Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy ho Tanjonao ny Hanompo An’Andriamanitra Mandrakizay

Ataovy ho Tanjonao ny Hanompo An’Andriamanitra Mandrakizay

Toko Faha-18

Ataovy ho Tanjonao ny Hanompo An’Andriamanitra Mandrakizay

1, 2. Inona no takina ankoatra ny fananana fahalalana an’Andriamanitra?

ALAO sary an-tsaina hoe mitsangana eo anoloan’ny varavarana iray mihidy lakile, izay mitarika ho amin’ny efitra iray mirakitra harem-be, ianao. Aoka hatao hoe nisy olona iray nomen-dalana nanome anao ilay lakile ary nilaza taminao mba haka amin’ireo zava-tsarobidy ireo. Tsy hanampy anao na amin’inona na amin’inona izany lakile izany, raha tsy ampiasainao. Mitovy amin’izany koa fa tsy maintsy mampiasa ny fahalalana ianao, raha tianao ny handray soa avy aminy.

2 Marina indrindra izany raha ny amin’ny fahalalana an’Andriamanitra. Eny tokoa, ny fahalalana araka ny marina an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy dia midika ho fiainana mandrakizay. (Jaona 17:⁠3, NW ). Kanefa, izany fahatsinjovan-javatra izany dia tsy azo tanterahina amin’ny alalan’ny fananana fahalalana fotsiny. Toy ny hampiasanao lakile sarobidy iray, dia mila ny mampihatra ny fahalalana an’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ianao. Nilaza i Jesosy fa ireo izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no ‘hiditra ao amin’ilay fanjakana’. Ny olona toy izany dia hahazo tombontsoa hanompo an’Andriamanitra mandrakizay! — Matio 7:21; 1 Jaona 2:⁠17.

3. Inona no sitrapon’Andriamanitra ny amintsika?

3 Rehefa avy nianatra ianao hoe inona ny sitrapon’Andriamanitra, dia tena zava-dehibe ny hanaovanao azy io. Inona no heverinao fa sitrapon’Andriamanitra ny aminao? Izany dia ho azo fintinina tsara amin’ireto teny ireto: Manahafa an’i Jesosy. Hoy ny lazain’ny 1 Petera 2:21 amintsika: “Ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo [akaiky, NW ] ny diany”. Mba hanaovanao ny sitrapon’Andriamanitra àry, dia mila ny manaraka ny ohatr’i Jesosy akaiky araka izay azonao atao ianao. Izany no fomba ampiasanao ny fahalalana an’Andriamanitra.

NY FOMBA NAMPIASAN’I JESOSY NY FAHALALANA AN’ANDRIAMANITRA

4. Nahoana i Jesosy no mahafantatra zavatra be dia be aoka izany momba an’i Jehovah, ary tamin’ny fomba ahoana no nampiasany izany fahalalana izany?

4 I Jesosy Kristy dia manana fahalalana an’Andriamanitra akaiky kokoa noho ny hafa. Niara-niaina sy niasa tamin’i Jehovah Andriamanitra tany an-danitra nandritra ny an-jatony taona maro tsy voafaritra izy talohan’ny nahatongavany teto an-tany. (Kolosiana 1:15, 16). Ary inona no nataon’i Jesosy tamin’izany fahalalana rehetra izany? Tsy nianina tamin’ny fananana azy io fotsiny izy. Niaina nifanaraka tamin’izy io izy. Izany no antony naha-feno hatsaram-panahy sy faharetana ary fitiavana aoka izany azy teo amin’ny fifampiraharahany tamin’ireo olombelona tahaka azy. Nanahaka tamin’izany an’ilay Rainy any an-danitra i Jesosy ka nanao zavatra nifanaraka tamin’ny fahalalany an’ireo lalan’i Jehovah sy ny toetrany. — Jaona 8:23, 28, 29, 38; 1 Jaona 4:⁠8.

5. Nahoana i Jesosy no natao batisa, ary tamin’ny fomba ahoana no niainany nifanaraka tamin’ny hevitry ny batisany?

5 Ny fahalalana nananan’i Jesosy dia nanosika azy koa hanao dingana iray tena lehibe. Tonga avy tany Galilia mba ho eo amin’ny Ony Jordana, izay nanaovan’i Jaona batisa azy, izy. (Matio 3:13-15). Inona no nasehon’ny batisan’i Jesosy? Tamin’ny naha-Jiosy azy, dia teraka teo amin’ny firenena iray nanolo-tena ho an’Andriamanitra, izy. Noho izany, dia efa vita fanoloran-tena hatramin’ny nahaterahany i Jesosy. (Eksodosy 19:5, 6). Tamin’ny fanekena hatao batisa, dia niseho tamin’i Jehovah mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra ny aminy tamin’izany fotoana izany, izy. (Hebreo 10:5, 7). Ary niaina nifanaraka tamin’ny hevitry ny batisany i Jesosy. Tsy nitsitsy tena teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy, ka nizara ny fahalalana an’Andriamanitra tamin’ny olona isaky ny nisy fahafahana ho amin’izany. Nahita fahafinaretana tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra i Jesosy, ka nilaza mihitsy aza fa toy ny hanina ho azy izany. — Jaona 4:⁠34.

6. Tamin’ny fomba ahoana no nandavan’i Jesosy ny tenany?

6 Takatr’i Jesosy tamin’ny fomba feno fa ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah dia hamoizany zavatra be — fa hamoizany ny ainy mihitsy aza izany. Na dia izany aza, dia nanda ny tenany i Jesosy, ka nametraka ireo zavatra nilainy manokana teo amin’ny toerana faharoa. Loha laharana foana ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Amin’io lafiny io, ahoana moa no ahafahantsika manaraka ny ohatra tanterak’i Jesosy?

DINGANA IZAY MITARIKA HO AMIN’NY FIAINANA MANDRAKIZAY

7. Inona avy no dingana sasany tsy maintsy ataon’ny olona iray mba hahafenoana ny fepetra ho amin’ny batisa?

7 Tsy toa an’i Jesosy isika, fa tsy tanteraka ary tsy afaka mahatratra ilay dingana lehiben’ny batisa raha tsy rehefa avy nanao dingana tena lehibe hafa. Izany dia manomboka amin’ny fandraisantsika am-po ny fahalalana araka ny marina an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. Mahatonga antsika haneho finoana sy hanana fitiavana lalina an’Andriamanitra ny fanaovantsika izany. (Matio 22:37-40; Romana 10:17; Hebreo 11:⁠6). Ny fanarahantsika ireo lalàna sy fotopoto-pitsipika ary fari-pitsipik’Andriamanitra dia tokony hanosika antsika hibebaka, ka haneho alahelo araka an’Andriamanitra noho ireo fahotantsika tamin’ny lasa. Izany dia mitarika antsika ho amin’ny fiovana, izany hoe ho amin’ny fiverenana sy ny famoizana izay lalan-diso rehetra narahintsika fony isika tsy nanana ny fahalalana an’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 3:19). Mazava ho azy fa raha mbola zatra manao fahotana miafina iray isika, fa tsy manao izay marina kosa, dia tsy tena niverina, no sady tsy afaka mamitaka an’Andriamanitra. Mahita ny fihatsarambelatsihy miafina rehetra i Jehovah. — Lioka 12:2, 3.

8. Zavatra inona no tokony hataonao rehefa maniry handray anjara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana ianao?

8 Izao ianao efa nandray ny fahalalana an’Andriamanitra izao, moa ve tsy hety ny hiheverana ireo raharaha ara-panahy eo amin’ny toe-javatra misy ny tenanao manokana? Azo inoana fa dodona ny hilaza amin’ireo havanao sy namanao ary ny hafa koa momba izay ianaranao ianao. Raha ny marina aza, dia mety ho efa nanao izany ianao, tsy misy hafa amin’ny nizaran’i Jesosy ny vaovao tsara tamin’ny hafa, teo amin’ny faritra fahita andavanandro. (Lioka 10:38, 39; Jaona 4:6-15). Izao ianao dia mety haniry hanao bebe kokoa. Ireo loholona kristiana dia ho faly hiresaka aminao mba hamaritana raha mahafeno fepetra sy raha afaka mandray anjara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy tapaka ianao na tsia. Raha eny, dia hanao fandaharana ireo loholona mba hiarahanao amin’ny Vavolombelona iray eo amin’ny fanompoana. Ireo mpianatr’i Jesosy dia nanaraka ireo toroheviny mba hanatontosana ny fanompoany tamin’ny fomba voalamina. (Marka 6:7, 30; Lioka 10:⁠1). Handray soa avy amin’ny fanampiana mitovy amin’izany ianao, eo am-pandraisanao anjara amin’ny fampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana isan-trano sy amin’ny fomba hafa koa. — Asan’ny Apostoly 20:20, 21.

9. Ahoana no anoloran’ny olona iray ny tenany ho an’Andriamanitra, ary inona no fiantraikan’ny fanoloran-tenan’ilay olona eo amin’ny fiainany?

9 Ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny karazan’olona rehetra ao amin’ny faritanin’ny kongregasiona dia fomba iray hahitana ireo izay manana fironana ho amin’ny marina, no sady anisan’ireo asa tsara dia tsara izay manaporofo fa manana finoana ianao. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35; Jakoba 2:17, 18, 26). Ny fanatrehanao tsy tapaka ireo fivoriana kristiana sy ny fanananao anjara misy heviny amin’ny asa fitoriana dia fomba hampisehoanao koa fa nibebaka sy niverina ianao ka tapa-kevitra izao ny hiaina mifanaraka amin’ny fahalalana an’Andriamanitra. Inona no dingana ara-dalàna manaraka? Ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra. Izany dia midika fa ao amin’ny vavaka iray avy amin’ny fo, dia milaza amin’Andriamanitra ianao fa manome ny fiainanao ho azy an-tsitrapo sy amin’ny fonao manontolo mba hanao ny sitrapony. Izany no fomba anoloranao tena ho an’i Jehovah sy anekenao ny zioga moran’i Jesosy Kristy. — Matio 11:29, 30.

NY BATISA — NY HEVITR’IZY IO HO ANAO

10. Nahoana ianao no tokony hatao batisa rehefa avy nanolo-tena ho an’i Jehovah?

10 Araka ny nolazain’i Jesosy, izay rehetra tonga mpianany dia tsy maintsy atao batisa. (Matio 28:19, 20). Nahoana izany no tena ilaina rehefa avy nanolo-tena ho an’Andriamanitra ianao? Koa satria ianao nanolo-tena ho an’i Jehovah, dia fantany fa tia azy ianao. Tsy isalasalana anefa fa haniry hanao zavatra fanampiny ianao mba hampahafantarana amin’ny hafa ny fitiavanao an’Andriamanitra. Ny batisa dia manome anao fahafahana hampahafantatra ampahibemaso ny nanoloranao tena ho an’i Jehovah Andriamanitra. — Romana 10:9, 10.

11. Inona no hevitry ny batisa?

11 Misy heviny ara-panoharana be dia be ny batisa. Rehefa asitrika, na “alevina”, ao anaty rano ianao, dia toy ny hoe maty raha ny amin’ny fomba fiainanao teo aloha. Rehefa mivoaka avy ao anaty rano ianao, dia toy ny hoe mipoitra ho amin’ny fiainana vaovao, dia fiainana tapahin’ny sitrapon’Andriamanitra fa tsy ny an’ny tenanao manokana. Mazava ho azy fa izany akory tsy midika hoe tsy hanao fahadisoana intsony ianao, satria tsy tanteraka isika rehetra ka noho izany, dia manota isan’andro. Kanefa, amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa anao dia ho niditra ao amin’ny fifandraisana manokana aminy, ianao. Noho ny fibebahanao sy ny fanekenao amim-panetren-tena hatao batisa, i Jehovah dia vonona ny hamela ireo fahotanao, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. Ny batisa, araka izany, dia mitarika ho amin’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra. — 1 Petera 3:⁠21.

12. Inona no hevitry ny hoe atao batisa a) “amin’ny anaran’ny Ray”? b) ‘amin’ny anaran’ny Zanaka’? d) ‘amin’ny anaran’ny fanahy masina’?

12 Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hanao batisa ireo mpianatra vaovao “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”. (Matio 28:19). Inona no tian’i Jesosy holazaina? Ny batisa “amin’ny anaran’ny Ray” dia manondro fa ilay olona atao batisa dia manaiky amin’ny fony manontolo fa i Jehovah Andriamanitra no ilay Mpamorona sady Tompom-piandrianana ara-drariny eo amin’izao rehetra izao. (Salamo 36:⁠9; 83:18; Mpitoriteny 12:⁠1, NW ). Ny hoe atao batisa ‘amin’ny anaran’ny Zanaka’ dia midika fa ilay olona dia manaiky fa i Jesosy Kristy — ary indrindra fa ny sorom-panavotana nataony — no hany fomba hahazoana famonjena avy amin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 4:12). Ny batisa ‘amin’ny anaran’ny fanahy masina’ dia midika fa ilay mirotsaka hatao batisa dia manaiky fa ny fanahy masina, na hery miasan’i Jehovah no fitaovan’Andriamanitra hanatontosany ireo fikasany sy hanomezany hery an’ireo mpanompony mba hanaovan’izy ireo ny sitrapony marina, miaraka amin’ny fandaminany tarihin’ny fanahiny. — Genesisy 1:⁠2; Salamo 104:30; Jaona 14:26; 2 Petera 1:⁠21.

VONONA HO AMIN’NY BATISA VE IANAO?

13, 14. Nahoana isika no tsy tokony hatahotra ny hifidy ny hanompo an’i Jehovah Andriamanitra?

13 Koa satria feno heviny be dia be toy izany ny batisa, sady ny dingana lehibe indrindra eo amin’ny fiainan’ny olona iray, moa ve izy io dingana tokony hatahoranao? Tsy izany mihitsy! Na dia tsy tokony hohamaivanina aza ny fanapahan-kevitra hatao batisa, dia tsy azo iadian-kevitra fa izy io no fanapahan-kevitra maneho fahendrena indrindra azonao atao.

14 Ny batisa dia porofon’ny safidinao hanompo an’i Jehovah Andriamanitra. Eritrereto ireo olona ifampikasohanao. Na amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa, moa ve tsy manompo tompo iray ny tsirairay avy amin’izy ireo? Ny sasany manompo ny harena. (Matio 6:24, fanamarihana ambany pejy). Ny hafa mazoto mikatsaka fisondrotana eo amin’ny asany na manompo ny tenany amin’ny fanaovana ny fanatanterahana ny fanirian’ny tenany manokana ho ny zavatra voalohany indrindra eo amin’ny fiainany. Ny hafa koa manompo andriamani-diso. Ianao anefa nifidy ny hanompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Tsy misy hafa mampiseho hatsaram-panahy sy fangoraham-po ary fitiavana be dia be tahaka azy. Manome fahamendrehana ny olombelona Andriamanitra amin’ny alalan’ny asa misy heviny izay mitarika azy ireo ho amin’ny famonjena. Mamaly soa ny mpanompony amin’ny alalan’ny fiainana mandrakizay izy. Azo antoka fa ny fanarahana ny ohatr’i Jesosy sy ny fanomezana ny fiainanao ho an’i Jehovah dia tsy lalana tokony hatahorana. Raha ny tena izy, dia izy io no hany mahafaly an’Andriamanitra sady tena misy heviny. — 1 Mpanjaka 18:⁠21.

15. Inona avy no vato misakana fahita sasany alohan’ny batisa?

15 Kanefa, ny batisa akory tsy dingana tokony hatao noho ny fanerena avy amin’ny hafa. Raharaha manokana eo aminao sy i Jehovah izy io. (Galatiana 6:⁠4). Teo am-panaovanao fandrosoana ara-panahy, dia nety ho nanontany tena ianao hoe: “Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?” (Asan’ny Apostoly 8:35, 36). Ho azonao atao ny hanontany tena hoe: ‘Ny fanoheran’ny fianakaviana ve no mampiahotra ahy? Mbola voatana ao anatin’ny tarehin-javatra tsy araka ny Soratra Masina na ny fahazarana manota ve aho? Sao àry aho matahotra ny tsy hahazo sitraka intsony avy amin’ny mpiara-monina amiko? ’ Ireo no sasany amin’ireo lafin-javatra tokony hodinihina, nefa tombano araka ny zavatra tena misy izy ireo.

16. Ahoana no handraisanao soa avy amin’ny fanompoana an’i Jehovah?

16 Tsy araka ny zavatra tena misy ny manombana ny ho lany ka tsy misy fandinihana ireo soa raisina avy amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ohatra, diniho ilay raharaha ny amin’ny fanoheran’ny fianakaviana. Nampanantena i Jesosy fa na dia mamoy ny havany noho ny fanarahana azy aza ny mpianany, dia hahazo fianakaviana ara-panahy lehibe kokoa. (Marka 10:29, 30). Ireo mpiray finoana aminao ireo dia hampiseho fitiavan-drahalahy aminao, ka hanampy anao hiaritra fanenjehana ary hanohana anao eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana. (1 Petera 5:⁠9). Ireo loholon’ny kongregasiona indrindra no afaka manampy anao hizaka zava-manahirana sy hiatrika zava-tsarotra hafa amim-pahombiazana. (Jakoba 5:14-16). Raha ny amin’ny tsy fahazoana sitraka intsony avy amin’itỳ tontolo itỳ kosa, dia azonao atao ny manontany tena hoe: ‘Inona no azo ampitahaina amin’ny fananana ny fankasitrahan’ny Mpamorona an’izao rehetra izao, sy ny fampifaliana azy noho ny lalana fidiko harahina eo amin’ny fiainana?’ — Ohabolana 27:⁠11.

FIAINANA MIFANARAKA AMIN’NY FANOLORAN-TENANAO SY NY BATISANAO

17. Nahoana ianao no tokony hihevitra ny batisa ho toy ny fiandohana fa tsy ho toy ny fiafaran-javatra?

17 Zava-dehibe ny hitadidiana fa tsy ny faran’ny fandrosoanao ara-panahy akory ny batisa. Izy io kosa dia manamarika ny fiandohan’ny fanompoana an’Andriamanitra mandritra ny fiainana manontolo, amin’ny maha-minisitra voatokana sady Vavolombelon’i Jehovah. Na dia iankinan’ny aina aza ny batisa, dia tsy antoka ho an’ny famonjena izy io. I Jesosy akory tsy nanao hoe: ‘Izay rehetra vita batisa dia hovonjena.’ Hoy kosa izy: “Izay [miaritra, NW ] hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:13). Noho izany, dia tena zava-dehibe ny hikatsahanao ny Fanjakan’Andriamanitra aloha, amin’ny fanaovana izany ho ny zavatra ahinao voalohany indrindra eo amin’ny fiainanao. — Matio 6:25-34.

18. Aorian’ny batisa, inona avy no tanjona sasany hotratrarina?

18 Mba hiaretana eo amin’ny fanompoanao an’i Jehovah, dia haniry hametra tanjona ara-panahy ho an’ny tenanao ianao. Ny tanjona mendrika iray dia ny fanitarana ny fahalalanao an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fianarana manokana tsy tapaka ny Teniny. Manaova fandaharana mba hamakiana ny Baiboly isan’andro. (Salamo 1:1, 2). Manatreha fivoriana kristiana tsy tapaka, satria ny fifaneraserana hitanao any dia hanampy mba hanomezana anao tanjaka ara-panahy. Raha ianao manokana, nahoana ianao raha manao ho tanjonao ny hanome valin-teny any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona, ka hidera araka izany an’i Jehovah sy hitady izay hampahery ny hafa? (Romana 1:11, 12). Ny tanjona hafa iray dia mety ho ny fanatsarana ireo vavaka ataonao. — Lioka 11:2-4.

19. Afaka manampy anao mba haneho toetra tsara inona avy ny fanahy masina?

19 Raha tianao ny hiaina mifanaraka amin’ny hevitry ny batisanao, dia mila ny mitandrina mandrakariva izay ataonao ianao, ka hamela ny fanahy masin’Andriamanitra hamokatra ao aminao toetra tsara toy ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana, ny fahamoram-panahy ary ny fifehezan-tena. (Galatiana 5:22, 23, NW; 2 Petera 3:11). Tadidio fa i Jehovah dia manome ny fanahiny masina an’izay rehetra mivavaka mba hahazoana azy io ka mankato azy amin’ny maha-mpanompony mahatoky azy ireo. (Lioka 11:13; Asan’ny Apostoly 5:32). Koa mivavaha amin’Andriamanitra mba hahazoana ny fanahiny ary mangataha fanampiana aminy mba hanehoana ireo toetra tsara mahafaly azy. Ireo toetra ireo dia hihamiharihary eo amin’ny teninao sy ny fitondran-tenanao, arakaraka ny anekenao ny fitaoman’ny fanahin’Andriamanitra. Mazava ho azy, fa ny olona tsirairay ao amin’ny kongregasiona kristiana dia miezaka mafy mba hamboly “ny toetra vaovao” mba hitovy kokoa amin’i Kristy. (Kolosiana 3:9-14). Ny tsirairay avy amintsika dia miatrika zava-tsarotra samy hafa eo am-panaovana izany, satria tsy mitovy ny ambaratongam-pandrosoana ara-panahy misy antsika avy. Koa satria tsy tanteraka ianao, dia tsy maintsy miezaka mafy mba hanana toetra toy ny an’i Kristy. Aza mamoy fo mihitsy anefa amin’io lafiny io, satria azo atao izany noho ny fanampian’Andriamanitra.

20. Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahanao manahaka an’i Jesosy eo amin’ny fanompoana?

20 Anisan’ireo tanjonao ara-panahy dia tokony hisy ny fanahafana akaiky kokoa ny ohatra falifalin’i Jesosy. (Hebreo 12:1-3). Tia ny fanompoana aoka izany izy. Raha manana tombontsoa mandray anjara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana ianao, dia aza avela ho tonga fahazarana fotsiny ilay izy. Mitadiava hahita fahafaham-po eo amin’ny fampianarana ny hafa momba ny Fanjakan’Andriamanitra, toa an’i Jesosy. Ampiasao ny fampianarana omen’ny kongregasiona mba hanampiana anao hihatsara amin’ny maha-mpampianatra. Ary matokia fa i Jehovah dia afaka manome anao ny tanjaka hanatontosana ny fanompoanao. — 1 Korintiana 9:19-23.

21. a) Ahoana no ahafantarantsika fa mihevitra an’ireo olona vita batisa mahatoky ho toy ny harena i Jehovah? b) Inona no mampiseho fa zava-dehibe ho amin’ny fahatafitantsika velona amin’ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ, ny batisa?

21 Ny olona iray vita fanoloran-tena sy batisa, izay miezaka amim-pahatokiana ny hanaraka an’i Jesosy, dia olona manokana ho an’Andriamanitra. I Jehovah dia mandinika ny fon’olombelona an’arivo tapitrisany maro ary mahafantatra fa faran’izay miavaka ny olona toy izany. Mihevitra azy ireo ho toy ny harena, ho toy ny “zavatra faniry”, izy. (Hagay 2:⁠7, NW ). Ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly dia mampiseho fa Andriamanitra dia mihevitra ny olona toy izany ho toy ny voamarika mba ho tafita velona amin’ny fampiharana ny didim-pitsarany ho avy tsy ho ela amin’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ. (Ezekiela 9:1-6; Malakia 3:16, 18). Moa ve ianao ‘manana fironana mety ho amin’ny fiainana mandrakizay’? (Asan’ny Apostoly 13:48, NW ). Moa ve fanirianao amim-pahatsorana ny ho voamarika ho toy ny olona manompo an’Andriamanitra? Anisan’izany marika izany ny fanoloran-tena sy ny batisa, ary tena ilaina izy ireo mba hahatafitana velona.

22. Fahatsinjovana inona avy no azon’ny “olona betsaka” andrasana amim-panantenana?

22 Taorian’ilay Safo-drano nanerana ny tany, dia nivoaka avy tao amin’ilay sambo fiara mba hiditra tao amin’ny tany voadio iray i Noa sy ny fianakaviany. Mitovy amin’izany koa amin’izao andro izao, fa misy “olona betsaka” izay mampihatra ny fahalalana an’Andriamanitra eo amin’ny fiainany ary mahazo ny fankasitrahan’i Jehovah, manana ny fahatsinjovana ny ho tafita velona amin’ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ ka hifaly amin’ny fiainana mandrakizay eto amin’ny tany ho voadio amin’ny fomba maharitra. (Apokalypsy 7:9, 14). Hanao ahoana izany fiainana izany?

TSAPAO NY FAHALALANAO

Ahoana no fomba irin’i Jehovah hampiasanao ny fahalalanao azy?

Inona avy no dingana sasany izay mitarika ho amin’ny batisa?

Nahoana ny batisa no tsy fiafaran-javatra, fa fiandohana kosa?

Ahoana no ahafahantsika miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika sy ny batisantsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 172]

Nanolo-tena ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka ve ianao?

[Sary, pejy 174]

Inona no misakana anao tsy hatao batisa?