy aoka izany ny vatany manontolo, hany ka nifandona ny lohaliny. Tena marina tokoa ireto teny nohirain’i Davida ho an’i Jehovah ireto: “Ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.” — 2 Samoela 22:1, 28; ampitahao amin’ny Ohabolana 18:12.

9. a) Nahoana no tsy tahotra araka an’Andriamanitra ilay horohoro tsapan’i Belsazara? b) Inona no natolotry ny mpanjaka an’ireo olon-kendrin’i Babylona?

9 Tokony homarihina fa ny tahotr’i Belsazara akory tsy mba tahotra araka an’Andriamanitra, izany hoe fahatsapana fanajana ara-pivavahana lalina an’i Jehovah, izay fiandohan’ny fahendrena rehetra. (Ohabolana 9:10). Tsia, fa fahatsapana horohoro izaitsizy kosa ny an’io mpanjaka nipararetra io, ary tsy niteraka fahendrena velively tao aminy. * Tsy nitalaho famelan-keloka tamin’ilay Andriamanitra vao avy noivaivainy izy, fa nihiaka mafy kosa nampiantso “ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro”. Nanambara mihitsy aza izy hoe: “Na zovy na zovy no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rojo volamena ny vozony, ary [ho ilay fahatelo hanapaka ao amin’ny fanjakana izy, NW ].” (Daniela 5:7). Hahery tokoa ilay mpanapaka fahatelo ao amin’ilay fanjakana, satria mpanjaka teo am-perinasa roa monja, dia i Nabonida sy i Belsazara, no ho ambony noho izy. Nety ho natokana ho an’ny zanaka lahimatoan’i Belsazara io toerana io, raha ny ara-dalàna. Toy izany ny fahamaizan’ilay mpanjaka hahazo fanazavana momba io hafatra niseho noho ny fahagagana io!

10. Ahoana no niafaran’ny ezaka nataon’ireo olon-kendry mba hilazana ny hevitr’ilay sora-tanana teo amin’ny rindrina?

10 Nitanjozotra niditra tao amin’ilay efitra lehibe ireo olon-kendry. Tsy voaisa intsony izy ireo, satria i Babylona dia tanàna tafalatsaka lalina tao anatin’ny fivavahan-diso sy tototra tempoly. Tena tsy tambo isaina ireo lehilahy nihambo ho nahay namaky fambara sy namaky soratra saro-pantarina. Tsy maintsy ho nientam-po noho ilay fahafahana natolotra azy ireo olon-kendry ireo. Ho afaka hampihatra ny fahaizany teo anatrehan’ny olo-manan-kaja izy ireo, sy hahazo sitraka tamin’ny mpanjaka, ary hasandratra ho amin’ny toeram-pahefana lehibe. Kanefa dia endre izany tsy fahaizany! “Tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny.” *Daniela 5:8.

11. Inona no toa antony tsy nahaizan’ireo olon-kendrin’i Babylona namaky ilay sora-tanana?

11 Tsy azo antoka raha nahavaky an’ilay soratra — ireo litera tsirairay mihitsy — ireo olon-kendrin’i Babylona, na tsia. Raha toa ka tsy nahavaky ilay soratra ireny lehilahy maty eritreritra ireny, dia ho nanana fahafahana malalaka hamorona hevitra diso araka izay tiany, angamba hevitra izay handokadoka ny mpanjaka. Nety ho afaka namaky tsara an’ireo litera koa anefa izy ireo. Koa satria nosoratana tsy nisy zanatsoratra anefa ny fiteny aramianina sy hebreo, ny teny tsirairay dia nety ho nisy heviny maromaro. Raha izany no izy, dia azo inoana fa tsy ho afaka nanapa-kevitra ny amin’izay teny tokony ho izy ireo olon-kendry ireo. Na dia vitany aza izany, dia mbola tsy ho nahatakatra ny hevitr’ireo teny ireo ihany izy ireo, mba hilazana izay nety ho tian’izy ireo holazaina. Na ahoana na ahoana, dia zavatra iray no azo antoka: Ny tsy fahaizana nibaribarin’ireo olon-kendrin’i Babylona!

12. Inona no noporofoin’ny tsy fahaizan’ireo olon-kendry?

12 Voala sarona ho mpisoloky àry ireo olon-kendry, ary ho fanaovana hosoka fotsiny ny fikambanany ara-pivavahana izay nohajaina fatratra. Nandiso fanantenana tanteraka izy ireo! Rehefa hitan’i Belsazara fa very maina foana ny nitokiany tamin’ireo mpivavaka ireo, dia vao mainka izy nihanatahotra, nihahatsatra ihany ny tarehiny, ary na dia ireo mpanolo-tsainy aza dia “vaka”. *Daniela 5:9.

NAMPIANTSOINA NY LEHILAHY IRAY NANANA FAHAZAVAN-TSAINA

13. a) Nahoana ny mpanjakavavy no nanolo-kevitra ny hampiantso an’i Daniela? b) Nanao ahoana ny fiainan’i Daniela?

13 Tamin’io fotoana tena sarotra io, dia niditra tao amin’ny efitra fanasana ny mpanjakavavy — angamba ny mpanjakavavy reniny. Nahare momba ilay korontam-be tamin’ilay fanasana izy, ary nahalala olona iray izay afaka namaky ilay sora-tanana teo amin’ny rindrina. Am-polony taona maro talohan’io, i Nebokadnezara rainy dia nanendry an’i Daniela ho lehiben’ny olon-kendriny rehetra. Tadidin’ny mpanjakavavy ho lehilahy nanana “fanahy hendry sy fahalalana sy saina” izy. Koa satria toa tsy fantatr’i Belsazara i Daniela, dia azo inoana fa namoy ilay toerana ambony tao amin’ny fitondram-panjakana ilay mpaminany, taorian’ny nahafatesan’i Nebokadnezara. Tsy zava-dehibe tamin’i Daniela anefa ny toerana ambony. Angamba efa maherin’ny 90 taona izy tamin’io fotoana io, ary mbola nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana. Na dia efa valopolo taona teo ho eo aza no nanaovana sesitany azy tao Babylona, dia mbola fantatra tamin’ny anarany hebreo ihany izy. Na dia ny mpanjakavavy aza dia niantso azy hoe Daniela, ary tsy nampiasa ilay anarana babylonianina nomena azy. Hoy tokoa izy, nampirisika ny mpanjaka: “Aoka hantsoina Daniela, fa holazainy ny hevitry ny teny.” — Daniela 1:7; 5:10-12.

14. Toerana sarotra nanao ahoana no nisy an’i Daniela, rehefa nahita ilay sora-tanana teo amin’ny rindrina izy?

14 Nampiantsoina i Daniela, ka niditra teo anatrehan’i Belsazara. Nahasadaikatra ny nitalaho fanampiana tamin’io Jiosy io, izay vao avy noivaivain’ny mpanjaka ny Andriamaniny. Na dia izany aza, dia nitady handokadoka an’i Daniela i Belsazara, ka nanolotra azy ilay valisoa koa — ny toerana fahatelo tao amin’ny fanjakana — raha nahavaky ireo teny feno zava-miafina sy nanazava ny heviny izy. (Daniela 5:13-16). Nitraka i Daniela ka nijery ilay sora-tanana teo amin’ny rindrina, ary dia nanampy azy hahazo ny heviny ny fanahy masina. Hafatra nilaza loza avy tamin’i Jehovah Andriamanitra ilay izy! Ahoana no hahafahan’i Daniela hanambara imasoimaso tamin’io mpanjaka feno avona io, didim-pitsarana henjana momba ny tenany — sady amin’izay teo anoloan’ireo vadiny sy mpanolo-tsainy? Alao sary an-tsaina ny toerana sarotra nisy an’i Daniela! Moa ve izy voataonan’ny teny fandokafan’ny mpanjaka sy ny fanolorany harena sy toerana ambony? Hanalefaka ny fanambaran’i Jehovah ve ilay mpaminany?

15, 16. Fianarana lehibe inona no tsy noraisin’i Belsazara avy tamin’ny lasa, ary fahita ve ny fihetsika toy izany amin’izao andro izao?

15 Sahy niteny tamin-kerim-po toy izao i Daniela: “Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao omeo ny hafa; nefa hovakiko amin’ny mpanjaka ihany ny soratra, ary hampahafantariko azy ny heviny.” (Daniela 5:17). Nanaraka izany, dia nanaiky ny fahalehibeazan’i Nebokadnezara, izay mpanjaka nahery aoka izany, ka afaka namono, nikapoka, nanandratra na nampietry izay tiany, i Daniela. Kanefa, nampahatsiahivin’i Daniela an’i Belsazara fa i Jehovah, ilay “Andriamanitra Avo Indrindra” no nanome an’i Nebokadnezara ny fahalehibeazany. I Jehovah no nampietry an’iny mpanjaka nahery iny, fony izy io nanjary nieboebo. Eny, voatery nianatra i Nebokadnezara fa “Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona, ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany”. — Daniela 5:18-21.

16 ‘Fantatr’i Belsazara izany rehetra izany’. Na dia izany aza, dia tsy nandray fianarana avy tamin’ny lasa izy. Raha ny marina aza, dia nihoatra lavitra noho ny fahotan’i Nebokadnezara, dia ny avonavona, ny fahotany, ary nanohitra an’i Jehovah tamin-kasahisahian-dratsy izy. Nanala sarona ny fahotan’ilay mpanjaka i Daniela. Ankoatra izany, dia nilaza tamim-pahasahiana tamin’i Belsazara teo anoloan’ireo mpanompo sampy rehetra tafavory teo izy fa ireo andriamani-diso dia “tsy mahita, na mandre, na mahalala”. Nanampy teny ilay mpaminanin’Andriamanitra be herim-po fa, nifanohitra tamin’ireo andriamanitra tsinontsinona ireo, i Jehovah dia ilay Andriamanitra “Izay mitana ny ainao”. Hatramin’izao isika miteny izao, ny olona dia manao ho andriamanitra zavatra tsy manana aina, toy ny vola, ny asa, ny laza, ary na dia ny fahafinaretana aza. Tsy misy na dia iray amin’ireo aza anefa afaka manome aina. I Jehovah irery ihany no ilay ahazoantsika rehetra ny fiainantsika, sy fototry ny fofon’aina rehetra fofonintsika. — Daniela 5:22, 23; Asan’ny Apostoly 17:24, 25.

HITA NY VALIN’NY ANKAMANTATRA IRAY!

17, 18. Inona avy ireo teny efatra voasoratra teo amin’ny rindrina, ary inona no hevitr’izy ireo ara-bakiteny?

17 Nanao ilay zavatra tsy hain’ireo olon-kendrin’i Babylona rehetra izao ilay mpaminany efa be taona. Namaky sy nilaza ny hevitr’ilay sora-tanana teo amin’ny rindrina izy. Izao avy izany teny izany: “MENE, MENE, TEKELA, OPARESINA.” (Daniela 5:24, 25). Inona no hevitr’izy ireo?

18 Raha ara-bakiteny, ny hevitr’ireo teny ireo dia hoe “mane iray, mane iray, sekely iray, ary antsasa-tsekely”. Ny teny tsirairay dia milaza lanjam-bola, ary tanisaina lanja midina. Nahasanganehana tokoa! Na dia afaka namaky ireo litera aza ireo olon-kendrin’i Babylona, dia mbola tsy mahagaga firy ihany raha tsy afaka nilaza ny heviny izy ireo.

19. Inona no hevitr’ilay teny hoe “MENE”?

19 Noho ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, dia nanazava toy izao i Daniela: “Izao no hevitry ny teny: MENE, voaisan’Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin’izao”. (Daniela 5:26). Ireo renisoratra tao amin’ilay teny voalohany dia nahafahana namaky ilay teny hoe “mane” sy ny endriny iray tamin’ny teny aramianina nidika hoe “nisaina”, arakaraka ireo zanatsoratra nanampin’ilay namaky azy. Fantatr’i Daniela tsara fa kely sisa dia hifarana ny sesitanin’ireo Jiosy. Valo amby enimpolo taona no efa lasa tamin’ireo 70 nambara mialoha fa tokony haharetany. (Jeremia 29:10). I Jehovah, ilay Mpametra Fotoana Lehibe, dia efa nanisa ny andron’ny firenena natanjaka babylonianina, ary efa akaiky tsy araka ny nieritreretan’iza na iza tao amin’ny fanasan’i Belsazara azy ny farany. Raha ny marina aza, dia efa tapitra ny fotoana — tsy ho an’i Belsazara ihany, fa ho an’i Nabonida rainy koa. Izany no mety ho antony nanoratana ilay teny hoe “MENE” indroa — mba hanambarana ny faran’ny fanjakan’ireo mpanjaka roa ireo.

20. Inona no fanazavana omena ilay teny hoe “TEKELA”, ary ahoana no niharan’izany tamin’i Belsazara?

20 Ny hoe “TEKELA” kosa dia tsy nosoratana afa-tsy indray mandeha, ary tamin’ny endriny milaza tokana. Izany dia mety hampiseho fa niantefa voalohany indrindra tamin’i Belsazara izy io. Ary hety tsara izany, satria ny tenany no nampiseho tsy fanajana nibaribary an’i Jehovah. Ny tena dikan’ilay teny dia hoe “sekely”, nefa ireo renisoratra ao aminy dia ahafahana koa mamaky ilay teny hoe “lanjaina, voalanja”. Araka izany, dia hoy i Daniela tamin’i Belsazara: “TEKELA, efa voalanja tamin’ny mizana hianao ka, indro, latsa-danja”. (Daniela 5:27). Amin’i Jehovah, dia firenena manontolo mihitsy no tsinontsinona toy ny vovoka madinika amin’ny mizana. (Isaia 40:15). Tsy manan-kery hampandamòka ny fikasany izy ireo. Koa inona izay mpanjaka mpizahozaho iray? Nitady hanandra-tena ho ambony noho ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao i Belsazara. Sahy nanivaiva an’i Jehovah sy naniratsira ny fanompoam-pivavahana marina io olombelona bitika dia bitika io, nefa “indro, latsa-danja”. Eny, mendrika tanteraka an’ilay didim-pitsarana izay nanatona haingana i Belsazara!

21. Amin’ny heviny ahoana ny hoe “OPARESINA” no tsilaolaon-teny telo sosona, ary inona no nasehon’io teny io momba ny hoavin’ny firenena natanjaka babylonianina?

21 Ilay teny farany teo amin’ny rindrina dia hoe “OPARESINA”. Novakin’i Daniela tamin’ny endriny milaza tokana hoe “PARESA” izy io, angamba satria niresaka tamin’ny mpanjaka iray izy, fa ilay iray hafa kosa tsy teo. Fara tampony tamin’ilay ankamantatra lehibe avy tamin’i Jehovah, izay nisy tsilaolaon-teny telo sosona, io teny io. Raha ara-bakiteny, ny hoe “oparesina” dia midika hoe “antsasa-tsekely”. Ireo litera ireo anefa dia ahafahana koa mahazo heviny roa hafa — “fizarazarana” sy “Persanina”. Koa izao àry no nambaran’i Daniela mialoha: “PARESA, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an’ny Mediana sy ny Persiana.” — Daniela 5:28.

22. Nanao ahoana ny fihetsik’i Belsazara teo anoloan’ny valin’ilay ankamantatra, ary inona no nety ho toa nantenainy?

22 Hita àry ny valin’ilay ankamantatra. Hianjera tsy ho ela eo an-tanan’ireo tafika medianina sy persanina i Babylona nahery. Na dia voaetry noho io fanambarana loza io aza i Belsazara, dia nitana ny teny nataony. Nasainy nampiakanjoin’ny mpanompony volomparasy sy noravahana rojo volamena ary nambara ho ny mpanapaka fahatelo tao amin’ny fanjakana, i Daniela. (Daniela 5:29, NW ). Tsy nanda ireo mari-boninahitra ireo i Daniela, satria takany fa taratr’ilay voninahitra tokony ho an’i Jehovah izy ireo. Mazava ho azy fa nety ho nanantena ny hanalefaka ny didim-pitsaran’i Jehovah i Belsazara tamin’ny fanomezam-boninahitra ny mpaminaniny. Raha izany no izy, dia efa diso aoriana loatra izany, ka tsy hanova na inona na inona.

NY NIANJERAN’I BABYLONA

23. Faminaniana taloha inona no teo an-dalam-pahatanterahana, nandritra ny fanasan’i Belsazara?

23 Nandritra ny fotoana nisotroan’i Belsazara sy ireo tandapa mpanotrona azy ho an’ireo andriamaniny sy naniratsirany an’i Jehovah, dia nisy fisehoan-javatra lehibe nitranga moramora tao amin’ny haizina tao ivelan’ilay lapa. Teo an-dalam-pahatanterahana ny faminaniana iray nolazaina tamin’ny alalan’i Isaia efa ho 200 taona talohan’io. Hoy ny nambaran’i Jehovah mialoha momba an’i Babylona: “Hatsahatro ny fisentoana rehetra.” Eny, hifarana ny fampahoriana rehetra nampiharin’io tanàna ratsy fanahy io tamin’ny vahoaka voafidin’Andriamanitra. Tamin’ny fomba ahoana? Hoy ihany io faminaniana io: “Miakara, ry Elama ô! Manaova fahirano, ry Media ô!” I Elama dia nanjary anisan’i Persia taorian’ny andron’i Isaia mpaminany. Tamin’ny fotoan’ny fanasan’i Belsazara, izay efa nambaran’i Isaia mialoha koa tao amin’io faminaniana io ihany, i Persia sy i Media dia efa nivondrona mba ‘hiakatra’ ka ‘hanao fahirano’ an’i Babylona. — Isaia 21:1, 2, 5, 6, NW.

24. Tsipiriany inona avy momba ny fianjeran’i Babylona no nambaran’ny faminanian’i Isaia mialoha?

24 Raha ny tena izy aza, dia efa nambara mialoha ny anaran’ilay hitarika ireo tafika ireo, ary koa ireo paika lehibe indrindra amin’ny tetikadiny. Tokony ho 200 taona mialoha, dia efa naminany i Isaia fa hanosotra olona iray hantsoina hoe Kyrosy mba hanafika an’i Babylona, i Jehovah. Mandritra ilay fanafihana hataony, dia hiravona eo anoloany avokoa ireo vato misakana rehetra. Ho “tankina” ireo ranon’i Babylona, ary havela hibanabana ireo varavarany goavam-be. (Isaia 44:27–45:3). Ary dia izany tokoa no nitranga. Nampivily lalana ny Ony Eofrata ireo tafik’i Kyrosy, ka nampidina ny haavon’ny rano mba hahafahan’izy ireo handeha teo amin’ny fanambanin’ilay ony. Nanao tsirambina ireo mpiambina ka navelany hivoha ireo varavaran’ny mandan’i Babylona. Mpahay tantara maro no manaiky fa nandritra ny fotoana nanaovan’ny mponina tao aminy korana nikotaba be no voatafika ilay tanàna. Azo tsy nisy fanoherana i Babylona. (Jeremia 51:30). Kanefa nisy fahafatesan’olona niavaka iray, fara fahakeliny. Hoy ny tatitra nataon’i Daniela: “Ary tamin’io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan’ny Kaldeana. Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany.” — Daniela 5:30–6:1.

FANDRAISANA FIANARANA AVY AMIN’ILAY SORA-TANANA TEO AMIN’NY RINDRINA

25. a) Nahoana i Babylona fahiny no sary mampiseho tsara ny fivavahan-diso maneran-tany amin’izao andro izao? b) Tamin’ny heviny ahoana ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny no voatana ho babo tao Babylona?

25 Mirakitra hevi-dehibe ho antsika ny fitantarana ara-tsindrimandry ao amin’ny Daniela toko faha-5. Foiben’ireo fanao ara-pivavahana diso i Babylona fahiny, ka mampiseho tsara ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Asehon’ny Apokalypsy ho toy ny vehivavy janga lian-dra io fitambaram-pitaka hita eran-tany io, ary antsoiny hoe “Babylona Lehibe”. (Apokalypsy 17:5). Tsy niraharaha ireo fampitandremana rehetra momba ireo fampianarana sy fanao diso manala baraka an’Andriamanitra izy io, ka nanenjika an’ireo izay nitory ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Toy ny mponin’i Jerosalema sy i Joda fahiny, ny sisa nahatoky tamin’ny Kristianina voahosotra dia toy ny tany an-tsesitany tao amin’i “Babylona Lehibe”, tamin’ny fotoana azo nilazana fa nitsahatra tanteraka ny asa fitoriana ilay Fanjakana, noho ny fanenjehana avy tamin’ny mpitondra fivavahana, tamin’ny 1918.

26. a) Ahoana no nianjeran’i “Babylona Lehibe” tamin’ny 1919? b) Fampitandremana inona no tokony harahin’ny tenantsika sady hampitaintsika amin’ny hafa?

26 Tampoka teo anefa, dia nianjera i “Babylona Lehibe”! Fianjerana azo nolazaina hoe tsy nisy tabataba aloha ilay izy e — tsy nisy hafa tamin’ny nianjeran’i Babylona fahiny saika tsy nisy tabataba, tamin’ny 539 al.f.i. Na dia izany aza anefa, dia niteraka fandravana be io fianjerana ara-panoharana io. Nitranga tamin’ny 1919 am.f.i. izy io, fony nafahana avy tamin’ny fahababoan’i Babylona ny vahoakan’i Jehovah, ka nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Izany no namarana ny fanapahan’i “Babylona Lehibe” teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, ary nanamarika ny fiandohan’ny fanalana sarona azy ampahibemaso ho mpanao hosoka tsy azo itokisana. Fisehoan-javatra tsy hiverina intsony io fianjeran’i Babylona io, ary efa mananontanona ny fandringanana azy farany. Noho izany, dia tsy nitsahatra namerimberina izao fampitandremana izao ireo mpanompon’i Jehovah: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.” (Apokalypsy 18:4). Nanaraka an’io fampitandremana io ve ianao? Mampita azy io amin’ny hafa ve ianao? *

27, 28. a) Fahamarinana lehibe inona no tsy hadinon’i Daniela na oviana na oviana? b) Inona no porofo ananantsika fa hamely tsy ho ela ny tontolo ratsy amin’izao andro izao i Jehovah?

27 Koa efa eo amin’ny rindrina àry ilay sora-tanana, izany hoe efa miseho ilay fambara loza, ankehitriny — nefa tsy ho an’i “Babylona Lehibe” irery ihany. Tadidio ny fahamarinana lehibe iray ifotoran’ny bokin’i Daniela: I Jehovah no Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao. Izy, ary izy irery ihany, no manana ny zo hametraka mpanapaka eo amin’ny olombelona. (Daniela 4:14, 22; 5:21). Na inona na inona manakantsakana ny fikasan’i Jehovah dia hesorina. Tsy maintsy hanao zavatra i Jehovah, na ho ela na ho haingana. (Habakoka 2:3). Ho an’i Daniela, dia efa ho 100 taona izy vao tonga izany fotoana izany, rehefa ela ny ela. Tamin’izay, dia hitany i Jehovah nanaisotra firenena natanjaka iray, dia firenena nampahory ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’ny fahazazan’i Daniela.

28 Misy porofo tsy azo lavina fa efa nametraka Mpanapaka iray ho an’ny olombelona teo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra i Jehovah Andriamanitra. Ny tsy niraharahan’izao tontolo izao an’io Mpanjaka io, sy ny nanoherany ny fanapahany dia porofo azo antoka fa hanaisotra tsy ho ela ny mpanohitra rehetra ny fanapahan’ilay Fanjakana i Jehovah. (Salamo 2:1-11; 2 Petera 3:3-7). Moa ve ianao manao zavatra, noho ny fandodonan’ny androntsika, ka mametraka ny fitokisanao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra? Raha izany no izy, dia tena nandray fianarana avy tamin’ilay sora-tanana teo amin’ny rindrina ianao!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Tao amin’ny soratra fahiny iray, dia hoy i Kyrosy Mpanjaka momba an’i Belsazara: “Olo-malemy no natao ho [mpanapaka] ny taniny.”

^ feh. 7 Na dia io tsipiriany kely ao amin’ny fitantaran’i Daniela io aza dia hita fa marina. Hitan’ireo arkeôlôgy fa ny rindrin’ireo lapa tany Babylona fahiny dia vita tamin’ny biriky voalalotra sokay.

^ feh. 9 Angamba vao mainka nampihorohoro io fahagagana io, noho ireo finoanoam-poana babylonianina. Hoy ny boky Babylonian Life and History: “Ankoatra ny habetsahan’ireo andriamanitra nivavahan’ireo Babylonianina, dia hita fa nandevozin’ny finoana ireo fanahy [esprits] koa izy ireo, ary amin’ny fomba tafahoatra aoka izany, ka feno vavaka sy teniteny majika hanoherana azy ireo ny ankabeazan’ny haisorany ara-pivavahana.”

^ feh. 10 Hoy ny gazety Biblical Archaeology Review: “Nahita ary nanao lisitra famantarana nilaza loza an’arivony maro ireo manam-pahaizana momba an’i Babylona. (...) Rehefa nitaky ny hampahafantarana azy ny hevitr’ilay soratra teo amin’ny rindrina i Belsazara, dia tsy isalasalana fa nitodika tany amin’ireny rakipahalalana momba ny fambara ireny ireo olon-kendrin’i Babylona. Hita ho tsy nisy vidiny anefa izy ireny.”

^ feh. 12 Milaza ireo mpanao rakibolana fa ilay teny nadika eto hoe “vaka” dia toa milaza korontam-be toy ny hoe nivadika ho fifanjevoana ilay fiaraha-nikorana.

^ feh. 26 Jereo ny pejy faha-205-271 ao amin’ny boky Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

INONA NO AZONAO?

• Inona no nampiato ny fanasan’i Belsazara tamin’ny alin’ny 5/6 Oktobra 539 al.f.i.?

• Inona no hevitr’ilay sora-tanana teo amin’ny rindrina?

• Faminaniana inona momba ny fianjeran’i Babylona no tanteraka nandritra ny fanasan’i Belsazara?

• Inona no hevitry ny fitantarana momba ilay sora-tanana teo amin’ny rindrina amin’izao androntsika izao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 98]

[Sary, pejy 103]