Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Manana Hoavy Sambatra Ianao!

Afaka Manana Hoavy Sambatra Ianao!

Toko Voalohany

Afaka Manana Hoavy Sambatra Ianao!

1, 2. Inona no irin’ny Mpamorona anao ho anao?

FAMIHINANA mafana avy amin’ny olona iray tianao. Fihomehezana avy amin’ny fo mandritra ny fiaraha-misakafo tsara amin’ny namana tsy foy. Ny fahafinaretana mitazana ireo zanakao milalao amim-pifaliana. Ny fe-potoana tahaka ireo dia fotoam-pahasambarana miavaka eo amin’ny fiainana. Ho an’ny olona maro anefa, ny fiainana dia toa tsy manome afa-tsy zava-manahirana lehibe misesy. Raha izany no zavatra hitanao, dia mahereza.

2 Sitrapon’Andriamanitra ny hankafizanao fahasambarana maharitra ao anatin’ny toe-piainana tsara indrindra ao amin’ny faritra mahafinaritra. Tsy nofinofy fotsiny akory izany, satria Andriamanitra dia tena manolotra anao ny fanalahidin’izany hoavy sambatra izany. Izany fanalahidy izany dia ny fahalalana.

3. Fahalalana inona no fanalahidin’ny fahasambarana, ary nahoana isika no afaka mahazo antoka fa afaka manome izany fahalalana izany Andriamanitra?

3 Karazam-pahalalana manokana, izay lehibe lavitra noho ny fahendren’olombelona, no resahinay. Izany dia ny “fahalalana an’Andriamanitra”. (Ohabolana 2:⁠5). Efa ho 2 000 taona lasa izay, dia nilaza toy izao ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly: “Ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.” (Hebreo 3:⁠4). Eritrereto ange ny fahalalana tsy maintsy ananan’ilay Mpanao ny zava-drehetra e! Milaza ny Baiboly fa manisa sy manome anarana ny kintana rehetra Andriamanitra. Mahazendana toy inona moa ny fieritreretana momba izany, satria misy kintana ana hetsy tapitrisany maro ao amin’ny vahindanitra misy antsika fotsiny, ary ireo astronoma dia milaza fa misy vahindanitra hafa tokony ho iray hetsy tapitrisa! (Salamo 147:⁠4). Mahafantatra ny zava-drehetra momba antsika koa Andriamanitra. Koa iza àry, ankoatra an’Andriamanitra, no ho afaka hanome valiny tsara kokoa ho an’ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana? — Matio 10:⁠30.

4. Nahoana isika no tokony hanampo ny hanomezan’Andriamanitra antsika toromarika hitari-dalana antsika, ary boky inona no misy an’izany?

4 Alao sary an-tsaina ny lehilahy roa manandrana manamboatra ny simba amin’ny fiarakodiany. Kivy ny iray amin’izy mirahalahy, ka manipy ny fitaovany rehetra. Ilay faharoa kosa manitsy amim-pahatoniana ilay zavatra tsy mety, manodina ny lakile, ary mitsiky rehefa velona ny maotera ka mandeha tsara. Tsy ho sarotra aminao ny haminany hoe iza amin’izy mirahalahy no nanana boky fanazavana avy tamin’ny mpanao fiarakodia. Tsy araka ny fandrindran-kevitra ve ny hoe hanome toromarika hitarika antsika eo amin’ny fiainana Andriamanitra? Araka ny mety ho fantatrao, ny Baiboly dia milaza tena ho izany indrindra — dia boky iray misy toromarika sy tari-dalana avy amin’ny Mpamorona antsika, natao mba hampitana ny fahalalana an’Andriamanitra. — 2 Timoty 3:⁠16.

5. Sarobidy ve ny fahalalana raketin’ny Baiboly?

5 Raha marina ny filazan’ny Baiboly, dia eritrereto ange ny tahirim-pahalalana tsy maintsy raketin’io boky io e! Ao amin’ny ­Ohabolana 2:1-5 izy dia mampirisika antsika mba hitady ny fahendrena, mba hitrandraka azy io toy ny fitrandraka harena afenina — tsy eo amin’ny fisainan’olombelona anefa, fa ao amin’ny tenin’Andriamanitra mihitsy kosa. Raha mikaroka ao isika, dia ho ‘hitantsika ny fahalalana an’Andriamanitra’. Koa satria Andriamanitra mahatakatra ny fetran’ny tenantsika sy ny zavatra ilaintsika, dia manome antsika toromarika izay hanampy antsika hanana fiainana miadana sy sambatra izy. (Salamo 103:14; Isaia 48:17). Ankoatra izany, ny fahalalana an’Andriamanitra dia manolotra vaovao tsara mampientana ho antsika.

FIAINANA MANDRAKIZAY!

6. Toky inona no nomen’i Jesosy Kristy raha ny amin’ny fahalalana an’Andriamanitra?

6 Ilay persona ara-tantara fanta-daza atao hoe Jesosy Kristy dia nilazalaza mazava tsara io lafiny amin’ny fahalalana an’Andriamanitra io. Hoy izy: “Izao no midika ho fiainana mandrakizay: ny fandraisany fahalalana anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy an’ilay nirahinao, i Jesosy Kristy.” (Jaona 17:⁠3, NW ). Alao sary an-tsaina ange izany e — fahalalana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay!

7. Inona no porofo fa tsy nikasa ny hahafatesantsika Andriamanitra?

7 Aza manilika haingana ny fiainana mandrakizay ho toy ny nofinofy fotsiny. Jereo kosa ny fomba nanaovana ny vatan’olombelona. Voavolavola tamin’ny fomba faran’izay miavaka izy io mba hahatsiarovana tsiron-kanina, handrenesana, hanimboloana, hahitana ary hahatsapana. Be dia be aoka izany ny zavatra eto ambonin’ny tany izay maharavoravo ireo vavahadin-tsaintsika — sakafo matsiro, siokam-borona mahafinaritra, voninkazo mamerovero, faritra taza-maso tsara tarehy, namana maharavoravo! Ary ny atidohantsika mahatalanjona dia mihoatra lavitra noho ny ordinatera iray matanjaka be, satria mahatonga antsika hankasitraka sy hankafy ireo zavatra rehetra ireo izy io. Heverinao ve fa ny Mpamorona antsika dia maniry antsika ho faty ka hamoy izany rehetra izany? Tsy ho azon’ny saina ekena kokoa ve ny hanatsoahana hevitra fa maniry antsika hiaina amim-pahasambarana sy hifaly amin’ny fiainana mandrakizay izy? Izany indrindra no ho dikan’ny fahalalana an’Andriamanitra ho anao.

FIAINANA AO AMIN’NY PARADISA

8. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny hoavin’ny olombelona?

8 Izay lazain’ny Baiboly momba ny hoavin’ny tany sy ny olombelona dia ho azo fintinina amin’ny teny iray monja — Paradisa! Niresaka momba azy io i Jesosy Kristy rehefa nilaza tamin’ny lehilahy iray niala aina hoe: ‘Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.’ (Lioka 23:43, NW ). Ny fanononana ny hoe Paradisa dia tsy isalasalana fa namerina tao an-tsain’io lehilahy io ilay toe-piainana sambatra nisy an’ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia i Adama sy i Eva. Fony namorona azy ireo Andriamanitra, dia lavorary izy ireo ary niaina tao amin’ny saha iray toy ny zaridaina izay novolavolain’ny Mpamorona sy novoleny. Nety ny niantsoana azy io hoe sahan’i Edena, anarana izay mitory fahafinaretana.

9. Nanao ahoana izany hoe niaina tao amin’ilay Paradisa tany am-boalohany?

9 Naharavoravo toy inona moa izany zaridaina izany! Tena paradisa ilay izy. Teo anivon’ireo hazo tsara tarehy tao aminy, dia nisy hazo namoa voa natsiro. Rehefa nandeha nizaha sy namantatra ny fonenany i Adama sy i Eva, sy nisotro tamin’ireo rano maminy, ary nioty voankazo avy tamin’ireo hazony, dia tsy nanana antony tokony hitebitebena na hatahorana izy ireo. Tsy nisy fandrahonana na dia avy tamin’ireo biby aza, satria nataon’Andriamanitra hanapaka tamim-pitiavana teo amin’izy rehetra ralehilahy sy ny vadiny. Fanampin’izany, ilay mpivady voalohany dia nanana fahasalamana tonga lafatra. Raha mbola nitoetra ho nankato an’Andriamanitra koa izy ireo, dia nivelatra teo anoloan’izy ireo ny hoavy mandrakizay sy sambatra. Nomena an’ilay asa mahafa-po nikarakarana ny fonenany nahatalanjona, dia ny Paradisa, izy ireo. Ankoatra izany, Andriamanitra dia nanome an’i Adama sy i Eva ny baiko ‘hameno ny tany sy hampanompo azy’. Izy ireo sy ny taranany dia tokony hanitatra ireo sisin’ny Paradisa mandra-pahatongan’ny planetantsika manontolo ho toerana tsara tarehy sy maharavoravo. — Genesisy 1:⁠28.

10. Rehefa niresaka momba ny Paradisa i Jesosy, inona moa no tao an-tsainy?

10 Rehefa nanonona ny hoe Paradisa tamin’ny lehilahy iray niala aina anefa i Jesosy, dia tsy nangataka azy mba hieritreritra momba ny lasa efa lavitra. Tsia, fa niresaka momba ny hoavy kosa i Jesosy! Fantany fa ny tany fonenantsika manontolo dia ho tonga paradisa. Hanatanteraka ny fikasany tany am-boalohany ho an’ny olombelona sy ny tanintsika Andriamanitra amin’izay. (Isaia 55:10, 11). Eny, haverina amin’ny laoniny ny Paradisa! Ary hanao ahoana izy io? Avelao hamaly izany ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly Masina.

FIAINANA AO AMIN’NY PARADISA HO TAFAVERINA AMIN’NY LAONINY

11. Ao amin’ilay Paradisa ho tafaverina amin’ny laoniny, inona moa no hiafaran’ny aretina sy ny fahanterana ary ny fahafatesana?

11 Tsy hisy intsony ny aretina sy ny fahanterana ary ny fahafatesana. “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana”. (Isaia 35:5, 6). “Andriamanitra no hitoetra eo [amin’ny olombelona], dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:3, 4.

12. Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa tsy hisy heloka bevava na herisetra na faharatsiana ao amin’ny Paradisa ho avy?

12 Hanjavona mandrakizay ny heloka bevava sy ny herisetra ary ny faharatsiana. “Ny mpanao ratsy hofongorana; (⁠.⁠.⁠.⁠) rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; (⁠.⁠.⁠.⁠) tsy ho hita izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany”. (Salamo 37:9-11). “Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.” — Ohabolana 2:⁠22.

13. Amin’ny fomba ahoana no hitondran’Andriamanitra fiadanana?

13 Hanjaka haneran-tany ny fiadanana. “Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy [Andriamanitra]; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy”. (Salamo 46:⁠9). “Ny marina hitrebona (⁠.⁠.⁠.⁠), ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.” — Salamo 72:⁠7.

14, 15. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny trano hipetrahana sy ny asa ary ny sakafo ao amin’ny Paradisa ho tafaverina amin’ny laoniny?

14 Ho azo antoka ny trano hipetrahana ary hahafa-po ny asa. “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao (⁠.⁠.⁠.⁠). Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany. Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka”. — Isaia 65:21-23.

15 Hisy sakafo mahasalama tondraka. “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”. (Salamo 72:16). “Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.” — Salamo 67:⁠6.

16. Nahoana no haharavoravo ny fiainana ao amin’ny Paradisa?

16 Haharavoravo ny fiainana mandrakizay eto amin’ny tany zary paradisa. “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29). “Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.” — Isaia 35:⁠1.

NY FAHALALANA SY NY HOAVINAO

17. a) Inona no tokony hataonao raha manintona anao ny fiainana ao amin’ny Paradisa? b) Ahoana no ahafantarantsika fa hitondra fiovana lehibe eto an-tany Andriamanitra?

17 Raha manintona anao ny fiainana ao amin’ny Paradisa, dia aza mamela na inona na inona hampiahotra anao tsy hahazo ny fahalalana an’Andriamanitra. Tia ny olombelona izy ary hitondra ireo fiovana ilaina mba hahatonga ny tany ho paradisa. Rehefa heverina tokoa, raha toa ianao ka manana ny fahafahana hamarana ny fahoriana sy ny tsy rariny manjaka aoka izany eto an-tany, tsy hanao izany ve ianao? Ho latsaka noho izany ve no hantenaintsika amin’Andriamanitra? Raha ny tena izy, ny Baiboly dia ­miresaka amin’ny teny toa hitan’ny maso, momba ny fotoana hanesoran’Andriamanitra itỳ fandehan-javatra feno fandrafiana itỳ ka hanoloany azy amin’ny fanapahana iray tonga lafatra sy marina. (Daniela 2:44). Mihoatra noho ny filazana amintsika momba izany rehetra izany anefa no ataon’ny Baiboly. Asehony amintsika koa ny fomba ahafahantsika ho tafita velona ho ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra nampanantenaina. — 2 Petera 3:13; 1 Jaona 2:⁠17.

18. Afaka manao inona ho anao dieny izao ny fahalalana an’Andriamanitra?

18 Afaka mitondra soa be dia be ho anao dieny izao koa ny fahalalana an’Andriamanitra. Valiana ao amin’ny Baiboly ireo fanontaniana lalina indrindra sy mampikorontan-tsaina indrindra eo amin’ny fiainana. Ny fanekenao ny tari-dalana omeny dia hanampy anao hamboly fisakaizana amin’Andriamanitra. Tombontsoa lehibe toy inona moa izany! Ary izany dia hanampy anao hahazo ilay fiadanana izay Andriamanitra irery ihany no afaka manome azy. (Romana 15:13, 33). Rehefa manomboka mandray io fahalalana iankinan’ny aina io ianao, dia miroso hanao ilay ezaka lehibe indrindra sady mahafa-po indrindra eo amin’ny fiainanao. Tsy hanenenanao na oviana na oviana ny fahazoana fahalalana an’Andriamanitra izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.

19. Fanontaniana inona no hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka?

19 Niresaka momba ny Baiboly ho ny boky mirakitra ny fahalalana an’Andriamanitra isika. Kanefa, ahoana no ahafantarantsika fa izy io dia, tsy boky misy fahendren’olombelona akory, fa zavatra lehibe lavitra? Handinika io fanontaniana io isika ao amin’ny toko manaraka.

TSAPAO NY FAHALALANAO

Nahoana ny fahalalana an’Andriamanitra no afaka ­mitarika anao ho amin’ny fahasambarana mandrakizay?

Hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny Paradisa eto an-tany ho avy?

Nahoana ianao no handray soa avy amin’ny fandraisana fahalalana an’Andriamanitra ankehitriny?

[Fanontaniana]